[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]
H. L. Heijkoop
FIZAHÀN-TAKELAKA
|
TOKONY HIOVA FO VE ? |
1 |
|
NAHOANA NO TOKONY HIOVA FO ? |
6 |
|
Mpanota ny olombelona |
6 |
|
Ny fieritreretana |
7 |
|
Ireo fahotana tsy tsapa |
8 |
|
Inona no atao hoe ota ? |
9 |
|
Inona no atao hoe fiovàm-po ? |
10 |
|
AHOANA NO AHAZOANA |
12 |
|
Ampy ve ny fibebahana nataoko ? |
13 |
|
Ny fahamarinan’Andriamanitra |
13 |
|
Fanamarinana |
14 |
|
Ny fitsanganana amin’ny maty, |
14 |
|
Fantatr’Andriamanitra |
16 |
|
Vita fihavanana amin’Andriamanitra isika |
17 |
|
Ka tsy manana fiadanam-po anie aho e ! |
17 |
|
NAFAHANA TAMIN’NY HERIN’NY OTA |
19 |
|
Ny toetran’ny olombelona |
20 |
|
Tahaka ny endrik’Andriamanitra |
20 |
|
Tahaka ny tarehin’i Adama |
21 |
|
Tsy ampy ny hoe voavela heloka ! |
22 |
|
Ny valin-teny omen’Andriamanitra |
23 |
|
Ilay Adama farany |
24 |
|
Maty niaraka tamin’i Kristy |
25 |
|
Zavatra tsapa eo amin’ny fiainana |
25 |
|
NANOKANA OLONA HO VERY VE ANDRIAMANITRA? |
28 |
|
Sori-dahatra mialoha |
28 |
|
Tsy natao ho an’ny Jiosy irery |
29 |
|
Ny maha-taranak’i Abrahama |
29 |
|
I Jakoba no tiako, fa i Esao no hàlako |
30 |
|
Hamafisin’Andriamanitra |
30 |
|
Afaka manao izay tiany hatao Andriamanitra |
31 |
|
Ny fanaky ny fahatezerana |
32 |
|
Ny tenin’Andriamanitra dia tsy
milaza |
32 |
|
NY FIFIDIANANA |
34 |
|
Inona no ambaran’ny Soratra Masina,
|
34 |
|
Nantsoina sy nohamarinina |
35 |
|
Andriamanitsika sady Raintsika |
36 |
|
Masina sy tsy manan-tsiny eo
anatrehany |
36 |
|
Mba ho Azy amin’ny fananganana anaka isika |
37 |
|
Ny kristianisma dia manana |
38 |
|
KRISTY, MPISORONABENTSIKA |
40 |
|
Kristy, mpisoronabentsika |
41 |
|
Mpisorona any an-danitra |
42 |
|
Nianatra fanarahana Izy |
43 |
|
Ireo fakàm-panahy ataon’ny devoly |
44 |
NY FAHATERAHAM-BAOVAO |
48 |
|
Ny Zanak’olona, Izay any an-danitra |
48 |
|
Ny toetra maha-olona ny olombelona |
49 |
|
“Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra” |
50 |
|
Nateraka indray |
51 |
|
“Tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona” |
52 |
|
FIRAISANA AMIN’NY RAY |
54 |
|
Firaisana amin’ny Ray |
55 |
|
Andriamanitra dia mazava, |
56 |
|
KRISTY, MPISOLOVAVA ANTSIKA |
58 |
|
Raha manota ny mpino iray |
58 |
|
Ny fitsarana ny tena no hany fomba
|
58 |
|
Ireo fahotana tsy tsapa |
60 |
|
Kristy, Mpisolovava antsika |
61 |
|
Ny fanasana tongotra |
61 |
|
Ny nandàvan’i Petera |
62 |
|
Fanarenana |
63 |
|
FAHAMASINANA |
65 |
|
Inona no atao hoe fahamasinana? |
65 |
|
Fahamasinan’ny Fanahy |
67 |
|
Fahamasinana iainana |
68 |
|
Ny lanjan’ny famakiana ny Baiboly |
70 |
|
Ny fahateraham-baovao |
70 |
|
Sakafo ho an’ilay fiainam-baovao |
71 |
|
Ny tenin’Andriamanitra no mpitarika antsika |
72 |
|
Ny Teny no fiadiana ho antsika |
72 |
|
Ny fomba fanadiovana |
74 |
|
Fisedrana
ny fiainana andavanandro |
74 |
|
Fankatoavana sy fanekena |
75 |
|
Mivavaka |
77 |
|
Ny
mivavaka dia |
78 |
|
Tsy
voatokana |
78 |
|
Fatokiana fa hahazo valim-bavaka |
79 |
|
Inona no
dikan’ny hoe |
80 |
|
Fepetra ilaina, mba hahazoana valim-bavaka |
81 |
|
Ireo sakana amin’ny valim-bavaka |
82 |
|
Mivavaka araka ny sitrapony |
83 |
|
Mivavaka tsy mitsahatra |
83 |
|
vita batisa ve ianao? |
85 |
|
Inona no dikan’ny batisa ? |
86 |
|
Atao
batisa |
86 |
|
Izao
tontolo izao dia mitoetra |
87 |
|
Ny hazofijalian’i Kristy |
88 |
|
Ny Fanasàn’ny Tompo |
91 |
|
Ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo |
92 |
|
Ny dikan’ny Fanasàn’ny Tompo |
93 |
|
Ny fahafatesan’ny Tompo |
94 |
|
Oviana ary
impiry no tokony handray |
95 |
|
Mandini-tena |
96 |
|
Ny Latabatry ny Tompo |
97 |
|
Ny fiombonana amin’ny ra sy ny tenan’i Kristy |
98 |
|
Ilay tenan’i Kristy miafina : ny Fiangonana |
99 |
|
Ny Fanasàn’ny
Tompo dia fanehoana |
100 |
|
Ny toetra
manavaka |
101 |
|
Ny Latabatry ny Tompo |
103 |
|
fitsaohana |
106 |
|
106 |
|
|
Ny votoatin’ny fivavahana kristiana |
108 |
|
Mitady mpivavaka Aminy ny Ray |
110 |
|
Mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana |
110 |
|
Aiza no tokony hivavahantsika ? |
113 |
|
fanompoana |
115 |
|
Miantso izay tiany hantsoina Izy |
116 |
|
Ho ao Aminy |
116 |
|
Hirahiny |
117 |
|
Fanankinan-tena amin’ny Tompo |
119 |
|
Ny toerana misy antsika eto an-tany |
121 |
|
Ny toerantsika manoloana izao tontolo izao |
121 |
|
Ny toerantsika manoloana ny “toby” |
123 |
TOKONY HIOVA FO VE ?
Ry sakaiza malala,
Zava-dehibe tokoa ny fanontaniana apetrakao, ary mila fandinihina lalina; koa dia hovaliako avy hatrany.
Manoratra amiko ianao fa matetika, na amin’ny resaka manokana ifanaovanao aman’olona, na any amin’ny fivoriana izay atrehinao, dia ambara mandrakariva fa mila miova fo ianao. Ianao kosa, nefa, tsy mahatsapa loatra ny ilàna izany. Milofo miasa ianao, manana tokantrano milamina sy namana tiana maro ianao; manantena ny hahazo toerana ambonimbony kokoa aza ianao, izao, ary maniry ny mba hahita ny zava-misy eo amin’izao tontolo izao. Raha atao bango tokana, dia tena faly sy afa-po amin’ny fiaimpiainanao ianao, ka izany fitaomana anao hiova fo izany dia toa hevi-dravina tsotra izao, hany ka leo ianao.
Azoko tsara ny tianao holazaina. Misy ny olona no mandany ny androny, miditra amin’ny raharahan’ny hafa, na mananatra sy miteny hoe tsy mety izay ataonao. Manorisory ny mandre izany isan’andro, indrindra moa raha tsy azonao antoka loatra ny fahadisoan’ny zavatra lazain’ireny olona ireny.
Eo indrindra, nefa, no tena zava-dehibe : marina ve sa tsia ny ambaran’izy ireo ? Tokony hiova fo tokoa ve ianao, sa tsy dia ilaina izany ? Raha zavatra maivamaivana fotsiny ihany mantsy izany, dia tsy hampaninona loatra na dia hita aza, any aoriana, fa diso ny hevitrao. Dia mitandrina fotsiny ianao, amin’ny sisa. Saingy raha ny momba ny fiovàm-po kosa, dia mikasika ny handanianao ny mandrakizainao izany. Zava-dehibe loatra izany, ka dia mila mazava ny hevitrao momba izany.
Efa mba nieritreritra ny momba ny mandrakizay ve ianao ? Ekeko fa tsy ho fantatsika mazava mialohan’ny hahatongavana any mihitsy, tsy akory, ny momba ny any. Ilaina kosa, nefa, ny mihevitra marina ny momba izany, mba hahafantarana, na sombintsombiny fotsiny aza ; sa ahoana, hoy ianao ?
Hoy ity angano iray : Nisy, hono, mpanjaka iray, te hitsapa tovolahy iray marani-tsaina, ka nanontany azy hoe : “Toy inona moa ny faharetan’ny mandrakizay ?” Hoy ilay tovolahy namaly : “Ry mpanjaka ô, any an-tany lavitra any dia misy tendrombohitra tena avo, ary ny tendrony dia mihoatra ny rahona. Varahina io tendrombohitra io. Isaky ny zato taona, dia misy voronkely iray izay mitsaingotsaingoka io tendrombohitra io amin’ny vavany. Ka izao : rehefa lany tsaingohin’io vorona io ilay tendrombohitra, ka tsy hita intsony, dia lasa, izay, ny iray segondra amin’ny mandrakizay.”
Moa ve izany valim-panontaniana izany tsy maneho fa tsy manam-pahataperana ny mandrakizay ? Mbola tsy tena marina nefa io valin-teny io, satria any amin’ny mandrakizay dia tsy misy, na ny minitra na ny segondra. Any, ny arivo taona dia toy ny indray andro, ary ny indray andro dia toy ny arivo taona (2 Petera 3. 8). Tsy manam-pahataperana ny mandrakizay, ka noho izany dia tsy azo refesina.
Io tantara kely io, nefa, dia maneho kely amintsika ihany ny fifandraisan’ny faharetan’ny androm-piainantsika etỳ ambonin’ny tany, sy ny mandrakizay, izay mbola ho avy. Inona moa izay folo na dimampolo na valopolo, eny fa na ny zato taona aza, manoloana ny mandrakizay ? Ka tsy zava-dehibe tokoa ve ny mahalala hoe aiza, ary manao ahoana, no hiatrehantsika ny mandrakizay ?
Mampahatsiaro ahy tantara hafa iray izany. Fantatrao, moa, fa ny ankamaroan’ny mpanjaka, tamin’ny vanim-potoana antenantenany[1], dia nanana karazan’olona mpampihomehy avokoa, tany an-dapany. Amin’ny ankapobeny, dia karazan’olona sampontsampona izy ireny, ary nanao akanjo mampihomehy ihany koa. Ny anjara asany, tamin’izany, dia ny manao izay hanalana voly ny tompony, amin’ny vazivazy sy ny teny tsy misy dikany. Izany no mpanao hatsikana, tamin’izany vanim-potoana izany.
Indray andro, nefa, dia notoloran’ny mpanjakany satroka lava loha misy lakolosy kely sy tehina tsy tena izy ilay mpampihomehy azy, nanendreny azy ho mpanjakan’ny mpanao hatsikana. Ireo zavatra izay nomena azy ireo dia tokony hatolony an’izay mbola adala kokoa noho izy, raha misy izany.
Taoriana kelin’izay dia narary mafy ilay mpanjaka. Nitsidika azy ilay mpampihomehy, ka nanontany azy ny amin’ny fahasalamany. Namaly moa ny mpanjaka, fa araka ny tenin’ny mpitsabo azy dia tsy misy fihatsarana azony antenaina loatra intsony, ka ho faty tsy ho ela izy.
“Ka noho izany”, hoy ilay mpanao hatsikana, “tsy efa mba niomana ny amin’izany dia lehibe izany ve ianao, mba ho efa tomombana sy vonona avokoa izay hivantananao ?”
“Tsia !”, hoy ny mpanjaka, “ary izay indrindra no loza, satria tsy fantatro akory hoe hanao ahoana, moa, ny fomba handraisana ahy.”
“Ka tsy efa mba fantatrao ve, ry mpanjaka, fa tsy maintsy hizotra amin’ izany làlana izany ianao, indray andro any?”
“Efa fantatro tokoa, saingy tsy dia nahoako loatra. Maro loatra mantsy ny zavatra nosahaniko.”
“Kanefa”, hoy ihany ilay mpanao hatsikana, “rehefa handeha ianao, na dia indray andro monja aza, dia nisy mpanompo nialoha làlana anao ka nanomana ny zavatra hohaninao sy hosotroinao, ary ny zavatra hafa ihany koa. Rehefa handeha mandritra ny herinandro maromaro, na volana maromaro indray koa ianao, dia efa vonona mialoha avokoa ny zavatra rehetra. Andro vitsivitsy alohan’ny handehananao, dia mpanompo maro no mandeha mialoha anao, mba hanomana ny fahatongavanao. Ary amin’izao dia lehibe izao ve, izay handehananao ho any amin’ny toerana hijanonanao mandrakizay, dia tsy mba niomana akory ianao ? Indro, averiko aminao ilay satroky ny adala sy ny tehiny, satria tsy adala toy izany aho.” Tsy marina ve ny voalazan’ilay mpampihomehy ?
Nankany an-tsekoly ianao nandritra ny folo taona mahery. Ankehitriny ianao miasa tontolo andro, ary ny hariva aza ianao mbola manohy mianatra ihany, mba hanatsaranao ny toeranao. Izany hoe mandritra ny roapolo taona dia milofo mafy tokoa ianao, mba hahazoanao miaina ara-dalàna mandritra ny efapolo taona, sy mba hitsinjovanao ny any amin’ny fotoana fisotroan-dronono, na koa mba hahazoanao manangom-bola hiheverana ny fahanterana, raha toa ianao mbola hiaina mandritra ny folo taona na, raha maharitra, mandritra ny roapolo taona.
Ahoana àry ny hevitrao ny
amin’ireo ray aman-dreny izay tsy mba mandefa ny zanany any an-tsekoly ary
tsy mba mampianatra azy hiasa, fa manao hoe: “Aleo izy hilalao am-pilaminana
eny ka tsy hieritreritra izany hoavy izany e ! Rehefa
Raha toa àry ianao misahirana mafy toy izany sy mandany taona maro, mba hahazoanao miaina araka ny tokony ho izy mandritra ny dimampolo na enimpolo taona, moa ve ianao ho afa-tsiny raha tsy mba nihevitra kely akory ny amin’ny mandrakizay, ka tsy niraika tamin'ny fanontaniana manao hoe : Aiza no handaniako ny mandrakizay ? Sady tsy fantatrao velively akory na hahazo toerana tsara ianao na tsia, na raha toa ka harary na ho faty alohan’ny ahazoanao izany.
Fantatrao
tsara, nefa, fa eo anoloanao ny mandrakizay. “Notendrena ny olona ho faty indray mandeha.”
Ahoana
kosa, nefa, hoy ny tohin’io andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Hebreo 9 io ? “Ary rehefa afaka izany, dia
hisy fitsarana.” Moa ve tsy fahadisoana bevava ny tsy mihevitra na inona na
inona amin’izany, ka mamela ny zavatra handeha amin’izao fotsiny ?
Mety hanao angamba ianao hoe tsy misy mahamaika anie e ! Ny zavatra sahaniko, aza, be dia be. Ny fotoana tokony ialàna voly, tsy tianao holaniana ieritreretana izany zavatra mandreraka tahaka ny fahafatesana izany. Mihevitra mantsy ianao fa mbola hisy ihany ny fotoana hahazoanao mieritreritra momba izany, rehefa lehibebe sy manam-potoana malalaka kokoa ianao.
Ianao ve mahazo antoka fa mbola ho velona dimampolo taona indray ? na telopolo taona ? na folo taona koa aza ? na roa ambin’ny folo volana ? na koa adiny roa ambin’ny folo ?
Tsaroako ity mpivarotra iray tany Hollande, izay nihaino toriteny natao teny an-dàlam-be, tao amin’ny trano fivarotany. Rehefa tapitra ilay fitorian-teny, dia lasa nody tany an-tranony izy, dia nipetraka teo ambony seza, ary fotoana fohy taorian’izay, dia maty !
Ary raha toa aza ka mbola ho velona mandritra ny fotoana lavalava ianao, moa ve izay sitraponao ihany no ataonao, raha mbola tanora sy salama tsara ianao, ka ny ambinambin-javatra ihany no ho an’Andriamanitra ? Koa raha toy izany ny ho safidim-piainanao (raha toa ka mbola velona aina koa ianao), mbola hankasitraka anao amin’izany ve Andriamanitra ?
Ao amin’ny Joba 33 dia hitantsika fa Andriamanitra dia miteny indray mandeha na indroa amin’ny olona, ka raha tsy miraharaha an’izany izy ireo, dia “manisy tombokase ny fananarany azy” Izy.
Rehefa nandà tsy hankatò an’Andriamanitra imbetsaka i Farao, dia nohamafisin’Andriamanitra ny fony, ka tsy afaka nibebaka intsony izy.
Aorian’ny fakàna ny Fiangonana, dia “ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina” (2 Tesaloniana 2. 11-12). Afaka hanao izany aminao ihany koa Andriamanitra, raha miziriziry tsy mety manaiky ny fitaomany anao hiova fo ianao. Fa “Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana ; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asa 17. 30-31).
Tsy tokony hihevitra tsara an’izany zavatra izany àry ve ianao, ka hanatona an’Andriamanitra ankehitriny, hiaiky ny fahotanao ary hangataka aminy mba handray anao ?
“Iraka solon’i Kristy izahay …
mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie
ianareo. Izay tsy nahalala ota, dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho
“Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 4. 7) !
Manao veloma finaritra.
H. L. H.
NAHOANA NO TOKONY HIOVA FO ?
Ry sakaiza malala isany,
Manontany ahy ianareo, ankehitriny, hoe nahoana moa ny olona no tokony hiova fo, ary inona marina ny atao hoe fiovàm-po.
Ny valiny tsotra indrindra, amin’ny fanontaniana voalohany napetrakareo, dia ny hoe : satria Andriamanitra no milaza izany ! Rehefa Andriamanitra no miteny, dia tsy misy valin-teny azo asetry izany. Isika dia olona noarìny, ka noho izany, dia tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miondrika sy mankatò. “Ralehilahy, fa iza moa ianao no mamaly an’Andriamanitra ? Izay zavatra noforonina va, hanao amin’izay namorona azy hoe : Nahoana … ?” (Romana 9.20). Hoy ny voasoratra ao amin’ny Asa 17. 30, hoe : “Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana ; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka.”
Eny, eo amin’ny imbalopolo eo ho eo no itenenan’ny Testamenta Taloha ny hoe fibebahana (fiovàm-po), ary impitopolo eo ho eo kosa ao amin’ny Testamenta Vaovao.
Fa asehon’Andriamanitra
mazava amintsika ao amin’ny Teniny ihany koa, nefa, hoe nahoana Izy no mandidy
ny olona rehetra hibebaka. “Satria mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy
ho very, fa mba ho
Ny tena
Indrisy, fa zava-marina mampatahotra tokoa izany ! Maro ny olona no tsy mihevitra an’izany, ary betsaka koa aza ny mandà izany. Kanefa, moa ve izy ireny resy lahatry ny zavatra lazainy ? Moa ve ny olona mahitsy iray, afaka mandà fa tsy manao ratsy matetika ?
Tsy indray mandeha aho no nanontany an’ireo manambara avo ho nahitsy fiainana hatrany sady tsy mba nanao ratsy olona, raha mbola tsy nanameloka azy ireo mihitsy ny feon’ny fieritreretany, na ny amin’ny zavatra nataony, na ny amin’ny teny nolazainy, na ny amin’ny fisainany. Tsy nisy sahy nilaza fa mbola tsy nanameloka azy mihitsy ny feon’ny fieritreretany.
Ny atao hoe mpanota dia ny olona izay efa nanota. Tsy ny nahavitany zava-dratsy betsaka, tsy akory, no maha-mpanota azy, fa rehefa nanota indray mandeha monja, dia efa mpanota.
Afaka ny hahatsapa an’izany ny olona rehetra, eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy misy, mantsy, afaka hanao hoe : “Tsy mpamono olona Ranona, satria vao indray mandeha monja no namono olona.” Rehefa momba ny fifandraisany amin’Andriamanitra, nefa, dia ovain’ny olona ny fomba fandrefy, satria raha tsy izany dia lasa manameloka ny tenany ihany izy.
Ny olombelona rehetra dia nomen’Andriamanitra fieritreretana avokoa (Romana 2.15), mba ho vavolombelona amin’ny ratsy izay ataony. Tsy ny ratsy rehetra, nefa, no asongadin’ny feon’ny fieritreretana. Ny fieritreretantsika, mantsy, dia volavolain’ny tontolo manodidina iainantsika. Miteny mandrakariva nefa izy, rehefa manao zavatra izay heverin’ny fiaraha-monina nitaizana azy ho ratsy ny olona. Nokendren’Andriamanitra mihitsy ny hampitandremana ny olona, eny fa na dia ireo mbola tsy nahare ny aminy sy tsy mahalala ny Teniny, aza, rehefa minia manao ny tsy mety izy, mba hahatonga ny olona rehetra ho afaka hieritreritra sy hiaiky fa ratsy sy meloka ny tenany.
Raha mandinika ny fiainanao ianao, firy moa ny fahotana efa ninianao natao ? Andeha atao hoe valo ambin’ny folo taona ianao izao, ka heverina fa nandritra ny valo taona voalohany niainanao, dia tsy nanao ota niniana natao ianao. Raha ny tena izy, dia diso izany, satria fantatrao tsara fa efa mba nanome tsiny anao ihany ny fieritreretanao, tany aloha. Fa taorian’io valo taona voalohany io, impiry moa ny fieritreretanao no efa niteny taminao ? Aoka hataontsika hoe indray mandeha isan’andro, ohatra. Izany hoe in-365 ao anatin’ny taona iray, ary ankehitriny dia efa mitontaly eo amin’ny in-3650 eo. Ho an’ny olona efa 28 taona izany, dia in-7300 ; ary ho an’ny olona 68 taona, dia in-21900.
Hitanao amin’izany, àry, fa fara fahakeliny, dia efa niteny taminao in-3650 ny feon’ny fieritreretanao, ny amin’ny fahotana iray. (Ary tsy matetika noho izany aza ve, raha ny marina ?) Ka afaka milaza fa tsy mpanota ve ny olona nanao zavatra ratsy maro toy izany ? Ary Ilay Andriamanitra, Izay marina, ve, dia tsy tokony hanameloka izany olona izany ?
Tsy efa ampy ve izany, anaporofoana fa ny olombelona rehetra dia mendrika ny fanamelohana, ka mila miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa nanota taminy ary mendrika ny ho very mandrakizay ?
Misy fanontaniana iray hafa koa ity. Ny olombelona ve tsy meloka afa-tsy noho ny fahotana izay tena niniany natao ihany ?
Tsy meloka ihany koa ve izy, raha tokony ho fantany fa ratsy ny fihetsiny ? Rehefa mandika lalàna ny olona iray, moa ve ny mpitsara tsy hanameloka azy, na dia milaza ho tsy mahafantatra ny lalàna aza izy ? Heverina fa tokony ho fantany, mantsy, izany lalàna izany, satria efa nivoaka sy naely. Izany rahateo no nahatonga ny fomba fitenenana hoe : “Tsy misy olona heverina ho tsy mahalala ny lalàna !” Amin’ny famaritana ny sazy, angamba, ny mpitsara vao mety hihevitra izay toe-javatra izay, raha azo antoka fa tena tsy nahafantatra ilay lalàna tokoa ilay voampanga. Ny mpisolovava izay nandika lalàna iray dia hiharana sazy hentitra kokoa noho ny olona tsotra iray izay nanao toy izany koa. Na irỳ voalohany, nefa, na ity faharoa, dia samy ambaran’ny mpitsara avokoa fa meloka.
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ahitantsika an’izany fitsipika izany ihany koa : “Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy” (Levitikosy 5. 17). Mazava izany. Ny olombelona, amin’ny maha-zavaboary azy, izay tompon’andraikitra eo anatrehan’Ilay Nahary azy ka mbola hampamoahiny ny amin’izay rehetra nataony, moa ve manan-jo hitsara ny tenany ho meloka na tsy manan-tsiny ? Tsy azo heverina izany ! Ilay Mpahary irery ihany, dia Ilay Nahary ny olombelona ka nanome azy andraikitra, no hany manana ny zo hitsara raha nahatanteraka ny andraikitra nomena azy izy na tsia. Andriamanitra irery ihany no mamaritra ny atao hoe fahotana, ka raha te hahafantatra izany isika, dia mila mikaroka izay heviny ny amin’izany.
Mazava dia mazava ny Tenin’Andriamanitra ny amin’izany. Ao amin’ny Genesisy 1. 28 sy 2. 15-17 no ahitantsika ny andraikitra nankinin’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Nasaina namboly sy nikarakara ny saha tao Edena izy, saingy amin’ny fianteherana amin’Andriamanitra sy fankatoavana Azy. Ny fitsapana izany fankatoavana izany, moa, dia ny fandraràna tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy.
Inona nefa no nataon’ny olombelona ? Tamin’ny fotoana voalohany nahazoany naneho ny fankatoavany sy ny fiankinany amin’Andriamanitra, dia efa tsy nihaino an’Andriamanitra sahady izy, ka ninia ny tsy hankatò Azy. Izay no niantombohan’ny fandehan-javatra. Telo arivo taona tatỳ aoriana, dia hoy Andriamanitra, araka izay voarakitra ao amin’ny Teniny : “Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily izy rehetra, ka tonga vetaveta avokoa ; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Salamo 14. 2-3). Arivo taona taorian’izany koa, dia mbola hoy ihany ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3. 11-12). Ary hoy ny fanambaràn’ny fitsaràn’Andriamanitra : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 23).
Mety hiteny angamba ianao hoe : “Manaiky aloha isika fa matetika no manao zavatra ratsy, saingy tsy azo heverina ihany koa ny hoe tsy misy olona tsy mba nanao zavatra tsara ihany teo amin’ny fiainany. Maro ny olona nahavita asa soa, raha tsy hitanisa afa-tsy ireny olona toa an-dry Henri Dunant na ry Albert Schweitzer ireny, fotsiny, izay nanokana ny tenany hanampy ny hafa. Heveriko koa fa tsy manao zavatra ratsy aho, tsy akory, raha mihinan-kanina sy misotro, na raha mankany an-tsekoly, na koa raha mandeha miasa.”
Raha amin’izao fotsiny, aloha, dia tsy hita izay maha-ratsy izany zavatra rehetra izany, saingy koa mety hivadika ho ratsy ihany izy ireny. Tsy zava-dratsy velively, tsy akory, ny mihinana paoma ; saingy ny ankizy izay mbola misisika ny hihinana paoma ihany, na dia efa noraràn-dreniny aza, dia zaza tsy mpankatò. Eto isika no mahakasika ny fototry ny fanontaniana hoe : “Inona no atao hoe ota ?”
Ny olombelona dia noarìn’Andriamanitra ary nomeny andraikitra mba hanompo Azy. Izay rehetra ataon’ny olombelona, ka mifanohitra amin’ny toerana sy ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy, dia ota. Hitantsika izany ao amin’ ny 1 Jaona 3. 4 : “Ny ota no fandikana ny lalàna.” Izay rehetra ataon’ny olombelona, ka tsy iraharahàny ny fahefan’Andriamanitra amin’ny voariny, dia ota avokoa.
Araka izany, ny mihinan-kanina, ohatra, dia fahotana raha tsy atao amin’ny fianteherana amin’Andriamanitra. I Jesoa Tompo dia tsy mba nety nihinan-kanina raha tsy navelan’Andriamanitra nanao izany (Matio 4. 4 ; jereo koa Jaona 4. 34). Izany no anton’ny ilazan’ny Tenin’andriamanitra hoe : “Ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana” (Romana 14. 23).
Raha ampiharintsika amin’ny fiainantsika andavanandro izany, dia inona no hitantsika ? Inona tamin’ireo zavatra nataontsika, na ireo tenintsika, na ireo eritreritsika, no naneho fankatoavana an’Andriamanitra, ka namaly ny fanontaniana hoe : “Tompo ô, inona no tianao hataoko ?” Moa ve isika tsy mahatsapa fa izay rehetra nataontsika dia ota avokoa ?
Izany rahateo no voalazan’ny Tenin’Andriamanitra : “Tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3. 12).
“Izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny andro” (Genesisy 6. 5). Izany no antony nahatonga Ilay Andriamanitra marina hanameloka ny olona rehetra. Izany koa no mahatonga Ilay Andriamanitra be famindràm-po hitaona ny olona rehetra hibebaka sy hiova fo. Tsy tiany hiharan’ ny fitsarana mahatsiravina izay miandry azy, mantsy, izy ireo.
Hiditra amin’ilay fanontanianao faharoa aho, izay manao hoe : “Inona àry moa no atao hoe fiovàm-po ?”
Tsy mora ny manazava izany, satria na ny teny hoe “fiovàm-po”, na ny teny hoe “fibebahana”, dia samy tsy misy mahadika tanteraka ny teny grika hoe “metanoia”, izay nampiasaina tamin’ireo sora-tanana firaketana nanoratana voalohany ny Tenin’Andriamanitra.
Araka ny 1 Tesaloniana 1. 9 dia azo lazaina fa ao anatin’io teny io dia misy ny hevitra hoe “mitodika”. Taloha mantsy ny fiainan’ireo Tesaloniana ireo dia nifototra tamin’ny sampy. Ankehitriny kosa izy dia “nitodika”, izany hoe niala tamin’ny sampy ka niverina tamin’Andriamanitra. Ny andinin-tSoratra Masina sasany, tahaka ny Asa 2. 37-38 ; 17. 30-31 sy ny Apokalypsy 9. 20-21, dia ahitana fa izany hevitra izany ihany koa dia mifamatotra amin’ny fandinihan-tena sy ny fanamelohana ny fiainan’ny tena mbamin’izay nataon’ny tena, eo anatrehan’Andriamanitra.
Araka izany, àry, ny atao hoe “miova fo”, na koa “mibebaka”, dia ny manatona an’Andriamanitra, mba handini-tena eo anatrehany sy miaiky fa tsy niaina teo ambany fankatoavana Azy, fa nanana fiainana ratsy sy meloka. Midika moa izany fa malahelo amin’izany toe-javatra izany isika.
Sarotsarotra hazavaina ny teny hoe “fiovàm-po”, saingy tsy manahirana kosa, ho an’ny olona izay manatona ny fahazavan’Andriamanitra ka miaiky ny maha-izy azy sy ny tokony hanamelohana azy. Tsy ny fahalalan’ny saina no jeren’Andriamanitra, fa ny fo sy ny feon’ny fieritreretana. Ilay mpamory hetra voatantara ao amin’ny filazantsara dia nanao tsotra fotsiny hoe : “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, mpanota !” Saingy Ilay Andriamanitra Izay mpamantatra ny voa sy ny fo (Hebreo 4. 12) dia nahafantatra tsara izay zavatra nofonosin’izany teny izany.
Tsia, tsy ny teny lazaina, tsy akory, no zava-dehibe, fa ny toe-po izay entina manatona an’Andriamanitra. Izany no manambara raha misy marina ny “fibebahana” sy ny “fiovàm-po”. Ankehitriny àry aho manontany anao hoe : moa ve ianao efa niova fo ? Efa nanatona an’Andriamanitra niaraka tamin’ny otanao sy ny fahamelohanao ve ianao, ka niaiky taminy fa very noho izany ?
Aza mangataka andro, fa ataovy anio dia anio izany. Sao tratra aoriana loatra, mantsy, raha rahampitso !
Manao veloma sy mirary soa ho anareo.
Ny sakaizanareo
H. L. H.
Ry sakaiza malala,
Faly aho nahare anao niaiky fa mpanota very, ary saika ho very mandrakizay, raha toa ka tsy maintsy niseho teo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fo mbola tsy nibebaka. Niaiky ny fahotanao teo anatrehan’Andriamanitra koa ianao, saingy toa mbola tsy manana antoka fa voavela heloka. Ankehitriny ianao dia manontany, sao tsy tena mbola nibebaka tsara, na mbola tsy lalina tsara ny fiovàm-ponao. Satria misy andro tsy ieritreretanao izany zavatra izany mihitsy, na koa eritreretina ihany fa tsy dia raharahàna.
Azoko tsara ny tianao ambara, satria nandalo izany toe-javatra izany toa anao koa aho. Nandritra ny taona maro aho dia efa nahalala fa very (ary mbola tanora dia tanora aho tamin’izany). Amin’ny atoandro aho, tsy dia mieritreritra loatra ny amin’izany ; fa amin’ny hariva kosa, rehefa hatory iny, dia manomboka matahotra, ary mieritreritra hoe : “Raha maty anio alina aho, dia ho very mandrakizay !” Dia mamerina miaiky ny fahotako amin’Andriamanitra indray aho, ka mangataka aminy mba hamela izany. Mbola tsy nety nahazo antoka ny famelàny ny fahotako ihany nefa aho. Indray andro, dia nilaza tamiko ny zokiko vavy fa nahazo fiadanam-po. Nanontaniako azy izay nataony, ka ny harivan’iny dia mba nanao tahaka izany koa aho, saingy tsy nisy vokany.
Indray hariva, teo amin’ny faha-17 taonako, raha nipetraka teo amin’ny sisim-parafarako aho, kivy sy ketraka, dia nanao anakampo hoe : “Tsy misy dikany, hay, ny mivavaka. Efa an-taonany maro aho, izao, no nangataka tamin’ Andriamanitra mba hovonjeny, nefa dia mbola tsy nisy fiovana ihany, mandraka izao”.
Tamin’izay fotoana izay Andriamanitra dia nahatonga eritreritra toy izao tao an-tsaiko : Kanefa anie efa voasoratra hoe : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra), ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Tsy marina ve izany ? Marina tokoa izany, satria Andriamanitra dia tsy mba mandainga, hoy ny eritreritro. Natoron’ny Tompo ahy mazava, àry, ny dikan’ izany, amiko. Midika mantsy izany, fa voavela hatramin’ny voalohany nibabohako azy marina tamin’Andriamanitra ny fahotako. Tamin’izay fotoana izay dia nameno ny foko, na ny marimarina kokoa, nameno ny eritreritro, ny fiadanana. Azoko antoka tanteraka, hatramin’io takariva io, fa voavela tokoa ny heloko. Tsy nanana fisalasalana intsony aho ny amin’izany, satria Andriamanitra no efa niteny !
Nahoana no taona maro toy izany no nandalo vao nahatsapa ho nanana fiadanam-po aho ? Tsy azo isalasalana fa ny mety ho antony iray, dia satria tsy dia nahatsiaro novesaran’ny fahamelohana loatra aho, ka tsy nahatsapa lalina ny atao hoe fahotana. Tsy hoe misy karazana fetra apetrak’Andriamanitra, tsy akory, ka hoe tsy mamela heloka Izy raha tsy mahatratra izay fetra izay ny fisainantsika momba ny fahotana sy ny fibebahana. Tsy nisy olombelona, na dia iray aza, tamin’ny fotoana niovany fo, nahavita tena nibebaka marina tokoa, na nanana fahatsapana ampy tanteraka, momba ny fahotana. Fa aorian’ny fotoana niovana fo isika, mandrakariva, vao tena mahatsapa hoe tena ratsy tokoa.
Tian’Andriamanitra, nefa, ny hahatsapantsika marina fa very isika. Arakaraka ny maha-lalina izany, mantsy, no maha-lalina kokoa ny fiovàm-pontsika. Arakaraka ny ahatsapantsika ny fanamelohana sahaza antsika no maha-lalina kokoa ny fibabohantsika amin’ny fahotana vitantsika, ka ahatsapantsika ihany koa fitsaharana sy fiadanam-po tanteraka, avy eo. Ny Fanahy Masina àry no miasa ao am-pon’ny mpanota, ka mametraka ny fieritreretany eo ambany fahazavan’Andriamanitra, mba hahatsapany ny maha-very azy sy ny fahotany, ary hahafantarany ny didim-pitsarana mendrika hotononin’Ilay Andriamanitra marina sy masina ny aminy.
Tsy izay, nefa, no tena votoatin-javatra. Ny tena antony nahatonga izany toe-javatra izany, mantsy, dia satria ny tenako no nojereko, fa tsy Andriamanitra. Tsy ampy ahy ny Teniny. Rehefa nahatsapa ny fahotako aho, ka nahatsapa ihany koa fa diso amin’ny zavatra rehetra, dia tokony ho nihaino ny feon’ Andriamanitra. Mazava sady tsy misy ihambahambana ny Tenin’Andriamanitra momba izany : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka mamela ny fahotantsika.” Tao anatin’ny foko sy ny fiainako no nitadiavako ny antoky ny famelàn-keloka, fa tsy tamin’ny alalan’ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra, izay manome toky izay rehetra miaiky ny fahotany, fa voavela izany.
Andriamanitra dia tsy tahaka ny mpitsara malemy fanahin’izao tontolo izao, izay hanaiky lembenana ka hanamaivana kokoa ny sazin’izay olona mahay mampangoraka azy noho ny an’izay olona tsy mahay izany. Tsy mifanohitra velively amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavany, mantsy, ny fahamarinany. Ary izay no zava-mahagaga, ao amin’ny filazantsara. Ilay Andriamanitra tokana ihany, Izay hanatanteraka ny didim-pitsaràny amin’ny mpanota, indray andro any, no maneho ny fahamarinany ankehitriny, amin’ny famelàny sy fanafoanany ny helok’izay rehetra manatona Azy, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Tompo. Ny fahamarinan’Andriamanitra, mantsy, dia ambaran’ny filazantsara fa miorina amin’ny finoana (Romana 1. 17). “Mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesoa” (Romana 3. 26).
Fanamarinana
Andriamanitra dia tsy afaka manao zavatra tsy marina, tsy mifanaraka tanteraka amin’ny fahamarinany. Noho izany, dia very mandrakizay ny olombelona raha tsy nahatanteraka ny asam-panavotana tany Golgota i Jesoa Tompo. Ny fitiavan’Andriamanitra dia te hamonjy ny olona amin’ny fahaverezana mandrakizay ; saingy tsy azony natao izany, satria ny fahamarinany dia nitaky ny fanamelohana ny mpanota. Ary tsy afaka ny hanohitra velively ny fahamarinan’Andriamanitra ny fitiavany.
Noho izany àry, dia nisy ilay zava-mahagaga voalaza ao amin’ny Hebreo 10 mbamin’ny Salamo 40, sy ny sisa. Ny sitrapon’Andriamanitra, mantsy, dia ny hahatonga ny olona rehetra hovonjena (1 Timoty 2. 4). Tonga olombelona i Jesoa Tompo, ka nanao hoe : “Inty Aho tonga … hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô !” Nanaiky ny ho faty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanefany ny trosa rehetra momba ny fahotana. Tonga ota Izy, teo, ka nihatra taminy ny fanamelohan’Andriamanitra ; ary izany fanamelohana izany no nahafa-po tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra.
Tsy noho Izy tenany no niaretan’ny Tompo izany fanamelohana izany. Izy, mantsy, no Ilay Masina sy Ilay Marina, Ilay tsy mba nahalala ota. Nitondra ny fahotantsika Izy, mba hisolo toerana izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjy, amin’ny alalan’ny finoana.
Ary ankehitriny Andriamanitra dia afaka miteny amin’ny mpanota rehetra hoe : “Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5. 20). Tsy ny fitiavany ihany, àry, fa ny fahamarinany koa, dia mitaky fa izay rehetra manatona Azy, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Tompo, dia mandray ny famelàn-keloka.
Tiako hodinihina akaikikaiky kokoa ny momba izany. Nanaiky ny hankeo amin’ny hazofijaliana i Jesoa Tompo, ka nitondra tao amin’ny tenany ny fahotan’izay rehetra mandray Azy, sy izay mbola hanaiky handray Azy any aoriana (1 Petera 2. 24). Natao ota ihany koa Izy, ka dia niharan’ny fanamelohana (2 Korintiana 5. 21 ; Romana 8. 3). “Fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6. 23), ary toerana lavitra an’Andriamanitra izany (Apokalypsy 20. 14-15). Izany indrindra no tsy maintsy nihatra tamin’i Jesoa Tompo, teo amin’ny hazofijaliana. Nilaozan’Andriamanitra Izy, nandritra ireo ora maizim-pito ireo, ary maty. Afaka niteny nefa Izy teo amin’ny hazofijaliana hoe : “Vita”.
Afaka nijanona tao am-pasana ve ny Tompo, rehefa nahatanteraka ny asam-panavotana ? Ny fahamarinan’Andriamanitra, izay nahatonga ny fanamelohana hihatra taminy, dia nitaky ny hivoahany ny fasana. Tanteraka ny asam-panavotana ; efa nihatra ihany koa ny fitsaràn’Andriamanitra, ary afa-po tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra. Izany àry no nananganan’Andriamanitra Azy tamin’ny maty (Efesiana 1. 20). Izany no porofo, eo anatrehan’izao tontolo izao sy eo imasontsika, fa neken’Andriamanitra sy nahafa-po Azy ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Tompo, mba hisolo voina ny mpanota (Jaona 16. 8,10). Raha tsy nitsangana mantsy ny Tompo, dia ho nanambara izany fa mbola tsy tanteraka ny asam-panavotana. Ary dia tsy ho nisy famonjena ho antsika (1 Korintiana 15. 17-18). Ny fitsanganana amin’ny maty àry no ivon’ny Filazantsara, ka ny fanoherana izany fahamarinana izany dia manapotika ny Filazantsara.
Hoy ny teny ao amin’ny Romana 4. 25 hoe : … “Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika”.
Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahasoavana isika, izao. Hoy Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” Hoy koa nefa Izy : “nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ ny finoana” (Romana 3. 23-25).
Natao “ho an’izay rehetra mino, fa tsy misy hafa” ny hafatra (Romana 3. 22). Izay manaiky ny fitsaràn’Andriamanitra sy miaiky fa very, nefa ihany koa mandray an’i Jesoa Tompo amin’ny alalan’ny finoana ihany, no manana anjara amin’izany.
Niasa tao anatinao, izany, ny Fanahy Masina, ka mitarika anao mba hiaiky ireo fahotanao sy ny fahaverezanao. Nanatona an’Andriamanitra ianao, ka niaiky teo anatrehany ny momba anao sy izay nataonao. Nitarika ny masonao Andriamanitra mba hijery an’i Jesoa Tompo, ary hoy Izy taminao : “Maty ho an’ ny mpanota Izy ; ka raha mandray Azy ianao, dia ataoko ho toy ianao no nanao ny asa vitany.” Nandray ny Tompo Jesoa ianao. Mila mino ihany koa ianao, izao, fa izay rehetra ambaran’Andriamanitra dia marina, ka noho izany dia voavela ny helokao. Tsy araka ny fahatsapanao na ny fihetseham-ponao nefa izany, fa araka izay nambaran’Andriamanitra. Izany irery ihany no iankinan’ny zavatra rehetra. Ny alin’ny Paska (Eksodosy 12), raha nandalo tany Egypta ny anjely mpandringana, dia tsy mba nijanona tamin’ny trano izay nahitany ra. Tsy nampaninona na hitan’ny lahimatoa na ny havany hafa tao an-trano ilay anjely. Ny hany notakiana tamin’izy ireo, dia ny hanatanteraka izay nolazain’Andriamanitra, mba hilaminan’ny zavatra rehetra ; saingy mba hananany ny fiadanana, dia tsy maintsy nino izy ireo fa voaro tamin’ny fandringanana, satria Andriamanitra no nanambara izany taminy.
Ny zavatra mahafinaritra, amin’izany, dia izao : rehefa mandray ny mpanota iray Andriamanitra, dia mahazo voninahitra amin’ny lafiny rehetra. Mazava fa miharihary, amin’izany, ny famindràm-pony sy ny fahasoavany ary ny fitiavany, saingy tsy izany ihany. Rehefa misy mpanota manatona an’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, dia ataon’Andriamanitra ho toy izy no nanao ny asa izay nataon’i Jesoa. Satria efa nizaka ny famaizana rehetra noho ny amin’ny fahotana i Jesoa, dia afaka miteny ny mpanota hoe : Tsy misy fahotana intsony no fahitan’Andriamanitra ahy. Tsy misy fahotana tokony hotsaraina intsony, na dia iray aza. Marina àry Andriamanitra, raha manafaka ahy tsy hiharan’ny fanamelohana intsony ka manamarina ahy. Ankalazaina, amin’izany, ny fahitsian’Andriamanitra sy ny fahamarinany, satria Izy efa nilaza, tao amin’ny Teniny, fa te hamonjy ny mpanota.
Tonga tena mazava, izany, ny dikan’ny teny ao amin’ny 1 Jaona 9 hoe : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra), ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika, ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”
Fantatr’Andriamanitra ny fiainantsika tany aloha
Mety hiteny angamba ianao hoe : “Fa toa tsy mahatsapa fiovana mihitsy anie aho e ! Toa vao mainka aza aho manao zavatra ratsy betsaka kokoa noho ny teo aloha”. Ekena tsy am-pisalasalana fa ankehitriny ianao dia mahita fahotana betsaka kokoa noho ny teo aloha, eo amin’ny fiainanao. Lalànan-javatra izany, satria nampahiratin’ny Fanahy Masina ny masonao. Saingy efa fantatr’Andriamanitra rahateo ny aminao, fony vao nanatona Azy ianao. Fantany ny fonao sy ny fiainanao, ary ny fahotana rehetra vitanao sy izay mbola hataonao. Nahafantatra sy mahafantatra be lavitra ny amin’izany Izy, mihoatra lavitra indrindra noho izay mety ho takatry ny sainao, eto amin’izao tany izao. “Niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona”, na dia tonga amin’izay lazainy ihany koa aza isika hoe : “Fa isika kosa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona tamin’ny lolompo sy ny fialonana sady hala no nifankahala” (Titosy 3. 4 sy 3). “Fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro, hamonjy ny ratsy fanahy… Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5. 6-8). “Fony mbola fahavalo … isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra” (Romana 5. 10).
Araka izany, na dia fantatr’Andriamanitra tsara tokoa aza ny aminao, dia nanome an’i Jesoa Tompo Izy, mba hanananao fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny finoana Azy. Hoy mantsy Izy : Raha manatona Ahy amin’ny alalan’ny finoana ny ran’i Jesoa Tompo ianao, dia hamarinina maimaim-poana (Romana 3. 23-25). Raha manatona Azy ianao, dia hafahany amin’ny trosam-pahotana rehetra, ka ny fahamarinany no asehony, amin’izany. Maneho izany fa hatramin’ny fotoana nanatonanao Azy, miaiky ny fahotanao, dia tsy nanameloka anao intsony Izy. Aminy, dia milamina ny zavatra rehetra. Fa ianao ve manan-javatra hokianina aminy ? Tsia. Nanatona an’Andriamanitra ianao, satria nahatsapa fa tena mila ny famelàny ny helokao.
Koa nahoana àry no tsy manana fiadanam-po ianao ? Ny hoe vita fihavanana amin’Andriamanitra, nefa, dia midika fa tsy misy intsony, na inona na inona, olana mbola eo amin’Andriamanitra sy ianao, fa efa milamina ny zavatra rehetra. Tsy misy intsony trosa tokony haloanao amin’Andriamanitra, fa efa nohamarininy ianao, noho ny finoanao an’i Jesoa Tompo ; ka noho izany ianao dia manana anjara amin’ny fanavotana mandrakizay, izay efa azon’ny Tompo rahateo (Hebreo 9. 12 ; Romana 5. 1). Tsy misy olanao amin’Andriamanitra intsony koa, satria efa nampihavanina taminy ianao (2 Korintiana 5. 20). Noho izany ianao dia efa vita fihavanana amin’Andriamanitra ! Hoy ny voalaza ao amin’ny Romana 5. 1 hoe : “Efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka hanana fihavanana amin’Andriamanitra” !
Nefa dia hoy ianao hoe : Tsy manana fiadanam-po anie aho e ! —Mety hitranga tokoa izany, satria ianao mbola tsy nanaiky fa vita efa ela anie ny fampihavanana. I Jesoa Tompo no nanao izany fampihavanana izany. Izy no fihavanantsika. Izy koa no manambara izany fihavanana izany amintsika (Efesiana 2. 15, 14, 17). “Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1.20). Ka tamin’ny fotoana izay nandraisanao Azy, ianao dia manana anjara amin’izany fihavanana izany ; saingy mba ahafahanao miaina an’izany, dia mila mino ianao fa izany tokoa no izy. Manana fiadanam-po ianao raha vao mino fa milaza ny marina Andriamanitra rehefa manambara fa i Jesoa Tompo dia nanao fampihavanana teo amin’ny hazofijaliana. Ianao mantsy, izao, dia mitovy amin’ireo miaramila japoney tany amina nosy kelin’ny ranomasimbe Pasifika, izay tsy nahalala ka dia mbola niaina tahaka ny tamin’ny ady ihany, dimy taona tatỳ aorian’ny nitsaharan’izany ady izany. Mbola niandry ny fanafihan’ny fahavalo izy ireo… tahaka ny nataony nandritra ny ady ihany. Fa nahoana ? Satria noheveriny fa mbola mitohy ihany ny ady. Ny tena antony lalina tsy anananao fiadanam-po, dia satria ianao tsy mandray ny Tenin’Andriamanitra tsy am-pihambahambana. Lasa sakana lehibe ho anao izany. Fa mihoatra noho izany, maniratsira an’Andriamanitra ianao, raha tsy mino ny Teniny. Satria mantsy “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga” (Nomery 23. 19).
Raha vao mino an’Andriamanitra koa nefa ianao, momba io zavatra io, dia mila misaotra Azy amin’izay rehetra nomeny anao sy noho ny fahasoavany mahagaga. Dia hahatsapa fiadanam-po ianao —fa tsy alohan’izany akory. Ny olona manao hoe : “Mahita aloha, vao mino !” ; fa Andriamanitra kosa manao hoe : “Mino aloha, vao mahita !”
Manao veloma finaritra
Ny namanao H. L. H.
Ry sakaiza malala,
Nahita fiadanam-po sy filaminan-tsaina tao amin’ny asam-panavotana notanterahin’i Jesoa Kristy ianao, izao. Efa niaiky ny fahotanao teo anatrehan’ Andriamanitra ianao, ary efa nino izay rehetra nambaran’Andriamanitra ny amin’i Jesoa Tompo sy ny asam-panavotana nataony. Fantatrao àry fa tsy hiharan’ny fitsarana intsony ianao, ka afaka miteny hoe : “Ny rany no nanadio ahy tamin’ireo fahotako rehetra !”
Tsy mba mitory fifalian-dehibe akory, nefa, izato teninao. Mety ho efa nahatsapa izany ihany ianao, saingy toa efa tsy anananao intsony indray izany, ankehitriny. Tsy mila manontany anao ny zava-nitranga aho. Ny toe-javatra efa niainako dia manambara ny amin’izany ary ny Tenin’Andriamanitra rahateo manamafy izany.
Kivy amin’ny tenanao ianao. Nanantena mantsy ianao fa hiova tanteraka ny fiainanao rehefa niova fo ianao, ka hiadana ny eritreritrao. Kanjo ny mifanohitra amin’izany no tsapanao. Mbola ireo eritreritra ratsy teo aloha ihany no miverina ao an-tsainao, ary mbola ao ihany koa ireo toetranao sy fahalemenao talohan’ny niovanao fo. Mbola mora sosotra sy mora mirintona toy ny teo aloha ihany ianao. Mihevitra ianao fa tsy izany no tokony ho fandehan-javatra (ary marina ny anao), ary tsy ankasitrahin’Andriamanitra izany. Ianao rahateo tsy te hitoetra amin’izany intsony, ka miezaka miady amin’izany, nefa dia toa zava-poana ihany izany. Toa vao mainka aza miharatsy ihany ny toe-javatra. Indraindray dia toa hitanao ho misy fihatsarany kely, saingy miverina ho ratsy ihany, avy eo. Nivavaka mafy ianao mba hanampian’ny Tompo anao handresy, saingy toa tsy nandaitra ihany koa izany. Angamba aza ianao mahatsapa ny nolazain’ity mpino iray ity, izay nanao hoe : “Arakaraka ny ivavahako amin’ ny maraina, no vao mainka maha-ratsy kokoa ny zava-mitranga amiko !”
Fantatro tsara ny amin’izany, satria efa mba niainako ihany koa. Nandritra ny taona roa voalohany taorian’ny fotoana nahatsapako filaminan-tsaina, dia nahatsapa ny tenako ho ory dia ory aho, ka tsy sahy nilaza tamin’olona akory ny efa niovako fo. Nandritra izany fotoana izany, nefa, dia niteny imbetsaka tamiko ny reniko hoe : “Mila miova fo ianao.” Tsy sahy nilaza taminy akory aho, hoe efa niova fo anie aho. Heveriko tokoa fa tsy hino izay lazaiko izy, raha nahita ny fitondràntenako.
Ahoana no fomba hanazavana an’izany ? Tsy ara-dalàna, mantsy, raha toa ka tsy miova vokatry ny fiovàm-po ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra iray ; na, raha toa ka mbola manohy manota hatrany ihany ny mpino iray ka mahatsiaro fahoriana lalina, na dia tsy sitrapony aza.
Antony roa no mahatonga izany toe-javatra izany :
1. Tsy fantatsika marina ny tena hevitry ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Tompo, araka izay anambaràn’ny Tenin’Andriamanitra azy.
2. Na koa, na dia mahalala ny amin’izany fahamarinana izany aza isika, dia tsy mandray izany kosa ho antsika, tsy mampihatra izany, satria tsy araka ny maha-izy azy no andraisantsika azy, tsy raisintsika tsotra hoe izany no lazain’ny Tenin’Andriamanitra.
Tao amin’ny taratasiko farany, dia nasehoko anao, araka ny voalaza ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny epistily ho an’ny Romana, fa ny olombelona rehetra dia efa nanota avokoa, ka noho izany dia meloka eo anatrehan’Andriamanitra ; nefa koa, izay rehetra manaiky an’i Jesoa Tompo dia mandray ny famelàna ny helony, ka dia hamarinin’Andriamanitra. Araka izany, ny olona niova fo rehetra dia afaka miteny hoe : “Efa nohamarinina tamin’ny finoana isika”, ka dia manana “fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (Romana 5. 1).
Miandany amin’ny meloka Andriamanitra, ka namboatra ny zavatra rehetra ho azy, mba hahavonjy azy.
Manomboka ao amin’ny Romana 5. 12 dia lohahevitra vaovao no velabelarina. Tsy ny amin’ireo fahotantsika intsony, izany hoe ny asa ratsintsika, no lazaina, fa ny amin’ny toetrantsika. Nahoana moa ny olona no tsy manao afa-tsy ny manota ? Satria na ny toetrany na ny fony dia ratsy. “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ?” (Jeremia 17. 9). “Avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoana olona, ny fakàm-badin’olona, ny fieremena, ny lolompo, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana”, hoy i Jesoa Tompo (Marka 7. 21-22). Ao amin’ny Titosy 3. 3 dia toy izao no anambaràn’i Paoly apostoly ny amin’ny toetrantsika : “Isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.” Tsy ny asa ratsy ataontsika no tanisaina eto, fa famelabelarana ireo fihetseham-pontsika, ny toetrantsika, ny maha-isika antsika.
Tahaka ny endrik’Andriamanitra sy araka ny tarehiny
Ny Romana 5. 12-21 dia mampahafantatra antsika ny antony ananantsika izany toetra maha-mpanota antsika izany, izay tsy inona fa noho isika samy taranak’i Adama avokoa.
I Adama dia natao ho tahaka ny endrik’Andriamanitra sy natao ho araka ny tarehiny (Genesisy 1. 26 ; 5. 1). Ny hoe “tahaka ny endrik’Andriamanitra” dia maneho ny toerana nomena azy eo anivon’ny zavaboary. Amin’ny maha-mpitantana voatendrin’Andriamanitra azy, izy dia misolo tena an’Andriamanitra eto ambonin’ny tany, ary noho izany, dia lohany manapaka amin’ny zavaboary manontolo. Na dia teo aza, nefa, ny fahalavoan’i Adama sy ny korontana naterak’izany, ary na teo koa aza ny fiovana lehibe vokatr’izany, dia mbola mitoetra amin’ny maha-endrik’Andriamanitra azy ihany izy, ary ny olombelona rehetra koa, amin’ny maha-taranany azy (1 Korintiana 11. 7).
Ny hoe “araka ny tarehin’Andriamanitra” kosa indray, dia manambara ny fahadiovan’i Adama sy ny tsy fananany tsiny. Nisy firaisam-po amam-panahy teo amin’Ilay Mpahary sy ny olona izay noarìny. Indrisy, nefa, fa tsy naharitra ela akory izany. Nandika ny didin’Andriamanitra i Adama, ka dia very ny fahadiovany, ary dia lasa mpanota meloka izy. Tsy nolazaina intsony, tatỳ aorian’ ny nahalavoan’i Adama, ny maha-araka ny tarehin’Andriamanitra azy na ny taranany. Ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny naharìny ny olombelona tany am-boalohany, ihany, no ampiasana izany fiteny izany (Genesisy 1. 26 ; Jakoba 3. 9).
Tahaka ny tarehin’i Adama sy araka ny endriny
Mazava dia mazava ny lazain’ny Genesisy 5 momba izany. Ao amin’ny andininy 1 no ahitantsika fa nataon’Andriamanitra ho tahaka ny tarehiny ny olombelona. Ao amin’ny andininy faha-3 kosa, nefa, rehefa niteraka i Adama, ny taranany dia tahaka ny tarehiny sy araka ny endriny, dia tahaka ny mpanota meloka, zavaboary nianjera lavitra an’Andriamanitra. Noho izany, ny zaza rehetra teraka dia efa mpanota sahady raha vao teraka, satria mitovy toetra amin’ny ray aman-dreniny.
Hoy i Joba : “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy na dia iray akory aza” (Joba 14. 4). Hoy ihany koa i Davida : “Tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko” (Salamo 51. 5). Ao amin’ny Romana 5. 12-21 no ahitantsika ny fehin-kevitra azo tsoahina avy amin’izany toe-javatra izany ; dia toy izao izany : noho ny fahadisoan’i Adama, dia maty ny olona maro, satria noho ny fahadisoan’ny olona iray, dia nanjaka ny fahafatesana (and. 15, 17). Ny vokatry ny fahadisoan’i Adama dia nahatratra ny olona rehetra, izay niara-voaheloka taminy avokoa (and. 18), ary noho ny tsy fankatoavan’i Adama, dia lasa mpanota avokoa ny taranany rehetra (and. 19). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia toy izao : ny toetran’ny olombelona rehetra, eo am-pahaterahany, dia tahaka ny an’i Adama, razam-beny voalohany, taorian’ny fahalavoany, dia mpanota miandry ny fahafatesana ary voaroaka niala tao amin’ny saha Edena, tsy ho eo akaikin’Andriamanitra.
Eto àry dia ny toetran’ny olona no resahina, fa tsy ireo fahotana nataony. Raha mbola tsy manao fahotana iray akory ny olona iray, dia izao manaraka izao ny toetrany : mpanota izy, ka dia mendrika ny fahafatesana, ho fanamelohana azy. Tsy hoe meloka izy raha vao teraka ; tsy meloka izy raha tsy atỳ aoriana, noho ireo zavatra hataony, noho ireo fahotana ho vitany. Ao amin’ny Apokalypsy 20. 12 dia hitantsika fa ny maty dia hotsaraina araka ny asany avy, fa tsy araka ny toetrany. Ny toetran’ny olombelona, nefa, dia tsy ahafahany ho tonga any an-danitra velively. Andriamanitra, rahateo, tsy mahazaka olombelona mpanota manatrika Azy. Ilay Andriamanitra masina dia tsy maintsy mampanalavitra Azy mandrakizay ny olona tahaka izany. Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy (1 Jaona 1. 5), ary tsy mahazaka haizina eo anatrehany (Efesiana 5. 8). Hatsipiny any amin’ny maizina any ivelany ireny, ka “any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify” (Matio 8. 12 ; 22. 13). Raha tsy nahatanteraka ny asam-panavotana àry i Jesoa Tompo, dia tsy ho nisy olona afaka niditra any an-danitra, na dia ny zazakely izay maty taorian’ny nahaterahany, aza, ka tsy nanatanteraka fahotana iray akory.
Tsy ampy ny hoe voavela heloka !
Araka izany, àry, dia tsy ampy ny hoe voavela heloka. Raha nitondra ireo fahotako rehetra teo amin’ny hazofijaliana ny Tompo, kanefa tsy nanao na inona na inona ambonin’izany, ho ahy, dia marina fa tsy hotsaraina noho ireo fahotako intsony aho, saingy ho very mandrakizay ihany. Afaka mamela heloka Andriamanitra, fa tsy afaka kosa mamela ny toetra ratsy, dia ilay toetra ratsy sy mpanota. Efa nampandalovin’Andriamanitra tamina tranga maro isan-karazany ny olombelona, ahazoany maneho izay mety ho tsara ao anatiny. Toy izany, ohatra, ny talohan’ny Safodrano, raha mbola tsy nanome didy na fandrarana Andriamanitra ; sy ny taorian’ny Safodrano, izay nametrahan’Andriamanitra fahefana hanafay ny faharatsiana (Genesisy 9. 5-6) ; ary tatỳ aoriana, nony nanokana ny Israely ho olony Izy, ka nanome azy ireo ny didiny sy ny fitsipiny, ary nanaiky ny honina eo aminy, noho ny fahatsaram-pony (Deoteronomia 4. 6-8). Avy eo, moa, Izy dia nanome azy ireo mpitsara sy mpaminany ary mpanjaka. Nitaiza azy ireo tamin’ny fitsipiny Izy. Ary tamin’ny farany, dia tonga teto an-tany mihitsy Izy, ho “Andriamanitra tonga nofo”, tamin’ny fahasoavana. “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fahadisoany” (2 Korintiana 5. 19). Inona nefa no nitranga ? “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” (Jaona 1. 11). “Ary ny mazava dia namirapiratra ao amin’ny maizina ; fa ny maizina tsy nandray azy” (Jaona 1. 5). “Aleon’ny olona ny maizina, toy izay ny mazava” (Jaona 3. 19). Ratsy indrindra ny olombelona, ka dia vitany hatramin’ny nanilikilika sy nandà Ilay Andriamanitra Izay niseho tamin’ny fahasoavany, ary nanombo an’i Jesoa, “Ilay Andriamanitra tonga nofo”, tamin’ny hazofijaliana (1 Timoty 3. 16). Ny hazofijaliana dia naneho miharihary fa ratsy tanteraka ny olombelona, ka tsy misy azon’Andriamanitra atao, afa-tsy ny manameloka azy.
Izany no antony ilazan’i Jesoa Tompo, ao amin’ny Jaona 3, tsy hoe : “Raha tsy voavela heloka ny olona, dia tsy hahita ny fanjakàn’Andriamanitra”, fa hoe : “Raha tsy ateraka indray ny olona, …”
Ny valin-teny omen’Andriamanitra
Ny Romana 5. 12-21 dia manome antsika vahaolana avy amin’Andriamanitra, mikasika izany zavatra toa sarotsarotra raisina izany. Ilay olona voalohany, dia ilay Adama voalohany, izany, dia nampita tamin’ny taranany rehetra (izany hoe amin’ny olona rehetra hatrany am-bohoka) ny toetra maha-mpanota azy. Noho izany dia nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany i Jesoa Tompo, ilay olona faharoa sy Adama farany (1 Korintiana 15. 45-47), mba ahazoany manome ny toerana novidiny tamin’ny alalan’ny asany (dia ilay fanavotana nataony teo amin’ny hazofijaliana), ho an’izay rehetra tafaray aminy. Izany, moa, dia mitondra antsika amin’ny fanontaniana hoe : Manao ahoana moa izany toerana izany ?
I Jesoa Tompo dia “nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ ny hazo”, noho ny fanamelohan’Andriamanitra (1 Petera 2. 24). Tsy izay ihany, nefa. Ny Romana 8. 3 dia manambara fa Andriamanitra dia “naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo”. Ao amin’ny 2 Korintiana 5. 21 ihany koa, dia ahitantsika ny hoe : “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.” Ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo dia tsy miresaka ny amin’ny fahotantsika, tsy akory, na ny amin’ny asa ratsintsika, fa miresaka ny amin’ny ota, dia ny fitsipika fototry ny atao hoe ratsy, sy ny loharanon’ny ota, ary ny toetra ratsy maha-isika antsika mihitsy. Ny Romana 8. 3, moa, dia miresaka ny amin’ny “nofo ota” sy ny amin’ny “ota ao amin’ny nofo”. Ny toetra ratsy maha-isika antsika dia voafaritr’ireo teny ampiasaina ao amin’ny Romana 5. 8 ireo.
Ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia hitantsika fa nataon’Andriamanitra ho ota i Jesoa Tompo, nony nihantona teo amin’ny hazofijaliana. Tsy hoe nitondra ny fahotantsika fotsiny ihany ny Tompo, tamin’izany, fa nandray mihitsy ny toetra ratsy maha mpanota antsika. Nohelohin’Andriamanitra àry Ilay tsy mba nahalala ota akory, ka nataony tahaka ny olona mpanota, izay manana toetra ratsy maha mpanota. Nohelohin’Andriamanitra avokoa na ny toetra maha mpanota ny olona, na ireo fahotany (ny asa ratsy nataony) ; ary dia samy nampihariny tamin’i Jesoa Tompo avokoa ny fanamelohana ireo zavatra roa loha ireo. Noho izany, dia maty ny Tompo ary nalevina.
Ilay Adama farany
Ny herin’Andriamanitra kosa, nefa, dia nanangana an’i Jesoa Tompo tamin’ny maty (Efesiana 1. 20), ka nampiharihary fa afa-po tanteraka ny fitsaràny, raha ny amin’ny fahotantsika sy ny toetra ratsy ao amintsika. Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo, ary efa tanteraka ny fitsarana. Sata vaovao, izao, no ijoroany eo anatrehan’Andriamanitra, dia Ilay niaritra tanteraka ny fanamelohana, noho ny ota sy ireo fahotana, kanefa kosa natsangan’Andriamanitra, mba ho porofo fa afa-po tanteraka tamin’ny asany ny fitsaràn’Andriamanitra ; ary ankehitriny Izy dia miaina fiainana fitsanganana amin’ny maty. Izany no satan’i Jesoa Tompo, Ilay olona faharoa, dia Ilay Adama farany, hatramin’ny nahatonga Azy ho lohan’ny ankohonana vaovao, dia ny ankohonan’Andriamanitra.
Ny Romana 5. 12-21 dia milaza amintsika fa izay rehetra ampitoviana aminy dia mitovy sata aminy koa. “Ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny Olona iray, dia Jesoa Kristy, no tonga be ho an’ny maro kosa” (and. 15). “Noho ny fahadisoana maro … no nisehoan’ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana” (and. 16). “Izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesoa Kristy” (and. 17). Ampy ho fanamarinana ho fiainana ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy ; ary noho ny fankatoavany, dia natao ho marina isika (and. 18-19). Ny fahasoavana dia manjaka amin’ny alalan’ny “fahamarinana ho fiainana mandrakizay” (and. 21). “Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa, amin’ny fitsanganany” (Romana 6. 5). Ny Efesiana 2. 6 dia manambara zavatra lalindalina kokoa, momba izay. Andriamanitra dia namelona antsika miaraka amin’i Kristy, nanangana antsika niaraka tamin’i Kristy, ary nametraka antsika ihany koa niaraka aminy any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa.
Fantatsika àry fa ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Tompo dia tsy mijanona eo amin’ny famelàna ny helotsika ihany, fa misy dikany lalindalina kokoa. Rehefa manatona an’Andriamanitra ny mpanota iray, amin’ny alalan’ny fiaikeny ny helony, sy noho ny finoany an’i Jesoa Tompo, dia raisin’Andriamanitra ho anisan’ny ankohonany, ka tonga fananan’i Jesoa Tompo. Natao ho toy ny azy ny asam-panavotana manontolo notanterahin’i Jesoa. Izany dia midika fa ny fanamelohana ireo fahotany sy ny ratsy vitany dia efa nentina teo amin’ny hazofijaliana avokoa, ka dia efa voaisotra. Ny toetra maha mpanota azy ihany koa, nefa, dia efa voaheloka, ka dia efa maty tamin’ny nahafatesan’i Jesoa Tompo teo amin’ny hazofijaliana. Ankehitriny izy dia efa mandray anjara amin’ ny fiainam-baovaon’i Jesoa Tompo natsangana tamin’ny maty. Ilay Adama farany (ilay “fanahy mahavelona” —1 Korintiana 15. 45) dia nanome fofonaina azy, sy nanome azy ny fiainany manokana, tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty (Jaona 20. 22). Manana ny fiainana mandrakizay izy, ary i Jesoa Tompo mihitsy no fiainany (Jaona 3. 15-16 ; 1 Jaona 1. 1-2 ; 5. 11-13, 20).
Maty niaraka tamin’i Kristy
Ny olona izay mahatakatra tsara izany dia tsy miezaka intsony ny hihatsara amin’ny herin’ny tenany. Fantany mantsy fa tsy hainy atao ny manatsara izay efa nolazain’Andriamanitra fa hoe very mandrakizay. Fantany ihany koa nefa izy, fa novonoin’Andriamanitra ho faty teo amin’ny hazofijaliana, tao amin’ i Jesoa Tompo. Izany rahateo no ambaran’ny batisa. Natao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Jesoa Tompo izy, ka dia niara-nalevina taminy tamin’ny alalan’ny batisa, ho amin’ny fahafatesana (Romana 6. 3-4). (Tsy manamaivana izany fahamarinana izany ve ny fanaovana batisa amin’ny famafazana ny rano, fa tsy amin’ny fanatsobohana ?) Fantany àry fa Andriamanitra dia tsy mijery azy afa-tsy ao amin’ny maha-olom-baovao azy, dia olom-baovao izay tsy te hanota, ary tsy afaka manota. Tahaka izany indrindra koa no ijereny ny tenany, dia olona maty ny amin’ny ota, saingy velona kosa ho an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa (Romana 6. 11). Tsy afaka hiady amin’ny ota ao anatiny, tsy akory, ny kristiana; tsy voalaza, na aiza na aiza, ao amin’ny Soratra Masina, hoe tokony hanao izany izy ; ny mifanohitra amin’izany aza, ny ataony dia ny mihevitra ny tenany hoe efa maty ny amin’ny ota. (Marihina moa fa ny Hebreo 12. 4, eto, dia tsy miresaka momba ny ota izay mitoetra ao anatintsika, fa ny amin’ ny ota eto amin’ity izao tontolo izao, izay manohitra antsika, ity.) Marina fa mbola te hitraotra ihany ny ota izay mitoetra ao anatin’ny kristiana iray. Te haneho izy fa mbola velona ihany, nefa tsy tokony havelan’ny kristiana hiseho intsony. Tsy tokony hihevitra azy akory izy, fa mila mijery an’i Jesoa Tompo. Koa rehefa miasa ao anatin’ny foko ny ota, ka misintona ny saiko hitodika any aminy, dia tsy tokony hohenoiko akory, fa tokony hafantoko amin’ny Tompo Jesoa ny saiko. Tsy ny ota intsony no hameno ny saiko, amin’izay. Rehefa mibanjina an’i Jesoa Tompo mantsy isika, dia afaka mivelatra eo amintsika ny fiainam-baovao : “Isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra, avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Korintiana 3. 18).
Raha manao izany aho, dia anjaran’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatiko, ny miady amin’ny nofo (ilay toetra maha-mpanota) (Galatiana 5. 17). Tsy anjarantsika ny miady. “Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 6. 11).
Zavatra tsapa eo amin’ny fiainana
Koa ahoana àry, araka izay nosoratako tany am-piandohana, no misy kristiana maro, misento eo ambanin’ny herin’ny ota ? Ary nahoana no tsy misy kristiana, na iray aza, tsy mahatsapa izany toe-javatra nandalovany teo amin’ ny fiainany izany, sy ny ady atao amin’izany ? Tsy hoe haharitra mandritra ny androm-piainan’ny mpino manontolo, tsy akory, izany ady izany. Hisaorana anie ny Tompo, satria tsy ho izany tokoa. I Jesoa Tompo dia nandresy an’i Satàna sy ny ota ; noho izany, ireo rehetra manana anjara ao aminy, dia mitoetra ao amin’ny fahafahana (Galatiana 5. 1, 13, 16) ary mivelona amina fiainam-pandresena (Romana 8. 1-4). Ireo rehetra mahatsapa ny ambaran’ny Romana 8. 1-11 dia afaka amin’ny herin’i Satàna sy ny ota ary ny fahafatesana. Ny vokatry ny Fanahy no hita ao amin’izy ireo (Galatiana 5. 22), ary ho tanteraka ao aminy ihany koa izay zavatra marina takian’ny lalàna (Romana 8. 4).
Fantatry ny tsirairay, nefa, ny amin’izany ady izany, satria araka izay zavatra efa niainantsika ihany no ahalalantsika ny amin’ny hoe fanafahana.
Rehefa miova fo ny olona iray, dia mahita sy mahatsapa ireo fahotany, ary mahatsiaro mavesatra ny amin’izany, satria manoloana azy ny fitsaràn’Andriamanitra. Mandray ny fiainam-baovao izy, ary tonga manana sitrapo vaovao izay mifono faniriana hanompo an’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra no katsahiny, ka tiany hotanterahina tahaka ny lalàna. Amin’izany, nefa, dia ny toetra maha mpanota azy ihany no fantany. Ny Romana 7 moa no milazalaza ny amin’izany.
Ao amin’ny andininy efatra voalohany, dia ahitantsika ny foto-pampianarana milaza ny amin’ny toerana misy antsika. Isika dia maty raha ny amin’ny lalàna, ary nampiraisina amin’ilay Kristy, Izay efa nitsangana tamin’ny maty. Ny andininy faha-5-6, indray, dia manambara ny zavatra miseho eo amin’ny fiainana. Ny zavatra tsikaritra voalohany, amin’izany, dia ny hoe : tsy manana hery ny lalàna. Ny lalàna dia masina sy marina ary tsara. Natao ho an’ny “fiainana” izy, satria mantsy voasoratra hoe : “izay manao izany zavatra izany dia ho velona.” Araka izay zavatra niainako, nefa, dia tsapako fa fahafatesana no entiny ho ahy, satria noho izany lalàna izany, dia mitsiry ao am-poko ny fitsiriritana. Nefa ny lalàna mandrara ahy tsy hitsiriritra. Mitarika ahy hahalala marina ny tena toetrako izany : “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (and. 18). Na izany aza, nefa, ny fahalalako fa te hanao ny tsara aho, saingy ny ratsy izay hàlako ihany no tanterahiko (and. 15), dia mitarika ahy hanavaka ilay “izaho”, izay te hanatanteraka ny tsara ka mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra, araka ny toetra anaty (and. 22), sy ny hery ato anatiko, ny ota, izay mahatonga ahy hanao ny ratsy (and. 20). Tsapako amin’izany àry aho fa andevon’ny ota, izay mitoetra ato anatiko. Manota aho : “lalànan’ny ota” izany, fitsipika tsy azo ovàna ary tsy ananako hery anoherana azy. Andevon’izany lalàna izany aho.
Noho izany, ny Fanahy Masina dia mitarika ahy hahita ny toetrako tsy misy fanantenana, ka mahatonga ahy hikiaka koa hoe : “Indrisy ! Olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?” (and. 24). Ny tenin’Andriamanitra nefa dia manome valin-teny ho antsika ny amin’izany, ao amin’ny andininy 25, hoe : “Misaotra an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.”
Fanafahana
Afaka amin’io tenan’ny fahafatesana io aho ! Voaheloka izy, tao amin’i Kristy, teo amin’ny hazofijaliana (and. 3). “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2. 20). “Ao amin’i Kristy” aho, dia eo amin’ ilay toerany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Koa amin’izany, dia tsy misy fanamelohana ho ahy intsony (Romana 8. 1). Ny Fanahy Masina dia nanome fiainana vaovao ao anatiko, dia fiainana tsy manota intsony, ary mihoatra noho izany, tsy afaka manota, fa miombom-po tanteraka amin’Ilay nanome azy (Jaona 3. 5-6). Ambonin’izany dia monina ao anatiko ny Fanahy Masina, ary Izy no hery mahatonga ilay fiainana vaovao hivelatra araka ny maha-izy azy (1 Korintiana 6. 14 ; Jaona 4.14 ; 7.38-39). Izy ihany koa no manatanteraka ny ady amin’ny nofo (Galatiana 5. 17). Araka izany, ny lalànan’ny Fanahin’aina ao amin’i Kristy Jesoa (lalàna izay tsy hay ovàna) dia nanafaka ahy tamin’ny lalànan’ny ota sy ny fahafatesana (Romana 8. 2 ; ampitahao amin’ny 7. 23). Tsy ao amin’ny nofo (izay toetra taloha) intsony aho, fa ao amin’ny Fanahy. Ny toerana misy ahy dia voafaritry ny fananako ilay fiainana natolotry ny Fanahy Masina ahy tamin’ny fahateraham-baovao (Jaona 3) sy ny fonenan’Izy Fanahy Masina rahateo ato anatiko (Romana 8. 9). Midika izany fa an’i Kristy aho, ka dia kristiana tokoa.
Ny toetra tokony ho izy, ho an’ny mpino, dia olona afaka —nafahana tamin’ny fanandevozan’i Satàna sy ny ota ary ny fahafatesana, nafahana mba hanompo an’Andriamanitra—, olona afaka mba hisitraka ny fiombonana tsy tapaka amin’Andriamanitra sy hanana fifaliana tonga lafatra (1 Jaona 1. 3-4).
Ny Tompo anie hanome anareo, sy ahy koa, ny hitoetra mandrakariva ao amin’izany toetra tokony ho izy izany.
Mirary soa indrindra.
Hoy ny rahalahinareo ao amin’ny Tompo.
H. L. H.
NANOKANA OLONA HO VERY VE ANDRIAMANITRA ?
Ry sakaiza malala isany,
Somary sahiran-tsaina angamba ianareo, satria nisy feo nilaza fa tsy mety ho fantatra dieny etỳ ambonin’ny tany etỳ raha ho voavonjy ny olona na tsia, satria tsy fantatra raha ho voafidy ho amin’izany na tsia.
Azonareo novaliana tsotra tamin’ny alalan’ny Baiboly nefa izany. Hoy ny Tenin’Andriamanitra : “Mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 16). Raha milaza ny marina, izany, Andriamanitra, dia afaka mahazo antoka ny famonjena antsika isika. Tsy misy olona handà fa milaza ny marina ny Tenin’Andriamanitra. Nanontany olona iray nisalasala toy izany aho, raha noheveriny fa teo anilan’Andriamanitra i Paoly apostoly, ka nahita ny boky firaketany. Tsia, hoy izy, mazava loatra. Ka hoy aho taminy hoe : Koa ahoana àry no nahafahany nanoratra ho an’ny Tesaloniana hoe : “Fantatrareo ny nifidianana anareo” ? Ary ahoana ihany koa no nahafahany niantso ny olona nanoratany, hoe olona masina, amin’ireo taratasy rehetra nosoratany ? Tsy nanan-kavaly, moa, io olona io, fa ny ampitso kosa izy dia tonga nanatona ahy, ary nanao tamiko hoe : “Izaho koa ankehitriny dia mahafantatra fa voavonjy aho”. Araka izany, ny Tenin’Andriamanitra dia miresaka mazava ny amin’ny hoe fifidianana. Zanak’Andriamanitra iza àry no mbola tsy namaky am-panajana ny teny ao amin’ny Efesiana 1. 4-5, ny Romana 8. 29-30, ny 1 Petera 1. 2, sy ny hafa ihany koa, ka tsy nankalaza Ilay Andriamaniny, noho ny nanomezany azy izany fahasoavana lehibe izany ?
Sori-dahatra mialoha
Indrisy, moa, fa ny olombelona dia tsy nijanona teo amin’izay voalazan’ny tenin’Andriamanitra, fa mbola nampiasa lalina ny sainy, mba ahazoany manatsoaka izay heveriny ho marina ara-drafikevitra. Ny vokany nefa dia miharihary, fa ireny fanambaràna ireny dia mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra, ka manala baraka ny anarany. Ny foto-pampianarana milaza ny sori-drafitra mialoha ho an’ny olona rehetra dia faniratsirana ny voninahitr’io fifidianana io, araka ny anambaràn’ny Tenin’Andriamanitra azy.
Hoy mantsy izany fampianarana ny amin’ny sori-drafitra mialoha izany, hoe Andriamanitra dia nifidy olona vitsivitsy hahazo ny famonjena mandrakizay, ary nanapa-kevitra hanary ny hafa kosa. Ny Romana 9. 8-23 no anorenana io fampianarana io. Ndeha hovakiantsika sy hodinihintsika tsara izany teny izany.
Tsy natao ho an’ny Jiosy irery ny fahasoavana
Ny toko valo voalohany amin’ny bokin’ny Romana, dia mamariparitra ny toerana misy ny olombelona, sy ny valiny omen’Andriamanitra mikasika izany. Very tanteraka ny olombelona, araka ny voalaza hoe : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany” (Romana 3. 23-24). Voavonjy noho ny fahasoavana irery ihany ny olona, ary tsy noferana ho an’ny Jiosy ihany izany fahasoavana izany, fa natao ho an’ny jentilisa koa —ireo izay tsy Jiosy.
Tsy nanaiky izany nefa ny Jiosy. Nanana toerana niavaka sy azy manokana mantsy izy ireo, ka tsy te hizara izany. Vao mainka moa niseho niharihary ny fankahalan’izy ireo, rehefa notorìna tamin’ny jentilisa izany filazantsara izany. Hitantsika izany, ohatra, ao amin’ny Asa 13. 45-50 ; 15. 1 ; 17. 5 ary ny 28. 25-29.
Ao amin’ny toko faha-9 ka hatramin’ny faha-11 amin’ny Romana, i Paoly apostoly dia mandinika izao fanontaniana izao : Ahoana no fomba ampifanarahana izany toerana iombonan’ny Jiosy sy ny jentilisa izany, raha ny Filazantsara no jerena, sy ny toerana miavaka nomen’Andriamanitra ny Jiosy ?
Ny maha-taranak’i Abrahama
Ny zavatra voalohany izay nireharehan’ny Jiosy, dia ny maha-taranak’i Abrahama azy. Tsara izany, hoy ny apostoly, saingy tsy maintsy ekena ihany koa, izany, i Ismaela, satria zanak’i Abrahama koa. Ary raha lazaina aza fa andevovavy ny renin’i Ismaela, izay niavian’ny Arabo, dia mbola tao ihany koa i Esao. I Jakoba sy Esao, mantsy, dia iray ray sady iray reny, ary kambana. Na dia zokiny aza nefa i Esao, dia tsy izy no loharano nipoiran’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy hoe i Jakoba koa, nefa, no tsaratsara kokoa. Talohan’ny nahaterahan’izy mirahalahy ireo, dia efa nilaza Andriamanitra fa ny zokiny hanompo ny zandriny.
Tsy hoe zon’ny Jiosy, izany, ny nanana izany tombon-dahiny izany, fa noho ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavany, izay samy miasa amin-kalalahana tanteraka. Raha mitaky ny zony ny Jiosy, dia tsy maintsy manaiky ihany koa ny maha-olon’Andriamanitra ny Arabo sy ny Edomita, ary izay indrindra no tsy tiany. Fa raha noho ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra kosa no maha-olon’Andriamanitra azy ireo, Andriamanitra ve tsy mahazo manitatra izany fitahiana izany ho an’ny hafa ihany koa ?
Hitantsika, amin’izany, fa tsy fifidianana na fanilihana ho mandrakizay no resahina eto, fa tombon-dahiny ananan’ny Jiosy etỳ ambonin’ny tany fotsiny ihany.
I Jakoba no tiako, fa i Esao no hàlako
Ny teny ao amin’ny Romana 9. 13 dia ampiasaina manokana mba hanantitranterana ny foto-pampianarana mikasika ny fanilihana. Izany nefa dia fampifangaroana ny voalazan’ny andininy faha-12 sy faha-13. Ny hitantsika ao amin’ny andininy faha-12 dia zavatra efa nolazain’Andriamanitra tokoa talohan’ny nahaterahan’izy mirahalahy kambana ireo, nefa tsy talohan’ny naharìna izao tontolo izao, tsy akory, araka izay hita ao amin’ny Efesiana 1. 4.
Anjara toerana tetỳ ambonin’ny tany ihany izany. Ary taloha kelin’ny nahaterahan’izy mirahalahy no nanambaràn’Andriamanitra ireo teny ireo (and. 10). Ny andininy faha-13 kosa dia fitanisana ny teny ao amin’ny Malakia 1. 2-3, izay fanambaràna nataon’Andriamanitra 1400 taona taorian’ny nahafatesan’i Jakoba sy Esao, rehefa hitany ny fiainan’izy ireo sy ny taranany. Ao amin’ny Hebreo 12. 16-17 dia sokajiana ho isan’ny mpijangajanga sy olona tsy manaja ny masina i Esao, izay nivarotra ny fizokiany tamina hanina indraim-bava, ary tsy afaka nahita intsony izay fomba hibebahana. Hahagaga ve raha lazain’Andriamanitra fa halany izany olona izany, araka ny voasoratra hoe : “Halanao ny mpanao ratsy rehetra” (Salamo 5. 5) ?
Hiampita any amin’ny Romana 9. 15 isika, izay manao hoe : “Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo.” Fitanisana ny Eksodosy 33. 19 izany. Nanangana ombilahy volamena ny Zanak’i Israely ka nandà an’Andriamanitra (Eksodosy 32. 4). Mendrika ny famaizan’Andriamanitra izy ireo (Eksodosy 32. 10) ; nefa dia nifona ho azy ireo i Mosesy. Maneho ny fahasoavany indray àry Andriamanitra, ka tsy nangringana ny vahoakany. Ireo teny ireo dia porofo manambara fa Andriamanitra dia manana fahefana haneho ny fahasoavany, na dia efa tokony hampiharina izao, aza, ny fitsarana. Ny maha-vahoakan’Andriamanitra ny Israely izany, dia tsy miorina afa-tsy amin’ny fahasoavana ihany. Ahoana àry no ampiasana ireo andinin-tSoratra masina ireo, hanohanana ny foto-pampianarana momba ny fanilihana ? Ny Romana 9. 15 dia manorina mafy ny fitsipika fototra ny amin’ny fahasoavana. Ny olona rehetra dia mendrika hiharan’ny fitsarana, ka ny famindràm-pon’Andriamanitra irery ihany, sisa, no afaka manoro làlana hivoahana. Soa inona no ho azon’ny olona raha tsy hanota intsony (raha toa moa ka ho vitany izany !), manomboka anio ? Satria tsy maintsy hihatra aminy ihany ny fitsarana, noho ny fahotana vitany hatramin’izao.
Hamafisin’Andriamanitra ny fon’ny olona sasany !
Ny Romana 9. 17 dia fitanisana ny Eksodosy 9. 16. Nolazain’Andriamanitra tamin’i Farao fa hohamafisiny ny fony, mba hanehoany aminy ny heriny. Mila mamaky ny voasoratra eo aloha, nefa, isika. Ao amin’ny Eksodosy 5. 2 dia hoy i Farao : “Iza moa Jehovah, no hekeko teny, handefasako ny Israely ?” Dia vao mainka nataony mafimafy kokoa ny fanompoana nataon’ny vahoaka Israely (5. 17). Na dia maro aza ny famantarana sy ny famaizana nalefan’Andriamanitra, dia tsy nety nankatò izany sitrapon’i Jehovah izany velively izy. Tamin’izay vao nilaza Andriamanitra hoe : Izao dia hamafisiko ny fonao, mba hianjera aminao ny vesatry ny famaizako.
Marina fa efa nolazain’i Jehovah mialoha izany (Eksodosy 4. 21), satria fantany fa tsy hankatò ny teniny i Farao. Fantany mantsy ny toe-pon’i Farao (3. 19), ka tatỳ aorian’ny nitenenany imbetsaka tamin’i Farao sy ny nandefasany famantarana sy loza maro, sy taorian’ny nandavan’i Farao hatrany hatrany, tsy handefa ny vahoaka Israely, ary ambonin’izany, ny tsy nitanany ny teniny imbetsaka tsy tambo isaina, vao nohamafisan’i Jehovah ny fony (9. 12). Avy eo Andriamanitra vao nanambara taminy ny teny tanisaina ao amin’ny Romana 9. 17.
Tena marina fa manamafy ny fon’ny olona iray Andriamanitra, indraindray. Nataony tamin’i Farao izany, ary mbola ataony ihany koa, indraindray, ankehitriny. Aorian’ny hampakarany ny Fiangonana ihany koa, dia mbola hataony amin’ireo izay nandre ny Filazantsara, saingy tsy nety nandray azy (2 Tesaloniana 2. 11). Na izany aza, nefa, dia tsy manatanteraka izany Andriamanitra raha tsy efa nanome fotoana ahazoan’ny olona miova fo (Joba 33. 14-30). Izany dia mifanipaka tanteraka amin’ny foto-pampianarana momba ny fanilihana.
Afaka manao izay tiany hatao Andriamanitra
Ao amin’ny Romana 9. 19-21 dia somary amin’ny ankapobeny ihany ny filazana io lohahevitra io. Andriamanitra ve tsy manam-pahefana hanao izay tiany hatao amin’ny zavatra noarìny ? Raha tiany hatao fanaka omem-boninahitra ny iray, ary ny iray hafa kosa fanaka halàm-baraka, tsy zony ve ny manao izany ? Ny zavaboary ve afaka manakiana ilay Mpahary azy ? Amin’ny maha-Mpahary Azy, Andriamanitra dia manana ny fahefana hanao izay tiany hatao amin’ny zavaboariny. Azony atao ny mamindra fo amin’ny iray, ary manokana ny iray kosa ho amin’ny fahaverezana mandrakizay. Tsy nampiasa io fahefana faharoa io nefa Izy. Fahazavana sy fitiavana mantsy Izy, ka tsy manao zavatra mifanohitra amin’ny maha-Izy Azy.
Ny andininy faha-21 dia milaza tsara ny momba izany, izay somary mampahatsiahy ny Jeremia 19 ihany. Ao, mantsy, Andriamanitra dia mampiseho fa manana fahefana hanao izay tiany hatao amin’ny Israely. Ny mpanefy tanimanga dia mamboatra vilany amin’ny tanimanga, nefa raha toa tsy mety io vilany io, dia amboarany vilany iray hafa indray ny tanimanga.
“Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe : Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’i Israely ?” (Jeremia 18. 5-6).
Tamin’ny fomba ahoana nefa no nampiasan’Andriamanitra izany fahefany izany ? “Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako ; nefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko ; nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy” (Jeremia 18. 7-10).
Raha misy olona iray miala amin’ny ratsy, dia hanenina ny amin’ny fitsarana izay nokasainy Andriamanitra, ary hamindra fo aminy.
Toy izany no ampiasan’Andriamanitra ny fahefana tsy azo refesina izay eo am-pelatànany, amin’ny maha-Tsitoha Azy.
Ny fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana
Izany no ampianarin’ny andininy faha-22 sy faha-23 amin’ny Romana 9, na dia ampiasaina matetika aza ireo andininy ireo mba hanohanana ny foto-pampianarana mikasika ny fanilihana. Raha ny marina, ireo dia porofo tsy azo hozongozonina manohitra izany fampianarana izany.
Ny andininy faha-22 dia miresaka momba ny “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”. Iza no nanomana azy ? Tsy voalaza eto ny amin’izay. Araka ny hita, nefa, dia mazava fa tsy Andriamanitra, tsy akory, no nanomana izany. Isika ve afaka milaza fa nandefitra dia nandefitra tamin’izy ireny Andriamanitra, raha toa ka Izy ihany no nanomana azy hosimbana ? Mariho koa, eto, ny maha-samy hafa izany amin’ny voalazan’ny andininy faha-23, izay milaza mazava fa Andriamanitra dia nanomana mialoha ny fanaky ny famindràm-po. Mazava, araka izany, fa ny fanaky ny fahatezerana ihany no nanomana ny tenany hosimbana. Fa hoy ny voalaza : “Ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra” (Romana 2. 5).
Ny
tenin’Andriamanitra dia tsy milaza
ny fisian’ny fanendrena mialoha ho amin’ny fahaverezana
Tsy misy, na dia porofo kely akory aza, ao amin’ny Soratra Masina, milaza fa Andriamanitra dia nanendry mialoha ny olona sasantsasany ho very mandrakizay. Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fanambaràna izay nataon’ Andriamanitra momba ny Tenany, ao amin’ny Baiboly.
Ilay “Andriamanitra Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena”, dia nanolotra an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana ho avotra “hisolo ny maro”, mba hahatonga ny olona rehetra ho voavonjy ; koa Izy ve dia nanendry ny sasany amin’izy ireo tsy hanana anjara amin’izany famonjena izany, fa ho very mandrakizay ? Ndeha hotsahivina fotsiny izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina, toy ny ao amin’ny Jaona 3. 16, ny Romana 3. 22, ny 1 Jaona 2. 2, sy ny maro hafa tsy voatanisa.
Tsia, fa hisaorana anie Andriamanitra, satria misy tokoa ny fifidianana mpanota mahantra ho amin’ny voninahitra. Fa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy milaza velively ny fifidianana ho amin’ny fahaverezana. Ny mifanohitra amin’ izany aza no lazainy, araka ny voasoratra hoe : “Izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22. 17), sy hoe : “Andriamanitra Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalàlana ny marina” (1 Timoty 2. 4).
Ary raha tsy haintsika ny mampifandray ireo zavatra roa loha ireo, izany hoe : ny fifidianana antokon’olona sy ny fitaomana ny olona rehetra, dia aoka hotsaroantsika fa ny fihevitr’Andriamanitra dia ambony lavitra noho ny fihevitsika (Isaia 55. 9). Koa olona iza no afaka milaza fa mahatakatra amin’ny sainy na koa mitsara ny fahendrena sy ny làlan’Andriamanitra ? Ny finoana dia mandray izay efa nolazain’i Abrahama hoe : “Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra ?” (Genesisy 18. 25).
Mirary soa ho anareo.
Ilay rahalahinareo ao amin’ny Tompo.
H. L. H.
NY FIFIDIANANA
(Tohin’ny
taratasy teo aloha)
Mipetraka indray àry, izao, ny fanontaniana hoe : Ahoana moa no ahafantarako fa voafidy aho ?
Aoka homarihintsika, aloha, fa ny tenin’Andriamanitra dia tsy miresaka velively fifidianana amin’ireo tsy mino. Ny Soratra Masina dia maneho amin’ny tsy mino ny toeram-pahaverezana misy azy ireo sy ny fitsaràn’Andriamanitra, nefa koa ny antson’Andriamanitra ho amin’ny fibebahana, ka mametraka eo anatrehan’izy ireo an’i Jesoa Tompo sy ny asany, mba hinoany.
Rehefa miova fo izy ireo, ka mino an’i Jesoa Tompo, dia lazaina hoe voafidy. Ahoana moa no mety hahafantarany izany ? Ny 1 Tesaloniana 1. 4-6 no manome antsika ny valiny. Hoy i Paoly apostoly ao : “Fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo.” Dia hazavainy eo ny antony, hoe : “Fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetran’ny fitondràntenanay teo aminareo, noho ny aminareo. Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina”. Nandray ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary izay no porofo. Izay rehetra manaiky ka mandray ny Filazantsara, mantsy, ka vita fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’izany, dia manana ny porofo fa voafidy.
Inona no ambaran’ny Soratra Masina, momba ny fifidianana ?
Na dia maro aza ny andinin-tSoratra Masina milaza ny fifidianana (ohatra : 1 Petera 1. 2 ; 2 Timoty 1. 9 ; Titosy 1. 2 ; sy ny hafa), dia ny Romana 8. 28-30 sy ny Efesiana 1. 3-14 no tena manambara ny foto-pampianarana momba azy.
Hoy ny teny ao amin’ny Romana 8. 29-30 : “Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa ; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa ; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.”
Ny zavatra voalohany, izany, dia izao : misy olona fantatr’Andriamanitra mialoha. Tsy voalaza Andriamanitra, eto, hoe mahafantatra ny toetrany sy ny fomba fiainany, na koa ny mety hibebahany na tsia, fa izao ihany : fantany ny olona tsirairay avy. Ny Efesiana 1. 4 dia milaza amintsika fa “taloha”-n’ny fanorenana izao tontolo izao, izany hoe efa hatrizay hatrizay, no efa nahafantaran’ Andriamanitra ny olona tsirairay avy.
Ireo olona rehetra ireo, fa tsy misy latsaka na dia iray aza, dia notendreny mba hitovy endrika amin’ny Zanany. Izany àry no atao hoe fifidianana. Raha mbola tsy teraka akory isika, raha mbola tsy noarìna akory i Adama ; eny, raha mbola tsy ary akory ny lanitra sy ny tany, araka ny lazain’ny Genesisy 1. 1, dia efa nihevitra antsika Andriamanitra, ka nanapa-kevitra fa hataony mitovy endrika amin’ny Zanany isika. Lazain’ny tenin’Andriamanitra, moa, fa i Kristy no “endrik’Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1. 15). Ary eto dia ambara fa hatao mitovy endrika aminy isika. Izy no Lahimatoa amin’ny rahalahy maro. Na dia mitana ny toerana voalohany aza nefa Izy, dia hatao mitovy aminy isika.
Tsy amin’ny maha-Zanaka mandrakizay Azy, mazava loatra, no ahitantsika ny Tompo, eto. Amin’izany, mantsy, dia Andriamanitra mandrakizay Izy, ary Izy irery ihany no izany. Eto kosa, dia amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, teraka tetỳ an-tany, ka nahatanteraka ny asam-panavotana teo amin’ny hazofijaliana, ary ahatanterahan’ny fikasàn’Andriamanitra rehetra, no ilazana Azy (Kolosiana 1. 19-21 ; Efesiana 1. 10, 20-23).
Eto dia ny loharanon’ny fitahiana antsika no ampifandraisina amin’ny vokatra farany —dia ny mandrakizay talohan’ny naharìna ny lanitra sy ny tany, sy ny mandrakizay aorian’ny hahalevonan’ny lanitra sy ny tany. Ary ny fikasàn’ny fon’Andriamanitra, kosa, ampifandraisina amin’ny fahatanterahany tonga lafatra, araka izay ilazana azy ao amin’ny 1 Jaona 3. 2 hoe : “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.” Isika dia haseho amin’ny maha-zanaky ny fitsanganana amin’ny maty antsika (Lioka 20. 36), sy amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, rehefa hovàny “ny tenan’ny fietrentenantsika, ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3. 21).
Nantsoina sy nohamarinina ary nomena voninahitra
Ao amin’ny Romana 8. 30 isika dia mahita ny fifandraisan’ny fikasàn’Andriamanitra sy ny fotoan’andro ankehitriny. Fony vao teraka isika, dia efa nitodi-damosina tamin’Andriamanitra, satria efa mpanota sahady. Niantso antsika nefa Andriamanitra. Tsy antso faobe mandidy ny olona rehetra hibebaka no ambara eto, fa, araka ny voalaza, dia ny asam-paharian’Andriamanitra, “Izay (...) miantso ny tsy nisy toy ny misy” (Romana 4. 17). Izay nantsoiny àry dia nohamarininy.
Ny zavatra rehetra, eto, dia hita avokoa araka ny fijerin’Andriamanitra sy araka ny fikasàny. Fony voasoratra ny epistily ho an’ny Romana, dia mbola tsy voantso tanteraka avokoa, tsy akory, ny olona nofidina rehetra.
Ny zava-misy, dia olona vitsy kely monja no voafidy, satria ny resahina, eto, dia ny fifidianana talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, ary amin’ny Fiangonana ihany no iresahana izany. Ny Israely sy ny mino aorian’ny fampakarana ny Fiangonana, dia samy voafidy hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao (Apokalypsy 13. 8 ; 17. 8 ; Matio 25. 34).
Mbola tsy voantso avokoa ny olona rehetra, ankehitriny. Aloha kelin’ny fampakarana ny Fiangonana vao ho tanteraka izany, satria izay vao ho feno izy ireo. Ao amin’ny fikasàn’Andriamanitra, nefa, dia efa voatendry mazava izany. Ary izany no mahatonga ny teny faminaniana hilaza izany zavatra izany toy ny efa tanteraka sahady. Na dia ny fanafiana voninahitra, aza, dia aseho ho tahaka ny efa tanteraka, na dia ambaran’ny Romana 5. 2 ho fanantenana aza ny voninahitr’Andriamanitra, ka lazaina ao amin’ny Romana 8. 11 fa mbola hovelomina ity tenantsika mety maty ity. Fa efa mitoetra tsara avokoa ny zavatra rehetra. Izay rehetra ilaina mba hanomezana antsika ny anjara toerantsika, noho ny fifidianana ataon’ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ho tanteraka amin’ ny alalany avokoa, fa tsy misy na inona na inona ataontsika. Izany no antoka ho antsika.
Andriamanitsika sady Raintsika
Ny Efesiana 1 dia mamelabelatra bebe kokoa ny amin’izany. Ao amin’ny andininy faha-3, Andriamanitra dia antsoina hoe “Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika”. Amin’ny maha-olona Azy, i Jesoa dia manao hoe “Andriamanitro” (ohatra, ao amin’ny Matio 27. 46). Amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, dia Andriamanitra no Rainy (Jaona 17. 1 ; 5. 17-18 ; sy ny hafa). Taorian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty, dia nakambany tao anatin’ izany endri-pifandraisana amin’Andriamanitra izany ny mpianany, ka hoy Izy : “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20. 17). Marina fa nisy, ary misy fahasamihafana, satria Izy tsy manao hoe “Raintsika” sy “Andriamanitsika”. Izy dia mitoetra hatrany ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro. Na izany aza, nefa, Andriamanitra dia tonga Andriamanitsika sy Raintsika ao amin’i Jesoa Tompo.
Ao amin’ny Efesiana 1. 4-5 dia mitovy amin’izany ny toerana natolotra antsika, noho ny fifidianana. Ao amin’ny andininy faha-4 dia hitantsika ny toerana misy antsika eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny maha-Andriamanitra Azy ; ary ao amin’ny andininy faha-5 kosa, ny toerana misy antsika eo anatrehany, amin’ny maha-Ray Azy. Voafidy tao amin’i Kristy isika, mba hanana izany toerana izany ao anatin’ny fahatanterahana. Efa ananan’i Kristy rahateo izany, noho ny voninahiny manokana sy noho ireo zony manokana. Isika kosa dia mandray izany ao aminy.
Masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany amin’ny fitiavana
Ny andininy faha-4 sy faha-5 ao amin’ny Efesiana 1 dia manao hoe : “Araka ny nifidianany (Andriamanitra) antsika tao aminy (tao amin’i Jesoa), fony mbola tsy ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana.”
Eto, dia apetraka eo anatrehantsika ny toetra maha-Andriamanitra an’Andriamanitra. Andriamanitra dia masina, amin’ny maha-Izy Azy, tsy manan-tsiny raha eo amin’ny asany, ary fitiavana no maha-Izy Azy (1 Jaona 1. 5 sy 4. 8, 16). Koa raha tiany ho eo anatrehany isika, dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny maha-Izy Azy. Ahoana moa no ahazoan’izay olombelona maloton’ny fahotana, mijoro eo anatrehan’Andriamanitra, dia Ilay Masina indrindra, tsy mahazaka ny ota ka hanipy izay rehetra mamofona fahotana any amin’ny farihy afo, indray andro any ? Nifidy antsika Izy, mba hanahafantsika ny toetra maha-Izy Azy. Tsy izany ihany, nefa, fa isika dia mila sy afaka mizara izay ao anatin’ny fony sy izay ao an-tsain’Ilay Andriamanitra Fitiavana. Izany no ilazana hoe “eo anatrehany amin’ny fitiavana”.
Araka izany, rehefa tonga eo anilany isika, dia ho “masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany amin’ny fitiavana”. Izay rehetra mbola mampitamberina ny fahotana ao amintsika dia hesorina avokoa ; ireo fahalemena sy ny tsiny ary ny fahotana rahateo dia halàna. Tsy ao anatintsika intsony ilay atao hoe nofo. Efa tahaka izany sahady, nefa, no ahitan’Andriamanitra antsika. Tsy hitany afa-tsy ao anatin’ny fiainantsika vaovao isika, dia izay nomen’i Jesoa Tompo antsika. “Voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo, mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2. 10). “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14). “Fa tahaka Azy isika, eo amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 17). Fahasoavana lehibe ho antsika mpanota mahantra izany !
Mba ho Azy amin’ny fananganana anaka isika
Tsy izany ihany nefa. Afaka ho nahazo izany zavatra voatanisa rehetra izany isika, nefa dia mpanompo ihany, eo imason’Andriamanitra. Ny anjely koa, mantsy, dia tokony hifanaraka amin’ny voninahitra sy ny fahamasinan’Andriamanitra. Saingy “notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika, mba ho Azy amin’ny fananganana anaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy” (Efesiana 1. 5). Araka izay voalaza eto, dia manana fifandraisana mazava amin’Andriamanitra isika, dia fifandraisan’ny ray amin’ny zanany, ary fifandraisan’ny zanaka amin’ ny rainy. Noho ny asa fanavotana nataon’Ilay Zanak’Andriamanitra teo amin’ ny hazofijaliana, dia nataony mitovy toerana aminy isika, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka tonga zanak’Andriamanitra. Eto, araka ny Efesiana 1, dia hitantsika fa Andriamanitra no efa nanendry antsika ho amin’izany, talohan’ ny nanorenana izao tontolo izao. Efa tamin’izany no nanapahan’Andriamanitra fa izany no toerana tokony hisy antsika. Inona nefa no antony nanaovany an’ izany ? Satria izany no “ankasitrahin’ny fony”. Ny fitiavany irery ihany no loharanon’izany fitahiana rehetra izany.
Ny kristianisma dia manana toetra mandrakizay
Misy fehin-kevitra lehibe kokoa, nefa, azontsika tsoahina amin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo, dia ny hoe : Nofidiny tao amin’i Kristy isika, « fony mbola tsy ary ny fanorenan’izao tontolo izao ». Izany fifidianana izany dia ivelan’ny fotoana, ary efa natao talohan’ny niantombohan’ny fotoana aza, ka haharitra mandrakizay, fa tsy natao ho an’ny eto an-tany. Ny andininy faha-3, avy eo, dia miresaka momba ny fitahiam-panahy any an-danitra. Israely no vahoaka voafidy ho an’ny teto an-tany (Eksodosy 19. 5 ; Levitikosy 25. 2, 23 ; Deoteronomia 7. 6). Ao amin’ny Matio 25. 34 sy ny manaraka, kosa, dia voalaza koa ho an’ny ondry hoe : “… mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.” Fitahiana etỳ an-tany izany (fanjakana), ary mifamatotra amin’ny fotoana (hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao).
Mampiseho ny toerana manokana omena antsika izany. Isika dia ao anatina vondrona iray (dia ny kristianisma), ary anisan’ny tena iray (dia ny Fiangonana), izay samy ivelan’ny fotoana avokoa. Ny fiandohan’ireo dia talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, fony Andriamanitra nanorina azy ireo tao amin’i Kristy. Tsy an’izao tontolo izao ireo (Jaona 17. 14 sy ny manaraka), ary haharitra aorian’ny fahalevonan’izao tontolo izao. Sady ara-panahy ny toetrany, no mandrakizay koa. Manazava tsara amintsika ny toetran’ny kristianisma izany.
Noho izany, ny Efesiana 1. 3-5 dia tsy miresaka ny amin’ny andraikitra sy ny vokany. Izany mantsy dia nanomboka tamin’ny naharìna an’i Adama sy ny nametrahana azy tao amin’ny saha Edena, ary hifarana aorian’ny fitsarana eo anatrehan’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe (Apokalypsy 20).
Tao amin’ny saha Edena dia nisy hazo roa karazana : ny hazo fahalàlana ny tsara sy ny ratsy, izay manambara ny amin’ny andraikitra, araka ny voalaza hoe : “fa amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2. 17), ary ny hazon’aina, izay manambara ny amin’ny fiainana. Nihinana tamin’ilay hazo voalohany i Adama, ka dia tsy afaka nihinana tamin’ilay faharoa intsony, satria efa nandray ny sazy vokatr’izany, dia ny fahafatesana.
Eo amin’ny hazofijaliana dia ahitantsika ireo hazo roa ireo tafakambana. Ny Tompo Jesoa dia nitondra ireo vokatry ny andraikitra, ho an’izay mino Azy ; ary noho ny nitsanganany tamin’ny maty, kosa, dia nomeny azy ireo ny fiainana. Izy no ilay hazon’aina.
Izay rehetra momba ny andraikitra, nefa, dia miankina amin’ny fotoana, ary eto an-tany ihany, ka tsy tafiditra ao amin’ny fikasàn’Andriamanitra momba ny mandrakizay. Nilaina nefa izany, ka izany no nampisy ny fifidianana “tao aminy”, dia tao amin’i Kristy izany. Koa ny teny sy ny fikasàn’Andriamanitra rehetra dia naseho avokoa taorian’ny hazofijaliana, nony tonga lohan’ny zavaboary vaovao, izany hoe ny ankohonan’Andriamanitra, Ilay Adama farany. Mahavariana ny mandinika ny halalin’ny fisainan’Andriamanitra sy ny fahendreny ! Ary isika ihany koa dia afaka mahatsiaro fa anisan’izay tao anatin’ireo fikasana ireo.
Mirary soa sy manao mandra-pihaona.
Ilay rahalahinareo voafehin’ny fitiavan’Andriamanitra.
H. L. H.
KRISTY, MPISORONABENTSIKA
Ry sakaiza malala isany,
Rehefa mahafantatra izay zavatra ananan’ny mpino ny olona iray, izany hoe :
— voavela ny helony, ary vita fihavanana amin’Andriamanitra izy,
— noho ny fahateraham-baovao, dia efa nandray fiainam-baovao izy, toetra vaovao, dia fiainan’Andriamanitra izay tsy mahay manota,
— Andriamanitra efa nanameloka sy nanaisotra izany toetra mpanota izany teo amin’ny hazofijaliana, ka noho izany dia ao amin’ny fiainam-baovaony ihany, sisa, no ijeren’Andriamanitra ny mpino ; ary dia tsy misy fanamelohana intsony, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa,
— ny Fanahy Masina no monina ao anatiny, noho izany izy dia afaka tamin’ny herin’i Satàna sy izao tontolo izao ary ny ota, ka afaka manompo an’Andriamanitra,
— tonga ankasitrahina ao amin’Ilay Malala izy, ka dia afaka mifaly sahady amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra, satria mahalala fa efa vonona ho azy izany,
dia afaka mihevitra fa tsy misy na inona na inona ilainy intsony, ambonin’ izany.
Eny, raha ny mikasika ny mandrakizay sy ny lanitra, dia azo antoka izany. Saingy ambonin’izany, dia mbola manana zavatra ilaina ihany ny kristiana, eto an-tany. Satria izy zanak’Andriamanitra sy mponin’ny lanitra (Filipiana 3. 20), dia vahiny etỳ ambonin’ny tany. Ary satria koa izy mizotra mankany an-danitra, dia mpivahiny ihany. Ambonin’izany, efa nafahana tamin’ny herin’ny devoly izy, ka te hanompo an’Andriamanitra, satria izany no fanirian’ny fony. Amin’ izany, nefa, dia mifanohitra tanteraka amin’ny devoly sy ny tsy mino ny toerana misy azy. Ny asan’ny devoly, raha tsorina, dia ny tsy famelana ny olona hankatò an’Andriamanitra. Noho izany, dia hasehony avokoa ny heriny sy ny hafetseny rehetra, mba hitaomana ny mpino tsy hankatò an’Andriamanitra, ka hanota. Eo amin’ny olona tsy mino, moa, dia tsy manana olana izy, ny amin’ izany. Tsy te hankatò an’Andriamanitra rahateo, mantsy, ireny. Te hanota ny fony, ary rehefa manota izy ireo, dia afa-po (Genesisy 6. 5 ; Marka 7. 20-23 ; Romana 3. 10-12).
Izany no fototra manetsika izao tontolo izao sy iarahan’ny olombelona miaina. Mba tsy hiankinany amin’Andriamanitra, sy mba hahazoany manao izay sitraky ny eritreriny, dia nivondrona izy (Genesisy 9. 1 sy 11. 4-9). Saingy satria tsy afaka ny hahaleo tena ny olombelona, dia naka ny devoly ho mpanjakany ; ary rehefa nandà Ilay Zanak’Andriamanitra izy, dia nanao ny devoly ho andriamaniny (Jaona 12. 31 ; 2 Korintiana 4. 4).
Ny hetahetan’ny kristiana, izany, dia mifanohitra tanteraka amin’ny an’izao tontolo izao. Noho izany, ny kristiana dia mampihomehy sy manafintohina ny tsy mino, ary hàlany. Ao amin’ny Jaona 7. 7, ny Tompo Jesoa dia manao amin’ ny olona tsy mino hoe : “Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao ; fa Izaho no hàlany, satria milaza fa ratsy ny asany.” Ny mino, kosa, dia lazainy, ao amin’ny Jaona 17. 14 hoe : “Halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy, tsy naman’izao tontolo izao”. Ary ao amin’ny Jaona 16. 33 dia hoy Izy amin’ny mpianatra : “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana”.
Ny hany eken’izao tontolo izao, dia ny kristiana tsy mitondra tena araka ny maha-kristiana azy, fa tia ny zavatra tiany, ka mbola mipetraka eo ambany fanandevozan’i Satàna. Fivadihana amin’Andriamanitra nefa izany. Ankehitriny, ny kristiana tahaka izany dia hantsoina hoe “mpamadika” (izany hoe olona miara-miasa amin’ny fahavalo).
Eto no manomboka ny adin’ny kristiana. Taomin’ i Satàna mandrakariva izy ireo mba hanota. Bitsihiny hevitra maloto sy feno ota. Anehoany zavatra maha-meloka. Ampandrenesiny teny tsy mendrika, ary taominy ho any amina toerana ratsy. Ambonin’izany, dia atosiny izao tontolo izao haneho ny fanoherany azy. Izany rehetra izany dia mampitondra fahoriana ilay olona vaovao. Ilay toetra taloha (izany hoe ilay toetra tsy maniry afa-tsy ny hanota, ka ahitan’i Satàna fomba maro ifandraisana) dia mbola ao anatin’ny mino ihany. Ary dia loza, fa mety handresy ny kristiana i Satàna, ka hitaona azy hanota.
Saingy soa ihany, fa eo koa, ny fitiavan’Andriamanitra dia efa nanomana ny zavatra rehetra.
Kristy, mpisoronabentsika
Izany dia aseho antsika ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo. Lazaina, ao, fa mpivahiny sy vahiny ny kristiana. Mizotra mankany amin’ny voninahitra izy (11. 40), satria mandray “fiantsoana avy any an-danitra” (3. 1). Saingy ankehitriny izy dia mbola atỳ an-taniefitra, izay misy zava-tsarotra sy loza maro. Noho izany, dia aseho antsika Ilay mpisorona. I Jesoa Tompo, Izay any an-danitra, no mpisoronabe mifona ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra noho ny amin’ ireo zava-tsarotra sy loza atrehintsika.
Heverin’ny maro fa ny fisoronana ataon’ny Tompo Jesoa dia misy ifandraisana amin’ireo fahotantsika, saingy amin’ny ankapobeny dia tsy tena marina loatra izany. Ekena fa ny niantombohan’ny asa maha-mpisoronabe Azy, dia noho ny fahotantsika. Ny Hebreo 2. 17 dia milaza hoe : “Mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra (Izy), mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona”. Ny Hebreo 10. 12 ihany koa, nefa, milaza amintsika hoe : “Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.” Ary ao amin’ny andininy faha-14 dia ahitantsika hoe : “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.”
Ny epistily ho an’ny Hebreo dia mijery ny fifandraisan’ny mpino amin’Andriamanitra, amin’ny maha-zavaboary azy. Efa notanterahin’i Jesoa Tompo teo amin’ny hazofijaliana ny asam-panavotana, ary izany dia nankasitrahin’Andriamanitra tanteraka, ka dia voaravona mandrakizay ny amin’ny resaka fahotana. “Nahazo fanavotana mandrakizay” Izy (9. 12). Ny mpino dia efa natao tanteraka ho mandrakizay (10. 14). Naseho i Kristy “mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (9. 26).
Tsy resahina intsony ny fahotana eo amin’Andriamanitra sy ny mpino. Noho izany, dia tsy resahina intsony koa izany, ato amin’ny epistily ho an’ny Hebreo. Ireo fahotana izay mbola ataon’ny mpino taorian’ny niovany fo, dia tsy jerena intsony eo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olona noarìny, fa eo amin’ny fifandraisan’ny Ray amin’ny zanany. Izany no hitantsika ao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona.
Mpisorona any an-danitra
Na dia teto an-tany aza, aloha, tamin’ny voalohany, no toerana nanatanterahan’i Jesoa Tompo ny maha-Mpisoronabe Azy, ary izany fisoronany izany dia marina fa misy ifandraisany amin’ny fahotana, dia efa tsy izany intsony izy, ankehitriny.
Rehefa nahatanteraka ny asam-panavotana ny Tompo Jesoa dia efa “mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra”, any an-danitra. “Mpisoronabe tahaka izao no mendrika ho antsika, dia … natao avo noho ny lanitra” (7. 26). “Koa raha etỳ ambonin’ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy” (8. 4).
Isika, izany, dia manana Mpisorona any an-danitra, Izay efa nanefa ny trosam-pahotantsika rehetra, ary ankehitriny Izy dia “velona mandrakizay hanao fifonana” ho antsika (7. 25).
Iza moa io Mpisorona io ? Ny Hebreo 1 dia milaza fa Ilay Zanak’Andriamanitra izany. Noho izany, dia afaka mifona mandrakariva ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra Izy. Iza moa no ho afaka manao izany, afa-tsy Andriamanitra ihany ? Saingy mba hahazoany mifona ho an’ny olombelona, dia tsy maintsy tonga olombelona Izy. Ny Hebreo 2 dia milaza amintsika fa tena tonga olombelona tokoa Izy. Izy no Zanak’olona. Olona Izy, ary olona noho i Adama, aza, satria “nateraky ny vehivavy” (Galatiana 4. 4).
Zavatra mahatalanjona izany ! Andriamanitra tonga nofo ! “Ary ny Teny dia tonga nofo” (Jaona 1. 14). Ilay Nahary ny lanitra sy ny tany, Ilay Nahary ny olombelona, dia tonga olombelona.
Ny Hebreo 2 dia manome antsika antony roa nahatongavan’i Jesoa Tompo ho nofo. Ny andininy faha-14 ka hatramin’ny faha-17 dia milaza fa tonga olona Izy mba hanatanteraka ny asam-panavotana noho ny fahotantsika, ary hanafaka antsika amin’ny fahefan’ny devoly sy ny fahafatesana. “Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky” mantsy Izy (and. 17). Tsy manambara zavatra bebe kokoa amin’ny fontsika ve izany ?
Ny Tompo Jesoa dia nahafantatra izay ho toetrantsika. Fantany ireo loza sy zava-manahirana hodiavintsika. Izany no nahatongavany ho olona, ary niaina ireo zavatra rehetra iainantsika Izy, mba hianatra hahafantatra, sady hanandrana, ireo zava-tsarotra rehetra, ny fahoriana rehetra, ireo fakàm-panahy rehetra, mba hahazoany manampy antsika hiatrika ireo zavatra ireo, satria efa fantany.
Nianatra fanarahana Izy
Fantany ny atao hoe mankatò an’Andriamanitra, ho antsika, izay miaina eo anivona tontolo ratsy fanahy. Moa ve tsy nianatra fanarahana Izy (Hebreo 5. 8) ? Tsy tokony ho nankatò Izy, satria Izy no Ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Saingy tonga olombelona sy niaina tetỳ an-tany Izy, ka nianatra nankatò. “Ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra”, hoy Izy ao amin’ny Isaia 50. 4-5. Tsapany koa, nefa, ny dikan’izany, ao anatin’ity izao tontolo izao mpankahala an’Andriamanitra ity. “Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolombava ; ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko” (and. 6 DIEM). Nokapohina Izy, raha nilaza ny marina (Jaona 18. 23). Nanao ahoana moa ny nandraisany ny filazan’ny olona Azy, Ilay Andriamanitra masina, hoe : “Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Ianao, sady manana demonia ?” (Jaona 8. 48-52) ! Tsapany ihany koa, nefa, ny herin’ Andriamanitra, izay tsy miova fa azony itokisana, ka nanaovany hoe : “Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka tsy resin-kenatra Aho ; ary efa nohamafisiko tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho. Efa akaiky Izay manamarina Ahy” (Isaia 50. 7-8).
Mila mianatra mankatò isika, satria zavaboary zatra tsy mpankatò sady mpanota. Tsapan’ny Tompo tsara izany ezaka tokony hataontsika izany. Raha noho ny fankatoavantsika no anarabian’ny olona sy anesoany antsika, ka mety hamoizantsika zavatra maro na hanimba ny asantsika, ary amin’ny ankapobeny, amin’izay zavatra diavintsika rehetra etỳ an-tany, dia afaka miombom-po tanteraka amintsika Izy, ary tonga manampy antsika (Hebreo 2. 18) sy mivavaka ho antsika “mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).
Ny fankatoavana an’Andriamanitra dia midika fa mila mihataka amin’izay olona na zavatra mamin’ny fontsika isika. Eny, mety tsy ho ratsy ho azy, tsy akory, ireo, sady samy noraisintsika avy amin’Andriamanitra avokoa. Indraindray tokoa Izy dia manaisotra amintsika izay mamin’ny fontsika indrindra eto an-tany. Fantatr’i Jesoa Tompo izany, satria efa niainany. Takiany amintsika, angamba, ny miala amin’ny sakaiza tiana, ho fankatoavana Azy, satria mety tsy ho afa-miara-dàlana amintsika ireny. Mety mila mandao ny asa aman-draharahantsika koa angamba isika ; eny, fa na dia ny asa ara-panahy nirintsika hatao ho an’ny Tompo sy efa nankininy tamintsika izao, aza, dia mety hasainy ilaozantsika. Afaka matoky isika fa mahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo. Nanaiky hietry Izy, dia nankatò hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana (Filipiana 2. 8). Niady mafy Izy tao Getsemane, ary nitaraina hoe : “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity” (Lioka 22. 42). Tsy tokony ho nihemotra teo anoloan’izany làlan’ny fankatoavana an’ Andriamanitra izany ve ny fanahiny masina ? Làlana sarotra dia sarotra tokoa ny nizoran’Ilay Masina, Izay “nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2. 24), ka “natao ota hamonjy antsika” (2 Korintiana 5. 21) ; ary nandao Azy teo Andriamanitra, ary nampihatra taminy ny fanamelohana sahaza antsika (Matio 27. 46 ; Zakaria 13. 7 ; Romana 8. 3) ! Eny, nizotra tamin’ny làlan’ny fankatoavana tanteraka Izy, ary tsy hisy zanak’Andriamanitra, na iza na iza, handia izany làlana izany : tsy hahavita tahaka izany velively isika. Noho izany, dia tsy hisy koa sorona ataontsika ho fankatoavana, ka tsy hahafantaran’Ilay Mpisoronabentsika izay ao am-pontsika, na tsy hahazoany ny adintsika. Saingy satria nahatanteraka hatramin’ny farany izany làlan’ny fankatoavana izany Izy, ka afaka nanao hoe : “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22. 42), dia fantany koa, satria efa niainany, ny fandraisan’ny fo an’Andriamanitra, raha mandalo izany, ary ny fanampiana omen’Andriamanitra. Hoy ny voasoratra : “Ary nisy anjely avy tany an-danitra, niseho teo aminy ka nampahery Azy” (Lioka 22. 43). Izany no anampiany antsika, mba “hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).
Ireo fakàm-panahy ataon’ny devoly
Rehefa tonga maka fanahy antsika i Satàna, dia ory ny fontsika. Manao ahoana ny fahorian’ilay olona vaovao ao anatintsika, rehefa tonga ny devoly, manisika saina tsy madio ao amintsika, na mitaona ny fontsika tsy hankatò, na mampitombo tsy mitsahatra ireo fanafihany, na mampivily ny saintsika rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, na koa mampitsiry hevitra ratsy ao anatin’ny fontsika rehefa mivavaka isika, sy amin’ny fotoana tokony hanandratantsika fanahy mandritra ny fivoriana.
I Jesoa Tompo dia nalain’i Satàna fanahy, ary mbola tsy nisy olona nandalo ny toy izany. Nalaim-panahy nandritra ny efapolo andro Izy (Lioka 4. 2). Namely Ilay masina sy madio, tamin’ny heriny sy ny hafetseny rehetra, i Satàna.
Nanomboka tamin’ny fahalavoana, dia tsy nanana olana velively ny amin’ ny olona i Satàna. Nahita mpiray tsikombakomba mahery taminy izy, tao anatin’ny fo mpanota (finaritra ao amin’ny fahotana) izay ao anatin’ny olona lavo. “Izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny andro” (Genesisy 6. 5).
Tsy mba tahaka izany i Adama, talohan’ny fahalavoany. Noarìn’Andriamanitra ho madio izy, saingy fanafihana iray monja dia ampy nahalavo azy, na dia tsy nahita làlana ifandraisana taminy tao anatin’ny fony aza i Satàna. Lavo i Adama, ary lasa andevon’i Satàna.
Tao amin’i Jesoa, dia olom-baovao no teto an-tany, olona tsy mba nanana fo mpanota. “Tsy nahalala ota” Izy. Namely azy koa i Satàna, saingy hafa ny fandehan’ny ady, teo.
I Adama dia voatafika tao anatin’ny saha Edena, izay feno zavatra naneho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony. I Jesoa Tompo kosa dia tany an-taniefitra —izay marika lehibe amin’ny ozona eto amin’ity tany ity—, ary tsy nisy na inona na inona ho Azy tany. Nanampatra ny heriny sy ny hafetseny i Satàna, teo, mba hahatonga Ilay Masina ho lasa mpanota. Naharitra efapolo andro ny ady, ary nandritra izany i Satàna dia nampiasa ny fiadiany rehetra, nefa dia resy. I Satàna no lasa, fa tsy ny Tompo Jesoa. Iza amintsika moa no afaka milaza ny amin’ny fakàm-panahy nahazo ny Tompo ? Iza no mahalala tanteraka ny hafetsen’i Satàna sy ny tetik’ady rehetra nampiasain’ ilay andrianan’ny haizina ? Ireo karazana fakàm-panahy telo farany ihany mantsy no voatantara tamintsika. Nanao ahoana ny hamafin’izany, ho an’Ilay madio, masina, ho an’Ilay “tsy nahalala ota”, nifanandrina tamin’izany karazam-piadian’ny maizina rehetra izany ? Nanao ahoana ny fahorian’ny fanahiny, izay masina ! Koa izany no hahatsapany tsara izay mianjady amintsika sy iombonany tanteraka amintsika, rehefa manampatra ny hafetseny amintsika i Satàna ! Misy tokoa ve fakàm-panahy ataony amintsika ka tsy efa nampandaloviny tamin’ny Tompo Jesoa ? Noho izany, dia tena afaka manampy antsika tokoa ny Tompo Jesoa. Nivavaka ho an’i Petera Izy, mba tsy hangozohozo ny finoany. “Satria nalaim-panahy ny tenany, tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy” (Hebreo 2. 18). “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra, tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota” (Hebreo 4. 15).
Ny fiombonam-pony
amintsika
izay ao anatin’ny zava-tsarotra sy ny fahoriana manjo antsika
Raha mamoy hava-malala isika, iza moa, mihoatra noho Ilay nitomany teo amin’ny fasan’ny sakaizany, no afaka hahatsapa ny alahelon’ny fontsika ? Rehefa mahatsiaro ho irery isika, iza moa no tena nanirery noho Izy, Izay niantsoantso hoe : “Tsy mahita tory aho, sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampon-trano” (Salamo 102. 7) ? Rehefa mandao antsika ireo namana, iza no afaka mahatsapa ny mahazo antsika mihoatra Azy, satria voalaza fa : “Samy nandao Azy izy rehetra, ka nandositra” (Marka 14. 50) ? Rehefa tsy azon’ny olona ny mahazo antsika, na koa raha toa ka tsy maneho fiombonam-po amintsika akory ireo izay itantarantsika ny zava-manahirana antsika, iza no afaka hahazo ny manjo antsika, mihoatra noho Izy, Izay navela ho irery tanteraka, ka niantsoantso hoe : “Niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita” (Salamo 69. 20) ? Raha niteny tamin’ny mpianany Izy, fa hatolotra tamin’io alina io, ka ho faty ho azy ireo, ary ny iray taminy kosa hamadika Azy, dia tsy nahatsapa afa-tsy tsy firaharahàna Izy, teo amin’ireo izay nifanditra hahalala izay ho lehibe amin’izy ireo (Lioka 22. 19-24). Rehefa mila fahazavana isika, iza no afaka manampy antsika, tahaka Azy, Izay voalaza im-pito ao amin’ny filazantsara araka an’i Lioka, fa nandeha nivavaka ? Eny, nandany alina tontolo Izy mba hivavahana, rehefa misy zava-dehibe hataony.
Izany no Ilay Mpisoronabentsika any an-danitra, Izay “velona mandrakizay, hanao fifonana” ho antsika (Hebreo 7. 25). Tsy misy zava-tsarotra mahakasika ny tenany intsony, satria efa vita ny adiny. Amin’izany Izy dia afaka manampy antsika tanteraka, satria efa nandalo tamin’ireo ady mianjady amintsika sy ireo zavatra ilaintsika.
Raha mandalo zava-manahirana aho, ka mahatsiaro ho kivy eny an-dàlana, dia manana Ilay mampahery sy manampy ahy, dia i Jesoa Kristy, Izay mifona ho ahy. Izy moa, raha mifona ho ahy, dia efa mahafantatra tsara ny fampiononana izay omen’ny fahasoavan’Andriamanitra, satria efa nandray izany, nandritra ny niainany tetỳ an-tany, fony nandalo zava-tsarotra tahaka izany. Fantany fa ampaherezina sy ampiononina ny fanahy, rehefa mandalo zava-tsarotra. Manome ahy ny zavatra rehetra Izy, ary mangataka amin’Andriamanitra ho ahy, noho ny fahatsapany tanteraka ny manjo ahy sy izay ilaiko. Mila fanazavana ve aho, na koa mila fitarihan-dàlana ? Afaka manome ahy izany rehetra izany Andriamanitra, ary raisko avy aminy izay rehetra mahasoa ahy. Izany, moa, dia noho ny asa sy fanampian’i Kristy irery ihany, Ilay Mpanalàlana ahy aminy.
Satria ve mivavaka aho, dia mahazo izany rehetra izany ? Ny Tompo Jesoa dia nivavaka ho an’i Petera, talohan’ny nahafantarany izay zavatra hitranga. Tsia ! Tsy miankina velively amin’izay mety ho vavaka ataontsika ny fifonany ho antsika. Ny fahasoavany, ao am-pony manokana, no manatanteraka ny zavatra rehetra. Ampahafantariny antsika izany, mba hanatonantsika “ny seza fiandrianan’ny fahasoavany, amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindràmpo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).
Manao veloma finaritra anareo.
Ilay sakaizanareo
H. L. H.
NY FAHATERAHAM-BAOVAO
Ry sakaiza malala isany,
Araka izay hitantsika tao anatina taratasy iray tany aloha, dia maty miaraka amin’i Kristy ny kristiana. Ratsy loatra ny toetran’ilay olona taloha, ka tsy maintsy nomelohin’Andriamanitra. Izany rahateo, miaraka amin’ny vahaolana omen’ Andriamanitra, no nohazavain’i Jesoa Tompo tamin’i Nikodemosy, ao amin’ny Jaona 3.
Raha ny tena izy, moa, dia manomboka ao amin’ny toko faha-2, andininy faha-23, ny resaka momba izany. Tao Jerosalema ny Tompo, tamin’io fotoana io. Nandritra ny fotoanan’ny fety, tahaka izay nataony tamin’ny Paska, dia nanao fahagagana Izy, hany ka “maro ny nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.” Izao nefa no voalaza, manampy izany : “Fa Jesoa tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra ; ary tsy nitady olona hanambara olona Izy ; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.” Ary nony avy nanatona an’i Jesoa ny iray tamin’izany olona izany, dia nahazo izao teny mavesatra izao taminy, hoe : “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra.”
Ny Zanak’olona, Izay any an-danitra
Ao amin’ny andininy faha-11 sy faha-13 amin’ny toko faha-3, ny Tompo dia dia mampiseho hoe iza Izy. Izy no Zanak’olona, Izay any an-danitra. Izany dia isan’ny zava-miafina mahatalanjona momba ny Tenan’i Jesoa. Ny Jaona 1. 1 dia milaza fa Izy dia Andriamanitra tenany, izany hoe Jehovah. Ao amin’ny andininy faha-14, nefa, dia hoy ny voasoratra, hoe : “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika”, dia Ilay “Andriamanitra … naseho teo amin’ny nofo” izany (1 Timoty 3. 16). Andriamanitra sy olombelona, tafaray ao amina Persona iray, zavatra saro-pantarina izany !
Andriamanitra mandrakizay ny Tompo Jesoa, saingy nanetry tena, ka dia tonga olombelona. Tsy milaza nefa izany, hoe tsy Andriamanitra intsony Izy. Tsy azo heverina izany. Nandray nofo aman-dra Izy (Hebreo 2. 4), ary tonga olona tokoa (Galatiana 4. 4 ; 1 Timoty 2. 5) ; saingy na dia olona aza Izy, dia Andriamanitra mandrakizay koa (Isaia 9. 6). Zazakely nandry teo amin’ny fihinanam-bilona Izy, nefa koa mihazona sy mitahiry ny zavatra rehetra. Raha sasatry ny dia Izy, indray andro, ka noana sy nangetaheta, dia nangataka rano tamin’ilay vehivavy Samaritana. Nasehony taminy fa Tsitoha izy, ka manome ny Fanahy Masina, ary mahalala ny zavatra rehetra, koa dia mahafantatra tanteraka ny fiainan’ilay vehivavy. Amin’ny maha-tena olona Azy, dia natory Izy, tao an-tsambokely ; saingy nitsangana kosa, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina. Rehefa nanonona ny Anarany Izy, dia lavo tamin’ny tany ny miaramila. Fotoana fohy taorian’izany, nefa, dia nisambotra sy namatotra Azy ireo, ary nandrora ny tavany sy nanaraby Azy.
Sady tetỳ an-tany Izy, fony niresaka tamin’i Nikodemosy, no tany an-danitra. Izy dia afaka nilaza hoe : “Izay fantatray no lazainay” (Jaona 3. 11). Nahafantatra Izy, ary Andriamanitra irery ihany no tena mahafantatra, araka ny tena hevitr’io voambolana io. Tsy nisy olombelona tany an-danitra ; ka noho izany, tsy misy afaka milaza ny amin’ny zavatry ny lanitra. Ny Zanak’olona, kosa, dia nidina avy tany an-danitra. Eny, mbola tany an-danitra Izy. Raha niresaka momba ny lanitra àry Izy, dia nilaza ny zavatra efa hitany, sy mbola hitany. Zavatra fantany rahateo no nolazainy, dia ny amin’ny lanitra izay Azy sy voninahiny. Tafaray ao aminy Andriamanitra sy ny olona, satria Izy dia sady Andriamanitra no olona, ao amina Persona iray. Izany no nahazoan’ny anjely nanambara, fony Izy teraka, hoe : “Fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahiny” ! (Lioka 2. 14). Fantany Andriamanitra sy ny voninahiny, ary fantany ihany koa ny olombelona.
Ny toetra maha-olona ny olombelona
Hitantsika ao amin’ny Jaona 2. 23-25, ny amin’ny fijerin’ny Tompo ny olona. Tsy mba olona tsy nino, izay ho nandà Azy ampahibemaso, tsy akory, ireo niresahany ireo, fa olona izay nahafantatra sy nanaja Azy ary resy lahatra ny amin’ny maha-Mesia Azy, noho ny famantarana izay nataony. “Nino ny anarany” ireo. Raha mijery maimaika isika, dia alaim-panahy hihevitra fa ireo no anisan’izay nolazaina ao amin’ny Jaona 1. 12 fa nomena hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Nefa izao no voalaza momba azy ireo : “Fa Jesoa tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra ; ary tsy nitady olona hanambara olona Izy ; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.”
Resy lahatra ireo olona ireo, saingy mbola tsy niova fo. Nino ny Anaran’i Jesoa ireo, saingy tsy nandray Azy (Jaona 1.12). Nahita ny fahagagana nataony ireo ; resy lahatra ny fony sy ny sainy, tamin’izany, fa Izy no Mesia. Maro ny tahaka azy ireo, tamin’izany andro izany, ary mbola an-tapitrisany koa, ankehitriny. Tsy misalasala izy ireny, ny amin’ny fahamarinana kristiana. Ny sainy sy ny fony dia manampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinana sy ny fahambonian’izany, ary izany no nanekeny ny finoana kristiana. Ny olombelona, amin’ ny toetra maha-olona azy fotsiny izao, dia manaiky tsara izany, satria mipetraka ho ambonin’ny fahamarinana sy ho ambonin’Andriamanitra, amin’izany. Mihevi-tena ho mahalala ny marina izy, ka izay eken’ny sainy sy (na) ny fony ho tsara no inoany,.
Hafa tanteraka kosa, nefa, ny zavatra rehetra, rehefa ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana ! Eo vao hita ny toeram-pahaverezana sy fahamelohana misy ny tena ; ka tsy ny hitsara an’Andriamanitra intsony, na ny hitsara izay nambarany, no mameno ny saina. Ny hany hita miharihary dia ny fahamelohan’ny tena, izay mahatonga hitalaho hoe : “Andriamanitra ô ! Mamindrà fo amiko, mpanota !”
Eken’ny olona ihany, amin’ny maha-olona azy, fa ilaina ny fahateraham-baovao, ho an’ny jentilisa sy ireo olona miaina ao amin’ny fahotana kivalavala. Fa ny tsy azon’ny olona, amin’ny maha-olona azy, dia ny hoe tsy maintsy ateraka indray ny isam-batan’olona, anisan’izany ny Jiosy, eny, na dia ny Fariseo aza, na dia ireo izay mankasitraka ny Tompo aza, ireo izay mino ny anarany, na dia i Nikodemosy aza, izay Fariseo, lehibe iray amin’ny Jiosy ary mpampianatra ny Israely, olona nanome voninahitra ny Tompo Jesoa, dia voninahitra faratampony azo omena ny olona, ary nanao hoe : “Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao ; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy” (Jaona 3. 2) ; na izany olona izany, aza, dia mila ateraka indray (Jaona 3. 7). Fa Ilay nanambara izany, moa, dia Ilay milaza izay fantany (Jaona 3. 11), satria Izy Ilay Andriamanitra mandrakizay. Tsy ny fahavalony ihany no itakiany an’izany, fa ireo manaiky Azy indrindra koa. Moa ve izany tsy mampahafantatra antsika ny toeram-pahaverezana tanteraka misy ny olombelona, sy ny tsy fahaizany manatona an’Andriamanitra, amin’ny toetra maha-olombelona azy ?
“Raha tsy ateraka indray ny olona,
dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra”
Ny Tompo, eto, dia miresaka ny amin’ny fanjakàn’Andriamanitra, araka izay nanehoana azy tamin’izany vanim-potoana izany. Rehefa haseho amin’ny voninahitra tsy ho ela izany, dia ho hitan’ny tany rehetra. Fa ankehitriny, aloha, dia mbola hafa dia hafa ny manoloana antsika, ao anatin’ny antsoiko hoe toetra maha-kristiana an’izany fanjakana izany, araka izay anehoana azy amintsika amin’ny alalana fanoharana maro.
Nony tonga tetỳ an-tany ny Tompo Jesoa, dia tonga tao Aminy ny fanjakàn’Andriamanitra. Izay nanaiky Azy sy nandray Azy marina, amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy ihany, nefa, no nahita izany fanjakana izany. Ireny irery ihany no nateraka indray.
Tsy manaitra antsika ve ny hoe na ny rahalahin’i Jesoa, aza, dia tsy nino Azy ? Voasoratra ao amin’ny Marka 3. 21, mantsy, hoe : “Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy ; fa hoy ireo : Efa very saina Izy” (Jereo koa ny Jaona 7. 5).
Nahafantatra ny Tompo nefa izy ireo ! Hitany isan’andro isan’ora, nandritra ny taona maro, ny fiainany masina sy tonga lafatra, tao Nazareta. Tsy nambaran’i Maria sy Josefa tamin’izy ireo ve ny nanambaràn’ny anjely ny amin’ny hahaterahany sy ny zava-mahagaga rehetra, tahaka izay voambara ao amin’ny Lioka 2, ohatra ? Izy ireo ve tsy nahare ny fanambaràna nataon’i Jaona Mpanao Batisa, izay zanak’olom-pirahavavy aminy ? Izy ireo ve tsy nahita maso ny famantarana amam-pahagagana nataon’i Jesoa ? Hoy i Jaona : “Hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray” (Jaona 1. 14). Raha nisokatra ny lanitra, ka re ny feon’Andriamanitra nanambara hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako” (Marka 1. 11), ny havany kosa dia nilaza Azy ho very saina, ka te hihazona Azy. Izany no manaporofo ny fahamarinan’ny tenin’i Jesoa manao hoe : “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra.”
Nateraka indray
Tsy araka izay niheveran’i Nikodemosy azy, tsy akory, ny dikan’izany, na araka ny ambaran’ny filôzôfia sy ny anganonganon’ny jentilisa maro, ka ilazany fa hateraka indray tahaka ny zazakely ny olona efa antitra, na hiova ho toy ny zatovo fotsiny. Ny zaza vao teraka dia mitovy toetra amin’ny ray aman-dreniny, fa tsy ho tsara noho izy ireo velively, tsy akory. I Seta, zanak’i Adama taorian’ny nahalavoany, dia mitovy endrika amin’ilay rainy, izay mpanota ihany (Genesisy 5. 3). Hoy i Joba : “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy, na dia iray akory aza” (Joba 14. 4) ! Ary ny Romana 5. 19 dia manambara amintsika fa noho ny tsy nankatoavan’i Adama, dia tonga mpanota avokoa ny taranany rehetra. “Izay ateraky ny nofo dia nofo” (Jaona 3. 6). Na dia ateraka impolo tahaka ny teo ihany aza, mantsy, i Nikodemosy (izany hoe nateraka ray aman-dreny mpanota), dia tsy misy na inona na inona miova, raha ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
Mila hateraka indray[2] ny olona (Jaona 3. 3), izany hoe amin’ny fomba vaovao tanteraka, dia avy amina loharanon’aina vaovao. Lazain’i Jesoa ao amin’ ny Jaona 3.5 ny amin’izany loharanon’aina vaovao izany, ka hoy Izy : “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakàn’Andriamanitra izy.” Ny rano, ao amin’ny Soratra Masina, dia fantatra fa kisarisarin’ny Tenin’Andriamanitra izay miasa amin’ny olona, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny Efesiana 5. 26 dia manambara izany mazava ; tahaka izany koa ny Jaona 13. 10, izay ampitahaina amin’ny Jaona 15. 3.
Manadio izay rehetra sasàna aminy ny rano. Ny tenin’Andriamanitra, izay ampiharin’ny Fanahy Masina, dia manadio ny fironan-tsain’ny olona sy ny eritreriny ary ny zavatra ataony. Miaraka amin’izany, ny Fanahy Masina dia mitondra fiainam-baovao ao amin’ny olona, amin’ny alalan’ny Teny, fiainana hafa tokoa, tsy manana ny toetran’ireo ray aman-dreny niteraka, fa kosa ny toetran’Ilay manome fiainana. “Izay ateraky ny Fanahy dia fanahy” (Jaona 3. 6).
Hamafisin’ny Soratra Masina ombieny ombieny, moa, fa vokatry ny Tenin’ Andriamanitra ny fahateraham-baovao. Hoy i Paoly, manoratra ho an’ny Korintiana : “Izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesoa, tamin’ny filazantsara” (1 Korintiana 4. 15). Hoy ny voasoratra ao amin’ny Jakoba 1. 18 : “Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika, tamin’ny teny fahamarinana.” Hoy koa i Petera : “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo, tamin’ny fanarahana ny fahamarinana … fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1. 22-23). Ao amin’ny 1 Tesaloniana 1. 5 dia voalaza miaraka ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina.
Ny Tompo dia manambara ny amin’ny tsy maintsy ahaterahana indray, mba hahazoana miditra ao amin’ny fanjakàn’Andriamanitra, satria Nikodemosy izay niresahany, dia anisan’ny lohan’ny Jiosy. Raha ny fomba firesaky ny Tompo no heverina, araka izay nanoratan’i Jaona azy hatrany hatrany, dia afaka misintona hevitra fototra iray isika, dia ny hoe : hatramin’ny fahalavoana tao Edena ka mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao, dia tsy maintsy ilaina ny fahateraham-baovao, mba hahazoana manana fifandraisana amin’ Andriamanitra.
“Tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona”
Raha manambara ny amin’ny zavatry ny lanitra ny Tompo, manomboka ao amin’ny Jaona 1. 12, dia misongadina ny zava-dehibe iray ilaina. Ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra, dia mahalala ny voninahitry ny lanitra, izay fonenan’Ilay “mazava”, izay tsy misy maizina ao aminy (1 Jaona 1. 5). Raha hiditra ao amin’izany voninahitra izany ny olombelona, dia tsy maintsy voalamina, aloha, ny momba ny ota. Mila afa-po ny amin’ny momba ny ota Ilay Andriamanitra, Izay voatsiratsira loatra, noho ny fahotan’ny olombelona. Ny olombelona dia tsy maintsy voadio amin’izay rehetra manakana azy tsy hiditra ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Ahoana àry no hahazoan’ny olombelona, izay mpanota be lavitra noho ny tamin’ny nandroahana azy hiala tao Edena, miditra any amin’ny paradisa any an-danitra, izay fonenan’Andriamanitra ?
Tsy mety ho tanteraka izany, raha tsy nanao asa fanavotana, handaminana izay rehetra ilaina momba izany, Ilay sady Andriamanitra no olona. Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 14-16).
Tsy faran’izay lehibe sy avo ve izany fanomezana natolotr’Andriamanitra izany ?
Endrey ! Mbola maro ny zavatra mifandraika amin’izany. Afaka miantso isika hoe : “Aba, Ray ô !”, satria ny Fanahy Masina, noho ny fiainam-baovao ao anatintsika, no manambara fa zanak’Andriamanitra isika (Romana 8. 15). Mpiara-mandova amin’i Kristy isika, ary tsy ho ela dia hiara-hanjaka aminy amin’izao rehetra izao sy hiara-hitsara aminy (Romana 8. 17 ; Efesiana 1. 10-11 ; 1 Korintiana 6. 2-3 ; sns.). Ny 1 Jaona 3. 1 dia mametraka antsika ho mitovy laharana amin’i Jesoa Tompo, izay tsy mba fantatr’izao tontolo izao. Ny andininy faharoa dia manambara fa rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, ary “ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa”. Ny 1 Jaona 4. 17 dia milaza fa, raha ny amin’ny fitsarana, na dia mbola etỳ ambonin’ny tany aza isika, dia efa tahaka Azy izay any an-danitra sahady. Ny andininy faha-19, indray, dia manambara hoe : “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” Eny, manana ny toetran’Andriamanitra, izay fitiavana, isika. Mandresy izao tontolo izao isika (5. 4). Ary dia mbola mitanisa zavatra maro tahaka izany koa ny Soratra Masina.
Na izany aza, nefa, tsy ny firaisana amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka ve no lehibe indrindra, amin’ny zavatra rehetra (1 Jaona 1. 3) ? Ary izany dia ho antsika, izay tsy nahazo nahita akory ny fanjakàn’Andriamanitra etỳ an-tany, araka ny lazain’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Jaona 3, na niditra ao aminy, isika izay mpanota very, tokony ho very mandrakizay, dia isika izay fahavalon’Andriamanitra sady tokony ho hàlany ; isika dia mahafantatra ny Ray sy i Jesoa Tompo (1 Jaona 5. 20). Tsy tahaka ny fahafantaran’ny olombelona noarìna an’ Ilay Mpahary azy, nefa, no ahafantarantsika Azy, amin’izany, fa amin’ny tena maha-Izy Azy marina tokoa. Eny, manana firaisana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany isika, ary izany dia tsy hoe rehefa tonga any an-danitra ihany, fa dieny etỳ an-tany. Raha ny amin’ny etỳ ivelany, tsy misy mampiavaka antsika amin’ny olombelona manodidina antsika, izay mbola eo ambany fahefan’i Satàna.
Rehefa azontsika izany, ka iainantsika marina tokoa, tsy ho feno sy tanteraka ve ny fifaliantsika ?
Manao veloma finaritra anareo.
H. L. H.
FIRAISANA AMIN’NY RAY
SY AMIN’I JESOA KRISTY ZANANY
Ry sakaiza malala isany,
Hitantsika tany aloha, fa na iza na iza mino an’i Jesoa Tompo, dia tsy hoe mahazo ny famelàna ny helony fotsiny ihany, fa mahazo fiainam-baovao mihitsy koa. Naterak’Andriamanitra izy, ka dia manana ny ain’Andriamanitra sy ny toetran’Andriamanitra (Jaona 1. 13 ; 2 Petera 1. 4). Izany fiainana izany, moa, izay fiainana feno tanteraka, no antsoina hoe “fiainana mandrakizay”, ary ny 1 Jaona 5. 20 dia milaza ny amin’i Jesoa Tompo, fa “Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” Ny Tompo Jesoa mihitsy izany no fiainantsika.
Miteraka vokany tsy tambo tononina izany, ho antsika. Tonga olona ankasitrahina isika, “ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 6), ary tafafindra ho ao amin’ ny fanjakàn’Ilay Zanaka malalan’ny Ray (Kolosiana 1. 13). Noho izany, dia manaiky antsika tanteraka Andriamanitra, toy ny anekeny Ilay antsoiny hoe “Malala”. Mbola tsara lavitra noho izany, nefa, ny ambaran’i Jaona apostoly ao amin’ny epistily voalohany nosoratany. Lazainy fa natao mitovy Aminy isika. Tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy (1 Jaona 3. 1). Eto amin’izao tontolo izao isika, dia tahaka Azy, Izay efa any an-danitra ankehitriny (4. 17). Ho tahaka Azy isika, ka hahita Azy amin’izay tena endriny tokoa (3. 2). Ampitahao ihany koa izay voalazan’ny 1 Jaona 4. 12-13 sy izay ao amin’ ny Jaona 1. 18. Ny ao amin’ny 1 Jaona 5. 20 ihany koa, moa, dia manao hoe : “Fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina.” Voarakitr’izany avokoa ny zavatra rehetra.
Rehefa noarìn’Andriamanitra i Adama, dia nomeny saina. Izay no mampiavaka ny olombelona sy ny biby. Ny fahazavan-tsain’ny olombelona, nefa, dia momba ny tany ihany, ka tsy mahatakatra afa-tsy ny zavatry ny tany. Na dia zavaboary ambony noho ny olombelona ihany koa aza, nefa, ireo anjely, dia tsy afaka mahafantatra an’Andriamanitra. Mpanompo mahery sy matanjaka ireny, ary vonona mandrakariva ny hanatanteraka izay sitrapon’Andriamanitra ; saingy naniry hahita sy handinika ihany koa ny zavatra izay nolazaina antsika (1 Petera 1. 12).
Ny mpanota very, izay fahavalon’Andriamanitra, nefa nandray an’i Jesoa Tompo, dia nomeny Ilay Zanany ho fiainam-baovao ; ka ao aminy sy amin’ny alalany, dia omeny azy koa fahazavan-tsaina hahafantarany an’Andriamanitra. Tsy hoe afaka mahita ny fisehoan’ny voninahiny fotsiny isika, araka izay hahitan’izao tontolo izao azy tsy ho ela, amin’ny fiverenan’i Jesoa Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra, ka ho hitan’ny maso rehetra, fa hahita Azy amin’izay tena endriny tokoa, fa tsy araka izay hisehoany fotsiny ihany. Eny, ankehitriny isika dia efa afaka mahazo izany fisainany izany. Hitantsika ny tena voninahiny, izay mameno ny fontsika rahateo ihany koa. Manana fisainana sy fihetseham-po mitovy amin’ny an’Andriamanitra isika. Vohainy ho antsika ny fony, ka lazainy amintsika izay ao anatiny sy izay mameno izany ; ary dia azontsika sy iarahantsika mizara ny teniny sy ny fihetseham-pony. Tonga manana firaisana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany isika.
Firaisana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany
Inona moa no mameno ny fon’ny Ray ? Moa ve tsy ny Zanaka ary ny voninahitr’io Zanany io sy ny asany ? Raha mbola tetỳ an-tany ny Zanaka, dia nitoetra tao aminy avokoa ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra (Kolosiana 1. 19). Na tamin’ny niantombohan’ny asa ampahibemaso nataon’ny Tompo (Lioka 3. 22), na teo amin’ny fiafaran’izany (Matio 17. 5), dia izao no fanambaràn’ ny Ray : “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako.” Taorian’izany dia tonga ny asam-panavotana tany Golgota.
Nanao ahoana moa no nahitan’ny Ray izany asa izany ? Hoy i Jesoa : “Izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko, mba handraisako azy indray” (Jaona 10. 17). Ny Ray dia tia Ilay nandeha an-tsitrapo nanatona ny hazofijaliana, Ilay maty, mba hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra sy hanatanteraka ny sitrapony ; dia Ilay nanaiky hitondra ny fahotantsika tao amin’ny tenany, teo amin’ny hazo (1 Petera 2. 24), ka natao ho ota (2 Korintiana 5. 21), ary niharan’ny fitsaràn’Andriamanitra sy nafoiny. Eny, dia Izay tsy nanan-tsiny, fa tanteraka tao anatin’izany rehetra izany : “Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny, ho an’Andriamanitra” (Hebreo 9. 14).
Hoy ny Ray amintsika : “Ity no Zanako malalako.” Dia hoy kosa isika mamaly izany : “Izy no Mpamonjy malalantsika”. Hoy ny Ray : “Noho ny fitiavany Ahy (Eksodosy 21. 5), dia niaritra ny fijaliana rehetra tany Golgota Izy, ka nahatanteraka ny asam-panavotana” ; ary hoy kosa isika : “Tia antsika i Kristy, ka nanolotra ny tenany ho fanatitra mba ho fanavotana antsika” (Jereo Efesiana 5. 2). Isika tsirairay avy, kosa, hanao hoe : “Ny Zanak’Andriamanitra … efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20).
Izany Zanaka be voninahitra izany, Izay mameno ny fon’ny Ray, dia mameno ny foko ihany koa. Ny Ray dia maneho amintsika ny voninahitry ny Zanaka, ary isika kosa manambara amin’ny Ray izay rehetra hitantsika ao amin’ ilay Zanaka. Izany no firaisana sy fiombonana : iray fo sy tombon-tsoa ; ary Olona iray ihany no miara-mameno fifaliana sy fahafaham-po ao anaty.
Tsy izany indrindra koa, ve, no ataon’Ilay Zanaka ? Izy no naneho antsika ny Ray. Rentsika Izy nanao hoe : “Aba, Ray ô !” (Marka 14. 36). Ary isika koa, ankehitriny, dia afaka manao hoe : “Aba, Ray ô !” (Romana 8. 15).
Tsy izany ve no zavatra ambony indrindra, dia ny mahafantatra an’Andriamanitra, eny, mahalala Azy ? Tsy ny mandray sy misitraka ny fitahiany sy ny zavatra rehetra omeny ihany, fa ny mandray sy ny manana Azy ho Andriamanitra mihitsy ? Ary ny manana firaisana amin’Ilay Andriamanitra Ray sy amin’ ny Zanany, noho izany ? Tsy misy ambony sy manan-danja noho izany. Ny fanatanterahana izany dia mitondra fahasambarana tanteraka ho an’ny fo, dieny etỳ an-tany.
Izany no nahatonga ny apostoly hanao hoe : “Izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifalianareo” (1 Jaona 1. 4).
Andriamanitra dia mazava, ary tsy mba misy maizina akory ao aminy
Io firaisana amin’ny Ray sy amin’ny Zanany io dia mazava ho azy fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny toetra maha-Andriamanitra an’Andriamanitra. Andriamanitra dia mazava. Tsy maintsy ao amin’ny mazava, izany, isika vao afaka manana firaisana aminy. Isika nefa dia maizina fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo, kosa, ankehitriny (Efesiana 5. 8). Mandeha ao amin’ny mazava isika, ary izany no ananantsika firaisana amin’ny kristiana hafa, satria mantsy ny ran’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no fototry ny toerana misy antsika ankehitriny sy porofon’ny maha-marina Azy.
Ao amin’ny 1 Jaona 1. 7 dia tsy ny amin’ny fomba andehanantsika amin’ izany no resahina, fa hoe aiza no andehanantsika. Rehefa miresaka momba ny fandehanana ao amin’ny mazava isika, dia ny amin’ny fiainantsika sy ny fitondràntenantsika no tiana holazaina, amin’izany. Ny resaka àry, eto, dia ny hoe aiza no andehanantsika. Ary izay rehetra nateraka indray, ka afaka tamin’ ny fahefan’ny maizina, dia tonga mendrika “hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina, eo amin’ny mazava” (Kolosiana 1. 12-13), dia mandeha amin’ny mazava. Ny ra izay nanadio tamin’ny fahotana rehetra no porofo manamarina an’izany toerana misy ahy izany. Andeha isika handray ohatra iray : raha mbola ao anatin’ny koveta feno ranon-tsavony ny tanako, dia tsy ho azon’ny loto velively. Ny herin’ny ranon-tsavony, izay nanadio ny tànako, dia manakana azy tsy haloto. Amin’ny fomba ahoana moa no hampaloto ny tanako, raha mbola mitoetra ao anatin’ny rano izay manan-kery hanadio izay rehetra maloto izy ? Dia tahaka izany koa, ny herin’ny ra, izay manjaka ao anatin’ny mazava, no porofo fa mifanindran-dàlana amin’ny mazava aho.
Tsy manova na inona na inona nefa izany, noho ny fananako ny toetrako fahiny, izay mbola ao anatiko ihany. Raha mandà izany aho, ka milaza fa tsy manana ota, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatiko. Ary raha milaza aho fa mbola tsy nanao zava-dratsy mihitsy, ary mbola tsy nanota, dia mampandainga an’Andriamanitra ; satria mantsy Andriamanitra dia efa niteny hoe : “Samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3. 23).
Ny 1 Jaona 1. 10 dia tsy milaza hoe : “Raha hoy isika : tsy manota isika”, fa hoe : “Raha hoy isika : tsy nanota isika”, matoanteny mitanisa ny lasa. Ny Soratra Masina dia tsy milaza velively fa tsy maintsy manota ny mino. Manana toetra vaovao mantsy isika, dia toetra izay tsy afaka manota, sady isika koa manana ny herin’Andriamanitra ao anatintsika, dia ny Fanahy Masina, Izay manome antsika hery ahazoantsika mandeha araka ilay fiainam-baovao ananantsika. Ao amin’ny mazava no andehanantsika, ka afaka manavaka tsara izay tsy mifanaraka amin’izany mazava izany isika.
Indrisy, nefa, fa isika dia voatery manao hoe : “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra” (Jakoba 3. 2). Saingy tsy mahafa-tsiny antsika, tsy akory, izany.
Manantena aho fa ho afaka hiresaka bebe kokoa ny amin’izany, ao amin’ ny taratasiko manaraka.
Mametraka ny veloma finaritra.
Ilay sakaizanareo H. L. H.
KRISTY, MPISOLOVAVA ANTSIKA
Ry sakaiza malala isany,
Manohy ny taratasiko teo aloha aho, ka te hiresaka izao zavatra manaraka izao :
Raha manota ny mpino iray
Inona no mitranga raha manota isika, amin’ny maha-mpino antsika ? Mety manova ny toerana maha-zanak’Andriamanitra antsika ve izany ? Ary tonga lavitra ny tavan’Andriamanitra ve isika ?
Ao amin’ny Hebreo 9 sy 10 no ahitantsika ny valin’izany fanontaniana izany. Nahazo fanavotana mandrakizay i Kristy. “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hohamasinina” (Hebreo 10. 14). Tafatoetra mandrakizay ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, amin’ny maha-zavaboariny antsika. Tonga fifandraisan’ny zanaka amin’ny Rainy, ny fifandraisantsika aminy. Tsy voaovan’inona na inona intsony izany fifandraisana izany.
Koa tsy miraharaha ny fahotan’ny zanany intsony àry ve, izany, Ilay Raintsika ? Ny Raintsika dia Ilay Andriamanitra mazava, ka tsy misy maizina mihitsy ao aminy. Madio dia madio ny masony, ka tsy mahazaka ny ratsy ; ary tsy maintsy hamasinina ao amin’izay manatona Azy Izy. Zakany ny fahotan’ny tsy mino, ny fahotan’izao tontolo izao tsy mankatò Azy, fa tsy tantiny velively kosa ny fahotan’ny zanany. Izy Izay Masina, ve, mety hanana fifandraisana amin’ny ota, na amin’ny olona izay voaloton’ny fahotana ? Noho izany, tapaka avy hatrany ny firaisantsika amin’Ilay Ray sy ny Zanany, raha manana fisainana sy fiteny feno ota sy foana isika, na maneho tsy fankatoavana, izany hoe manota. Tsy ho tafaverina amin’ny laoniny izany firaisana izany, raha tsy voaisotra, araka ny fihevitr’Andriamanitra, izany fahotana izany. Ka “raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika, ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Ny fiaikena ny fahotana sy ny fitsarantsika ny tenantsika ihany no hampahadio antsika.
Ny fitsarana ny
tena no hany fomba
hoenti-manarina indray ny fifandraisana
Foto-kevitra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo izany, na ao amin’ny Testamenta Taloha na ao amin’ny Testamenta Vaovao. Andeha isika handray ohatra mikasika izany, ao amin’ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny Levitikosy 4 sy 5 sy sombintsombin’ny toko faha-6 sy faha-7 dia ahitantsika ireo toro-làlana nomena ny Israelita izay nanota. Tsy mpanota mandroso ho amin’ny fibebahana, tsy akory, no resahina eto, na dia azon’ny mpitory filazantsara ampiasaina hanehoana ny foto-kevitry ny filazantsara ihany, aza, ireo andinin-tSoratra Masina voalaza ireo. Ao anatin’ireo toko ireo, ny Israelita dia aseho ho toy ny vahoaka izay entina eo amin’Andriamanitra, amin’ ny alalan’ny fanati-panavotana (Levitikosy 16), ary Andriamanitra dia mitoetra eo anivony, amin’ny alalan’ny fanatitra alatsa-dra izay atao tsy tapaka (Eksodosy 29. 38-46). Ankehitriny kosa, nefa, satria efa nampanatonina an’Andriamanitra, amin’ny maha-olony azy, ireo vahoaka ireo, sady tonga matoky fa ankasitrahina noho ny amin’Ilay Malala (Efesiana 1. 6 ; Levitikosy 1 ary 7 sy 8), ary satria efa nahazo zavatra tandrify ny fony izy, hoentiny mamakivaky ny efitra (dia ny mofo atao fanatitra, izany) (Levitikosy 2), ka manana firaisana amin’ Andriamanitra, amin’ny fandraisana anjara sy fisitrahana zavatra iray loha ihany (dia ny fanati-pisaorana izany) (Levitikosy 3 sy 7. 11-34), dia tsy maintsy alamina ny amin’izay mety ho fahalotoana mahazo azy isan’andro.
Ny Levitikosy 5. 1-4 dia mamaritra amintsika ireo karazana fahalotoana telo lehibe miseho eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Ny karazany voalohany, lazain’ny andininy 1, dia rehefa tsy vita ny mijoro hanohitra ny ratsy, na hiandany amin’ny tsara. Araka izany, ny fanadinoana koa dia mety ho ota. Ny andininy faharoa dia milaza ireo fahalotoana vokatry ny mbola tsy fisarahantsika tanteraka amin’ireo zavatra avy amin’izao tontolo izao. Ny andininy faha-4 dia milaza ireo vokatry ny tsy fahampian’ny fahalalana onony sy ny fifehezan-tena, izany hoe fahalotoana mivoaka avy ao anatin’ny fontsika ihany. Manampy izany, dia lazain’ny andininy faha-15 ihany koa ny fahadisoana amin’ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra. Farany, ao amin’ny andininy faha-20 sy ny manaraka, dia resahina ny amin’ny halatra sy ny fihazonana zavatr’olona.
Ahoana no hahadio ny Israelita iray rehefa nanao fahadisoana izy ? Tokana ihany ny làlana, dia araka izay voalaza ao amin’ny Levitikosy 5. 5-6 hoe : “Raha meloka amin’ny anankiray amin’ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany, ary hitondra ny saziny ho an’i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony.” Misy zavatra hafa koa, mety manampy izany (ohatra, tsy maintsy ampiana ampahadiminy ny zavatra izay averina, raha tamin’i Jehovah na tamin’ny rahalahy no nakana izany (Levitikosy 5. 6, 23-24)) ; fa ny zavatra voalohany, ny fepetra fototra, dia izao : miaiky ny fahotana ary mitondra fanatitra noho ny ratsy natao.
Ny fitsarana ny tena —fanambaràna ireo fahotana vita, izany hoe ny fahadisoana natao— no fepetra ilaina, amin’ny famelàn-keloka sy ny fanarenana rehetra (jereo, ohatra, ny ao amin’ny 1 Korintiana 11. 31 sy ny 1 Jaona 1. 9). Mba hahaizantsika mitsara sy mandinika ny tenantsika —izany hoe tsy ny mandinika sy ny mitsara ny zavatra nahadiso antsika ihany, tsy akory, fa ny mandinika sy ny mitsara ny toetrantsika mihitsy koa, tahaka izay nataon’i Davida ao amin’ny Salamo 51. 5-7— dia taomin’Andriamanitra isika hibanjina ny hazofijaliana, mba hahatsapantsika ny atao hoe ota. Tsy hoe halatsaka ho antsika indray, tsy akory, ny ran’i Kristy —vita indray mandeha izany, ary tsy miverina intsony—, fa ny mba hahatonga antsika hiaiky fa maharikoriko ireo fahotana rehetra, ireo izay vao nataontsika ihany koa, rehefa mandinika izay tsy maintsy niaretan’ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana, noho ny fahotantsika, isika (fanatitra noho ny ota). Tsy ny hazofijaliana mivantana, tsy akory, no voalaza ao amin’ny Levitikosy 1 ka hatramin’ny 7, fa fampahatsiahivana azy ihany. Ao amin’ny Levitikosy 16 sy ao amin’ny Eksodosy 29 no ahitantsika ny hazofijaliana, izay fototra ahazoantsika manakaiky an’Andriamanitra.
Ny fibanjinantsika izay niaretan’ny Tompo Jesoa tany Golgota noho ny fahotantsika, ihany, no hahatsapantsika fa tena maloto sy maharikoriko tanteraka ny fahotana. Tsy maintsy nafoin’Andriamanitra Izy, teo, ka niaritra ny fanamelohana sy ny fahafatesana, satria “nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2. 24). Taomina àry isika handini-tena marina, ka halahelo noho izay nataontsika. Tsy hanamaivamaivana ny fahotana intsony isika, na koa hanadino fa ny hany làlana ahazoana mamerina indray ny fananana firaisana amin’Andriamanitra, dia ny fiaikena ny heloka eo anatrehany, aloha, sy eo anatrehan’ny olona ihany koa, raha izy ireo no nilanja ny vokatr’ilay hadisoantsika.
Ireo fahotana tsy tsapa
Misy zavatra tena manahirana, eto : manota isika, matetika, nefa tsy mahatsapa izany mihitsy, ary indraindray aza dia heverintsika fa zavatra tsara no ataontsika. Tsy mahafa-tsiny antsika, nefa, ny tsy fahalalana. “Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao, ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah, nefa tsy fantany izany, (dia) mahameloka azy (izany), ary mitondra ny helony izy” (Levitikosy 5. 17).
Izany no nahatonga an’i Davida hangataka, ao amin’ny Salamo 19, hoe : “Ataovy tsy manan-tsiny aho, ny amin’ny ota izay tsy fantatra.” Mila mahatsapa ny otantsika, aloha, isika, vao ho afaka miaiky izany, araka ny voasoratra ao amin’ny Levitikosy 4. 23, 28, hoe : “Misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony.” Saingy iza no hampahafantatra izany, raha toa ka hevitra na teny sy zavatra natao tsy misy mpahalala izany ? Iza no handresy lahatra antsika, rehefa mihevi-tena ho marina isika ? Ny fitiavan’Andriamanitra dia efa nanomana ny amin’izany koa : “Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa Kristy, Ilay Marina” (1 Jaona 2. 1). Aoka hovakiantsika sy hodinihintsika tsara izany teny izany.
Kristy, Mpisolovava antsika
Ny teny grika hoe “parakletos”, eto, izay adika hoe “mpisolovava”, dia tsy hitantsika afa-tsy ao amin’ny Jaona 14 sy 16 ary ao amin’ny teny izay dinihintsika. Ao amin’ny Jaona 14 sy 16 moa izy dia adika hoe “Mpananatra”, na “Mpampionona”, ary iantsoana ny Fanahy Masina.
Io raharaha maha-mpisolovava io dia tanterahin’i Jesoa Tompo ho antsika any an-danitra amin’izao fotoana izao ; saingy tsy eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny maha-Andriamanitra Azy, satria efa vita sy tanteraka teo amin’ny hazofijaliana ny asa fanavotana antsika ; fa eo anatrehan’ny Ray.
Ao amin’ny iray amin’ireo taratasy tany aloha, dia hitantsika ny maha-Mpisoronabentsika ny Tompo Jesoa, izay mifona ho antsika, eo anatrehan’Andriamanitra, mikasika ny fahalementsika sy ny zava-manjo antsika etỳ an-tany. Eto, indray, dia ahitantsika ny fifandraisan’ny Tompo Jesoa amin’ny fahotantsika andavanandro. Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray kosa Izy, raha sendra manota isika. Tsy hoe Mpisolovava antsika rehefa malahelo ka miaiky ny fahotantsika fotsiny ihany, nefa. Amin’ny fotoana izay hanotako, dia efa misolovava ahy any an-danitra sahady Izy, ary mitsangana hiaro ahy sy ny tombontsoako, eo anatrehan’ny Ray.
Iza io Mpisolovava io ? I Jesoa Kristy, Ilay Marina. Izy no tandrify indrindra ny fahamarinan’ny Ray, sady fahamarinako ihany koa (1 Korintiana 1. 30). Ambonin’izany nefa Izy dia nanatanteraka asam-panavotana lavorary tanteraka, ka tsy avotra noho ny fahotantsika ihany, fa avotra ho an’izao tontolo izao mihitsy. Izy, izany, noho ny maha-Izy Azy sy noho ny asam-panavotana lavorary notanterahiny ka nankasitrahin’ny Ray, dia tonga Mpisolovava ho ahy, raha nanota aho.
Hitantsika teo aloha, nefa, fa aorian’ny fiaikena ny fahotana irery ihany no misy ny famelàn-keloka. Noho izany, ny fizarana faharoa amin’ny asa maha-mpisolovava ny Tompo Jesoa, dia ny fikarakarana antsika sy ny fitaomana antsika hiaiky ny fahadisoantsika.
Ny fanasana tongotra
Ny alina nanolorana ny Tompo, dia naneho izany asa fanompoana izany Izy, tamin’ny alalana fihetsika iray manambara zavatra. Te hanorina ny Fanasàn’ny Tompo Izy, dia ilay famantarana ny fiombonan’Ilay Mpamonjy Izay maty, amin’ireo rehetra isan’ny momba ny tenany (1 Korintiana 10. 16-17). Saingy ahoana nefa no hisian’ny fiombonana amin’ny mpianatra izay maloto, sy Ilay Tompo, Izay tsy maintsy ho faty, mba hanafoana ny ota ? Tsy misy afa-tsy ny fitsarana ny maloto (1 Korintiana 11. 26-32).
Araka izany, ny Tompo, Izay mahafantatra tsara hoe iza Izy, noho ny fitiavany tapitra ohatra ka niaritra hatramin’ny farany, dia nandray ny toeran’ny mpanompo ka nanasa ny tongotry ny mpianany. Nampiasain’Andriamanitra ny tsy fahalàlan’i Petera (izay tsy nahatakatra fa izay rehetra nataon’ny Tompo dia tsara, ka na dia tsy azontsika aza, dia tokony hekentsika hatrany), mba hampahafantarana antsika mazava ny dikan’ity fanasana tongotra ity. Ny mpianatra dia efa madio, satria efa voasasa tanteraka (nampandroina), tamin’ny alalan’ny fahateraham-baovao. Saingy mba hahazoany anjara aminy, ka mba hiainany ny firaisana aminy, dia tsy maintsy nodiovina izy ireo, tamin’ny fahalotoana nanjo azy ireo tamin’ny fizotrany andavanandro (Jaona 13. 8-11).
Ny nandàvan’i Petera
Asehon’ny filazantsara amintsika, ary amin’ny alalan’ny zavatra nandalovan’i Petera ihany koa, ny fomba anatanterahan’ny Tompo io asa maha-mpisolovava Azy io. Very ny firaisan’i Petera tamin’ny Tompo. Tsy dia nisy toe-javatra lehibe nitranga loatra, nefa, satria na izy tenany, aza, tsy nahatsapa izany, sady tsy nisy nampahafantatra azy rahateo. Rehefa nilaza tamin’ny mpianany nefa ny Tompo fa ho tafintohina ny Aminy izy rehetra, dia hita fa i Petera kosa dia nihevi-tena ho tsara, ka nanambara fa ny fitiavany sy ny maha-mahatoky azy dia be kokoa noho ny an’ireo mpianatra namany. Hoy moa izy, tamin’ izany : “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay” (Matio 26. 33). Tsy ho niteny toy izany i Petera, raha tena nanana firaisana tanteraka tamin’ny Tompo. Tsy manan-toerana eto, mantsy, ny nofo sy ny avonavona. Nampiasain’ny Tompo hampitandremana an’i Petera izany teniny izany, nefa koa nataony hampahafantarana azy fa mahalala ny zava-drehetra Izy, mba hahatsiarovan’i Petera izany, rehefa avy nandà Azy izy. Hanampy azy hiarina, amin’izay, ny fieritreretana fa nahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo, saingy tsy mba nanilika azy ; ary hananany toky fa tsy hanilika azy velively, tsy akory, ny Tompo ankehitriny. Fahamoram-po sy fahasoavana tsy hay lazaina izany ! Eny, fitiavan-dehibe sy fikarakarana fatratra ! Talohan’ny nanotan’i Petera dia efa nivavaka ho azy ny Tompo, nefa tsy ny hanakanana an’i Satàna tsy haka fanahy azy, tsy akory, no antony. Nila io fahalavoana io i Petera, hianarany mahafantatra ny tenany. Tsy nahatratra izany tanjona izany ny teny mamy sy feno fitiavana nataon’ny Tompo ; ary na ny fampitandremana mavesa-danja naloaky ny vavany, aza, dia tsy nisy vokany (and. 34). Noho izany, tsy ny fanafoanana ny fakàna fanahy an’i Petera no nangatahin’ny Tompo, fa ny tsy hahalevona ny finoany. Ary mba hiarovany azy tsy ho azon’ny hakiviana, taorian’ny nahalavo azy, dia nomen’ny Tompo andraikitra hotanterahina izy, aorian’ny fiverenany.
Sahirana nihevitra ny tenany loatra nefa i Petera, ka tsy nisy nahataitra ny fieritreretany, na inona na inona. Mety nampalahelo azy ny tenin’ny Tompo mivantana manokana taminy, hoe : “Hay ! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko, na dia ora iray ihany aza, ianareo !” (Matio 26. 40), nefa ireny dia tsy nahatonga azy hahatsapa tena ; ary mbola nandositra koa aza izy, namela ny Tompo ho irery, nanamparan’ny fahavalo ny heriny (Matio 26. 56). Eny, fa na dia efa nandà ny Tompo aza izy, rehefa nanomboka nianiana hoe : “Tsy fantatro izany Lehilahy izany” (Matio 26. 72), dia mbola tsy tonga saina ihany (kanefa dia io Petera io ihany no nanambara hoe : “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”) Endrey ! Manao ahoana ny faharatsian’ny fon’ny zanak’olombelona !
Nefa, ô fitiavana mahatalanjona ! Tamin’ny fotoana izay nikapohan’ny miaramila sy namelahany tehamaina ary nandrorany Azy (Matio 26. 67), indrindra, dia nitodika nijery an’i Petera Izy. Io fijerin’ny Tompo azy io, tamin’izay fotoana izay, miampy ny fitamberenan’ny tenin’ny Tompo Jesoa tamin’ny fanenon’ny akoho, no nampisokatra ny mason’i Petera. “Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra” (Matio 26. 75).
Fanarenana
Tsy nifarana hatreo, tsy akory, ny asa nataon’ny Tompo. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty Izy dia nandefa hafatra ho an’ny mpianatra, ary nanonona manokana ny anaran’i Petera, tao anatin’izany hafatra izany (Marka 16. 7). Taoriana kelin’izany, dia nanana fihaonana manokana taminy Izy (Lioka 24. 34). Tsy voatatitra ao amin’ny filazantsara moa ny resaka nataony, tamin’izany. Manana teny manokana atao amin’ny olony tsirairay avy ny Tompo. Hitantsika koa ny fihaonana nangirifiry nefa tena nahasoa an’i Petera, voalaza ao amin’ny Jaona 21.
Tsy ho nilaza ve isika fa tsy nilaina io fampietrena ampahibemaso an’i Petera io ? Rehefa dinihina, tsy mafy loatra ve ny fahitantsika azy ? Nody ihany nefa ny sain’i Petera ! Nitomany fatratra izy !
Fa mahafantatra izay tsara indrindra ho an’i Petera Ilay sady mahalala tanteraka ny fon’ny zanak’olombelona, no feno fitiavana mitafotafo ny olony sy maneho izany amin’ny fahendrena tsy misy tomika.
Rehefa tena nitsara tena marina i Petera, tsy ny fihetsiny ihany no nomelohiny, fa ny tenany mihitsy koa ; rehefa niaiky izy fa nilaina tokoa ny fahalàlan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, mba hahitany ny fitiavana Azy tao anatiny, dia afaka nanarina azy tanteraka ny Tompo, ka nanendry azy ho mpiandry ny ondriny sy hamahana ireo ondry keliny sy ny andian’ondriny.
Izany no asa fanompoana tanterahin’ny Tompo, amin’ny maha-mpisolovava antsika Azy, eo anatrehan’ny Ray. Ho nankaiza moa isika, raha tsy nanana Azy ho Mpisolovava ? Samy manimba ny firaisana amin’Andriamanitra avokoa ny eritreritra maloto sy ny teny foana ary ny fanehoana fahavitan-tena. Ary tsy ho tafaverina amin’ny laoniny velively izany firaisana izany, raha tsy amin’ny fiaikena ny fahotana sy ny fitsarana ny tena.
Ilay Mpisolovava ahy dia efa mivavaka ho ahy, mialohan’ny hanotako, mba tsy ho levona ny finoako. Miteny amiko amin’ny alalan’ny Teniny Izy, mba hitarihany ahy handini-tena sy hitandrina, mialoha ny hanatanterahako fahotana iray. Mijery ahy amin’ny fotoana tena ilàna izany indrindra Izy, ka mampiasa ny rahalahy, ny famakian-teny, ny zava-misy, eny, na dia ny akoho aza, raha ilaina izany, mba hampahatsiaro ahy ny teniny. Mitarika ahy handini-tena sy hiaiky ny heloko Izy, mba hampiverina indray ny firaisako amin’ny Ray sy Ilay Zanaka. Izy no Mpisolovava ahy, eo anatrehan’ny Ray. Tsy mba miala sasatra velively Izy, mandra-pameriny ahy sy mahatafarina tanteraka ny zava-drehetra. Na dia ao amin’ny toeram-boninahiny aza Izy, ankehitriny, dia mbola manohy manompo ahy ihany ka manasa ny tongotro, mba hahazoako manana anjara aminy, sy mba hahatanteraka sahady ny fifaliako, dieny mbola etỳ an-tany.
Mirary soa ho anareo.
Ilay sakaizanareo H. L. H.
FAHAMASINANA
Ry sakaiza malala isany,
Mbola te hiresaka aminareo ny amin’ny fahamasinana aho, izao ; nefa mialoha izany, dia ilaina ny mijery izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny dikan’izany. Raha amin’ny fitenenana andavanandro, aloha, ny antsoin’ny olona hoe masina, dia olona tsy manana fahotana ary tsy manan-tsiny na fahalemena, na farafaharatsiny, tsy fantatra ho manana an’izany. Araka izany, dia maro ny mpino no diso hevitra ny amin’ny foto-pampianarana momba ny fahamasinana, ka mihevi-tena ho masina, satria tsy tafalatsaka tanatina fahotana hita miharihary.
Toherin’i Paoly moa izany, ka dia hoy izy, ao amin’ny 1 Korintiana 4. 4, hoe : “Tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany.” Ary ao amin’ny Salamo 19. 12 i Davida dia mangataka ny hodiovina amin’izay ota tsy fantatra. Jereo koa ao amin’ny 1 Jaona 3. 20 sy Levitikosy 5. Rehefa ho avy ny Tompo, dia “hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny fikasàn’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra avy izy rehetra” (1 Korintiana 4. 5). Ny tsy fahitantsika intsony zavatra ratsy ao amintsika dia tsy manaporofo velively fa tena tsy misy ratsy intsony tokoa. Nefa ve ny tsirairay tsy mahita zava-dratsy maro ao aminy, rehefa mandinika ny fiainany eo ambanin’ny fahazavan’Andriamanitra, araka ny Tenin’Andriamanitra ?
Ankoatra izany, ny Soratra Masina dia mampiseho amintsika fa tsy mitovy ny fahadiovana sy ny fahamasinana. Ny Eksodosy 28. 38 dia miresaka ny heloky ny zava-masina, ary ny 1 Tantara 23. 28, ny fanadiovana ny zavatra masina. Ao amin’ny Efesiana 1. 4 sy Kolosiana 1. 22 dia voasoratra hoe : mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika. Voavaka tsara, izany, ny atao hoe fahamasinana sy fahadiovana.
Inona no atao hoe fahamasinana ?
Raha jerentsika ireo andininy maro ao amin’ny Soratra Masina miresaka ny atao hoe “masina” sy “fahamasinana”, dia ataoko fa mazava, fa midika hoe fisarahana izany, ary raha ampiharina amintsika izany voambolana izany, dia midika hoe : fisarahana amin’izay rehetra namatotra antsika hatrizay, mba hanokanana antsika ho an’Andriamanitra ; kanefa midika koa izany fa isika dia mitondra ireo marika manokana mampiseho io fiombonantsika amin’Andriamanitra io, sy io fanokanana antsika io. Jereo, ohatra, ny Nomery 6. 1-11. Tsy feno ao anatintsika koa ny fahamasinana. “Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Ianao” (1 Samoela 2. 2). “Ianao ihany no masina” (Apokalypsy 15. 4). “Ho masina ianareo, satria masina Aho” (1 Petera 1. 16). Ny Tompo irery ihany no masina tanteraka. Diso izay mampitaha ny tenany amin’ny tenany ihany, araka ny ambaran’ny Soratra Masina : “Tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenany” (2 Korintiana 10. 12). Ary mazava fa Andriamanitra irery ihany no afaka hitsara ny dingana vitantsika, araka ny heviny.
Ao amin’ny Jaona 17. 17 ny Tompo Jesoa mangataka hoe : “Manamasina azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana.” Ny fahamarinana dia izay nambaran’Andriamanitra momba ny tenany, ary avy amin’izany no ahafantarantsika ny toetra, na ny tokony ho toetran’ny fifandraisantsika aminy. Izany no anambaràn’ny Tompo Jesoa fa Izy no fahamarinana (Jaona 14. 6). Izy no nanambara tamintsika an’Andriamanitra (Jaona 1. 18). Toy izany koa, ny tenin’Andriamanitra, izay nanambaràny ny Tenany, dia fahamarinana.
Noho ny fahamarinana —avy amin’ny nambaran’Andriamanitra momba ny Tenany sy ny zony amintsika— dia tafasaraka amin’izay rehetra nangeja antsika hatramin’izay isika, mba ho an’Andriamanitra.
Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia mbola tsy hitantsika, aloha, ny fanambaràna feno ny amin’Andriamanitra. Hita ao fa Izy no Jehovah, Ilay nanana tempoly tetỳ an-tany, izay tiany nonenana, teo afovoan’ny vahoakany. Noho izany, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia mifandraika amin’izany ny fahamasinana. Ny tendrombohitra, ny tanànan’i Jerosalema, ny fiaran’ny fanekena sy ny tempoly, ny mpisorona, ny levita, eny, ny vahoaka rehetra aza, ny fitaovana hanaovana fanompoana, ny fanatitra, sns., izany rehetra izany dia nohamasinina. Nisy ifandraisan’izany rehetra izany tamin’i Jehovah, satria Izy dia nonina teo afovoan’ny vahoakany. “Fahamasinana no mendrika ny tranonao” (Salamo 93. 5). “Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina” (Levitikosy 10. 3).
Fa ankehitriny kosa, Andriamanitra dia efa naseho tanteraka ao amin’ny Tompo Jesoa : Andriamanitra tonga nofo. Na dia tena olona aza ny Tompo, ny mampiavaka ny fanompoany, kosa, dia satria Izy irery ihany no nanambara an’ Andriamanitra. Ka rehefa naneho tanteraka izany teo amin’ny hazofijaliana Izy, ka nahazo fanavotana mandrakizay, dia nitsangana tamin’ny maty, ary naka ny toerany teo ankavanan’Andriamanitra. Amin’ny maha-olombelona Azy no nanaovany izany —izany no lazain’ny Jaona 17. 4-5 amintsika.
Amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia nanana ny voninahitra ho mandrakizay Izy, talohan’ny naharìna izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa Izy dia afaka mitaky izany voninahitra izany, amin’ny maha-olombelona Azy koa, satria vitany ny asam-pamonjena teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota ary nomeny voninahitra tanteraka Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao Izy dia mipetraka eo an-tànan-kavanan’Andriamanitra, ao amin’ny voninahiny, amin’ny maha-olona nomem-boninahitra Azy. Olona any an-danitra.
Ny zavatra nokatsahin’Andriamanitra hatrizay dia ny hahatonga antsika hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy (Romana 8. 29). Ao amin’ny Jaona 17. 17-19 dia hoy ny Tompo Jesoa : “Ho an’ireto no anamasinako ny tenako.” Izy mihitsy no nanokana ny tenany tao an-danitra, mba ho an’Andriamanitra tanteraka, ary “mba hanamasinan’ny fahamarinana azy ireo” no nanaovany izany. Hitantsika eto ny fatran’ny fahamasinantsika sy ny fomba hahamasina antsika. Tsy inona izany fa i Kristy ao amin’ny voninahitra.
Fahamasinan’ny Fanahy
Rehefa mamaky ny Testamenta Vaovao isika, dia mahita fa fomba roa no ilazàna ny fahamasinantsika. Voalohany, dia lazaina fa nohamasinina isika (1 Korintiana 6. 11 ; 2 Tesaloniana 2. 13 ; 1 Petera 1. 2 ; sns.). Noho izany, maro ireo tsongandahatsoratra iantsoana antsika ho olona masina (jereo, ohatra, ny fiantombohan’ireo epistily). Io fanamasinana io dia niseho tamin’ny fahateraham-baovao. Nosarahin’ny Fanahy Masina tamin’ny tontolo nisy antsika isika, tamin’ny nanomezany antsika aim-baovao, ny toetran’Andriamanitra (Jaona 3 ; 2 Petera 1 ; Efesiana 4. 24). Manaraka izany, dia voasoratra fa tokony hanamasina ny tenantsika isika, amin’ny fiainantsika andavanandro (Hebreo 12. 14 ; Efesiana 5. 25-27 ; sns).
Ireo lafiny roa amin’ny fahamasinana ireo dia atambatra ao amin’ny Apokalypsy 22. 11, amin’ny hoe : “Izay masina, aoka mbola hihamasina ihany.”
Tsongandahatsoratra maro no ahitantsika ny fomba fampihàrana izany. Araka ny hitantsika ao amin’ny Romana 8. 29 dia efa notendren’Andriamanitra hitovy endrika amin’ny Zanany isika. Io hevitra io ihany no ambaran’ny Efesiana 1. 4-5, fa amin’ny fomba hafa. Hoy ny ao amin’ny 1 Korintiana 15. 49 : “Toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’Ilay any an-danitra (ny Tompo Jesoa) koa.” Lazain’ny 1 Jaona 3. 2 hoe rahoviana izany no ho tanteraka : “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.”
Amin’ny tsongandahasoratra sasany kosa, dia efa mitovy amin’ny Tompo Jesoa isika. Ao amin’ny 1 Jaona 3. 1 dia tsy fantatr’izao tontolo izao isika, satria tsy nahalala Azy izao tontolo izao, ary ao amin’ny 1 Jaona 4. 17 dia voalaza fa tahaka Azy isika, eo amin’izao tontolo izao, izany hoe efa eo amin’ny voninahitra.
Ny anton’izany, dia satria miorina amin’ny asam-panavotana nataon’ny Tompo Jesoa ny zavatra rehetra. Raha ny toerana misy antsika, dia efa ananantsika ny zavatra rehetra (1 Korintiana 1. 30). Tafasaraka tamin’izao tontolo izao isika, tamin’ny fahateraham-baovao, ary manana ny fiainana mandrakizay. Tanteraka noho ny fanatitra iray ihany isika, ary nohamarinina eo imason’ Andriamanitra. Zanak’Andriamanitra isika, sady mpandova Azy, ary mipetraka any an-danitra, ao amin’i Kristy (Efesiana 2. 6). Manana ny zavatra rehetra, izany, isika, raha ny amin’ny fanahintsika ; fa mbola tsy mandray anjara amin’ ny zavatra rehetra ny vatantsika ; ary mbola eo ny nofo. Noho izany, ny toerana misy antsika, amin’izao fotoana izao, dia mbola tsy mifanaraka amin’ny toerana nasiana antsika noho ny asam-panavotan’ny Tompo Jesoa.
Fahamasinana iainana
Ireo fampirisihana rehetra —ary izany no tanjon’ny fanompoana rehetra (Efesiana 4. 11-16 ; Kolosiana 1. 28)— dia mikatsaka ny ahatanterahantsika izay ho toetrantsika rahatrizay. Fa hanao ahoana tokoa moa isika rahatrizay ? Hitovy Aminy isika, dia Ilay olona nomem-boninahitra any an-danitra. Izy koa, izany, no tokony ho fitaratry ny fandehantsika andavanandro. Noho izany, dia voalaza hoe : “Izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany, mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3. 3 ; jereo koa 1 Tesaloniana 3. 12-13).
Ahoana moa no ahafahantsika hitovy Aminy bebe kokoa ? Amin’ny fiezahantsika andavanandro ve ? Sa amin’ny fikatsahana ny hanova ny fiainantsika ka hanana fiainana masimasina kokoa ? Ao amin’ny Romana 7 isika dia mahita olona manao toy izany. Vokany, dia mihiaka izy hoe : “Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?” (and. 24).
Manoro làlana tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra : “Isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovàna hahazo izany endrika izany indrindra, avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Korintiana 3. 18).
Rehefa mibanjina ny Tompo Jesoa amin’izao maha-Izy Azy ankehitriny izao isika, Izy izay nomem-boninahitra any an-danitra, rehefa mamaky izay rehetra voasoratra momba Azy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mandinika izany, dia miova ny fiainantsika. Voaova ara-môraly isika, hitovy Aminy. Izay zavatra ifantohan’ny fontsika dia hanisy ny tombo-kaseny eo amin’ny fiainantsika.
Toy izany koa ny fahamasinana. Ny ho toetrantsika : mitovy amin’ny Tompo Jesoa nomem-boninahitra, no fatran’ny fahamasinantsika. Ny maso mibanjina Azy no hanatanteraka izany fanamasinana izany. Ny fahamasinana, araka ny karazany sy ny toetrany, dia izay iainantsika rehefa mivelona ao anatintsika i Kristy.
Izany no ilazan’ny Tompo Jesoa hoe : “Ho an’ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy” (Jaona 17. 17-19). Amin’izao fotoana izao Izy dia efa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, amin’ny maha-olona nomem-boninahitra Azy : “Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota, ka natao avo noho ny lanitra” (Hebreo 7. 26), ary ny fibanjinantsika Azy no hahamasina antsika. Milazalaza amintsika ny momba Azy ny fahamarinana, ny Tenin’Andriamanitra, maneho Azy amintsika ao amin’ny voninahitry ny Tenany. Ary fenon’ny fahatanterahany sy izay rehetra maha-Izy azy ny fontsika. Amin’izany, ao am-pontsika dia tsy misy toerana intsony ho an’izao tontolo izao na ho an’ny zavatr’izao tontolo izao. Amin’ izany, ny fiainantsika dia hiha-mitovy amin’ny Azy, ary ho tafasaraka kokoa amin’izay etỳ an-tany, mba hatokana ho an’Andriamanitra irery. Izany no atao hoe fahamasinana.
Amin’izany làlana izany, dia tsy maintsy matoky ny tsy fivadihan’Andriamanitra isika. “Ho an’Izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny, amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, anie, ny voninahitra sy ny fahalehibeazana, ny fanjakana sy ny fahefana, hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay ! Amen” (Joda 24-25 ; jereo koa Matio 19 : 26).
Manao veloma finaritra anareo.
Ny sakaizanareo H. L. H.
NY LANJAN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY
Ry sakaiza malala isany,
Mba te hanontany anareo aho izao, raha mamaky isan’andro ny Baiboly ianareo. Ny tiako holazaina, amin’izany, dia tsy ilay famakiana azy rehefa tafavory ny fianakaviana, angamba eo am-pisakafoana, fa ny famakiana azy ao amin’ny fanginana, rehefa irery iny ny tena. Zava-dehibe tokoa ny anaovanao izany. Ny mpino manamaivana io famakian-teny io, dia tsy mitoetra ao amin’ny fiombonana amin’ny Tompo, ary tsy ho afaka ny tena ho sambatra.
Tsy ho azontsika an-tsaina mihitsy ny hasarobidin’ny Baiboly, satria io no Tenin’Andriamanitra. Amin’ny alalany irery ihany no ianarantsika mahafantatra an’Andriamanitra sy ny heviny. Naneho ny tenany tao amin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra, tamin’ny Teny nambarany sy nasainy nosoratana. Tao no nanambaràny hoe Iza moa Izy, inona ny zavatra nataony, inona ny tiany hatao, ary ahoana ny fomba tokony hanompoan’ny olona Azy. Dia tonga tetỳ an-tany ny Zanaka, ary nanambara an’Andriamanitra tamintsika (Jaona 1. 18). Nefa ny Teny ihany no ahafantarantsika izay rehetra mikasika ny Zanaka : ny fahaterahany, ny fiainany sy ny fahafatesany, ny teniny sy ny asa nataony. Ary Andriamanitra Fanahy Masina, izay etỳ an-tany amin’izao fotoana izao ary monina ao anatin’ny mpino tsirairay, dia manambara amintsika ny zava-drehetra, amin’ny alalan’ny Teny. Noho izany, tsy tokony hisy mpino tsy hankafy ny Baiboly. Ary ny fitomboany amin’ny fahasoavana sy ny fahafantarany an’i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika, dia mifamatotra amin’ny fitiavany ny Teny sy ny fampiasany izany.
Raha mamaky ny Salamo 119 isika, dia hitantsika fa ny dingana tsirairay eo amin’ny fiainam-panahin’ny mpanoratra ny Salamo dia mifamatotra amin’ny Teny. Voalohany, ilay fiainam-baovao vokatry
Ny fahateraham-baovao
dia asan’ny Teny (and. 93). “Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa ireny no amelomanao ahy.” Jereo koa ny andininy faha-25, 37, 40, 50, 88, 107, 116, 144, 149, 154, 156, 159 ary 175. Misy andininy sasany, manambara izany mazava koa : “Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika, tamin’ny teny fahamarinana” (Jakoba 1. 18). “Efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1. 23). Izany koa dia ambaran’ny Tompo ao amin’ny Jaona 3 : “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakàn’Andriamanitra izy”. Araka ny Efesiana 5. 26 sy tsongandahatsoratra hafa, ny rano, ao amin’ny Soratra Masina, dia kisarisarin’ny Teny, ampiharin’ny Fanahy Masina amin’ny olona.
Ny tenin’Andriamanitra dia misarika ny sainan’ny olona mpanota ho eo amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Eo no ahitan’ny olona hoe iza Andriamanitra, dia mandini-tena izy, ka miaiky ny fahotany eo anatrehan’Andriamanitra. Izany no fibebahana. Rehefa mandini-tena toy izany ny olona, dia voadio ny fony, ary ny Fanahy Masina no manome azy fiainam-baovao, araka an’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Teny.
Noho izany rehetra voalaza izany, rehefa miresaka amin’ny tsy mpino isika, hitory ny Filazantsara aminy, dia tsy maintsy mahalala ny tenin’Andriamanitra. Ny tenintsika, irery, tsy hahatonga na oviana na oviana ny olona iray hiova fo. Ny tenin’Andriamanitra ihany no afaka manao izany : “Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10. 17). Fa ny tenin’Andriamanitra koa dia