Note préliminaire

La traduction qui suit est une version revue de la version précédente.

Outre cela, elle a été mise en forme spécialement pour en faciliter le bali­sage. Ainsi :

Les  caractères spéciaux  (notamment le ) et les mots en italiques, qui de­mandent un codage spécifique dans le lan­gage XML, sont mis en évidence pour ne pas être oubliés.

Les notes de bas de page sont placées entre acco­lades et intégrées au fil du texte.

Les  niveaux de texte  (titres, sous-titres, corps de texte) sont précisés (com­man­de Word « Explorateur de do­cu­ments ») pour être balisés directement tels quels.

Iza moa i Jesoa ?

Georges André

SASIN-TENY

Nony nanontany i Jesoa hoe: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”, dia namaly i Simona Petera hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16. 15-16). Ny Ray no nanambara izany taminy; koa dia nolazaina fa “sambatra” izy (and 17).

Tamin’ny faramparan’ny fiainany, efa tonga zokiolona io apostoly io, nahalala fa “ho avy tampoka ny hanesorana ny trano lay”-ny (2 Petera 1. 14), ary nanome fampaherezana faratampony: “Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (3. 18).

Amin’ny fomba tena tsotra, ary angamba amin’ny ampahampahany ihany, no niezahanay nanoritra ny sasantsasany amin’ireo voninahitr’ity Olona mahatalanjona ity; afaka manova ny fiainantsika ny fibanjinana lalina Azy (2 Korintiana 3. 18). Tsy ho takatsika amin’ny fahafenoany mihitsy, raha mbola et an-tany isika, ny zava-miafina momba Azy; ny Ray irery ihany no mahalala Azy (Matio 11. 27). Tamin’ny vavaka nataony, ny Tompo Jesoa dia nanambara hoe: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17. 3). Izy Jesoa tokoa mantsy no Ilay “Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5. 20).

Mba handalinanao kokoa izao lohahevitra izao, dia ampirisihinay ianao hamaky ireto boky manaraka ireto:

J. G. Bellett: Ny voninahitra ara-moraly ananan’ny Tompo Jesoa Kristy

J. G. Bellett: Ilay Zanak’Andriamanitra

F. V. Kietzel: Indro ny Lehilahy!

Fandinihana ny Salamo 22

W. J. Hocking: Ilay Zanaky ny Fitiavany.

Ny andininy tanisaina ato dia avy ao amin’ny Baiboly (natonta tamin’ny 1965) na avy ao amin’ny Baiboly DIEM (Dikanteny Iombonana eto Madagasikara, natonta tamin’ny 2004).

Tsy maneho antokom-pivavahana iray manokana ity bokikely “Iza moa i Jesoa?” ity.

Toy izao no fomba anoroana ireo andininy notsongaina tao amin’ny Baiboly:

2 Petera 1. 14: epistily faharoa nosoratan’i Petera, toko voalohany, andininy faha-14.

Mpitsara 13. 17-18: bokin’ny Mpitsara, toko faha-13, andininy faha-17 sy (na hatramin’ny) faha-18.

IZA MOA I JESOA?

Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao.”

(Ohabolana 30. 4 DIEM)

Indray alina, irery i Jakoba, nitolona tamina lehilahy iray tsy fantatra, izay naharesy azy nony efa hazava ratsy ny andro. Tsy maintsy niaiky ilay patriarka fa “Mpamitaka” no anarany. Notahiana nefa izy, ary nanontany ilay Anjely hoe: “Iza moa no anaranao?” Dia namaly ilay Anjely (izay azo antoka fa endrika nisehoan’Izy Tompo tenany) hoe: “Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakoba.” Tsy nambara ilay Anarana.

Namaly ny fangatahan’i Manoa ilay Anjelin’i Jehovah, ka niseho fanindroany. Dia nanontanian’i Manoa Izy hoe: “Iza moa no anaranao...? Ary hoy Ilay Anjelin’i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany” (Mpitsara 13. 17-18). Tsy nambara tamin’i Manoa koa ilay Anarana. (Amin’ny teny hebreo, ny dikan’ny hoe mahagaga {adika hoe merveilleux, amin’ny teny frantsay. (Fanamarihan’ny mpandika)}, raha ny marimarina kokoa, dia hoe: tsiambaratelo, afenina.)

Tat aoriana elabe dia hametraka izao fanontaniana izao indray i Agora: “Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao.”

Efa nolazain’i Isaia mialoha nefa ny hahaterahany: “Indro, hanana anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataony hoe Imanoela” (Isaia 7. 14).

Aoriana kelin’izany io mpaminany io dia hanambara hoe: “Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana” (Isaia 9. 5). Teraka tamina fomba mahagaga avy amin’ny virijina Izy, “Zaza” nomena, izany hoe olombelona; nefa koa “Zazalahy”, sary manambara ilay Zanak’Andriamanitra efa hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay mandrakizay, Izay tsy maintsy hanjaka, ary hitondra fiadanana. Tsy nambara nefa ilay anarana manokana.

Any amin’ny Testamenta Vaovao, ao amin’ny andininy voalohan’ny Filazantsara araka an’i Matio, vao hita ilay anarana hoe “Jesoa”. Nambaran’ny anjely tamin’i Maria io anarana io: “Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOA” (Lioka 1. 31). Tat aoriana kely izany dia nohamafisiny tamin’i Josefa: “Hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOA; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1. 21). “Jesoa” dia anarana hebreo midika hoe “Jehovah no Mpamonjy.” (Io ihany ilay anarana hoe “Josoa” ao amin’ny Nomery 13. 16).

Ny anarana nampiasain’ireo kristiana voalohany ho fifamantaran’izy ireo, dia ny soramiafina ilazana ny trondro: “ICHTUS”, izay midika hoe: I= Jesoa — CH= Kristy — TU (THEOU HUIOS)= Zanak’Andriamanitra — S= Mpamonjy.

Misy endrika samihafa anehoan’ny Tenin’Andriamanitra Azy, mba tianay hohalalinina:

  1. Zanak’Andriamanitra

  2. Zanak’Olona

  3. Mpamonjy

  4. Kristy (Ilay Mesia)

  5. Tompo — Lohan’ny zavatra rehetra

  6. Ny kisarisary manambara Azy ao amin’ny Testamenta Taloha

  7. Zanaka Malalan’ny Ray.


1. ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA

Fotoana elaela no lasa, taorian’ilay nahazoan’i Petera {Jereo H. R. “Simona Petera” sy ilay bokikely nosoratanay “Petera sy ny Mpampianatra azy”} trondro tamina fomba mahagaga, ka niankohofany teo an-tongotr’i Jesoa, nilaza hoe: “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho” (Lioka 5. 8). Nanaraka ny Tompony ireo mpianatra, nahita ny heriny, ny fony feno antra, ny fifandirany tamin’ny Fariseo sy ireo antokom-pivavahana jiosy hafa; nahatsapa koa ny fandàvan’izy ireo Azy (Matio 11. 20-24; 12. 14); ny Fariseo aza dia nilaza mihitsy fa “tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia” (Matio 12. 24).

Taoriana kelin’izay i Jesoa dia nitokana tany amin’ny faritra avaratra indrindra, “tany amin’ny faritanin’i Kaisaria-Filipo” (Matio 16. 13). “Ary raha nivavaka tao amin’ny mangingina i Jesoa, sady teo Aminy ny mpianany” (Lioka 9.18), dia nanontany azy ireo hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho”, Izaho Ilay Zanak’olona? Valinteny samy tsy nisy azo noeritreretina akory no notaterin’ireo mpianatra. Koa nitodika tamin’izy ireo i Jesoa, nanontany hoe: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?” Inona no havalin’izy ireo? Tena nahita miavaka tokoa ve izy ireo hoe iza Izy? Ary isika koa, inona no avalintsika izany fanontaniana izany?

Raha i Pilato, ohatra, dia hilaza hoe: “Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.” I Jodasy dia hanambara fa “namadika ra marina”. Rehefa samy handalo eo anoloan’ny hazofijaliana ireo lehiben’ny mpisorona, dia hilaza hoe “ny sasany, novonjeny; fa ny tenany, tsy hainy vonjena” (Matio 27. 42). I Petera, ilay mpianatra maika lava ny hisehoseho, inona no holazainy? — “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16. 16). Ny fanambaràna hoe “Ianao no Kristy” dia mety nifanaraka ihany tamin’ilay fanantenàn’ny mpianatra hoe “Izy no Ilay efa hanavotra ny Israely” (Lioka 24. 21); hitan’izy ireo koa fa efa notanterahin’i Jesoa ny faminaniana sasantsasany; fa ny nanampiany kosa hoe “… Zanak’Andriamanitra velona”, ahoana no nahatonga izany? Tian’izy ireo Ilay Mpampianatra azy; nefa taorian’ilay tafio-drivotra dia gaga izy ireo, nanao hoe: “Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy?” (Matio 8. 27). Matoa i Petera afaka nilaza fa Zanak’Andriamanitra Izy, dia satria tokoa ny Ray no nanambara izany taminy. Hanambara amin’ny Galatiana i Paoly hoe: “Sitrak’Andriamanitra … ny nampiseho ny Zanany tato anatiko” (1. 15-16). Ny sasany kosa dia nitady an’Andriamanitra, “raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy” (Asa 17. 27). Ary isika, ahoana no fomba ahafantarantsika Azy ho ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona? Tsy ny Teny va no manambara izany antsika? Araka ny lazain’ny apostoly hoe: “Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20. 31).

Jaona 1. 1-4

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no naharìna ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy, dia tsy nisy naharìna izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.”

Teny vitsy monja no anehoan’ny Fanahin’Andriamanitra amintsika Ilay antsoiny hoe ny Teny: izany hoe ny fanehoana ny fihevitr’Andriamanitra.

Na amin’izay fotoana lavitra indrindra tany aloha azontsika saintsainina aza, dia efa “nisy” Izy: mandrakizay ny fisiany; “tao amin’Andriamanitra” Izy: miavaka, satria Persona; nefa “Andriamanitra”: Andriamanitra amin’ny maha-Izy Azy. Tsy hoe nanjary (niova) ho Ilay ambaran’io andininy voalohany io antsika Izy; fa efa “Izy” Izy, hatrany am-piandohana, araka ny nolazainy hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8. 58). Raha nosamborina tao Getsemane Izy, teny iray ihany dia nampihemotra ireo fahavalony: “Izaho no Izy.” Tsy fiseho manarakaraka an’Andriamanitra Izy (and 2) —izany hoe tsy nipoitra avy tamin’Andriamanitra—, na nisy nahary (and 3). “Izy no naharìna ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy, dia tsy nisy naharìna izao zavatra ary izao, na dia iray aza.” Tsy noarìna Izy; Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray (Jaona 1. 14, 18; 3. 16, 18; 1 Jaona 4. 9).

Izy no nisiam-piainana.” Tsy “mananaina” (fanahy velona) toy ny olombelona Izy, fa “fanahy mahavelona” (1 Korintiana 15. 45). Nomen’ny Ray “hanana fiainana ho Azy” Izy (Jaona 5. 26).

Hebreo 1. 1-3

(Nampitenenin’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy (Jesoa) no naharìny (naharìn’Andriamanitra) izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra, ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny…”

Rehefa niresaka tamin’ireo razambe tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, tamin’ny faran’izany vanimpotoana izany, dia niteny tamintsika indray, tamin’ny alalan’ny “Zanany”. Iza moa io Zanany io? Izy no “voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra”. Fikasàn’Andriamanitra hatrizay ny hanandratra ho amin’ny voninahitra Ilay ho avy et an-tany hanome ny ainy; ary rehefa tapitra ny andro voatendry, dia hangonin’Andriamanitra ny zavatra rehetra “ho iray ao amin’i Kristy” (Efesiana 1. 10), izay Lohany.

Izy (Jesoa) no naharìny (naharìn’Andriamanitra) izao tontolo izao”, hatrany am-piandohan’ny tantara.

Amin’ny maha-Izy Azy, dia “Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra.” Mba ahazoana ny hevitr’io fehezanteny io, Izy dia nantsoin’ireo olona fahiny hoe fahazavan’ny masoandro. Ny “masoandro”, amin’io fampitahana io, dia entina milaza an’Andriamanitra; Izy no “mitoetra ao amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena” (1 Timoty 6. 16). Nefa isika afaka mijery ny hazavan’ny masoandro, izay manazava ny zavatra rehetra. Ny voninahitr’Andriamanitra dia takona amintsika, nefa namirapiratra tanteraka kosa tao amin’i Kristy: “Andriamanitra, Izay nandidy hoe: ‘Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina’, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy” (2 Korintiana 4. 6).

Toy ny andraisan’ny savoka ny endriky ny tombo-kase (fanoharana maivana dia maivana!), no maha-endrik’Andriamanitra ilay Zanaka. Azo lazaina hoe endrika “mivohitra” io, tsy tahaka ny “aloka” hitantsika ao amin’ny Testamenta Taloha (Hebreo 10. 1). Nony nangataka i Filipo hoe: “Asehoy anay ny Ray” (Jaona 14. 8), i Jesoa tenany dia afaka namaly azy hoe: “Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko?” Ny finoana ihany no ahafantarana Azy ho toy izany.

Tsy vitan’ny hoe Izy no nahary izao tontolo izao, fa Izy koa no “mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny”. Vaka ny saintsika, mijery ny halehiben’izao tontolo izao. Zavatra kely indrindra mikorontana amin’ity tontolo misy antsika ity, dia hitera-doza tsy hay lazaina. Ny Teny dia tsy mamboraka ary tsy manoritra amin’ny antsipiriany ireo zava-miseho izay avelan’Andriamanitra ho hitan’ny siansa miandàlana, noho ny saina matsilo nomeny ny olombelona. Izao fotsiny no lazainy: “Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao” (Hebreo 11. 3). “Ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1. 20). Tsy bokin-tsiansa tsy akory ny Baiboly. Ny ambarany antsika dia hoe Ilay Nahary ny zavatra rehetra no mihazona izany koa, amin’ny herin’ny teniny, ary tokony ho ampy antsika izany fanambaràna izany.

Kolosiana 1. 15-17

Izy (Ny Zanany malalany) no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no naharìna ny zavatra rehetra any an-danitra sy et ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no naharìna ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.”

Amin’ireo tsongandahatsoratra ireo i Jesoa dia tsy “endriky ny tenany” intsony, fa “endrik’Andriamanitra” Izay tsy hita: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1. 18).

Raha ny momba ny fahariana indray, dia Izy no “Lahimatoa”, izany hoe Ilay Mpandova, Ilay Loha; zavatra efatra no lazaina antsika momba izany: tao aminy no naharìna ny zavatra rehetra, ny hita sy ny tsy hita; ho Azy no naharìna ny zavatra rehetra; fa Izy dia talohan’ny zavatra rehetra (izany hoe tsy noarìna); farany, ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra, ary io farany io dia mifandray amin’izay lazain’ny Hebreo 1. 3.

*

Izy izany dia “Zanak’Andriamanitra” mandrakizay. Efa hitantsika tao amin’ny Jaona 1 izany. Izy tenany koa dia niteny izany, raha nivavaka tamin’ny Ray, ao amin’ny Jaona 17. 24: “Ray ô, … efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao.”

Rehefa teraka tet an-tany Izy, dia mbola nitoetra ho Zanak’Andriamanitra hatrany. “Ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.” Izany no zava-miafina momba ny tenany: notorontoronin’ny Fanahy Masina Izy, nefa teraka avy amin’ny virijina, ka “sady tena Andriamanitra no tena olona”. “Zanako Ianao”, hoy ny Hebreo 1.5. Nefa ampiany koa hoe: “Izaho niteraka Anao androany”, nony tonga teto an-tany Izy.

Farany, tamin’ny nitsanganany ho velona Izy dia “naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny fanahin’ny fahamasinana, tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty” (Romana 1. 4).

Ny zava-miafina momba ny Telo Izay Iray

Ao amin’ny andininy voalohany amin’ny Baiboly, ny hoe “Andriamanitra nahary” dia efa manambara sahady io zava-miafina io. Amin’ny teny hebreo, ny anarana hoe “Andriamanitra” (Elohim) dia manondro ny maro, fa ny matoanteny “nahary” kosa dia manondro ny tokana! Eo ambanimbany kokoa: “Andriamanitra nanao hoe: Andeha isika (manondro ny maro) hamorona olona tahaka ny endritsika… Ary Andriamanitra nahary (manondro ny tokana) ny olona” (Genesisy 1. 26-27). Tamin’ny batisan’i Jaona vao noesorina ny saron’ny zava-miafin’ny Telo Izay Iray. Naka toerana amin’ny maha-olona Azy i Jesoa, niaraka tamin’ireo vahoaka izay nibebaka, tsy hoe satria mila mibebaka koa, fa satria sahaza ny toerana noraisiny teo anivon’ny vahoakany izany. Nivavaka ilay Natao Batisa; dia nidina teo amboniny ny Fanahy, naka endrika voromahailala; ary nanakoako avy any an-danitra ny feon’ny Ray, nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako” (Lioka 3. 21-22).

At aoriana i Jesoa dia hanambara hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jaona 10.30). Rehefa ho tonga ny Fanahy Masina, ilay Mpananatra, dia Izy no hampahafantatra fa “Izaho ao amin’ny Raiko” (14.20), araka ny nambaran’i Jesoa tamin’i Filipo hoe: “Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko” (and 10). Fony tet an-tany Izy dia tsy hoe andriamanitra tsy niankina tamin’ny Ray tsy akory, na dia niavaka Taminy aza (Jaona 5).

Avy amin’ny Ray” ny Fanahy Masina (Jaona 15. 26). Ny Ray no manome Azy, “maniraka” Azy (14. 26), fa amin’ny anaran’i Jesoa no anirahan’ny Ray Azy (15.26).

Tsy hohalalinintsika mihoatra izay io zava-miafina io. Iray Andriamanitra, iray ny Mpanalàlana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesoa, Izay olona (1 Timoty 2. 5); nefa Andriamanitra dia naneho ny tenany tamina fomba telo samihafa, na Persona telo.

Te hametra-panontaniana ny olombelona, nefa aoka isika tsy hihoatra izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tompo Jesoa tenany mihitsy dia efa nilaza fa “tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy” (Matio 11. 27). “Ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1. 18); nefa misy zava-miafina ao amin’ny Zanaka, izay tsy hisy “hahalala tsara”, na dia naniry ny hahalala Azy aza i Paoly (Filipiana 3. 10), tahaka ny fahalalantsika olona iray na zavatra iray. Marina fa “efa naseho ny fiainana” (1 Jaona 1. 1-4): efa hitan’ny maso Izy, efa nojerena sady efa notsapain-tànana. Omena antsika izany fanambaràna izany, mba ho tanteraka ny fifaliantsika, ao amin’ny firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka. Nefa misy zava-miafina mitoetra ho tsy hay fantarina ny amin’ny Zanaka, na dia miseho ao amin’ny voninahiny aza Izy: hitondra ny anarana hoe “Matoky sy Marina” Izy, “Ny Tenin’Andriamanitra”, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19. 11, 13, 16), nefa koa “anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany” (and 12)!

Anaran’i Jesoa izay tsy misy mahatakatra

Anaran’ilay Andriamanitra mahery, Andriamanitra mandrakizay,

Sy anaran’ilay Zanak’ondry Mpamonjy izao tontolo izao,

Ary anaran’ilay olona nitsangana tamin’ny maty.

(H. Rossier)

Na izany aza, manoloana izany halehibeny izany, manoloana izany zava-miafina tsy hay fantarina izany, dia afaka manambara i Paoly, ary isika tsirairay koa afaka miara-miteny aminy toy izany, ny fankasitrahany Azy tsy misy fahataperana, hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra, Izay tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20).

2. ILAY ZANAK’OLONA

Lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, araka ny lazain’ny 1 Timoty 3. 16: “Naseho teo amin’ny nofo” Andriamanitra. Tao amin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra dia naneho ny tenany tamina fomba maro: nofy, fahitana, fisehoan’ny anjely, teny nambarany tamin’ny mpaminany “matetika sy tamin’ny fomba samihafa”. Fa ny Filazantsara dia mametraka eo anoloantsika ity zava-miafina mahagaga ity: “Ny Teny tonga nofo”, izany hoe tonga olombelona.

Nonina” (“nanorina ny lainy”) fotoana fohy teto anivontsika i Jesoa. Nasehony nandritra io fotoana io ny voninahiny, nefa tsy voninahitr’Ilay mpanjaka hanjaka amin’izao tontolo izao na voninahitr’Ilay Mpahary, fa voninahitr’Ilay olona lavorary, ny voninahiny ara-moraly, “voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana”. Ary velarin’ny Filazantsara ho hitan’ny masom-pinoantsika ny fiainana lavorary manontolo niainan’i “Kristy Jesoa, Izay olona”.

Fehezan-teny vitsy, nefa tena mazava sy lalina, no anambaràn’ny Filipiana 2. 6-8 antsika ny halalin’izany fanetrentena izany. I Kristy Jesoa dia mitoetra ho manana ny “endrik’Andriamanitra”, ary izany no votoatin’ny fiainany; nefa Izy tsy nanao toa an’i Satana (Isaia 14. 14) na ny olombelona nalaina fanahy (Genesisy 3. 5): “Tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra.” Azo antoka fa nanana ny “endrik’Andriamanitra” Izy, ary mbola manana izany. Nefa dia nekeny “nofoanany ny tenany” (ary Izy irery ihany no nahavita izany), nesoriny daholo ireo mariky ny voninahiny (nefa tsy nitsahatra ny fananany ny endrik’Andriamanitra). Naka ny “endriky ny mpanompo” Izy, niaina tanteraka ny fiaina-na mpanompo, tonga ho “manam-pitoviana amin’ny olona”. Ny olombelona, amin’ny maha-izy azy, dia andevon’Andriamanitra, mpanompon’Andriamanitra: lalànan-javatra izany, satria voary izy. Fa Izy kosa, an-tsitrapo no nahatonga Azy ho toy izany. Tsipihina fa “naka ny endriky ny” olona Izy (jereo Romana 8. 3), satria tsy nanana ota: “Izay tsy nanota akory” (1 Petera 2. 22); “Izay tsy nahalala ota” (2 Korintiana 5. 21); “Ary tsy mba misy ota ao Aminy” (1 Jaona 3. 5).

Dingana faharoa indray tamin’ny fanetreny tena no aseho antsika ao amin’ny Filipiana 2. 8: “Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena.” Olona eo anivon’ny olona Izy no nanetry tena, amin’ny maha-olona Azy. Tsy mba nitaky toerana ambony Izy; tsy nitafy ny voninahitra maha-mpanjaka izay hananany at aoriana; tsy nitady ny fankasitrahana na ny haja tamin’ireo manam-pahefana tamin’ny fotoanandrony. Tamin’izany fanetreny tena izany Izy dia “nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana.”

Ambaran’ny Hebreo 5. 7-8 antsika ny fahoriana nianjady taminy noho izany fankatoavana izany: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy … dia nianatra fanarahana, tamin’izay fahoriana nentiny ..., na dia Zanaka aza.” Tsy maintsy niaina ny atao hoe fankatoavana Izy, tamin’ny maha-olona Azy, ary olona nikatsaka ny hanatanteraka hatramin’ny farany ny sitrapon’Andriamanitra. Na dia tsy nisy kianina aza ilay mpanompo, tsy izany no nahazoany ny anarana hoe Zanak’Andriamanitra. Efa ho nahagaga fatratra raha toa misy olombelona nahavita nitondra tsara ny tenany teo amin’ny fiainany, mba ho mendrika izany anarana izany. Koa tsy zavatra lehibe lavitra ve ny hoe ilay Zanak’Andriamanitra nanjary mpanompo!

Aoka nefa tsy hohadinoina fa tao amin’io olona nanetry tena io no “itoeran’ny fahafenoana rehetra” (Kolosiana 1. 19). Izy no Imanoela, “Amintsika Andriamanitra” (Matio 1. 23). “Andriamanitra ao amin’i Kristy” no nampihavana izao tontolo izao tamin’Andriamanitra (2 Korintiana 5. 19). Sady tena Andriamanitra Izy no tena olona.

Araka ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona, dia fomba telo no tokony hahafantarana Azy: “Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’Andriamanitra” (1 Jaona 4. 2). “Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra” (and 15). “Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (5. 1).

Hadisoan-kevitra toy inona moa no efa naelin’ireo izay “tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy” (2 Jaona 7), na tsy Zanak’Andriamanitra i Jesoa. “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy” (and 10). Manan-danja indrindra eo imason’Andriamanitra izay rehetra mahakasika ny Zanany.

Ny amin’ny hoe Zanak’olona Izy, dia Izy mihitsy no milaza izany; ny ahitana izany voalohany dia ao amin’ny Matio 8. 20, amin’ilay teny mahavariana hoe: “Ny amboahaolo, manan-davaka; ary ny voromanidina, manana fialofana; fa ny Zanak’olona, tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” Ny lohany dia eo ambony hazofijaliana no hapetrany, nony “nanondrika ny lohany Izy”, ka nanolotra ny fanahiny tamin’ny Rainy. (Ny voambolana grika adika hoe “nanondrika” ao amin’ny Jaona 19. 30 dia mitovy amin’ilay adika hoe “hipetrahana” ao amin’ny Matio 8. 20!)

  1. Ny nitsaihany


Efa nanambara ny Isaia 7. 14 fa hanana anaka ny virijina, ary hiteraka zazalahy. Tsy maintsy mandinika ny Filazantsara isika, vao hahatakatra ny vokatry ny ambaran’io faminaniana io.


Ao amin’ny Lioka 1. 35, gaga i Maria hoe hanana anaka, nefa mbola tsy nahalala lehilahy, ka novalian’ilay anjely hoe: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.” Virijina i Maria, ary nifamofo tamin’i Josefa. Tsy nisy teo amin’izy ireo fiarahana mety nitondra tamina fananana anaka. Ao amin’ny Matio 1. 18-23 ny Fanahin’Andriamanitra dia manoritra fa “raha mbola tsy nivady izy”, dia nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina i Maria. Niahiahy ihany i Josefa; tonga nanome toky azy nefa ny anjelin’ny Tompo, nilaza hoe: “Ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina; ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOA, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” Tanteraka tamin’izany ny faminanian’i Isaia (and 23). Tamin’i Josefa ilay anjely dia niresaka ny amin’ny Mpamonjy; tamin’i Maria izy dia niresaka an’Ilay hanjaka: Tamin’ny alalan’i Maria Izy dia taranak’i Davida araka ny nofo (Matio 1. 16).


  1. Ny nahaterahany

Ambaran’ny Mika 5. 2 fa ho teraka ao Betlehema ny Kristy. Ry Josefa sy Maria dia nonina tany Nazareta. Ahoana ny fomba hataon’Andriamanitra, hitondrana an’i Maria ho any an-tanànan’i Davida, hiteraka any? Ambonin’ny zavatra rehetra Andriamanitra. Nisy didy navoakan’ny emperora, hanaovana fanisam-bahoaka (izay at aoriana vao hatao!). Noho io didy io i Josefa, toy ireo Jiosy hafa rehetra, dia nandeha hiakatra any amin’ny tanàna niaviany, dia i Betlehema, “satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny mpianakaviny” (Lioka 2. 4). I Maria “fofom-badiny” dia bevohoka. Raha mbola tao amin’izany tanàna izany izy ireo, dia niteraka ny Lahimatoany i Maria; nohodidininy lamban-jaza io zanany io ary nampandriny tao anatin’ny fihinanam-bilona. Tsy nisy toerana ho azy ireo tany amin’ilay trano fandraisam-bahiny. Ny zavatra voalohany nataon’izy ireo tamin’io zanany io, dia Izy “nohodidininy lamban-jaza” ; ny zavatra farany hatao Aminy, rehefa nampidinina avy eo ambony hazofijaliana ny vatany, dia Izy “nofonosiny lambam-paty” (Jaona 19. 40).

Ny tetiarana ao amin’ny Matio 1 —rehefa avy namerimberina ny hoe Ranona niteraka an-dRanona— nony tonga teo amin’i Josefa, dia manoritra hoe: “vadin’i Maria; ary Maria niteraka an’i Jesoa, Izay atao hoe Kristy” (and 16).

Io Zazakely “voahodidina lamban-jaza sady mandry ao anatina fihinanam-bilona” io no “famantarana” ho an’ireo mpiandry ondry, izay nilazan’ny anjely ny “fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Ho an’ireo magy izay ho tonga at aoriana hitsaoka ilay mpanjaka, ny famantarana dia kintana. Nandeha nankany Betlehema ireo mpiandry ondry; nahita an-dry Maria sy Josefa ary ilay Zazakely, ary “nony efa nahita izy”, dia nampiely izany. Tsy ry Josefa sy Maria no nojereny, fa ity Zaza Izay nambara tamin’izy ireo fa lehibe tsy misy toa azy. Niverina izy ireo, “nankalaza sy nidera an’Andriamanitra”, toy ireo anjely marobe avy any an-danitra, izay nidera sy nankalaza an’Andriamanitra.

Ny anton’ny ifaliana dia “lehibe”, ary “ho an’ny olona rehetra”. Tsy toy izany ny voalazan’ny Lioka 1. 14: tao, ny anton’ny ifaliana dia ho an’i Zakaria sy olona maromaro hafa, noho ny nahaterahan’i Jaona, ilay ho Mpanao batisa; izy no hamboatra ny làlan’ny Tompo, fa ilay Zaza tao Betlehema dia ny Tompo mihitsy.

Rehefa feno valo andro i Jesoa dia noforana. Nanaraka amin’ny antsipiriany ny lalàna ny ray aman-dreniny, ka rehefa afaka ny efapolo andro, dia nitondra tany Jerosalema mba hodiovina, tsy ny Zaza tsy akory, fa i Maria, araka ny ambaran’ny Levitikosy 12. 7 (“ho an-dravehivavy”). Marihina fa tsy afaka nanolotra zanak’ondry ny ray aman-drenin’i Jesoa, satria nahantra loatra: domohina roa ihany no azony natao fanatitra.

Nony niditra tao an-tempoly izy ireo, nitondra ilay Zaza, dia tsy nisy nahalala hoe iza io Zaza io, na ny mpisorona, na ny lehiben’ny tempoly. I Simeona antidahy ihany, izay notarihin’ny Fanahy, no nitrotro Azy, ary nisaotra an’Andriamanitra satria ny masony efa nahita ny famonjena. Gaga tamin’izany zavatra izany ireo ray aman-dreniny, ary Simeona “nitsodrano azy ireo”. Marihina fa ny ray aman-dreny no notsofiny rano, fa tsy ilay Zaza. “Tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tsodrano amin’ny lehibe noho ny tenany” (Hebreo 7. 7). Ahoana moa no ho nahazoan’i Simeona hitsodrano ilay Zaza, nefa izy tenany, aza, mila ny tsodranon’io Zaza io?

Ana, ilay mpaminanivavy efa anti-panahy, dia tsy mba niala teo an-tempoly, ary tonga teo, tamin’izay fotoana izay. Nisaotra an’Andriamanitra izy, ka “nilaza Azy” (nilazalaza ny momba Azy). Iza no nolazainy? Ilay Zaza, nefa io Zaza io, iza moa Izy raha tsy ny Tompo?

Tat aoriana dia tonga ireo magy. Nitarika azy ireo ho any amin’ilay “Mpanjakan’ny Jiosy” ny kintana (Matio 2. 2). Nony tonga tao Betlehema izy ireo, dia niditra tao an-trano, ary nahita ilay Zaza sy Maria reniny. Fa nony niankohoka izy ireo, dia ilay Zaza no nitsaohany sy notolorany ireo fanomezany sarobidy: ny volamena (ny zavatra sarobidy indrindra ao amin’ny Baiboly, izay manambara an’Andriamanitra amintsika), ny zava-manitra (ilay fofona manitra miakatra ho any amin’Andriamanitra ary ankasitrahiny, toy ny hiakaran’izany fofona izany mandritra ny fiainan’ilay Olona lavorary), ny miora (ny ngidin’ny ho fahoriany). Ireo fanomezana ireo dia mampahatsiahy antsika ny fitsaohana azontsika atolotra an’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, amin’ny alalan’i Kristy.

Ny zavatra mahatalanjona indrindra ve, tsy ilay fandosirana nankany Egypta? Ho azon’Andriamanitra natao tsara ny nanao fahagagana hiarovana ny Zanany. Nefa tsy nisy fahagagana natao, ho an’i Jesoa. Olombelona et an-tany Izy. Fony mbola zaza Izy dia nentin’ireo ray aman-dreniny nandositra, toy ny mpitsoa-ponenana, nivahiny tany amin’ny tany tsy an’ny tena, mandra-pahafatin’i Heroda; ary avy eo nonina tao Nazareta, izay “nahabe” Azy (Lioka 4. 16).

  1. Nony roa ambin’ny folo taona Izy

Tsy misy na inona na inona nambara antsika momba io fiainana tao Nazareta io. Nantsoina hoe “ilay Zanaky ny mpandrafitra” Izy, na koa hoe “ilay mpandrafitra” mihitsy, namaritana ny asany. Sitrapon’ny Fanahin’Andriamanitra nefa ny handrakitra ho antsika ity zava-niseho feno fampianarana ity: nony roa ambin’ny folo taona i Jesoa dia niakatra tany Jerosalema niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, hankalaza ny Paska; nijanona irery tany Izy, na dia tsy nampandry mandry ny ray aman-dreniny aza, indrindra fa ny reniny. Nitady Azy nandritra ny telo andro ireo ray aman-dreniny. (Tsy tokony ho tany an-tempoly avy hatrany ve no nalehan’izy ireo, araka ny fahafantarany hoe iza Izy?) Farany, hitany ihany Izy, “eo amin’ny raharahan’ny Rainy (na: eo an-tranon’ny Rainy)” sady naka ny toerana sahaza ny zazalahy roa ambin’ny folo taona teo afovoan’ny mpahay lalàna, “nihaino sady nanontany azy” (ohatra tsara io, ho an’ireo rahalahy tanora, momba ny tokony hitondrany tena ao amin’ny fiangonana, indrindra amin’ny fivoriana fianarana!). Fantatr’i Jesoa tsara fa Zanaky ny Ray Izy; tsy nanakana Azy tsy hody hiaraka amin’ny ray aman-dreniny nefa izany, ka “nanoa azy” Izy. “Nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona” i Jesoa, tsy misy kianina tamin’ny dingana rehetra nolalovany nahalehibe Azy, araka izay tandrify ny taonany.

  1. Ny fanompoany


Mahasarika fatratra ny “mahita an'i Jesoa etsy sy eroa” {Jereo ny bokikely nosoratanay mitondra io lohateny io.}, amin’ireo diany isan-karazany, ny fitserany ny olona, ireo fampianarany, ilay toetra maha-olona lavorary Azy. Indraindray ny maha-Andriamanitra Azy dia miseho toy ny tselatra, rehefa nampitony ny tafio-drivotra Izy, ohatra, na nanangana an’i Lazarosy amin’ny maty, na nanao fahagagana samihafa tsy tambo isaina. Fa nisy nilaza hoe: “Nafeniny tao amin’ny endrika mpanompo ny endrik’Andriamanitra, nosaronany tamin’ny maha-Galiliana fanabanty ny maha-Andriamanitra Azy.”


Nahafantatra ny atao hoe havizanana Izy, nipetraka teo amin’ny fantsakana tao Sikara, reraky ny làlana, tamin’ny mitataovovonana (Jaona 4. 6). Nangetaheta Izy ary nangataka rano tamin’ilay vehivavy teo. Eo amin’ny hazofijaliana Izy dia hiantso hoe: “Mangetaheta Aho”, mba hahatanteraka izay voasoratra. Tsy maintsy nandalovany io hetaheta tsy laitra —manjo ny olona voahombo— io, nefa mbola lalina kokoa noho izany ny hetaheta tao am-pony, hanatanteraka ny asa nampanaovin’ny Ray Azy. Nahafantatra ny atao hoe hanoanana Izy (Marka 11. 12). Natory Izy tao anaty sambokely, na dia nisy tafio-drivotra aza, ary nampandriny tamin’ny ondana ny lohany. Nitomany Izy teo amin’ny fasan’i Lazarosy, nitomany Izy noho ny amin’i Jerosalema, nitomany Izy tao Getsemane (Hebreo 5. 7).


Matetika Izy no hitantsika miantrano, indraindray misakafo ao; miditra synagoga, manao fahagagana, tsy sasa-mampianatra, mamaky ny Soratra Masina; hitantsika Izy mivoaka manaraka ny moron-dranomasina, miantso ny mpianany, miteny amin’i Matio hoe “Andeha hanaraka Ahy.” Misy fotoana andehanany irery any an-taniefitra na eny an-tendrombohitra, mba hivavaka.


Imbetsaka Izy no miantso manokana ireo mpianany ary milaza amin’izy ireo ny fahoriana miandry Azy. Taorian’ny fiovàn-tarehy, namirapiratan’ny voninahitry ny Mesia, nefa koa voninahitr’Ilay Zanaka malalan’ny Ray, “hatramin’izay” dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianany Izy fa tsy maintsy miakatra any Jerosalema ary hitondra fahoriana be (Matio 16.22). Raha namakivaky an’i Galilia Izy, dia nampianatra ny mpianany hoe: “Ny Zanak’olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ny olona, ka hovonoiny.” Ny mpianany kosa tsy nahazo izany. Mbola naverin’i Jesoa ihany ny fampianarany, raha “teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema” izy ireo: “Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy, ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa; ary hanao Azy ho fihomehezana ireny, sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy” (Marka 10. 32-34). Inona no navalin’izy ireo izany? — Nangataka ny toerana tsara indrindra ao amin’ny fanjakana ry Jakoba sy Jaona!


  1. Ny nahafatesany

Nandalo ny taona. “Efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska… Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska… Ary nony tonga ny fotoana dia nipetraka hihinana Izy...” (Lioka 22). “Tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao, ho any amin’ny Ray” (Jaona 13. 1). Hihemotra ve Izy, manoloana ireo fijaliana? Tena hankatò hatramin’ny fahafatesana ve Izy? Mbola ambara ihany fa “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy.”

Tao Getsemane Izy dia nanaiky ilay kapoaka natolotry ny tànan’ny Ray. Nony niteny i Pilato hoe: “Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza” (Jaona 19. 4), dia i Jesoa no nivoaka, nisatroka tsilo sy nitafy lamba volomparasy, ary “niova loatra ny endriny, ka tsy toy ny endrik’olona akory” (Isaia 52. 14 DIEM). Ho azony natao ny nihemotra. Tsy afaka nanery Azy ny governora. An-tsitrapo no nivoahan’i Jesoa. Nampiseho Azy i Pilato tamin’ny hoe: “Indro ny Lehilahy!”

Napetraka teo anoloan’ny vahoakany ilay “Lehilahy ory sady zatran’ny fahoriana”. Inona no havalin’izy ireo? — “Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!”

Farany i Pilato dia nanolotra Azy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Nalain’ireo i Jesoa ary nentiny. Inona no ambara antsika? “Izy nitondra ny hazofijaliany” (Jaona 19. 17). Tsy ho afa-nitondra Azy mihitsy ireo, raha tsy sitrapony. Efa nilaza ny mpaminany fa “tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina” Izy: ny filazantsara araka an’i Marka, ilay boky manambara ny Mpanompo, no mampiseho Azy antsika ho toy izany. Fa ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona kosa, ilay Zanak’Andriamanitra dia nandeha an-tsitrapo nankany amin’ny toerana fampijaliana!

Nety maty ve i Jesoa? Ny olombelona rehetra dia mety maty; efa nandray anjara tamin’ny toetra maha-olombelona Izy; nefa tsy hoe tokony ho faty Izy, fa afaka nanome ny ainy: “Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray” (Jaona 10. 18). Fanapahan-keviny Izy samirery, olona vory saina tanteraka, ny namela azy ireo hanombo Azy, sy nandà ilay divay miharo miora izay mety ho nampitony ny fijaliany. Tsy nidina avy teo amin’ny hazofijaliana Izy, nony nolatsaina hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, raha Mpanjakan’ny Jiosy Ianao, midina avy eo ambony hazofijaliana, dia hino Anao izahay. Hatramin’ny farany Izy dia nanao izay hahatanteraka izay voasoratra; ary nony “efa vita ny zavatra rehetra”, dia nanandrana tamin’ilay vinaingitra Izy, ary nanao hoe: “Vita.” Dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny (Jaona 19. 28-30).

Nody tany Jerosalema ny vahoaka, niteha-tratra. Tonga ny alina, tao Kalvary. Nanatona teo i Josefa avy any Arimatia, mpianatr’i Jesoa tao amin’ny mangingina. Nomen’i Pilato lalana izy haka ny fatin’i Jesoa. Nesoriny avy teo ambony hazofijaliana Izy. Tonga koa ny lehilahy iray nandeha alina tany amin’i Jesoa tany am-piandohana, Nikodemosy, “nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra” (Jaona 19. 38-42). Nentin’izy roalahy ny fatin’i Jesoa, nofonosiny lamba niaraka tamin’ny zava-manitra, ary napetrany tao amin’ilay fasana vaovao tao an-tsaha. Lehilahy roa koa ireo, nikarakara Azy nony maty Izy, toy ireo lehilahy roa niresaka taminy ny hanatanterahany ny fahafatesany any Jerosalema (Lioka 9. 31); mbola lehilahy roa ihany koa no handeha ho any Emaosy, malahelo satria foana tanteraka niaraka tamin’ny nahafatesan’i Jesoa ny fanantenàn’izy ireo.

  1. Ny nitsanganany ho velona

Nalevina” Izy, hoy ny 1 Korintiana 15. 4, mba tsy hisy indray hilaza hoe sendra torana kely fotsiny Izy nony niantso tamin’ny feo mahery sy niala aina teo ambony hazofijaliana. Tena maty Izy, ary tena nitsangan-ko velona. Nisy olona nandà ny nitsanganany ho velona, nefa “raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia … foana ny finoanareo” (and 13-14).

Natsangana Izy ka nitafy vatana “araka ny fombam-panahy”, nefa (na inona na inona ny amin’izany) dia tena olombelona tokoa. Tsy nahalala Azy ireo mpianatra tany Emaosy nohatoniny sy niarahany dia. Toy ny olona rehetra ihany Izy. Nefa nangorakoraka ny fon’izy ireo, tao anatiny; ary nony namaky ny mofo niaraka tamin’izy ireo Izy, namerina ny fihetsika fanaony isanandro fony Izy mbola teo amin’ny nofo, izay vao nisokatra ny mason’izy ireo. Noheverin’i Maria Magdalena fa ilay mpiandry saha no hitany; nony niontana ny fony tamin’ny antsony hoe: “Ry Maria!”, izay izy vao nahalala ilay Tompony (Jaona 20. 15-16). Ny finoana, ny fo, no mahalala ilay Olona nitsangana tamin’ny maty.

Rehefa niseho teo amin’ny mpianany Izy, dia nilaza hoe: “Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao” (Lioka 24. 39-42). Avy eo Izy dia nihinana teo anatrehany tapaky ny hazandrano voatono sy tantely.

Dia nitondra azy ireo nivoaka hatrany Betania Izy, ary nanandratra ny tànany ka nitsodrano azy ireo. Rehefa nosarahina tamin’izy ireo Izy ka nakarina ho any an-danitra, dia tena olona tokoa io nomem-boninahitra io, “ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” (Kolosiana 2. 9).

3. ILAY MPAMONJY

Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 14). Ny anarana hoe “Jesoa” dia efa manambara rahateo fa Jehovah no Mpamonjy. Nanambara tamin’ireo mpiandry ondry ny anjely hoe “Mpamonjy no teraka ho anareo.” Nijoro ho vavolombelon’izany ireo Samaritana tany Sikara: “Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.” Ary anterin’ny 2 Timoty 1. 10 ny hafenoan’ny fahamarinan’izany: “Kristy Jesoa, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana mandrakizay.”

  1. Ny famonjena

Efa tonga ny Zanak’olona, hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19. 10). Tsy maintsy mahita tena fa very, vao mankamamy ny atao hoe voavonjy. Tena mitoetra marina, andro iray na maromaro, eo anoloan’ny fahamasinan’Andriamanitra, Izay tsy afaka hijery ny faharatsiana; manaiky fa mendrika ny fahaverezana, satria efa naniratsira imbetsaka tsy tambo hisaina an’io Andriamanitra masina io; dia mahatsapa amin’izay fa “fahasoavana no namonjena (antsika), amin’ny finoana; ary tsy avy (amintsika) izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2. 8).

Efa novonjena ny mpino, ary mitoetra ho voavonjy: (fahasoavana no) “namonjena anareo”. Tsy zavatra mbola ho avy, tsy akory, ny famonjena ny fanahy, fa izao ankehitriny izao, ary maharitra tsy miato: “(Andriamanitra) namonjy antsika ... tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasàny sy ny fahasoavany” (2 Timoty 1. 9).

Fa iainana amin’izao fotoana izao koa ny famonjena. Izao no ambaran’ny Filipiana 2. 12-13 antsika: “Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra, hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana.” Ny hoe “miasà”, eto, dia mifono ny hevitra hoe “mamboly, manakolokolo”, araka izay aseho-na horonan-taratasy maro amin’ny teny fototra (ny teny grika) tamin’ny taonjato voalohany, hita taona vitsivitsy lasa izay. Tsy hoe “mividy” ny famonjena, fa “manatratra —amin’ny asa— ny tanjona tsara entin’io famonjena io”, amin’ny fitondrana voa sy vokatra miseho amin’ny fitondràntenantsika. Ny herin’Andriamanitra irery ihany no afaka miasa ao anatintsika, hampisy ny fikasana hanao ny sitrapony ary hampisy koa ny fanatanterahana izany sitrapony izany. Izany nefa dia mitaky amintsika ho mailo sady hanana toe-po sy toe-panahy mamela an’Andriamanitra hiasa eo amin’ny fiainantsika, amin’ny alalan’ny Fanahiny.

Farany, ny tena famonjena feno dia mbola ho avy. “Ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika” (Romana 13. 11). Mbola averina ihany, fa tsy hitady ny famonjena tsy akory no ataontsika, fa kosa mifoha amin’ny torimasontsika sy mitafy ireo fiadian’ny mazava ka mitondra tena tsara toy ny amin’ny andro antoandro. Azo antoka fa efa akaiky ny andro hiavian’ilay “Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3. 21). Ankehitriny isika dia manana “ny voaloham-bokatry ny Fanahy”, nefa “miandry ny fananganana anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika” (Romana 8. 23).

  1. Ny famelàn-keloka sy ny fanadiovana

Lafiny roa no anehoana ny fahotana: dia ny trosa, toy ny amin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa; sy ny fahalotoana, oharina amin’ny habokana. Ny trosa dia mifandraika amin’ny famelàna ireo heloka; ny fahalotoana, amin’ny fanadiovana.

  1. Famelàn-keloka

Voavela ny fahotan’ilay olo-meloka, tsy nila nizaka ny sazy sahaza azy noho ny heloka vitany izy.

Raha famelàn-keloka omen’olombelona, ohatra hoe ray mamela ny heloky ny zanany, dia foanana ny fanamelohana noho ny fitiavana, angamba koa noho ny fahalemena, ary tsy misy sazy.

Tsy toy izany kosa ny famelàn-keloka omen’Andriamanitra. Tsy maintsy ampiharina ny sazy, saingy natao tamin’olon-kafa, olona nisolo toerana; dia afaka mamela heloka Andriamanitra, amin’izay. Fa ilay nisolo toerana kosa dia tsy olona iray hafa, olona hatao sorona, tahaka ny zava-misy amin’ny fivavaha-na mpanompo sampy sasantsasany, hampitony ny hatezeran’ilay andriamanitra tompoina. Izy Andriamanitra tenany mihitsy no nanolo-tena hisolo toerana, tamin’ny alalan’ny Zanany: “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, … ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53. 6).

Raha tsy misy ra latsaka, dia tsy misy famelàn-keloka” (Hebreo 9. 22). Nandriaka ny ran’ny biby natao sorona, dia ombilahy sy zanak’ondry marobe: kisarisarin’ny fahafatesan’i Kristy ireny. Tsy afaka nanala ny fahotana io ra io. Mba hahatsapan’ny olony ny fomba nanonerana ilay trosa, dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany, nony nandray ny kapoaka tamin’ilay alina namadihana Azy iny: “Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena vaovao, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelàn-keloka” (Matio 26. 28).

Feno sy tanteraka ilay famelàn-keloka, “navelan’(Andriamanitra) ny fahadisoantsika rehetra” (Kolosiana 2. 13).

Dia ahoana ny momba ireo fahadisoan’ny mpino? Ny asa vitan’i Kristy irery ihany no nanefa izay trosa izay. Ny takian’Andriamanitra amin’ireo olony, dia ny iekeny ny hadisoany: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Raha milaza isika fa tsy manana ota, tsy manana toetra maha-mpanota, dia mamita-tena. Raha milaza isika fa tsy nanota, tsy nanao hadisoana, dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga. Tsy hoe ny manafina ny hadisoana no ilaina, fa ny miaiky izany, amin’Andriamanitra aloha, voalohany indrindra, ary manaraka izany, amin’ireo olona noratraintsika na nanaovantsika ratsy. Mahatoky Andriamanitra amin’ny teny fampanantenàny, ary mamela heloka, fa marina koa Izy eo anatrehan’i Kristy, manao izany.

  1. Ny fanadiovana

Izay voaloto dia tsy maintsy diovina sy sasàna.

Ao amin’ny 1 Korintiana 6. 9 ny lisitr’ireo “boka” tsy handova ny fanjakàn’Andriamanitra. Nefa afaka nanampy ny apostoly hoe: “Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” Ny ambara eto dia ilay fanadiovana tany am-boalohany, fanadiovana feno tanteraka, mahatonga ny olona nahazo izany hihira hoe: “Ho an’Izay tia antsika ka namaha (na: nanasa) antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, … ho Azy anie ny voninahitra” (Apokalypsy 1. 5-6).

Tsy ilaina haverina intsony io fanadiovana tany am-boalohany ny vatana iray manontolo io; kanefa ny mpino, izay voaloto amin’ny diany, dia tsy maintsy sasàna tongotra amin’ny fampiharana ny Teny (ny rano) sy ny asan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina. Izany no fampianarana nataon’i Jesoa tamin’ireo mpianany ao amin’ny Jaona 13, ary nofaranany tamin’ny hoe: “Izay efa nandro, tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa.” Raha tsy izany, hoy Izy tamin’i Petera, “dia tsy manana anjara Amiko” ianao, izany hoe tsy afaka ny hisitraka ny fiombonana miaraka amin’ny Tomponao.

  1. Ny fanamarinana

Tsy maintsy ambara fa marina ilay mpanota, raha tsy izany dia hiharan’ny fanamelohana.

Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 22-23). Tsy maintsy “miasa” ve, mba hisian’ny “karama”, toy ny hoe “zavatra tsy maintsy omena” anao? Tsy izany velively. “Fa ho an’izay tsy miasa ..., fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4. 5). Isika dia “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany ... noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa, … tamin’ny rany, ho fanavotana amin’ny finoana.” Araka izany dia “marina Izy (Andriamanitra), sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesoa” (Romana 3. 24-26).

  1. Ny fanavotana

Andevon’ny ota isika ary andevon’i Satana. Tsy maintsy noafahana isika.

Ny teny fototra (teny grika) dia mampiasa voambolana roa, ilazana io fanavotana io: mividy andevo “ivelan’ny tsenam-barotra”, mba hanafahana azy; na manafaka amin’ny alalan’ny fandoavana onitra. Mifandray ihany moa ireo dikany roa ireo.

Isika dia efa “namidy ho andevon’ny ota” (Romana 7. 14), “nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao” (Galatiana 4. 3), voan’ny “ozon’ny lalàna”. Nefa Kristy “nanavotra (antsika) tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy (antsika)” (Galatiana 3. 13). “Ny ra soan’i Kristy” “no nanavotana anareo tamin’ny fitondràntena adala” (1 Petera 1. 18-19). Ary rehefa hanakoako manoloana ilay sezafiandrianana ny fihiram-baovao, dia hanamafy ny hoe: “Ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” (Apokalypsy 5. 9).

Araka izany isika dia nafahana tamin’ny herin’i Satana sy ny herin’ny ota, novidina tamin’ny ran’i Kristy, izay tsy manam-petra ny vidiny: Kristy “nitondra … ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina, ka nahazo fanavotana mandrakizay” (Hebreo 9. 12).

  1. Ny fampihavanana sy ny fanaovam-panavotana

Ny fampihavanana amin’Andriamanitra dia isan’ireo fitahiana entin’ny asan’i Kristy ho antsika; ny fanaovam-panavotana kosa dia mahakasika an’Andriamanitra.

  1. Ny fampihavanana

Ianareo … fahiny … fahavalony… Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan’ny fahafatesana tao amin’ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra” (Kolosiana 1. 21-22 DIEM). Ny fampihavanana dia mitaky fiovana tanteraka eo amin’ny toe-tsaina. Tsy fahavalontsika Andriamanitra, fa ny mifanohitra amin’izany aza: “Notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao…” Isika no nanohitra an’Andriamanitra, amin’ny fihevitsika, amin’ny fomba fandraisantsika ny zava-misy, amin’ny toe-pisiantsika manontolo. Ilay fiovàna lalina izay nahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra, nefa taloha fahavalony, dia notanterahina “tamin’ny nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5. 10).

Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy.” Napetrany aminay “ny teny fampihavanana”; ary “solon’i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe: Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo!” Manaiky amin’ny finoana ny asa nataon’Ilay “tsy nahalala ota” nefa natao ota, hamonjy antsika, “mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy ... isika” (2 Korintiana 5.19-21).

  1. Ny fanaovam-panavotana

Amin’ny Andro Fanavotana, ao amin’ny Levitikosy 16, anisan’ny tsy maintsy nataon’ny mpisoronabe ny mamono ilay osilahy hatao fanatitra noho ny ota, mitondra ny rany ao anatin’ny efitra lamba, ary mamafy azy eo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana (rakotry ny fiaran’ny Vavolombelona [na: ny Didy Folo]) sy eo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana. Tamin’izany fihetsika izany ny ra dia natao teo ambonin’ny fiaran’ny Vavolombelona, teo ambany mason’ireo kerobima roa nanaloka azy tamin’ny elany. Kisarisary tsara tokoa maneho ny ran’i Kristy izany, mampiseho eo imason’Andriamanitra ny hasarobidiny: “Ny fanavotana (dia) ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana (na: fanatitra fampiononam-pahatezerana)” (Romana 3. 24-25).

Tsy hoe izay hitahia-na Andriamanitra mpamaly faty no atao, na izay hampitony Andriamanitra tezitra; fa izay hahatonga an’Andriamanitra ho marina raha mamela heloka, satria i Kristy nankatò tanteraka sy nanolotra ny tenany. Ny ra teo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana dia nampiseho fa tontosa ny asa, nanome valiny mahafa-po tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra. Tamin’ny vanimpotoanan’ny Testamenta Taloha, ny fahotana dia “voasaron” ’ny fanatitra natao, nefa izany “tsy mahatanteraka ny olona manatona”. Ankehitriny ny fahotana dia efa “voaisotra”. Kristy no “avotra (na: fanatitra fampiononam-pahatezerana) noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” (1 Jaona 2. 2). Eo anatrehan’Andriamanitra dia ho an’izao tontolo izao no nanaovany ny asany, nefa izay olona mandray izany amin’ny finoana ihany no misitraka izany.

  1. Ny fiainana mandrakizay

Maty tao amin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika isika, nefa dia niara-novelomin’Andriamanitra tao amin’i Kristy sy niara-natsangany ho velona taminy (Efesiana 2. 5-6; Kolosiana 2. 13 sy 3. 1). Ny fahateraham-baovao dia mampiditra antsika ho amina fiainam-baovao. Tonga “mpiray” amin’ny fomban’Andriamanitra isika. Noho izany isika dia afaka mandeha amin’ny “fiainam-baovao”.

Mampiharihary io fiainam-baovao io ny fiovàna azo tsapain-tànana hita eo amina olona iray lavitra an’Andriamanitra taloha, nefa nentina ho eo amin’ny Tompo Jesoa.

Niova avokoa ireo zava-tiana, ireo fironana, ny endriky ny zavatra rehetra. Izay nety nanan-danja aoka izany taloha, dia zary tsy misy dikany intsony, fa ny zavatr’Andriamanitra indray no manjary iainana.

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 11-13).

Ny vesatra nentin’i Kristy

Maivana dia maivana indrindra ny mba fahazoantsika an-tsaina ny fahoriana tsy hay ambara nentin’ny Mpamonjy antsika, mba hitondrany antsika eo amin’Andriamanitra: “Mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra” Andriamanitra, ary tiany “ny hahatanteraka ny Tompon’ny famonjena ireo, amin’ny fahoriana” (Hebreo 2. 10).

Efa nambaran’ny mpaminany izany, taloha (Isaia 53, sy andinin-tSoratra Masina maro hafa): “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika… voalefona noho ny fahadisoantsika... Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy… Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry… Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra… Izy no hivesatra ny helok’ireo… Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro.”

Fony niresaka ny fijaliana hanjo Azy ny Tompo Jesoa, dia nilaza hoe: “Izy (Ny Zanak’olona) ... hatao tsinontsinona” (Marka 9. 12). Ny apostoly Petera, “vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ”, dia manoritra hoe: “Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 5. 1; 2. 24).

Nitondra ny otan’ny maro” Izy (Hebreo 9. 28).

Indrisy! Vesatra nentinao

Irery tamin’ilay ora manjombona,

Ny fandaozana, ny tahotra sy ny horohoro

Noho ireo helokay tsy hita isa! (H. Rossier)

4. ILAY KRISTY — ILAY MESIA

Indray andro dia nisy tanora kristiana nangataka anay hamelabelatra amin’izy ireo ny lohahevitra hoe: ilay Kristy ara-paminaniana, ilay Kristy ara-tantara, ilay Kristy velona —olona iray ihany ve ireo? Ndeha àry hojerentsika izay ambàran’ny Teny momba izany.

Ny teny hebreo hoe “Mesia” (ilay Voahosotra) dia nadika hoe “Kristy” amin’ny teny grika sy amin’ny teny frantsay. Anaram-boninahitry ny Tompontsika io, fa “Jesoa” kosa dia anarany manokana. Tsy midika nefa izany, hoe “nanjary” Kristy Izy tamina fotoana iray teo amin’ny fiainany, araka ny itompoan’ny sasany teny fantatra, fa ndeha hovakiantsika indray izay voasoratra ao amin’ny Romana 9. 5, momba izany: “Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay.”

  1. I Kristy ao amin’ny faminaniana


Tsy manonona Azy mazava ny Ohabolana 8. 23, izay milaza momba ny Fahendrena hoe: “Izaho notendreny hatramin’ny fahagola, eny, hatramin’ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.” Ny fiteny hoe “notendreny” dia midika hoe “voahosotra”, amin’ny teny hebreo, ary manambara ny Kristy izany.


  1. Ilay “taranaka”

Taorian’ny fahalavoana dia nilaza tamin’ny menarana i Jehovah Andriamanitra hoe: “Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany: izy (ny taranaky ny vehivavy) hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony” (Genesisy 3. 15). Io no teny fampanantenana mazava, voalohany, momba Ilay ho avy handresy an’i Satana, “hanorotoro ny lohany”. Ny devoly kosa dia “hanorotoro ny ombelahin-tongotry” ny taranaky ny vehivavy, dia i Kristy tonga olona, Izay handalo fahafatesana ka hivoaka ho mpandresy, “mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2. 14). Nandritra ny tantara rehetra dia nisy hatrany io fifandrafesana io, teo amin’ny taranaky ny vehivavy sy ny taranaky ny devoly. Hoy i Jesoa tamin’ireo izay nanohitra Azy: “Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo” (Jaona 8. 44). — “Dia naka vato hitoraka Azy ny olona”! (and 59).

Taonjato maro tat aoriana, ny Anjelin’i Jehovah dia nilaza tamin’i Abrahama avy nanolotra ny zanany lahitokana, hoe: “(Izaho) hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina … ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 22. 17-18). Taranaka telo no voalazan’ireo andininy ireo: taranaka avy any an-danitra: Abrahama no rain’ny mpino rehetra (Romana 4. 16); taranaka et an-tany: Israely; farany, “ny taranakao” izay hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, “taranakao, dia i Kristy izany” (Galatiana 3. 16).

Izy koa dia taranak’i Davida, araka ny ambaran’ny 1 Tantara 17. 13, izay lazaina mazava ao amin’ny Hebreo 1. 5 fa mahakasika ny Zanaka. Ny faminanian’i Natana dia mazava fa nahakasika an’i Solomona, amin’ny fotoana ho avy tsy ho ela. Fa mihoatra lavitra noho izany io fahitana io, tonga hatramin’Ilay azon’i Jehovah nanambaràna hoe: “Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakàko mandrakizay Izy; ary hampitoerina mandrakizay ny sezafiandrianany.”

  1. Ilay Voahosotra

Nanambara i Mosesy fa i Jehovah dia hanangana mpaminany avy eo amin’ny vahoakany, dia avy amin’ny rahalahiny, tahaka azy (Deoteronomia 18. 15-19). Hataon’Andriamanitra ho eo am-bavany ny teniny, ary homeny fahefana Izy. Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniny, dia hadinina aminy izany. Azon’ny Jiosy tsara fa ny Mesia no nolazaina tamin’izany, nony nanontany an’i Jaona Mpanao batisa izy ireo hoe: Iza moa ianao? Tsy izaho no Kristy, tsy izaho no Elia, hoy i Jaona; dia nanontany ireo hoe: Ilay Mpaminany va ianao? (Jaona 1. 21; jereo koa Asa 3. 22).

Izy koa no Ilay Mpanjaka, araka ny Salamo 2: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina. Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany. Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa, ary ny faran’ny tany ho fanananao” (and 6-8).

Asehon’ny Salamo 110 ho toy ny Mpisorona Izy: “Nianiana Jehovah, ka tsy hanenina: Ianao no Mpisorona mandrakizay, araka ny fanaon’i Melkizedeka”; manantitra izany koa ny Hebreo 2. 17 sy andinin-tSoratra Masina hafa.

Ao amin’ny Teny, ny mpaminany sy ny mpanjaka ary ny mpisorona dia samy olona tsy maintsy “voahosotra”.

  1. Ireo fijaliana sy ireo voninahitra

Teny an-dàlana nankany Emaosy dia nampahatsiahy i Jesoa hoe: “Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy, ka hiditra any amin’ny voninahiny?” (Lioka 24. 26). Sanganehana noho ny amin’izany ireo mpaminany fahiny, satria “nambarany (nambaran’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny) rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany” (1 Petera 1. 11). Toa inona ny isan’ireo faminaniana ananantsika, momba ny fahoriany! Ireo misongadina ao amin’ny Isaia 53, ao amin’ny Salamo 22, 69, 102 sy ny maro hafa! I Daniela dia nanambaràna fa “hovonoina ny Mesia, ka tsy hanana” (9. 26). Fa taloha kelin’izany dia efa naseho an’io mpaminany io tamin’ny fahitana ny voninahitr’ilay Zanak’olona, nentina teo anatrehan’ny Fahagola, “ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana ..., mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay” (7. 13-14).

I Isaia dia nahita ny voninahiny: Ilay mpanompo naetry sy nasian-dratsy, ilay Lehilahy zatran’ny fahoriana, dia “hisandratra sy ho ambony … ka ho avo indrindra” (52. 13). “Hanome Azy anjara amin’ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ny mahery Izy” (53. 12).

Hahaliana sady hitondra voka-tsoa tokoa ny hitady “ao amin’ny Soratra Masina rehetra” ireo andininy momba ny fahoriany sy ny voninahiny!

  1. Ilay Kristy ara-tantara

  1. Tamin’ny nahaterahany

Ny tetiarana ao amin’ny Matio 1 dia miafara amin’ny hoe: “Ary i Maria niteraka an’i Jesoa, Izay atao hoe Kristy.” Hoy ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry hoe: Mpamonjy no teraka ho anareo anio, dia “Kristy Tompo”. Ary i Simeona dia natoky fa hahita ny Kristy-n’ny Tompo. Ny magy kosa dia tonga niankohoka teo anatrehan’ilay mpanjaka.

  1. Nandritra ny asa fanompoany


Jaona mpanao batisa, nony nahita an’i Jesoa nanatona, dia niteny hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.” Nanaraka Azy i Andrea sy mpianatra iray, ary nitoetra teo Aminy. Dia nahita an’i Simona rahalahiny i Andrea, ary nilaza taminy hoe: “Efa hitanay ny Mesia” (izay midika hoe “Kristy”) (Jaona 1. 41).


Taoriana kely i Petera dia namaly hoe: “Ianao no Kristy” (Marka 8. 29). Tsy zavatra kely tsy akory izany, satria “efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia horoahina hiala amin’ny synagoga” (Jaona 9. 22).


Teo amin’ilay fantsakana tao Sikara dia nilaza ilay vehivavy samaritana hoe: “Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy).” Ary namaly i Jesoa hoe: “Izaho Izay miresaka aminao no Izy” (Jaona 4. 25-26).


Fijoroana ho vavolombelona efatra no natao ho an’ny Tompo: ny an’i Jaona mpanao batisa (Jaona 5. 33); fanambaràna lehibe kokoa noho ny an’i Jaona: “Ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko” (and 36); ny Ray mihitsy no nanambara Azy (and 37); ary farany, dia hoy i Jesoa: “Dinihinareo ny Soratra Masina … ary ireny no manambara Ahy” (and 39). Iray ihany tokoa, izany, Ilay nambaran’ny Soratra Masina sy Ilay tet an-tany tamin’izany fotoana izany, dia i Kristy.


Teo anoloan’ny synedriona dia nanontany an’i Jesoa ny mpisoronabe hoe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” — Na dia ny fanamelohana Azy ho faty aza no ho setrin’ny valin-teniny, dia hoy i Jesoa hoe: “Voalazanao” (Matio 26. 63-64). Tsy diso i Pilato, nilaza indroa hoe: “Jesoa, Izay atao hoe Kristy” (Matio 27. 17, 22). Ary teo anoloany ny Tompo dia nanao ilay “fanekena tsara” hoe Mpanjakan’ny Jiosy Izy, ary noho izany, dia Izy no Mesia (Jaona 18. 33-37; 1 Timoty 6. 13).


  1. Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny apostoly

Fenon’izany ny bokin’ny Asan’ny Apostoly manontolo. Na dia vao avy niharan’ireo fanenjehana aza izy ireo, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesoa ho Kristy, isanandro” (5. 42). Tsy nety ho sasatra i Paoly fa “avy amin’ny Soratra Masina … dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy; ary Jesoa, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy” (17. 3). I Apolosy indray, “nahery ... naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesoa no Kristy” (18. 28).

Ilay Kristy niaina tet an-tany sy nanolotra ny ainy, tsy Izy ve no Ilay nambaran’ireo teny faminaniana?

  1. Manaiky Azy

Ny Jiosy dia tsy maintsy hanaiky ny maha-Kristy Azy. Ankehitriny dia misy ampahany amin’i Israely, tafangona any amin’ny taniny, ary mamorona firenena mahaleo tena indray; nefa asehon’ny Zakaria 12 fa hidradradradra sy hanenina izy ireo, tsy nanaiky an’i Jesoa ho Kristy. Mandra-pahatongan’izany dia tsy hisy fitahiana mihitsy, fa kosa ady sy famaizana. Rahatrizay mibebaka izy ireo, “dia hisy loharano voasokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema, hanafaka fahotana sy fahalotoana” (Zakaria 13. 1). Amin’izany andro izany dia hiseho ny Mesia, hanafaka sy hitahy ny vahoakany.

Hentitra indrindra ny apostoly Jaona amin’ireo olona tsy manaiky an’i Jesoa ho Kristy. “Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa” (1 Jaona 2. 22-23). Fa mifanohitra amin’izany kosa: “Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (5. 1).

Teny mahatoky no amaranan’ny apostoly ny epistiliny: “Fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra (izany hoe Ilay Kristy ara-tantara) ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina (asan’ny Fanahy Masina io); ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesoa Kristy Zanany (fampianaran’ny epistily io). Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” Dia manampy ny apostoly hoe: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy”; tsy ny sampy vato sy volamena ihany, fa koa ireo sampy rehetra ara-pisainana sy sampy hafa forononin’ny sain’olombelona hanoloana an’i Kristy.

  1. Ilay Kristy velona


Ilay Kristy niaina teto amin’ity tany ity dia maty, nefa koa nitsangan-ko velona. Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, io dia fijoroana ho vavolombelona nantitranterin’ny apostoly, indrindra fa i Petera. Notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra i Paoly, manamafy izany fahazoana antoka izany, ao amin’ny 1 Korintiana 15: “Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (and 14) — “Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’i maty tokoa i Kristy, ho santatr’izay efa nodimandry.” Hanjary velona ao amin’i Kristy ny olona rehetra. “Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy, amin’ny fiaviany.”


Misy fahasamihafany nefa ny asa fanompoan’i Petera sy ny an’i Paoly. I Petera dia manambara ny fitsanganan-ko velona; niara-niaina tamin’i Jesoa izy, tamin’ny naha-teto an-tany Azy; nahita ny nahafatesany izy; teny am-pasana izy, nahita Azy nitsangan-ko velona, ary afaka nanamarina izany mazava. I Paoly kosa dia tsy nahalala an’i Jesoa fony Izy olona; tsy hitany Izy nitsangana tamin’ny maty; fa hitany tam-boninahitra kosa, teny an-dàlan’i Damaskosy, sy tao an-tempolin’i Jerosalema (Asa 22. 17). Aminy dia velona i Jesoa, ilay Kristy: “Izay Jesoa anankiray efa maty, nefa nolazain’i Paoly ho velona” (Asa 25. 19).

Ankehitriny Izy dia velona any an-danitra, “mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany ..., satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7. 25). Raha ara-panahy ny mpino dia “niara-natsangana tamin’i Kristy” (Kolosiana 3. 1). Ary koa mitoetra ao am-pontsika amin’ny finoana Izy (Efesiana 3. 17). Manome toky antsika i Paoly, hoe marina ity zava-mahatalanjona ity: “Voahombo miaraka amin’i Kristy ... aho”; nefa tsy izaho intsony no velona, fa “Kristy no velona ato anatiko.”

Ilay Kristy nambaran’ny mpaminany, tonga indray mandeha tet an-tany, natolotra indray mandeha hitondra ny fahotan’ny maro, dia “hiseho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena” (Hebreo 9. 28).

Izy ihany io Olona io. Efa nambara mialoha Izy, niaina teto an-tany, nitsangana tamin’ny maty, nasandratra am-boninahitra, ary hiseho amin’ireo rehetra miandry Azy: “Jesoa Kristy no tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay” (Hebreo 13. 8).

  1. ILAY TOMPO


Maneho amintsika ny nietren’i Kristy Jesoa ny Filipiana 2. 6-8; avy eo dia ambara indray kosa ny nanandratana Azy: “(Nasandratr)’Andriamanitra ... indrindra (Izy) sy (nomeny) ... ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesoa no handohalihan’ny lohalika rehetra … sy haneken’ny lela rehetra fa Jesoa Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (and 9-11).


Ny maha-Tompo Azy dia tsy maintsy hoeken’ny any an-danitra sy ny et an-tany ary ny any ambanin’ny tany. Mandra-pahatongan’izany dia mahaliana ny mandinika ny anambaràn’ny Testamenta Vaovao Azy ho Tompo.


  1. Ny Tompo” ao amin’ny Filazantsara


Talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia mahalana ihany ny niantsoana Azy hoe Tompo. Ndeha isika hitadidy andalana vitsivitsy ao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka.


Niaraka tamin’ireo mpianany maro sy vahoaka sesehena i Jesoa, nanakaiky ny tanànan’i Naina (7. 11). Tamin’io fotoana io dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona marobe, manotrona vehivavy mananotena, handevina ny zanany lahitokana. “Nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany… Ary hoy Jesoa: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia … natolony tamin-dreniny.” Asehon’ireo andininy ireo ny maha-olona tanteraka an’i Jesoa, onena ary nizara ilay fahoriana mangidy nentin’ity vehivavy mpitondratena. Nahoana àry no tsy nolazaina hoe “Onena azy i Jesoa{fa hoe: “Onena azy ny Tompo”. (Fanamarihan’ny mpandika)}? — Hampiseho tanteraka ny heriny maha-Andriamanitra Azy Izy, hanangana ilay zatovo amin’ny maty; ary ny Tompo tokoa no manao izany. Dia “natolony tamin-dreniny” izy, toy ny hataony at aoriana, nony “natolony tamin-drainy indray” ilay zazalahy nafahany tamin’ny demonia.


Mpianatra fitopolo lahy no notendrena handeha tsiroaroa, hitory ny Filazantsara. Iza no nanendry azy ireo? Tsy i Jesoa, fa “ny Tompo” (10. 1). Mazava tsara fa Izy Tompo irery ihany no afaka maniraka ny mpanompo, ary Izy irery ihany no anaovan’ny mpanompo tatitra (jereo Romana 14. 4!).


Rehefa hanakiana ny Fariseo momba ny fihatsarambelatsihin’izy ireo sy ny hamafisam-pony, ary hanambara “loza” maro ho azy ireo sy ho an’ireo olona tahaka azy, dia tsy i Jesoa no manao izany, fa “ny Tompo” (11. 39).


Nilofo i Satana nitady ny mpianatra, hokororohiny toy ny vary. Tsy maintsy ampahafantarina izany i Petera. “Ny Tompo” Izy tenany mihitsy no mivavaka ho azy, hanarina azy, ary hahatonga azy hampahery ireo rahalahiny mihitsy aza. Nony nandà Azy fanintelony i Petera, dia tsy i Jesoa no nanohana ilay finoany nangozohozo, fa “ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ “ny Tompo” (22. 61).


Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty Izy dia nantsoina matetika hoe “Ny Tompo”. Ireo iraika ambin’ny folo lahy nandray azy roalahy avy tany Emaosy dia nilaza hoe: “Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo” (24. 34). Nony nitondra ny hafatra nankinin’i Jesoa taminy ho an’ireo mpianatra i Maria Magdalena, dia hoy aloha izy hoe: “Efa nahita ny Tompo aho”, izay vao nilaza ilay hafatra (Jaona 20. 18). Nony nitsangana teo afovoan’ireo mpianatra i Jesoa, “dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.”


Fotoana fohy taorian’izay dia nisy mpianatra fito nandeha nanjono. Tsy nahazo na inona na inona izy ireo nandritra ny alina manontolo, ary nony maraina dia nahita an’i Jesoa teo amoron-drano. Nahalala Azy i Jaona, ka nilaza tamin’i Petera hoe: “Ny Tompo ir” (21. 7), fa tsy hoe: “i Jesoa ir”.


Ny Filazantsaran’ilay Mpanompo lavorary dia mifarana amin’izao fanambaràna izao: “Ary Jesoa Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra… Fa izy ireo kosa … nitoriteny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy” (Marka 16. 19-20).


  1. Ao amin’ny Asa sy ao amin’ny Epistily


Asongadina ao ny maha-Tompo Azy. Nony notoraham-bato i Stefana dia nangataka tamin’ny Tompo Jesoa handray ny fanahiny. Ny Tompo dia niteny an’i Ananiasy hametra-tànana amin’i Paoly. Nony vitan’ilay mpianatra mahatoky izany, dia hoy izy: “Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesoa Izay niseho taminao teo amin’ny làlana nalehanao…” (Asa 7. 59; 9. 11-17).


Nidina nankany Antiokia i Barnabasy, ary ireo mpianatra niely tonga tao dia “nitory an’i Jesoa Tompo; ary ny tànan’ny Tompo nomba azy ireo.” I Barnabasy “nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra”. Ary rehefa nitohy ny asa, dia “marobe ny olona nanampy ho an’ny Tompo.”


Toy inona akory moa ny tsongandahatsoratra mbola azo tanisaina! Omen’ny 1 Korintiana 12. 3 antsika ny tsiambaratelon’izany: “Tsy misy mahay manaiky hoe Jesoa no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina.” Azo atao ny miteny hoe Kristy, Jesoa avy any Nazareta, Jesoa Kristy; fa mba ahafahana milaza an-kitsimpo hoe “Jesoa Tompo” kosa, tsy efa tokony nandray Azy ve, nandray Azy ho Mpamonjy sady Tompo, ao am-po sy ao amin’ny fiainana?


  1. Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana
    (Efesiana 1. 22)


Ny mpanao salamo dia afaka niteny —ary azontsika ampiharina amin’ny tenantsika izany— hoe: “Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; raha irin’ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao —fa izy no tomponao—, dia miankohofa eo anatrehany” (Salamo 45. 10-11). Tsy izany ve no antso voalohany atao amin’ilay sarobidy aminy: mivavaka manompo Azy?


Ary eo afovoan’ny fanompoam-pivavahana ataontsika, tsy eo koa ve ny Fanasàn’ny Tompo? Ao amin’ny 1 Korintiana 11. 20-32 dia impito no miverina ny voambolana hoe “Tompo” (tafiditra ao amin’izany ny hoe “Fanasàn’ny Tompo”, izany hoe “an’ny Tompo”). Ny fampianarana azon’i Paoly momba io lohahevitra io, dia avy amin’ny Tompo. Ny Tompo Jesoa no nanorina io, tamin’ilay alina hamadihana Azy. Ny nahafatesan’ny Tompo dia ambara isaky ny mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka. Kapoaky ny Tompo io. Izay mandray anjara amin’izany amin’ny fanahy tsy mendrika dia ho “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo”. Raha tsy mandini-tena dia faizin’ “ny Tompo”. Mitodika amin’ny fontsika ny apostoly, mampahatsiahy “iny alina iny izay namadihana Azy”; ary ny faniriana lalina tao amin’i Jesoa (Lioka 22. 15) dia ny hoe “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” Hamaly ve isika amin’ilay fihirana hoe: “Ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay” (Isaia 26. 8)?


Soritan’ny apostoly koa ny fanajana tokony haseho, rehefa mandray anjara amin’io Fanasàn’ny Tompo io: “Na oviana na oviana ianareo … dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo.” Na ny fahazarana, na ny firiorion-tsaina, na ny zava-manahirana dia tsy tokony hampanadino antsika fa isaky ny mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo isika, dia ny fahafatesany no ambarantsika.


Izy Tompo tenany mihitsy, fa tsy mba anjely, no ho avy haka ho eo anilany ireo olo-navotany. Ao amin’ireo andininy telon’ny 1 Tesaloniana 4. 15-17 dia indimy no anambaràna ny Tompo amintsika; Izy tenany no hidina avy any an-danitra, hanangana ireo izay maty ao amin’i Kristy sy hanova ireo izay mbola velona, ka hampiakatra azy rehetra ireo ho eny amin’ny rahona, hiara-mitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka, dia ho any Aminy mandrakizay.


Alohan’ny hamaranana ny boky masina Izy dia mamerina amintsika hoe: “Eny, avy faingana Aho.”


Hiakam-pitiavana sy fanantenana

Avalin’ny voafidinao

No miakatra ho Anao amin’ny Fanahy Masina:

Amen, avia, Jesoa Tompo” (A. Gibert).


  1. Ilay Mpanjakan’ny Jiosy


Ho an’ny fiangonana, ilay vady, dia Izy no Tompo. Ho an’i Israely Izy dia Mpanjaka. Tsy tokony hafangaro ireo anaram-boninahitra roa ireo, na ao amin’ireo fihiranantsika, na ao amin’ireo vavaka ataontsika.


Ny fanontaniana voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha, napetraka tamin’i Adama, izay niafina taorian’ny fahalavoana, dia ny hoe: “Aiza moa ianao?” Ny tanjon’io fanontaniana io dia ny hampiseho ny fahalavirana an’Andriamanitra izay nahatafalatsaka azy, noho ny nataony.


Ny fanontaniana voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao: “Aiza Ilay ... Mpanjakan’ny Jiosy?”, dia mahatonga hahatsapa ny fietren’ilay zaza tonga teo afovoan’ny olony tam-panetrentena lalina.


Ny mpianatra iray hantsoiny, i Natanaela, dia hamaly ny antsony amin’ny hoe: “Ianao no Mpanjakan’ny Israely” (Jaona 1. 49). Efa nilaza ny mpaminany Zakaria hoe: “Lazao amin’i Ziona zanaka vavy: Indro ny Mpanjakanao, avy ho anao, … mitaingina boriky” (Matio 21. 5). Tamin’ny faran’ny fiainany Izy dia nekena ho toy izany, nandritra ny ora vitsivitsy, nohobiana hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!” (and 9). Tsy ela akory nefa Izy dia nolavina.


Nosamborina Izy, dia nentina teo anatrehan’i Pilato, ary teo no nanaovany “ilay fanekena tsara” (1 Timoty 6. 13) hoe: “Voalazanao fa mpanjaka Aho” (Jaona 18. 37). Mbola nitady izay hanafahana Azy ihany i Pilato, ka nampiseho Azy tamin’ny Jiosy, nanao hoe: “Indro ny Mpanjakanareo!” Nefa ny antsoantson’ireo no nahazo vahana: “Ento! Ento! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!” Ary ny soratra niampangana Azy, teo ambony hazofijaliana, dia ny hoe: “Jesoa avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy”.

Indray andro any nefa Izy dia hanjaka amin’ny vahoakany, araka ny nambaran’ny mpaminany hoe: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka” (Isaia 32. 1), ary hitondra ny fitahiana rehetra mifandraika amin’ny fanjakàny.


  1. Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo


Ilay sariolona tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara dia nampiseho ireo fanjakana efatra teo amin’ny jentilisa. “Vato voaendaka” fotsiny ihany, dia ampy nahatorotoro sy naharava azy. Dia nankinina tamin’ny “zanak’olona” ny fanapahana, ny voninahitra, ny fanjakana; ary “ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay”, “ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa” (Daniela 7. 14; 2. 44).


Indray andro any, ilay Lehilahy zatran’ny fahoriana, nosatrohana tsilo, dia hivoaka avy any an-danitra, miravaka diadema isan-karazany, ary ny iray amin’ireny hisy soratra hoe: “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19. 11-16). Ho mpanjaka Izy sady mpisorona (Salamo 110); haoriny ny fanjakàny feno fahamarinana sy fiadanana: “Tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony” (1 Korintiana 15. 25). Tanteraka “ny zava-miafina ny amin’ny sitrapon” ’Andriamanitra: hangoniny ho iray ao amin’i Kristy ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny et an-tany, ary Izy no Lohany (Efesiana 1. 10). “Voatendry (Izy) ho Mpandova ny zavatra rehetra” (Hebreo 1. 2).


  1. Ny Tompoko

Nitomany i Maria Magdalena, satria tsy hitany ny Tompony (Jaona 20. 13). Rehefa nino amin’izay i Tomasy hoe nitsangana tamin’ny maty Izy, dia nanao taminy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro” (Jaona 20. 28). Ary i Paoly dia nilaza ny “hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko” (Filipiana 3. 8).

Ny fahafantarana Azy ho Mpamonjy dia mahatonga fihavanana amin’Andriamanitra, nefa antsoiny koa isika hiantso Azy hoe “Tompoko” sy hiaina araka izany, ary hankatò Azy tanteraka.

Ao amin’ny 1 Korintiana 6. 13, ny tena dia “ho an’ny Tompo”, tempolin’ny Fanahy Masina ka tsy tokony holotoina. Akory ny fankasitrahantsika, noho ny tohiny hoe: “ary ny Tompo, ho an’ny tena”! Tsy ilaina tokoa ve ny heriny manontolo, hiarovana antsika?

Amin’ny fiainana andavanandro, satria isika “efa mazava ao amin’ny Tompo” sy voantso handeha toy ny zanaky ny mazava, dia zava-dehibe ny “mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo” (Efesiana 5. 10): fanazaran-tena tsy miato izany, ampiharina amin’ny safidy rehetra apetraka eo anoloantsika. Noho izany dia “aoka ho fanta(tsika) izay sitrapon’ny Tompo” (and 17). Ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra aorian’ny fiovam-po, dia ny fanambadiana; zavatra tena lehibe ny manorina azy “ao amin’ny Tompo ihany” (1 Korintiana 7. 39). Ahoana moa no fomba hikambana-na mpino amina tsy mpino, na amin’olona tsy afaka hiara-dia aminy amin’ny fiombonana iainana andavanandro na ny fiombonana miaraka amin’ireo olon’Andriamanitra mivory?

Momba ny fanompoana indray, dia hoy ny Teny amintsika hoe: “amin’ny sitrapo, manao fanompoana toy ny amin’ny Tompo”; efa nanome ohatra ny apostoly Paoly, “nanompo ny Tompo tamin’ny fanetrentena rehetra” (Efesiana 6. 7; Asa 20. 19).

Fantatr’i Paoly fa efa tonga ny fotoana hialàny. Aiza no hitodihan’ny sainy? “Ny satroboninahitry ny fahamarinana ... homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy… Aleksandro … efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany… Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako, dia tsy nisy nomba ahy… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako… Ary ny Tompo hanafaka ahy… Ho Azy anie ny voninahitra” (2 Timoty 4). Olona tokana no nitoetra teo imason’ilay apostoly efa antitra, tao amin’ny fonja nahangirifiry azy: Izy Tompo tenany mihitsy.

  1. IREO KISARISARIN’I KRISTY AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA

Ao amin’ny Lioka 24, teny an-dàlana ho any Emaosy i Jesoa “dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra”, nanambara tamin’ireo mpianatra roalahy “ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” (and 27). Ary nony hariva Izy dia tafaraka tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy, ka nilaza hoe: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain’ireo Izy, hahalala ny Soratra Masina” (and 44-45).

Ny “Soratra Masina” nolazain’ny Tompo, dia ny Testamenta Taloha. Hatraiza hatraiza ao dia misy zavatra “milaza Azy”; koa rariny isika raha mitady izay rehetra mety hampiseho an’i Kristy ao.

  1. Zavatra


Voalohany indrindra, ny fiaran’ny fanekena {Jereo ilay bokikely momba « Ny Tabernakely »} tao amin’ny fitoerana masina indrindra dia mampahatsiahy ny tenany. Natao hazo sy volamena io fiara io, ka mampahatsiahy ny maha-olona Azy sy ny maha-Andriamanitra Azy. Tao anatin’io fiara io ny mana, kisarisarin’Ilay nidina avy any an-danitra (Jaona 6); ny bokin’ny lalàna, mampahatsiahy ilay fankatoavany tonga lafatra; ilay tehin’i Arona, marika manambara fiainana sy fitsanganana amin’ny maty.


Ny koba tsara toto, ao amin’ny Levitikosy sy boky hafa ao amin’ny Testamenta Taloha, dia manambara ilay fiainany tonga lafatra; ny vokatry ny tany (vary tranainy) nohanin’ny vahoaka nony niditra tao Kanana, dia i Kristy ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra; ny mofo tsy misy masirasira dia manambara ny fiainany tsy misy ota, ary ny lango (voa nendasina) dia manambara ny hijaliany (Josoa 5. 11). Ny amboaran’ny voaloham-bokatra naterina ny ampitson’ny sabata dia sary velona manambara ny hitsanganany amin’ny maty (Levitikosy 23. 10-11; 1 Korintiana 15 20). Ny voam-bary latsaka ao amin’ny tany ary mahavokatra be, dia milaza amintsika ny fahafatesany.


Ny tehin’i Arona, talohan’ny nametrahana azy tao amin’ny fiaran’ny fanekena, dia tsorakazon’amygdala (na: amanda) maina, nefa tao anatin’ny indray alina monja dia nitsimoka, nanaroka sy namony ary namoa amygdala (Nomery 17. 23), fa ny tehin’ireo loham-pirenena hafa kosa dia tsy nisy fiovàna. Ny herin’aina tao amin’ny tehin’ilay mpisorona dia nanaporofo fa i Arona no nofidin’Andriamanitra hanantanteraka io asa fisoronana io. Jesoa Tompo nitsangana tamin’ny maty dia nanjary Mpisoronabe “araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana” (Hebreo 7. 16).


Tany an-taniefitra dia nokapohina ilay vatolampy (Eksodosy 17. 6) ka nampiboiboika rano be. Tamin’ny faramparan’ny dian’ny zanak’i Israely, ao amin’ny Nomery 20. 7-11, dia tokony notenenina fotsiny ilay vatolampy. Diso i Mosesy, nikapoka azy tamin’ny tehiny; na izany aza, nefa, dia namoaka rano miboiboika ihany ilay vatolampy. Ny Teny dia manambara mazava amintsika hoe: “Nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy (ny zanak’i Israely rehetra), ary Kristy izany vatolampy izany” (1 Korintiana 10. 4). Azo heverina fa ny rano velona niboiboika dia manambara amintsika ny Fanahy Masina (Jaona 7. 38-39).


Tao Mara dia nangidy ny rano. Notoroin’i Jehovah hevitra i Mosesy, ary nanipy tapa-kazo tao, tapa-kazo manambara ny maha-olona an’i Kristy sy ahafahana mahatsikaritra koa ny hazofijaliany. Ny fampidirana io tapa-kazo io eo amina fiainana mandalo fotoan-tsarotra dia manova izany fahasarotana izany, ary mampianatra antsika hanaiky handray izany avy amin’ny Ray: na mangidy aza izany, dia manjary mamy (Eksodosy 15. 25).


Tao Jeriko dia ratsy ny rano ary tsy nahavokatra ny tany. Notsipazan’i Elisa sira ny loharano, ka tonga nadio ny rano; azo antoka ny sira fa manambara amintsika ny fiatahana amin’ny ratsy sy ny fiainana masina niainan’ny Tompo Jesoa (2 Mpanjaka 2. 21).


Voapoizi-na voatangomboalavo tsy nahy, zavamaniry tsy fantatra, ny sakafo tao Gilgala; nony nandrotsahan’ny mpaminany koba ny tao am-bilany, “dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony”. Io koba io ve tsy manambara amintsika ilay maha-olona lavorary ny Tompo Jesoa? Raha voapoizina ny sakafon’ny vahoakan’Andriamanitra, dia ny famerenana ny fanahy ho amin’i Kristy sy ny asany no hahasitrana azy (2 Mpanjaka 4. 41).


Diniho koa ilay menarana varahina nasandratr’i Mosesy tamina hazo lava: ny fibanjinana azy dia ampy nahasitrana ireo olona voakaikitry ny menarana (Nomery 21. 4-9). Mba ho nieritreritra ve isika fa mety ho kisarisarin’ny Tompo Jesoa ny menarana? Izy tenany mihitsy no tsy maintsy nanome ny fanalahidin’izany: “Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra, no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3. 14-15). Amin’ny ankapobeny, ny menarana dia sary anehoana ny devoly. Mifamatotra aminy ny ozona ao amin’ny Genesisy 3. Kanefa i Kristy, teo amin’ny hazofijaliana, dia “nanavotra (antsika) tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy (antsika)” (Galatiana 3. 13).


  1. Fanatitra

Ao amin’ny Testamenta Taloha manontolo dia nisy ombieny ombieny fanatitra naterina. Kisarisary daholo ihany ireny, aloka manambara “ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 10).

Ny tsipy teny voalohany dia ao amin’ny Genesisy 3, milaza an’i Jehovah nanafy akanjo hoditra an-dry Adama sy Eva, taorian’ny nahalavoan’izy mivady: nila sorona novonoina io.

Finoana” no nanateran’i Abela ho sorona ny voalohan-teraky ny ondriny, ary nankasitrahin’Andriamanitra ny fanatiny (Genesisy 4. 4; Hebreo 11. 4). Ao amin’ny Genesisy 22 dia osilahy no natao solon’i Isaka, ho fanatitra; izany dia mampianatra antsika ny fahamarinana momba ny fisoloana vaika. Ao amin’io ohatra mahatalanjona io dia tena mitsatoka ao am-pontsika ny fiombonan’ny ray sy ny zanaka “niara-nandeha” tany Moria.

Tamin’ny Paska (Eksodosy 12) ny isam-pianakaviana dia tsy maintsy namono zanak’ondry sy nanosotra ny rany teo amin’ny varavarana. Zanak’ondry maro no novonoina, tamin’izany; fa ny nolazaina antsika dia ny hoe: “Hanalany ny ra, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy” (Eksodosy 12. 7). Ireo zanak’ondry marobe nataon’ny fianakaviana rehetra sorona dia kisarisarin’Ilay Zanak’ondry tokana manaisotra ny fahotana noho ny rany.

Ao amin’ny Levitikosy 1 hatramin’ny 6 sy ao amin’ny Nomery 19 {Jereo H. Rossier “Ilay ombivavy mena”} dia ahitantsika sorona isan-karazany manambara ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana. Asainay ny mpamaky hijery ilay bokikely hoe “Fanatitra iray ihany — Sorona samihafa”.

Na tsy hijanona hijery izay rehetra miresaka ny “zanak’ondry” ao amin’ny Baiboly aza isika, dia aoka hotsahivina ihany ny Isaia 53 novakian’ilay tandapan’i Kandasy mpanjakavavy, teny an-dalana avy tany Jerosalema, hody any aminy. “Iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? — Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany, nitory an’i Jesoa taminy” (Asa 8. 34-35). Ilay ondrivavy nentina hovonoina dia tena kisarisarin’ny Mpamonjy.

Dia tonga ao amin’ny Testamenta Vaovao isika, teo amoron’ny ony Jordana nanaovan’i Jaona batisa, ary nilazany nony nahita an’i Jesoa nanatona azy, hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1. 29). Avy taiza moa io Zanak’ondry io? — “Avy tany Galilia”, hoy ny Matio 3. 13 amintsika. Avy any Betlehema, hoy ny sasany, satria tany Izy no teraka. Ao amin’ny 1 Petera 1. 19 kosa no isehoan’ny fihevitr’Andriamanitra: “Kristy … Zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Izay fantatra rahateo fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao.”

Mbola misy kisarisary iray koa, misarika ny saintsika, dia ireo vorona roa natolotra ho fanadiovana ny boka (Levitikosy 14. 4-7) {Jereo G. Willis : “Ny fanadiovana ny boka”.}. Ny ran’ny vorona iray dia atao ao anaty vilany tany misy rano nalaina tamina rano mandeha; ilay vorona velona kosa dia atsoboka ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina, ary alefa manidina hiakatra eny amin’ny habakabaka: “Jesoa Tompontsika ... natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4. 25).

  1. Sombin-tantara

Ny fiaran’ny fanekena, izay kisarisarin’i Kristy, dia nanokatra làlana hiampitana an’i Jordana, ilay onin’ny fahafatesana. Eo afovoan’ny ony dia hananganana vato roa ambin’ny folo manambara ireo foko roa ambin’ny folo; havela eo ireo vato ireo, mba haneho ny toerana misy ireo olona miray amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesany. Fa misy koa vato roa ambin’ny folo hafa, nalaina avy teo afovoan’i Joardana, nentina eny an-tanety ary natsangana tany Gilgala: io dia kisarisarin’ny fitsanganantsika tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy (Josoa 4. 1-9).

Ny sabatr’i Goliata ihany no namonoan’i Davida azy (1 Samoela 17): ny fahafatesana ihany, fiadian’ilay manana ny herin’ny fahafatesana —dia ny devoly—, no nentin’ny Tompontsika nandringanana azy (Hebreo 2. 14).

Nandeha tany an-tendrombohitr’i Moria ry Abrahama sy Isaka, hanao fanatitra dorana manontolo. Niakatra tany Moria i Davida, teo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita, nanangana ilay alitara hanaovana ny fanatitra mba ahazoan’Ilay Anjelin’i Jehovah mampijanona ny areti-mandringana (2 Tantara 3. 1). Eo amin’io tendrombohitra Moria io ihany koa no hanorenan’i Solomona ny Tempoly. Tsy lavitra eo no hisy ny hazofijaliana hanomboana an’i Jesoa Kristy.

  1. Olo-malaza

Lehilahy telo no miavaka ho tena kisarisarin’ny Tompo Jesoa: Josefa, Mosesy, Davida. Izy telo lahy ireo dia samy nolavin’ny rahalahiny: namidy tamin’ny Midianita i Josefa; ireo rahalahin’i Mosesy, tsy nahatakatra hoe amin’ny alalany no tian’Andriamanitra hanafahana azy ireo, ka niteny taminy hoe: “Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?” (Asa 7. 23-28); tena ratsy ny nandraisan’ireo rahalahin’i Davida azy, nony nankany an-tobin’ny miaramila izy, nitondra ireo sakafo nomanin-drainy ho azy ireo (1 Samoela 17. 17, 28).

Izy telo lahy ireo dia samy tsy maintsy nandalo fotoana fietrena sy fijaliana: Josefa tany Egypta sy tany an-tranomaizina, Mosesy tany Midiana, Davida nenjehin’i Saoly. Fa samy tafakatra teo amin’ny voninahitra koa izy telo lahy: Josefa, filoha lefitra tany Egypta; Mosesy, nitondra ny vahoaka; ary Davida, mpanjaka. I Josefa dia niahy ny vahoaka tsy ho ripaky ny mosary, ka nahazo ny anarana hoe mpamonjy izao tontolo izao; i Mosesy nanafaka an’i Israely avy any Egypta; ary i Davida nandresy ireo fahavalony rehetra.

Fa izy telo lahy ireo koa, tamin’ny fahatanorany, dia samy mpiandry ondry. Ao amin’ny Soratra Masina manontolo, na ny Salamo 23 izany, na ny Ezekiela 34, na ny Jaona 10, ny mpiandry ondry dia manambara fatratra amintsika an’i Jesoa Tompo, Ilay Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny (Jaona 10. 11).

I Davida dia sarin’ilay mpanjaka nolavina, izay mametraka ny fanjakana; i Solomona dia ilay mpanjaka be voninahitra, toa an’i Kristy mandritra ny fanjakana arivo taona rahatrizay.

Mbola maro ireo olo-malaza hafa manambara Azy amintsika: Jona dia nijanona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, toy Ilay Zanak’olona hijanona telo andro telo alina ao anatin’ny tany (Matio 12. 40). Boaza, izay nanana ny hery, dia nandray an’i Rota ary nampakatra azy ho vady (Rota 4. 13).

Tsy ahitam-bokatsoa ve ny mandinika akaiky ireo takelaka fahiny ireo, izay tena mitombina amin’izao vaninandro ankehitriny izao, rehefa tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ny masom-pinoana ka mahita ao amin’ireo, endrika sasantsasany mampiseho ilay Tompo malalantsika?

  1. ILAY ZANAKA MALALAN’NY RAY

Ny Zanany malalany” (Kolosiana 1. 13)

  1. Zanaka malala Lahitokana (Marka 12. 6)

Ao amin’io fanoharana io ny Tompo dia manambara ny tantara manontolon’i Israely, ny fiodinany, ny fanenjehany ireo mpaminany. Ary farany izy ireo dia nandefasan’ny tompon’ny tanimboaloboka ilay zanany lahitokana malalany; nefa io koa dia novonoiny ary natsipiny any ivelan’ny tanimboaloboka. Nazava tsara tamin’ireo lohandohan’ny vahoaka fa “ny tenany no nolazainy tamin’izany fanoharana izany” (and 12).

Misy teny telo ampiasain’ny Soratra Masina, ilazana amintsika io nahatongavan’ny Zanaka tet an-tany io:

  1. Nivoaka

Ny Ray dia tia anareo, satria ianareo efa tia Ahy ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray Aho. Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho, ka tonga amin’izao tontolo izao; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray” (Jaona 16. 27-28).

Ambaran’ny Tompo amina teny vitsivitsy ny làlana rehetra nodiaviny, izay holazain’ny Filipiana 2. 6-9 koa, amina fomba hafa.

Samy mihoatra faralavitra izay mba mety ho takatry ny saintsika ireo tsongandahatsoratra roa ireo. Iray Izy, miaraka amin’ny Ray, “Iray ao amin’ny heriny, Iray ao amin’ny fitiavany”, “nivoaka” avy tamin’ny Ray, ho et amin’izao tontolo izao. Nino ny mpianatra fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Izy, nefa nanantitra i Jesoa fa avy teo amin’ny Ray no niaviany. Inona no fonosin’io teny hoe “nivoaka” io? Ampahatsahivin’io ilay fiteny hoe “nofoanany ny tenany” (Filipiana 2. 7), izay mbola tsy takatry ny saintsika ihany koa ny tena halaliny. Nivoaka Izy, nesorina taminy ny zavatra rehetra, “nofoanany” ny tenany tamin’ny nahatongavany ho olombelona. Kanefa dia nitoetra hatrany tsy nisy nanaloka mihitsy ilay firaisany sambatra tamin’ny Ray. Ireo teny ampiasain’ny Soratra Masina dia manetsika ny fontsika hahatsapa —na dia kely ihany aza— ny vidiny noefain’ny Tompo Jesoa nanaiky io fanetrentena io, “tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo”, mba hidinany et an-tany.

Ary ankehitriny dia toa maivamaivana Izy (jereo Jaona 14. 28) milaza hoe: “Ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho.” Hovitainy ilay asa nampanaovin’ny Ray Azy, dia ho afaka hiverina any akaikiny Izy. Hangirifiry aoka izany nefa ny làlana hizorany (Filipiana 2. 8). Fa na izany aza Izy dia “naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany” (Hebreo 12. 2). Ary am-pifaliana manao ahoana moa no hanambaràny amin’i Maria hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho!”

  1. Nirahina

Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 9-10, 14).

Tsy nitia an’Andriamanitra isika, fa Izy no nitia antsika; ny porofo faratampon’izany fitiavany izany dia ny nanirahany ny Zanany. Inenina ny Tompo Jesoa no mamerina izany, ao amin’ilay vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17, mantsy ny mpianany, hoe: “Ary nino izy fa Ianao no naniraka Ahy.” Izay rehetra mino Azy “noho ny teniny” (ny tenin’ireo mpianany) dia “iray” ihany ao amin’ny Ray sy ny Zanaka, “mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy” (and 21).

Ohatra manaitra amin’izany ilay jamba hatrany an-kibon-dreniny, ao amin’ny Jaona 9. Nandrora tamin’ny tany i Jesoa, nanao feta tamin’ny rora, nahosony ny mason’ilay jamba. Io feta io, vovotany mifangaro amin’ny rorany, dia mampiseho ny maha-olona Azy. Ilay Jesoa avy any Nazareta, hita nandeha teny an-tanàn-dehibe sy teny ambanivohitra, ary teny amin’ny araben’i Jerosalema, raha jerena et ivelany dia toa olona tahaka ny rehetra ihany. Araka ny efa voalaza dia nosaronany tao amina endrika lehilahy Galiliana fanabanty “ny endrik’Andriamanitra”. Mbola tsy nahita ihany ilay jamba, nony nosorana ilay feta ny masony. Fa nandeha tany amin’ny farihy Siloama izy, izay midika hoe Nirahina (and 7). Dia tonga nahiratra ny masony. Mahiratra ny mason’ilay finoana nahatsikaritra tao amin’Ity Galiliana fanabanty, hoe io Ilay Nirahin’ny Ray. Fa izay tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatiny kosa (Jaona 5. 38) dia tsy mino fa nirahin’ny Ray Izy, nefa dia manambara izany ny asa nataony (and 36).

  1. Avy (Tonga)

Avy” (Tonga) koa Izy, an-tsitrapo na dia “amin’ny anaran’ny Rai(ny)” aza (Jaona 5. 43).

Navelany ireo fanatitra rehetra natao tamin’ny fanekena taloha, ary hoy Izy “nony niditra tamin’izao fiainana izao”: “Inty Aho tonga … hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô… Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 5-10). — “Kristy ... tonga ... nitondra ... ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina, ka nahazo fanavotana mandrakizay” (Hebreo 9. 11-12).

Nivoaka avy tamin’ny Ray ary nirahiny, tonga teto amin’izao tontolo izao “ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, ... nanambara Azy” (Jaona 1. 18). Noho io fifandraisana lalina tsy tapaka “ao an-tratran’ny Ray” io Izy dia nampahafantra Ilay Andriamanitra, Izay mbola tsy nisy nahita, nefa fantatra ankehitriny, tsy toy ny Andriamanitra ihany, fa toy ny Ray: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray... Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko?” (Jaona 14. 9-10).

  1. Ny Ray tia ny Zanaka

Ray ô, … efa tia Ahy Ianao fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Jaona 17. 24). Fitiavana ambony lavitra antsika, tsy mikasika antsika, fifamatorana mandrakizay eo amin’ny Ray sy ny Zanaka talohan’ny naharìna izao tontolo izao, fanehoana faharavoana lalina (Ohabolana 8. 30): Izy irery ihany no mahalala feno izany.

Ny Ray tia ny Zanaka, ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany” (Jaona 5. 20). Ny Zanaka, Izay nanankin-tena tanteraka tet an-tany —tsy hoe andriamanitra tafasaraka tamin’ny Ray tsy akory, fa miray tanteraka Aminy—, no iantefan’ny fitiavan’ny Ray.

Izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko” (Jaona 10. 17). Tsy mba tapaka mihitsy ilay fitiavana mandrakizay nitiavan’ny Ray ny Zanany fony Izy tet an-tany, fa ny mifanohitra amin’izany aza, vao mainka nihalalina, raha azo lazaina, nony nanolotra ny ainy ny Zanaka. Marina fa “Andriamanitra efa nahafoy azy”, araka ny voasoratra hoe: “Ilay tsy nahalala ota dia efa nataony ota, hamonjy antsika” (2 Korintiana 5. 21). Na dia nahafoy Azy aza nefa Andriamanitra —satria nitaky izany ny fahamarinany— tamin’Izy “nataony ota” nandritra ireo ora maizina, dia teo aminy mandrakariva ny fitiavan’ny Ray, tao amin’ny nanomezany ny ainy.

Ny Ray tia ny Zanaka, ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany” (Jaona 3. 35). Araka ny efa hitantsika dia zava-miafina ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efesiana 1. 10). Rahatrizay “nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy (Andriamanitra)”, dia mbola hitoetra eo Aminy lalandava ny fitiavan’ny Ray.

  1. Ity no Zanako malalako


Tsy maintsy nambara ampahibemaso io fitiavan’ny Ray ny Zanaka io, ary tsy maintsy natao tsapan’ny olony.


Avy any Galilia i Jesoa no nankany amin’ny ony Jordana, mba hataon’i Jaona batisa; ary na dia tsy nanana ota aza, dia naka toerana teo afovoan’ireo olona nibebaka. Saingy tsy tian’ny Ray hafangaro amin’ny olona mpanota Izy. Nony niakatra avy teo amin’ny rano i Jesoa, dia nisokatra taminy ny lanitra, ary ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala ka nankeo amboniny. Ary ny feon’ny Ray avy any an-danitra, nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 3. 13-17). Ao amin’ny Marka 1. 9 Izy dia avy tany Nazareta, ilay tanàna natao tsinontsinona. Teo ilay Feo dia niteny tamin’Izy tenany: “Ianao no Zanako malalako…” Ao amin’ny Lioka 3. 21 Izy dia ilay olona manankin-tena tanteraka: teo am-pivavahana Izy no nisokatra ny lanitra, nidina ny Fanahy Masina, ary ilay Feo avy any an-danitra nilaza hoe: “Ianao no Zanako malalako…”


Ary nony afaka henemana” (niasàna sy nanompoana) i Jesoa dia naka ireo mpianatra telo, “ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo, mba hitokana.” Niova endrika Izy; niseho tamin’izy ireo ry Mosesy sy Elia. Nomen’i Petera toerana mitovy izy telo ireo; nefa injany ny feon’ny Ray, tao anatin’ilay rahona mazava —nitarika ny Zanak’i Israely namakivaky ireo taniefitra fahiny—, re niteny hoe: “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako; Izy no henoy” (Matio 17. 5). Samy nanjavona ry Mosesy mpanao lalàna sy Elia mpaminany: “Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesoa irery ihany.” Efa tapitra ny vanimpotoanan’ny lalàna; tanteraka ny faminaniana, Jesoa irery ihany sisa no teo ambany mason’ireo mpianatra telo, tsy toy ny Mpanjaka sy ny Mesia ao amin’ny voninahiny ihany, fa toy Ilay “Zanaka malala”-n’ny Ray.


Ao amin’ny Lioka 9 dia afaka “havaloana” no nisehoan’izany zavatra izany, andro voalohany amina herinandro vaovao. Mosesy sy Elia dia “nilaza ny fialàny, izay efa hoefainy any Jerosalema”. Kisarisary maro no efa naorin’i Mosesy, anambaràna ny hahafatesany; ny mpaminany dia efa nanambara “ny fijalian’i Kristy” {Ny teny fototra (teny grika): “ny fahoriana izay tsy maintsy ho anjaran’i Kristy” (Fanamarihan’ny mpandika)}. Izao izany dia ho tanteraka daholo ao amin’io Jerosalema izay efa nandà Azy io. “Efa navesatry ny tory” ny mason’ireo mpianatra telo lahy, “nefa nony nahatsiaro tsara izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa”! Nanarona azy ireo ilay rahona, ary raiki-tahotra izy ireo. Fitoeran’i Jehovah io. Ny feo nivoaka avy teo, nefa, dia ny feon’ny Ray, ary i Jesoa irery no teo amin’izy ireo.


Nangina ny mpianatra; tamin’izany andro izany izy ireo dia tsy nilazalaza na inona na inona tamin’olona, ny amin’izay zavatra hitany. Misy eo amin’ny fiainan’ny mpino, fotoana izay azy sy ny Tompo irery ihany; tsy tsara ny mitantara izany. Tsy misy nolazaina antsika ny momba ny nihaonan’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’i Simona izay nandà Azy (Lioka 24. 34). Hisy fanarenana azy ampahibemaso at aoriana, fa izay niseho teo amin’i Petera sy ny Tompony dia nijanona ho tsiambaratelo. Tamin’ny faramparan’ny fiainany ilay apostoly efa nahazo taona vao nampahatsiahy tam-pihetseham-po io tranga tantarain’ny Filazantsara amin’ny antsipiriany io. “Niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay”, ary nahare io feo niteny taminy avy amin’ilay voninahitra lehibe io (2 Petera 1. 17-18).


  1. Fitiavana naseho

Io fitiavan’ny Ray ny Zanaka io no manjary fatran’ny fitiavan’ny Ray ny olo-navotana sy ny fitiavan’ny Zanaka ireo olona anton’ny nitondrany fahoriana mangidy.


Hoy i Jesoa talohan’ny handaozany ireo olony: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo” (Jaona 15. 9). Io fitiavana madio io, tsy takatry ny saina, nositrahiny avy tamin’ny Ray, io ihany koa no omeny ny olony.


Fa ao amin’ilay vavaka nataony amin’ny Ray Izy dia manampy hoe: “Ianao ... efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” (Jaona 17.23). Ilay fitiavana tsy hay ambara amin-teny, nomena ny Zanaka, io ihany koa ilay fitiavana omena ireo olo-navotan’ny Tompo.


Ampitoviana amina tranon-tsary ireo tsongandahatsoratra ireo. Eo antampony dia misy hoe: Ny Ray tia ny Zanaka. Eo amin’ny ilany iray, misy hoe: Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo. Eo amin’ny ilany faharoa: Ianao efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. Eo ambanin’ny sary: “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa!” (Jaona 13. 34).

***

Iza moa i Jesoa? — Ilay Zanak’Andriamanitra — Ilay Zanak’olona — ny Mpamonjy — Kristy — ny Tompo — Ilay ambaran’ny Soratra Masina antsika amina kisarisary ao amin’ny Testamenta Taloha — Ilay Zanaka malalan’ny Ray.


Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17. 3).


Jolay 1982 G. André


 Dos du livre (Couverture):

Iza moa i Jesoa ?

Nandramanay nasongadina tsotra indrindra ny vitsivitsy amin’ireo voninahitr’io Olona mahatalanjona io. Afaka manova ny fiainantsika ny fandinihana lalina Azy. Raha mbola eto an-tany ihany koa isika dia tsy hahatakatra feno ny zava-miafina momba Azy: ny Ray irery ihany no mahalala tsara Azy. Ilaintsika nefa ny mahafantatra ny lafiny ifoton’ny maha-Izy Azy, mba ahazoantsika mitombo fahalalana Azy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.”