Cantiques en swahili
[Page principale | Evangile | Cantiques en français | Commentaires et explications sur la Bible | La Bible]
Hymnes et Cantiques en Malgache
Mihirà ny fideràna
Atolotra ho fanajàna ny Zanak’Andriamanitra
Maty sy nitsangana Izy
Hamoha ny lanitra ho antsika
Sy ny fon’Andriamanitra.
{Ho Anao ny fanjakana
Jesoa Mpamonjy soa
Aleloia !
Ho Anao ny laza sy ny haja
Aleloia, aleloia !}
Fa mandrakizay doria
Ianao irery no ho hira
Asandratry ny voavonjy
Avotra tamin’ny rànao
sitrana tamin’ny ratranao
ka
{Ho Anao ny fanjakana} etc.
Maty ny Zanak’Andriamanitra
Ambony hazo fijaliana !
Triatra sy nizara roa ny lamba
Noho ny hazo fijaliana
Ny toera-masina hita izao
Nivoha ny làlana mankao
Noho Jeso izay nanolo-tena
Ambony hazofijaliana.
Natsangana tamin’ny tany
Ho amin’ ny hazofijaliana
Teo no nandatsahany ny ràny
Ambony hazo fijaliana
Tanteraka io fitiavana io
ny ràny soa no manadio
ny mpanota izao feno fifaliana
noho ny hazo fijaliana !
Na dia feno eso sy henatra
Ny ambony hazo fijaliana
Namirapiratra ny fandresenao
Ambony hazofijaliana
Anao ny haja sy ny hery
Anao Jesoa ny fanjakana
Ho Anao Mpamonjy izay nandresy
Ambony hazofijaliana.
Ny Tompo no Mpiandry ahy
tsy hanan-java-mahory aho
faly aho ambany tehin’Ilay
hany tsy miova rahatrizay
fantatro Jesoa fa nisainao
ho isan’ny ondrinao aho.
Nofenoinao fiadanana aho
endrey ny fitiavanao
ka na handalo afo aza
tsy ho may ny ondrikelinao
ny fijerinao no amiko
tariho ny masoko Aminao.
Tompo o rehefa akaikinao
miala avokoa ny tahotro
ny fahasoavanao no vato
fialofako tokoa
an-tananao aho Jesoa
ka tsy ho azon’i Satana.
Mifalia ianao ry mino (bis)
Fa hamiratra aminao
Ilay voninahitr’i Jesoa
Ho avy faingana Ianao
Eny Tompo handray anay
Hiaraka any an-danitra
Fandresena
Endrey ny zanaka eto anatrehanao
Miray fo tanteraka Andriamanitra o !
Anaty hazavàna no hanandramanay
Fiombonan’aina avy amin’ny fahasoavanao.
Toerana masina no indro idiranay
Hiarahanay midera ny anaranao
Fisaoran-dehibe izao no atolotray
Noho ny fitiavanao tao amin’i Jesoa.
Natsanganao izahay ry Rainay be fitia
Mba hiray fo amin’ny Lahitokanao
Voafatotra Aminy izao ny fiainanay
Dia amin’I Jesoa izay a ny an-danitra.
Fo iray izao no ankalazana Anao
Efa hisantaranay ny ho mandrakizay
Arahinay tokoa ‘Lay tonga lafatra
Mandrakizay doria hatrany an-danitra.
Ny tokinao Ray be fitia
Mampionona ny zanakao
Ka hery sady famindrampo
No hialofany tokoa.
Foinao ho anay ry Tompo o
Jesoa Kristy Ilay Zanakao
Mivoha ho anay ny lanitra
Deraina Andriamanitra.
Ry Ray ampahafantaro anay
Ny halalin’ny fitiavanao
Hisantaranay sahady koa
Nyfiderana Anao ry Tsitoha.
Tompo o meteza anio
Hampianatra ahy
Azony akaikinao
‘ty fo manahy
Arovy tsy hiroana
fa handeha am-pinoana
mibanjina Anao
Mpamonjiko !
Anaty fahoriana
Ampianaro aho
Raha tojo hakiviana
Tantano aho
Ny fitiavanao
No indro mitarika ahy
Anaty aizina
‘zaho tsy hanahy.
Aoka ny fiainako
N’aiza misy ahy
Ho voninahitrao
noho ny fanahy
ka n’aiza n’aiza ombàna
amin’ny herinao
ny tananao hitàna
Mpamonjy soa !