LE LIVRE DU PROPHÈTE ÉSAÏE Isaia
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 La vision d’Ésaïe, fils d’Amots, qu’il a vue touchant Juda et Jérusalem, aux jours d’Ozias, de Jotham, d’Achaz, et d’Ézéchias, rois de Juda. * 1 Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
— v. 1 : date : A.C. 760-700, environ.  
2 Écoutez, cieux, et prête l’oreille, terre ! car l’Éternel a parlé : J’ai nourri et élevé des fils, et ils se sont rebellés contre moi. 2 [Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
3 Le bœuf connaît son possesseur, et l’âne la crèche de son maître ; Israël ne connaît pas, mon peuple n’a point d’intelligence. 3 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
4 Ha* ! nation pécheresse, peuple chargé d’iniquité, race** de gens qui font le mal, fils qui se corrompent ! Ils ont abandonné l’Éternel, ils ont méprisé le Saint d’Israël ; ils se sont retirés en arrière. 4 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
5 Pourquoi seriez-vous encore frappés ? vous ajouterez des révoltes ! Toute la tête est malade et tout le cœur défaut. 5 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
6 Depuis la plante du pied jusqu’à la tête, il n’y a rien en lui qui soit sain : [tout est] blessure, et meurtrissure, et plaies vives ; elles n’ont pas été pansées, ni bandées, ni adoucies avec l’huile. 6 Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
7 Votre pays est dévasté, vos villes sont brûlées par le feu ; votre terre, des étrangers la dévorent devant vos yeux, et elle est dévastée, comme ruinée par des étrangers. 7 Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo* eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo*.[Heb. hafa firenena]
8 Et la fille de Sion est laissée comme une hutte dans une vigne, comme une cabane dans un champ de concombres, comme une ville assiégée. 8 Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango*, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]
9 Si l’Éternel des armées ne nous eût laissé un bien petit résidu, nous aurions été comme Sodome, nous ressemblerions à Gomorrhe. 9 Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
— v. 4* : ailleurs aussi : hélas, malheur ! — v. 4** : litt.: semence.  
10 Écoutez la parole de l’Éternel, chefs de Sodome ; prêtez l’oreille à la loi de notre Dieu, peuple de Gomorrhe. 10 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
11 À quoi me sert la multitude de vos sacrifices ? dit l’Éternel. Je suis rassasié d’holocaustes de béliers, et de la graisse de bêtes grasses ; et je ne prends pas plaisir au sang des taureaux, et des agneaux, et des boucs. 11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
12 Quand vous venez pour paraître devant ma face, qui a demandé cela de vos mains, que vous fouliez mes parvis ? 12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
13 Ne continuez pas d’apporter de vaines offrandes : l’encens m’est une abomination, — la nouvelle lune et le sabbat, la convocation des assemblées ; je ne puis supporter l’iniquité et la fête solennelle. 13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
14 Vos nouvelles lunes et vos assemblées, mon âme les hait ; elles me sont à charge, je suis las de les supporter. 14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
15 Et quand vous étendrez vos mains, je cacherai de vous mes yeux ; quand même vous multiplierez la prière, je n’écouterai pas. Vos mains sont pleines de sang. 15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona* ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
16 Lavez-vous, purifiez-vous ; ôtez de devant mes yeux le mal de vos actions ; cessez de mal faire, 16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
17 apprenez à bien faire ; recherchez le juste jugement, rendez heureux* l’opprimé ; faites droit à l’orphelin, plaidez la cause de la veuve. 17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
— v. 17 : ou : dirigez, conduisez.  
18 Venez, et plaidons ensemble, dit l’Éternel : Si vos péchés sont comme le cramoisi, ils deviendront blancs comme la neige ; s’ils sont rouges comme l’écarlate, ils seront comme la laine. 18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19 Si vous êtes de bonne volonté et que vous écoutiez, vous mangerez des biens* du pays ; 19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
20 mais si vous refusez, et que vous soyez rebelles, vous serez consumés par l’épée ; car la bouche de l’Éternel a parlé. 20 Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
— v. 19 : litt.: du bon.  
21 Comment la ville fidèle est-elle devenue une prostituée ? Elle était pleine de droiture ; la justice habitait en elle, et maintenant, des meurtriers ! 21 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
22 Ton argent est devenu des scories, ton vin est mêlé avec de l’eau ; 22 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
23 tes princes sont rebelles et compagnons de voleurs ; chacun aime les présents et court après les récompenses ; ils ne font pas droit à l’orphelin, et la cause de la veuve n’a pas accès auprès d’eux. 23 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
   
24 C’est pourquoi le Seigneur, l’Éternel des armées, le Puissant d’Israël, dit* : Ha ! je me satisferai en mes adversaires, et je me vengerai de mes ennemis ; 24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
25 et je tournerai ma main sur toi, et je te purifierai de tes scories comme avec de la potasse*, et j’ôterai tout ton étain** ; 25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26 et je rétablirai tes juges comme au commencement, et tes conseillers comme dans les premiers temps. Après cela, tu seras appelée ville de justice, cité fidèle. 26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27 Sion sera rachetée par le jugement, et les siens qui reviennent, par la justice ; 27 Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka* ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
28 mais la ruine des transgresseurs et des pécheurs arrivera en une fois, et ceux qui abandonnent l’Éternel seront consumés. 28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
29 Car ils auront honte des térébinthes auxquels vous avez pris plaisir, et vous rougirez des jardins que vous aurez choisis ; 29 Fa hahazo henatra ianareo* noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]
30 car vous serez comme un térébinthe dont la feuille se flétrit, et comme un jardin qui n’a pas d’eau. 30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
31 Et le fort sera de l’étoupe, et son œuvre une étincelle, et tous deux brûleront ensemble, et il n’y a personne qui éteigne. 31 Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
— v. 24 : dire, dans le sens de la diction oraculaire, ici et ailleurs souvent dans les Prophètes. — v. 25* : ou : purifierai parfaitement de tes scories. — v. 25** : ou : plomb ; ce qui est mêlé dans le minerai avec l’argent.  
* *
Chapitre 2 Chapitre 2
1 La parole qu’Ésaïe, fils d’Amots, vit, touchant Juda et Jérusalem. 1 [Ny voninahitra marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
   
2 Et il arrivera, à la fin des jours, que la montagne de la maison de l’Éternel sera établie sur le sommet des montagnes, et sera élevée au-dessus des collines ; et toutes les nations y afflueront ; 2 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
3 et beaucoup de peuples iront, et diront : Venez, et montons à la montagne de l’Éternel, à la maison du Dieu de Jacob, et il nous instruira de ses voies, et nous marcherons dans ses sentiers. Car de Sion sortira la loi, et de Jérusalem, la parole de l’Éternel. 3 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
4 Et il jugera au milieu des nations, et prononcera le droit à beaucoup de peuples ; et de leurs épées ils forgeront des socs, et de leurs lances, des serpes : une nation ne lèvera pas l’épée contre une [autre] nation, et on n’apprendra plus la guerre. 4 Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
5 Venez, maison de Jacob, et marchons dans la lumière de l’Éternel ! 5 Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.
   
6 Car tu as abandonné ton peuple, la maison de Jacob, parce qu’ils sont remplis de ce qui vient de l’orient, et sont des pronostiqueurs, comme les Philistins, et s’allient avec les enfants des étrangers. 6 Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be* zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]
7 Et leur pays est rempli d’argent et d’or, et il n’y a pas de fin à leurs trésors ; et leur pays est rempli de chevaux, et il n’y a pas de fin à leurs chars ; 7 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
8 et leur pays est rempli d’idoles : ils se prosternent devant l’ouvrage de leurs mains, devant ce que leurs doigts ont fait. 8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;
9 Et l’homme du peuple se courbera, et le grand sera abaissé : et ne leur pardonne pas ! 9 Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
10 Entre dans le rocher, et cache-toi dans la poussière, de devant la terreur de l’Éternel et de devant la magnificence de sa majesté. 10 Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
11 Les yeux hautains de l’homme seront abaissés, et la hauteur des hommes sera humiliée, et l’Éternel seul sera haut élevé en ce jour-là. 11 Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
   
12 Car il y a un jour de l’Éternel des armées contre tout ce qui s’exalte et s’élève, et contre tout ce qui est haut, et ils seront abaissés ; 12 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
13 et contre tous les cèdres du Liban, hauts et élevés, et contre tous les chênes de Basan ; 13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
14 et contre toutes les hautes montagnes, et contre toutes les collines élevées ; 14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
15 et contre toute haute tour, et contre toute muraille forte ; 15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
16 et contre tous les navires de Tarsis, et contre tous les objets d’art agréables : 16 Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
17 et la hauteur de l’homme sera humiliée, et l’élévation des hommes sera abaissée, et l’Éternel seul sera haut élevé en ce jour-là ; 17 Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
18 et les idoles disparaîtront entièrement. 18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
19 Et on entrera dans les cavernes des rochers, et dans les trous de la terre* de devant la terreur de l’Éternel, et de devant la magnificence de sa majesté, quand il se lèvera pour frapper d’épouvante la terre. 19 Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
20 En ce jour-là, l’homme jettera ses idoles d’argent et ses idoles d’or, qu’il s’était faites pour se prosterner [devant elles], aux rats et aux chauves-souris, 20 Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
21 pour entrer dans les fentes des rochers et dans les creux des escarpements, de devant la terreur de l’Éternel et de devant la magnificence de sa majesté, quand il se lèvera pour frapper d’épouvante la terre. 21 Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
— v. 19 : litt.: de la poussière.  
22 Finissez-en avec l’homme, dont le souffle est dans ses narines, car quel cas doit-on faire de lui ? 22 Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Car voici, le Seigneur, l’Éternel des armées, ôte de Jérusalem et de Juda le soutien et l’appui, tout soutien de pain et tout soutien d’eau, 1 Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
2 l’homme fort et l’homme de guerre, le juge et le prophète, le devin et l’ancien, 2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
3 le chef de cinquantaine, et l’homme considéré, et le conseiller, et l’habile ouvrier, et celui qui s’entend aux enchantements. 3 Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
4 Et je leur donnerai des jeunes gens pour être leurs princes, et de petits enfants domineront sur eux ; 4 Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
5 et le peuple sera opprimé, l’homme par l’homme, et chacun par son voisin ; le jeune garçon usera d’insolence contre le vieillard, et l’homme de néant contre l’homme honorable. 5 Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
6 Alors, si un homme saisit son frère, dans la maison de son père, [disant] : Tu as un manteau, tu seras notre chef, et cette ruine sera sous ta main, 6 Raha misy olona angatahin*'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']
7 il jurera* en ce jour-là, disant : Je ne puis être un médecin**, et dans ma maison il n’y a pas de pain et il n’y a pas de manteau ; vous ne me ferez pas chef du peuple. 7 Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
8 Car Jérusalem bronche, et Juda tombe ; parce que leur langue et leurs actions sont contre l’Éternel, pour braver les yeux de sa gloire. 8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
9 L’aspect de leur visage témoigne contre eux, et ils annoncent leur péché comme Sodome ; ils ne le cachent pas. Malheur à leur âme ! car ils ont fait venir le mal sur eux-mêmes. 9 Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
— v. 7* : litt.: lèvera [la main] ; selon d’autres : lèvera [sa voix]. — v. 7** : litt.: celui qui bande.  
10 Dites au juste que le bien [lui arrivera], car ils mangeront le fruit de leurs actions. 10 Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
11 Malheur au méchant ! [il lui arrivera] du mal, car l’œuvre de ses mains lui sera rendue. 11 Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
12 Quant à mon peuple, des enfants l’oppriment, et des femmes le gouvernent. Mon peuple ! ceux qui te conduisent te fourvoient, et détruisent* le chemin de tes sentiers. 12 Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
— v. 12 : détruire, litt.: engloutir, ici, et 19:3.  
13 L’Éternel se tient là pour plaider, et il est debout pour juger les peuples. 13 Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
14 L’Éternel entrera en jugement avec les anciens de son peuple et avec ses princes, [disant] : Et vous, vous avez brouté la vigne ; la dépouille du pauvre est dans vos maisons. 14 Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
15 Qu’avez-vous à faire de fouler mon peuple, et de broyer la face des pauvres ? dit le Seigneur, l’Éternel des armées. 15 Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
   
16 Et l’Éternel dit : Parce que les filles de Sion sont hautaines, et qu’elles marchent le cou tendu et les regards pleins de convoitise, et qu’elles marchent allant à petits pas, faisant résonner leurs pieds, 16 Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
17 le Seigneur rendra chauve le sommet de la tête des filles de Sion, et l’Éternel exposera leur nudité. 17 Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
18 En ce jour-là, le Seigneur ôtera l’ornement des anneaux de pieds, et les petits soleils, et les petites lunes ; 18 Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha*, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
19 les pendeloques de perles, et les bracelets, et les voiles ; 19 Na ny kavina voavola, na ny rojo*, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
20 les diadèmes, et les chaînettes des pieds, et les ceintures, et les boîtes de senteur, et les amulettes ; 20 Na ny satroka*, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
21 les bagues, et les anneaux de nez ; 21 Na ny peratra, na ny kavin'orona,
22 les vêtements de fête, et les tuniques, et les manteaux, et les bourses ; 22 Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
23 et les miroirs*, et les chemises, et les turbans, et les voiles de gaze. 23 Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana*, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
24 Et il arrivera qu’au lieu de parfum il y aura pourriture ; et au lieu de ceinture, une corde ; et au lieu de cheveux artistement tressés, une tête chauve ; et au lieu d’une robe d’apparat, un sarrau de toile à sac ; flétrissure, au lieu de beauté. — 24 Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana*; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
25 Tes hommes tomberont par l’épée, et tes hommes forts, dans la guerre. 25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;
26 Et ses portes se lamenteront et mèneront deuil ; et, désolée*, elle s’assiéra sur la terre. 26 Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
— v. 23 : ou : vêtements transparents. — v. 26 : litt.: vidée.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et sept femmes saisiront un seul homme en ce jour-là, disant : Nous mangerons notre propre pain, et nous nous vêtirons de nos propres vêtements, seulement que nous soyons appelées de ton nom ; ôte notre opprobre. 1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
   
2 En ce jour-là, il y aura un germe de l’Éternel pour splendeur et pour gloire, et le fruit de la terre, pour magnificence et pour ornement, pour les réchappés d’Israël ; 2 Amin'izany andro izany ny rantsan*'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely sisa afaka; [Na: solofon']
3 et le résidu en Sion, et le reste dans Jérusalem, sera appelé saint : quiconque sera écrit parmi les vivants dans Jérusalem, 3 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.
4 quand le Seigneur aura nettoyé la saleté des filles de Sion, et aura lavé le sang de Jérusalem du milieu d’elle, par l’esprit de jugement et par l’esprit de consomption. 4 Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
5 Et l’Éternel créera sur chaque demeure de la montagne de Sion, et sur ses assemblées, une nuée et une fumée, de jour ; et la splendeur d’une flamme de feu, la nuit ; car sur toute la gloire il y aura une couverture. 5 Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
6 Et il y aura un tabernacle pour ombrage, de jour, contre la chaleur, et pour abri et pour refuge contre l’orage et contre la pluie. 6 Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Je chanterai à mon bien-aimé un cantique de mon bien-aimé, sur sa vigne : Mon bien-aimé avait une vigne sur un coteau fertile*. 1 [Ny amin'ny Isiraely. tanim-boalobok'i Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny amin*'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
2 Et il la fossoya et en ôta les pierres, et la planta de ceps exquis ; et il bâtit une tour au milieu d’elle, et y tailla aussi un pressoir ; et il s’attendait à ce qu’elle produirait de bons raisins, et elle produisit des raisins sauvages. 2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
3 — Et maintenant, habitants de Jérusalem et hommes de Juda, jugez, je vous prie, entre moi et ma vigne. 3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
4 Qu’y avait-il encore à faire pour ma vigne, que je n’aie pas fait pour elle ? Pourquoi, quand j’espérais qu’elle produirait de bons raisins, a-t-elle produit des raisins sauvages ? 4 Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5 Et maintenant je vous apprendrai ce que je ferai à ma vigne : j’ôterai sa haie, et elle sera broutée ; j’abattrai sa clôture, et elle sera foulée aux pieds ; 5 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
6 et je la réduirai en désert ; elle ne sera pas taillée, et elle ne sera pas sarclée, et les ronces et les épines monteront ; et je commanderai aux nuées qu’elles ne laissent pas tomber de pluie sur elle. 6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona* tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
7 Car la vigne de l’Éternel des armées est la maison d’Israël, et les hommes de Juda sont la plante de ses délices. Et il s’attendait au juste jugement, et voici l’effusion de sang, — à la justice, et voici un cri ! 7 Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà*; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
— v. 1 : litt.: sur une corne du fils de l’huile.  
8 Malheur à ceux qui ajoutent maison à maison, qui joignent* champ à champ, jusqu’à ce qu’il n’y ait plus de place et que vous habitiez seuls au milieu du pays. 8 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!
9 À mes oreilles, l’Éternel des armées [a dit] : Si beaucoup de maisons ne sont désolées, [si] de grandes et belles [maisons ne sont] vides d’habitants ! 9 Izao no ren'ny sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
10 Car dix arpents* de vigne ne produiront qu’un bath, et un khomer de semence produira un épha**. 10 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda*, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran'ny homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana, tokony ho antsasaky ny akera]
— v. 8 : litt.: rapprochent. — v. 10* : ce qu’une paire de bœufs pouvait labourer en une journée. — v. 10** : dix éphas font un khomer.  
11 Malheur à ceux qui, se levant de bonne heure, courent après la boisson, [et] qui, s’attardant jusqu’à la brune, sont enflammés par le vin. 11 Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!
12 Et la harpe et le luth, le tambourin et la flûte, et le vin, [abondent dans] leurs festins ; et ils ne regardent pas l’œuvre de l’Éternel, et ils ne voient pas l’opération de ses mains. 12 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
13 C’est pourquoi mon peuple est allé en captivité, parce qu’il n’a pas de connaissance ; et ses grands meurent de faim, et sa multitude est asséchée de soif. 13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
14 C’est pourquoi le shéol élargit son désir et ouvre sa bouche sans mesure ; et la magnificence de Jérusalem* y descendra, et sa multitude, et son tumulte, et sa joie** ; 14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita* Hanao teli-moka an'i Jerosalema**; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[*He. Sheola][**Heb. azy]
15 et l’homme du peuple se courbera, et le grand sera abaissé ; et les yeux des hautains seront abaissés ; 15 Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.
16 et l’Éternel des armées sera élevé en jugement, et le *Dieu* saint sera sanctifié en justice. 16 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
17 Et les agneaux paîtront comme dans leur pâturage, et les étrangers dévoreront les lieux désolés des [hommes] gras. 17 Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
— v. 14* : litt.: sa magnificence. — v. 14** : litt.: ce qui, en elle, s’égaie. — v. 16 : hébreu : El, — voir la note à Genèse 14:18.  
18 Malheur à ceux qui tirent l’iniquité avec des cordes de vanité, et le péché comme avec des cordes de chariot, qui disent : 18 Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
19 Qu’il se hâte, qu’il accélère son œuvre, afin que nous la voyions ; et que le conseil du Saint d’Israël s’approche, et vienne, et que nous le connaissions. 19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
20 Malheur à ceux qui appellent le mal bien, et le bien mal, qui mettent les ténèbres pour la lumière, et la lumière pour les ténèbres, qui mettent l’amer pour le doux, et le doux pour l’amer. 20 Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
21 Malheur à ceux qui sont sages à leurs propres yeux, et intelligents à leur propre estime ! 21 Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
22 Malheur à ceux qui sont forts pour boire du vin, et hommes vaillants pour mêler les boissons fortes ; 22 Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto* nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]
23 qui justifient le méchant pour un présent, et qui ôtent aux justes leur justice ! 23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!
24 C’est pourquoi, comme une langue de feu dévore le chaume, et comme l’herbe sèche s’affaisse dans la flamme, leur racine sera comme la pourriture, et leur fleur montera comme la poussière ; car ils ont méprisé la loi de l’Éternel des armées, et ont rejeté avec dédain la parole du Saint d’Israël. 24 Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
25 C’est pourquoi la colère de l’Éternel s’est embrasée contre son peuple ; et il a étendu sa main sur lui, et l’a frappé ; et les montagnes ont été ébranlées ; et leurs cadavres sont devenus comme des ordures au milieu des rues. Pour tout cela, sa colère ne s’est pas détournée, et sa main est encore étendue. 25 Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
   
26 Et il élèvera un étendard devant les nations lointaines : et il en sifflera une des bouts de la terre ; et voici, elle viendra, rapide [et] légère. 26 Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo*; [Heb. mahery]
27 En elle, nul qui soit las ou qui bronche ; nul ne sommeille, nul ne dort ; nul n’a la ceinture de ses reins déliée, ou la courroie de sa chaussure arrachée. 27 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
28 Ses flèches sont aiguës, et tous ses arcs tendus ; les sabots de ses chevaux sont comme le caillou, et ses roues comme le tourbillon. 28 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
29 Son rugissement est comme celui d’une lionne ; elle rugit comme les jeunes lions ; elle gronde, et saisit la proie et l’emporte, et il n’y a personne qui délivre ; 29 Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
30 et elle mugira sur elle, en ce jour-là, comme mugit la mer ; et on regardera sur la terre, et voici les ténèbres [et] la détresse : la lumière est obscurcie dans son ciel*. 30 Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
— v. 30 : son ciel, c. à d. celui du pays ; d’autres : par ses nuées.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 L’année de la mort du roi Ozias,* je vis le Seigneur assis sur un trône haut et élevé, et les pans de sa robe remplissaient le temple. 1 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly.
2 Des séraphins se tenaient au-dessus de lui ; ils avaient chacun six ailes : de deux ils se couvraient la face, et de deux ils se couvraient les pieds, et de deux ils volaient. 2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
3 Et l’un criait à l’autre, et disait : Saint, saint, saint, est l’Éternel des armées ; toute la terre est pleine de sa gloire ! 3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany]
4 Et les fondements des seuils étaient ébranlés à la voix de celui qui criait, et la maison était remplie de fumée. 4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
5 Et je dis : Malheur à moi ! car je suis perdu ; car moi, je suis un homme aux lèvres impures, et je demeure au milieu d’un peuple aux lèvres impures ; car mes yeux ont vu le roi, l’Éternel des armées. 5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.
6 Et l’un des séraphins vola vers moi ; et il avait en sa main un charbon ardent qu’il avait pris de dessus l’autel avec des pincettes ; 6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo* teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay]
7 et il en toucha ma bouche, et dit : Voici, ceci a touché tes lèvres ; et ton iniquité est ôtée, et propitiation est faite pour ton péché. 7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.
— v. 1 : date : A.C. 758.  
8 Et j’entendis la voix du Seigneur qui disait : Qui enverrai-je, et qui ira pour nous ? Et je dis : Me voici, envoie-moi. 8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
9 — Et il dit : Va, et dis à ce peuple : En entendant vous entendrez et vous ne comprendrez pas, et en voyant vous verrez* et vous ne connaîtrez pas. 9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
10 Engraisse le cœur de ce peuple, et rends ses oreilles pesantes, et bouche ses yeux, de peur qu’il ne voie des yeux, et n’entende de ses oreilles, et ne comprenne de son cœur, et ne se convertisse, et qu’il ne soit guéri. 10 Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
11 — Et je dis : Jusques à quand, Seigneur ? Et il dit : Jusqu’à ce que les villes soient dévastées, de sorte qu’il n’y ait pas d’habitants, et les maisons, de sorte qu’il n’y ait pas d’hommes, et que le sol soit réduit en entière désolation, 11 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
12 et que l’Éternel en ait éloigné les hommes, et que la solitude soit grande au milieu du pays. 12 Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany;
13 Mais il y aura encore là un dixième ; et il reviendra et il sera brouté*, comme le térébinthe et le chêne, dont le tronc [reste] quand ils sont abattus : la semence sainte en sera le tronc. 13 Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
— v. 9 : ou : Entendant, entendez …, et voyant, voyez. — v. 13 : ou : … dixième ; et il sera de nouveau brouté.  
* *
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et il arriva, dans les jours d’Achaz, fils de Jotham, fils d’Ozias, roi de Juda, que Retsin, roi de Syrie*, et Pékakh, fils de Remalia, roi d’Israël, montèrent à Jérusalem pour lui faire la guerre ; ** mais ils ne purent pas l’assiéger. 1 [Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
2 Et on rapporta à la maison de David, disant : La Syrie est venue prêter appui à* Éphraïm. Et son cœur fut agité, et le cœur de son peuple, comme les arbres de la forêt sont agités devant le vent. 2 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
3 Et l’Éternel dit à Ésaïe : Sors à la rencontre d’Achaz, toi et Shear-Jashub*, ton fils, au bout de l’aqueduc de l’étang supérieur, sur la route du champ du foulon ; 3 Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba* zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
4 et tu lui diras : Prends garde et sois tranquille ; ne crains point, et que ton cœur ne défaille pas devant ces deux bouts* de tisons fumants, devant l’ardeur de la colère de Retsin et de la Syrie, et du fils de Remalia. 4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
5 Parce que la Syrie a formé contre toi de mauvais desseins, Éphraïm [aussi] et le fils de Remalia, disant : 5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
6 Montons contre Juda, et jetons-y l’alarme, et faisons-y pour nous une brèche, et établissons pour roi au milieu d’elle le fils de Tabeël ; 6 Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7 ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Il ne s’accomplira pas et n’aura pas lieu ; 7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
8 car le chef de la Syrie, c’est Damas, et le chef de Damas, c’est Retsin. Et encore soixante-cinq ans, et Éphraïm cessera* d’être un peuple ; 8 Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
9 et le chef d’Éphraïm, c’est la Samarie, et le chef de la Samarie, c’est le fils de Remalia. Si vous ne croyez pas, vous ne subsisterez pas. 9 Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
— v. 1* : hébreu : Aram ; comme 9:12. — v. 1** : date : A.C. 741, environ. — v. 2 : litt.: s’est posée sur. — v. 3 : un résidu reviendra. — v. 4 : hébreu : queues. — v. 8 : litt.: sera brisé.  
10 Et l’Éternel parla encore à Achaz, disant : 10 Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe:
11 Demande pour toi un signe de la part de l’Éternel, ton Dieu ; demande-le dans les lieux bas ou dans les hauteurs d’en haut. 11 Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.
12 Et Achaz dit : Je ne [le] demanderai pas, et je ne tenterai pas l’Éternel. 12 Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah
13 Et il dit : Écoutez donc, maison de David : Est-ce peu de chose pour vous de lasser [la patience] des hommes, que vous lassiez aussi [la patience de] mon Dieu ? 13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?
14 C’est pourquoi le Seigneur, lui, vous donnera un signe : Voici, la vierge concevra et elle enfantera un fils, et appellera son nom Emmanuel*. 14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
15 Il mangera du caillé* et du miel, pour savoir rejeter le mal et choisir le bien. 15 Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
16 Car avant que l’enfant sache rejeter le mal et choisir le bien, le pays des deux rois duquel tu as peur* sera abandonné. 16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17 L’Éternel fera venir sur toi, et sur ton peuple et sur la maison de ton père, des jours qui ne sont pas venus depuis le jour qu’Éphraïm s’est retiré de Juda, — [savoir] le roi d’Assyrie. 17 Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);
— v. 14 : *Dieu avec nous. — v. 15 : ou : de la crème. — v. 16: avec l’idée d’aversion.  
18 Et il arrivera, en ce jour-là, que l’Éternel sifflera la mouche qui est au bout des fleuves* d’Égypte, et l’abeille qui est dans le pays d’Assyrie ; 18 Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;
19 et elles viendront et se poseront toutes dans les vallées désertes et dans les fentes des rochers, et sur toutes les broussailles, et sur tous les pâturages. 19 Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.
20 En ce jour-là, le Seigneur rasera avec un rasoir pris à louage au delà du fleuve, avec le roi d’Assyrie, la tête et les poils des pieds, et il* enlèvera aussi la barbe. 20 Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]
21 Et il arrivera, en ce jour-là, qu’un homme nourrira une jeune vache et deux brebis ; 21 Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
22 et il arrivera que, de l’abondance du lait qu’elles donneront, il mangera du caillé ; car tous ceux qui seront de reste au milieu du pays mangeront du caillé* et du miel. 22 Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.
23 Et il arrivera, en ce jour-là, que tout lieu où il y avait mille ceps de mille [pièces] d’argent, sera [abandonné] aux ronces et aux épines ; 23 Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
24 on y viendra avec des flèches et avec l’arc, car tout le pays sera ronces et épines. 24 Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
25 Et toutes les montagnes qu’on cultivait avec la bêche, — on n’y viendra pas, par crainte des ronces et des épines ; et elles seront un lieu pour y envoyer le bœuf, et pour que les brebis le foulent. 25 Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho* ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
— v. 18 : voir la note à Exode 7:19. — v. 20 : c. à d. le rasoir. — v. 22 : ou : de la crème.  
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et l’Éternel me dit : Prends-toi une grande plaque, et écris dessus avec un style d’homme : Maher-Shalal-Hash-Baz*. 1 [Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an*'i Mahera-salala-hasi-baza**." [*Na: amin'][**Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
2 Et je me pris de fidèles témoins pour témoigner, Urie, le sacrificateur, et Zacharie, fils de Jebérékia. 2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.
3 Et je m’approchai de la prophétesse, et elle conçut, et enfanta un fils ; et l’Éternel me dit : Appelle son nom : Maher-Shalal-Hash-Baz ; 3 Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
4 car avant que l’enfant sache crier : Mon père, et, Ma mère, on emportera la puissance* de Damas et le butin de Samarie devant le roi d’Assyrie. 4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
— v. 1 : Qu’on se dépêche de butiner, on hâte le pillage. — v. 4 : ou : les richesses.  
5 Et l’Éternel me parla encore, disant : 5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6 Parce que ce peuple rejette les eaux de Siloé qui vont doucement, et qu’il trouve son plaisir en Retsin et dans le fils de Remalia ; 6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,
7 à cause de cela, voici, le Seigneur fait monter sur eux les eaux du fleuve, fortes et grosses, le roi d’Assyrie et toute sa gloire ; et il montera sur tout son lit, et s’en ira par-dessus tous ses bords ; 7 Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]
8 et il traversera Juda, il débordera et passera outre, il atteindra jusqu’au cou ; et le déploiement de ses ailes remplira la largeur de ton pays, ô Emmanuel. 8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]
   
9 Associez-vous*, peuples, et vous serez brisés ; et prêtez l’oreille, vous tous qui habitez au loin sur la terre ! Ceignez-vous, et vous serez brisés ! Ceignez-vous, et vous serez brisés ! 9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10 Prenez un conseil, et il n’aboutira à rien ; dites la parole*, et elle n’aura pas d’effet : car *Dieu est avec nous**. 10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
11 Car ainsi m’a dit l’Éternel avec main forte, et il m’a averti de ne pas marcher dans le chemin de ce peuple, disant : 11 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:
12 Ne dites pas conjuration, de tout ce dont ce peuple dira conjuration, et ne craignez pas leur crainte, et ne soyez pas effrayés ; 12 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
13 l’Éternel des armées, lui, sanctifiez-le, et que lui soit votre crainte, et lui, votre frayeur ; 13 Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
14 et il sera pour sanctuaire, et pour pierre d’achoppement et rocher de trébuchement aux deux maisons d’Israël, pour piège et pour lacet aux habitants de Jérusalem. 14 Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
15 Et beaucoup d’entre eux trébucheront, et tomberont, et seront brisés, et enlacés, et pris. 15 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16 Lie le témoignage, scelle la loi parmi mes disciples. 16 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
17 Et je m’attendrai à l’Éternel qui cache sa face de la maison de Jacob, et je l’attendrai. 17 Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
— v. 9 : ou : Poussez des cris de guerre ; quelques-uns : Soyez méchants. — v. 10* : litt.: dites parole. — v. 10** : hébreu : Emmanuel.  
18 Voici, moi et les enfants que l’Éternel m’a donnés, nous sommes pour signes et pour prodiges en Israël de la part de l’Éternel des armées qui demeure en la montagne de Sion. 18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19 Et s’ils vous disent : Enquérez-vous des évocateurs d’esprits et des diseurs de bonne aventure, qui murmurent et qui chuchotent,… un peuple ne s’enquiert-il pas de son Dieu ? [ira-t-il] aux morts pour les vivants ? 19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
20 À la loi et au témoignage ! S’ils ne parlent pas selon cette parole, il n’y a pas d’aurore pour lui*. 20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]
— v. 20 : c. à d. pour le peuple.  
21 Et il passera là, affligé et ayant faim ; et il arrivera que, lorsqu’il aura faim, il se dépitera, et maudira son roi et son Dieu ; 21 Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny mpanjakany sy Andriamaniny**, ary dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin'ny anaran'][**Na: ny andriamaniny]
22 et il regardera en haut, et il fixera son regard sur la terre, et voici la détresse et les ténèbres, l’obscurité de l’angoisse ! et il est repoussé dans d’épaisses ténèbres. 22 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.
Chapitre 9 23 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
1 Toutefois l’obscurité ne sera pas selon que la détresse fut sur la terre*, quand au commencement il pesa légèrement sur le pays de Zabulon et le pays de Nephthali, et plus tard s’appesantît [sur elle] **,… chemin de*** la mer, au delà du Jourdain, Galilée des nations : Chapitre 9
2 le peuple qui marchait dans les ténèbres a vu une grande lumière ; ceux qui habitaient dans le pays de l’ombre de la mort,… la lumière a resplendi sur eux ! 1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
3 Tu as multiplié la nation, tu lui as accru la joie ; ils se réjouissent devant toi, comme la joie à la moisson, comme on est transporté de joie quand on partage le butin. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.
4 Car tu as cassé le joug qui pesait sur elle, et la verge de son épaule, le bâton de son oppresseur, comme au jour de Madian. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana.
5 Car toute chaussure de guerre qu’on chausse pour le tumulte, et le manteau roulé dans le sang, seront un embrasement, la pâture du feu. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.
6 Car un enfant nous est né, un fils nous a été donné, et le gouvernement sera sur son épaule ; et on appellera son nom : Merveilleux, Conseiller, *Dieu* fort, Père du siècle**, Prince de paix. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
7 À l’accroissement de [son] empire, et à la paix, il n’y aura pas de fin, sur le trône de David et dans son royaume, pour l’établir et le* soutenir en jugement** et en justice, dès maintenant et à toujours. La jalousie de l’Éternel des armées fera cela. 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
— v. 1* : litt.: sur elle. — v. 1** : c. à d. sur la terre (ou : le pays). — v. 1*** : comme ailleurs, dans le sens de : du côté de, vers. — v. 6* : El. — v. 6** : ou : d’éternité. — v. 7* : c. à d. le royaume. — v. 7** : juste jugement.  
* *
8 Le Seigneur a envoyé une parole à Jacob, et elle tombe sur Israël ; 7 [Ny amin'ny aninjiran'i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony] Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.
9 et le peuple tout entier le saura, Éphraïm et celui qui habite la Samarie, qui disent avec orgueil et avec hauteur de cœur : 8 Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:
10 Les briques sont tombées, nous bâtirons en pierres de taille ; les sycomores ont été coupés, nous les remplacerons par des cèdres. 9 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
11 Mais l’Éternel suscitera les adversaires de Retsin contre lui, 10 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
12 et armera* ses ennemis, les Syriens, à l’est**, et les Philistins, à l’ouest** ; et ils dévoreront Israël à gueule ouverte. Pour tout cela, sa colère ne s’est pas détournée, et sa main est encore étendue. 11 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
— v. 12* : ou : excitera. — v. 12** : litt.: par devant … par derrière.  
13 Mais le peuple ne retourne pas à celui qui le frappe, et ne recherche pas l’Éternel des armées. 12 Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.
14 Et l’Éternel retranchera d’Israël la tête et la queue, la branche de palmier et le jonc, en un seul jour : 13 Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma]
15 l’ancien et l’homme considéré, lui, est la tête ; et le prophète qui enseigne le mensonge, lui, est la queue. 14 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
16 Car les conducteurs de ce peuple le fourvoient, et ceux qui sont conduits par eux périssent*. 15 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
17 C’est pourquoi le Seigneur ne se réjouira pas en leurs jeunes gens, et n’aura pas compassion de leurs orphelins et de leurs veuves ; car tous ensemble, ce sont des profanes et des gens qui font le mal, et toute bouche profère l’impiété. Pour tout cela, sa colère ne s’est pas détournée, et sa main est encore étendue. 16 Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]
— v. 16 : litt.: sont engloutis.  
18 Car la méchanceté brûle comme un feu, elle dévore les ronces et les épines, et embrase les épaisseurs de la forêt, et roule et s’élève en colonne de fumée. 17 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
19 Par la fureur de l’Éternel des armées le pays est consumé, et le peuple est comme ce qui alimente le feu : l’un n’épargne pas l’autre. 18 Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
20 Et on arrache à droite, et on a faim ; et on dévore à gauche, et on n’est pas rassasié. Ils mangent chacun la chair de son bras : 19 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
21 Manassé, Éphraïm, et Éphraïm, Manassé ; [et] ceux-ci ensemble sont contre Juda. Pour tout cela, sa colère ne s’est pas détournée, et sa main est encore étendue. 20 Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Malheur à ceux qui rendent des décrets d’iniquité, et à ceux qui écrivent des arrêts d’oppression*, 1 Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
2 pour empêcher que justice ne soit faite aux pauvres, et pour ravir leur* droit aux affligés de mon peuple ; pour faire des veuves leur proie et piller les orphelins. 2 Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3 Et que ferez-vous au jour de la visitation et de la destruction qui vient de loin ? Vers qui vous enfuirez-vous pour avoir du secours, et où laisserez-vous votre gloire ? 3 Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo*? [Heb. voninahitrareo]
4 [Il ne reste] qu’à se courber* sous les prisonniers ; et ils tomberont sous ceux qui sont massacrés. Pour tout cela, sa colère ne s’est pas détournée, et sa main est encore étendue. 4 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono*. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]
— v. 1 : litt.: [aux] écrivants [qui] écrivent l’oppression. — v. 2 : litt.: le. — v. 4 : ou : Sans moi, ils se courberont.  
5 Ha ! l’Assyrie, verge de ma colère ! Et le bâton qui est dans leur main, c’est mon indignation ! 5 [Ny amin'ny fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6 Je l’enverrai contre une nation profane ; et je lui donnerai un mandat contre le peuple de ma fureur, pour [le] butiner et [le] piller*, et pour le fouler aux pieds comme la boue des rues. 6 Hamely firenena mihatsaravelatsihy* no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]
7 Mais lui n’en juge pas ainsi, et son cœur ne pense pas ainsi ; car il a au cœur de dévaster et de retrancher des nations, pas en petit nombre. 7 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8 Car il a dit : Mes princes ne sont-ils pas tous des rois ? 8 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
9 Calno* n’est-elle pas comme Carkemish ? Hamath n’est-elle pas comme Arpad ? Samarie n’est-elle pas comme Damas ? 9 Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10 Comme ma main a trouvé les royaumes des idoles (et leurs images étaient plus que celles de Jérusalem et de Samarie), 10 Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin*'ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]
11 ne ferai-je pas à Jérusalem et à ses images ainsi que j’ai fait à Samarie et à ses idoles ? 11 Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny* koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]
— v. 6 : litt.: butiner un butin et piller un pillage. — v. 9 : Calné, Genèse 10:10.  
12 Et il arrivera que, quand le Seigneur aura achevé toute son œuvre contre la montagne de Sion et contre Jérusalem, je visiterai le fruit de l’arrogance du cœur du roi d’Assyrie et la gloire de la fierté de ses yeux. 12 Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony; [Heb: hovaliako]
13 Car il a dit : Par la force de ma main je l’ai fait, et par ma sagesse, car je suis intelligent ; et j’ai ôté les bornes des peuples, et j’ai pillé leurs trésors, et comme un [homme] puissant j’ai fait descendre ceux qui étaient assis [sur des trônes]. 13 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka*; [Na: Ary tahaka ny fanaon'ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]
14 Et ma main a trouvé comme un nid les richesses des peuples ; et, comme on ramasse des œufs délaissés, moi, j’ai ramassé toute la terre, et il n’y en a pas eu un qui ait remué l’aile, ni ouvert le bec, ni crié. 14 Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15 — La cognée se glorifiera-t-elle contre celui qui s’en sert* ? La scie s’élèvera-t-elle contre celui qui la manie ? Comme si la verge faisait mouvoir ceux qui la lèvent, comme si le bâton levait celui qui n’est pas du bois** ! 15 Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony*! [Heb. manandratra izay tsy hazo]
16 C’est pourquoi le Seigneur, l’Éternel* des armées, enverra la maigreur parmi ses [hommes] gras, et, sous sa gloire, allumera un incendie comme un incendie de feu. 16 Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17 Et la lumière d’Israël sera un feu, et son Saint, une flamme ; et il brûlera et dévorera ses* épines et ses ronces, en un seul jour ; 17 Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
18 et il consumera la gloire de sa forêt et de son champ fertile*, depuis l’âme jusqu’à la chair ; et il en sera comme d’un malade qui va dépérissant. 18 Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy* izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]
19 Et le reste des arbres de sa forêt sera un petit nombre, et un enfant les inscrirait. 19 Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
20 Et il arrivera, en ce jour-là, que le résidu d’Israël et les réchappés de la maison de Jacob ne s’appuieront plus sur celui qui les a frappés ; mais ils s’appuieront sur l’Éternel, le Saint d’Israël, en vérité. 20 Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
21 Le résidu reviendra*, le résidu de Jacob, au *Dieu fort ; 21 Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.
22 car ton peuple Israël fût-il comme le sable de la mer, un résidu [seulement] reviendra* ; la consomption décrétée débordera en justice. 22 Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
23 Car le Seigneur, l’Éternel des armées, accomplit au milieu de toute la terre* une consomption, et une [consomption] décrétée**. 23 Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
— v. 15* : litt.: qui en coupe. — v. 15** : ou : se levait [comme s’il n’était] pas du bois. — v. 16 : quelques-uns : le Seigneur. — v. 17 : c. à d. d’Assur. — v. 18 : ou : son Carmel. — v. 21, 22 : «Un résidu reviendra» (Shear-Jashub) est le nom du premier fils prophétique. — v. 23* : ou : tout le pays. — v. 23** : ces paroles sont une expression technique qui sert à désigner les derniers jugements qui précèdent le règne du Messie.  
24 C’est pourquoi, ainsi dit le Seigneur, l’Éternel des armées : Mon peuple, qui habites en Sion, ne crains pas l’Assyrien ! Il te frappera avec une verge et lèvera son bâton sur toi à la manière de l’Égypte ; 24 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
25 car encore très-peu de temps, et l’indignation sera accomplie, et ma colère, dans leur destruction. 25 Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
26 Et l’Éternel des armées suscitera contre lui un fouet, comme Madian a été frappé au rocher d’Oreb ; et son bâton [sera] sur la mer, et il le lèvera à la manière de l’Égypte. 26 Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
27 Et il arrivera en ce jour-là, que son fardeau sera ôté de dessus ton épaule, et son joug de dessus ton cou ; et le joug sera détruit à cause de l’onction*…. 27 Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka* ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]
28 Il est arrivé à Aïath, il a traversé Migron, il a déposé ses bagages à Micmash. 28 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
29 Ils ont passé le défilé ; ils ont dressé leur camp à Guéba. Rama* tremble, Guibha de Saül a pris la fuite. 29 Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
30 Pousse des cris, fille de Gallim ! Fais attention, Laïs ! — Pauvre Anathoth ! 30 Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
31 Madména est en fuite, les habitants de Guébim se sauvent. 31 Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
32 Encore un jour d’arrêt à Nob ; il menace de sa main la montagne de la fille de Sion, la colline de Jérusalem…. 32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
33 Voici, le Seigneur, l’Éternel des armées, abat les hautes branches avec violence, et ceux qui sont grands de stature seront coupés, et ceux qui sont élevés seront abaissés ; 33 Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
34 et il éclaircira avec le fer les épais taillis de la forêt, et le Liban tombera par un puissant. 34 Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
— v. 27 : litt.: huile ; quelques-uns, continuant la métaphore, traduisent : la graisse, la prospérité. — v. 29 : voir Juges 19:13.  
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Et il sortira un rejeton du tronc d’Isaï, et une branche de ses racines fructifiera ; 1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;
2 et l’Esprit de l’Éternel reposera sur lui, l’esprit de sagesse et d’intelligence, l’esprit de conseil et de force, l’esprit de connaissance et de crainte de l’Éternel. 2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;
3 Et son plaisir sera la crainte de l’Éternel ; et il ne jugera pas d’après la vue de ses yeux, et ne reprendra* pas selon l’ouïe de ses oreilles ; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;
4 mais il jugera avec justice les misérables, et reprendra avec droiture les débonnaires de la terre ; et il frappera la terre avec la verge de sa bouche, et par le souffle de ses lèvres il fera mourir le méchant. 4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
5 Et la justice sera la ceinture de ses reins, et la fidélité, la ceinture de ses flancs. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
6 Et le loup habitera avec l’agneau, et le léopard couchera avec le chevreau ; et le veau et le jeune lion, et la bête grasse, seront ensemble, et un petit enfant les conduira. 6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]
7 La vache paîtra avec l’ourse, leurs petits coucheront l’un près de l’autre, et le lion mangera de la paille comme le bœuf. 7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
8 Le nourrisson s’ébattra sur le trou de l’aspic, et l’enfant sevré étendra sa main sur l’antre de la vipère. 8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason']
9 On ne fera pas de tort, et on ne détruira pas, dans toute ma sainte montagne ; car la terre* sera pleine de la connaissance de l’Éternel, comme les eaux couvrent [le fond de] la mer. 9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
10 Et, en ce jour-là, il y aura une racine d’Isaï, se tenant là comme une bannière* des peuples : les nations la rechercheront, et son repos sera gloire. 10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
— v. 3 : d’autres : prononcera le droit. — v. 9 : ou : le pays. — v. 10 : hébreu : pour bannière.  
11 Et il arrivera, en ce jour-là, que le Seigneur mettra sa main encore une seconde fois pour acquérir le résidu de son peuple, qui sera demeuré de reste, de l’Assyrie, et de l’Égypte, et de Pathros*, et de Cush**, et d’Élam***, et de Shinhar, et de Hamath, et des îles de la mer. 11 Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina.
12 Et il élèvera un étendard devant les nations, et rassemblera les exilés d’Israël, et réunira les dispersés de Juda des quatre bouts de la terre. 12 Dia hanangana faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13 Et la jalousie d’Éphraïm s’en ira, et les adversaires de Juda seront retranchés ; Éphraïm ne sera pas rempli d’envie contre Juda, et Juda ne sera pas l’adversaire d’Éphraïm ; 13 Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana* an**'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.[*Na: mpandrafy][**Na: ao amin'ny]
14 mais ils voleront sur l’épaule des Philistins vers l’ouest, ils pilleront ensemble les fils de l’orient : Édom et Moab seront la proie de leurs mains, et les fils d’Ammon leur obéiront. 14 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.
15 Et l’Éternel desséchera la langue de la mer d’Égypte ; et il secouera sa main sur le fleuve dans l’impétuosité de son vent, et le frappera pour [qu’il devienne] sept ruisseaux, et [y] fera marcher avec des souliers. 15 Ary Jehovah handritra* ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony** ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[*Na: hanao azy ho herema][**Eofrata]
16 Et il y aura un chemin battu pour le résidu de son peuple, qui sera demeuré de reste, de l’Assyrie, selon ce qui est arrivé à Israël au jour qu’il est monté du pays d’Égypte. 16 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
— v. 11* : la haute Égypte. — v. 11** : ou : l’Éthiopie. — v. 11*** : la Perse.  
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Et tu diras en ce jour-là : Je te célébrerai, Éternel, car tu étais en colère contre moi, [et] ta colère s’est détournée, et tu m’as consolé. 1 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia* afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]
2 Voici, *Dieu est mon salut ; j’aurai confiance, et je ne craindrai pas ; car Jah*, Jéhovah**, est ma force et mon cantique, et il a été mon salut***. 2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
3 Et vous puiserez de l’eau avec joie aux fontaines du salut. 3 Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena.
4 Et vous direz en ce jour-là : Célébrez l’Éternel, invoquez son nom ; faites connaître parmi les peuples ses actes, rappelez que son nom est haut élevé. 4 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
5 Chantez l’Éternel, car il a fait des choses magnifiques. Cela est connu dans* toute la terre. 5 Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
6 Pousse des cris de joie et exulte, habitante de Sion, car grand, au milieu de toi, est le Saint d’Israël. 6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
— v. 2* : voir les notes à Exode 15:2 ; Psaume 68:4. — v. 2** : ailleurs : l’Éternel. — v. 2*** : ou : ma délivrance. — v. 5 : ou : Que cela soit connu dans.  
* *
Chapitre 13 Chapitre 13
1 L’oracle touchant Babylone, qu’a vu Ésaïe, fils d’Amots. 1 [Faminaniana ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona.
   
2 Élevez un étendard sur une montagne nue*, élevez la voix vers eux, secouez la main, et qu’ils entrent dans les portes des nobles. 2 Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
3 J’ai donné commandement à mes saints, j’ai appelé aussi pour ma colère mes hommes forts, ceux qui se réjouissent en ma grandeur. 3 Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
4 La voix d’une multitude sur les montagnes, semblable à un grand peuple, la voix d’un tumulte des royaumes des nations rassemblées … : l’Éternel des armées fait la revue de la milice de guerre. 4 Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be*! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,[Na: firenena lehibe]
5 Ils viennent d’un pays lointain, du bout des cieux, l’Éternel et les instruments de son indignation, pour détruire tout le pays. 5 Izay avy any amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
6 Hurlez, car le jour de l’Éternel est proche ! Il viendra comme une destruction du Tout-puissant. 6 Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
7 C’est pourquoi toutes les mains deviendront lâches, et tout cœur d’homme se fondra, 7 Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon'ny zanak'olombelona rehetra;
8 et ils seront terrifiés ; les détresses et les douleurs s’empareront d’eux ; ils se tordront comme celle qui enfante ; ils se regarderont stupéfaits ; leurs visages seront de flamme. 8 Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
— v. 2 : ou : haute.  
9 Voici, le jour de l’Éternel vient, cruel, avec fureur et ardeur de colère, pour réduire la terre en désolation ; et il en exterminera les pécheurs. 9 Indro, avy ny andron'i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
10 Car les étoiles des cieux et leurs constellations ne feront pas briller leur lumière ; le soleil sera obscur à son lever, et la lune ne fera pas luire sa clarté ; 10 Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
11 et je punirai le monde pour sa malice*, et les méchants pour leur iniquité ; et je ferai cesser l’orgueil des arrogants et j’abattrai la hauteur des hommes fiers. 11 Ary hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan'ny mpampahory.
12 Je ferai qu’un mortel sera plus précieux que l’or fin, et un homme, plus que l’or d’Ophir. 12 Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
13 C’est pourquoi je ferai trembler les cieux, et la terre sera ébranlée de sa place, par la fureur de l’Éternel des armées et au jour de l’ardeur de sa colère. 13 Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny fahatezerany.
14 Et il en sera comme d’une gazelle chassée et d’un troupeau que personne ne rassemble : chacun se tournera vers son peuple, et chacun fuira vers son pays ; 14 Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin'ny taniny avy izy.
15 tous ceux qui seront trouvés seront transpercés, et quiconque se joindra [à eux] * tombera par l’épée ; 15 Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon'ny sabatra.
16 et leurs petits enfants seront écrasés devant leurs yeux, leurs maisons seront pillées, et leurs femmes seront violées. 16 Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
— v. 11 : litt.: le mal. — v. 15 : ou : quiconque sera saisi.  
17 Voici, je réveille contre eux les Mèdes, qui n’estiment pas l’argent, et, quant à l’or, n’y prennent pas de plaisir. 17 Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
18 Et leurs arcs abattront les jeunes gens, et ils n’auront pas compassion du fruit du ventre ; leur œil n’épargnera pas les fils. 18 Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran'ny masony.
19 Et Babylone, l’ornement des royaumes, la gloire de l’orgueil des Chaldéens, sera comme quand Dieu renversa Sodome et Gomorrhe. 19 Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora;
20 Elle ne sera jamais habitée, et on n’y demeurera pas, de génération en génération, et l’Arabe n’y dressera pas sa tente, et les bergers n’y feront pas reposer [leurs troupeaux] ; 20 Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
21 mais les bêtes du désert y auront leur gîte, et les hiboux rempliront ses maisons, et les autruches y feront leur demeure, et les boucs sauvages y sauteront ; 21 Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo* ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy* no hitsambikimbikina any,[*Na: hyena][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7]
22 et les chacals s’entre-répondront dans ses palais, et les chiens sauvages, dans les maisons luxueuses. Et son temps est près d’arriver ; et ses jours ne seront pas prolongés. 22 Ny kary* no hifampierena ao an-tranobeny**, ary ny amboadia*** ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[*Heb. jakala][**Heb. mpitondratenany][***Na: jakala]
Chapitre 14 Chapitre 14
1 Car l’Éternel aura compassion de Jacob et choisira encore Israël, et les établira en repos sur leur terre ; et l’étranger se joindra à eux, et sera ajouté à la maison de Jacob. 1 Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
2 Et les peuples les prendront et les feront venir en leur lieu, et la maison d’Israël les possédera, sur la terre de l’Éternel, pour serviteurs et pour servantes : et ils mèneront captifs ceux qui les tenaient captifs, et ils domineront sur leurs oppresseurs. 2 Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
   
3 Et il arrivera, au jour où l’Éternel te donnera du repos de ton labeur et de ton trouble et du dur service auquel on t’a asservi, 3 [Hira fifaliana hataon'ny Isiraely noho ny nanetrena ny mpanjakan'i Babylona] Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
4 que tu prononceras ce cantique sentencieux sur le roi de Babylone, et tu diras : Comment l’oppresseur a-t-il cessé ? comment l’exactrice a-t-elle cessé ? 4 dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
5 L’Éternel a brisé le bâton des méchants, le sceptre des dominateurs. 5 Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
6 Celui qui, dans sa fureur, frappait de coups les peuples, sans relâche, dominant les nations dans sa colère, est poursuivi sans trêve. 6 Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
7 Toute la terre est en repos [et] tranquille ; elle éclate en chants de triomphe. 7 Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
8 Les cyprès aussi se réjouissent de toi, les cèdres du Liban : Depuis que tu es tombé, l’abatteur n’est plus monté contre nous ! 8 Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
9— Le shéol d’en bas s’émeut pour toi, te rencontrant à ta venue, réveillant pour toi les trépassés, tous les boucs de la terre, faisant lever de leurs trônes tous les rois des nations. 9 Taitra ny fiainan-tsi-hita* any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy** rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[*Heb. Sheola][**Heb. osilahy]
10 Tous, ils prendront la parole et te diront : Toi aussi, tu as été rendu faible, comme nous ; tu es devenu semblable à nous. 10 Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
11 — Ton orgueil est descendu dans le shéol, le son de tes luths. Les vers sont étendus sous toi, et les larves sont ta couverture. 11 Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita* ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
   
12 Comment es-tu tombé des cieux, astre brillant*, fils de l’aurore ? Tu es abattu jusqu’à terre, toi qui subjuguais les nations ! 12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
13 Et toi, tu as dit dans ton cœur : Je monterai aux cieux, j’élèverai mon trône au-dessus des étoiles de *Dieu, et je m’assiérai sur la montagne de l’assignation*, au fond du nord. 13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14 Je monterai sur les hauteurs des nues, je serai semblable au Très-haut*. 14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
15 Toutefois, on t’a fait descendre dans le shéol, au fond de la fosse. 15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
16 Ceux qui te voient fixent leurs regards sur toi, ils te considèrent, [disant] : Est-ce ici l’homme qui a fait trembler la terre, qui ébranlait les royaumes, 16 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17 qui a fait du monde un désert, et qui ruinait ses villes ? Ses prisonniers, il ne les renvoyait pas chez eux*. 17 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
18 — Tous les rois des nations, eux tous, reposent dans leur gloire, chacun dans sa maison ; 18 Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany* avy;[Heb. tranony]
19 mais toi, tu as été jeté hors de ton sépulcre comme une branche qui fait horreur, recouvert de tués, percés par l’épée, descendus jusqu’aux pierres d’une fosse,… comme un cadavre foulé aux pieds. 19 Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
20 Tu ne seras pas réuni avec eux dans le sépulcre ; car tu as ruiné ton pays, tu as tué ton peuple. De la race* des méchants il ne sera jamais fait mention. 20 Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
— v. 12 : ou : Lucifer. — v. 13 : ou : rassemblement. — v. 14 : hébreu : Élion. — v. 17 : ou : Il ne relâchait pas ses prisonniers. — v. 20 : litt.: semence.  
21 Préparez la tuerie pour ses fils, à cause de l’iniquité de leurs pères ; qu’ils ne se lèvent pas, ni ne possèdent la terre, ni ne remplissent de villes la face du monde ! 21 Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
22 Je me lèverai contre eux, dit l’Éternel des armées, et je retrancherai de Babylone le nom et le reste, enfants et postérité, dit l’Éternel ; 22 Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
23 et j’en ferai une possession du butor, et des mares d’eau ; et je la balayerai avec le balai de la destruction, dit l’Éternel des armées. 23 Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
   
24 L’Éternel des armées a juré, disant : Pour certain, comme j’ai pensé, ainsi il arrivera, et, comme j’ai pris conseil, la chose s’accomplira, 24 Jehovah, Tompon'ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
25 de briser l’Assyrien dans mon pays ; et je le foulerai aux pieds sur mes montagnes ; et son joug sera ôté de dessus eux, et son fardeau sera ôté de dessus leurs* épaules. 25 Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
26 C’est là le conseil qui est arrêté contre toute la terre, et c’est là la main qui est étendue sur toutes les nations. 26 Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
27 Car l’Éternel des armées a pris [ce] conseil, et qui l’annulera ? Et sa main est étendue, et qui la [lui] fera retirer ? 27 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
— v. 25 : litt.: ses.  
* *
28 L’année de la mort du roi Achaz,* fut [prononcé] cet oracle : 28 [Faminaniana ny loza hanjo an'i Filistia] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
— v. 28 : date : A.C. 727.  
29 Ne te réjouis pas, Philistie tout entière, de ce que la verge qui t’a frappée est brisée ; car de la racine du serpent sortira une vipère, et son fruit sera un serpent brûlant qui vole ; 29 Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon*'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo** manidina.[*Heb. fakan'][**Heb. sarafa]
30 et les premiers-nés des misérables paîtront, et les pauvres se coucheront en assurance ; mais je ferai mourir de faim ta racine, et tes restes, on les tuera. 30 Ny faraidina indrindra* hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao**, eny, izay sisa aminao ho matiny.[*Heb. matoan'ny mahantra][**Heb. ny fakanao]
31 Hurle, porte ! Ville, pousse des cris ! Sois dissoute, Philistie tout entière ! car une fumée vient du nord, et nul ne reste à l’écart* dans ses rassemblements de troupes. 31 Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.
32 Et que répondra-t-on aux messagers des nations ? Que l’Éternel a fondé Sion, et que les pauvres* de son peuple y trouvent un refuge. 32 Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
— v. 31 : ou : ne manque. — v. 32 : ailleurs : affligés.  
* *
Chapitre 15 Chapitre 15
1 L’oracle touchant Moab. Car, dans la nuit où elle est dévastée, Ar de Moab est détruite, car, dans la nuit où elle est dévastée, Kir de Moab est détruite : … 1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;
2 Il est monté à Baïth* et à Dibon, aux hauts lieux, pour pleurer ; Moab hurle sur Nébo et sur Medeba ; toutes les têtes sont chauves, toute barbe est coupée. 2 Miakatra ho ao amin'ny tempoly* sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]
3 Dans ses rues, ils ont ceint le sac ; sur ses toits et dans ses places tout gémit, se fondant en pleurs ; 3 Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
4 et Hesbon pousse des cris, et Elhalé : leur voix est entendue jusqu’à Jahats. C’est pourquoi les gens armés de Moab crient, son âme tremble en lui. 4 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan*'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
5 Mon cœur pousse des cris au sujet de Moab ; ses fugitifs [vont] jusqu’à Tsoar, [jusqu’à] Églath-Shelishija* ; car ils montent la montée de Lukhith en pleurant, et sur le chemin de Horonaïm ils élèvent un cri de ruine. 5 Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara* sy Egleta-selisia*; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [*Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][**Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]
6 Car les eaux de Nimrim seront des désolations ; car l’herbage est desséché, l’herbe verte a péri, la verdure n’est plus. 6 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
7 C’est pourquoi, les biens qu’ils ont acquis, et leur réserve, ils les portent au ruisseau des saules. 7 Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
8 Car un cri environne la frontière de Moab : son hurlement [se fait entendre] jusqu’à Églaïm, et le hurlement jusqu’à Beër-Élim. 8 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
9 Car les eaux de Dimon sont pleines de sang ; car je ferai venir encore davantage sur Dimon : le lion sur les réchappés de Moab et sur ce qui reste du pays. 9 Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.
— v. 2 : quelques-uns prennent Baïth comme appellatif : maison, savoir, maison [de son dieu]. — v. 5 : ou : une génisse de trois ans.  
Chapitre 16 Chapitre 16
1 Envoyez l’agneau [du] dominateur du pays, — du rocher* vers le désert — à la montagne de la fille de Sion. 1 Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
2 Et comme un oiseau fugitif, une nichée chassée, ainsi seront les filles de Moab, aux gués de l’Arnon. 2 Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
3 Donne conseil, fais ce qui est juste* ; rends ton ombre comme la nuit, en plein midi : cache les exilés, ne découvre pas le fugitif. 3 Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
4 Que mes exilés séjournent avec toi, Moab ! Sois-leur une retraite de devant le destructeur. Car l’oppresseur ne sera plus, la dévastation finira ; celui qui foule disparaîtra du pays. 4 Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao*, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
5 Et un trône sera établi par la bonté ; et il y en aura un qui y siégera dans la vérité, dans la tente de David, jugeant, et recherchant la droiture, et hâtant la justice. 5 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
— v. 1 : ou : de Séla. — v. 3 : ou : prends [la] décision.  
6 Nous avons entendu l’orgueil de Moab, le très-hautain, sa fierté, et son orgueil, et sa rage ; ses vanteries ne sont que vanité. 6 Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
7 C’est pourquoi Moab hurlera sur Moab ; tout entier il hurlera ! Vous gémirez sur les fondations* de Kir-Haréseth, tout affligés. 7 Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok*'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
8 Car les campagnes de Hesbon languiront, — la vigne de Sibma. Les maîtres des nations ont abîmé ses ceps exquis : ils s’étendaient jusqu’à Jahzer, ils erraient dans le désert ; ses provins s’étendaient et dépassaient la mer. 8 Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny*, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]
9 C’est pourquoi je pleurerai des pleurs de Jahzer la vigne de Sibma ; je vous arroserai de mes larmes, Hesbon et Elhalé, car un cri est tombé sur votre récolte et sur votre moisson. 9 Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian*'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]
10 Et la joie et l’allégresse ont disparu des champs fertiles*, et dans les vignes on ne chante pas, on ne pousse pas des cris de joie ; celui qui foulait ne foule plus le vin dans les pressoirs : j’ai fait cesser le cri [du pressoir]. 10 Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
11 C’est pourquoi mes entrailles mènent un bruit sourd au sujet de Moab, comme une harpe, et mon cœur*, au sujet de Kir-Hérès. 11 Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
12 Et il arrivera que, quand Moab se présentera, se fatiguera sur le haut lieu, et entrera dans son sanctuaire pour prier, il ne prévaudra pas. 12 Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
— v. 7 : ou : les gâteaux de raisins. — v. 10 : hébreu : du Carmel. — v. 11 : litt.: mon intérieur.  
13 Telle est la parole que l’Éternel a prononcée jadis sur Moab. 13 Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.
14 Et maintenant l’Éternel a parlé, disant : Dans trois ans, comme les années d’un mercenaire, la gloire de Moab sera réduite à rien avec toute sa grande multitude ; et le reste sera petit, amoindri, peu de chose. 14 Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany*; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
* *
Chapitre 17 Chapitre 17
1 L’oracle touchant Damas. 1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
   
Voici, Damas va cesser d’être une ville, et elle sera un monceau de ruines.  
2 Les villes d’Aroër sont abandonnées, elles seront pour les troupeaux ; ils y coucheront, et il n’y aura personne qui les effraye. 2 Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
3 Et la forteresse a cessé en Éphraïm, et le royaume à Damas ; et ce qui reste de la Syrie sera comme la gloire des fils d’Israël, dit l’Éternel des armées. 3 Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
   
4 Et il arrivera, en ce jour-là, que la gloire de Jacob sera affaiblie, et que la graisse de sa chair sera amaigrie. 4 Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
5 Et il en sera comme quand le moissonneur récolte les blés*, et que son bras moissonne les épis ; il en sera comme quand on ramasse des épis dans la vallée de Rephaïm. 5 Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;
6 Mais il y restera un grappillage, comme quand on secoue l’olivier : deux, trois baies au plus haut sommet, quatre, cinq dans ses branches fruitières, dit l’Éternel, le Dieu d’Israël. 6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
— v. 5 : ou : le blé sur pied.  
7 En ce jour-là, l’homme regardera vers celui qui l’a fait, et ses yeux verront le Saint d’Israël ; 7 Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,
8 et il ne regardera pas aux autels, œuvre de ses mains, et il ne tournera pas son regard vers ce que ses doigts ont fait, ni vers les ashères*, ni vers les colonnes consacrées au soleil. 8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha*, na ny tsangankazo* ho an'ny masoandro.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][**Na: tsangam-bato]
9 En ce jour-là ses villes fortifiées seront comme les lieux délaissés d’un bois épais et d’un sommet, qui ont été délaissés devant les fils d’Israël ; et ce sera une désolation. 9 Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
10 Car tu as oublié le Dieu de ton salut, et tu ne t’es pas souvenue du rocher de ton lieu fort ; c’est pourquoi tu planteras des plantations agréables, et tu les sèmeras de ceps étrangers ; 10 Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
11 le jour même où tu planteras, tu feras croître*, et le matin tu feras pousser ta semence ; [mais] au jour de l’entrée en possession, la moisson sera un monceau, et la douleur, incurable**. 11 Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana* sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]
— v. 8 : ou : Astarté ; ou : images en son honneur. — v. 11* : d’autres : tu entoureras d’une haie. — v. 11** : ou : [mais] la moisson sera un monceau (ou : aura fui), au jour de la [blessure] profonde et de la douleur incurable.  
12 Malheur à la multitude de peuples nombreux ! — ils bruient comme le bruit des mers, — et au tumulte des peuplades ! ils s’émeuvent en tumulte comme le tumulte de grosses eaux. 12 [Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!
13 Les peuplades s’émeuvent en tumulte comme les grandes eaux s’émeuvent en tumulte ; mais [Dieu] les reprendra, et elles fuiront au loin, et elles seront chassées comme la balle des montagnes devant le vent, et comme le chaume devant le tourbillon : 13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.
14 au temps du soir, voici l’épouvante ; avant le matin, elles ne sont plus. Tel est le partage de ceux qui nous dépouillent, et le sort de ceux qui nous pillent. 14 Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
* *
Chapitre 18 Chapitre 18
1 Ha ! pays qui fais ombre avec tes* ailes, [toi] qui es au delà des fleuves de Cush, 1 [Ny haneken'ny Etiopiana an'i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana] Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
2 qui envoies des ambassadeurs sur la mer et dans des vaisseaux de papyrus, sur la face des eaux, [disant] : Allez, messagers rapides, vers une nation répandue loin et ravagée*, vers un peuple merveilleux dès ce temps et au delà, vers une nation qui attend, attend, et qui est foulée aux pieds, de laquelle les rivières ont ravagé le pays. 2 Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana* sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany**, dia firenena mpanao teny tsy valiana*** sady maherisetra****, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][***Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy][****Heb. manitsakitsaka]
3 Vous tous, habitants du monde, et vous qui demeurez sur la terre, quand l’étendard sera élevé sur les montagnes, voyez ; et quand la trompette sonnera, écoutez ! 3 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
4 Car ainsi m’a dit l’Éternel : Je resterai tranquille, et je regarderai de ma demeure, comme une chaleur sereine sur la verdure*, comme une nuée de rosée dans la chaleur de la moisson. 4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy* zavona** amin'ny hainandro fararano.[**Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny][**Heb; rahon'ando]
5 Car avant la moisson, lorsque la floraison est finie et que la fleur devient un raisin vert qui mûrit, il coupera les pousses avec des serpes, et il ôtera, [et] retranchera les sarments. 5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
6 Ils seront abandonnés ensemble aux oiseaux de proie des montagnes et aux bêtes de la terre ; et les oiseaux de proie passeront l’été sur eux, et toutes les bêtes de la terre passeront l’hiver sur eux. 6 Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.
7 En ce temps-là, un présent sera apporté à l’Éternel des armées, [le présent] d’un peuple répandu loin et ravagé, — et de la part d’un peuple merveilleux dès ce temps et au delà, de la part d’une nation qui attend, attend, et qui est foulée aux pieds, de laquelle les rivières ont ravagé le pays,… au lieu où est le nom de l’Éternel des armées, à la montagne de Sion. 7 Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana* sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany** hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana*** sady maherisetra***, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][***Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][****Heb. manitsakitsaka]
— v. 1 : d’autres : qui fais retentir le cliquetis de [tes]. — v. 2 : ou : élancée et épilée. — v. 4 : d’autres : par la lumière.  
* *
Chapitre 19 Chapitre 19
1 L’oracle touchant l’Égypte. 1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany*, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
Voici, l’Éternel, porté sur une nuée rapide, vient en Égypte, et les idoles de l’Égypte sont agitées à cause de sa présence, et le cœur de l’Égypte se fond au dedans d’elle.  
2 Et j’exciterai l’Égyptien contre l’Égyptien ; et ils feront la guerre chacun contre son frère et chacun contre son compagnon, ville contre ville, royaume contre royaume. 2 Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
3 Et l’esprit de l’Égypte s’en ira, au milieu d’elle, et je détruirai son conseil ; et ils s’enquerront auprès des idoles, et auprès des nécromanciens et des évocateurs d’esprits et des diseurs de bonne aventure. 3 Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
4 Et je livrerai l’Égypte en la main d’un seigneur dur, et un roi cruel dominera sur eux, dit le Seigneur, l’Éternel des armées. 4 Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
5 Et les eaux manqueront à la mer*, et la rivière tarira et se desséchera, 5 Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
6 et les rivières deviendront puantes ; les fleuves* de l’Égypte** seront diminués et tariront, les roseaux et les joncs se flétriront. 6 Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta* hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
7 Les prairies sur le Nil, sur le bord du Nil, et tout ce qui est ensemencé le long du Nil, [tout] se desséchera, se réduira en poussière et ne sera plus. 7 Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
8 Et les pêcheurs gémiront ; et tous ceux qui jettent un hameçon dans le Nil mèneront deuil, et ceux qui étendent un filet sur la face des eaux languiront. 8 Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka* harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]
9 Et ceux qui travaillent le lin peigné seront honteux, et ceux qui tissent le coton*. 9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
10 Et les colonnes [du pays] sont brisées ; tous ceux qui gagnent un salaire ont l’âme attristée. 10 Ny andrin*'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
— v. 5 : mot désignant quelquefois un grand fleuve, ici le Nil. — v. 6* : ou : canaux. — v. 6** : hébreu : Matsor, — originairement, la partie très-fortifiée, nord-est, du pays. — v. 9 : ou : des étoffes blanches.  
11 Ils ne sont que des fous, les princes de Tsoan, les sages conseillers du Pharaon ; [leur] conseil est devenu stupide. Comment dites-vous au Pharaon : Je suis un fils des sages, le fils d’anciens rois ? 11 Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
12 Où sont-ils donc, tes sages ? Qu’ils te déclarent, je te prie, et te fassent savoir ce que l’Éternel des armées a résolu contre l’Égypte. 12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
13 Les princes de Tsoan* sont devenus fous, les princes de Noph** sont trompés, et les chefs*** de ses tribus ont fait errer l’Égypte ; 13 Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa*; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]
14 l’Éternel a versé au milieu d’elle un esprit de perversité ; et ils ont fait errer l’Égypte dans tout ce qu’elle fait, comme chancelle dans son vomissement celui qui est ivre ; 14 Jehovah efa nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
15 et il n’y aura pas pour l’Égypte une œuvre que puisse faire tête ou queue, branche de palmier ou jonc. 15 Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia* na ny zozoro. [palma]
— v. 13* : Tanis. — v. 13** : Memphis. — v. 13*** : litt.: la pierre de coin.  
16 En ce jour-là, l’Égypte sera comme des femmes ; et elle tremblera et aura peur devant le secouement de la main de l’Éternel des armées, qu’il secoue contre elle. 16 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
17 Et la terre de Juda sera pour l’Égypte une terreur : quiconque se la rappellera aura peur, à cause du conseil de l’Éternel des armées, que, lui, il a pris contre elle. 17 Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
18 En ce jour-là, il y aura cinq villes dans le pays d’Égypte qui parleront la langue de Canaan et jureront par l’Éternel des armées ; l’une sera appelée Ir-ha-Hérès*. 18 Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa*. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
19 En ce jour-là, il y aura un autel [élevé] à l’Éternel au milieu du pays d’Égypte, et, à la frontière même, une colonne [dédiée] à l’Éternel ; 19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
20 et ce sera un signe et un témoignage à l’Éternel des armées dans le pays d’Égypte. Car ils crieront à l’Éternel à cause des oppresseurs, et il leur enverra un sauveur et un défenseur, et il les délivrera. 20 Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina* amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
21 Et l’Éternel se fera connaître des Égyptiens, et les Égyptiens connaîtront l’Éternel, en ce jour-là ; et ils serviront avec un sacrifice et une offrande, et ils voueront un vœu à l’Éternel et l’accompliront. 21 Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
22 Et l’Éternel frappera l’Égypte ; il frappera, et il guérira ; et ils se tourneront vers l’Éternel, et il leur sera propice et les guérira. 22 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
23 En ce jour-là, il y aura un chemin battu de l’Égypte à l’Assyrie ; et l’Assyrie viendra en Égypte, et l’Égypte en Assyrie ; et l’Égypte servira avec l’Assyrie. 23 Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka*. [Heb. hiara-manompo]
24 En ce jour-là, Israël sera le troisième, avec l’Égypte et avec l’Assyrie, une bénédiction au milieu de la terre ; 24 Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;
25 car l’Éternel des armées le bénira, disant : Béni soit l’Égypte, mon peuple, et l’Assyrie, l’ouvrage de mes mains, et Israël, mon héritage. 25 Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
— v. 18 : ville de destruction ; ou, selon d’autres : ville du soleil, peut-être Héliopolis.  
* *
Chapitre 20 Chapitre 20
1 L’année que le Tharthan* vint à Asdod, quand Sargon, roi d’Assyrie, l’envoya (et il fit la guerre contre Asdod et la prit) : 1 [Fanoharana ny amin'ny handravana an'i Etiopia sy Egypta] Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana tany Asdoda, raha nirahin'i Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i Asdoda ary nahafaka azy,
2 en ce temps-là, l’Éternel parla par Ésaïe, fils d’Amots, disant : Va, ôte le sac de dessus tes reins, et détache ta sandale de ton pied. Et il fit ainsi, marchant nu et nu-pieds. 2 tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
3 Et l’Éternel dit : Comme mon serviteur Ésaïe a marché nu et nu-pieds trois années, [pour être] un signe et un symbole* à l’égard de l’Égypte et de l’Éthiopie**, 3 Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia,
4 ainsi le roi d’Assyrie mènera les captifs de l’Égypte et les transportés de l’Éthiopie, jeunes et vieux, nus et nu-pieds et leurs hanches découvertes, à la honte de l’Égypte. 4 dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.
5 — Et ils seront terrifiés, et auront honte de l’Éthiopie, leur confiance, et de l’Égypte, leur orgueil. 5 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely* noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]
6 Et l’habitant de cette côte* dira en ce jour-là : Voilà notre confiance, ceux vers qui nous avons couru pour avoir du secours, pour être délivrés de devant le roi d’Assyrie ! et nous, comment échapperons-nous ? 6 Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
— v. 1 : titre du général en chef du roi d’Assyrie. — v. 3* : ailleurs : miracle, prodige. — v. 3** : hébreu : Cush. — v. 6 : sans doute : la Palestine.  
* *
Chapitre 21 Chapitre 21
1 L’oracle touchant le désert de la mer. 1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe*. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
Comme des tourbillons dans le midi quand ils passent, il vient du désert, du pays terrible.  
2 Une cruelle vision m’est révélée : Le perfide agit perfidement, et le destructeur détruit. Monte, Élam ! assiège, Médie ! J’ai fait cesser tout son gémissement*. 2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
3 C’est pourquoi mes reins sont remplis de douleur ; des angoisses m’ont saisi comme les angoisses de celle qui enfante ; je suis courbé, à ne pas entendre* ; je suis terrifié à n’y pas voir** ; 3 Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
4 mon cœur bat* ; le tremblement s’est emparé de moi ; la nuit de mon plaisir, il me l’a changée en effroi. 4 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
— v. 2 : celui de Babel ; selon d’autres : celui que Babel a causé. — v. 3* : ou : à force d’avoir entendu. — v. 3** : ou : à force d’avoir vu. — v. 4 : ou : est inquiet, litt.: erre.  
5 Dresse la table ; fais le guet ; mange, bois… Princes, levez-vous, oignez le bouclier ! 5 Velarina ny latabatra, miambina* ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
6 Car ainsi m’a dit le Seigneur : Va, place une sentinelle ; qu’elle déclare ce qu’elle voit. 6 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
7 Et elle vit un char*, une couple de cavaliers**, un char [attelé] d’ânes, un char [attelé] de chameaux. Et elle écouta diligemment, avec grande attention ; 7 Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
8 et elle cria [comme] un lion : Seigneur, je me tiens dans la vedette constamment, de jour, et je suis là faisant ma garde toutes les nuits…. 8 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;
9 Et voici, il vient un char* d’hommes, une couple de cavaliers ! Et il répondit, et dit : Babylone est tombée, elle est tombée, et toutes les images de ses dieux sont brisées par terre. 9 Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin*'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
— v. 7*, 9 : ou : de la cavalerie. — v. 7** : ou : des cavaliers, deux à deux.  
10 Ô vous, mon blé battu*, et le fruit** de mon aire ! ce que j’ai ouï de l’Éternel des armées, le Dieu d’Israël, je vous l’ai rapporté. 10 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô*! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
— v. 10* : c. à d. Israël ; d’autres l’appliquent à Babylone. — v. 10** : litt.: fils.  
* *
11 L’oracle touchant Duma. 11 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma*. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
Il me crie de Séhir : Sentinelle, à quoi en est la nuit ? Sentinelle, à quoi en est la nuit ?  
12 La sentinelle dit : Le matin vient, et aussi la nuit. Si vous voulez vous enquérir, enquérez-vous ; revenez, venez. 12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena*. [Na: avia indray]
* *
13 L’oracle contre l’Arabie. 13 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
Vous logerez dans la forêt* de l’Arabie, caravanes des Dedanites. À la rencontre de celui qui a soif apportez de l’eau !  
14 Les habitants du pays de Théma viennent avec leur pain au-devant de celui qui fuit ; 14 Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
15 car ils s’enfuient devant les épées, devant l’épée dégainée, et devant l’arc tendu, et devant le poids de la guerre. 15 Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
16 Car ainsi m’a dit le Seigneur : Encore une année comme les années d’un mercenaire, et toute la gloire de Kédar aura pris fin, 16 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;
17 et le reste du nombre des archers des hommes forts des fils de Kédar sera amoindri ; car l’Éternel, le Dieu d’Israël, a parlé. 17 Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
— v. 13 : ou : les lieux incultes.  
* *
Chapitre 22 Chapitre 22
1 L’oracle touchant la vallée de vision. 1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema] Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo*, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo**, [*Heb. anao][**Heb. ianao]
Qu’as-tu donc que tu sois tout entière montée sur les toits,  
2 toi qui étais pleine de mouvement, ville bruyante, cité joyeuse ? Tes tués ne sont pas tués par l’épée et ne sont pas morts à la guerre ; 2 Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
3 tous tes chefs se sont enfuis ensemble : ils sont faits prisonniers sans l’arc* ; tous les tiens qui sont trouvés sont faits prisonniers ensemble ; ils fuyaient au loin. 3 Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
4 C’est pourquoi j’ai dit : Détournez-vous de moi, que je pleure amèrement ! Ne vous pressez pas de me consoler au sujet de la ruine de la fille de mon peuple. 4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
— v. 3 : quelques-uns : faits prisonniers par les archers.  
5 Car [c’est] un jour de trouble et d’écrasement et de consternation [de la part] du Seigneur, l’Éternel des armées, dans la vallée de vision ; on renverse la muraille, et des cris [retentissent] vers la montagne. 5 Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
6 Élam porte le carquois, avec des chars d’hommes [et] des cavaliers ; et Kir découvre le bouclier. 6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga
7 Et il arrivera que les meilleures* de tes vallées seront remplies de chars, et la cavalerie s’établira à la porte. 7 Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
8 Et il ôte la couverture de Juda. Et tu as regardé en ce jour-là vers l’arsenal de la maison de la forêt ; 8 Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.
9 et vous avez vu les brèches de la ville de David, qu’elles sont nombreuses ; et vous avez rassemblé les eaux de l’étang inférieur ; 9 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
10 et vous avez compté les maisons de Jérusalem ; et vous avez démoli les maisons pour fortifier la muraille ; 10 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
11 et vous avez fait un réservoir entre les murs, pour les eaux du vieil étang ; mais vous n’avez pas regardé vers celui qui a fait [cela], ni tourné vos regards vers celui qui l’a formé* dès longtemps. 11 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
— v. 7 : litt.: le choix. — v. 11 : ou : l’avait résolu.  
12 Et le Seigneur, l’Éternel des armées, appela en ce jour-là à pleurer et à se lamenter, et à se raser les cheveux, et à ceindre le sac : 12 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13 et voici, l’allégresse et la joie ! On tue des bœufs et on égorge des moutons, on mange de la chair et on boit du vin : Mangeons et buvons, car demain nous mourrons ! 13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
14 Et il a été révélé dans mes oreilles de par l’Éternel des armées : Si [jamais] cette iniquité vous est pardonnée*, jusqu’à ce que vous mouriez, dit le Seigneur, l’Éternel des armées ! 14 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
— v. 14 : ailleurs aussi : expiée.  
15 Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel des armées : Va, entre auprès de cet intendant, auprès de Shebna, qui est [établi] sur la maison : 15 [Ny amin'ny nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena an'i Eliakima ho solony] Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
16 Qu’as-tu ici, et qui as-tu ici, que tu te creuses un sépulcre ici, [comme] qui creuse son sépulcre sur la hauteur, et se taille dans le rocher une habitation ? 16 Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao* etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao* etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]
17 Voici, l’Éternel te jettera loin avec force*, et te couvrira entièrement. 17 Indro, Jehovah hanipy mafy* anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
18 T’enroulant en pelote, il te roulera comme une boule dans un pays spacieux. Là tu mourras, et là seront les chars de ta gloire, ô opprobre* de la maison de ton Seigneur ! 18 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
19 Et je te chasserai de ta place, et te renverserai* de ta position. 19 Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako* hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]
20 Et il arrivera, en ce jour-là, que j’appellerai mon serviteur Éliakim, fils de Hilkija ; 20 Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;
21 et je le revêtirai de ta tunique, et je le fortifierai avec ta ceinture*, et je mettrai ton intendance en sa main ; et il sera pour père aux habitants de Jérusalem et à la maison de Juda. 21 Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
22 Et je mettrai la clef de la maison de David sur son épaule ; et il ouvrira, et personne ne fermera ; et il fermera, et personne n’ouvrira. 22 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
23 Et je le fixerai comme un clou dans un lieu sûr, et il sera un trône de gloire pour la maison de son père ; 23 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
24 et on suspendra sur lui toute la gloire de la maison de son père : les descendants et les rejetons, tous les petits vases, tant les coupes que toutes les amphores. 24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
25 — En ce jour-là, dit l’Éternel des armées, le clou fixé en un lieu sûr sera ôté, et sera brisé et tombera ; et le fardeau qui y est [suspendu] sera coupé*, car l’Éternel a parlé. 25 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
— v. 17 : litt.: avec le jet d’un homme fort. — v. 18 : ou : ils seront l’opprobre. — v. 19 : hébreu : il (Dieu) te renversera. — v. 21 : ou : je lui attacherai fortement. — v. 25 : ou : abattu, détruit.  
* *
Chapitre 23 Chapitre 23
1 L’oracle sur Tyr. 1 [Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
Hurlez, navires de Tarsis, car elle est dévastée, de sorte qu’il n’y a pas de maisons, personne qui entre. Du pays de Kittim* cela leur est révélé.  
2 Tenez-vous en silence, habitants de l’île* ! Les marchands de Sidon qui passent par la mer t’ont remplie ! 2 Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena* anao.[Heb. nameno]
3 Et sur de grandes eaux la semence du Shikhor, la moisson du Nil, était son revenu ; et elle était le marché des nations. 3 Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
4 Aie honte, Sidon, car la mer a parlé, la force de la mer, disant : Je n’ai pas été en travail d’enfant, je n’ai pas enfanté, et je n’ai pas nourri de jeunes hommes, ni élevé de vierges. — 4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
5 Quand la rumeur est arrivée en Égypte, ils ont été dans l’angoisse à [l’ouïe des] nouvelles de Tyr*. 5 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
— v. 1 : Chypre. — v. 2 : ou : de la côte. — v. 5 : ou : Comme ils ont été dans l’angoisse à [l’ouïe de] la rumeur touchant l’Égypte, ainsi ils le seront à [l’ouïe de] la rumeur de Tyr.  
6 Traversez vers Tarsis, hurlez, vous, les habitants de l’île* ! 6 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
7 Est-ce là votre [ville] joyeuse, qui avait son origine dès les jours d’autrefois ? Ses pieds la porteront pour demeurer au loin en étrangère. 7 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo*, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
8 Qui a pris ce conseil à l’égard de Tyr, distributrice de couronnes, dont les négociants étaient des princes, dont les marchands étaient les nobles* de la terre ? 8 Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
9 L’Éternel des armées a pris ce conseil, pour profaner l’orgueil de toute gloire, pour réduire à néant tous les nobles* de la terre. 9 Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
— v. 6 : ou : de la côte. — v. 8, 9 : litt.: honorés.  
10 Répands-toi sur ton pays comme le Nil, fille de Tarsis ; il n’y a plus rien qui retienne ! 10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana* intsony.[Heb. fehin-kibo]
11 Il a étendu sa main sur la mer ; il a fait trembler les royaumes. L’Éternel a commandé contre Canaan, d’en détruire les forteresses, 11 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
12 et il a dit : Tu ne t’égayeras plus, vierge opprimée*, fille de Sidon ! Lève-toi, passe à Kittim ; là encore il n’y aura pas de repos pour toi. 12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
13 Vois le pays des Chaldéens : ce peuple n’existait pas ; Assur l’a fondé pour les habitants des déserts : ils ont élevé leurs tours, ils ont renversé ses palais ; il en a fait des ruines. 13 Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra*; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]
14 Hurlez, navires de Tarsis, car votre forteresse est détruite. 14 Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
— v. 12 : d’autres : déshonorée.  
15 Et il arrivera, en ce jour-là, que Tyr sera oubliée soixante-dix ans, selon les jours d’un roi. Au bout de soixante-dix ans, ce sera pour Tyr comme la chanson d’une prostituée. 15 Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
16 Prends la harpe, fais le tour de la ville, prostituée oubliée ! Touche habilement les cordes, multiplie tes chansons, afin qu’on se souvienne de toi. 16 "Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
17 Et il arrivera qu’au bout de soixante-dix ans, l’Éternel visitera Tyr ; et elle reviendra à ses présents et se prostituera avec tous les royaumes de la terre, sur la face du sol. 17 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
18 Et ses marchandises et les présents qu’on lui fera* seront saints, [consacrés] à l’Éternel ; ils ne seront pas accumulés et ils ne seront pas amassés ; car sa marchandise sera pour ceux qui demeurent devant l’Éternel, afin qu’ils mangent et soient rassasiés, et afin qu’ils aient des vêtements magnifiques**. 18 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika*. [Na: mateza]
— v. 18* : litt.: ses présents. — v. 18** : ou : durables.  
* *
Chapitre 24 Chapitre 24
1 Voici, l’Éternel rend le pays* vide et le dévaste ; et il bouleverse sa face, et il disperse ses habitants. 1 [Ny hitsarana ny tany, sy ny hanjakan'i Jehovah ao Ziona] Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
2 Et il en sera, comme du peuple, ainsi du sacrificateur ; comme du serviteur, ainsi de son maître ; comme de la servante, ainsi de sa maîtresse ; comme de l’acheteur, ainsi du vendeur ; comme du prêteur, ainsi de l’emprunteur ; de celui qui prête à usure, comme de celui à qui est fait un prêt à usure. 2 Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
3 Le pays sera entièrement vidé et entièrement pillé ; car l’Éternel a dit cette parole. 3 Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
4 Le pays* mène deuil et se fane, le monde languit et se fane ; ils languissent, — le peuple haut élevé du pays. 4 Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin'ny olona etỳ an-tany.
5 Et le pays est souillé sous ceux qui l’habitent ; car ils ont transgressé les lois, changé le statut, violé l’alliance éternelle. 5 Ary ny tany dia efa voavetavetan'ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
6 C’est pourquoi la malédiction a dévoré le pays, et ceux qui l’habitent subissent la peine de leur culpabilité* ; c’est pourquoi les habitants du pays sont consumés et il ne reste que peu d’hommes. 6 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin'ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
7 Le moût mène deuil, la vigne languit ; tous ceux qui étaient joyeux de cœur soupirent ; 7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
8 la joie des tambourins a cessé, le bruit tumultueux de ceux qui se réjouissent a pris fin, la joie de la harpe a cessé ; 8 Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
9 ils ne boivent pas le vin en chantant, les boissons fortes sont amères pour ceux qui les boivent. 9 Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka;
10 La cité de désolation est ruinée ; toute maison est fermée, de sorte que personne n’y entre. 10 Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;
11 Il y a un cri dans les rues au sujet du vin. Toute joie est assombrie, l’allégresse est bannie du pays ; 11 Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.
12 la désolation reste dans la ville, et la porte est brisée, — une ruine. 12 Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
— v. 1, 4 : ou : la terre. — v. 6 : ou : sont dévastés.  
13 Car il en sera ainsi au milieu du pays, parmi les peuples, — comme quand on secoue l’olivier, comme le grappillage quand la vendange est achevée. 13 Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
14 Ceux-ci* élèveront leur voix, ils exulteront, ils pousseront des cris de joie depuis la mer, à cause de la majesté de l’Éternel. 14 Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:
15 C’est pourquoi glorifiez l’Éternel dans les pays de l’aurore*, — le nom de l’Éternel, le Dieu d’Israël, dans les îles de l’occident**. 15 Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
16 Du bout du pays* nous avons entendu des chants : Gloire au juste ! 16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
— v. 14 : les épargnés de la dispersion d’Israël. — v. 15* : mot très-différemment interprété. — v. 15** : ou : de la mer. — v. 16 : ou : de la terre.  
Et j’ai dit : Ma maigreur*, ma maigreur*, malheur à moi ! Les perfides ont agi perfidement, les perfides ont agi avec une insigne perfidie.  
17 La frayeur, et la fosse, et le piège, sont sur toi, habitant du pays. 17 Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.
18 Et il arrivera que celui qui s’enfuit de devant le cri de la frayeur tombera dans la fosse, et celui qui monte du milieu de la fosse sera pris dans le piège ; car les fenêtres d’en haut sont ouvertes, et les fondements de la terre sont ébranlés. 18 Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
19 La terre est entièrement brisée, la terre se dissout, la terre est violemment remuée ; 19 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
20 la terre chancelle, elle chancelle comme un homme ivre ; elle est ébranlée deçà et delà comme une cabane pour la nuit ; sa transgression pèse sur elle : elle tombera et ne se relèvera pas. 20 Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
— v. 16 : ou : Maigreur à moi ; selon quelques-uns : mon secret.  
21 Et il arrivera, en ce jour-là, que l’Éternel visitera* l’armée d’en haut, en haut, et les rois de la terre, sur la terre. 21 Ary amin'izany andro izany dia any an-danitra no hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan'ny tany.
22 Et ils seront assemblés dans la fosse, comme on assemble des prisonniers, et ils seront renfermés dans la prison ; et après beaucoup de jours ils seront visités. 22 Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana* ihany izy. [Na: hovaliana]
23 Et la lune rougira, et le soleil aura honte ; car l’Éternel des armées régnera en la montagne de Sion et à Jérusalem, et devant ses anciens, en gloire*. 23 Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.
— v. 21 : ailleurs aussi : punira. — v. 23 : ou : et il y aura gloire devant ses anciens.  
Chapitre 25 Chapitre 25
1 Éternel, tu es mon Dieu ; je t’exalterai, je célébrerai ton nom, car tu as accompli des choses merveilleuses, des conseils [qui datent] de loin, qui sont fidélité [et] vérité. 1 [Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
2 Car tu as fait d’une ville un monceau de pierres ; d’une cité fortifiée, des ruines ; d’un palais d’étrangers, qu’il ne soit plus une ville : il ne sera jamais rebâti. 2 Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo* dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; [Heb. hafa firenena]
3 C’est pourquoi le peuple fort te glorifiera ; la cité des nations terribles te craindra. 3 Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
4 Car tu as été au misérable un lieu fort, un lieu fort au pauvre dans sa détresse, un abri contre l’orage, une ombre contre la chaleur ; car la tempête* des terribles [a été] comme une pluie d’orage [contre] un mur. 4 Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
5 Tu as rabaissé le bruit tumultueux des étrangers, comme la chaleur en un lieu aride ; [et] comme la chaleur par l’ombre d’un nuage, le chant des terribles a été apaisé. 5 Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
6 Et l’Éternel des armées fera, en cette montagne, à tous les peuples un festin de choses grasses, un festin de vins vieux*, de choses grasses moelleuses, de vins vieux bien épurés. 6 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
7 Et il détruira* en cette montagne la face du voile qui couvre tous les peuples, et la couverture qui est étendue sur toutes les nations. 7 Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
8 Il engloutira la mort en victoire ; et le Seigneur, l’Éternel, essuiera les larmes de dessus tout visage, et il ôtera l’opprobre de son peuple de dessus toute la terre ; car l’Éternel a parlé. 8 Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
— v. 4 : litt.: vent. — v. 6 : vins qui ont reposé sur la lie. — v. 7 : litt.: engloutira.  
9 Et il sera dit en ce jour-là : Voici, c’est ici notre Dieu ; nous l’avons attendu, et il nous sauvera ; c’est ici l’Éternel, nous l’avons attendu. Égayons-nous et réjouissons-nous dans sa délivrance ; 9 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
10 car la main de l’Éternel reposera en cette montagne, et Moab sera foulé aux pieds sous lui comme la paille est foulée au fumier ; 10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
11 et il étendra ses mains au milieu de Moab* comme celui qui nage les étend pour nager, et il abaissera son orgueil ainsi que** les artifices de ses mains. 11 Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah* kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]
12 Et la forteresse des hautes défenses de tes murs, il l’abattra, il l’abaissera, il la mettra par terre* jusque dans la poussière. 12 Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
— v. 11* : litt.: de lui. — v. 11** : selon d’autres : malgré. — v. 12 : litt.: fera toucher la terre.  
Chapitre 26 Chapitre 26
1 En ce jour-là sera chanté ce cantique dans le pays de Juda : 1 Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
Nous avons une ville forte : il a mis le salut pour murailles et pour remparts.  
2 Ouvrez les portes, et qu’elle entre, la nation juste qui garde la fidélité ! 2 Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
3 Tu garderas dans une paix parfaite* l’esprit qui s’appuie [sur toi], car il se confie en toi. 3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4 Confiez-vous en l’Éternel, à tout jamais ; car en Jah, Jéhovah*, est le rocher des siècles : 4 Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
5 Car il abat ceux qui habitent en haut ; il abaisse la ville haut élevé, il l’abaisse jusqu’en terre, il la fait descendre* jusque dans la poussière : 5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
6 le pied la foulera, les pieds des affligés, les pas des misérables. 6 Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
— v. 3 : litt.: en paix, paix. — v. 4 : voir 12:2. — v. 6 : litt.: fait toucher.  
7 Le chemin du juste est la droiture. Toi qui es droit, tu aplanis* le sentier du juste. 7 Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra* ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
8 Oui, dans le chemin de tes jugements, ô Éternel, nous t’avons attendu ; le désir de notre âme est après ton nom et après ton souvenir*. 8 Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
9 Mon âme te désire de nuit ; oui, mon esprit, au dedans de moi, te cherche diligemment ; car, lorsque tes jugements sont sur la terre, les habitants du monde apprennent la justice. 9 Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
10 Si l’on use de grâce envers le méchant, il n’apprend pas la justice ; dans le pays de la droiture il fait le mal, et il ne voit pas la majesté de l’Éternel. 10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
11 Ô Éternel, ta main est élevée, mais ils ne voient point ; [mais] ils verront [ta] jalousie pour le peuple* et seront honteux. Oui, le feu [qui attend] tes adversaires les dévorera. 11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny  fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
— v. 7 : ou : pèses. — v. 8 : ou : mémorial. — v. 11 : ou : ils verront, et ils auront honte de [leur] jalousie du peuple.  
12 Éternel, tu établiras la paix pour nous ; car aussi toutes nos œuvres, tu les as opérées pour nous. 12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
13 Éternel, notre Dieu, d’autres seigneurs que toi ont dominé sur nous : par toi seul nous ferons mention de ton nom. 13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
14 Les morts ne vivront pas, les trépassés ne se relèveront pas ; car tu les as visités, et tu les as exterminés, et tu as détruit toute mémoire d’eux. 14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15 Tu as augmenté la nation, ô Éternel ; tu as augmenté la nation ; tu as été glorifié : tu l’avais éloignée jusqu’à tous les bouts de la terre*. 15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
16 Éternel, dans la détresse ils t’ont cherché ; ils ont épanché [leur] prière à voix basse, lorsque tu les as châtiés. 16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
17 Comme une femme enceinte, près d’enfanter, est dans les douleurs [et] crie dans ses peines, ainsi nous avons été devant toi, ô Éternel : 17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
18 nous avons conçu, nous avons été dans les douleurs, nous avons comme enfanté du vent ; nous n’avons pas opéré le salut du pays, et les habitants du monde ne sont pas tombés…. 18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.
— v. 15 : ou : tu as reculé tous les bouts (ou : frontières) du pays.  
19 Tes morts vivront, mes corps morts* se relèveront. Réveillez-vous et exultez avec chant de triomphe, vous qui habitez dans la poussière ; car ta rosée est la rosée de l’aurore**, et la terre jettera dehors les trépassés. 19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana*, ary ny tany hiteraka ny maty**. [*Na: ando amin'ny anana][**Heb. ny matoatoa]
20 Viens, mon peuple, entre dans tes chambres et ferme tes portes sur toi ; cache-toi pour un petit moment, jusqu’à ce que l’indignation soit passée. 20 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.
21 Car voici, l’Éternel sort de son lieu pour visiter l’iniquité des habitants de la terre sur eux, et la terre révélera son sang, et ne cachera plus ses tués. 21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
— v. 19* : selon quelques-uns : [avec] mon corps mort, ils. — v. 19** : litt.: des lumières.  
Chapitre 27 Chapitre 27
1 En ce jour-là, l’Éternel visitera de son épée, dure et grande et forte, le léviathan, serpent fuyard*, et le léviathan, serpent tortueux ; et il tuera le monstre qui est dans la mer**. 1 Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
— v. 1* : ou : droit. — v. 1** : comparer la note à 19:5.  
2 En ce jour-là, [il y aura] une vigne de vin pur* ; chantez à son sujet : 2 Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
3 Moi, l’Éternel, j’en prends soin ; à tout moment je l’arroserai ; de peur qu’on ne la visite, j’en prendrai soin nuit et jour. 3 Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
4 Il n’y a pas en moi de fureur. Oh ! si j’avais les ronces et les épines en bataille contre moi, je marcherais contre elles ; je les brûlerais ensemble. 4 Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
5 Ou bien, qu’il saisisse ma force, qu’il fasse la paix avec moi, qu’il fasse la paix avec moi ! 5 Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
— v. 2 : d’autres lisent : une vigne excellente.  
6 Dorénavant Jacob prendra* racine, Israël fleurira et poussera, et remplira de fruits la face du monde. 6 Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.
7 L’a-t-il* frappé selon le coup de ceux qui l’ont frappé ? A-t-il été tué selon la tuerie de ceux qu’il* a tués ? 7 [Ny namaizan'i Jehovah ny Isiraely sy ny mbola hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
8 C’est avec mesure que tu as contesté avec elle*, lorsque tu l’as renvoyée. Il l’ôta par son vent fort, au jour de [son] vent d’orient. 8 Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.
9 C’est pourquoi par cela est expiée l’iniquité de Jacob. Et ceci est tout le fruit de ce que son péché est ôté : quand il rendra toutes les pierres de l’autel comme des pierres calcaires désagrégées, les ashères et les colonnes consacrées au soleil ne se relèveront pas. 9 Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha* sy ny tsangan-kazo** ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][**Na: tsangam-bato]
10 Car la ville forte est solitaire, une demeure abandonnée et délaissée comme le désert ; le veau y paîtra et y couchera, et en broutera les rameaux. 10 Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
11 Quand ses branches seront séchées, elles seront cassées ; les femmes viendront et y mettront le feu. Car ce n’est pas un peuple qui ait de l’intelligence ; c’est pourquoi celui qui l’a fait n’en aura pas compassion, et celui qui l’a formé n’usera pas de grâce envers lui. 11 Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
— v. 6 : d’autres : Ceux qui viennent de Jacob prendront. — v. 7 : il, c. à d. l’Éternel. — v. 8 : Israël, envisagé comme femme.  
12 Et il arrivera en ce jour-là que l’Éternel battra au fléau depuis le courant du fleuve jusqu’au torrent d’Égypte, et vous serez rassemblés* un à un, fils d’Israël ! 12 Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana* ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na: fivelezam-bary]
13 Et il arrivera en ce jour-là qu’on sonnera de la grande trompette ; et ceux qui périssaient dans le pays d’Assyrie, et les exilés du pays d’Égypte, viendront et se prosterneront devant l’Éternel, en la montagne sainte, à Jérusalem. 13 Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
— v. 12 : ou : glanés.  
* *
Chapitre 28 Chapitre 28
1 Malheur à la couronne d’orgueil des ivrognes d’Éphraïm, et à la fleur flétrie de son bel ornement, qui est sur le sommet de la riche vallée de ceux qui sont vaincus par le vin ! 1 [Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky* ny fileon-divay.[Heb. matavy]
2 Voici, le Seigneur a un [instrument] fort et puissant, comme un orage de grêle, un tourbillon de destruction : comme un orage de puissantes eaux qui débordent, il renversera par terre avec force*. 2 Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.
3 La couronne d’orgueil des ivrognes d’Éphraïm sera foulée aux pieds, 3 Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
4 et la fleur flétrie de son bel ornement qui est sur le sommet de la riche vallée sera comme un fruit précoce avant l’été : dès que celui qui l’aperçoit l’a vu, à peine il est dans sa main, il l’avale. 4 Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka*, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]
— v. 2 : litt.: main.  
5 En ce jour-là l’Éternel des armées sera pour couronne de beauté et pour diadème d’ornement au résidu de son peuple, 5 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
6 et pour esprit de jugement à celui qui est assis pour juger, et pour force à ceux qui refoulent la guerre jusqu’à la porte. 6 Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
   
7 Mais ceux-ci aussi ont erré par le vin et se sont égarés par la boisson forte. Le sacrificateur et le prophète ont erré par la boisson forte, ils sont dévorés par le vin, ils se sont égarés par la boisson forte ; ils ont erré dans [leur] vision, ils ont bronché dans le jugement. 7 Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.
8 Car toutes les tables sont pleines de sales vomissements, de sorte qu’il n’y a plus de place. 8 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
9 À qui enseignera-t-il la connaissance ? et à qui fera-t-il comprendre ce qui est annoncé ? À ceux qui sont sevrés du lait, arrachés aux mamelles. 9 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
10 Car commandement sur commandement, commandement sur commandement ; ligne sur ligne, ligne sur ligne ; ici un peu, là un peu…. 10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
11 Car par des lèvres bégayantes et par une langue étrangère il parlera à ce peuple, 11 Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,
12 auquel il avait dit : C’est ici le repos, faites reposer celui qui est las ; et c’est ici ce qui rafraîchit. Mais ils n’ont pas voulu entendre. 12 Izay nilazany* hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]
13 Et la parole de l’Éternel leur a été commandement sur commandement, commandement sur commandement ; ligne sur ligne, ligne sur ligne ; ici un peu, là un peu ; afin qu’ils marchent, et qu’ils tombent en arrière, et qu’ils soient brisés, et enlacés, et pris. 13 Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
   
14 C’est pourquoi, écoutez la parole de l’Éternel, hommes moqueurs, qui gouvernez ce peuple qui est à Jérusalem. 14 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
15 Car vous avez dit : Nous avons fait une alliance avec la mort, et nous avons fait un pacte avec le shéol : si le fléau qui inonde* passe, il n’arrivera pas jusqu’à nous ; car nous avons fait du mensonge notre abri, et nous nous sommes cachés sous la fausseté. 15 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita* ka na dia ho avy aza ny loza** manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][**Heb. kotopia]
16 C’est pourquoi ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : Voici, je pose comme fondement, en Sion, une pierre, une pierre éprouvée, une précieuse [pierre] de coin, un sûr fondement* : celui qui se fie [à elle] ne se hâtera pas**. 16 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
17 Et j’ai mis le jugement pour cordeau, et la justice pour plomb, et la grêle balayera l’abri de mensonge, et les eaux inonderont la retraite cachée ; 17 Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.
18 et votre alliance avec la mort sera abolie, et votre pacte avec le shéol ne subsistera pas. Lorsque le fléau qui inonde* passera, vous serez foulés par lui ; dès qu’il passera, il vous prendra ; 18 Hofoanana ny fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita* raha ho avy ny loza** manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.[*Heb. Sheola][**Heb. kotopia]
19 car matin après matin il passera, de jour et de nuit, et ce ne sera qu’effroi d’en entendre* la rumeur ; 19 Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
20 car le lit est trop court pour qu’on s’y allonge, et la couverture trop étroite quand on s’en enveloppe. 20 Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
21 Car l’Éternel se lèvera comme en la montagne de Peratsim, il sera ému de colère comme dans la vallée de Gabaon, pour faire son œuvre, son œuvre étrange, et pour accomplir son travail, son travail inaccoutumé. 21 Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
22 Et maintenant ne soyez pas des moqueurs, de peur que vos liens ne soient renforcés ; car j’ai entendu du Seigneur, l’Éternel des armées, [qu’il y a] une consomption, et une [consomption] décrétée, sur toute la terre*. 22 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
— v. 15, 18 : ailleurs : déborde. — v. 16* : litt.: un fondement bien fondé. — v. 16** : c. à d. ne se hâtera pas avec frayeur. — v. 19 : ou : comprendre. — v. 22 : ou : tout le pays.  
23 Prêtez l’oreille, et écoutez ma voix ; soyez attentifs, et écoutez ma parole. 23 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
24 Le laboureur laboure-t-il tout le jour pour semer ? ouvre-t-il et herse-t-il [tout le jour] son terrain ? 24 Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
25 N’est-ce pas que, lorsqu’il en a aplani la surface, il répand l’aneth, et sème le cumin, et met le froment par rangées*, et l’orge au lieu désigné, et l’épeautre dans ses limites ? 25 Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby* kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]
26 Son Dieu le dirige dans [son] jugement ; il l’instruit. 26 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa Andriamaniny no mampianatra azy]
27 Car il ne foule pas l’aneth avec un traîneau à tranchants et ne fait pas tourner la roue du chariot sur le cumin ; car on bat l’aneth avec un bâton et le cumin avec une verge : 27 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.
28 il broie le blé pour le pain, parce qu’il ne veut pas le battre toujours ; il ne le broie pas en chassant par-dessus la roue de son chariot et ses chevaux. 28 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.
29 Cela aussi vient de l’Éternel des armées : il se montre merveilleux en conseil et grand en sagesse. 29 Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
— v. 25 : ou : l’excellent froment.  
* *
Chapitre 29 Chapitre 29
1 Malheur à Ariel*, à Ariel, la cité où David demeura** ! Ajoutez année à année, que les fêtes se succèdent ; 1 [Ny loza hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola hamonjena azy] Lozan'i Ariela*, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran*'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; [*Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][**Heb. nitobian']
2 mais j’enserrerai Ariel ; et il y aura soupir et gémissement ; et elle me sera comme un Ariel. 2 Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
3 Et je camperai comme un cercle contre toi, et je t’assiégerai au moyen de postes [armés] *, et j’élèverai contre toi des forts ; 3 Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4 et, humiliée, tu parleras depuis la terre, et ta parole sortira sourdement de la poussière, et ta voix, sortant de la terre, sera comme celle d’un évocateur d’esprits ; et ta parole s’élèvera de la poussière comme un murmure. 4 Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
5 Et la multitude de tes ennemis sera comme une fine poussière, et la multitude des hommes terribles comme la balle menue qui passe ; et [cela] arrivera en un moment subitement. 5 Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
6 Tu seras visitée de par l’Éternel des armées avec tonnerre et tremblement de terre et une grande voix, avec tourbillon et tempête, et une flamme de feu dévorant. 6 Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7 Et la multitude de toutes les nations qui font la guerre à Ariel, et tous ceux qui combattent contre elle et contre ses remparts, et qui l’enserrent, seront comme un songe d’une vision de nuit. 7 Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
8 Et ce sera comme celui qui rêve ayant faim, et voici, il mange, et il se réveille, et son âme est vide, — et comme celui qui rêve ayant soif, et voici, il boit, et il se réveille, et voici, il est las et son âme est altérée : ainsi il arrivera à la multitude de toutes les nations qui font la guerre contre la montagne de Sion. 8 Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
— v. 1* : lion de *Dieu. — v. 1** : litt.: dressa son camp. — v. 3 : ou : machines de guerre.  
9 Soyez étonnés et soyez stupéfaits ! aveuglez-vous et soyez aveugles ! Ils sont enivrés, mais non de vin ; ils chancellent, mais non par la boisson forte. 9 Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
10 Car l’Éternel a répandu sur vous un esprit de profond sommeil ; il a bandé vos yeux ; les prophètes et vos chefs, les voyants, il les a couverts. 10 Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
11 Et la vision de tout* vous sera comme les paroles d’un livre scellé qu’on donne à quelqu’un qui sait lire, en disant : Lis ceci, je te prie ; et il dit : Je ne puis, car il est scellé ; 11 Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12 et on donne le livre à celui qui ne sait pas lire, en disant : Lis ceci, je te prie ; et il dit : Je ne sais pas lire. 12 Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
13 Et le Seigneur dit : Parce que ce peuple s’approche de moi de sa bouche, et qu’ils m’honorent de leurs lèvres, et que leur cœur est éloigné de moi, et que leur crainte de moi est un commandement d’hommes enseigné*, 13 Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
14 c’est pourquoi, voici, j’agirai encore merveilleusement, et je ferai une œuvre merveilleuse envers ce peuple : la sagesse de ses sages périra, et l’intelligence de ses intelligents se cachera. 14 Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
— v. 11 : ou : toute vision. — v. 13 : ou : appris.  
15 Malheur à ceux qui cachent profond, loin de l’Éternel, [leur] conseil, et dont les actions sont dans les ténèbres, et qui disent : Qui nous voit, et qui nous connaît ? Vos perversités !… 15 Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16 Le potier sera-t-il estimé comme l’argile, pour que la chose faite dise de celui qui l’a faite : Il ne m’a pas faite ? et que ce qui est formé dise de celui qui l’a formé : Il n’a pas d’intelligence ? 16 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17 N’y a-t-il pas encore très-peu de temps, et le Liban sera converti en un champ fertile*, et le champ fertile sera réputé une forêt ? 17 Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
— v. 17 : ou : Carmel, ici, et ailleurs.  
18 Et en ce jour-là les sourds entendront les paroles du livre, et les yeux des aveugles, [délivrés] de l’obscurité et des ténèbres, verront ; 18 Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
19 et les débonnaires augmenteront leur joie en l’Éternel, et les pauvres d’entre les hommes s’égayeront dans le Saint d’Israël. 19 Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
20 Car l’homme violent ne sera plus, et le moqueur aura pris fin ; et tous ceux qui veillent pour l’iniquité seront retranchés, 20 Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
21 [ceux] qui tiennent un homme coupable pour un mot, qui tendent des pièges à ceux qui reprennent à la porte, et qui font fléchir [le droit] du juste par des choses futiles. 21 Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
22 C’est pourquoi, ainsi dit à la maison de Jacob l’Éternel qui racheta Abraham : Maintenant Jacob ne sera plus honteux, et maintenant sa face ne sera plus pâle ; 22 Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23 car quand il verra ses enfants, l’œuvre* de mes mains au milieu de lui, ils sanctifieront mon nom, et ils sanctifieront le Saint de Jacob, et ils craindront** le Dieu d’Israël ; 23 Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.
24 et ceux qui errent en esprit auront de l’intelligence, et les désobéissants apprendront la bonne doctrine. 24 Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
— v. 23* : selon quelques-uns : quand ses enfants verront l’œuvre. — v. 23** : craindre, avec l’idée de frémir.  
* *
Chapitre 30 Chapitre 30
1 Malheur aux fils qui se rebellent, dit l’Éternel, pour former des desseins, mais non de par moi, et pour établir des alliances*, mais non [par] mon Esprit, afin d’ajouter péché sur péché ; 1 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny nanaovany fihavanana tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [*Heb.mandrary harato][**Heb. fialokalofanareo]
2 qui s’en vont pour descendre en Égypte, et ils n’ont pas interrogé ma bouche, — afin de se réfugier sous la protection du Pharaon et de se confier en l’ombre de l’Égypte. 2 Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
3 Et la protection du Pharaon vous sera une honte, et votre confiance en l’ombre de l’Égypte, une ignominie. 3 Kanjo ho tonga henatra ho azy* ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy* ny fialokalofany** ao amin'ny alokalok'i Egypta.[Heb. anareo]
— v. 1 : ou : couvrir d’une couverture.  
4 Car ses* princes ont été à Tsoan, et ses messagers sont arrivés à Hanès** ; 4 Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
5 ils ont tous été honteux d’un peuple qui ne leur était d’aucun profit, ni à aide, ni à utilité, mais à honte et aussi à opprobre. 5 Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
6 — L’oracle* touchant les bêtes du midi : Par un pays de détresse et d’angoisse, d’où [sortent] la lionne et le lion, la vipère et le serpent brûlant qui vole, ils portent sur le dos des ânes leurs richesses, et sur la bosse des chameaux leurs trésors, à un peuple qui ne leur sera d’aucun profit. 6 Faminaniana ny amin'ny behemota* any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]
7 Car l’Égypte aidera en vain et inutilement ; c’est pourquoi je l’ai nommée : Arrogance* qui ne fait rien. 7 Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona*! [Na: Rehareha foana ireny, ka aoka izay!]
— v. 4* : c. à d. ceux d’Israël. — v. 4** : ville de l’Égypte centrale. — v. 6 : ou : charge, fardeau. — v. 7 : hébreu : Rahab.  
8 Maintenant viens, écris-le sur une table devant eux, et inscris-le dans un livre (et ce sera pour le jour à venir, en témoignage* à toujours), 8 Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
9 que c’est ici un peuple rebelle, — des fils menteurs, des fils qui ne veulent pas entendre la loi de l’Éternel ; 9 Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
10 qui disent aux voyants : Ne voyez pas, et à ceux qui ont des visions : N’ayez pas pour nous des visions de droiture ; dites-nous des choses douces, voyez des tromperies ; 10 Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
11 déviez du chemin, détournez-vous du sentier ; ôtez* de devant nous le Saint d’Israël. 11 Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
12 C’est pourquoi, ainsi dit le Saint d’Israël : Parce que vous rejetez cette parole, et que vous vous confiez dans l’oppression et dans la perversité, et que vous vous appuyez dessus, 12 Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
13 à cause de cela cette iniquité vous sera comme une brèche qui s’écroule, un renflement dans un mur élevé, dont la rupture arrive subitement, tout à coup. 13 Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
14 Et il le brisera comme on brise un vase de potier, qu’on casse sans ménagement : et, dans ses fragments, il ne se trouvera pas un tesson pour prendre du feu au foyer ou pour puiser de l’eau à la citerne. 14 Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
— v. 8 : comparer Deut. 31:26 ; d’autres lisent : à perpétuité. — v. 11 : litt.: faites cesser.  
15 Car ainsi dit le Seigneur, l’Éternel, le Saint d’Israël : C’est en revenant et en vous tenant en repos que vous serez sauvés ; dans la tranquillité et dans la confiance sera votre force. Mais vous ne le voulez pas. 15 Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
16 Et vous avez dit : Non, car nous nous enfuirons sur des chevaux ; c’est pourquoi vous vous enfuirez ; et : Nous monterons sur des [chevaux] rapides ; c’est pourquoi ceux qui vous poursuivent seront rapides. 16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
17 Un millier [fuira] à la menace d’un seul ; à la menace de cinq, vous fuirez, jusqu’à ce que vous restiez comme une perche au sommet d’une montagne et comme un étendard sur une colline. 17 Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
   
18 Et c’est pourquoi l’Éternel attendra pour user de grâce envers vous, et c’est pourquoi il s’élèvera haut pour avoir* compassion de vous ; car l’Éternel est un Dieu de jugement : bienheureux tous ceux qui s’attendent à lui ! 18 Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
19 Car le peuple habitera en Sion, dans Jérusalem. Tu ne pleureras plus ; à la voix de ton cri, il usera richement de grâce envers toi ; aussitôt qu’il l’entendra, il te répondra. 19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
20 Et le Seigneur vous donnera le pain de la détresse et l’eau de l’oppression ; mais ceux qui t’enseignent ne seront plus cachés, mais tes yeux verront ceux qui t’enseignent ; 20 Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
21 et, que vous alliez à droite ou que vous alliez à gauche, tes oreilles entendront une parole derrière toi, disant : C’est ici le chemin, marchez-y. 21 Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
22 Et vous souillerez le plaqué d’argent de tes images taillées et le revêtement* d’or de tes images de fonte ; tu les jetteras loin comme un linge impur : Dehors ! lui diras-tu. 22 Ary holotoinao* ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
— v. 18 : ou : se retirera loin jusqu’à ce qu’il ait. — v. 22 : ou : l’éphod  
23 Et il donnera la pluie à* ta semence dont tu ensemenceras le sol, et le pain, produit du sol ; et il sera riche et nourrissant**. Ton bétail paîtra en ce jour-là dans de vastes pâturages, 23 Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
24 et les bœufs et les ânes qui labourent le sol mangeront du fourrage salé qu’on a vanné avec la pelle et avec le van. 24 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
25 Et, sur toute haute montagne et sur toute colline élevée, il y aura des ruisseaux, des courants d’eau, au jour du grand carnage, quand les tours s’écrouleront. 25 Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
26 Et la lumière de la lune sera comme la lumière du soleil, et la lumière du soleil sera septuple, comme la lumière de sept jours, au jour que l’Éternel bandera la brisure de son peuple et guérira la blessure de ses plaies. 26 Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
— v. 23* : litt.: de. — v. 23** : litt.: gras.  
27 Voici, le nom de l’Éternel vient de loin, brûlant de sa colère, un incendie véhément ; ses lèvres sont pleines d’indignation, et sa langue est comme un feu qui dévore, 27 Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
28 et son haleine comme un torrent qui déborde, qui atteint jusqu’au cou, pour cribler les nations au crible de la vanité et [pour mettre] aux mâchoires des peuples un frein qui fait errer. 28 Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
29 Il y aura pour vous un chant comme dans la nuit où l’on sanctifie une fête, et une joie de cœur comme a celui qui va avec une flûte pour se rendre à la montagne de l’Éternel, vers le rocher d’Israël. 29 Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana* ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]
30 Et l’Éternel fera entendre la majesté de sa voix, et montrera le poids* de son bras, avec indignation de colère et flamme de feu dévorant, trombe d’eau, et tempête, et pierres de grêle. 30 Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
31 Car, par la voix de l’Éternel, Assur sera renversé ; il le frappera de sa verge* ; 31 Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
32 et partout où passera le bâton ordonné que l’Éternel appesantira sur lui, ce sera avec des tambourins et des harpes ; et par des batailles tumultueuses il lui fera la guerre. 32 Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
33 Car Topheth* est préparé depuis longtemps : pour le roi aussi il est préparé. Il l’a fait profond et large ; son bûcher est du feu et beaucoup de bois : le souffle de l’Éternel, comme un torrent de soufre, l’allume. 33 Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
— v. 30 : litt.: la descente. — v. 31 : ou : lui qui frappe de [sa] verge. — v. 33 : voir 2 Rois 23:10.  
Chapitre 31 Chapitre 31
1 Malheur à ceux qui descendent en Égypte pour [avoir] du secours, [et] qui s’appuient sur des chevaux et se fient à des chars, parce qu’ils sont nombreux, et à des cavaliers, parce qu’ils sont très-forts, et qui ne regardent pas au Saint d’Israël et ne recherchent pas l’Éternel ! 1 [Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
2 Cependant lui aussi est sage, et il fait venir le malheur, et ne retire pas ses paroles ; et il se lève contre la maison de ceux qui font le mal et contre le secours de ceux qui pratiquent l’iniquité*. 2 Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
3 Et les Égyptiens sont des hommes et non pas *Dieu, et leurs chevaux sont chair et non pas esprit ; et l’Éternel étendra sa main, et celui qui aide trébuchera, et celui qui est aidé tombera, et tous ensemble ils périssent. 3 Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
— v. 2 : ailleurs : ouvriers d’iniquité.  
4 Car ainsi m’a dit l’Éternel : Comme le lion, le jeune lion, contre lequel une troupe de bergers est convoquée, rugit sur sa proie, ne s’effraie pas à leur voix, et ne cède pas devant leur multitude, ainsi l’Éternel des armées descendra pour combattre sur la montagne de Sion et sur sa colline. 4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra* Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]
5 Comme des oiseaux qui déploient leurs ailes, ainsi l’Éternel des armées couvrira Jérusalem : la protégeant, il la délivrera, et l’épargnant, il la sauvera. 5 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]
6 Fils d’Israël, revenez à celui de qui vous vous êtes si profondément détournés ! 6 Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
7 Car en ce jour-là ils rejetteront chacun ses idoles d’argent et ses idoles d’or, que vos mains iniques ont faites pour vous-mêmes*. 7 Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny* sy ny andriamani-bolamenany*, izay fahotana nataon'ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]
8 Et Assur tombera par l’épée, non d’un homme d’importance ; et l’épée, non d’un homme du commun, le dévorera : et il fuira devant l’épée, et ses jeunes hommes seront soumis au tribut* ; 8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
9 et, de frayeur, il passera vers son rocher*, et ses princes seront terrifiés à cause de l’étendard, dit l’Éternel qui a son feu** dans Sion et son four dans Jérusalem. 9 Ary ny mpanjakany* ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
— v. 7 : ou : vos mains ont faites pour [ainsi] pécher. — v. 8 : ou : perdront tout courage. — v. 9* : ou : dépassera son rocher ; ou : son rocher s’en ira. — v. 9** : litt.: lumière.  
Chapitre 32 Chapitre 32
1 Voici, un roi régnera en justice, et des princes domineront avec droiture ; 1 Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
2 et il y aura un homme [qui sera] comme une protection contre le vent et un abri contre l’orage, comme des ruisseaux d’eau dans un lieu sec, comme l’ombre d’un grand rocher dans un pays aride. 2 Ary hisy lehilahy* ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]
3 Et les yeux de ceux qui voient ne seront pas aveuglés, et les oreilles de ceux qui entendent écouteront, 3 Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
4 et le cœur de ceux qui vont étourdiment sera intelligent dans la connaissance, et la langue de ceux qui bégaient parlera promptement et clairement*. 4 Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
5 L’homme vil ne sera plus appelé noble, et on ne dira pas l’avare généreux. 5 Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be*. [Heb. mpanankarena]
6 Car l’homme vil dira des choses viles, et son cœur commettra l’iniquité pour pratiquer l’impiété* et pour dire l’erreur contre l’Éternel, pour rendre vide l’âme qui a faim et ôter la boisson à celui qui a soif. 6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy* sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
7 Les armes de l’avare sont mauvaises ; il trame des artifices pour détruire les débonnaires par des dires mensongers, même quand le pauvre parle droitement. 7 Ary ratsy ny hafetsen*'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
8 Mais l’homme noble se propose des choses nobles, et il se maintiendra par* des choses nobles. 8 Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
— v. 4 : litt.: se hâtera de parler clairement. — v. 6 : ou : l’hypocrisie. — v. 8 : ou : persistera dans.  
9 Levez-vous, femmes qui êtes à votre aise, écoutez ma voix ; vous filles qui vivez en sécurité, prêtez l’oreille à ce que je dis : 9 [Anatra mafy tamin'ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
10 Dans un an et des jours vous serez agitées, vous qui êtes en sécurité ; car c’en est fait de la vendange, la récolte ne viendra pas. 10 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
11 Tremblez, vous femmes qui êtes à votre aise ; soyez agitées, vous qui vivez en sécurité. Dépouillez-vous, et mettez-vous nues, et ceignez [le sac] sur vos reins. 11 Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
12 On se frappe la poitrine* à cause des champs agréables, à cause des vignes fertiles. 12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
13 Sur la terre de mon peuple croissent des épines et des ronces, même sur toutes les maisons de délices de la cité joyeuse. 13 Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
14 Car le palais est délaissé, le tumulte de la ville est abandonné. Ophel* et la tour de la sentinelle seront des cavernes pour toujours, les délices des ânes sauvages, un pâturage des troupeaux, 14 Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela* sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
15 jusqu’à ce que l’Esprit soit répandu d’en haut sur nous, et que le désert devienne un champ fertile*, et que le champ fertile soit réputé une forêt. 15 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
16 Et la droiture demeurera dans le désert, et la justice habitera le champ fertile ; 16 Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
17 et l’œuvre de la justice sera la paix, et le travail de la justice, repos et sécurité à toujours. 17 Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
18 Et mon peuple habitera une demeure de paix et des habitations sûres, et des lieux de repos tranquilles. 18 Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
19 Et la grêle tombera sur la forêt, et la ville sera abaissée dans un lieu bas*. 19 Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
— v. 12 : ou : On se lamente à cause des mamelles. — v. 14 : la colline (ou : tour) fortifiée. — v. 15 : ou : Carmel. — v. 19 : ou : en un bas état.  
20 Bienheureux, vous qui semez près de toutes les eaux, envoyant [partout] le pied du bœuf et de l’âne ! 20 Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
* *
Chapitre 33 Chapitre 33
1 Malheur à toi* qui détruis, et tu n’as pas été détruit, et à toi qui agis perfidement, et on n’a pas agi perfidement envers toi ! Quand tu auras fini de détruire, tu seras détruit ; quand tu auras complété la perfidie, on agira perfidement envers toi. 1 [Ny hampijaliana an'i Asyria, sy ny soa ho hitan'i Ziona kosa] Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
— v. 1* : Assur, sans doute.  
2 Éternel, use de grâce envers nous : nous nous sommes attendus à toi. Sois leur bras tous les matins, et notre salut au temps de la détresse ! 2 Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay*; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana. [heb. sandriny]
   
3 À la voix du tumulte, les peuples s’enfuirent : quand tu t’es élevé, les nations ont été dispersées. 3 Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
4 Et votre butin sera moissonné, comme moissonnent les locustes ; comme se précipitent les sauterelles, on se précipitera sur lui. 4 Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
   
5 L’Éternel est exalté ; car il demeure en haut, il a rempli Sion de droiture et de justice ; 5 Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
6 et il* sera la sûreté de tes temps, le trésor du salut, sagesse et connaissance**. La crainte de l’Éternel sera votre*** trésor. 6 Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao*. [Heb. rakiny]
— v. 6* : ou : ce. — v. 6** : ou : la sagesse et la connaissance seront la sûreté de tes temps, un trésor de salut. — v. 6*** : litt.: son.  
7 Voici, leurs vaillants hommes crient au dehors, les messagers de la paix pleurent amèrement. 7 Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8 Les routes sont désertes ; le passant sur le chemin a cessé. Il a rompu l’alliance, il a méprisé les villes, il n’a égard à personne. 8 Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
9 Le pays mène deuil, il languit ; le Liban est honteux, il s’est fané ; le Saron est devenu comme un désert, et Basan et le Carmel se dépouillent. 9 Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
10 Maintenant, dit l’Éternel, je me lèverai ; maintenant je serai exalté ; maintenant je m’élèverai. 10 Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
11 Vous concevrez l’herbe sèche, vous enfanterez le chaume : votre colère* est un feu qui vous consumera. 11 Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
12 Et les peuples seront comme la pierre à chaux dans l’ardeur de la fournaise ; comme des épines coupées, ils seront consumés dans le feu. 12 Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy.
13 Entendez, vous qui êtes loin, ce que j’ai fait ; et connaissez ma puissance, vous qui êtes près ! 13 Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
— v. 11 : litt.: souffle.  
14 Les pécheurs ont peur dans Sion ; le tremblement a saisi les impies*: Qui de nous séjournera dans le feu consumant ? Qui de nous séjournera dans les flammes éternelles ? 14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy*. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay? [Na: ratsy fanahy]
15 — Celui qui marche dans la justice, et celui qui parle avec droiture, celui qui rejette le gain [acquis] par extorsion, qui secoue ses mains pour ne pas prendre de présent, qui bouche ses oreilles pour ne pas entendre parler de sang et qui ferme ses yeux pour ne pas voir le mal, 15 Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16 — celui-là demeurera en haut : les forteresses des rochers seront sa haute retraite ; son pain lui sera donné, ses eaux seront assurées. 16 Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
17 Tes yeux verront le roi dans sa beauté ; ils contempleront le pays lointain. 17 Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
18 Ton cœur méditera la crainte : Où est l’enregistreur* ? où est le peseur ? où est celui qui compte les tours ? 18 Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
19 Tu ne verras plus le peuple audacieux*, un peuple au langage trop obscur pour l’entendre, à la langue bégayante qu’on ne comprend pas. 19 Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
— v. 14 : ou : hypocrites. — v. 18 : ailleurs : scribe. — v. 19 : ou : dur.  
20 Regarde Sion, la cité de nos assemblées solennelles ! Tes yeux verront Jérusalem, une demeure tranquille, une tente qui ne sera pas transportée : ses pieux ne seront jamais arrachés, et aucune de ses cordes ne sera rompue ; 20 Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21 mais là l’Éternel est pour nous magnifique, — un lieu de fleuves, de larges rivières : il n’y viendra aucun vaisseau* à rames, aucun noble navire n’y passera. 21 Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
22 Car l’Éternel est notre juge, l’Éternel est notre législateur, l’Éternel est notre roi ; lui, nous sauvera. 22 Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23 Tes cordages sont relâchés : ils n’affermissent pas le pied de leur mât, ils ne déploient pas la voile. On partage alors la proie d’un grand butin, les boiteux pillent les dépouilles ; 23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
24 et l’habitant ne dira pas : Je suis malade ; l’iniquité du peuple qui demeure là sera pardonnée. 24 Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
— v. 21 : ailleurs : flotte.  
* *
Chapitre 34 Chapitre 34
1 Approchez, nations, pour entendre ; et vous, peuples*, soyez attentifs ! Que la terre écoute et tout ce qu’elle contient**, le monde et tout ce qu’il produit ! 1 [Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
2 Car la colère de l’Éternel est sur toutes les nations, et sa fureur sur toutes leurs armées. Il les a vouées à la destruction ; il les a livrées au carnage ; 2 Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana* ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
3 et leurs tués seront jetés loin, et la puanteur de leurs cadavres s’élèvera ; et les montagnes seront dissoutes par leur sang. 3 Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
4 Et toute l’armée des cieux s’est fondue, et les cieux sont enroulés comme un livre, et toute leur armée est tombée comme une feuille tombe de la vigne, et comme ce qui tombe du figuier. 4 Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
5 Car mon épée sera enivrée dans les cieux : voici, elle descendra sur Édom et sur le peuple que j’ai voué à la destruction, pour le jugement. 5 Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana*, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
6 L’épée de l’Éternel est pleine de sang ; elle est engraissée de graisse, du sang des agneaux et des boucs, de la graisse des rognons des béliers ; car l’Éternel a un sacrifice à Botsra, et une grande tuerie dans le pays d’Édom. 6 Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
7 Et les buffles descendront avec eux, et les jeunes bœufs avec les taureaux ; et leur pays sera trempé de sang, et leur poussière sera engraissée de graisse. 7 Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
8 Car c’est le jour de la vengeance de l’Éternel, l’année des récompenses pour la cause de Sion. 8 Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
— v. 1* : ailleurs : peuplades. — v. 1** : litt.: sa plénitude.  
9 Et les rivières d’Édom* seront changées en poix, et sa poussière en soufre, et son pays deviendra une poix brûlante ; 9 Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
10 ni jour ni nuit elle ne sera éteinte, sa fumée montera à toujours ; — de génération en génération il sera désert ; à tout jamais personne n’y passera ; 10 Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
11 le pélican et le butor l’hériteront, et le hibou et le corbeau y habiteront. Et il étendra sur lui le cordeau de la désolation et les plombs* du vide. 11 Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
12 Ses nobles pour proclamer le royaume,… il n’y en a pas ! Tous ses princes sont devenus néant. 12 Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka*, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
13 Des épines croîtront dans ses palais, des orties et des ronces* dans ses forteresses ; et il sera le repaire des chiens sauvages, le parc des autruches. 13 Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia* sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
14 Les bêtes du désert s’y rencontreront avec les chacals, et le bouc sauvage y criera à son compagnon. Là aussi la lilith* se reposera et trouvera sa tranquille habitation. 14 Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary*; ary ny osilahy** hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina*** hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[*Na: jakala][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][***Heb. lilita]
15 Là le serpent-dard fera son nid, et pondra, et fera éclore et rassemblera [ses petits] sous son ombre ; là aussi se rassembleront les vautours l’un avec l’autre. 15 Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
16 Cherchez dans le livre de l’Éternel, et lisez. Pas un d’eux ne manquera ; l’un n’aura pas à chercher l’autre ; car ma bouche l’a commandé, et mon Esprit les a rassemblés, 16 Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah* no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]
17 Et Lui a jeté le sort pour eux, et sa main leur a partagé le [pays] au cordeau : ils le posséderont pour toujours ; ils y habiteront de génération en génération. 17 Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
— v. 9 : litt.: ses rivières. — v. 11 : litt.: pierres. — v. 13 : ou : chardons. — v. 14 : mot hébreu qui signifie : la nocturne.  
Chapitre 35 Chapitre 35
1 Le désert et la terre aride se réjouiront ; le lieu stérile sera dans l’allégresse, et fleurira comme la rose* ; 1 Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
2 il fleurira abondamment, et il sera dans l’allégresse, oui, dans l’allégresse, et il exultera. La gloire du Liban lui sera donnée, la magnificence du Carmel et du Saron ; ils verront la gloire de l’Éternel, la magnificence de notre Dieu. 2 Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.
3 Fortifiez les mains lassées, et affermissez les genoux qui chancellent. 3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4 Dites à ceux qui ont le cœur timide : Soyez forts, ne craignez pas ; voici votre Dieu : la vengeance vient, la rétribution de Dieu ! Lui-même viendra, et vous sauvera. 4 Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
— v. 1 : ailleurs : narcisse.  
5 Alors les yeux des aveugles s’ouvriront, et les oreilles des sourds seront ouvertes. 5 Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
6 Alors le boiteux sautera comme le cerf, et la langue du muet chantera de joie. Car des eaux jailliront dans le désert, et des rivières dans le lieu stérile ; 6 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
7 et le mirage* deviendra un étang, et la terre aride, des sources d’eau ; dans l’habitation des chacals où ils couchaient, il y aura un parc à roseaux et à joncs**. 7 Ny alonalona mitarehin-drano* dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia** dia haniry volotara sy zozoro.[*ny miraja][**Na: jakala]
8 Et il y aura là une grande route et un chemin, et il sera appelé le chemin de la sainteté : l’impur n’y passera pas, mais il sera pour ceux-là. Ceux qui vont [ce] chemin, même les insensés, ne s’égareront pas. 8 Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy* ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]
9 Il n’y aura pas là de lion, et une bête qui déchire n’y montera pas [et] n’y sera pas trouvée ; mais les rachetés y marcheront. 9 Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
10 Et ceux que l’Éternel a délivrés retourneront et viendront à Sion avec des chants de triomphe ; et une joie éternelle sera sur leur tête ; ils obtiendront l’allégresse et la joie, et le chagrin et le gémissement s’enfuiront. 10 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
— v. 7* : phénomène qui fait paraître le désert comme couvert d’eau. — v. 7** : ailleurs aussi : papyrus.  
* * * *
Chapitre 36 Chapitre 36
1 Et il arriva, la quatorzième année du roi Ézéchias, que Sankhérib, roi d’Assyrie monta contre toutes les villes fortes de Juda et les prit. * 1 [Ny nanafihan'i Sankeriba an'i Joda, sy ny teny nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny fitarainan'i Hezekia sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
2 Et le roi d’Assyrie envoya le Rab-Shaké*, de Lakis à Jérusalem, vers le roi Ézéchias, avec de grandes forces ; et il se tint près de l’aqueduc de l’étang supérieur, sur la route du champ du foulon. 2 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
— v. 1 : date : A.C. 714. — v. 2 : titre du grand échanson.  
3 Et Éliakim, fils de Hilkija, qui était [préposé] sur la maison [du roi], et Shebna, le scribe, et Joakh, fils d’Asaph, rédacteur des chroniques, sortirent vers lui. 3 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
4 Et le Rab-Shaké leur dit : Dites à Ézéchias : Ainsi dit le grand roi, le roi d’Assyrie : Quelle est cette confiance que tu as ? 4 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?
5 Tu dis* (ce ne sont que paroles des lèvres) : Le conseil et la force [sont là] pour la guerre. Maintenant, en qui te confies-tu que tu te révoltes contre moi ? 5 Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
6 Voici, tu te confies en ce bâton de roseau cassé, en l’Égypte, lequel, si quelqu’un s’appuie dessus, lui entre dans la main et la perce. Tel est le Pharaon, roi d’Égypte, pour tous ceux qui se confient en lui. 6 Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
7 Que si tu me dis : Nous nous confions en l’Éternel, notre Dieu… n’est-ce pas lui dont Ézéchias a ôté les hauts lieux et les autels, en disant à Juda et à Jérusalem : Vous vous prosternerez devant cet autel-ci ? 7 Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?
8 Et maintenant, fais un accord, je te prie, avec le roi d’Assyrie, mon seigneur, et je te donnerai deux mille chevaux si tu peux donner des cavaliers pour les monter. 8 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
9 Et comment ferais-tu tourner visage à un seul capitaine* d’entre les moindres serviteurs de mon seigneur ? Et tu mets ta confiance en l’Égypte, pour des chars et des cavaliers…. 9 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
10 Et maintenant, suis-je monté sans l’Éternel contre ce pays pour le détruire ? L’Éternel m’a dit : Monte contre ce pays, et détruis-le. 10 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.
— v. 5 : ou : Je dis, [dis-tu]. — v. 9 : ailleurs : gouverneur.  
11 Et Éliakim et Shebna et Joakh dirent au Rab-Shaké : Parle, nous te prions, à tes serviteurs en syriaque*, car nous le comprenons, et ne nous parle pas en [langue] judaïque, aux oreilles du peuple qui est sur la muraille. 11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana* no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]
12 Et le Rab-Shaké dit : Est-ce vers ton seigneur et vers toi que mon seigneur m’a envoyé pour dire ces paroles ? N’est-ce pas vers les hommes qui se tiennent sur la muraille, pour manger leurs excréments et pour boire leur urine avec vous ? 12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]
— v. 11 : hébreu : araméen.  
13 Et le Rab-Shaké se tint là et cria à haute voix en [langue] judaïque, et dit : Écoutez les paroles du grand roi, le roi d’Assyrie. 13 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.
14 Ainsi dit le roi : Qu’Ézéchias ne vous trompe point ; car il ne pourra pas vous délivrer. 14 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
15 Et qu’Ézéchias ne vous fasse pas mettre votre confiance en l’Éternel, disant : L’Éternel nous délivrera certainement ; cette ville ne sera point livrée en la main du roi d’Assyrie. 15 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
16 N’écoutez pas Ézéchias ; car ainsi dit le roi d’Assyrie : Faites la paix* avec moi, et sortez vers moi ; et vous mangerez chacun de sa vigne et chacun de son figuier, et vous boirez chacun des eaux de son puits, 16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
17 jusqu’à ce que je vienne et que je vous emmène* dans un pays comme votre pays, un pays de blé et de moût, un pays de pain et de vignes. 17 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
18 Qu’Ézéchias ne vous séduise pas, disant : L’Éternel nous délivrera. Les dieux des nations ont-ils délivré chacun son pays de la main du roi d’Assyrie ? 18 Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
19 Où sont les dieux de Hamath et d’Arpad ? Où sont les dieux de Sepharvaïm ? Et ont-ils délivré Samarie de ma main ? 19 Aiza moa ny andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
20 Quels sont d’entre tous les dieux de ces pays ceux qui ont délivré leur pays de ma main, pour que l’Éternel délivre Jérusalem de ma main ? 20 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
21 Et ils se turent, et ne lui répondirent pas un mot ; car c’était là le commandement du roi, disant : Vous ne lui répondrez pas. 21 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
— v. 16 : paix, litt.: bénédiction, présent. — v. 17 : litt.: prenne.  
22 Et Éliakim, fils de Hilkija, qui était [préposé] sur la maison, et Shebna, le scribe, et Joakh, fils d’Asaph, rédacteur des chroniques, vinrent vers Ézéchias, leurs vêtements déchirés, et ils lui rapportèrent les paroles du Rab-Shaké. 22 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Chapitre 37 Chapitre 37
1 Et il arriva, quand le roi Ézéchias eut entendu [ces choses], qu’il déchira ses vêtements, et se couvrit d’un sac, et entra dans la maison de l’Éternel. 1 [Ny teny nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny vavaka nataon'i Hezekia ary ny teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2 Et il envoya Éliakim, qui était [préposé] sur la maison, et Shebna, le scribe, et les anciens des sacrificateurs, couverts de sacs, vers Ésaïe le prophète, fils d’Amots ; 2 ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
3 et ils lui dirent : Ainsi dit Ézéchias : Ce jour est un jour de détresse, et de châtiment, et d’opprobre* ; car les enfants sont venus jusqu’à la naissance, et il n’y a point de force pour enfanter. 3 ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4 Peut-être l’Éternel, ton Dieu, entendra-t-il les paroles du Rab-Shaké, que le roi d’Assyrie, son seigneur, a envoyé pour outrager le Dieu vivant, et punira-t-il les paroles que l’Éternel, ton Dieu, a entendues. Fais donc monter une prière pour le résidu qui se trouve [encore]. 4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
— v. 3 : ou : réjection.  
5 Et les serviteurs du roi Ézéchias vinrent vers Ésaïe. 5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6 Et Ésaïe leur dit : Vous direz ainsi à votre seigneur : Ainsi dit l’Éternel : Ne crains pas à cause des paroles que tu as entendues, par lesquelles les serviteurs du roi d’Assyrie m’ont blasphémé. 6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7 Voici, je vais mettre en lui un esprit, et il entendra une nouvelle, et retournera dans son pays ; et je le ferai tomber par l’épée dans son pays. 7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
   
8 Et le Rab-Shaké s’en retourna, et trouva le roi d’Assyrie faisant la guerre à Libna ; car il avait appris qu’il était parti de Lakis. 8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Et [le roi d’Assyrie] ouït dire touchant Tirhaka, roi d’Éthiopie : Il est sorti pour te faire la guerre. Lorsqu’il l’entendit, il envoya des messagers à Ézéchias, disant : 9 Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
10 Vous parlerez ainsi à Ézéchias, roi de Juda, disant : Que ton Dieu, en qui tu te confies, ne te trompe point, disant : Jérusalem ne sera pas livrée en la main du roi d’Assyrie. 10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11 Voici, tu as entendu ce que les rois d’Assyrie ont fait à tous les pays, les détruisant entièrement ; et toi, tu serais délivré ! 11 Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12 Est-ce que les dieux des nations, que mes pères ont détruites, les ont délivrées, Gozan, et Charan, et Rétseph, et les fils d’Éden qui étaient en Thelassar ? 12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?
13 Où est le roi de Hamath, et le roi d’Arpad, et le roi de la ville de Sepharvaïm, d’Héna, et d’Ivva ? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
   
14 Et Ézéchias prit la lettre* de la main des messagers, et la lut, et monta dans la maison de l’Éternel ; et Ézéchias la déploya devant l’Éternel. 14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15 Et Ézéchias pria l’Éternel, disant : 15 Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
16 Éternel des armées, Dieu d’Israël, qui es assis entre les chérubins, toi, le Même*, toi seul tu es le Dieu de tous les royaumes de la terre ; toi, tu as fait les cieux et la terre. 16 Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
17 Éternel ! incline ton oreille et écoute. Éternel ! ouvre tes yeux, et vois ; et écoute toutes les paroles de Sankhérib, qui a envoyé pour outrager le Dieu vivant. 17 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.
18 Il est vrai, Éternel ! les rois d’Assyrie ont dévasté tous les pays et leurs terres, 18 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena* rehetra sy ny taniny [Heb. tany]
19 et ont jeté au feu leurs dieux ; car ce n’étaient pas des dieux, mais l’ouvrage de mains d’homme, — du bois, et de la pierre ; et ils les ont détruits. 19 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
20 Et maintenant, Éternel, notre Dieu ! sauve-nous de sa main, afin que tous les royaumes de la terre sachent que toi seul tu es l’Éternel. 20 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
— v. 14 : litt.: les lettres. — v. 16 : comme Ps. 102:27 : comparer 2 Sam. 7:28.  
21 Et Ésaïe, fils d’Amots, envoya vers Ézéchias, disant : Ainsi dit l’Éternel, le Dieu d’Israël : Quant à la prière que tu m’as faite au sujet de Sankhérib, roi d’Assyrie, 21 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
22 c’est ici la parole que l’Éternel a prononcée contre lui : La vierge, fille de Sion, te méprise, elle se moque de toi ; la fille de Jérusalem secoue la tête après toi. 22 dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
23 Qui as-tu outragé et blasphémé ? Et contre qui as-tu élevé la voix ? C’est contre le Saint d’Israël que tu as levé tes yeux en haut. 23 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
24 Par tes serviteurs, tu as outragé le Seigneur, et tu as dit : Avec la multitude de mes chars j’ai gravi le haut des montagnes, les parties reculées du Liban, et je couperai ses hauts cèdres, l’élite de ses cyprès, et je parviendrai jusqu’à sa dernière cime, à la forêt de son Carmel*. 24 Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
25 J’ai creusé, et j’ai bu de l’eau ; et j’ai desséché avec la plante de mes pieds tous les fleuves* de Matsor** 25 Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta*. [Heb. Mazora]
26 N’as-tu pas entendu que j’ai fait cela dès longtemps, et que je l’ai formé* dès les jours d’autrefois ? Maintenant je l’ai fait arriver, pour que tu réduises en monceaux de ruines des villes fortes. 26 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
27 Et leurs habitants ont été sans force*, ils ont été terrifiés, et ont été couverts de honte ; ils ont été [comme] l’herbe des champs et l’herbe verte, [comme] l’herbe des toits et la récolte flétrie avant qu’elle soit en tige. 27 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
28 Mais je sais ton habitation, et ta sortie et ton entrée, et ta rage contre moi. 28 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
29 Parce que tu es plein de rage contre moi, et que ton insolence est montée à mes oreilles, je mettrai mon anneau à ton nez et mon frein entre tes lèvres, et je te ferai retourner par le chemin par lequel tu es venu. 29 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
— v. 24 : ou : champ fertile. — v. 25* : voir la note à 7:18. — v. 25** : ou : de l’Égypte ; voir 19:6. — v. 26 : ou : résolu. — v. 27 : litt.: courts de main.  
30 Et ceci en sera le signe pour toi : on mangera cette année ce qui lève des grains tombés, et la seconde année ce qui croît de soi-même ; et la troisième année, vous sèmerez et vous moissonnerez, et vous planterez des vignes et vous en mangerez le fruit. 30 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
31 Et ce qui est réchappé et demeuré de reste de la maison de Juda, poussera encore des racines en bas et produira du fruit en haut. 31 Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
32 Car de Jérusalem sortira un résidu, et de la montagne de Sion ce qui est réchappé. La jalousie de l’Éternel des armées fera cela. 32 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny  fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
   
33 C’est pourquoi, ainsi dit l’Éternel touchant le roi d’Assyrie : Il n’entrera pas dans cette ville, et il n’y lancera point de flèche ; il ne lui présentera pas le bouclier, et il n’élèvera point de terrasse contre elle. 33 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
34 Il s’en retournera par le chemin par lequel il est venu, et il n’entrera pas dans cette ville, dit l’Éternel. 34 Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
35 Et je protégerai cette ville, afin de la sauver, à cause de moi, et à cause de David, mon serviteur. 35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
   
36 Et un ange de l’Éternel sortit, et frappa dans le camp des Assyriens cent quatre-vingt-cinq mille [hommes] ; et quand on se leva le matin, voici, c’étaient tous des corps morts. 36 Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
37 Et Sankhérib, roi d’Assyrie, partit et s’en alla et s’en retourna, et habita à Ninive. 37 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
38 Et il arriva, comme il se prosternait dans la maison de Nisroc, son dieu, qu’Adrammélec et Sharétser, ses fils, le frappèrent avec l’épée ; et ils se sauvèrent dans le pays d’Ararat ; et Ésar-Haddon, son fils, régna à sa place. 38 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
* *
Chapitre 38 Chapitre 38
1 En ces jours-là,* Ézéchias fut malade à la mort ; et Ésaïe le prophète, fils d’Amots, vint vers lui, et lui dit : Ainsi dit l’Éternel : Donne des ordres pour ta maison, car tu vas mourir et tu ne vivra pas. 1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
— v. 1 : date : A.C. 713.  
2 Et Ézéchias tourna sa face contre la muraille, et pria l’Éternel. 2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
3 Et il dit : Hélas, Éternel ! souviens-toi, je te prie, que j’ai marché devant toi en vérité et avec un cœur parfait, et que j’ai fait ce qui est bon à tes yeux. Et Ézéchias versa beaucoup de larmes. 3 hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
   
4 Et la parole de l’Éternel vint à Ésaïe, disant : 4 Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Va, et dis à Ézéchias : Ainsi dit l’Éternel, Dieu de David, ton père : J’ai entendu ta prière, j’ai vu tes larmes ; voici, j’ajouterai quinze années à tes jours, 5 Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
6 et je te délivrerai, toi et cette ville, de la main du roi d’Assyrie, et je protégerai cette ville. 6 sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
7 Et ceci en sera le signe pour toi, de par l’Éternel, car l’Éternel accomplira cette parole qu’il a prononcée : 7 Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
8 Voici, je ferai retourner en arrière, de dix degrés, l’ombre des degrés qui est descendue sur le cadran d’Achaz, par le soleil. 8 Indro, hampiverina ny aloka hàdiny* folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin*' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny* folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
   
Et le soleil retourna sur le cadran de dix degrés, dont il était descendu.  
   
9 Écrit d’Ézéchias, roi de Juda, quand, ayant été malade, il fut rétabli de sa maladie. 9 Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
10 Moi, je disais : Au méridien* de mes jours j’irai dans les portes du shéol ; je suis privé** du reste de mes années. 10 Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
11 Je disais : Je ne verrai pas Jah*, Jah dans la terre des vivants ! Avec les habitants du lieu où tout a cessé, je ne contemplerai plus l’homme. 11 Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
12 Ma durée s’en est allée, et elle est transportée loin de moi comme une tente de berger. J’ai, comme le tisserand, coupé* ma vie ; … il me séparera de la penne ; du jour à la nuit, tu en auras fini avec moi. 12 Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
13 J’ai possédé mon âme jusqu’au matin ; … comme un lion, ainsi il me brisait tous les os. Du jour à la nuit, tu en auras fini avec moi !… 13 Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
14 Comme une hirondelle, comme une grue, ainsi je grommelais, je gémissais comme une colombe ; mes yeux se sont consumés [en regardant] en haut. Seigneur,* je suis opprimé ; garantis-moi. 14 Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
15 Que dirai-je ? Il m’a parlé, et lui l’a fait. J’irai doucement, toutes mes années, dans* l’amertume de mon âme. 15 Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho* ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
16 Seigneur, par ces choses on vit, et en toutes ces* choses est la vie de mon esprit. Et tu m’as rendu la santé, et tu m’as fait vivre. 16 Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
17 Voici, au lieu de la paix j’avais amertume sur amertume ; mais toi, tu as aimé mon âme, [la retirant] de la fosse de destruction, car tu as jeté tous mes péchés derrière ton dos. 17 Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
18 Car ce n’est pas le shéol qui te louera, [ni] la mort qui te célébrera ; ceux qui descendent dans la fosse ne s’attendent plus à ta vérité. 18 Fa ny fiainan-tsi-hita* tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
19 Le vivant, le vivant est celui qui te louera, comme moi aujourd’hui ; le père fera connaître aux fils ta vérité. 19 Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20 L’Éternel a voulu me sauver ! Et nous jouerons de mes instruments à cordes tous les jours de notre vie, dans la maison de l’Éternel. 20 Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.
— v. 10* : litt.: repos ; d’autres : Dans le retranchement. — v. 10** : litt.: visité, c. à d. puni par la privation. — v. 11 : voir 12:2. — v. 12 : ou : enroulé. — v. 14 : quelques-uns : Éternel. — v. 15 : ou : à cause de. — v. 16 : ou : de toute manière en ces.  
21 Et Ésaïe avait dit : Qu’on prenne une masse de figues, et qu’on la mette comme emplâtre sur l’ulcère ; et il se rétablira*. 21 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.
22 Et Ézéchias avait dit : Quel est le signe que je monterai à la maison de l’Éternel ? 22 Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
— v. 21 : ou : afin qu’il se rétablisse.  
* *
Chapitre 39 Chapitre 39
1 En ce temps-là, Merodac-Baladan, fils de Baladan, roi de Babylone, envoya une lettre et un présent à Ézéchias ; or il avait appris qu’il avait été malade, et qu’il était rétabli. 1 [Ny nandraisan'i Hezekia ny iraky ny mpanjakan'i Babylona, sy ny teny nolazain'Isaia noho izany] Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
2 Et Ézéchias se réjouit [de leur venue], et leur montra la maison [où étaient renfermés] ses objets précieux, l’argent et l’or, et les aromates et l’huile fine, et tout son arsenal, et tout ce qui se trouvait dans ses trésors ; il n’y eut rien qu’Ézéchias ne leur montrât dans sa maison et dans tous ses domaines. 2 Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
   
3 Et Ésaïe le prophète vint vers le roi Ézechias, et lui dit : Qu’ont dit ces hommes, et d’où sont-ils venus vers toi ? Et Ézéchias dit : Ils sont venus vers moi d’un pays éloigné, de Babylone. 3 Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
4 Et [Ésaïe] dit : Qu’ont-ils vu dans ta maison ? Et Ézéchias dit : Ils ont vu tout ce qui est dans ma maison ; il n’y a rien dans mes trésors que je ne leur aie montré. 4 Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.
5 Et Ésaïe dit à Ézéchias : Écoute la parole de l’Éternel des armées : 5 Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro:
6 Voici, des jours viennent où tout ce qui est dans ta maison, et ce que tes pères ont amassé jusqu’à ce jour, sera porté à Babylone ; il n’en restera rien, dit l’Éternel. 6 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
7 Et on prendra de tes fils, qui sortiront de toi, que tu auras engendrés, et ils seront eunuques dans le palais du roi de Babylone. 7 Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka* any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo. [Heb. ionoka]
8 Et Ézéchias dit à Ésaïe : La parole de l’Éternel, que tu as prononcée, est bonne. Puis il dit : Car il y aura paix et stabilité* pendant mes jours. 8 Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
— v. 8 : ou : vérité.  
* * * *
Chapitre 40 Chapitre 40
1 Consolez, consolez mon peuple, dit votre Dieu. 1 [Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2 Parlez au cœur de Jérusalem, et criez-lui que son temps de détresse* est accompli, que son iniquité est acquittée ; qu’elle a reçu de la main de l’Éternel le double pour tous ses péchés. 2 Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]
— v. 2 : son service pénible ; voir la note à Nombres 4:3.  
3 La voix de celui qui crie dans le désert : Préparez* le chemin de l’Éternel, aplanissez dans le lieu stérile une route pour notre Dieu. 3 Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
4 Toute vallée sera relevée, et toute montagne et [toute] colline seront abaissées ; et ce qui est tortu sera rendu droit, et les lieux raboteux deviendront une plaine unie. 4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5 Et la gloire de l’Éternel sera révélée, et toute chair ensemble la verra ; car la bouche de l’Éternel a parlé. 5 Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
— v. 3 : ou : Une voix crie : Dans le désert préparez.  
6 Une voix dit : Crie. Et il dit : Que crierai-je ? — Toute chair est de l’herbe, et toute sa beauté comme la fleur des champs. 6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
7 L’herbe est desséchée, la fleur est fanée ; car le souffle* de l’Éternel a soufflé dessus. Certes, le peuple est de l’herbe. 7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
8 L’herbe est desséchée, la fleur est fanée, mais la parole de notre Dieu demeure à toujours. 8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
— v. 7 : ou : l’esprit.  
9 Sion, messagère de bonnes nouvelles, monte sur une haute montagne ; élève ta voix avec force, Jérusalem, messagère de bonnes nouvelles : élève-la, ne crains point ; dis aux villes de Juda : Voici votre Dieu ! 9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]
10 Voici, le Seigneur l’Éternel viendra avec puissance, et son bras dominera pour lui. Voici, son salaire est avec lui, et sa récompense* devant lui. 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
11 Comme un berger il paîtra son troupeau ; par son bras il rassemblera les agneaux et les portera dans son sein ; il conduira doucement celles qui allaitent. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
— v. 10 : ou : œuvre.  
12 Qui a mesuré les eaux dans le creux de sa main, et réglé les cieux avec l’empan, et mesuré* dans un boisseau la poussière de la terre ? Qui a pesé les montagnes au crochet, ou les collines dans la balance ? 12 Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata*, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]
13 Qui a dirigé l’Esprit de l’Éternel, et l’a instruit comme l’homme de son conseil ? 13 Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
14 Avec qui a-t-il tenu conseil, et [qui] lui a donné de l’intelligence, et l’a instruit dans le sentier du juste jugement, et lui a enseigné la connaissance et lui a fait connaître le chemin de l’intelligence ? 14 Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
15 Voici, les nations sont réputées comme une goutte d’un seau, et comme la poussière d’une balance ; voici, il enlève les îles comme un atome. 15 Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra*. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]
16 Et le Liban ne suffit pas pour le feu, et ses bêtes ne suffisent pas pour l’holocauste. 16 Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
17 Toutes les nations sont comme un rien devant lui ; elles sont réputées par lui comme moins que le néant et le vide. 17 Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
— v. 12 : ou : renfermé.  
18 À qui donc comparerez-vous *Dieu, et à quelle ressemblance l’égalerez-vous ? 18 Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
19 L’ouvrier fond une image, et l’orfèvre étend l’or dessus et lui fond des chaînes d’argent. 19 Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20 Celui qui est trop pauvre pour [faire] une offrande choisit un bois qui ne pourrisse pas ; il se cherche un habile ouvrier pour établir une image taillée qui ne branle pas. — 20 Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
21 Ne savez-vous pas ? Ne l’avez-vous pas entendu ? Cela ne vous a-t-il pas été déclaré dès le commencement ? N’avez-vous pas compris la fondation de la terre ? … 21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
22 Lui, qui est assis au-dessus du cercle de la terre, et ses habitants sont comme des sauterelles, — qui étend les cieux comme une toile légère, et qui les déploie comme une tente pour y habiter ; 22 Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23 qui réduit ses chefs à néant, qui fait que les juges de la terre sont comme rien : 23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24 ils ne seront pas même plantés, ils ne seront pas même semés, leur tige ne sera même pas enracinée dans la terre, qu’il soufflera* sur eux, et ils seront desséchés, et le tourbillon les enlèvera comme du chaume. 24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
25 À qui donc me comparerez-vous et serai-je égalé ? dit le Saint. 25 Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
— v. 24 : ou : à peine ils seront plantés, à peine ils …, à peine leur …, qu’il souffle.  
26 Levez vos yeux en haut, et voyez ! Qui a créé ces choses, faisant sortir par nombre leur armée ? Il les appelle toutes par nom. Par la grandeur de son pouvoir et de sa force puissante, pas une ne manque. 26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
27 Pourquoi dis-tu, ô Jacob, et parles-tu, ô Israël : Ma voie est cachée à l’Éternel, et ma cause* a passé inaperçue de mon Dieu ? 27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
28 Ne sais-tu pas, n’as-tu pas entendu, que le Dieu d’éternité, l’Éternel, créateur des bouts de la terre, ne se lasse pas et ne se fatigue pas ? On ne sonde pas son intelligence. 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
29 Il donne de la force à celui qui est las, et il augmente l’énergie à celui qui n’a pas de vigueur. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
30 Les jeunes gens seront las et se fatigueront, et les jeunes hommes deviendront chancelants* ; 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
31 mais ceux qui s’attendent à l’Éternel renouvelleront leur force ; ils s’élèveront avec des ailes, comme des aigles ; ils courront et ne se fatigueront pas, ils marcheront et ne se lasseront pas. 31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
— v. 27 : ailleurs : jugement, droit. — v. 30 : litt.: bronchant, broncheront.  
Chapitre 41 Chapitre 41
1 Faîtes silence devant moi, îles ; et que les peuples* renouvellent leur force ! Qu’ils s’approchent ; … alors, qu’ils parlent ! Approchons ensemble en jugement ! 1 [Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.
2 Qui, du levant, réveilla [celui] dont la justice accompagne les pas ? Il livra les nations devant lui, et lui soumit les rois ; il les livra à son épée comme de la poussière, et à son arc comme du chaume chassé [par le vent]. 2 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra*, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy]
3 Il les poursuivit ; il passa en sûreté par un chemin où il n’était pas allé de ses pieds. 3 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
4 Qui a opéré et fait [cela], appelant les générations dès le commencement ? Moi, l’Éternel, le premier ; et, avec les derniers, je suis le Même*. 4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
— v. 1 : ailleurs aussi : peuplades. — v. 4 : «Je suis le Même», ou : moi, le Même, employé comme un vrai nom de Dieu.  
5 Les îles le virent et eurent peur, les bouts de la terre tremblèrent : ils s’approchèrent et vinrent ; 5 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6 ils s’entraidèrent l’un l’autre, et [chacun] dit à son frère : Sois fort. 6 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
7 Et l’ouvrier fortifiait le fondeur ; celui qui polit au marteau [fortifiait] celui qui frappe sur l’enclume, disant de la soudure : Elle est bonne ; … et il l’a affermi avec des clous, afin qu’il ne branle pas. 7 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
   
8 Et toi, Israël, mon serviteur, Jacob, que j’ai choisi, semence d’Abraham mon ami, 8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
9 toi que j’ai pris des bouts de la terre et appelé de ses extrémités*, et à qui j’ai dit : Tu es mon serviteur, je t’ai choisi et je ne t’ai pas rejeté ; … 9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
10 ne crains point, car je suis avec toi ; ne sois pas inquiet, car moi je suis ton Dieu. Je te fortifierai ; oui, je t’aiderai ; oui, je te soutiendrai par la droite de ma justice. 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
11 Voici, tous ceux qui s’irritent contre toi, seront honteux et confondus ; ils seront comme un rien, et les hommes qui contestent contre toi périront. 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
12 Tu les chercheras, et tu ne les trouveras pas, les hommes qui ont querelle avec toi ; ils seront comme un rien et comme néant, les hommes qui te font la guerre. 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
13 Car moi, l’Éternel, ton Dieu, je tiens ta droite, [moi] qui te dis : Ne crains point, moi je t’aiderai. 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
— v. 9 : ou : d’entre ses principaux.  
14 Ne crains point, toi Jacob, vermisseau ! [et vous], hommes d’Israël ! Moi je t’aiderai, dit l’Éternel, et ton rédempteur, le Saint d’Israël. 14 Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.
15 Voici, j’ai fait de toi un traîneau à battre, tranchant, neuf, à doubles dents : tu battras les montagnes et tu les réduiras en poussière, et tu rendras les collines comme de la balle ; 15 Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
16 tu les vanneras, et le vent les emportera, et le tourbillon les dispersera ; et toi, tu t’égayeras en l’Éternel, tu te glorifieras dans le Saint d’Israël. 16 Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.
   
17 Les affligés et les nécessiteux chercheront de l’eau, et il n’y en a pas, leur langue est desséchée par la soif : moi, l’Éternel, je leur répondrai, [moi], le Dieu d’Israël, je ne les abandonnerai pas. 17 Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
18 Je ferai couler* des rivières sur les hauteurs**, et des fontaines au milieu des vallées ; je changerai le désert en un étang d’eau, et la terre aride en des sources jaillissantes. 18 Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
19 Je ferai croître dans le désert le cèdre, l’acacia*, et le myrte, et l’olivier** ; je mettrai dans le lieu stérile le cyprès, le pin*** et le buis ensemble ; 19 Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra* ary oliva** any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, [*myrta][**Heb. oliva maniry ho azy]
20 afin qu’ils voient, et qu’ils sachent, et qu’ils considèrent, et qu’ils comprennent tous ensemble, que la main de l’Éternel a fait cela, et que le Saint d’Israël l’a créé. 20 Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.
— v. 18* : litt.: J’ouvrirai. — v. 18** : hauteurs arides. — v. 19* : hébreu : sitta (au pluriel sittim). — v. 19** : litt.: arbre d’huile. — v. 19*** : [ ?].  
21 Produisez votre cause, dit l’Éternel ; apportez ici vos arguments, dit le roi de Jacob.