| LES PSAUMES | Salamo |
| LIVRE PREMIER | LIVRE PREMIER |
| PSAUME 1 | PSAUME 1 |
| 1 Bienheureux l’homme qui ne marche pas dans le conseil des méchants, et ne se tient pas dans le chemin des pécheurs, et ne s’assied pas au siège* des moqueurs, | 1 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira; |
| 2 Mais qui a son plaisir en la loi de l’Éternel, et médite dans sa loi jour et nuit ! | 2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina. |
| 3 Et il sera comme un arbre planté près des ruisseaux d’eaux, qui rend son fruit en sa saison, et dont la feuille ne se flétrit point ; et tout ce qu’il fait prospère. | 3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. |
| — v. 1 : ou : dans la compagnie. | |
| * | * |
| 4 Il n’en est pas ainsi des méchants, mais ils sont comme la balle que le vent chasse. | 4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy. |
| 5 C’est pourquoi les méchants ne subsisteront point dans le jugement, ni les pécheurs dans l’assemblée des justes ; | 5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina. |
| 6 Car l’Éternel connaît la voie des justes ; mais la voie des méchants périra. | 6 Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana. |
| PSAUME 2 | PSAUME 2 |
| 1 Pourquoi s’agitent les nations, et les peuples* méditent-ils la vanité ? | 1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? |
| 2 Les rois de la terre se lèvent, et les princes consultent ensemble contre l’Éternel et contre son Oint : | 2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: |
| 3 Rompons leurs liens, et jetons loin de nous leurs cordes ! | 3 "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." |
| — v. 1 : ailleurs : peuplades. | |
| * | * |
| 4 Celui qui habite dans les cieux se rira [d’eux], le Seigneur* s’en moquera. | 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. |
| 5 Alors il leur parlera dans sa colère, et, dans sa fureur, il les épouvantera : | 5 Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe: |
| 6 Et moi, j’ai oint mon roi sur Sion, la montagne de ma sainteté. | 6 "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina." |
| — v. 4 : hébreu : Adonaï. | |
| * | * |
| 7 Je raconterai le décret : l’Éternel m’a dit : Tu es mon Fils ; aujourd’hui, je t’ai engendré. | 7 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. |
| 8 Demande-moi, et je te donnerai les nations pour héritage, et, pour ta possession, les bouts de la terre ; | 8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao. |
| 9 Tu les briseras avec un sceptre* de fer ; comme un vase de potier tu les mettras en pièces. | 9 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy." |
| — v. 9 : ou : verge ; voir Genèse 49:10 | |
| * | * |
| 10 Et maintenant, ô rois, soyez intelligents ; vous, juges de la terre, recevez instruction : | 10 Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany. |
| 11 Servez l’Éternel avec crainte, et réjouissez-vous avec tremblement ; | 11 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana. |
| 12 Baisez le Fils, de peur qu’il ne s’irrite, et que vous ne périssiez dans le chemin, quand sa colère s’embrasera tant soit peu. Bienheureux tous ceux qui se confient en lui ! | 12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. |
| * | * |
| PSAUME 3 | PSAUME 3 |
| Psaume de David, lorsqu’il s’enfuyait de devant Absalom, son fils. | Psaume de David, lorsqu’il s’enfuyait de devant Absalom, son fils. |
| 1 Éternel ! combien sont multipliés mes ennemis, et sont nombreux ceux qui s’élèvent contre moi. | 1 [Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. |
| 2 Beaucoup disent de mon âme : Il n’y a point de salut pour lui en Dieu. Sélah*. | 2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy. |
| 3 Mais toi, Éternel ! tu es un bouclier pour moi ; tu es ma gloire, et celui qui élève ma tête. | 3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. |
| — v. 2 : pause avec intermède de musique ; selon d’autres : élévation, renforcement des voix ; le sens du mot est controversé. | |
| * | * |
| 4 Je crierai de ma voix à l’Éternel, et il me répondra de sa montagne sainte. Sélah. | 4 Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy. |
| 5 Je me suis couché, et je m’endormirai : je me réveillerai, car l’Éternel me soutient. | 5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. |
| 6 Je n’aurai pas de crainte des myriades du peuple qui se sont mises contre moi tout autour. | 6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. |
| * | * |
| 7 Lève-toi, Éternel ; sauve-moi, mon Dieu ! Car tu as frappé à la joue tous mes ennemis ; tu as cassé les dents des méchants. | 7 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao. |
| 8 De l’Éternel est le salut. Ta bénédiction est sur ton peuple. Sélah. | 8 An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao] |
| PSAUME 4 | PSAUME 4 |
| Au chef de musique. Sur Neguinoth*. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Neguinoth*. Psaume de David. |
| — * : instruments à cordes. | |
| 1 Quand je crie, réponds-moi, Dieu de ma justice ! Dans la détresse tu m’as mis au large ; use de grâce envers moi, et écoute ma prière. | 1 [Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. |
| * | * |
| 2 Fils d’hommes, jusques à quand [livrerez-vous] ma gloire à l’opprobre ? [Jusques à quand] aimerez-vous la vanité et chercherez-vous le mensonge ? Sélah. | 2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? |
| 3 Mais sachez que l’Éternel s’est choisi l’homme pieux. L’Éternel écoutera quand je crierai à lui. | 3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny] |
| 4 Agitez-vous*, et ne péchez pas ; méditez dans vos cœurs sur votre couche, et soyez tranquilles. Sélah. | 4 Tezera*, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita] |
| 5 Offrez des sacrifices de justice, et confiez-vous en l’Éternel. | 5 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah. |
| — v. 4 : ou : Tremblez. | |
| * | * |
| 6 Beaucoup disent : Qui nous fera voir du bien ? Lève sur nous la lumière de ta face, ô Éternel ! | 6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô. |
| 7 Tu as mis de la joie dans mon cœur, plus qu’au temps où leur froment et leur moût ont été abondants. | 7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony. |
| 8 Je me coucherai, et aussi je dormirai en paix ; car toi seul, ô Éternel ! tu me fais habiter en sécurité. | 8 Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy. |
| PSAUME 5 | PSAUME 5 |
| Au chef de musique. Pour Nehiloth*. Psaume de David. | Au chef de musique. Pour Nehiloth*. Psaume de David. |
| — * : instruments à vent (?). | |
| 1 Prête l’oreille à mes paroles, ô Éternel ! Considère ma méditation. | 1 [Salamo hatao amin'ny maraina, milaza ny amin'ny olona mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro. |
| 2 Sois attentif à la voix de ma supplication, mon Roi et mon Dieu ! car c’est toi que je prie. | 2 Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako. |
| * | * |
| 3 Éternel ! le matin, tu entendras ma voix ; le matin, je disposerai [ma prière] devant toi, et j’attendrai. | 3 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako* aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako] |
| 4 Car tu n’es pas un *Dieu* qui prenne plaisir à la méchanceté ; le mal** ne séjournera point chez toi. | 4 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy. |
| 5 Les insensés ne subsisteront point devant tes yeux ; tu hais tous les ouvriers d’iniquité. | 5 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra. |
| 6 Tu feras périr ceux qui profèrent le mensonge ; l’homme de sang et de fourbe, l’Éternel l’a en abomination. | 6 Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta. |
| 7 Mais moi, dans l’abondance de ta bonté, j’entrerai dans ta maison ; je me prosternerai devant le temple de ta sainteté, dans ta crainte. | 7 Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho. |
| — v. 4* : hébreu : El ; voir note à Genèse 14:18. — v. 4** : ou : le méchant. | |
| * | * |
| 8 Éternel ! conduis-moi dans ta justice, à cause de mes ennemis ; dresse* ta voie devant moi ; | 8 Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao. |
| 9 Car il n’y a rien de sûr dans leur bouche ; leur intérieur n’est que perversion ; c’est un sépulcre ouvert que leur gosier ; ils flattent de leur langue. | 9 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana*; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana] |
| — v. 8 : litt.: fais droite. | |
| * | * |
| 10 Punis-les, ô Dieu ! Qu’ils tombent par leurs propres conseils ; chasse-les à cause de la multitude de leurs transgressions ; car ils se sont rebellés contre toi. | 10 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao. |
| 11 Et tous ceux qui se confient en toi se réjouiront, ils chanteront de joie à toujours, et tu les protégeras ; et ceux qui aiment ton nom s’égayeront en toi. | 11 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao. |
| 12 Car toi, tu béniras le juste, ô Éternel ! Comme d’un bouclier* tu l’environneras de faveur. | 12 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe. |
| — v. 12 : ici : grand bouclier. | |
| PSAUME 6 | PSAUME 6 |
| Au chef de musique. Sur Neguinoth, sur Sheminith*. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Neguinoth, sur Sheminith*. Psaume de David. |
| — * : huitième (l’octave de basse ?). | |
| 1 Éternel ! ne me reprends pas dans ta colère, et ne me châtie pas dans ta fureur. | 1 [Fivavaky ny olona anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. |
| 2 Use de grâce envers moi, Éternel ! car je suis défaillant ; guéris-moi, Éternel ! car mes os sont troublés. | 2 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako. |
| 3 Mon âme aussi est fort troublée … Et toi, Éternel ! jusques à quand ? | 3 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana? |
| * | * |
| 4 Reviens, Éternel ! délivre mon âme ; sauve-moi à cause de ta bonté. | 4 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao. |
| 5 Car on ne se souvient point de toi dans la mort ; dans le shéol*, qui te célébrera ? | 5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?[Heb. Sheola] |
| 6 Je suis las à force de gémir ; toute la nuit je baigne ma couche, je trempe mon lit de mes larmes. | 6 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. |
| 7 Mon œil dépérit de chagrin, il a vieilli à cause de tous ceux qui me pressent. | 7 Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra. |
| — v. 5 : mot hébreu très-vague désignant le séjour des âmes séparées du corps. | |
| * | * |
| 8 Retirez-vous de moi, vous, tous les ouvriers d’iniquité, car l’Éternel a entendu la voix de mes pleurs ; | 8 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako. |
| 9 L’Éternel a entendu ma supplication ; l’Éternel a reçu ma prière. | 9 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako. |
| 10 Tous mes ennemis seront honteux et fort troublés ; ils s’en retourneront, ils seront confus en un moment. | 10 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka. |
| PSAUME 7 | PSAUME 7 |
| Shiggaïon* de David, qu’il chanta à l’Éternel à l’occasion des paroles de Cush, le Benjaminite. | Shiggaïon* de David, qu’il chanta à l’Éternel à l’occasion des paroles de Cush, le Benjaminite. |
| — * : mot de signification douteuse. | |
| 1 Éternel, mon Dieu ! en toi j’ai mis ma confiance : sauve-moi de tous ceux qui me poursuivent, et délivre-moi ; | 1 [Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho; |
| 2 De peur qu’il ne déchire mon âme comme un lion qui met en pièces, et il n’y a personne qui délivre. | 2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy. |
| * | * |
| 3 Éternel, mon Dieu ! si j’ai fait cela, s’il y a de la méchanceté dans mes mains, | 3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako; |
| 4 Si j’ai rendu le mal à celui qui était en paix avec moi (mais j’ai délivré celui qui me pressait sans cause), | 4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana] |
| 5 Que l’ennemi poursuive mon âme et l’atteigne, et qu’il foule à terre ma vie, et qu’il fasse demeurer ma gloire dans la poussière. Sélah. | 5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka. |
| * | * |
| 6 Lève-toi dans ta colère, ô Éternel ! Élève-toi contre les fureurs de ceux qui me pressent, et réveille-toi pour moi : tu as commandé le jugement. | 6 Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao; |
| 7 Et l’assemblée des peuplades t’environnera ; et [toi], à cause d’elle*, retourne en haut. | 7 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao, |
| — v. 7 : ou : au-dessus d’elle. | |
| * | * |
| 8 L’Éternel jugera les peuples. Juge-moi, ô Éternel, selon ma justice et selon mon intégrité qui est en moi. | 8 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny. |
| 9 Que la malice des méchants prenne fin, je te prie, et affermis le juste, toi, le Dieu juste, qui sondes les cœurs et les reins. | 9 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa. |
| * | * |
| 10 Mon bouclier est par devers Dieu qui sauve ceux qui sont droits de cœur. | 10 Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo. |
| 11 Dieu est un juste juge, et un *Dieu qui s’irrite tout le jour. | 11 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro. |
| 12 Si [le méchant] ne se retourne pas, [Dieu] aiguisera son épée : il a bandé son arc, et l’a ajusté, | 12 Raha tsy ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana] |
| 13 Et il a préparé contre lui des instruments de mort, il a rendu brûlantes ses flèches. | 13 Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra. |
| 14 Voici, [le méchant] est en travail pour l’iniquité, et il conçoit le trouble et il enfante le mensonge. | 14 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*; [Heb: lainga] |
| 15 Il a creusé une fosse, et il l’a rendue profonde ; et il est tombé dans la fosse qu’il a faite. | 15 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy; |
| 16 Le trouble qu’il avait préparé* retombera sur sa tête, et sa violence descendra sur son crâne. | 16 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony. |
| — v. 16 : litt.: Son trouble. | |
| * | * |
| 17 Je célébrerai l’Éternel selon sa justice, et je chanterai le nom de l’Éternel, le Très-haut. | 17 Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra. |
| PSAUME 8 | PSAUME 8 |
| Au chef de musique. Sur Guitthith*. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Guitthith*. Psaume de David. |
| — * : mot de signification douteuse. | |
| 1 Éternel, notre Seigneur ! que ton nom est magnifique par toute la terre ; tu as mis ta majesté au-dessus des cieux ! | 1 [Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. |
| 2 Par* la bouche des petits enfants et de ceux qui tètent, tu as fondé [ta] force**, à cause de tes adversaires, afin de réduire au silence l’ennemi et le vengeur. | 2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. |
| — v. 2* : litt.: De. — v. 2** : d’autres : louange. | |
| * | * |
| 3 Quand je regarde tes cieux, l’ouvrage de tes doigts, la lune et les étoiles que tu as disposées : | 3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, |
| 4 Qu’est-ce que l’homme*, que tu te souviennes de lui, et le fils de l’homme**, que tu le visites ? | 4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? |
| 5 Tu l’as fait de peu inférieur aux anges, et tu l’as couronné de gloire et d’honneur ; | 5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. |
| 6 Tu l’as fait dominer sur les œuvres de tes mains ; tu as mis toutes choses sous ses pieds : | 6 Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony, |
| 7 Les brebis et les bœufs, tous ensemble, et aussi les bêtes des champs, | 7 Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, |
| 8 L’oiseau des cieux, et les poissons de la mer, ce qui passe par les sentiers des mers. | 8 Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina. |
| 9 Éternel, notre Seigneur ! que ton nom est magnifique par toute la terre ! | 9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! |
| — v. 4* : hébreu : énosh ; voir Genèse 4:26. — v. 4** : hébreu : adam. | |
| * | * |
| PSAUME 9 | PSAUME 9 |
| Au chef de musique. Sur Muth-Labben*. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Muth-Labben*. Psaume de David. |
| — * : mort du fils ; d’autres expliquent le mot autrement. | |
| 1 Je célébrerai l’Éternel de tout mon cœur ; je raconterai toutes tes merveilles. | 1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. |
| 2 Je me réjouirai et je m’égayerai en toi ; je chanterai ton nom, ô Très-haut ! | 2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, |
| * | * |
| 3 Quand mes ennemis sont retournés en arrière, ils ont bronché, et ont péri devant toi. | 3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. |
| 4 Car tu as maintenu mon droit et ma cause ; tu t’es assis sur le trône, toi qui juges justement. | 4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. |
| 5 Tu as tancé les nations, tu as fait périr le méchant ; tu as effacé leur nom pour toujours et à perpétuité. | 5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. |
| 6 Ô ennemi ! les dévastations sont venues à leur fin pour toujours. Tu as aussi rasé des villes, leur mémoire a péri avec elles. | 6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana] |
| 7 Mais l’Éternel est assis pour toujours ; il a préparé son trône pour le jugement, | 7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, |
| 8 Et il jugera le monde avec justice, et exercera le jugement sur les peuples avec droiture. | 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. |
| 9 Et l’Éternel sera une haute retraite pour l’opprimé, une haute retraite dans les temps de détresse. | 9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. |
| 10 Et ceux qui connaissent ton nom se confieront en toi ; car tu n’as pas abandonné ceux qui te cherchent, ô Éternel ! | 10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. |
| * | * |
| 11 Chantez à l’Éternel qui habite en Sion, annoncez parmi les peuples ses [hauts] faits. | 11 Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany. |
| 12 Car en recherchant le sang il se souvient d’eux ; il n’oublie pas le cri des affligés. | 12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. |
| 13 Ô Éternel ! use de grâce envers moi ; regarde mon affliction [que je souffre] de la part de ceux qui me haïssent, toi qui me fais remonter des portes de la mort ; | 13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana, |
| 14 Afin que je raconte toutes tes louanges dans les portes de la fille de Sion. Je me réjouirai en ton salut. | 14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao. |
| * | * |
| 15 Les nations se sont enfoncées dans la fosse qu’elles ont faite ; au filet même qu’elles ont caché, leur pied a été pris. | 15 Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, |
| 16 L’Éternel s’est fait connaître par le jugement qu’il a exécuté ; le méchant est enlacé dans l’œuvre de ses mains. Higgaïon*. Sélah. | 16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy. |
| 17 Les méchants seront repoussés jusque dans le shéol, toutes les nations qui oublient Dieu ; | 17 Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola] |
| 18 Car le pauvre ne sera pas oublié à jamais, l’attente des débonnaires* ne périra pas pour toujours. | 18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra. |
| — v. 16 : mot relatif à la musique et dont le sens est douteux. — v. 18 : d’autres lisent : affligés ; les deux mots sont étroitement liés en hébreu. | |
| * | * |
| 19 Lève-toi, Éternel ! que l’homme ne prévale pas. Que les nations soient jugées devant ta face. | 19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. |
| 20 Éternel ! remplis-les de frayeur. Que les nations sachent qu’elles ne sont que des hommes. Sélah. | 20 Asio fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana] |
| PSAUME 10 | PSAUME 10 |
| 1 Pourquoi, ô Éternel ! te tiens-tu loin, te caches-tu aux temps de la détresse ? | 1 [Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana? |
| * | * |
| 2 Le méchant, dans son orgueil, poursuit ardemment l’affligé ; ils seront pris dans les trames qu’ils ont ourdies. | 2 Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy] |
| 3 Car le méchant se glorifie du désir de son âme ; et il bénit l’avare, il méprise l’Éternel. | 3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah. |
| 4 Le méchant, dans la fierté de sa face, [dit] : Il ne s’enquerra [de rien] *. — Il n’y a point de Dieu : [voilà] toutes ses pensées. | 4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny. |
| 5 Ses voies réussissent en tout temps ; tes jugements sont trop hauts pour être devant lui ; il souffle contre tous ses adversaires. | 5 Tanteraka* mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery] |
| 6 Il dit en son cœur : Je ne serai pas ébranlé ; de génération en génération [je ne tomberai] pas dans le malheur. | 6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho. |
| 7 Sa bouche est pleine de malédiction, et de tromperies, et d’oppressions ; il n’y a sous sa langue que trouble et que vanité*. | 7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana. |
| 8 Il se tient aux embuscades des villages ; dans des lieux cachés, il tue l’innocent ; ses yeux épient le malheureux. | 8 Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra. |
| 9 Il se tient aux embûches dans un lieu caché, comme un lion dans son fourré ; il se tient aux embûches pour enlever l’affligé ; il enlève l’affligé, quand il l’a attiré* dans son filet. | 9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo. |
| 10 Il se tapit, il se baisse, afin que les malheureux tombent par sa force*. | 10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy. |
| 11 Il dit en son cœur : *Dieu a oublié, il cache sa face, il ne verra pas, à jamais. | 11 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay. |
| — v. 4 : quelques-uns : … face, ne cherche pas [Dieu]. — v. 7 : ailleurs aussi : iniquité. — v. 9 : ou : l’entraînant. — v. 10 : litt.: ses forts. | |
| * | * |
| 12 Lève-toi, Éternel ! Ô *Dieu, élève ta main ! n’oublie pas les affligés*. | 12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory. |
| 13 Pourquoi le méchant méprise-t-il Dieu ? Il dit en son cœur : Tu ne t’enquerras pas. | 13 Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao? |
| 14 Tu l’as vu, car toi tu regardes la peine et le chagrin pour [les] rendre par ta main ; le malheureux s’abandonne à toi, tu es le secours de l’orphelin. | 14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty. |
| 15 Casse le bras du méchant, et recherche l’iniquité du méchant jusqu’à ce que tu n’en trouves plus. | 15 Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony. |
| — v. 12 : d’autres lisent : débonnaires. | |
| * | * |
| 16 L’Éternel est roi à toujours et à perpétuité ; les nations ont péri de dessus sa terre. | 16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa. |
| 17 Éternel ! tu as exaucé le désir des débonnaires, tu as établi leur cœur ; tu as prêté l’oreille, | 17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao, |
| 18 Pour faire droit à l’orphelin et à l’opprimé, afin que l’homme qui est de la terre n’effraye plus. | 18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany. |
| * | * |
| PSAUME 11 | PSAUME 11 |
| Au chef de musique. De David. | Au chef de musique. De David. |
| 1 Je me suis confié en l’Éternel ; — pourquoi dites-vous à mon âme : Oiseau, envole-toi vers votre montagne ? | 1 [Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely] |
| * | * |
| 2 Car voici, les méchants bandent l’arc, ils ajustent leur flèche sur la corde, pour tirer dans les ténèbres sur ceux qui sont droits de cœur. | 2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. |
| 3 Si les fondements sont détruits, que fera le juste ? | 3 Fa rava ny fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry] |
| 4 L’Éternel est dans le palais de sa sainteté, l’Éternel a son trône dans les cieux ; ses yeux voient, ses paupières sondent les fils des hommes. | 4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. |
| * | * |
| 5 L’Éternel sonde le juste et le méchant ; et celui qui aime la violence, son âme le hait. | 5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. |
| 6 Il fera pleuvoir sur les méchants des pièges, du feu et du soufre ; et un vent brûlant sera la portion de leur coupe. | 6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. |
| 7 Car l’Éternel juste aime la justice ; sa face regarde l’homme droit*. | 7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany] |
| — v. 7 : ou : les hommes droits verront sa face. | |
| PSAUME 12 | PSAUME 12 |
| Au chef de musique. Sur Sheminith. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Sheminith. Psaume de David. |
| 1 Sauve, Éternel ! car l’homme pieux n’est plus, car les fidèles ont disparu d’entre les fils des hommes. | 1 [Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona. |
| * | * |
| 2 Ils parlent la fausseté*, l’un à l’autre ; [leur] lèvre est flatteuse, ils parlent d’un cœur double**. | 2 Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. |
| 3 L’Éternel retranchera toutes les lèvres flatteuses, la langue qui parle de grandes choses, | 3 Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona, |
| 4 Ceux qui disent : Par nos langues nous prévaudrons, nos lèvres sont à nous ; qui est seigneur sur nous ? | 4 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? |
| 5 À cause de l’oppression des affligés, à cause du gémissement des pauvres, maintenant je me lèverai, dit l’Éternel ; je mettrai en sûreté [celui] contre qui on souffle. | 5 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy] |
| — v. 2* : ou : la vanité. — v. 2** : litt.: un cœur et un cœur. | |
| * | * |
| 6 Les paroles de l’Éternel sont des paroles pures, un argent affiné dans le creuset de terre*, coulé sept fois. | 6 Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito. |
| 7 Toi, Éternel ! tu les garderas, tu les préserveras de cette génération, à toujours. | 7 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity. |
| — v. 6 : ou : en terre. | |
| * | * |
| 8 Les méchants se promènent de toutes parts quand la bassesse est élevée parmi les fils des hommes. | 8 Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra. |
| PSAUME 13 | PSAUME 13 |
| Au chef de musique. Psaume de David. | Au chef de musique. Psaume de David. |
| 1 Jusques à quand, ô Éternel, m’oublieras-tu toujours ? Jusques à quand cacheras-tu ta face de moi ? | 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko? |
| 2 Jusques à quand consulterai-je dans mon âme, avec chagrin dans mon cœur, tous les jours ? Jusques à quand mon ennemi s’élèvera-t-il par-dessus moi ? | 2 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko? |
| 3 Regarde, réponds-moi, Éternel, mon Dieu ! Illumine mes yeux, de peur que je ne dorme [du sommeil] de la mort ; | 3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho; |
| 4 De peur que mon ennemi ne dise : J’ai eu le dessus sur lui, [et] que mes adversaires ne se réjouissent de ce que j’aurai été ébranlé. | 4 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho. |
| 5 Mais pour moi, je me suis confié en ta bonté, mon cœur s’est réjoui dans ton salut. | 5 Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko. |
| * | * |
| 6 Je chanterai à l’Éternel, parce qu’il m’a fait du bien. | 6 Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy; |
| PSAUME 14 | PSAUME 14 |
| Au chef de musique. De David. | Au chef de musique. De David. |
| 1 L’insensé a dit en son cœur : Il n’y a point de Dieu. | 1 [Ny faharatsian'ny olona, sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. |
| * | |
| Ils se sont corrompus, ils ont rendu abominables leurs actions ; il n’y a personne qui fasse le bien. | |
| * | * |
| 2 L’Éternel a regardé des cieux sur les fils des hommes, pour voir s’il y a quelqu’un qui soit intelligent, qui recherche Dieu : | 2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. |
| 3 Ils se sont tous détournés, ils se sont tous ensemble corrompus ; il n’y a personne qui fasse le bien, non pas même un seul. | 3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. |
| * | * |
| 4 Tous les ouvriers d’iniquité n’ont-ils aucune connaissance ? Ils dévorent mon peuple comme on mange du pain ; ils n’invoquent point l’Éternel. | 4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny? |
| 5 Là, ils ont été saisis de frayeur ; car Dieu est au milieu de la génération juste. | 5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina. |
| 6 Vous jetez l’opprobre sur le conseil de l’affligé, parce que l’Éternel était sa confiance. | 6 Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony. |
| * | * |
| 7 Oh ! si de Sion le salut d’Israël était venu ! Quand l’Éternel rétablira les captifs de son peuple*, Jacob s’égayera, Israël se réjouira. | 7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely. |
| — v. 7 : dans ce sens, qu’il rétablit la bénédiction, et ne ramène pas seulement les captifs individuellement ; comparer pour ce dernier cas, Néh. 9:36-37, et Psaume 126:1-3 ; et voir Deut. 30:3. | |
| PSAUME 15 | PSAUME 15 |
| Psaume de David. | Psaume de David. |
| 1 Éternel ! qui séjournera dans ta tente ? qui demeurera en ta montagne sainte ? | 1 [Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? |
| * | * |
| 2 Celui qui marche dans l’intégrité, et qui fait ce qui est juste, et qui parle la vérité de son cœur ; | 2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; |
| 3 Qui ne médit pas de sa langue ; qui ne fait pas de mal à son compagnon, et qui ne fait pas venir l’opprobre sur son prochain ; | 3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, |
| 4 Aux yeux duquel l’homme vil est méprisable, mais qui honore ceux qui craignent l’Éternel ; qui jure à son détriment, et ne change pas ; | 4 Tsy manaja ny ratsy fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena] |
| 5 Qui ne donne pas son argent à intérêt*, et qui ne prend pas de présent contre l’innocent. Celui qui fait ces choses ne sera jamais ébranlé. | 5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay. |
| — v. 5 : ou : usure. | |
| * | * |
| PSAUME 16 | PSAUME 16 |
| Mictam* de David. | Mictam* de David. |
| — * : mot d’un sens incertain. | |
| 1 Garde-moi, ô *Dieu ! car je me confie en toi. | 1 [Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. |
| * | * |
| 2 Tu as dit à l’Éternel : Tu es le Seigneur, ma bonté [ne s’élève] pas jusqu’à toi. | 2 Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; |
| 3 [Tu as dit] aux saints qui sont sur la terre, et aux excellents : En eux sont toutes mes délices. | 3 Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra] |
| * | * |
| 4 Les misères de ceux qui courent après un autre seront multipliées : je ne répandrai pas leurs libations de sang, et je ne prendrai pas leurs noms sur mes lèvres. | 4 Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany. |
| 5 L’Éternel est la portion de mon héritage et de ma coupe ; tu maintiens mon lot. | 5 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. |
| 6 Les cordeaux* sont tombés pour moi en des lieux agréables ; oui, un bel héritage m’est échu. | 6 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. |
| 7 Je bénirai l’Éternel qui me donne conseil ; durant les nuits même mes reins m’enseignent. | 7 Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako] |
| 8 Je me suis toujours proposé l’Éternel devant moi ; parce qu’il est à ma droite je ne serai pas ébranlé. | 8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. |
| 9 C’est pourquoi mon cœur se réjouit, et mon âme* s’égaie ; même ma chair reposera en assurance. | 9 Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro] |
| 10 Car tu n’abandonneras pas mon âme au shéol*, tu ne permettras pas que ton saint** voie la corruption. | 10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny lò] |
| 11 Tu me feras connaître le chemin de la vie ; ta face est un rassasiement de joie, il y a des plaisirs à ta droite pour toujours. | 11 Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay. |
| — v. 6 : voir Michée 2:5. — v. 9 : litt.: gloire ; quelques-uns, avec les Septante : langue. — v. 10* : voir la note à Ps. 6:5. — v. 10** : ailleurs : pieux ; voir la note à 2 Chron. 6:42. | |
| PSAUME 17 | PSAUME 17 |
| Prière de David. | Prière de David. |
| 1 Écoute, ô Éternel, la justice ; sois attentif à mon cri ; prête l’oreille à ma prière, qui ne s’élève pas de lèvres trompeuses. | 1 [Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka. |
| 2 Que mon droit sorte de ta présence, que tes yeux regardent à la droiture. | 2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina. |
| 3 Tu as sondé mon cœur, tu [m’]as visité de nuit ; tu m’as éprouvé au creuset, tu n’as rien trouvé ; ma pensée ne va pas au delà de ma parole. | 3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho] |
| 4 Quant aux actions de l’homme, par la parole de tes lèvres je me suis gardé des voies de l’homme violent. | 4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny. |
| 5 Quand tu soutiens mes pas dans tes sentiers*, mes pieds ne chancellent point. | 5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro. |
| — v. 5 : ou : Soutiens mes pas dans tes sentiers, de sorte que. | |
| * | * |
| 6 Je t’ai invoqué, car tu m’exauceras, ô Dieu ! Incline ton oreille vers moi, écoute mes paroles. | 6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko. |
| 7 Rends admirable ta bonté, toi qui, par ta droite, sauves de [leurs] adversaires* ceux qui se confient [en toi]. | 7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo. |
| 8 Garde-moi comme la prunelle de l’œil ; cache-moi sous l’ombre de tes ailes, | 8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao, |
| 9 De devant ces méchants qui me dévastent, mes ardents ennemis qui m’entourent. | 9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy. |
| 10 Ils sont enfermés dans leur propre graisse ; de leur bouche, ils parlent avec hauteur. | 10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany. |
| 11 À [chacun de] nos pas, maintenant ils nous environnent ; ils fixent leurs yeux, se baissant jusqu’à terre* : | 11 Manodidina anay* amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy] |
| 12 Il est semblable au lion avide de déchirer, et comme le lionceau qui se tient dans les lieux cachés. | 12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena. |
| 13 Lève-toi, Éternel ! devance-le, renverse-le ; délivre mon âme du méchant [par] * ton épée, | 13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy; |
| 14 [Délivre-moi] des hommes [par] * ta main, ô Éternel ! des hommes de ce monde, [qui ont] leur portion dans cette vie, et dont tu remplis le ventre de tes biens cachés ; ils sont rassasiés de fils**, et ils laissent le reste de leurs [biens] à leurs enfants. | 14 Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika. |
| — v. 7 : litt.: de ceux qui s’élèvent [contre eux]. — v. 11 : ou : pour [nous] étendre par terre. — v. 13 : ou peut-être : qui est. — v. 14* : ou : qui sont. — v. 14** : ou : [leurs] fils sont rassasiés. | |
| * | * |
| 15 Moi, je verrai ta face en justice quand je serai réveillé, je serai rassasié de ton image. | 15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha. |
| * | * |
| PSAUME 18 | PSAUME 18 |
| Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel, de David, qui adressa à l’Éternel les paroles de ce cantique, le jour où l’Éternel l’eut délivré de la main de tous ses ennemis, et de la main de Saül. Et il dit : | Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel, de David, qui adressa à l’Éternel les paroles de ce cantique, le jour où l’Éternel l’eut délivré de la main de tous ses ennemis, et de la main de Saül. Et il dit : |
| 1 Je t’aimerai, ô Éternel, ma force ! | 1 [Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô. |
| 2 Éternel, mon rocher, et mon lieu fort, et celui qui me délivre ! Mon *Dieu, mon rocher, en qui je me confie, mon bouclier et la corne de mon salut, ma haute retraite ! | 2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. |
| 3 Je crierai à l’Éternel, qui est digne d’être loué, et je serai sauvé de mes ennemis. | 3 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko. |
| * | * |
| 4 Les cordeaux de la mort m’ont environné, et les torrents de Bélial* m’ont fait peur ; | 4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. |
| 5 Les cordeaux du shéol* m’ont entouré, les filets de la mort m’ont surpris : | 5 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola] |
| 6 Dans ma détresse j’ai invoqué l’Éternel, et j’ai crié à mon Dieu : de son temple, il a entendu ma voix, et mon cri est parvenu devant lui à ses oreilles. | 6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. |
| — v. 4 : ou : d’iniquité. — v. 5 : voir note à Ps. 6:5. | |
| * | * |
| 7 Alors la terre fut ébranlée, et trembla, et les fondements des montagnes furent secoués et furent ébranlés, parce qu’il était irrité. | 7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. |
| 8 Une fumée montait de ses narines, et un feu sortant de sa bouche dévorait ; des charbons en jaillissaient embrasés. | 8 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. |
| 9 Et il abaissa les cieux, et descendit ; et il y avait une obscurité profonde sous ses pieds. | 9 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony. |
| 10 Il était monté sur un chérubin, et volait, et il planait sur les ailes du vent. | 10 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy. |
| 11 Il mit les ténèbres pour sa demeure secrète comme sa tente autour de lui, des ténèbres d’eaux, d’épaisses nuées de l’air. | 11 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona matevina.[Heb: aizin-drano] |
| 12 De la splendeur qui était devant lui, ses nuées épaisses passaient, de la grêle et des charbons de feu. | 12 Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo. |
| 13 Et l’Éternel tonna dans les cieux, et le Très-haut fit retentir sa voix, — de la grêle et des charbons de feu. | 13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo. |
| 14 Et il tira ses flèches et dispersa [mes ennemis] * ; il lança des éclairs** et les mit en déroute. | 14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy. |
| 15 Alors les lits des eaux parurent, et les fondements du monde furent mis à découvert, quand tu les tanças, ô Éternel, par le souffle du vent de tes narines. | 15 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao. |
| 16 D’en haut il étendit [sa main], il me il prit, il me tira des grandes eaux ; | 16 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy; |
| 17 Il me délivra de mon puissant ennemi et de ceux qui me haïssaient ; car ils étaient plus forts que moi. | 17 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny |
| 18 Ils m’avaient surpris au jour de ma calamité, mais l’Éternel fut mon appui. | 18 Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. |
| — v. 14* : litt.: les dispersa. — v. 14** : ou : [il lança] beaucoup d’éclairs. | |
| * | * |
| 19 Et il me fit sortir au large, il me délivra, parce qu’il prenait son plaisir en moi. | 19 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho. |
| 20 L’Éternel m’a récompensé selon ma justice, il m’a rendu selon la pureté de mes mains ; | 20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy. |
| 21 Car j’ai gardé les voies de l’Éternel, et je ne me suis point méchamment détourné de mon Dieu. | 21 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro; |
| 22 Car toutes ses ordonnances ont été devant moi ; et ses statuts, je ne les ai pas écartés de moi. | 22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko; |
| 23 Et j’ai été parfait* avec lui, et je me suis gardé de mon iniquité. | 23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako; |
| 24 Et l’Éternel m’a rendu selon ma justice, selon la pureté de mes mains devant ses yeux. | 24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony. |
| 25 Avec celui qui use de grâce, tu uses de grâce ; avec l’homme parfait, tu te montres parfait ; | 25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; |
| 26 Avec celui qui est pur, tu te montres pur ; et avec le pervers, tu es roide*. | 26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [Heb: miolakolaka] |
| 27 Car toi tu sauveras le peuple affligé, et tu abaisseras les yeux hautains. | 27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao. |
| 28 Car c’est toi qui fais luire ma lampe : l’Éternel, mon Dieu, fait resplendir mes ténèbres. | 28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. |
| 29 Car, par toi, je courrai au travers d’une troupe, et, par mon Dieu, je franchirai une muraille. | 29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. |
| — v. 23 : ou : intègre. — v. 26 : c. à d. tu le rencontres avec une volonté adverse. | |
| * | * |
| 30 Quant à *Dieu, sa voie est parfaite ; la parole de l’Éternel est affinée ; il est un bouclier à tous ceux qui se confient en lui. | 30 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. |
| 31 Car qui est #Dieu*, hormis l’Éternel, et qui est un rocher, si ce n’est notre Dieu, | 31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? |
| 32 Le *Dieu qui me ceint de force et qui rend ma voie parfaite ? — | 32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako. |
| 33 Qui rend mes pieds pareils à ceux des biches, et me fait tenir debout sur mes lieux élevés ; | 33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo. |
| 34 Qui enseigne mes mains à combattre, et mes bras bandent* un arc d’airain. | 34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. |
| 35 Et tu m’as donné le bouclier de ton salut, et ta droite m’a soutenu, et ta débonnaireté m’a agrandi. | 35 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. |
| 36 Tu as mis au large mes pas sous moi, et les chevilles de mes pieds n’ont pas chancelé. | 36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. |
| 37 J’ai poursuivi mes ennemis, et je les ai atteints ; et je ne m’en suis pas retourné que je ne les aie consumés. | 37 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany. |
| 38 Je les ai transpercés, et ils n’ont pu se relever ; ils sont tombés sous mes pieds. | 38 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy. |
| 39 Et tu m’as ceint de force pour le combat ; tu as courbé sous moi ceux qui s’élevaient contre moi. | 39 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. |
| 40 Et tu as fait que mes ennemis m’ont tourné le dos ; et ceux qui me haïssaient, je les ai détruits. | 40 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy. |
| 41 Ils criaient, et il n’y avait point de sauveur ; [ils criaient] à l’Éternel, et il ne leur a pas répondu. | 41 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy. |
| 42 Et je les ai brisés menu comme la poussière devant le vent ; je les ai jetés loin comme la boue des rues. | 42 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy. |
| — v. 31 : hébreu : Éloah ; voir Deut. 32:15. — v. 34 : selon d’autres : brisent. | |
| * | * |
| 43 Tu m’as délivré des débats du peuple ; tu m’as établi chef des nations ; un peuple que je ne connaissais pas me servira. | 43 Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. |
| 44 Dès qu’ils ont entendu de leur oreille, ils m’ont obéi ; les fils de l’étranger se sont soumis à moi en dissimulant*. | 44 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy] |
| 45 Les fils de l’étranger ont dépéri, et ils sont sortis en tremblant de leurs lieux cachés*. | 45 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy. |
| — v. 44 : rendant une obéissance feinte. — v. 45 : ou : ont tremblé dans leurs châteaux forts. | |
| * | * |
| 46 L’Éternel est vivant ; et que mon Rocher soit béni ! Et que le Dieu de mon salut soit exalté, | 46 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy, |
| 47 Le *Dieu qui m’a donné des vengeances, et qui m’a assujetti les peuples, | 47 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy. |
| 48 Qui m’a délivré de mes ennemis ! Même tu m’as élevé au-dessus de ceux qui s’élèvent contre moi, tu m’as délivré de l’homme violent. | 48 Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe. |
| 49 C’est pourquoi, Éternel ! je te célébrerai parmi les nations, et je chanterai des cantiques à [la gloire de] ton nom. | 49 Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. |
| 50 [C’est lui] qui a donné de grandes délivrances à son roi, et qui use de bonté envers son oint, envers David, et envers sa semence, à toujours. | 50 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay. |
| * | * |
| PSAUME 19 | PSAUME 19 |
| Au chef de musique. Psaume de David. | Au chef de musique. Psaume de David. |
| 1 Les cieux racontent la gloire de *Dieu, et l’étendue annonce l’ouvrage de ses mains. | 1 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. |
| 2 Un jour en proclame* la parole à l’autre jour, et une nuit la fait connaître à l’autre nuit. | 2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. |
| 3 Il n’y a point de langage, il n’y a point de paroles ; toutefois leur voix est entendue. | 3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony] |
| 4 Leur cordeau* s’étend par toute la terre, et leur langage jusqu’au bout du monde. En eux, il a mis une tente pour le soleil. | 4 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony] |
| 5 Il sort comme un époux de sa chambre nuptiale ; comme un homme vaillant, il se réjouit de courir sa carrière. | 5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy. |
| 6 Sa sortie est d’un bout des cieux, et son tour jusqu’à l’autre bout ; et rien n’est caché à sa chaleur. | 6 Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany. |
| — v. 2 : litt.: fait jaillir. — v. 4 : c. à d. : l’étendue de leur témoignage. | |
| * | * |
| 7 La loi de l’Éternel est parfaite, restaurant l’âme ; les témoignages* de l’Éternel sont sûrs, rendant sages les sots. | 7 Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina. |
| 8 Les ordonnances de l’Éternel sont droites, réjouissant le cœur ; le commandement de l’Éternel est pur, illuminant les yeux. | 8 Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. |
| 9 La crainte de l’Éternel est pure, subsistant pour toujours ; les jugements de l’Éternel sont la vérité, justes tous ensemble. | 9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. |
| 10 Ils sont plus précieux que l’or et que beaucoup d’or fin, et plus doux que le miel et que ce qui distille des rayons de miel. | 10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra. |
| 11 Aussi ton serviteur est instruit par eux ; il y a un grand salaire à les garder. | 11 Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe. |
| — v. 7 : litt.: le témoignage. | |
| * | * |
| 12 Qui est-ce qui comprend ses erreurs ? Purifie-moi de mes [fautes] cachées. | 12 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra. |
| 13 Garde aussi ton serviteur des péchés commis avec fierté ; qu’ils ne dominent pas sur moi : alors je serai irréprochable, et je serai innocent de la* grande transgression. | 13 Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe. |
| 14 Que les paroles de ma bouche et la méditation de mon cœur soient agréables devant toi, ô Éternel, mon rocher et mon rédempteur ! | 14 Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy. |
| — v. 13 : ou : d’une. | |
| PSAUME 20 | PSAUME 20 |
| Au chef de musique. Psaume de David. | Au chef de musique. Psaume de David. |
| 1 Que l’Éternel te réponde au jour de la détresse ! Que le nom du Dieu de Jacob te protège ! | 1 [Vavaka ho an'ny mpanjaka raha mivoaka hanafika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba. |
| 2 Que du sanctuaire* il envoie ton secours, et que de Sion il te soutienne ! | 2 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona. |
| 3 Qu’il se souvienne de toutes tes offrandes, et qu’il accepte ton holocauste ! Sélah. | 3 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. |
| 4 Qu’il te donne selon ton cœur, et qu’il accomplisse tous tes conseils ! | 4 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra. |
| 5 Nous triompherons dans ton salut, et nous élèverons nos bannières au nom de notre Dieu. Que l’Éternel accomplisse toutes tes demandes ! | 5 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra. |
| — v. 2 : ou : lieu saint. | |
| * | * |
| 6 Maintenant je sais que l’Éternel sauve son oint ; il lui répondra des cieux de sa sainteté, par les actes puissants du salut de sa droite. | 6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana. |
| 7 Ceux-ci font gloire de [leurs] chars, et ceux-là de [leurs] chevaux, mais nous, du nom de l’Éternel, notre Dieu. | 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. |
| 8 Ceux-là se courbent et tombent ; mais nous nous relevons et nous tenons debout. | 8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro, |
| 9 Éternel, sauve ! Que le roi nous réponde au jour où nous crions. | 9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka] |
| PSAUME 21 | PSAUME 21 |
| Au chef de musique. Psaume de David. | Au chef de musique. Psaume de David. |
| 1 Éternel ! le roi se réjouira en ta force, et combien s’égayera-t-il en ton salut ! | 1 [Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao! |
| 2 Tu lui as donné le désir de son cœur, et tu ne lui as pas refusé la requête de ses lèvres. Sélah. | 2 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao. |
| 3 Car tu l’as prévenu par des bénédictions excellentes ; tu as mis sur sa tête une couronne d’or fin. | 3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena. |
| 4 Il t’a demandé la vie : tu [la] lui as donnée, — une longueur de jours pour toujours et à perpétuité ! | 4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria. |
| 5 Sa gloire est grande dans ta délivrance ; tu l’as revêtu de majesté et de magnificence. | 5 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy. |
| 6 Car tu l’as mis pour bénédictions à toujours ; tu l’as rempli de joie par ta face. | 6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy. |
| 7 Car le roi se confie en l’Éternel, et, par la bonté du Très-haut, il ne sera pas ébranlé. | 7 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy. |
| * | * |
| 8 Ta main trouvera tous tes ennemis, ta droite trouvera ceux qui te haïssent. | 8 Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao; |
| 9 Tu les rendras comme un four de feu, au temps de ta présence ; l’Éternel, dans sa colère, les engloutira, et le feu les dévorera. | 9 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo. |
| 10 Tu feras périr leur fruit de dessus la terre, et leur semence d’entre les fils des hommes. | 10 Ny zanany* haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany] |
| 11 Car ils ont essayé de faire venir du mal sur toi, et ont médité des desseins qu’ils n’ont pu mettre à exécution. | 11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa. |
| 12 Car tu leur feras tourner le dos, quand tu ajusteras la corde de ton arc* contre leurs faces. | 12 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany. |
| 13 Sois exalté, ô Éternel, dans ta force ! Nous chanterons, et nous célébrerons ta puissance. | 13 Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay. |
| — v. 12 : litt.: tes cordes. | |
| * | * |
| PSAUME 22 | PSAUME 22 |
| Au chef de musique. Sur Ajéleth-Hashakhar*. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Ajéleth-Hashakhar*. Psaume de David. |
| — * : la biche de l’aurore. | |
| 1 Mon *Dieu ! mon *Dieu ! pourquoi m’as-tu abandonné, [te tenant] loin de mon salut, — des paroles de mon rugissement ? | 1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako. |
| 2 Mon Dieu ! je crie de jour, mais tu ne réponds point ; et de nuit, et il n’y a point de repos pour moi. | 2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. |
| 3 Et toi, tu es saint, toi qui habites [au milieu des] louanges d’Israël. | 3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely. |
| * | * |
| 4 Nos pères se sont confiés en toi ; ils se sont confiés, et tu les as délivrés. | 4 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao. |
| 5 Ils ont crié vers toi, et ils ont été sauvés ; ils se sont confiés en toi, et ils n’ont point été confus. | 5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy. |
| 6 Mais moi, je suis un ver, et non point un homme ; l’opprobre des hommes, et le méprisé du peuple. | 6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka. |
| 7 Tous ceux qui me voient se moquent de moi ; ils ouvrent la bouche, ils hochent la tête : | 7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: |
| 8 Il se confie à l’Éternel : qu’il le fasse échapper, qu’il le délivre, car il prend son plaisir en lui ! | 8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy] |
| 9 Mais c’est toi qui m’as tiré du sein [qui m’a porté] ; tu m’as donné confiance sur les mamelles de ma mère. | 9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko; |
| 10 C’est à toi que je fus remis dès la matrice ; tu es mon *Dieu dès le ventre de ma mère. | 10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao. |
| 11 Ne te tiens pas loin de moi, car la détresse est proche, car il n’y a personne qui secoure. | 11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy. |
| * | * |
| 12 Beaucoup de taureaux m’ont environné, des puissants de Basan m’ont entouré ; | 12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy. |
| 13 Ils ouvrent leur gueule contre moi, comme un lion déchirant et rugissant. | 13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy. |
| 14 Je suis répandu comme de l’eau, et tous mes os se déjoignent ; mon cœur est comme de la cire, il est fondu au dedans de mes entrailles. | 14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy. |
| 15 Ma vigueur est desséchée comme un têt, et ma langue est attachée à mon palais ; et tu m’as mis dans la poussière de la mort. | 15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy. |
| * | * |
| 16 Car des chiens m’ont environné, une assemblée de méchants m’a entouré ; ils ont percé mes mains et mes pieds ; | 16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy] |
| 17 Je compterais tous mes os. Ils me contemplent, ils me regardent ; | 17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. |
| 18 Ils partagent entre eux mes vêtements, et sur ma robe ils jettent le sort. | 18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny. |
| 19 Et toi, Éternel ! ne te tiens pas loin ; ma Force ! hâte-toi de me secourir. | 19 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy. |
| 20 Délivre mon âme de l’épée, mon unique de la patte du chien. | 20 Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa. |
| 21 Sauve-moi de la gueule du lion. | 21 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho] |
| * | * |
| Tu m’as répondu* d’entre les cornes des buffles. | |
| 22 J’annoncerai ton nom à mes frères, je te louerai au milieu de la congrégation. | 22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao. |
| 23 Vous qui craignez l’Éternel, louez-le ; toute la semence de Jacob, glorifiez-le ; et révérez-le, vous, toute la semence d’Israël ; | 23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra. |
| 24 Car il n’a pas méprisé ni rejeté l’affliction de l’affligé, et n’a point caché sa face de lui ; mais, quand il a crié vers lui, il l’a écouté. | 24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy. |
| — v. 21 : ou : Réponds-moi. | |
| * | * |
| 25 De toi [vient] ma louange dans la grande congrégation. Je payerai mes vœux devant ceux qui le craignent. | 25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah. |
| 26 Les débonnaires mangeront et seront rassasiés ; ceux qui cherchent l’Éternel le loueront ; votre cœur vivra à toujours. | 26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo. |
| * | * |
| 27 Tous les bouts de la terre se souviendront, et ils se tourneront vers l’Éternel, et toutes les familles des nations se prosterneront devant toi. | 27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa. |
| 28 Car le royaume est à l’Éternel, et il domine au milieu des nations. | 28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy. |
| 29 Tous les gras de la terre mangeront et se prosterneront : devant lui se courberont tous ceux qui descendent dans la poussière, et celui qui ne peut faire vivre son âme. | 29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy] |
| * | * |
| 30 Une semence le servira ; elle sera comptée au Seigneur comme une génération. | 30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy. |
| 31 Ils viendront et raconteront sa justice à un peuple qui naîtra,… qu’il a fait [ces choses]. | 31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany. |
| PSAUME 23 | PSAUME 23 |
| Psaume de David. | Psaume de David. |
| 1 L’Éternel est mon berger : je ne manquerai de rien. | 1 [Ny Mpiandry Tsara] Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, |
| 2 Il me fait reposer dans de verts pâturages, il me mène à des eaux paisibles. | 2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. |
| 3 Il restaure mon âme ; il me conduit dans des sentiers de justice, à cause de son nom. | 3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. |
| * | * |
| 4 Même quand je marcherais par la vallée de l’ombre de la mort, je ne craindrai aucun mal ; car tu es avec moi : ta houlette et ton bâton, ce sont eux qui me consolent. | 4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. |
| 5 Tu dresses devant moi une table, en la présence de mes ennemis ; tu as oint ma tête d’huile, ma coupe est comble. | 5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. |
| * | * |
| 6 Oui, la bonté et la gratuité me suivront tous les jours de ma vie, et mon habitation sera dans la maison de l’Éternel pour de longs jours. | 6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho. |
| PSAUME 24 | PSAUME 24 |
| De David. Psaume. | De David. Psaume. |
| 1 À l’Éternel est la terre et tout ce qu’elle contient*, le monde et ceux qui l’habitent ; | 1 [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. |
| 2 Car lui l’a fondée sur les mers, et l’a établie sur les fleuves. | 2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy. |
| 3 Qui est-ce qui montera en la montagne de l’Éternel ? et qui se tiendra dans le lieu de sa sainteté ? | 3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina? |
| 4 Celui qui a les mains innocentes et le cœur pur, qui n’élève pas son âme à la vanité, et ne jure pas avec fausseté. | 4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. |
| 5 Il recevra bénédiction de l’Éternel, et justice du Dieu de son salut. | 5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. |
| 6 Telle est la génération de ceux qui le cherchent, de ceux qui recherchent ta face, ô Jacob. Sélah. | 6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba] |
| — v. 1 : litt.: sa plénitude. | |
| * | * |
| 7 Portes, élevez vos têtes ! et élevez-vous, portails éternels, et le roi de gloire entrera. | 7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay] |
| 8 Qui est ce roi de gloire ? L’Éternel fort et puissant, l’Éternel puissant dans la bataille. | 8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. |
| 9 Portes, élevez vos têtes ! et élevez-vous, portails éternels, et le roi de gloire entrera. | 9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. |
| 10 Qui est-il, ce roi de gloire ? L’Éternel des armées, lui, est le roi de gloire. Sélah. | 10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra. |
| * | * |
| PSAUME 25* | PSAUME 25* |
| De David. | De David. |
| — * : Dans ce psaume et le Ps. 34, la lettre hébraïque initiale de chaque verset suit l’ordre alphabétique. | |
| 1 À toi Éternel, j’élève mon âme. | 1 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. |
| 2 Mon Dieu, en toi j’ai mis ma confiance ; que je ne sois pas confus, que mes ennemis ne triomphent pas de moi. | 2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. |
| 3 Non, aucun de ceux qui s’attendent à toi ne sera confus ; ceux-là seront confus qui agissent perfidement sans cause. | 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. |
| * | * |
| 4 Fais-moi connaître tes voies, ô Éternel ! enseigne-moi tes sentiers. | 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. |
| 5 Fais-moi marcher dans ta vérité, et enseigne-moi, car tu es le Dieu de mon salut ; c’est à toi que je m’attends tout le jour. | 5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. |
| 6 Souviens-toi de ta miséricorde, ô Éternel, et de ta bonté ; car elles sont de tout temps. | 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. |
| 7 Ne te souviens pas des péchés de ma jeunesse ni de mes transgressions* ; selon ta gratuité souviens-toi de moi à cause de ta bonté, ô Éternel. | 7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, |
| — v. 7 : voir la note à Job 7:21. | |
| * | * |
| 8 L’Éternel est bon et droit ; c’est pourquoi il enseignera le chemin aux pécheurs. | 8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. |
| 9 Il fera marcher dans le droit [chemin] * les débonnaires, et il enseignera sa voie aux débonnaires. | 9 Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. |
| 10 Tous les sentiers de l’Éternel sont gratuité et vérité, pour ceux qui gardent son alliance et ses témoignages. | 10 Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. |
| 11 À cause de ton nom, ô Éternel ! tu me pardonneras mon iniquité ; car elle est grande. | 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. |
| 12 Qui est l’homme qui craint l’Éternel ? Il lui enseignera le chemin qu’il doit choisir*. | 12 Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. |
| 13 Son âme habitera au milieu du bien, et sa semence possédera la terre. | 13 Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany. |
| 14 Le secret* de l’Éternel est pour ceux qui le craignent, pour leur faire connaître son alliance. | 14 Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. |
| 15 Mes yeux sont continuellement sur l’Éternel ; car c’est lui qui fera sortir mes pieds du filet. | 15 Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato. |
| — v. 9 : ailleurs : jugement. — v. 12 : ou : que lui, [l’Éternel], choisit. — v. 14 : c. à d. : les communications intimes. | |
| * | * |
| 16 Tourne-toi vers moi et use de grâce envers moi, car je suis seul et affligé. | 16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. |
| 17 Les détresses de mon cœur se sont agrandies* ; fais-moi sortir de mes angoisses. | 17 Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho. |
| 18 Regarde mon affliction et mes peines, et pardonne tous mes péchés. | 18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra. |
| 19 Regarde mes ennemis, car ils sont nombreux, et ils me haïssent d’une haine violente. | 19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy. |
| 20 Garde mon âme, et délivre-moi ; que je ne sois pas confus, car je me suis confié en toi. | 20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao. |
| 21 Que l’intégrité et la droiture me gardent, car je me suis attendu à toi. | 21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho. |
| 22 Ô Dieu ! rachète Israël de toutes ses détresses. | 22 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra. |
| — v. 17 : quelques-uns lisent : Élargis mon cœur dans ses détresses, et…. | |
| PSAUME 26 | PSAUME 26 |
| De David. | De David. |
| 1 Ô Éternel ! juge-moi, car j’ai marché dans mon intégrité, et je me suis confié en l’Éternel : je ne chancellerai pas. | 1 [Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. |
| 2 Sonde-moi, ô Éternel ! et éprouve-moi ; examine mes reins et mon cœur. | 2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko. |
| 3 Car ta bonté est devant mes yeux, et j’ai marché dans ta vérité. | 3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho. |
| 4 Je ne me suis pas assis avec des hommes vains, et je ne suis pas allé avec les gens dissimulés ; | 4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy. |
| 5 J’ai haï la congrégation de ceux qui font le mal, et je ne m’assiérai pas avec les méchants. | 5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho. |
| 6 Je laverai mes mains dans l’innocence, et je ferai le tour de ton autel, ô Éternel ! | 6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô, |
| 7 Pour entonner la louange, et pour raconter toutes tes merveilles. | 7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra. |
| 8 Éternel ! j’ai aimé l’habitation de ta maison, et le lieu de la demeure de ta gloire. | 8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao. |
| 9 N’assemble pas mon âme avec les pécheurs, ni ma vie avec les hommes de sang, | 9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà, |
| 10 Dans les mains desquels il y a des crimes, et dont la droite est pleine de présents. | 10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana. |
| 11 Mais moi, je marcherai dans mon intégrité. Rachète-moi, et use de grâce envers moi. | 11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. |
| 12 Mon pied se tient au chemin uni : je bénirai l’Éternel dans les congrégations. | 12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah. |
| PSAUME 27 | PSAUME 27 |
| De David. | De David. |
| 1 L’Éternel est ma lumière et mon salut : de qui aurai-je peur ? L’Éternel est la force de ma vie : de qui aurai-je frayeur ? | 1 [Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako? |
| * | * |
| 2 Quand les méchants, mes adversaires et mes ennemis, se sont approchés de moi pour dévorer ma chair, ils ont bronché et sont tombés. | 2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. |
| 3 Quand une armée camperait contre moi, mon cœur ne craindrait pas ; si la guerre s’élève contre moi, en ceci j’aurai confiance : | 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. |
| 4 J’ai demandé une chose à l’Éternel, je la rechercherai : [c’est] que j’habite dans la maison de l’Éternel tous les jours de ma vie, pour voir la beauté de l’Éternel et pour m’enquérir diligemment [de lui] dans son temple. | 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. |
| 5 Car, au mauvais jour, il me mettra à couvert dans sa loge, il me tiendra caché dans le secret de sa tente ; il m’élèvera sur un rocher. | 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. |
| 6 Et maintenant, ma tête sera élevée par dessus mes ennemis qui sont à l’entour de moi ; et je sacrifierai dans sa tente des sacrifices de cris de réjouissance ; je chanterai et je psalmodierai à l’Éternel. | 6 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho. |
| * | * |
| 7 Éternel ! écoute ; de ma voix, je crie [à toi] : use de grâce envers moi, et réponds-moi. | 7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. |
| 8 Mon cœur a dit pour toi : Cherchez ma face. Je chercherai ta face, ô Éternel ! | 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; |
| 9 Ne me cache pas ta face, ne repousse point ton serviteur avec colère. Tu as été mon secours ; ne me délaisse pas, et ne m’abandonne pas, ô Dieu de mon salut ! | 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. |
| 10 Quand mon père et ma mère m’auraient abandonné, l’Éternel me recueillera. | 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho] |
| 11 Éternel ! enseigne-moi ton chemin, et conduis-moi dans [le] sentier uni, à cause de mes ennemis. | 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. |
| 12 Ne me livre pas au désir de mes adversaires ; car de faux témoins se sont levés contre moi, et des gens qui respirent la violence. | 12 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. |
| 13 Si je n’avais pas eu la confiance que je verrais la bonté de l’Éternel dans la terre des vivants… ! | 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona. |
| * | * |
| 14 Attends-toi à l’Éternel ; fortifie-toi, et que ton cœur soit ferme*: oui, attends-toi à l’Éternel. | 14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah. |
| — v. 14 : quelques-uns : et il fortifiera ton cœur. | |
| PSAUME 28 | PSAUME 28 |
| De David. | De David. |
| 1 Éternel ! je crie à toi ; mon rocher ! ne te tais point envers* moi ; de peur que, si tu gardes le silence envers moi, je ne sois fait semblable à ceux qui descendent dans la fosse. | 1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho. |
| 2 Écoute la voix de mes supplications quand je crie à toi, quand j’élève mes mains vers l’oracle de ta sainteté. | 2 Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho. |
| 3 Ne m’entraîne pas avec les méchants, ni avec les ouvriers d’iniquité, qui parlent paix avec leur prochain, tandis que la méchanceté est dans leur cœur. | 3 Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. |
| 4 Donne-leur selon leur œuvre et selon l’iniquité de leurs actions ; donne-leur selon l’ouvrage de leurs mains, rends-leur selon ce qu’ils ont fait. | 4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany. |
| 5 Parce qu’ils* ne discernent pas les œuvres de l’Éternel, ni l’ouvrage de ses mains, il les détruira et ne les édifiera point. | 5 Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny. |
| — v. 1 : proprement : de vers. — v. 5 : ou : Car ils. | |
| * | * |
| 6 Béni soit l’Éternel ! car il a entendu la voix de mes supplications. | 6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy. |
| 7 L’Éternel est ma force et mon bouclier ; en lui mon cœur a eu sa confiance, et j’ai été secouru ; et mon cœur se réjouit, et je le célébrerai dans mon cantique. | 7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. |
| 8 L’Éternel est leur force, et il est le lieu fort des délivrances de son oint. | 8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony. |
| 9 Sauve ton peuple, et bénis ton héritage ; et pais-les, et élève-les pour toujours. | 9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento] |
| PSAUME 29 | PSAUME 29 |
| Psaume de David. | Psaume de David. |
| 1 Rendez à l’Éternel, fils des forts, rendez à l’Éternel la gloire et la force ! | 1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah. |
| 2 Rendez à l’Éternel la gloire de son nom ; adorez l’Éternel en sainte magnificence ! | 2 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina. |
| * | * |
| 3 La voix de l’Éternel est sur les eaux ; le *Dieu de gloire fait tonner, — l’Éternel sur les grandes eaux. | 3 Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be. |
| 4 La voix de l’Éternel est puissante, la voix de l’Éternel est magnifique. | 4 Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra. |
| 5 La voix de l’Éternel brise les cèdres : l’Éternel brise les cèdres du Liban, | 5 Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona. |
| 6 Et il les fait bondir comme un veau, le Liban et le Sirion comme un jeune buffle. | 6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga. |
| 7 La voix de l’Éternel fait jaillir des sillons de feu. | 7 Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo; |
| 8 La voix de l’Éternel fait trembler le désert ; l’Éternel fait trembler le désert de Kadès. | 8 Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy. |
| 9 La voix de l’Éternel fait faonner les biches, et dépouille les forêts ; et dans son temple tout dit : Gloire ! | 9 Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e! |
| * | * |
| 10 L’Éternel s’assied sur les flots*, l’Éternel s’assied comme roi à toujours. | 10 Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay. |
| il L Éternel donnera force à son peuple, l’Éternel bénira son peuple par la paix. | 11 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana. |
| — v. 10 : même mot que déluge, Genèse 6:17, etc. | |
| PSAUME 30 | PSAUME 30 |
| Psaume. Cantique de dédicace de la maison. De David. | Psaume. Cantique de dédicace de la maison. De David. |
| 1 Éternel ! je t’exalterai, parce que tu m’as délivré*, et que tu n’as pas réjoui mes ennemis à mon sujet. | 1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho. |
| 2 Éternel, mon Dieu ! j’ai crié à toi, et tu m’as guéri. | 2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. |
| 3 Éternel ! tu as fait remonter mon âme du shéol ; tu m’as rendu la vie, d’entre ceux qui descendent dans la fosse. | 3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola] |
| — v. 1 : litt.: tiré dehors. | |
| * | * |
| 4 Chantez à l’Éternel, vous, ses saints*, et célébrez la mémoire de sa sainteté. | 4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana] |
| 5 Car il y a un moment dans sa colère, il y a une vie dans sa faveur ; le soir, les pleurs viennent loger [avec nous], et le matin il y a un chant de joie. | 5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. |
| 6 Et moi, j’ai dit dans ma prospérité : Je ne serai jamais ébranlé. | 6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako] |
| 7 Éternel ! par ta faveur, tu as donné la stabilité et la force à ma montagne… ; tu as caché ta face, j’ai été épouvanté. | 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. |
| 8 Éternel ! j’ai crié à toi, et j’ai supplié le Seigneur* : | 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: |
| 9 Quel profit y a-t-il en mon sang, quand je descendrais dans la fosse ? La poussière te célébrera-t-elle ? Annoncera-t-elle ta vérité ? | 9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? |
| 10 Écoute, ô Éternel ! et use de grâce envers moi ; Éternel, sois-moi en aide. | 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. |
| 11 Tu as changé mon deuil en allégresse*, tu as détaché mon sac, et tu m’as ceint de joie ; | 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, |
| 12 Afin que [mon] âme* te loue par des cantiques et ne se taise point. Éternel, mon Dieu ! je te célébrerai à toujours. | 12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro] |
| — v. 4 : ailleurs : hommes pieux ; voir 2 Chron. 6:41, 42. — v. 8 : plusieurs : l’Éternel. — v. 11 : litt.: danse. — v. 12 : hébreu : gloire. | |
| PSAUME 31 | PSAUME 31 |
| Au chef de musique. Psaume de David. | Au chef de musique. Psaume de David. |
| 1 En toi, Éternel, j’ai placé ma confiance ; que je ne sois jamais confus ; délivre-moi dans ta justice. | 1 [Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. |
| 2 Incline vers moi ton oreille, hâte-toi, délivre-moi ; sois pour moi un rocher, une forteresse, une maison [qui me soit] un lieu fort, afin de me sauver. | 2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. |
| 3 Car tu es mon rocher et mon lieu fort ; à cause de ton nom, mène-moi et conduis-moi. | 3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. |
| 4 Fais-moi sortir du filet qu’ils ont caché pour moi ; car toi, tu es ma force. | 4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. |
| 5 En ta main je remets mon esprit ; tu m’as racheté, ô Éternel, *Dieu de vérité ! | 5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. |
| * | * |
| 6 J’ai haï ceux qui prennent garde aux vaines idoles ; mais moi, je me confierai en l’Éternel. | 6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga] |
| 7 Je m’égayerai, et je me réjouirai en ta bonté ; car tu as regardé mon affliction, tu as connu les détresses de mon âme ; | 7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko, |
| 8 Et tu ne m’as pas livré en la main de l’ennemi, tu as fait tenir mes pieds au large. | 8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao. |
| 9 Éternel ! use de grâce envers moi, car je suis dans la détresse ; mon œil dépérit de chagrin, mon âme et mon ventre ; | 9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako. |
| 10 Car ma vie se consume dans la tristesse, et mes années dans le gémissement ; ma force déchoit à cause de mon iniquité, et mes os dépérissent. | 10 Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako. |
| 11 Plus qu’à* tous mes ennemis, je suis un opprobre aussi à mes voisins, [même] extrêmement, et une frayeur à ceux de ma connaissance ; ceux qui me voient dehors s’enfuient de moi. | 11 Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy. |
| 12 Je suis oublié de leur cœur comme un mort, j’ai été comme un vase de rebut. | 12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho. |
| 13 Car j’ai entendu les diffamations de plusieurs, — la terreur de tous côtés ! — quand ils consultaient ensemble contre moi : ils complotent de m’ôter la vie. | 13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko. |
| 14 Mais moi, ô Éternel, je me suis confié en toi ; j’ai dit : Tu es mon Dieu. | 14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao. |
| — v. 11 : quelques-uns : À cause de. | |
| * | * |
| 15 Mes temps sont en ta main ; délivre-moi de la main de mes ennemis et de ceux qui me poursuivent. | 15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy. |
| 16 Fais luire ta face sur ton serviteur ; sauve-moi par ta bonté. | 16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. |
| 17 Éternel ! que je ne sois pas confus, car je t’ai invoqué ! Que les méchants soient confus, qu’ils se taisent dans le shéol ! | 17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola] |
| 18 Qu’elles soient muettes, les lèvres menteuses qui parlent contre le juste insolemment, avec orgueil et mépris. | 18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana. |
| * | * |
| 19 Oh ! que ta bonté est grande, que tu as mise en réserve pour ceux qui te craignent, [et] dont tu uses devant les fils des hommes envers ceux qui se confient en toi ! | 19 Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao! |
| 20 Tu les caches dans le lieu secret de ta face, loin des complots de l’homme ; tu les mets à couvert dans une loge, loin des contestations des langues. | 20 Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy. |
| 21 Béni soit l’Éternel, car il a rendu admirable sa bonté envers moi dans une ville forte ! | 21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda. |
| 22 Et moi, je disais en mon agitation : Je suis retranché de devant tes yeux. Néanmoins tu as entendu la voix de mes supplications, quand j’ai crié à toi. | 22 Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho. |
| * | * |
| 23 Aimez l’Éternel, vous tous ses saints* ! L’Éternel garde les fidèles, et il rétribue largement celui qui agit avec orgueil. | 23 Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy. |
| 24 Fortifiez-vous, et que votre cœur soit ferme, vous tous qui avez votre attente en l’Éternel. | 24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah. |
| — v. 23 : comme 30:4. | |
| PSAUME 32 | PSAUME 32 |
| De David. Instruction. | De David. Instruction. |
| 1 Bienheureux celui dont la transgression est pardonnée, [et] dont le péché est couvert ! | 1 [Ny amin'ny famelan-keloka] Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. |
| 2 Bienheureux l’homme à qui l’Éternel ne compte pas l’iniquité, et dans l’esprit duquel il n’y a point de fraude. | 2 Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. |
| * | * |
| 3 Quand je me suis tu, mes os ont dépéri, quand je rugissais tout le jour, | 3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, |
| 4 Car jour et nuit ta main s’appesantissait sur moi ; ma vigueur* s’est changée en une sécheresse d’été. Sélah. | 4 Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona. |
| — v. 4 : litt.: ma sève. | |
| * | * |
| 5 Je t’ai fait connaître mon péché, et je n’ai pas couvert mon iniquité ; j’ai dit : Je confesserai mes transgressions à l’Éternel ; et toi, tu as pardonné l’iniquité de mon péché. Sélah. | 5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. |
| 6 C’est pourquoi tout homme pieux te priera au temps où l’on te trouve ; certainement, en un déluge de grandes eaux, celles-ci ne l’atteindront pas. | 6 Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. |
| 7 Tu es mon asile ; tu me gardes de détresse, tu m’entoures des chants de triomphe de la délivrance. Sélah. | 7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. |
| * | * |
| 8 Je t’instruirai, et je t’enseignerai le chemin où tu dois marcher ; je te conseillerai, ayant mon œil sur toi. | 8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. |
| 9 Ne soyez pas comme le cheval, comme le mulet, qui n’ont pas d’intelligence, dont l’ornement est la bride et le mors, pour les refréner quand ils ne veulent pas s’approcher* de toi. | 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. |
| — v. 9 : ou, selon quelques-uns : de peur qu’ils n’approchent. | |
| * | * |
| 10 Le méchant a beaucoup d’afflictions ; mais [l’homme] qui se confie en l’Éternel, la bonté l’environnera. | 10 Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po. |
| * | * |
| 11 Réjouissez-vous en l’Éternel, et égayez-vous, justes ! et jetez des cris de joie, vous tous qui êtes droits de cœur. | 11 Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra. |
| PSAUME 33 | PSAUME 33 |
| 1 Exultez en l’Éternel, vous justes ! aux hommes droits sied la louange. | 1 [Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana. |
| 2 Célébrez l’Éternel avec la harpe ; chantez ses louanges sur le luth à dix cordes ; | 2 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo. |
| 3 Chantez-lui un cantique nouveau ; pincez habilement de vos instruments avec un cri de joie. | 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana. |
| 4 Car la parole de l’Éternel est droite, et toute son œuvre est avec vérité. | 4 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. |
| 5 Il aime la justice et le jugement* ; la terre est pleine de la bonté de l’Éternel. | 5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. |
| — v. 5 : juste jugement. | |
| * | * |
| 6 Les cieux ont été faits par la parole de l’Éternel, et toute leur armée par l’esprit de sa bouche. | 6 Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. |
| 7 Il amasse comme un monceau les eaux de la mer, il met dans des réservoirs les abîmes. | 7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy. |
| 8 Que toute la terre craigne l’Éternel ; que tous les habitants du monde le redoutent ! | 8 Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao. |
| 9 Car, lui, il a parlé, et [la chose] a été ; il a commandé, et elle s’est tenue là. | 9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. |
| * | * |
| 10 L’Éternel dissipe le conseil des nations, il met à néant les desseins des peuples. | 10 Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. |
| 11 Le conseil de l’Éternel subsiste à toujours, les desseins de son cœur, de génération en génération. | 11 Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby. |
| * | * |
| 12 Bienheureuse la nation qui a l’Éternel pour son Dieu, le peuple qu’il a choisi pour son héritage ! | 12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. |
| 13 L’Éternel regarde des cieux ; il voit tous les fils des hommes. | 13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy; |
| 14 Du lieu* de sa demeure il considère tous les habitants de la terre. | 14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany, |
| 15 C’est lui qui forme leur cœur à tous, qui prend connaissance de toutes leurs œuvres. | 15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra. |
| 16 Un roi n’est pas sauvé par la multitude de son armée, et l’homme puissant n’est pas délivré par sa grande force ; | 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. |
| 17 Le cheval est une chose vaine pour sauver, et il ne délivre point par la grandeur de sa force. | 17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny. |
| 18 Voici, l’œil de l’Éternel est sur ceux qui le craignent, sur ceux qui s’attendent à sa bonté, | 18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, |
| 19 Pour délivrer leur âme de la mort, et pour les conserver en vie durant la famine. | 19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. |
| — v. 14 : lieu fixe, voir 1 Rois 8:39. | |
| * | * |
| 20 Notre âme s’attend à l’Éternel ; il est notre aide et notre bouclier. | 20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. |
| 21 Car notre cœur se réjouira en lui, puisqu’en son saint nom nous avons mis notre confiance. | 21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. |
| 22 Que ta bonté, ô Éternel ! soit sur nous, selon que nous nous sommes attendus à toi. | 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao. |
| PSAUME 34* | PSAUME 34* |
| De David, quand il dissimula sa raison devant Abimélec**, qui le chassa, et il s’en alla. | De David, quand il dissimula sa raison devant Abimélec**, qui le chassa, et il s’en alla. |
| — * : voir la note au Psaume 25. — ** : titre des rois philistins (?). | |
| 1 Je bénirai l’Éternel en tout temps ; sa louange sera continuellement dans ma bouche. | 1 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. |
| 2 Mon âme se glorifiera en l’Éternel ; les débonnaires l’entendront, et se réjouiront. | 2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay. |
| 3 Magnifiez l’Éternel avec moi, et exaltons ensemble son nom. | 3 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. |
| * | * |
| 4 J’ai cherché l’Éternel ; et il m’a répondu, et m’a délivré de toutes mes frayeurs. | 4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra. |
| 5 Ils ont regardé vers lui, et ils ont été illuminés, et leurs faces n’ont pas été* confuses. | 5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. |
| 6 Cet affligé a crié ; et l’Éternel l’a entendu, et l’a sauvé de toutes ses détresses. | 6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. |
| — v. 5 : ou : ne seront pas. | |
| * | * |
| 7 L’ange de l’Éternel campe autour de ceux qui le craignent, et les délivre. | 7 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. |
| 8 Goûtez et voyez que l’Éternel est bon ! Bienheureux l’homme qui se confie en lui ! | 8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. |
| 9 Craignez l’Éternel, vous ses saints ; car rien ne manque à ceux qui le craignent. | 9 Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. |
| 10 Les lionceaux souffrent disette, et ont faim ; mais ceux qui cherchent l’Éternel ne manquent d’aucun bien. | 10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. |
| * | * |
| 11 Venez, fils, écoutez-moi : je vous enseignerai la crainte de l’Éternel. | 11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. |
| 12 Qui est l’homme qui prenne plaisir à la vie [et] qui aime les jours pour voir du bien ? | 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, |
| 13 Garde ta langue du mal, et tes lèvres de proférer la tromperie ; | 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. |
| 14 Retire-toi du mal, et fais le bien ; cherche la paix, et poursuis-la. | 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. |
| 15 Les yeux de l’Éternel [regardent] vers les justes, et ses oreilles sont [ouvertes] à leur cri. | 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. |
| 16 La face de l’Éternel est contre ceux qui font le mal, pour retrancher de la terre leur mémoire. | 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. |
| 17 [Les justes] crient, et l’Éternel entend, et il les délivre de toutes leurs détresses. | 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. |
| 18 L’Éternel est près de ceux qui ont le cœur brisé, et il sauve ceux qui ont l’esprit abattu. | 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. |
| * | * |
| 19 Les maux du juste sont en grand nombre ; mais l’Éternel le délivre de tous : | 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. |
| 20 Il garde tous ses os, pas un d’eux n’est cassé. | 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. |
| 21 Le mal fera mourir le méchant ; et ceux qui haïssent le juste en porteront la peine. | 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. |
| 22 L’Éternel rachète l’âme de ses serviteurs ; et aucun de ceux qui se confient en lui ne sera tenu pour coupable. | 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. |
| PSAUME 35 | PSAUME 35 |
| De David | De David |
| 1 Éternel ! conteste contre ceux qui contestent contre moi ; fais la guerre à ceux qui me font la guerre. | 1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hamaly ny ratsy ataon'ny mpanenjika] Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy. |
| 2 Saisis l’écu et le bouclier, et lève-toi à mon secours. | 2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy. |
| 3 Tire la lance, et barre le chemin au devant de ceux qui me poursuivent ! Dis à mon âme : Je suis ton salut ! | 3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho. |
| * | * |
| 4 Que ceux qui cherchent ma vie soient honteux et confus ; que ceux qui complotent mon malheur se retirent en arrière et soient confondus. | 4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy. |
| 5 Qu’ils soient comme la balle devant le vent, et que l’ange de l’Éternel les chasse ! | 5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy. |
| 6 Que leur chemin soit ténèbres et lieux glissants, et que l’ange de l’Éternel les poursuive ! | 6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy. |
| 7 Car, sans cause, ils ont préparé secrètement pour moi leur filet ; sans cause, ils ont creusé une fosse pour mon âme. | 7 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko. |
| 8 Qu’une ruine qu’il n’a pas connue vienne sur lui, et que son filet qu’il a caché le prenne : qu’il y tombe, pour sa ruine. | 8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy. |
| 9 Et mon âme s’égayera en l’Éternel, elle se réjouira en son salut. | 9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny. |
| 10 Tous mes os diront : Éternel ! qui est comme toi, qui délivres l’affligé de celui qui est plus fort que lui, et l’affligé et le pauvre de celui qui les pille ? | 10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy? |
| * | * |
| 11 Des témoins violents se lèvent, ils m’interrogent sur des choses que je n’ai pas connues ; | 11 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy. |
| 12 Ils m’ont rendu le mal pour le bien : mon âme est dans l’abandon. | 12 Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko. |
| 13 Mais moi, quand ils ont été malades, je me vêtais d’un sac ; j’humiliais mon âme dans le jeûne, et ma prière retournait dans mon sein. | 13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako. |
| 14 J’ai marché comme si c’eût été mon compagnon, mon frère ; triste, je me suis courbé comme celui qui mène deuil pour sa mère. | 14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho. |
| 15 Mais, dans mon adversité, ils se sont réjouis et se sont rassemblés ; les calomniateurs se sont rassemblés contre moi, et je ne l’ai pas su ; ils m’ont déchiré et n’ont pas cessé ; | 15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro*; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona faraidina, izay fantatro, no nitangorona hamely ahy] |
| 16 Avec d’impies* parasites moqueurs ils ont grincé les dents contre moi. | 16 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka* izy ka nihidy vazana tamiko.[Heb. hahazoa-mofo; na;tena mpanendrikendrika indrindra] |
| — v. 16 : ou : hypocrites. | |
| * | * |
| 17 Seigneur ! jusques à quand regarderas-tu ? Retire mon âme de leurs destructions, mon unique, des jeunes lions. | 17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora. |
| 18 Je te célébrerai dans la grande congrégation, je te louerai au milieu d’un grand* peuple. | 18 Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho. |
| 19 Que ceux qui sont à tort mes ennemis ne se réjouissent pas de moi ; que ceux qui me haïssent sans cause ne clignent pas l’œil. | 19 Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana. |
| 20 Car ils ne parlent pas de paix ; mais ils méditent des tromperies contre les hommes paisibles du pays. | 20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany. |
| 21 Et ils ont élargi leur bouche contre moi ; ils ont dit : Ha ha ! ha ha ! notre œil l’a vu. | 21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay. |
| 22 Tu l’as vu, Éternel ! ne garde pas le silence : Seigneur ! ne t’éloigne pas de moi. | 22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy. |
| 23 Éveille-toi, réveille-toi, pour me faire droit, mon Dieu et Seigneur, pour soutenir ma cause. | 23 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin'ny adiko. |
| 24 Juge-moi selon ta justice, ô Éternel, mon Dieu ! et qu’ils ne se réjouissent pas à mon sujet. | 24 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho. |
| 25 Qu’ils ne disent pas dans leur cœur : Ha ha ! [voilà] notre désir* ! Qu’ils ne disent pas : Nous l’avons englouti. | 25 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy. |
| 26 Que ceux qui se réjouissent de mon malheur soient tous ensemble honteux et confus ; que ceux qui s’élèvent orgueilleusement contre moi soient couverts de honte et de confusion. | 26 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko. |
| 27 Qu’ils exultent et qu’ils se réjouissent ceux qui sont affectionnés à ma justice ; et qu’ils disent continuellement : Magnifié soit l’Éternel, qui prend plaisir à la paix de son serviteur ! | 27 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony. |
| 28 Et ma langue redira ta justice, ta louange, tout le jour. | 28 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva. |
| — v. 18 : ou : fort. — v. 25 : hébreu : âme. | |
| PSAUME 36 | PSAUME 36 |
| Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel. De David. | Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel. De David. |
| 1 La transgression du méchant dit*, au dedans de mon cœur, qu’il n’y a point de crainte de Dieu devant ses yeux. | 1 [Ny maharatsy ny miala amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe*: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:] |
| 2 Car il se flatte à ses propres yeux quand son iniquité se présente pour être haïe. | 2 Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy. |
| 3 Les paroles de sa bouche sont iniquité et tromperie ; il s’est désisté d’être sage, de faire le bien. | 3 Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa. |
| 4 Il médite la vanité* sur son lit ; il se tient sur un chemin qui n’est pas bon ; il n’a point en horreur le mal. | 4 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. |
| — v. 1 : dire, dans le sens de la diction oraculaire ; ici et Ps. 110:1. — v. 4 : ou : le mal. | |
| * | * |
| 5 Éternel, ta bonté est dans les cieux, ta fidélité [atteint] jusqu’aux nues. | 5 Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. |
| 6 Ta justice est comme de hautes montagnes* ; tes jugements sont un grand abîme. Éternel, tu sauves l’homme et la bête. | 6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra] |
| 7 Combien est précieuse ta bonté, ô Dieu ! Aussi les fils des hommes se réfugient sous l’ombre de tes ailes. | 7 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona. |
| 8 Ils seront abondamment rassasiés de la graisse de ta maison, et tu les abreuveras au fleuve de tes délices ; | 8 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy. |
| 9 Car par devers toi est la source de la vie, en ta lumière nous verrons la lumière. | 9 Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. |
| 10 Continue ta bonté à ceux qui te connaissent, et ta justice à ceux qui sont droits de cœur. | 10 Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo. |
| 11 Que le pied de l’orgueil ne m’atteigne pas, et que la main des méchants ne me chasse pas loin. | 11 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy. |
| 12 Là sont tombés les ouvriers d’iniquité ; ils ont été renversés, et n’ont pu se relever. | 12 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina. |
| — v. 6 : litt.: montagnes de *Dieu. | |
| PSAUME 37* | PSAUME 37* |
| De David. | De David. |
| — * : La lettre hébraïque initiale de chaque alinéa de ce psaume suit l’ordre alphabétique. | |
| 1 Ne t’irrite pas à cause de ceux qui font le mal, ne sois pas jaloux de ceux qui pratiquent l’iniquité ; | 1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; |
| 2 car bientôt, comme l’herbe, ils seront fauchés, et, comme l’herbe verte, ils se faneront. | 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. |
| 3 Confie-toi en l’Éternel et pratique le bien ; habite le pays, et repais-toi de* fidélité, | 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. |
| 4 et fais tes délices de l’Éternel : et il te donnera les demandes de ton cœur. | 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. |
| — v. 3 : ou : adonne-toi à la. | |
| 5 Remets ta voie sur l’Éternel, et confie-toi en lui ; | 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. |
| 6 et lui, il agira, et il produira* ta justice comme la lumière, et ton droit comme le plein midi. | 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. |
| — v. 6 : litt.: fera sortir. | |
| 7 Demeure tranquille, [appuyé] sur l’Éternel, et attends-toi à lui. Ne t’irrite pas à cause de celui qui prospère dans son chemin, à cause de l’homme qui vient à bout de ses desseins. | 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy. |
| 8 Laisse la colère et abandonne le courroux ; ne t’irrite pas, au moins pour faire le mal : | 8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany. |
| 9 car ceux qui font le mal seront retranchés, et ceux qui s’attendent à l’Éternel, ceux-là posséderont le pays. | 9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany. |
| 10 Encore un peu de temps, et le méchant ne sera plus ; et tu considéreras son lieu, et il n’y sera plus ; | 10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy. |
| 11 et les débonnaires posséderont le pays, et feront leurs délices d’une abondance de paix. | 11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana. |
| * | * |
| 12 Le méchant complote contre le juste, et grince les dents contre lui : | 12 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy. |
| 13 le Seigneur se rira de lui, car il voit que son jour vient. | 13 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny. |
| 14 Les méchants ont tiré l’épée et on bandé leur arc, pour faire tomber l’affligé et le pauvre, pour égorger ceux qui marchent dans la droiture : | 14 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana. |
| 15 leur épée entrera dans leur cœur, et leurs arcs seront brisés. | 15 Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka. |
| 16 Mieux vaut le peu du juste que l’abondance de beaucoup de méchants ; | 16 Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro. |
| 17 car les bras des méchants seront brisés, mais l’Éternel soutient les justes. | 17 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina. |
| 18 L’Éternel connaît les jours de ceux qui sont intègres, et leur héritage sera pour toujours : | 18 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay. |
| 19 ils ne seront pas confus au mauvais temps, et ils seront rassasiés aux jours de la famine. | 19 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy. |
| 20 Car les méchants périront, et les ennemis de l’Éternel comme la graisse des agneaux* ; ils s’en iront, comme la fumée ils s’en iront. | 20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy. |
| — v. 20 : d’autres : comme l’éclat des prairies. | |
| 21 Le méchant emprunte, et ne rend pas ; mais le juste use de grâce, et donne : | 21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra] |
| 22 car ceux qui sont bénis de lui posséderont le pays ; mais ceux qui sont maudits de lui seront retranchés. | 22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana. |
| * | * |
| 23 Par l’Éternel les pas de l’homme sont affermis, et il prend plaisir à sa voie : | 23 Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. |
| 24 s’il tombe, il ne sera pas entièrement abattu ; car l’Éternel lui soutient la main. | 24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. |
| 25 J’ai été jeune, et je suis vieux, et je n’ai pas vu le juste abandonné, ni sa semence cherchant du pain : | 25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina. |
| 26 il use de grâce tout le jour, et il prête ; et sa semence sera en bénédiction. | 26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina. |
| 27 Retire-toi du mal, et fais le bien, et demeure pour toujours ; | 27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao. |
| 28 car l’Éternel aime la droiture, et il n’abandonnera pas ses saints*: ils seront gardés à toujours, mais la semence des méchants sera retranchée. | 28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana, |
| — v. 28 : comme 30:4. | |
| 29 Les justes posséderont le pays, et ils l’habiteront à perpétuité. | 29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay |
| * | * |
| 30 La bouche du juste profère la sagesse, et sa langue parle la droiture ; | 30 Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny. |
| 31 la loi de son Dieu est dans son cœur, ses pas ne chancelleront pas. | 31 Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany. |
| 32 Le méchant épie le juste, et cherche à le faire mourir : | 32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy. |
| 33 l’Éternel ne l’abandonnera pas entre ses mains, et ne le condamnera pas, quand il sera jugé. | 33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy. |
| 34 Attends-toi à l’Éternel, et garde sa voie ; et il t’élèvera afin que tu possèdes le pays : quand les méchants seront retranchés, tu le verras. | 34 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao. |
| * | * |
| 35 J’ai vu le méchant puissant, et s’étendant comme un arbre vert croissant dans son lieu natal ; | 35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy; |
| 36 mais il* passa, et voici, il n’était plus ; et je l’ai cherché, et il ne s’est plus trouvé. | 36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy. |
| — v. 36 : ou : on. | |
| 37 Prends garde à l’homme intègre, et regarde l’homme droit, car la fin* d’un [tel] homme est la paix ; | 37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany] |
| 38 mais les transgresseurs seront détruits ensemble ; la fin* des méchants, c’est d’être retranché** ; | 38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra. |
| — v. 37, 38* : ou : l’avenir. — v. 38** : ou : sera retranchée. | |
| 39 Mais le salut des justes vient de l’Éternel ; il est leur force au temps de la détresse, et l’Éternel leur aidera et les délivrera ; | 39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy. |
| 40 il les délivrera des méchants et les sauvera, car ils se sont confiés en lui. | 40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy. |
| PSAUME 38 | PSAUME 38 |
| Psaume de David, pour faire souvenir. | Psaume de David, pour faire souvenir. |
| 1 Éternel ! ne me reprends pas dans ta colère, et ne me châtie pas dans ta fureur. | 1 [Fivavak'izay ory dia ory indrindra] Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. |
| * | * |
| 2 Car tes flèches ont pénétré* en moi, et ta main est descendue sur moi. | 2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao, |
| 3 Il n’y a rien d’entier en ma chair, à cause de ton indignation ; point de paix dans mes os, à cause de mon péché. | 3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. |
| 4 Car mes iniquités ont passé sur* ma tête ; comme un pesant fardeau, elles sont trop pesantes pour moi. | 4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. |
| 5 Mes plaies sont fétides, elles coulent, à cause de ma folie. | 5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. |
| 6 Je suis accablé et extrêmement courbé ; tout le jour je marche dans le deuil ; | 6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. |
| 7 Car mes reins sont pleins d’inflammation, et il n’y a rien d’entier dans ma chair. | 7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. |
| 8 Je suis languissant et extrêmement brisé ; je rugis dans le frémissement de mon cœur. | 8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko. |
| — v. 2 : litt.: sont descendues. — v. 4 : c. à d. comme des eaux ; — ou : dépassé. | |
| * | * |
| 9 Seigneur ! tout mon désir est devant toi, et mon gémissement ne t’est point caché. | 9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. |
| 10 Mon cœur bat fort, ma force m’a abandonné, et la lumière de mes yeux aussi n’est plus avec moi. | 10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy. |
| 11 Ceux qui m’aiment, et mes compagnons, se tiennent loin de ma plaie, et mes proches se tiennent à distance, | 11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. |
| 12 Et ceux qui cherchent ma vie me tendent des pièges, et ceux qui cherchent mon mal parlent de malheurs* et disent** des tromperies tout le jour. | 12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva. |
| — v. 12* : malheur, ruine. — v. 12** : ou : méditent. | |
| * | * |
| 13 Et moi, comme un sourd, je n’entends pas, et, comme un muet, je n’ouvre pas la bouche. | 13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; |
| 14 Je suis devenu comme un homme qui n’entend point et dans la bouche duquel il n’y a pas de réplique. | 14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. |
| 15 Car je m’attends à toi, Éternel ! Toi, tu répondras, Seigneur, mon Dieu ! | 15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. |
| 16 Car j’ai dit : Qu’ils ne se réjouissent pas à mon sujet ! Quand mon pied chancelle, ils s’élèvent orgueilleusement contre moi. | 16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. |
| 17 Car je suis prêt à boiter, et ma douleur est toujours devant moi ; | 17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. |
| 18 Car je déclarerai mon iniquité ; je suis en peine pour mon péché. | 18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo] |
| 19 Et mes ennemis sont vivants, ils sont forts, et ceux qui me haïssent sans motif sont nombreux ; | 19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; |
| 20 Et ceux qui me rendent le mal pour le bien sont mes adversaires, parce que je poursuis ce qui est bon. | 20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara. |
| 21 Éternel ! ne m’abandonne point ; mon Dieu ! ne t’éloigne pas de moi. | 21 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. |
| 22 Hâte-toi de me secourir, Seigneur, mon salut ! | 22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô. |
| PSAUME 39 | PSAUME 39 |
| Au chef de musique, à Jeduthun. Psaume de David. | Au chef de musique, à Jeduthun. Psaume de David. |
| 1 J’ai dit : Je prendrai garde à mes voies, afin que je ne pèche point par ma langue ; je garderai ma bouche avec une muselière pendant que le méchant est devant moi. | 1 [Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao] Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy. |
| 2 J’ai été muet, dans le silence ; je me suis tu à l’égard du bien ; et ma douleur a été excitée. | 2 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo anatrehan'ny tsara fanahy aza] |
| 3 Mon cœur s’est échauffé au dedans de moi ; dans ma méditation le feu s’est allumé, j’ai parlé de ma langue : | 3 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho. |
| 4 Éternel ! fais-moi connaître ma fin, et la mesure de mes jours, ce qu’elle est ; je saurai combien je suis fragile. | 4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. |
| 5 Voici, tu m’as donné des jours comme la largeur d’une main, et ma durée est comme un rien devant toi. Certainement, tout homme qui se tient debout n’est que vanité. Sélah. | 5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra] |
| 6 Certainement l’homme se promène parmi* ce qui n’a que l’apparence ; certainement il s’agite en vain ; il amasse [des biens], et il ne sait qui les recueillera. | 6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany. |
| — v. 6 : litt.: en. | |
| * | * |
| 7 Et maintenant, qu’est-ce que j’attends, Seigneur ? Mon attente est en toi. | 7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko. |
| 8 Délivre-moi de toutes mes transgressions ; ne me livre pas à l’opprobre de l’insensé. | 8 Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala. |
| 9 Je suis resté muet, je n’ai pas ouvert la bouche, car c’est toi qui l’as fait. | 9 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao. |
| 10 Retire de dessus moi ta plaie : je suis consumé par les coups de ta main. | 10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao. |
| 11 Quand tu châties un homme, en le corrigeant à cause de l’iniquité, tu consumes* comme la teigne sa beauté ; certainement, tout homme n’est que vanité. Sélah. | 11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. |
| — v. 11 : litt.: fais fondre. | |
| * | * |
| 12 Écoute ma prière, ô Éternel ! et prête l’oreille à mon cri ; ne sois pas sourd à mes larmes, car je suis un étranger, un hôte, chez toi, comme tous mes pères. | 12 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra. |
| 13 Détourne tes regards de moi, et que je retrouve ma force, avant que je m’en aille et que je ne sois plus. | 13 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony. |
| * | * |
| PSAUME 40 | PSAUME 40 |
| Au chef de musique. De David. Psaume. | Au chef de musique. De David. Psaume. |
| 1 J’ai attendu patiemment l’Éternel ; et il s’est penché vers moi, et a entendu mon cri. | 1 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. |
| 2 Il m’a fait monter hors du puits de la destruction, hors d’un bourbier fangeux ; et il a mis mes pieds sur un roc, il a établi mes pas. | 2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. |
| 3 Et il a mis dans ma bouche un cantique nouveau, la louange de notre Dieu. Plusieurs le verront, et craindront, et se confieront en l’Éternel. | 3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah. |
| * | * |
| 4 Bienheureux l’homme qui a mis en l’Éternel sa confiance, et ne s’est pas tourné vers les orgueilleux et ceux qui se détournent vers le mensonge ! | 4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga. |
| 5 Tu as multiplié, toi, Éternel mon Dieu, tes œuvres merveilleuses et tes pensées envers nous ; on ne peut les arranger devant toi. Si je veux les déclarer et les dire, — elles sont trop nombreuses pour les raconter. | 5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. |
| 6 Au sacrifice et à l’offrande de gâteau tu n’as pas pris plaisir : tu m’as creusé des oreilles ; tu n’as pas demandé d’holocauste ni de sacrifice pour le péché. | 6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao] |
| 7 Alors j’ai dit : Voici, je viens ; il est écrit de moi dans le rouleau du livre. | 7 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy. |
| 8 C’est mes délices, ô mon Dieu, de faire ce qui est ton bon plaisir, et ta loi est au dedans de mes entrailles. | 8 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko. |
| 9 J’ai annoncé la justice dans la grande congrégation ; voici, je n’ai point retenu mes lèvres, Éternel ! tu le sais. | 9 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala. |
| 10 Je n’ai point caché ta justice au dedans de mon cœur ; j’ai parlé de ta fidélité et de ton salut ; je n’ai point célé ta bonté et ta vérité dans* la grande congrégation. | 10 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho. |
| 11 Toi, Éternel ! ne retiens pas loin de moi tes compassions ; que ta bonté et ta vérité me gardent continuellement. | 11 Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva. |
| 12 Car des maux sans nombre m’ont entouré ; mes iniquités m’ont atteint, et je ne puis les regarder ; elles sont plus nombreuses que les cheveux de ma tête, et mon cœur m’a abandonné. | 12 Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. |
| 13 Qu’il te plaise, ô Éternel ! de me délivrer. Éternel ! hâte-toi de me secourir. | 13 Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. |
| 14 Que ceux qui cherchent mon âme pour la détruire soient tous ensemble honteux et confondus ; qu’ils se retirent en arrière et soient confus, ceux qui prennent plaisir à mon malheur. | 14 Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory. |
| 15 Que ceux qui disent de moi : Ha ha ! ha ha ! soient désolés, en récompense de* leur honte. | 15 Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay! |
| 16 Que tous ceux qui te cherchent s’égayent et se réjouissent en toi ; que ceux qui aiment ton salut disent continuellement : Magnifié soit l’Éternel ! | 16 Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah. |
| 17 Et moi, je suis affligé et pauvre : le Seigneur pense à moi. Tu es mon secours et celui qui me délivre. Mon Dieu ! ne tarde pas. | 17 Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô. |
| — v. 10 : litt.: à. — v. 15 : ou : à cause de. | |
| PSAUME 41 | PSAUME 41 |
| Au chef de musique. Psaume de David, | Au chef de musique. Psaume de David, |
| 1 Bienheureux celui qui comprend le pauvre ! Au mauvais jour, l’Éternel le délivrera. | 1 [Fitarainan'ilay ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana. |
| 2 L’Éternel le gardera, et le conservera en vie : il sera rendu heureux sur la terre, et tu ne le livreras point à l’animosité de ses ennemis. | 2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony. |
| 3 L’Éternel le soutiendra sur un lit de langueur. Tu transformeras tout son lit, quand il sera malade. | 3 Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. |
| * | * |
| 4 J’ai dit : Éternel ! use de grâce envers moi, guéris mon âme, car j’ai péché contre toi. | 4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. |
| 5 Mes ennemis me souhaitent du mal : Quand mourra-t-il ? Quand périra son nom ? | 5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? |
| 6 Et si l’un vient me voir, il dit des paroles de fausseté ; son cœur amasse par devers lui l’iniquité ; … il sort dehors, il en parle. | 6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. |
| 7 Tous ceux qui me haïssent chuchotent ensemble contre moi ; ils imaginent du mal contre moi*: | 7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. |
| 8 Quelque œuvre de Bélial est attachée à lui, et maintenant qu’il est couché, il ne se relèvera plus. | 8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. |
| 9 Mon intime ami* aussi, en qui je me confiais, qui mangeait mon pain, a levé le talon contre moi. | 9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. |
| 10 Et toi, Éternel ! use de grâce envers moi et relève-moi, et je [le] leur rendrai. | 10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy. |
| — v. 7 : ou : m’imputent du mal. — v. 9 : litt.: L’homme de ma paix. | |
| * | * |
| 11 À ceci je connais que tu prends plaisir en moi, c’est que mon ennemi ne triomphe pas de moi. | 11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy. |
| 12 Et moi, tu m’as maintenu dans mon intégrité, et tu m’as établi devant toi pour toujours. | 12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. |
| 13 Béni soit l’Éternel, le Dieu d’Israël, de l’éternité jusqu’en éternité ! Amen, oui, amen ! | 13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena. |
| LIVRE DEUXIÈME | LIVRE DEUXIÈME |
| PSAUME 42 | PSAUME 42 |
| Au chef de musique. Instruction. Des fils de Coré. | Au chef de musique. Instruction. Des fils de Coré. |
| 1 Comme le cerf brame après les courants d’eau, ainsi mon âme crie* après toi, ô Dieu ! | 1 [BOKY FAHAROA][Faniriana an'Andriamanitra raha lavitra an'i Ziona] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. |
| 2 Mon âme a soif de Dieu, du *Dieu vivant. Quand viendrai-je et paraîtrai-je devant Dieu ? | 2 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra? |
| 3 Mes larmes ont été mon pain, jour et nuit, quand on me disait tout le jour : Où est ton Dieu ? | 3 Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao? |
| 4 Je me souvenais de ces choses, et je répandais mon âme au dedans de moi : comment j’allais avec la foule, et je m’avançais en leur compagnie, avec une voix de triomphe et de louange, jusqu’à la maison de Dieu,… une multitude en fête. | 4 Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana. |
| — v. 1 : litt.: brame. | |
| * | * |
| 5 Pourquoi es-tu abattue, mon âme, et es-tu agitée au dedans de moi ? Attends-toi à Dieu ; car je le célébrerai encore : sa face est le salut*. | 5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany. |
| 6 Mon Dieu ! mon âme est abattue au dedans de moi ; c’est pourquoi il me souvient de toi depuis le pays du Jourdain et des Hermons, de la montagne de Mitsear. | 6 Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara. |
| — v. 5 : ou : pour le salut de sa face. | |
| * | * |
| 7 Un abîme appelle un autre abîme à la voix de tes cataractes ; toutes tes vagues et tes flots ont passé sur moi. | 7 Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy. |
| 8 De jour, l’Éternel commandera à sa bonté ; et, de nuit, son cantique sera avec moi, ma prière au *Dieu de ma vie. | 8 Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko. |
| 9 Je dirai à *Dieu, mon rocher : Pourquoi m’as-tu oublié ? Pourquoi marché-je en deuil à cause de l’oppression de l’ennemi ? | 9 Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko? |
| 10 Mes adversaires m’outragent comme un brisement dans mes os quand ils me disent tout le jour : Où est ton Dieu ? | 10 Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao? |
| * | * |
| 11 Pourquoi es-tu abattue, mon âme ? et pourquoi es-tu agitée au dedans de moi ? Attends-toi à Dieu ; car je le célébrerai encore : il est le salut de ma face et mon Dieu. | 11 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. |
| PSAUME 43 | PSAUME 43 |
| 1 Juge-moi, ô Dieu ! et prends en main ma cause contre une nation sans piété* ; délivre-moi de l’homme trompeur et inique. | 1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. |
| 2 Car toi, ô Dieu ! tu es ma force* ; pourquoi m’as-tu rejeté ? Pourquoi marché-je en deuil à cause de l’oppression de l’ennemi ? | 2 Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko? |
| 3 Envoie ta lumière et ta vérité : elles me conduiront, elles m’amèneront à ta montagne sainte et à tes demeures. | 3 Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao. |
| 4 Et je viendrai à l’autel de Dieu, au *Dieu de l’allégresse de ma joie ; et je te célébrerai sur la harpe, ô Dieu, mon Dieu ! | 4 Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro. |
| — v. 1 : ailleurs : bonté. — v. 2 : litt.: Dieu de ma force. | |
| * | * |
| 5 Pourquoi es-tu abattue, mon âme ? et pourquoi es-tu agitée au dedans de moi ? Attends-toi à Dieu ; car je le célébrerai encore : il est le salut de ma face et mon Dieu. | 5 Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. |
| * | * |
| PSAUME 44 | PSAUME 44 |
| Au chef de musique. Des fils de Coré. Instruction. | Au chef de musique. Des fils de Coré. Instruction. |
| 1 Ô Dieu ! nous avons entendu de nos oreilles, nos pères nous ont raconté l’œuvre que tu as opérée dans leurs jours, aux jours d’autrefois. | 1 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny. |
| 2 Tu as, par ta main, dépossédé les nations, et tu as planté nos pères* ; tu as affligé les peuples et tu les as chassés**. | 2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. |
| 3 Car ce n’est point par leur épée qu’ils ont possédé le pays, et ce n’est pas leur bras qui les a sauvés ; car c’est ta droite et ton bras et la lumière de ta face, parce que tu avais pris ton plaisir en eux. | 3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. |
| — v. 2* : litt.: les as plantés. — v. 2** : ou : et eux, tu les as étendus. | |
| * | * |
| 4 C’est toi qui es mon roi, ô Dieu ! Commande le salut pour Jacob. | 4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba. |
| 5 Avec toi, nous frapperons nos adversaires ; par ton nom, nous foulerons ceux qui s’élèvent contre nous. | 5 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. |
| 6 Car ce n’est pas en mon arc que je me confie, et mon épée ne me sauvera point ; | 6 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. |
| 7 Car tu nous as sauvés de nos adversaires, et tu rends confus ceux qui nous haïssent. | 7 Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. |
| 8 En Dieu nous nous glorifierons* tout le jour, et nous célébrerons ton nom à toujours. Sélah. | 8 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. |
| — v. 8 : ou : nous célébrerons. | |
| * | * |
| 9 Mais tu nous as rejetés et rendus confus, et tu ne sors plus avec nos armées ; | 9 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao. |
| 10 Tu nous as fait retourner en arrière devant l’adversaire, et ceux qui nous haïssent ont pillé pour eux-mêmes ; | 10 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. |
| 11 Tu nous as livrés comme des brebis [destinées] à être mangées, et tu nous as dispersés parmi les nations ; | 11 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa. |
| 12 Tu as vendu ton peuple pour rien, et tu ne t’es pas agrandi par leur prix* ; | 12 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny. |
| 13 Tu nous as mis en opprobre chez nos voisins, en risée et en raillerie auprès de nos alentours ; | 13 Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay. |
| 14 Tu nous as mis comme proverbe parmi les nations, comme hochement de tête parmi les peuples. | 14 Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro. |
| 15 Tout le jour ma confusion est devant moi, et la honte de ma face m’a couvert, | 15 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, |
| 16 À cause de la voix de celui qui outrage et qui injurie, à cause de l’ennemi et du vengeur. | 16 Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. |
| — v. 12 : ou : n’as pas fait hausser leur prix. | |
| * | * |
| 17 Tout cela nous est arrivé, et nous ne t’avons pas oublié, et nous n’avons pas été infidèles à ton alliance. | 17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. |
| 18 Notre cœur ne s’est pas retiré en arrière, et nos pas n’ont point dévié de ton sentier ; | 18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay. |
| 19 Quoique tu nous aies écrasés dans le lieu des chacals, et que tu nous aies couverts de l’ombre de la mort. | 19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia* sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala] |
| 20 Si nous avions oublié le nom de notre Dieu, et étendu nos mains vers un *dieu étranger, | 20 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa, |
| 21 Dieu ne s’en enquerrait-il pas ? car lui connaît les secrets du cœur. | 21 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. |
| 22 Mais, à cause de toi, nous sommes mis à mort tous les jours, nous sommes estimés comme des brebis de tuerie. | 22 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. |
| * | * |
| 23 Éveille-toi ! Pourquoi dors-tu, Seigneur ? Réveille-toi ; ne nous rejette pas pour toujours. | 23 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. |
| 24 Pourquoi caches-tu ta face, [et] oublies-tu notre affliction et notre oppression ? | 24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? |
| 25 Car notre âme est courbée jusque dans la poussière, notre ventre est attaché à la terre. | 25 Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay. |
| 26 Lève-toi, aide-nous, et rachète-nous à cause de ta bonté. | 26 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao. |
| PSAUME 45 | PSAUME 45 |
| Au chef de musique. Sur Shoshannim*. Des fils de Coré. Instruction. Un cantique du bien-aimé. | Au chef de musique. Sur Shoshannim*. Des fils de Coré. Instruction. Un cantique du bien-aimé. |
| — * : les lis. | |
| 1 Mon cœur bouillonne d’une bonne parole ; je dis ce que j’ai composé au sujet du roi ; ma langue est le style d’un écrivain habile. | 1 [Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako. |
| * | * |
| 2 Tu es plus beau que les fils des hommes ; la grâce est répandue sur tes lèvres : c’est pourquoi Dieu t’a béni à toujours. | 2 Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay. |
| 3 Ceins ton épée sur ton côté, homme vaillant, [dans] ta majesté et ta magnificence ; | 3 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. |
| 4 Et, prospérant dans ta magnificence, mène en avant ton char, à cause de la vérité et de la débonnaireté [et] de la justice ; et ta droite t’enseignera des choses terribles. | 4 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana. |
| 5 Tes flèches sont aiguës, — les peuples tomberont sous toi, — dans le cœur des ennemis du roi. | 5 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka. |
| * | * |
| 6 Ton trône, ô Dieu, est pour toujours et à perpétuité ; c’est un sceptre de droiture que le sceptre de ton règne. | 6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. |
| 7 Tu as aimé la justice, et tu as haï la méchanceté ; c’est pourquoi Dieu, ton Dieu, t’a oint d’une huile de joie au-dessus de tes compagnons. | 7 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao. |
| * | * |
| 8 Tous tes vêtements sont myrrhe, aloès, et casse, [quand tu sors] des palais d’ivoire d’où ils t’ont réjoui*. | 8 Miora sy hazo manitra* ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.[Heb: ahalota] |
| 9 Des filles de rois ont été parmi tes dames d’honneur ; la reine est à ta droite, parée d’or d’Ophir. | 9 Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira. |
| 10 Écoute, fille ! et vois, et incline ton oreille ; et oublie ton peuple et la maison de ton père ; | 10 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; |
| 11 Et le roi désirera ta beauté, car il est ton seigneur : adore-le. | 11 Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany. |
| 12 Et avec une offrande, la fille de Tyr, les plus riches du peuple* rechercheront ta faveur. | 12 Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao. |
| 13 La fille du roi est tout gloire, dans l’intérieur [du palais] ; son vêtement est de broderies d’or. | 13 Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany. |
| 14 Elle sera amenée au roi en vêtements de brocart ; des vierges qui la suivent, ses compagnes, te seront amenées ; | 14 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao. |
| 15 Elles te seront amenées avec joie et allégresse, elles entreront dans le palais du roi. | 15 Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy. |
| — v. 8 : ou : dans les palais d’ivoire, des instruments à cordes t’ont réjoui. — v. 12 : ou : des peuples. | |
| * | * |
| 16 Au lieu de tes pères, tu auras tes fils ; tu les établiras pour princes dans tout le pays*. | 16 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy. |
| 17 Je rappellerai ton nom dans toutes les générations ; c’est pourquoi les peuples te célébreront à toujours et à perpétuité. | 17 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria. |
| — v. 16 : ou : toute la terre. | |
| PSAUME 46 | PSAUME 46 |
| Au chef de musique. Des fils de Coré. Sur Alamoth*. Chant. | Au chef de musique. Des fils de Coré. Sur Alamoth*. Chant. |
| — * : Peut-être : [voix de] jeunes filles. | |
| 1 Dieu est notre refuge et notre force, un secours dans les détresses, toujours facile à trouver. | 1 [Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. |
| 2 C’est pourquoi nous ne craindrons point, quand la terre serait transportée de sa place, et que les montagnes seraient remuées [et jetées] au cœur des mers ; | 2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra, |
| 3 Quand ses eaux mugiraient, qu’elles écumeraient, [et] que les montagnes seraient ébranlées à cause de son emportement. Sélah. | 3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. |
| * | * |
| 4 Il y a un fleuve dont les ruisseaux réjouissent la ville de Dieu, le saint lieu des demeures du Très-haut. | 4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra. |
| 5 Dieu est au milieu d’elle ; elle ne sera pas ébranlée. Dieu la secourra au lever du matin. | 5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. |
| 6 Les nations s’agitent tumultueusement, les royaumes sont ébranlés ; il a fait entendre sa voix : la terre s’est fondue. | 6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. |
| 7 L’Éternel des armées est avec nous ; le Dieu de Jacob nous est une haute retraite. Sélah. | 7 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. |
| * | * |
| 8 Venez, voyez les actes de l’Éternel, quelles dévastations il a faites sur la terre ! | 8 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany; |
| 9 Il a fait cesser les guerres jusqu’au bout de la terre ; il brise les arcs et met en pièces les lances, il brûle les chariots par le feu. | 9 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo. |
| * | * |
| 10 Tenez-vous tranquilles, et sachez que je suis Dieu : je serai exalté parmi les nations, je serai exalté sur la terre. | 10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho. |
| * | * |
| 11 L’Éternel des armées est avec nous ; le Dieu de Jacob nous est une haute retraite. Sélah. | 11 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika. |
| PSAUME 47 | PSAUME 47 |
| Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume. | Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume. |
| 1 Battez des mains, vous, tous les peuples ; poussez des cris de joie vers Dieu avec une voix de triomphe ; | 1 [Fihobiana noho ny niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra. |
| 2 Car l’Éternel, le Très-haut, est terrible, un grand roi sur toute la terre. | 2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy. |
| 3 Il assujettit les peuples sous nous, et les peuplades sous nos pieds. | 3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika. |
| 4 Il nous a choisi notre héritage, la gloire de Jacob qu’il a aimé. Sélah. | 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. |
| * | * |
| 5 Dieu est monté avec un chant de triomphe, l’Éternel avec la voix de la trompette. | 5 Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara. |
| 6 Chantez Dieu, chantez ; chantez à notre roi, chantez ; | 6 Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. |
| 7 Car Dieu est le roi de toute la terre ; chantez avec intelligence*. | 7 Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo. |
| 8 Dieu règne sur les nations, Dieu est assis sur le trône de sa sainteté. | 8 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina. |
| 9 Ceux d’entre les peuples qui sont de bonne volonté se sont réunis au peuple du Dieu d’Abraham ; car les boucliers de la terre sont à Dieu : il est fort exalté. | 9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy. |
| — v. 7 : litt.: en instruisant. | |
| PSAUME 48 | PSAUME 48 |
| Cantique. Psaume des fils de Coré. | Cantique. Psaume des fils de Coré. |
| 1 L’Éternel est grand et fort digne de louange dans la ville de notre Dieu, dans sa montagne sainte. | 1 [Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina. |
| * | * |
| 2 Belle dans son élévation, la joie de toute la terre, est la montagne de Sion, aux côtés du nord, la ville du grand roi ; | 2 Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe. |
| 3 Dieu est connu dans ses palais pour une haute retraite. | 3 Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. |
| 4 Car voici, les rois se sont assemblés*, ils ont passé outre ensemble : | 4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy. |
| 5 Ils ont vu, — ils ont été étonnés ; ils ont été troublés, ils se sont enfuis consternés. | 5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra; |
| 6 Là, le tremblement les a saisis, une angoisse comme [celle de] la femme qui enfante. | 6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka. |
| 7 Par le vent d’orient tu as brisé les navires de Tarsis. | 7 Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy. |
| — v. 4 : ou : se sont donné rendez-vous. | |
| * | * |
| 8 Comme nous avons entendu, ainsi nous l’avons vu dans la ville de l’Éternel des armées, dans la ville de notre Dieu : Dieu l’établit pour toujours. Sélah. | 8 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. |
| 9 Ô Dieu ! nous avons pensé à ta bonté, au milieu de ton temple. | 9 Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao. |
| 10 Ô Dieu ! comme ton nom, ainsi est ta louange, jusqu’aux bouts de la terre ; ta droite est pleine de justice. | 10 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. |
| * | * |
| 11 Que la montagne de Sion se réjouisse, que les filles de Juda s’égayent, à cause de tes jugements. | 11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao. |
| 12 Faites le tour de Sion, et faites-en le circuit ; comptez ses tours, | 12 Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony, |
| 13 Faites attention à son rempart, considérez ses palais, afin que vous le racontiez à la génération à venir. | 13 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby. |
| 14 Car ce Dieu est notre Dieu, pour toujours et à perpétuité ; il sera notre guide jusqu’à la mort. | 14 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza. |
| * | * |
| PSAUME 49 | PSAUME 49 |
| Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume. | Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume. |
| 1 Vous, tous les peuples, entendez ceci ; vous, tous les habitants du monde, prêtez l’oreille ; | 1 [Ny fahafoanan'ny harena amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao: |
| 2 Fils des gens du commun, et fils des grands, le riche et le pauvre pareillement : | 2 Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo. |
| 3 Ma bouche dira des paroles de sagesse*, et la méditation de mon cœur sera [pleine] d’intelligence ; | 3 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana. |
| 4 Je prêterai l’oreille au discours sentencieux, j’exposerai mon énigme sur la harpe. | 4 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga. |
| — v. 3 : hébreu : parlera sagesse. | |
| * | * |
| 5 Pourquoi craindrais-je au mauvais jour, quand l’iniquité de ceux qui me talonnent m’enveloppe ? | 5 Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy, |
| 6 Ils se confient en leurs biens et se glorifient en l’abondance de leurs richesses…. | 6 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany? |
| 7 Un homme ne pourra en aucune manière racheter son frère, ni donner à Dieu sa rançon, | 7 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony, |
| 8 (Car précieux est le rachat de leur âme, et il faut qu’il y renonce à jamais,) | 8 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay), |
| 9 Afin qu’il vive encore, à toujours, [et] qu’il ne voie pas la fosse. | 9 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka*.[Na: ho tratry no lò] |
| 10 Car il voit que les sages meurent, que le sot et l’insensé périssent pareillement et laissent leurs biens à d’autres. | 10 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa. |
| 11 Leur [pensée] intérieure est que leurs maisons durent à toujours, et leurs demeures de génération en génération ; ils appellent les terres de leur propre nom. | 11 Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny*.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin'ny tany maro] |
| 12 Pourtant l’homme qui est en honneur ne dure pas ; il est semblable aux bêtes qui périssent. | 12 Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. |
| 13 Ce chemin qu’ils tiennent est leur folie ; mais ceux qui viennent après eux prennent plaisir aux propos de leur bouche. Sélah. | 13 Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. |
| 14 Ils gisent dans le shéol* comme des brebis : la mort se repaît d’eux, et au matin les hommes droits domineront sur eux ; et leur beauté va se consumer dans le shéol, sans qu’ils aient plus de demeure. | 14 Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita*; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola] |
| 15 Mais Dieu rachètera mon âme de la puissance* du shéol, car il me prendra. Sélah. | 15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy*.[Na: Rehefa azony aho] |
| 16 Ne crains pas quand un homme s’enrichit, quand la gloire de sa maison s’accroît ; | 16 Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; |
| 17 Car, lorsqu’il mourra, il n’emportera rien ; sa gloire ne descendra pas après lui, | 17 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. |
| 18 Quoique pendant sa vie il bénît son âme (et on te louera, si tu te fais du bien), | 18 Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao - |
| 19 Il* s’en ira jusqu’à la génération de ses pères : ils ne verront jamais la lumière. | 19 Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny. |
| 20 L’homme qui est en honneur et n’a point d’intelligence, est comme les bêtes qui périssent. | 20 Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty. |
| — v. 14 : voir la note à Ps. 6:5. — v. 15 : litt.: main. — v. 19 : litt.: Elle, c. à d. l’âme. | |
| * | * |
| PSAUME 50 | PSAUME 50 |
| Psaume d’Asaph. | Psaume d’Asaph. |
| 1 Le [Dieu] Fort*, Dieu, l’Éternel, a parlé, et a appelé la terre, du soleil levant jusqu’au soleil couchant. | 1 [Ny amin'ny fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany. |
| 2 De Sion, perfection de la beauté, Dieu a fait luire sa splendeur. | 2 Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra. |
| — v. 1 : ou : *Dieu ; hébreu : El ; voir Genèse 14:18. | |
| * | * |
| 3 Notre Dieu viendra, et il ne se taira point ; un feu dévorera devant lui, et autour de lui tourbillonnera la tempête ; | 3 Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. |
| 4 Il appellera les cieux d’en haut, et la terre, pour juger son peuple : | 4 Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony: |
| 5 Assemblez-moi mes saints*, qui ont fait alliance avec moi par [un] sacrifice. | 5 Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra. |
| 6 Et les cieux déclareront sa justice, car Dieu lui-même est juge. Sélah. | 6 Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. |
| — v. 5 : comme 30:4 ; ici, et 52:9. | |
| * | * |
| 7 Écoute, mon peuple, et je parlerai ; [écoute], Israël, et je témoignerai au milieu de toi. Moi, je suis Dieu, ton Dieu. | 7 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao. |
| 8 Je ne te reprendrai pas à cause de tes sacrifices ou de tes holocaustes, qui ont été continuellement devant moi. | 8 Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao. |
| 9 Je ne prendrai pas de taureau de ta maison, ni de boucs de tes parcs ; | 9 Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao; |
| 10 Car tout animal de la forêt est à moi, les bêtes sur mille montagnes. | 10 Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. |
| 11 Je connais tous les oiseaux des montagnes, et ce qui se meut par les champs est à moi. | 11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. |
| 12 Si j’avais faim, je ne te le dirais pas ; car le monde est à moi, et tout ce qu’il contient*. | 12 Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. |
| 13 Mangerais-je la chair des gros taureaux, et boirais-je le sang des boucs ? | 13 Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy? |
| 14 Sacrifie à Dieu la louange, et acquitte tes vœux envers le Très-haut, | 14 Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao; |
| 15 Et invoque-moi au jour de la détresse : je te délivrerai, et tu me glorifieras. | 15 Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. |
| 16 Mais Dieu dit au méchant : Qu’as-tu à faire de redire mes statuts, et de prendre mon alliance dans ta bouche ? | 16 Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? |
| 17 Toi qui hais la correction*, et qui as jeté mes paroles derrière toi. | 17 Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko. |
| 18 Si tu as vu un voleur, tu t’es plu avec lui, et ta portion est avec les adultères ; | 18 Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga. |
| 19 Tu livres ta bouche au mal, et ta langue trame la tromperie ; | 19 Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka. |
| 20 Tu t’assieds, tu parles contre ton frère, tu diffames le fils de ta mère : | 20 Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika* ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika] |
| 21 Tu as fait ces choses-là, et j’ai gardé le silence ; — tu as estimé que j’étais véritablement comme toi ; [mais] je t’en reprendrai, et je te les mettrai devant les yeux. | 21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. |
| — v. 12 : litt.: sa plénitude. — v. 17 : ou : l’instruction. | |
| * | * |
| 22 Considérez donc cela, vous qui oubliez #Dieu, de peur que je ne déchire, et qu’il n’y ait personne qui délivre. | 22 Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy. |
| 23 Celui qui sacrifie la louange me glorifie ; et à celui qui règle sa voie je ferai voir le salut de Dieu. | 23 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra. |
| * | * |
| PSAUME 51 | PSAUME 51 |
| Au chef de musique. Psaume de David ; lorsque Nathan le prophète vint à lui, après qu’il fut entré vers Bath-Shéba. | Au chef de musique. Psaume de David ; lorsque Nathan le prophète vint à lui, après qu’il fut entré vers Bath-Shéba. |
| 1 Use de grâce envers moi, ô Dieu ! selon ta bonté ; selon la grandeur de tes compassions, efface mes transgressions. | 1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. |
| 2 Lave-moi pleinement de mon iniquité, et purifie-moi de mon péché. | 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. |
| 3 Car je connais mes transgressions, et mon péché est continuellement devant moi. | 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. |
| 4 Contre toi, contre toi seul, j’ai péché, et j’ai fait ce qui est mauvais à tes yeux ; afin que tu sois justifié quand tu parles, trouvé pur quand tu juges. | 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. |
| 5 Voici, j’ai été enfanté dans l’iniquité, et dans le péché ma mère m’a conçu. | 5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. |
| 6 Voici, tu veux* la vérité dans l’homme intérieur, et tu me feras comprendre la sagesse dans le secret [de mon cœur]. | 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy. |
| — v. 6 : litt.: prends plaisir à. | |
| * | * |
| 7 Purifie-moi du péché avec de l’hysope, et je serai pur ; lave-moi, et je serai plus blanc que la neige. | 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala] |
| 8 Fais-moi entendre l’allégresse et la joie, afin que les os que tu as brisés se réjouissent. | 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. |
| 9 Cache ta face de mes péchés, et efface toutes mes iniquités. | 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. |
| 10 Crée-moi* un cœur pur, ô Dieu ! et renouvelle au dedans de moi un esprit droit. | 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. |
| 11 Ne me renvoie pas de devant ta face, et ne m’ôte pas l’esprit de ta sainteté. | 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. |
| 12 Rends-moi la joie de ton salut, et qu’un esprit de franche volonté me soutienne. | 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. |
| 13 J’enseignerai tes voies aux transgresseurs, et des pécheurs se retourneront vers toi. | 13 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao. |
| — v. 10 : c. à d. à moi, pour moi. | |
| * | * |
| 14 Délivre-moi de la coulpe du sang, ô Dieu, Dieu de mon salut ! Ma langue chantera hautement ta justice. | 14 Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako*.[Heb: ny lelako] |
| 15 Seigneur, ouvre mes lèvres, et ma bouche annoncera ta louange. | 15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. |
| 16 Car tu ne prends pas plaisir aux sacrifices, autrement j’en donnerais ; l’holocauste ne t’est point agréable : | 16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. |
| 17 Les sacrifices de Dieu sont un esprit brisé. Ô Dieu ! tu ne mépriseras pas un cœur brisé et humilié. | 17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. |
| 18 Fais du bien, dans ta faveur, à Sion ; bâtis les murs de Jérusalem. | 18 Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema. |
| 19 Alors tu prendras plaisir aux sacrifices de justice, à l’holocauste et au sacrifice [qu’on brûle] tout entier ; alors on offrira des taureaux sur ton autel. | 19 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona. |
| * | * |
| PSAUME 52 | PSAUME 52 |
| Au chef de musique ; pour instruire. De David ; lorsque Doëg, l’Édomite, rapporta à Saül et lui dit : David est venu dans la maison d’Akhimélec. | Au chef de musique ; pour instruire. De David ; lorsque Doëg, l’Édomite, rapporta à Saül et lui dit : David est venu dans la maison d’Akhimélec. |
| 1 Pourquoi te glorifies-tu du mal, homme fort ? La bonté de *Dieu subsiste de jour en jour*. | 1 [Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva. |
| 2 Ta langue trame des malheurs, pratiquant la fausseté, comme un rasoir affilé. | 2 Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka. |
| 3 Ta as aimé le mal plus que le bien, le mensonge plus que la parole de justice. Sélah. | 3 Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. |
| 4 Tu as aimé toutes les paroles de destruction, langue trompeuse ! | 4 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka. |
| — v. 1 : litt.: [est] tout le jour. | |
| * | * |
| 5 Aussi *Dieu te détruira pour toujours ; il te saisira et t’arrachera de ta tente, et il te déracinera de la terre des vivants. Sélah. | 5 Andriamanitra kosa hanimba* anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na: hanongana] |
| 6 Et les justes verront, et craindront, et ils se riront de lui : | 6 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe: |
| 7 Voilà l’homme qui n’a pas pris Dieu pour sa force, mais qui s’est confié en la multitude de ses richesses, et qui se fortifiait dans son avidité ! | 7 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany. |
| 8 Mais moi, je suis dans la maison de Dieu comme un olivier vert. Je me confierai en la bonté de Dieu, pour toujours et à perpétuité. | 8 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho. |
| 9 Je te célébrerai à jamais, parce que tu l’as fait ; et je m’attendrai à ton nom, car il est bon devant tes saints. | 9 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany. |
| PSAUME 53 | PSAUME 53 |
| Au chef de musique. Sur Mahalath* ; pour instruire. De David. | Au chef de musique. Sur Mahalath* ; pour instruire. De David. |
| — * : mot d’un sens incertain. | |
| 1 L’insensé a dit dans son cœur : Il n’y a point de Dieu. Ils se sont corrompus, et ils ont rendu abominable la perversité ; il n’y a personne qui fasse le bien. | 1 [Ny faharatsian'ny olona sy ny faniriam-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara. |
| * | * |
| 2 Dieu a regardé des cieux sur les fils des hommes, pour voir s’il y a quelqu’un qui soit intelligent, qui recherche Dieu : | 2 Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. |
| 3 Ils se sont tous retirés, ils se sont tous ensemble corrompus ; il n’y a personne qui fasse le bien, non pas même un seul. | 3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. |
| * | * |
| 4 Les ouvriers d’iniquité n’ont-ils aucune connaissance ? Ils dévorent mon peuple, comme on mange du pain ; ils n’invoquent point Dieu. | 4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny? |
| 5 Là où il n’y avait pas de sujet de frayeur ils ont été saisis de frayeur ; car Dieu disperse les os de ceux qui se campent contre toi. Tu les as rendus confus, parce que Dieu les a méprisés. | 5 Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy. |
| * | * |
| 6 Oh ! si de Sion le salut* d’Israël était venu ! Quand Dieu rétablira les captifs* de son peuple, Jacob s’égayera, Israël se réjouira. | 6 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely. |
| — v. 6* : litt.: les saluts ; comme 42:5, 11 ; 43:5 ; 44:4 ; et 116:13. — v. 6** : voir Ps. 14:7. | |
| PSAUME 54 | PSAUME 54 |
| Au chef de musique. Sur Neguinoth* ; pour instruire. De David ; lorsque les Ziphiens vinrent, et dirent à Saül : David ne se tient-il pas caché auprès de nous ? | Au chef de musique. Sur Neguinoth* ; pour instruire. De David ; lorsque les Ziphiens vinrent, et dirent à Saül : David ne se tient-il pas caché auprès de nous ? |
| — * : voir Psaume 4. | |
| 1 Ô Dieu ! sauve-moi par ton nom, et fais-moi justice par ta puissance. | 1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy, na dia be aza ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao. |
| 2 Ô Dieu ! écoute ma prière, prête l’oreille aux paroles de ma bouche. | 2 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako. |
| 3 Car des étrangers se sont levés contre moi, et des hommes violents cherchent ma vie ; ils n’ont pas mis Dieu devant eux. Sélah. | 3 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy. |
| * | * |
| 4 Voici, Dieu est mon secours ; le Seigneur est entre ceux qui soutiennent mon âme. | 4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko. |
| 5 Il rendra le mal à ceux qui me pressent : selon ta vérité, détruis-les. | 5 Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy. |
| 6 De franche volonté je t’offrirai des sacrifices ; je célébrerai ton nom, ô Éternel ! car cela est bon*. | 6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy. |
| 7 Car il m’a délivré de toute détresse, et mon œil a vu [son plaisir] en mes ennemis. | 7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko. |
| — v. 6 : ou : tu es bon. | |
| PSAUME 55 | PSAUME 55 |
| Au chef de musique, Sur Neguinoth* ; pour instruire. De David. | Au chef de musique, Sur Neguinoth* ; pour instruire. De David. |
| — * : voir Psaume 4. | |
| 1 Prête l’oreille, ô Dieu, à ma prière, et ne te cache pas de ma supplication. | 1 [Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako. |
| 2 Écoute-moi, et réponds-moi ; je m’agite dans ma plainte et je me lamente, | 2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho, |
| 3 À cause de la voix de l’ennemi [et] devant l’oppression du méchant ; car ils font tomber sur moi l’iniquité, et me poursuivent avec passion. | 3 Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy. |
| * | * |
| 4 Mon cœur est dans l’angoisse au dedans de moi, et des frayeurs mortelles sont tombées sur moi ; | 4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana. |
| 5 La crainte et le tremblement sont venus sur moi, et un frisson de terreur m’a couvert. | 5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro. |
| 6 Et j’ai dit : Oh ! si j’avais des ailes comme une colombe, je m’envolerais et je demeurerais tranquille ; | 6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako; |
| 7 Voici, je m’enfuirais loin, et je me logerais au désert. Sélah. | 7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. |
| 8 Je me hâterais de m’échapper loin du vent de tempête, loin de l’ouragan. | 8 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. |
| * | * |
| 9 Engloutis-[les], Seigneur ! divise leur langue ; car j’ai vu la violence et les querelles dans la ville. | 9 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. |
| 10 Jour et nuit ils font la ronde sur ses murailles ; et l’iniquité et le tourment sont au milieu d’elle ; | 10 Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy; |
| 11 La perversité est au milieu d’elle, et l’oppression et la fraude ne s’éloignent pas de ses places. | 11 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny. |
| * | * |
| 12 Car ce n’est pas un ennemi qui m’a outragé, alors je l’aurais supporté ; ce n’est point celui qui me hait qui s’est élevé orgueilleusement contre moi, alors je me serais caché de lui ; | 12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; |
| 13 Mais c’est toi, un homme comme moi, mon conseiller et mon ami* : | 13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, |
| 14 Nous avions ensemble de douces communications ; nous allions avec la foule dans la maison de Dieu. | 14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra. |
| 15 Que la mort les saisisse ! qu’ils descendent vivants dans le shéol* ! Car la malice est dans leur demeure, au milieu d’eux. | 15 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana*. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita** izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany***. [*Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][**Heb: Sheola][***Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony] |
| — v. 13 : ailleurs : guide, intime ami. — v. 15 : voir la note à Ps. 6:5. | |
| * | * |
| 16 Moi, je crie à Dieu ; et l’Éternel me sauvera. | 16 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy. |
| 17 Le soir, et le matin, et à midi, je médite et je me lamente ; et il entendra ma voix. | 17 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy, |
| 18 Il a mis en paix mon âme, la rachetant de la guerre qu’on me fait, car ils étaient plusieurs autour de moi. | 18 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko. |
| * | * |
| 19 Dieu a entendu, et il les accablera : il demeure dès les jours d’autrefois ; (Sélah) … car il n’y a point de changement en eux, et ils ne craignent pas Dieu. | 19 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra. |
| * | * |
| 20 [Le méchant] a étendu ses mains sur ceux qui sont en paix avec lui ; il a profané son alliance. | 20 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy. |
| 21 [Les paroles de] sa bouche étaient lisses comme le beurre, mais la guerre était dans son cœur ; ses paroles étaient douces comme l’huile, mais elles sont des épées nues. | 21 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. |
| * | * |
| 22 Rejette ton fardeau sur l’Éternel, et il te soutiendra ; il ne permettra jamais que le juste soit ébranlé. | 22 Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. |
| 23 Et toi, ô Dieu ! tu les feras descendre dans le puits de la destruction : les hommes de sang et de fourbe n’atteindront pas la moitié de leurs jours ; mais moi, je me confierai en toi. | 23 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao. |
| PSAUME 56 | PSAUME 56 |
| Au chef de musique. Sur Jonath-Élem-Rekhokim*. De David. Mictam ; quand les Philistins le prirent dans Gath. | Au chef de musique. Sur Jonath-Élem-Rekhokim*. De David. Mictam ; quand les Philistins le prirent dans Gath. |
| — * : colombe des térébinthes lointains. | |
| 1 Use de grâce envers moi, ô Dieu ! car l’homme voudrait m’engloutir ; me faisant la guerre tout le jour, il m’opprime. | 1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. |
| 2 Mes ennemis voudraient tout le jour m’engloutir ; car il y en a beaucoup qui me font la guerre, avec hauteur*. | 2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. |
| 3 Au jour où je craindrai, je me confierai en toi. | 3 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao. |
| — v. 2 : ou : ô Très-haut ! (comme Ps. 92:8). | |
| * | * |
| 4 En Dieu, je louerai sa parole ; en Dieu je me confie : je ne craindrai pas ; que me fera la chair ? | 4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko? |
| * | * |
| 5 Tout le jour ils tordent mes paroles ; toutes leurs pensées sont contre moi en mal. | 5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny] |
| 6 Ils s’assemblent, ils se cachent, ils observent mes pas, car ils guettent mon âme. | 6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. |
| 7 Échapperont-ils par l’iniquité ? Dans ta colère, ô Dieu, précipite les peuples ! | 7 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy] |
| 8 Tu comptes mes allées et mes venues ; mets mes larmes dans tes vaisseaux ; ne sont-elles pas dans ton livre ? | 8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny? |
| 9 Alors mes ennemis retourneront en arrière, au jour où je crierai ; je sais cela, car Dieu est pour moi. | 9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. |
| * | * |
| 10 En Dieu, je louerai sa parole ; en l’Éternel, je louerai sa parole. | 10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. |
| 11 En Dieu je me confie : je ne craindrai pas ; que me fera l’homme ? | 11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko? |
| * | * |
| 12 Les vœux que je t’ai faits sont sur moi, ô Dieu ! je te rendrai des louanges. | 12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. |
| 13 Car tu as délivré mon âme de la mort : [ne garderais-tu] pas mes pieds de broncher, pour que je marche devant Dieu dans la lumière des vivants ? | 13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina] |
| PSAUME 57 | PSAUME 57 |
| Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand il fuyait devant Saül, dans la caverne. | Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand il fuyait devant Saül, dans la caverne. |
| — * : ne détruis pas. | |
| 1 Use de grâce envers moi, ô Dieu ! use de grâce envers moi ; car en toi mon âme se réfugie, et sous l’ombre de tes ailes je me réfugie, jusqu’à ce que les calamités soient passées. | 1 [Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza. |
| * | * |
| 2 Je crierai au Dieu Très-haut, à *Dieu qui mène [tout] à bonne fin pour moi. | 2 Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. |
| 3 Il a envoyé des cieux, et m’a sauvé ; il a couvert de honte celui qui veut m’engloutir. Sélah. Dieu a envoyé sa bonté et sa vérité. | 3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany. |
| 4 Mon âme est au milieu de lions ; je suis couché parmi ceux qui soufflent des flammes, — les fils des hommes, dont les dents sont des lances et des flèches, et la langue une épée aiguë. | 4 Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany. |
| 5 Élève-toi, ô Dieu ! au-dessus des cieux ; que ta gloire soit au-dessus de toute la terre ! | 5 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. |
| * | * |
| 6 Ils ont préparé un filet pour mes pas, mon âme se courbait ; ils ont creusé devant moi une fosse, ils sont tombés dedans. Sélah. | 6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko*; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Na: nitanondrika ny fanahiko] |
| * | * |
| 7 Mon cœur est affermi, ô Dieu ! mon cœur est affermi ; je chanterai et je psalmodierai. | 7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. |
| 8 Éveille-toi, mon âme* ! Éveillez-vous, luth et harpe ! Je m’éveillerai à l’aube du jour. | 8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa* aho.[Na: Hampifoha ny maraina aho] |
| 9 Je te célébrerai parmi les peuples, ô Seigneur ! je chanterai tes louanges parmi les peuplades ; | 9 Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho. |
| 10 Car ta bonté est grande jusqu’aux cieux, et ta vérité jusqu’aux nues. | 10 Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. |
| — v. 8 : litt.: ma gloire. | |
| * | * |
| 11 Élève-toi, ô Dieu ! au-dessus des cieux ; que ta gloire soit au-dessus de toute la terre ! | 11 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. |
| PSAUME 58 | PSAUME 58 |
| Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam. | Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam. |
| — * : ne détruis pas. | |
| 1 Est-ce que vraiment la justice se tait ? Prononcez-vous [ce qui est juste] ? Vous, fils des hommes, jugez-vous avec droiture ? | 1 [Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?] |
| 2 Bien plutôt, dans le cœur, vous commettez des iniquités ; dans le pays, vous pesez* la violence de vos mains. | 2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo. |
| 3 Les méchants se sont égarés dès la matrice ; ils errent dès le ventre, parlant le mensonge. | 3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga. |
| 4 Ils ont un venin semblable au venin d’un serpent, comme l’aspic sourd qui se bouche l’oreille, | 4 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy, |
| 5 Qui n’entend pas la voix des charmeurs, du sorcier expert en sorcelleries. | 5 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza. |
| — v. 2 : ou : réfléchissez à. | |
| * | * |
| 6 Ô Dieu ! dans leur bouche brise leurs dents ; Éternel ! arrache les grosses dents des jeunes lions. | 6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô. |
| 7 Qu’ils se fondent comme des eaux qui s’écoulent ! S’il ajuste ses flèches, qu’elles soient comme cassées* ! | 7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny; |
| 8 Qu’ils soient comme une limace qui va se fondant ! Comme l’avorton d’une femme, qu’ils ne voient pas le soleil ! | 8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy. |
| 9 Avant que vos chaudières aient senti les épines, vertes ou enflammées, le tourbillon les emportera. | 9 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina. |
| 10 Le juste se réjouira quand il verra la vengeance ; il lavera ses pieds* dans le sang du méchant. | 10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy; |
| 11 Et l’homme dira : Certainement il y a un fruit pour le juste, certainement il y a un Dieu qui juge sur la terre. | 11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny* tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra] |
| — v. 7 : c. à d. la pointe cassée. — v. 10 : litt.: ses pas. | |
| PSAUME 59 | PSAUME 59 |
| Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand Saül envoya, et qu’on surveilla sa maison, afin de le faire mourir. | Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand Saül envoya, et qu’on surveilla sa maison, afin de le faire mourir. |
| — * : ne détruis pas. | |
| 1 Délivre-moi de mes ennemis, ô mon Dieu ! protège-moi contre ceux qui s’élèvent contre moi. | 1 [Fitarainan'izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko. |
| 2 Délivre-moi des ouvriers d’iniquité, et sauve-moi des hommes de sang. | 2 Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà. |
| 3 Car voici, ils ont dressé des embûches contre ma vie, des hommes forts se sont assemblés contre moi, — non pour ma transgression, ni pour mon péché, ô Éternel ! | 3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. |
| 4 Sans qu’il y ait d’iniquité [en moi] * ils courent et se préparent ; éveille-toi pour venir à ma rencontre, et regarde. | 4 Tsy heloko* no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra] |
| 5 Et toi, Éternel, Dieu des armées ! Dieu d’Israël ! réveille-toi pour visiter toutes les nations ; n’use de grâce envers aucun de ceux qui trament l’iniquité. Sélah. | 5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy. |
| — v. 4 : litt.: Sans [mon] iniquité. | |
| * | * |
| 6 Ils reviennent le soir, ils hurlent comme un chien, et font le tour de la ville. | 6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna. |
| 7 Voici, de leur bouche ils vomissent l’injure, des épées sont sur leurs lèvres ; car, [disent-ils], qui [nous] entend ? | 7 Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre? |
| 8 Mais toi, Éternel, tu te riras d’eux, tu te moqueras de toutes les nations. | 8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra. |
| * | * |
| 9 [À cause de] sa force*, je regarderai à toi ; car Dieu est ma haute retraite. | 9 Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. |
| 10 Le Dieu qui use de bonté envers moi me préviendra ; Dieu me fera voir [mon plaisir] en mes ennemis. | 10 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho. |
| — v. 9 : ou : leur force ; quelques-uns lisent : Ma force ! | |
| * | * |
| 11 Ne les tue pas, de peur que mon peuple ne l’oublie ; fais-les errer par ta puissance, et abats-les, ô Seigneur, notre bouclier ! | 11 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay. |
| 12 [À cause du] péché de leur bouche, — la parole de leurs lèvres, — qu’ils soient pris dans leur orgueil, et à cause de la malédiction et des mensonges qu’ils profèrent ! | 12 Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony. |
| 13 Consume-[les] en ta fureur, consume-[les], et qu’ils ne soient plus, et qu’ils sachent que Dieu domine en Jacob jusqu’aux bouts de la terre. Sélah. | 13 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany. |
| * | * |
| 14 Et ils reviendront le soir, ils hurleront comme un chien, et feront le tour de la ville. | 14 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna. |
| 15 Ils errent çà et là pour trouver à manger ; ils y passeront la nuit* s’ils ne sont pas rassasiés. | 15 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina. |
| 16 Et moi je chanterai ta force, et, dès le matin, je célébrerai avec joie ta bonté : car tu m’as été une haute retraite et un refuge au jour où j’étais dans la détresse. | 16 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. |
| 17 Ma force ! à toi je chanterai ; car Dieu est ma haute retraite, le Dieu qui use de bonté envers moi. | 17 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko. |
| — v. 15 : ou : murmureront. | |
| PSAUME 60 | PSAUME 60 |
| Au chef de musique. Sur Shushan*. Témoignage. Mictam. De David ; pour enseigner ; quand il fit la guerre contre les Syriens de Naharaïm**, et contre les Syriens de Tsoba, et que Joab revint et frappa les Édomites dans la vallée du Sel, au nombre de douze mille. | Au chef de musique. Sur Shushan*. Témoignage. Mictam. De David ; pour enseigner ; quand il fit la guerre contre les Syriens de Naharaïm**, et contre les Syriens de Tsoba, et que Joab revint et frappa les Édomites dans la vallée du Sel, au nombre de douze mille. |
| — * : le lis. — ** : des deux fleuves (Mésopotamie). | |
| 1 Ô Dieu ! tu nous as rejetés, tu nous as dispersés, tu t’es irrité ; ramène-nous. | 1 [Fiantsoan'ny efa resim-pahavalo, mba hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia* sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.[Arama-naharaima] |
| 2 Tu as fait trembler la terre*, tu l’as fendue : répare ses brèches, car elle chancelle. | 2 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy. |
| 3 Tu as fait voir à ton peuple des choses dures ; tu nous as donné à boire un vin d’étourdissement. | 3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. |
| — v. 2 : ou : le pays. | |
| * | * |
| 4 Tu as donné une bannière à ceux qui te craignent, pour la déployer à cause de la vérité, (Sélah) | 4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. |
| 5 Afin que tes bien-aimés soient délivrés. Sauve par ta droite, et réponds-moi ! | 5 Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio. |
| * | * |
| 6 Dieu a parlé dans sa sainteté : je me réjouirai ; je partagerai Sichem et je mesurerai la vallée de Succoth. | 6 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko; |
| 7 Galaad est à moi, et Manassé est à moi, et Éphraïm est la force* de ma tête ; Juda est mon législateur ; | 7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda; |
| 8 Moab est le bassin où je me lave ; sur Édom j’ai jeté ma sandale. Philistie, pousse des cris de triomphe à mon sujet* ! | 8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia. |
| — v. 7 : ou : le rempart. — v. 8 : ou : pousse des cris à cause de moi. | |
| * | * |
| 9 Qui me conduira dans la ville forte ? Qui me mènera jusqu’en Édom ? | 9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma? |
| 10 Ne sera-ce pas toi, ô Dieu, qui nous as rejetés, et qui n’es pas sorti, ô Dieu, avec nos armées ? | 10 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay*, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao] |
| 11 Donne-nous du secours pour sortir de détresse ; car la délivrance qui vient de l’homme est vaine. | 11 Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona. |
| 12 Par Dieu nous ferons des actes de valeur, et c’est lui qui foulera nos adversaires. | 12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. |
| PSAUME 61 | PSAUME 61 |
| Au chef de musique. Sur Neguinoth. De David. | Au chef de musique. Sur Neguinoth. De David. |
| 1 Ô Dieu ! écoute mon cri, sois attentif à ma prière. | 1 [Fangatahan'ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. |
| * | * |
| 2 Du bout de la terre je crierai à toi, dans l’accablement de mon cœur ; tu me conduiras sur un rocher qui est trop haut pour moi*. | 2 Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; |
| 3 Car tu m’as été un refuge, une forte tour, de devant l’ennemi. | 3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. |
| 4 Je séjournerai dans ta tente à toujours ; je me réfugierai sous l’abri de tes ailes. Sélah. | 4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho, |
| 5 Car toi, ô Dieu ! tu as entendu mes vœux, tu m’as donné l’héritage de ceux qui craignent ton nom. | 5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao. |
| 6 Tu ajouteras des jours aux jours du roi ; ses années seront comme des générations et des générations. | 6 Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. |
| 7 Il habitera pour toujours devant Dieu. Donne la bonté et la vérité, afin qu’elles le gardent. | 7 Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; |
| 8 Ainsi je chanterai ton nom à perpétuité, acquittant mes vœux jour par jour. | 8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko. |
| — v. 2 : ou : plus haut que moi. | |
| PSAUME 62 | PSAUME 62 |
| Au chef de musique. Sur Jeduthun. Psaume de David. | Au chef de musique. Sur Jeduthun. Psaume de David. |
| 1 Sur Dieu seul mon âme se repose paisiblement ; de lui vient mon salut. | 1 [Fiantombenan'ny fanahy izay manantena an'Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy. |
| 2 Lui seul est mon rocher et mon salut, ma haute retraite ; je ne serai pas beaucoup ébranlé. | 2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. |
| 3 Jusques à quand vous jetterez-vous sur un homme, [et chercherez]-vous tous à le renverser* comme une muraille qui penche, comme un mur qui va crouler ? | 3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona; |
| 4 Ils ne consultent que pour [le] précipiter de son élévation ; ils prennent plaisir au mensonge ; ils bénissent de leur bouche, et intérieurement ils maudissent. Sélah. | 4 Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony. |
| — v. 3 : proprement : briser, mettre en pièces. | |
| * | * |
| 5 Mais toi, mon âme, repose-toi paisiblement sur Dieu ; car mon attente est en lui. | 5 Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. |
| 6 Lui seul est mon rocher et mon salut, ma haute retraite : je ne serai pas ébranlé. | 6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. |
| 7 Sur Dieu [reposent] mon salut et ma gloire ; le rocher de ma force, mon refuge, est en Dieu. | 7 Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra. |
| 8 Peuple, — confiez-vous en lui en tout temps, répandez votre cœur devant lui : Dieu est notre refuge. Sélah. | 8 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. |
| * | * |
| 9 Les fils des gens du commun ne sont que vanité, les fils des grands ne sont que mensonge : placés dans la balance, ils montent ensemble plus [légers] que la vanité. | 9 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy. |
| 10 N’ayez pas confiance dans l’oppression, et ne mettez pas un vain espoir dans la rapine ; si les biens augmentent, n’y mettez pas votre cœur. | 10 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo. |
| 11 Dieu a parlé une fois ; … deux fois j’ai entendu ceci, que la force est à Dieu. | 11 Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery. |
| 12 Et à toi, Seigneur, est la bonté ; car toi tu rends à chacun selon son œuvre. | 12 Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy. |
| PSAUME 63 | PSAUME 63 |
| Psaume de David ; quand il était dans le désert de Juda. | Psaume de David ; quand il était dans le désert de Juda. |
| 1 Ô Dieu ! tu es mon *Dieu ; je te cherche au point du jour ; mon âme a soif de toi, ma chair languit après toi, dans une terre aride et altérée, sans eau, | 1 [Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; |
| 2 Pour voir ta force et ta gloire, comme je t’ai contemplé dans le lieu saint. | 2 Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. |
| 3 Car ta bonté est meilleure que la vie ; mes lèvres te loueront. | 3 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao. |
| 4 Ainsi je te bénirai durant ma vie, j’élèverai mes mains en ton nom. | 4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. |
| 5 Mon âme est rassasiée comme de moelle et de graisse, et ma bouche [te] louera avec des lèvres qui chantent de joie. | 5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao. |
| 6 Quand je me souviens de toi sur mon lit, je médite de toi durant les veilles de la nuit ; | 6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina. |
| 7 Car tu as été mon secours, et à l’ombre de tes ailes je chanterai de joie. | 7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako. |
| * | * |
| 8 Mon âme s’attache à toi pour te suivre, ta droite me soutient. | 8 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. |
| 9 Mais ceux qui cherchent ma vie pour sa ruine entreront dans les parties inférieures de la terre ; | 9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy; |
| 10 On les livrera à la puissance de l’épée, ils seront la portion des renards. | 10 Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo* izy.[volpa] |
| 11 Mais le roi se réjouira en Dieu, [et] quiconque jure par lui se glorifiera ; car la bouche de ceux qui parlent faussement sera fermée. | 11 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga. |
| PSAUME 64 | PSAUME 64 |
| Au chef de musique. Psaume de David. | Au chef de musique. Psaume de David. |
| 1 Écoute, ô Dieu ! ma voix, quand je me plains ; garde ma vie de la crainte de l’ennemi. | 1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo. |
| 2 Cache-moi loin du conseil secret des méchants, et de la foule tumultueuse des ouvriers d’iniquité, | 2 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy, |
| 3 Qui ont aiguisé leur langue comme une épée, ajusté leur flèche, — une parole amère, | 3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. |
| 4 Pour tirer de leurs cachettes contre celui qui est intègre : soudain ils tirent sur lui, et ils ne craignent pas. | 4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. |
| 5 Ils s’affermissent dans de mauvaises choses, ils s’entretiennent ensemble pour cacher des pièges ; ils disent : Qui le verra ? | 5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? |
| 6 Ils méditent des méchancetés : Nous avons fini ; la machination est ourdie. L’intérieur de chacun, et le cœur, est profond. | 6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony. |
| 7 Mais Dieu tirera sa flèche contre eux : soudain ils sont blessés ; | 7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany. |
| 8 Et leur langue les fera tomber les uns par-dessus les autres ; tous ceux qui les voient s’enfuiront. | 8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra* izay rehetra mahita azy.[Na: Mihifikifi-doha] |
| 9 Et tous les hommes craindront, et ils raconteront les actes de Dieu, et considéreront son œuvre. | 9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. |
| 10 Le juste se réjouira en l’Éternel et se confiera en lui, et tous ceux qui sont droits de cœur se glorifieront. | 10 Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra. |
| PSAUME 65 | PSAUME 65 |
| Au chef de musique. Psaume de David. Cantique. | Au chef de musique. Psaume de David. Cantique. |
| 1 Ô Dieu ! la louange t’attend dans le silence en Sion, et le vœu te sera payé. | 1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao] |
| 2 Ô toi qui écoutes la prière ! toute chair viendra à toi. | 2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra. |
| * | * |
| 3 Les iniquités ont prévalu sur moi ; nos transgressions, toi tu les pardonneras*. | 3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay. |
| 4 Bienheureux celui que tu as choisi et que tu fais approcher : il habitera tes parvis. Nous serons rassasiés du bien* de ta maison, de ton saint temple. | 4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao. |
| 5 Tu nous répondras par des choses terribles de justice*, ô Dieu de notre salut, toi qui es la confiance de tous les bouts de la terre, et des régions lointaines de la mer ! | 5 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny. |
| 6 Toi qui as établi les montagnes par ta force, qui es ceint de puissance, | 6 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy. |
| 7 Qui apaises le tumulte des mers, le tumulte de leurs flots, et l’agitation des peuplades. | 7 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena. |
| 8 Et ceux qui habitent aux bouts [de la terre] craindront à la vue de tes prodiges* ; tu fais chanter de joie les sorties du matin et du soir**. | 8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao. |
| 9 Tu as visité la terre, tu l’as abreuvée, tu l’enrichis abondamment : le ruisseau de Dieu est plein d’eau. Tu prépares les |