LE PREMIER LIVRE DE MOÏSE  
   
dit  
   
LA GENÈSE Genesisy
   
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Au commencement Dieu* créa les cieux et la terre. 1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
— v. 1 : en hébreu : Élohim, (pluriel d’Éloah, le Dieu suprême), la Déité, dans le sens absolu.  
2 Et la terre était désolation et vide*, et il y avait des ténèbres sur la face de l’abîme. Et l’Esprit de Dieu planait sur la face des eaux. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
— v. 2 : le vide.  
3 Et Dieu dit : Que la lumière soit. Et la lumière fut. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4 Et Dieu vit la lumière, qu’elle était bonne ; et Dieu sépara la lumière d’avec les ténèbres. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5 Et Dieu appela la lumière Jour ; et les ténèbres, il les appela Nuit. Et il y eut soir, et il y eut matin : — premier* jour. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
— v. 5 : ou : un.  
6 Et Dieu dit : Qu’il y ait une étendue entre les eaux, et qu’elle sépare les eaux d’avec les eaux. 6 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
7 Et Dieu fit l’étendue, et sépara les eaux qui sont au-dessous de l’étendue d’avec les eaux qui sont au-dessus de l’étendue. Et il fut ainsi. 7 Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
8 Et Dieu appela l’étendue Cieux. Et il y eut soir, et il y eut matin : — second jour. 8 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
   
9 Et Dieu dit : Que les eaux [qui sont] au-dessous des cieux se rassemblent en un lieu, et que le sec paraisse. Et il fut ainsi. 9 Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10 Et Dieu appela le sec Terre, et le rassemblement des eaux, il l’appela Mers. Et Dieu vit que cela était bon. 10 Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
11 Et Dieu dit : Que la terre produise l’herbe, la plante portant de la semence, l’arbre fruitier produisant du fruit selon son espèce, ayant sa semence en soi sur la terre. 11 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
12 Et il fut ainsi. Et la terre produisit l’herbe, la plante portant de la semence selon son espèce, et l’arbre produisant du fruit ayant sa semence en soi selon son espèce. Et Dieu vit que cela était bon. 12 Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
13 Et il y eut soir, et il y eut matin : — troisième jour. 13 Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
   
14 Et Dieu dit : Qu’il y ait des luminaires dans l’étendue des cieux pour séparer le jour d’avec la nuit, et qu’ils soient pour signes et pour saisons [déterminées] et pour jours et pour années ; 14 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
15 et qu’ils soient pour luminaires dans l’étendue des cieux pour donner de la lumière sur la terre. Et il fut ainsi. 15 Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
16 Et Dieu fit les deux grands luminaires, le grand luminaire pour dominer sur le jour, et le petit luminaire pour dominer sur la nuit ; et les étoiles. 16 Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17 Et Dieu les plaça dans l’étendue des cieux pour donner de la lumière sur la terre, 17 Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
18 et pour dominer de jour et de nuit, et pour séparer la lumière d’avec les ténèbres. Et Dieu vit que cela était bon. 18 sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
19 Et il y eut soir, et il y eut matin : — quatrième jour. 19 Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
   
20 Et Dieu dit : Que les eaux foisonnent d’un fourmillement d’êtres* vivants, et que les oiseaux volent au-dessus de la terre devant** l’étendue des cieux. 20 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
21 Et Dieu créa les grands animaux des eaux*, et tout être vivant qui se meut, dont les eaux fourmillent, selon leurs espèces, et tout oiseau ailé selon son espèce. Et Dieu vit que cela était bon. 21 Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22 Et Dieu les bénit, disant : Fructifiez, et multipliez, et remplissez les eaux dans les mers, et que l’oiseau multiplie sur la terre. 22 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
23 Et il y eut soir, et il y eut matin : — cinquième jour. 23 Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
— v. 20* : en hébreu : âme, ici et versets 21, 24, et 2:19. — v. 20** : litt.: à la face de. — v. 21 : ailleurs aussi : serpents, crocodiles.  
24 Et Dieu dit : Que la terre produise des êtres vivants selon leur espèce, le bétail, et [tout] ce qui rampe, et les bêtes de la terre selon leur espèce. Et il fut ainsi. 24 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
25 Et Dieu fit les bêtes de la terre selon leur espèce, et le bétail selon son espèce, et tout reptile* du sol selon son espèce. Et Dieu vit que cela était bon. 25 Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
— v. 25 : ce qui rampe ; (ici et ailleurs).  
26 Et Dieu dit : Faisons [l’]homme à notre image, selon notre ressemblance, et qu’ils dominent sur les poissons de la mer, et sur les oiseaux des cieux, et sur le bétail, et sur toute la terre, et sur tout [animal] rampant qui rampe sur la terre. 26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
27 Et Dieu créa l’homme* à son image ; il le créa à l’image de Dieu ; il les créa mâle et femelle. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
— v. 27 : l’homme, la race humaine, ici, et ailleurs souvent.  
28 Et Dieu les bénit ; et Dieu leur dit : Fructifiez, et multipliez, et remplissez la terre et l’assujettissez ; et dominez sur les poissons de la mer, et sur les oiseaux des cieux, et sur tout être vivant qui se meut sur la terre. 28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29 Et Dieu dit : Voici, je vous ai donné toute plante portant semence, qui est sur la face de toute la terre, et tout arbre dans lequel il y a un fruit d’arbre, portant semence ; [cela] vous sera pour nourriture ; 29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30 et à tout animal de la terre, et à tout oiseau des cieux, et à tout ce qui rampe sur la terre, qui a en soi une âme vivante, [j’ai donné] toute plante verte pour nourriture. Et il fut ainsi. 30 Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
   
31 Et Dieu vit tout ce qu’il avait fait, et voici, cela était très-bon. Et il y eut soir, et il y eut matin : — le sixième jour. 31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et les cieux et la terre furent achevés, et toute leur armée*. 1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Et Dieu eut achevé au septième jour son œuvre qu’il fit ; et il se reposa au septième jour de toute son œuvre qu’il fit. 2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Et Dieu bénit le septième jour, et le sanctifia ; car en ce jour* il se reposa de toute son œuvre que Dieu créa en la faisant. 3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
— v. 1 : date : A.C. 4004. — v. 3 : litt.: en lui.  
* *
4 Ce sont ici les générations des cieux et de la terre lorsqu’ils furent créés, au jour que l’Éternel* Dieu fit la terre et les cieux, 4 [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5 et tout arbuste des champs avant qu’il fût sur la terre, et toute herbe* des champs avant qu’elle crût ; car l’Éternel Dieu n’avait pas fait pleuvoir sur la terre, et il n’y avait pas d’homme pour travailler le sol ; 5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
6 mais une vapeur montait de la terre et arrosait toute la surface du sol. 6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra.
7 Et l’Éternel Dieu forma l’homme, poussière du sol, et souffla dans ses narines une respiration de vie, et l’homme devint une âme vivante. 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
— v. 4 : en hébreu : Jéhovah. Selon d’autres : Jahveh, ou Jahoh ou Yahweh ; voir Ex. 6. — v. 5 : plus haut : plante.  
8 Et l’Éternel Dieu planta un jardin en Éden*, du côté de l’orient, et il y plaça l’homme** qu’il avait formé. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
9 Et l’Éternel Dieu fit croître du sol tout arbre agréable à voir et bon à manger, et l’arbre de vie au milieu du jardin, et l’arbre de la connaissance du bien et du mal. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
— v. 8* : plaisir, charme. — v. 8** : l’homme, la race humaine, ici et ailleurs souvent.  
10 Et un fleuve sortait d’Éden pour arroser le jardin, et de là il se divisait et devenait quatre rivières*. 10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
11 Le nom de la première est Pishon : c’est elle qui entoure tout le pays de Havila, où il y a de l’or. 11 Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
12 Et l’or de ce pays-là est bon ; là est le bdellium* et la pierre d’onyx**. 12 ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
13 Et le nom de la seconde rivière est Guihon : c’est elle qui entoure tout le pays de Cush. 13 Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 Et le nom de la troisième rivière est Hiddékel* : c’est elle qui coule en avant vers Assur**. Et la quatrième rivière, c’est l’Euphrate***. 14 Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
— v. 10 : litt.: têtes. — v. 12* : sorte de résine (?). — v. 12** : ou : béril. — v. 14* : le Tigre. — v. 14** : ou : Assyrie. — v. 14*** : en hébreu : Phrath.  
15 Et l’Éternel Dieu prit l’homme et le plaça dans le jardin d’Éden pour le cultiver et pour le garder. 15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
16 Et l’Éternel Dieu commanda à l’homme, disant : Tu mangeras librement de tout arbre du jardin ; 16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;
17 mais de l’arbre de la connaissance du bien et du mal, tu n’en mangeras pas ; car, au jour que tu en mangeras, tu mourras certainement. 17 fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
   
18 Et l’Éternel Dieu dit : Il n’est pas bon que l’homme soit seul ; je lui ferai une aide qui lui corresponde. 18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
19 Et l’Éternel Dieu forma de la terre* tous les animaux des champs et tous les oiseaux des cieux, et les fit venir vers l’homme pour voir comment il les nommerait ; et tout nom que l’homme donnait à un être vivant fut son nom. 19 Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany.
20 Et l’homme donna des noms à tout le bétail, et aux oiseaux des cieux, et à toutes les bêtes des champs. Mais pour Adam*, il ne trouva pas d’aide qui lui correspondît. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
— v. 19 : litt.: du sol. — v. 20 : ailleurs : homme (ici, sans l’article).  
21 Et l’Éternel Dieu fit tomber un profond sommeil sur l’homme, et il dormit ; et il prit une de ses côtes, et il en ferma la place avec de la chair. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
22 Et l’Éternel Dieu forma* une femme de la côte qu’il avait prise de l’homme, et l’amena vers l’homme. 22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
23 Et l’homme dit : Cette fois, celle-ci est os de mes os et chair de ma chair ; celle-ci sera appelée femme (Isha), parce qu’elle a été prise de l’homme (Ish). 23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
24 C’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère, et s’attachera à sa femme, et ils seront une seule chair. 24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
25 Et ils étaient tous deux nus, l’homme et sa femme, et ils n’en avaient pas honte. 25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
— v. 22 : litt.: bâtit.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Or le serpent était plus rusé qu’aucun animal des champs que l’Éternel Dieu avait fait ; et il dit à la femme : Quoi, Dieu a dit : Vous ne mangerez pas de tout arbre du jardin ? 1 [Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
2 Et la femme dit au serpent : Nous mangeons du fruit des arbres du jardin ; 2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
3 mais du fruit de l’arbre qui est au milieu du jardin, Dieu a dit : Vous n’en mangerez point, et vous n’y toucherez point, de peur que vous ne mouriez. 3 fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
4 Et le serpent dit à la femme : Vous ne mourrez point certainement ; 4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
5 car Dieu sait qu’au jour où vous en mangerez vos yeux seront ouverts, et vous serez comme Dieu*, connaissant le bien et le mal. 5 fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
6 Et la femme vit que l’arbre était bon à manger, et qu’il était un plaisir pour les yeux, et que l’arbre était désirable pour rendre intelligent ; et elle prit de son fruit et en mangea ; et elle en donna aussi à son mari [pour qu’il en mangeât] avec elle, et il en mangea. 6 Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
7 Et les yeux de tous deux furent ouverts, et ils connurent qu’ils étaient nus ; et ils cousirent ensemble des feuilles de figuier et s’en firent des ceintures. 7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
— v. 5 : ou : des dieux.  
8 Et ils entendirent la voix de l’Éternel Dieu qui se promenait dans le jardin au frais du jour. Et l’homme et sa femme se cachèrent de devant l’Éternel Dieu, au milieu des arbres du jardin. 8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.
9 Et l’Éternel Dieu appela l’homme, et lui dit : Où es-tu ? 9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
10 Et il dit : J’ai entendu ta voix dans le jardin, et j’ai eu peur, car je suis nu, et je me suis caché. 10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
11 Et l’Éternel Dieu dit* : Qui t’a montré que tu étais nu ? As-tu mangé de l’arbre dont je t’ai commandé de ne pas manger ? 11 Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
12 Et l’homme dit : La femme que tu [m’]as donnée [pour être] avec moi, — elle, m’a donné de l’arbre, et j’en ai mangé. 12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
13 Et l’Éternel Dieu dit à la femme : Qu’est-ce que tu as fait ? Et la femme dit : Le serpent m’a séduite, et j’en ai mangé. 13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
14 Et l’Éternel Dieu dit au serpent : Parce que tu as fait cela, tu es maudit par-dessus tout le bétail et par-dessus toutes les bêtes des champs ; tu marcheras sur ton ventre, et tu mangeras la poussière tous les jours de ta vie ; 14 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
15 et je mettrai inimitié entre toi et la femme, et entre ta semence et sa semence. Elle* te brisera la tête, et toi tu lui briseras le talon. 15 Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
16 À la femme il dit : Je rendrai très-grandes tes souffrances et ta grossesse ; en travail tu enfanteras des enfants, et ton désir sera [tourné] vers ton mari, et lui dominera sur toi. 16 Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
17 Et à Adam il dit : Parce que tu as écouté la voix de ta femme et que tu as mangé de l’arbre au sujet duquel je t’ai commandé, disant : Tu n’en mangeras pas, — maudit est le sol à cause de toi ; tu en mangeras [en travaillant] péniblement tous les jours de ta vie. 17 Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.
18 Et il te fera germer des épines et des ronces, et tu mangeras l’herbe des champs. 18 Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
19 À la sueur de ton visage tu mangeras du pain, jusqu’à ce que tu retournes au sol, car c’est de lui que tu as été pris ; car tu es poussière et tu retourneras à la poussière. 19 Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.
— v. 11 : litt.: Et il dit. — v. 15 : c. à d. : la semence de la femme.  
20 Et l’homme appela sa femme du nom d’Ève*, parce qu’elle était la mère de tous les vivants. 20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
— v. 20 : du verbe Khava, vivre.  
21 Et l’Éternel Dieu fit à Adam et à sa femme des vêtements de peau, et les revêtit. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
   
22 Et l’Éternel Dieu dit : Voici, l’homme est devenu comme l’un de nous, pour connaître le bien et le mal ; et maintenant, — afin qu’il n’avance pas sa main et ne prenne aussi de l’arbre de vie et n’en mange et ne vive à toujours… ! 22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
23 Et l’Éternel Dieu le mit hors du jardin d’Éden, pour labourer le sol, d’où il avait été pris : 23 ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
24 il chassa l’homme, et plaça à l’orient du jardin d’Éden les chérubins et la lame de l’épée qui tournait çà et là, pour garder le chemin de l’arbre de vie. 24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et l’homme connut Ève sa femme ; et elle conçut, et enfanta Caïn* ; et elle dit : J’ai acquis un homme avec l’Éternel. 1 [Ny amin'i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2 Et elle enfanta encore son frère, Abel*. Et Abel paissait le menu bétail, et Caïn labourait la terre**. 2 Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
— v. 1 : acquisition. — v. 2* : vanité. — v. 2** : litt.: le sol.  
3 Et il arriva, au bout de quelque temps, que Caïn apporta, du fruit du sol, une offrande à l’Éternel. 3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
4 Et Abel apporta, lui aussi, des premiers-nés de son troupeau, et de leur graisse. Et l’Éternel eut égard à Abel et à son offrande ; 4 fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;
5 mais à Caïn et à son offrande, il n’eut pas égard. Et Caïn fut très-irrité, et son visage fut abattu. 5 fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
6 Et l’Éternel dit à Caïn : Pourquoi es-tu irrité, et pourquoi ton visage est-il abattu ? 6 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
7 Si tu fais bien, ne seras-tu pas agréé ?* Et si tu ne fais pas bien, le péché** est couché à la porte. Et son désir sera [tourné] vers toi, et toi tu domineras sur lui. 7 Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
— v. 7* : litt.: n’y aura-t-il pas relèvement [de visage] ? — v. 7** : ou : un sacrifice pour le péché, le mot hébreu ayant les deux sens ; couché est le terme employé pour un animal qui est couché par terre.  
8 Et Caïn parla à Abel son frère ; et il arriva, comme ils étaient aux champs, que Caïn se leva contre Abel, son frère, et le tua. 8 Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
9 Et l’Éternel dit à Caïn : Où est Abel, ton frère ? Et il dit : Je ne sais. Suis-je, moi, le gardien de mon frère ? 9 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10 Et il dit : Qu’as-tu fait ? La voix du sang de ton frère crie de la terre* à moi. 10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
11 Et maintenant, tu es maudit de la terre* qui a ouvert sa bouche pour recevoir de ta main le sang de ton frère. 11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
12 Quand tu laboureras le sol, il ne te donnera plus sa force ; tu seras errant et vagabond sur la terre. 12 Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
13 Et Caïn dit à l’Éternel : Mon châtiment est trop grand pour que j’en porte le poids*. 13 Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
14 Voici, tu m’as chassé aujourd’hui de dessus la face de la terre*, et je serai caché de devant ta face, et je serai errant et vagabond sur la terre ; et il arrivera que quiconque me trouvera me tuera. 14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
15 Et l’Éternel lui dit : C’est pourquoi quiconque tuera Caïn sera puni* sept fois. Et l’Éternel mit un signe sur Caïn, afin que quiconque le trouverait ne le tuât** point. 15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
16 Et Caïn sortit de devant l’Éternel ; et il habita dans le pays de Nod*, à l’orient d’Éden. 16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.
— v. 10, 11, 14 : litt.: le sol. — v. 13 : ou : Mon iniquité est trop grande pour être pardonnée. — v. 15* : litt.: vengeance sera tirée. — v. 15** : litt.: frappât. — v. 16 : vagabond ; comparer verset 12.  
17 Et Caïn connut sa femme, et elle conçut, et enfanta Hénoc ; et il bâtit une ville, et appela le nom de la ville d’après le nom de son fils Hénoc. 17 [Ny taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
18 Et à Hénoc naquit Irad ; et Irad engendra Mehujaël ; et Mehujaël engendra Methushaël ; et Methushaël engendra Lémec. 18 Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.
19 Et Lémec prit deux femmes : le nom de l’une était Ada, et le nom de la seconde, Tsilla. 19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.
20 Et Ada enfanta Jabal ; lui, fut père de ceux qui habitent sous des tentes et ont du bétail. 20 Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.
21 Et le nom de son frère fut Jubal : lui, fut père de tous ceux qui manient la harpe et la flûte. 21 Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
22 Et Tsilla, elle aussi, enfanta Tubal-Caïn, qui fut forgeur de tous les outils d’airain et de fer*. Et la sœur de Tubal-Caïn fut Naama. 22 Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.
23 Et Lémec dit à ses femmes : Ada et Tsilla, écoutez ma voix ; femmes de Lémec, prêtez l’oreille à ma parole : Je tuerai un homme pour ma blessure, et un jeune homme pour ma meurtrissure ; 23 Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
24 si Caïn est vengé sept fois, Lémec le sera soixante-dix-sept fois. 24 Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.
— v. 22 : ou : maître de tous ceux qui travaillent l’airain et le fer.  
25 Et Adam connut encore sa femme ; et elle enfanta un fils, et appela son nom Seth* ; car, [dit-elle], Dieu m’a assigné une autre semence au lieu d’Abel ; car Caïn l’a tué. 25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.
26 Et à Seth, à lui aussi, naquit un fils ; et il appela son nom Énosh*. Alors on commença à invoquer le nom de l’Éternel. 26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
— v. 25 : mis, assigné. — v. 26 : homme, mortel.  
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 C’est ici le livre des générations d’Adam. Au jour où Dieu créa Adam, il le fit à la ressemblance de Dieu. 1 [Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
2 Il les créa mâle et femelle, et les bénit ; et il appela leur nom Adam*, au jour qu’ils furent créés. 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.
— v. 2 : homme.  
3 Et Adam vécut cent trente ans, et engendra [un fils] à sa ressemblance, selon son image, et appela son nom Seth. 3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
4 Et les jours d’Adam, après qu’il eut engendré Seth, furent huit cents ans ; et il engendra des fils et des filles. 4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
5 Et tous les jours qu’Adam vécut furent neuf cent trente ans ; et il mourut. 5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
   
6 Et Seth vécut cent cinq ans, et engendra Énosh. 6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
7 Et Seth, après qu’il eut engendré Énosh, vécut huit cent sept ans ; et il engendra des fils et des filles. 7 Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
8 Et tous les jours de Seth furent neuf cent douze ans ; et il mourut. 8 Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
   
9 Et Énosh vécut quatre-vingt-dix ans, et engendra Kénan. 9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
10 Et Énosh, après qu’il eut engendré Kénan, vécut huit cent quinze ans ; et il engendra des fils et des filles. 10 Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
11 Et tous les jours d’Énosh furent neuf cent cinq ans ; et il mourut. 11 Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
   
12 Et Kénan vécut soixante-dix ans, et engendra Mahalaleël. 12 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
13 Et Kénan, après qu’il eut engendré Mahalaleël, vécut huit cent quarante ans ; et il engendra des fils et des filles. 13 Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 Et tous les jours de Kénan furent neuf cent dix ans ; et il mourut. 14 Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
   
15 Et Mahalaleël vécut soixante-cinq ans, et engendra Jéred. 15 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.
16 Et Mahalaleël, après qu’il eut engendré Jéred, vécut huit cent trente ans ; et il engendra des fils et des filles. 16 Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17 Et tous les jours de Mahalaleël furent huit cent quatre-vingt-quinze ans ; et il mourut. 17 Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
   
18 Et Jéred vécut cent soixante-deux ans, et engendra Hénoc*. 18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy.
19 Et Jéred, après qu’il eut engendré Hénoc, vécut huit cents ans ; et il engendra des fils et des filles. 19 Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 Et tous les jours de Jéred furent neuf cent soixante-deux ans ; et il mourut. 20 Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
— v. 18 : enseigné, instruit.  
21 Et Hénoc vécut soixante-cinq ans, et engendra Methushélah. 21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.
22 Et Hénoc, après qu’il eut engendré Methushélah, marcha avec Dieu trois cents ans ; et il engendra des fils et des filles. 22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
23 Et tous les jours de Hénoc furent trois cent soixante-cinq ans. 23 Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
24 Et Hénoc marcha avec Dieu ; et il ne fut plus, car Dieu le prit. 24 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.
   
25 Et Methushélah vécut cent quatre-vingt-sept ans, et engendra Lémec. 25 Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.
26 Et Methushélah, après qu’il eut engendré Lémec, vécut sept cent quatre-vingt-deux ans ; et il engendra des fils et des filles. 26 Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
27 Et tous les jours de Methushélah furent neuf cent soixante-neuf ans ; et il mourut. 27 Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
   
28 Et Lémec vécut cent quatre-vingt deux ans, et engendra un fils ; 28 Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
29 et il appela son nom Noé*, disant : Celui-ci nous consolera à l’égard de notre ouvrage et du travail de nos mains, à cause du sol que l’Éternel a maudit. 29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.
30 Et Lémec, après qu’il eut engendré Noé, vécut cinq cent quatre-vingt-quinze ans ; et il engendra des fils et des filles. 30 Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
31 Et tous les jours de Lémec furent sept cent soixante-dix-sept ans ; et il mourut. 31 Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
— v. 29 : hébreu : Noakh, consolation, repos.  
32 Et Noé était âgé* de cinq cents ans, et Noé engendra Sem, Cham, et Japheth. 32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
— v. 32 : date : A.C. 2448.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et il arriva, quand les hommes* commencèrent à se multiplier sur la face de la terre** et que des filles leur furent nées, 1 [Noa sy ny Safo-drano] Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2 que les fils de Dieu virent les filles des hommes*, qu’elles étaient belles, et ils se prirent des femmes d’entre toutes celles qu’ils choisirent. 2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
3 Et l’Éternel dit : Mon Esprit ne contestera pas à toujours avec l’homme, puisque lui n’est que chair* ; mais ses jours seront cent vingt ans. 3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4 Les géants étaient sur la terre en ces jours-là, et aussi après que les fils de Dieu furent venus vers les filles des hommes* et qu’elles leur eurent donné des enfants : ceux-ci furent les vaillants hommes de jadis, des hommes de renom. 4 Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5 Et l’Éternel vit que la méchanceté de l’homme était grande sur la terre, et que toute l’imagination des pensées de son cœur n’était que méchanceté en tout temps*. 5 Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6 Et l’Éternel se repentit d’avoir fait l’homme sur la terre, et il s’en affligea dans son cœur. 6 Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7 Et l’Éternel dit : J’exterminerai de dessus la face de la terre* l’homme que j’ai créé, depuis l’homme jusqu’au bétail, jusqu’aux reptiles, et jusqu’aux oiseaux des cieux, car je me repens de les avoir faits. 7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
8 Mais Noé trouva grâce aux yeux de l’Éternel. 8 Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah.
— v. 1*, 2, 4 : litt.: l’homme, la race humaine. — v. 1**, 7 : litt.: du sol. — v. 3 : plusieurs lisent : à toujours avec l’homme dans leur égarement ; lui, est chair. — v. 5 : en hébreu : tout le jour.  
* *
9 Ce sont ici les générations de Noé : Noé était un homme juste ; il était parfait parmi ceux de son temps ; Noé marchait avec Dieu. 9 Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
10 Et Noé engendra trois fils : Sem, Cham, et Japheth. 10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta.
11 Et la terre était corrompue devant Dieu, et la terre était pleine de violence. 11 Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
12 Et Dieu regarda la terre, et voici, elle était corrompue, car toute chair avait corrompu sa voie sur la terre. 12 dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
   
13 Et Dieu dit à Noé : La fin de toute chair est venue devant moi, car la terre est pleine de violence à cause d’eux ; et voici, je vais les détruire avec la terre. 13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho.
14 Fais-toi une arche de bois de gopher. Tu feras l’arche avec des loges, et tu l’enduiras de poix en dedans et en dehors. 14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
15 Et c’est ainsi que tu la feras : la longueur de l’arche sera de trois cents coudées, sa largeur de cinquante coudées, et sa hauteur de trente coudées. 15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
16 Tu feras un jour à l’arche, et tu l’achèveras en [lui donnant] une coudée d’en haut ; et tu placeras la porte de l’arche sur son côté ; tu y feras un étage inférieur, un second, et un troisième. 16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
17 Et moi, voici, je fais venir le déluge d’eaux sur la terre, pour détruire de dessous les cieux toute chair en laquelle il y a esprit de vie ; tout ce qui est sur la terre expirera. 17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
18 Et j’établis mon alliance avec toi, et tu entreras dans l’arche, toi, et tes fils et ta femme et les femmes de tes fils avec toi. 18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
19 Et de tout ce qui vit, de toute chair, tu feras entrer dans l’arche deux de chaque [espèce], pour les conserver en vie avec toi ; ce seront le mâle et la femelle. 19 Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
20 Des oiseaux selon leur espèce, et du bétail selon son espèce, de tout reptile* du sol selon son espèce, deux de chaque [espèce] entreront vers toi, pour [les] conserver en vie. 20 Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
21 Et toi, prends de tout aliment qui se mange, et tu en feras provision* près de toi ; et cela vous sera pour nourriture, à toi et à eux. 21 Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.
22 — Et Noé le fit ; selon tout ce que Dieu lui avait commandé, ainsi il fit. 22 Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
— v. 20 : ce qui rampe. — v. 21 : litt.: assembleras.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et l’Éternel dit à Noé : Entre dans l’arche, toi et toute ta maison, car je t’ai vu juste devant moi en cette génération. 1 Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
2 De toutes les bêtes pures tu prendras sept par sept, le mâle et sa femelle, et des bêtes qui ne sont pas pures, deux, le mâle et sa femelle ; 2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3 de même des oiseaux des cieux, sept par sept, mâle et femelle, pour conserver en vie une semence sur la face de toute la terre. 3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
4 Car encore sept jours, et je fais pleuvoir sur la terre pendant quarante jours et quarante nuits, et j’exterminerai de dessus la face de la terre* tout ce qui existe [et] que j’ai fait. 4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.
5 Et Noé fit selon tout ce que l’Éternel lui avait commandé. 5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.
— v. 4 : ailleurs : sol.  
6 Et Noé était âgé de six cents ans quand le déluge eut lieu [et qu’il vint] des eaux sur la terre*. 6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
7 Et Noé entra dans l’arche, et ses fils et sa femme et les femmes de ses fils avec lui, à cause des eaux du déluge. 7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8 Des bêtes pures, et des bêtes qui ne sont pas pures, et des oiseaux, et de tout ce qui rampe sur le sol, 8 Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,
9 il en entra deux par deux vers Noé dans l’arche, mâle et femelle, comme Dieu l’avait commandé à Noé. 9 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
10 Et il arriva, au bout de sept jours, que les eaux du déluge furent sur la terre. 10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
— v. 6 : date : A.C. 2348.  
11 L’an six cent de la vie de Noé, au second mois, le dix-septième jour du mois, en ce jour-là, toutes les fontaines du grand abîme se rompirent et les écluses des cieux s’ouvrirent ; 11 Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
12 et la pluie fut sur la terre quarante jours et quarante nuits. 12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13 En ce même jour-là, Noé, et Sem et Cham et Japheth, fils de Noé, et la femme de Noé, et les trois femmes de ses fils avec eux, entrèrent dans l’arche, 13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
14 eux, et tous les animaux selon leur espèce, et tout le bétail selon son espèce, et tous les reptiles qui rampent sur la terre selon leur espèce, et tous les oiseaux selon leur espèce, tout oiseau de toute aile ; 14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15 et ils entrèrent vers Noé dans l’arche, deux par deux, de toute chair ayant en elle esprit de vie. 15 Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16 Et ce qui entra, entra mâle et femelle, de toute chair, comme Dieu le lui avait commandé. Et l’Éternel ferma [l’arche] sur lui. 16 Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
   
17 Et le déluge fut sur la terre quarante jours ; et les eaux crûrent et soulevèrent l’arche, et elle fut élevée au-dessus de la terre. 17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
18 Et les eaux se renforcèrent et crûrent beaucoup sur la terre ; et l’arche flottait sur la face des eaux. 18 Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.
19 Et les eaux se renforcèrent extraordinairement sur la terre ; et toutes les hautes montagnes qui étaient sous tous les cieux furent couvertes. 19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.
20 Les eaux se renforcèrent de quinze coudées par-dessus, et les montagnes furent couvertes. 20 Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21 Et toute chair qui se mouvait sur la terre expira, tant les oiseaux que le bétail et les bêtes [des champs] et tout ce qui fourmille sur la terre, et tout homme. 21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.
22 Tout ce qui avait le souffle de vie* dans ses narines, de tout ce qui était sur la terre sèche, mourut. 22 Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.
23 Et tout ce qui existait sur la face de la terre* fut détruit, depuis l’homme jusqu’au bétail, jusqu’aux reptiles et jusqu’aux oiseaux des cieux : ils furent détruits de dessus la terre ; et il ne resta que Noé et ce qui était avec lui dans l’arche. 23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
24 Et les eaux se renforcèrent sur la terre, cent cinquante jours. 24 Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
— v. 22 : litt.: respiration d’esprit de vie. — v. 23 : ailleurs : sol.  
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et Dieu se souvint de Noé, et de tous les animaux et de tout le bétail, qui étaient avec lui dans l’arche ; et Dieu fit passer un vent sur la terre, et les eaux baissèrent ; 1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 et les fontaines de l’abîme et les écluses des cieux furent fermées, et la pluie qui tombait du ciel fut retenue. 2 Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
3 Et les eaux se retirèrent de dessus la terre, allant et se retirant* ; et les eaux diminuèrent au bout de cent cinquante jours. 3 Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
4 Et l’arche reposa sur les montagnes d’Ararat, au septième mois, au dix-septième jour du mois. 4 Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito.
5 Et les eaux allèrent diminuant jusqu’au dixième mois ; au dixième [mois], le premier [jour] du mois, les sommets des montagnes apparurent. 5 Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
— v. 3 : litt.: retournèrent… allant et retournant.  
6 Et il arriva, au bout de quarante jours, que Noé ouvrit la fenêtre de l’arche qu’il avait faite ; 6 Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony.
7 et il lâcha le corbeau, qui sortit, allant et revenant jusqu’à ce que les eaux eussent séché de dessus la terre. 7 Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.
8 Et il lâcha d’avec lui la colombe, pour voir si les eaux avaient baissé sur la face du sol ; 8 Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.
9 mais la colombe ne trouva pas où poser la plante de son pied, et revint à lui dans l’arche, car les eaux étaient sur la face de toute la terre ; et il étendit sa main, et la prit, et la fit entrer auprès de lui dans l’arche. 9 Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.
10 Et il attendit encore sept autres jours, et il lâcha de nouveau la colombe hors de l’arche. 10 Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy.
11 Et la colombe vint à lui au temps du soir, et voici, dans son bec, une feuille d’olivier arrachée. Et Noé sut que les eaux avaient baissé sur la terre. 11 Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.
12 Et il attendit encore sept autres jours, et il lâcha la colombe, et elle ne revint plus de nouveau vers lui. 12 Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
   
13 Et il arriva, l’an six cent un, au premier [mois], le premier [jour] du mois, que les eaux furent séchées de dessus la terre ; et Noé ôta la couverture de l’arche et regarda, et voici, la face du sol avait séché. 13 [Ny nivoahan'i Noa avy tao amin'ny sambo-fiara sy ny nanaovan'Andriamanitra fanekena taminy] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
14 Et au second mois, le vingt-septième jour du mois, la terre fut sèche.* 14 Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
— v. 14 : date : A.C. 2347.  
15 Et Dieu parla à Noé, disant : 15 Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:
16 Sors de l’arche, toi, et ta femme et tes fils et les femmes de tes fils avec toi. 16 Mivoaha amin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
17 Fais sortir avec toi tout animal qui est avec toi, de toute chair, tant oiseaux que bétail, et tout reptile qui rampe sur la terre, et qu’ils foisonnent en la terre, et fructifient et multiplient sur la terre. 17 Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.
18 Et Noé sortit, et ses fils, et sa femme et les femmes de ses fils avec lui. 18 [Ny nataon'izy telo mirahalahy, zanak'i Noa, sy ny teny naminanian-drainy azy] Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 Tout animal, tout reptile et tout oiseau, tout ce qui se meut sur la terre, selon leurs espèces*, sortirent de l’arche. 19 Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.
20 Et Noé bâtit un autel à l’Éternel, et prit de toute bête pure et de tout oiseau pur, et offrit des holocaustes sur l’autel. 20 Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.
21 Et l’Éternel flaira une odeur agréable* ; et l’Éternel dit en son cœur : Je ne maudirai plus de nouveau le sol à cause de l’homme, car l’imagination du cœur de l’homme est mauvaise dès sa jeunesse ; et je ne frapperai plus de nouveau tout ce qui est vivant, comme je l’ai fait. 21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
22 Désormais, tant que seront les jours de la terre, les semailles et la moisson, et le froid et le chaud, et l’été et l’hiver, et le jour et la nuit, ne cesseront pas. 22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.
— v. 19 : litt.: familles. — v. 21 : litt.: une odeur de repos.  
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et Dieu bénit Noé et ses fils, et leur dit : Fructifiez et multipliez et remplissez la terre. 1 Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2 Et vous serez un sujet de crainte et de frayeur pour tout animal de la terre, et pour tout oiseau des cieux, pour tout ce qui se meut sur la terre*, aussi bien que pour tous les poissons de la mer ; ils sont livrés entre vos mains. 2 Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
3 Tout ce qui se meut [et] qui est vivant vous sera pour nourriture ; comme l’herbe verte, je vous donne tout. 3 Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4 Seulement, vous ne mangerez pas la chair avec sa vie*, [c’est-à-dire] son sang ; 4 Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
5 et certes je redemanderai le sang de vos vies* ; de la main de tout animal je le redemanderai, et de la main de l’homme ; de la main de chacun, de son frère, je redemanderai la vie de l’homme. 5 Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
6 Qui aura versé le sang de l’homme, par l’homme son sang sera versé ; car à l’image de Dieu, il a fait l’homme. 6 Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7 Et vous, fructifiez et multipliez ; foisonnez sur la terre, et multipliez sur elle. 7 Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.
— v. 2 : ailleurs : le sol. — v. 4, 5 : vie ou âme.  
8 Et Dieu parla à Noé et à ses fils avec lui, disant : 8 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
9 Et moi, voici, j’établis mon alliance avec vous, et avec votre semence après vous, 9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
10 et avec tout être* vivant qui est avec vous, tant oiseaux que bétail et tout animal de la terre avec vous, d’entre tout ce qui est sorti de l’arche, — tout animal de la terre. 10 sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
11 Et j’établis mon alliance avec vous, et toute chair ne périra plus par les eaux du déluge, et il n’y aura plus de déluge pour détruire la terre. 11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
12 Et Dieu dit : C’est ici le signe de l’alliance que je mets entre moi et vous et tout être vivant qui est avec vous, pour les générations, à toujours : 12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:
13 je mettrai mon arc dans la nuée, et il sera pour signe d’alliance entre moi et la terre ; 13 Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
14 et il arrivera que quand je ferai venir des nuages sur la terre, alors l’arc apparaîtra dans la nuée, 14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
15 et je me souviendrai de mon alliance qui est entre moi et vous et tout être vivant de toute chair ; et les eaux ne deviendront plus un déluge pour détruire toute chair. 15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
16 Et l’arc sera dans la nuée, et je le verrai pour me souvenir de l’alliance perpétuelle entre Dieu et tout être vivant de toute chair qui est sur la terre. 16 Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
17 Et Dieu dit à Noé : C’est là le signe de l’alliance que j’établis entre moi et toute chair qui est sur la terre. 17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
— v. 10 : en hébreu : âme, ici et ailleurs, souvent.  
*  
18 Et les fils de Noé qui sortirent de l’arche étaient Sem, et Cham, et Japheth : et Cham fut le père de Canaan. 18 Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana.
19 Ces trois sont fils de Noé ; et c’est d’eux que la population fut disséminée sur toute la terre*. 19 Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra.
— v. 19 : litt.: que toute la terre fut dispersée.  
20 Et Noé commença à être cultivateur* et il planta une vigne ; 20 Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
21 et il but du vin, et il s’enivra et se découvrit au milieu de la tente. 21 Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy.
22 Et Cham, père de Canaan, vit la nudité de son père, et le rapporta à ses deux frères, dehors. 22 Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
23 Et Sem et Japheth prirent le manteau et le mirent, les deux, sur leurs épaules et marchèrent en arrière et couvrirent la nudité de leur père ; et leur visage était [tourné] en arrière, et ils ne virent pas la nudité de leur père. 23 Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.
24 Et Noé se réveilla de son vin et sut ce que lui avait fait son plus jeune fils ; et il dit : 24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy.
25 Maudit soit Canaan ! Il sera l’esclave* des esclaves de ses frères. 25 Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy.
26 Et il dit : Béni soit l’Éternel, le Dieu de Sem, et que Canaan soit son* esclave ! 26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27 Que Dieu élargisse Japheth*, et qu’il demeure dans les tentes de Sem, et que Canaan soit son** esclave ! 27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
— v. 20 : litt.: homme du sol. — v. 25 : ailleurs : serviteur. — v. 26 : ou : leur, c. à d. de la race de Sem. — v. 27* : élargissement. — v. 27** : ou : leur, c. à d. de la race de Japheth  
28 Et Noé vécut, après le déluge, trois cent cinquante ans. 28 Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
29 Et tous les jours de Noé furent neuf cent cinquante ans ; et il mourut. 29 Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
* *
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Et ce sont ici les générations des fils de Noé : Sem, Cham, et Japheth ; il leur naquit des fils après le déluge. 1 [Ny taranak'izy telo lahy zanak'i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
   
2 Les fils de Japheth : Gomer, et Magog, et Madaï*, et Javan, et Tubal, et Méshec, et Tiras. 2 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3 — Et les fils de Gomer : Ashkenaz, et Riphath, et Togarma. 3 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4 — Et les fils de Javan : Élisha, et Tarsis, Kittim, et Dodanim. 4 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5 — De ceux-là est venue la répartition des îles des nations selon leurs pays, chacune selon sa langue, selon leurs familles, dans leurs nations. 5 Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
— v. 2 : nom hébreu de la Médie et des Mèdes.  
6 Et les fils de Cham : Cush, et Mitsraïm, et Puth*, et Canaan. 6 Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
7 — Et les fils de Cush : Seba, et Havila, et Sabta, et Rahma, et Sabteca. Et les fils de Rahma : Sheba et Dedan. 7 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8 Et Cush engendra Nimrod* : lui, commença à être puissant sur la terre ; 8 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
9 il fut un puissant chasseur devant l’Éternel ; c’est pourquoi on dit : Comme Nimrod, puissant chasseur devant l’Éternel. 9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.
10 Et le commencement de son royaume fut Babel*, et Érec, et Accad, et Calné, au pays de Shinhar. 10 Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.
11 De ce pays-là sortit Assur*, et il bâtit Ninive, et Rehoboth-Ir, et Calakh, 11 Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala
12 et Résen entre Ninive et Calakh : c’est la grande ville. 12 ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
13 — Et Mitsraïm engendra les Ludim, et les Anamim, et les Lehabim, et les Naphtukhim, 13 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14 et les Pathrusim, et les Caslukhim (d’où sortirent les Philistins), et les Caphtorim. 14 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15 — Et Canaan engendra Sidon, son premier-né, et Heth, 15 Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
16 et le Jébusien, et l’Amoréen, et le Guirgasien, 16 ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
17 et le Hévien, et l’Arkien, et le Sinien, 17 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
18 et l’Arvadien, et le Tsemarien, et le Hamathien. Et ensuite les familles des Cananéens se dispersèrent. 18 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.
19 Et les limites des Cananéens furent depuis Sidon, quand tu viens vers Guérar, jusqu’à Gaza ; quand tu viens vers Sodome et Gomorrhe et Adma et Tseboïm, jusqu’à Lésha. 19 Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20 — Ce sont là les fils de Cham, selon leurs familles, selon leurs langues, dans leurs pays, dans leurs nations. 20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.
— v. 6 : noms devenus ceux des pays appelés plus tard : l’Éthiopie, l’Égypte, la Libye. — v. 8 : rebelle. — v. 10 : voir 2 Rois 17:24. — v. 11 : ou : il s’en alla en Assyrie.  
21 Et à Sem, père de tous les fils d’Héber, [et] frère de Japheth, l’aîné*, à lui aussi il naquit [des fils]. 21 Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22 Les fils de Sem : Élam, et Assur, et Arpacshad, et Lud, et Aram*. 22 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23 — Et les fils d’Aram : Uts, et Hul, et Guéther, et Mash. 23 Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24 — Et Arpacshad engendra Shélakh, et Shélakh engendra Héber. 24 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
25 Et il naquit à Héber deux fils : le nom de l’un fut Péleg*, car en ses jours la terre fut partagée ; et le nom de son frère fut Joktan. 25 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.
26 Et Joktan engendra Almodad, et Shéleph, et Hatsarmaveth, et Jérakh, 26 Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
27 et Hadoram, et Uzal, et Dikla, 27 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
28 et Obal, et Abimaël, et Sheba, 28 sy Obala sy Abimaela sy Sheba
29 et Ophir, et Havila, et Jobab. Tous ceux-là étaient fils de Joktan. 29 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
30 Et leur demeure était depuis Mésha, quand tu viens vers Sephar, montagne de l’orient. 30 Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
31 — Ce sont là les fils de Sem selon leurs familles, selon leurs langues, dans leurs pays, selon leurs nations. 31 Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny.
— v. 21 : on n’est pas d’accord si aîné se rapporte à Sem ou à Japheth. — v. 22 : nom devenu celui du pays appelé plus tard la Syrie, comme il en est d’Assur pour l’Assyrie. — v. 25 : division, partage.  
32 Ce sont là les familles des fils de Noé, selon leurs générations, dans leurs nations ; et c’est d’eux qu’est venue la répartition des nations sur la terre après le déluge. 32 Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Et toute la terre avait une seule langue* et les mêmes paroles. 1 [Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2 Et il arriva que lorsqu’ils partirent de* l’orient, ils trouvèrent une plaine dans le pays de Shinhar ; et ils y habitèrent. 2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
3 Et ils se dirent l’un à l’autre : Allons, faisons des briques, et cuisons-les au feu. Et ils avaient la brique pour pierre, et ils avaient le bitume pour mortier. 3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
4 Et ils dirent : Allons, bâtissons-nous une ville, et une tour dont le sommet [atteigne] jusqu’aux cieux ; et faisons-nous un nom, de peur que nous ne soyons dispersés sur la face de toute la terre. 4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
5 Et l’Éternel descendit pour voir la ville et la tour que bâtissaient les fils des hommes. 5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
6 Et l’Éternel dit : Voici, c’est un seul peuple, et ils n’ont, eux tous, qu’un seul langage*, et ils ont commencé à faire ceci ; et maintenant ils ne seront empêchés en rien de ce qu’ils pensent faire. 6 Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
7 Allons, descendons, et confondons là leur langage, afin qu’ils n’entendent pas le langage l’un de l’autre. 7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
8 Et l’Éternel les dispersa de là sur la face de toute la terre ; et ils cessèrent de bâtir la ville. 8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
9 C’est pourquoi on appela son nom Babel*, car là l’Éternel confondit le langage** de toute la terre ; et de là l’Éternel les dispersa sur la face de toute la terre. 9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
— v. 1, 6, 9** : litt.: lèvre. — v. 2 : ou : vers. — v. 9* : confusion.  
* *
10 Ce sont ici les générations de Sem : Sem était âgé de cent ans, et il engendra Arpacshad, deux ans après le déluge. 10 [Ny taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.
11 Et Sem, après qu’il eut engendré Arpacshad, vécut cinq cents ans ; et il engendra des fils et des filles. 11 Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
12 Et Arpacshad vécut trente-cinq ans, et engendra Shélakh. 12 Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.
13 Et Arpacshad, après qu’il eut engendré Shélakh, vécut quatre cent trois ans ; et il engendra des fils et des filles. 13 Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
14 Et Shélakh vécut trente ans, et engendra Héber. 14 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
15 Et Shélakh, après qu’il eut engendré Héber, vécut quatre cent trois ans ; et il engendra des fils et des filles. 15 Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
16 Et Héber vécut trente-quatre ans, et engendra Péleg. 16 Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.
17 Et Héber, après qu’il eut engendré Péleg, vécut quatre cent trente ans ; et il engendra des fils et des filles. 17 Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
18 Et Péleg vécut trente ans, et engendra Rehu. 18 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
19 Et Péleg, après qu’il eut engendré Rehu, vécut deux cent neuf ans ; et il engendra des fils et des filles. 19 Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
20 Et Rehu vécut trente-deux ans, et engendra Serug. 20 Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
21 Et Rehu, après qu’il eut engendré Serug, vécut deux cent sept ans ; et il engendra des fils et des filles. 21 Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
22 Et Serug vécut trente ans, et engendra Nakhor. 22 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
23 Et Serug, après qu’il eut engendré Nakhor, vécut deux cents ans ; et il engendra des fils et des filles. 23 Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
24 Et Nakhor vécut vingt-neuf ans, et engendra Térakh. 24 Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
25 Et Nakhor, après qu’il eut engendré Térakh, vécut cent dix-neuf ans ; et il engendra des fils et des filles. 25 Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
   
26 Et Térakh vécut soixante-dix ans, et engendra Abram, Nakhor, et Haran. 26 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
* *
27 Et ce sont ici les générations de Térakh : Térakh engendra Abram, Nakhor, et Haran. 27 [Ny taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
28 Et Haran engendra Lot. Et Haran mourut en la présence de Térakh, son père, au pays de sa naissance, à Ur des Chaldéens. 28 Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana.
29 — Et Abram et Nakhor prirent des femmes : le nom de la femme d’Abram était Saraï, et le nom de la femme de Nakhor, Milca, fille de Haran, père de Milca et père de Jisca. 29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.
30 Et Saraï était stérile, elle n’avait pas d’enfants. 30 Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
31 Et Térakh prit Abram son fils, et Lot, fils de Haran, fils de son fils, et Saraï, sa belle-fille, femme d’Abram, son fils ; et ils sortirent ensemble d’Ur des Chaldéens pour aller au pays de Canaan ; et ils vinrent jusqu’à Charan, et habitèrent là. 31 Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
32 Et les jours de Térakh furent deux cent cinq ans ; et Térakh mourut à Charan*. 32 Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
— v. 32 : date : A. C. 1921.  
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Et l’Éternel avait dit à Abram : Va-t’en de ton pays, et de ta parenté, et de la maison de ton père, dans le pays que je te montrerai ; 1 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
2 et je te ferai devenir une grande nation, et je te bénirai, et je rendrai ton nom grand, et tu seras une bénédiction ; 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
3 et je bénirai ceux qui te béniront, et je maudirai ceux qui te maudiront ; et en toi seront bénies toutes les familles de la terre. 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
4 Et Abram s’en alla, comme l’Éternel lui avait dit ; et Lot s’en alla avec lui. Et Abram était âgé de soixante-quinze ans lorsqu’il sortit de Charan. 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5 Et Abram prit Saraï, sa femme, et Lot, fils de son frère, et tout leur bien qu’ils avaient amassé, et les âmes qu’ils avaient acquises* à Charan, et ils sortirent pour aller au pays de Canaan ; et ils entrèrent au pays de Canaan. 5 Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
6 Et Abram passa au travers du pays, jusqu’au lieu de Sichem, jusqu’au chêne* de Moré. 6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7 Et le Cananéen était alors dans le pays. Et l’Éternel apparut à Abram, et dit : Je donnerai ce pays à ta semence. Et [Abram] bâtit là un autel à l’Éternel, qui lui était apparu. 7 Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
8 Et il se transporta de là vers la montagne, à l’orient de Béthel, et tendit sa tente, [ayant] Béthel à l’occident et Aï à l’orient ; et il bâtit là un autel à l’Éternel et invoqua le nom de l’Éternel. 8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
— v. 5 : litt.: faites. — v. 6 : ou : à la plaine.  
9 Et Abram partit, marchant et allant vers le midi*. 9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
10 Et il y eut une famine dans le pays ; et Abram descendit en Égypte pour y séjourner, car la famine pesait sur le pays. 10 Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.
11 Et il arriva, comme il était près d’entrer en Égypte, qu’il dit à Saraï, sa femme : Voici*, je sais que tu es une femme belle de visage ; 11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
12 et il arrivera que lorsque les Égyptiens te verront, ils diront : C’est sa femme ; et ils me tueront, et te laisseront vivre. 12 ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13 Dis, je te prie, que tu es ma sœur, afin qu’il m’arrive du bien en considération de toi, et que mon âme vive à cause de toi. 13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
— v. 9 : nom de la contrée située au midi de Juda, vers le désert. — v. 11 : litt.: Voici, je te prie.  
14 Et il arriva que, lorsque Abram entra en Égypte, les Égyptiens virent sa femme, qu’elle était très-belle. 14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
15 Et les princes du Pharaon la virent, et la louèrent devant le Pharaon ; et la femme fut emmenée dans la maison du Pharaon. 15 Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.
16 Et il traita bien Abram à cause d’elle ; et il eut du menu bétail et du gros bétail, et des ânes, et des serviteurs et des servantes*, et des ânesses, et des chameaux. 16 Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
17 Et l’Éternel frappa de grandes plaies le Pharaon et sa maison, à cause de Saraï, femme d’Abram. 17 Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
18 Et le Pharaon appela Abram, et dit : Qu’est-ce que tu m’as fait ? Pourquoi ne m’as-tu pas déclaré qu’elle était ta femme ? 18 Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19 Pourquoi as-tu dit : Elle est ma sœur, de sorte que je l’ai prise pour ma femme ; et maintenant, voici ta femme : prends-la, et va-t’en. 19 Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
20 Et le Pharaon donna ordre à ses gens à son sujet, et ils le renvoyèrent, lui, et sa femme, et tout ce qui était à lui. 20 Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
— v. 16 : c. à d. : des esclaves hommes et femmes.  
Chapitre 13 Chapitre 13
1 Et Abram monta d’Égypte vers le midi*, lui, et sa femme, et tout ce qui était à lui, et Lot avec lui. 1 [Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
2 Et Abram était très-riche en troupeaux, en argent et en or. 2 Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
3 Et il s’en alla, en ses traites, du midi jusqu’à Béthel, jusqu’au lieu où était sa tente au commencement, entre Béthel et Aï, 3 Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
4 au lieu où était l’autel qu’il y avait fait auparavant ; et Abram invoqua là le nom de l’Éternel. 4 dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
— v. 1 : nom de la contrée située au midi de Juda, vers le désert.  
5 Et Lot aussi, qui allait avec Abram, avait du menu et du gros bétail, et des tentes. 5 Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 Et le pays ne pouvait les porter pour qu’ils habitassent ensemble ; car leur bien était grand, et ils ne pouvaient habiter ensemble. 6 Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7 Et il y eut querelle entre les bergers des troupeaux d’Abram et les bergers des troupeaux de Lot. Et le Cananéen et le Phérézien habitaient alors dans le pays. 7 Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kana­nita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8 Et Abram dit à Lot : Qu’il n’y ait point, je te prie, de contestation entre moi et toi, et entre mes bergers et tes bergers, car nous sommes frères*. 8 Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9 Tout le pays n’est-il pas devant toi ? Sépare-toi, je te prie, d’avec moi. Si [tu prends] la gauche, j’irai à droite ; et si [tu prends] la droite, j’irai à gauche. 9 Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10 Et Lot leva ses yeux et vit toute la plaine du Jourdain, qui était arrosée partout, avant que l’Éternel détruisît Sodome et Gomorrhe, comme le jardin de l’Éternel, comme le pays d’Égypte, quand tu viens à Tsoar. 10 Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11 Et Lot choisit pour lui toute la plaine du Jourdain ; et Lot partit vers l’orient. Et ils se séparèrent l’un de l’autre : 11 Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12 Abram habita dans le pays de Canaan, et Lot habita dans les villes de la plaine, et dressa ses tentes jusqu’à Sodome. 12 Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 Or les hommes de Sodome étaient méchants, et grands pécheurs devant l’Éternel. 13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
— v. 8 : litt.: hommes frères.  
14 Et l’Éternel dit à Abram, après que Lot se fut séparé de lui : Lève tes yeux, et regarde, du lieu où tu es, vers le nord, et vers le midi, et vers l’orient, et vers l’occident ; 14 Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 car tout le pays que tu vois, je te le donnerai, et à ta semence, pour toujours ; 15 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 et je ferai que ta semence sera comme la poussière de la terre ; en sorte que, si quelqu’un peut compter la poussière de la terre, ta semence aussi sera comptée. 16 Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17 Lève-toi, et promène-toi dans le pays en long et en large, car je te le donnerai. 17 Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.
18 Et Abram leva ses tentes, et vint et habita auprès des chênes de Mamré, qui sont à Hébron ; et il bâtit là un autel à l’Éternel. 18 Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
* *
Chapitre 14 Chapitre 14
1 Et il arriva, aux jours d’Amraphel, roi de Shinhar, d’Arioc, roi d’Ellasar, de Kedor-Laomer, roi d’Élam, et de Tidhal, roi des nations*, 1 [Ny namaboana an'i Lota sy ny namonjen'i Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrama] Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
2 qu’ils firent la guerre contre Béra, roi de Sodome, et contre Birsha, roi de Gomorrhe, [contre] Shineab, roi d’Adma, et [contre] Shéméber, roi de Tseboïm, et [contre] le roi de Béla, qui est Tsoar. 2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
3 Tous ceux-ci se joignirent dans la vallée de Siddim, qui est la mer Salée. 3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
4 Douze ans, ils avaient été asservis à Kedor-Laomer, mais, la treizième année, ils se révoltèrent. 4 Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
5 Et la quatorzième année, Kedor-Laomer vint, et les rois qui étaient avec lui, et ils frappèrent les Rephaïm à Ashteroth-Karnaïm, et les Zuzim à Ham, et les Émim à Shavé-Kiriathaïm*, 5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
6 et les Horiens dans leur montagne de Séhir, jusqu’à El-Paran*, qui est près du désert. 6 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany El­parana, izay eo anilan'ny efitra.
7 Et ils retournèrent, et vinrent à En-Mishpath, qui est Kadès, et ils frappèrent toute la contrée des Amalékites, et aussi les Amoréens qui habitaient à Hatsatson-Thamar. 7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8 Et le roi de Sodome, et le roi de Gomorrhe, et le roi d’Adma, et le roi de Tseboïm, et le roi de Béla, qui est Tsoar, sortirent et se rangèrent en bataille contre eux dans la vallée de Siddim, 8 Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
9 contre Kedor-Laomer, roi d’Élam, et Tidhal, roi des nations, et Amraphel, roi de Shinhar, et Arioc, roi d’Ellasar : quatre rois contre cinq. 9 dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
10 Et la vallée de Siddim était pleine de puits de bitume ; et les rois* de Sodome et de Gomorrhe s’enfuirent, et y tombèrent ; et ceux qui restèrent s’enfuirent dans la montagne. 10 Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
11 Et ils prirent tous les biens de Sodome et de Gomorrhe, et tous leurs vivres, et ils s’en allèrent. 11 Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.
12 Ils prirent aussi Lot, fils du frère d’Abram, et son bien, et ils s’en allèrent ; car [Lot] habitait dans Sodome. 12 Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
— v. 1 : selon d’autres : de Goïm. — v. 5 : ou : dans la plaine de Kiriathaïm. — v. 6 : ou : jusqu’au térébinthe de Paran. — v. 10 : litt.: le roi.  
13 Et un homme qui était échappé, vint et le rapporta à Abram, l’Hébreu, qui demeurait auprès des chênes de Mamré, l’Amoréen, frère d’Eshcol et frère d’Aner : ceux-ci étaient alliés d’Abram. 13 Ary tonga ny anankiray izay efa nando­sitra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.
14 Et Abram apprit que son frère avait été emmené captif, et il mit en campagne ses hommes exercés, trois cent dix-huit [hommes], nés dans sa maison, et poursuivit [les rois] jusqu’à Dan ; 14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
15 et il divisa [sa troupe, et se jeta] sur eux de nuit, lui et ses serviteurs, et il les frappa, et les poursuivit jusqu’à Hoba, qui est à la gauche de Damas. 15 Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
16 Et il ramena tout le bien, et ramena aussi Lot, son frère, et son bien, et aussi les femmes et le peuple. 16 Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.
17 Et comme il s’en revenait après avoir frappé Kedor-Laomer et les rois qui étaient avec lui, le roi de Sodome sortit à sa rencontre dans la vallée de Shavé, qui est la vallée du roi. 17 Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
18 Et Melchisédec*, roi de Salem, fit apporter du pain et du vin, (or il était sacrificateur du *Dieu** Très-haut***) ; 18 Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
19 et il le bénit, et dit : Béni soit Abram de par le *Dieu Très-haut, possesseur des cieux et de la terre ! 19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
20 Et béni soit le *Dieu Très-haut, qui a livré tes ennemis entre tes mains ! Et [Abram] lui donna la dîme de tout. 20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
21 Et le roi de Sodome dit à Abram : Donne-moi les personnes*, et prends les biens pour toi. 21 Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
22 Et Abram dit au roi de Sodome : J’ai levé ma main vers l’Éternel, le *Dieu Très-haut, possesseur des cieux et de la terre : 22 Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23 si, depuis un fil jusqu’à une courroie de sandale, oui, si, de tout ce qui est à toi, je prends quoi que ce soit,… afin que tu ne dises pas : Moi, j’ai enrichi Abram !… 23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
24 sauf seulement ce qu’ont mangé les jeunes gens, et la part des hommes qui sont allés avec moi, Aner, Eshcol et Mamré : eux, ils prendront leur part. 24 afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
— v. 18* : roi de justice. — v. 18** : hébreu : El, le Fort, distingué toujours d’Élohim (Dieu), et d’Éloah (#Dieu), par l’astérisque* précédant le mot de Dieu ; comparer Genèse 1:1 et Deut. 32:15. — v. 18*** : Très-haut, en hébreu : Élion. — v. 21 : litt.: âmes.  
*  
Chapitre 15 Chapitre 15
1 Après ces choses, la parole de l’Éternel fut [adressée] à Abram dans une vision, disant : Abram, ne crains point ; moi, je suis ton bouclier [et] ta très-grande récompense. 1 [Ny nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
2 Et Abram dit : Seigneur Éternel, que me donneras-tu ? Je m’en vais sans enfants, et l’héritier* de ma maison, c’est Éliézer de Damas. 2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
3 Et Abram dit : Voici, tu ne m’as pas donné de postérité* ; et voici, celui qui est né dans** ma maison est mon héritier. 3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
4 Et voici, la parole de l’Éternel [vint] à lui, disant : Celui-ci ne sera pas ton héritier ; mais celui qui sortira de tes entrailles, lui, sera ton héritier. 4 Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
5 Et il le fit sortir dehors, et dit : Regarde vers les cieux, et compte les étoiles, si tu peux les compter. Et il lui dit : Ainsi sera ta semence. 5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
6 Et il crut l’Éternel ; et il lui compta cela à justice. 6 Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
7 Et il lui dit : Moi, je suis l’Éternel, qui t’ai fait sortir d’Ur des Chaldéens, afin de te donner ce pays-ci pour le posséder. 7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
8 Et il dit : Seigneur Éternel, à quoi connaîtrai-je que je le posséderai ? 8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
9 Et il lui dit : Prends une génisse de trois ans, et une chèvre de trois ans, et un bélier de trois ans, et une tourterelle, et un jeune pigeon. 9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
10 Et il prit toutes ces choses, et les partagea par le milieu, et en mit les moitiés l’une vis-à-vis de l’autre ; mais il ne partagea pas les oiseaux. 10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
11 Et les oiseaux de proie descendirent sur ces bêtes mortes ; et Abram les écarta. 11 Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
12 Et comme le soleil se couchait, un profond sommeil tomba sur Abram ; et voici, une frayeur, une grande obscurité, tomba sur lui. 12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
13 Et [l’Éternel] dit à Abram : Sache certainement que ta semence séjournera dans un pays qui n’est pas le sien, et ils l’asserviront, et l’opprimeront pendant quatre cents ans. 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
14 Mais aussi je jugerai, moi, la nation qui les aura asservis ; et après cela ils sortiront avec de grands biens. 14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
15 Et toi, tu t’en iras vers tes pères en paix ; tu seras enterré en bonne vieillesse. 15 Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
16 Et en la quatrième génération ils reviendront ici, car l’iniquité des Amoréens n’est pas encore venue à son comble. 16 Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
17 Et il arriva que le soleil s’étant couché, il y eut une obscurité épaisse ; et voici une fournaise fumante, et un brandon de feu qui passa entre les pièces des animaux*. 17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
18 En ce jour-là, l’Éternel fit une alliance avec Abram, disant : Je donne ce pays à ta semence, depuis le fleuve* d’Égypte jusqu’au grand fleuve, le fleuve Euphrate : 18 Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
19 le Kénien, et le Kenizien, et le Kadmonien, 19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
20 et le Héthien, et le Phérézien, et les Rephaïm, 20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
21 et l’Amoréen, et le Cananéen, et le Guirgasien, et le Jébusien. 21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
— v. 2 : ou : l’intendant. — v. 3* : proprement : semence ; comparer verset 5. — v. 3** : litt.: le fils de. — v. 17 : litt.: ces pièces. — v. 18 : quelques-uns : le torrent.  
Chapitre 16 Chapitre 16
1 Et Saraï, femme d’Abram, ne lui donnait pas d’enfant ; et elle avait une servante égyptienne, et son nom était Agar. 1 [Ny nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Et Saraï dit à Abram : Tu vois que* l’Éternel m’a empêchée d’avoir des enfants ; va, je te prie, vers ma servante ; peut-être me bâtirai-je [une maison] par elle. Et Abram écouta la voix de Saraï. 2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.
3 Et Saraï, femme d’Abram, prit Agar, l’Égyptienne, sa servante, après qu’Abram eut demeuré dix ans au pays de Canaan, et la donna à Abram, son mari, pour femme. 3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
— v. 2 : en hébreu : Voici, je te prie.  
4 Et il vint vers Agar, et elle conçut ; et elle vit qu’elle avait conçu, et sa maîtresse fut méprisée à ses yeux. 4 Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
5 Et Saraï dit à Abram : Le tort qui m’est fait est sur toi : moi, je t’ai donné ma servante dans ton sein ; et elle voit qu’elle a conçu, et je suis méprisée à ses yeux. L’Éternel jugera entre moi et toi ! 5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia na­taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
6 Et Abram dit à Saraï : Voici, ta servante est entre tes mains, fais-lui comme il sera bon à tes yeux. Et Saraï la maltraita, et elle s’enfuit de devant elle. 6 Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
   
7 Mais l’Ange de l’Éternel la trouva près d’une fontaine d’eau dans le désert, près de la fontaine qui est sur le chemin de Shur. 7 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora.
8 Et il dit : Agar, servante de Saraï, d’où viens-tu, et où vas-tu ? Et elle dit : Je m’enfuis de devant Saraï, ma maîtresse. 8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.
9 Et l’Ange de l’Éternel lui dit : Retourne vers ta maîtresse, et humilie-toi sous sa main. 9 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
10 Et l’Ange de l’Éternel lui dit : Je multiplierai beaucoup ta semence, et elle ne pourra se nombrer à cause de sa multitude. 10 Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
11 Et l’Ange de l’Éternel lui dit : Voici, tu es enceinte, et tu enfanteras un fils, et tu appelleras son nom Ismaël*, car l’Éternel a entendu ton affliction. 11 Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12 Et lui, sera un âne sauvage* ; sa main sera contre tous, et la main de tous sera contre lui ; et il habitera à la vue de tous ses frères. 12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
13 Et elle appela le nom de l’Éternel qui lui avait parlé : Tu es le *Dieu qui te révèles* ; car elle dit : N’ai-je pas aussi vu ici, après qu’il s’est révélé ? 13 Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
14 C’est pourquoi on a appelé le puits : Beër-Lakhaï-roï* ; voici, il est entre Kadès et Béred. 14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.
— v. 11 : El a entendu. — v. 12 : litt.: un âne sauvage d’homme. — v. 13 : quelques-uns : qui voit ; d’autres : qui me voit ; le reste du verset à l’avenant. — v. 14 : puits du Vivant qui se révèle.  
15 Et Agar enfanta un fils à Abram ; et Abram appela le nom de son fils, qu’Agar enfanta, Ismaël. 15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.
16 Et Abram était âgé de quatre-vingt-six ans lorsque Agar enfanta Ismaël à Abram. 16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
* *
Chapitre 17 Chapitre 17
1 Et Abram était âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans ; et l’Éternel apparut à Abram, et lui dit : Je suis le *Dieu Tout-puissant* ; marche devant ma face, et sois parfait ; 1 [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2 et je mettrai mon alliance entre moi et toi, et je te multiplierai extrêmement. 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 Et Abram tomba sur sa face, et Dieu parla avec lui, disant : 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
4 Quant à moi, voici, mon alliance est avec toi, et tu seras père d’une multitude de nations ; 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
5 et ton nom ne sera plus appelé Abram*, mais ton nom sera Abraham**, car je t’ai établi père d’une multitude de nations. 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.
6 Et je te ferai fructifier extrêmement, et je te ferai devenir des nations ; et des rois sortiront de toi. 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
7 Et j’établirai mon alliance entre moi et toi et ta semence après toi, en leurs générations, pour être une alliance perpétuelle, afin que je sois ton Dieu, à toi et à ta semence après toi. 7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8 Et je te donne, et à ta semence après toi, le pays de ton séjournement, tout le pays de Canaan, en possession perpétuelle ; et je serai leur Dieu. 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
9 Et Dieu dit à Abraham : Et toi, tu garderas mon alliance, toi et ta semence après toi, en leurs générations. 9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
10 C’est ici mon alliance, que vous garderez entre moi et vous et ta semence après toi : que tout mâle d’entre vous soit circoncis. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11 Et vous circoncirez la chair de votre prépuce, et ce sera un signe d’alliance entre moi et vous. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
12 Et tout mâle de huit jours, en vos générations, sera circoncis parmi vous, celui qui est né dans la maison, et celui qui est acheté à prix d’argent, tout fils d’étranger qui n’est point de ta semence. 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
13 On ne manquera point de circoncire celui qui est né dans ta maison et celui qui est acheté de ton argent ; et mon alliance sera en votre chair comme alliance perpétuelle. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
14 Et le mâle incirconcis, qui n’aura point été circoncis en la chair de son prépuce, cette âme sera retranchée de ses peuples : il a violé mon alliance. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
— v. 1 : Shaddaï, (pluriel ?) de Shad, puissance. — v. 5* : père élevé. — v. 5** : père d’une multitude.  
15 Et Dieu dit à Abraham : Quant à Saraï*, ta femme, tu n’appelleras plus son nom Saraï ; mais Sara** sera son nom. 15 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
16 Et je la bénirai, et même je te donnerai d’elle un fils ; et je la bénirai, et elle deviendra des nations ; des rois de peuples sortiront d’elle. 16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
17 Et Abraham tomba sur sa face, et il rit et dit en son cœur : Naîtrait-il [un fils] à un homme âgé de cent ans ? et Sara, âgée de quatre-vingt-dix ans, enfanterait-elle ? 17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
18 Et Abraham dit à Dieu : Oh, qu’Ismaël vive devant toi ! 18 Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
19 Et Dieu dit : Certainement Sara, ta femme, t’enfantera un fils ; et tu appelleras son nom Isaac* ; et j’établirai mon alliance avec lui, comme alliance perpétuelle, pour sa semence après lui. 19 Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.
20 Et, à l’égard d’Ismaël, je t’ai exaucé : voici, je l’ai béni, et je le ferai fructifier et multiplier extrêmement ; il engendrera douze chefs, et je le ferai devenir une grande nation. 20 Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
21 Mais mon alliance, je l’établirai avec Isaac, que Sara t’enfantera en cette saison, l’année qui vient. 21 Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
22 Et ayant achevé de parler avec lui, Dieu monta d’auprès d’Abraham. 22 Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.
— v. 15* : princière, ou : qui lutte. — v. 15** : princesse. — v. 19 : hébreu : Itskhak, rire.  
23 Et Abraham prit Ismaël, son fils, et tous ceux qui étaient nés dans sa maison, et tous ceux qui avaient été achetés de son argent, tous les mâles parmi les gens de la maison d’Abraham, et il circoncit la chair de leur prépuce en ce même jour-là, comme Dieu lui avait dit. 23 Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
24 Et Abraham était âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans lorsqu’il fut circoncis en la chair de son prépuce ; 24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
25 et Ismaël, son fils, était âgé de treize ans lorsqu’il fut circoncis en la chair de son prépuce. 25 Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
26 En ce même jour-là Abraham fut circoncis, et Ismaël son fils, 26 Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;
27 et tous les hommes de sa maison, ceux qui étaient nés dans la maison, et ceux qui avaient été achetés à prix d’argent d’entre les fils de l’étranger, furent circoncis avec lui. 27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
* *
Chapitre 18 Chapitre 18
1 Et l’Éternel lui apparut auprès des chênes de Mamré ; et il était assis à l’entrée de la tente, pendant la chaleur du jour. 1 [Ny nisehoan'ny anjely telo tamin'i Abrahama] Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
2 Et il leva les yeux et regarda ; et voici, trois hommes se tenaient près de lui ; et quand il les vit, il courut de l’entrée de la tente à leur rencontre, et se prosterna en terre ; 2 dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
3 et il dit : Seigneur, si j’ai trouvé grâce à tes yeux, ne passe point outre, je te prie, d’auprès de ton serviteur. 3 ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
4 Qu’on prenne, je te prie, un peu d’eau, et vous laverez vos pieds, et vous vous reposerez sous l’arbre ; 4 Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
5 et je prendrai un morceau de pain, et vous réconforterez votre cœur, après quoi vous passerez outre ; car c’est pour cela que vous avez passé près de votre serviteur. Et ils dirent : Fais ainsi comme tu l’as dit 5 dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
   
6 Et Abraham alla en hâte dans la tente vers Sara, et dit : Prends vite trois mesures* de fleur de farine, pétris, et fais des gâteaux. 6 Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7 Et Abraham courut au troupeau, et prit un veau tendre et bon, et le donna à un jeune homme qui se hâta de l’apprêter. 7 Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8 Et il prit de la crème et du lait, et le veau qu’il avait apprêté, et le mit devant eux, et il se tint auprès d’eux sous l’arbre, et ils mangèrent. 8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
— v. 6 : hébreu : séa.  
9 Et ils lui dirent : Où est Sara, ta femme ? Et il dit : Voici, dans la tente. 9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10 Et il dit : Je reviendrai certainement vers toi quand [son] terme sera là*, et voici, Sara, ta femme, aura un fils. Et Sara écoutait** à l’entrée de la tente, qui était derrière lui. 10 Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
11 Or Abraham et Sara étaient vieux, avancés en âge ; Sara avait cessé d’avoir ce qu’ont les femmes. 11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
12 Et Sara rit en elle-même, disant : Étant vieille aurai-je du plaisir ? … mon seigneur aussi est âgé. 12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
13 Et l’Éternel dit à Abraham : Pourquoi Sara a-t-elle ri, disant : Est-ce que vraiment j’aurai un enfant, moi qui suis vieille ? 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
14 Y a-t-il quelque chose qui soit trop difficile pour l’Éternel ? Au temps fixé je reviendrai vers toi, quand [son] terme sera là*, et Sara aura un fils. 14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15 Et Sara [le] nia, disant : Je n’ai pas ri ; car elle eut peur. Et il dit : Non, car tu as ri. 15 Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
— v. 10*, 14 : selon d’autres : en cette même saison. — v. 10** : ou : entendait.  
16 Et les hommes se levèrent de là, et regardèrent du côté de Sodome ; et Abraham allait avec eux pour leur faire la conduite. 16 [Ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma] Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17 Et l’Éternel dit : Cacherai-je à Abraham ce que je vais faire, 17 Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?
18 puisque Abraham doit certainement devenir une nation grande et forte, et qu’en lui seront bénies toutes les nations de la terre ? 18 Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
19 Car je le connais, [et je sais] qu’il commandera à ses fils et à sa maison après lui de garder la voie de l’Éternel, pour pratiquer ce qui est juste et droit, afin que l’Éternel fasse venir sur Abraham ce qu’il a dit à son égard. 19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
20 Et l’Éternel dit : Parce que le cri de Sodome et de Gomorrhe est grand, et que leur péché est très-aggravé, 20 Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
21 eh bien, je descendrai, et je verrai s’ils ont fait entièrement selon le cri qui en est venu jusqu’à moi ; et sinon, je le saurai. 21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
   
22 Et les hommes se détournèrent de là, et ils allaient vers Sodome ; et Abraham se tenait encore devant l’Éternel. 22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
23 Et Abraham s’approcha, et dit : Feras-tu périr le juste avec le méchant ? 23 Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?
24 Peut-être y a-t-il cinquante justes dans la ville ; [la] détruiras-tu, et ne pardonneras-tu pas à la ville* à cause des cinquante justes qui seront en elle ? 24 Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
25 Loin de toi d’agir de cette manière, de faire mourir le juste avec le méchant, et qu’il en soit du juste comme du méchant ! Loin de toi ! Le juge de toute la terre ne fera-t-il pas ce qui est juste ? 25 Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
26 Et l’Éternel dit : Si je trouve dans Sodome cinquante justes, au dedans de la ville, je pardonnerai à tout le lieu à cause d’eux. 26 Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
27 Et Abraham répondit et dit : Voici, je te prie, j’ai osé parler au Seigneur, moi qui suis poussière et cendre. 27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
28 Peut-être en manquera-t-il cinq, des cinquante justes ; détruiras-tu pour cinq toute la ville ? Et il dit : Je ne la détruirai pas, si j’y en trouve quarante-cinq. 28 Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
29 Et il continua encore de lui parler, et dit : Peut-être s’y en trouvera-t-il quarante ? Et il dit : Je ne le ferai pas, à cause des quarante. 29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
30 Et il dit : Je te prie, que le Seigneur ne s’irrite pas, et je parlerai : Peut-être s’y en trouvera-t-il trente ? Et il dit : Je ne le ferai pas, si j’y en trouve trente. 30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31 Et il dit : Voici, j’ai osé parler au Seigneur : Peut-être s’y en trouvera-t-il vingt ? Et il dit : Je ne la détruirai pas, à cause des vingt. 31 ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32 Et il dit : Je te prie, que le Seigneur ne s’irrite pas, et je parlerai encore une seule fois : Peut-être s’y en trouvera-t-il dix ? Et il dit : Je ne la détruirai pas, à cause des dix. 32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
33 Et l’Éternel s’en alla quand il eut achevé de parler à Abraham ; et Abraham s’en retourna en son lieu. 33 Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
— v. 24 : litt.: au lieu.  
Chapitre 19 Chapitre 19
1 Et les deux anges vinrent à Sodome sur le soir ; et Lot était assis à la porte de Sodome. Et Lot les vit, et il se leva pour aller à leur rencontre, et se prosterna le visage en terre ; 1 [Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
2 et il dit : Voici, mes seigneurs, détournez-vous, je vous prie, vers la maison de votre serviteur, et passez-y la nuit, et lavez vos pieds ; et vous vous lèverez le matin, et vous irez votre chemin. Et ils dirent : Non, mais nous passerons la nuit sur la place. 2 Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
3 Et il les pressa beaucoup, et ils se détournèrent [pour aller] chez lui, et entrèrent dans sa maison ; et il leur fit un festin, et cuisit des pains sans levain, et ils mangèrent. 3 Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
4 Ils n’étaient pas encore couchés que les hommes de la ville, les hommes de Sodome, entourèrent la maison, depuis le jeune homme jusqu’au vieillard, tout le peuple de tous les bouts [de la ville]. 4 Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
5 Et ils appelèrent Lot, et lui dirent : Où sont les hommes qui sont entrés chez toi cette nuit ? Fais-les sortir vers nous, afin que nous les connaissions. 5 dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6 Et Lot sortit vers eux à l’entrée, et ferma la porte après lui ; 6 Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7 et il dit : Je vous prie, mes frères, ne faites pas [ce] mal. 7 ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8 Voici, j’ai deux filles qui n’ont point connu d’homme ; laissez-moi les faire sortir vers vous, et faites-leur comme il vous plaira*. Seulement, à ces hommes ne faites rien, car c’est pour cela qu’ils sont venus à l’ombre de mon toit. 8 Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
9 Et ils dirent : Retire-toi ! Et ils dirent : Cet individu est venu pour séjourner [ici], et il veut faire le juge ! Maintenant nous te ferons pis qu’à eux. Et ils pressaient beaucoup Lot*, et s’approchèrent pour briser la porte. 9 Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
10 Et les hommes étendirent leurs mains et firent entrer Lot vers eux dans la maison, et fermèrent la porte. 10 Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
11 Et ils frappèrent de cécité les hommes qui étaient à l’entrée de la maison, depuis le plus petit jusqu’au plus grand, [de sorte] qu’ils se lassèrent à chercher l’entrée. 11 Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
— v. 8 : litt.: sera bon à vos yeux. — v. 9 : litt.: l’homme, Lot.  
12 Et les hommes dirent à Lot : Qui as-tu encore ici ? Gendre, et tes fils, et tes filles, et tout ce que tu as dans la ville, fais-les sortir de ce lieu ; 12 Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity;
13 car nous allons détruire ce lieu, car leur cri est devenu grand devant l’Éternel ; et l’Éternel nous a envoyés pour le détruire. 13 fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
14 Et Lot sortit, et parla à ses gendres qui avaient pris ses filles, et dit : Levez-vous, sortez de ce lieu, car l’Éternel va détruire la ville. Et il sembla aux yeux de ses gendres qu’il se moquait. 14 Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
   
15 Et comme l’aube du jour se levait, les anges pressèrent Lot, disant : Lève-toi, prends ta femme et tes deux filles qui se trouvent ici, de peur que tu ne périsses dans l’iniquité* de la ville. 15 Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
16 Et il tardait ; et les hommes saisirent sa main, et la main de sa femme, et la main de ses deux filles, l’Éternel ayant pitié de lui ; et ils le firent sortir, et le laissèrent hors de la ville. 16 Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
17 Et il arriva, quand ils les eurent fait sortir dehors, qu’il dit : Sauve-toi, pour ta vie ! ne regarde pas derrière toi, et ne t’arrête pas dans toute la plaine ; sauve-toi sur la montagne, de peur que tu ne périsses. 17 Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
18 Et Lot leur dit : Non, Seigneur, je te prie ! 18 Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
19 Voici, ton serviteur a trouvé grâce à tes yeux, et la bonté dont tu as usé à mon égard en conservant mon âme en vie a été grande ; et je ne puis me sauver vers la montagne, de peur que le mal ne m’atteigne, et que je ne meure. 19 indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
20 Voici, je te prie, cette ville-là est proche pour y fuir, et elle est petite ; que je m’y sauve donc, (n’est-elle pas petite ?) et mon âme vivra. 20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
21 Et il lui dit : Voici, j’ai accueilli ta demande en cette chose aussi, de ne pas détruire la ville dont tu as parlé. 21 Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
22 Hâte-toi de te sauver là ; car je ne peux rien faire jusqu’à ce que tu y sois entré. C’est pourquoi on a appelé le nom de la ville Tsoar*. 22 Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
23 Le soleil se levait sur la terre quand Lot entra dans Tsoar. 23 Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
— v. 15 : quelques-uns : châtiment. — v. 22 : petit.  
24 Et l’Éternel fit pleuvoir des cieux sur Sodome et sur Gomorrhe du soufre et du feu, de la part de l’Éternel ; 24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
25 et il détruisit ces villes, et toute la plaine, et tous les habitants des villes, et les plantes de la terre. 25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.
26 Et la femme de Lot* regarda en arrière, et elle devint une statue de sel. 26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
— v. 26 : litt.: sa femme.  
27 Et Abraham se leva de bon matin, [et vint] au lieu où il s’était tenu devant l’Éternel. 27 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
28 Et il regarda du côté de Sodome et de Gomorrhe, et du côté de tout le pays de la plaine, et il vit, et voici, la fumée de la terre montait comme la fumée d’une fournaise. 28 ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
29 Et il arriva, lorsque Dieu détruisit les villes de la plaine, que Dieu se souvint d’Abraham et renvoya Lot hors de la destruction, quand il détruisit les villes dans lesquelles Lot habitait. 29 Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota.
   
30 Et Lot monta de Tsoar, et habita dans la montagne, et ses deux filles avec lui ; car il eut peur d’habiter dans Tsoar ; et il habita dans une caverne, lui et ses deux filles. 30 [Ny niandohan'ny firenen'i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Et l’aînée dit à la plus jeune : Notre père est vieux, et il n’y a pas d’homme sur la terre pour venir vers nous selon la manière de toute la terre. 31 Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;
32 Viens, faisons boire du vin à notre père, et couchons avec lui, afin que nous conservions* une semence de notre père. 32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
33 Et elles firent boire du vin à leur père cette nuit-là ; et l’aînée vint et coucha avec son père ; et il ne s’aperçut ni quand elle se coucha, ni quand elle se leva. 33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
34 Et il arriva, le lendemain, que l’aînée dit à la plus jeune : Voici, j’ai couché la nuit passée avec mon père ; faisons-lui boire du vin encore cette nuit ; et va, couche avec lui, et nous conserverons une semence de notre père. 34 Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
35 Et elles firent boire du vin à leur père cette nuit-là aussi ; et la plus jeune se leva, et coucha avec lui ; et il ne s’aperçut ni quand elle se coucha ni quand elle se leva. 35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
36 Et les deux filles de Lot conçurent de leur père. 36 Dia samy nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy.
37 Et l’aînée enfanta un fils, et appela son nom Moab : lui, est le père de Moab, jusqu’à ce jour. 37 Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka androany.
38 Et la plus jeune, elle aussi, enfanta un fils, et appela son nom Ben-Ammi : lui, est le père des fils d’Ammon, jusqu’à ce jour. 38 Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.
— v. 32 : litt.: fassions vivre.  
* *
Chapitre 20 Chapitre 20
1 Et Abraham s’en alla de là au pays du midi, et habita entre Kadès et Shur, et séjourna à Guérar. 1 [Ny nivahinian'i Abrahama tao Gerara] Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2 Et Abraham dit de Sara, sa femme : Elle est ma sœur. Et Abimélec, roi de Guérar, envoya et prit Sara. 2 Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
3 Et Dieu vint vers Abimélec la nuit, dans un songe, et lui dit : Voici, tu es mort à cause de la femme que tu as prise, car elle est une femme mariée. 3 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
4 Or Abimélec ne s’était pas approché d’elle ; et il dit : Seigneur, feras-tu périr même une nation juste ? 4 Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
5 Ne m’a-t-il pas dit : Elle est ma sœur ? Et elle-même m’a dit : Il est mon frère. J’ai fait cela dans l’intégrité de mon cœur et dans l’innocence de mes mains. 5 Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako izany.
6 Et Dieu lui dit en songe : Moi aussi je sais que tu as fait cela dans l’intégrité de ton cœur, et aussi je t’ai retenu de pécher contre moi ; c’est pourquoi je n’ai pas permis que tu la touchasses. 6 Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
7 Et maintenant, rends la femme de cet homme ; car il est prophète, et il priera pour toi, et tu vivras. Mais si tu ne la rends pas, sache que tu mourras certainement, toi et tout ce qui est à toi. 7 Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
8 Et Abimélec se leva de bon matin, et appela tous ses serviteurs, et dit toutes ces paroles à leurs oreilles ; et ces hommes eurent une grande peur. 8 Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
9 Et Abimélec appela Abraham, et lui dit : Que nous as-tu fait ? et en quoi ai-je péché contre toi, que tu aies fait venir sur moi et sur mon royaume un grand péché ? Tu as fait à mon égard des choses qui ne se doivent pas faire 9 Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
10 Et Abimélec dit à Abraham : Qu’as-tu vu pour avoir fait ainsi ? 10 Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
11 Et Abraham dit : C’est parce que je disais : Assurément il n’y a point de crainte de Dieu en ce lieu, et ils me tueront à cause de ma femme. 11 Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.
12 Et aussi, à la vérité, elle est ma sœur, fille de mon père ; seulement elle n’est pas fille de ma mère, et elle est devenue ma femme. 12 Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
13 Et il est arrivé, lorsque Dieu m’a fait errer loin de la maison de mon père, que je lui ai dit : Voici la grâce que tu me feras : Dans tous les lieux où nous arriverons, dis de moi : Il est mon frère. 13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
   
14 Et Abimélec prit du menu bétail et du gros bétail, et des serviteurs et des servantes, et il les donna à Abraham, et lui rendit Sara, sa femme ; 14 Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
15 et Abimélec dit : Voici, mon pays est devant toi ; habite où il te plaira. 15 Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
16 Et à Sara il dit : Voici, j’ai donné mille [pièces] d’argent à ton frère ; voici, cela te sera une couverture des yeux pour tous ceux qui sont avec toi, et pour tous. Ainsi elle fut reprise. 16 Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
17 Et Abraham pria Dieu, et Dieu guérit Abimélec, et sa femme et ses servantes, et elles eurent des enfants : 17 Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
18 car l’Éternel avait entièrement fermé toute matrice de la maison d’Abimélec, à cause de Sara, femme d’Abraham. 18 Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
Chapitre 21 Chapitre 21
1 Et l’Éternel visita Sara comme il avait dit, et l’Éternel fit à Sara comme il en avait parlé. 1 [Ny nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.
2 Et Sara conçut, et enfanta à Abraham un fils dans sa vieillesse, au temps fixé dont Dieu lui avait parlé. 2 Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
3 Et Abraham appela le nom de son fils qui lui était né, que Sara lui avait enfanté, Isaac. 3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
4 Et Abraham circoncit Isaac, son fils, à l’âge de huit jours, comme Dieu le lui avait commandé. 4 Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
5 Et Abraham était âgé de cent ans lorsque Isaac, son fils, lui naquit. 5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
6 Et Sara dit : Dieu m’a donné lieu de rire ; quiconque l’entendra rira avec moi*. 6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7 Et elle dit : Qui eût dit à Abraham : Sara allaitera des fils ? Car je lui ai enfanté un fils dans sa vieillesse.* 7 Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
— v. 6 : ou : à mon sujet ; voir 17:19. — v. 7 : date : A.C. 1896.  
8 Et l’enfant grandit, et fut sevré ; et Abraham fit un grand festin le jour où Isaac fut sevré. 8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
9 Et Sara vit rire le fils d’Agar, l’Égyptienne, qu’elle avait enfanté à Abraham ; 9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
10 et elle dit à Abraham : Chasse cette servante et son fils ; car le fils de cette servante n’héritera pas avec mon fils, avec Isaac. 10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
11 Et cela fut très-mauvais aux yeux d’Abraham, à cause de son fils. 11 Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
12 Et Dieu dit à Abraham : Que cela ne soit pas mauvais à tes yeux à cause de l’enfant, et à cause de ta servante. Dans tout ce que Sara t’a dit, écoute sa voix ; car en Isaac te sera appelée [une] semence. 12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13 Et je ferai aussi devenir une nation le fils de la servante, car il est ta semence. 13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14 Et Abraham se leva de bon matin, et il prit du pain et une outre d’eau, et les donna à Agar, les mettant sur son épaule, et [il lui donna] l’enfant, et la renvoya. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
15 Et elle s’en alla, et erra dans le désert de Beër-Shéba. 15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
16 Et l’eau de l’outre étant épuisée, elle jeta l’enfant sous un des arbrisseaux, et s’en alla et s’assit vis-à-vis, à une portée d’arc ; car elle disait : Que je ne voie pas mourir l’enfant. Et elle s’assit vis-à-vis, et elle éleva sa voix et pleura. 16 Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
17 Et Dieu entendit la voix de l’enfant, et l’Ange de Dieu appela des cieux Agar, et lui dit : Qu’as-tu, Agar ? Ne crains point, car Dieu a entendu la voix de l’enfant, là où il est. 17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
18 Lève-toi, relève l’enfant et prends-le de ta main ; car je le ferai devenir une grande nation. 18 Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19 Et Dieu lui ouvrit les yeux, et elle vit un puits d’eau ; et elle alla et remplit d’eau l’outre, et fit boire l’enfant. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 Et Dieu fut avec l’enfant, et il grandit, et habita dans le désert et devint tireur d’arc. 20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21 Et il habita dans le désert de Paran ; et sa mère lui prit une femme du pays d’Égypte. 21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
   
22 Et il arriva, dans ce temps-là, qu’Abimélec, et Picol, chef de son armée, parlèrent à Abraham, disant : Dieu est avec toi en tout ce que tu fais. 22 [Ny fanekena nataon'i Abrahama sy Abimeleka] Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay re­hetra ataonao;
23 Et maintenant, jure-moi ici, par Dieu, que tu n’agiras faussement ni envers moi, ni envers mes enfants, ni envers mes petits-enfants : selon la bonté dont j’ai usé envers toi, tu agiras envers moi et envers le pays dans lequel tu as séjourné. 23 koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
24 Et Abraham dit : Je le jurerai. 24 Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
25 Et Abraham reprit Abimélec à cause d’un puits d’eau dont les serviteurs d’Abimélec s’étaient emparés de force. 25 Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny
26 Et Abimélec dit : Je ne sais pas qui a fait cette chose-là, et aussi tu ne m’en as pas averti, et moi, je n’en ai entendu parler qu’aujourd’hui. 26 Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27 Et Abraham prit du menu et du gros bétail, et le donna à Abimélec, et ils firent alliance, eux deux. 27 Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28 Et Abraham mit à part sept jeunes brebis du troupeau ; 28 Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
29 et Abimélec dit à Abraham : Qu’est-ce que ces sept jeunes brebis que tu as mises à part ? 29 Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30 Et il répondit : C’est que tu prendras de ma main ces sept jeunes brebis, pour me servir de témoignage que j’ai creusé ce puits. 30 Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31 C’est pourquoi on appela ce lieu-là Beër-Shéba*, parce qu’ils y jurèrent, les deux. 31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
32 Et ils firent alliance à Beër-Shéba. Et Abimélec se leva, et Picol, chef de son armée, et ils retournèrent au pays des Philistins. 32 Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
33 Et [Abraham] planta un tamarisc* à Beër-Shéba ; et là il invoqua le nom de l’Éternel, le *Dieu d’éternité. 33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
34 Et Abraham séjourna longtemps dans le pays des Philistins. 34 Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
— v. 31 : puits du serment. — v. 33 : ou : bosquet.  
* *
Chapitre 22 Chapitre 22
1 Et il arriva, après ces choses, que Dieu éprouva* Abraham, et lui dit : Abraham ! Et il dit : Me voici. 1 [Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2 Et [Dieu] dit : Prends ton fils, ton unique, celui que tu aimes, Isaac, et va-t’en au pays de Morija, et là offre-le en holocauste, sur une des montagnes que je te dirai. 2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
3 Et Abraham se leva de bon matin et bâta son âne et prit avec lui deux de ses jeunes hommes, et Isaac, son fils ; et il fendit le bois pour l’holocauste, et se leva, et s’en alla vers le lieu que Dieu lui avait dit. 3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,
— v. 1 : même mot que tenter.  
4 Le troisième jour, Abraham leva ses yeux, et vit le lieu de loin. 4 Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
5 Et Abraham dit à ses jeunes hommes : Restez ici, vous, avec l’âne ; et moi et l’enfant nous irons jusque-là, et nous adorerons ; et nous reviendrons vers vous. 5 Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
6 Et Abraham prit le bois de l’holocauste, et le mit sur Isaac, son fils ; et il prit dans sa main le feu et le couteau ; et ils allaient les deux ensemble. 6 Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
7 Et Isaac parla à Abraham, son père, et dit : Mon père ! Et il dit : Me voici, mon fils. Et il dit : Voici le feu et le bois ; mais où est l’agneau pour l’holocauste ? 7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
8 Et Abraham dit : Mon fils, Dieu se pourvoira de l’agneau pour l’holocauste. Et ils allaient les deux ensemble. 8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
9 Et ils arrivèrent au lieu que Dieu lui avait dit. Et Abraham bâtit là l’autel, et arrangea le bois, et lia Isaac, son fils, et le mit sur l’autel, sur le bois. 9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
10 Et Abraham étendit sa main et prit le couteau pour égorger son fils. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11 Mais l’Ange de l’Éternel lui cria des cieux, et dit : Abraham ! Abraham ! Et il dit : Me voici. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
12 Et il dit : N’étends pas ta main sur l’enfant, et ne lui fais rien ; car maintenant je sais que tu crains Dieu, et que tu ne m’as pas refusé ton fils, ton unique. 12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13 Et Abraham leva ses yeux, et vit, et voici, il y avait derrière [lui] un bélier retenu à un buisson par les cornes ; et Abraham alla et prit le bélier, et l’offrit en holocauste à la place de son fils. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
14 Et Abraham appela le nom de ce lieu-là : Jéhovah-Jiré*, comme on dit aujourd’hui : En la montagne de l’Éternel il y sera pourvu. 14 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah.
— v. 14 : L’Éternel y pourvoira.  
15 Et l’Ange de l’Éternel cria des cieux à Abraham, une seconde fois, 15 Dia niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
16 et dit : J’ai juré par moi-même, dit l’Éternel : Parce que tu as fait cette chose-là, et que tu n’as pas refusé ton fils, ton unique, 16 ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
17 certainement je te bénirai, et je multiplierai abondamment ta semence comme les étoiles des cieux et comme le sable qui est sur le bord de la mer ; et ta semence possédera la porte de ses ennemis. 17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;
18 Et toutes les nations de la terre se béniront* en ta semence, parce que tu as écouté ma voix. 18 ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
— v. 18 : ou : seront bénies.  
19 Et Abraham retourna vers ses jeunes hommes ; et ils se levèrent, et s’en allèrent ensemble à Beër-Shéba ; et Abraham habita à Beër-Shéba. 19 Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
   
* *
20 Et il arriva, après ces choses, qu’on rapporta à Abraham en disant : Voici, Milca, elle aussi, a enfanté des enfants à Nakhor, ton frère : 20 [Ny taranak'i Nahora] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,
21 Uts, son premier-né ; et Buz, son frère ; et Kemuel, père d’Aram ; 21 dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama,
22 et Késed, et Hazo, et Pildash et Jidlaph, et Bethuel. 22 ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
23 Or Bethuel engendra Rebecca. Milca enfanta ces huit à Nakhor, frère d’Abraham. 23 Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama.
24 Et sa concubine, nommée Reüma, elle aussi enfanta Tébakh, et Gakham, et Thakhash, et Maaca. 24 Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.
* *
Chapitre 23 Chapitre 23
1 Et la vie de Sara fut de cent vingt-sept ans : [ce sont là] les années de la vie de Sara. 1 [Ny nahafatesan'i Saraha sy ny nandevenana azy] Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
2 Et Sara mourut à Kiriath-Arba, qui est Hébron, dans le pays de Canaan ; et Abraham vint pour mener deuil sur Sara, et pour la pleurer. 2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
   
3 Et Abraham se leva de devant son mort ; et il parla aux fils de Heth, disant : 3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe:
4 Je suis étranger, habitant parmi vous ; donnez-moi la possession d’un sépulcre parmi vous, et j’enterrerai mon mort de devant moi. 4 Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
5 Et les fils de Heth répondirent à Abraham, lui disant : 5 Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
6 Écoute-nous, mon seigneur : Tu es un prince de Dieu au milieu de nous ; enterre ton mort dans le meilleur de nos sépulcres ; aucun de nous ne te refusera son sépulcre pour y enterrer ton mort. 6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
7 Et Abraham se leva, et se prosterna devant le peuple du pays, devant les fils de Heth ; 7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
8 et il leur parla, disant : Si c’est votre volonté que j’enterre mon mort de devant moi, écoutez-moi, et intercédez pour moi auprès d’Éphron, fils de Tsokhar, 8 dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara,
9 afin qu’il me donne la caverne de Macpéla, qui est à lui, qui est au bout de son champ ; qu’il me la donne au milieu de vous pour sa pleine valeur, afin que je la possède comme sépulcre. 9 mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
10 Or Éphron habitait* parmi les fils de Heth. Et Éphron, le Héthien, répondit à Abraham, aux oreilles des fils de Heth, devant tous ceux qui entraient par la porte de sa ville, disant : 10 Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe:
11 Non, mon seigneur, écoute-moi : Je te donne le champ ; et la caverne qui s’y trouve, je te la donne ; je te la donne aux yeux des fils de mon peuple : enterre ton mort. 11 Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao.
12 Et Abraham se prosterna devant le peuple du pays ; 12 Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama,
13 et il parla à Éphron, aux oreilles du peuple du pays, disant : Si pourtant tu voulais bien m’écouter. Je donne l’argent du champ, prends-le de moi, et j’y enterrerai mon mort. 13 dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
14 Et Éphron répondit à Abraham, lui disant : 14 Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe:
15 Mon seigneur, écoute-moi : Une terre de quatre cents sicles d’argent, qu’est-ce que cela entre moi et toi ? Enterre donc ton mort. 15 Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
16 Et Abraham écouta Éphron, et Abraham pesa à Éphron l’argent dont il avait parlé en présence des* fils de Heth, quatre cents sicles d’argent ayant cours entre les marchands. 16 Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
— v. 10 : ou : était assis. — v. 16 : litt.: parlé aux oreilles des.  
17 Et le champ d’Éphron, qui était à Macpéla, devant Mamré, le champ et la caverne qui y était, et tous les arbres qui étaient dans le champ, dans toutes ses limites tout à l’entour, 17 Ary ny sahan'i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
18 furent assurés en propriété à Abraham, aux yeux des fils de Heth, devant tous ceux qui entraient par la porte de la ville. 18 tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am­bavahadin'ny tanànany.
19 Et, après cela, Abraham enterra Sara, sa femme, dans la caverne du champ de Macpéla, en face de Mamré, qui est Hébron, dans le pays de Canaan. 19 Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;
20 Et le champ et la caverne qui s’y trouve furent assurés à Abraham pour les posséder comme sépulcre, de la part des fils de Heth. 20 ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.
* *
Chapitre 24 Chapitre 24
1 Et Abraham était vieux, avancé en âge ; et l’Éternel avait béni Abraham en toute chose. 1 [Ny nampakan'i Abrahama vady ho an'Isaka avy tany amin'ny tanin'ny havany] Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra.
2 Et Abraham dit à son serviteur, le plus ancien de sa maison, qui avait le gouvernement de tout ce qui était à lui : Mets, je te prie, ta main sous ma cuisse, 2 Ary hoy Abrahama tamin'ilay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao;
3 et je te ferai jurer par l’Éternel, le Dieu des cieux et le Dieu de la terre, que tu ne prendras pas de femme pour mon fils d’entre les filles des Cananéens, parmi lesquels j’habite ; 3 fa hampianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina ianao;
4 mais tu iras dans mon pays et vers ma parenté, et tu prendras une femme pour mon fils, pour Isaac. 4 fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako.
5 Et le serviteur lui dit : Peut-être la femme ne voudra-t-elle pas me suivre dans ce pays-ci ; me faudra-t-il faire retourner ton fils dans le pays d’où tu es sorti ? 5 Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?
6 Et Abraham lui dit : Garde-toi d’y faire retourner mon fils. 6 Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
7 L’Éternel, le Dieu des cieux, qui m’a pris de la maison de mon père et du pays de ma parenté, et qui m’a parlé et qui m’a juré, disant : Je donnerai à ta semence ce pays-ci, lui-même enverra son ange devant toi, et tu prendras de là une femme pour mon fils. 7 Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.
8 Et si la femme ne veut pas te suivre, alors tu seras quitte envers moi de ce serment ; seulement, tu ne feras pas retourner là mon fils. 8 Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
9 Et le serviteur mit sa main sous la cuisse d’Abraham, son seigneur, et lui jura au sujet de ces choses. 9 Ary nataon'ilay mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin'izany zavatra izany izy.
   
10 Et le serviteur prit dix chameaux d’entre les chameaux de son maître, et s’en alla ; or il avait tout le bien de son maître sous sa main. Et il se leva et s’en alla en Mésopotamie*, à la ville de Nakhor. 10 Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i Nahora.
11 Et il fit agenouiller les chameaux en dehors de la ville, auprès d’un puits d’eau, au temps du soir, au temps où sortent celles qui vont puiser. 11 Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny
12 Et il dit : Éternel, Dieu de mon seigneur Abraham, fais-moi faire, je te prie, une [heureuse] rencontre aujourd’hui, et use de grâce envers mon seigneur Abraham. 12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
13 Voici, je me tiens près de la fontaine d’eau, et les filles des gens de la ville sortent pour puiser de l’eau ; 13 Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
14 qu’il arrive donc que la jeune fille à laquelle je dirai : Abaisse ta cruche, je te prie, afin que je boive, et qui dira : Bois, et j’abreuverai aussi tes chameaux, soit celle que tu as destinée à ton serviteur, à Isaac ; et à cela je connaîtrai que tu as usé de grâce envers mon seigneur. 14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
— v. 10 : hébreu : Aram-Naharaïm ; Syrie des deux fleuves.  
15 Et il arriva, avant qu’il eût achevé de parler, que voici sortir Rebecca*, sa cruche sur son épaule : elle était née à Bethuel, fils de Milca, femme de Nakhor, frère d’Abraham. 15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
16 Et la jeune fille était très-belle de visage, vierge, et nul ne l’avait connue. Et elle descendit à la fontaine, et remplit sa cruche, et remonta. 16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
17 Et le serviteur courut à sa rencontre et dit : Permets, je te prie, que je boive un peu d’eau de ta cruche. 17 Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.
18 Et elle dit : Bois, mon seigneur. Et vite elle abaissa sa cruche sur sa main, et lui donna à boire. 18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
19 Et, après qu’elle eut achevé de lui donner à boire, elle dit : Je puiserai aussi pour tes chameaux, jusqu’à ce qu’ils aient fini de boire. 19 Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
20 Et elle se hâta et vida sa cruche dans l’auge, et elle courut encore au puits pour puiser, et puisa pour tous ses chameaux. 20 Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.
21 Et l’homme la regardait avec étonnement sans rien dire, pour savoir si l’Éternel aurait fait prospérer son voyage, ou non. 21 Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia.
— v. 15 : hébreu : Ribka, attachante.  
22 Et il arriva, quand les chameaux eurent fini de boire, que l’homme prit un anneau* d’or, du poids d’un demi-sicle**, et deux bracelets pour ses mains, du poids de dix [sicles] d’or. 22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;
23 Et il dit : De qui es-tu fille ? Fais-le-moi savoir, je te prie. Y a-t-il pour nous, dans la maison de ton père, un lieu pour y loger ? 23 ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao?
24 Et elle lui dit : Je suis fille de Bethuel, fils de Milca, qu’elle a enfanté à Nakhor. 24 Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoela, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho.
25 Et elle lui dit : Il y a chez nous de la paille, et aussi du fourrage en abondance, et de la place pour loger. 25 Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.
— v. 22* : anneau pour le nez, voir verset 47 ; ailleurs aussi : un anneau pour les oreilles, voir 35:4. — v. 22** : hébreu : béka ; voir Ex. 38:26.  
26 Et l’homme s’inclina, et se prosterna devant l’Éternel, 26 Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah,
27 et dit : Béni soit l’Éternel, le Dieu de mon seigneur Abraham, qui ne s’est pas départi de sa grâce et de sa vérité envers mon seigneur. Lorsque j’étais en chemin, l’Éternel m’a conduit à la maison des frères de mon seigneur. 27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.
   
28 Et la jeune fille courut, et rapporta ces choses dans la maison de sa mère ; 28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao an-tranon'ny reniny.
29 or Rebecca avait un frère, nommé Laban ; et Laban courut vers l’homme, dehors, à la fontaine. 29 Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
30 Et il arriva que, lorsqu’il vit l’anneau et les bracelets aux mains de sa sœur, et qu’il entendit les paroles de Rebecca, sa sœur, disant : Ainsi m’a parlé l’homme, il vint vers l’homme. Et voici, il se tenait auprès des chameaux, près de la fontaine. 30 Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
31 Et il dit : Entre, béni de l’Éternel ; pourquoi te tiens-tu dehors ? car j’ai préparé la maison, et de la place pour les chameaux. 31 Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.
   
32 Et l’homme entra dans la maison, et on débarrassa les chameaux ; et on donna de la paille et du fourrage aux chameaux, et [pour lui] de l’eau pour laver ses pieds et les pieds des gens qui étaient avec lui. 32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
33 Et on mit devant lui de quoi manger ; mais il dit : Je ne mangerai pas avant d’avoir dit ce que j’ai à dire*. Et [Laban] dit : parle. 33 Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
34 Et il dit : Je suis serviteur d’Abraham. 34 Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho.
35 Or l’Éternel a béni abondamment mon seigneur, et il est devenu grand ; et il lui a donné du menu bétail, et du gros bétail, et de l’argent, et de l’or, et des serviteurs, et des servantes, et des chameaux, et des ânes. 35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
36 Et Sara, femme de mon seigneur, a dans sa vieillesse enfanté un fils à mon seigneur ; et il lui a donné tout ce qu’il a. 36 Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.
37 Et mon seigneur m’a fait jurer, disant : Tu ne prendras pas de femme pour mon fils d’entre les filles des Cananéens, dans le pays desquels j’habite ; 37 Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;
38 mais tu iras à la maison de mon père et vers ma famille, et tu prendras une femme pour mon fils. 38 fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako.
39 Et je dis à mon seigneur : Peut-être la femme ne viendra-t-elle pas après moi. 39 Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
40 Et il me dit : L’Éternel, devant qui je marche*, enverra son ange avec toi et fera prospérer ton voyage, et tu prendras pour mon fils une femme de ma famille et de la maison de mon père. 40 Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.
41 Quand tu seras arrivé auprès de ma famille, alors tu seras quitte du serment* que je te fais faire** ; et, si on ne te la donne pas, tu seras quitte du serment que je te fais faire. 41 Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.
42 Et je suis venu aujourd’hui à la fontaine, et j’ai dit : Éternel, Dieu de mon seigneur Abraham, si tu veux bien faire prospérer le voyage que je fais, 42 Ary tonga androany teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
43 voici, je me tiens près de la fontaine d’eau : qu’il arrive que la jeune fille qui sortira pour puiser, et à laquelle je dirai : Donne-moi, je te prie, à boire un peu d’eau de ta cruche, et qui me dira : 43 indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho,
44 Bois toi-même, et je puiserai aussi pour tes chameaux, que celle-là soit la femme que l’Éternel a destinée au fils de mon seigneur. 44 ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko.
45 Avant que j’eusse achevé de parler en mon cœur, voici sortir Rebecca, sa cruche sur son épaule ; et elle est descendue à la fontaine, et a puisé ; et je lui ai dit : Donne-moi à boire, je te prie. 45 Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
46 Et elle s’est hâtée et a abaissé sa cruche de dessus son épaule*, et a dit : Bois, et j’abreuverai aussi tes chameaux. Et j’ai bu, et elle a aussi abreuvé les chameaux. 46 Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.
47 Et je l’ai interrogée, et j’ai dit : De qui es-tu fille ? Et elle a dit : Je suis fille de Bethuel, fils de Nakhor, que Milca lui a enfanté. Et j’ai mis l’anneau à son nez, et les bracelets à ses mains. 47 Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany.
48 Et je me suis incliné et je me suis prosterné devant l’Éternel, et j’ai béni l’Éternel, le Dieu de mon seigneur Abraham, qui m’a conduit par le vrai chemin, pour prendre la fille du frère de mon seigneur pour son fils. 48 Dia niondrika aho ka nianko­hoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany
49 Et maintenant, si vous voulez user de grâce et de vérité envers mon seigneur, déclarez-le-moi ; et sinon, déclarez-le-moi, et je me tournerai à droite ou à gauche. 49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
— v. 33 : ou : mon affaire. — v. 40 : ou : j’ai marché. — v. 41* : serment avec imprécation. — v. 41** : litt.: de mon serment. — v. 46 : litt.: de dessus elle.  
50 Et Laban et Bethuel répondirent et dirent : La chose procède de l’Éternel ; nous ne pouvons te dire ni mal, ni bien. 50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
51 Voici Rebecca devant toi ; prends-la, et t’en va ; et qu’elle soit la femme du fils de ton seigneur, comme l’Éternel l’a dit. 51 Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah.
52 Et il arriva, lorsque le serviteur d’Abraham entendit leurs paroles, qu’il se prosterna en terre devant l’Éternel ; 52 Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy.
53 et le serviteur sortit des objets d’argent et des objets d’or, et des vêtements, et les donna à Rebecca ; il fit aussi de riches présents à son frère et à sa mère. 53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
   
54 Et ils mangèrent et burent, lui et les hommes qui étaient avec lui, et ils logèrent là ; et ils se levèrent le matin, et il dit : Renvoyez-moi à mon seigneur. 54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.
55 Et le frère et la mère dirent : Que la jeune fille reste avec nous [quelques] jours, dix au moins ; ensuite elle s’en ira. 55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
56 Et il leur dit : Ne me retardez point, quand l’Éternel a fait prospérer mon voyage ; renvoyez-moi, et que je m’en aille vers mon seigneur. 56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.
57 Et ils dirent : Appelons la jeune fille, et entendons-la*. 57 Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
58 Et ils appelèrent Rebecca, et lui dirent : Iras-tu avec cet homme ? Et elle dit : J’irai. 58 Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59 Et ils firent partir Rebecca, leur sœur, et sa nourrice, et le serviteur d’Abraham et ses gens. 59 Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy.
60 Et ils bénirent Rebecca, et lui dirent : Toi, notre sœur, deviens des milliers de myriades, et que ta semence possède la porte de ses ennemis ! 60 Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.
61 Et Rebecca se leva, et ses filles ; et elles montèrent sur les chameaux, et s’en allèrent après l’homme. Et le serviteur prit Rebecca, et s’en alla. 61 Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
— v. 57 : litt.: interrogeons sa bouche.  
62 Et Isaac venait d’arriver du puits de Lakhaï-roï* ; or il habitait au pays du midi. 62 Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy.
63 Et Isaac était sorti dans les champs pour méditer, à l’approche du soir. Et il leva ses yeux, et regarda, et voici des chameaux qui venaient. 63 Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
64 Et Rebecca leva ses yeux, et vit Isaac ; et elle descendit de dessus le chameau. 64 Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny rameva izy.
65 Or elle avait dit au serviteur : Qui est cet homme qui marche dans les champs à notre rencontre ? Et le serviteur dit : C’est mon seigneur. Et elle prit son voile et se couvrit. 65 Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
66 Et le serviteur raconta à Isaac toutes les choses qu’il avait faites. 66 Ary dia nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
67 Et Isaac la conduisit dans la tente de Sara, sa mère ; et il prit Rebecca, et elle fut sa femme, et il l’aima ; et Isaac se consola quant à sa mère. 67 Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.
— v. 62 : puits du Vivant qui se révèle.  
* *
Chapitre 25 Chapitre 25
1 Et Abraham prit encore une femme, nommée Ketura ; 1 [Ny nanambadian'i Abrahama an'i Ketora, sy ny taranany avy taminy; ary ny nahafatesan'i Abrahama, sy ny nandevenan'ny zanany azy] Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2 et elle lui enfanta Zimran, et Jokshan, et Medan, et Madian, et Jishbak, et Shuakh. 2 Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
3 — Et Jokshan engendra Sheba et Dedan. Et les fils de Dedan furent Ashurim, et Letushim, et Leümmim. 3 Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
4 — Et les fils de Madian : Épha, et Épher, et Hénoc, et Abida, et Eldaa. — Tous ceux-là furent fils de Ketura. 4 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.
   
5 Et Abraham donna tout ce qui lui appartenait à Isaac. 5 Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
6 Et aux fils des concubines qu’eut Abraham, Abraham fit des dons ; et, tandis qu’il était encore en vie, il les renvoya d’auprès d’Isaac, son fils, vers l’orient, au pays d’orient. 6 Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.
   
7 Et ce sont ici les jours des années de la vie d’Abraham, qu’il vécut : cent soixante-quinze ans. 7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
8 Et Abraham expira et mourut dans une bonne vieillesse, âgé et rassasié [de jours] ; et il fut recueilli vers ses peuples. 8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.
9 Et Isaac et Ismaël, ses fils, l’enterrèrent dans la caverne de Macpéla, dans le champ d’Éphron, fils de Tsokhar, le Héthien, qui est en face de Mamré, 9 Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
10 le champ qu’Abraham avait acheté des fils de Heth. Là fut enterré Abraham, ainsi que Sara, sa femme. 10 dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.
11 Et il arriva, après la mort d’Abraham, que Dieu bénit Isaac, son fils. Et Isaac habitait près du puits de Lakhaï-roï. 11 Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.
* *
12 Et ce sont ici les générations d’Ismaël, fils d’Abraham, qu’Agar, l’Égyptienne, servante de Sara, avait enfanté à Abraham ; 12 [Ny taranak'Isimaela] Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
13 et voici les noms des fils d’Ismaël, par leurs noms, selon leurs générations : Le premier-né d’Ismaël, Nebaïoth ; et Kédar, et Adbeël, et Mibsam, 13 Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
14 et Mishma, et Duma, et Massa, 14 sy Misma sy Doma sy Masa
15 Hadar*, et Théma, Jetur, Naphish et Kedma. 15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
16 Ce sont là les fils d’Ismaël, et ce sont là leurs noms, selon leurs villages* et leurs campements : douze princes de leurs tribus. 16 Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
17 Et ce sont ici les années de la vie d’Ismaël : cent trente-sept ans ; et il expira et mourut, et fut recueilli vers ses peuples. 17 Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany .
18 Et ils habitèrent depuis Havila jusqu’à Shur, qui est en face de l’Égypte, quand tu viens vers l’Assyrie. Il s’établit* à la vue de tous ses frères. 18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
— v. 15 : ou : Hadad. — v. 16 : ou : enclos. — v. 18 : ou : mourut ; litt.: tomba.  
* *
19 Et ce sont ici les générations d’Isaac, fils d’Abraham : Abraham engendra Isaac. 19 [Ny amin'i Esao sy Jakoba] Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
20 Et Isaac était âgé de quarante ans lorsqu’il prit pour femme Rebecca, fille de Bethuel l’Araméen* de Paddan-Aram**, sœur de Laban l’Araméen. 20 Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
21 Et Isaac pria instamment l’Éternel au sujet de sa femme, car elle était stérile ; et l’Éternel se rendit à ses prières, et Rebecca sa femme conçut. 21 Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
22 Et les enfants s’entrepoussaient dans son sein ; et elle dit : S’il en est ainsi, pourquoi suis-je là ? Et elle alla consulter l’Éternel. 22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
23 Et l’Éternel lui dit : Deux nations sont dans ton ventre, et deux peuples se sépareront en sortant de tes entrailles ; et un peuple sera plus fort que l’autre peuple, et le plus grand sera asservi au plus petit. 23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
— v. 20* : Syrien. — v. 20** : plaine de Syrie.  
24 Et les jours où elle devait enfanter s’accomplirent, et voici, il y avait des jumeaux dans son ventre. 24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25 Et le premier sortit, roux, tout entier comme un manteau de poil ; et ils appelèrent son nom Ésaü*. 25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
26 Et ensuite sortit son frère, et sa main tenait le talon d’Ésaü ; et on appela son nom Jacob*. Et Isaac était âgé de soixante ans quand ils naquirent**. 26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
27 Et les enfants grandirent : et Ésaü était un homme habile à la chasse, un homme des champs ; et Jacob était un homme simple, qui habitait les tentes. 27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
28 Et Isaac aimait Ésaü, car le gibier était sa viande ; mais Rebecca aimait Jacob. 28 Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
— v. 25 : velu. — v. 26* : qui tient par le talon, c. à d. : qui supplante. — v. 26** : date : A.C. 1836.  
29 Et Jacob cuisait un potage ; et Ésaü arriva des champs, et il était las. 29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
30 Et Ésaü dit à Jacob : Laisse-moi, je te prie, avaler du roux, de ce roux-là ; car je suis las. C’est pourquoi on appela son nom Édom*. 30 Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
31 Et Jacob dit : Vends-moi aujourd’hui ton droit d’aînesse. 31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32 Et Ésaü dit : Voici, je m’en vais mourir ; et de quoi me sert le droit d’aînesse ? 32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
33 Et Jacob dit : Jure-moi aujourd’hui. Et il lui jura, et vendit son droit d’aînesse à Jacob. 33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.
34 Et Jacob donna à Ésaü du pain et du potage de lentilles ; et il mangea et but, et se leva, et s’en alla : et Ésaü méprisa son droit d’aînesse. 34 Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
— v. 30 : roux.  
* *
Chapitre 26 Chapitre 26
1 Et il y eut une famine dans le pays, outre la première famine qui avait eu lieu aux jours d’Abraham ; et Isaac s’en alla vers Abimélec, roi des Philistins, à Guérar. 1 [Ny nivahinian'Isaka tany Gerara] Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
2 Et l’Éternel lui apparut, et dit : Ne descends pas en Égypte ; demeure dans le pays que je t’ai dit ; 2 Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.
3 séjourne dans ce pays-ci, et je serai avec toi, et je te bénirai ; car à toi et à ta semence je donnerai tous ces pays, et j’accomplirai le serment que j’ai juré à Abraham, ton père, 3 Miva­hinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;
4 et je multiplierai ta semence comme les étoiles des cieux, et je donnerai tous ces pays à ta semence, et toutes les nations de la terre se béniront* en ta semence, 4 dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
5 — parce qu’Abraham a écouté ma voix, et a gardé mon ordonnance, mes commandements, mes statuts et mes lois. 5 satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
6 Et Isaac habita à Guérar. 6 Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
7 Et les hommes du lieu s’enquirent au sujet de sa femme, et il dit : C’est ma sœur, car il craignait de dire : ma femme ; de peur, [pensait-il], que les hommes du lieu ne me tuent à cause de Rebecca, car elle est belle de visage. 7 Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
— v. 4 : ou : seront bénies.  
8 Et il arriva, comme son séjour dans ce [lieu] se prolongeait, qu’Abimélec, roi des Philistins, regarda par la fenêtre ; et il vit, et voici, Isaac se jouait avec Rebecca sa femme. 8 Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
9 Et Abimélec appela Isaac, et dit : Voici, assurément c’est ta femme ; et comment as-tu dit : C’est ma sœur ? Et Isaac lui dit : Parce que je disais : De peur que je ne meure à cause d’elle. 9 Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihi­tsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
10 Et Abimélec dit : Qu’est-ce que tu nous as fait ? Car peu s’en est fallu que quelqu’un du peuple n’ait couché avec ta femme, et tu aurais fait venir la culpabilité sur nous. 10 Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
11 Et Abimélec commanda à tout le peuple, disant : Celui qui touchera cet homme ou sa femme sera certainement mis à mort. 11 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
12 Et Isaac sema dans cette terre ; et il recueillit cette année-là le centuple ; et l’Éternel le bénit. 12 Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy.
13 Et l’homme grandissait, et il allait grandissant de plus en plus, jusqu’à ce qu’il devint fort grand ; 13 Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
14 et il eut des troupeaux de menu bétail, et des troupeaux de gros bétail, et beaucoup de serviteurs ; et les Philistins lui portèrent envie ; 14 fa nanana fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
15 et tous les puits que les serviteurs de son père avaient creusés aux jours d’Abraham, son père, les Philistins les bouchèrent et les remplirent de terre*. 15 Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
16 Et Abimélec dit à Isaac : Va-t’en d’avec nous ; car tu es beaucoup plus puissant que nous. 16 Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
— v. 15 : ou : sable ; litt.: poussière.  
17 Et Isaac partit de là, et campa dans la vallée de Guérar, et y habita. 17 Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
18 Et Isaac recreusa les puits d’eau qu’on avait creusés aux jours d’Abraham, son père, et que les Philistins avaient bouchés après la mort d’Abraham ; et il leur donna des noms selon les noms que son père leur avait donnés. 18 Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
19 Et les serviteurs d’Isaac creusèrent dans la vallée, et ils y trouvèrent un puits d’eau vive. 19 Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
20 Et les bergers de Guérar contestèrent avec les bergers d’Isaac, disant : L’eau est à nous. Et il appela le nom du puits Ések*, parce qu’ils s’étaient disputés avec lui. 20 Ary niady tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
21 Et ils creusèrent un autre puits, et ils contestèrent aussi pour celui-là ; et il appela son nom Sitna*. 21 Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
22 Et il se transporta de là, et creusa un autre puits, et ils ne contestèrent pas pour celui-là ; et il appela son nom Rehoboth*, parce que, dit-il, l’Éternel nous a maintenant donné de l’espace, et nous fructifierons dans le pays. 22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
— v. 20 : dispute. — v. 21 : opposition, haine. — v. 22 : espaces.  
23 Et de là il monta à Beër-Shéba. 23 [Ny nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka] Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
24 Et l’Éternel lui apparut cette nuit-là, et dit : Je suis le Dieu d’Abraham ton père ; ne crains pas, car je suis avec toi ; et je te bénirai, et je multiplierai ta semence, à cause d’Abraham, mon serviteur. 24 Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
25 Et il bâtit là un autel, et invoqua le nom de l’Éternel ; et il y dressa sa tente ; et les serviteurs d’Isaac y creusèrent un puits. 25 Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.
26 Et Abimélec alla de Guérar vers lui, avec Akhuzzath, son ami, et Picol, chef de son armée. 26 Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka.
27 Et Isaac leur dit : Pourquoi venez-vous vers moi, puisque vous me haïssez et que vous m’avez renvoyé d’auprès de vous ? 27 Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
28 Et ils dirent : Nous avons vu clairement que l’Éternel est avec toi, et nous avons dit : Qu’il y ait donc un serment* entre nous, entre nous et toi ; et nous ferons une alliance avec toi : 28 Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
29 que tu ne nous feras pas de mal, comme nous ne t’avons pas touché, et comme nous ne t’avons fait que du bien, et t’avons renvoyé en paix. Tu es maintenant le béni de l’Éternel. 29 fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.
30 Et il leur fit un festin, et ils mangèrent et burent. 30 Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
31 Et ils se levèrent de bon matin, et se jurèrent l’un à l’autre ; et Isaac les renvoya, et ils s’en allèrent d’avec lui en paix. 31 Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
32 Et il arriva, en ce jour-là, que les serviteurs d’Isaac vinrent, et l’avertirent au sujet du puits qu’ils avaient creusé, et lui dirent : Nous avons trouvé de l’eau. 32 Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
33 Et il l’appela Shéba* ; c’est pourquoi le nom de la ville a été Beër-Shéba, jusqu’à aujourd’hui. 33 Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
— v. 28 : serment avec imprécation. — v. 33 : serment.  
34 Et Ésaü était âgé de quarante ans, et il prit pour femmes Judith, fille de Beéri, le Héthien, et Basmath, fille d’Élon, le Héthien ; 34 [Ny nampakaran'i Esao vehivavy Kananita ho vadiny] Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.
35 et elles furent une amertume d’esprit pour Isaac et pour Rebecca. 35 Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
* *
Chapitre 27 Chapitre 27
1 Et il arriva, lorsque Isaac fut vieux et que ses yeux furent affaiblis de manière à ne plus voir, qu’il appela Ésaü, son fils aîné, et lui dit : Mon fils ! Et il lui dit : Me voici. 1 [Ny fitaka nataon'i Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2 Et il dit : Tu vois que je suis vieux ; je ne sais pas le jour de ma mort. 2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3 Et maintenant, je te prie, prends tes armes, ton carquois et ton arc, et sors dans les champs, et prends-moi* du gibier ; 3 koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
4 et apprête-moi un mets savoureux comme j’aime, et apporte-le-moi, et j’en mangerai, afin que mon âme te bénisse avant que je meure. 4 ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
5 Et Rebecca entendait Isaac pendant qu’il parlait à Ésaü, son fils. Et Ésaü s’en alla aux champs pour prendre du gibier, pour l’apporter. 5 Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
— v. 3 : litt.: chasse-moi.  
6 Et Rebecca parla à Jacob, son fils, disant : Voici, j’ai entendu ton père qui parlait à Ésaü, ton frère, disant : 6 Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
7 Apporte-moi du gibier, et apprête-moi un mets savoureux, afin que j’en mange, et que je te bénisse devant l’Éternel avant ma mort. 7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
8 Et maintenant, mon fils, écoute ma voix dans ce que je te commanderai. 8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
9 Va, je te prie, au troupeau, et prends-moi là deux bons chevreaux* ; et j’en apprêterai un mets savoureux pour ton père, comme il aime ; 9 Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
10 et tu le porteras à ton père, et il mangera, afin qu’il te bénisse avant sa mort. 10 ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11 Et Jacob dit à Rebecca, sa mère : Voici, Ésaü, mon frère, est un homme velu, et moi je suis un homme sans poil. 11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12 Peut-être que mon père me tâtera, et je passerai à ses yeux pour un trompeur, et je ferai venir sur moi la malédiction, et non pas la bénédiction. 12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
13 Et sa mère lui dit : Que ta malédiction soit sur moi, mon fils ! Seulement, écoute ma voix, et va, prends-les-moi. 13 Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
14 Et il alla et les prit, et les apporta à sa mère ; et sa mère apprêta un mets savoureux comme son père aimait. 14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
15 Et Rebecca prit les vêtements d’Ésaü, son fils aîné, les habits précieux qu’elle avait avec elle dans la maison, et elle en revêtit Jacob, son plus jeune fils ; 15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
16 et avec les peaux des chevreaux elle recouvrit ses mains, et le nu de son cou. 16 Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
17 Et elle mit dans la main de Jacob, son fils, le mets savoureux et le pain qu’elle avait préparés. 17 dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
— v. 9 : hébreu : chevreaux d’entre les chèvres.  
18 Et il vint vers son père, et dit : Mon père ! Et il dit : Me voici ; qui es-tu, mon fils ? 18 Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
19 Et Jacob dit à son père : Je suis Ésaü, ton premier-né ; j’ai fait comme tu m’as dit : Lève-toi, je te prie, assieds-toi, et mange de mon gibier, afin que ton âme me bénisse. 19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
20 Et Isaac dit à son fils : Comment en as-tu trouvé si tôt, mon fils ? Et il dit : Parce que l’Éternel, ton Dieu, me l’a fait rencontrer devant moi. 20 Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21 Et Isaac dit à Jacob : Approche, je te prie, et je te tâterai, mon fils, [pour savoir] si tu es véritablement mon fils Ésaü, ou non. 21 Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22 Et Jacob s’approcha d’Isaac, son père ; et il le tâta, et dit : La voix est la voix de Jacob ; mais les mains sont les mains d’Ésaü. 22 Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
23 Et il ne le reconnut pas, parce que ses mains étaient velues comme les mains d’Ésaü, son frère ; et il le bénit ; 23 Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
24 et il dit : Es-tu vraiment mon fils Ésaü ? Et il dit : Je le suis. 24 Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25 Et il dit : Sers-moi, et que je mange du gibier de mon fils, afin que mon âme te bénisse. Et il le servit, et il mangea ; et il lui apporta du vin, et il but. 25 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
26 Et Isaac, son père, lui dit : Approche-toi, je te prie, et baise-moi, mon fils. 26 Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
27 Et il s’approcha, et le baisa. Et il sentit l’odeur de ses vêtements, et il le bénit, et dit : Regarde, — l’odeur de mon fils est comme l’odeur d’un champ que l’Éternel a béni. 27 Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.
28 Que Dieu te donne de la rosée des cieux et de la graisse de la terre, et une abondance de froment et de moût ! 28 Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29 Que des peuples te servent, et que des peuplades se prosternent devant toi ! Sois le maître de tes frères, et que les fils de ta mère se prosternent devant toi ! Maudit soit qui te maudit, et béni, qui te bénit ! 29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
   
30 Et comme Isaac avait achevé de bénir Jacob, et que Jacob était à peine sorti de devant Isaac, son père, il arriva qu’Ésaü, son frère, revint de sa chasse. 30 Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31 Et lui aussi apprêta un mets savoureux, et l’apporta à son père ; et il dit à son père : Que mon père se lève, et qu’il mange du gibier de son fils, afin que ton âme me bénisse. 31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
32 Et Isaac, son père, lui dit : Qui es-tu ? Et il dit : Je suis ton fils, ton premier-né, Ésaü. 32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33 Alors Isaac fut saisi d’un tremblement très-grand, et il dit : Qui donc est celui qui a pris du gibier, et m’en a apporté ? Et j’ai mangé de tout avant que tu vinsses, et je l’ai béni : aussi il sera béni. 33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34 Lorsque Ésaü entendit les paroles de son père, il jeta un cri très-grand et amer ; et il dit à son père : Bénis-moi, moi aussi, mon père ! 34 Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
35 Et il dit : Ton frère est venu avec ruse et a pris ta bénédiction. 35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36 Et il dit : N’est-ce pas qu’on a appelé son nom Jacob ? et il m’a supplanté ces deux fois : il a pris mon droit d’aînesse ; et voici, maintenant il a pris ma bénédiction ! Et il dit : Ne m’as-tu pas réservé une bénédiction ? 36 Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37 Et Isaac répondit et dit à Ésaü : Voici, je l’ai établi ton maître, et je lui ai donné tous ses frères pour serviteurs, et je l’ai sustenté avec du froment et du moût ; que ferai-je donc pour toi, mon fils ? 37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
38 Et Ésaü dit à son père : N’as-tu que cette seule bénédiction, mon père ? Bénis-moi, moi aussi, mon père ! Et Ésaü éleva sa voix et pleura. 38 Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39 Et Isaac, son père, répondit et lui dit : Voici, ton habitation sera en* la graisse de la terre et en* la rosée des cieux d’en haut. 39 Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;
40 Et tu vivras de ton épée, et tu serviras ton frère ; et il arrivera que, lorsque tu seras devenu nomade*, tu briseras son joug de dessus ton cou. 40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.
— v. 39 : selon d’autres : privée de la graisse… et de. — v. 40 : ou : lorsque tu te seras acquis la domination.  
* *
41 Et Ésaü eut Jacob en haine, à cause de la bénédiction dont son père l’avait béni ; et Ésaü dit en son cœur : Les jours du deuil de mon père approchent, et je tuerai Jacob, mon frère. 41 [Ny nialan'i Jakoba tao amin'ny rainy handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny zanakavavin'Isimaela ho vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
42 Et on rapporta à Rebecca les paroles d’Ésaü, son fils aîné ; et elle envoya, et appela Jacob, son plus jeune fils, et lui dit : Voici, Ésaü, ton frère, se console à ton sujet dans l’espoir de te tuer. 42 Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
43 Et maintenant, mon fils, écoute ma voix : Lève-toi, fuis chez Laban, mon frère, à Charan ; 43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.
44 et tu demeureras avec lui quelques jours, jusqu’à ce que la fureur de ton frère se détourne, 44 Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
45 jusqu’à ce que la colère de ton frère se détourne de toi et qu’il oublie ce que tu lui as fait, et que j’envoie et que je te tire de là. Pourquoi serais-je privée de vous deux en un jour ? 45 eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
   
46 Et Rebecca dit à Isaac : J’ai la vie en aversion à cause des filles de Heth. Si Jacob prend une femme d’entre les filles de Heth, comme celles-ci, d’entre les filles du pays, à quoi bon pour moi de vivre ? 46 Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
Chapitre 28 Chapitre 28
1 Et Isaac appela Jacob, et le bénit, et lui commanda, et lui dit : Tu ne prendras pas de femme d’entre les filles de Canaan. 1 Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
2 Lève-toi, va à Paddan-Aram, à la maison de Bethuel, père de ta mère, et prends de là une femme d’entre les filles de Laban, frère de ta mère. 2 Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3 Et que le *Dieu Tout-puissant* te bénisse, et te fasse fructifier et te multiplie, afin que tu deviennes une assemblée de peuples ; 3 Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
4 et qu’il te donne la bénédiction d’Abraham, à toi et à ta semence avec toi, afin que tu possèdes le pays où tu as séjourné*, lequel Dieu a donné à Abraham. 4 ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5 Et Isaac fit partir Jacob, qui s’en alla à Paddan-Aram, vers Laban, fils de Bethuel, l’Araméen, frère de Rebecca, mère de Jacob et d’Ésaü*. 5 Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
— v. 3 : El-Shaddaï. — v. 4 : litt.: de ton séjournement. — v. 5 : date : A.C. 1761.  
6 Et Ésaü vit qu’Isaac avait béni Jacob, et l’avait fait partir pour Paddan-Aram pour y prendre une femme, et qu’en le bénissant il lui avait commandé, disant : Tu ne prendras pas de femme d’entre les filles de Canaan ; 6 Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;
7 et que Jacob avait écouté son père et sa mère, et s’en était allé à Paddan-Aram ; 7 koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
8 alors Ésaü vit que les filles de Canaan étaient mal vues d’Isaac, son père ; 8 ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
9 et Ésaü s’en alla vers Ismaël, et prit pour femme, outre les femmes qu’il avait, Mahalath, fille d’Ismaël, fils d’Abraham, sœur de Nebaïoth. 9 dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.
   
10 Et Jacob sortit de Beër-Shéba, et s’en alla à Charan ; 10 [Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
11 et il se rencontra en un lieu où il passa la nuit, car le soleil était couché ; et il prit des pierres du lieu, et s’en fit un chevet, et se coucha en ce lieu-là. 11 Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
12 Et il songea : et voici une échelle dressée sur la terre, et son sommet touchait aux cieux ; et voici, les anges de Dieu montaient et descendaient sur elle. 12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13 Et voici, l’Éternel se tenait sur elle, et il dit : Je suis l’Éternel, le Dieu d’Abraham, ton père, et le Dieu d’Isaac ; la terre, sur laquelle tu es couché, je te la donnerai, et à ta semence ; 13 Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
14 et ta semence sera comme la poussière de la terre ; et tu t’étendras à l’occident, et à l’orient, et au nord, et au midi ; et toutes les familles de la terre seront bénies en toi et en ta semence. 14 ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
15 Et voici, je suis avec toi ; et je te garderai partout où tu iras, et je te ramènerai dans cette terre-ci, car je ne t’abandonnerai pas jusqu’à ce que j’aie fait ce que je t’ai dit. 15 Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
16 Et Jacob se réveilla de son sommeil, et il dit : Certainement, l’Éternel est dans ce lieu, et moi je ne le savais pas. 16 Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17 Et il eut peur, et dit : Que ce lieu-ci est terrible ! Ce n’est autre chose que la maison de Dieu, et c’est ici la porte des cieux ! 17 Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
18 Et Jacob se leva de bon matin, et prit la pierre dont il avait fait son chevet, et la dressa en stèle, et versa de l’huile sur son sommet. 18 Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
19 Et il appela le nom de ce lieu-là Béthel* ; mais premièrement le nom de la ville était Luz. 19 Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.
20 Et Jacob fit un vœu, en disant : Si Dieu est avec moi et me garde dans ce chemin où je marche, et qu’il me donne du pain à manger et un vêtement pour me vêtir, 20 Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21 et que je retourne en paix à la maison de mon père, l’Éternel sera mon Dieu*. 21 ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
22 Et cette pierre que j’ai dressée en stèle sera la maison de Dieu ; et de tout ce que tu me donneras, je t’en donnerai la dîme. 22 ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
— v. 19 : maison de *Dieu. — v. 21 : litt.: me sera pour Dieu.  
* *
Chapitre 29 Chapitre 29
1 Et Jacob se mit en marche, et s’en alla au pays des fils de l’orient. 1 [Ny nanompoan'i Jakoba an'i Labana hahazoany an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan'ny zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
2 Et il regarda, et voici un puits dans les champs, et voilà trois troupeaux de menu bétail couchés auprès, (car de ce puits-là on abreuvait les troupeaux) ; et il y avait une grosse pierre sur l’ouverture du puits. 2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
3 Et tous les troupeaux se rassemblaient là, et on roulait la pierre de dessus l’ouverture du puits, et on abreuvait le bétail ; puis on remettait la pierre à sa place, sur l’ouverture du puits. 3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
4 Et Jacob leur dit : Mes frères, d’où êtes-vous ? Et ils dirent : Nous sommes de Charan. 4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
5 Et il leur dit : Connaissez-vous Laban, fils de Nakhor ? Et ils dirent : Nous le connaissons. 5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
6 Et il leur dit : Se porte-t-il bien ? Et ils dirent : Bien ; et voici Rachel, sa fille, qui vient avec le bétail. 6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
7 Et il dit : Voici, il est encore grand jour, il n’est pas temps de rassembler les troupeaux ; abreuvez le bétail, et allez, faites-le paître. 7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8 Et ils dirent : Nous ne le pouvons pas, jusqu’à ce que tous les troupeaux soient rassemblés ; alors on roule la pierre de dessus l’ouverture du puits, et nous abreuvons le bétail. 8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9 Comme il parlait encore avec eux, Rachel vint avec le bétail qui était à son père ; car elle était bergère. 9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
10 Et il arriva, quand Jacob vit Rachel, fille de Laban, frère de sa mère, et le bétail de Laban, frère de sa mère, que Jacob s’approcha, et roula la pierre de dessus l’ouverture du puits, et abreuva le bétail de Laban, frère de sa mère. 10 Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
11 Et Jacob baisa Rachel, et éleva sa voix et pleura. 11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
12 Et Jacob apprit à Rachel qu’il était frère de son père et qu’il était fils de Rebecca ; et elle courut le rapporter à son père. 12 Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13 Et il arriva que, lorsque Laban apprit les nouvelles de Jacob, fils de sa sœur, il courut à sa rencontre, et l’embrassa et le baisa, et le fit entrer dans sa maison ; et [Jacob] raconta à Laban toutes ces choses. 13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
14 Et Laban lui dit : Certes, tu es mon os et ma chair. Et il demeura avec lui un mois de temps. 14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
   
15 Et Laban dit à Jacob : Parce que tu es mon frère, me serviras-tu pour rien ? 15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hano­mpo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
16 Dis-moi quel sera ton salaire ? Or Laban avait deux filles ; le nom de l’aînée était Léa, et le nom de la plus jeune, Rachel. 16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
17 Et Léa avait les yeux délicats ; mais Rachel était belle de taille et belle de visage. 17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
18 Et Jacob aimait Rachel, et il dit : Je te servirai sept ans pour Rachel, ta plus jeune fille. 18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
19 Et Laban dit : Mieux vaut que je te la donne que de la donner à un autre homme ; demeure avec moi. 19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20 Et Jacob servit pour Rachel sept années ; et elles furent à ses yeux comme peu de jours, parce qu’il l’aimait. 20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
   
21 Et Jacob dit à Laban : Donne-moi ma femme ; car mes jours sont accomplis, et je viendrai vers elle. 21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
22 Et Laban rassembla tous les gens du lieu, et fit un festin. 22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
23 Et il arriva, le soir, qu’il prit Léa, sa fille, et la lui amena ; et il vint vers elle. 23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
24 Et Laban donna Zilpa, sa servante, à Léa, sa fille, pour servante. 24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
25 Et il arriva, au matin, que voici, c’était Léa. Et il dit à Laban : Que m’as-tu fait ? N’est-ce pas pour Rachel que je t’ai servi ? et pourquoi m’as-tu trompé ? 25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
26 Et Laban dit : On ne fait pas ainsi, dans notre lieu, de donner la plus jeune avant l’aînée. 26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
27 Accomplis la semaine de celle-ci, et nous te donnerons aussi celle-là, pour le service que tu feras chez moi encore sept autres années. 27 Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
28 Et Jacob fit ainsi, et il accomplit la semaine de celle-ci. Et [Laban] lui donna Rachel, sa fille, pour femme. 28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
29 Et Laban donna Bilha, sa servante, à Rachel, sa fille, pour servante. 29 Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
30 Et il vint aussi vers Rachel ; et il aima aussi Rachel plus que Léa. Et il servit Laban* encore sept autres années. 30 Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.
— v. 30 : litt.: le servit.  
31 Et l’Éternel vit que Léa était haïe, et il ouvrit sa matrice ; mais Rachel était stérile. 31 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
32 Et Léa conçut, et enfanta un fils, et elle appela son nom Ruben*, car elle dit : Parce que l’Éternel a regardé mon affliction ; car maintenant mon mari m’aimera. 32 Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia na­taony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
33 Et elle conçut encore, et enfanta un fils, et dit : Parce que l’Éternel a entendu que j’étais haïe, il m’a donné aussi celui-ci ; et elle appela son nom Siméon*. 33 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
34 Et elle conçut encore, et enfanta un fils, et dit : Maintenant, cette fois, mon mari s’attachera à moi, car je lui ai enfanté trois fils ; c’est pourquoi on appela son nom Lévi*. 34 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
35 Et elle conçut encore, et enfanta un fils, et dit : Cette fois, je louerai l’Éternel ; c’est pourquoi elle appela son nom Juda* ; et elle cessa d’enfanter. 35 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
— v. 32 : voyez, un fils ! — v. 33 : entendu. — v. 34 : attachement, ou joint. — v. 35 : louange.  
Chapitre 30 Chapitre 30
1 Et Rachel vit qu’elle ne donnait pas d’enfants à Jacob, et Rachel fut jalouse de sa sœur, et dit à Jacob : Donne-moi des fils, sinon je meurs. 1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
2 Et la colère de Jacob s’enflamma contre Rachel, et il dit : Suis-je à la place de Dieu, qui t’a refusé le fruit du ventre ? 2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3 Et elle dit : Voici ma servante Bilha : va vers elle ; et elle enfantera sur mes genoux, et moi aussi j’aurai des enfants par elle. 3 Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am­pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
4 Et elle lui donna Bilha, sa servante, pour femme ; et Jacob vint vers elle. 4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
5 Et Bilha conçut, et enfanta un fils à Jacob. 5 Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
6 Et Rachel dit : Dieu m’a fait justice, et il a aussi entendu ma voix, et m’a donné un fils ; c’est pourquoi elle appela son nom Dan*. 6 Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7 Et Bilha, servante de Rachel, conçut encore, et enfanta un second fils à Jacob. 7 Dia nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
8 Et Rachel dit : J’ai soutenu des luttes de Dieu avec ma sœur, aussi je l’ai emporté. Et elle appela son nom Nephthali*. 8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
— v. 6 : juge. — v. 8 : ma lutte.  
9 Et Léa vit qu’elle avait cessé d’enfanter, et elle prit Zilpa, sa servante, et la donna pour femme à Jacob. 9 Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
10 Et Zilpa, servante de Léa, enfanta un fils à Jacob. 10 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
11 Et Léa dit : La bonne fortune vient*. Et elle appela son nom Gad**. 11 Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
12 Et Zilpa, servante de Léa, enfanta un second fils à Jacob. 12 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia nitera­ka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
13 Et Léa dit : Pour mon bonheur ! car les filles me diront bienheureuse. Et elle appela son nom Aser*. 13 Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
— v. 11* : d’autres lisent : pour la bonne fortune. — v. 11** : la bonne fortune, ou une troupe. — v. 13 : heureux.  
14 Et Ruben sortit aux jours de la moisson du froment, et il trouva des mandragores dans les champs, et les apporta à Léa, sa mère. Et Rachel dit à Léa : Donne-moi, je te prie, des mandragores de ton fils. 14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
15 Et elle lui dit : Est-ce peu de chose que tu m’aies pris mon mari, et tu prends aussi les mandragores de mon fils ! Et Rachel dit : Eh bien, il couchera avec toi cette nuit pour les mandragores de ton fils. 15 Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
16 Et Jacob vint des champs sur le soir, et Léa sortit à sa rencontre, et dit : C’est vers moi que tu viendras, car je t’ai loué pour les mandragores de mon fils. 16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
17 Et il coucha avec elle cette nuit-là. Et Dieu entendit Léa, et elle conçut, et enfanta à Jacob un cinquième fils. 17 Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.
18 Et Léa dit : Dieu m’a donné mon salaire, parce que j’ai donné ma servante à mon mari. Et elle appela son nom Issacar*. 18 Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19 Et Léa conçut encore, et enfanta à Jacob un sixième fils. 19 Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
20 Et Léa dit : Dieu m’a fait un beau don ; cette fois mon mari habitera avec moi, car je lui ai enfanté six fils. Et elle appela son nom Zabulon*. 20 Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21 Et après, elle enfanta une fille, et appela son nom Dina. 21 Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
— v. 18 : il y a salaire. — v. 20 : habitation.  
22 Et Dieu se souvint de Rachel ; et Dieu l’écouta et ouvrit sa matrice. 22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
23 Et elle conçut, et enfanta un fils, et dit : Dieu a ôté mon opprobre. 23 Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24 Et elle appela son nom Joseph*, en disant : Que l’Éternel m’ajoute un autre fils ! 24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
— v. 24 : qu’il ajoute.  
25 Et il arriva, quand Rachel eut enfanté Joseph, que Jacob dit à Laban : Renvoie-moi, et j’irai dans mon lieu et dans mon pays. 25 [Ny fanekena hafa koa izay nataon'i Labana sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
26 Donne-moi mes femmes pour lesquelles je t’ai servi, et mes enfants, et je m’en irai ; car tu sais quel a été le service que je t’ai rendu. 26 Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
27 Et Laban lui dit : [Écoute], si au moins j’ai trouvé grâce à tes yeux ! J’ai aperçu que l’Éternel m’a béni à cause de toi. 27 Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
28 Et il dit : Fixe-moi ton salaire, et je te le donnerai. 28 Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
29 Et il lui dit : Tu sais comment je t’ai servi, et ce qu’est devenu ton troupeau avec moi ; 29 Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato amiko.
30 car ce que tu avais avant moi était peu de chose, et s’est accru et est devenu une multitude ; et l’Éternel t’a béni depuis que je suis venu*. Et maintenant, quand travaillerai-je, moi aussi, pour ma maison ? 30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
31 Et [Laban] dit : Que te donnerai-je ? Et Jacob dit : Tu ne me donneras rien. Si tu veux faire ceci pour moi, je paîtrai encore ton bétail, [et] je le garderai : 31 Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
32 je passerai aujourd’hui par tout ton bétail, j’en ôterai toute bête marquetée et tachetée, et tous les agneaux foncés, et ce qui est tacheté et marqueté parmi les chèvres ; et ce sera là mon salaire. 32 Handeha hitety ny ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
33 Et ma justice répondra pour moi désormais, quand elle viendra devant toi pour mon salaire ; tout ce qui ne sera pas marqueté et tacheté parmi les chèvres, et foncé parmi les agneaux, auprès de moi, sera tenu pour volé. 33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany.
34 Et Laban dit : Voici, qu’il en soit selon ta parole. 34 Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
35 Et il ôta ce jour-là les boucs rayés et tachetés, et toutes les chèvres marquetées et tachetées, toutes celles qui avaient du blanc, et tout ce qui était foncé parmi les agneaux, et il les remit entre les mains de ses fils. 35 Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
36 Et il mit trois journées de chemin entre lui et Jacob ; et Jacob paissait le reste du bétail de Laban. 36 Ary nasiany lalan­kateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa.
37 — Et Jacob prit des branches fraîches de peuplier blanc, de coudrier*, et d’érable**, et y pela des raies blanches, mettant à nu le blanc qui était aux branches. 37 Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo.
38 Et il plaça les branches, qu’il avait pelées, devant le bétail dans les auges, dans les abreuvoirs où le bétail venait boire ; et le bétail entrait en chaleur lorsqu’il venait boire ; 38 Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
39 le bétail entrait en chaleur devant les branches, et il faisait des petits, rayés, marquetés, et tachetés. 39 Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
40 Et Jacob sépara les agneaux, et tourna la face du troupeau vers ce qui était rayé et tout ce qui était foncé dans le bétail de Laban ; et il mit ses troupeaux à part, et ne les mit pas auprès du bétail de Laban. 40 Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
41 Et il arrivait que toutes les fois que les bêtes vigoureuses entraient en chaleur, Jacob mettait les branches dans les auges, devant les yeux du bétail, afin qu’elles entrassent en chaleur en face des branches. 41 Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo.
42 Mais quand les bêtes étaient chétives, il ne les mettait pas ; et les chétives étaient à Laban, et les vigoureuses à Jacob. 42 Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.
43 Et l’homme s’accrut extrêmement, et eut un bétail nombreux, et des servantes et des serviteurs, et des chameaux et des ânes. 43 Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
— v. 30 : litt.: sur mes pas. — v. 37* : ou : amandier. — v. 37** : ou : platane.  
Chapitre 31 Chapitre 31
1 Et il entendit les paroles des fils de Laban, qui disaient : Jacob a pris tout ce qui était à notre père ; et c’est avec ce qui était à notre père qu’il s’est fait toute cette gloire. 1 [Ny nandosiran'i Jakoba avy tany Mesopotamia hody any Kanana] Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2 Et Jacob regarda le visage de Laban ; et voici, il n’était pas envers lui comme auparavant*. 2 Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 Et l’Éternel dit à Jacob : Retourne au pays de tes pères et vers ta parenté, et je serai avec toi. 3 Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
4 Et Jacob envoya, et appela Rachel et Léa aux champs, vers son troupeau ; 4 Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny
5 et il leur dit : Je vois le visage de votre père, qu’il n’est pas envers moi comme auparavant ; mais le Dieu de mon père a été avec moi. 5 ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
6 Et vous savez vous-mêmes que j’ai servi votre père de toute ma force. 6 Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
7 Et votre père s’est moqué de moi, et a changé dix fois mon salaire ; mais Dieu ne lui a pas permis de me faire du mal. 7 Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
8 S’il disait ainsi : Les marquetés seront ton salaire, alors tout le bétail faisait des marquetés. Et s’il disait ainsi : Les rayés seront ton salaire, alors tout le bétail faisait des rayés. 8 Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.
9 Et Dieu a ôté le troupeau de votre père et me l’a donné. 9 Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
10 Et il arriva, au temps où le bétail entrait en chaleur, que je levai mes yeux, et je vis en songe, et voici, les boucs* qui couvraient le menu bétail étaient rayés, marquetés, et picotés de blanc. 10 Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
11 Et l’Ange de Dieu me dit en songe : Jacob ! Et je dis : Me voici. 11 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra ta­miko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
12 Et il dit : Lève tes yeux, et vois : tous les boucs qui couvrent le menu bétail sont rayés, marquetés, et picotés de blanc ; car j’ai vu tout ce que t’a fait Laban. 12 Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
13 Je suis le *Dieu de Béthel, où tu oignis une stèle, où tu me fis un vœu. Maintenant, lève-toi, sors de ce pays, et retourne au pays de ta parenté. 13 Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
14 Et Rachel et Léa répondirent et lui dirent : Avons-nous encore une portion et un héritage dans la maison de notre père ? 14 Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
15 N’avons-nous pas été réputées par lui des étrangères ? car il nous a vendues, et a même toujours mangé notre argent. 15 Tsy natao­ny toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
16 Car toutes les richesses que Dieu a ôtées à notre père sont à nous et à nos enfants. Et maintenant, fais tout ce que Dieu t’a dit. 16 Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
— v. 2 : litt.: comme hier, le troisième jour (ici, et ailleurs). — v. 10 : ou : béliers.  
17 Et Jacob se leva, et fit monter ses fils et ses femmes sur les chameaux ; 17 Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
18 et il emmena tous ses troupeaux et tout son bien qu’il avait acquis, les troupeaux qu’il possédait, qu’il avait acquis à Paddan-Aram, pour aller vers Isaac, son père, au pays de Canaan. 18 dia ni­tondra ny ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.
19 Et Laban était allé tondre son menu bétail, et Rachel vola les théraphim* qui étaient à son père. 19 Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
20 Et Jacob trompa Laban, l’Araméen, car il ne lui apprit pas qu’il s’enfuyait. 20 Ary Jakoba dia nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny handosirany.
21 Et il s’enfuit, lui, et tout ce qui était à lui ; et il se leva, et passa le fleuve, et dressa sa face vers la montagne de Galaad. 21 Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
— v. 19 : dieux domestiques.  
22 Et le troisième jour on rapporta à Laban que Jacob s’était enfui. 22 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 Et il prit ses frères avec lui, et le poursuivit le chemin de sept jours, et l’atteignit à la montagne de Galaad. 23 Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
24 Et Dieu vint vers Laban, l’Araméen, dans un songe, la nuit, et lui dit : Garde-toi de parler à Jacob, ni en bien, ni en mal. 24 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Et Laban atteignit Jacob ; et Jacob avait dressé sa tente sur la montagne ; et Laban dressa [la sienne] avec ses frères, sur la montagne de Galaad. 25 Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
26 Et Laban dit à Jacob : Qu’as-tu fait de m’avoir trompé, et d’avoir emmené mes filles comme des captives de guerre. 26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
27 Pourquoi t’es-tu enfui en cachette, et t’es-tu dérobé d’avec moi, et ne m’as-tu pas averti ? Et je t’eusse renvoyé avec joie, et avec des chants, avec le tambourin et avec la harpe. 27 Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
28 Et tu ne m’as pas laissé baiser mes fils et mes filles ; en cela, tu as agi follement. 28 sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
29 J’ai en ma main le pouvoir de vous faire du mal ; mais le Dieu de votre père m’a parlé la nuit passée, disant : Garde-toi de parler à Jacob, ni en bien, ni en mal. 29 Manan­kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30 Et maintenant que tu t’en es allé, parce que tu languissais tant après la maison de ton père, pourquoi as-tu volé mes dieux ? 30 Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
31 Et Jacob répondit et dit à Laban : Parce que j’ai craint ; car j’ai dit : De peur que tu ne me ravisses tes filles. 31 Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32 Qu’il ne vive pas, celui auprès de qui tu trouveras tes dieux ! Devant nos frères reconnais ce qui est à toi chez moi, et prends-le. Or Jacob ne savait pas que Rachel les avait volés. 32 Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
33 Et Laban entra dans la tente de Jacob, et dans la tente de Léa, et dans la tente des deux servantes, et ne trouva [rien] ; et il sortit de la tente de Léa, et entra dans la tente de Rachel. 33 Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34 Or Rachel avait pris les théraphim, et les avait mis dans le bât du chameau, et s’était assise dessus ; et Laban fouilla toute la tente, et ne trouva [rien]. 34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35 Et elle dit à son père : Que mon seigneur ne voie pas d’un œil irrité que je ne puis me lever devant toi, car j’ai ce que les femmes ont coutume d’avoir. Et il chercha, mais il ne trouva pas les théraphim. 35 Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
36 Et Jacob se mit en colère, et querella Laban ; et Jacob répondit et dit à Laban : Quelle est ma faute, quel est mon péché, que tu m’aies poursuivi avec ardeur ? 36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Quand tu as fouillé tous mes effets, qu’as-tu trouvé de tous les effets de ta maison ? Mets-le ici devant mes frères et tes frères, et qu’ils jugent entre nous deux. 37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
38 Ces vingt années j’ai été avec toi ; tes brebis et tes chèvres n’ont pas avorté, et je n’ai pas mangé les béliers de ton troupeau. 38 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
39 Ce qui a été déchiré, je ne te l’ai pas rapporté ; moi j’ai dû en souffrir la perte ; tu as redemandé de ma main ce qui m’avait été volé de jour et ce qui m’avait été volé de nuit. 39 Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
40 J’en étais là, que, de jour, la sécheresse me dévorait, et de nuit, la gelée ; et mon sommeil fuyait mes yeux. 40 Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
41 Ces vingt années j’ai été dans ta maison ; je t’ai servi quatorze ans pour tes deux filles, et six ans pour ton menu bétail, et tu as changé dix fois mon salaire. 41 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
42 Si le Dieu de mon père, le Dieu d’Abraham et la frayeur d’Isaac, n’eût été pour moi, certes, tu m’eusses maintenant renvoyé à vide. Dieu a vu mon affliction et le labeur de mes mains, et il t’a repris la nuit passée. 42 Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
43 Et Laban répondit et dit à Jacob : Les filles sont mes filles, et les fils sont mes fils, et le bétail est mon bétail, et tout ce que tu vois est à moi ! Et que ferais-je aujourd’hui à celles-ci, mes filles, ou à leurs fils qu’elles ont enfantés ? 43 Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
44 Et maintenant, viens, nous ferons une alliance, moi et toi ; et elle sera en témoignage entre moi et toi. 44 Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
   
45 Et Jacob prit un pierre, et la dressa en stèle. 45 Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
46 Et Jacob dit à ses frères : Amassez des pierres. Et ils prirent des pierres, et en firent un monceau ; et ils mangèrent là sur le monceau. 46 Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
47 Et Laban l’appela Jegar-Sahadutha*, et Jacob l’appela Galhed**. 47 Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
48 Et Laban dit : Ce monceau est aujourd’hui témoin entre moi et toi. C’est pourquoi il appela son nom Galhed, 48 Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
49 et Mitspa*, parce qu’il dit : Que l’Éternel veille entre moi et toi, quand nous serons cachés l’un à l’autre. 49 Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
50 Si tu maltraites mes filles, et si tu prends des femmes outre mes filles (il n’y a aucun homme avec nous), regarde, Dieu est témoin entre moi et toi. 50 Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
51 Et Laban dit à Jacob : Voici ce monceau, et voici la stèle que j’ai élevée entre moi et toi ; 51 Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
52 ce monceau sera témoin, et la stèle sera témoin, que moi je ne passerai point ce monceau [pour aller] vers toi, et que toi, tu ne passeras point ce monceau et cette stèle [pour venir] vers moi, pour [faire] du mal. 52 dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
53 Que le Dieu d’Abraham et le Dieu de Nakhor, le Dieu de leur père, juge entre nous. Et Jacob jura par la frayeur de son père Isaac. 53 Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.
54 Et Jacob offrit un sacrifice sur la montagne et invita ses frères à manger le pain : et ils mangèrent le pain, et passèrent la nuit sur la montagne. 54 Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
— v. 47* : monceau du témoignage. — v. 47** : monceau du témoin. — v. 49 : poste d’observation. *
  Chapitre 32
55 Et Laban se leva de bon matin, et il baisa ses fils et ses filles, et les bénit ; et Laban s’en alla, et retourna en son lieu. 1 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.
*  
Chapitre 32  
1 Et Jacob alla son chemin. Et les anges de Dieu le rencontrèrent ; 2 Ary Jakoba nizotra tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
2 et Jacob dit, quand il les vit : C’est l’armée de Dieu. Et il appela le nom de ce lieu-là Mahanaïm*.