[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Apokalypsy
Accès direct aux chapitres de
l’Apocalypse : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22
1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay
nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy
maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona
mpanompony,
2 Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana
an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity
faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny
andro.
4 Jaona mamangy ny fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo
anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho
avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [* Gr.
eklesia]
5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy
Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia
antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr.
nanasa]
6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho
an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay
mandrakizay. Amena.
7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra
hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra
ambonin'ny tany. Eny, Amena.
8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra,
Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9 [Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona,
rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny
faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny
tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
10 Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka
nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,
11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny
boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana* fito, dia ho any Efesosy sy
Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr.
eklesia]
12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa
rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13 ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray
tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina
fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona]
14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny
volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra
ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny
firohondrohon'ny rano be.
16 Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy;
ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny
dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny
maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka
nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona
mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades]
19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra
ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
20 dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa
hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana
fito dia ny anjelin'ny fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia
fiangonana* fito. [* Gr. eklesia]
1 [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia]
[Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no
lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo
afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia]
2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny
faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha
toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa
mpandainga izy;
3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako
sady tsy reraka.
4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny
fitiavanao voalohany ianao.
5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia
mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho
ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka
ianao.
6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan'ny
Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao]
7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny
hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia]
8 [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana*
any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa
velona indray: [* Gr. eklesia]
9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa
manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho
Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9,
3)
10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly
efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo,
ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao,
dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana
faharoa. [* Gr. eklesia]
12 [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny
fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela
maranitra: [* Gr. eklesia]
13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza
fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana
Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky
Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao
izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy
fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina
tamin'ny sampy sy hijangajanga.
15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny
fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao
faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko
vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy
fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia]
18 [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana*
any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny
lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia]
19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy
ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny
voalohany.
20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra
amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka
mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina
tamin'ny sampy.
21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety
mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay
mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka
amin'ny asan-dravehivavy izy.
23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny
fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko
araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia]
24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana
izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe
"sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana
hafa ianareo;
25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny
farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;
27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy
toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.
29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
1 [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana*
any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny
kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty
ihany. [* Gr. eklesia]
2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky
maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [*
Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)]
3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny
nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho
tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako
aminao. [* Gr. hiari-tory]
4 Kanefa misy olona* vitsy atỳ aminao atỳ
Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba
fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana]
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa,
ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny
anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny
fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay
manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka
tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia]
8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana
mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany
ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia
kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana,
izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko
tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia
anao.
10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana
ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa
hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy
hisy haka ny satro-boninahitrao.
12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny
tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy
ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema
vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako
vaovao.
13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
14 [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny
fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona
mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [*
Gr. eklesia]
15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana
ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka,
dia efa haloan'ny vavako ianao;
17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be
aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy
mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena
voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba
tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny
masonao mba hahiratanao.
19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia
mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay]
20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka
mandonḍna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao
aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo
ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako
nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.
22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
1 [Fideran'ny any an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny
zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana
nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny
an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay
zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
2 Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho;
ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray
nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
3 Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy
sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy
seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana
ireo dia nisy loholona* efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy
sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [* Gr. presbytera]
5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy
tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza
fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
6 Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa
ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza
fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny
anoloany sy ny ivohony.
7 Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona,
ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina
fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina
fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8 Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra
enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary
tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo
Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9 Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja
ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay
velona mandrakizay mandrakizay,
10 dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny
seza fiandrianana ny loholona* efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay
velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny
seza fiandrianana ka hanao hoe:
11 Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika
handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra
rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
1 [Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy
tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy
boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase
fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso
tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny
tombo-kaseny?
3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ
an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita
miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* nanao
tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny
Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny
tombo-kaseny fito. [* Gr. presbytera]
6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza
fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona* dia nisy
Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito,
dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [* Gr.
presbytera]
7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo
an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny
zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo
anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno
ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [* Gr.
presbytera]
9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe:
Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao,
Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena
rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho
an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro
manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona*, ary ny
Isany dia alinalina sy arivoarivo, [* Gr. presbytera]
12 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny
Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena
sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay
any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na
izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao
hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny
Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana
mandrakizay mandrakizay.
14 Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny
loholona* dia niankohoka ka nivavaka. [* Gr. presbytera]
1 [Ny namahana ny tombo-kase enina] Ary nahita aho,
rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko
ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny
kotrokorana, nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay
nitaingina azy dia nanana tsiṕka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia
nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny
zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay
nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba
hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny
zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia*. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly
mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. [* Ampio hoe:
(ka izahao)]
6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny
zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty* ny vary tritika eran'ny fatam-bary
kely**, ary venty* koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary**; ary aza manimba
ny diloilo na ny divay ianao. [* Gr. denaria] [** Gr. koiniksa]
7 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko
ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka
izahao)]
8 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny
anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita*
nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono
amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ
an-tany. [* Gr. Hadesy]
9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako
teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy
ny filazana izay nohazoniny.
10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo
masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay
amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary
nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy
ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase
fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba
volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
13 Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny
tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra
mahery izy.
14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary
ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
15 Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy
arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny
tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny
an-tendrombohitra;
16 ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy;
Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny
seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;
17 fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo*, ka iza
no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany]
1 [Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban'ny
loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga any an-danitra ka afaka amin'ny
fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra
nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny
tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na
amin'ny hazo akory aza.
2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy
tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra
velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny
ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo,
mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra
arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny
firenen'ny Zanak'isiraely rehetra.
5 Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina
no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina.
Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina.
6 Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina.
Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny
firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.
7 Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray
alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny
firenen'Isakara roa arivo amby iray alina.
8 Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray
alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny
firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9 Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona
betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy
ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy
teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia
teny an-tànany,
10 dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny
famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry.
11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza
fiandrianana mbamin'ny loholona* sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka
teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* Gr.
presbytera]
12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny
fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho
an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao
tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr.
presbytera]
14 Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia
hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany
sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
15 Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo
anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina
eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia
hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy
haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana
no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary
hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).
1 [Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny
trompetra efatra] Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina
tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo
anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo
ambonin*'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra;
ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny
olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo
manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. [* Na: amin']
4 Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny
olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo
anatrehan'Andriamanitra.
5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo
manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany
tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra
fito dia niomana hitsoka.
7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra
sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny
ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso
rehetra.
8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa
tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà
ny ampahatelon'ny ranomasina;
9 ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina
tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
10 Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy
kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka
tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany;
11 ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe
Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no
matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
12 Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana
ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny
kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny
ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
13 Dia nahita ny nahare voromahery anankiray
nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza,
loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny
trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
1 [Ny nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny
nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa,
indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary
nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.
2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy,
dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny
lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka
avy tao amin'ny lavaka.
3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka
nankamin'ny tany; ary nomena hery* ireny, tahaka ny herin*'ny maingoka amin'ny
tany. [* Gr. fahefana]
4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra
amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy
manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny
hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny
fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6 Ary amin'izany andro izany dia hitady
fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary
ny fahafatesana.
7 Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny
soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy
ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy,
ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9 Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny
fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny
fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
10 Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady
misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny* hampahoriany ny olona
dimy volana. [* Gr. fahefana]
11 Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita
noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona*, fa
amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona** no anarany. [* Abadona = Fandringanana]
[** Apolyona = Mpandringana]
12 Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny
loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
13 [Ny nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny
nahatongavan'ny loza faharoa] Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo
ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
14 nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana
ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony
lehibe.
15 Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana
ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny
ampahatelon'ny olona.
16 Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa
alinalina; nahare ny isany aho.
17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo
amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo
sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny
lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny
vavany.
18 Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny
setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny
ampahatelon'ny olona.
19 Fa ny herin*'ny soavaly dia eo amin'ny
vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka
ireny no entiny mampahory.
20 Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza
ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny
demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay
tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
21 ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona
izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny
halatra nataony koa.
1 [Ny teny nentin'ny anjely anankiray, ary ny
amin'ny kotrokorana fito sy ny boky kely] Ary hitako fa, indro, nisy anjely
mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny
avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny
tongony tahaka ny andry afo,
2 ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany
izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny
ankaviany tamin'ny tany;
3 ary niantso tamin'ny feo mahery izy, tahaka
ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
4 Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia
efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio
tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
5 Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia
nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny
tànany ankavanana ho amin'ny lanitra
6 ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay
mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao
aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro* intsony; [* Na: tsy
ho ela]
7 fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito,
rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra,
araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony
8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra
dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny
an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.
9 Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao
taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano
avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka
ny tantely.
10 Dia noraisiko ilay boky kely teny
an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia
mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy
maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny
maro ary ny mpanjaka maro.
1 [Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny
vavolombelona roa] Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza
tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary
isao izay mivavaka ao.
2 Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao* ihany, fa
aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina
roa amby efa-polo volana izy. [* Gr. atsipazo eny ivelany]
3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany
enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa,
izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka
amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia
tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba
tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana
amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka
izay andro tiany na oviana na oviana.
7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa
ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy
hahafaty azy.
8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna
lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no
nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
9 Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa
fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany;
ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.
10 Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo,
ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo
mpaminany roa ireo.
11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy
fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro
tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra
izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao
anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy,
ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny
olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra
an'Andriamanitry ny lanitra.
14 Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny
loza fahatelo.
15 [Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny
nahatongavan'ny Joza fahatelo] Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo
mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa
lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay
mandrakizay.
16 Ary ny loholona* fatra amby roa-polo, izay mipetraka
eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka
nivavaka tamin'Andriamanitra [* presbytera]
17 nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô,
Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao
lehibe, ka efa manjaka Hianao.
18 Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny
fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny
mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na
kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any
an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy
helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
1 [Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay
nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia
vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy
satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka
mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany
an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka
folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny
kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona
nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany,
raha vao teraka;
5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka* ny
firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho
any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. [* Gr. handry]
6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay
nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby
roan-jato amby arivo andro izy.
7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny
anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia
niady,
8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho
azy intsony tany an-danitra.
9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana
ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia
nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho
nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny
fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay
mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo
anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny
ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony
iry, na dia ho faty aza.
12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy
ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina
ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely
sisa ny androny.
13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera
tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny
voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay
itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba
tsy ho hitan'ilay menarana izy.
15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny
vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry.
16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa
nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.
17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona
ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny
didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo
ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
Chapitre 13. 1
[Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy
bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito,
ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy
anarana fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]
2 Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny
leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny
liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary
fahefana lehibe.
3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa
ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny
tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona
ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo
anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza
no mahay miady aminy?
5 Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana
sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena fahefana mba hiasa*** roa amby efa-polo
volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [* Na:
haharitra]
6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy*
an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia
ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka
haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny
samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra
monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny
bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao
tontolo izao.
9 Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10 Raha misy mamabo, dia mba hobaboina* kosa
izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny
sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. [* Na: Raha
misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny fahababoana izy]
11 Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa
niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry
izy sady niteny tahaka ny dragona.
12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay
bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo
dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana
tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia
mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy
amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza
amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay
voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia
izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety
miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.
16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny
lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia
ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny
avokoa,
17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra,
afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny
anarany.
18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina
hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo
amby enin-jato no isany.
1 [Ny amin'ny Zanak'ondry sy ny mpanaraka Azy]
Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona,
ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny
anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho,
tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy;
ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny
lokangany.
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo
anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny
loholona* izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny
efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
[* Gr. presbytera]
4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa
virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo
no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny
Zanak'ondry.
5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady
tsy manan-tsiny izy.
6 [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny
fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa,
indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana
filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena
sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,
7 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora
an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary
miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny
loharano. [* Gr. ora]
8 Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa,
nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena
rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka
ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny
bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny
tànany,
10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny
fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany
tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo
anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;
11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra
mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay
miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny
anarany.
12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay
mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao
hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao.
Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany
manaraka azy.
14 Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary
nisy tahaka ny Zanak'Olona* nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka
satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany. [*
Na: toa zanak'olona]
15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao
amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo
ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà*, satria tonga ny
andro* fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany. [* Gr. ora]
16 Dia naroson'ilay nipetraka teo ambonin'ny
rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
17 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao
amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
18 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo
amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy; ary izy niantso ilay
nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao
maranitra, ka ang̣ny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny
voalobony.
19 Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny
fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana
lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra.
20 Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny
famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny
lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito,
izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy
famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito
izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny
fahatezeran'Andriamanitra.
2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina
fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny
ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra,
nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao amin]
3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy,
mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy
mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny
lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy
hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena
rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina
nataonao.
5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa,
indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona** tany
an-danitra; [* Na: tao amin'] [* Dia ny Didy Folo]
6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito
dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy
mamirapiratra* izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [*
Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)]
7 Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina
efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny
fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.
8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny
voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny
tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
1 Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly
aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao
amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
2 Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny
tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona
izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
3 Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary
maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
4 Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
5 Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe:
Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa
nitsara toy izany Hianao;
6 fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no
nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7 Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô,
Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8 Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
9 Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny
ratsy* ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy
sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. [* Gr. nanao blasfemia; izahao
Mat. IX. 3]
10 Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny
olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11 dia niteny ratsy* an'Andriamanitry ny
lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.
[* Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
12 Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany
tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny
mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
13 Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo
tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay
bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka.
14 Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao
famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona
ary ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
15 (Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra
izay miambina* ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny
fahamenarany.) [* Gr. miari-tory]
16 Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao
amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17 Ary ny fahafito dia nampidina ny tao
an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny
tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
18 Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary
nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona
tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe
toy izany.
19 Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko,
ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo
anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny
fahatezerany.
20 Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny
tendrombohitra tsy hita intsony.
21 Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany
an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny
ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe
loatra izany loza izany.
1 [Ny amin'ilay vehivavy janga (dia Babylona),
izay nitaingina ny bibi-dia nivolon-jaky] Ary tonga ny anjely anankiray
tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia
atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay
mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
2 dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany,
sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
3 Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra
aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana
fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
4 Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy
sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka
volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny
fijangajangany;
5 ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny
handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY
ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.
6 Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny
ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho,
dia gaga indrindra.
7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga
ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia
mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
8 Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany
ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho
lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy
voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo
izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao,
nefa mbola ho avy indray.
9 Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny
loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.
10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka
ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy,
dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo
izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.
12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia
mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa
mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.
13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy
ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.
14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny
Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy,
ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao,
izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena
maro ary samy hafa fiteny.
16 Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa
hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy
hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.
17 Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo
hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay
bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
18 Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna
lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
1 [Ny amin'ny nandravana an'i Babylona, sy ny
nisaonan'ny olona azy] Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely
izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany
nohazavain'ny voninahiny.
2 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao
hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny
fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
[* Gr. tranomaizina]
3 Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny
fijangajangany no nahalavoan*'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany
nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny
hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena. [* Na: (nisotrohan')]
4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra
aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy,
ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
5 Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra,
ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
6 Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy
indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny*, dia fenoy** indroa
heny ho azy. [* Gr. noharoharoiny] [* Gr. haroharoy]
7 Toraka itsy niderany tena sy nivelomany
tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka
izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy
mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
8 koa noho izany dia ho tonga indray andro
monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary
ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
9 Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga
taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia
hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
10 eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny
fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay
tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora izay monja dia tonga ny
fitsarana anao.
11 Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany
sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany:
12 dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa
sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy
hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny
hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,
13 sy havozomamy sy zavatra mani-pofona* sy
ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona**, sy divay sy diloilo
sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy
ary tena sy ain'olona. [* Gr. amoma] [** lebona: izahao Eks. xxx. 34]
14 Ary ny vokatra soa* nirin'ny fanahinao dia
efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa
levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo. [* Na: voan-kazo]
15 Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa
tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny
fanaintainany ka hitomany sy hisaona
16 ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna
lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary
niravaka volamena sy vato soa ary perila!
17 Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny
harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny
ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any
an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
18 ary raha nahita ny setroky ny fandoroana
ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe
izany?
19 Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany
izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay
tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny
ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no
nahafoana izany.
20 Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao.
ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany;
fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.
21 Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato
tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka
nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna
lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
22 Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka
mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao
intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo
aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
23 ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo
aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao
intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao
namitaka ny firenena rehetra.
24 Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny
mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
1 [Saotra ataon'ny any an-danitra noho ny
nitsarana an'i Babylona] Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny
vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny
voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika;
2 Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa
nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin'ny
fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny
tànany.
3 Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola!
Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay.
4 Ary ny loholona* elatra amby roa-polo sy ny
zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka
eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia! [* Gr.
presbytera]
5 Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza
fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony
rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
6 Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka
betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny
kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny
Tsitoha, no Mpanjaka.
7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome
voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny
vadiny.
8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika
sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny
asa marina ataon'ny olona masina.
9 Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay
nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy
tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra.
10 Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba
hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo
namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i
Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no
fanahin'ny faminaniana.
11 [Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny
miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny
lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy
dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy
iadiany.
12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny
lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy
mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny
anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra.
14 Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra
dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika
sady fotsy no madio.
15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy
amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny
tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny
fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny
lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
17 Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray
koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka
nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka
miang̣na ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra,
18 mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny
nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay
mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely
na lehibe.
19 Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny
tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly
sy amin'ny miaramilany.
20 Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny
mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny
namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny;
ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
21 Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra
mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia
voky ny nofony.
1 [Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny
amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy
anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita
noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay
menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita
noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany
ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka
izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary
nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny
fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na
teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo
amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona
mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny
fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana,
fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia
hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany
8 ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny
vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady;
tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia
nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina
avy tany an-danitra ka nandany azy. [* Na: (afo avy amin'Andriamanitra)]
10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy
tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany
sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana
fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny
tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny
kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary
nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia
notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao
anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy;
dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy]
14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita*
dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny
farihy afo. [* Gr. Hadesy]
15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo
anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
1 [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita
lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany
voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina,
dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana
tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza
fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny
olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no
hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day]
4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny
masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na
fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa
mahatoky sy marina ireo teny ireo.
6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho
no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana
amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta.
7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany;
ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny
mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy
ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra
afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
9 Ary tonga ny anankiray tamin'ny anjely fito
izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra* ny loza fito farany ka nanao
tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny
Zanak'ondry. [* Gr. feno]
10 Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any
an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia
Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra,
11 sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy;
ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy,
manganohano toy ny vato krystaly;
12 ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady
roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny
folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo
amin'ny Zanak'isiraely;
13 eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra
vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.
14 Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana
roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny
Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.
15 Ary ilay niteny tamiko dia nanana
fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny
màndany.
16 Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny
lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo
sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.
17 Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby
efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely.
18 Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna
dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
19 Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia
voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa
safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
20 ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina
karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny
fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny
folo ametysta.
21 Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila
roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo
an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo
Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
23 Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na
ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary,
ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy*. [* Gr. jirony]
24 Ary ny firenena maro no handeha amin'ny
fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
25 Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory
amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
26 Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena
maro dia ho entina ao anatiny.
27 Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy
masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao
anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina,
manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza
fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny
roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady
mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza
fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia
hanompo Azy
4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo
amin'ny handriny.
5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila
fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no
hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
6 [Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky
sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny
mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy
maintsy ho tonga faingana.
7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay
mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.
8 Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo
zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo
anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao;
fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay
mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny
tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.
11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny
tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay
marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola
hihamasina ihany izy.
12 Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny
famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny
Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba
hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao
an-tanàna.
15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody
ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay
rehetra tia lainga sady mandainga.
16 Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara
aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i
Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia;
ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary
izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre
ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo,
Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny
amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany
amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto
anatin'ity boky ity.
20 Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny,
avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
21 Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i
Jesosy* Tompo. Amena. [* Na: (Jesosy Kristy)]