[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2
Petera
Accès direct aux chapitres de 2 Pierre : 1, 2, 3
1 [Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika
ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy
izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy,
Andriamanitsika sy Mpamonjy: [* Na: ny fahamarinan'Andriamanitra sy Jesosy
Kristy, Mpamonjy antsika]
2 hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny
fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra
rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny
fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na:
[tamin'ny voninahitra sy ny fahatsarana]
4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny
fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra
amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao
tontolo izao noho ny filàna;
5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa
ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny
fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny
fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy
araka an'Andriamanitra,
7 ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia
fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny
olona rehetra.
8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo
betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny
fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa
jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny
fahotany voalohany izy.
10 Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy,
hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra
izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny
fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy,
Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
12 [Fananarana mba hiorina tsara amin'ny fampianarana
marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra
izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny
fahamarinana izay efa eo aminareo.
13 Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia
ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,
14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny
trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
15 Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo
izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny
fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny
fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany.
17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra
Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay
feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).
18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha
niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa
isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro
mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka
miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny
famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny
fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona
tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay
nitondran'ny Fanahy Masina azy.
1 [Ny hahafantarana ny mpampianatra sandoka, sy
faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona
Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay
hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza
ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany. [* Na: fitokoana]
2 Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no
hitenenan-dratsy* ny lalan'ny fahamarinana. [* Gr. hanaovana blasfemia, izahao
Mat.9.3]
3 Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany
varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny
fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
4 Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony
nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina*
mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [* Na: (nafatony tamin'ny gadra
fahamaizinana)]
5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa
namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny
safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,-
6 ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy
Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy
ato aoriana,-
7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny
fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo
aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny
nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna):
9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy
amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana
ho amin'ny andro fitsarana,-
10 indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo
hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona
sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana
voninahitra.
11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny
hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo.
12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany
(tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka
ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
13 ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny
faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy,
ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany*,
raha miara-mihinana aminareo, [* Na: [amin'ny famitahany].
14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy
mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary
mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny
fanozonana izy;
15 efa niala tamin'ny lalana mahitsy izy ka
nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i Beora*, izay tia ny tambin'ny
tsi-fahamarinana, [*Na: Bosora].
16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny
boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany.
17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny
tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.
18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka
ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky
afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony*; [* Na: Satria
velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny fandokafany fatratra ny zava-poana no
entiny mitaona ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana
intsony ho amin'ny fijejojejoana]
19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny
tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo
avy.
20 Fa raha misy efa afaka amin'ny
fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo
sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny
voalohany.
21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny
fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala
izany izy.
22 Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe:
"Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny
kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."
1 [Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana
noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo
ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny
fampahatsiarovana,
2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny
mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly
nirahina ho atỳ aminareo;
3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa
amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny
filany
4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny
amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova
ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.
5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy
hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano,
sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,
6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao
taloha tamin'ny nanasaforany azy;
7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia
hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro
fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao
no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo
taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka
izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy
ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra,
10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny
Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho
levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa
izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]
11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra
rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena
masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
12 sady manantena no mampahafaingana* ny
hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary
handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy]
13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia
manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.
14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena
izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny
amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana.
15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho
famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa
araka ny fahendrena nomena azy,
16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny
rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy
zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina
tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka
mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry
malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo
ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;
18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny
fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy
anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.