[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Hebreo
Accès direct aux chapitres des Hébreux : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13
1 [Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa
nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro
samy hafa sy ny fanao samy hafa;
2 dia amin'izao andro farany izao kosa no
nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra
rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy
endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny
teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka
teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo
4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny
nandovany anarana tsara noho ireny.
5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe:
"Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa:
"Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.)
6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao
fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra
rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).
7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao
ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).
8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny
seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny
tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka;
Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao
Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).
10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany
aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra;
11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy
rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny
fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho
tapitra" (Sal 102.25-27).
13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo
an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho
fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
14 Tsy fanahy manompo* va izy rehetra, nirahina hanao
fanompoana ho an'izay handova famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]
1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy
kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka
samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,
3 hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina
izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny
voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,
4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy
tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny
fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
5 Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay
lazainay.
6 Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe:
"Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no
amangianao azy?
7 Nataonao ambany kely* noho ny anjely izy; Efa
nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny
asan'ny tananao; [* Na: vetivety]
8 Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo
ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra
rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola
hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
9 Fa Ilay natao ambany kely* noho ny anjely no
hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka
voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra
noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [*Na: vetivety]
10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra
rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any
amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny
fahoriana.
11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na
izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe
"rahalahy"
12 ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny
rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no hiderako Anao" (Sal 22.22). [*
Gr. eklesia]
13 Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa:
"Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba
nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny
herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany
rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny
taranak'i Abrahama no vonjeny.
17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny
rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy
mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny
olona.
18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana
nentiny*, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [*
Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]
1 [Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa
amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra,
hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i
Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7]
3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra
noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny
trano nataony.
4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay
nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny
tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny
tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny
farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.
7 Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio,
raha hihaino ny feony ianareo,
8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny
fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
9 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany
toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
10 Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao
hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
11 Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako
hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).
12 Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo
ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona;
13 fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe
"Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny
ota.
14 Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha
mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;
15 raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony
ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal.
95 7, 8).
16 Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay
rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?
17 Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay
nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any
amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy
ireo noho ny tsi-finoany.
Chapitre 4. 1
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza
isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy
mahatratra izany.
2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara
tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria
tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny
finoana tamin'izay nandre izy]
3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany
fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny
fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal.
95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny
teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany
rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3).
5 Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny
fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11].
6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany,
ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny
tsi-finoana,
7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na
dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka
ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny
fonareo" (Sal. 95.7, 8)
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho
nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny
olon'Andriamanitra.
10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa
no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy]
11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana
izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka
maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny
aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra
sy ny fisainan'ny fo.
13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy
miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo
imason'izay iafaran'ny ataontsika.
14 [Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria
Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy,
Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay
miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra
rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny
fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika
fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany]
1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka
tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra
fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy
ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka
ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.
4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany
afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny
tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho
niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe:
"Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka"
(Sal.110.4).
7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy
fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy
Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany
an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin'ny
fahatahorany]
8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny
Izy, na dia Zanaka aza;
9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny
famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka
ny fanaon'i Melkizedeka."
11 [Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona]
Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria
lalodalovana ny sofinareo.
12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho
ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny
abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony
homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra
amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
14 Fa ho an'izay efa lehibe* ny ventin-kanina, dia ho
an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara
sy ny ratsy. [* Na: tanteraka]
1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i
Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana
indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
2 ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny
fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
3 Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa
nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny
herin'ny fiainana ho avy,
6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny
fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana
ka manao Azy ho fahamenarana.
7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy
matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana
avy amin'Andriamanitra;
8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady
akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia
manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny
asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha
nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany
fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana
hatramin'ny farany;
12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova
araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana.
13 Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama
ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana
tamin'ny tenany Izy
14 ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro
dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
15 Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia
nahazo ny teny fikasana.
16 Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny
tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny
fifandirana rehetra.
17 Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa
amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony
mafy tamin'ny fianianana izany,
18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy
hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika
izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no
tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba;
20 tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa
tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.
1 [Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io
Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo
Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka
maro izy ka nitso-drano azy,
2 sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra
aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao
Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana
tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao
tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
4 Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i
Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
5 Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny
fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny
lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza
ireny;
6 nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray
ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny
fikasana.
7 Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo
tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
8 Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny
fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
9 Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny
fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
10 satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny
nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
11 Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i
Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana
mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina
ho araka ny fanaon'i Arona?
12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa
ny lalàna.
13 Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy
tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.
14 Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny
Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny
amin'izay ho mpisorona.
15 Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy
Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka,
16 izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo,
fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana.
17 Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona
mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
18 Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny
sy ny tsi-fanasoavany
19 (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na
inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay
anatonantsika an'Andriamanitra.
20 Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha
tsy tamin'ny fianianana
21 - fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny
fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa
nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal.
110. 4)
22 - dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho
Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy
navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana,
satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona
an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana
ho azy. [Na: hatramin'ny farany]
26 Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika:
dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka
natao avo noho ny lanitra,
27 Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny
ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho
ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra
ny tenany Izy.
28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena
ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia
manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.
1 [Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny
tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany
zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika,
dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo
Indrindra any an-danitra,
2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina
sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra
fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa
Izy.
4 Koa raha etỳ ambonin'ny tany dia tsy mba ho
mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny
lalàna,
5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika
sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i
Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba
hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra
rehetra" (Eks. 25.40).
6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara
noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny
fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.
7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany,
dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa.
8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro,
avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny
taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda,
9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany
Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy
nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely,
Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny
lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho
oloko;
11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny
avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy
rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra;
12 Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy
hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34).
13 Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa
efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho
levona.
1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika
ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny
etỳ an-tany.
2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany,
ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny
latabatra ary ny mofo aseho.
3 Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny
tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra,"
4 izay nisy lovia* volamena fandoroana ditin-kazo manitra
sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao
anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona
izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; [* Na: alitara]
5 ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra,
izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay
ireo ankehitriny.
6 Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia
miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny
fanompoam-pivavahana.
7 Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany
indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà,
izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny
tsi-fahalalana;
8 koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho
ny lalana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny
tabernakely voalohany;
9 fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary
araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny
mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
10 (fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina
sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao
mandra-pihavin'ny andro fanovana.
11 Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny
zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady
tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary
izao,
12 ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby
Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana
masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.
13 Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny
lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny
fanadiovana ny nofo,
14 mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany
tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no
hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo
an'Andriamanitra velona.
15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena
vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao
tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny
lova mandrakizay.
16 Fa raha misy didim-pananana*, dia teny foana izany,
raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na: fanekena]
17 Fa mafy ny didim-pananana*, rehefa tonga ny
fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. [* Na:
fanekena]
18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy
nohamasinina raha tsy nisy rà.
19 Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra
ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny
ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny
tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20 dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra
anareo (Eks. 24. 8).
21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao
fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra
araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny
tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa
dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana
masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any
an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika,
tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra
ny ran'ny zavatra hafa;
26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy
hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray
mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany
ny tenany.
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray
mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray
mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay
miandry Azy, ho famonjena.
1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa
tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona
manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany
ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny
fieritreretany ny ota intsony izy?
3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny
ran'osilahy.
5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia
nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba
nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy
sitrakao;
7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky
no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà
sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny
ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy
sitrakao",
9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga
hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny
faharoa.
10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana
antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana
isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany
matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray
monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay]
13 ka hatramin'izao dia miandry Izy
mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany
ho mandrakizay izay olona hamasinina.
15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany
amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa
afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady
hosoratako ao an-tsainy,"
17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny
helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34).
18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy
fanatitra noho ny ota intsony.
19 [Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay
nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana
fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia
lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny
tranon'Andriamanitra,
22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny
fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny
fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy]
23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana
mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana
sy ny asa tsara;
25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny
sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana
tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary
fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny
tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana
ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny
ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny
Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana;
Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo.
32.35, 36).
31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra
velona.
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady
mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana
sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay
azon'izany.
34 Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no
nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana
fananana tsara lavitra sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny
tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra]
35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy
valiny lehibe.
36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha
hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny
sitrapon'Andriamanitra.
37 Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho
avy, fa tsy hitaredretra"
38 Ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny
finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3,
4). [* (ny marina)]
39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny
fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.
1 [Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny
valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana
ny zavatra tsy hita.
2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra
no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana
izao zavatra hita izao.
4 Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra
tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria
Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia
maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
5 Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny
fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa
talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
6 Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao
hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino
fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7 Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny
ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny
zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy
nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8 Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina,
hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy
fantany izay halehany.
9 Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny
teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy
Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy,
Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery
hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa
nanome ny teny fikasana.
12 Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty,
no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny
amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa
tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka
ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ
ambonin'ny tany izy.
14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho
marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15 Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho
nahita andro hiverenany.
16 Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any
an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe
Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.
17 Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha
nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara
ny teny fikasana,
18 dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no
hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12).
19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana
ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.
20 Finoana no nitsofan'isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny
amin'ny zavatra ho avy.
21 Finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa
roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny
tehiny.
22 Finoana no nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely,
rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolany.
23 Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy
telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy
natahorany ny didin'ny mpanjaka.
24 Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny
zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy,-
25 nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny
olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana,
26 nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra
noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27 Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany
ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28 Finoana no nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny
rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny]
29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia
tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
30 Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa
nohodidinina hafitoana.
31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka
tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
32 Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha
milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela
ary ny mpaminany,
33 izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa
fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona,
34 namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny
lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady,
dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa.
35 Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho
velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay
hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
36 ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary
fatorana sy tranomaizina koa;
37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy,
novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy;
efa lao, ory, fadiranovana
38 (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany
akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy
ary tao an-dava-tany izy.
39 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara
noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho
antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
1 [Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy
hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany
manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra
mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika
hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo
anoloantsika izao,
2 mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa
azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany
ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny
ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
3 Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny
mpanota taminy*, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [*
Na: ireo mpanota manimba tena]
4 Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota
hatramin'ny fahalatsahan-drà.
5 Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy
ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana
ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
6 Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra
raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).
7 Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra
mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
8 Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra
ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
9 Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho
mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny
fanahy, ka ho velona isika?
10 Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro
vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny
fahamasinany.
11 Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly
andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny
vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
12 Koa hatanjaho* ny tanana miraviravy sy ny lohalika
malemy; [* Na: ahitsio]
13 ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba
tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary
fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15 Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny
fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana,
ka ho voaloto ny maro;
16 fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny
masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina
indraim-bava.
17 Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova
ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia
nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
18 [Ny halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena
vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo
amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny
fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra
19 sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka
izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
20 fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy
biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19.
12, 13),
21 ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy:
"Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo]. 9.19).
22 Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona,
tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny
anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny fihaonana fifaliana* sy ny fiangonan**'ny
lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona
rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [* Na:
ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [** Gr. eklesia]
24 sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao,
ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.
25 Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy
ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra
taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala
amin'ilay avy any an-danitra,
26 Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa
ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany
ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
27 Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara
ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba
haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.
28 Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina
isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho entintsika manao izay fanompoana
sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [* Na: hanana fanahy
misaotra]
29 fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).
1 [Anatra sy fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana
ny rahalahy.
2 Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany
dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
3 Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy
ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana,
ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka
vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
5 Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa
mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy
na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
6 Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy
ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118.
6).
7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny
tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny
finoany.
8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary
mandrakizay.
9 Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa
ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny
hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
10 Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny
tabernakely fahefana hihinanana.
11 Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny
fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny
ivelan'ny toby ny fatiny.
12 Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny
vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny.
13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby,
mitondra ny latsa izay nentiny.
14 Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa
mitady ny ho avy.
15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny
alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay
manaiky ny anarany.
16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy
izany no sitrak'Andriamanitra.
17 Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy
miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina,
mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy
hahasoa anareo izany.
18 Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana
fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra.
19 Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba
hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
20 Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i
Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny
ran'ny fanekena mandrakizay*, [* Na: Mpiandry ondry lehibe amin'ny ran'ny
fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty]
21 Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra
hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony
amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay.
Amena. [* Na: asa tsara] [**Na: (anatintsika)]
22 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny
fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty
rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy
anareo aho.
24 Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy
ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo.
25 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.