[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1
Tesaloniana
Accès direct aux chapitres de 1 Thessaloniciens : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana
an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany
tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny
fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy
Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny
aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,
3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny
finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny
fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny
fifidianana anareo,
5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny
teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be,
araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny
aminareo.
6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria
nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy
Masina,
7 ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any
Makedonia sy Akaia ianareo.
8 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy
tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny
finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana
azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana
amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,
10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay
natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny
fahatezerana ho avy.
1 Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana
ny fidiranay tatỳ aminareo;
2 fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy
izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray
izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny
fanoherana.
3 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny
fahalotoana, na ny soloky.
4 Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka
notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no
itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay
mizaha toetra ny fonay.
5 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na
oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana
(Andriamanitra no vavolombelona);
6 ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na
taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza
izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,.
7 Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny
mitaiza ny zanany naterany,
8 dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay
anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa
ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
9 Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny
fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona
iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra
taminareo.
10 Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa
masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo
izay mino,
11 toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no
namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
12 mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay
miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.
13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra
an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay
ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny
tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny
fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo
noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho
ny nataon'ny Jiosy taminy,
15 izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary
nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona
rehetra,
16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy
hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa
niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
17 Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo
vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady
sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18 Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana
indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.
19 Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra
reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny
fihaviany va?
20 Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
1 Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia
nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
2 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady
mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy
hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3 mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny
tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.
4 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo
rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka
fantatrareo.
5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony,
dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny
mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
6 Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty
avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin'ny finoanareo sy ny
fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry
hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,-
7 noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo
amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
8 fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny
Tompo ianareo.
9 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly
an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny
aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
10 amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita
ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?
11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika
hanitsy ny lalanay ho atỳ
12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo
amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo
koa,
13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny
fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy
Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
1 [Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny
filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo
ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety
handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny
andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.
2 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i
Jesosy Tompo.
3 Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana
anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
4 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny
tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra,
5 tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay
tsy mahalala an'Andriamanitra,
6 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny
amin'izany*; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny
nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [* Na: amin'ny raharaha]
7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny
fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
8 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa
Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
9 Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy
misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia
ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
10 Fa manao izany ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra
eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo
bebe kokoa,
11 ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy
hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin'ny tananareo araka ny nandidianay
anareo,
12 mba handehananareo amin'izay fitondran-tena
mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
13 [Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay
modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay
modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana
fanantenana.
14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa
nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa
nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy]
15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo:
isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba
hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra
amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka
izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola
mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any
amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
18 Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy
misy tokony hosoratako aminareo,
2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny
mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay,
dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha
miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba
hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny
andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka
hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr. hiari-tory]
7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo
dia mamo amin'ny alina.
8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka
hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny
famonjena ho fiarovan-doha.
9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana,
fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy
isika, na mahatsiaro na matory.
11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny
ataonareo ihany.
12 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo
izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra
anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy
noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay
tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera
amin'ny olona rehetra.
15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha
mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
16 Mifalia mandrakariva.
17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.
18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no
sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
19 Aza mamono ny Fanahy.
20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.
23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie
hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy
ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i
Jesosy Kristy Tompontsika.
24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany
no hanefa izany.
25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny
fanorohana masina.
27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina
amin'ny rahalahy* rehetra ity epistily ity. [* Na: (rahalahy masina)]
28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy
Kristy Tompontsika.