[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Jona
Accès direct aux chapitres de Jonas : 1, 2, 3, 4
1 [Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Jona hankany Ninive,
sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany] Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i
Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe,
ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny
faharatsiany.
3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba
hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany
Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao
ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
4 Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny
ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny
andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra* tao an-tsambo
mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry
renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]
6 Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy
hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny
Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty
isika.
7 Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika
hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia
nanao filokana izy, ka Jona no azo.
8 Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho
ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona
no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny
firenen'iza ianao?
9 Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah,
Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany
maina.
10 Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy
hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i
Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
11 Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba
hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
12 Ary hoy izy tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any
anatin'ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny
amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
13 Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny
sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola
nihananonja mafy taminy.
14 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona
aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity
lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah
ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
15 Dia nobetain'izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny
ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.
16 Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo
ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.
1 [Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra
nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona
dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.
2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao
an-kibon'ny hazandrano Jona
3 ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako
aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia
nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela]
4 Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao
amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao
sy ny onjanao rehetra.
5 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa
mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
6 Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy
ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny
lohako.
7 Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra
aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao
an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
8 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro
an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao
masina.
9 Izay mivavaka amin'ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra
fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb. ny famindram-pony]
10 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra
hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny
famonjena.
11 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho
eny amin'ny tany maina Jona.
1 [Ny nitorian'i Jona teny tao Ninive] Ary tonga
fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna
lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
3 Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin'i
Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, dia lalana
hateloana.
4 Ary Jona niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana
indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana
Ninive.[Heb. niditra]
5 Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka
niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka
hatramin'ny kely.
6 Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana
niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia
nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona.
7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny
didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na
olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy
hihinana na hisotro rano akory ireo.
8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny
biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy
hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.
9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary
hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
10 Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny
amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay
nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
1 [Ny nimonomononan'i Jona, sy ny nananaran'Andriamanitra
azy] Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.
2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona
aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany
amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy,
satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po
sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza.
3 Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny
aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.
4 Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao
izao?
5 Dia nivoaka ny tanàna Jona* ka nipetraka teo
atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo
ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny tanàna.[Na: ary Jona efa
nivoaka ny tanàna]
6 Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka
nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny
alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.
7 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa
Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.
8 Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia
nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny
masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy
izay ho velona.
9 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao
firehitry ny fahatezeranao ny amin'ny tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety
ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
10 Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga
izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary
maty indray alina koa;
11 ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna
lehibe va. izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy
mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?