[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Nehemia
Accès direct aux chapitres de Néhémie : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13
1 Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana
Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
2 dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko,
mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy
efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema.
3 Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana
izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny
mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.
4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka
nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo
anatrehan'Andriamanitry ny lanitra
5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny
lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy
famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba
hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny
andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny
fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny
mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy
nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy
mpanomponao.
8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy
mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any
amin'ny firenena maro Aho;
9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny
didiko sy mankaṭ azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza
ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana
izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao
tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny
fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny
fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka
hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny
mpanjaka aho.
*
1 Ary tamin'ny volana Nisana tamin'ny taona faharoa-polo
nanjakan'i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro
ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
2 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy
ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po
mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho
3 ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay
anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny
fasan-drazako, sady efa levon'ny afo ny vavahadiny?
4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao?
Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
5 dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny
mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda
aho, ho any amin'ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
6 Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin'ny mpanjaka koa
nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no
hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana
taminy aho.
7 Ary hoy koa aho tamin'ny mpanjaka: Raha sitraky ny
mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho,
mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
8 sy taratasy ho amin'i Asafa, mpitandrina ny alan'i ny
mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin'ny lapa izay momba ny
tempoly sy hanaovako ny mandan'ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia
nomen'ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitro tamiko.
9 Dia tonga tany amin'ireo governora any
an-dafin'ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin'ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka
efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy.
10 Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia
Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady
izay hahasoa ny Zanak'Isiraely.
11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra
tany hateloana.
12 Ary nifoha tamin'ny alina aho, dia izaho sy
ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay
natsindrin'Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko
afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
13 Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin'ny
vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny loharanon'ny dragona, sy
tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i Jerosalema izay efa rava sy ny
vavahadiny izay efa levon'ny afo.
14 Dia nankany amin'ny vavahadin-doharano sy ny
farihin'ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon'ilay biby nitaingenako
naleha akory.
15 Dia niakatra teo amin'ny lohasahan-driaka
aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin'ny
vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina.
16 Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay
nalehako, na izay nataoko; fa hatramin'izay dia tsy mbola nolazaiko tamin'ny
Jiosy izany, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny manan-kaja, na tamin'ny mpanapaka,
na tamin'ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
17 Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny
fahoriantsika , fa rava Jerosalema ary nodoran'ny afo ny vavahadiny; koa andeha
isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
18 Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro
izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy
izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny
tànany hanao izany soa izany izy.
19 Fa nony ren'i Sanbala Horonita sy Tobia
Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy
nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin'ny mpanjaka angaha
ianareo?
20 Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe:
Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra
izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara. na rariny, na fahatsiarovana
akory, atỳ Jerosalema.
*
1 Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny
mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy
ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny
tilikambo Hananela no nohamasininy.
2 Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina
tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora,
zanak'Imry.
3 Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak'i
Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy
ny vavombiny.
4 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa
Meremota.zanak'i Oria, zanak'i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa
Mesolama, zanak'i Berekia, zanak'i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia
namboatra koa Zadoka, zanak'i Bana.
5 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa
ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin'ny
fanompoana ny Tompony.
6 Ary ny vavahady taloha dia namboarin'i Joiada, zanak'i
Pasea, sy Mesolama, zanak'i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy
ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
7 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia
Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa,
hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ.
8 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i
Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania,
isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny
mandà lehibe.
9 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak'i
Hora, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema.
10 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak'i
Haromafa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Ary manarakaraka io
dia namboatra koa Hatosy, zanak'i Hasabnia.
11 Ny sasany koa mbamin'ny tilikambo misy ny fatana
fandoroana dia namboarin'i Malkia, zanak'i Harima, sy Hasoba. zanak'i
Pahatamoaba.
12 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma,
zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema, dia izy sy ny
zananivavy.
13 Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i
Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny
lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo
hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.
14 Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia,
zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy
nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
15 Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma,
zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo
izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary
narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka
hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan'i Davida.
16 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i
Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny
tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny
tranon'ny lehilahy mahery.
17 Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia
Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny
antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.
18 Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia
Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila.
19 Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin'i Ezera,
zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny tandrifin'ny fiakarana ho any
amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny fiolahana.
20 Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no
nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny
tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
21 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota,
zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka
hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
22 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona,
dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka.
23 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy
Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra
koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany.
24 Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin'i Binoy,
zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka hatramin'ny fiolahana eo
amin'ny zorony.
25 Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny
tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny
ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io
koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.
26 Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin'ny
tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin'ny tilikambo.
27 Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin'ny
Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny tilikambo lehibe ka
hatramin'ny mandan'i Ofela.
28 Hatreo ambonin'ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny
mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
29 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka,
zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony ihany. Ary manarakaraka
io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
30 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Hanania,
zanak'i Setemia, sy Hanona, fahenin'ny zanak'i Zalafa. Manarakaraka ireo dia
namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny
efi-tranony ihany.
31 Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny
mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo
amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo
an-jorony.
32 Ary ny teo anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy
ny vavahadin'ondry no namboarin'ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
33 Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia
tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
34 dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i
Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono
zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ?
Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo?
35 Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny
hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny
manda vato ataony.
36 Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona
izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo
any amin'ny tany izay ahababoany izy.
37 Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo
anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo
mandrafitra izy.
38 Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa
hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
*
1 Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny
Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan'i Jerosalema, ka efa ho
voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i
Jerosalema ka hanimba ny asa.
3 Dia nivavaka tamin'Andriamanitra izahay ka nametraka
mpiambina hiandry azy andro aman'alina noho ny fahatahoranay azy.
4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin'ny mpitondra entana,
ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.
5 Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na
hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny
asa.
6 Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo
ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena
atỳ aminay,
7 dia nasiako olona teo amin'ny fitoerana ambany, teo
ivelan'ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony
avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsiṕka.
8 Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja
sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo
lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny
zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
9 Ary nony ren'ny fahavalontsika fa efa fantatray izany,
sady efa nofoanan'Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin'ny manda izahay
rehetra, samy ho amin'ny asany avy indray.
10 Ary hatramin'izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko
dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman'ampinga sy tsiṕka
ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon'ny fianakaviana
rehetra amin'ny Joda.
11 Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana
izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin'ny tànany
anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.
12 Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany
voafehy tamin'ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara
dia teo anilako.
13 Ary hoy izaho tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary
ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin'ny
manda isika ka mifanalavitra.
14 Koa eo amin'izay fitoerana andrenesanareo ny feon'ny
anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
15 Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa
nitan-defona hatramin'ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.
16 Ary tamin'izany andro izany dia hoy koa aho tamin'ny
olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina
antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.
17 Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny
mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro
akory.
1 Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny
Jiosy rahalahiny.
2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy
sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
3 Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny
tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary
izahay noho ny mosary.
4 Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay
handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no
nataonay antoka.
5 Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny
nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo
izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany
amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra
azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
6 Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany
sy izany teny izany.
7 Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny
manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny
rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
8 Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny
nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny
jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay
va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
9 Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy
tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny
fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?
10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna
vola sy vary taminy; koa maśna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
11 eny, maśna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny
taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny
ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay
nampisamborinareo azy.
12 Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na
inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny
mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
13 sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao
hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay
tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny
asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana
rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an'i Jehovah izy. Ary dia nanao araka
izany teny izany ny olona.
14 Ary koa, hatramin'ny andro nanendrena ahy ho governora
amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona faharoa-polo ka hatramin'ny taona
faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona
izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman'ny
governora.
15 Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia
nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy
efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa
izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an'Andriamanitra.
16 Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy
nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
17 Ary teo amin'ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka
dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin'ny firenena
manodidina anay.
18 Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy
ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia
nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny
governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
19 Tsarovy aho ka hasoavy, ry
Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity.
Chapitre 6
1 Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo
mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga
intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny
lela-vavahady),
2 dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao
hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i
Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3 Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe:
Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any
aminareo ny asa ka hatsahatra?
4 Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany
izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
5 Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo
amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
6 izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny
firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia
mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia
mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
7 sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any
Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany
teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
8 Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina
izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
9 Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho
kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny
tanako!
10 Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i
Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika
hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka
harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina
hamono anao izy.
11 Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony
handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly
ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12 Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka
azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i
Tobia sy Sanbala.
13 Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy
hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka
izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa,
izay nampitahotra ahy.
15 Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda,
dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.
16 Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia
raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona
izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
17 Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda
dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia
kosa tonga tany aminy.
18 Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika
taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy
efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia.
19 Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary
nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy
hampitahotra ahy.
*
1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady,
sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny
tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady
matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3 Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny
vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny
mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre
mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny
fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
4 Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona,
sady tsy mbola vita ny trano.
5 Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny
manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny
firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra
voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
6 Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra
avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7 dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa
sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta
sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia
izao:
8 Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy
roa arivo;
9 ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby
telon-jato;
10 ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby
enin-jato;
11 ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i
Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
12 ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby
roan-jato sy arivo;
13 ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby
valon-jato;
14 ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
15 ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby
enin-jato;
16 ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby
enin-jato;
17 ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby
telon-jato amby roa arivo;
18 ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby
enin-jato;
19 ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa
arivo;
20 ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby
enin-jato;
21 ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby
sivi-folo;
22 ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby
telon-jato;
23 ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby
telon-jato;
24 ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato;
25 ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
26 Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby
valo-polo amby zato;
27 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby
zato;
28 ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
29 ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota
dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
30 ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo
amby enin-jato;
31 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby
zato;
32 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo
amby zato;
33 ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby
dimam-polo;
34 ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby
dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
35 ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
36 ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby
telon-jato;
37 ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby
roa-polo amby fiton-jato;
38 ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo
arivo.
39 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia,
avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
40 ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
41 ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby
roan-jato sy arivo;
42 ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
43 Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy
Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
44 Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia
valo amby efa-polo amby zato.
45 Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i
Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny
taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
46 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny
taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
47 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i
Padona,
48 ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i
Salmay,
49 ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i
Gahara,
50 ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i
Nekoda,
51 ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i
Pasea,
52 ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny
taranaky ny Nefisita,
53 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny
taranak'i Harora,
54 ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny
taranak'i Harsa,
55 ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny
taranak'i Tema,
56 ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
57 Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao:
Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida,
58 ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i
Gidela,
59 ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i
Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.
60 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i
Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
61 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa
sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany,
na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
62 ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i
Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
63 Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i
Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny
zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
64 Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy
hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
65 Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny
zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny
Orima sy Tomima.
66 Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby
telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
67 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby
telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy
dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
68 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato;
ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
69 ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny
borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
70 Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia
nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia
famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao
amin'ny rakitra.
71 Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia
nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao
amin'ny rakitra hanaovana ny asa.
72 Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa
alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
73 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona
sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny
vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
*
Chapitre 8. 1 Ary rehefa tonga ny
volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory
tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny
vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny
bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely.
2 Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy
na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino.
3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny
vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny
andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino;
ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna.
4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny
lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy
Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary
Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no
teo anilany ankavia kosa.
5 Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny
boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany
izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
6 Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe;
ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika
izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah.
7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy
Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy
Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo
amin'izay nitoerany ihany.
8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny
lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona
tsara ny teny novakina.
9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona,
mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny
olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa
aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny
lalàna.
10 Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary
sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa
masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny
fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao
hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy
hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny
teny izay notorina taminy.
13 Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra
mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona
ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna.
14 Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay
nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano
rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana
fahafito,
15 ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety
ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any
an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy
sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano
rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
16 Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano
rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny
avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo
akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i
Efraima.
17 Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana
rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny
izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa,
zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe
indrindra.
18 Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny
lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka
hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary
tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
1 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'izany
volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy
lamba fisaonana sy nihosin-tany.
2 Dia niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny
taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
3 Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia
namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny
ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy
niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
4 Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy
Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita
ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.
5 Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy
Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora
an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny
anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
6 Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no
nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny
tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary
Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo
anatrehanao.
7 Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an'i
Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana sady nanao ny anarany
hoe Abrahama;
8 ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao,
ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy
ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany;
ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
9 Ary nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta koa
Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron'ny Ranomasina Mena,
10 dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy
ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa
fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny
amin'izao anio izao.
11 Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka
nandeha namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo
nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin'ny lalina tahaka ny vato amin'ny
rano manonja.
12 Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary
andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
13 Efa nidina tao ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao,
dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana
marina ary fomba sy didy tsara.
14 Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary
Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
15 ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha
noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha
nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay
nanangananao tanàna homena azy izy.
16 Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny
hatony ka tsy nihaino ny didinao,
17 ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy
nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka
niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin'ny fahandevozany; fa
Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po
sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
18 Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao
hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia
nampahasosotra indrindra izy;
19 kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba
nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny
an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay
nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
20 Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra
azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha
nangetaheta izy;
21 eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra,
ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto
ny tongony.
22 Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka
voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny
tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy.
23 Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana
eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny
razany fa hidirany holovana.
24 Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary
nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo
an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
25 Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano
feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly
voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary
nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe.
26 Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny
lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy
hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
27 Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy,
ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao
izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao
dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo.
28 Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo
anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny fahavalony kosa izy, ka
nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy
tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben'ny fiantranao.
29 Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho
amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao,
fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankaṭ azy) ka nampihemotra
ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
30 Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny
Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa
tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena
amin'ny tany hafa.
31 Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho
lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra
Hianao.
32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra
lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny
famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo
anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny
mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo
mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany.
33 Hianao no marina tamin'izay rehetra nanjo anay, fa
marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
34 ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny
mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny
didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
35 Fa tsy nanompo Anao teo amin'ny fanjakany izy sy teo
amin'ny haben'ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka
izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony izy.
36 Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany
izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto,
andevo eto izahay;
37 ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka
izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny
tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy
izahay.
1 Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy
izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy
ny Levitanay ary ny mpisoronay.
2 Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak'i
Hakalia, sy Zedekia,
3 ary Seraia, Azaria, Jeremia,
4 Pasora, Amaria, Malkia,
5 Hatosy, Sebania, Maloka,
6 Harima, Meremota, Obadia,
7 Daniela, Ginetona, Baroka,
8 Mesolama, Abia, Miamina,
9 Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.
10 Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak'i Azania, Binoy
isan'ny zanak'i Henadada, ary Kadmiela;
11 ary ny rahalahin'ireo dia Sebania, Hodia, Kelita,
Pelaia, Hanana,
12 Mika, Rehoba, Hasabia,
13 Zakora, Serebia, Sebania,
14 Hodia, Bany Benino.
15 Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama,
Zato, Bany,
16 Bony, Azgada, Bebay,
17 Adonia, Bigvay, Adina,
18 Atera, Hezekia, Azora,
19 Hodia, Hasoma, Bezay,
20 Harifa, Anatota, Nebay,
21 Magpiasy, Mesolama, Hezira,
22 Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
23 Pelatia, Hanana, Anaia,
24 Hosea, Hanania, Hasoba,
25 Halohesy, Pila, Sobeka,
26 Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
27 Ahia, Hanana, Anana,
28 Maloka, Harima, Bana.
29 Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny
mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka
tamin'ny tompon-tany hanaraka ny lalàn'Andriamanitra mbamin'ny vadin'ireo sy ny
zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,
30 dia samy nikambana tsara tamin'ny andriandahy
rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, izay
nampilazaina an'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, ary hitandrina sy hankaṭ ny
didy rehetra izay nataon'i Jehovah Tompontsika mbamin'ny fitsipika sy ny
lalàny;
31 ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin'ny tompon-tany,
na haka ny zananivavy ho vadin'ny zanakai-lahy;
32 tsy hividy zavatra amin'ny andro Sabata, na amin'izay
andro masina, raha misy entana na vary entin'ny tompon-tany hamidy amin'ny
andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin'ny taona fahafito sady hamoy izay
trosa rehetra.
33 Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny
ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny
tranon'Andriamanitsika:
34 dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina
mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny
voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny
fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny
raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.
35 Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny
mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao
an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro
isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka
izay voasoratra ao amin'ny lalàna,
36 ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy
ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon'i Jehovah isan-taona
isan-taona;
37 ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby
fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny
ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon'i Jehovah
Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao
an-tranon'Andriamanitsika;
38 ary mba hitondranay ho an'ny mpisorona koa ny
voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny
voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho
amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny ampahafolon'ny vokatry
ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny
an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.
39 Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka
amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny
fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao
an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano
fitehirizan-drakitra.
40 Fa ho ao amin'ireo efi-trano ireo no hitondran'ny
Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy
ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky ny fitoerana
masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry
varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika izahay.
*
1 Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary
ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema,
tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
2 Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena
honina any Jerosalema.
3 Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa
ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany,
dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny
mpanompon'i Solomona.
4 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny
taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia
Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i
Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza;
5 ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze,
zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay
Silonita.
6 Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema
dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
7 Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i
Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia,
zanak'Itiela,zanak'i Jesaia;
8 ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby
roa-polo amby sivinjato.
9 Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda,
zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna.
10 Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba,
ary Jakina.
11 Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i
Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny
tranon'Andriamanitra.
12 Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao
an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama,
zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,
13 ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana,
dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i
Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,
14 mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo
amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.
15 Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba,
zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony;
16 ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny
Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra.
17 Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i
Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no
nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i
Galala, zanak'i Jedotona.
18 Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby
valo-polo amby roan-jato.
19 Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona
mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby
zato.
20 Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny
Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy.
21 Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy
Gispa no nifehy azy.
22 Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny
raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia,
zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.
23 Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia
ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.
24 Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i
Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra
ny amin'ny olona.
25 Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany
tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany
Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
26 ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
27 sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
28 ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny
zana-bohiny,
29 ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
30 sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany
Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram
Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.
31 Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany
Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
32 ary tany Anatota sy Noba sy Anania
33 sy Hazora sy Rama sy Gitaima
34 sy Hadida sy Zeboima sy Nebala
35 sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay
tao-zavatra.
36 Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay
isan'ny antokon'ny Joda.
*
1 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra
tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
2 Amaria, Maloka, Hatosy,
3 Sekania, Rehoma, Meremota,
4 Ido, Ginetoy, Abia,
5 Miamina, Madia, Bilga,
6 Semaia, Joiariba, Jedaia,
7 Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan'ny
mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i Jesoa.
8 Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela,
Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian'ny fiderana.
9 Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin'ireo, dia nifanandrify
tamin'ny anjara-raharahany.
10 Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima
niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada;
11 ary Joiada niteraka an'i Jonatana; ary Jonatana
niteraka an'i Jadoa.
12 Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona,
lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy
tamin'i Jeremia dia Hanania;
13 ny avy tamin'i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin'i
Amaria dia Johanana;
14 ny avy tamin'i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin'i
Sebania dia Josefa;
15 ny avy tamin'i Hadma dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota
dia Helkay;
16 ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona
dia Mesolama;
17 ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i
Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;
18 ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia
dia Jonatana;
19 ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i
Jedaia dia Ozy;
20 ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy
tamin'i Amoka dia Ebera;
21 ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy
tamin'i Jedaia dia Netanela.
22 Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy
Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy
izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.
23 Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana,
dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana,
zanak'i Eliasiba.
24 Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy
Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify
taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra,
nifanandrify isan-tokony.
25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba
no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.
26 Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa,
zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady
mpanora-dalàna.
27 Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia
nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema
hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny
kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
28 Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka
manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita
29 sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa
efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.
30 Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany,
ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka
ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny
irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny
vavahadin-jezika;
32 ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny
andriandahin'ny Joda,
33 dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
34 sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
35 ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona
nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i
Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,
36 mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela,
Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i
Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo
alohan'ireo.
37 Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia
nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny
fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny
vavahadin-drano eo atsinanana.
38 Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia
nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny
manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny
manda lehibe,
39 ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay
teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny
tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary
nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
40 Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy
roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
41 ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina,
Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
42 ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana
sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy
azy.
43 Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany
andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny
vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
44 Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena
hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy
ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara
voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny
isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
45 Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny
amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira
sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.
46 Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia
efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.
47 Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela
sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny
anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa
nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.
1 Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny
olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita
sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny
Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra
mandrakizay,
2 satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely
izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho
fitahiana kosa ny fanozonana.
3 Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala
tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
4 Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho
ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia
akaikiny,
5 dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay
nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy
ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay
anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny
fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
6 Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany
Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i
Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa
nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
7 ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i
Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny
kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
8 Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka
rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
9 Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia
naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra
hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
10 Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka
dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay
nanao ny raharaha.
11 Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe:
Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia
namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
12 Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny
trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
13 Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana
aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita;
ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa
natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
14 Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô,
ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny
raharaha tokony hatao ao.
15 Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny
sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra
amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka
sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny
andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.
16 Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao,
izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i
Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;
17 Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja
amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no
dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
18 Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia
nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra
izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra
amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
19 Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i
Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy
navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko
sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro
Sabata.
20 Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray
mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
21 dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy
hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany
indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga
tamin'ny Sabata intsony izy.
22 Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany
ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy
aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny
famindram-ponao.
23 Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny
Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
24 ary ny antsasaky ny zanany dia nanao
tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy
isam-pirenena izy.
25 Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy
ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy
tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy,
ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
26 Tsy izany va no nanotan'i Solomona,
Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena
maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny
Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa
firenena.
27 Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao
ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo
vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
28 Ary vinanton'i Sanbala Horonita ny anankiray
amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala
teo amiko izy.
29 Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny
nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana sy ny Levita.
30 Toy izany no nanadiovako azy ho afaka
amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny
anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,
31 ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo
tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry
Andriamanitro ô.