[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Obadia
1 [Ny fahitan'i Obadia ny amin'ny handravana
an'i Edoma mbamin'ny jentilisa sasany noho ny ratsy nataony tamin'ny Isiraely,
ary ny hampiorenana ny fanjakan'i Jehovah any Ziona] Ny fahitan'i Obadia. Izao
no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah
izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna,
aoka isika hitsangana hanafika azy!
2 Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny
firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
3 Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry
ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady
manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
4 Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza
ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao,
hoy Jehovah.
5 Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy
alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy
izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka
tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
6 Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny
fikatsaka ny hareny miafina!
7 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao
no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no
namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao
ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
8 Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy
Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao
an-tendrombohitr'i Esao?
9 Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao,
ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i
Esao.
10 Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao
dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
11 Tamin'ilay andro namitsahanao* teny am-pita,
Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo
amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray
tamin'ireny koa ianao.[Heb. nijanonanao]
12 Aza finaritra mijery ny andron'ny
rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly
ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny
miavonavona amin'ny andro fahoriana
13 Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko
amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro
ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany
loza
14 Aza mamitsaka* eo amin'ny sampanan-dalana
hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny
andro fahoriana.[Heb. mijanona]
15 Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra
ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny,
hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16 Fa toy ny nisotroanareo teo
an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra
mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
17 Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay
sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.
18 Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i
Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy
ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa
niteny.
19 Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny
tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* no hahalasa
ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary
Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela]
20 Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be
izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo* tany Jerosalema, izay
any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao,
izay any amin'ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..]
21 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao
an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah
Jon 1:1