[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Daniela
Accès direct aux chapitres de Daniel : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12
1 [Ny amin'i Daniela sy ny namany telo lahy] Tamin'ny
taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2 Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny
Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka
nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny
fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
3 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny
tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana
na amin'ny ambony firazanana,
4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady
kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka
miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny
taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
5 Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an'ireo
isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay fisotrony mba
hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan'ny
mpanjaka izy.
6 Ary tamin'ireo dia nisy avy amin'ny taranak'i Joda, dia
Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7 Ary izy ireo nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana, ka
Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela
nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8 Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany
tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay
fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy
handoto ny tenany.
9 Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po
tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
10 Ary hoy ilay lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela:
Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny
hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny
an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin'ny mpanjaka va ianareo,
ka hotapahiny ny lohako?
11 Dia hoy Daniela tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny
lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay
mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13 Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny
tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka
izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao.
14 Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy
hafoloana.
15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa
mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay
nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
16 Dia najanon'ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay
hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
17 Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra
fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela
nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18 Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana
azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara
izy.
19 Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay
tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia
nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
20 Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra
izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho
ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.
21 Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i
Kyrosy mpanjaka.
1 [Ny nofin'i Nebokadnezara, sy ny nilazan'i Daniela ny
hevitr'izany] Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy
Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2 Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny
mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny.
Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.
3 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby
ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4 Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana
ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie
ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
5 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana
ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny
heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano
fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
6 Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia
hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy
mbamin'ny heviny.
7 Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka
hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina
fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna
iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy
arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa
ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa
ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro]
10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy
misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin*'ny mpanjaka
izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila
zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin']
11 Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy
misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra,
izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
12 Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho
izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
13 Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary
Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
14 Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny
fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny
olon-kendrin'i Babylona;
15 eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe
voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny
mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny.
16 Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka
hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
17 Ary Daniela nody tany an-tranony ka
nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
18 mba hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry
ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny
namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
19 Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana
amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an'Andriamanitry ny
lanitra Daniela.
20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie
ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny
hery.
21 Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny
fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome
fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]
22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy
miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao
aminy.
23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko
sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa
nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay
nofin'3 ny mpanjaka.
24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao
amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i
Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny
olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako
aminy ny hevitry ny nofiny.
25 Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny
mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda
aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
26 Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i
Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy
izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
27 Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela
nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny
olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina
tamin'ny mpanjaka;
28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra,
Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay
ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny
farafaranao dia izao:
29 Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao,
dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho
zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
30 Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena
ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny
zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka
hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31 Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy
sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra
tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
32 Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny
tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
33 ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy
tanimanga.
34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka,
nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy
tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35 Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy
ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana
fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato
namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na:
torotoro tamin'ny indray mamely monja]
36 Izany no nofy, ary holazainay eto
anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny
mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana
ary voninahitra,
38 ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny
voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary
nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
39 Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana
hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay
varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy
ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny
famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy
anorotoroany azy.
41 Ary satria hitanao ny tongotra sy ny
rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany
vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita
vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42 Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy,
ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny
tapany ho malemy.
43 Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa
tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
44 Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo
Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay;
ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana
rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
45 Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana
tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy
ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra
lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary
tsy maintsy ho tò ny heviny.
46 Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka
nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho
azy.
47 Ny mpanjaka namaly an'i Daniela ka nanao
hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy
Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany
zava-miafina izany ianao.
48 Ary tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra
an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy
ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben'ny mpanapaka ny
olon-kendrin'i Babylona rehetra.
49 Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary
izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i
Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.
*
1 [Ny nanipazana an'i Sadraka sy Mesaka ary
Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao
sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany;
dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
2 Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory
ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny
mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy
isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara
mpanjaka.
3 Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa
natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny
governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay
lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana
tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
4 Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao
no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
5 Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny
sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny
zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny
sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
6 ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy
mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
7 Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny
fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny
samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy
nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara
mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
8 Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany
nanatona ka niampanga* ny Jiosy.[Ar. nihinana ny nofon']
9 Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara
mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
10 Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny
olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy
ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia
hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;
11 fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa
dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
12 Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny
raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo
lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo
ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa
natsanganao.
13 Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny
fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy
hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba
anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay
natsangako?
15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay
handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny
symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka
miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha
tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny
lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo
amin'ny tanako izany?
16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka
nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony
hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia
mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny
tananao, ry mpanjaka ô.
18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao,
ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona
volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
19 Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova
ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho
impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
20 Ary izay lehilahy matanjaka indrindra
tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego
sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
21 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola
teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany
hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
22 ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka
natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay
nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra]
23 Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy
Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary
nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo
lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka
ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy
tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory
izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.
26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy
afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego,
mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka
avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny
mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo
lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy
singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy
fofon'afo akory taminy.
28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana
anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny
hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary
nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy
Andriamaniny ihany.
29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena
sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny
amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao
trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia
nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
31 [Ny nofy nananaran'Andriamanitra an'i
Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan'izany nofy izany] Nebokadnezara mpanjaka
nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa
fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny
fiadananareo.
32 Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana
izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
33 Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia
fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara
mandimby.
*
1 Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly
finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]
2 Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo
am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
3 Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny
olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
4 Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana
ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny
heviny tamiko ireny.
5 Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela,
izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy
fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo
anatrehany hoe:
6 Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy
fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina
manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy
mbamin'ny heviny.
7 Fa izao no fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery
aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.
8 Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony
nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany
rehetra.
9 Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo
aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan'ny
bibidia, ary teny amin'ny sampany no nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo
rehetra nahazo hanina avy aminy.
10 Nijery tamin'ny fahitan'ny lohako teo am-pandriako
aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
11 Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia
rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy
eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
12 Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any
an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny
andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra
amin'ny tany;
13 aoka hovana ny fony tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho
fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr'andro fito no holanina aminy.
14 Didin'ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy
amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran'ny velona fa ny
Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay
tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
15 Izany no nofy izay hitako, izaho
Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny
olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny
hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra
masina no anatinao.
16 Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe
Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka
nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny
heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay
mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
17 Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy
nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny
tany rehetra,
18 ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny
voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny
bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny voro-manidina,
19 ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao
dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin'ny
lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny tany.
20 Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina
masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary
simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny
fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra
izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny
fetr'andro fito aminy,
21 izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny
Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy mpanjaka:
22 Horoahina hiala amin'ny olona ianao, ary ny
fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao
ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito no holanina aminao,
ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona
ka manome izany ho an'izay tiany.
23 Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny
fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no
manapaka.
24 Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry
mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny
fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra* ny helokao, fandrao mba
hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
25 Izany rehetra izany no nanjo an'i
Nebokadnezara mpanjaka.
26 Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia
nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy.
27 Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity
va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny
heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
28 Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny
teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara
mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
29 Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka
ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao,
ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra
no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
30 Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany
tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra
toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny
volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.
31 Ary rehefa tapitra ny andro, izaho
Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray
ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay
velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany
hahatratra ny taranaka fara mandimby;
32 ary ny mponina rehetra etỳ an-tany
hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra
sy amin'ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao
aminy hoe: Inona no ataonao?
33 Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary
nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako,
ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo
amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
34 Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera
sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany
rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana
dia hainy aetry.
*
1 [Ny fanasana nataon'i Belsazara, sy ny
sora-tanana niseho teo amin'ny rindrina] Belsazara mpanjaka nanao fanasana
lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no
nisotroany divay.
2 Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy
nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy
tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka sy ny
mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony.
3 Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina
avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny
mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro
taminy.
4 Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny
andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
5 Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho
ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny
lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
6 Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary
naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady
ny lohaliny.
7 Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny
mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao
tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io
sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo
volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana izy.
8 Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny
mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny
heviny.
9 Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka,
ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
10 Ary ny renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny
trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny
renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie
ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny
tarehinao.
11 Misy lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay
manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao
dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka
ny fahendren'ireo andriamanitra; ka nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia
ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben'ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny
Kaldeana ary ny mpanandro izy;
12 fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary
fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina
no hita tao amin'izany Daniela izany, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe
Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
13 Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary
ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay
isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany
Joda.
14 Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo
andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara
hita ao aminao.
15 Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny
olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny
heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
16 ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra
sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy
mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana
rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana
ianao.
17 Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka
hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa;
nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny
heviny.
18 Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra
efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i
Nebokadnezara rainao;
19 ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny
fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy
natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany
hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay
tiany haetry dia naetriny.
20 Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra
tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin'ny seza
fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
21 dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary
ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia,
dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny
tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny
fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
22 Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry
ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
23 fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary
ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny
mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy;
ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy
hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay
mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
24 Ary noho izany dia Izy no nihavian'ilay
rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
25 Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela,
Oparesina*.[Oparesina = sy Paresina]
26 Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan'Andriamanitra
ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
27 Tekela, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro,
latsa-danja;
28 Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny
Mediana sy ny Persiana.
29 Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina
volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy
ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana.
30 Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara,
mpanjakan'ny Kaldeana.
*
1 Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa
tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
2 [Ny amin'ny nanipazana an'i Daniela tao an-davaky ny
liona] Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka
ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
3 Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary
Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy
hahafatiantoka ny mpanjaka.
4 Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe
sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa
hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.
5 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady
izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay
hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy
kilema na tsiny hita taminy.
6 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay
hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy
hitantsika hiampangana azy.
7 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo
komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa
mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
8 Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny
mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia
mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na
zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na
amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia
hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
9 Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka
asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo
ovana.
10 Ary noho izany dia nasian'i Dariosa mpanjaka sonia
izany lalàna sy didy izany.
11 Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy,
dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify
an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy
nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha
izany.
12 Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita
an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny.
13 Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka
noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao
sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na
amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô,
dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina
izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
14 Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka
hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky
anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana
intelo isan'andro izy.
15 Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany
teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay
tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
16 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo
lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka,
fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa
navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
17 Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela
ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i
Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
18 Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary
ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny
fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela.
19 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy
nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno* nampidirina teo
anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy]
20 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka
nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
21 Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia
niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao
tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa
Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?
22 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka,
ho velona mandrakizay anie ianao.
23 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka
nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany
tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
24 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy
nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary
tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
25 Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo
lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy
mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny
taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar.
nihinana ny nofony]
26 Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra
ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay
monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
27 Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy
hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa
Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra
hatramin'ny farany.
28 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao
famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no
namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona.
29 Ary izany Daniela izany dia nambinina
tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.
* *
1 [] Fahitana niseho tamin'i Daniela ny amin'ny
fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran'Andriamanitra ireo.Tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady
nahita fahitana* tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny
fotopototry ny teny.[Ar. fahitan'ny lohany]
2 Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita
tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra
nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa
niakatra avy tamin'ny ranomasina.
4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana
elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy
tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady
natao manana fon'olombelona izy.
5 Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny
bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo
am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna,
homàna nofo be.
6 Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa,
indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo
an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
7 Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny
fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady
matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy
nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa
noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8 Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy
tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny
tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy
vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny
seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy
ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany
dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo
anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo
anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny
teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby,
ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
12 Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina
taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany
mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
13 Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny
alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny
lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
14 Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary
fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa
fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka,
ary ny fanjakany tsy ho rava.
15 Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny
fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
16 Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay
nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia
nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
17 Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka
efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
18 Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo
ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
19 Dia naniry hahalala izay fototra marina ny
amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina
indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary
ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
20 ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany
sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay
tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery
azy dia lehibe noho ny namany.
21 Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka
izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
22 ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny
ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny
fanjakana.
23 Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny
biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny
fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro
azy.
24 Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay
hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana
manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy
hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna;
ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny
fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
26 Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny
fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.
27 Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny
fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny
olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny
fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
28 Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko,
izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka
nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra
izany.
*
1 [Ny amin'ny fahavalo anankiray izay nampahory ny olon'Andriamanitra]
Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho
tamiko, izaho Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.
2 Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery
aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany
Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.
3 Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy
ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava
ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava
kokoa no niposaka taoriana.
4 Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy
mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy
nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka
tonga lehibe*.[Na: niavonavona]
5 Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy
nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny
tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.
6 Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa,
dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny
fahatezeran'ny heriny.
7 Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia
nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy
nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka
nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8 Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony
nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra
nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.
9 Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray
amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany
amin'ny tany mahafinaritra.
10 Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny
amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana
ka nohitsakitsahiny.
11 Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny
Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny
fitoerana masina noravana.
12 Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro
natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny
fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy
masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana
mandrakariva* sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana
masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin'ny fanatitra isan'andro]
14 Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro*; ary
nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina** ny fitoerana masina. [*Heb.
hariva sy maraina][**Heb. ho marina]
15 Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady
hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana
teo anatrehako.
16 Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay
niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
17 Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony
tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko:
Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
18 Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso
teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
19 Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho
tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.
20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny
mpanjakan'i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia;
ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22 Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana
nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa
tsy mitovy hery aminy.
23 Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny
mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy
mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24 Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany;
ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny
mahery sy ny olo-masina.
25 Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny
an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy
ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho
torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
26 Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa
ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
27 Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro
vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny
mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
1 [Ny vavaka nataon'i Daniela, sy ny teny nolazaina
taminy ny amin'ny herinandro fito-polo] Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i
Dariosa, zanak'i Ahasoerosy, avy amin'ny taranaky ny Mediana, izay
nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana,
2 tamin'ny taona voalodany nanjakany, izaho Daniela
nahalala tamin'ny boky ny isan'ny taona nampahafantarin'ny tenin'i Jehovah an'i
Jeremia mpaminany, izay hahataperan'ny fito-polo taona amin'ny hahafoanan'i
Jerosalema.
3 Ary nampanatrehiko an'Andriamanitra Tompo ny tavako
hitady izay hivavahana sy hifonana amin'ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana*
ary ny lavenona.[Heb. lamba malailay]
4 Ary nivavaka tamin'i Jehovah Andriamanitro aho ka
nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina
ny fanekena sy ny famindram-po ho amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
5 efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy
niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
6 ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay
niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny
razanay ary ny vahoaka rehetra.
7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny
fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio izao, dia an'ny Joda sy ny mponina any
Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin'ny
tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany
taminao;
8 eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny
mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao
izahay.
9 An'ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny
famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
10 ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba
handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo
anoloanay.
11 Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka
niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny
fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra,
satria efa nanota taminy izahay.
12 Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana
anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe
izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao
tahaka izay natao tany Jerosalema.
13 Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no
nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i
Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny helokay sy hahafantaranay ny
fahamarinanao.
14 Koa izany no nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony
mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa
nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
15 Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra
ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao
anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao
ratsy izahay.
16 Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao
rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema
tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no
nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina
anay.
17 Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky
ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao
masina izay efa foana, satria Tompo Hianao.
18 Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa;
ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina
amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto
anatrehanao, fa amin'ny halehiben'ny indrafonao.
19 Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô,
mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny
tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao.
20 Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny
fahotako mbamin'ny fahotan'ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako
teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitro ho an'ny tendrombohitra
masin'Andriamanitro,
21 eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay
lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny fahitana voalohany, dia nampanidinina
faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
22 Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao
hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
23 Tamin'ny niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny
nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa
diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao
sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana,
ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary
hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina
indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]
25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny
hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i
Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**;
hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na:
ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia
etc]
26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia
hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia
handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary
hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy
ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny
antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny
mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny
mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]
*
1 [Toky ho an'ny olon'Andriamanitra fa tsy ho resin'ny
fahavalony izy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia,
dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny,
ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny
fahitana.
2 Tamin'izany andro izany izaho Daniela dia nisaona
roatokom-bolana mipaka.
3 Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na
divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny
roatokom-bolana mipaka.
4 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny
volana voalohany, raha teo amoron'ny ony lehibe aho (Hidekela izany),
5 dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy
lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no
nisikinany;
6 tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny
tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina
manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon'olona maro be;
7 ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny
olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy
ka nandositra niery.
8 Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany
fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba
nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
9 Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany
aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany.
10 Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy
handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny
teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho
ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana
nangozohozo teo aho.
12 Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa
hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny
tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao
dia avy aho.
13 Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy
iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana
lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny
mpanjakan'i Persia.[Heb. voalohany]
14 Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao
any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
15 Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia
niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny.
16 Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak'olombelona
nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin'ilay nitsangana
teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy
manan-kery intsony.
17 Fa aiza no ahazoan'ity izaho mpanompon'ny
tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra
tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
18 Ary nisy indray nanana endrik'olona nanendry
ahy koa, dia nampahery ahy
19 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala
indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny
tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria
efa nampahery ahy.
20 Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ
aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary
rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia.
21 Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra
marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela
andriananareo.
Chapitre 11. 1 Fa tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka
azy aho.
2 [Faminaniana koa ny amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary
ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy
mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be
mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny
avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia.
3 Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka
amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
4 Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka
hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na
araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny
hafa, fa tsy ho an'ireo.
5 Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray
amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana
lehibe ny fanapahany.
6 Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy
roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny
mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny
herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa
hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin'izay
nampahery azy tamin'izany andro izany*.[Na: dia samy amin'ny fotoany avy]
7 Fa hisy solofony anankiray avy amin'ny fakany
hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny miaramila, ary hidirany ny
fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
8 Ary ny andriamaniny koa mbamin'ny sarin-javatra
an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia
hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely* ny mpanjakan'ny avaratra
izy.[Na: haharitra ela noho]
9 Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo
izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany.
10 Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila
maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany,
dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
11 Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka
hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be;
ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.
12 Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny
fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.
13 Fa hiverina ny mpanjakan'ny avaratra ka hanangona
olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy
tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.
14 Ary amin'izany andro izany dia maro no hitsangana
hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin'ny firenenao dia
hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy.
15 Ka dia ho avy ny mpanjakan'ny avaratra hanandratra
tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin'ny atsimo na ny
olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony,
ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany
mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.
17 Dia hivonona tsara handeha amin'ny herin'ny fanjakany
rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny
vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na
hahasoa azy akory.
18 Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be;
ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny
latsa ataony.
19 Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any
amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.
20 Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay
hampandeha mpampiasa ho any amin'izay tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa
rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin'ny fahatezerana, na
amin'ny ady.
21 Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io
indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina
izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny fahafetsena,
22 ary ireo miaramila toy ny safotra* no hindaosina hiala
eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa.[Heb.
sandrin'ny safotra]
23 Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa
hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.
24 Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra
indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny
amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka
hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana.
25 Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny
mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary ny mpanjakan'ny atsimo kosa
hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona
izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
26 Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo
azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty
hiampatrampatra.
27 Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao
ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany;
fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany.
28 Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be
izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho
any amin'ny taniny izy
29 Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy;
nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
30 fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho
kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny,
hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina.
31 Ary hisy miaramila* hitsangana noho ny teniny ka
handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny
fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga
fandravana.[Heb. sandry]
32 Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny
fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra
amin'izany ka hankatò azy*.[Na: dia hahery ka hahefa]
33 Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny
maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana
elaela ihany izy.
34 Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary
maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.
35 Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba
hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro
farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.
36 Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary
hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny
zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany
izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy
hatao.
37 Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na
ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa
hanandra-tena noho izy rehetra izy.
38 Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy
hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra
no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
39 Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery
mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony
mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
40 Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny
mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny
tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary
hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
41 Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary
maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba
ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.
42 Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary
ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
43 Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny
zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
44 Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any
avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy
handrava sy handringana maro.
45 Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny
tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga
ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
1 Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela,
andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro
fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka
hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay
rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.
2 Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no
hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny
henatra sy ny latsa mandrakizay.
3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry
ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny
kitana mandrakizay doria.
4 [Teny farany] Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny
teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no
hazoto mandinika*, ka hitombo ny fahalalana.[Heb. hivoivoy]
5 Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa
nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa
an-dafiny.
6 Ary hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony
fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka
ny faran'ireo fahagagana ireo?
7 Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo
ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany
ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy
fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa
vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo
rehetra ireo.
8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy
izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?
9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny
teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany.
10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa
ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy
hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
11 Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra
isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro
sivifolo sy roan-jato amby arivo.
12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby
telo-polo amby telon-jato sy arivo.
13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa
hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.