[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Isaia
Accès direct aux chapitres d’Ésaïe : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50, 51, 52, 53, 54, 55, 56, 57, 58, 59, 60, 61, 62, 63, 64, 65, 66
1 Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny
Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay
samy mpanjakan'ny Joda.
2 [Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely,
ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary
mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza
Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
3 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny
fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
4 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka,
Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa
nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
5 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao
fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny
loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
6 Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia
tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola
voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
7 Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia
voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo* eo imasonareo,
ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo*.[Heb. hafa firenena]
8 Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny
trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona
an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango*, Dia tahaka ny tanàna atao
fahirano.[voantangom-bazaha]
9 Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro,
olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i
Gomora.
10 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i
Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo
ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny
saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy
ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza
moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona
fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny
fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia
halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy
hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino
Aho; Feno ran'olona* ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo
anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny
mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia
tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia
mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny
voka-tsoa amin'ny tany;
20 Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho
lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
21 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny
rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona
no ao.
22 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao
efa voatsatso rano;
23 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra;
Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty
tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo
anatrehany.
24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny
Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko
amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka
rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary
ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao
dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27 Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa
mibebaka* ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota,
Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
29 Fa hahazo henatra ianareo* noho ny amin'ny hazo
terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay
natokanareo.[Heb. izy]
30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo,
Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
31 Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho
tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono
ny afo.
*
1 [Ny voninahitra marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy
ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza,
ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
2 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra
misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary
hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra
hankany.
3 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha
isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i
Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny
atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny
tenin'i Jehovah.
4 Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena
maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho
fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady
intsony
5 Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha
amin'ny fahazavan'i Jehovah.
6 Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria
feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady
efa be* zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]
7 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy
hita isa ny kalesiny;
8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo
anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;
9 Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika,
Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
10 Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao
amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny
fahalehibiazany.
11 Ny fiandranandran'ny mason'ny
zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika;
Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
12 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka
dia haetry ireny,
13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo
sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana
andrandraina
15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny
manda mafy rehetra
16 Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny
tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
17 Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao
mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no
hisandratra amin'izany andro izany.
18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
19 Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona
Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa
mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
20 Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny
voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay
nataony hiankohofany eo anatrehany
21 Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo
an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny
voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
22 Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina
foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
1 Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i
Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano
rehetra, izay tohan'aina,
2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny
mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
3 Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny
mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao
ody.
4 Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary
ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
5 Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny
namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy,
Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
6 Raha misy olona angatahin*'ny rahalahiny ao
an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka
anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']
7 Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho
dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao
mpanapaka ny olona aho.
8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny
lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny
voninahiny.
9 Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary
ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa
mampidi-doza amin'ny tenany izy.
10 Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny
vokatry ny asany no hohaniny.
11 Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny
valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
12 Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo
vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady
mandrava ny lalana alehanao.
13 Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny
firenena.
14 Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony
amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao
an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
15 Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko,
Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
16 Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i
Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary
mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
17 Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny
tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
18 Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny
firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha*, na ny
sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
19 Na ny kavina voavola, na ny rojo*, na ny fisalobonana
makarakara,[Na: haba]
20 Na ny satroka*, na ny rojo parapaingo, na ny
fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony
ravaka,[Heb. diadema]
21 Na ny peratra, na ny kavin'orona,
22 Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na
ny poketra,
23 Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny,
Na ny satroka fihaingoana*, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
24 Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo
tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana;
Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana*; Ary ny hatsaran-tarehy
hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery
ao aminao ho faty an'ady;
26 Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny;
Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy
fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny
lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina
amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
2 Amin'izany andro izany ny rantsan*'i Jehovah
dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho
rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely sisa afaka; [Na: solofon']
3 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola
mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho
isan'ny velona any Jerosalema.
4 Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny
fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy
ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
5 Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha
antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana
rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary
eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
6 Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny
hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy
ny ranonorana.
*
1 [Ny amin'ny Isiraely. tanim-boalobok'i
Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny amin*'ny Malalako, dia hiran'ny
Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana
tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny
karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka
famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo
namoa voalobo-dratsy.
3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry
lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
4 Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko,
Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho,
Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko
amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary
harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny
sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary
hodidiako ny rahona* tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
7 Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah,
Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena
fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà*; Niandry fahamarinana Izy, kanjo,
indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
8 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo
vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba
ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!
9 Izao no ren'ny sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny
maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady
tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
10 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka
folo Zemeda*, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran'ny
homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana, tokony ho antsasaky ny akera]
11 Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay
miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!
12 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny
sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary
ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny
tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho
main'ny hetaheta.
14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita*
Hanao teli-moka an'i Jerosalema**; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny
fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[*He.
Sheola][**Heb. azy]
15 Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny
olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.
16 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny
fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
17 Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany
fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia
mpirenireny no hiandry ondry ao.
18 Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny
faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany
ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho
mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
20 Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho
ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
21 Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy
ho mazava saina!
22 Lozan'izay fatratra nefa amin'ny
fisotroan-divay ihany, sy izay kanto* nefa amin'ny fampiharoharoana toaka
ihany! [Heb. mahery]
23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny
kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!
24 Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo,
ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany
sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah,
Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
25 Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i
Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia
mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky
eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka
ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
26 Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena
lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro,
ho avy faingana dia faingana ireo*; [Heb. mahery]
27 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy
ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny
fehin-kapany,
28 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana
avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny
kodiany ho tahaka ny tadio;
29 Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny
liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka
mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
30 Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro
izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny
olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
*
1 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany]
Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo
ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony
nahafeno ny tempoly.
2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy
nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny
tongony, ary ny roa nanidinany.
3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe:
Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany
rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany]
4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho
ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy
maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny
mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.
6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima
anankiray nitondra vain'afo* teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra
avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay]
7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy:
Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela
ny fahotanao.
8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe:
Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho
aho.
9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity
firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary
mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
10 Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary
ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny
masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho
sitrana.
11 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia
hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy
hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
12 Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka
ho be ny lao ao amin'ny tany;
13 Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia
mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka,
Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana
taranaka masina ho fotony.
*
1 [Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny
amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza,
zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina,
mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika
an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
2 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe:
Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny
fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
3 Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy
Seara-jasoba* zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano
amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy
lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza
taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto
tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy
Syria ary ny zanak'i Remalia.
5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao
Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
6 Andeha isika hananika an'i Joda ka
hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i
Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho
tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
8 Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny
lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho
rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
9 Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny
lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho
tafatoetra.
10 Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany
ka nanao hoe:
11 Mangataha famantarana amin'i Jehovah
Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy
amin'ny avo ambony.
12 Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka
fanahy an'i Jehovah
13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i
Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia
hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?
14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome
famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela =
Amintsika Andriamanitra]
15 Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny
tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy
hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa
maharaiki-tahotra anao ireo.
17 Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny
mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro
nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);
18 Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka
hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely,
izay any amin'ny tany Asyria;
19 Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny
lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo
rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.
20 Amin'izany andro izany koa ny Tompo
hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny
Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny
koa.[Eofrata]
21 Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy
ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
22 Ary noho ny haben'ny ronono azo avy
amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho
fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.
23 Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny
hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
24 Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay
miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
25 Ary ny tanety rehetra izay nohevoina
tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho* ny fahatahorana ny hery sy ny
tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na:
Dia tsy halehan']
1 [Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny
mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena
Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà
fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an*'i
Mahera-salala-hasi-baza**." [*Na:
amin'][**Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny
fandrobana]
2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona
sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.
3 Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka
izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe
Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana,
mimaona ny fandrobana]
4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io
zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i
Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray
hoe:
6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa
izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,
7 Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra
azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny
rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra
hihoarany; [Eofrata]
8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny
Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona;
Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb.
fampivelatra ny elany]
9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa
mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra,
misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany
ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola
hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory;
Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
11 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha
nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity
firenena ity aho:
12 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay
lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany
na mangovitra ianareo.
13 Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka
Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
14 Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho
vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa
amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
15 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho
ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny
lalàna eo amin'ny mpianatro.
17 Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany
amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia
famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny
maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny
manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy
miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila
saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha
tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny
fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny
fahazavan'ny maraina]
21 Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady
mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny
mpanjakany sy Andriamaniny**, ary dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin'ny
anaran'][**Na: ny andriamaniny]
22 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy
fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny
aizim-pito izy.
23 Fa tsy hanjombona
mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony
tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia
homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia
Galilia, tanin'ny jentilisa.
Chapitre 9
1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava
lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny
hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary
tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.
3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana
ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny
andro namelezana ny Midiana.
4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny
fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho
kitay hatohoka amin'ny afo izany.
5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena
antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga,
Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny
fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy
hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba
hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka
ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka
izany.
7 [Ny amin'ny aninjiran'i Jehovah ny tànany hampijaly ny
olona noho ny ratsy nataony] Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra
amin'ny Isiraely izany.
*
8 Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy
ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny
fony manao hoe:
9 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no
harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
10 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra
azy Ary mamporisika ny fahavalony,
11 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy
any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia
izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola
mihinjitra ihany ny tanany.
12 Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny,
Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.
13 Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray
andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma]
14 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny
mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
15 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily
azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
16 Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny
zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy
mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny
fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany
ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]
17 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny
tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka
ny setroka misavoana.
18 Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa
maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo;
Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
19 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany;
Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny
nofon-tsandriny avy izy rehetra,
20 Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa
mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na
dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa
mbola mihinjitra ihany ny tànany.
1 Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay
mpanoratra manoratra fampahoriana,
2 Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny
rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany
ny kamboty!
3 Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy
amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo
hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo*? [Heb. voninahitrareo]
4 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny
mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono*. Kanefa, na dia izany rehetra
izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany
ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny
voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]
5 [Ny amin'ny fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana
azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany
ny fahavinirako!
6 Hamely firenena mihatsaravelatsihy* no anirahako azy,
ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy
handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na:
ratsy fanahy]
7 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no
heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao
am-pony.
8 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny
governorako ireny?
9 Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria
?
10 Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny
andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria
aza ny sampin*'ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]
11 Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny
andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny* koa ? [Heb.
sarin-javatra voasokitra]
12 Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao
an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny
fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny
masony; [Heb: hovaliako]
13 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no
nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra
ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny
ombilahy no namotrahako mpanapaka*; [Na: Ary tahaka ny fanaon'ny lehilahy
mahery no nanonganako mpanapaka]
14 Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no
nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody
nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka
elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15 Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny
tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha
manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony*!
[Heb. manandratra izay tsy hazo]
16 Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro,
fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy
mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17 Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray
Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy
ny heriny;
18 Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra
dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay
marary mafy* izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]
19 Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay
mbola zaza aza hahasoratra azy.
20 Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy
ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy
intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
21 Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho
amin'Andriamanitra Mahery.
22 Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza
ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny
fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
23 Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah,
Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
24 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry
oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao
amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany
Egypta;
25 Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny
fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
26 Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny
kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny
tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao
tany Egypta.
27 Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao
ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka* ny bao
fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]
28 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy
ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
29 Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry,
hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
30 Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria
sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
31 Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima
mitondra ny entany mandositra.
32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany
manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
33 Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany
madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay
avo no aetry;
34 Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia
alamaky ny iray Mahery.
1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy
ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny
fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;
2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny
Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy
ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;
3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i
Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny
ren'ny sofiny;
4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary
homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny
vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no
ho fehin-kibony
6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny
leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora
sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]
7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany
hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny
zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na:
voamason']
9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro
masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny
anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay
hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny
fitoerany dia ho voninahitra.
11 Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola
haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any
Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy
any amin'ny moron-dranomasina.
12 Dia hanangana faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory
ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin'ny
vazan-tany efatra.
13 Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana
ny fandrafiana* an**'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy
handrafy an'i Efraima.[*Na: mpandrafy][**Na: ao amin'ny]
14 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy
hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny
tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.
15 Ary Jehovah handritra* ny sakeli-dranomasina Egyptiana
ary haninjitra ny tànany amin'ny ony** ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka
hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[*Na:
hanao azy ho herema][**Eofrata]
16 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay
sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy
tany amin'ny tany Egypta.
1 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera
Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia* afaka ny
fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]
2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho,
fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena
ahy Izy.
3 Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny
loharanom-pamonjena.
4 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe:
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny
asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
5 Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary
aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa
lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
*
1 [Faminaniana ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana
hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona.
2 Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra
mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra
amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
3 Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny
lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny
fahatezerako.
4 Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra,
tahaka ny an'ny vahoaka be*! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa
tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,[Na: firenena
lehibe]
5 Izay avy any amin'ny tany lavitra, any
amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho
enti-mandrava ny tany rehetra.
6 Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny
andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
7 Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana
rehetra, ary ho kivy ny fon'ny zanak'olombelona rehetra;
8 Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy
fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy;
samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
9 Indro, avy ny andron'i Jehovah, dia loza sy
fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana
ny mpanota tsy ho ao.
10 Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo
Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho
maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
11 Ary hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao
ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny
fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan'ny mpampahory.
12 Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny
volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
13 Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny
tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany noho ny fahatezeran'i Jehovah,
Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny fahatezerany.
14 Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka
ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy
izy, eny, samy handositra ho any amin'ny taniny avy izy.
15 Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra
tratra dia ho lavon'ny sabatra.
16 Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny
tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
17 Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao
ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
18 Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny
kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran'ny masony.
19 Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy
reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i
Sodoma sy Gomora;
20 Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony
hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry
ondry hampandry ny ondriny any;
21 Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno
vorondolo* ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy* no
hitsambikimbikina any,[*Na: hyena][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7]
22 Ny kary* no hifampierena ao an-tranobeny**, ary ny
amboadia*** ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny
androny tsy hatao ela.[*Heb. jakala][**Heb. mpitondratenany][***Na: jakala]
1 Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy
ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana
aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
2 Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny
taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i
Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay
nampahory azy.
3 [Hira fifaliana hataon'ny Isiraely noho ny nanetrena ny
mpanjakan'i Babylona] Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho
afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay
nampanompoana anao,
4 dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i
Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna
volamena! [Na: mampandoa hetra]
5 Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia
ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
6 Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny
famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny
fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
7 Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao
ny hoby,
8 Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly
anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ
aminay.
9 Taitra ny fiainan-tsi-hita* any ambany noho ny aminao
mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia
ireny bibilahy** rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza
fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[*Heb. Sheola][**Heb. osilahy]
10 Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba
efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
11 Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita* ny
tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no
mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay
fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay
mpandripaka firenena.
13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no
hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza
fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany
avaratra aho;
14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho
tahaka ny Avo Indrindra;
15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho
any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
16 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe:
Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny
tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
18 Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry
amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany* avy;[Heb. tranony]
19 Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao,
tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono
ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao
an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
20 Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny
taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny
mpanao ratsy!
21 Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny
heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana
eran'izao tontolo izao.
22 Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny
taranany, hoy Jehovah.
23 Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano
izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
24 Jehovah, Tompon'ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay
noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
25 Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary
ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala
amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
26 Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany
no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
27 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza
indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no
hampihemotra izany?
*
28 [Faminaniana ny loza hanjo
an'i Filistia] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao
faminaniana ny loza hanjo izao:
29 Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo
namely anao; fa avy ao an-kibon*'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny
aterany ho tonga menaran'afo** manidina.[*Heb. fakan'][**Heb. sarafa]
30 Ny faraidina indrindra* hihinana, ary ny mahantra
handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao**, eny,
izay sisa aminao ho matiny.[*Heb. matoan'ny mahantra][**Heb. ny fakanao]
31 Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna;
Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any
avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.
32 Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny
jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony
ory.
*
1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba]
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no
nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no
nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;
2 Miakatra ho ao amin'ny tempoly* sy ho ao Dibona ny
olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no
idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra
rehetra.[Na: ho ao Baita]
3 Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny
an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny,
mijohy ny ranomasony.
4 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny
feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan*'i Moaba, Mangovitra ny
fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
5 Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra
avy ao dia tonga hatrany Zoara* sy Egleta-selisia*; fa miakatra mitomany ao
amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny
an-dalana mankany Horonaima. [*Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany
Zoara][**Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]
6 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny
ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
7 Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany
izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny
hazomalahelo.
8 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re
hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny
fidradradradrany.
9 Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny
loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba,
sy handany izay sisa amin'ny tany.
1 Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala
an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
2 Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny
ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna
any Arnona.
3 Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina
ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka,
Ary aza aseho izay mandositra!
4 Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka
ho fieren'i Moaba ianao*, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy
intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny
mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
5 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny
famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i
Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny
rariny.
6 Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona
loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny
fibedibediny foana.
7 Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny,
samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok*'i
Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
8 Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i
Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny*, tonga hatrany Jazera sy
nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny
ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]
9 Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny
fitomanian*'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale;
fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na:
fitomaniana an'i]
10 Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny
saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny
mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro
ny fihobiana amin'ny fararano.
11 Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao
feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i
Kira-haresa.
12 Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny
fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo
na inona na inona izy.
13 Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i
Moaba.
14 Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo
taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i
Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany*; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho
vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
*
1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy]
Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
2 Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry
aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
3 Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na
fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra
amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4 Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i
Jakoba, ary hihena ny hataviny.
5 Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony
amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka
ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;
6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny
amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony
indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
7 Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy
ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,
8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony
izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha*, na ny
tsangankazo* ho an'ny masoandro.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny
sariny][**Na: tsangam-bato]
9 Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka
ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona
teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
10 Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao
ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly
mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao
teo;
11 Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary
nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany
ho amin'ny andro fangirifiriana* sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa
ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]
12 [Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny
fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina!
Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano
manonja ny firohondrohony!
13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be
ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa
tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary
mitambolimbolina entin'ny tadio.
14 Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary
raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no
anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
*
1 [Ny haneken'ny Etiopiana an'i Jehovah noho ny
handrenesany ny nandringanana ny Asyriana] Indrisy ny tany be
fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
2 Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao
anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka
faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana* sady mandimandina,
any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany**, dia firenena mpanao
teny tsy valiana*** sady maherisetra****, izay vakin'ny ony maro ny
taniny.[*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka
ankehitriny][***Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho
azy][****Heb. manitsakitsaka]
3 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra
etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo
an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina,
dia mihainoa.
4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha
ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary
misy* zavona** amin'ny hainandro fararano.[**Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara
sy ny][**Heb; rahon'ando]
5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny
fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny
fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
6 Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny
an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza
handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina
any.
7 Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho
an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana* sady mandimandina,
ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany** hatrany dia firenena
mpanao teny tsy valiana*** sady maherisetra***, Izay vakin'ny ony maro ny
taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny
tendrombohitra Ziona. [*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka
mandraka ankehitriny][***Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho
azy][****Heb. manitsakitsaka]
*
1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro,
Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny
andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany*, ary ny fon'i
Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
2 Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy
hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny
tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
3 Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny
saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny
mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary
amin'ny mpanao sikidy.
4 Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana
mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
5 Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho
ritra ka ho maina;
6 Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny
lahin-dranon'i Egypta* hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb.
Mazora]
7 Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny
amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
8 Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny
mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka* harato amin'ny
rano.[Heb; mpamelatra]
9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny
fihogo sy izay manenona hariry.
10 Ny andrin*'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama
rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
11 Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana
no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no
ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka
fahagola?
12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara
aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao
amin'i Egypta.
13 Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny
mpanapaka any Memfisa*; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny
fireneny. [Heb. Nofa]
14 Jehovah efa nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo
Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny
olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
15 Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha
na ny rambo, na ny sampan-drofia* na ny zozoro. [palma]
16 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy
Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah,
Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
17 Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka
na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho
ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
18 Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny
tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah,
Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa*. [Ira-haresa = Tanàna
haringana, na Tanànan'ny masoandro]
19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i
Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
20 Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah,
Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina* amin'i Jehovah noho
ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy
azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
21 Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy,
ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo
Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady
amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
22 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely
Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny
fangatahany, ary hositraniny izy.
23 Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta
mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa
hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka*. [Heb.
hiara-manompo]
24 Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony
amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;
25 Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony
hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely
lovako.
*
1 [Fanoharana ny amin'ny handravana an'i Etiopia sy
Egypta] Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana tany Asdoda, raha nirahin'i
Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i Asdoda ary nahafaka azy,
2 tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny
an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka
amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao
izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
3 Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko
telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana
ny amin'i Egypta sy Etiopia,
4 dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny
Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy
hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.
5 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely* noho ny
amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]
6 Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ
amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady
nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza
intsony re no handosirantsika?
*
1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona]
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe*. Tahaka
ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any
amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny
mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo,
ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
3 Ary raha nahita izany aho, dia feno
fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny
fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre
izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
4 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny
horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
5 Velarina ny latabatra, miambina* ny mpiambina,
mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny
ampinga![Na: velarina ny tsihy]
6 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko:
Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
7 Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao
andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino
izy, eny, nihaino dia nihaino;
8 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao
hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony
antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;
9 Koa, indreo, avy ny olona an-diany,
mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava,
rava Babylona! Ary ny sarin*'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka
amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
10 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako
ô*! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely,
no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
*
11 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i
Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma*. Misy miantso ahy any
Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny
alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia,
miverena*. [Na: avia indray]
*
13 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia]
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no
andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
14 Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany
Tema mitsena hanina ny mandositra;
15 Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra
voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
16 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny
herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i
Kedara;
17 Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery,
taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao
efa niteny.
*
1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema]
Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo*, no
dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo**, [*Heb. anao][**Heb. ianao]
2 Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra
miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
3 Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy
amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia
nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa
hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana
ny oloko zanakavavy
5 Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i
Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy
fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany
an-tendrombohitra
6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny
kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny
fonon'ampinga
7 Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno
kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
8 Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana
ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.
9 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida;
Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
10 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny
trano ho enti-manamafy ny manda.
11 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda
roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa
nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony
ela.
12 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro,
Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana!
Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
14 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko
izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
15 [Ny amin'ny nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena
an'i Eliakima ho solony] Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha
mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa,
ka ataovy hoe:
16 Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no
etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao* etỳ
amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao* etỳ amin'ny harambato?
[Heb. ho azy]
17 Indro, Jehovah hanipy mafy* anao, eny, hofiazany mafy
ianao,[Na: hosaronany]
18 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho
any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny
kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
19 Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy
haongako* hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]
20 Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima
mpanompoko, zanak'i Hilkia;
21 Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako
amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary
dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
22 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny
tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina
izy, ka tsy hisy hamoha.
23 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny
fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny
mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka
madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
25 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny,
hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa
Jehovah no efa niteny.
*
1 [Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana
ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô!
Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany
amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
2 Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto
avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena*
anao.[Heb. nameno]
3 Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i
Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia
ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza
aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
5 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho
ny nanjo an'i Tyro.
6 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina
amoron-tsiraka.
7 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo*, izay efa
naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any?
[Izao va no tanànanao miravoravo?]
8 Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome
satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny
mpivarony.
9 Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba
hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry
ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao
tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana* intsony.[Heb. fehin-kibo]
11 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina;
Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba
horavana ny fiarovany mafy.
12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina
afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any
aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
13 Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy,
fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra*; Manao tilikambo
fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho
korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny,
Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]
14 Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava
ny fiarovanareo mafy.
15 Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo
taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona,
Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
16 "Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna
ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba
hahatsiarovana anao."
17 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i
Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana
rehetra manerana izao tontolo izao.
18 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho
an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay
mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika*.
[Na: mateza]
*
1 [Ny hitsarana ny tany, sy ny hanjakan'i Jehovah ao
Ziona] Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka
manely izay mponina ao aminy.
2 Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny
vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny,
ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna
vola sy ny mpanana vola.
3 Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia
hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
4 Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao
tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin'ny olona etỳ an-tany.
5 Ary ny tany dia efa voavetavetan'ny mponina ao aminy,
satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
6 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny
mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin'ny tany ka
dia olona vitsy foana no sisa ao.
7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka,
misento avokoa ilay nifaly am-po;
8 Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka,
tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
9 Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy
amin'izay misotro azy ny toaka;
10 Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano
rehetra ka tsy azo idiran'olona;
11 Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy
ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.
12 Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava
sady montsamontsana ny vavahady,
13 Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny
amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa
tapitra ny andro fiotazana azy.
14 Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny
fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:
15 Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana,
dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron-
dranomasina.
16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe:
Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy
ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka
fatratra.
17 Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry
mponina amin'ny tany.
18 Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra
dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho
voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny
fanorenan'ny tany.
19 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny
tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
20 Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka
mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny
fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
21 Ary amin'izany andro izany dia any an-danitra no
hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny
mpanjakan'ny tany.
22 Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny
ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana*
ihany izy. [Na: hovaliana]
23 Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny
masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona
sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.
1 [Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho
an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro
Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga
Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
2 Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny
tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo* dia nataonao tsy vanon-ko
tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; [Heb. hafa firenena]
3 Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra
Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
4 Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny,
fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny
ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia
tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
5 Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany
karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny
amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny
fanakoran'ny olon-dozabe.
6 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho
an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny
zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be
tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
7 Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny
sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena
rehetra.
8 Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary
Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny
olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
9 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro
Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay
nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i
Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny
fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
11 Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka
ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah* kosa hampietry
ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]
12 Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny
sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
1 Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny
tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no
hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
2 Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay
mitana ny fahamarinana.
3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny
fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4 Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no
Vatolampy mandrakizay.
5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany,
eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
6 Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny
ory sy ny faladian'ny mahantra.
7 Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao
ho marina indrindra* ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no
manamarina]
8 Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,
no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny
fanahinay.
9 Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;
Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany
ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy
mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana
aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i
Jehovah.
11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy
jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny
fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no
handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny
fialonany ny olonao]
12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny
asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa
nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay
mankalaza ny anaranao.
14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba
hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny
fahatsiarovana azy.
15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny,
nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka
avokoa ny faritry ny tany.
16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao;
Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka
miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo
imasonao, Jehovah ô,
18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa
tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay,
ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.
19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny
oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny
vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana*, ary ny tany hiteraka
ny maty**. [*Na: ando amin'ny anana][**Heb. ny matoatoa]
20 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao,
ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja
Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.
21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany
hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay
nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
1 Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy
sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana
mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny
ilay dragona ao an-dranomasina.
2 Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny
tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
3 Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso
no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
4 Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery
sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
5 Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko
kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
6 Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary
Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.
7 [Ny namaizan'i Jehovah ny Isiraely sy ny mbola
hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa
namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana
azy koa?
8 Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany
taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy
any atsinanana.
9 Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany
no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra
amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha* sy ny
tsangan-kazo** ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana
intsony.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][**Na: tsangam-bato]
10 Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy
sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no
handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
11 Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy
ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy
hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
12 Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana*
ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i
Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na:
fivelezam-bary]
13 Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara
lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany
amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny
tendrombohitra masina any Jerosalema.
*
1 [Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana
mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay
reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany
tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky* ny fileon-divay.[Heb.
matavy]
2 Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka,
tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky
ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.
3 Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay
reharehan'ny mpimamo any Efraima.
4 Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara
tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka*, dia ho tahaka ny voan'aviavy
mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia
mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]
5 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia
ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
6 Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny
fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
7 Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary
mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny
toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny
fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.
8 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy
misy madio hitoerana.
9 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no
hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika
anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely
erỳ;
11 Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy
amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,
12 Izay nilazany* hoe: Ity no fitsaharana,
ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo.
[Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]
13 Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy
anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika,
fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany
dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
14 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry
mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
15 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena
tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny
fiainan-tsi-hita* ka na dia ho avy aza ny loza** manafotra, dia tsy hihatra
aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena,
[Heb. Sheola][**Heb. kotopia]
16 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro,
Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay
fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
17 Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny
fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary
hindaosin'ny rano ny fierena.
18 Hofoanana ny fanekenareo amin'ny
fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita*
raha ho avy ny loza** manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.[*Heb.
Sheola][**Heb. kotopia]
19 Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia
hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na
alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana
ihany.
20 Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny
olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy
te-hirakotra azy.
21 Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny
tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona
Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany
ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
22 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo,
fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko
tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
23 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema,
ka mandrenesa ny teniko.
24 Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na
mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
25 Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny
amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy
alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany
voafaritra ho azy Ary ny ampemby* kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]
26 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny,
Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa
Andriamaniny no mampianatra azy]
27 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny
kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny
fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.
28 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo?
Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny
lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.
29 Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny
maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
*
1 [Ny loza hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola
hamonjena azy] Lozan'i Ariela*, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran*'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana;
[*Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][**Heb. nitobian']
2 Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy
fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
3 Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila
hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4 Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao
amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany
tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no
ikiakiahan'ny teninao.
5 Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka
madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy
tampoka dia tampoka izany.
6 Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny
famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy
tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7 Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina
Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay
rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
8 Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro,
mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona
mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana
ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo
firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
9 Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo,
koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy,
nefa tsy tamin'ny toaka.
10 Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao
aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa
nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
11 Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha
aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra
olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko
vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12 Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka
atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
13 Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany
ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa
ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
14 Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity
firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena
kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
15 Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho
hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no
mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga
va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy
hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy
hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17 Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra
Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
18 Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny
tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita
ihany ny mason'ny jamba.
19 Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary
ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
20 Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny
mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
21 Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika
izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
22 Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i
Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy
hivaloarika intsony ny tavany.
23 Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy,
Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary
hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.
24 Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana;
Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
*
1 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny nanaovany fihavanana
tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay
maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena*, nefa tsy avy
amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [*Heb.mandrary harato][**Heb.
fialokalofanareo]
2 Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina
tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy
hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
3 Kanjo ho tonga henatra ho azy* ny fiarovana mafin'i
Farao, ary ho fanalam-baraka azy* ny fialokalofany** ao amin'ny alokalok'i
Egypta.[Heb. anareo]
4 Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa
ny irany.
5 Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny
firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra
sy latsa kosa.
6 Faminaniana ny amin'ny behemota* any amin'ny
tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny
liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no
nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo
amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]
7 Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny
famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety
manao na inona na inona*! [Na: Rehareha foana ireny, ka aoka izay!]
8 Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana
eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro
any aoriana mandrakizay doria izany.
9 Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia
zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
10 Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita,
ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava
malefaka aminay, maminania fitaka,
11 Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha;
Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
12 Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny
Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana
an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
13 Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay
mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia
tampoka no haharavany.
14 Ary hovakivakina izy tahaka ny
fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy
itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao
fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka
famorian-drano aza.
15 Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny
Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena
anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy
nety ianareo;
16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra
mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy
ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa
ny manenjika anareo.
17 Ny arivo handositra, raha rahonan'ny
anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny
sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy
tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
18 Koa Jehovah dia mbola hiandry
mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy
mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra
izay rehetra miandry Azy.
19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any
Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha
reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
20 Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano
fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao
hahita ny mpampianatra anao;
21 Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao,
na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe:
Ity no lalana, ka andehano.
22 Ary holotoinao* ny takela-bolafotsy
voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny
sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no
teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
23 Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa
nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary
amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
24 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny
tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy
ny fikororohana.
25 Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra
sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro
lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
26 Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny
fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka
ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny
fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
27 Indro, avy any lavitra any ny anaran'i
Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be;
Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
28 Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra
havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy
mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
29 Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny
amin'ny alina fitandremana* ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia
ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i
Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]
30 Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny
fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny
fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy
ary ny havandra vaventy.
31 Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra
ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
32 Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo
voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga
izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
33 Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa
nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy;
Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay
tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
1 [Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny
niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny
hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina
any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny
kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery
ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
2 Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza,
ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao
ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
3 Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy
Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i
Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay
ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka
ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona
aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na
mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah,
Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra* Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny
tendrombohitra]
5 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i
Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny,
sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]
6 Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo
fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
7 Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona
rehetra ny andriamani-bolafotsiny* sy ny andriamani-bolamenany*, izay fahotana
nataon'ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]
8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy
mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana
azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
9 Ary ny mpanjakany* ho lasa noho ny
fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay
manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na:
harambatony]
1 Indro, fa araka ny fahamarinana no
hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
2 Ary hisy lehilahy* ho fierena amin'ny rivotra
sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany
karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]
3 Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny
sofin'izay mandre dia hihaino.
4 Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary
ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
5 Ny adala tsy holazaina intsony hoe
mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be*. [Heb.
mpanankarena]
6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany,
ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy* sy hitenenany
hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy
izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
7 Ary ratsy ny hafetsen*'ny mpifetsy;
Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny
manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
8 Fa ny mitoetr'andriana kosa dia
mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana
no ifikirany.
9 [Anatra mafy tamin'ny vehivavy tao
Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry
zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
10 Raha afaka herintaona mahery dia ho
raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny
taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
11 Mangovita, ry vehivavy miadana,
mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha,
ary misikìna lamba fisaonana.
12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra
sy ny voaloboka vokatra.
13 Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny,
na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
14 Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny
fihorikoriky ny tanàna; Ofela* sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny
zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny
ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
15 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho
amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra
hoheverina ho ala.
16 Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny
fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
17 Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny
vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
18 Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana
mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra
feno fiadanam-po;
19 Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka
ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
20 Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano
rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
*
1 [Ny hampijaliana an'i Asyria, sy ny soa ho
hitan'i Ziona kosa] Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary
mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia
vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina
kosa.
2 Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no
antenainay*; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin'ny
andro fahoriana. [heb. sandriny]
3 Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena;
Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
4 Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny
valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
5 Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy;
Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
6 Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny
famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no
rakitrao*. [Heb. rakiny]
7 Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny
iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8 Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny
fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
9 Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka
malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
10 Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah;
Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
11 Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny
fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
12 Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho
tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy.
13 Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay
lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo
ny mpihatsaravela-tsihy*. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona?
Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay? [Na: ratsy fanahy]
15 Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy,
izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny
tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny
amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16 Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia
ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano
hosotroiny tsy ho diso.
17 Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny
hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
18 Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny
mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
19 Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia
ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy
azo.
20 Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny
fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry
fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana
mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21 Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy
lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo
lehibe.
22 Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome
lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny
fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny
zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
24 Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny
olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
*
1 [Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa
Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa,
mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy
rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
2 Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary
mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana*
ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
3 Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny
hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
4 Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny
lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia
halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary
tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
5 Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro,
hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana*, mba
ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
6 Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny
matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny
ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be
ao amin'ny tany Edoma.
7 Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny
vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny
vovo-taniny.
8 Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana
hiadiana ho an'i Ziona.
9 Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho
solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
10 Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny
setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany
karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
11 Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny
vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny
famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
12 Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay
hanjaka*, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny
fanjakana]
13 Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny
mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho
fonenan'ny amboadia* sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
14 Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary*; ary
ny osilahy** hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina*** hitoetra
any ka hahita fitoerana ho azy.[*Na: jakala][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii.
7][***Heb. lilita]
15 Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka
hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no
hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
16 Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy
tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny
namany; Fa ny vavan'i Jehovah* no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no
nanangona azy.[Heb. vavako]
17 Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny
tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany
mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
1 Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny
tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
2 Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny
voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy
Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny
famirapiratan'Andriamanitsika.
3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny
lohalika malemy.
4 Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra,
indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny
famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb.
maimaika]
5 Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina
ny sofin'ny marenina.
6 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary
hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy
renirano any amin'ny tany karankaina.
7 Ny alonalona mitarehin-drano* dia ho tonga farihy
tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay
amitsahan'ny amboadia** dia haniry volotara sy zozoro.[*ny miraja][**Na:
jakala]
8 Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao
hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba
azy* ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
[Na: Fa ho an'ireo izy]
9 Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka,
tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
10 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona
amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo
fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny
fisentoana.
* *
1 [Ny nanafihan'i Sankeriba an'i Joda, sy ny teny
nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny fitarainan'i Hezekia sy ny teny
nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary tamin'ny taona fahefatra
ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i
Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
2 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake
mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i
Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory
ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
3 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao
an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny
raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
4 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i
Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria:
Inona moa izato itokianao?
5 Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy
hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
6 Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia
Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny,
tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
7 Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no
itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia,
izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no
hiankohofanareo?
8 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i
Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina
azy.
9 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny
mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i
Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
10 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa
Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho
amin'izany tany izany, ka ravao izy.
11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake:
Masìna ianao, teny Syriana* no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany
izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb.
Aramiana]
12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no
nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay
mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany
izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]
13 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery
tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i
Asyria.
14 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i
Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
15 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah
ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy
hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny
mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ
amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano
avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
17 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany
tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy
tanim-boaloboka.
18 Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny
anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny
tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
19 Aiza moa ny andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza
koa ny andriamanitr'i Sefarvaima? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va
ireo andriamaniny?
20 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireo tany
ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i
Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
21 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia
teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy
mamaly azy.
22 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao
an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny
raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny
fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
1 [Ny teny nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny
vavaka nataon'i Hezekia ary ny teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary
raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy
lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2 ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa,
sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana
avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
3 ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro
fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao
am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny
tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika
an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i
Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe:
Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay
nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary
hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko
lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny
mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany
Lakisy ny mpanjaka.
9 Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i
Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia
naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny
Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema
tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11 Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i
Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho
voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena
noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay
tao Telasara ?
13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy
ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny
taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra
iny teo anatrehan'i Jehovah.
15 Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny
Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no
Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra
sy ny tany.
17 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato
ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay
nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.
18 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i
Asyria dia efa nandrava ny firenena* rehetra sy ny taniny [Heb. tany]
19 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria
tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia
azony nosimbana.
20 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo
amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa
Hianao ry ihany no Jehovah.
21 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i
Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny
amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
22 dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba:
Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina;
Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
23 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra
an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony?
Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
24 Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny
kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i
Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any
amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
25 Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no
handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta*. [Heb. Mazora]
26 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela
no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany?
Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho
tonga korontam-bato.
27 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady
raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka
ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty
raha vao mitsiry.
28 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao
sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
29 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato
an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny
lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
30 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny
maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny
kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka
mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
31 Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka
lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
32 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka
avy any an-tendrombohitra Ziona ny
fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
33 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i
Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho
ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
34 Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy
ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny
amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
36 Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy
arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina
koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
37 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa
nody ary nitoetra tany Ninive.
38 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka
andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra
izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary
Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra
ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia
narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka
nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty
ianao, fa tsy ho velona.
2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka
nivavaka tamin'i Jehovah
3 hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny
nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary
ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4 Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao,
ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny
andronao,
6 sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny
mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
7 Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah,
hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
8 Indro, hampiverina ny aloka hàdiny* folo Aho araka ny
nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin*' i Ahaza. Ka dia niverina
hàdiny* folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
9 Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha
narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
10 Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy
maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*; nesorina tamiko ny
androko sisa. [Heb. Sheola]
11 Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho.
Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita
olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb.
Sheola]
12 Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka
ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa
hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny
aiko.
13 Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro;
Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray
andro monja no anaperanao ny aiko.
14 Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy
ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny
faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy
Hianao.
15 Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy
no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho*
ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
16 Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary
amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy
Hianao.
17 Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana
mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy
hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako
rehetra.
18 Fa ny fiainan-tsi-hita* tsy mba mahasaotra
Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy
mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
19 Ny velona dia ny velona ihany no hidera
Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny
fahamarinanao.
20 Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia
hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra
iainanay.
21 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary
apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.
22 Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao
an-tranon'i Jehovah aho?
*
1 [Ny nandraisan'i Hezekia ny iraky ny mpanjakan'i
Babylona, sy ny teny nolazain'Isaia noho izany] Tamin'izany andro izany no
nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona,
taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
2 Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny
trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary
menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra
tao amin'ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao
an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
3 Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao
taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany
hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty
amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
4 Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato
ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy
nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.
5 Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ny tenin'i
Jehovah, Tompon'ny maro:
6 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay
rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka
androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
7 Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho
tandonaka* any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo. [Heb. ionoka]
8 Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah
izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry
fahizay.
* *
1 [Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony,
ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2 Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao
aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny
tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra
ny fe-taom-panompoany]
3 Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any
an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho
an'Andriamanitsika.
4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny
tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba,
ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5 Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra
hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy
izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny
hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria
tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny
tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara
any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*,
Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny
Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i
Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]
10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny
sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary
ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny
sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny,
ary horoahiny miadana ny ampianahany.
12 Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy
ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata*, ary nandanja
ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb.
ampahatelon'ny efaha]
13 Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no
mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
14 Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny
lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny
lalan'ny fahendrena ?
15 Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete
avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny
nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra*. [Na: tahaka ny vovoka
madinika paohin'ny rivotra]
16 Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy
ampy ho fanatitra dorana.
17 Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo
anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
18 Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary
endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
19 Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy
volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20 Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo
tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra
voasokitra izay tsy hihezongozona.
21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa
nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny
fanorenan'ny tany?
22 Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany,
ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra
tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara
amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao
namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia
nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
25 Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy?
Hoy ny Iray Masina.
26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary
ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny
anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy
diso ireny na dia iray akory aza.
27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza
ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina
tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra
mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na
sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely
hery dia omeny hery be.
30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho
sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho
sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
1 [Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny
fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo
ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka
handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika
hifanatona eo amin'ny fitsarana.
2 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny
fahamarinana tamin'ny diany rehetra*, ary nanolotra ny firenena ho eo
anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho
tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na:
nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy]
3 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any
amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny
taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no
voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra;
Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary
samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
7 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy
volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny
riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy
tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy
Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny
faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko
ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary
aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady
mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra
tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy
ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny
tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy
anao.
14 Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo,
ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny
Isiraely no Mpanavotra anao.
15 Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra
ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny
havoana ho tahaka ny akofa.
16 Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary
ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary
ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.
17 Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary
ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho,
Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
18 Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra
mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho
ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
19 Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra* ary oliva**
any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, [*myrta][**Heb.
oliva maniry ho azy]
20 Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony
an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely
no nahary izany.
21 Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay
mahamarina ny anareo*, hoy ny Mpanjakan'i Jakoba.[Heb. fiarovana mafy]
22 Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra
mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha*, mba hoheverinay ka ho fantatray
izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. [Heb. zavatra voalohany]
23 Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho
fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba
hitaha isika, ka samy hahita.
24 Indro, ianareo dia naman'ny tsinontsinona, ary ny
asanareo dia naman'ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
25 Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga
izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny
anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka
ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
26 Iza no nitory izany hatramin'ny voalohany, mba ho
fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny
teninareo.
27 Izaho no voalohany Izay milaza amin'i Ziona
hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an'i
Jerosalema.
28 Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny,
nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy
Aho.
29 Indro, zava-poana avokoa izy rehetra;
Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.
1 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra
famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay
tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny
Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
2 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny
feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
3 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy
hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny
ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
5 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay
nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy
aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo
aminy:
6 Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny
fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho
fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
7 Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny
mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina
hiala ao an-trano famatorana.
8 Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny
voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra
voasokitra.
9 Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa
miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza
ireny, dia ambarako aminareo.
10 Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina
sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira
fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
11 Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy
hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny
mponina any Sela*; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra
izy.[Na: any amin'ny harambato]
12 Aoka hanome voninahitra an'i Jehovah izy Ary
hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.
13 Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery,
tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny fahatezerany*; Miantsoantso Izy,
eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.[Na:
fahasaro-piarony]
14 Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina
ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha
miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
15 Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny
havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy,
Ary hataoko tankina ny farihy.
16 Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy
fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia
hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra
izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
17 Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky
ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin'ny sarin-javatra an-idina hoe:
Hianareo no andriamanitray.
18 Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere,
ry jamba, mba hahita.
19 Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza
no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i
Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
20 Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy
mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
21 Sitrak'i Jehovah noho ny fahamarinany ny
hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
22 Kanefa ity dia firenena nobaboina sy
norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao
an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy
manao hoe: Ampodio.
23 Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia
hitandrina izany amin'ny andro ho avy?
24 Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely
ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety
nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
25 Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany
sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany;
Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah,
Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa
nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha
mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo
ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray
Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba
ho solonao.
4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra
ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny
ainao.
5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny
taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe:
Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny
faran'ny tany,
7 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko
ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
8 Ento mivoaka* ny olona jamba mana-maso sy ny marenina
manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]
9 Aoka hiangona* ny firenena rehetra, Ary aoka hivory**
ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny
fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino
ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [*Na: Miangona][**Na: mivory]
10 Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady
mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho
azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona,
sady tsy hisy handimby Ahy.
11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy
afa-tsy Izaho.
12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy
nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no
Andriamanitra.
13 Eny, hatramin'izary andro izany* Izaho no Izy, Ary tsy
misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
[Na: Hatrizay nisian'ny andro]
14 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny
hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no
lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny
aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin*'ny Kaldeana
ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]
15 Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny
Isiraely sady Mpanjakanareo.
16 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny
amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
17 Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy
ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy,
ka dia maty toy ny jiro:
18 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
19 Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny
dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no
hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
20 Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia*
ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao
Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]
21 Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny
fiderana Ahy.
22 Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra
amiko ianao*, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao akory]
23 Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho,
na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra* anao tamin'ny
fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb.
nampanompo]
24 Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na
nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra* Ahy tamin'ny
fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]
25 Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny
amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
26 Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra;
Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
27 Ny razambenao* voalohany indrindra dia efa nanota, ary
ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, [Heb. rainao]
28 Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy
masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana* ary Isiraely ho latsa. [Heb.
herema]
1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy
ry Isiraely, izay nofidiko;
2 Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona
anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko,
Ary ianao, ry Jesorona*, izay nofidiko; [Jesorona dia anaran'ny Isiraely]
3 Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka
ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao
Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao;
4 Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo
eny anilan'ny rano mandeha ireny.
5 Ny anankiray hilaza hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray
koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra
amin*'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny
amim-panajana.[Na: eo amin']
6 [Ny amin'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, sy ny
amin'ny sampin'ny jentilisa] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely,
dia Jehovah, Tompon'ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no
farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
7 Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara
sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola?
Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
8 Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre
anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no
vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy,
tsy hitako izany.
9 Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana
avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny
dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
10 Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra
an-idina izay tsy mahasoa akory?
11 Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia
olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho
menatra avokoa izy.
12 Ny mpanefy manamboatra* fiasana; Miasa amin'ny arina
izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny
matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka
reraka.[Na: manasa]
13 Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy
amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy amin'ny vankona izy, dia manamarika azy
amin'ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny
hatsaran-tarehin'ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
14 Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo
ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an'ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka
ampanirin'ny ranonorana izany;
15 Ary dia anaovan'ny olona kitay izany ka analany
hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany
andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra
koa izany, ka dia iankohofany.
16 Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany
ahandroany* hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao
hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! [Heb. ihinanany]
17 Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho
sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka
mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
18 Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny
masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
19 Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana
fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo;
Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka
nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay
vatan-kazo*? [Na: vokatry ny hazo]
20 Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily
azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no
eto an-tanako ankavanana?
21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa
mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry
Isiraely ô,
22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny
fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa
efa nanavotra anao Aho.
23 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany;
Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy
ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa
Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
24 [Ny amin'i Kyrosy, izay voahosotr'i Jehovah ho
mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady
namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra
rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny
tany;
25 Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy
sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka
mampody ny fahalalany ho fahadalana,
26 Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko* sy mahatanteraka ny
saina atolotry ny irako**, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy
amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
[*Heb. mpanompony][**Heb. irany]
27 Ary milaza amin'ny rano lalina hoe: Tankina, Fa
hataoko tankina ny oninao,
28 Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko,
ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe:
Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
1 Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy,
izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany
sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka
tsy hirindrina intsony ny vavahady:
2 Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny
mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
3 Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny
harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah
Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko
no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na
dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
5 Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy
Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy
nahafantatra Ahy ianao,
6 Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny
masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no
Jehovah, fa tsy misy hafa,
7 Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina,
manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra
izany.
8 Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny
habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho
vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny
fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
9 Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny
asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
10 Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao?
Na amin-dreniny* hoe: Inona no aloaky ny kibonao? [Heb. ny vehivavy]
11 Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia
ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy
ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
12 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny;
ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra* ny eny aminy rehetra.
[Heb. nandidy]
13 Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny
lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko
voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro.
14 Izao no lazain'i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i
Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana,
hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra
izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao
tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
15 Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry
Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
16 Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha
aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
17 Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin'i Jehovah Amin'ny
famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay
ianareo.
18 Fa izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra
(Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina
azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony
honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
19 Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny
fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak'i
Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny
mahitsy.
20 Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo
jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony
sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy.
21 Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina
izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany
hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy
Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
22 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany
rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
23 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny
vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny
lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny
vavan'ny fahamarinana]
24 Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy
hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra
aminy.
25 Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely
rehetra sy hananany rehareha.
1 [Ny fahatsinontsinon'ny sampin'i Babylona, sy
fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra amin'i Jehovah, ary ny hery sy ny
fahalalan'i Jehovah] Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia
nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia
asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
2 Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny
entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
3 Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra
amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany
am-bohoka:
4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary
mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho
no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
5 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no
hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy
amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho
andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary
apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo
amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay
mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
8 Tsarovy izany ka mahereza* ianareo eritrereto tsara
izany, ry mpiodina. [Na: misehoa ho lehilahy]
9 Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho
no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka
Ahy,
10 Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary
nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò
ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
11 Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia
lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho
no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
12 Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny
fahamarinana:
13 Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra
intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho
sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
1 [Ny handravana an'i Babylona] Mialà, ka mipetraha
amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa
tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy
malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory
ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka
miroboha mita ny ony.
3 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao;
hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona*.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy
hihaona amin'olona]
4 Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny
maro, Iray Masin'ny Isiraely.
5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry
Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
6 Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny
lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na
dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
7 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy
nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
8 Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka
tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy
hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.
9 Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja
ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena;
Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia
be dia be aza ny odinao.
10 Fa nitoky tamin'ny faharatsianao* ianao ka nanao hoe:
Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka
dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na:
hafetsenao]
11 Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao
izay fanafany*; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny,
hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
12 Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao,
izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay
mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
13 Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka
hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra* ny lanitra sy mpandinika ny kintana
ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho
tonga aminao**. [*Heb. mpizarazara] [*Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo
mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay
hanjo anao]
14 Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo
izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo
hamindroana, na afo hitaninana aza.
15 Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia
ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka
mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
1 [Fampahatsiarovana ny lasa, sy filazana ny ho avy,
indrindra fa ny hanafahana ny Isiraely avy any Babylona] Mihainoa, ry taranak'i
Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny
loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza
ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny
hitsiny;
2 Fa milaza ny tenany ho avy amin'ny tanana masina izy ka
miankina amin'Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
3 Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny,
ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary
tonga izany.
4 Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao,
ary varahina ny handrinao,
5 Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny,
fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao
hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny
sarin-javatra anidina no nandidy izany.
6 Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa
ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho
hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
7 Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny,
ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe:
Indro, ny efa fantatro ihany izany.
8 Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny
fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika
ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
9 Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba
hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
10 Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa
nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.
11 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako
izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko:
Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary
ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray
miseho avokoa.
14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa
amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny
sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.
15 Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy,
nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
16 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha
no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia
teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
17 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray
Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita
soa sady mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.
18 Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko*! Dia ho
tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny
fahamarinanao, [Na: Enga anie ka hihaino ny didiko ianao]
19 Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny
kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo
anatrehako.
20 Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin'ny
Kaldeana; torio amin'ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin'ny
faran'ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony.
21 Ary tsy nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany
an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny,
nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
22 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy,
hoy Jehovah.
* *
1 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay
voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy,
ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso
Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa
nankalazainy ny anarako.
2 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny
vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka
voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
3 Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry
Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako,
zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah
ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.
5 Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona
Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy
hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah
Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha
tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely
sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko
hatrany amin'ny faran'ny tany.
7 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny
Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena
ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny
mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny
Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
8 Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona
fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko
Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba
hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
9 ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary
amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na
dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; .
10 Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy
hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy
no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
11 Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra,
ary hasandratra ny lalambeko.
12 Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary,
indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin'ny tany Sinima
ireto.
13 Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany!
Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy
mamindra fo amin'ny olony mahantra.
14 Fa hoy Ziona'Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny
Tompoto efa nanadino ahy.
15 Mety manadino ny zanany minono va ny
vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino
ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo
am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
17 Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba
sy nandrava anao dia miala aminao.
18 Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere;
ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy
Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy
hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.
19 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary
ny taninao simba dia tsy ho omby amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary
ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
20 Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola
hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba
hitoerako.
21 Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho
ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa
iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
22 Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny
tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin'ny firenena; dia
hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny
an-tsorony.
23 Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary
zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo
anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa
Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
24 Azo alaina eny amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho
afaka va ny babo marina?
25 Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny
mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho
no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
26 Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay
mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny
ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy
anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
1 [Ny amin'ny nisaorana ny Isiraely, sy ny amin'ny
Mpanompon'i Jehovah] Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady
nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako
anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny
fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
2 Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho,
ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy
mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny
mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo
ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.
3 Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana
no ataoko fisaronany.
4 Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay*, mba
hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina
isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay*
[Heb.efa nampianarina]
5 Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy
naditra na nihemotra.
6 Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny
takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy
ny rora.
7 Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy
resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka
fantatro fa tsy ho menatra Aho.
8 Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko?
Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
9 Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no
hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho
lanin'ny kalalao izy.
10 Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny
feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana
fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny.
[Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]
11 He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy
kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny
zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny
tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
1 [Ny fiposahan'ny famonjena, sy ny fanesorana ny kapoaky
ny fahatezeran'i Jehovah] Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady
fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy* ny vatolampy izay nakana
anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. [Heb. Jereo]
2 Eny, tsarovy* Abrahama rainareo sy Saraha, izay
niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary
nohamaroiko. [Heb. Jereo]
3 Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay
rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany
foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao
mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
4 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny
sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia
hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary
ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko
no andrasany.
6 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo
ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky
ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka*; fa ny famonjena
kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny
fahafatin'ny moka]
7 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana,
dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny
latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary
lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako
haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery!
Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy
Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona*? [Na: mamba;
izahao Ezek. xxix. 3]
10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny
rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana
halehan'ny navotana?
11 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona
amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo
fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana
izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
12 Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana
ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao
tahaka ny ahitra
13 ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra
ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro
ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza
intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
14 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty
havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
15 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny
ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany*; Jehovah, Tompon'ny maro, no
anarako**. [*Na: Izay mampitsahatra ny rano, raha mirohondrohona ny onjany]
[**Heb. anarany]
16 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny
aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao* ny lanitra sy hanorina ny tany Aho
ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]
17 Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay
efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny
kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny
faikany.
18 Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay
naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
19 Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny
alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko
ahoana no fampionona anao?
20 Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny
an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato
eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy
ataon'Andriamanitrao.
21 Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy
amin-divay:
22 Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao,
Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka
mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao
intsony iny,
23 Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia
izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho
tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
1 [Ny hanafahana an'i Jerosalema amin'ny fahandevozana sy
ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny
fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any
aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
2 Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka
mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao,
ry Ziona, zanakavavy babo.
3 Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no
nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
4 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no
nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa
nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
5 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa
nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy
Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
6 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany
andro izany* dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho
fantany amin'izany andro izany Aho]
7 Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa
mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra
teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe:
Mpanjaka Andriamanitrao!
8 Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy
ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho
any Ziona.
9 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa
Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.
10 Jehovah efa nampiseho* ny sandriny masina teo
imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny
famonjen'Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka]
11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay
maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no
handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny
Isiraely no ho vodi-lalanareo.
*
13 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga
nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra
vitany, ary ny voninahitra homena Azy] Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*,
hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina]
14 Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba
ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky
ny zanak'olombelona),
15 Dia toy izany no hampihendratrendratany* ny firenena
maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny
no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb.
hanafànany]
1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no
nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?
2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika
Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na
fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy
haniriantsika Azy.
3 Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy
ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory
Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be
fanaintainana sady fantatry ny faharariana]
4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny
fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy
nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]
5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy
notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no
namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb.
famaizana]
6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy
efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah
nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava,
dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana
eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra
Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala
tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy?
[*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no
nihevitra izay ho taranany?]
9 Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany
(Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy
aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny
mpanankarena, rehefa novonoina Izy]
10 Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry
Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro
andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa
ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy]
11 Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka
ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona
maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany]
12 Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary
hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny
ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro
sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. [*Na:
dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na:
nanao]
*
1 [Ny hanitarana ny Fiangonana, sy ny
voninahitra ho azony] Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy
ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny
mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
2 Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka
hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny
kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
3 Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any
amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany
mponina ny tanàna lao.
4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary
aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny
fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony
mpitondratena.
5 Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah,
Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao,
Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6 Fa Jehovah efa nampody* anao, izay tahaka ny
vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony
mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao. [Heb.niantso]
7 Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao;
fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
8 Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no
nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po
mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
9 Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa,
ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao
intsony Aho.
10 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia
hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy
hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
11 Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy
manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy
hanorina ny fanambaninao amin'ny safira,
12 Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo
ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
13 Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i
Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao.
14 Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy*
ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy
hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira]
15 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany;
ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao* kosa.
[Na: ho lavo noho ny aminao]
16 Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny
afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany*; Ary Izaho koa no
nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany]
17 Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia
tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao
lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy
Jehovah.
*
1 [Fiantsoana ny olona rehetra handray ny
fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa
amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny,
avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
2 Nahoana ianareo no mandany* vola amin'izay tsy hanina,
ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa
Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na:
mandanja]
3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko,
mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay
aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
4 Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho
mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.
5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary
firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i
Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra
Hianao.
6 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa
Azy, dieny mbola akaiky Izy.
7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy
marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa
hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia
hamela heloka tokoa Izy.
8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa
tsy mba lalako, hoy Jehovah.
9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no
hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy
any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry*
sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny
mpihinana, [Heb; nampiteraka]
11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary
ambinina amin'izay ampandehanako azy.
12 Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny
fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby
eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
13 Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny
rotra* ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho
famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]
1 [Anatra ny amin'ny, fitanana ny marina sy fitandremana
ny Sabata, ary toky ho an'ny proselyta sy ny ionoka] Izao no lazain'i Jehovah:
Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko,
ary efa hiseho ny fahamarinako.
2 Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny
zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy
ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
3 Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i
Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary
aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
4 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ny amin'ny ionoka izay
mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
5 Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko
sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny
zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah
mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay
rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny
fanekeko
7 Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka
hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa
alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe
trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra.
8 Izao no lazain'i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely
voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory
eo aminy.
9 [Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely, sy ny nataon'ny
olona koa] He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra
any an'ala*. [Na: He, ianareo bibi-dia rehetra, Avia hihinana ny biby rehetra
any an'ala]
10 Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra,
amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka
torimaso.
11 Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky,
sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy
rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra.
12 Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka
hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra
lavitra aza
1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina
ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho
azon'ny loza hanjo*. [Na: noho ny ratsy]
2 Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany
avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
3 Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny
mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
4 Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy
itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny
lainga*? [Na: zanaky ny fijangajangana]
5 Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo
terebinta* eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny
an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin'ny
sampy]
6 Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no
anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra
aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
7 Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no
nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao
fanatitra.
8 Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no
nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy
niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny
amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho
anao*.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]
9 Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra*
diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany
lavitra any ny irakao, ka nidina** hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita*** ianao.
[*Na: nihosotra][**Na: nietry][***Heb. Sheola]
10 Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa
ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy
nahatsiaro reraka ianao.
11 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga
ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho
hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia
tsy hahasoa anao.
13 Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy
anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra
malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny
tendrombohitro masina.
14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka
manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
15 Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay
monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no
onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny
fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho
tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina*
izay nataoko. [Heb. fofonaina]
17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka
namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola
nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany,
dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny
malahelo ao aminy,
19 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra:
Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka
dia hahasitrana azy Aho.
20 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina
misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy
fotaka.
21 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy
Andriamanitro.
* *
1 [Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy] Ezaho
ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny
anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba
ny fahotany;
2 Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro,
ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka
tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny
fahamarinana, sy aniriany ny hihavian*'Andriamanitra. [Na: Sy fifaliany
hanakaiky an']
3 Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo* ihany no
ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo*. [*Heb.
hitanareo][**Na: Ary mbola arosonareo fatratra ihany sy asanareo]
4 Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton'ny
ifadianareo ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny faharatsiana; Izao
fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin'ny avo.
5 Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro
hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny
hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao
hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i Jehovah?
6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny
hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy
handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny
hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka
tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao]
8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny
maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny
fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao
9 Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly;
Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao
tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
10 Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka
mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny
aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady
hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny
taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao
miboiboika izay tsy mety ritra.
12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary
ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe
mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
13 Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy
manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe
Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome
voninahitra azy* ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na
miteniteny foana, [Na: Azy]
14 Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro
ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba
rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
1 [Ny amin'ny ota, izay efitra fisarahana, sy ny
fandravana azy] Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny
tsy lalodalovana, fa mahare;
2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo
amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka
dia tsy mihaino Izy.
3 Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo
amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy
faharatsiana.
4 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na
mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny
zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
5 Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny
tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia
menarana no miporitsaka avy ao.
6 Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany
tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
7 Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona
handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy
fandringanana no eo amin'ny alehany.
8 Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny
ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany
dia tsy mahita fiadanana.
9 Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny
fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny
maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no
andehanantsika.
10 Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika
eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana
tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka* dia tahaka ny
maty isika. [Na: any an-efitra]
11 Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko
tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny
famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12 Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny
fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia
fantatray,
13 Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala
amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary
ny mamorona* sy mamoaka teny lainga avy ao am-po. [Heb. torontoronina]
14 Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny;
fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo
miditra.
15 Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy
dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny
tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
16 Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy,
satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho
Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17 Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra
Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo
famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
18 Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana
mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia
hovaliany tokoa.
19 Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i
Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny
fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah*.[Na: Fa
raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny Fanahin'i Jehovah hanangana faneva hisakana
azy]
20 Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny
Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.
21 Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah:
Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy
hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny
taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
1 [Ny ho voninahitr'i Jerosalema amin'ny andro ho avy]
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa
miposaka aminao.
2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny
aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary
aminao no isehoan'ny voninahiny.
3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny
mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy
rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny
zanakao-vavy dia sakelehina.
5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia
hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny
ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny
rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra;
volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah
no teny mahafaly hambarany.
7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia
hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra
amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be
voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary
tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
9 Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i
Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny
sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray
Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny
mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no
namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao,
tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny
mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
12 Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo
anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo
kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary
hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14 Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo
anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary
izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao
ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha
mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16 Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny
mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay
Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
17 Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary
hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho
solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho
mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny
mpampiasa anao]
18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony,
na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia
hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony
andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho
fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao
tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny
andro fahalahelovanao.
21 Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany
ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho
fampisehoam-boninahitra.
22 Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga
firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
*
1 [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny
Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko,
satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny
babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]
2 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro
famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
3 Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy
namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana,
ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe
Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary
hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna
rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela.
5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry
aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra
tanim-boaloboka ho anareo,
6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao
fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo* ny
haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo**. [*Heb.
Hohaninareo][**Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny]
7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso
hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao
amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
8 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny
fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana
izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao
fanatitra odorana]
9 Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny
terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho
taranaka notahin'i Jehovah.
10 Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho
ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary
nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny
mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
11 Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary
tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no
hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena
rehetra.
1 [Ny handrosoan'ny voninahitr'i Jerosalema] Tsy hangina
Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema,
mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny
famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
2 Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka
rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay
hotononin*'ny vavan'i Jehovah; [Heb. hotendren']
3 Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy
satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao.
4 Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy
hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe
Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
5 Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no
hampakaran'ny mponina aminao* anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra
amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao. [Heb. zanakao-lahy]
6 Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho,
ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina
ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
7 Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i
Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany.
8 Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia
tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny
varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa
nisasaranao;
9 Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i
Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina.
10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana
halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy;
manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
11 Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny
faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny
famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa
homeny dia eo anoloany.
12 Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona
navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
1 [Ny hamaliana an'i Edoma sy ny jentilisa sasany koa]
Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny
fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny
heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no
tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
3 Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba
nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka
ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia
nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
4 Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny
taonan'ny voavotro.
5 Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho,
satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy,
ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
6 Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady
nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
*
7 [Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny
famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha] Ny famindram-pon'i Jehovah no
hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika
sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay
nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
8 Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy
mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
9 Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy,
ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony
no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha
ela rehetra.
10 Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo
ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
11 Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia
ny tamin'i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin'ny mpiandry ondriny niakatra
avy tamin'ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
12 Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo
ankavanan'i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany
anarana mandrakizay ho Azy,
13 Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny
fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
14 Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no
nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao
ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
15 Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny
fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao
lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho
amiko.
16 Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala
anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary
Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
17 Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao
Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena
noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
18 Vetivety foana no nananan'ny olonao masina ny tany; ny
fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.
19 Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay
hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka
hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro* eo anoloanao ny
tendrombohitra, [Na: hiempo]
1 Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny
fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka
hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay
Hianao, dia nidina, ka nihorohoro* teo anoloanao ny tendrombohitra.
3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na
nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy
afa-tsy Hianao. [Na: niempo]
4 Mitsena* izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay
mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa
meloka** izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
[*Na: Miantra][**Na: ary efa nanota]
5 Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary
tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina
izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
6 Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra
aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny
helokay.
7 Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia
tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.
8 Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia
mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay
rehetra.
9 Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo
Ziona, ary efa lao Jerosalema.
10 Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny
razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
11 Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany
ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
1 [Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina
narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka] Notadiavin'zay tsy
naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy
nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
2 Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny
firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany
ihany,
3 Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia
eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary
mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
4 Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra
mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena
fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
5 Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho
no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra
mandritra ny andro.
6 Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina
Aho mandra-pamaliko anareo* eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo** [*Heb.
azy][**Heb. tratrany]
7 Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy
Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary
nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao
an-tratrany Aho aloha.
8 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka
hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao
anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy
rehetra Aho.
9 Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny
tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny
mpanompoko no honina ao.
10 Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha
akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
11 Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino
ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada* sy mampidina**
divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny, [*Gada = Zara, ary Meny = Vintana;
samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][**Heb. mameno]
12 Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka
hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny
Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy
sitrako no nofidinareo.
13 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny
mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro,
fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho
menatra;
14 Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa
ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po* sy hidradradradra noho ny
fahoriam-panahy**.[*Heb. fanaintanam-po][**Heb. fahatorotoroam-panahy]
15 Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin'ireo
voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia
homeny anaram-baovao;
16 Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia
hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena*; ary izay mianiana etỳ
ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena*, satria efa hadino ny
fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]
17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao,
ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria
mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny
olony ho firavoravoana.
19 Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo
amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
20 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy
andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola
zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia
hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato
taona ihany dia hatao ho voaozona]
21 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao
tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
22 Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly
zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko,
Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
23 Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny
loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao
aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa]
24 Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary
raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
25 Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny
liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany;
Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy
Jehovah.[lopa]
1 [Ny toe-panahin'ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy
izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra
hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy] Izao no lazain'i
Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro;
Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho
fitsaharako ?
2 Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary
izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay
malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
3 Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay
mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay
manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro
ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny
sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny
tamin'ny fahavetavetany,
4 Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana
azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy
namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary
izay tsy sitrako no nofidiny.
5 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra
noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo
noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly
mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
6 Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny
tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony.
7 Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony
mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
8 Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa
nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo
atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
9 Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy
hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va?
hoy Andriamanitrao.
10 Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa
aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo
rehetra izay malahelo noho ny aminy,
11 Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony
mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.
12 Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako
fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano
tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo
ambony lohalika.
13 Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako
anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
14 Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary
ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia
ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
15 Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny
tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny
fitenenany mafy amin'ny lelafo.
16 Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah
hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.
17 Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao
an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy
ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
18 Fa Izaho dia hamaly* ny asany sy ny heviny, Ho avy ny
hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka
hahita ny voninahitro.[Na: mahalala]
19 Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka
mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola
ary Lydia*, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any
amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny
voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.[Heb. Loda]
20 Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any
amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy
ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha
ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny
fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho
any an-tranon'i Jehovah;
21 Ary avy amin'ireo aza no hakako ho mpisorona sy
Levita, hoy Jehovah.
22 Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay
hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny
taranakareo sy ny anaranareo.
23 Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho
avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.
24 Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay
efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary
hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.