[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Ohabolana
Accès direct aux chapitres des Proverbes : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31
1 [Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i
Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
2 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana
ny tenin'ny fahalalana;
3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy
rariny ary fahitsiana;
4 Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary
fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny
manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny
hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana;
Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana
amin'ny mpanao ratsy.
8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny
lalàn-dreninao;
9 Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary
rado amin'ny vozonao.
10 Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika
hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy
manan-tsiny;
12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny
fiainan-tsi-hita* Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb.
Sheola]
13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka
hofenointsika babo ny tranontsika;
14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany
ny kitapom-bolantsika rehetra:
15 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny
tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
16 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady
faingana handatsa-drà.
17 Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
18 Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany
ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19 Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena;
Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
20 [Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny
fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana
izy;
21 Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona
izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny
fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary
hankahalan'ny adala ny fahalalana?
23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko
aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24 Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa
naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25 Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy
nety nanaiky ny anatro ianareo:
26 Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana
anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
27 Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza
Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny
fangirifiriana,
28 Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao
hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29 Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana
an'i Jehovah,
30 Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa
ny anatro rehetra,
31 Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho
voky ny fihendreny.
32 Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy,
Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.
33 Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana
ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
1 [Ny soa hitan'izay mandray ny fahendrena]
Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
2 Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao,
Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
3 Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary
manandratra ny feonao hahazo saina,
4 Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao
Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
5 Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah,
Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
6 Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no
ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
7 Izy mitahiry fanambinana*ho an'ny mahitsy Sady
ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na: tena fahendrena]
8 Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary
miambina ny lalan'ny olony masina.
9 Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny
rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
10 Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary* mamin'ny
fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
11 Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao
ny fahalalana,
12 Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy
amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
13 Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba
hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
14 Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra
amin'ny fitaky ny ratsy,
15 Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny
alehany;
16 Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo* koa
izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy
vadinao]
17 Izay mahafoy ny vadin*'ny fahatanorany Sy
manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb. sakaizan']
18 Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana,
Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
19 Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na
mihazo amin'ny lalan'aina,
20 Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy
Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
21 Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany,
Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny
tany, Ary ny mpivadika hongotana.
1 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka,
aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no
hanampiny ho anao.
3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny
fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka
ny amin'ny vato fisaka,
4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo
anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza
miankina amin'ny fahalalanao;
6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina
ny lalanao,
7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka
mifadia ny ratsy.
8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho
fanamandoana ny taolanao.
9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay
voaloham-bokatrao rehetra;
10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary
hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza
tofoka amin'ny fananarany;
12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny
ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
13 [Ny fahasambaran'izay olona mahita fahendrena]
Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
14 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana
volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
15 Sarobidy noho ny voahangy* izy; Ary izay rehetra
irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
16 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena
sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
17 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny
alehany rehetra.
18 Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary
izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
19 Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary
fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any
amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.
21 Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny
tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
22 Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny
vozonao,
23 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny
tongotrao.
24 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao,
ary ho mamy ny torimasonao.
25 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza
mamely* ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny fandringanana avy amin'ny]
26 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy
ho voafandrika.
27 [Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny
marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao
atao ihany;
28 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia
indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao,
Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30 Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy
ratsy anao izy.
31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany
akory,
32 Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
33 Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa
ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny
fahasoavana kosa ny mpandefitra.
35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho
anjaran'ny adala.
1 [Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana
amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba
hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo
imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny
fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza
hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia
hitandrina anao.
7 Ny voaloham-pahendrena dia izao*: Mahazoa fahendrena;
Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no
ambony indrindra]
8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome
voninahitra anao izy, raha tananao.
9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny,
satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny
taona hiainanao.
11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao
amin'ny lalana mahitsy aho.
12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao;
Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony
izy, fa ainao.
14 Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza
mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka
mizora.
16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy
mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
17 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro
ny divain'ny fahalozàna.
18 Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina,
Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
19 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny
aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao
hihaino ny filazako.
21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao
am-ponao.
22 Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho
an'ny nofony rehetra.
23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony
hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian*'ny aina. [Heb. fivoahan']
24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao
ny molotra mamitaka.
25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao
hibanjina eo anoloanao.
26 Ataovy marina ny* alehan'ny tongotrao, Dia ho
voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]
27 Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny
ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
1 [Fananarana tsy hijejojejo] Anaka, tandremo ny
fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
2 Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny
molotrao ny fahalalana.
3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo* dia mitete toy ny
tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;[Heb.
vehivavy tsy vadiny]
4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary
maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5 Ny tongony midina ho any amin'ny
fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb.
Sheola]
6 Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy,
Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
7 Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala
amin'ny teny aloaky ny vavako.
8 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza
manakaiky ny varavaran'ny tranony;
9 Fandrao omenao ho an'ny sasany ny
voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
10 Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao;
Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;
11 Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha
mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
12 Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana
aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
13 Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary
tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
14 Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny
fiangonana sy ny fivoriana.
15 Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao
ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.
16 Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny
loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
17 Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana
amin'ny hafa.
18 Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny
vadin'ny fahatanoranao.
19 Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy,
Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno
faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
20 Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana
vehivavy jejo* Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy
vadiny]
21 Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny
diany rehetra dia dinihiny avokoa.
22 Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny
tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy
23 Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy,
Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
1 [Ny tsy mahamety ny miantoka olona sy ny
hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny zavatra fito loha izay halan'i
Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny
hafa,
2 Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao
ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
3 Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny
tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy
mifona mafy amin'ny namanao.
4 Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza
avela hilondolondo ny hodimasonao.
5 Afaho ny tenanao toy ny gazela* miala
amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny
mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
6 Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay
malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7 Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na
mpanapaka,
8 Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy,
Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
9 Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay
malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao?
10 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany,
Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
11 Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny
alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
12 Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay
mandehandeha manao vava ratsy,
13 Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny
tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
14 Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy
mandrakariva izy Sady mamafy ady.
15 Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny
loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
16 Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny,
fito no ataony ho fahavetavetana:
17 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary
ny tanana mandatsa-drà marina,
18 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra
malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy
marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
20 [Fananarana hankatò tsara ny ana-dray
aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary
aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
21 Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary
afehezo eo am-bozonao,
22 Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao
ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona
eritreritra anao.
23 Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna,
Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
24 Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy
fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga*. [Heb. lelam-bahiny]
25 Aoka ny fonao tsy haniry ny
hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
26 Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila
tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny
aina soa.
27 Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny
olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28 Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny
tongony?
29 Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny
namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
30 Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny
mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
31 Fa* raha azo izy, dia hampanoneriny fito
heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.[Na: Ny olona tsy manome tsiny
ny mpangalatra, noana; Nefa]
32 Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy
ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
33 Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka
amin'ny tondro-molotra.
34 Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny
fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.
35 Tsy handray vola ho enti-manalady* akory
izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao
aminao ny didiko.
2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary
tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy,
Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko
ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo*,
Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]
6 Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo
amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7 Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny,
nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
8 Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny
vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina
efa maizina dia maizina.
10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao
fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
11 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao
an-tranony ny tongony;
12 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary
vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka
nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho;
Ary androany no nanefako ny voadiko.
15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady
fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara,
Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy
hazomanitra* ary havozo manitra.[Heb. ahalima]
18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny
andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.
19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny
lavitra izy;
20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy
mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
21 Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy,
Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka
tamin'izay ilay zatovo*, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala
hogadrana**, [*Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][**Heb. tahaka ny
gadra ho famaizana ny adala]
23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny
atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny
ainy izany.
24 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary
tandremo ny teny aloaky ny vavako.
25 Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny
fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be
no efa matiny.
27 Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita*,
Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
1 [Ny fiantsoan'ny fahendrena, sy ny
fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny
fahalalana?
2 Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana
Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3 Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao
an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
4 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny
zanak'olombelona.
5 Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny
fahalalana, ry adala.
6 Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny
mahitsy no isokafan'ny molotro.
7 Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy
dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8 Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy
fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9 Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary
mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
10 Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny
fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11 Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy*; Ary ny
zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary
hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i
Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava
fandainga dia samy halako avokoa.
14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana*; Izaho
no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]
15 Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny
mpanapaka araka ny rariny;
16 Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny
lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady
ahy dia hahita ahy.
18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny,
ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny,
noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny
volafotsy voafantina.
20 Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako,
Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
21 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy
hamenoako ny firaketany.
22 Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany,
Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na: nahazo]
23 Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny,
hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka
aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra,
Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na
ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho,
Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy,
Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
29 Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy,
Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny
fanorenan'ny tany,
30 Dia mpità-marika* teo anilany aho Sady
ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na:
notezaina]
31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana,
Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra
izay manaraka ny diako;
33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva
eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo
sitraka amin'i Jehovah;
36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny;
Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
1 [Ny fiantsoan'ny fahendrena sy ny fahadalana] Ny
fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary
efa namelatra ny latabany koa;
3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny
an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary
amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay
voaharoharoko.
6 Ilaozy ny* kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora
amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]
7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay
mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny
hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny
marina, dia hitombo saina izy.
10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana
ny taona hiainanao.
12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany;
Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.
13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina
izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14 Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary
amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany,
ka manao hoe:
16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary
amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo
hanina amin'ny fiafenana,
18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any
amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita* ny olona nasainy.[Heb: Shoela]
*
1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny
tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy]
Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala
mampalahelo ny reniny.
2 Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy
mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
3 Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny
fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.
4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany;
Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
5 Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa
izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
6 Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no
mandrakotra* ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza]
7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny
anaran'ny ratsy fanahy.
8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny
adala maro vava.
9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay
maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala
maro vava.
11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no
mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy*. [Izahao and. 6]
12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana
manarona ny ota rehetra.
13 Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena;
Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala
eo akaikin'ny fandringanana.
15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny
ory no fandringanana azy.
16 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny
fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny
fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny
molony no hendry.
20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny
ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21 Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny
adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22 Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy
azon'ny fisasarana ampiana izany*.[Na: Ary tsy ampiany alahelo]
23 Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny
manan-tsaina, dia fahendrena kosa*. [Na: Toa laolaon'ny adala ny fahafetsena;
Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
24 Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa
ny irin'ny marina no homena azy.
25 Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao
intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
26 Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny
setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
27 Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela
velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
28 Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny
fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
29 Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho
an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
30 Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny
ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
31 Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny
fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
32 Ny molotry ny marina mahalala izay
ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
1 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i
Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny
fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
3 Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny
faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
4 Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;
Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
5 Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny
alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
6 Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny
mpivadika dia voafandriky ny filàny.
7 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny
fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy*. [Na:
mahery]
8 Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa
ny ratsy fanahy hisolo azy.
9 Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy* no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina**. [*Na:
ratsy fanahy][**Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany]
10 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha
ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11 Ny fisaoran*'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny
vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.[Na: Ny fitahiana avy amin']
12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry
dia mangina.
13 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra
afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa
handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
15 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy
manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao
an-keriny mahazo harena.
17 Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany;
Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
18 Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay
mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
19 Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny
fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
20 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa
ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21 Azo itompoana tokoa fa* tsy maintsy hampijalina ny
ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana
fa; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
22 Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny
vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena*.[Na: efa niala tamin'ny fahendrena]
23 Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no
fanantenan'ny ratsy fanahy.
24 Misy mahafoy*, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy
fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na:
mihazona ny hareny]
25 Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena
dia mba holemana kosa*. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
26 Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra
no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
27 Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny
mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
28 Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho
tahaka ny ravina maitso.
29 Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny
rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry.
30 Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia
mahataona olona.
31 Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany,
Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà
anatra dia biby.
2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny
mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny
fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
4 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny
vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny
ratsy fanahy.
6 Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho
enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony*; Fa ny
mpianakavin'ny marina haharitra.[Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy
fanahy]
8 Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay
meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay
mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10 Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana
kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
11 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay
manaraka ny olom-poana* dia tsy ampy saina.[Na: ny zava-poana]
12 Ny mpanota maniry ny hazan*'ny ratsy fanahy; Fa ny
fakan'ny marina mitrebona**. [*Na: ny fandriky][**Na: Fa ny marina
ataon'Andriamanitra miorim-paka]
13 Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika
ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
14 Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary
ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
15 Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino
anatra no hendry.
16 Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka
amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny
vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny
fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.
19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela
mandainga dia indray mipi-maso monja.
20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa
hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza* ny ratsy
fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra
mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana
foana*; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
24 Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy
tanana dia hampanompoina.
25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy;
Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny
ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27 Ny kamo tsy mety mihaza*; Fa fananana soa ho an'ny
olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay nohazainy]
28 Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny
tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
1 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny
mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
2 Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny
hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy*; Fa izay vavàna
dia haringana.[Na: ny fanahiny]
4 Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny
fanahin'ny mazoto hohatavezina.
5 Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao
izay maharikoriko sy mahamenatra.
6 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa
ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
7 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona
na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
8 Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy
tsy mampiraika ny malahelo akory.
9 Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra*; Fa ny
jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao
amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay
mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary
am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13 Izay manamavo ny teny ho voasingony*; Fa izay
matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]
14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka
mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny
lalan'ny mpivadika.
16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa
ny adala kosa mampiseho hadalana;
17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka
mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana]
18 Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà
famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
19 Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka*; Fa fahavetavetana
eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga]
20 Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay
misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza*.[Na: ho ratsy]
21 Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny
marina.
22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny
haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23 Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina
be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa
izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
25 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny
ratsy fanahy.
1 Ny vehivavy hendry* dia samy manao ny tranony; Fa ny
adala** kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.[*Heb. fahendren'ny
vehivavy][**Heb. fahadalana]
2 Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily
lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana;
Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
4 Raha tsy misy omby, dia foana* ny fihinanam-bilona; Fa
be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.[Heb. madio]
5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa
mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
6 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita;
Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
7 Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao
aminy ny molotry ny fahalalana.
8 Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina;
Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
9 Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana*; Fa ao
amin'ny marina no misy fankasitrahana.[Na: Ihomehezan'ny adala ny heloka]
10 Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy
raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
11 Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny
lain'ny marina.
12 Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana
mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
13 Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny
faran'ny hafaliana dia alahelo.
14 Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara
fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
15 Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny
mahira-tsaina mandinika ny diany.
16 Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa
ny adala fatra-pirehareha* ka matokitoky foana.[Na: misafoaka]
17 Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona
mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18 Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny
mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny*.[Na: mandray
fahalalana]
19 Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara
fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
20 Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena
no tian'ny maro.
21 Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa
endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
22 Tsy mivily va izay manao asa* ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa** tsara. [*Na:
misaina ny][**Na. misaina ny]
23 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny
molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny
fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay
mamoaka lainga dia tena fitaka.
26 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky,
Ary ny zanany hahazo fialofana.
27 Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina,
Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28 Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka;
Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra
mampiseho ny fahadalany.
30 Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny
fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao
azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
32 Ny ratsy fanahy azera* noho ny haratsiany; Fa ny
marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.[Na: roahina]
33 Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena;
Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota
kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo
hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy;
Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
2 Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny
vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
3 Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny
ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4 Ny teny* malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy
mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay
mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
6 Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny
fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa
tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia
fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
9 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny
lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
10 Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily
lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
11 Ny fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana aza
dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny
zanak'olombelona![Heb. Sheola]
12 Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy,
Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13 Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa
ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
14 Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa
ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15 Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny
faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
16 Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i
Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
17 Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra* Toy izay
omby mifahy asian-dromoromo**. [*Heb. fitiavana][**Heb. fankahalana]
18 Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay
mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
19 Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny
lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao
tsinontsinona an-dreniny.
21 Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny
manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
22 Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha
maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
23 Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary
endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
24 Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry,
Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita* any ambany,[Heb. Sheola]
25 Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona;
Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
26 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny
hevi-dratsy; Fa madio ny* teny mahafinaritra.[Na: Fa ny madio manao]
27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny
ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28 Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny
ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny
marina no henoiny.
30 Ny tarehy miramirana* mahafaly ny fo; Ary ny
filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan'ny maso]
31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia
miara-mitoetra amin'ny hendry.
32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny
fananarana no mahazo fahalalana.
33 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana
mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
1 Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny
lela dia avy amin'i Jehovah.
2 Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra
alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
3 Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay
kasainao.
4 Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy
antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro
hahitan-doza.
5 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra
miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa* tsy maintsy hampijalina izy.[Heb.
Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
6 Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny
heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
7 Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny
fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8 Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny
harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
9 Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah
ihany no mahalavorary ny diany.
10 Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary
tsy diso teny izy, raha mitsara.
11 An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy
aminy* avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.[Heb. Asany]
12 Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny
fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
13 Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary
izay miteny mahitsy no tiany.
14 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny
fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
15 Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia
misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16 Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara
ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17 Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary
izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy*.[Na: fanahiny]
18 Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy
mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19 Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho
ny mizara babo amin'izay miavonavona.
20 Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary
izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
21 Izay hendry am-po dia lazaina hoe
manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
22 Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay
manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
23 Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady
manampy fahendrena eo amin'ny molony.
24 Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady
mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25 Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo
lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
26 Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy*,
Fa ny tendany** no manesika azy.[*Heb. miasa ho azy][**Heb. vavany]
27 Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana,
Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
28 Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny
mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
29 Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy
amin'ny lalana tsy tsara.
30 Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny
ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
31 Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy,
Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
32 Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary
izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
33 Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy
amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
1 Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano
feno hena misy fifandirana.
2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay
mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
3 Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana
fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
4 Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra
mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
5 Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy;
Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
6 Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry
ny zanaka ny rainy.
7 Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa
mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.
8 Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo
azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
9 Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay
mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
10 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny
kapoka injato amin'ny adala.
11 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka
lozabe no irahina hamely azy.
12 Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny
adala feno hadalana.
13 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala
ao an-tranony.
14 Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano,
Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
15 Izay manamarina ny meloka, na izay
manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
16 Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala?
Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny
andro rehetra, Sady miseho* ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.[Heb.
ateraka]
18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana
Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao
vavahady avo mitady fahasimbana.
20 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana
lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
21 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny
rain'ny adala tsy ho faly.
22 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy
kivy mahamaina ny taolana.
23 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any
anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
24 Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa
ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.
25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady
fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.
26 Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely
ny manan-kaja noho ny fahamarinany*.[Na: tsy amin'ny rariny]
27 Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary
izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
28 Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao
ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
1 Izay mitokana ho azy dia mitady ny
mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra
izy.
2 Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa
ta-haneho izay ao am-pony.
3 Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary
miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano
miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
5 Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy
Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
6 Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana,
Ary ny vavany mihantsy kapoka.
7 Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary
ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8 Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py
Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9 Ary izay malaina amin'ny asany Dia
rahalahin'ny mpanimba.
10 Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny
marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy*.[Heb. atao amin'ny avo]
11 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary
raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
12 Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny
fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13 Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana
sy henatra ho azy izany.
14 Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona
ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
15 Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana;
Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
16 Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny
alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
17 Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony
avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18 Ny filokana mampitsahatra ady Ary
mampisaraka ny samy mahery.
19 Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia
sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny
hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
20 Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa
azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21 Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny
lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
22 Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo
zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
23 Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena
kosa dia mamaly mahery.
24 Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana*; Fa misy
sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa
ratsy]
1 Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay
mandainga amin'ny molony sady adala.
2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay
miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
3 Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka
amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
4 Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny
sakaizany.
5 Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay
mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
6 Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra
samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
7 Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka
fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy*
izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]
8 Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay
mitandrina fahalalana hahita soa.
9 Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary
ny miteny lainga ho very.
10 Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny
ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.
11 Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary
voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona
tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.
13 Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady
ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
14 Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady
hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
15 Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny
olona malaina.
16 Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy*; Fa izay
tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny fanahiny]
17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i
Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany,
Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19 Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao
aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
20 Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba
ho hendry ianao amin'izay hiafaranao*.[Na: any aoriana]
21 Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i
Jehovah no haharitra.
22 Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho
malahelo toy izay ho mpandainga.
23 Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana;
Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny
tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
25 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina;
Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
26 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia
zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay
mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana*.[Na: Anaka, raha dia minia
manalavitra ny tenin'ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]
28 Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary
ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
29 Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny
kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa
izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2 Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona
tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
3 Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala
rehetra kosa misafoaka.
4 Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina*, Ka dia
hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.[Na: noho ny ririnina; na: noho ny
haben'ny vokatra]
5 Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay
manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
6 Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy;
Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
7 Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra
ny zanany mandimby azy.
8 Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka
mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
9 Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka
madio tsy manana ota?
10 Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa
Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
11 Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na
madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i
Jehovah avokoa.
13 Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo;
Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14 Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia
mandoka tena.
15 Ao ihany ny volamena sy ny voahangy* betsaka; Fa ny
molotra misy fahalalana no ravaka soa.[Na: perla]
16 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary
tano ho solon'ny vahiny* niantohany.[Na: vahiny janga]
17 Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka;
Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
18 Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana
mandamina tsara no entonao miady.
19 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra
afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.
20 Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao
amin'ny alim-pito ny jirony.
21 Ny harena malaky azo foana* eo am-boalohany
Dia tsy hotahina any am-parany.[Na: mahamahimahina]
22 Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho;
Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato
samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24 Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary
hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25 Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe:
Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
26 Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny
ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
27 Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona,
Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28 Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary
ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany.
29 Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny
anti-panahy ny volo fotsy.
30 Ny fampangirifiriana* dia mahafaka ny faharatsiana,
Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny
kapoaka]
1 Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka,
Ka tarihiny amin'izay tiany.
2 Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra
alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
3 Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah
mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
4 Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay
jiron*'ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan']
5 Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny
maimaika rehetra dia halahelo ihany.
6 Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina
mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
7 Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria
mandà tsy hanao izay marina izy.
8 Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny
ataon'ny madio.
9 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay
hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
10 Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia
ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
11 Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely
saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
12 Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy
Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
13 Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo,
Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
14 Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana,
Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
15 Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa
zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
16 Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena
Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.
17 Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay
tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
18 Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary
ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
19 Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny
vehivavy tia ady sady foizina.
20 Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny
tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
21 Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia
hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
22 Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana
ny fiarovana mafy izay itokiany.
23 Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia
miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
24 Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe
mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
25 Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria
ny tànany tsy mety miasa tsinona;
26 Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina
kosa manome ka tsy mba mahihitra.
27 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka
indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.
28 Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino
dia hiteny mandrakariva.
29 Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny
tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
30 Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana
mahaleo an'i Jehovah.
31 Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i
Jehovah ihany ny fandresena.
1 Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny
fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
2 Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no
Mpanao azy roa tonta.
3 Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny
kely saina kosa mandroso ka voa.
4 Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i
Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5 Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay
te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6 Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na
rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
7 Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay
misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
8 Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona
ny tsorakazon'ny fahatezerany.
9 Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho
an'ny malahelo ny haniny.
10 Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana,
Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11 Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady
sakaizan'ny mpanjaka izy.
12 Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny
tenin'ny mpivadika dia foanany.
13 Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho
fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
14 Ny vavan'ny vehivavy jejo* dia lavaka
lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.[Heb. vehivavy tsy vadiny]
15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana;
Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16 Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny
hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17 [Ohabolana ny amin'ny fahamarinana sy ny
fitondran-tenan'ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry,
Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18 Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao
an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
19 Hianao dia ianao no nampahafantariko izany,
Mba hitokianao amin'i Jehovah.
20 Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho,
Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
21 Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny
mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?
22 Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo
izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
23 Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny
adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
24 Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza
miara-dia amin'ny olona foizina,
25 Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika
ho an'ny ainao.
26 Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay
mianto-trosa;
27 Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny
lafika andrianao?
28 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny
razanao.
29 Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny
mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
1 Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao,
Dia hevero tsara izay eo anatrehanao*,[Na: anoloanao]
2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra
ianao.
3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny
fahendrenao.
5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao
intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny
amin'ny lanitra.
6 Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary
aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no
toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola
haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
9 Aza miteny amin'91 ny adala;Fa hohamavoiny
foana ny fahendren'ny teninao.[Heb. an-tsofin']
10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza
manitatra mankamin*'ny sahan'ny kamboty;[Heb. miditra amin']
11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo
vava azy amin'ny adiny aminao.
12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy
tenim-pahalalana ny sofinao.
13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty
izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza*; [Na: Fa tsy ho faty izy, raha
asianao ny hazo]
14 Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho
voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny fanahiny.[Heb. Sheola]
15 Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa
ny foko, dia ny foko;
16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko*, Raha miteny marina ny
molotrao.[Heb. voako]
17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i
Jehovah mandritra ny andro;
18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny
fanantenanao.
19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny
lalana ny fonao.
20 Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay
fatra-pitia hena;
21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena;
Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny
fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
24 Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary
izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny,
aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny
masonao ho faly mijery ny lalako*;[Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako]
27 Fa ny vehivavy jejo* dia hady lalina, Ary ny
vahiny janga lavaka etỳ; [Heb. vehivavy tsy vadiny]
28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary
mahamaro ny olona mpivadika.
29 An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza
ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana?
An'iza ny maso mivoara-mena*? [Na: manjambena]
30 An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny,
an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny
fanganohanony eo anaty gilasy* Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]
32 Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny
bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo*,
Ary ny fonao hieritreri-dratsy**.[*Heb. vehivavy tsy vadiny][**Na: Ny masonao
hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana]
34 Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny
ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.
35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko
naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha
mba hitadiavako azy indray?
1 Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
2 Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana
notenenin'ny molony.
3 Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no
mampaharitra azy;
4 Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay
harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5 Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery
ny olona manam-pahalalana;
6 Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary
raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
7 Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena*, Tsy mba
mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon'ny adala ho haingohaingo foana ny
fahendrena]
8 Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe
mpamoron-tsain-dratsy.
9 Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo
imason'ny olona ny mpaniratsira.
10 Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny
herinao.
11 Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba
harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
12 Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany* izahay, Moa
Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy
hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
13 Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary
ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao*;[Heb.lanilaninao]
14 Ary aoka ho toy izany no hianaranao
fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy
ho foana ny fanantenanao.
15 Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina
ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
16 Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina
ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana*.[Na: ka
idiran-doza]
17 Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza
ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
18 Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho
ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny
amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20 Fa tsy hisy fanantenana* ho an'ny ratsy;
Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
21 Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka;
Ary aza mikambana amin'izay miovaova*;[Na: hafa saina noho izany]
22 Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny;
Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny*? [Heb. taonany]
*
23 Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha
mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24 Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao,
Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
25 Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo
fitahiana tsara.
26 Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny
molotra.
27 Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy
lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao
ianao.
28 Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao;
Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
29 Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba
hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
30 Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy
ampy saina aho;
31 Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny
amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
32 Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka
nahazoako anatra.
33 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka
kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
34 Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny
alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
*
1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny
fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan'i Solomona,
izay nangonin*'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb. nafindran']
2 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra;
Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
3 Ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany
Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
4 Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho
an'ny mpanao an-idina.
5 Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny
mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
6 Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka,
Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
7 Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara
atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny
masonao.
8 Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho
fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.
9 Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao,
Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
10 Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho
afaka aminao ny laza ratsy.
11 Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty
vilia volafotsy tsara soratra*.[Na: poma volamena misy ravaka volafotsy]
12 Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny
mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.
13 Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana,
Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny
fon'ny tompony izy.
14 Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona
izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.
15 Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary
ny vava* malefaka mahatapa-taolana.[(Heb. lela]
16 Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao,
Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
17 Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao
tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
18 Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny
olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
19 Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra
mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.
20 Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny
vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.
21 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha
mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
22 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho
eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
23 Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia
toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.
24 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay
miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
25 Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny
filazana soa avy any an-tany lavitra.
26 Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny
marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
27 Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny
fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra*.[Na: Fa ny fandinihana
izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)]
28 Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay
tsy mahatsindry ny fanahiny.
1 Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy
ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy
tandrifiny ho an'ny adala.
2 Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina
manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
3 Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy
ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany,
Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5 Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia
manao azy ho hendry izy
6 Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay
mampitondra teny ny adala.
7 Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra,
Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
8 Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady,
Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9 Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia
toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
10 Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra
isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra
mandalo*.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy
izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo]
11 Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy
izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
12 Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy
hantenaina kokoa noho izy.
13 Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana,
Misy liona atsy an-dalambe.
14 Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny,
Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
15 Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa
ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra
noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17 Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady
tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
18 Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka
ary fahafatesana,
19 Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka
manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
20 Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny
afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
21 Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny
kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra
fifandirana.
22 Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py
ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
23 Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy
ny molotra mihatsaravelatsihy* sy ny fo ratsy.[Heb. mirehitra]
24 Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony
Sady manafim-pitaka ao am-pony;
25 Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa
fahavetavetana fito no ao am-pony.
26 Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny
haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay
manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
28 Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny
vava mandrobo dia mampidi-doza.
1 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia
ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
2 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao,
Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny
fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
4 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana;
Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?
5 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
6 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena
fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
7 Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa
mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8 Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny,
Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.
9 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny
hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.
10 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary
aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny
namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako
izay miteny ratsy ahy.
12 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny
kely saina kosa mandroso ka voa.
13 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary
tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
14 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany
amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
15 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy
tia ady.
16 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny
rivotra, Sady toy ny mamihina* diloilo ny tànany ankavanana.[Na: mihatra
amin'ny]
17 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona
maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
18 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary
izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka
amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
20 Ny fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana tsy
mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.[Heb. Sheola]
21 Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny
fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho
araka izay zavatra derainy.
22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary
eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23 Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry
aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho
amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary
voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
26 Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary
ny osy hamidinao tany;
27 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho
an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.
1 Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy
manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
2 Ny fahotan*'ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny
fisian'ny olona manan-tsaina** kosa no mampahateza ny fanjakana***. [*Na:
fikomian'][**Na: manan-tsaina sady mahalala rariny][***Na: Fa noho ny
manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana]
3 Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia
toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
4 Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy
fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
5 Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa
izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
6 Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany
Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana
miolikolika.
7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry;
Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
8 Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola
sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo
9 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna,
Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
10 Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny
lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no
handova ny soa.
11 Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny
malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
12 Raha ravoravo ny marina, dia be ny
famirapiratana; Fa raha misandratra* kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny
vahoaka.[Na. mitsangana]
13 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa
izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
14 Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay
manamafy ny fony no hidiran-doza.
15 Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy
fanahy amin'ny olona reraka.
16 Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay
mankahala ny fieremana no ho ela velona.
17 Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia
handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
18 Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay
mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
19 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay
manaraka ny olom-poana* ho voky alahelo kosa.[Na: zava-poana]
20 Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay
maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
21 Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia
amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
22 Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa
hanjo azy ny alahelo.
23 Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay
Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
24 Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka
izany, Dia naman'ny mpanimba.
25 Izay mierina* manetsika ady; Fa izay matoky an'i
Jehovah dia hohatavezina.[Na: miavonavona am-po]
26 Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny
fahendrena no ho afa-miala.
27 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay
mitampi-maso hahazo ozona be;
28 Raha misandratra* ny ratsy fanahy, dia miery ny
vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
1 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho
torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
2 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha
ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay
misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
4 Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay
mandray tambitamby* no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena]
5 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny
tongony.
6 Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny
marina mihoby sy mifaly.
7 Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy
fanahy tsy hahalala fahendrena.
8 Ny mpaniratsira mampihotakotaka* ny tanàna; Fa ny
hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra]
9 Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy
izy, ka tsy hisy fitsaharana*.[Na: Raha hendry miady amin'adala, na tezitra
izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]
10 Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa
ny mahitsy kosa miahy ny ainy*.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy]
11 Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny
hendry kosa manindry fo.
12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy
ny mpanompony rehetra.
13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory*; Jehovah no
manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola]
14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia
haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny
zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny
marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy
Sy ho fifalian'ny fanahinao.
18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po
amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia
sambatra.
19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny
mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny*.[Heb. tsy misy valiny]
20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy
hantenaina kokoa noho izy.
21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony
mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona
masiaka dia be fahadisoana.
23 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo
voninahitra kosa ny manetry tena.
24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena;
Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah
no hovonjena*.[Heb. hatao amin'ny avo]
26 Maro no mila sitraka amin*'ny mpanapaka; Fa avy amin'i
Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan']
27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary
ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
*
1 [Ny tenin'i Agora] Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora,
zanak'i Jake*, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela
sy Okala:[Na: Ny tenin'i Agora, zanak'i Jake, avy any Masa]
2 Izaho dia biby*, fa tsy olona, Ary tsy
manan-tsain'olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, nanasa-tena
aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka ny biby aho]
3 Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny
Iray Masina.
4 Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray?
Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny
lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no
anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
5 Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho
an'izay mialoka aminy Izy.
6 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho
hita fa mpandainga.
7 Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao,
dieny tsy mbola maty aho:
8 Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome
ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
9 Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa
Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny
anaran'Andriamanitro.
10 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony,
Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra
ny reniny.
12 Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho
afaka amin'ny fahalotoany.
13 Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny
fisondrotry ny hodi-masony!
14 Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy
ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho
amin'ny olona.
15 Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo.
Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
16 Ny fiainan-tsi-hita*; sy ny kibo momba, Ny tany izay
tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]
17 Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety
manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary
hohanin'ny zana-boromahery.
18 Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra
aza no tsy fantatro:
19 Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny
nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny
ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.
20 Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga:
Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21 Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany,
Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
22 Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no
voky hanina,
23 Raha ny vehivavy lany zara* no ampakarina, Ary raha ny
ankizivavy no mandova** ny tompovaviny.[*Heb. ankahalaina][**Na: mandimby]
24 Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ
ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:
25 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona
ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
26 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery,
Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
27 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy
rehetra miainga manao antokony tsara;
28 Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany*,
Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.[Na: azonao samborin-tanana]
29 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza
no tsara fandeha;
30 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka
tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
31 Ny soavaly voaomana hiady* sy ny osilahy Ary ny
mpanjaka tsy azo toherina**. [*Heb. voafehy kibo][**Na: otronin'ny vahoakany]
32 Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina
hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka
rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny
fahatezerana no miteraka ady.
*
1 [Ny amin'ny tokony ho toetry ny mpanjaka] Ny tenin*'i
Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay** nananaran-dreniny azy.[*Na:
Ny teny ho an'][**Na: Lemoela, mpanjakan'i Masa, dia ilay]
2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary
ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny
fombam-piainanao* ho an'izay** manimba mpanjaka.[*Heb. lalanao][**Na: izay
zavatra]
4 Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety
amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry
toaka;
5 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka
mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay
malahelo azon'ny fangidiam-panahy;
7 Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy
hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty
ny rariny;
9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny
ory sy ny malahelo.
*
10 [Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto]
Iza no mahita vehivavy tsara*? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny
voahangy**. [*Na: mahay][**Na: perla]
11 Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny
fanambinana azy.
12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny
andro rehetra iainany.
13 Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa
amin'ny tànany.
14 Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any
amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.
15 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome
hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.
16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry
ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17 Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny
sandriny.
18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy
maty jiro mandritra ny alina izy.
19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny
tànany mihazona ny ampela.
20 Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny,
mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
21 Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny
ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.
22 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia
rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha
miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka
mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto*.[Heb. Kananita]
25 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny
andro ho avy dia ihomehezany.
26 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy;
Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
27 Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy
Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe
sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29 Maro no zazavavy nanao soa*, Fa ianao manoatra noho
izy rehetra.[Na: nahavory harena]
30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny
fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.
31 Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny
asany hidera azy eo am-bavahady.