[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Salamo
Accès direct aux cinq livres des Psaumes : Livre 1 (Ps. 1 à 41), Livre 2 (Ps. 42
à 72), Livre 3 (Ps. 73 à 89), Livre 4
(Ps. 90 à 106), Livre 5 (Ps. 107 à 150)
1 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny
ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy
fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy
mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no
saintsaininy andro aman'alina.
3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona
izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany
rehetra dia ataony lavorary avokoa.
*
4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa
aelin'ny rivotra izy.
5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo
amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.
6 Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny
ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.
1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana
no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka
miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
3 "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika
hiala amintsika ny famehezany."
*
4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny
Tompo maneso ireo.
5 Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka
hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
6 "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako
Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
*
7 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah
nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary
ny faran'ny tany ho fanananao.
9 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky
vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
*
10 Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa
anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
11 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary
mifalia amin'ny fangovitana.
12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very
eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra
izay rehetra mialoka aminy.
*
Psaume de David, lorsqu’il s’enfuyait de
devant Absalom, son fils.
1 [Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro.
na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i
Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no
mitsangana hanohitra ahy.
2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena
amin'Andriamanitra izy.
3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
*
4 Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary
any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria
Jehovah no manohana ahy.
6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay
milahatra manodidina hamely ahy.
*
7 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho,
Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny
nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
8 An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao
anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]
Au chef de musique. Sur Neguinoth*.
Psaume de David.
1 [Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany
an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo
nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny
fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà
fo amiko, ka henoy ny fivavako.
*
2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny
voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho
Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i
Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
4 Tezera*, fa aza manota; mieritrereta eo
am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
5 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
*
6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika?
Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny
tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.
8 Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka
amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy
manana ahiahy.
Au chef de musique. Pour Nehiloth*.
Psaume de David.
1 [Salamo hatao amin'ny maraina, milaza ny amin'ny olona
mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny
mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
2 Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy
Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
*
3 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina
no hivavahako* aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]
4 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao;
tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao
ny mpanao ratsy rehetra.
6 Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy
mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.
7 Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia
hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny
fahatahorana anao aho.
*
8 Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny
amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
9 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao
anatiny dia tena faharatsiana*; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny
lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
*
10 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina
ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.
11 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby
mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny
anaranao.
12 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana
no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
Au chef de musique. Sur Neguinoth, sur Sheminith*. Psaume de David.
1 [Fivavaky ny olona anarin'Andriamanitra] Ho an'ny
mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i
Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny
fahaviniranao no amaizanao ahy.
2 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano
aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao,
Jehovah ô, mandra-pahoviana?
*
4 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho
ny famindram-ponao.
5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny
fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]
6 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny
farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
7 Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny
ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
*
8 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah
efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
9 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray
ny fivavahako.
10 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko
rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
Shiggaïon* de David,
qu’il chanta à l’Éternel à l’occasion des paroles de Cush, le
Benjaminite.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona
nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita.
Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra
manenjika ahy, ka afaho;
2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny
liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
*
3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha
misy heloka eto an-tanako;
4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho,
novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* [Na: Ka nandroba izay
nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka
hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny
voninahitro amin'ny vovoka.
*
6 Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata
hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy
marina no navoakanao;
7 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary
miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
*
8 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho
araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
9 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa
ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny
voa.
*
10 Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny
mahitsy fo.
11 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay
tezitra isan'andro.
12 Raha tsy ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa
manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]
13 Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny
zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny,
torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*; [Heb: lainga]
15 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao
anatin'ny longoa nataony ihany izy;
16 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny
fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.
*
17 Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany
aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
Au chef de musique. Sur Guitthith*.
Psaume de David.
1 [Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny
ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida.
Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no
nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay
ta-hamaly ratsy.
*
3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao,
sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny
zanak'olombelona, no amangianao azy?
5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary
efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
6 Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny
zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,
7 Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary
ny bibidia koa,
8 Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any
an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.
9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny
anaranao amin'ny tany rehetra!
*
Au chef de musique. Sur Muth-Labben*. Psaume de David.
1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara
marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo
nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny
fahagaganao rehetra aho.
2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny
anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
*
3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka
ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny;
mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny
ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny
fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny
fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]
7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny
sezany hitsarany Izy,
8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana,
eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy.
9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra,
ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.
10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy
foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
*
11 Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona;
ambarao any amin'ny firenena ny asany.
12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy
manadino ny fitarainany Izy.
13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako
avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny
fahafatesana,
14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo
am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.
*
15 Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay
nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho
Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.
17 Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy
fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]
18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary
tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.
*
19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka
hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
20 Asio fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry
ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]
1 [Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho
ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao
ka miery amin'ny andro fahoriana?
*
2 Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy
ny malahelo*; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny
malahelo izy]
3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny
mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina
Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.
5 Tanteraka* mandrakariva ny alehany; any
amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe:
zinona ireny? [Heb. Mahery]
6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho
azon-doza mandrakizay doria aho.
7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny
ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
8 Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna
izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao
amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany
amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo
amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
11 Hoy izy anakampony: efa nanadino
Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
*
12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô,
atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
13 Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny
ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery
fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra;
Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
15 Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary
adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
*
16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria;
voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.
17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny
mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny
mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ
an-tany.
*
Au chef de musique. De David.
1 [Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany
saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako;
ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any
an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely]
*
2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa
nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny
maizina hitifitra ny mahitsy fo.
3 Fa rava ny fanorenana*, ka inona indray no azon'ny
marina atao?[Na: voazera ny andry]
4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza
fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony
mizaha toetra ny zanak'olombelona.
*
5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy
ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny
fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy
no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
Au chef de musique. Sur Sheminith. Psaume de David.
1 [Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny
mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa
efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny
zanak'olombelona.
*
2 Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra
mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
3 Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy
ny lela miteny avonavona,
4 Izay manao hoe: hampahery anay ny
lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
5 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny
fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko
izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]
*
6 Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny
volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio
impito.
7 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no
hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.
*
8 Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo
amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana
ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
Au chef de musique. Psaume
de David.
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah
ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola
hanafenanao ny tavanao amiko?
2 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy
hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny
fahavaloko ho amboniko?
3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô;
ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;
4 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho,
fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
5 Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako;
ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
*
6 Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
Au chef de musique. De David.
1 [Ny faharatsian'ny olona, sy ny fanirian'ny sasany
famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao
anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy
misy manao ny tsara.
*
*
2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny
zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa;
tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
*
4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana
ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria
Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
6 Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa
no arony.
*
7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny
Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly
Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Psaume de David.
1 [Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra]
Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao?
iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
*
2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy
ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
4 Tsy manaja ny ratsy fanahy*, fa manome voninahitra ny
matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny
tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena]
5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly
hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo
mandrakizay.
*
Mictam* de David.
1 [Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa,
na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon'i Davida.
Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
*
2 Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy
soa ananako azo oharina aminao;
3 Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no
olona tsara laza izay sitrako indrindra*. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny
tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]
*
4 Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra
hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba
hotononin'ny molotro ny anarany.
5 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no
mampaharitra ny anjarako.
6 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany
mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7 Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na
amin'ny alina aza dia mananatra* ahy ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb:
voako]
8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo
an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
9 Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko*;
eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]
10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny
aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny** lavaka***
Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny lò]
11 Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa
havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao
an-kavanana mandrakizay.
Prière de David.
1 [Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho
azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô,
mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny
fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao
hijery marina.
3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony
alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona;
ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho
diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]
4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no
nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny
tongotro.
*
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra
ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny
tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny
aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia
ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny
vavany.
11 Manodidina anay* amin'ny alehanay ankehitriny izy,
Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]
12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira,
sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo
amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho
azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana
izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny
fananany be ho an'ny zanany madinika.
*
15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny
fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
*
Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel, de
David, qui adressa à l’Éternel les paroles de ce cantique, le jour où
l’Éternel l’eut délivré de la main de tous ses ennemis, et de la
main de Saül. Et il dit :
1 [Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho
an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i
Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy
tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia
hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary
Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka
famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka
dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
*
4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny
riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko;
nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]
6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny,
Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny
fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
*
7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny
fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria
tezitra Jehovah.
8 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo
am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
9 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito
no teo ambanin'ny tongony.
10 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina
faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
11 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina
Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona matevina.[Heb: aizin-drano]
12 Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia
nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo
Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny
fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka
azy.
15 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny
fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny
fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
16 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka
nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;
17 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy
sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
18 Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza
ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
*
19 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka
Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako
Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
21 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy
mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary
ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena
tsy ho azon'ny fahotako;
24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah,
dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.
25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena
olo-marina no isehoanao fa marina;
26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka
kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [Heb: miolakolaka]
27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso
miandranandrana kosa aetrinao.
28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah
Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila
iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
*
30 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny
tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay
rehetra mialoka aminy.
31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no
vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy
manamarina ny alehako.
33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka
mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka
varahina ny sandriko.
35 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao
ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny
hato-tongotro.
37 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy
mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
38 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo
ambanin'ny tongotro izy.
39 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho
ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako
izay mankahala ahy.
41 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i
Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
42 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra
izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
*
43 Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy
manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza
dia manompo ahy.
44 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia
manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia
hafa firenena, mikoy ahy]
45 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala
amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
*
46 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko;
asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
47 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka
mampanaiky ny firenena ahy.
48 Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra
ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny
olon-dozabe.
49 Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy
hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
50 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny
Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany
mandrakizay.
*
Au chef de musique. Psaume de David.
1 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny
tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka
manambara ny asan'ny tànany.
2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny
alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay
feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]
4 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny
famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka
avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka
mihazakazaka amin'ny alehany izy.
6 Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny
alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
*
7 Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny
fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8 Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio
ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra
mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena
volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy
amin'ny tohotra.
11 Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny
fitandremana azy misy valiny lehibe.
*
12 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany?
ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.
13 Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka
tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay
fahadisoana lehibe.
14 Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy
hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Au chef de musique. Psaume de David.
1 [Vavaka ho an'ny mpanjaka raha mivoaka hanafika] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny
andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i
Jakoba.
2 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana
masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary
hankasitraka ny fanatitra doranao.
4 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka
ny fisainanao rehetra.
5 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary
amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie
ny angatahinao rehetra.
*
6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny
voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny
famonjen'ny tànany ankavanana.
7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny
soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no
hoderainay.
8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa
mitsangana sy mijoro,
9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy*
amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly
anay anie ny Mpanjaka]
Au chef de musique. Psaume de David.
1 [Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny
mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao
no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny
famonjenao!
2 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny
molony tsy mba nolavinao.
3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany
nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia
andro lava mandrakizay doria.
5 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy
voninahitra no nataonao taminy.
6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao
indrindra amin'ny tavanao izy.
7 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny
famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
*
8 Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho
azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy
amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary
handevona azy ny afo.
10 Ny zanany* haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny
taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]
11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka
namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao
ny tavany.
13 Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy
hankalaza ny herinao izahay.
*
Au chef de musique. Sur Ajéleth-Hashakhar*. Psaume de David.
1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho
ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny
mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida.
Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny
famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy
mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny
fideran'ny Isiraely.
*
4 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy
azy Hianao.
5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no
nitokiany, ka tsy menatra izy.
6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy
fanevatevam-bahoaka.
7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro
molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny,
aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i
Jehovah izy]
9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry
ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;
10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho;
hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny
fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
*
12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i
Basana manemitra ahy.
13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy
mierona izy.
14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra;
tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako
miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao
ahy.
*
16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy
fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina
ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady
mangarika ahy.
18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko
ilokàny.
19 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô,
faingana hamonjy ahy.
20 Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako
amin'ny herin'ny amboa.
21 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka
amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia
novalianao aho]
*
22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny
fiangonana no hideràko Anao.
23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry
taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry
Zanak'Isiraely rehetra.
24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny
fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina
aminy ireny, dia mihaino Izy.
*
25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny
fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i
Jehovah.
26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i
Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
*
27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny
tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny
firenen-tsamy hafa Izy.
29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra
ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any
amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
*
30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina
amin'ny taranaka ho avy.
31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny
olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
Psaume de David.
1 [Ny Mpiandry Tsara] Salamo nataon'i Davida. Jehovah no
Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo
amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny
lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
*
4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny
fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny
tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko
Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
*
6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava
aho.
De David. Psaume.
1 [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo
nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra
izao sy ny mponina eo aminy.
2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina.
Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i
Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy
manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.
5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary
fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.
6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny
tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]
*
7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary
misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba hidiran'ny mpanjakan'ny
voninahitra.[Na: mandrakizay]
8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?
Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary
manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny
voninahitra.
10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?
Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
*
De David.
1 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana]
Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho
menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.
3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa
izay mivadika foana no ho menatra.
*
4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny
sitrakao aho.
5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa
Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny
andro.
6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa
hatrizay hatrizay ireny.
7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no
tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny
fahasoavanao Jehovah ô,
*
8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny
mpanota ny lalana.
9 Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary
mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
10 Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy
fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa
lehibe izany.
12 Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no
hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
13 Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany
handova ny tany.
14 Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy,
ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
15 Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no
nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.
*
16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
17 Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny
fahatereko aho.
18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny
fahotako rehetra.
19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny
ahy.
20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra
aho, fa mialoka aminao.
21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro
ahy; fa miandry Anao aho.
22 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany
rehetra.
De David.
1 [Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy]
Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho;
ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny
voako sy ny foko.
3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary
mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na
manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy
miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka
te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga
rehetra.
8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny
voninahitrao.
9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na
ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno
kolikoly ny tànany ankavanana.
11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty
sy amindrao fo aho.
12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo
am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
De David.
1 [Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony]
Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?
*
2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy,
izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy
hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany
no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra
hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro
fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho
eny ambony vatolampy Izy.
6 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina
ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy
hankalaza an'i Jehovah aho.
*
7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary
mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny
navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny
mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy,
ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah
kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia
ho-raisin'i Jehovah aho]
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho
amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
12 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory
ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga
ahy.
13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny
fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.
*
14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery
ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
De David.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy
hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry
vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao,
dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
2 Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao
aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.
3 Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny
mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy
no ao am-pony.
4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny
ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay
iendrehany.
5 Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny
tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
*
6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny
fifonako Izy.
7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny
foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy
hamonjena ny voahosony.
9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao;
andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]
Psaume de David.
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy
ny fiandrianany izay miseho amin'ny kotrokorana] Salamo nataon'i Davida.
Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy
hery ho an'i Jehovah.
2 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany;
miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.
*
3 Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be;
Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny
rano be.
4 Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah
be voninahitra.
5 Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera;
eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby
Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.
7 Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;
8 Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra;
Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.
9 Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy,
ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!
*
10 Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano;
eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.
11 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy
ny olony amin'ny fiadanana.
Psaume. Cantique de dédicace de la maison. De David.
1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny
namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano.
Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra
Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia
nahasitrana ahy Hianao.
3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny
fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay
midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
*
4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny
anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa
mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy
fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy
fihobiana.
6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo
mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy
ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako
hoe:
9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any
an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô,
aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa
nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy
hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb:
voninahitro]
Au chef de musique. Psaume de David.
1 [Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny
mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho
menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka
ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary
noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny
hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra
ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
*
6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no
itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa
nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,
8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa
efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.
9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho;
simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
10 Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny
taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
11 Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga
fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro
aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana
intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy
fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika
hahafaty ny aiko.
14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho:
Andriamanitro Hianao.
*
15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny
tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo
amin'ny famindram-ponao aho.
17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso
Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny
fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]
18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny
sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.
*
19 Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny
matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay
mialoka aminao!
20 Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao
Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao
an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.
21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny
famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho
eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina
taminao aho.
*
23 Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny
marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo
rehetra izay manantena an'i Jehovah.
De David. Instruction.
1 [Ny amin'ny famelan-keloka] Nataon'i Davida. Maskila.
Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
2 Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary
tsy misy fitaka ny fanahiny.
*
3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho
ny fitarainako mandrakariva,
4 Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao;
niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona.
*
5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba
nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia
namela ny heloky ny fahotako.
6 Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra
aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano
be, tsy hahatratra azy izany.
7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana
Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.
*
8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay
lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy
manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky
anao izy.
*
10 Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky
an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po.
*
11 Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo
olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
1 [Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao
sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika
hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy
amin'ny valiha tory folo.
3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny
feo fifaliana.
4 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia
mahatoky avokoa.
5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny
famindram-pon'i Jehovah ny tany.
*
6 Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny
fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny
antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
8 Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka
hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia
nitoetra mafy izany.
*
10 Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa;
Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
11 Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny
hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
*
12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho
Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny
zanak'olombelona rehetra Izy;
14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra
ambonin'ny tany,
15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny
asany rehetra.
16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny
miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.
17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy
mahavonjy ny haben'ny heriny.
18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy,
dia izay manantena ny famindram-pony,
19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy
hamelona azy, raha misy mosary.
*
20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena
antsika sy ampingantsika Izy.
21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany
masina no itokiantsika.
22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao.
De David, quand il dissimula sa raison devant Abimélec**, qui le chassa, et il s’en alla.
1 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa
novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo
anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah
lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare
izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary
aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
*
4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy
ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy
mangaihay ny tavany.
6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino
Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
*
7 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay
matahotra Azy ka mamonjy azy.
8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra
izay olona mialoka aminy.
9 Matahora an'i Jehovah, ianareo olony
masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.
Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
*
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i
Jehovah no hampianariko anareo.
12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro
maro hahitana ny soa,
13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny
molotrao mba tsy hiteny fitaka.
14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava
fihavanana, ka araho izany.
15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao
ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.
17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah
ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka
Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
*
19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah
manafaka azy amin'izany rehetra izany.
20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho
tapaka ireny na dia iray akory aza.
21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary
ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny
mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
De David
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hamaly ny ratsy
ataon'ny mpanenjika] Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko;
miadia amin'izay mamely ahy.
2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka
mitsangàna hamonjy ahy.
3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika
ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
*
4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady
ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra
izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka
ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.
7 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany
fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany
ny aiko.
8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy;
ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany
fandringanana izany indrindra izy.
9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy
ho ravoravo amin'ny famonjeny.
10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza
no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny
malahelo amin'izay mamabo azy?
*
11 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy
fantatro no anadinany ahy.
12 Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala
ny fanahiko.
13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba
fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho;
ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no
nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.
15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka
niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro*;
namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona faraidina, izay fantatro, no
nitangorona hamely ahy]
16 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila
sitraka* izy ka nihidy vazana tamiko.[Heb. hahazoa-mofo; na;tena
mpanendrikendrika indrindra]
*
17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny
fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny
liona tanora.
18 Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera
Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
19 Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary
aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy
hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa
izay! efa hita'ny masonay.
22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry
Tompo ô, aza manalavitra ahy.
23 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O
Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin'ny adiko.
24 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny
fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho.
25 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay!
aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
26 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly
amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha
amiko.
27 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako;
ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay
mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.
28 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana
Anao no hataoko mandrakariva.
Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel. De
David.
1 [Ny maharatsy ny miala amin'Andriamanitra, ary ny
mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida,
mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe*:
tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao
am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
2 Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony
ka hankahalana azy.
3 Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa
nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany;
mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
*
5 Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao;
mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia
avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy
vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra]
7 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô!
ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
8 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony
fampifalianao no ampisotroanao azy.
9 Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no
hahitanay fahazavana.
10 Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao,
ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
11 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na
hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
12 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy
maharina.
De David.
1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy
fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida.
Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza
mialona ny mpanao meloka;
2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo
tahaka ny ahi-maitso.
3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina
amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao
izay irin'ny fonao.
5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa
hataony tanteraka.
6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy,
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka
manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay
olona manao sain-dratsy.
8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny
fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i
Jehovah no handova ny tany.
10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy
fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka
hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
*
12 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny
maraina ka mihidy vazana aminy.
13 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny
androny.
14 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny
tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy
lalana.
15 Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny
tsipìkany ho tapatapaka.
16 Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy
maro.
17 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa
Jehovah manohana ny marina.
18 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany
ho mandrakizay.
19 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary
amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i
Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko
setroka izy.
21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny
marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra]
22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny
kosa no hofongorana.
*
23 Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona,
ka Izy no mankasitraka ny lalany.
24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no
mitantana azy.
25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny;
Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny
taranany hotahina.
27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay
ianao.
28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony
masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy
mandrakizay
*
30 Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany
manambara ny rariny.
31 Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba
ho solafaka ny diany.
32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka
mitady hahafaty azy.
33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
34 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia
hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy
fanahy ianao.
*
35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary
nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary
nitady azy ka, tsy hita izy.
37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany*
ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no
faran'izany olona izany]
38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy
fanahy ho fongotra.
39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah;
Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.
40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka
azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
Psaume de David, pour faire souvenir.
1 [Fivavak'izay ory dia ory indrindra] Salamo nataon'i
Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao
ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
*
2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy
mafy ny tananao,
3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao;
tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana
mavesatra izy ka tsy zakako.
5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona
mandrakariva.
7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy
fahasalamana ny nofoko.
8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra
aho noho ny fitolokon'ny foko.
*
9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny
fisentoako tsy mba miafina aminao.
10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny
fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny
fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady
hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.
*
13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary
tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady
tsy misy teny havaly eo am-bavany.
15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry
Tompo Andriamanitra ô.
16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary
raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako
mandrakariva.
18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny
fahotako. [Na: Malahelo]
19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no
mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho
valin'ny fanarahako ny tsara.
21 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza
manalavitra ahy.
22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
Au chef de musique, à Jeduthun. Psaume de David.
1 [Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao] Ho an'ny
mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina
ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha
mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
2 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia
ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo
anatrehan'ny tsara fanahy aza]
3 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho,
dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.
4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny
androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary
ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny
olon-drehetra, na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny
olona rehetra]
6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa
no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
*
7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no
antenaiko.
8 Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy
ho fanakoran'ny adala.
9 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny
famelin'ny tananao.
11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka
manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona
rehetra.
*
12 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny
fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny
tahaka ny razako rehetra.
13 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray,
dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
*
Au chef de musique. De David. Psaume.
1 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny
tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah
aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana
Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony
vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia
fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i
Jehovah.
*
4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka
tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga.
5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay
nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha
tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo
isaina.
6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy
mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra dorana sy ny fanatitra
noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao]
7 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no
nanoratana ahy.
8 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;
ary ny lalanao no ato anatiko.
9 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo
amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô,
Hianao no mahalala.
10 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny
fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy
ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.
11 Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
12 Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina;
nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny,
ka reraka ny foko.
13 Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy;
Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
14 Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady
hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
15 Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko
hoe: Hià! sakoa izay!
16 Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady
Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina
anie Jehovah.
17 Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no
mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.
Au chef de musique. Psaume de David,
1 [Fitarainan'ilay ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny
sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay
mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.
2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho
sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny
fahavalony.
3 Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana
azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
*
4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko;
sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao
hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny
zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany
izy ka milazalaza.
7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy;
misaina hanisy ratsy ahy izy.
8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy;
ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady
nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko,
ka atsangano aho mba hamaliako azy.
*
11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy
Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.
12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny
fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena
dia Amena.
Au chef de musique. Instruction. Des fils de Coré.
1 [BOKY FAHAROA][Faniriana an'Andriamanitra raha lavitra
an'i Ziona] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera
mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
2 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia
Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo
anatrehan'Andriamanitra?
3 Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny
anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
4 Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato
anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako
azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro
izay nitandrina ny andro firavoravoana.
*
5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko
ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho
noho ny famonjen'ny tavany.
6 Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko;
Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary
amin'ny tendrombohitra Mizara.
*
7 Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny
riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
8 Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho
amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
9 Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no
nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny
fahavaloko?
10 Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny
fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao?
*
11 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary
nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola
hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko
haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny
lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
2 Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary
ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
3 Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka
hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any
amin'ny tabernakelinao.
4 Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any
amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho,
ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
*
5 Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana
no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy
ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
*
Au chef de musique. Des fils de Coré. Instruction.
1 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa
tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita.
Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza
taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa
izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao
mahafeno tany.
3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny
sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny
fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
*
4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô;
Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
5 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny
anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
6 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny
sabatro tsy hahavonjy ahy.
7 Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao,
ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
8 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny
anaranao no hoderainay mandrakizay.
*
9 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary
tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao.
10 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny
mankahala anay dia nanaram-po namabo.
11 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao
any amin'ny firenen-tsamy hafa.
12 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy
mahazo tombony amin'ny vidiny.
13 Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay,
dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.
14 Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa
izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro.
15 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary
efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
16 Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny
fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
*
17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino
anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao
ny dianay.
19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny
amboadia* sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
20 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na
nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
21 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala
ny miafina ao am-po.
22 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy
ny ondry hovonoina no fijery anay.
*
23 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory
Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka
manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
25 Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay,
miraikitra amin'ny tany ny kibonay.
26 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay
araka ny famindram-ponao.
Au chef de musique. Sur Shoshannim*. Des fils de Coré. Instruction. Un cantique du bien-aimé.
1 [Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be
voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila.
Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny
hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
*
2 Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao;
fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao
mandrakizay.
3 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia
ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
4 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny
voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary
hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
5 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no
ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
*
6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay
doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
7 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa
Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra
noho ny namanao.
*
8 Miora sy hazo manitra* ary kasia ny fitafianao rehetra,
zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.[Heb: ahalota]
9 Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo
ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
10 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny
sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
11 Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy
no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.
12 Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny
manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.
13 Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty
trano; tenona misy volamena no fitafiany.
14 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao
amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
15 Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny;
hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
*
16 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka
eny amin'ny tany rehetra izy.
17 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara
mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay
doria.
Au chef de musique. Des fils de Coré. Sur
Alamoth*. Chant.
1 [Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny
mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro
sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza
ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka
mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
*
4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny
tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy;
Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny
fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
7 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika;
Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
*
8 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga
faharavana etỳ an-tany;
9 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy;
manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny
afo.
*
10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no
Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny
tany Aho.
*
11 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika;
Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume.
1 [Fihobiana noho ny niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy
hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena
rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.
2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana;
Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.
3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary
firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.
4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny
voninahitr'i Jakoba izay tiany.
*
5 Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah
niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.
6 Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny
Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
7 Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza
mankalaza tsara ianareo.
8 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa;
Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina.
9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho
olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo
indrindra Izy.
Cantique. Psaume des fils de Coré.
1 [Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny
tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita.
Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika,
ao an-tendrombohiny masina.
*
2 Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny
tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
3 Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay
hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa
izy.
5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka
nalaky nandositra;
6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny
fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
7 Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny
sambon'i Tarsisy.
*
8 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i
Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra
mampitoetra azy mandrakizay.
9 Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay,
Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
10 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao
hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
*
11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo
ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.
12 Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana
manodidina azy; isao ny tilikambony,
13 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany,
mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby.
14 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika
mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
*
Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume.
1 [Ny fahafoanan'ny harena amam-boninahitra] Ho an'ny
mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry
firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
2 Na ny ambany, na ny ambony, na ny
manan-karena, na ny malahelo.
3 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny
fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
4 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary
hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
*
5 Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony
manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
6 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha
amin'ny haben'ny fananany?
7 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na
mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
8 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao
mandrakizay),
9 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao
amin'ny lavaka*.[Na: ho tratry no lò]
10 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy
ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
11 Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny
tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany
no anononany ny taniny*.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin'ny tany maro]
12 Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra
izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
13 Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany
mandimby azy mankasitraka ny teniny.
14 Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny
fiainan-tsi-hita*; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy
nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ka tsy
hisy fonenany.[Heb: Sheola]
15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny
fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy*.[Na: Rehefa azony aho]
16 Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga
manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
17 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy
mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
18 Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa
hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
19 Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava
intsony mandrakizay ireny.
20 Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina,
dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
*
Psaume d’Asaph.
1 [Ny amin'ny fivavahana marina sy ny fanatitra
sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia
Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka
hatramin'ny filentehany.
2 Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no
amirapiratan'Andriamanitra.
*
3 Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo
alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
4 Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba
hitsaràny ny olony:
5 Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao
fanekena amiko amin'ny fanatitra.
6 Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no
Mpitsara.
*
7 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa
hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
8 Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo
anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
9 Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na
osilahy amin'ny valanao;
10 Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny
biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
11 Fantatro ny vorona rehetra eny
an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
12 Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao;
fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
13 Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na
hisotro ny ran'osilahy?
14 Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary
efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;
15 Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao
Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
16 Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra:
ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
17 Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao
ny teniko.
18 Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana
aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
19 Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny
lelanao mamorom-pitaka.
20 Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao,
sady manendrikendrika* ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika]
21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho,
ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra
izany eo imasonao.
*
22 Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay
manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
23 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra
Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
*
Au chef de musique. Psaume de David ; lorsque Nathan
le prophète vint à lui, après qu’il fut entré vers Bath-Shéba.
1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy
hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy.
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny
fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho
afa-pahotana.
3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako
mandrakariva ny fahotako.
4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy
eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy
hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny
fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary
fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
*
7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho,
dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala]
8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho,
hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy
hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza
manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary
tohàny fanahy mazoto aho.
13 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny
mpanota hampiverenina aminao.
*
14 Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra
ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako*.[Heb: ny
lelako]
15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana
Anao ny vavako.
16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko
ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro;
ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao
tsinontsinona.
18 Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy
ny mandan'i Jerosalema.
19 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra
dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo
amin'ny alitaranao ny olona.
*
Au chef de musique ; pour instruire. De David ;
lorsque Doëg, l’Édomite, rapporta à Saül et lui dit : David est venu
dans la maison d’Akhimélec.
1 [Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava] Ho
an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka
nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka.
Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny
famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2 Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza
maranitra, ry mpanao fitaka.
3 Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny
lainga noho ny miteny ny marina.
4 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela
mamitaka.
*
5 Andriamanitra kosa hanimba* anao mandrakizay;
hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy
ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na: hanongana]
6 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy
azy hoe:
7 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao
an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny
faharatsiany.
8 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao
an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay
doria aho.
9 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary
hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.
Au chef de musique. Sur Mahalath* ;
pour instruire. De David.
1 [Ny faharatsian'ny olona sy ny faniriam-pamonjena] Ho
an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala
manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy,
tsy misy manao ny tsara.
*
2 Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny
zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa;
tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
*
4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko
toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
5 Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy
tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely
anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.
*
6 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny
Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho
faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Au chef de musique. Sur Neguinoth* ;
pour instruire. De David ; lorsque les Ziphiens vinrent, et dirent à
Saül : David ne se tient-il pas caché auprès de nous ?
1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana
Azy, na dia be aza ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny
valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly
hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra
ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
2 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny
tenin'ny vavako.
3 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary
olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany
izy.
*
4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no
Mpanohana ny fanahiko.
5 Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny
fahamarinanao no handringananao azy.
6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera
ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra
Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.
Au chef de musique, Sur Neguinoth* ;
pour instruire. De David.
1 [Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky
azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i
Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny
fitarainako.
2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka
mitoloko aho,
3 Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy
fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany
ahy.
*
4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny
tahotra ny fahafatesana.
5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny
horohoro.
6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny
voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any
an-efitra.
8 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba
tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
*
9 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo
ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
10 Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny
mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
11 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny
fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
*
12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha
izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely
ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko,
namako sy sakaizako indrindra,
14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha
tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.
15 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana*. Aoka hidina
velona any amin'ny fiainan-tsi-hita** izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia
ao afovoany***. [*Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][**Heb: Sheola][***Na:
Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony]
*
16 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary
Jehovah no hamonjy ahy.
17 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako
sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
18 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana
hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.
*
19 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny
taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra
an'Andriamanitra.
*
20 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy
izy; namadika ny fanekeny izy.
21 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no
ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
*
22 Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no
hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
23 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any
an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky
ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
Au chef de musique. Sur Jonath-Élem-Rekhokim*. De David. Mictam ; quand les Philistins le
prirent dans Gath.
1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana
Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama
nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko,
Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva
izy ka mampahory ahy.
2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy;
maro tokoa no mirehareha miady amiko.
3 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
*
4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no
itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?
*
5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny
rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria
mikendry ny aiko.
7 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy
hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao
an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro
hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
*
10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako
ny teniny.
11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho;
inona no hataon'ny olona amiko?
*
12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra
fanati-pisaorana ho Anao.
13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana
Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo
anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina]
Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand il fuyait devant
Saül, dans la caverne.
1 [Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana
an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira.
Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty
zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no
ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako,
mandra-pahalasan'ny loza.
*
2 Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra
Izay mahatanteraka ho ahy.
3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha
miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny
famindram-pony sy ny fahamarinany.
4 Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny
masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny
nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
5 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra
ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
*
6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary
nampitanondrika ny fanahiko*; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany
ihany no latsaka ao anatiny. [Na: nitanondrika ny fanahiko]
*
7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny
foko; hihira sy hankalaza aho.
8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy
lokanga; hifoha maraina koa* aho.[Na: Hampifoha ny maraina aho]
9 Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza
Anao eny amin'ny firenena aho.
10 Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,
ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
*
11 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao,
Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
Au chef de musique. Al-Tashkheth*.
De David. Mictam.
1 [Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina]
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy
va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry
mahery?]
2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy;
mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy;
mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy;
eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
5 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia
izay mpahay ody indrindra aza.
*
6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo
am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.
7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha
atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny
am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro
izy.
9 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny
vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana;
hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;
11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy
valiny* tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ
ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
Au chef de musique. Al-Tashkheth*.
De David. Mictam ; quand Saül envoya, et qu’on surveilla sa maison,
afin de le faire mourir.
1 [Fitarainan'izay misy fahavalo maro mitady hahafaty
azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly
naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko
aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina
amiko.
2 Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny
mpandatsa-drà.
3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona
hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
4 Tsy heloko* no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza
hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra
fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
*
6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika,
sady mandehandeha eran'ny tanàna.
7 Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo
amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny
firenena rehetra.
*
9 Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa
Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
10 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy;
hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.
*
11 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny
fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô,
Ampinganay.
12 Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka
hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
13 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao
intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka
hatramin'ny faran'ny tany.
*
14 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny
alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
15 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any
ihany mandritra ny alina.
16 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny
famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary
fandosirako amin'ny andro fahoriana.
17 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra
no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
Au chef de musique. Sur Shushan*.
Témoignage. Mictam. De David ; pour enseigner ; quand il fit la
guerre contre les Syriens de Naharaïm**, et
contre les Syriens de Tsoba, et que Joab revint et frappa les Édomites dans la
vallée du Sel, au nombre de douze mille.
1 [Fiantsoan'ny efa resim-pahavalo, mba
hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth.
Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia* sy
Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby
iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy
nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy
izahay.[Arama-naharaima]
2 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary
izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa
nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
*
4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany
noho ny fahamarinana.
5 Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao
ankavanana aho, ka valio.
*
6 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly
Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima
tehim-panjakako Joda;
8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny
kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
*
9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no
hitarika ahy ho any Edoma?
10 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay*, Andriamanitra ô.
Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
[Na: Tsy efa nanary anay va Hianao]
11 Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny
famonjena ataon'ny olona.
12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no
hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Au chef de musique. Sur Neguinoth. De David.
1 [Fangatahan'ny mpanjaka efa nandositra, mba
hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny
valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny
fivavako.
*
2 Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny
foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny
fahavalo.
4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka
hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,
5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa
nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.
6 Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany
hahatratra ny taranaka maro.
7 Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay
izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;
8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay,
mba hanefako isan'andro ny voadiko.
Au chef de musique. Sur Jeduthun. Psaume de David.
1 [Fiantombenan'ny fanahy izay manantena an'Andriamanitra,
na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny
fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia
fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy
handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
4 Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny;
lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.
*
5 Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry
fanahiko; fa Izy no antenaiko.
6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia
fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
7 Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny
voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.
8 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo
anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.
*
9 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha
hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
10 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra
amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
11 Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no
nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.
12 Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao
no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Psaume de David ; quand il était dans le désert de
Juda.
1 [Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra] Salamo
nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro
Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny
nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
2 Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana
masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
3 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro
hidera Anao.
4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko;
ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia
mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny
elatrao no hihobiako.
*
8 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao
ankavanana.
9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny
tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
10 Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho
anjaran'ny amboahaolo* izy.[volpa]
11 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo
izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
Au chef de musique. Psaume de David.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika
amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy
hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra
ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.
2 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy
fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka
mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy
tampoka izy ka tsy matahotra.
5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao
fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina
voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.
7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny
fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.
8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany;
mandositra* izay rehetra mahita azy.[Na: Mihifikifi-doha]
9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny
ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
10 Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny,
mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
Au chef de musique. Psaume de David. Cantique.
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra
noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i
Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any
Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana
ankasitrahinao]
2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo
rehetra.
*
3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako;
nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo
an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny
zava-masina ao amin'ny tempolinao.
5 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho
valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny
tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
6 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy,
misikina fahatanjahana Izy.
7 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina
Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any
am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no
ampihobinao.
9 Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra
azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho
an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
10 Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy;
ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
11 Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny
dianao mitete menaka.
12 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary
misikina fifaliana ny havoana.
13 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha:
mihoby izy, eny, mihira koa.
Au chef de musique. Cantique. Psaume.
1 [Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an'Andriamanitra
noho ny nataony ho an'ny mpanompony] Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira.
Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
2 Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra
Izy ho fiderana Azy.
3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny
asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao.
4 Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza
Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
5 Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny
zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
6 Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha
an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika
tamin*'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin']
7 Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony
mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
*
8 Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato
ny feo fiderana Azy,
9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka
tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa
nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
11 Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa
nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao;
nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny
fitahiana mahatretrika Hianao.
*
13 Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho;
hefaiko aminao ny voadiko,
14 Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony
aho azom-pahoriana.
15 Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy
mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.
*
16 Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra
an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.
17 Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no
teo ambanin'ny lelako.
18 Raha nankasitraka* ota tao am-poko aho, dia tsy mba
hihaino ny Tompo;[Heb: nijery]
19 Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny
feon'ny fivavako Izy.
20 Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny
fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
Au chef de musique. Sur Neguinoth. Psaume. Cantique.
1 [Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa
ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.
Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay;
hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2 Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy
ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
*
3 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera
Anao ny firenena rehetra.
4 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara
marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;
*
5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera
Anao ny firenena rehetra.
6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra,
dia Andriamanitsika.
7 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny
vazan-tany rehetra.
Au chef de musique. De David. Psaume. Cantique,
1 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny
Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo
nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny
fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
2 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny
fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo
anatrehan'Andriamanitra.
3 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo
anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
*
4 Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary
mifalia eo anatrehany.
5 Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena
Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
6 Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena;
mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra
amin'ny tany karankaina.
*
7 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao
Hianao ka namaky ny efitra,
8 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra,
tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny
fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao,
Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
10 Ny olonao* tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory
araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
11 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy
mpilaza soa dia antokony lehibe.
12 Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky
mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
13 Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho
tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena
tsara
14 Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia
latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
*
15 Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana.
Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.
16 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no
mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao
mandrakizay Jehovah.
17 Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo
arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina*.[Na: amin'ny
fahamasinana]
18 Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo;
efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra
aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba
hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana
Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah
Andriamanitra]
19 Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika
isan'andro isan'andro*, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na:
Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika,
dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay
mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
20 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho
antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.
21 Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony,
dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.
22 Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho;
hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
23 Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny
lelan'ny amboanao ny fahavalo.
*
24 Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny
fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina*.[Na: amin'ny
fahamasinana]
25 Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha,
eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.
26 Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny,
misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.
27 Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny
mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
*
28 Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra
Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
29 Noho* ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no
hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin']
30 Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny
ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra
anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
31 Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty
tanana amin'Andriamanitra.
*
32 Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho
an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
33 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny
fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely
ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.
35 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny
fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny
olona. Isaorana anie Andriamanitra.
*
Au chef de musique. Sur Shoshannim*. De David.
1 [Fitarainan'izay nenjehina sy nampahorina noho ny
amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida.
Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.
2 Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy
hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny
masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
4 Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy
tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy
ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
*
5 Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny
heloko tsy mba miafina aminao.
6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao,
Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady
Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
7 Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny
henatra ny tavako.
8 Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy
amin'ny zanak'ineny aho.
9 Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina
ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
10 Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao
latsa ho ahy izany.
11 Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa
ambentin-teny tamin'ireny aho.
12 Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary
ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
13 Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana,
Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio
aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
14 Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika;
vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina.
15 Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina
ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao;
todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
17 Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa
azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
18 Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny
ataon'ny fahavaloko.
19 Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny
fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy
rehetra.
*
20 Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra
aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
21 Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra
no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
22 Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny,
ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
23 Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary
ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
24 Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy
ny firehetan'ny fahaviniranao.
25 Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy
hitoetra ao an-dainy.
26 Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny
fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
27 Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra
amin'ny fahamarinanao izy.
28 Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny
velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.
29 Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny
famonjenao no hanandratra ahy.
30 Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana
aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
31 Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny
vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
*
32 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona
ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
33 Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra
tsy mba hamavoiny.
34 Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina
sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
35 Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny
tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;
36 Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary
hitoetra ao izay tia ny anarany.
Au chef de musique. De David ; pour faire souvenir.
1 [Fangatataham-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira.
Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy;
Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka
hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy;
3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià!
sakoa izay!
4 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady
Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie
Andriamanitra.
5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ
amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
1 [Vavaka ataon'izay mahatsiaro ny
famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao, Jehovah ô, no
itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2 Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko
ny sofinao, ka vonjeo aho.
3 Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva
Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy
Hianao.
*
4 Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy
aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe.
5 Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko
hatry ny fony aho mbola tanora.
6 Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka*
ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na
Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
7 Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa
Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
8 Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana
Anao mandrakariva.
9 Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy
ahy, rehefa ketraka ny heriko.
*
10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay
manotrika hahazo ny aiko.
11 Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho
izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
12 Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô,
faingana hamonjy ahy.
13 Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny
fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo
lalandava ny fideràko Anao.
15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao
mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
16 Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo;
hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
*
17 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny
fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
18 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy
ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny
asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
*
19 Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao,
Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
20 Hianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no
hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina
amin'ny tany.[Na: anay]
21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy
indray Hianao.
22 Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny
fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray
Masin'ny Isiraely ô.
23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa
izay efa navotanao;
24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa
efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
*
Au sujet de Salomon.
1 [Ny handrosoan'ny fanjakan'ny mpanjaka
voatendrin'Andriamanitra] Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny
mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
2 Hitsara* ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny
malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka, etc]
3 Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona,
eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
4 Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny
mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
*
5 Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny
masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
*
6 Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy,
tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.
7 Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny
fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
8 Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny
ranomasina izy, ary hatramin'ny ony* ka hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
9 Ny mponina any an-efitra handohalika eo
anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
10 Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa
hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
11 Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo
anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
12 Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny
ory tsy manan-kamonjy;
13 Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary
hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
14 Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana
sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
15 Dia ho velona ireny ka hanome azy* volamena
avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no
hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]
16 Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any
an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny
fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
17 Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola
maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny
olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra*.[Izaho Gen.xxii. 18]
18 Isaorana anie Jehovah Andriamanitra,
Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
19 Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany
malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
20 Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
Psaume d’Asaph.
1 [BOKY FAHATELO][Ny amin'ny tsy hahaketraka ny
olon'Andriamanitra, raha mahita ny ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon'i
Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
*
2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro;
saiky solafaka ny diako,
3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha
nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
4 Fa tsy misy fanaintainana amin'ny
fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona
sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
6 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny
rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
7 Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny
fony.
8 Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana
an-dolom-po; avo vava izy.
9 Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany
mandeha mitety ny tany.
10 Izany no itodihan'ny olony hankany aminy;
ary rano be no gohin'ireny;
11 Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala?
ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
12 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana
mandrakariva izy ka mitombo harena.
*
13 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny
tanako tamin'ny fahamarinana.
14 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana
isa-maraina.
15 Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho
namitaka ireo zanakao.
16 Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho,
kanjo sarotra teo imasoko izany.
17 Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra
ka nihevitra izay ho farany.
18 Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy,
ary aripakao ho ringana izy.
19 Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy,
matin-java-mahatahotra izy!
20 Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona,
dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha
mifoha Hianao.
*
21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby* teo
anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]
23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona
ny tanako ankavanana Hianao.
24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka
izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.
25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy
etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia
mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
*
27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao
izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra
no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny
asanao rehetra aho.
Pour instruire. D’Asaph.
1 [Fitarainana tamin'Andriamanitra, satria mafy
ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon'i Asafa.
Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka
amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
2 Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao
fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay
nonenanao.
3 Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny
voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia
simban'ny fahavalo avokoa.
4 Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao;
nanangana ny sainany ho famantarana izy.
5 Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky
hijinja ny ala mikitroka;
6 Ary amin'izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia
asiany ny famaky sy ny kanonta.
7 Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin'ny afo izy;
nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany* ny fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny
hatramin'ny tany]
8 Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa
izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra
izy.
9 Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony
ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan'izao.
10 Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny
mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
11 Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao
ankavanana, Hianao? mampialà azy amin'ny tratranao, ka mandringàna.
*
12 Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay;
manao famonjena eny amin'ny tany Izy.
13 Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa
namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.
14 Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy
hohanin'izay firenena any an-efitra.
15 Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony;
Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16 Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny
fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
17 Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny
fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
*
18 Tsarovy izao: Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary
ny olona adala manamavo ny anaranao.
19 Aza manolotra ny ain'ny voromailalanao ho an'ny
bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.
20 Hevero ny fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny
fitoera-maizina amin'ny tany.
21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny
ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
*
22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy
ny fanaratsian'ny adala Anao isan'andro.
23 Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny
mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
Au chef de musique. Al-Tashkheth*. Psaume d’Asaph. Cantique.
1 [Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny
fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa.
Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa
akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
*
2 Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no
hitsara marina.
3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa
Izaho no nanorina ny andriny.
*
4 Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha*, ary
tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza
manao adala]
5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny
sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy
any atsimo, ny fisandratana*.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no
ihavian'ny fitsarana]
7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray
Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8 Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay
mandroatra* miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy
rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
*
9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza
an'Andriamanitr'i Jakoba.
10 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa
ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
Au chef de musique. Sur Neguinoth*.
Psaume d’Asaph. Cantique.
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny nisehoan'ny
fitsarany marina] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo
nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza
eo amin'ny Isiraely ny anarany;
2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any
Ziona ny fonenany.
3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka
manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
*
4 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra
miseho avy any amin*'ny tendrombohitra fitohàna.[Na: noho]
5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony
izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tànany avokoa ny olo-mahery
rehetra.[Heb. nahita]
6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i
Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
7 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona
eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao
fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny
mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
*
10 Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny
fahatezerana sisa dia isikinanao.
11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah
Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho
an'Izay mahatahotra.
12 Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady
tahotry ny mpanjakan'ny tany.
Au chef de musique. Sur Jeduthun. D’Asaph. Psaume.
1 [Fahatsiarovana ny amin'ny taon-dasa ho enti-mampionona
ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo
nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny,
ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
2 Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny
tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
3 Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento;
te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
*
4 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy
mahateny.
5 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
6 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho;
te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
7 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka
intsony va Izy?
8 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa
tapitra mandrakizay va ny teniny?
*
9 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa
nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny
niovan*'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
11 Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro
ny fahagagana nataonao fony taloha;
12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny
nataonao.
*
13 Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina* ny lalanao;
iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa
nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
15 Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i
Jakoba sy Josefa.
16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be
nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny
lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio*;
nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny
tany.[Na: dia nikodiadia]
19 Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao
dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
20 Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao
toy ny ondry.
Pour instruire. D’Asaph.
1 [Famaranana nalaina tamin'ny tantaran'ny Isiraely
hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny
lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
2 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny
saro-pantarina fony taloha aho.
3 Izay efa rentsika sy fantatsika,ary
nambaran'ny razantsika tamintsika,
4 Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa
hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary
ny fahagagana izay efa nataony.
*
5 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i
Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny
razantsika, hampahafantariny ny zanany;
6 Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy -
dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
7 Mba hametraka ny fanantenany
amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
8 Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka
maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy
marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
*
9 Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka
hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
10 Tsy nitandrina ny fanekena
amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
11 Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay
nampahitàny azy.
*
12 Teo anatrehan'ny razany no nanaovany
fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.
13 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra
azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
14 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo
mahazava nony alina.
15 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy
nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
16 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato
Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
*
17 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka
nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
18 Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy,
tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
19 Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao
hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
20 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny
rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony
va Izy?
*
21 Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary
nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
22 Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy
natoky ny famonjeny.
23 Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny
varavaran'ny lanitra no novohàny,
24 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary
varin'ny lanitra no nomeny azy.
25 Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany
hanina hahavoky azy izy.
*
26 Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny
lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
27 Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy
sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
28 Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina
ny fitoerany.
29 Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary
izay nilainy dia nomeny azy.
30 Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary
mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
31 Dia nirehitra taminy ny
fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany
ny zatovolahin'ny Isiraely.
*
32 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola
nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
33 Dia nampahalevona ny androny toy ny
fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.
34 Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala
an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
35 Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny,
ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
36 Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany
no nandaingàny taminy.
37 Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy
nitana ny fanekeny izy.
38 Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia
mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy
nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
39 Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay
mandalo ka tsy miverina intsony.
*
40 Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany
an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana!
41 Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka
nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
42 Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay
nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
43 Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy
fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
44 Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny
reniranony tsy azony nisotroana.
45 Nandefa lalitra betsaka* hamely azy Izy, ka
nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
46 Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny
sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
47 Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy,
ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
48 Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny
havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra.
49 Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy
Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany
mitondra loza.
50 Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy,
ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho
lanin'ny areti-mandringana;
51 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta
Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
52 Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry
Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
53 Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba
natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina.
54 Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny
fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana.
55 Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy,
ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra
ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
*
56 Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo
Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
57 Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny
razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
58 Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy,
sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra.
59 Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka
nolaviny mihitsy ny Isiraely,
60 Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay
izay naoriny teo amin'ny olona;
61 Dia natolony ho babo ny heriny ary ny
voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
62 Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy;
ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.
63 Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny
zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
64 Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny
mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
*
65 Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy
natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay.
66 Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka
nahafa-baraka azy mandrakizay.
67 Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny
firenen'i Efraima tsy nofidiny.
68 Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny
tendrombohitra Ziona izay tiany.
69 Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny
havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
70 Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka
azy avy tany am-balan'ondry;
71 Tany amin'ny fiandrasany ny ondry
ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
72 Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony
izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
Psaume d’Asaph.
1 [Fifonana noho ny faharavana nataon'ny
fahavalo] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny
jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho
korontam-bato.
2 Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny
voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;
3 Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema
tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
4 Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso
sy fanakoran'izay manodidina anay.
*
5 Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo
Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
6 Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala
Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
7 Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady
nandrava ny fonenany.
8 Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay;
aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena
anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny
helokay, noho ny anaranao.
10 Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay
Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny
ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
11 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny
mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny
fahafatesana.
12 Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny
mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.
13 Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia
hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny
fideràna Anao.
Au chef de musique. Sur Shoshannim*. Témoignage d’Asaph. Psaume.
1 [Fivavahana ho an'ny Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho
an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny
Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao,
Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
2 Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary
Manase, ka avia hamonjy anay.
3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny
Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
*
4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no
hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao* ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza
ny olonao]
5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary
mampisotro azy ranomaso tovozina.
6 Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay
izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka
ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
*
8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka
ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka
nameno ny tany.
10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny
sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo*.[Heb: sederan'Andriamanitra]
11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina
izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony*.[Eofrata]
12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay
rehetra mandalo eny an-dalana izy?
13 Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay
bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any
an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
15 Arovy* izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny
zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny
fananaran'ny tavanao izy.
*
17 Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao
ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay,
dia hiantso ny anaranao.
19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;
ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
Au chef de musique. Sur Guitthith*.
D’Asaph.
1 [Fiantsoana ny Isiraelita hifaly amin'Andriamanitra
noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova
feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
2 Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary
tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
3 Tsofy ny anjomara amin'ny volana; eny, amin'ny
feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
4 Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary
fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
5 Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany,
raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
*
6 Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy
nitondra sobiky ny tànany.
7 Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy
anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha
toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
8 Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie
hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
9 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka
amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.
10 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao
niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
11 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy
nankato Ahy;
12 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy,
handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
*
13 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny
lalako ny Isiraely;
14 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka
hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
15 Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy,
ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;
16 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra
Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.
Psaume d’Asaph.
1 [Ny fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara
etỳ an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra
dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no
itsarany.
*
2 Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka
ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
3 Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny
ny ory sy ny malahelo;
4 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny
tanan'ny ratsy fanahy izy.
*
5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny
maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.
6 Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo
Indrindra ianareo rehetra;
7 Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy
ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.
*
8 Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao
no handova ny firenena rehetra.
Cantique. Psaume d’Asaph.
1 [Fitarainana noho ny nikambanan'ny firenena maro hamely
ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina;
aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
2 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay
mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3 Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary
miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho
firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena
hanohitra Anao,
6 Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy
ny Hagarita,
7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny
Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
8 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny
taranak'i Lota ireo.
*
9 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy
Jabina teo amin'ny ony Kisona;
10 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany
izy.
11 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka
azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
12 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika
ny fonenan'Andriamanitra.
13 Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio
ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
14 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny
lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy
amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
16 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny
anaranao, Jehovah ô.
17 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra
mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
18 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany,
Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
*
Au chef de musique. Sur Guitthith. Des fils de Coré. Psaume.
1 [Alahelo ny tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy
hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny
tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
2 Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny
fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.
3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina
mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah,
Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao
mandrakariva izy.
*
5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony
ny lalana;
6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka* izy, Dia ataony
misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka =
Fitomaniana]
7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo
anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
*
8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako;
mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.
9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny
tavan'ny voahosotrao.
10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny
arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra,
toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.
11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra;
fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay
mandeha amin'ny fahitsiana izy.
*
12 Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky
Anao.
Au chef de musique. Des fils de Coré. Psaume.
1 [Fangatahana mba hampodin'Andriamanitra indray ny
fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita.
Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy
tamin'ny fahababoany.
2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany
rehetra.
3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary
niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao
hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny
olonao aminao?
7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay
ny famonjenao.
*
8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa
hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy
hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba
hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.
10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka
ny rariny sy ny fihavanana.
11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary
ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny
tanintsika hahavoka-javatra.
13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra
hanaraka ny diany eny an-dalana.
Prière de David.
1 [Vavaka nataon'ny mpanompon'Andriamanitra,
fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao,
Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho;
Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako
mandrakariva.
4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo
ô, no ananganako ny fanahiko.
5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be
famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
*
6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny
fifonako.
7 Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly
ahy Hianao.
8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra;
Ary tsy misy tahaka ny asanao.
9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo
anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery
ihany no Andriamanitra.
*
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha
amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
12 Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro
Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao
ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ambany indrindra.[Heb. Shoela]
*
14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra
ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo
anatrehany Hianao.
15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy
miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny
mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay
mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona
ahy.
Des fils de Coré. Psaume. Cantique.
1 [Ny tanànan'i Jehovah, izay hahaterahan'ny firenena
maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i
Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
2 Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho
ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
*
3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
4 Hanonona an-dRahaba* sy Babylona Aho ho isan'izay
mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka
teo.[Na: Egypta]
5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka
teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no
efa teraka teo.
7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia
ao aminao.
Cantique. Psaume. Pour les fils de Coré. Au chef de
musique, sur Mahalath-Leannoth*. Pour
instruire. D’Héman, l’Ezrakhite.
1 [Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa
foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy
hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô,
Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;
2 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano
amin'ny fitarainako ny sofinao;
3 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko
manakaiky ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
4 Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho
Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
5 Efa nafoy ho any amin'ny maty aho*, Tahaka
izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry
ny tananao.[Na: Ny fandriako dia any amin'ny maty]
6 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany
indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.
7 Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao
rehetra azeranao amiko.
8 Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra
ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy
afa-mivoaka.
9 Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana;
Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
*
10 Haneho fahagagana amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa
va no hitsangana hidera Anao?
11 Hotorina any am-pasana va ny
famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?
12 Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny
fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?
13 Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako,
Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
14 Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko
Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
15 Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny
fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
16 Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny
fampitahoranao aho;
17 Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny;
Miara-manodidina ahy izy.
18 Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny
sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
Instruction d’Éthan, l’Ezrakhite.
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany,
indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita.
Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara
mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.
2 Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny
fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
*
3 Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa
nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
4 Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka
hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô,
Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza
amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny
fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka
Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
9 Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja
ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono;
Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao
sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny
anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny
tananao ankavanana.
14 Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza
fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
*
15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah
ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny
fahamarinanao no hisandratany.
17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny
fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
18 Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny
Isiraely ny mpanjakanay*.
*
19 Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny
fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny
anankiray voafidy* tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy]
20 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko
masina no nanosorako azy;
21 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no
hampahery azy.
22 Tsy hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy
hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]
23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny
tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba
azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
25 Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina
Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao,
Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa,
Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy
mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho,
Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy
mandeha araka ny fitsipiko,
31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana,
Ary ny didiko no tsy tandremany,
32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary
kapoka ny helony.
33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy,
Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny
nolazain'ny molotro tsy hovako.
35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako
tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny
seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana
izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona
any an-danitra dia marina]
*
38 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa
tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
39 Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny
mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka
narianao teny an-tany.
40 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa
nosimbanao ny fiarovany mafy.
41 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia
manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
42 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny
rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
43 Efa nampihemotra* ny lelan'ny sabany Hianao
Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.[Na: nampilefitra]
44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka
nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45 Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany
Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery
mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47 Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy
ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
48 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa
hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita*? [Heb. Sheola]
49 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay
nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
50 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny
tratrako vesaran'ny firenena rehetra*,
51 Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny
nandatsany ny dian'ny voahosotrao.
52 Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
Prière de Moïse, homme de Dieu.
1 [BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina
amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny
fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô,
efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
*
2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny
tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha
indrindra ka mandrakizay.
3 Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka* Hianao Ka manao
hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana]
4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny
omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy;
Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
6 Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova*; Amin'ny
hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny
kolokolon'ahitra izy]
*
7 Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra
noho ny fahaviniranao.
8 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny
fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
9 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao;
Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
10 Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny
mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny,
Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
11 Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny
fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
12 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo
hendry.
*
13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana?
Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
14 Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba
hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.
15 Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy
ny taona nahitanay loza.
16 Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny
voninahitrao amin'ny zanany.
17 Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo
Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny
tananay, ampitoero izy.
1 [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia
manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny
Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
*
2 Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery
fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
*
3 Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy
ny areti-mandoza.
4 Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny
elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny
zana-tsipìka manidina nony andro,
6 Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny
fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.
7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo
an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
8 Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny
hamaliana ny ratsy fanahy.
*
9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko,
Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina
hanakaiky ny lainao.
11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba
hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
12 Eny an-tànany no hitondran'ireo anao,
Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny
liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
*
14 Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia
hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny
anarako izy
15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo
aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko
azy ny famonjeko.
Psaume. Cantique pour le jour du sabbat.
1 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny
fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny
hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny
fahamarinanao nony alina,
3 Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.
4 Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny
asan'ny tananao no hihobiako.
*
5 Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina
indrindra ny fisainanao.
6 Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy
mba mahalala.
7 Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary
mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
8 Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
9 Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo,
ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
10 Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny
ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
11 Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary
finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely
ahy.
12 Ny marina hamololona tahaka ny rofia*; Hisandrahaka**
tahaka ny sedera any Libanona izy; [*palma][**Heb. Ho tonga lehibe]
13 Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo
an-kianjan'Andriamanitsika;
14 Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza;
Dofodofotra sy maitso izy,
15 Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy
misy tsiny.
*
1 [Ny fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka
mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao
rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny
fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny
riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra
noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.
5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra;
Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
1 [Fitarainana amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny
lozabe] Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny
natao, ô, mamirapirata.
2 Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny
mpiavonavona.
*
3 Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô,
Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
4 Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny
mpanao ratsy rehetra.
5 Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao
ampahoriny;
6 Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny
kamboty dia matiny
7 Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy
mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
*
8 Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala,
rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
9 Ny Mpanao* ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny
maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
10 Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia
Izay mampianatra fahalalana ny olona?
11 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana
izany.
*
12 Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady
ampianarinao avy amin'ny lalanao,
13 Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy,
Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
14 Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy
hafoiny.
15 Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary
hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
*
16 Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza
no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
17 Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky
nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.
18 Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny
famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
19 Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny
fanahiko ny fampiononanao.
20 Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay
misaina fampahoriana manohitra ny lalàna*? [Na: Izay misaina fampahoriana araka
ny lalàny]
*
21 Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka
manameloka ny rà marina.
22 Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy
fialofako Andriamanitro.
23 Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho
ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
1 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny
teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana
ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
2 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka
hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe
ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy
ny tendrombohitra avo.
5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany
maina dia noforonin'ny tànany.
*
6 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika
handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;
7 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry
tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
8 Aza* manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy
tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny
feony ianareo, dia aza]
9 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra
Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
10 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany
taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala
ny lalako;
11 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy
hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
1 [Hira fifaliana noho ny hihavian'ny
fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i
Jehovah ry tany rehetra.
2 Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao
isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
3 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any
amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
*
4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady
mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.
5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa
Jehovah no nanao ny lanitra.
6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy
fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.
7 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza
voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
8 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany;
Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
9 Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana
masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
10 Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka;
Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny
fahamarinana Izy.
*
11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka
hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia
hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala
13 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara
ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena
amin'ny fahamarinany.
1 [Ny fisehoan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay
maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon'Andriamanitra kosa] Jehovah no
Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
*
2 Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy
fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
3 Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony
manodidina.
4 Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny
tany ka mihorohoro.
5 Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo
anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
6 Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena
rehetra mahita ny voninahiny.
7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra
voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo
anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i
Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
9 Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany
rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.
*
10 Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy;
Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy
fanahy.
11 Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny
fifafiana ho an'ny mahitsy fo.
*
12 Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny
anarany masina*.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
Psaume.
1 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny nanehoany ny
famonjeny sy ny fahamarinany] Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah;
Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no
nahavitany famonjena.
2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny
jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany
tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny
vazan-tany rehetra.
*
4 Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny
hoby, ka mihirà.
5 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny
lokanga sy ny feo fihirana,
6 Amin'ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka
mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.
7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao
aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
8 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy
koa ny tendrombohitra
9 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy;
Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny
fahitsiana.
1 [Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny
fahalehibiazany sy ny fahamarinany] Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny
firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena
rehetra Izy.
3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa
masina Jehovah.
4 Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny
fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba.
*
5 Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka
miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy.
6 Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela
tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
7 Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy;
Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
8 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony;
Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
*
9 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo
an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.
Psaume d’action de grâces.
1 [Fiantsoana izao tontolo izao hanompo an'i Jehovah]
Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra.
2 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo
anatrehany amin'ny fihobiana.
3 Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no
nanao antsika, ary Azy isika*, Dia olony sy ondry fiandriny.[Na: fa tsy isika]
4 Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo
an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,
5 Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary
mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
*
Psaume de David.
1 [Fikasan'ny mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny
fanjakany] Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko;
Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
*
2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga
atỳ amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko
aho.
3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho;
Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy
aho,[Heb. hahalala]
5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia
hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba
hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.
7 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao
fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.
8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny
tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
Prière de l’affligé, quand il est accablé et répand
sa plainte devant l’Éternel.
1 [Fitarainan'ny mpanompon'Andriamanitra noho ny
fahoriana nahazo azy sy ny naharavan'i Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka
izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny
fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
2 Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako;
Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
*
3 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay
tahaka ny forohana.
4 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa
hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5 Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny
hoditro.
6 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka
ny vorondolo any an-tanànaolo.
7 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity
irery eo an-tampontrano.
8 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka
amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra
nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa
naingainao aho, kanefa natontanao indray.
*
11 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa
malazo tahaka ny ahitra aho.
12 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay;
Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
13 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa
andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny
vovo-taniny izy.
15 Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny
mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
*
16 Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny
voninahiny Izy;
17 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva
ny fivavany.
18 Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay
firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
19 Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany
masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20 Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy
hanafaka izay voatendry ho faty*, [Heb. zanaky ny fahafatesana]
21 Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah,
Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana
maro hanompo an'i Jehovah.
*
23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana
Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy
an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
*
25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary
asan'ny tananao ny lanitra.
26 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy
rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana
izy;
27 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho
tapitra.
28 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay*, Ary ny
taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]
*
De David.
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny
famindram-pony] Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay
rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
2 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy
hadinoinao ny fitahiany rehetra,
3 Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny
aretinao rehetra,
4 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay
manarona famindram-po sy fiantrana anao,
5 Izay mahavoky soa ny vavanao*; Ny fahatanoranao mody
indray toy ny an'ny voromahery**.[*Na: fanahinao, na fahanteranao][**Na: ho toy
ny voromahery]
*
6 Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay
rehetra ampahorina.
7 Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy;
Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
8 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be
famindram-po.
9 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry
fahatezerana mandrakizay.
10 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na
mamaly antsika araka ny helotsika.
11 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No
haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No
halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
*
13 Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i
Jehovah izay matahotra Azy;
14 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka
isika.
15 Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka
ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
16 Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala
azy intsony ny fitoerany.
17 Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra
amin'ny taranaka.
18 Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro
hankatò ny didiny.
*
19 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any
an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
20 Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo
izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
21 Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny
mpanompony izay manao ny sitrapony.
22 Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny
fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
1 [Fiderana an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao
rehetra izao] Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô,
lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
2 Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny
lanitra tahaka ny lay,
3 Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny
rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny
rivotra,
4 Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho
mpanompony*.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny mpanompony ho lelafo]
*
5 Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy
hihetseha-ny mandrakizay doria.
6 Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba;
Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7 Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny
tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy
8 Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho
any amin'izay namboarinao hitoerany.
9 Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina
hanarona ny tany.
10 Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny
anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
11 Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny
boriki-dia ny hetahetany;
12 Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo
amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13 Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony
Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
*
14 Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana
hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.
15 Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo
ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.
16 Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona,
izay namboleny;
17 Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano,
dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.
18 Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny
harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
*
19 Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro
mahalala ny filentehany.
20 Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka
mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
21 Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny
haniny avy amin'Andriamanitra.
22 Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao
an-davany no amitsahany.
23 Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy
ny asany mandra-paharivan'ny andro.
*
24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no
nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao]
*
25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no
misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay
noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao]
27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao
ny haniny amin'ny fotoany.
28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao
Hianao, dia voky ny soa izy;
29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy;
Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao
ny tarehin'ny tany Hianao.
*
31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka
Jehovah hifaly amin'ny asany.
32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny
tendrombohitra, dia midonaka.
33 Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa;
Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
34 Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly
amin'i Jehovah.
35 Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny
mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry
fanahiko. Haleloia.
*
1 [Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny asany
mahagaga tamin'ny nitondrany ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta] Miderà an'i
Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana
rehetra ataony.
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly
ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
*
4 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho
mandrakariva ny tavany.
5 Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy
ny fitsaran'ny vavany,
6 Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo
olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany
rehetra ny fitsarany.
*
8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny
izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
9 Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany
tamin'Isaka;
10 Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena
mandrakizay ho an'Isiraely,
11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho
lovanareo voazara amin'ny famolaina,
12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
13 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy
nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra
mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy
ireo mpaminaniko.
16 Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny
avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
17 Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho
andevo;
18 Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy
izy.
19 Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny;
Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
20 Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny
vahoaka, mba handefa azy.
21 Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny
fananany rehetra,
22 Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy
hampianatra fahendrena ny loholony.
*
23 Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany
amin'ny tanin'i Hama.
24 Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy
ka nampahery azy noho ny fahavalony.
25 Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy
hihendry ny mpanompony.
26 Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny
Izy.
27 Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy
fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
28 Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny
teniny izy ireo.
29 Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny
hazandranony.
30 Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao
an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
31 Niteny Izy, dia to