[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1 Tantara
Accès direct aux chapitres de 1 Chroniques : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29
1 [Filaharan'ny firazanana hatramin'i Adama ka hatramin'i
Abrahama] Adama, Seta, Enosy,
2 Kenana, Mahalalila, Jareda,
3 Enoka, Metosela, Lameka,
4 Noa, Sema, Hama ary Jafeta.
5 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday
sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.
6 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary
Togarma.
7 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy
ny Kitima ary ny Dodanita.
8 Ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary
Kanana.
9 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta
sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
10 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay
tonga olona mahery teo ambonin'ny tany.
11 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny
Lehabita sy ny Naftohita
12 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian'ny
Filistina) ary ny Kaftorita.
13 Ary Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta
14 ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny
Girgasita
15 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
16 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita.
17 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy
Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka.
18 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela
niteraka an'i Ebera.
19 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny
iray natao hoe Palega*, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary
Joktana no anaran'ny rahalahiny.[Palega = Fizarana]
20 Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa
sy Hazarmaveta sy Jera
21 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
22 sy Ebala sy Abimaela sy Sheba
23 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra
ireo no zanakalahin'i Joktana.
24 Sema, Arpaksada, Sela,
25 Ebera, Palega, Reo,
26 Seroga, Nahora, Tera,
27 Abrama (dia Abrahama izany).
28 [Ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Esao sy Jakoba] Ny
zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.
29 Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia
Kedara sy Abdela sy Mibsama
30 sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema
31 sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no
zanakalahin'Isimaela.
32 Ary ny zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i
Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy
Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i Joksana dia Sheba sy Dedana.
33 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy
Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora.
34 Ary Abrahama niteraka an'Isaka. Ny
zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely.
35 Ny zanakalahin'i Esao dia Elifaza sy Regoela
sy Jeosy sy Jalama ary Kora.
36 Ny zanak'i Elifaza dia Temana sy Omara sy
Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.
37 Ny zanakalahin'i Regoela dia Nahata sy Zera
sy Sama ary Miza.
38 Ary ny zanakalahin'i Seira dia Lotana sy
Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.
39 Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy
Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana.
40 Ary ny zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy
Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i
Zibona dia Aia sy Ana.
41 Ary ny zanakalahin'i Ana dia Disona. Ary ny
zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.
42 Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary
Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy Arana.
43 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany
Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: Bela,
zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
44 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba,
zanak'i Zera, avy any Bozra.
45 Ary maty Jobaba, dia nanjaka
nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.
46 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada,
zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no
anaran'ny tanànany.
47 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy
Samla avy any Masreka.
48 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy
Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.
49 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy
Bala-hanana, zanak'i Akbora.
50 Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby
azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia
Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
51 Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen'i
Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,
52 Oholibama loham-pireneny, Elaha
loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,
53 Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara
loham-pireneny,
54 Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no
loham-pirenen'i Edoma.
1 [Ny amin'ny zanakalahin'Isiraely, sy ny taranak'i Joda,
ary ny fonenany] Izao no zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy
Joda sy Isakara sy Zebolona
2 sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy
Gada ary Asera.
*
3 Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo
telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i
Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
4 Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera
taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra.
5 Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
6 Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana
sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
7 Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza
tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona*.[Heb;
natao herema]
8 Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.
9 Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela
sy Rama ary Kelobay;
10 ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba
niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;
11 ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka
an'i Boaza;
12 ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i
Jese;
13 ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy
Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
14 sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
15 sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
16 Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny
zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
17 ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita
no rain'i Amasa.
18 Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i
Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba
ary Ardona.
19 Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho
vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;
20 ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka
an'i Bezalila.
21 Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny
zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy,
dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;
22 ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana
tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada.
23 Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny
Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia
tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i
Gileada.
24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata,
Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.
25 Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i
Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
26 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no
renin'i Onama.
27 Ary ny zanakalahin'i Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia
Maza sy Jamina ary Ekera.
28 Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora.
29 Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia
Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.
30 Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa
maty momba Saleda.
31 Ary ny zanakalahin'i Apaima dia Jisy Ary ny
zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i Sesana dia Ahelay.
32 Ary ny zanakalahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia
Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
33 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo
no zanakalahin'i Jeramela.
34 Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary
Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.
35 Ary ny zananivavy nomen'i Sesana ho vadin'i Jara
mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy.
36 Ary Atahy niteraka an'i Natana; ary Natana niteraka
an'i Zabada;
37 ary Zabada niteraka an'i Efiala; ary Efiala niteraka
an'i Obeda;
38 ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i
Azaria;
39 ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka
an'i Elasa;
40 ary Elasa niteraka an'i Sismay; ary Sismay
niteraka an'i Saloma;
41 ary Saloma niteraka an'i Jekamia; ary
Jekamia niteraka an'i Elisama.
42 Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i
Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i
Maresa, razamben'ny any Hebrona.
43 Ary ny zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy
Tapoa sy Rakema ary Sema.
44 Ary Sema niteraka an'i Rahama, rain'i
Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay;
45 ary ny zanakalahin'i Samay dia Maona, ary
Maona no razamben'ny any Beti-zora;
46 ary Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka
an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an'i Gazeza.
47 Ary ny zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy
Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
48 Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy
Tirana.
49 Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana,
sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny
zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.
50 Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora,
lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima,
51 Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa,
razamben'ny any Beti-gadera.
52 Ary Sobala, razamben'ny any Kiriata Zarima,
nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
53 ary ny fokon'i Kiriata-Jearima koa, dia ny
Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin'ireo no
nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita.
54 Ny zanakalahin'i Salma dia Betlehema sy ny
Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraita
55 ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany
Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no
Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.
*
1 [Ny taranak'i Davida] Ary izao no zanakalahin'i Davida,
izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa;
ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
2 Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay,
mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra;
3 Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama,
zanak'i Egla vadiny, no fahenina.
4 Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no
nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo
amby telo-polo taona.
5 Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba
sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i
Amiela)
6 sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
7 sy Noga sy Nafega sy Jafia
8 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
9 Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny
zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo.
10 Ary ny zanakalahin'i Solomona dia Rehoboama, Abia no
zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i Abia, Josafata no zanakalahin'i
Asa,
11 Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no
zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia,
12 Amazia no zanakalahin'i Joasy, Azaria no
zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
13 Ahaza no zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i
Ahaza, Manase no zanakalahin'i Hezetia,
14 Amona no zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i
Amona.
15 Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa,
Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
16 Ary ny zanakalahin'i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia
no zanak'i Jekonia.
17 Ary ny zanakalahin'Jekonia dia Asira*, Sealtiela no zanak'i
Asira,[Na: Jekonia mpifatotra]
18 ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy
Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
19 Ary ny zanakalahin'i Pedaia dia Zerobabela sy simey.
Ary ny zanakalahin'i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita,
anabaviny,
20 ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia
ary Josaba-heseda; dimy izy.
21 Ary ny zanakalahin'i Hanania dia Pelatia sy
Jisaia sy ny zanakalahin'i Rafaia sy ny zanakalahin'i Arnana sy ny
zanakalahin'i Obadia ary ny zanakalahin'i Sekania.
22 Ary ny zanakalahin'i Sekania dia Semaia. Ary ny
zanakalahin'i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina
izy.
23 Ary ny zanakalahin'i Nearia dia Elioenay sy Hezekia
ary Azrikama; telo izy.
24 Ary ny zanakalahin'i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba
sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.
*
1 [Ny amin'ny taranak'i Joda sisa] Ny zanakalahin'i Joda
dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
2 Ary Reaia, zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata;
ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.
3 Ary izao no avy amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma
ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran'ny anabaviny,
4 ary Penoela, rain'i Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo
no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata, razamben'ny any Betlehema.
5 Ary Asora, razamben'ny any Tekoa, namporafy,
dia Hela sy Nara.
6 Ary Nara niteraka an'i Ahozama sy Hafera sy
Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.
7 Ary ny zanakalahin'i Hela dia Zareta sy
Jizara ary Etnana.
8 Ary Hakoza niteraka an'i Anoba sy Zobeba ary
ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.
9 Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary
ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
10 Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny
Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny
fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy
hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny.
11 Ary Keloba, rahalahin'i Soha, niteraka an'i
Mehira, rain'i Estona;
12 ary Estona niteraka an'i Betirafa sy Pasea
ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
13 Ary ny zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy
Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia Hatata.
14 Ary Meonotahy niteraka an'i Ofra; ary Seraia
niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
15 Ary ny zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i
Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin'i Elaha dia Kenaza.
16 Ary ny zanakalahin'i Jehalalila dia Zifa sy
Zifaha sy Tiria ary Asarela.
17 Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy
Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba,
razamben'ny any Estemoa.
18 Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda,
razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela,
razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay
novadin'i Mareda.
19 Ary ny zanakalahin'i Hodia vadiny, izay
anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
20 Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy
Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
21 Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era,
rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy
madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;
22 ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy
Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany
zavatra izany.
23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy
Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany.
*
24 [Ny taranak'i Simeona sy ny fonenany] Ny zanakalahin'i
Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
25 dia Saloma no zanakalahin'i Saoly, Mibsama no
zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i Mibsama.
26 Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no
zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.
27 Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy
enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny
taranak'i Joda ny fokony rehetra.
28 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy
Hazara-soala
29 sy Bila sy Ezema sy Tolada
30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary
Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.
32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy
Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany
tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana
manokana izy.
34 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,
35 ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia,
zanak'i Asiela,
36 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela
sy Jesimiela sy Benaia
37 sy Ziza, zanak'i Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia,
zanak'i Simry, zanak'i Semaia;
38 ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin'ny
fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
39 Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia
hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny
aman'osiny.
40 Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka
ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak'i Hama no nonina tany taloha.
41 Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao
tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana*
hitany tao sy nandringana** azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo
azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.[*Na: sy ny
Meonita][**Heb. nanao azy ho herema]
42 Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i
Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia
sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.
43 Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka
dia monina ao mandraka androany.
*
1 [Ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny
firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no
lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany
ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny
fitantaram-pirazanana ireo;
2 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no
nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),
3 ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia
Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
4 Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no
zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
5 Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i
Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,
6 Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i
Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.
7 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny
firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
8 ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela,
izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
9 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka
hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny
tany Gileada.
10 Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny
Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana
rehetra amin'i Gileada* izy.[Na: tany antsinanan'i Gileada]
*
11 Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny
tany Basana hatrany Saleka;
12 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay
sy Safata tany Basana.
13 Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia
Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
14 Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i
Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i
Boza;
15 Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny
fianakaviany.
16 Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny
zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany
tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama,
mpanjakan'ny Isiraely.
18 Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny
firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy
sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby
fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
19 Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy
Nafisy ary Nodaba izy.
20 Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo
an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina
tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny
fahatokiany Azy.
21 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy
ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray
hetsy;
22 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy
tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny
namaboana azy kosa.
*
23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia
nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona
sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.
24 Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy
Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary
malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.
25 Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa
nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay
naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola,
mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia
nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka
nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka
androany.
27 [Ny taranak'i Levy] Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona
sy Kehata ary Merary.
28 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy
Hebrona ary Oziela.
29 Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama.
Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
30 Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka
an'i Abisoa;
31 ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky
niteraka an'i Ozy;
32 ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia
niteraka an'i Meraiota;
33 ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka
an'i Ahitoba;
34 ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka
an'i Ahimaza;
35 ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka
an'i Johanana;
36 ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao
fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema);
37 ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka
an'i Ahitoba;
38 ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka
an'i Saloma;
39 ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka
an'i Azaria;
40 ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka
an'i Jozadaka;
41 ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i
Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
*
1 Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
2 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona: Libny sy
Semey.
3 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy
Hebrona ary Oziela.
4 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ary
izao no fokon'ny Levita araka ny rainy:
5 Avy amin'i Gersona: Libny no zanak'i Gersona, Jahata no
zanak'i Libny, Zima no zanak'i Jahata,
6 Joa no zanak'i Zima, Ido no zanak'i Joa, Zera no
zanak'Ido, Jeateray zanak'i Zera.
7 Ny zanakalahin'i Kehata dia Aminadaba, Kora no
zanakalahin'i Aminadaba, Asira no zakalahin'i Kora,
8 Elkana no zanakalahin'i Asira, Ebiasafa no zanakalahin'i
Elkana, Asira no zanakalahin'i Ebiasafa,
9 Tahata no zanakalahin'i Asira, Oriela no zanakalahin'i
Tahata, Ozia no zanakalahin'i Oriela, ary Saoly no zanakalahin'i Ozia.
10 Ary ny zakalahin'i Elkana dia Amasay sy Ahimota.
11 Ny amin'i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata
no zanakalahin'i Zofay,
12 Eliaba no zanakalahin'i Nahata, Jerohama no
zanakalahin'i Eliaba, Elkana no zanakalahin'i Jerohama.
13 Ary ny zanakalahin'i Samoela dia Vasny lahimatoa sy
Abia*.[Na: (Jozla sy Abia faralahy); izahao and 18 sy 1 Sam. viii.2]
14 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly, Libny no
zanakalahin'i Maly, Semey no zanakalahin'i Libny, Oza no zanakalahin'i Semey,
15 Simea no zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i
Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia.
16 Ary izao no notendren'i Davida ho mpiventy hira tao
amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,
17 ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny
tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i
Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka
ny filaharany avy,
18 dia izao no nanompo mbamin'ny zanany: Tamin'ny
zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i
Samoela,
19 zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Jerohama,
zanakalahin'i Eliala, zanakalahin'i Toa.
20 zanakalahin'i Zofa, zanakalahin'i Elkana,
zanakalahin'i Mahata, zanakalahin'i Amasay,
21 zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Joela,
zanakalahin'i Azaria, zanakalahin'i Zefania,
22 zanakalahin'i Tahata, zanakalahin'i Asira,
zanakalahin'i Ebiasafa, zanakalahin'i Kora,
23 zanakalahin'i Jizara, zanakalahin'i Kehata,
zanakalahin'i Levy, zanak'Isiraely.
24 Ary Asafa rahalahiny, izay nitsangana teo amin'ny
ankavanany, dia Asafa, zanakalahin'i Berekia, zanakalahin'i Simea,
25 zanakalahin'i Mikaela, zanakalahin'i Beseia,
zanakalahin'i Malkia,
26 zanakalahin'i Etny, zanakalahin'i Zera, zanakalahin'i
Adaia,
27 zanakalahin'i Etana, zanakalahin'i Zima, zanakalahin'i
Simey,
28 zanakalahin'i Jahata, zanakalahin'i Gersona, zanakalahin'i
Levy.
29 Ary ny rahalahin'ireo kosa, dia ny zanakalahin'i
Merary, nitsangana teo amin'ny ankaviany: Etana, zanakalahin'i Kisy,
zanakalahin'i Abdia, zanakalahin'i Maloka,
30 zanakalahin'i Hasabia, zanakalahin'i Amazia,
zanakalahin'i Hilkia,
31 zanakalahin'i Amzy, zanakalahin'i Bany, zanakalahin'i
Samera,
32 zanakalahin'i Maly, zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i
Merary, zanakalahin'i Levy.
33 Ary ny Levita rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao
ny fanompoana rehetra ao amin'ny tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra.
34 Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra* teo ambonin'ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana
ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina
indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i
Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.[Heb. nandoro ho fofona]
35 Ary ny zanakalahin'i Arona dia Eleazara, ary Finehasa
no zanakalahin'i Eleazara, Abisoa no zanakalahin'i Finehasa,
36 Boky no zanakalahin'i Abisoa, Ozy no zanakalahin'i
Boky, Zerahia no zanakalahin'i Ozy,
37 Meraiota no zanakalahin'i Zerahia, Amaria no
zanakalahin'i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin'i Amaria,
38 Zadoka no zanakalahin'i Ahitoba, Ahimaza no
zanakalahin'i Zadoka.
39 Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin'ny
zara-taniny avy, dia ny an'ny taranak'i Arona, avy amin'ny fokon'ny Kehatita;
fa azy ny loka:
40 Nomeny azy Hebrona tao amin'ny tanin'ny Joda sy ny
tany manodidina azy.
41 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohiny kosa nomeny
an'i Kaleba, zanak'i Jefone.
42 Ary ny taranak'i Arona nomeny an'i Hebrona, tanàna
fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany
manodidina azy
43 ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary
Debira sy ny tany manodidina azy
44 ary Asana sy ny tany manodidina azy ary
Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;
45 ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia
Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary
Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin'ny folo no isan'ny
tanànan'izy mianakavy rehetra.
46 Ary ny an'ny taranak'i Kehata sisa tamin'ny
fokon'izany firenena izany dia tanàna folo araka ny filokana tamin'ny antsasaky
ny firenen'i Manase.
47 Ary ny an'ny taranak'i Gersona araka ny
fokony dia tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i
Asera sy ny firenen'i Naftaly ary ny firenen'i Manase any Basana.
48 Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka
ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny
firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
49 Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny
Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.
50 Ary nomeny tamin'ny filokana ireto tanàna
tononina ireto avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i
Simeona ary ny firenena taranak'i Benjamina.
51 Fa ny sasany amin'ny fokon'ny taranak'i
Kehata dia nahazo tanàna avy tamin'ny firenen'i Efraima.
52 Ary nomeny azy Sekema, tanàna fiarovana, tao
amin'ny tany havoan'i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany
manodidina azy
53 ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary
Beti-horona sy ny tany manodidina azy
54 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary
Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;
55 ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i
Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina
azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.
56 Ary ny an'ny taranak'i Gersona dia Golana
any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy
tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase;
57 ary ny avy tamin'ny firenen'Isakara dia
Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy
58 ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary
Anema sy ny tany manodidina azy;
59 ary ny avy tamin'ny firenen'i Asera dia Masala
sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
60 ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary
Rehoba sy ny tany manodidina azy;
61 ary ny avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia
Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina
azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.
62 Ary ny an'ny sisa, taranak'i Merary, dia avy
tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy
ny tany manodidina azy;
63 ary any an-dafin'i Jordana, tandrifin'i Jeriko,
atsinanan'i Jordana, koa dia avy tamin'ny firenen'i Robena, dia Bazera any
an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy
64 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary
Mefata sy ny tany manodidina azy;
65 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia
Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina
azy
66 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary
Jazera sy ny tany manodidina azy.
*
1 [Ny taranak'Isakara sy Benjamina sy Naftaly
sy ny antsasaky ny firenen'i Manase sy Efraima ary Asera] Ary ny
zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
2 Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia
sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia
zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby
roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.
3 Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny
zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy;
loholona avokoa izy rehetra ireo.
4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka
ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny
vady aman-janak'ireo.
5 Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara
rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy
dia fito arivo amby valo alina.
*
6 Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary
Jediaela; telo izy.
7 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela
sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy
mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby
roa arivo sy roa alina.
8 Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy
Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo
rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.
9 Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay
samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
10 Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny
zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy
Tarsisy ary Ahisahara
11 Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny
lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny
lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
12 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima,
zanakalahin'i Ahera.
*
13 Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera
sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.
*
14 Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa
ilay Syriana* vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i
Gileada.[Heb. Aramiana]
15 Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny
anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary
Zelofada nanan-janakavavy.
16 Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka
Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny
zananilahy dia Olama sy Rakema.
17 Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no
zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase.
18 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy
Abiezera ary Mahala.
19 Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy
Liky ary Aniama.
*
20 Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no
zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i
Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,
21 Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no
zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao
Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.
22 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny
rahalahiny hampionona azy.
23 Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka
ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy
fahoriana tao an-tranony tamin'izany.
24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i
Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no
zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,
26 Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no
zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.
27 Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i
Nona.
28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny
zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny
zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
29 ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia
Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny
zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa,
zanak'Isiraely.
*
30 Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy
Beria; ary Sera no anabavin'ireo.
31 Ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela,
rain'i Birzavita.
32 Ary Hebera niteraka an'i Jafleta sy Somera sy Hotama;
ary Soha no anabavin'ireo.
33 Ary ny zanakalahin'i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary
Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta.
34 Ary ny zanakalahin'i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy
Hoba ary Arama.
35 Ary ny zanakalahin'i Helema rahalahiny dia Zofa sy
Jimna sy Selesy ary Amala.
36 Ny zanakalahin'i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala
sy Bery sy Jimra
37 sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy
Jitrana ary Bera.
38 Ary ny zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy
Pispa ary Ara.
39 Ary ny zanakalahin'i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
40 Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy
lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny
avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina
no isan'ny azo nalefa hanafika.
*
1 [Ny amin'ny taranak'i Benjamina sy ny firazanan'i
Saoly] Ary Benjamina niteraka an'i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy
Ahara, fahatelo,
2 sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.
3 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda
4 sy Abisoa sy Namana sy Ahoa
5 sy Gera sy Sefofana ary Horama.
6 Ary izao no zanakalahin'i Ehoda (izao no
lohan'ny fianakavian'ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany
Manahata,
7 Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo),
niteraka an'i Oza sy Ahihoda izy.
8 Ary Saharaima niteraka tao amin'ny tany Moaba
taorian'ny nisaorany an'i Hosima sy Bara vadiny.
9 Ary Hodesy vadiny no niterahany an'i Jobaba
sy Ziba sy Mesa sy Malkama
10 sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no
zananilahy, samy lohan'ny fianakaviany avy.
11 Ary Hosima no niterahany an'i Abitoba sy
Elpala.
12 Ary ny zanakalahin'i Elpala dia Ebera sy
Misama ary Samera, izay nanorina an'i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny;
13 Beria koa sy Sema, izay lohan'ny
fianakavian'ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata;
14 ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota
15 sy Zebadia sy Arada sy Adera
16 sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin'i
Beria ireo),
17 ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera
18 sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba
(zanakalahin'i Elpala ireo),
19 ary Jakima sy Zikry sy Zabdy
20 sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala
21 sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin'i
Simey ireo),
22 ary Jispana sy Hebera sy Eliala
23 sy Abdona sy Zikry sy Hanana
24 sy Hanania sy Elama sy Antotia
25 sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin'i Sasaka
ireo),
26 ary Samseray sy Seharia sy Atalia
27 sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin'i
Jerohama ireo).
28 Ireo no lohan'ny fianakaviany araka ny
firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
29 Ary tao Gibeona no nonenan'ny razamben'ny
an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka,
30 ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia
Bala, dia Nadaba,
31 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera.
32 Ary Miklota niteraka an'i Simea. Ireo koa dia
niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
33 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i
Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
34 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala; ary
Meribala niteraka an'i Mika.
35 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy
Tarea ary Ahaza.
36 Ary Ahaza niteraka an'i Joada; ary Joada niteraka an'i
Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;
37 ary Moza niteraka an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i
Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no zanakalahin'i Elasa
38 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no
anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo
rehetra ireo no zanakalahin'i Azela.
39 Ary ny zanakalahin'i Eseka rahalahiny dia Olama,
lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.
40 Ary ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady
mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo
amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i Benjamina.
*
1 [Ny amin'ny mponina tany Jerosalema talohan'ny
namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary,
indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny
Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
2 Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany
avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
3 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny
taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4 dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry,
zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.
5 Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny
zanany.
6 Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny
rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i
Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,
8 sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy,
zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;
9 ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina
amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny
fianakaviany avy.
10 Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy
Jatina
11 sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i
Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,
12 ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i
Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i
Mesilemita, zanak'Imera.
13 Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany
avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny
fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.
14 Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba,
zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,
15 ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i
Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,
16 ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i
Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny
vohitry ny Netotatita.
17 Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy
Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
18 ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny
mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny
taranak'i Levy.
19 Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i
Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny
fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia
mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
20 Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo
taloha, ary Jehovah nomba azy.
21 Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana.
22 Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo
dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany
tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny
fahamarinany.
23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao
amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.
24 Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry
varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25 Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia
nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26 Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy,
lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny
rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.
27 Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany;
fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28 Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny
fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
29 Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny
fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny
diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
30 Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo
ny zava-manitra fanosorana.
31 Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i
Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.
32 Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky
ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
33 Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana
amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano;
fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.
34 Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka
ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
35 [Ny amin'ny fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no
nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;
36 ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia
Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
37 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
38 Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa
niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i
Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
40 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary
Meribala niteraka an'i Mika.
41 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy
Tarea ary Ahaza*.[Izahao viii. 35]
42 Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i
Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;
43 ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i
Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.
44 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no
anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana;
ireo no zanakalahin'i Azela.
*
1 [Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zananilahy] Ary ny
Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny
lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny
faty.
2 Ary ny Filistina nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny
zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i
Saoly.
3 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny
mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4 Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny
sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao
ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra
loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5 Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiana fa maty
Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka maty.
6 Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny
ankohonany rehetra.
7 Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely
teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia
niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina
tao.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo
amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy
niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9 Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny
fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy
hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.
10 Dia napetrany tao an-tranon'ny andriamaniny ny
fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny tempolin'i Dagona ny lohany.
11 Ary nony ren'ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada
izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i
Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny
taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina
hafitoana.
13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah,
dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina
tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra
14 ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia
novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.
*
1 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka handimby an'i
Saoly, sy ny nahazoany an'i Jerosalema] Ary dia nivory teo amin'i Davida tao
Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
2 Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka
aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy
Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary
ianao no ho mpanapaka azy.
3 Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny
loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo
anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy
araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Samoela.
4 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema
(Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5 Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho
tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona
(Tanànan'i Davida izany).
6 Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny
Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no
niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7 Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka
izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida
8 Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo* izy;
ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.[Heb. fiarovana]
9 Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah,
Tompon'ny maro, no nomba azy.
10 [Ny amin'ny lehilahy maherin'i Davida izay niady
hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra
mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka
ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
11 Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida:
Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely
telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha
monja.
12 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo
Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
13 Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory
teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona
nandositra ny Filistina.
14 Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka
nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
15 Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina
nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny
miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
16 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana
tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy
hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny
vavahady.
18 Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny
miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema,
ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety
nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
19 Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra
raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va
aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety
nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
20 Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy
telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka
dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
21 Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra
mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo
lahy teo izy.
22 Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay
tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery* tany
Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana
tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb. lionan'Andriamanitra]
23 Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay
dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka
ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany
izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny
ihany no namonoany azy.
24 Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i
Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25 Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy,
nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny
mpanolo-tsaina azy.
26 Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba,
sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
27 sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
28 sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita
29 sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
30 sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i
Bana Netofatita,
31 sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny
taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32 sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i
Gasy, sy Abiela Arbatita
33 sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
34 sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i
Sage Hararita,
35 sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala,
zanak'i Ora,
36 sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
37 sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,
38 sy Joela, rahalahin'i Natana, sy Mibara, zanak'i
Hagry.
39 sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny
fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
40 sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
41 sy Oria Hetita sy Zabada, zanak'i Ahelay,
42 sy Adina, zanak'i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita,
ary ny namany telo-polo lahy koa,
43 sy Hanana, zanak'i Maka, sy Josafata Mitnita
44 sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama
Aroerita,
45 sy Jediaela, zanak'i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
46 sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak'i
Elnama, sy Jitma Moabita
47 sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.
1 [Ny lehilahy mahery izay nanatona an'i Davida, fony izy
mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy
mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy
amin'ny ady ireo
2 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana
raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly,
ireo.
3 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema
Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
4 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny
telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy
Johanana sy Jozababa Gaderatita
5 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia
Harofita
6 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama
Koraita
7 ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.
8 Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka
hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila
nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny
tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela* eny an-tendrombohitra
izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]
9 Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no
fahatelo,
10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny
folo.
14 Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy
miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra
naharesy arivo.
15 Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany,
fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny
amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany
amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.
17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe:
Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana
isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy
mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy
hamaly izany.
18 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza*, dia
nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry
zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho
an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida
ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]
19 Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i
Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy
izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao
hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.
20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase
nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho
ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.
21 Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny
jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.
22 Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro
isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny
tobin'Andriamanitra.
23 [Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra
izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny
miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra
ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:
24 Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo,
mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
25 Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo,
lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.
26 Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
27 Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato
amby telo arivo teo aminy;
28 ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa
amby roa-polo lahy mpifehy.
29 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo
arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly
ihany.
30 Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa
alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.
31 Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo
arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.
32 Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany,
samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny
Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
33 Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay
niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra
tsara tamin'ny firaisan-kina.
34 Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary
manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona.
35 Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy
roa alina izay nahay niady.
36 Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa
hanafika sady nahay niady.
37 Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy
ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy
nitana fiadiana samy hafa rehetra.
38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra
tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely
rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i
Davida.
39 Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy
nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny
Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky
sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina
sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana
tamin'ny Isiraely.
*
1 [Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy
ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma] Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy
arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
2 Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona:
Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia
andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa
amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay
any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
3 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny
fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.
4 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao
izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.
5 Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora
any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any
Kiriata-jearima.
6 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala
any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra,
Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
7 Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao
an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny
sariety.
8 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka
fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha
sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia
naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.
10 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka
namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo
anatrehan'Andriamanitra izy.
11 Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah
an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** no anaran'izany tany izany mandraka
androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
12 Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany
andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho
atỳ amiko?
13 Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i
Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.
14 Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i
Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny
ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
1 [Ny lapa nataon'i Davida, sy ny anaran'ny zanany] Ary
Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra
hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho
mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely
olony.
3 Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka
zazalahy sy zazavavy.
4 Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema:
Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5 sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
6 sy Noga sy Nafega sy Jafia
7 sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
8 [Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony
ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia
niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia
nivoaka hiady taminy izy.
9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka
teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
10 Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra
hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah
taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
11 Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy
teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka
toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe
Bala-perazima*.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
12 Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia
nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.
13 Ary tonga indray ny Filistina ka
nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
14 Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray
Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia
mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
15 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny
amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa
amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny
Filistina.
16 Ary dia nanao araka izay
nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina
hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
17 Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny
tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
1 [Ny amin'ny nitondrana ny fiara niakatra tany
Jerosalema] Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan'i Davida sady
namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny fiaran'Andriamanitra.
2 Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy
tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no
efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao
fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
3 Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny
Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay
namboariny ho azy.
4 Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita:
5 tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny
rahalahiny roa-polo amby zato;
6 tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny
rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7 tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny
rahalahiny telo-polo amby zato;
8 tamin'ny taranak'i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny
rahalahiny roan-jato;
9 tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny
rahalahiny valo-polo,
10 tamin'ny taranak'i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny
rahalahiny roa ambin'ny folo amby zato.
11 Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona
sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny
Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba
hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay
namboariko ho azy.
13 Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i
Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.
14 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita
hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny
hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah.
16 Ary ireo lehiben'ny Levita dia nasain'i Davida
nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny
lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin'ny fifaliana.
17 Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary
tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary
rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia;
18 ary naman'ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka,
dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy
Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela,
mpiandry varavarana.
19 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina
nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20 Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony
sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin'ny Alamota.
21 Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy
Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika.
22 Ary Kenania, lehiben'ny Levita, no tonian'ny
fitondrana*; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.[Na: ny hira]
23 Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin'ny
fiara.
24 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy
Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra
teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry
varavarana amin'ny fiara.
25 Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy
arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i
Obed-edoma tamin'ny fifaliana.
26 Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja
ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy
fito hatao fanatitra izy.
27 Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary
niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira
sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda
rongony fotsy koa.
28 Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny
trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
29 Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i
Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka
azy tao am-pony izy.
1 Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka
nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra
fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.
2 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny
fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.
3 Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy* ary
ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.[Na: divay
eran'ny kapoaka]
4 [Ny nandaminan'i Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny
salamo natao ho fisaorana an'i Jehovah] Ary ny Levita sasany notendren'i Davida
ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza
sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia
Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma
ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny
kipantsona;
6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny
trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
*
7 Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida
an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.
8 Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro
ny firenena ny asany.
9 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana
rehetra ataony.
10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly
ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
11 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho
mandrakariva ny tavany.
12 Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny
fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
13 Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo
olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
14 Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany
rehetra ny fitsarany.
15 Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny
voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
16 Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny
fianianany tamin'Isaka,
17 Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena
mandrakizay ho an'Isiraely,
18 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho
lovanareo voazara amin'ny famolaina;
19 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny
tao,
20 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy
nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
21 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra
mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
22 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy
Ireo mpaminaniko.
*
23 Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao
isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
24 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any
amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra,
sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
26 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia
tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery
sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
28 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza
voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany;
Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i
Jehovah amin'ny fihaingoana masina
30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra
izao voaorina ka tsy hihetsika.
31 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany;
Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay
rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
33 Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay
ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
34 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa
mandrakizay ny famindram-pony.
35 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry
Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny
jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana
Anao.
36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra
nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.
37 Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i
Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao
mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,
38 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby
enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana
kosa.
39 Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona
rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny
fitoerana avo any Gibeona,
40 hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah
marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana
mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i
Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
41 ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny
sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa
mandrakizay ny famindram-pony.
42 Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy
trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny
zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.
43 Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny
olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
*
1 [Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny
toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida,
raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory
izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah
kosa mitoetra ao anaty lay!
2 Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao
am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
3 Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana
ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
4 Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
5 fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny
nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby*
sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely]
6 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka
tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay
notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano
sedera ho Ahy ianareo?
7 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy
tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
8 Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka
naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka
ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
9 Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady
hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy
intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany
aloha
10 sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho
mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary
ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao*.[Heb. hanao trano ho anao]
11 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny
razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny
terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa
hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra
ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako
mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana
izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
16 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo
anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô?
Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
17 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany,
Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny
mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka
ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
18 Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny
voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
19 Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny
sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo
zavatra lehibe rehetra ireo.
20 Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy
Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.
21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka
ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao
anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy
ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
22 Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay,
ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
23 Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny
amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy
araka izay nolazainao.
24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina
mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny
Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny
taranak'i Davida mpanomponao.
25 Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny
mpanomponao fa homenao taranaka izy*; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao
hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao trano ho azy Hianao]
26 Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no
Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny
mpanomponao,
27 dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao
haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy
mandrakizay.
*
1 [Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka
izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny
dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.
2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga
mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
3 Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba
akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany* teo amoron'ny ony
Eofrata.[Na: nanangana saina]
4 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy
mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary
notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho
amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy
an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy
roa alina ny Syriana.
6 Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy;
dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery
an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny
mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no
nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona
ilay tavin-drano* varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.[Heb.
ranomasina]
9 Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa
naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,
10 dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i
Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i
Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady
nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro
karazana izy.
11 Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa
izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra,
dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
12 Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo
amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
13 Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga
mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny
amin'izay rehetra nalehany.
14 [Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary
Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany
rehetra tamin'ny fahamarinana.
15 Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila;
ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
16 Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i
Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
17 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila
mpiambina andriana*; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny
mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
*
1 [Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Syriana sy
ny Amonita, ary ny nahareseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy,
mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy,
aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa
alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny
tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.
3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i
Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo
anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo
mpanompony ireo atỳ aminao?
4 Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka
noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia
nalefany hody izy.
5 Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao
tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka* loatra
izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny
somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa nanao izay
nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta
volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy
Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak'i Amona.
7 Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina
mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby
tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy
ka tamy hiady.
8 Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy
ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
9 Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo
anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana
teny an-tsaha.
10 Ary rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo
ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely
rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay
rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.
12 Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo
aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;
13 mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny
firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay
sitrapony.
14 Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona
nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
15 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny
Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa
izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
16 Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny
Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny
Ony*; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika
azy.[Eofrata]
17 Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny
Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka
nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia
niady taminy ireo.
18 Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana,
ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra
alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.
19 Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo
anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo
azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.
1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro
fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka
nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i
Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i
Raba, ka dia nandrava azy.
2 Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka*
teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato
soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo
azo tao an-tanàna ka be dia be.[Na: Malkama; ]
3 Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka
nasiany* tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no
nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny
vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb. notsofiny]
4 [Ny nataon'ny lehilahy maherin'i Davida
tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka izany, dia nisy ady
tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i
Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.
5 Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray
ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay
nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.
6 Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy
lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny
rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny
Refaita.
7 Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia
nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.
8 Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka
matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.
*
1 [Ny nanisana ny vahoaka, sy ny aretina nanjo
ny olona noho izany, ary ny fifonana nataon'i Davida] Ary Satana nitsangana
hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely.
2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo
lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany
Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny
olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko
izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko
izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny
mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany
Jerosalema indray izy.
5 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny
olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy
mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny
lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.
6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy,
satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.
7 Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra
izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa
nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao
aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
9 Ary hoy Jehovah tamin'i Gada mpahitan'i
Davida:
10 Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio
izay iray hataoko aminao.
11 Ary Gada nankany amin'i Davida ka nanao
taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia:
12 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo
alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao?
Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka
Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa
hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.
13 Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy!
poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny
famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
14 Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka
nahafatesana fito alina izy.
15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema
handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka
nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay!
Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo
anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.
16 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i
Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra
voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia
niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba
fisaonana*.[Heb. lamba malailay]
17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no
nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry
ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao
re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao
no asianao amin'ny areti-mandringana.
18 Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i
Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona
Jebosita.
19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, izay
nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.
20 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny
zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao
tamin'izay.
21 Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery
Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka
niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.
22 Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay
tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy
izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23 Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary
aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho
fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho
fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa
hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah
aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.
25 Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato
Araona ho vidin'ny tany.
26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka
nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy
ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana.
27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny
tamin'ny tranony ny sabany.
28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa
novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono
zavatra hatao fanatitra teo izy.
29 Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany
an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny
fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany
amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.
1 Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah
Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny
Isiraely.
2 [Ny namorian'i Davida ny zavatra ho enti-manao ny
tempoly, sy ny hafatra nataony ny amin'ny hanaovana azy] Ary nasain'i Davida
novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny tanin'ny Isiraely, ka
nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.
3 Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny
lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja
4 sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona
sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.
5 Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora
fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra,
mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko
rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha
mbola velona izy.
6 Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy
hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,
7 ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny
hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro;
8 saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko* nanao hoe: Be
ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao
trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo
imasoko.[Na: ny amiko]
9 Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy
miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina;
koa ny anarany dia hatao hoe Solomona*; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay
ny Isiraely amin'ny androny.[Solomona = Miadana]
10 Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho
zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny
fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.
11 Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka
hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay
nilazany anao.
12 Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka
hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah
Andriamanitrao.
13 Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina
hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny
Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
14 Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory
talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy
vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona
hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
15 Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa
hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.
16 Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy
dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie
Jehovah.
17 Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely
hanampy an'i Solomona zanany hoe:
18 Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa
nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina
amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny
olony.
19 Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah
Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny
fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao
ho an'ny anaran'i Jehovah.
*
1 [Ny nanendrena an'i Solomona ho mpanjaka, sy ny
nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra
tsara* Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb.
voky andro, na afa-pon'ny miaina]
2 Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny
mpisorona sy ny Levita.
3 Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho
miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.
4 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina
amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina
arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
5 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny
efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.
6 Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny
zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
7 Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
8 Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama
ary Joela; telo izy.
9 Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary
Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.
10 Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy
ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.
11 Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy
sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy
antokony iray izy.
12 Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy
Hebrona ary Oziela; efatra izy.
13 Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona
natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany
mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao
fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
14 Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina
tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.
15 Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16 Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
17 Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no
lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro
indrindra.
18 Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
19 Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa,
Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
20 Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary
Jisia no faralahy.
21 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny
zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22 Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy,
fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.
23 Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary
Jeremota; telo izy.
24 Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny
fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny
nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i
Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
25 Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema
mandrakizay.
26 Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny
tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27 Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina
hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
28 Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona
amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary
amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao
an-tranon'Andriamanitra,
29 ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho
fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay
endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny
fandrefesana rehetra,
30 ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i
Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,
31 ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i
Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny
fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry
hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
32 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany
ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana
masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho
fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
1 [Ny nizarana ny mpisorona ho efatra amby roa-polo toko]
Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny
zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
2 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy
tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
3 Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy
Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny
fanompoany avy.
4 Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i
Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy
toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny
fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny
fianakaviana.
5 Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy
rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny
avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.
6 Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray
tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy
Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho
an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.
7 Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i
Jedaia,
8 ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
9 ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
10 ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
11 ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.
12 ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa
ambin'ny folo an'i Jakima,
13 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra
ambin'ny folo an'i Jesebaba,
14 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina
ambin'ny folo an'Imera,
15 ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo
ambin'ny folo an'i Hafizeza,
16 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny
faharoa-polo an'i Jehezekela,
17 ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa
amby roa-polo an'i Gamola,
18 ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra
amby roa-polo an'i Mazia.
19 Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany*
ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny
nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.[Na: Ary ny raharahan'ireo
tamin'ny fanompoana dia ny hiditra]
20 Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny
taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.
21 Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia
Jisia no voalohany.
22 Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i
Selomota dia Jahata.
23 Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no
voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
24 Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i
Mika dia Samira;
25 ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i
Jisia dia Zakaria.
26 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny
zanakalahin'i Jazia dia Beno.
27 Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy
Sohama sy Zakora ary Ibry.
28 Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy
nanan-janakalahy.
29 Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
30 Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera
ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany
avy.
31 Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny,
taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny
lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny
zokiny na ny zandriny.
1 [Ny nizarana ny mpihira ho efatra amby roa-polo toko]
Ary ny* taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo
komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny
valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany
avy:[Na: ny asany amin'ny]
2 Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy
Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay
nifehezan'ny mpanjaka azy.
3 Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy
Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy,
izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.
4 Tamin'i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela,
Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy
Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
5 Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny
mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana
dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo.
6 Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao
tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga
hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary
Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.
7 Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny
hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
8 Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy
izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
9 Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny
taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny
zanany, dia roa ambin'ny folo;
10 ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
11 ny fahefatra an'i Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
12 ny fahadimy an'i Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
13 ny fahenina an'i Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
14 ny fahafito an'i Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
15 ny fahavalo an'i Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
16 ny fahasivy an'i Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
17 ny fahafolo an'i Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
18 ny fahiraika ambin'ny folo an'i Azarela, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
19 ny faharoa ambin'ny folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
20 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
21 ny fahefatra ambin'ny folo an'i Matitia, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
22 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
23 ny fahenina ambin'ny folo an'i Hanania, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
24 ny fahafito ambin'ny folo an'i Josbekasa, izy
mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
25 ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
26 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Maloty, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
27 ny faharoa-polo an'i Eliata, izy mbamin'ny zanany sy
ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
28 ny fahiraika amby roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
29 ny faharoa amby roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
30 ny fahatelo amby roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny
zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
31 ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy
mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.
1 [Ny amin'ny mpiandry varavarana] Ary ny amin'ny
antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore,
avy tamin'ny zanak'i Asafa.
2 Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa,
sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
3 sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay,
faralahy.
4 Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa,
sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela,
fahadimy,
5 sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy
Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
6 Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy
tonga mpanapaka tamin'ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
7 Ny zanakalahin'i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda
ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
8 Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma,
dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka
amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.
9 Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny
folo, samy lehilahy mahay avokoa.
10 Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy,
dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho
lohany),
11 sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary
Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo
ambin'ny folo.
12 Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia
nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana
ao an-tranon'i Jehovah.
13 Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao
filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin'ny isam-bavahady.
14 Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia.
Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka
tamin'ny avaratra no azony.
15 An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano
firaketana.
16 An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady
Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
17 Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy
efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana
nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
18 Tany Parbara* andrefana nisy efatra amin'ny lalana,
ary roa tao Parbara.[Izahao 2 Mpan. xxiii. 11]
19 Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny
taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.
20 [Ny amin'ny raharaha sasany koa nataon'ny Levita] Ary
tamin'ny Levita dia Ahia* no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny
zavatra nohamasinina ho rakitra.[Na: (ary ny Levita rahalahiny)]
21 Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo
lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
22 Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela
rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
23 Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary
ny Ozielita
24 dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i
Mosesy, no tonian'ny rakitra.
25 Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia,
zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy
Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.
26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra
nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny
fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny
miaramila.
27 Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy
nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.
28 Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy
Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia
izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
29 Tamin'ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no
voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely, dia ho mpifehy sy
mpitsara.
30 Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny,
lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy
andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana
ny mpanjaka.
31 Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona
fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany
avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
32 sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy
lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy
ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny
raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
1 [Ny nandaminana ny miaramila] Ary ny amin'ny
Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo
sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay
raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny
herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony.
2 Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin'ny volana
voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo
amby roa alina;
3 isan'ny taranak'i Fareza izy sady lohan'ny mpifehy
rehetra tamin'ny miaramila amin'ny volana voalohany.
4 Ary ny nifehy ny antokony ho amin'ny volana faharoa dia
Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan'ny antokony; ary ny antokon'ny
Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
5 Ny komandin'ny antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho
amin'ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny
antokony dia efatra arivo amby roa alina.
6 Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin'izy
telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny antokony.
7 Ny fahefatra, ho amin'ny volana fahefatra, dia Asahela,
rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia
efatra arivo amby roa alina.
8 Ny fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, dia Samihota
Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
9 Ny fahenina, ho amin'ny volana fahenina, dia Ira,
zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
10 Ny fahafito, ho amin'ny volana fahafito, dia Heleza
Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa
alina.
11 Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay
Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
12 Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera
Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13 Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay
Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14 Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana
fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary
ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15 Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa
ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny
antokony dia efatra arivo amby roa alina.
16 [Ny lohan'ny firenena roa ambin'ny folo] Ary izao no
lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry;
tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka;
17 tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela;
tamin'ny Aronita dia Zadoka;
18 tamin'ny Joda dia Eliho, izay isan'ny rahalahin'i
Davida; tamin'ny Isakara dia Omry, zanakalahin'i Mikaela;
19 tamin'ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin'i Obadia;
tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i Azriela;
20 tamin'ny taranak'i Efraima dia Hosea, zanakalahin'i
Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Joela, zanakalahin'i Pedaia;
21 tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase tao Gileada dia
Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin'i
Abnera;
22 tamin'ny Dana dia Azarela, zanakalahin'i Jerohama.
Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely.
23 Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho
midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny
kintana eny amin'ny lanitra Izy.
24 Joaba, zanak'i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy
nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia
tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Davida mpanjaka ny isany.
25 [Ny mpitandrina ny fananan'i Davida, sy ny
mpanolo-tsaina azy] Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i
Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny
tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia;
26 ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany
dia Ezry, zanak'i Keloba;
27 ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita;
ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy
Sifmita;
28 ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny
tany lemaka amoron-tsiraka* dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo
tehirizina dia Joasy;[Heb. Sefela]
29 ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia
Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i
Adlay;
30 ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny
tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
31 ary ny tonian'ny ondry aman'osy dia Jaziza
Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka.
32 Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia
mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i
Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka;
33 ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary
Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia
Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka
dia Joaba.
*
1 [Ny hafatra nataon'i Davida ny amin'ny hanaovana ny
tempoly sy ny amin'ny fivavahana] Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny
lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny
antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato
sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny
zanany mbamin'ny tandapa* sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.[Heb.
ionoka]
2 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa
ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny
hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny
fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
3 nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny
anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy
ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay;
fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny
ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa
no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.
5 Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i
Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny
fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely.
6 Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny
tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
7 Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha
maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny
amin'izao anio izao.
8 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra,
fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny
didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity,
sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao
Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy
mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra
dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy
kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano
ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
11 Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny
lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano
ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra
fanaovam-panavotana,
12 ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny
fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra
manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina
ho rakitra,
13 sy ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary
ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra
ho enti-manompo ao an-tranon'i Jehovah,
14 ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka volamena
samy hafa rehetra, ary ny lanjan'ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy
samy hafa rehetra,
15 ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro
volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan'ny
volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka
ny fombany avy,
16 ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ireo latabatra
hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny volafotsy ho amin'ny latabatra
volafotsy,
17 ary ny amin'ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny
fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin'ny kapoaka misarona, na
ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
18 ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara
fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny
kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah.
19 Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no
nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny soratra avy tamin'ny tànany, izay
atỳ amiko.
20 Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza
sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra,
dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy
ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.
21 Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao
ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny
asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny
fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
1 [Ny zavatra naterin'ny lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao
ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona
zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa
lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.
2 Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana
ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny
volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka
varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka
hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony* ary ny vato
alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra** ary ny vato soa samy hafa
rehetra ary ny vatosanga*** betsaka.[*Na: beryla mbamin'ny tranontranony][**Na:
tenona samy hafa soratra][***marmora fotsy]
3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia
omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko
hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,
4 dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any
Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny
isan-efi-trano,
5 ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny
volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy
hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay
tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?
6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny
fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy
zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka
7 ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny
tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika* iray alina sy
talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary
talenta vy iray hetsy.[Ny darika dia anaran'ny farantsakely volamena, ary
tokony ho ariary dimy sy loso no heviny]
8 Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny
rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita.
9 Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa
tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida
mpanjaka koa faly dia faly.
10 [Ny nisaoran'i Davida an'Andriamanitra sy ny
fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i Solomona, ary ny nahafatesan'i
Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra
Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely
razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
11 Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny
voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any
an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny
fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no
manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo
an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
13 Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry
Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no
ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy
tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny
razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy
fanantenana.
16 Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra
novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny
tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17 Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no
mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny
hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary
ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto
mitondra fanatitra ho Anao.
18 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy
Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany
fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
19 ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny
didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany
sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
20 Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna
ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia
nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka
teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.
21 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy
sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia
vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny
fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely
rehetra.
22 Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo
anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy
fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho
mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
23 Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i
Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky
azy ny Isiraely rehetra.
24 Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny
zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.
25 Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo
imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra
noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.
*
26 Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny
Isiraely rehetra.
27 Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo
taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany
telo amby telo-polo taona.
28 Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro
ary be harena sy voninahitra*; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby
azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra]
29 Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na
ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao
amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,
30 mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho
tamin'ny* ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny
tany.[Heb. ny andro niseho taminy]