[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1 Mpanjaka
Accès direct aux chapitres de 1 Rois : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22
1 [Ny niodinan'i Adonia, sy ny nanosorana an'i Solomona
ho mpanjaka] Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana;
ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy
virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy
mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia
hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3 Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny
Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny
mpanjaka.
4 Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga
mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
*
5 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany
ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary
dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6 Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay
niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara
tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.
7 Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy
Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy
azy.
8 Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy
Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa
tsy mba niandany tamin'i Adonia.
9 Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby
mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny
zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda,
mpanompon'ny mpanjaka;
10 fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy
mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i
Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy
fantatr'i Davida tompontsika akory izany?
12 Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny
ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.
13 Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka
lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka
tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary
izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no
manjaka?
14 Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka
ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15 Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao
amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita
nanompo azy.
16 Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo
anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17 Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah
Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy
no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza
fiandrianako.
18 Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka;
kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19 Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary
ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy
Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao
ihany no tsy mba nasainy.
20 Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny
mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny
seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21 Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny
razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
22 Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka
ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany.
23 Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe:
Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka
tamin'ny tany teo anatrehany.
24 Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa
angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no
hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
25 Fa he! izy nidina androany ary namono omby
sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny
mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo
izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia
mpanjaka!
26 Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy
Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27 Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no
nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay
hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
28 Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe:
Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka
izy ka nitsangana teo anatrehany
29 Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona
koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra,
30 dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no
hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako
hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31 Ary Batseba niondrika, dia niankohoka
tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay
anio Davida mpanjaka tompoko!
32 Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy
hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i
Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.
33 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka
aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko
Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.
34 Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana
mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny
anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
35 Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka
izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka
hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36 Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny
mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny
mpanjaka tompoko.
37 Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko
anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho
ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i
Solomona.
38 Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana
mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana*, dia
nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia
nitondra azy nankany Gihona.[Heb. Keretita sy Peletita]
39 Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy
diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny
anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40 Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra
ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro* ny tany noho ny
feony.[Heb. nitresaka]
41 Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay
nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare
ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba
ny tanàna izany e?
42 Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga
Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa
lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43 Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia
hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana
an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44 Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka
mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila
mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny
mpanjaka izy.
45 Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa
nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka
dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
46 Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo
amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.
47 Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka
hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara
noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra
mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka
teo am-parafara ny mpanjaka
48 ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako
androany, sady hitan'ny masoko koa izany.
49 Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i
Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.
50 Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia
niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51 Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro,
Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky
ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy
hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
52 Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara
fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny
tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
53 Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy
hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona
mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.
*
1 [Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona,
sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia
nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny
tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah
Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny
sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao
amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy
izay rehetra halehanao,
4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany
ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako
amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy
Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely
ianao.
5 Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba,
zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny
miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa,
zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy
ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany
sy ny kapany teny an-tongony.
6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza
avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita* amin'ny fiadanana ny volo
fotsiny.[Heb: Sheola]
7 Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia
asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa
hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i
Absaloma rahalahinao aho.
8 Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera,
Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro
nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany,
ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
9 Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy
hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny
fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny
fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
10 Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny
razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida.
11 Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny
Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao
Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
12 [Ny nataon'i Solomona hampiorina tsara ny
fanjakany] Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
ary ny fanjakany dia niorina tsara
*
13 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany
amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no
ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14 Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko
aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15 Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny
fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina
ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.
16 Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba
angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao
ary.
17 Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i
Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18 Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia
hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka.
19 Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka
hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba
sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany,
ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka
dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.
20 Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba
hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary,
ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21 Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho
vadin'i Adonia rahalahinao.
22 Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao
tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i
Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy
Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.
23 Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i
Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany
aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24 Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah,
Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko
sady nanome ahy fara handimby* araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany
Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy]
25 Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia,
zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
26 Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny
mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona
tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria
nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady
niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.
27 Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy
ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy
tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.
28 Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina
nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra
nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29 Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa
Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo
anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka
nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30 Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i
Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao.
Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany
amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny
ahy.
31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka
izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny
taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.
32 Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany
ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy
ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny
miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny
Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33 Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina
amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy
ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy
fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.
34 Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka
namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy.
35 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny
mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no
notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.
36 Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka
nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza
miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37 Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny
lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa
ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
38 Ary hoy Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany
teny izany; araka izany nolazain'ny mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao.
Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
39 Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy
roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any amin'i Akisy, zanak'i Maka
mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey hoe: Indreo, any Gata ny
mpanomponao.
40 Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny
borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa
nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41 Ary nambara tamin'i Solomona ny nialan'i
Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
42 Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka
nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza
taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao
sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy
ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43 Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny
fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao
mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao
izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny lohanao ny haratsianao.
45 Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny
seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo anatrehan'i Jehovah mandrakizay.
46 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i
Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia
naorina teo an-tànan'i Solomona.
*
1 [Ny nanambadian'i Solomona ny zanakavavin'i
Farao, ary ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona, sy ny nangatahany
fahendrena] Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa
nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i
Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i
Jerosalema manodidina.
2 Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao
fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho
an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.
3 Ary Solomona tia an'i Jehovah ka nizotra
araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao
fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
4 Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono
zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza*; ka fanatitra
dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe]
5 Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i
Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao
homeko anao.
6 Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho
fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo
anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony
taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny
nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny
amin'izao anio izao.
7 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô,
Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho
dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
8 Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny
olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa
noho ny hamaroany.
9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady* ho
entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no
mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino]
10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i
Solomona izany zavatra izany;
11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria
nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny
ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho,
ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao
ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa
nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao
amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy]
14 Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka
hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko
ho ela velona ianao.
15 Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa
nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy
fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.
16 [Ny nisehoan'ny fahendren'i Solomona
tamin'ny nitsarany azy roa vavy ny amin'ilay zaza maty] Ary tamin'izany dia
nisy vehivavy janga roa nankao amin'ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
17 Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra
ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao
an-trano aho, sady tao koa izy.
18 Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba
velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa
tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
19 Ary maty tamin'ny alina ny zanak'izavavy
ity, fa voatsindriny.
20 Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny
zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo
an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
21 Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako
aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa
tsy ny zanako naerako.
22 Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny
velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa
ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny
mpanjaka.
23 Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe:
Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa
ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
24 Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka.
Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny mpanjaka.
25 Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona,
ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany.
26 Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy,
renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao
hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa
aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao
mihitsy.
27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo
itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
28 Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany
fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria
hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.
1 [Ny amin'ny mpanao raharaham-panjakana, ary
ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny] Ary nanjaka tamin'ny Isiraely
rehetra Solomona mpanjaka.
2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i
Zadoka, no mpisorona*; [Na: zanak'i Zadoka mpisorona]
3 Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no
mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
4 ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny
miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
5 ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny
olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina*, sakaizan'ny
mpanjaka, [Heb. mpisorona]
6 ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary
Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana.
7 Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy
ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny
ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy.
8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny
tany havoan'i Efraima;
9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy
Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany
Hefera rehetra no azy;
11 Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora
rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny);
12 Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido
ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany
Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.
13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna
madinika an'i Jaïra*, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany
Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy
varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41]
14 Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima;
15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady
an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;
16 Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;
17 Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara;
18 Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina;
19 Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada,
tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany
no voatendry ho amin'izany tany izany.
20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka
ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
*
1 Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana
rehetra hatramin'ny Ony* sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i
Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra
niainany.[Eofrata]
2 Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba
tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
3 sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka
roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny
kapreola ary ny vorona mifahy.
4 Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ*
an-dafin'ny Ony** hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka
rehetra etỳ* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny
rehetra manodidina nanoa azy ireny.[*Na: any][**Eofrata]
5 Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay
tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny
aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
6 Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina,
fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby
iray alina.
7 Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny
zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny
: latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany
avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
8 Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny
soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay
tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
9 Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena
sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika
amoron-dranomasina.
10 Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny
fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
11 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny,
hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i
Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.
12 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao
tonon-kira dimy amby arivo.
13 Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo
sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany
izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka
ary ny hazandrano koa.
14 Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena
rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany
rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.
15 [Ny namorian'i Solomona izay ho enti-manao
ny tempoly] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i
Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa
Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.
16 Ary Solomona naniraka tany amin'i Hirama
hanao hoe:
17 Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano
ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy,
ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.
18 Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa
nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo
intsony.
19 Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho
an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i
Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao
handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.
20 Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera
any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny
karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa
tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.
21 Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona,
dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie
Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka
izao.
22 Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona
hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay
rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
23 Ny vahoakako hitondra azy midina avy any
Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko
mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko
izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny
fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.
24 Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo
kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy.
25 Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary
tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy
amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona
isan-taona.
26 Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona,
araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena
izy roa lahy.
27 Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny
Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.
28 Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia
iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona,
ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.
29 Ary Solomona nanana mpitondra entana fito
alina sy tambato* valo alina teny an-tendrombohitra, [Na: mpikapa hazo]
30 afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i
Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy
izay nifehy ny mpiasa.
31 Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato
vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano.
32 Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama
(indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato
hatao trano.
*
1 [Ny nanaovana ny tempoly] Ary tamin'ny taona
fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany
Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra
nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy.
2 Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho
an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary
telo-polo hakiho ny hahavony.
3 Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny
ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny
trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany.
4 Ary ny varavarankelin'ny trano nataony
makarakara tsy mivoha.
5 Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany
paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny
efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
6 ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny
sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia
fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky
ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina.
7 Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika
rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny
tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
8 Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano
an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika
no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny
an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.
9 Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany
azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano.
10 Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny
trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny
trano.
11 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i
Solomona nanao hoe:
12 Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha
araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra
ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i
Davida rainao;
13 ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho
ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
14 Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia
vitany.
15 Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo
sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany
hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.
16 Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny
rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka
hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny
fitoerana masina indrindra.
17 Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo
anoloan'io dia efa-polo hakiho.
18 Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia
nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa
izy, ka tsy nisy vato niseho.
19 Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano
izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
20 Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo
hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny
hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera
ny alitara.
21 Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena
tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo
anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
22 Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany
takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany
takela-bolamena avokoa.
23 Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany
kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.
24 Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny
kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny
tendron'elany anankiray.
25 Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny
kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
26 Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary
tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
27 Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano
anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny
rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
28 Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
29 Ary ny rindrina manodidina nosoratany
nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra, na ny efitra
anatiny, na ny ati-trano lehibe.[palma]
30 Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona,
na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
31 Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny
dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy
dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma]
32 Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia
nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra,
ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.[palma]
33 Dia toy izany koa ny varavarana mankao
amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny
ampahefatry ny sahan-trano.
34 Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa
dia kamban-droa samy nisy savily avy.
35 Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy
ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny
sorany.
36 Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny
vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.
37 Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona
fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
38 Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo
izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny
fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
*
1 [Ny nanaovan'i Solomona ny lapany] Ary telo
ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.
2 Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato
hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny
hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy
teo ambonin'ny andry.
3 Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry
notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka
dimy amby efa-polo izy rehetra.
4 Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny
varavarankely dia nifanandrify intelo.
5 Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia
natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
6 Ary dia nataony koa ny lavarangana maro
andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny
lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo
anoloan'io.
7 Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny
seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony
hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra*.[Na: na ny gorodony, na ny rihana]
8 Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny
kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy
rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana
fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
9 Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa
voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny
fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja
lehibe.
10 Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany,
dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
11 Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika
araka ny marika sy hazo sedera;
12 ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany
vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny
kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny
trano.
13 [Ny nanaovan'i Solomona ny fanaka momba ny
tempoly] Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.
14 Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny
firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno
fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina
rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa
rehetra tao aminy.
15 Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo
ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny
manodidina azy*.[Heb. ny faharoa]
16 Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy
hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
17 ary harato sy fesitona miolana amin'ny
kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary
fito koa amin'ny kapitaly iray.
18 Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa
andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo
an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.
19 Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry
dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana,
ary efatra hakiho ny hahavony;
20 ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa
dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy
sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
21 Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny
lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka
ny anarany nataony hoe Jakina*; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny
anarany nataony hoe Boaza**. [*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no
misy hery (?)]
22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo
an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
23 Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory
lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony,
ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina]
24 Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano
lehibe* manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray
hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe*, ary naidiny ho roa andalana ny
sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb.
ranomasina]
25 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny
sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika
ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana;
ary ny tavin-drano lehibe* dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra.
[Heb. ranomasina]
26 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary
ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia;
ary nahalany roa arivo bata izy.
27 Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina
folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany,
ary telo hakiho ny hahavony.
28 Ary toy izao ny asa amin'ireo
fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo
anatin'ny sisiny;
29 ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny
sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa
nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
30 Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy
kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy
sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony* anidina manandrify ny
fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra dia tonga sorony]
31 Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo
anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany
dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny
vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
32 Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny
kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny
fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.
33 Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny
kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony
ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
34 Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony
efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny
fitoeran-tavin-drano ireo.
35 Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano
dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny
fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
36 Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa
nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia*, araka izay
nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma]
37 Tahaka izany no nanaovany ny
fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy
nitovy tarehy izy.
38 Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy;
ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny
tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.
39 Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy
teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay
tavin-drano lehibe* nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo
atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]
40 Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny
sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay
nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:
41 dia ny andry roa sy ny boriboriny roa
amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono
ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
42 ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho
amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray
hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,
43 ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny
tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany
44 ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny
sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb. ranomasina]
45 ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny
sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i
Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina
manganohano avokoa.
46 Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no
nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy
Zaretana.
47 Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka
rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.
48 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao
amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay
fitoeran'ny mofo aseho,
49 ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny
ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy
volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia
volamena koa;
50 ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia
famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary
ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana
masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena
avokoa.
51 Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i
Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny
zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena
ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
*
1 [Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany
Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena
rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany
Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona.
Tanànan'i Davida.
2 Dia nivory ho any amin'i Solomona mpanjaka ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana
Etanima (volana fahafito izany).
3 Ary tonga ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary
ny mpisorona no nitondra ny fiara;
4 ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny
trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay.
Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
5 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia
ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy
namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo
isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
6 Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia
nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano
anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima,
7 fa nivelatra teo ambonin'ny fitoeran'ny fiara
ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
8 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha
amin'ny fitoerana masina eo anoloan'ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny
ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
9 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny
fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i Mosesy tao anatiny tany Horeba,
fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany
amin'ny tany Egypta.
10 Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana
masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon'i Jehovah ny rahona;
11 ka dia tsy nahajanona hanao
fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr'i
Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.
12 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa
hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
13 Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia
fitoerana hitoeranao mandrakizay.
14 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny
Isiraely rehetra),
15 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny
tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
16 Hatramin'ny andro nitondrako ny Isiraely
oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny
firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny anarako; fa nifidy an'i
Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
17 Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny
hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
18 Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko:
Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany
fikasanao izany.
19 Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa
ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
20 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay
nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo
amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa
nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
21 Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara
izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy
nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
22 Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny
alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka
namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
23 ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na
amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho
an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
24 sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko
mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain'ny vavanao izany dia
notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
25 Koa tanteraho amin'i Davida raiko
mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe:
Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza
fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo
anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
26 Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely
ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i
Davida raiko mpanomponao.
27 Andriamanitra va dia honina etỳ
an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa
mainka fa ity trano nataoko ity!
28 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny
mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny
fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
29 mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina
amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako
hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
30 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny
Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa
any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
31 Raha misy olona manota amin'ny namany, ary
ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity
izy,
32 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka
manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka
hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka
hanome azy araka ny fahamarinany.
33 Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely
olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao
indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy,
34 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka
mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao ny
razany izy.
35 Raha mihantona ny andro ka tsy misy
ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity
fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria
ampahorinao,
36 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka
mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny
lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao,
izay nomenao ho lovan'ny olonao.
37 Raha misy mosary amin'ny tany, na
areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala
sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao
amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
38 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra
ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny
fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
39 dia mihainoa any an-danitra fonenanao
Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany
rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny
fon'ny zanak'olombelona rehetra),
40 mba hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra
hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
41 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny
Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao
izy
42 (fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao
mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity
trano ity,
43 dia mihainoa any an-danitra fonenanao
Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry
ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny
ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa
nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
44 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'ny
olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin'i Jehovah
manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao
izy,
45 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny
fifonany, ka omeo rariny izy.
46 Raha manota aminao izy (fa tsy misy
olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny
fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tanin'ny fahavalo
izy, na ho lavitra na ho akaiky.
47 ary mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo
azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy
ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao
ratsy.
48 ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra
sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny fahavalony izay namabo azy izy, ary
mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay
nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
49 dia henoy any an-danitra fonenanao ny
fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
50 eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota
taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo
famindram-po amin'izay mamabo azy izy, dia ny hamindran'ireo fo aminy;
51 fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao
nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by,
52 mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny
mpanomponao sy ny fifonan'ny Isiraely olonao hihaino azy amin'izay rehetra
iantsoany Anao.
53 Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy
tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao
an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany
Egypta.
54 Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana
vehetra nataon'i Solomona tamin'i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo
amin'ny alitaran'i Jehovah izay efa nandohalehan'ny lohaliny sy efa namelarany
ny tànany ho amin'ny lanitra izy.
55 Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny feo mahery hoe:
56 Isaorana anie Jehovah, izay nanome
fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy
latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i
Mosesy mpanompony.
57 Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika,
tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
58 mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika
amin'ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny
fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
59 Ary aoka izany teny nifonako teto
anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah Andriamanitsika andro
aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka
izay tandrifiny ho azy isan'andro,
60 mba ho fantatry ny firenena rehetra
ambonin'ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
61 Ary aoka ho marina amin'i Jehovah
Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin'ny didiny sy
hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin'izao anio izao.
62 Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo
aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan'i Jehovah.
63 Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana,
Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry
aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny
Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah.
64 Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka
ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany
fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa
kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny
fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.
65 Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny
Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka
hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo
andro.
66 Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia
nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy
avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i
Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
*
1 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Ary
rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny
mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
2 dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah
tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao
sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano
nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity
mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4 Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka
ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka
hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny
fitsipiko,
5 dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely
ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao
hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
6 Fa raha miala amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo
na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo
anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany,
7 dia hofongorako tsy ho amin'ny tany izay
nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an'ny anarako ity
dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy
ambentinteny any amin'ny firenena rehetra;
8 ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola
hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe:
Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
9 Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy
an'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin'ny
tany Egypta, ary nikikitra tamin'andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany
ka nanompo azy, dia izany no nampidiran'i Jehovah izao loza rehetra izao
taminy.
10 [Ny amin'ny mpiasan'i Solomona sy ny zavatra
nentiny nanao ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan'i Solomona
ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka
11 (Hirama, mpanjakan'i Tyro, nanome an'i
Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny),
dia nomen'i Solomona tanàna roa-polo tany amin'ny tany Galilia kosa Hirama.
12 Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna
izay nomen'i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
13 Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao
ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
14 Ary Hirama nampanatitra talenta volamena
roa-polo amby zato ho an'ny mpanjaka.
15 Ary izao no toetry ny fanompoana
nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i
Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo* sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy
Megido ary Gazera [Heb. fiarovana]
16 (fa Farao, mpanjakan'i Egypta, efa niakatra,
dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy tamin'ny afo; ary ny Kananita izay
nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho
haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona),
17 ary, Solomona nanamboatra an'i Gazera sy
Beti-horona ambany
18 sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin'ny
tany Samata,
19 ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay
nananan'i Solomona sy ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny
mpitaingin-tsoavaly sy izay tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany
Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
20 Ary ny olona sisa rehetra tamin'ny Amorita
sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny
Zanak'Isiraely,
21 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo
amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana* avokoa, no nampanaovin'i
Solomona fanompoana mandraka androany.[Heb. natao herema]
22 Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba
nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy
sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
23 Izao no isan'ny mpifehy ny olona voatendry
izay nitandrina ny asan'i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy
ny mpiasa.
24 Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan'i
Davida ny zanakavavin'i Farao hankany amin'ny tranony izay nataon'i Solomona ho
azy, dia nanao an'i Milo* koa izy.[Heb. fiarovana]
25 Ary intelo isan-taona no nanateran'i
Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin'ny alitara izay naoriny
ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara teo
anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
26 Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao
Ezion-gebera, izay ao anilan'i Elota, ao amoron'ny Ranomasina Mena, amin'ny
tany Edoma.
27 Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny
sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.
28 Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta
volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka
izany.
*
1 [My namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i
Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny
amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana
sarotra,
2 ka tonga tany Jerosalema izy mbamin'ny
mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena
ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nilaza taminy izay
rehetra tao ampony.
3 Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay
rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia
nambarany azy avokoa.
4 Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba
ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
5 sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny
fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy
ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao* an-tranon'i
Jehovah, dia talanjona terỳ izy. [Na: ny fanatitra odorany izay nateriny
tao]
6 Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny
efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
7 kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy
tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy
voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra
lavitra noho izay laza efa reko.
8 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto
tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny
fahendrenao
9 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay
tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny
fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho
mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
10 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo
amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy
intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i
Sheba ho an'i Solomona mpanjaka.
11 Ary ny sambon'i Hirama koa, izay naka
volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any
Ofira.
12 Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka
arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy
valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany
intsony mandraka androany.
13 Ary Solomona mpanjaka nanome ny
mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny,
afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina
izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
*
14 [Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny
hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i
Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
15 afa-tsy izay azony tamin'ny mpandranto.sy ny
tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny mpanjakan'ny firenena samy hafa
rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany.
16 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena
lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely
enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
17 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy
tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny
ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
18 Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana
ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
19 Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza
fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an
damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy
sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana.
20 Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo
an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany
amin'ny fanjakana rehetra.
21 Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia
volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia
volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona
izany tamin'ny andron'i Solomona.
22 Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy
mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha
amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy
volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo]
23 Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady
hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
24 Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i
Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
25 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny
anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana
sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
26 Ary Solomona nanangona kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy
mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo
tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
27 Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny
habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny
aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela]
28 Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona
soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany
iray araka izay vidiny voatendry.
29 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra
avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo
amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy
ny mpanjakan'ny Syriana.
*
1 [Ny nivilian'i Solomona namporafy maro, sy ny
nanompoany sampy, ary ny namalian'Andriamanitra azy] Fa Solomona mpanjaka tia
vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia
vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
2 dia vehivavy avy amin'ny firenena izay
nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary
izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny
tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona.
3 Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy
vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny
vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i
Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
5 Fa Solomona nanaraka an'i Astarta,
andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita.
6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy.
7 Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana
avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i
Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
8 Ary toy izany koa no nataony ho an'izay
vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra
hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny.
9 Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny
fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy
indroa
10 sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra
izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i
Jehovah izy.
11 Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria
efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay
nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny
mpanomponao.
12 Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao
izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako
aminy.
13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana
rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida
mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
14 Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra
an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.
15 Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary
Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny
lehilahy rehetra tany
16 (fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny
Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
17 dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany
mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely
Hadada tamin'izay.
18 Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga
tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho
any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza
hanome hanina azy koa.
19 Ary Hadada nahita fitia fatratra teo
imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho
vadiny.
20 Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka
zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i
Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa.
21 Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa
Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny
miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny
tanin-drazako.
22 Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra
mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao
indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso
ihany aho.
23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa
hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i
Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka
tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany
Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25 Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely
tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada;
eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
26 Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy
any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy
mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna
hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo* ary nanampina ny
lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy; [Heb. fiarovana]
28 ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony
hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny
taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra.
29 Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka
avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita
mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany
an-tsaha.
30 Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay
notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo.
31 Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao
ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary
homeko anao ny firenena folo
32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho
azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko
tamin'ny firenen'Isiraely),
33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo
anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i
Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny
lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko
tahaka an'i Davida rainy.
34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny
fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra
hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina
ny lalàko sy ny didiko;
35 fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny
fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba
hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any
Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay
rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.
38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao
ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina
ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao
Aho ka hampaharitra ny taranakao*, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary
homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao]
39 Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho
noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
40 Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama.
Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka,
mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.
41 Ary ny tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay
rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'i Solomona va izany?
42 Ary ny andro nanjakan'i Solomona tamin'ny
Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
43 Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no
nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny niodinan'ny firenena folo, sy ny
niandohan'ny fanjahan'Isiraely] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa
nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i
Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo
anatrehan'i Solomona mpanjaka;
3 ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga
izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay,
fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny
zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5 Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka
raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
6 Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona
izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe:
Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
7 Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho
mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho
mpanomponao mandrakizay izy.
8 Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo
zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy
sady efa nitoetra teo anatrehany izy
9 ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba
hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano
ny zioga izay nataon-drainao taminay
10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao
taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao
nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano
aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny
valahan'ny raiko;
11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo
ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no
namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany
amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe:
Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.
13 Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny
olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy
14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo
tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa
mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa
maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
15 Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa
avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay
nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
16 Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy
nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona
moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay;
samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao,
ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
17 Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany
an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .
18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny
mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato
azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama
mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny
Isiraely mandraka androany.
20 Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa
tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy
ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i
Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
21 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama,
dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia
miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely
hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
22 Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra,
kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe
23 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona,
mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny
vahoaka sisa hoe:
24 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady
amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo,
fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia
samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.
*
25 [Ny nanaovan'i Jeroboama ireo sarin'ombilahy
kely volamena tao Betela sy Dana] Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any
amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia
nanamboatra an'i Pehoela koa.
26 Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny
fanjakana dia hody amin'ny taranak'i Davida ihany;
27 fa raha miakatra hamono zavatra hatao
fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody
amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia
hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.
28 Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy
kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo
any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra
anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
29 Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela,
fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
30 Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana;
fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany
Dana.
31 Ary nanao trano teny amin'ny fitoerana avo
izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan'ny taranak'i Levy.
32 Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana
tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro
firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny
alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra
ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo
mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.
33 Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny
alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary
nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra
teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
1 [Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany
hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny
nanjo azy] Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela
noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro
ditin-kazo manitra Jeroboama.
2 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny
alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao
no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia
no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny
fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no
hodorana eo amboninao.
3 Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao
hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara,
ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
4 Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny
lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny
tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty* iny
tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb.
maina]
5 Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka
ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay
lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
6 Ary ny mpanjaka namaly ilay
lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho,
ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay
lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka
noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay
lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao
ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
8 Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny
mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra
any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
9 fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza
mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao.
10 Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy
niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.
11 Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao
Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay
lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy
koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.
12 Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana
nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay
lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
13 Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny
boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia
nitaingenany.
14 Ary dia nanaraka ilay
lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo
terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany
Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
15 Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho
any an-tranoko mba hihinan-kanina.
16 Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka
aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano
aminao atỳ aho,
17 satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa
nalehanao.
18 Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba
mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i
Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy
hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
19 Dia niverina niaraka taminy izy ka
nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20 Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny
latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny
tenin'i Jehovah;
21 ary izy niteny mafy tamin'ilay
lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria
nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i
Jehovah Andriamanitrao anao,
22 fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano
tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na
misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
23 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia
nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny.
24 Ary nony nandeha izy, dia nisy liona
nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo
an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo
anilan'ny faty.
25 Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny
faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa
nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany
antitra.
26 Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay
namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny
tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy
novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
27 Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio
lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
28 Ary nony nandeha izy, dia nahita ny
fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy
nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira
ny boriky.
29 Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay
lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary
tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
30 Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao
am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
31 Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy
tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay
ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny
taolako;
32 fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny
nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao
Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i
Samaria.
33 Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola
niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka
ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany*,
mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany]
34 Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama
izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.
1 [Ny nanjakan'i Jeroboama tamin'ny Isiraely]
Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama.
2 Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna
ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama
ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko
fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
3 Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary
tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho
toetry ny zaza.
4 Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka
niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa
efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
5 Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe:
Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary
izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody
vehivavy hafa.
6 Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny
tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry
vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina
hitondra teny mafy aminao.
7 Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao
avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
8 ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny
taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i
Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony
rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
9 fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo
alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka
nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
10 koa noho izany dia, indro, hahatonga loza
amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny
tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary
hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona
ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
11 Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao
an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny
voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
12 Koa mitsangàna ianao, ka modia any
an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho
faty ny zaza.
13 Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina
azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao
am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
14 Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny
Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa
rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
15 Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny
volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany
soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony*, satria nanao
ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah. [Eofrata]
16 Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny
fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
17 Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa
nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana
izy, dia maty ny zazalahy;
18 dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady
nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany
mpanompony.
19 Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny
niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely izany.
20 Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa
amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba
zanany no nanjaka nandimby azy.
*
21 [Ny nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary
Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo
taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely
rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
22 Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay
rehetra nataon'ny razany.
23 Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy
tsangam-baton-tsampy ary Aseraha* teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra
sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny
sariny]
24 Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho
fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra
fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
25 Ary tamin'ny taona fahadimy
nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely
an'i Jerosalema;
26 dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah
sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny
ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona
27 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga
varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina,
izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka
28 Ary na oviana na oviana no nidiran'ny
mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao
an-trano fiambenana indray.
29 Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Joda va izany?
30 Ary niady mandrakariva Rehoboama sy
Jeroboama.
31 Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny
anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
1 [Ny nanjakan'i Abia sy Asa tamin'ny Joda] Ary
tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, no
vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary
ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
3 Ary nandeha tamin'ny fahotana rehetra
nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy
tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
4 Nefa noho ny amin'i Davida dia nomen'i
Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby
azy ny zanany, sady nampaharitra an'i Jerosalema Izy,
5 satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i
Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra
niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany.
6 Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny
andro rehetra niainany.
7 Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama
8 Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany,
dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby
azy.
9 Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i
Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.
10 Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany
tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
11 Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i
Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.
12 Fa nesoriny tamin'ny tany ny olona izay
nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay
nataon-drainy.
13 Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy
ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny
sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
14 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa
nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa tamin'ny andro rehetra niainany.
15 Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny
zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia
volafotsy sy volamena ary fanaka.
16 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny
Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
17 Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra
hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy
hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
18 Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena
rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny
tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka
nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona,
mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
19 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny
tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho
fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny
Isiraely, mba hialany amiko.
20 Ary Beni-hadada nihaino an'i Asa mpanjaka ka
naniraka komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely, ary namely
an'Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin'ny tanin'ny
Naftaly rehetra izy.
21 Ary rehefa ren'i Basa izany, dia nitsahatra
tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
22 Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda
rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny
hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i Asa mpanjaka nanamboatra an'i
Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23 Ary ny tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny
heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa
kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
24 Ary lasa nodimandry any amin'ny razany, dia
nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Josafata
zanany no nanjaka nandimby azy.
*
25 [Ny nanjahan'i Nadaba sy Basa sy Elaha sy
Zimry ary Omry tamin'ny Isiraely] Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka
tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary
nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
26 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny
Isiraely.
27 Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny
taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny
Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona
fahizay).
28 Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona
fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
29 Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny
mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama
na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah
izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,
30 noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady
nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
31 Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
32 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny
Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
33 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa,
mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa, zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely
rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
34 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay
nampanotany ny Isiraely.
1 Ary tonga tamin'i Jeho, zanak'i Hanany, ny
tenin'i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
2 Satria nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao
ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin'ny
lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra
Ahy tamin'ny fahotany,
3 dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany,
ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata.
4 Koa izay tamingan'i Basa maty ao an-tanàna
dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin'ny
voro-manidina.
5 Ary ny tantaran'i Basa sisa mbamin'izay
nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
6 Ary Basa lasa nodimandry any amin'ny razany,
dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
7 Ary Jeho mpaminany zanak'i Hanany, dia
nampitondraina ny tenin'i Jehovah ny amin'i Basa sy ny taranany, satria nanao
ratsy teo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin'ny asan'ny tanany, ka
dia tonga tahaka ny mpianakavin'i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
8 Tamin'ny taona fahenina amby roa-polo
nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa,
tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
9 Ary Zimry mpanompony, komandin'ny antsasaky
ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon'i
Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
10 Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho
faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda,
ary izy no nanjaka nisolo azy.
11 Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka
tamin'ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin'i Basa rehetra izy; ka
tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza. na tamin'ny havany,
na tamin'ny sakaizany.
12 Toy izany no nandringanan'i Zimry ny
mpianakavin'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i
Jehovah mpaminany ny amin'i Basa,
13 noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan'i
Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra
an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
14 Ary ny tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
15 Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo
nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary
ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.
16 Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe:
Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany
an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny miaramila, androtrizay ihany ho
mpanjakan'ny Isiraely.
17 Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny
Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an'i Tirza.
18 Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana,
dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny
afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty
19 noho ny fahotana izay nataony tamin'ny
nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah, tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i
Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
20 Ary ny tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny
fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Isiraely va izany?
21 Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy
amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka
azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.
22 Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny
olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no
nanjaka.
23 Tamin'ny taona fahiraika amby telo-polo
nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Omry; ary nanjaka roa
ambin'ny folo taona tamin'ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
24 Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i
Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary
nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny
tanàna.
25 Fa Omry nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
26 fa nandeha tamin'ny lalana rehetra nalehan'i
Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tamin'ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely
izy ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny
zava-poanany.
27 Ary ny tantaran'i Omry sisa mbamin'izay
nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
28 Ary Omry lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
29 [Ny niantombohan'ny nanjahan'i Ahaba
tamin'ny Isiraely] Ary Ahaba, zanak'i Omry, vao nanjaka tamin'ny Isiraely
tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary
nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
30 Ary Ahaba, zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
31 Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha
amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela,
zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha
nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
32 Ary nanao alitara ho an'i Bala tao amin'ny
tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy.
33 Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra
an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely
rehetra izay teo alohany.
34 Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela
Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny
fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny
vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i
Nona.
*
1 [Ny niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia
Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona
koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy
hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko
ihany.
2 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao
hoe:
3 Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere
any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.
4 Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika
efa nodidiako hamelona anao any.
5 Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i
Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any
atsinanan'i Jordana.
6 Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy
isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no
nisotroany.
7 Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny
tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.
8 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao
hoe:
9 Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay
naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any
izay notendreko hamelona anao.
10 Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary
nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy
mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe:
Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko.
11 Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso
azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
12 Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah
Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila
ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka
tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho
faty izahay.
13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha
miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho
aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny
zanakao koa.
14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo
ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana
amin'ny tany.
15 Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny
tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina
elaela ihany.
16 Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika,
ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay
nampilazainy an'i Elia.
17 Ary nony afaka izany, dia narary ny
zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy
fofonaina intsony izy.
18 Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa
mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ
amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ?
19 Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao.
Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any
an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
20 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao
hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena
izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
21 Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady
nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka
hody aminy indray ny ain'ity zaza ity.
22 Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody
taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy.
23 Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy
nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny,
ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..
24 Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny
izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i
Jehovah aloaky ny vavanao.
*
1 [Ny nihaonan'i Elia tamin'i Ahaba. sy ny
nandreseny ny mpaminanin'i Bala] Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i
Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho
amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.
2 Dia niainga Elia hiseho amin'i Ahaba. Ary
mafy ny mosary tany Samaria.
3 Ary Ahaba niantso an'i Obadia, izay
lehiben'ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an'i Jehovah tokoa,
4 ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i
Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no
nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
5 Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: Andeha mitety
ny tany, dia hatrany amin'ny loharano rehetra sy hatrany amin'ny
lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny
ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
6 Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha
tamin'ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin'ny lalana iray.
7 Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia
nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao
va ity, ry Elia tompoko?
8 Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity,
andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
9 Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao
ny mpanomponao ho eo an-tànan'i Ahaba hamonoany ahy?
10 Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia
tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan'ny tompoko hitady anao; ary
raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana
izany raha tsy nahita anao izy.
11 Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao
amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
12 Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho
entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho
ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho;
kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
13 Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay
nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia ny
nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao
an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
14 Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao
amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
15 Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah,
Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho
anio.
16 Dia lasa Obadia nitsena an'i Ahaba ka nilaza
taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an'i Elia.
17 Ary nony hitan'i Ahaba Elia, dia hoy izy
taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin'ny Isiraely!
18 Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no
nampidi-doza tamin'ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin'ny rainao ihany
tamin'ny nandavanareo ny didin'i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
19 Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely
rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala
dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo
amin'ny latabatr'i Jezebela.
20 Dia naniraka tany amin'ny Zanak'Isiraely
rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
21 Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka
nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no
Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona
tsy namaly azy akory.
22 Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho
irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa
dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.
23 Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa
ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka
hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa
hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana
afo koa ao.
24 Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo
ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay Andriamanitra
mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra
namaly hoe: Marina izany teny izany.
25 Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala:
Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo,
satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza
asiana afo ao.
26 Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy
ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka
mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay! Kanjo
tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay
nataony izy.
27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia
nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy;
angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha
izy ka tsy maintsy hofohazina.
28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika
ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà
tamin'ny tenany.
29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia
mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy
nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
30 Ary hoy Elia tamin'ny olona rehetra:
Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny
alitaran'i Jehovah izay efa rava
31 ka naka vato roa ambin'ny folo, araka ny
isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay tenin'i Jehovah hoe:
Isiraely no ho anaranao;
32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho
an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay
mifafy* voan-javatra indroan'ny famarana**. [*Na: mahalany][**Heb. sea]
33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia
nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo,
34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka
aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy
indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary
dia nataony indray koa.
35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny
alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
36 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva
dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy
Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny
Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao
zavatra izao.
37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto
olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny
fony indray.
38 Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona
ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny
rano tao amin'ny hady kely.
39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia
niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no
Andriamanitra.
40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i
Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny
olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
41 Ary hoy Elia tamin'i Ahaba: Miakara hihinana
sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa
Elia kosa niakatra ho eo an-tampon'i Karmela, dia niankohoka tamin'ny tany, ary
ny lohany nataony teo anelanelan'ny lohaliny
43 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely,
ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy
na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
44 Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy
rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Dia hoy
izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna,
fandrao voasakan'ny ranonorana ianao.
45 Ary vetivety dia maintin'ny rahona sy ny
rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin'ny kalesy
ka nankany Jezirela.
46 Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia,
dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany
Jezirela.
*
1 [Ny nandosiran'i Elia nankany an-efitra, sy
ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Horeba, ary ny nanendrena an'i Elisa
handimby azy] Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia,
dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
2 Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia
hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany
aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina
toy izao.
3 Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka
lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny
zatovo najanony tao.
4 Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany
an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy* anankiray; dia
nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny,
Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry
mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
5 Ary raha nandry natory teo ambanin'ny
anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe.
Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny
kifafam-bohitra]
6 Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny
lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana
sy nisotro izy, dia nandry indray.
7 Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i
Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra
ny halehanao.
8 Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary
nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo
alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
9 Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka
nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao
inona atỳ ianao, ry Elia?
10 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho
ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy
ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny
sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny
aiko koa izy.
11 Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo
ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah,
ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny
harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary
manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny
horohoron-tany;
12 ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo;
nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
13 Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny
kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro,
nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?
14 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho
ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa
nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny
tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady
hahafaty ny aiko koa izy.
15 Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena
amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia
hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
16 Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho
mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia
hosory ho mpaminany handimby anao.
17 Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela
dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia
hovonoin'i Elisa.
18 Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely
Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava
rehetra izay tsy nanoroka azy.
19 Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa,
zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa
avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy,
dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
20 Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka
nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka
an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa
naninona anao moa aho?
21 Dia niverina niala taminy indray izy ka naka
ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny* tamin'ny hazo fiasàn'ny
omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka
nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]
*
1 [Ny nandresen'i Ahaba indroa an'i
Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny
miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny
kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary
namely azy.
2 Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba,
mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy
3 hanao aminy hoe: Izao no lazain'i
Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao
aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
4 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny
marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
5 Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe:
Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny
volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;
6 koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ
aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny
mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra
mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
7 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona
rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila
sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko
aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
8 Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra
taminy: Aza mihaino na manaiky.
9 Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada.
Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko
mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko
ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada
indray;
10 ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe:
Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha
ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka
ahy.
11 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe:
Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny
efa mamaha.
12 Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny
izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia
hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny
tanàna izy.
13 Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an'i
Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hitanao
va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio;
dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
14 Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao
no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia
hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.
15 Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny
fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary
manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, ka fito arivo no isany.
16 Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny
andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy
ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
17 Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana
isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe:
Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
18 Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho
avy hihavana, na ho avy hiady.
19 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo
zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay
nanaraka azy.
20 Ary samy nahafaty olona iray avy izy
rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary
Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny
mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
21 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia
namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
22 Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i
mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy
izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny
mpanjakan'i Syria hiady aminao.
23 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria
taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no
nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy
ho resintsika izy e.!
24 Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny
mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;
25 ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao
toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy
ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery
noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.
26 Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny
Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin'ny Isiraely.
27 Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia
nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby
tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny
tany.
28 Ary nanatona ilay lehilahin'Andriamanitra ka
nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria ny
Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba
Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be
rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
29 Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa
tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely
nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.
30 Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna
Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa
alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao
amin'ny efi-trano anatiny*. [Na: nitsofotsofoka amin'ny efi-trano]
31 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa
renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna
ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana* ny valahanay, ary hasianay mahazaka
ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy
ny ainao. [Heb. lamba malailay]
32 Dia nosikinany lamba fisaonana* ny valahany,
ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy
ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona
ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba
malailay]
33 Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy
izany*, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe
Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy,
dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.[Heb. nanao sikidy]
34 Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay
nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any
Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako
ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
35 Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny
mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna
ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
36 Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino
ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona
hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny.
37 Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy
ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy
ka naratra.
38 Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny
mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin'ny handriny tsy
hahafantarany azy.
39 Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina
taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady;
ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady
nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no
hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
40 Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny
mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka
izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.
41 Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha
tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny Isiraely fa isan'ny
mpaminany izy.
42 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i
Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko
hovonoina* tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny
olony.[Heb. nataoko herema]
43 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any
an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.
*
1 [Ny namonoana an'i Nabota. sy ny nahazoan'i
Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an'i Ahaba] Ary rehefa afaka
izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela,
takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
2 Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy
ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary
hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany
no sitraky ny fonao.
3 Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko
eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
4 Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no
sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao
ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady
tsy nety nihinan-kanina.
5 Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao
taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina
ianao?
6 Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i
Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao
hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny
fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
7 Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao
tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka
ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.
8 Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin'ny
anaran'i Ahaba, ka notombohiny tamin'ny fanombohan-kasen'andriana, ary ny
taratasy dia nampitondrainy ho any amin'ny loholona sy ny manan-kaja tao
an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin'i Nabota.
9 Ary izao no nosoratany tao amin'ny taratasy:
Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan'ny olona Nabota.
10 Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy
ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny
mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
11 Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny
loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i
Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay
nampitondrainy tany aminy.
12 Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka
nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.
13 Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy
ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny olona
ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary
nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka
maty.
14 Dia naniraka tany amin'i Jezebela izy ireo
ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
15 Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato
Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny
tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy
velona intsony Nabota fa efa maty.
16 Ary rehefa ren'i Ahaba fa efa maty Nabota,
dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita
mba haka ny tany ho azy.
17 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia
Tisbita ka nanao hoe:
18 Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba,
mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i
Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
19 Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i
Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny
ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
20 Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho,
ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena
hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.
21 Indro, hahatonga loza aminao Aho ka
handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i
Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely.
22 Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i
Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny
nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
23 Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i
Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.
24 Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia
hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny
voro-manidina.
25 Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay
nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela
vadiny izy.
26 Ary izy nanao vetaveta loatra tamin'ny 1
nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon'ny Amorita. izay noroahin'i
Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
27 Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia
nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra
sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny
am-pandehanana.
28 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia
Tisbita ka nanao hoe:
29 Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako?
Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho
amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny
taranany Aho.
*
1 [Ny nikambanan'i Ahaba sy Josafata hiady
amin'ny Syriana, sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i
Ahaba] Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
2 Ary nony tamin'ny taona fahatelo, dia nidina
Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
3 Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny
mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra
foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
4 Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka
amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny
mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia
olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
5 Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny
Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
6 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny
mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i
Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry
ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
7 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy
mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
8 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i
Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay
ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba
maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry
mpanjaka.
9 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny
tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
10 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata,
mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny
famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony
avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
11 Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao
tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana
mandra-paharingany.
12 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany
koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah
hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
13 Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia
niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza
soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny
anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
14 Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia
izay lazain'i Jehovah amiko ihany no hambarako.
15 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa
hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa
hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
16 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no
hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i
Jehovah afa-tsy izay marina ihany
17 Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely
rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy
Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any
an-tranony avy.
18 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i
Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy,
fa loza ihany?
19 Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i
Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary
ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo
amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
20 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba
handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao,
ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
21 Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo
anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah
taminy: Amin'inona anefa?
22 Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy
mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho
voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
23 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy
mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza
ny loza hanjo anao.
24 Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia
namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah
tamiko hiteny aminao?
25 Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany
amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny* hierenao.[Na:
hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]
26 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso
Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanàna, sy ho any
amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27 ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka:
Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana
izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
28 Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa
aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy:
Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
29 Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny
mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
30 Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i
Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa
dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely
ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
31 Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy ny roa
amby telo-polo lahy, komandin'ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely
na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
32 Ary nony nahita an'i Josafata ireo
komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia
nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
33 Ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa
tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
34 Ary nisy lehilahy anankiray nandefa
zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny
fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny
kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa.
35 Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany;
ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny
Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy
teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.
36 Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia
niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany
avy sy any amin'ny taniny avy!
37 Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany
Samaria izy, dia nalevina tao.
38 Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria
ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy
janga araka ny tenin'i Jehovah.
39 Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay
rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay
naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Isiraely va izany?
40 Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin'ny
razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
41 [Ny nanjakan'i Josafata tamin'ny Joda, sy
Ahazia tamin'ny Isiraely] Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda
tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
42 Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy
vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
43 Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay
nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo
imason'i Jehovah;
44 kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba
noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro
ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
45 Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny
mpanjakan'ny Isiraely.
46 Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny
mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
47 Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena
hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa
rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
48 Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa
olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
49 Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo
hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao
Ezion-gebera.
50 Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i
Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy
nety Josafata.
51 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary
Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
52 Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny
Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata,
mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
53 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama,
zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;
54 ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka
teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
tahaka izay rehetra nataon-drainy.