[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1 Samoela
Accès direct aux chapitres de 1 Samuel : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31
1 [Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i
Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any
amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i
Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.
2 Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny
anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana
kosa tsy mba nanana.
3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala
tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah,
Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy
Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
4 Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra
hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy
ary ny zananivavy rehetra.
5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy
no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.
6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba
hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.
7 Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha
niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny
rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana,
nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary
nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka
folo mirahalahy va aho?
9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy,
dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny
tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka
nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah,
Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka
hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia
homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy
hokasihin-kareza ny lohany.
12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo
anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany.
13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany
no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.
14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho
mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko;
vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa
mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.
16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy
ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako
mandraka ankehitriny.
17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa
aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao
taminy.
18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao
ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo
tarehy intsony.
19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka
teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary
Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
20 Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia
nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy
izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)]
21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany
rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho
an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy
tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao
hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary
izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny
teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny
niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha
ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy;
ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na: siny hoditra]
25 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary
nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.
26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny
ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka
tamin'i Jehovah.
27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako;
dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
28 Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny,
amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka
tamin'i Jehovah izy.
*
1 [Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka
ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i
Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao
aho.
2 Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy
misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika .
3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy
haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny
fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
4 Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay
mila ho reraka dia sikinana hery.
5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny
noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no
mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ary mampitsangana.[Heb. Sheola]
7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;
izy no mampietry sy mampisandratra.
8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny
vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba
hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny
sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany
izao tontolo izao.
9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa
ny ratsy fanahy kosa hampangininy* any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no
handresen'ny olona.[Na: hangina]
10 Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any
an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany,
ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.
11 [Ny nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely,
ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny
loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao
fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.
*
12 Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy
fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.
13 Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny
olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny
mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola
nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny
mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]
14 dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny
fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka
izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no
fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny
sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono
zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy
haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe:
Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia
novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia
halaiko an-keriny.
17 Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo
ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i
Jehovah.
18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo
anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka
nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy
amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao
isan-taona izy.
20 Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka
nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay
voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
21 Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia
nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza
nitombo teo anatrehan'i Jehovah.
22 Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy
nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny
nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana.
23 Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao
izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
24 Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa
mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.
25 Raha misy olona manota amin'olona, dia ny
mpitsara* no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no
hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i
Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]
26 Ary Samoela zaza nitombo, sady tian'i
Jehovah sy ny olona koa izy.
27 Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany
amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa
tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao
izy?
28 Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely
rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy
handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho
an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo.
29 Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra
alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao
ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho,
mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra
aterin'ny Isiraely oloko?
30 Koa izany no anaovan'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny
tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy
Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko
voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny
sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra
amin'ny taranakao.
32 Ary hahita ny manjo* ny fonenako ianao na
inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho
tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin']
33 Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo
anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao*;
ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy
amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan'ny alitarako dia
hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]
34 Ary izao no ho famantarana ho anao, izay
hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy
mirahalahy.
35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho
Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra
ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.
36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny
taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao
hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako
sombi-mofo hohanina.
1 [Ny niantsoana an'i Samoela ho
mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah
teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i
Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
2 Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao
amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
3 sady tsy mbola maty ny jiron'Andriamanitra,
ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah, izay nisy ny
fiaran'Andriamanitra,
4 dia niantso an'i Samoela Jehovah, ary izy
namaly hoe: Inty aho.
5 Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka
nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha
mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
6 Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry
Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa
niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
7 Ary Samoela tsy mbola nahalala an'i Jehovah,
sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy.
8 Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray
fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa
niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
9 Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry
ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa
mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany.
10 Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy
ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena,
fa mihaino ny mpanomponao.
11 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro,
Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia
hangintsingintsina ny sofiny roa.
12 Amin'izany andro izany dia hotanterahiko
amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany,
ka dia hotanterahiko.
13 Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko
mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga
ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany.
14 Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i
Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
15 Ary nandry Samoela mandra-pahamarain'ny
andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra
hilaza ny fahitana tamin'i Ely.
16 Fa Ely niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry
Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17 Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i
Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao
anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra
rehetra nolazainy taminao.
18 Dia nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra
rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao
izay sitraky ny fony.
19 Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah,
ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20 Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka
hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela.
21 Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa
niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.
*
1 [Ny niadian'ny Isiraely tamin'ny Filistina,
sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah] Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny
tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo
anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.
2 Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny
Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka
nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
3 Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia
hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina
Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika
amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
4 Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima;
ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy
zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
5 Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny
tany.
6 Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy
izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa
tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
7 Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe:
Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy
mbola nisy toy izao.
8 Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika
amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely
ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra.
9 Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry
Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo;
misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
10 Ary niady ny Filistina, dia resy ny
Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no
maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin'ny Isiraely no
niampatrampatra.
11 Dia lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra,
ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
12 Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray
nihazakazaka avy tany tamin'ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary
triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
13 Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo
amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny
fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia
nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
14 Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra,
dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona
faingana ka nilaza tamin'i Ely.
15 Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely
tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
16 Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho
ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny
miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?
17 Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra
teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy
zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny
fiaran'Andriamanitra.
18 Ary nony nilaza ny amin'ny
fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo
anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra
sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
19 Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa,
nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny
fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia
nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
20 Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny
ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa
velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
21 Dia nataony hoe Ikaboda* ny anaran'ny zaza;
fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny
fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy
misy voninahitra]
22 Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny
voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
1 [Ny namelezan'Andriamanitra ny Filistina noho
ny namaboany ny fiara, sy ny namerenan'ny Filistina azy] Dia nalain'ny
Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any
Asdoda.
2 Ary nony efa azon'ny Filistina ny
fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona izy ka napetrany teo
anilany.
3 Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa
ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny
fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany
indray.
4 Ary nony ampitson'iny indray dia nifoha
maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin'ny tany
teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo amin'ny tokonam-baravarana ny
lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
5 izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona,
na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran'i Dagona ao Asdoda mandraka
androany).
6 Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i
Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny
fari-taniny rehetra.
7 Ary rehefa hitan'ny mponina tao Asdoda fa
nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran'ny
Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona
andriamanitsika ny tànany.
8 Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo
andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika
ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra
hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny
fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely
ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny
mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
10 Ary dia naterin'ny olona nankany Ekrona ny
fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra,
dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran'ny olona ho atỳ
amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny
firenentsika.
11 Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo
andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran'ny
Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin'ny fitoerany ihany
indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna
ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny
tànan'Andriamanitra.
12 Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay
kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
1 Ary ny fiaran'i Jehovah dia tany amin'ny
tanin'ny Filistina fito volana.
2 Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny
mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i
Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany.
3 Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran'ny
Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana
ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy
ialan'ny tànany aminareo.
4 Dia hoy ny olona: Inona ary no
fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy
totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny Filistina; fa aretina iray
ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
5 Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny
totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny
Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo
ary ny taninareo Izy.
6 Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo,
toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana
namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?
7 Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary
mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny
sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.
8 Ary alao ny fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo
ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena
haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.
9 Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana
mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga
izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy
ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika.
10 Dia nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy
roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny
tao an-trano.
11 Dia napetrany teo ambonin'ny sariety ny fiaran'i
Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin'ny vay.
12 Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny
lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny lalambe ka nimàmà teny
am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny fari-tanin'i
Beti-semesy.
13 Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika
teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha
nahita izany.
14 Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin'i
Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny
hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i
Jehovah.
15 Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah
sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka
nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny
mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà
ho an'i Jehovah.
16 Ary raha hitan'ireo andriana dimy tamin'ny
Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy.
17 Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny
Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza
iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray;
18 ary ny totozy volamena dia araka ny isan'ny
tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna
mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany
ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka
androany izany.
19 Ary Jehovah namely ny mponina tao
Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby
dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be
no maty.
20 Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no
mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza
no hiakarany, rehefa miala amintsika?
21 Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina
tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i
Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.
1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima
ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i
Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina
ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
*
2 [Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny
nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary
hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i
Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i
Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]
3 Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely
rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary
ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka
ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia
hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny
Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
5 Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho
any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.
6 Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka
nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro
izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara
ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
7 Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany
Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina.
Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny
Filistina.
8 Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela:
Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba
hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
9 Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka
nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i
Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana
Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah
nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka
nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
11 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany
Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo
ambanin'i Beti-kara.
12 Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo
anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera*; fa hoy izy:
Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
13 Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo
anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny
Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
14 Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina
tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata;
ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa.
Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15 Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny
andro rehetra niainany.
16 Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety
any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna
rehetra ireo.
17 Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao
ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i
Jehovah.
1 [Ny nangatahan'ny Isiraely mpanjaka] Ary
rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
2 Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia
no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
3 Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy,
fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana
miangatra.
4 Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao
Rama ho any amin'i Samoela
5 ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra
ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara
anay, tahaka ny firenena rehetra.
6 Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona
hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.
7 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany
ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa
Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
8 Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny
andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny
nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony
aminao.
9 Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa
lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka
aminy.
10 Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay
nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah.
11 Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka
izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny
kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,
12 ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho
mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny
fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho
mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
14 ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy
ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny
mpanompony;
15 ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny
tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany* sy ny
tandonany.[Heb. ionoka]
16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo
sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka
hampanaoviny ny asany.
17 Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry
aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
18 Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo
noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo
amin'izany andro izany.
19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela
ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
20 mba ho tahaka ny firenena rehetra koa
izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny
adinay.
21 Ary ren'i Samoela ny teny rehetra
nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah kosa.
22 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny
teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny
Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
*
1 [Ny nanendrena an'i Saoly ho mpanjakan'ny
Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i
Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy
mpanjatobe.
2 Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay
mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny
Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho
miakatra ny halavany.
3 Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly.
Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia
miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
4 Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima
izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany
Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny
Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
5 Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia
hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika
indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
6 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy
lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay
rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba
hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
7 Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha
mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo
rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny
lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?
8 Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka
nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko
ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony
halehantsika.
9 (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona
nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany
amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe
mpahita tany aloha.)
10 Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara
izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna
nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.
11 Ary raha mbola niakatra teo amin'ny
fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka,
ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
12 Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany
izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna
izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo
anio;
13 ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo,
dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana
avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana
amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa
miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy.
14 Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary
nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny
fitoerana avo ka nifanena taminy.
15 Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela
omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:
16 Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho
atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary
hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny
Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny
fitarainany.
17 Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy
Jehovah taminy*: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny
oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]
18 Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo
am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita.
19 Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho
no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana
amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko
aminao izay rehetra ao am-ponao.
20 Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay
efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra
eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
21 Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita
va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely
indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina
rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
22 Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny
zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha
teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
23 Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro:
Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
24 Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena*
mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro,
izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao
fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa
nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela
androtrizay.[Na: fe]
25 Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny
fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo
an-tampon-trano Samoela.
26 Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony
nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka
nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa
nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.
27 Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna
izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia
lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
Chapitre 10. 1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo
an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah
mba ho mpanapaka ny lovany?
2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita
olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina,
ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao;
ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray
no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?
3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao
amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy
miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy
telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray
tavoara*; [Na: siny hoditra]
4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo
roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.
5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any
Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga
ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao
amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo
alohany, dia haminany ireo.
6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka
hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana
ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala,
ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy
fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia
holazaiko aminao izay hataonao.
9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela
izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo
famantarana rehetra ireo.
10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny
mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny
Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11 Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy
hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia
nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao?
Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
12 Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa
no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba
isan'ny mpaminany?
13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia
nankeo amin'ny fitoerana avo.
14 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly taminy sy
tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay;
ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i Samoela izahay.
15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly: Masìna
ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.
16 Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy:
Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela
ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
17 Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa
ho any amin'i Jehovah
18 ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao
no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely
niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy
tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
19 Nefa ianareo kosa efa nandà
an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo
sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka
ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo
sy ny arivonareo avy.
20 Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra
Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy.
21 Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka
ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly,
zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
22 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny
olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery
ao amin'ny entana izy.
23 Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao;
ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona
rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra:
Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka
rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny
mpanjaka.
25 Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety
ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany
teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any
an-tranony avy.
26 Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary
nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.
27 Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao
hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly
ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
*
1 [Ny nandresen'i Saoly ny Amonita, sy ny
nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i
Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova
fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
2 Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako
fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko
fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
3 Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro
hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely
rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao
izahay.
4 Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka
nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny
vahoaka rehetra ka nitomany.
5 Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy
tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary
nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
6 Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny
Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre
izany teny izany.
7 Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia
nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka
nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia
tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i
Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
8 Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo
hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no isan'ny lehilahy amin'ny
Joda.
9 Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo:
Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa
mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara
izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
10 Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no
hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
11 Ary nony maraina, dia nozarain'i Saoly ho
telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy
ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro; koa izay sisa dia niely
patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa aza.
12 Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa
no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay
maty.
13 Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty
anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo amin'ny Isiraely.
14 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha
isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.
15 Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary
tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary
tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly
indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
*
1 [Ny anatra nataon'i Samoela tamin'ny Isiraely
noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro,
efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa
nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
2 Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha
eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo
ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka
mandraka androany.
3 Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i
Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no
nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo
an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako
aminareo izany.
4 Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny
taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray
akory aza.
5 Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona
aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra
hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona
Izy.
6 Ary hoy Samoela tamin'ny olona: Jehovah no
nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany
amin'ny tany Egypta.
7 Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra
aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny asa marina rehetra izay
nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
8 Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina
tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka
ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto
amin'ity tany ity.
9 Nefa raha nanadino an'i Jehovah Andriamaniny
izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera, komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy
ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka
niadian'ireo izy.
10 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao
hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy
Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia
hanompo Anao.
11 Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy
Bedana* sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo
manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na: (Baraka)]
12 Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo
Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy
mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
13 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay
nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka
aminareo.
14 Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy
hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy
hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka
aminareo.
15 Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa
ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny
namelezany ny razanareo.
16 Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao
zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:
17 Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao?
Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho
hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah,
satria nangataka mpanjaka ianareo.
18 Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary
Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka
rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.
19 Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela:
Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty
izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra,
satria nangataka mpanjaka ho anay.
20 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza
matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily
tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra.
21 Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana
ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
22 Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny
anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
23 Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i
Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay
lalana tsara sy mahitsy.
24 Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka
manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe
nataony ho anareo izao.
25 Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia
haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
*
1 [Ny niadian'ny Isiraely indray tamin'ny
Filistina, sy ny nahadiso an'i Saoly, ary ny nandavan'Andriamanitra azy]
Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin'ny
Isiraely izy.
2 Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin'ny
Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny
tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin'i Jonatana tany
Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
3 Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny
Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka
anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
4 Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny
miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia
nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.
5 Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy
enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny
amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha izy ka
nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
6 Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely
fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany
amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy tany amin'ny fierena ary tany
amin'ny lavaka famorian-drano izy.
7 Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an'i
Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala
ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
8 Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana
nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely
nandao an'i Saoly.
9 Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny
fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana
izy.
10 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra
dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
11 Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy
Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin'ny
fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
12 dia hoy izaho: Hidina amin'izao ny Filistina
hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah
aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
13 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nanao adala
ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao;
fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny
Isiraely ho mandrakizay.
14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao;
Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i
Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah
anao ianao.
15 Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala
hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia
tokony ho enin-jato lahy reny.
16 [Ny nampahorian'ny Filistina ny Isiraely, sy
ny nahasahian'i Jonatana namely azy] Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny
Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny
Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
17 dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy
teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin'ny lalana mankany
Ofra ho any amin'ny tany Solala;
18 ary ny iray toko nizotra ho any amin'ny
lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin'ny lalana
mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin'ny efitra.
19 Ary teny amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra
tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny
Hebreo.
20 Ka dia samy nidina ho any amin'ny Filistina
ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny
fihadia-taniny.
21 Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny
fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny
fanindronan-omby.
22 Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy
sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy
Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.
23 Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny
Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy.
*
1 Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana,
zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany
amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy
nilaza tamin-drainy izy.
2 Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo
ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia
tokony ho enin-jato lahy;
3 ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i
Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah
tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
4 Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny
hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny
Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary
ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
5 Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro
avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo
teo atsimo manandrify an'i Gibea.
6 Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra
ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo;
angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy,
na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
7 Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy:
Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho
araka ny sitraponao.
8 Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho
amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9 Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay
any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy
hiakatra eny aminy.
10 Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ
aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary
izany no ho famantarana ho antsika.
11 Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina
izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any
an-davaka niereny.
12 Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny
mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra
ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa
natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
13 Ary Jonatana nananika, nandady tongotra
aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo
anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo
aoriany.
14 Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha,
izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony
ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15 Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany
an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny
mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana
avy tamin'Andriamanitra.
16 Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny
Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
17 [Ny nanenjehan'i Saoly sy ny Isiraely ny
Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny olona, ary ny zavatra niseho avy
tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay
niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny
fiadiany no tsy teo.
18 Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ
ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra
fahizany*).[Na: Ento etỳ ny efoda. (Fa nisalotra ny efoda teo
anatrehan'ny Isiraely izy fahizany.)]
19 Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny
mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny
Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
20 Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo
aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina
nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
21 Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina
taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia
nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa.
22 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely
izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny
Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
23 Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany
andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
24 Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely
tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona
anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko.
Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
25 Ary ny olona rehetra amin'ny tany* dia
niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany.[Heb. ny tany rehetra]
26 Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona,
indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho
amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
27 Fa Jonatana kosa tsy nandre ny
nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka
natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia
nazava ny masony.
28 Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka
nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie
izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
29 Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza
tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko
tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
30 Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona
ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny
Filistina?
31 Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany
andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
32 Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo,
ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny
tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.
33 Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro,
ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy
Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
34 Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona
ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary
samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i
Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy
nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.
35 Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io
no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
36 Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika
ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy
hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny
mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.
37 Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe:
Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va
izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.
38 Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo
loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany
izao?
39 Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny
Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty
tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
40 Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra:
Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny.
Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
41 Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny
olona.
42 Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy
Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
43 Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao
amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely
monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy
maintsy ho faty aho.
44 Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy
izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry
Jonatana.
45 Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va
Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria
izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza
ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary
ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
46 Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny
Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.
47 [Ny ady nataon'i Saoly, sy ny filazana ny
amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny
fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny
Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia
resiny avokoa.
48 Ary namory miaramila izy, dia namely ny
Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy.
49 Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy
Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny
vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala.
50 Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama,
zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera,
zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
51 Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i
Abnera, dia zanak'i Abiela.
52 Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny
andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly,
dia nalainy ho azy.
*
1 [Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny
tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny
nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah
naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny
mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.
2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro:
Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy
tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
3 Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny
Amalekita, ary aringano* izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa
vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na
ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy herema]
4 Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy
tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy
amin'ny Joda.
5 Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny
Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
6 Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala
ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy
ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy
tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita.
7 Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila
amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta.
8 Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita,
fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany* tamin'ny lelan-tsabatra.[Heb. nataony
herema]
9 Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy
izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny
zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana* ireny; fa ny
ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany* ihany avokoa.[Heb. hatao
herema]
10 Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah
hoe:
11 Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho
mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia
tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina.
12 Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia
nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina
fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
13 Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly
taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.
14 Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry
aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko?
15 Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no
nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara
indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny
sisa dia naringanay* ihany avokoa.[Heb. nataonay herema]
16 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako
aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny
tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao
ho mpanjakan'ny Isiraely;
18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka
aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy
ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema]
19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa
nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah?
20 Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i
Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra
an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
21 Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo,
dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho
an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
22 Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra
dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i
Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary
ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.
23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny
fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny
tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
24 Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota
aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka
aho ka nihaino ny feony.
25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny
heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah.
26 Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina
aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà
anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.
27 Ary nony nihodina handeha Samoela, dia
nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.
28 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa
notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa
nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
29 Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba
handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
30 Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa,
masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny
Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
31 Ary Samoela dia niverina nanaraka an'i Saoly
indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i Jehovah.
32 Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga,
mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa
tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.
33 Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny
sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny
vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala
Agaga.
34 Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa
niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.
35 Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony
ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny
nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.
*
1 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny
Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao
an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy
diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita
ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.
2 Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa
raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà
ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah aho.
3 Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra,
ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay
holazaiko aminao.
4 Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah,
dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna
ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra
hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka
amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy
ho any amin'ny fanatitra.
6 Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba
izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
7 Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny
tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny
fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany,
fa Jehovah kosa mijery ny fo.
8 Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo
azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
9 Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa
hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
10 Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny
zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i
Jehovah ireto.
11 Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto
avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry
ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka
hihinana isika ambara-pahatongany eto.
12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah:
Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava]
13 Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo
ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka
tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
14 Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i
Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.
15 Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro,
ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.
16 Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay
mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga
izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao,
dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
17 Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà
ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
18 Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka
nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay
mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy
lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
19 Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka
nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
20 Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky
iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida
zanany ho an'i Saoly ireo.
21 Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka
nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny
fiadiany.
22 Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao
hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia
amiko izy.
23 Ary raha nisy fanahy avy tany
amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka
notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy
ratsy niala taminy.
*
1 [Ny amin'i Davida sy Goliata] Ary ny
Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary
nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
2 Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia
tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny
Filistina.
3 Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny
tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny
tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
4 Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka
avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina
hakiho sy irain-jehy no halavany
5 Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary
niakanjo fiarovan-tratra*, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo
sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
6 Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny
tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
7 Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny
vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato;
ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
8 Ary nijanona izy, dia niantso ny
miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka
hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly?
Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
9 Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy,
dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho
mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10 Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny
miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
11 Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra
izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
12 Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any
Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia
efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly;
13 ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i
Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo
lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary
Sama no fahatelony;
14 ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy
zokiny lasa nanaraka an'i Saoly;
15 fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin'i
Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16 Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy
hariva ka niseho efa-polo andro.
17 Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity
lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia
atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao.
18 Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto
fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao
ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19 Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin'ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha Elaha niady tamin'ny
Filistina.
20 Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny
ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny
nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny
antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay.
21 Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra
hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22 Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny
mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary
tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
23 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro,
tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy
ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny
teo aloha ihany izy ka ren'i Davida.
24 ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely,
raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
25 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa
hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay
lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny
koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny
tarana-drainy.
26 Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany:
Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka
mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia
hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no
hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.
28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny
olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao
no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any
an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady
no idinanao etỳ.
29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba
miteny aho, ka nahoana moa?
30 Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany
koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany
indray.
31 Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i
Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
32 Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho
ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io
Filistina io.
33 Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny
handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady
hatrizay niainany.
34 Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao
niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa
zanak'ondry teo amin'ny ondry,
35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary
azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia
nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.
36 Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny
mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray
amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy
ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io
Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie
Jehovah.
38 Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo
fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy
akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny
hazan-drano]
39 Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo
fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy
tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary
dia nesorin'i Davida izany.
40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy
sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao
anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny
antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i
Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay
Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena
volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]
43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika
angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida
tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina
44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia
etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy.
45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina:
Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho
kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny
miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny
tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina
sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny
tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao
fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary
hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona
hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny
laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.
49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny
tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa
ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia
potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay
Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty
azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo
anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny
tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny
Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
52 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda
dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay* sy
ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny
amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]
53 Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika
mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
54 Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i
Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
55 [Ny nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy
ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny
Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera,
zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka,
tsy fantatro velively.
56 Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na
zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny.
57 Ary nony niverina avy namono ilay Filistina
Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola
teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.
58 Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao,
ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
1 Ary rehefa nitsahatra niteny tamin'i Saoly
izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny
tenany mihitsy izy.
2 Ary Saoly nandray azy tamin'izany andro izany
ka tsy namela azy hody tany amin'ny tranon-drainy intsony.
3 Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny
fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
4 Ary nesorin'i Jonatana ny akanjony ivelany
izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy
ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5 Ary Davida nanafika ka hita fa hendry
tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila
izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.
6 Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i
Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny
tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka
tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona*.[Na: varahina telo
zoro]
7 Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe:
Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
8 Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany
izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy
kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9 Ary Saoly hatramin'izany andro izany dia
nangarika an'i Davida.
10 Ary nony ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy
avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano
izy; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro
ihany, ary nisy lefona teny an-tànan'i Saoly.
11 Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy:
Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa
Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12 Ary Saoly natahotra an'i Davida, satria
Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13 Koa dia nesorin'i Saoly tsy ho eo aminy
Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra
izy.
14 Ary Davida dia hita fa hendry tamin'izay
rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15 Ary nony hitan'i Saoly fa hendry dia hendry
Davida, dia natahotra azy izy.
16 Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia
an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
17 Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Indro homeko
ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny
adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny
tanan'ny Filistina no hamely azy.)
18 Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Zinona moa aho,
ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin'ny raiko ao amin'ny Isiraely, no ho
vinanton'ny mpanjaka aho?
19 Kanjo nony tamin'ny andro tokony ho namoahana
an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i
Adriela Meholatita izy.
20 Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i
Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
21 (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho
fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i
Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao*. [Na: Izy roa vavy izao dia
samy maha-vinantoko anao avokoa]
22 Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe:
Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka
ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny
mpanjaka ianao.
23 Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny
izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho
vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy
manan-daza?
24 Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe:
Izany no navalin'i Davida.
25 Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i
Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny
fahafatesan*'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony.
Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina
izany.[Heb. saron-tsosoka]
26 Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly
tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny
mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
27 dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny
olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny
fahafatesany* ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny
mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.[Heb.
saron-tsotsoka]
28 Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah
nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
29 Ary dia vao mainka natahotra an'i Davida
Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida mandrakariva izy.
30 Ary ireo andrianan'ny Filistina dia
nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny
mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
1 [Ny nifonan'i Jonatana ho an'i Davida, sy ny
nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny nandosiran'i Davida nankany
amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny
mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i
Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
2 Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe:
Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao
rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere;
3 ary izaho hivoaka ka hitsangana eo
anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa
izay hitako dia hambarako aminao.
4 Ary Jonatana nilaza soa an'i Davida tamin'i
Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an'i Davida
mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny
nataony,
5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka
namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely
rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà
marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
6 Ary Saoly nihaino ny tenin'i Jonatana ka
nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
7 Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara
izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia
nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
8 Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida
ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
9 Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah
tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony
teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany.
10 Ary Saoly nihendry hamely an'i Davida
tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny rindrina; fa izy nisoroka
niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no voan'ny lefona; dia nandositra
Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
11 Ary Saoly naniraka olona hankany amin'ny
tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin'i
Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia
hatao maty raha maraina.
12 Ary Mikala nampidina an'i Davida tamin'ny
varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
13 Ary nalain'i Mikala ny sampy*, dia napetrany
teo amin'ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon'osy ny lohany, dia
norakofany ny lamba izy.[Heb. terafima]
14 Ary nony naniraka haka an'i Davida Saoly,
dia hoy ny vavy: Marary izy.
15 Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an'i
Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin'ny farafara izy
hovonoiko.
16 Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny
sampy* no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny
lohany.[Heb. terafima]
17 Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no
namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy
Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
18 Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga
tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly
taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
19 Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro,
Davida ao Naiota any Rama.
20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i
Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela
mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny
Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
21 Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly,
dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka
olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
22 Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary
tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany
hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama
izy.
23 Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga
tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny
am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
24 Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba
naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka
mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa
moa mba isan'ny mpaminany?
1 [Ny faran'ny nitadiavan'i Jonatana
hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida nandositra niala tao Naiota any
Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona
no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko
izy?
2 Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho
faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely,
ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
3 Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe:
Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy:
Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa
Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy
ny fahafatesana.
4 Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na
inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho
tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny
mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka
ampitso harivariva.
6 Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia
ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema
tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.
7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia
fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho
fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
8 Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa
nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka
aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny
rainao aho?
9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao
izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako
aminao mihitsy izany.
10 Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no
hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao
anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao
rainao]
11 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary
isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
12 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara
rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa
ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
13 dia hataon'i Jehovah toy izany anie
Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy
ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa
aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.
14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy
hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
15 Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny
famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny
fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny tany.
16 Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny
taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida.
17 Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray
noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.
18 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso
ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
19 Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia
midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay
raharaha iny*, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3]
20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo
anilany, toy ny mikendry marika.
21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe:
Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy
hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa
hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa
Jehovah.
22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy:
Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no
nampandeha anao.
23 Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho
sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
24 Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony
tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
25 teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro
ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa
Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny
fipetrahan'i Davida.
26 Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona
tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio
izy, eny, tsy madio izy.
27 Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny
ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy
Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese
hihinana omaly sy androany?
28 Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida
niera fatratra tamiko hankany Betlehema
29 nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho,
fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko
mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao,
aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto
amin'ny latabatry ny mpanjaka.
30 Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i
Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa
tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny
kibon*'ny reninao.[Heb. fitanjahan']
31 Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny
tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny
fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty
izy.
32 Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka
nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
33 Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka
dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.
34 Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra
Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny
ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy
henatra.
35 Ary nony maraina, dia nivoaka nankany
an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy
kely nanaraka azy.
36 Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka
izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia
nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
37 Ary nony efa tonga teo amin'ilay
nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i
Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
38 Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe:
Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana
nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.
39 Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na
inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany.
40 Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny
fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
41 Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana
avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo,
ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy
loatra.
42 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana
soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe:
Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao
mandrakizay.
*
1 Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana
kosa nankany an-tanàna.
2 [Ny nandosiran'i Davida nankany Noba, sy ny
nialany tany nankany Gata] Ary Davida tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka
mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao
taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
3 Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona:
Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho
fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary
ny zatovoko.
4 Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy
aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
5 Ary ny mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy
misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady
vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
6 Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao
taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy
rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia masina ny fanaky ny zatovo; ary na
dia tsy masina aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
7 Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa
tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah,
mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro nanesorana azy.
8 (Nefa nisy anankiray tamin'ny mpanompon'i
Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo anatrehan'i Jehovah, Doega
Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly izy.)
9 Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka: Tsy misy
lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny
fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan'ny mpanjaka.
10 Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata
Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba
ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy
afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
11 Ary Davida niainga nandositra tamin'izany
andro izany mba tsy ho azon'i Saoly, dia nankany amin'i Akisy, mpanjakan'i
Gata.
12 Ary hoy ny mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity
moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany
hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
13 Ary dia nalatsak'i Davida tao am-pony izany
teny izany, ka natahotra an'i Akisy, mpanjakan'i Gata, indrindra izy.
14 Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao
tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin'ny
lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin'ny somony ny iviny.
15 Ary hoy Akisy tamin'ny mpanompony: He!
hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ
amiko izy?
16 Izaho moa mitady olona very saina, no
nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa
hiditra ato an-tranoko va ilehio?
*
1 [Ny nirenirenen'i Davida tany Joda sy Moaba,
ary ny namonoan'i Saoly ny mpisorona maro] Ary Davida niala teo ka nandositra
nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny
mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
2 Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa
rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no
tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
3 Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba
ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny
reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay
hataon'Andriamanitra amiko.
4 Ary dia nentiny ho eo anatrehan'ny
mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro rehetra
nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana.
5 Ary hoy Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza
mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin'ny
tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala Hareta.
6 Ary ren'i Saoly fa hita Davida sy ny olona
nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana
Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra
nitsangana teo anoloany),
7 dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony izay teo
anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba
homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy
mpifehy zato ianareo rehetra,
8 no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo
rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin'ny
zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa
ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao
anio izao?
9 Ary Doega Edomita, mpifehy* ny mpanompon'i
Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany
amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.[Na: izay nitsangana teo amin']
10 Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i
Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr'i Goliata
Filistina.
11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i
Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay
mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra.
12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry
zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no
niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay
nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra
hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao?
14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza
moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay
vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy
tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny
mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona
na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be.
16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao,
ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.
17 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina* izay
teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa
momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany
tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely
ny mpisoron'i Jehovah.[Heb. mpihazakazaka]
18 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina
ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona,
dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
19 Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa
Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika
sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.
20 Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka,
zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i
Davida.
21 Ary Abiatara nanambara tamin'i Davida ny
namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah.
22 Ary hoy Davida tamin'i Abiatara: Fantatro
androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho
no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny tarana-drainao.
23 Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra;
fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no
hahavoavonjy anao.
*
1 [Ny namonjen'i Davida an'i Keila] Ary nisy
nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo
ny ao amin'ny famoloana.
2 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe:
Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida:
Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
3 Ary hoy ny olon'i Davida taminy: He!
atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin'ny
miaramilan'ny Filistina?
4 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida.
Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no
hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
5 Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary
niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary
dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.
6 Ary raha nandositra nankany amin'i Davida
tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
7 Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila
Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria
efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.
8 Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina
hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.
9 Ary fantatr'i Davida fa Saoly namorona
sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento
etỳ ny efoda.
10 Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila
mba handrava ny tanana noho ny amiko.
11 Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra
ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren'ny
mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho,
ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
12 Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila
hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra
anao izy.
13 Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho
enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary
nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona
tsy nandeha izy.
14 Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao
amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i
Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo
an-tànany.
15 [Ny nitoeran'i Davida tany an-efitr'i Zifa
sy Maona, ary ny hevitra nataon'ny Zifita hahazoan'i Saoly azy] Ary hitan'i
Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany
anaty ala.
16 Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia
nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.
17 Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra,
fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely,
ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.
18 Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah
izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany
an-tranony.
19 Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea
ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any
an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?
20 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny
fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny
mpanjaka izy.
21 Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie
ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
22 Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka
tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina
dia lalina, hono, izy.
23 Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena
rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary
izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko
eran'ny arivon'i Joda rehetra.
24 Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i
Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay*
atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà]
25 Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady
azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato
izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia
nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
26 Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny
tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka
mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky
nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
27 Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao
hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
28 Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i
Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia
nataony hoe: Sela-hamalekota*.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]
*
1 [Ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly,
na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao
amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.
2 Ary rehefa niverina avy nanenjika ny
Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i
En-jedy.
3 Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny
Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony tany amin'ny
vatolampin'ny osi-dia.
4 Ary tonga teo amin'ny valan'ondry
tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa
Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
5 Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no
andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny
fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika
nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
6 Nefa nony efa vita izany, dia namely an'i
Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny kapôtin'i Saoly,
7 ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo
anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay
voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.
8 Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany
teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly
nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.
9 Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana
koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry
mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin'ny tany
Davida ka niankohoka.
10 Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao
no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
11 Indro, hitan'ny masonao androany ny
nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra
hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny
tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy.
12 Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny
sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao
aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na
fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza
ny aiko mba hahafaty azy.
13 Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah
no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
14 Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe:
Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
15 Hitady an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'ny
Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
16 Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara
ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin'ny tananao.
17 Ary nony vita izany teny nataon'i Davida
tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary
Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
18 ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho
izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
19 Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao
soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy
nahafaty ahy ianao.
20 Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony,
havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao
noho ny nataonao tamiko androany.
21 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho
mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo
an-tananao.
22 Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao
ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy
hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.
23 Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary
dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery
fiarovana.
*
1 [Ny nahafatesan'i Samoela, ary ny amin'i
Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona
azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka
nidina nankany an-efitra Parana.
2 Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela
ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary
nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3 Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no
anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po
sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.
4 Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala
manety ny ondriny.
5 Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao
taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka
miarahabà azy amin'ny anarako.
6 Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra
ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary
fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.
7 Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry
ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy
nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
8 Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy.
Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay);
masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida
zanakao.
9 Ary rehefa tonga ny zatovon'i Davida, dia
niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka izany teny rehetra Izany
izy, ka dia nipetraka.
10 Fa Nabala namaly ny mpanompon'i Davida hoe:
Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny
izay milefa miala amin'ny tompony.
11 Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny
zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy
fantatro nihaviana akory?
12 Dia nihodina ny zatovon'i Davida ka nankany
amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny
rehetra izany taminy.
13 Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao
ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany
teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny
fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka
an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.
14 Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny
anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany
an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.
15 Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa
taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very
tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
16 Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny
andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17 Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay
hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa
Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
18 Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo
roan-jato sy divay eran'ny tavoara* roa sy ondry dimy voavoatra sy lango
indimin'ny vata** sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato,
dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[*Na: siny hoditra][**Heb. sea]
19 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo
alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20 Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny
izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony
nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
21 Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny
an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa
nataoko.
22 Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny
fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy
miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
23 Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia
niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka
nitsaoka azy.
24 Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao
hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao
ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
25 Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io
Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny;
Nabala* no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko,
tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.[Nabala = Adala]
26 Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa
Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo
heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny
fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
27 Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao
aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
28 Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny
ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny
tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny
andro rehetra iainanao.
29 Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika
anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah
Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia
hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
30 Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita
amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho
mpanapaka ny Isiraely,
31 dia tsy ho alahelo* na ho nenina* amin'ny
fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny
tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho
ankizivavinao.[Heb. fahatafintohinana]
32 Ary hoy Davida tamin'i Abigaila: Isaorana
anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko
androany.
33 Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary
hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny
fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
34 Kanefa, raha velona koa Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy
faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia
lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
35 Ka dia noraisin'i Davida teny an-tànany ilay
zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao
ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
36 Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala;
kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka,
ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy
nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.
37 Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan'i
Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny
fony ka tonga tahaka ny vato.
38 Ary nony afaka hafoloana, dia nasian'i
Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39 Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia
hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy
tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy
nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka
hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
40 Ary nony tonga tany amin'i Abigaila teo
Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ
aminao hila anao ho vadiny.
41 Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny
tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry
ny mpanompon'itompokolahy.
42 Ary Abigaila nitsangana faingana ka
nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny
irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
43 Ary Davida efa nanambady an'i Ahinoama avy
any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
44 Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy,
vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.
1 [Ny nilazan'ny Zifita tamin'i Saoly fanindroany
izay hahazoany an'i Davida, sy ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary
ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny
havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
2 Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i
Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady
an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3 Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila
manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany
an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
4 Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa
tonga tokoa Saoly.
5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny
nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i
Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety,
sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6 Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy
Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any
amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
7 Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy
Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny
sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa
Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8 Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa
voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao,
aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy
hamely azy indroa akory aho.
9 Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy;
fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
10 Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah,
dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na
hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
11 Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha
haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny
lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha
isika handeha.
12 Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara
izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na
nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky
ny torimaso izy.
13 Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka
nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny
elanelan'izy roa tonta);
14 ary Davida niantso ny olona sy Abnera,
zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe:
Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
15 Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy
mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no
tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo
hamono ny mpanjaka tomponao.
16 Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona
koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo,
ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy
ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
17 Ary fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy
izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry
mpanjaka tompoko.
18 Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no
manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin'ny tanako?
19 Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka
tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely
ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia
aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany
tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana,
manompoa andriamani-kafa.
20 Koa aza avela ho latsaka amin'ny tany
lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka nitady parasy
iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
21 Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry
Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny
aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
22 Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon'ny
mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
23 Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao
teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa
tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho.
24 Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina
ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka
hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.
25 Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie
ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa
Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
*
1 [Ny nitoeran'i Davida tany Ziklaga tany
amin'ny Filistina] Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i
Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra
haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy
eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.
2 Ary niainga Davida nandeha mbamin'ny
enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i Maoka, mpanjakan'i
Gata.
3 Ary nitoetra tao amin'i Akisy tao Gata
Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany avy, ary Davida
mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay
novinadin'i Nabala.
4 Ary nambara tamin'i Saoly fa Davida efa
nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
5 Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Raha mahita
fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin'ny tanàna anankiray any
an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto
amin'ny renivohitry ny fanjakana?
6 Dia nomen'i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka
dia an'ny mpanjakan'ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
7 Ary ny andro nitoeran'i Davida tany amin'ny
tanin'ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
8 Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika
ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin'ny tany
hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora, hatramin'ny tany Egypta.
9 Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy
novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy
boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.
10 Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo
androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an'i Joda sy izay an'ny
Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.
11 Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny
any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy
izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra
nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
12 Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa
nampangidy hoditra* ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho
mpanompoko mandrakizay.[Heb. nanamaimbo]
1 [Ny nikambanan'i Davida tamin'ny Filistina,
sy ny nivorian'ny Filistina hiady tamin'ny Isiraely, ary ny nankanesan'i Saoly
tany amin'ilay vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra] Ary tamin'izany andro
izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy
Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika
ianao sy ny olonao.
2 Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia
ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i
Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
3 (Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra
efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa
noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny
mpanao hatsarana.)
4 Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao
Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5 Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan'ny
Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
6 Ary Saoly dia nanontany tamin'i Jehovah, fa
Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny
mpaminany.
7 Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo
vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy.
Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra
eo Andora.
8 Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana
hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao
amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho
ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay
hotononiko aminao.
9 Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao
izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny
mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko
hahafaty ahy?
10 Ary Saoly nianiana tamin'i Jehovah ka nanao
taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin'izao
zavatra izao.
11 Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko
ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
12 Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia
nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no
namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra;
fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i Saoly: Andriamanitra miakatra
avy amin'ny tany no hitako.
14 Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny?
Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i
Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.
15 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no
korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady
amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy
intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba
hampahalalanao ahy izay hataoko.
16 Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko
ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
17 Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny
nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao ny fanjakana ka nomeny
an'i Davida namanao.
18 Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah ianao
ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny Amalekita, dia izany no
nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
19 Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo
an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho
etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia
hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
20 Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka
tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa
tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray
alina maninjitra.
21 Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita
azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny
feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay
nolazainao tamiko.
22 Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy
kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo
anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin'ny alehanao
ianao.
23 Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana
aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny
feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
24 Ary ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao
an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia
nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
25 Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo
anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa
nandeha tamin'iny alina iny ihany.
*
1 [Ny nanesorana an'i Davida tsy hiaraka
tamin'ny miaramilan'ny Filistina] Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany
rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezirela.
2 Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso
nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa
nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.
3 Ary hoy ireo andrianan'ny Filistina: Haninona
moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io
va no Davida, mpanompon'i Saoly, mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko
elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko
ka mandraka androany?
4 Dia tezitra taminy ireo andrianan'ny Filistina
ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin'ny fonenany izay efa
nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga
fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no hahazoan'io sitraka amin'ny
tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
5 Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy
nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida
nahafaty alinalina?"
6 Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy
hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra
sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay
nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak'ireo
andriana ireo ianao.
7 Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara,
mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo andrianan'ny Filistina.
8 Fa hoy Davida tamin'i Akisy: Inona no
nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatrizay nitoerako
tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin'ny
fahavalon'ny mpanjaka tompoko?
9 Ary Akisy namaly an'i Davida hoe: Fantatro fa
tsara eo imasoko tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan'ny
Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
10 Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin'ny
mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka
mazava ny andro, dia mandehana.
11 Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa
handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Ary ny Filistina dia
niakatra nankany Jezirela.
*
1 [Ny namalian'i Davida ny Amalekita noho ny nandravany
an'i Ziklaga] Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro
fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka
namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;
2 ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra
tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny
ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
3 Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny
tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny
zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
4 Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia
nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
5 Ary voababo koa izy roa vavy vadin'i Davida,
dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
6 Ary ory indrindra Davida, fa ny olona
nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny
zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah
Andriamaniny.
7 Ary hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona,
zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin'i
Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.
8 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe:
Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe:
Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
9 Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay
nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary teo no nijanonan'ny
sasany.
10 Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika;
fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora,
dia nijanona tany aoriana.
11 Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha
ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka
nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
12 Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy
voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny
ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro
rano.
13 Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary
avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray,
aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
14 Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay
an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro
an'i Ziklaga tamin'ny afo.
15 Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina
ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko
amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny
tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho.
16 Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely
eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben'ny babo
rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'ny Joda.
17 Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny
ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo
efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
18 Dia rarak'i Davida izay rehetra efa
nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny roa.
19 Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na
be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin'izay nobaboin'ireny; izany
rehetra izany dia azon'i Davida avokoa.
20 Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby
rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no
babon'i Davida.
21 Ary Davida tonga teo amin'ny roan-jato lahy,
izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin'ny renirano Besora;
ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony
tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
22 Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy
fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka
tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny
vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
23 Fa hoy Davida: Aza manao izany amin'izay
nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo
an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
24 Koa iza no hanaiky anareo amin'izany? Fa
tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho anjaran'izay nitoetra tamin'ny
entana: hiara-misalahy izy.
25 Dia izany no fanao hatramin'izany andro
izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany ambaraka androany.
26 Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba
nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay
saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,
27 dia ho an'izay ao Betela sy izay any Ramata
amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira
28 sy ho an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao
Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa
29 sy ho an'izay ao Rakala sy ho an'izay any
an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any an-tanànan'ny Kenita
30 sy ho an'izay ao Horma sy ho an'izay ao
Korasana sy ho an'izay ao Ataka
31 sy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any
amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.
*
1 [Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zanany, ary ny
nandevenana azy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo
anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny
an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2 Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy
ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i
Saoly.
3 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia
nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho
ny mpandefa tsipìka.
4 Ary hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany:
Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora
irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety
ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra
ka nianjerany.
5 Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa
maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
6 Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy
ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
7 Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely
teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy
amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka
nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra
teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy
niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9 Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny
fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy
hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny
olona.
10 Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta
ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.
11 Ary nony ren'ny mponina tany Jabesi-gileada
izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka
nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany teo
amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.
13 Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao
ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.