[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Nomery
Accčs direct aux chapitres des Nombres : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36
1 [Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny
nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3 dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina
azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho
namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny
avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6 ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7 ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i
Aminadaba;
8 ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
9 ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i
Helona;
10 ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama,
zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy
amin'i Manase kosa;
11 ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i
Gideony;
12 ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i
Amisaday;
13 ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
14 ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
15 ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
16 Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny
fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17 Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona
voatonona anarana ireo,
18 dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy
izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny
anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
19 Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy
no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
20 Ary tamin'ny taranak'i Robena,
lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra
izay azo nalefa hanafika,
21 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena
dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
22 Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny
fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany
tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra,
izay azo nalefa hanafika
23 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i
Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
24 Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
25 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada
dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
26 Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
27 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda
dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
28 Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
29 izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara
dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
30 Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny
fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo
taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
31 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i
Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
32 Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy
tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny
anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra
azo nalefa hanafika,
33 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i
Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34 ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny
fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo
taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
35 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase
dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
36 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny
fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo
taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
37 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i
Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
38 Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
39 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana
dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
40 Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
41 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera
dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
42 Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
43 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera
dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
44 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny
roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany
avy.
45 Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely
araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay
rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
46 dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo
sy enina hetsy.
47 [Ny amin'ny raharahan'ny Levita] Fa ny
Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
48 Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
49 Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina,
ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;
50 fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny
Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa
izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao
fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51 Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny
Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no
hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
52 Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo
amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.
53 Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny
tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny
fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba
ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
54 Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka
izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.
*
1 [Ny filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny
fireneny avy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva
kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny
trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
3 Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana,
tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda,
araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i
Aminadaba;
4 ary ny miaramilany izay nalamina dia
enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5 Ary ny hitoby eo anilany dia ny
firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
6 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato
amby efatra arivo sy dimy alina.
7 Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny
lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
8 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato
amby fito arivo sy dimy alina.
9 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i
Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny
antokony. Ireo no loha-lalana.
10 Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo
amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia
Elizora, zanak'Sedeora;
11 ary ny miaramilany izay nalamina dia
diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i
Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13 ary ny miaramilany izay nalamina dia
telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14 Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny
taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15 ary ny miaramilany izay nalamina dia
dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
16 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny
tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray
hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
17 Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny
tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no
handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
18 Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny
antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima
dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19 ary ny miaramilany izay nalamina dia
diman-jato amby efatra alina.
20 Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary
ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;
21 ary ny miaramilany izay nalamina dia
roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22 Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny
lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
23 ary ny miaramilany izay nalamina dia
efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny
tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo
no mandeha fahatelony.
25 Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny
antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia
Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26 ary ny miaramilany izay nalamina dia
fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i
Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
28 ary ny miaramilany izay nalamina dia
dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29 Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny
lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30 ary ny miaramilany izay nalamina dia
efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny
tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia
ireo kosa no vodi-lalana.
32 Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely,
araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka
ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
33 Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina
tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
34 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay
rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy,
ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
*
1 [Ny nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny
nitobiany, ary ny zavatra hotandremany] Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy
tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2 Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba
lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny
mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
4 Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy
Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i
Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no
nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.
5 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
6 Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero
eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy
ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana
izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny
trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny
fanompoana ao amin'ny tabernakely.
9 Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny
Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.
10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao
hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
12 Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny
Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny
Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay
andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no
nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona,
na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany
an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15 Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy
ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no
halaminao.
16 Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i
Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17 Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny
anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona,
araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny
fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
20 Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny
fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany.
21 Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy
ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
22 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy
rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
23 Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo
ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia
Efiasafa, zanak'i Laela.
25 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona
eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy
ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady
lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny
alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita
sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo
no fokon'ny Kehatita.
28 Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray
volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana
masina, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo
amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
30 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny
fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
31 Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny
latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana
masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny
zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 Ary ny lehiben'ny lohan'ny Levita dia
Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny mpitandrina ny
anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
33 Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny
fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
34 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy
rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
35 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i
Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra
amin'ny tabernakely.
36 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary
dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny
faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao
fanompoana ao,
37 ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina
sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
38 Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely
atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny
masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny
anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny
Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
39 Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny
Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy
tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia
roa arivo amby roa alina.
40 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny
lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho
miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny
lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby
fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny
Zanak'Isiraely.
42 Dia nalamin'i Mosesy ny lahimatoa rehetra
teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
43 Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany
tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia
telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
44 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
45 Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra
eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby
fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo
sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny
Levita,
47 dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka
ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
48 Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola
ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
49 Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny
nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no
nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo,
araka ny sekely masina;
51 dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany
izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Ny raharahan'ny Levita, sy ny isany
isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny
taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny
dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao
amin'ny trano-lay fihaonana.
4 Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao
amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:
5 Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona
sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny
Vavolombelona'izany;
6 ary hodi-takasy no hataony sarona eo
amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo
ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo
ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely
sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia
hataony eo amboniny.
8 Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka
hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9 Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka
hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny
hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo,
izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia
hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana
azy.
11 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny
alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy
ny baony;
12 dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo,
dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony
ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia
hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13 Dia hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara
izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14 Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka
rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny
fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana,
dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo
amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
15 Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny
manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny
toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny
fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana
izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.
16 Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona
mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny
fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha
rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina
sy ny fanaka momba azy.
17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
ka nanao hoe:
18 Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny
Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19 fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona
izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny
zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny
fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20 fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana
masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
21 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
22 Alao isa koa ny taranak'i Gersona, araka ny
fianakaviany sy ny fokony avy;
23 ny hatramin'ny telo-polo taona ka
hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny
antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
24 Izao no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita
hanompoany sy hitondrany entana:
25 ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay
fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny
varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady
lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny
alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra
hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27 Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no
hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany
rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho
entiny.
28 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita
ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany
anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
29 Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny
fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 ny hatramin'ny telo-polo taona ka
hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny
antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31 Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny
entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo
amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
32 sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy
ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny
zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo
ny fanaka izay anjarany ho entina.
33 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i
Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary
Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny
fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny
fianakaviany avy,
35 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny
dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana
ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36 Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony,
dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita,
dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay
nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
38 Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i
Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny
dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao
amin'ny trano-lay fihaonana
40 izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny
fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41 Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i
Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay
nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.
42 Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny
taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny
dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana
ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44 izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia
roan-jato sy telo arivo;
45 ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i
Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay
nampitondrainy an'i Mosesy.
46 Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i
Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny
dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy
ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
48 izay nalamina taminy dia valo-polo amby
diman-jato sy valo arivo.
49 Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy
an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny
anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
*
1 [Lalāna ny amin'ny famoahana izay misy
fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka
rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala
amin'ny toby;
3 na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo
any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
4 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka
ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no
nataon'ny Zanak'Isiraely.
5 [Ny amin'ny fanonerana, raha misy manao izay
mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy
lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso
amin'i Jehovah ary meloka,
7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay
nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy
fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.
8 Fa raha tāhiny tsy manana havana akaiky
haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina
ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny
ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny
zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona,
dia ho azy izany.
10 Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona
rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
11 [Ny lalāna ny amin'ny fanatitra noho ny
ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao
aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny
lahy,
13 fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy
hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona
hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
14 kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka
miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao
amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15 dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona
ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea
ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo
mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana,
hampahatsiaro heloka.
16 Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka
hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
17 dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny
mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny
mpisorona ka hataony amin'ny rano;
18 ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona
eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony
eo an-tānany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho
eo an-tānan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona
ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala
tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity
ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20 fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa
ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona
mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho
fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny
fampivontosany ny kibonao;
22 ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra
ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy
hanao hoe: Amena, amena.
23 Ary hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy
izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano mangidy ny soratra;
24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny
ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia
hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25 Dia halain'ny mpisorona eo
an-tānan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo
anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
26 Dia horaofin'ny mpisorona ny
fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny
alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary
voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny
ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny
feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.
28 Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa
madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
29 Izany no lalāna ny amin'ny ahiahy, raha misy
vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
30 na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana ka
miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan'i Jehovah izy, ary
ny mpisorona hanefa izany lalāna rehetra izany aminy.
31 Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa
ravehivavy kosa ho meloka.
*
1 [Ny lalāna ny amin'ny mivoady ho Nazirita]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i
Jehovah,
3 dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro
divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro
ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
4 Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy
hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny
izy.
5 Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany
hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay
nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny
volondohany.
6 Amin'ny andro rehetra izay itokanany ho an'i
Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
7 aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny
rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo,
satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny.
8 Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho
masina ho an'i Jehovah izy.
9 Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany
ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro
fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy;
10 ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra
domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
11 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray
ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao
fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany
amin'izany andro izany izy.
12 Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny
fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana;
fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
13 Ary izao no lalāna ny amin'ny Nazirita:
Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana izy;
14 ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah
izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana,
ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota,
ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona,
dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy
masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra
aidina momba azy.
16 Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i
Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
17 dia hateriny ny ondrilahy ho
fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray
harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra
aidiny.
18 Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay
fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny
volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny
fanati-pihavanana.
19 Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy
izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo
manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa
voaharatra ny lohany izay fitokanany.
20 Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho
fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona
ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka
izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
21 Izany no lalāna ny amin'ny Nazirita, izay
mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay
zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony,
araka ny lalāna ny amin'ny fitokanany.
22 [Ny tso-drano fanaon'ny mpisorona] Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao
no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:
24 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie
Jehovah ka hamindra fo aminao;
26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka
hanome anao fiadanana.
27 Dia hametraka ny anarako amin'ny
Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
*
1 [Ny zavatra naterin'ny lohan'ny firenen'ny
Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i
Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy
mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba
azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
2 dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny
Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy
ny voalamina).
3 Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo
anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia
sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia
nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
4 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
5 Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana
momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany
avy.
6 Dia noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby
ka nomeny ny Levita.
7 Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an'ny
taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;
8 ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho
an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany, eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i
Arona mpisorona.
9 Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba
nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no
azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
10 Dia ny lohan'ny firenena no nanatitra ho
amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy
nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.
11 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny
lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny
fitokanana ny alitara.
12 Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro
voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba, avy tamin'ny firenen'i Joda.
13 Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray,
sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana,
sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto
voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
14 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
15 ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray
ary zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
16 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
17 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.
18 Ary tamin'ny andro faharoa dia Netanela,
zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra.
19 Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia
volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray
famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba
tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
20 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
21 ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray
sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
22 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
23 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.
24 Ary tamin'ny andro fahatelo dia Eliaba,
zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no nanatitra.
25 Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
26 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
27 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
29 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
30 Ary tamin'ny andro fahefatra dia Elizora,
zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no nanatitra.
31 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
32 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
dinti-kazo manitra;
33 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
34 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
35 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray ireo no fanatitr'i
Elizora, zanak'i Sedeora.
36 Ary tamin'ny andro fahadimy dia Selomiela,
zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no nanatitra.
37 Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
38 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
39 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
40 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
41 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,
42 Ary tamin'ny andro fahenina dia Eliasafa,
zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.
43 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
44 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
45 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
46 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
47 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.
48 Ary tamin'ny andro fahafito dia Elisama,
zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no nanatitra.
49 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
50 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
51 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
52 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
53 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
54 Ary tamin'ny andro fahavalo dia Gamaliela,
zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no nanatitra.
55 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
56 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
57 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
59 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
60 Ary tamin'ny andro fahasivy dia Abidana,
zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no nanatitra.
61 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
62 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
63 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
64 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
65 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.
66 Ary tamin'ny andro fahafolo Ahiezera,
zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no nanatitra.
67 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
68 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
69 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
70 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
71 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.
72 Ary tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo
dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i Asera. no nanatitra.
73 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
74 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno
ditin-kazo manitra;
75 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
76 osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
77 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.
78 Ary tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo dia
Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i Naftaly, no nanatitra.
79 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely
telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely
fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo
diloilo, ho fanatitra hohanina;
80 lovia kely volamena iray, dia sekely folo,
feno ditin-kazo manitra;
81 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray,
zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
82 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
83 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa,
ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no
fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.
84 Ireo no zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely
ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy: lovia
volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa ambin'ny folo famafazana,
lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
85 sekely telo-polo amby zato avy no lanjan'ny
lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan'ny
volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo,
araka ny sekely masina;
86 lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno
ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny lanjan'ny lovia kely volamena rehetra
dia sekely roa-polo amby zato.
87 Ny isan'ny biby rehetra izay natao fanatitra
dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry
roa ambin'ny folo, izay samy iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba
azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota.
88 Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao
fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy
enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona.
Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
*
89 Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay
fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka
aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny
fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy
Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny fampirehetana ny jiro, sy ny
nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra
ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
3 Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny
jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
4 Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena
novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana
avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny
fanaovan-jiro.
5 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
6 Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka
diovy izy.
7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy:
Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary
aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
8 Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy
mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary
vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
9 Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny
trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
10 Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i
Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tānany aminy;
11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo
anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba
hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
12 Ary ny Levita hametraka ny tānany amin'ny
lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota,
ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana
ho an'ny Levita.
13 Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny
zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.
14 Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny
Levita, dia ho Ahy izy.
15 Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny
Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy
izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16 fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny
Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay
lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny
Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny
voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
18 Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny
lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
19 Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany
mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny
Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny
Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny
fitoerana masina izy.
20 Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay
rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny
Zanak'Isiraely taminy.
21 Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka
ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva
eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
22 Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny
Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
24 Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy
amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony
hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;
25 fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia
hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
26 kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao
amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa
tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny
anjara-raharahany.
*
1 [Ny nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska
tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay
tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany
amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska
amin'ny fotoany.
3 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny
folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy
sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
4 Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba
hitandrina ny Paska.
5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay
izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana
voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny
Zanak'Isiraely.
6 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty
ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo
anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany
7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty
izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny
fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa
hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.
9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
10 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby,
maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i
Jehovah ihany koa izy.
11 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny
folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo
tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
12 Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary
aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalāna rehetra ny amin'ny Paska
ihany koa no hitandremany azy.
13 Fa ny olona izay madio sady tsy
lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho
amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny
fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba
te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny
Paska ihany no hanaovany azy; lalāna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na
tompon-tany.
*
15 [Ny amin'ny rahona izay nitarihan'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona
dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony
hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy
mandra-pahamarain'ny andro.
16 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona
nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
17 Ary rehefa niakatra niala tamin'ny tranolay
ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona
no nitobiany.
18 Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny
Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro
rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany.
19 Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny
tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana
ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.
20 Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no
nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany
no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany.
21 Ary indraindray kosa dia nijanona
hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra
izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no
niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
22 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela
aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany
ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga
izy.
23 Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary
araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah
notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
*
1 [Ny trompetra volafotsy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Manaova trompetra volafotsy roa ho anao;
voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao
ny toby ireo.
3 Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo
aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny
firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia
hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany
ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao
fiaingany.
7 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo,
dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka
ny trompetra; dia ho lalāna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara
mandimby izany.
9 Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka
mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo
trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.
10 Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny
fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny
trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho
fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no
Andriamanitrareo.
*
11 [Ny niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany
an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro
faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny
rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
12 Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny
Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
13 Dia izany no niaingany voalohany araka ny
didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
14 Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no
niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy
ny antokony.
15 Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny
antokon'ny firenena taranak'Isakara.
16 Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny
antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.
17 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny
taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely.
18 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena
araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
19 Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy
ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona.
20 Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny
antokon'ny firenena taranak'i Gada.
21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny
zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
22 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i
Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny
antokony.
23 Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny
antokon'ny firenena taranak'i Manase.
24 Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny
firenena taranak'i Benjamina.
25 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i
Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i
Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26 Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny
antokon'ny firenena taranak'i Asera.
27 Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny
antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.
28 Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka
ny antokony avy, raha niainga izy.
29 Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i
Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny
tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay
ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.
30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa
hody any amin'ny taniko sy ny havako.
31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa
fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa
hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i
Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso
nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.
34 Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony
andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany.
35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy:
Mitsangāna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny
tavanao izay mankahala Anao.
36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy
izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.
*
1 [Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao
Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny
olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny
afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.
2 Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary
Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony
hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.
*
4 Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy
dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy
hanome hena hohaninay!
5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay,
maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
6 Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona
na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7 Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny
tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
8 Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia
nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny
vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana
mofo misy diloilo.
9 Ary raha nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony
alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
10 Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny
isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra
fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
11 Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no
dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao
aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
12 Izaho va no torontoronina an'ity firenena
rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy,
tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay
nianiananao tamin'ny razany homena azy?
13 Avy aiza no hahazoako hena homena ity
firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay
hohaninay?
14 Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity
firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15 Koa raha izao no ataonao amiko, masėna
Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita
ny fahoriako aho.
16 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangōna
fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay
fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao
ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
17 Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary
Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary
hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no
hitondra azy.
18 Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasėna ny
tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo
anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena
hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka
hohaninareo.
19 Tsy indray andro no hihinananareo na indroa
andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,
20 fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia
mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo
Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana
re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
21 Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia
lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba
hohaniny mandritra ny iray volana.
22 Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina
ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no
hangonina ho azy hahavoky azy?
23 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va
ny tānan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny
teniko, na tsia.
24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i
Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny
firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
25 Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka
niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao
amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy,
dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby,
Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy
nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo
amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza
tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
28 Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo
an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy
roa lahy.
29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao?
enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i
Jehovah aminy ny Fanahiny!
30 Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny
Isiraely.
31 Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah
ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny
amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy,
ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.
32 Dia nitsangana ny olona nandritra izany
andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa ka nanangona ny
papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny
manodidina ny toby.
33 Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy
mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely
ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
34 Ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe:
Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana.
35 Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka
nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.
*
1 [Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i
Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny
nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa
nampakatra vehivavy Kosita izy.
2 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no
efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah
izany.
3 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy
mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany.
4 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy
sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny
trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
5 Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka
nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama
Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha
misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy,
ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
7 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay
mahatoky amin'ny tranoko rehetra.
8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny
fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah
izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
9 Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah
tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.
10 Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary,
indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i
Miriama, ka indro fa boka izy.
11 Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy,
tompoko, masėna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny
nanotanay.
12 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany
ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
13 Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka
nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
14 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha
nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa
atokāny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro
indray.
15 Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana
Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
16 Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala
tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
*
1 [Ny amin'ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
2 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany
Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy
isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any
an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
4 Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i
Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
5 avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata,
zanak'i Hory;
6 avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba,
zanak'i Jefone;
7 avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala,
zanak'i Josefa;
8 avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea,
zanak'i Nona;
9 avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty,
zanak'i Rafo;
10 avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela,
zanak'i Sody;
11 avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny
firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
12 avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela,
zanak'i Gemaly;
13 avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora,
zanak'i Mikaela;
14 avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby,
zanak'i Vofsy;
15 avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela,
zanak'i Maky.
16 Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i
Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany
Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka
miakara ho any amin'ny tany havoana;
18 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona
monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
19 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara,
na ratsy; ary ny toetry ny tanāna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanāna
mimanda;
20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na māzana,
na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany.
Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.
21 Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany
hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.
22 Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka
nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary
Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
23 Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka
nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary
nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy
dia nitondrany koa.
24 Ary izany tany izany dia nataony hoe
Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely
teo.
25 Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony
afaka efa-polo andro.
26 Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany
Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny
vokatry ny tany.
27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga
tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely
tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
28 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo
amin'ny tany; ary ny tanāna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita
ny teraky ny Anakita teo izahay.
29 Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany
atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany
havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i
Jordana.
30 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo
anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba
hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra
taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny
tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia
tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia
olona vaventibe;
33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia
taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny
tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
1 [Ny nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra
ho eny amin'ny tany Kanana] Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka
nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
2 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny
Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika
mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ
amin'ity efitra ity!
3 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho
amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika
ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
4 Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy
mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo
anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
6 Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i
Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
7 ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay
nosafoina dia tany tsara indrindra.
8 Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra
antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono
sy tantely.
9 Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary
aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala
taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
10 Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy
roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana,
teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
11 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy:
Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana
no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
12 Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka
hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
13 Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho
ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka
avy teo aminy,
14 ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity
tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity,
ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny,
ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary
amin'ny andri-afo nony alina.
15 Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny
olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao
hoe:
16 Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny
firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono
azy tany an-efitra Izy.
17 Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny
herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
18 Mahari-po Jehovah sady be famindram-po,
mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly
ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
19 Mifona aminao aho, mamelā ny helok'ity
firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny
helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
20 Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny
teninao izany.
21 Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny
voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
22 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny
voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa
naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
23 dia tsy hahita mihitsy ny tany izay
nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia
samy tsy hahita izany.
24 Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria
fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho
entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
25 Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina
eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any
an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
26 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
ka nanao hoe:
27 Mandra-pahoviana no mbola handeferako
amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny
fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.
28 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy
Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
29 Etỳ amin'ity efitra ity no
hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny
nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa
nimonomonona tamiko,
30 dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany
izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy
Josoa, zanak'i Nona.
31 Fa ny zanakareo madinika kosa, izay
nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny
tany izay nolavinareo.
32 Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity
efitra ity ny fatinareo;
33 ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry
ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny
fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
34 Araka ny isan'ny andro efa-polo izay
nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny
helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
35 Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa
izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko;
etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no
hahafatesany.
36 Ary ny lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo
ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i
Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
37 dia matin'ny areti-mandringana teo
anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
38 Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i
Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
39 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny
Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.
40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany
an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any
amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.
41 Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i
Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
42 Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
43 fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo
ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho
lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo,
dia tsy homba anareo Izy.
44 Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo
an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i
Jehovah tsy niala teo an-toby.
45 Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay
nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy
hatrany Horma.
*
1 [Didy samy hafa ny amin'ny fanatitra] Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
3 ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra
hafa alatsa-drā hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny
fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
4 izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah
dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha
voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
5 ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra
aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drā,
amin'ny isan-janak'ondry iray.
6 Ary ho fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia
koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no
haterinao ho fanatitra hohanina;
7 ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho
fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
8 Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana
na ho fanatitra hafa alatsa-drā ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana
ho an'i Jehovah,
9 dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho
fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha
voaharo diloilo antsasaky ny hina;
10 ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho
fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho
an'i Jehovah.
11 Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny
isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.
12 Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra,
araka ny isan'ny zavatra aterinareo.
13 Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo
zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.
14 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona
miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia
araka izay ataonareo no hataony.
15 Ary ny amin'ny fiangonana, dia lalāna iray
ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia
lalāna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa
eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
16 Lalāna iray ihany sy fanao iray ihany no ho
aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
18 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo
19 ka hihinana mofo avy amin'ny vokatry ny
tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.
20 Hanokana mofo iray izay hatao amin'ny
voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin'ny
famoloana no hanokananareo izany.
21 Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia
hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
22 Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy
mankatō ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
23 dia izay rehetra nasain'i Jehovah
nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i Jehovah izany didy
izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,
24 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny
fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho
fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra
hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho
fanatitra noho ny ota.
25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho
an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony,
satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i
Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
26 Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra
izany noho ny ota tsy nahy,
27 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy,
dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho
an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny
helony.
29 Lalāna iray ihany no hatao amin'izay manota
tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.
30 Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na
tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho
amin'ny fireneny.
31 Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny
lalāny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho
aminy ihany.
32 [Ny natao tamin'ilay lehilahy nanangona
kitay tamin'ny andro Sabata] Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia
nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.
33 Ary izay nahita azy nanangona kitay dia
nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
34 Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola
fantatra izay hatao aminy.
35 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty
tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana
rehetra.
36 Dia namoaka azy ho eny ivelan'ny toby ny
fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy ihany.
37 [Ny amin'ny hanaovana somotraviavy amin'ny
sisin'ny fitafian'ny Zanak'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
38 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy
asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby,
ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny.
39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha
jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra;
ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay
andehananareo hijangajangana,
40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny
didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo.
41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay
nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo:
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
*
1 [Ny niodinan'i Kora sy ny namany, sy ny
nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona] Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i
Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abėrama, zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i
Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
2 ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo
sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana
avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza;
3 koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona
ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana
rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho
ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?
4 Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka
izy
5 ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra
nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka
hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
6 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany
rehetra: Makā fitondran'afo ho anareo rahampitso.
7 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo
manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah,
dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy!
8 Dia hoy koa Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry
taranak'i Levy:
9 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny
nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely
hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny
tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
10 Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao
taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
11 Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra
dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no
imonomononanareo?
12 Ary Mosesy naniraka nampaka an'i Datana sy
Abėrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
13 Moa zavatra kely va ny nitondranao anay
niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay
atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
14 Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any
amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy
tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto?
Tsy hiakatra izahay.
15 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao
tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia
boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny
anankiray aminy akory aza.
16 Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy
ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy
ireo ary Arona.
17 Ary samia maka ny fitondrana fony avy
ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny
fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia
fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny
fitondran'afony avy.
18 Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy
rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny;
ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i
Mosesy sy Arona.
19 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho
tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.
20 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
ka nanao hoe:
21 Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo
handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja.
22 Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe:
Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no
nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?
23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Mitenena amin'ny fiangonana, ka lazao hoe:
Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary Abėrama.
25 Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i
Datana sy Abėrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely.
26 Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao
hoe: Mialā amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory,
fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
27 Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo
akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abėrama; ary Datana sy Abėrama nivoaka ka
nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy
ary ny zanany madinika.
28 Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa
Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny
saiko izany:
29 Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra
ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy
Jehovah no naniraka ahy.
30 Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah,
ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona
any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandā an'i Jehovah
ireo lehilahy ireo.
31 Ary rehefa tapitra voalazany izany teny
rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny
ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.
33 Dia latsaka velona ho any amin'ny
fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy,
ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.
34 Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy
dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika
koa ny tany.
35 Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka
nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo
manitra.
*
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
2 Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona
mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran'afo, ary ny afo dia
aelezo lavitra; fa masina ireny;
3 ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba
tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny
teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny
Zanak'Isiraely ireny.
4 Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny
fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny
ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
5 ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba
tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro
ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny
namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
6 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i
Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe:
Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.
7 Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy
Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona
azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.
8 Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny
trano-lay fihaonana.
9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
10 Mialā amin'io fiangonana io handringanako
azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
11 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny
fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra,
ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa
mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny
areti-mandringana.
12 Dia nalain'i Arona izany, araka izay
nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary,
indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny
ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.
13 Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny
velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
14 Ary izay efa matin'ny
areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay
efa maty noho ny amin'i Kora.
15 Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia
nitsahatra.
16 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
17 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao
tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra
araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary
samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra.
18 Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny
tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany.
19 Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana
ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
20 Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia
hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay
imonomononany aminareo.
21 Ary Mosesy dia niteny tamin'ny
Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo
aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona
dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.
22 Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i
Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
23 Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny
trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona,
izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
24 Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i
Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery
izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
25 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny
tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho
an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho
faty izy.
26 Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa
nandidian'i Jehovah azy no nataony.
27 Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely
ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay
rehetra.
28 Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay
manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?
Chapitre 18
1 [Ny amin'ny raharahan'ny Levita sy ny
mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary hoy Jehovah tamin'i Arona:
Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana
masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
2 Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy
izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy
ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny
Vavolombelona.
3 Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny
anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana
masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo
koa.
4 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny
anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba
ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
5 Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba
ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy
fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony.
6 Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita
rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho
an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
7 Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny
fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao
anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny
olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
8 Ary Jehovah niteny tamin'i Arona hoe: Indro,
Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra
aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho
anjara mandrakizay.
9 Izao no ho anao amin'ny zavatra masina
indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny
fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany
ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
10 Toy ny fihinananao ny zavatra masina
indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy:
masina ho anao izany.
11 Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho
fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa
nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara
mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
12 Izay rehetra tsara indrindra amin'ny diloilo
sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny
ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.
13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny
taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny
ankohonanao no mahazo mihinana azy.
14 Ny zavatra rehetra voatokana amin'ny
Isiraely dia ho anao.
15 Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho
an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy
havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
16 Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa
iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny
sekely masina (gera roa-polo izany).
17 Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny
voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao,
fa masina ireny; ny rāny dia hatopinao amin'ny alitara, ary ny saborany
hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho
an'i Jehovah.
18 Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny
tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
19 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny
zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny
zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena
mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao
koa.
20 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba
hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no
anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely.
21 Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny
fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay
ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana.
22 Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay
fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
23 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana
momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalāna
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa
tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
24 Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely,
izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i
Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny
Zanak'Isiraely izy.
25 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
26 Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa
raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho
fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.
27 Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho
anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana.
28 Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho
an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny
Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho
an'i Arona mpisorona.
29 Ary ny zavatra rehetra omena anareo no
hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay
rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.
30 Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara
indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo
am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany.
31 Dia mahazo mihinana izany eo amin'ny
fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo
ao amin'ny trano-lay fihaonana.
32 Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka
ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina
aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.
*
1 [Ny lalāna ny amin'ny vantotr'ombivavy mena]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Izao no lalāna hotandremana, izay efa
nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondrany
vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana
zioga.
3 Ary omeo ho an'i Eleazara mpisorona iny, dia
hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina eo anatrehany.
4 Dia hanalan'i Eleazara mpisorona amin'ny
fanondrony ny rāny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.
5 Dia hodorana eo imasony ilay
vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny rāny mbamin'ny tain-drorohany
dia hodorana avokoa.
6 Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy
hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny afo andoroana ny vantotr'ombivavy.
7 Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary
handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy;
ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.
8 Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny
fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
9 Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny
lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay
fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny
Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
10 Ary ilay nanangona ny lavenon'ny
vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
ary ho lalāna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.
11 Izay mikasika fatin'olona dia haloto
hafitoana.
12 Hanadio ny tenany amin'izany rano izany izy
amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy
manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro
fahafito.
13 Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy
manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho
amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny
fahalotoany mbola eo aminy ihany.
14 Izao no lalāna, raha misy olona maty ao
an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin'ny lay dia
haloto hafitoana.
15 Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy
misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
16 Ary izay rehetra mikasika izay
matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia
haloto hafitoana.
17 Dia hangalana ho an'ny maloto ny
lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina
tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.
18 Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray
ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka
rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na
ny matin'aretina, na ny fasana.
19 Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio
amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro
fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa
hariva.
20 Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny
tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny
fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
21 Dia ho lalāna mandrakizay aminy izany, fa
izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny
rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
22 Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny
maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-
paharivan'ny andro.
*
1 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy
ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy]
Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia
ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama
ka nalevina tao.
2 Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia
niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
3 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka
niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo
anatrehan'i Jehovah!
4 Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah
ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
5 Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy
tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy
voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy
misy rano hosotroina?
6 Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy
sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia
niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
7 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona
rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia
hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny
vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
9 Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo
anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
10 Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny
vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity
vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
11 Ary Mosesy dia nanainga ny tānany ka nikapoka
ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka
nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia
tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.
13 Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny
Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny
nataony taminy.
*
14 [Ny teny nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny
mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny
mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao
mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
15 dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny
nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
16 ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay,
dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany
Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanāna eto amin'ny faritry ny taninao,
izahay;
17 koa aoka mba handeha hamaky ny taninao
izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano
amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy
hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny
faritry ny taninao.
18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha
mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.
19 Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny
lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby
aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa
handalo fotsiny ihany.
20 Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ
ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao
tāna-mahery.
21 Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy
namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny
Zanak'Isiraely.
*
22 Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny
fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:
24 Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy
hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandā ny
teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
25 Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento
miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
26 dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio
an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.
27 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i
Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana
rehetra izy telo mianaka.
28 Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka
natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona;
dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
29 Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty
Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.
*
1 [Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjakan'i
Arada] Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny
tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady
taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.
2 Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka
nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay
levona avokoa ny tanānany.
3 Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka
dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona izy sy ny
tanānany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.
4 [Ny Menarana Varahina] Ary niala tany
an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena
hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.
5 Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy
Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta
amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy
mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana
itony.
6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo
teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona
Isiraely.
7 Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao
hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony
amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny
olona Mosesy.
8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo,
ka ahantōny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha
mijery izany.
9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka
nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka
nijery ilay menarana varahina dia velona.
10 [Ny nandehanan'ny Isiraely nanodidina ny
tany Edoma sy Moaba, ary ny nandreseny an'i Sihona sy Oga] Ary ny
Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby
tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny
fiposahan'ny masoandro.
12 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao
amin'ny lohasahan-driaka Zareda.
13 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao
an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita;
fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.
14 Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny
Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
15 Ary ny tany kisolosolo amin'ny
lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara ka mipaka amin'ny
fari-tanin'i Moaba.
16 Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay
lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko
rano izy.
17 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely:
Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
18 Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao
lalāna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny
tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
19 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao
Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany
an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny
efitra.
21 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i
Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:
22 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay,
fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy
hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lalan'andriana ihany no halehanay
mandra-pahafakay ny fari-taninao.
23 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha
hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany
an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny
Isiraely teo izy.
24 Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny
lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia
hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.
25 Dia nalain'ny Isiraely izany tanāna rehetra
izany; ary nonenany ny tanānan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny
zana-bohiny rehetra.
26 Hesbona no tanānan'i Sihona, mpanjakan'ny
Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy
avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27 Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe:
Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanānan'i Sihona;
28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy
lelafo avy tao an-tanānan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba sy ny
tompon'ny havoan'i Arnona.
29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i
Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho
an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany
Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.
31 Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny
Isiraely.
32 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i
Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay
tany.
33 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny
lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia
izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
34 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza
matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra
ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
35 Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny
vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia
nahazo ny taniny izy.
*
1 Ary ny Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao
Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
2 [Ny nampanalan'i Balaka an'i Balama] Ary
Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny
Amorita.
3 Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho
ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.
4 Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita:
Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto
tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i
Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.
5 Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama,
zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny
fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany
Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
6 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka
ozōny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely
azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay
tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
7 Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny
loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tānany; dia
nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.
8 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio
alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia
nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.
9 Ary Andriamanitra nankao amin'i Balama ka
nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
10 Dia hoy Balama tamin'Andriamanitra: Balaka,
zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
11 Indro ny firenena izay nivoaka avy tany
Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka
ozōny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza
mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
13 Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao
tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy
avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
14 Ary niainga ireo andriandahin'i Moaba, dia
tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
15 Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady
malaza noho ny teo indray.
16 Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao
taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho
azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
17 fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra
aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masėna ianao,
mankanesa atỳ, ozōny ho ahy ity firenena ity.
18 Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny
mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny
tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho,
na handatsaka, na hampihoatra.
19 Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ
ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain'i Jehovah
amiko koa.
20 Ary nony alina dia nankao amin'i Balama
Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona
ireo, dia miaingā ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay
holazaiko aminao ihany no hataonao.
21 Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy
lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo andriandahin'i Moaba.
22 Ary nirehitra taminy ny
fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana
Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary
ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
23 Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana
Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tānany; dia
nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama
mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
24 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana
tanelanelan'ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
25 Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah,
dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia
nikapoka azy indray izy.
26 Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka
nijanona teo amin'ny fitoerana čty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho
amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
27 Ary ny boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah,
dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka
nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
28 Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky,
ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao
intelo aho izao?
29 Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria
namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko
mihitsy ianao ankehitriny.
30 Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy
borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka
androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
31 Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama
hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany
voatsoaka eny an-tānany; dia niondrika izy ka niankohoka.
32 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy:
Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho
mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
33 Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy
intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy
izay, fa izy kosa no novelomiko.
34 Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah:
Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo
an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
35 Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i
Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay
holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo
andriandahin'i Balaka.
36 Ary nony ren'i Balaka fa tonga Balama, dia
nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanānan'i Moaba, teo amin'ny
fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.
37 Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka
dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko
ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
38 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho
tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny
izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
39 Dia nandeha Balama niaraka tamin'i Balaka,
ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
40 Ary Balaka namono omby sy ondry aman'osy
hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny andriandahy izay teo
aminy.
41 [Ny oha-teny nataon'i Balama] Ary nony
maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka
dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.
1 Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena
alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2 Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i
Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy
teo ambonin'ny isan'alitara.
3 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto
anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona
amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany
amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
4 Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama;
ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra
vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.
5 Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama
ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.
6 Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary,
indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.
7 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe:
Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany
amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozōny ho ahy Jakoba; ary mankanesa
atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy
nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i
Jehovah?
9 Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy,
ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy,
ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
10 Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny
isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny
fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao
nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo
nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
12 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy
hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?
13 Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka
amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho
hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozōny ho ahy ao izy.
14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy,
tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra
vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
15 Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto
anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah.
16 Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia
nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany
no holazainao.
17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo,
teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy.
Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?
18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe:
Mitsangāna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i
Zipora;
19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na
zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa
niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
20 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa
nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
21 Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba
Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no
nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.
22 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta
izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba,
ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa amin'ny fotoana no hilazana
amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah.
24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy
sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy
mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.
25 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona
na mitso-drano azy akory
26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i
Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i
Jehovah, izany no hataoko?
27 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho
entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny
hanozonanao azy any ho ahy.
28 Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i
Peora, izay manatrika ny efitra.
29 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena
alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
30 Ary Balaka dia nanao araka izay efa
nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo
ambonin'ny isan'alitara.
1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah
ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy,
fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
2 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny
Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga
tamin'i Balama.
3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy
Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita
fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
5 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy
ny lasinao, ry Isiraely ô!
6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha
ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera
ao amoron-drano.
7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary
ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny
mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta
izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka
hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipėkany.
9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny
liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary
ho voaozona anie izay manozona anao!
10 Dia nirehitra tamin'i Balama ny
fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama:
Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo
ianao izao.
11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny
fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro,
Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa
nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
13 Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena
eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao
soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no
holazaiko?
14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any
amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity
firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
15 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy
Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
16 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady
mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny
Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako
Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana
miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana
ny mpitabataba rehetra.
18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho
azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
19 Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka
ka handringana izay sisa avy ao an-tanāna.
20 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao
oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no
hiafarany.
21 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny
hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin'ny vatolampy ny akaninao.
22 Kanefa ho ringana Kaina, alohan'ny
hamaboan'i Asyra anao.
23 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe:
Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
24 Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia
hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
25 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny
fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.
*
1 [Ny nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny
zanakavavin'ny Moabita] Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka
nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy.
2 Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin'ny
zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady
niankohoka tamin'ny andriamaniny.
3 Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka
nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah.
4 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny
loholona rehetra, ary ahantōny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah
ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah
amin'ny Isiraely.
5 Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely:
Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora.
6 Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny
Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i
Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo
amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
7 Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i
Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana
izy ka nitondra lefona teny an-tānany;
8 dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita
tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy
Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy.
Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely.
9 Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia
efatra arivo amby roa alina.
10 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
11 Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona
mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra
noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely
tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.
12 Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko
azy ny faneken'ny fihavanako;
13 ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana
izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany
an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely.
14 Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita
novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak
i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.
15 Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay
novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita.
16 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
17 Rafeso ny Midianita, ka iadio;
18 fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny,
izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny
andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny
areti-mandringana noho ny an'i Peora.
*
1 [Ny nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo
Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i
Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:
2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy,
dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika.
3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza
taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
4 Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra
no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely
izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
5 Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i
Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny
Paloita;
6 avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita;
avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
7 Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina
taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
8 Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba.
9 Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana
ary Abėrama. Ireo dia ilay Datana sy Abėrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay
nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady
tamin'i Jehovah izy,
10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy
mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa
ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
11 Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.
12 Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny
Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita;
13 avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy
tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
14 Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roanjato
amby roa arivo sy roa alina.
15 Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny
Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
16 avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy
tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;
17 avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy
tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
18 Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay
voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
19 Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era
sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.
20 Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny
Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
21 Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy
tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
22 Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina
taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
23 Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
24 avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy
tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,
25 Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina
taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
26 Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny
Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita.
27 Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay
voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
28 Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia
Manase sy Efraima.
29 Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i
Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i
Gileada ny fokon'ny Gileadita.
30 Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i
Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;
31 ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny
Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;
32 ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita;
ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.
33 Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba
nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada
dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
34 Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina
taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
35 Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony:
avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny
Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.
36 Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i
Erana ny fokon'ny Eranita.
37 Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka
izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no
taranak'i Josefa araka ny fokony.
38 Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny
Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;
39 avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita;
avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
40 Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana;
dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.
41 Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony;
ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
42 Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy
tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony.
43 Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay
voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
44 Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia
izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny
Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;
45 avy tamin'ny zanak'i Bena dia izao: avy
tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny
Malkielita.
46 Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia
Sera.
47 Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay
voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
48 Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony, dia
izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny
Gonita;
49 avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy
tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
50 Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary
izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
51 Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely,
dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny
isany.
54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa,
ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no
hanomezana ny zara-taniny.
55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka
ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.
56 Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany,
na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
57 Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i
Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i
Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.
58 Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita,
ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny
Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
59 Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia
Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i
Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
60 Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho
sy Eleazara ary Itamara.
61 Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra
afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
62 Ary izay voalamina taminy dia telo arivo
amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa
tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany
teo amin'ny Zanak'Isiraely.
63 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara
mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i
Jordana tandrifin'i Jeriko.
64 Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy
tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny
Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.
65 Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any
an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba,
zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
*
1 [Ny fanontanian'ny zanakavavin'i Zelofada, sy
ny lalāna izay natao ny amin'izany] Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada,
zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy
tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy
Hogla sy Milka ary Tirza),
2 dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy
Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
3 Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy
mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa
matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
4 Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny
fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny
rahalahin'ny rainay izahay.
5 Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah
ny tenin'ireo.
6 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
7 Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada:
omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny
zara-tanin-drainy izy.
8 Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no
hampandovainareo ny zara-taniny.
9 Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny
rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
10 Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny
rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia
ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no
handova azy: ho lalāna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
12 [Ny amin'ny hahafatesan'i Mosesy, sy ny
nanendrena an'i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara
amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny
Zanak'Isiraely.
13 Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any
amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;
14 fa nandā ny teniko ianareo tany an-efitra
Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny
rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
15 Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:
16 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny
nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
17 ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary
hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry
ny fiangonan'i Jehovah.
18 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao
Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
19 ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara
mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
20 Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba
hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.
21 Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara
mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho
azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy
ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
22 Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i
Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara
mpisorona sy ny fiangonana rehetra
23 ka nametraka ny tānany taminy ary nandidy
azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
*
1 [Fandaharana ny fanatitra atao isan'andro sy
amin'izay fotoana hafa voatendrin'Andriamanitra] Ary Jehovah niteny tamin'i ka
nanao hoe:
2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra
ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana
ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany
avy.
3 Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao
amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay
iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
4 (ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina,
ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
5 ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha,
voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
6 Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay
voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7 Ary ny fanatitra aidina momba azy dia
ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina
no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.
8 Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony
hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny
fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9 Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no
atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara
toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny
fanatitra aidina momba azy.
10 Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
11 Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo
ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary
zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
12 ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny
efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray,
ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra
hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
13 ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha
voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho
fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo
ho an'i Jehovah.
14 Ary ny fanatitra aidina momba izany dia
divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny
hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny
isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana
amin'ny taona.
15 Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny
ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana
azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny
volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.
17 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo
tsy misy masirasira.
18 Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana
maina; aza manao taozavatra akory;
19 fa izao no atero ho fanatitra atao amin'ny
afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy
iray ary zanak'ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no
haterinareo).
20 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka
haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha
amin'ny isan-ondrilahy iray,
21 ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka
haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),
22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
hanaovana fanavotana ho anareo.
23 Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana
isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
24 Araka izany no hanateranareo isan'andro
amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho
hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no
hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
25 Ary amin'ny andro fahafito dia hisy
fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
26 Ary amin'ny andro fanaterana ny
voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah
ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho
anareo; aza manao tao-zavatra akory;
27 ary izao no atero ho fanatitra odorana ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray
sy zanak'ondry fito, izay iray taona avy,
28 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny
isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan'ondrilahy
iray,
29 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)
30 ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho
anareo.
31 Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina
momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina
momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.
1 Ary amin'ny andro voalohany ny volana
fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho
andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray
ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
3 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny
isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy
iray,
4 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
5 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
hanaovana fanavotana ho anareo,
6 ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny
voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana
mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy,
araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah.
7 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana
fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo
ianareo; aza manao raharaha akory.
8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray
ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no
haterinareo)
9 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny
isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy
iray,
10 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)
11 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra
dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina
momba azy.
12 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao
tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i
Jehovah.
13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
14 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny
isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa
ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
15 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)
16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny
ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina
momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
17 Ary amin'ny andro faharoa koa dia
vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
18 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny
isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
19 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
20 Ary amin'ny andro fahatelo koa dia
vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
21 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny
zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
23 Ary amin'ny andro fahefatra koa dia
vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo,
izay iray taona sady tsy misy kilema,
24 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny
zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
25 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
26 Ary amin'ny andro fahadimy koa dia
vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo,
izay iray taona sady tsy misy kilema,
27 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny
zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
29 Ary amin'ny andro fahenina koa dia
vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo,
izay iray taona sady tsy misy kilema,
30 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny
zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
31 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy
ary ny fanatitra aidina momba azy.
32 Ary amin'ny andro fahafito koa dia
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo,
izay iray taona sady tsy misy kilema,
33 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny
zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
34 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
35 Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy
fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
36 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona
avy sady tsy misy kilema,
37 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny
zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
38 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota,
ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
39 Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny
fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny
fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina
sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
*
1 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely
izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy.
2 [Lalāna ny amin'ny hahatanterahana ny voady
sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
3 Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na
mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra
naloaky ny vavany no hataony.
4 Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah
ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
5 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny
fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay
famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
6 Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro
nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny;
ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
7 Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa
nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny
hifady,
8 ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy
tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana
namehezany ny fanahiny.
9 Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro
nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana
naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
10 Fa ny amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady
na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
11 Ary raha nisy vehivavy nivoady tao
an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
12 ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na
nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay
namehezany ny fanahiny.
13 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny
tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho
voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah
hamela ny helony.
14 Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra
amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na
hahafaka azy.
15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny
an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana
namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy
tamin'ny andro nandrenesany.
16 Fa raha manao izay hahafoana izany izy
aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.
17 Ireo no lalāna izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy,
raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
*
1 [Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny
Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao
ianao.
3 Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao
hoe: Miomāna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny
Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.
4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny
firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
5 Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny
arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
6 Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika
ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona,
izay nitondra ny fanaka masina teny an-tānany, dia ny trompetra avo feo.
7 Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay
efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
8 ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia
matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary
Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.
9 Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy
Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra
sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
10 Ary ny tanānany rehetra izay teo amin'ny
fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.
11 Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona
na biby fiompy,
12 dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara
mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba,
izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny
lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.
14 Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila
Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo
ny vehivavy rehetra?
16 Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely
tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny
fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
17 Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika
rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
18 Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola
nahalala lahy dia velomy ho anareo.
19 Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary
izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo,
na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
20 Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka
hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
21 Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny
mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalāna hotandremana, izay
nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:
22 Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina
sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
23 dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo,
dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana
koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano
ihany.
24 Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro
fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo
amin'ny toby ianareo.
25 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
26 Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny
fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby
fiompy;
27 ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia
izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;
28 kanefa makā anjara ho an'i Jehovah avy
amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na
olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
29 ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka
homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.
30 Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa
dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry
aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina
ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
31 Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona
izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32 Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny
mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
33 sy omby roa arivo amby fito alina,
34 sy boriky arivo amby enina alina,
35 ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola
nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
36 Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany
an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy
telo alina sy telo hetsy;
37 ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry
aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
38 Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina;
ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo.
39 Ary ny boriky dia diman-jato amby telo
alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.
40 Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray
alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo.
41 Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona
ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
42 Ary avy tamin'ny antsasany an'ny
Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika
43 (fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry
aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
44 sy omby enina arivo amby telo alina,
45 sy boriky diman-jato amby telo alina,
46 ary olona enina arivo amby iray alina),
47 ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i
Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny
Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany,
araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
48 Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila,
dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy
49 ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka
ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia
lehilahy iray akory aza;
50 koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay,
dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra
fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo
anatrehan'i Jehovah.
51 Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona
taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
52 Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra
nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely
dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
53 (fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny
tenany).
54 Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona
ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny
trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i
Jehovah.
*
1 [Ny nahazoan'ny firenen'i Robena sy Gada ary
ny antsasaky ny firenen'i Manase zara-tany tao an-dafy atsinanan'i Jordana] Ary
nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada;
ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho
fiandrasana omby aman'ondry io,
2 dia avy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i
Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin'ny lohan'ny
fiangonana ka nanao hoe:
3 Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy
Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
4 ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny
fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry, ary ny
mpanomponao manana omby aman'ondry;
5 dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo
imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa
aza ampitaina an'i Jordana izahay.
6 Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny
taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona
eto va?
7 Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon'ny
Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah
azy?
8 Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko
avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
9 fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola
izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy
handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy.
10 Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah
tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
11 Ny olona izay niakatra avy tany Egypta,
hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa
nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy
tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;
12 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy
Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.
13 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny
fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy
mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i
Jehovah.
14 Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny
rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i
Jehovah amin'ny Isiraely.
15 Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo
dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao
olona rehetra izao.
16 Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe:
Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy tanāna koa ho an'ny
zanakay madinika;
17 fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso
eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary
ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanāna mimanda noho ny mponina amin'ny
tany.
18 Tsy hody any an-tranonay izahay,
mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.
19 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay
hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ
an-dafy atsinanan'i Jordana atỳ ny zara-taninay.
20 Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany
zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika,
21 ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita
ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny
fahavalony hiala eo anoloany,
22 ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany;
ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah,
na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.
23 Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia
manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
24 Manaova tanāna ho an'ny zanakareo madinika
sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
25 Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada
sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay
andidianao, tompoko:
26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny
ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny
tanānan'i Gileada;
27 fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa
voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao,
tompoko.
28 Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara
mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny
firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo
29 ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i
Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa
voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia
homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
30 fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady
miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany
zara-tany.
31 Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i
Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no
hataonay:
32 Izabay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah
ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i
Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
33 Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada
sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa,
ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i
Basana dia ny tany mbamin'ny tanānany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanāna eny
amin'ny tany manodidina.
34 Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy
Atarota sy Aroera
35 sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
36 sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanāna
mimanda, ary vala ho an'ny ondry.
37 Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona
sy Elale sy Kiriataima
38 sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny
anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanāna izay nataony.
39 Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase,
nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
40 Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira,
zanak'i Manase, ka nonina tao izy.
41 Ary Jaira, zanak'i Manase, nandeha ka
nahafaka ny tanāna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaira.
42 Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy
ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
*
1 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tany
an-efitra] Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy
Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
2 Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny
nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny
nialany:
3 Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana
voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;
nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo
imason'ny Egyptiana rehetra.
4 Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa
novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia
notsarain'i Jehovah.
5 Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely,
dia nitoby tao Sokota.
6 Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao
Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
7 Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily
nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.
8 Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia
nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha
lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
9 Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany
Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia
fito-polo, dia nitoby teo izy.
10 Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao
amoron'ny Ranomasina Mena.
11 Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena
izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12 Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia
nitoby tao Dopka.
13 Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao
Alosy.
14 Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao
Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
15 Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby
tany an-efitr'i Sinay.
16 Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy,
dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17 Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia
nitoby tao Hazerota.
18 Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby
tao Ritma.
19 Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao
Rimona-pareza.
20 Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia
nitoby tao Libna.
21 Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao
Risa.
22 Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao
Kehelata.
23 Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby
tao an-tendrombohitra Sapera.
24 Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera
izy, dia nitoby tao Harada.
25 Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby
tao Makelota.
26 Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby
tao Tahata.
27 Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby
tao Tera.
28 Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao
Mitka.
29 Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao
Hasmona.
30 Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby
tao Moserota.
31 Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby
tao Bene-jakana.
32 Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia
nitoby tao Hora-hagidgada.
33 Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia
nitoby tao Jotbata.
34 Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby
tao Abrona.
35 Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby
tao Ezion-gebera.
36 Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia
nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
37 Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby
tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.
38 Ary Arona mpisorona niakatra tao
an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny
fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany
Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.
39 Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona
Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
40 Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada,
izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny
Zanak'Isiraely.
41 Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora
izy, dia nitoby tao Zalmona.
42 Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby
tao Ponona.
43 Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby
tao Obota.
44 Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao
Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
45 Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia
nitoby tao Dibon-gada.
46 Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia
nitoby tao Almon-diblataima.
47 Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia
nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo.
48 Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra
Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i
Jeriko.
49 Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany
Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
50 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo
Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
51 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita
an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo,
52 dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina
rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary
hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana
avony rehetra;
53 dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo
ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
54 Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny
fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa
homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho
anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny
mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny
tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany
izay onenanareo izy;
56 ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao
aminy.
*
1 [Ny ho faritry ny tany Kanana] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga
any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia
ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3 Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia
hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo
dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
4 dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima,
dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo
an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
5 ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny
lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina.
6 Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro
ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
7 Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny
Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
8 ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka
ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i
Zedada,
9 dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i
Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
10 Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia
ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
11 dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla
any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i
Kinereta atsinanana,
12 dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka
dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny
manodidina.
13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka
nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay
andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
14 fa ny firenena taranak'i Robena araka ny
fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa
nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa
nandray ny zara-taniny;
15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa
nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko,
tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
16 [Ny anaran'ny lehilahy roa ambin'ny folo
notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny
tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.
18 Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena
koa no halainareo hizara ny tany.
19 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny
avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
20 ary ny avy amin'ny firenena taranak'i
Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
21 ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia
Elidada, zanak'i Kislona;
22 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia
Boky, zanak'i Jogly;
23 ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny
lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda;
24 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima
dia Kemoela, zanak'i Siftana;
25 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona
dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
26 ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia
Paltiela, zanak'i Azana;
27 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia
Ahihoda, zanak'i Selomy;
28 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly
dia Pedahela, zanak'i Amihoda.
29 Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany
Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.
*
1 [Ny hanomezana tanāna ho an'ny Levita] Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i
Jeriko, ka nanao hoe:
2 Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanāna
ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny
tanāna koa izy.
3 Koa ny tanāna dia honenany; ary ny tany dia
ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.
4 Ary ny tany manodidina ny tanāna izay
homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny māndan'ny tanāna ka hatramin'ny
faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
5 Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny
tanāna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny
atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho
amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanāna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny
manodidina ny tanāna.
6 Ary izao no tanāna izay homenareo ny Levita:
dia tanāna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona,
sy tanāna roa amby efa-polo koa.
7 Koa ny tanāna rehetra izay homenareo ny
Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.
8 Ary ny amin'ny tanāna izay homenareo avy
amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be,
ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanāna ho an'ny Levita izy
rehetra araka ny zara-taniny avy.
9 [Ny hifidianana tanāna handosiran'izay
nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa
tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,
11 dia hifidy tanāna ianareo, ho tanāna
fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
12 Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho
azon'ny mpamaly rā izany tanāna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona
mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
13 Ary ireo tanāna homenareo ireo dia ho tanāna
fandosirana enina ho anareo.
14 Ny tanāna telo dia homenareo etỳ
an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanāna telo kosa homenareo ao amin'ny tany
Kanana; ho tanāna fandosirana ireo.
15 Ireo tanāna enina ireo dia ho fandosirana ho
an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay
rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16 Kanefa raha misy mamely vy olona ka
mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
17 Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty,
dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
18 Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty,
dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
19 Ny mpamaly rā no mahazo mamono azy; raha
mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20 Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po,
na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,
21 na mamely amin'ny tānany noho ny fandrafiana
ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly
rā no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22 Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy
noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy
amin'ny fanotrehana,
23 na sendra manjera vato ka mahafaty olona,
nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
24 dia hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy
ny mpamaly rā araka izany lalāna izany.
25 Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny
mpamaly rā ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanāna
fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny
mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
26 Fa raha mivoaka ho eo ivelan'ny tanāna
fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay nahafaty olona
27 ka hitan'ny mpamaly rā eo ivelan'ny tanāna,
dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drā amin'izany,
28 satria tokony ho nitoetra tao an-tanāna
fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe,
dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
29 Ary izany zavatra izany dia ho lalāna hitondrana
anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.
30 Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia
hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha
vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
31 Ary ianareo tsy handray avotry ny ain'ny
nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
32 Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay
mandositra ho ao an-tanāna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny
taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33 Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo,
fa ny rā dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny
amin'ny rā izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.
34 Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay
itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.
*
1 [Lalāna ny amin'ny hanambadian'ny zazavavy
mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny
taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny
taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny
fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe:
2 Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah
hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao,
tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay
ho an'ny zananivavy.
3 Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena
sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny
ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny
zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.
4 Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely,
ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina
amin'ny zara-tanin'ny razanay.
5 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny
tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny firenena taranak'i Josefa.
6 Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny
amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao
amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.
7 Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin'ny
firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny zara-tanin'ny razany avy no
hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
8 Ary ny zazavavy rehetra izay mandova
zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao
amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra
ny zara-tanin'ny razany avy.
9 Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny
zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy avy no
hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
10 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada,
11 ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary
Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin'ny rainy
avy.
12 Izay avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase,
zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia nitoetra teo amin'ny firenen'ny
mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny.
13 Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i
Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo
Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.