[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1Timoty
Accès direct aux
chapitres de 1 Timothée : 1, 2,
3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana sy anatra ny
amin'ny mpampianatra sandoka, ary filazana ny amin'ny lalàna sy ny filazantsara
ary ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'i Paoly] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy
araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy
fanantenantsika,
2 mamangy an'i Timoty, tena
zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Toy ny nangatahako anao
hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany
tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 na hitandrina ny
anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra,
fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia
toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana
avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy
mihatsaravelatsihy,
6 izay nivilian'ny sasany, ka
nania ho amin'ny taria foana izy,
7 dia olona izay te-ho
mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8 Nefa fantatsika fa
tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,
9 ka fantany fa tsy
ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,
dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina
sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
10 ny mpijangajanga,
ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na
inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema*, [* Gr. salama]
11 araka ny
filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
12 Misaotra an'i
Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka
notendreny ho amin'ny fanompoana,
13 dia izaho, izay
mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po
aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [*
Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
14 Fa be indrindra ny
fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i
Kristy Jesosy.
15 Mahatoky ka tokony
hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ
ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no
lohany.
16 Kanefa izao no
namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany,
ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana
mandrakizay.
17 Ary ho an'ny
Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra
tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
18 Izao didy izao no
omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao
ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
19 amin'ny itananao
ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny
olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana;
20 naman'ireny
Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny
ratsy. [ Gr. hanao blasfemia, izahao Mat. 9,3]
1 [Ny amin'ny
fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana
miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba
hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona
rehetra,
2 ho an'ny mpanjaka
mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay
amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
3 Izany no tsara ka
ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4 Izay tia ny olona
rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
5 Fa iray no Andriamanitra,
ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay
olona,
6 sady nanolotra ny
tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao
androny izao.
7 Mba hanao izany no
nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga),
ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
8 Koa tiako ny
lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny
fahatezerana na amin'ny fifandirana.
9 Ary toy izany koa
ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy
ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*,
na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]
10 fa amin'ny asa
tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana
amin'Andriamanitra.
11 Aoka ny vehivavy
hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
12 Fa ny vehivavy tsy
avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
13 Fa Adama no natao
voalohany, vao Eva.
14 Ary tsy Adama no
voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
15 Nefa hovonjena
ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny
fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.
1 [Ny amin'ny olona
miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy
olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
2 Koa ny mpitandrina*
dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry,
tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo]
3 tsy mpimamo
lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
4 manapaka tsara ny
ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara
5 (fa raha misy olona
tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny
fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia]
6 tsy izay zazavao
amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny
fahamelohan'ny devoly.
7 Ary tsy maintsy ho
tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny
sy ny fandriky ny devoly.
8 Ny diakona koa toy
izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena
maloto,
9 mitandrina tsara ny
zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
10 Ary aoka
hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy
manan-tsiny.
11 Ny vehivavy koa ho
toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny
zavatra rehetra.
12 Aoka ny diakona
samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13 Fa izay efa
mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy
fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
14 Izany zavatra
izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza
aho;
15 fa raha tratra ela
aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao
an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy
fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia]
16 Ary iaraha-manaiky
mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny
anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao,
nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']
1 [Ny amin'ny
hihemoran'ny sasany, sy fananarana an'i Timoty hazoto hanefa ny
anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia
hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny
demonia,
2 amin'ny
fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny
fieritreretany,
3 izay mandrara tsy
hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino
sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
4 Fa ny zavatra
rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina,
raha raisina amin'ny fisaorana,
5 satria hamasinin'ny
tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
6 Raha manoro hevitra
ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i
Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay
efa narahinao.
7 Fa ny anganongano
ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny
toe-panahy araka an'Andriamanitra.
8 Fa mahasoa kely
ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa
amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana
ankehitriny sy ny ho avy koa.
9 Mahatoky izao teny
izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
10 Fa izany no
ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona,
Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11 Izany zavatra
izany no andidio sy ampianaro.
12 Aoka tsy hisy olona
hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho
an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana,
amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
13 Mandra-pihaviko
tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
14 Aza tsy mitandrina
ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny
faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera]
15 Mazotoa hihevitra
izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny
olona rehetra ny fandrosoanao.
16 Tandremo ny
tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao,
dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
1 [Ny amin'ny
fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary
anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa
anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
2 ny vehivavy
anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana
rehetra.
3 Omeo voninahitra ny
mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
4 Fa raha misy
mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay
toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy
aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Fa izay efa
mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka
maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina
6 Fa izay vehivavy
manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
7 Ary izany zavatra
izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
8 Fa raha misy tsy
mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka
ratsy noho ny tsy mino aza.
9 Aza soratana ho
isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady
indray mandeha ihany
10 ary tsara laza
amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa
ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto
nanaraka ny asa tsara rehetra.
11 Fa mandava ny
mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia
ta-hanam-bady
12 ka hahazo
fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
13 Sady mianatra ho
malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa
mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
14 Koa tiako ny
mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony
ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
15 Fa ny sasany efa
nivily sahady nanaraka an'i Satana.
16 Raha misy vehivavy
mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra
ny fiangonana*, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [* Gr. eklesia]
17 Aoka ny loholona*
izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay
nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [* Gr. presbytera]
18 Fa hoy ny Soratra
Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo.
25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
19 Aza mandray teny
hiampangana loholona*, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [* Gr.
presbytera]
20 Izay manota dia
anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
21 Mananatra anao
mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba
hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na
inona amin'ny fiangarana.
22 Aza malaky
mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany;
tehirizo madio ny tenanao.
23 Aza misotro rano
intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
24 Ny fahotan'ny
olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany
kosa manaraka ato aoriana.
25 Ary miharihary toy
izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
1 Aoka izay andevo
rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba
tsy hitenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana. [*Gr. hasiana
blasfemia, izahao Mat. 9.3]
2 Ary izay manana
tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao
mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa
atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
3 [Fananarana sy teny
farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka
tsy manaiky ny teny tsy misy kilema*, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy
ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [* Gr.
salama]
4 dia mieboebo foana
izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny
fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary]
5 fifandirana
lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana,
manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
6 Fa misy tombony
lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
7 Fa tsy nitondra na
inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa* tsy hahatondra na
inona na inona hiala. [* Na: satria]
8 Fa raha
manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
9 Ary izay
ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna
maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny
fandringanana sy ny fahaverezana.
10 Fa ny
fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady
izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny
alahelo be.
11 Fa ianao kosa, sy
lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady
fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana,
faharetana, fahalemem-panahy.
12 Miadia ny ady
tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no
niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny
vavolombelona maro.
13 Izaho mananatra
anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo
anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i
Pontio Pilato,
14 mba hotehirizinao
tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika
izany didy izany;
15 ny Andriana
finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho
izany amin'ny fotoany;
16 Izy ihany no
manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay
tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny
fanjakana mandrakizay. Amena.
17 Anaro ny
mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky
ny harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra
rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan'ny harena]
18 mba hanao soa, mba
hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19 ka dia hihary
fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny
tena fiainana.
20 Ry Timoty,
tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny
fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
21 izay neken'ny
sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.