[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Galatiana
Accès direct aux chapitres
des Galates : 1, 2, 3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana] Paoly
Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i
Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
2 mbamin'ny rahalahy rehetra
izay ato amiko, mamangy ny fiangonana* atỳ Galatia: [* Gr. eklesia]
3 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy
Tompontsika,
4 Izay nanolotra ny tenany
noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy
izao*, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao]
5 ho Azy anie ny
voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6 [Fananarana ny
Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly]
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso
anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
7 izay tsy
filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka
ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [* Gr. anankiray koa]
8 Fa na izahay, na
anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy*
izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr.
anatema]
9 Araka ny voalazanay
fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa
aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona* izy, [* Gr. anatema]
10 Ary ankehitriny,
olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha
mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
11 Fa ampahafantariko
anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny
fanaon'ny olona izany.
12 Fa izaho tsy
nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i
Jesosy Kristy ihany.
13 Fa efa renareo ny
toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny
fiangonan*'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [* Gr. eklesia]
14 ary nandroso
tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo
amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako
indrindra.
15 Fa raha
sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy
tamin'ny fahasoavany,
16 ny nampiseho ny
Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka
tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
17 ary tsy niakatra
tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia,
dia niverina ho any Damaskosy indray.
18 Ary rehefa afaka
telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra
tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
19 Nefa ny Apostoly
sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin'ny Tompo. [* Na: fa
Jakoba kosa]
20 Ary izay zavatra
soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21 Rehefa afaka
izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
22 ary tsy
mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [*
Gr. eklesia]
23 Fa nandre
ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny
finoana izay noravany fahiny .
24 Ary dia
nankalazany an'Andriamanitra aho.
1 Ary nony afaka
efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy
Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
2 Ary niakatra araka
ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny
jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka
foana aho, na efa nihazakazaka foana.
3 Kanefa na dia
Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza
izy,
4 dia noho ny
rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny
fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany
antsika;
5 fa tsy nety nikoy
ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny
filazantsara aminareo.
6 Fa ny amin'ny olona
atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona
ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza
ireo saina na tamin'inona na tamin'inona.
7 Fa hafa kosa no
nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy
voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora
8 (fa Izay niasa ho
an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny
jentilisa),
9 ary nony fantatr'i
Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia
notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany
amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.
10 Izao ihany no
tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra
rahateo ny hanao izany.
11 Ary nony tonga
tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa
nanan-tsiny izy.
12 Fa fony tsy mbola
tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa
ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra
ny momba ny famorana izy.
13 Ary ny Jiosy
sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny
fihatsaram-belatsihiny koa.
14 Fa rehefa hitako
fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho
tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza
no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy,
nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?
15 Taranaky ny Jiosy
isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa,
16 nefa nony
fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny
finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba
hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria
tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
17 Fa raha mitady
hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa
mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
18 Fa raha ny zavatra
efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
19 Fa raha izaho, dia
tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho
an'Andriamanitra aho.
20 Voahombo miaraka
amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa
Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia
ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra
ny tenany hamonjy ahy.
21 Tsy mahafoana ny
fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia
maty foana Kristy.
1 [Ny famonjena sy ny
fahafahan'ny mino an'i Kristy ampitahaina amin'ny fahamelohana sy ny
fahandevozan'izay miankina amin'ny lalàna] Ry Galatiana adala, iza no nanimba*
anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy
Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana? [* Gr. mamosavy]
2 Izao ihany no tiako
holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny
fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin'ny finoana]
3 Adala toy izany va
ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny
nofo va ankehitriny?
4 Moa izany zavatra
be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
5 Ary Izay manome
anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny
lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana
amin'ny finoana]
6 Dia tahaka an'i
Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15.
6).
7 Koa fantaro fa izay
amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.
8 Ary satria hitan'ny
Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny
jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe:
Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
9 ka dia izay amin'ny
finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
10 Fa izay rehetra
amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe:
Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao
amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).
11 Ary hita
marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra
; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho
velon'ny finoana]
12 Ary ny lalàna tsy
araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
13 Kristy nanavotra
anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa
voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
14 mba ho tonga
amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba
horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
15 Ry rahalahy -
miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany
aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na:
didim-pananana]
16 Ary tamin'i
Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho
an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho
an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
17 Ary izao no
lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny
lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny
teny fikasana.
18 Fa raha avy
amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i
Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.
19 Inona ary ny
lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena
ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
20 Ary ny mpanalalana
dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra
ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna
mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana
22 Fa ny Soratra
Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana
noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola
tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho
amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24 Koa ny lalàna dia
mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25 Fa rehefa tonga ny
finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
26 Fa ianareo rehetra
dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
27 Fa na iza na iza
ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
28 Tsy misy intsony
na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany
ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
29 Fa raha an'i
Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
1 Ary hoy izaho: Raha
mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny
zavatra rehetra aza;
2 fa fehezin'izay
mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny
rainy.
3 Dia tahaka izany
koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo
izao;
4 fa rehefa tonga ny
fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy,
nateraka tao ambanin'ny lalàna,
5 hanavotany izay
ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
6 Ary satria zanaka
ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany,
miantso hoe: Aba, Ray ô.
7 Ka dia tsy mpanompo
intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny
ataon'Andriamanitra.
8 Kanefa tamin'izany,
fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay
andriamani-tsi-izy;
9 fa ankehitriny,
rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala
anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana
malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10 Andro sy volana sy
fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11 Matahotra ny
aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12 Ry rahalahy,
mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa
tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13 nefa fantatrareo
fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay
voalohany;
14 ary ny teo amin'ny
nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na
nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo,
eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
15 Aiza ary ilay
nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia
ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16 Koa efa tonga
fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17 Mazoto mila fitia
aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany,
mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18 Fa tsara raha
ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19 Anaka, izay
aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
20 enga anie ka ho
tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny
aminareo.
21 Milazà amiko,
ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22 fa voasoratra hoe:
Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny
anankiray tamin'ny tsy andevo.
23 Kanefa ilay
tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo
kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
24 Ary izany dia azo
atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy
tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara
izany.
25 Ary* ny hoe Hagara
dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema
ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [* Na: (Fa)]
26 Fa Jerosalema any
ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27 Fa voasoratra hoe:
Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy
mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny
manana-bady (Isa. 54. 1).
28 Fa isika, ry
rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka.
29 Kanefa tahaka ny
tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny
Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30 Nefa ahoana no
lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny
zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
31 Ary amin'izany, ry
rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
1 Ho amin'ny
fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety
hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
2 [Famporisihana ny
Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena
tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia
tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3 Ary lazaiko marina
indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò
ny lalàna rehetra izy.
4 Dia tafasaraka
amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna;
efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
5 Fa izahay amin'ny
Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na:
fanantenan']
6 Fa ao amin'i Kristy
Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay
miasa amin'ny fitiavana.
7 Hianareo
nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8 Izany
fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
9 Ny masirasira kely
dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10 Izaho matoky
anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay
mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11 Fa izaho, ry
rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina?
Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12 Enga anie ka
hiesotra* aza izay mampitabataba anareo. [* Na: hanakilema tena]
13 Fa efa nantsoina
ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo
hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
14 Fa tanteraka
amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny
tenanao (Lev. 19. 18).
15 Fa raha
mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16 Fa hoy izaho:
Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
17 Fa ny nofo
manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy
roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18 Fa raha tarihin'ny
Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
19 Fa miharihary ny
asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 fanompoan-tsampy,
fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana,
fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 fialonana,
fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo
rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny
fanjakan'Andriamanitra.
22 Fa ny vokatry ny
Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy,
fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 fahalemem-panahy,
fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24 Fa izay an'Kristy
Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo
fijaliana.
25 Raha velon'ny Fanahy
isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 Aoka isika tsy
handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
1 Ry rahalahy, raha
misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy
amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba
halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza]
2 Mifampitondrà izay
mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
3 Fa raha misy manao
ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4 Fa aoka ny olona
rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny
tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
5 fa samy hitondra ny
entany avy ny olona rehetra.
6 Aoka izay
ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
7 Aza mety hofitahina
ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no
hojinjany.
8 Fa izay mamafy ho
an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny
Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
9 Ary aza mba ketraka
amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy
reraka isika.
10 Koa araka ny
ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra,
indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
11 [Anatra farany]
Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo.
12 Na iza na iza
te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho
izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.
13 Fa na dia ny
tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa
ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.
14 Fa sanatria raha
mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika,
Izay* nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko,
ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. [* Na: izay]
15 Fa samy tsy
mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
16 Ary izay rehetra
mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny
famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.
17 Amin'izao sisa
izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy
voatomboka eo amin'ny tenako.
18 Ho amin'ny
fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Amena.