[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Korintiana
Accès direct
aux chapitres de 2 Corinthiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13
1 [Fiarahabana sy fisaorana
nataon'i Paoly noho ny nampiononan'Andriamanitra azy. Ny amin'ny nahasampona
an'i Paoly tsy hankany Makedonia, sy hafatra ny amin'ny handraisana ilay efa
nesorina, ary fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny
tori-teniny] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra,
ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto
mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
3 Isaorana anie
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady
Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
4 Izay mampionona
anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra
fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
5 Fa araka ny
haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa
amin'ny alalan'i Kristy.
6 Ary raha ampahorina
izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina
izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo
fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
7 Ary miorina tsara
ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana
no iombonanareo ny fampiononana koa.
8 Fa tsy tianay tsy
ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa
novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na
dia ny ainay aza;
9 eny, tsy nanampo
izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa
amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
10 Ary Izy no
nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany;
eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
11 satria ianareo koa
miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho
ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
12 Fa izao no ataonay
ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana
sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa
tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo
izao, mainka fa teo aminareo.
13 Fa tsy manoratra
teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary
manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
14 toy ny efa
fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no
voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.
15 Ary tamin'izao
fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo
soa fanindroany),
16 ary hankany
Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ
aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
17 Koa raha nikasa
izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko
araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
18 Fa raha mahatoky
koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
19 fa ny
Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho
sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
20 Fa na firy na firy
ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny
Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
21 Fa Izay
mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia
Andriamanitra,
22 Izay nanisy
tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
23 Ary izaho miantso
an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina
aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
24 Kanefa tsy mihambo
ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo,
satria finoana no itoeranareo.
1 Fa ninia toy izao
tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin'alahelo.
2 Fa raha mampalahelo
anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3 Ary nanoratra izany
indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin'izay tokony hifaliako,
satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4 Fa tamin'ny
haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny
ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny
fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
5 Fa raha nisy efa
nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy
loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6 Ampy ho amin'izany
olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,
7 ka dia aleo mamela
heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin*'ny fitomboan'alahelo
izany olona izany.[*Gr. atelin']
8 Koa mananatra
anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.
9 Fa izany koa no
nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra
ianareo,na tsia.
10 Fa izay avelanareo
heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako,
dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason*'i Kristy,[*Na: nisolo anay]
11 fandrao ho resin'ny
fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
12 Ary rehefa tonga
tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao
amin'ny Tompo,
13 dia tsy tafandry
ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny
olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
14 Fa isaorana anie
Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny
fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny
tontolo eny izahay.
15 Fa hanitr'i Kristy
ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very:
16 amin'ny sasany dia
hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany
kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no
antonona ho amin'izany zavatra izany?
17 Fa tsy mba toy ny
maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny
amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo
anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.
1 [Ny amin'ny
voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho
ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka
mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
2 Hianareo no
epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra;
3 eny, aseho ho
epistilin'i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty
anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato
fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr.
anompoanay]
4 Ary manana izany
fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.
5 Kanefa tsy mihambo
hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa
ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,
6 Izay efa nampahaleo
anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa
amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
7 Fa raha ny
fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy
voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny
voninahitry ny tavany izay nihalevona,
8 tsy mainka hisy
voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy?
9 Fa raha nisy
voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka
hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
10 Ary izay nisy
voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra
izay manan-tombo.
11 Fa raha ny
nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
12 Koa amin'izany,
satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
13 ary tsy tahaka
an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy
hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;
14 fa efa donto ny
sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana
izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany
no anesorana izany.
15 Fa misy
fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy.
16 Kanefa raha
miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
17 Ary ny Tompo izany
Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.
18 Fa isika rehetra
kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny
amin'ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny
voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny
Fanahy.[*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]
1 Ary amin'izany,
satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po,
dia tsy ketraka.
2 Fa efa nolavinay ny
zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny
tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena
amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
3 Fa raha miafina ny
filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
4 izay nohajambain'ny
andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny
fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
5 Fa tsy ny tenanay
no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i
Jesosy.
6 Fa Andriamanitra, izay
nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny
fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo
amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana]
7 Fa manana izao
rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny
halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.
8 Voageja manodidina
izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
9 enjehina, nefa tsy
nafoy, potraka, nefa tsy maty;
10 mitondra ny
fahafatesan*'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao
amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [*Gr. ny famonoanana an']
11 Fa izahay izay
velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy,
mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
12 Koa ny
fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
13 Ary satria manana
izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino
aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;
14 fa fantatray fa
Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
15 Fa ny zavatra
rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho
voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.
16 Ary tsy ketraka
izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro
isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay]
17 Fa ny fahorianay
maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka
mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,
18 raha tsy mijery ny
hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita
no haharitra mandrakizay.
1 Fa fantatsika fa
raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay
voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra
mandrakizay any an-danitra.
2 Ary misento
ao anatin'ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any
an-danitra koa;
3 fa ho hita mitafy
isika, fa tsy mba mitanjaka.
4 Fa isika izao
amin'izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika
ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty.
5 Ary Izay efa
namboatra antsika ho amin'izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome
antsika ny santatry ny Fanahy.
6 Koa matoky
mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin'ny tena, dia tsy
mitoetra any amin'ny Tompo
7 (fa finoana no
andehanantsika, fa tsy fahitana);
8 eny, matoky isika,
ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny
Tompo.
9 Koa dia ataontsika
ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
10 Fa isika rehetra
dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy,
mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay
nataony, na tsara na ratsy.
11 Koa amin'izany,
satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa
amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa
voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa.
12 Tsy midera tena
indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba
hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho* ihany, fa tsy amin'ny
fo.[*Gr. tava]
13 Fa raha very saina
izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14 Fa ny fitiavan'i
Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny
olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
15 ary maty hamonjy
ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa
ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16 Koa dia tsy
mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i
Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany
intsony Izy.
17 Koa raha misy
olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha,
indreo, efa tonga vaovao ireo.
18 Fa izany rehetra
izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny
alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19 dia izao :
Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy
nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20 Koa dia iraka*
solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i
Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra
anie ianareo.[*Gr. ambasadôra]
21 Izay tsy nahalala
ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra
ao aminy kosa isika.
1 Ary izahay
mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny
fahasoavan'Andriamanitra
2 fa hoy Izy:
Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena
no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana;
indro, ankehitriny no andro famonjena;
3 fa tsy manao izay
mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
4 fa amin'ny zavatra
rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny
faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana,
5 amin'ny kapoka,
amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy
fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina,
6 amin'ny
fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy,
amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
7 amin'ny teny
fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na
amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia,
8 amin'ny voninahitra
sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny
mpamitaka, nefa marina ihany;
9 tahaka ny tsy
fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro,
velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
10 tahaka ny
ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa
mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa
manana ny zavatra rehetra.
11 [Fanarana ny
Kristiana tao Korinto mba tsy hikamba amin'ny ratsy, sy filazana ny hafalian'i
Paoly noho ny nibebahan'ireo, rehefa nahazo ny epistily nampitondrainy] Ry
Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
12 Tsy tery
aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.
13 Ary mba ho
valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha
kosa ianareo.
14 Aza mety hasiana
zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny
fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
15 Ary inona no
ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny
tsy mino?
16 Ary inona no
ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no
tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo
aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
17 Koa mivoaha eo
aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra
tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
18 Ary ho Rainareo
Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.
52. 11, 12).
Chapitre 7. 1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika
hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na
amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana
an'Andriamanitra.
2 Ataovy omby anay ny
fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin'ny olona izahay, tsy nanimba olona,
tsy nanambaka olona.
3 Tsy miteny izany ho
fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba
hiara-maty sy hiara-belona isika.
4 Be ny fahatokiako
anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana
indrindra amin'ny fahorianay rehetra.
5 Fa na dia efa tonga
tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny
zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
6 Fa Andriamanitra,
Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i
Titosy,
7 ary tsy tamin'ny
nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa,
raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny
fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.
8 Fa na dia nampalahelo
anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina
ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany,
kanefa vetivety ihany.
9 Ary mifaly kosa aho
ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny
nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra
ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona.
10 Fa ny alahelo
araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa
fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.
11 Fa, indro, izany
nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga
fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana!
fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana!
zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany
rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany
ianareo.
12 Koa na dia
nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny
niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny
fahazotoanareo hanaiky anay.
13 Ary noho izany dia
nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly
izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny
fanahiny.
14 Ary raha nisy
nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka
ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny
reharehanay tamin'i Titosy ny aminareo.
15 Ary vao mainka
miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy,
dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
16 Ary faly aho fa
matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.
1 [Ny amin'ny famorian-bola
ho an'ny Kristiana malahelo tany Jodia] Ary ampahafantarinay anareo, ry
rahalahy, ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ny fiangonana any
Makedonia;
2 fa tamin'ny
fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin*'ny
fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony**. [* Gr.halalin'] [** Na: fahafoizany]
3 Koa vavolombelona
aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny
sitrapony ihany, no nanomezany,
4 sady nangataka mafy
taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona
masina izany;
5 ary tsy araka ny
nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia ho anay koa
noho ny sitrapon'Andriamanitra;
6 ka dia nangataka
an'i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa,
araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
7 Fa araka ny
itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na
amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo
anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
8 Tsy milaza izany ho
didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan'ny
fitiavanareo koa.
9 Fa fantatrareo ny
fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia
tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
10 Ary dia ambarako
izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana
ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry
ny taon-itsy.
11 Ataovy tanteraka
ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany
koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
12 Fa raha misy ny
fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy
ananany.
13 Kanefa tsy ny
hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
14 fa ny mba hisy
fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny
alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba
hisy fitoviana,
15 araka ny
voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy
nanana ny tsy ampy (Eks. 16. 18).
16 Fa isaorana anie
Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy
amin'ny ahy.
17 Fa nanaiky ny
fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany
nankany aminareo.
18 Ary ilay rahalahy
izay nalaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay
hiaraka aminy;
19 ary tsy izany
ihany, fa efa notendren*'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay
hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay** ho voninahitry ny Tompo sy ho
vavolombelon'ny fahazotoanay. [* Na: Nofidina tamin'ny fananganan-tanana] [**
ataonay amin'ny fanompoanay]
20 Ary mitandrina
izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao;
21 fa miomana hanao
izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona
koa.
22 Ary nirahinay
niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny
zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany
anareo.
23 Raha ny amin'i
Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay,
dia iraky* ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.[*Gr.apostoly]
24 Koa amin'izany
asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo
sy ny reharehanay ny aminareo.
1 Fa ny amin'ny
fiantrana* ho an'ny olona masina, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;[*Gr.
fanompoana]
2 fa fantatro ny
fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe : Efa
vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3 Kanefa naniraka
ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo
amin'izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4 fandrao, raha
tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola
vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany
fahatokiana izany.
5 Koa nataoko fa tsy
maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita
rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny
fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
6 Fa izao no
lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be
kosa no hojinjany.
7 Aoka ny olona
rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na
amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra
(Oha. 22. 8, LXX.).
8 Ary
Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo
ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa
tsara rehetra;
9 araka ny voasoratra
hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra
mandrakizay (Sal. 112. 9).
10 Ary Izay
manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa
afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11 dia
hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny
hitsim-po*,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.[*Na: fahafoizana]
12 Fa ny
fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny
olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
13 satria ny
fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany
an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i
Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona
rehetra;
14 ary amin'ny
fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny
fahasoavan'Andriamanitra aminareo.
15 Isaorana anie
Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
1 [Teny nentin'i
Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly
marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy
sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo
anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
2 Dia mangataka aho
mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana
amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
3 Fa na dia velona
amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
4 (fa tsy avy amin'ny
nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana
mafy);
5 fa mandrava ny
fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana
an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,
6 ary vonona hamaly
ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
7 Mijery zavatra
araka ny fisehony ihany va ianareo*? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i
Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no
mah'an'i Kristy anay koa.[*Na: Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo]
8 Fa na dia bebe
ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay
hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
9 mba tsy hisehoako
toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.
10 Fa ny epistiliny,
hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary
tsinontsinona ny teniny.
11 Aoka izany olona
izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo
izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
12 Fa izahay tsy sahy
hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay
aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy
mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.
13 Fa izahay tsy mba
hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho
anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
14 Fa tsy toy izay
tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany
aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;
15 tsy mirehareha tsy
amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay
fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka
ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
16 ka hitory ny
filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa
vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
17 Fa izay
mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)
18 Fa tsy izay midera
tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
1 Enga anie ka mba
handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra* amiko ihany
ianareo.[*Na: Eny, mandefera]
2 Fa fahasaro-piaro
araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny
lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
3 Fa matahotra aho,
fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana
amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
4 Fa raha misy tonga
ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay
tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
5 Fa ataoko fa tsy
misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo.[*Na: Fatratra
loatra]
6 Fa na dia olona tsy
nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa
tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra
izany hahasoa anareo.
7 Diso va aho, raha
nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny
filazantsaran'Andriamanitra taminareo?
8 Namabo ny
fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
9 Fa raha nitoetra
teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha
vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary
tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo
aho sady mbola hitandrina izany ihany.
10 Raha ato anatiko
koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any
amin'ny tany Akaia.
11 Nahoana? Satria
tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
12 Fa izay ataoko no
mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho
hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany.
13 Fa Apostoly
sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny
Apostolin'i Kristy.
14 Ary tsy mahagaga
izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
15 Koa tsy zavatra
lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka
ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
16 Hoy izaho indray:
Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny
adala aho mba hireharehako kelikely koa.
17 Izao lazaiko izao
dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha
matoky izao ihany.
18 Satria maro no
mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
19 Fa sitrakareo ny
handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo.
20 Fa hay! mandefitra
ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy
misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny
tavanareo.
21 Manala-barà-tena
aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy
ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
22 Hebreo va izy?
Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.
23 Mpanompon'i Kristy
va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny
fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be
efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
24 Indimy aho no
nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
25 Intelo nokapohina
tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray
andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,
26 nandeha matetika
aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky
nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa,
saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho,
saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny
rahalahy sandoka aho,
27 tamin'ny
fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny
hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka
sy ny fitanjahana.
28 Afa-tsy ireo
zavatra ivelany* dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana
ny fiangonana rehetra.[*Na: izany rehetra izany]
29 Iza no
malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
30 Raha tsy
maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
31
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy
mandainga aho.
32 Tany
Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna
Damaskosy mba hisambotra ahy;
33 fa avy teo
amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka
dia afa-nandositra ny tànany aho.
1 Tsy maintsy
mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy
fanambaran'ny Tompo aho.
2 Mahalala
olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa
izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro,
Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra
fahatelo.
3 Ary mahalala
ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy
fantatro, Andriamanitra no mahalala -
4 fa nakarina
ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony
holazain'olona.
5 Ilay
anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho
afa-tsy amin'ny fahalemena ihany.
6 Fa na dia
te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao
izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy
na izay andrenesany ny teniko.
7 Ary fandrao
hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny
nofo*, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.[*Na: Notsatohana
hazo maranitra ny nofoko]
8 Izany no
nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.
9 Nefa hoy Izy
tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny
fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba
hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
10 Koa dia
finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena,
amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny
fahalemeko no fahatanjahako.
11 Efa tonga
adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy
latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo, na dia tsinontsinona aza
aho.[*Na: fatratra loatra]
12 Ny
famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana
rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe.
13 Fa inona moa
no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako
tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany.
14 Indro, efa
fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra
anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no
tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony
hihary ho an'ny zanany.
15 Ary izaho
dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny
fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.
16 Kanefa, na
dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia
nahazo anareo tamin'ny fihendrena.
17 Moa izay nirahiko
tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18 Nangataka an'i
Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo
ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany
va no dianay?
19 Efa ela izay no
nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no
itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho
fampandrosoana anareo.
20 Fa matahotra aho,
fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho
hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana,
fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana,
fikotranana, -
21 eny, fandrao,
rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary
izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka
tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
1 Izao no fanintelon'ny
hankanesako atỳ aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no
hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15).
2 Efa nambarako
fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo
fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo
aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
3 satria ianareo
mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa
mahery ao aminareo kosa.
4 Fa voahombo tamin'ny
hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny
herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy
ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.
5 Diniho ny
tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny
tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy
Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ?
6 Nefa manantena aho
fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7 Ary mangataka
amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay
ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy
ny olona nolavina aza izahay.
8 Fa tsy mahavita na
inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
9 Fa faly izahay,
raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny
fanatanterahana anareo.
10 Izany no anoratako
izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia
hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho
fandravana.
11 Farany, ry
rahalahy, mifalia*, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana,
miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho
aminareo.[*Na: veloma]
12 Mifanaova veloma
amin'ny fanorohana masina.
13 Ny olona masina
rehetra manao veloma anareo.
14 Ho aminareo
rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra
ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.