[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Asan'ny Apostoly
Accès direct aux
chapitres des Actes : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28
1 [Fitarihan-teny sy filazana
ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho
any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay
nataon'i Jesosy sy nampianariny,
2 hatramin'ny andro
nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay
nofidiny,
3 sady niseho koa tamin'ny
famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo
andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
4 Ary raha niara-niangona*
teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny
teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana]
5 fa Jaona nanao
batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina,
rehefa afaka andro vitsivitsy.
6 Koa izay tafangona
teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho
amin'ny Isiraely?
7 Fa hoy kosa Izy
taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray
amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
8 Fa hahazo hery
ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any
Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
9 Ary rehefa nilaza
izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona
nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
10 Ary raha mbola
nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa
lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11 izay nanao hoe: Ry
lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny
Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12 Ary izy ireo
niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
13 Ary rehefa
tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia
Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio,
Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak*'i Jakoba. [* Na:
rahalahin']
14 Ireo rehetra ireo
niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary
ny rahalahiny.
15 [Ny nifidianan'ny
Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany
dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no
isan'ny olona* vory teo) ka nanao hoe: [*Gr. anarana]
16 Ry rahalahy, tsy
maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina
rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra
an'i Jesosy;
17 fa izy dia
isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
18 Koa izany lehilahy
izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy,
dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19 Ary fantatr'izay
rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny
fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
20 Fa voasoratra eo
amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona
honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany
(Sal. 109. 8).
21 Koa amin'ireo
lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka
tamintsika Jesosy Tompo,
22 hatramin'ny
batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia
tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
23 Ary nanokana roa
lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24 Dia nivavaka izy
ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy
izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
25 mba hahazoany
anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy
hankanesany any amin'ny fitoerany.
26 Dia nanao filokana
ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny
Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
1 [Ny nilatsahan'ny
Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera
tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray
izy rehetra.
2 Ary nisy feo tonga
tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay
trano niangonany.
3 Ary nisy lela maro
mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra
isan-olona izany.
4 Ary samy feno ny
Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka
ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
5 Ary nisy Jiosy,
mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa
rehetra ambanin'ny lanitra.
6 Ary nony re izany
feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo
niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
7 Dia talanjona sady
gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny
ireo?
8 Koa ahoana no
andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
9 - dia
Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy
Kapadokia sy Ponto sy Asia
10 sy Frygia sy
Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny
avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
11 Kretana sy
Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny
asa lehibe ataon'Andriamanitra?
12 Dia
talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho
hevitr'izany?
13 Fa ny sasany
nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
14 Fa
nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka
nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka
ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
15 Tsy mamo
araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16 Fa izao ilay
nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
17 Ary amin'ny
andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo
rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny
zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
18 Ary ny
mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany,
Ka dia haminany izy;
19 Ary hanisy
fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany,
Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka;
20 Ny masoandro
hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i
Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
21 Ary na zovy
na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
22 Ry lehilahy
Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy
nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny
famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny
fantatrareo ihany,
23 Izy efa
natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia
nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
24 fa
Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana,
satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
25 Fa Davida
milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo
ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26 Dia izany no
nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny
fanantenana;
27 Fa tsy ho
foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao
ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy]
28 Nampahafantatra
ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16.
8-11).
29 Ry rahalahy,
aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty
izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
30 Ary satria
mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay
hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na:
hapetrany]
31 koa raha
nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy]
32 Izany Jesosy
izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
33 Ary rehefa
nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny
Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo
izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
34 Fa tsy
Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko
hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
35
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
36 Koa aoka ho
fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo
tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37 Ary raha
nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny
Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
38 Ary hoy
Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy
Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny
fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39 fa ny teny
fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza
na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
40 Ary nanambara
sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena
ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
41 Ary izay
nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona
nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
42 Ary izy ireo
naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny
mofo ary ny fivavahana.
43 Dia raiki-tahotra
ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
44 Ary izay rehetra
nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
45 ary namidiny ny
taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
46 Ary dia niray
saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao
an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
47 nidera
an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny
olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
1 [Ny nahasitranan'i
Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona]
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy
fotoam-pivavahana.
2 Ary nisy nitondra
lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro
teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka
fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
3 nony nahita an'i
Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba
homena fiantrana.
4 Ary Petera sy Jaona
nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5 Dia nibanjina azy
roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6 Fa hoy Petera: Tsy
manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
7 Ary noraisiny
tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka
tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8 Ary niantsambotra
izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo
an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera
an'Andriamanitra.
9 Ary ny vahoaka
rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
10 Ary fantany tsara
fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly
mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga
tamin-dralehilahy.
11 Ary raha nihazona
an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy
telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka
talanjona.
12 Ary Petera, nony
nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona
amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na
fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13 Andriamanitr'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome
voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo
anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany]
14 Fa ianareo nandà
Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15 fa ny Tompon'ny
aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary
vavolombelon'izany izahay.
16 Ary ny anarany no
nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany;
eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara
eto imasonareo rehetra izao.
17 Ary ankehitriny,
ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka
ny mpanapaka anareo koa.
18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra
ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
19 Koa mibebaha
ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro
famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
20 ary mba hanirahany
ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21 Ilay tsy maintsy
horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay
nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany
indrindra.
22 Fa Mosesy nilaza
hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny
rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy
aminareo.
23 Ary izay rehetra
tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo.
18. 15, 19).
24 Ary ny mpaminany
rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia
nanambara izao andro izao.
25 Hianareo no zanaky
ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy
Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra
ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).
26 Andriamanitra,
rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy
anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.
[*Na: ny Zanany]
1 [Ny namatorana an'i
Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny
tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny
lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
2 fa sosotra izy noho
ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy
ny fitsanganana amin'ny maty.
3 Dia nisambotra azy
izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva
ny andro tamin'izay.
4 Kanefa maro
tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny
lehilahy.
5 Ary nony maraina ny
andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny
mpanora-dalàna
6 sy Anasy
mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho
havan'ny mpisoronabe.
7 Ary rehefa nataony
teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na
anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
8 Ary Petera, feno ny
Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9 raha adinina izahay
anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10 dia aoka ho
fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy
avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa
natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy
io finaritra eto imasonareo.
11 Ity no vato izay
nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12 Ary tsy misy
famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny
olona izay hahazoantsika famonjena.
13 Ary nony nahita ny
fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na
nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka
tamin'i Jesosy izy roa lahy.
14 Ary nony nijery ny
lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay
havaliny.
15 Ary rehefa nasainy
niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16 ka nanao hoe: Hataontsika
ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary
fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17 Fa mba tsy
hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy
hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
18 Ary niantso azy
izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
19 Fa Petera sy Jaona
kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na
tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20 Fa izahay tsy
maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21 Ary rehefa
norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho
ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny
amin'ny zavatra efa natao.
22 Fa efa tsy omby
efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy
izany.
23 Ary rehefa nalefa
izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny
lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24 Fa rehefa nandre
izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao
hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny,
25 ary ny Fanahy
Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no
mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
26 Ireo mpanjakan'ny
tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany
(Sal. 2. 1, 2).
27 Fa efa niangona
marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny
jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy
Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao]
28 mba hanao
izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29 Koa
ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba
hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
30 omban'ny
aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana
amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao]
31 Ary rehefa
nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy
Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32 [Ny
nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona
rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa
niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33 Ary tamin'ny
hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary
fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
34 Fa tsy nisy
olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany,
dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
35 ka napetrany
teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay
nilainy avy
36 Ary Josefa,
izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny
fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
37 dia
nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny
tongotry ny Apostoly.
1 [Ny amin'i
Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny
nivarotra tany,
2 ka nanafenany
ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola
sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
3 Ary hoy
Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy
Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
4 Fony tsy
namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay
sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga
tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
5 Ary Ananiasy,
nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia
raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6 Ary
nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 Fa rehefa
afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa
nanjo teo.
8 Ary hoy
Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy
izy: Eny, izany ihany.
9 Ary hoy
Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo?
Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao
hivoaka koa izy.
10 Dia
nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy;
ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny
teo anilan'ny lahy.
11 Dia raiki-tahotra
indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12 [Ny fahagagana
nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no
nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra
niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
13 ary tsy nisy
tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14 Ary vao mainka
nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15 ka dia nentiny
teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana,
mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
16 Ary ny olona maro
avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny
marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17 [Ny namatorana ny
Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary
nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo),
fa feno fialonana izy,
18 dia nisambotra ny
Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19 Fa nisy anjelin'ny
Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka
ka nanao hoe:
20 Mandehana, ka
mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny
rehetra milaza izany fiainana izany.
21 Ary rehefa nandre
izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra.
Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy
ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny
tranomaizina haka ny Apostoly.
22 Fa nony tonga ny
mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka
nilaza hoe:
23 Ny tranomaizina
dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa
nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24 Ary ny lehiben'ny
mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany,
dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
25 Dia nisy tonga ka
nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny,
dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Dia lasa ny
lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao
mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27 Ary rehefa
nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe
nanontany azy
28 ka nanao hoe: Efa
noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany;
kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo
hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
29 Fa Petera sy ny
Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny
olona.
30 Andriamanitry ny
razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo
teo amin'ny hazo.
31 Izy nasandratry ny
tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy
famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra]
32 Ary izahay dia
vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra
ny manaiky Azy.
33 Ary raha nandre
izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34 Dia nitsangana teo
amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna,
izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona
ireo.
35 Dia hoy izy
tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo
olona ireo.
36 Fa nitsangana
fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny
lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra
nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 Ary nanarakaraka
azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any
Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka
nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Ary ankehitriny
dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa
raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39 fa raha avy
amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho
mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40 Dia nanaiky azy
izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy
hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41 Ary ireo dia niala
teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra
fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.
42 Ary tsy nitsahatra
nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny
tempoly sy tao an-trano izy.
1 [Ny nifidianana ny
fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa
nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista,
satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2 Ary ny roa ambin'ny
folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao
ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3 Koa amin'izany, ry
rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy
fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4 Fa izahay kosa
haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
5 Dia sitraky ny
olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy
ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary
Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6 ireo dia narosony
teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana
taminy.
7 Dia nandroso ny
tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany
Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8 [Ny amin'i Stefana]
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana
lehibe teo amin'ny vahoaka.
9 Fa ny sasany, izay
avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny
Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady
hevitra tamin'i Stefana.
10 Fa tsy nahatohitra
ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11 dia nisy olona
nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy* an'i Mosesy sy Andriamanitra
ity. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
12 Ary nampitaitra ny
olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka
nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
13 ary izy nanangana
vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny
ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
14 Fa efa renay izy
nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova
ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.
15 Ary izay rehetra
nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny
tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
1 Ary hoy ny
mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2 fa hoy
Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra
niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola
nonina tany Harana,
3 ka nanao
taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany
izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4 Dia niala
tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy,
dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo
ankehitriny.
5 Ary tsy
nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy
fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola
nanan-janaka akory aza izy.
6 Ary
nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena
hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7 Nefa ny
firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa
afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13,
14).
8 Ary nomeny
fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy
tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny
patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9 Ary nialona
an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra
nomba azy
10 ka nahafaka
azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo
imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any
Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
11 Ary nisy
mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita
hanina ny razantsika.
12 Fa nony
nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny
voalohany.
13 Ary tamin'ny
fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa
ny havan'i Josefa.
14 Ary Josefa
naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona
dimy amby fito-polo izy.
15 Ary Jakoba
nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
16 ary nentina
ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola
tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
17 Fa rehefa ho
tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra
tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18
mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
19 Ary izy
nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny
zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
20 Tamin'izany
andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy
ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
21 Fa rehefa
nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
22 Ary Mosesy
nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny
teniny sy ny asany izy.
23 Ary rehefa
ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely,
rahalahiny
24 Ary raha
nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana
ary namonjy ilay nampahorina.
25 Ary nataony
fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo
tsy fantany.
26 Ary nony
ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana
azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27 Fa ilay
namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy
ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28 Moa
ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly?
(Eks. 2. 13, 14.)
29 Ary
tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany
Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30 Ary rehefa
afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny
tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
31 Ary Mosesy,
nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia
tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
32 Izaho no
Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks.
3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33 Ary hoy
Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao
io.
34 Hitako tokoa
ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy
azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35 Izany Mosesy
izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy
mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy
mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36 Izy no
nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy
teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37 Izany no
Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no
hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo.
18. 15).
38 Izy ilay teo
amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany
an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona
mba homeny antsika.
39 Nefa ny razantsika
tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40 ka hoy izy
tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay
Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy
fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41 Ary dia
nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra
tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.
42 Fa
Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra;
araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra
voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry
taranak'isiraely?
43 Tsia, fa
nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe
Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo
ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
44 Ny
trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka
ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika
izay efa hitany.
45 Izany koa
dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka
tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay
noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i
Davida;
46 izy nahita fitia
anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
47 Fa Solomona kosa
no nanao trano ho Azy.
48 Kanefa ny Avo
Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny
mpaminany hoe:
49 Ny lanitra no seza
fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no
hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50 Tsy ny tanako va
no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
51 Ry olona mafy
hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina
mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52 Iza no
mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny
fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy
ianareo,
53 dia olona
izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54 Ary nony
nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55 Fa Stefana,
feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny
voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,
56 dia nanao hoe:
Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo
ankavanan'Andriamanitra.
57 Ary ny olona
niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58 dia nandroaka azy
ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia
nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe
Saoly.
59 Ary ny olona
nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny
fanahiko.
60 Dia nandohalika
izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao
ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
Chapitre 8. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny
mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy
tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana
mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia
sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2 Ary mpivavaka tsara
no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3 Fa Saoly nampahory
mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na
ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4 Ary izay
niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5 Ary Filipo
nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
6 Ary ny
vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre
azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7 Fa ny fanahy
maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy;
ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8 Dia nisy
fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
9 Ary nisy
lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka
nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10 ary nihaino
azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity
no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11 Ary nihaino azy ny
olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
12 Ary rehefa nino
an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny
anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 Ary Simona koa mba
nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy,
raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14 Ary nony ren'ny
Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia
naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15 Nony tafidina tany
izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16 Fa tsy mbola nisy
nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy
Tompo ihany izy.
17 Ary izy roa lahy
nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
18 Ary Simona, nony
nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia
nitondra vola homena azy
19 ka nanao hoe: Omeo
izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona
hametrahako tanana.
20 Fa hoy Petera
taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo
vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
21 Tsy manana anjara
na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo
anatrehan'Andriamanitra.
22 Koa mibebaha
amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany
izay noheverin'ny fonao.
23 Fa hitako fa mbola
mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24 Ary Simona namaly
ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay
nolazainareo.
25 Ary rehefa
nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany
Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny
Samaritana.
26 Ary nisy
anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana
mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia
efitra izany.
27 Dia nitsangana izy
ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy,
mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany
Jerosalema izy mba hivavaka;
28 dia nody izy ka
nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29 Dia hoy ny Fanahy
tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
30 Ary Filipo
nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany,
ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31 Fa hoy izy:
Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i
Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana]
32 Ary izao no
tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary
tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
33 Ny fietren-tena no
nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy
*? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany]
34 Ary ilay tandapa
namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany
amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35 Ary Filipo
niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i
Jesosy taminy.
36 Ary raha nandeha
teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa:
Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37 * [* Ampio hoe: 37
Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary
namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
38 Dia nasainy
najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo
amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
39 Ary rehefa
niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo
Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady
nifaly.
40 Fa Filipo hita
tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay
nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
1 [Ny niovan'i Saoly
ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny
mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
2 ka nangataka
taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra
ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy
na vavy. [*Gr: lalana]
3 Ary raha nandeha
izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra
nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4 dia lavo tamin'ny
tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no
manenjika Ahy?
5 Ary hoy izy:
Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 fa
mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety
hataonao.
7 Ary ny olona
izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo
izy, nefa tsy nahita olona.
8 Ary Saoly
nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na
inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9 Ary tsy
nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10 Ary nisy
mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy
tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11 Ary hoy ny
Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka
izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa,
indro, efa mivavaka izy;
12 ary izy efa
nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba
hahiratra indray ny masony.
13 Ary Ananiasy
namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany
lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
14 Ary manana
fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny
anaranao.
15 Fa hoy ny
Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo
anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
16 fa hasehoko
azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17 Ary nandeha
Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry
Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana
nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny
Fanahy Masina ianao.
18 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny
masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19 ary
nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy
Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany
Damaskosy.
20 Ary niaraka
tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa
Zanak'Andriamanitra.
21 Ary
talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay
niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra
azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
22 Ary Saoly
mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka
naneho marimarina fa Jesosy* no Kristy. [* Gr. Ity]
23 Ary rehefa
afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24 nefa
fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro
aman'alina hamonoany azy.
25 Fa ny mpianany
naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
26 Ary rehefa
tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy
rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 Fa Barnabasy
naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny
nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany
nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
28 Ary izy
niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
29 sady nitory
tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra
tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30 Ary rehefa
fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka
nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia
nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady
nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny
Fanahy ka nihamaro.
32 [Ny
nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty]
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona
masina nonina tany Lyda koa.
33 Ary izy
nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo
am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34 Ary hoy
Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary
ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
35 Ary nahita
azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36 Ary tany
Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy*;
ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [* Dorkasy
= Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
37 Ary narary
izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia
napetrany tao an-trano ambony.
38 Ary satria
Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia
naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39 Dia nitsangana
Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano
ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady
nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
40 Ary navoak'i
Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika
nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny
masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
41 Ary Petera
nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny
mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42 Ary dia fantatra
eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
43 Ary Petera
nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
1 [Ny amin'i
Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio,
kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
2 ary mpivavaka tsara
sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao
fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
3 Ary izy nahita
miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro,
fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry
Kornelio.
4 Ary nony nibanjina
azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy
hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo
anatrehan'Andriamanitra.
5 Koa ankehitriny
maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa
Petera;
6 mitoetra ao amin'i
Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
7 Ary rehefa lasa ny
anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony
izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.
8 Ary rehefa
nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
9 Ary nony ampitso,
raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia
niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho
tamin'ny ora fahenina.
10 Dia noana loatra
izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
11 ka nahita ny
lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina
tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
12 ary tao anatiny
nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka
etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
13 Ary nisy feo nanao
taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
14 Fa hoy Petera:
Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
15 Fa hoy ilay feo
taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16 Ary intelo no
nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
17 Ary raha mbola
nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany,
dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka
nijanona teo am-bavahady,
18 dia niantso ka
nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
19 Fa raha mbola
nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo
lahy mitady anao;
20 fa mitsangàna
ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no
naniraka azy.
21 Ary Petera nidina
tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no
anton'ny ahatongavanareo atỳ?
22 Dia hoy ireo:
Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara
laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra
hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
23 Ary Petera
nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha
niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
24 Ary nony ampitso
indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona
ny havany sy ny tena sakaizany.
25 Ary raha vao
niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady
nitsaoka azy.
26 Fa Petera
nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
27 Ary nony niresaka
taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28 Dia hoy izy
taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano
amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa
tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
29 Ary amin'izany dia
tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana
moa no nampanalanareo ahy?
30 Dia hoy Kornelio:
Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto
an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo
akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
31 ka nanao hoe: Ry
Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny
fiantranao.
32 Koa maniraha
hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao
an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
33 Koa niaraka
tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa
ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay
rehetra nandidian'ny Tompo anao.
34 Ary Petera
niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona
Andriamanitra;
35 fa amin'ny
firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Hianareo mahalala
ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza
fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
37 dia ilay teny
natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa
izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
38 Izay
nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha
nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria
Andriamanitra nomba Azy.
39 Ary izahay no
vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy
tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
40 nefa
natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony
marimarina,
41 tsy tamin'ny olona
rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia
taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty
Izy.
42 Ary Izy nandidy
anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho
Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran'ny
mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy
famelan-keloka.
44 Raha mbola nilaza
izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny
Fanahy Masina.
45 Ary talanjona ny
mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny
jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
46 Fa nandre azy
niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia
namaly Petera ka nanao hoe:
47 Moa misy olona
mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy
Masina tahaka antsika koa?
48 Dia nasainy natao
batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao
aminy andro vitsivitsy izy.
1 [Ny namalian'i
Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany
Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
2 Ary nony tafakatra
tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
3 ka nanao hoe: Efa
niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4 Ary Petera dia
nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
5 Tany an-tanàna Jopa
aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro,
nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny
zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
6 ary raha nijery sy
nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra
efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7 Ary nandre feo koa
aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
8 Fa hoy izaho:
Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy
madio.
9 Ary nisy feo avy
tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza
ataonao ho fady.
10 Ary intelo no
nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra
izany.
11 Ary tamin'izay
dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay
iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12 Dia nasain'ny
Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza.
Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao
an-tranon-dralehilahy izahay.
13 Ary nambarany
taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha
ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
14 izy hilaza
teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15 Ary raha vao
niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
16 Dia
nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa
tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
17 Koa raha mba
homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i
Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
18 Ary rehefa
nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe:
Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19 [Ny
nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy
sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha
hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona
izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
20 Ary ny
sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany
Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [*
Gr. Grika; na Helenista]
21 Ary ny
tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny
Tompo.
22 Ary ren'ny
sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy
izy handeha hatrany Antiokia.
23 Ary rehefa
tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy
rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
24 Fa lehilahy
tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona
nanampy ho an'ny Tompo.
25 Dia lasa
Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
26 Ary rehefa
nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny
fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra
olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra
hoe.
27 [Ny
naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin'izany andro izany dia nisy
mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 Ary
nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny
Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga
izany tamin'ny andron'i Klaodio.
29 Ary ny
mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay
nonina tany Jodia.
30
Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho
any amin'ny loholona*. [* Gr. presbytera]
1 [Ny amin'ny
nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina]
Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny
sasany tamin'ny fiangonana.
2 Ary izy
namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
3 Ary rehefa
hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy.
(Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
4 Ary rehefa
nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila
enina ambin'ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka
izy, rehefa afaka ny Paska. [*
Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
5 Ary Petera
nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka
tamin'Andriamanitra ho azy.
6 Ary nony efa
hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera
tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina
niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
7 Ary, indro, nisy
anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary
izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna
faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
8 Ary hoy ilay anjely
taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy
taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9 Dia nivoaka izy ka
nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho
nahita fahitana ihany izy.
10 Fa rehefa nandalo
ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay
mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony
nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia
nandao azy i]ay anjely.
11 Ary rehefa
nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa
ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny
fanantenan'ny Jiosy rehetra.
12 Ary rehefa fantany
tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa
Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
13 Ary raha
nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo
hihaino.
14 Ary rehefa
nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa
lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15 Fa hoy ny olona
taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray
ny olona: Anjeliny izany.
16 Fa Petera
naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka
talanjona.
17 Fa izy nanofa
tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao
an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany
zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
18 Ary rehefa nazava
ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19 Ary rehefa nitady
azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy
novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra
tany.
20 Ary Heroda tezitra
loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany
aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny
mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona
tamin'ny tanin'i Heroda*. [* Gr. ny mpanjaka]
21 Ary tamin'ny andro
voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny
seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
22 Ary ny vahoaka
niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
23 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra
an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
24 Ary nandroso sy
niely ny tenin'Andriamanitra.
25 Ary Barnabasy sy
Saoly niverina avy tany* Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra
an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [* Na: niverina tany]
1 [Ny nandefasana
an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo
amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy
Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono
tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 Ary raha nanao
fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy
Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Ary rehefa nifady
hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4 Ary rehefa
nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka
niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 Ary nony tonga tany
Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy;
ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6 Ary rehefa namaky
ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy,
mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7 izay nitoetra tao
amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka
an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny
tenin'Andriamanitra.
8 Fa Elyma, mpanao
ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady
hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9 Fa Saoly kosa, izay
atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
10 ka nanao hoe:
Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny
devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny
lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
11 Ary, indro,
ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy
hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny
mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12 Ary ny governora,
nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny
Tompo.
13 Ary Paoly sy ny
namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga
any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14 Ary rehefa niala
tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra
tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15 Ary rehefa vita ny
famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza
taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny
olona, dia ataovy.
16 Ary Paoly
nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo
izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
17 Andriamanitr'izao
olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha
nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka
avy tany.
18 Ary Izy nandefitra
tamin'ny nataony* tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [* Na: (nitondra azy
tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)]
19 Ary rehefa
nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny
tanin'ireny izy
20 tokony ho
dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy
hatramin'i Samoela mpaminany.
21 Ary rehefa afaka
indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy
efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
22 Ary rehefa
nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady
nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny
foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20).
23 Avy tamin'ny
taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny
teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
24 rehefa notorin'i
Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy
mbola tonga Izy.
25 Ary Jaona, rehefa
nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho?
Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika
hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26 Ry rahalahy,
taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia
ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
27 Fa izay monina any
Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny
mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny
nanamelohany Azy.
28 Ary na dia tsy
hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato
ihany izy hamonoana Ary.
29 Ary rehefa
nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy
tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
30 Fa Andriamanitra
kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
31 Ary Izy niseho
andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema,
ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
32 Ary izahay mitory
ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
33 dia ny
nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i
Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao,
Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
34 Ary ny amin'ny
nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia
izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i
Davida (Isa. 55. 3).
35 Fa hoy Izy ao
amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao
(Sal. 16. 10).
36 Fa Davida, rehefa
nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy,
dia nodi-mandry* ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [*Na.
Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka
ny sitrapon'Andriamanitra]
37 fa Izay
natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
38 Ary aoka ho
fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka
aminareo;
39 ary ao aminy no
anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo
nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
40 Koa tandremo
fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
41 Izahaonareo
mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa
izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
42 Ary rehefa nivoaka
izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata
manaraka.
43 Ary rehefa nirava
ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo
an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka
namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
44 Ary nony tamin'ny
Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny
tenin'Andriamanitra.
45 Nefa ny Jiosy
kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny
nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy*. [* Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3]
46 Ary Paoly sy
Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy
nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao
ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika
mankany amin'ny jentilisa izahay;
47 fa izao no
nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba
ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).
48 Ary rehefa nandre
izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra*; ary izay
voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin'ny Tompo]
49 Ary ny
tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
50 Fa ny Jiosy
nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna,
dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy
niala tamin'ny taniny.
51 Fa izy roa
lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany
Ikonioma.
52 Ary dia feno
fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
1 [Ny nitorian'i
Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany
nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia
niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona
betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]
2 Fa ny Jiosy izay
tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny
rahalahy.
3 Ary nitoetra ela
teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay
nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany
4 Fa ny vahoaka tao
an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny
Apostoly.
5 Ary raha niray
tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny
loholony,
6 ka fantany izany,
dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany
manodidina, izy,
7 dia nitory ny
filazantsara tany.
8 Ary nisy lehilahy
anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy
afaka namindra;
9 izy nahare an'i
Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa
nanam-pinoana hositranina io,
10 dia niteny
tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra
ralehilahy ka nitsangantsangana.
11 Ary nony
hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony
ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny
andriamanitra maka ny endrik'olona!
12 Ary ny
anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy
no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy]
13 Ary ny
mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra
ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao
fanatitra.
14 Fa nony
nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany
izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
15 Raondriana, ahoana
no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny
filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona
an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny,
16 Izay namela ny
firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.
17 Kanefa tsy namela
ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny
ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky
ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
18 Nefa na dia nilaza
izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao
fanatitra aminy.
19 Ary nisy Jiosy
tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato
an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa
maty izy.
20 Fa nony nanodidina
azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy
sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21 Ary rehefa
nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro,
dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22 nampahery ny
fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa
tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
23 Ary rehefa
nanendry* loholona** teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady
hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na:
nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera]
24 Ary rehefa
nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
25 Ary nony efa
nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
26 Dia
niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho
amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
27 Ary rehefa
tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra
nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho
an'ny jentilisa.
28 Dia nitoetra
elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
1 [Ny nifandiran'ny
sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany
Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia
nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo,
dia tsy azo vonjena.
2 Ary rehefa
nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia
nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho
any amin'ny Apostoly sy ny loholona* hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
[ Gr. presbytera]
3 Ary rehefa
nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka
nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4 Ary rehefa tonga
tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny
loholona*, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany
azy. [* Gr. presbytera]
5 Fa ny mino sasany,
izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy
forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
6 Ary dia nivory ny
Apostoly sy ny loholona* mba hihevitra izany zavatra izany. [* Gr. presbytera]
7 Ary rehefa nisy ady
hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy,
fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa
amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
8 Ary Andriamanitra,
Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina
tahaka antsika koa;
9 fa tsy nataony misy
hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
10 Koa nahoana
ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny
vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
11 Fa mino isika fa
ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 Dia nangina ny
olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy
ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
13 Ary rehefa
nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry
rahalahy, mihainoa ahy:
14 Simeona efa
nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany
hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15 Ary mifanaraka
amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16 Rehefa afaka
izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera;
Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
17 Mba hitady ny
Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako,
hoy Jehovah,
18 Izay manao izany
zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
19 Koa dia izao no
hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa
izay miverina ho amin'Andriamanitra;
20 fa aoka hanoratra
epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy
sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
21 Fa hatramin'ny
razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa
vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
22 Ary sitraky ny
Apostoly sy ny loholona* mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny
namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia
Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo
amin'ny rahalahy; [* Gr. presbytera]
23 ary nanoratra
taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona
miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary
Kilikia. [* Gr. presbytera]
24 Satria efa renay
fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka
namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
25 dia sitrakay,
rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo
hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26 lehilahy izay
nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy
Tompontsika.
27 Dia nirahinay Joda
sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
28 Fa sitraky ny
Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao
zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29 dia ny
hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary
ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa.
Veloma ianareo.
30 Ary rehefa
nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy,
dia natolony ilay epistily.
31 Ary nony efa
namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
32 Ary satria
mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka
nampahery azy.
33 Ary rehefa
nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho
any amin'izay naniraka azy.
34 * [* Ampio hoe: 34
Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao]
35 Ary Paoly sy
Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny
Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
36 [Ny niaingan'i
Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro
vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny
rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo,
hahitantsika izay toetrany.
37 Ary tian'i
Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
38 Nefa nataon'i
Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia
ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha.
39 Ary nifanditra
mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana
an-tsambo nankany Kyprosy.
40 Fa Paoly kosa
nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny
fahasoavan'ny Tompo izy.
41 Dia nandeha namaky
an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
Chapitre 16. 1 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra
anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa
jentilisa* rainy - [* Gr. Grika]
2 ary tsara laza teo
amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3 Koa tian'i Paoly ho
entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany
amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa* rainy. [ Gr.
Grika]
4 Ary raha nandeha
nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky
ny Apostoly sy ny loholona* tany Jerosalema. [*Gr.presbytera]
5 Ary nihanahery
finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
6 [Ny
niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao
Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy,
dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
7 ka efa tonga tany
an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i
Jesosy.
8 Ary rehefa nandalo
an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
9 Ary nony alina dia
nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana
nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
10 Ary nony nahita ny
fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay,
satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara
amin'ny olona any.
11 Ary nony niondrana
an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony
ampitso dia nankany Neapolia.
12 Ary nony niala teo
izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i
Makedonia izany sady zana-panjakana*; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany
andro vitsivitsy izahay. [* Gr. kolonia]
13 Ary tamin'ny andro
Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay
nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka
tamin'ny vehivavy vory teo.
14 Ary nisy vehivavy
atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay
nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony
hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
15 Ary rehefa natao
batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha
ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera
ao. Dia nanery anay izy.
16 Ary raha nandeha
ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray
nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no
nahazoan'ny tompony harena be.
17 Izy nanaraka an'i
Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra
Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18 Ary nataony
tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny
fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia
nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
19 Ary nony
hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i
Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
20 ary rehefa nentiny
tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy
ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
21 ka mampianatra
fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
22 Ary ny vahoaka
niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka
nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
23 Ary nony efa nokapohiny
mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy
tsara ny mpiandry tranomaizina.
24 Ary rehefa nahazo
teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny
indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
25 Ary nony
mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy;
ary nihaino azy ny mpifatotra.
26 Ary nisy
horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny
tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha
avokoa ny fatoran'izy rehetra.
27 Dia nahatsiaro ny
mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia
nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra
ny mpifatotra.
28 Fa Paoly niantso
tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29 Ary izy niantso
jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i
Paoly sy Silasy.
30 Ary rehefa nentiny
nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba
hovonjena aho?
31 Dia hoy izy roa
lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32 Ary izy roa
lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
33 Ary nandray
azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka;
ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
34 Ary rehefa
nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo
anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria
efa nino an'Andriamanitra.
35 Ary rehefa maraina
ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso
ireo olona ireo.
36 Ary ny mpiandry
tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa
naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa
aman-tsara.
37 Fa hoy Paoly
taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa
Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay
mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
38 Ary ny
mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy,
raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39 Dia tonga izy ka
nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao
an-tanàna.
40 Dia niala tao
an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny
rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
1 [Ny nankanesan'i
Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i
Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny
Jiosy tao.
2 Ary Paoly dia
niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny
Soratra Masina tamin'ny olona tao.
3 Dia nanambara izy
ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy;
ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
4 Ary ny sasany
tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro
be koa tamin'ny jentilisa* izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy
nanan-kaja. [* Gr. Grika]
5 Fa nialona ny Jiosy
ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia
nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa
lahy ho ao amin'ny olona.
6 Ary raha tsy nahita
azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny
lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao
tontolo izao ireo;
7 ary efa
nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara,
satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8 Dia taitra ny
vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
9 Ary rehefa nasainy
nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
10 Ary Paoly sy
Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany
Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
11 Ary ny
toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny
zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina
izany, na tsia.
12 Koa maro
tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa* nanan-kaja sy ny
lehilahy. [*Gr. Grika]
13 Fa raha ren'ny
Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia
nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
14 Ary niaraka
tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa
Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
15 Ary izay nanatitra
an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy
amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia
lasa nandeha ireo.
16 [Ny nataon'i Paoly
tany Atena] Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny
fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17 Ary izy niady
hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay
tafavory tany an-tsena isan'andro.
18 Ary ny olon-kendry
sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany:
Inona no tian'io mpibedibedy* io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory
andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [*
Gr. mpitsindroka]
19 Ary ireo naka azy,
dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra
izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
20 Fa mampandre ny
sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay
hevitr'izany zavatra izany.
21 (Fa ny Ateniana
rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra
hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
22 Ary Paoly
nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa
amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra
ianareo.
23 Fa raha nandeha
aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy
izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay
ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
24 dia Andriamanitra
Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra
sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
25 sady tsy mba
tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra
izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
26 ary ny firenena
rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa
notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
27 mba hitady an'Andriamanitra
izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika
rehetra Izy;
28 fa Izy no
ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao
tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29 Ary satria
terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no
ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana
aman-tsain'olombelona.
30 Ary Andriamanitra
ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny
olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
31 satria Izy efa
nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana
amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona
hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
32 Ary raha nahare ny
amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa
nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
33 Ary Paoly dia
niala teo aminy.
34 Anefa ny olona
sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy
anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
1 [Ny nahatongavan'i
Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa
afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
2 Ary izy nahita
Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia,
ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma),
dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
3 Ary satria niray
raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no
raharahany.
4 Ary
niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy
ny jentilisa.
5 Ary rehefa tafidina
avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara
tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
6 Ary nony nanohitra
sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao
an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny
jentilisa aho.
7 Ary raha niala teo
izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka
tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.
8 Ary Krispo,
mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro
koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
9 Ary ny Tompo niteny
tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa
mitenena ihany, ka aza mangina;
10 fa Izaho momba
anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro
amin'ity tanàna ity Aho.
11 Ary izy nitoetra
teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.
12 Fa raha Galio no
governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary
nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,
13 ka dia nanao hoe:
Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny
lalàna.
14 Ary raha
hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na
zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho;
15 fa raha ady
hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy
te-hitsara izany raharaha izany.
16 Ary nandroaka azy
hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.
17 Ary izy rehetra
nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny
fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany.
18 [Ny niverenan'i
Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia,
ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola
nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia
niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny
volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
19 Ary tonga tany
Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny
synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
20 Ary nangataka azy
hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
21 fa nanao veloma
azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha
sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
22 Ary rehefa
tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina
nankany Antiokia.
23 Ary rehefa
nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy
Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24 Ary tonga tany
Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria,
lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.
25 Izany lehilahy
izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy
nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no
fantany.
26 Ary izy niteny
tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy
Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny
amin'ny lalan'Andriamanitra.
27 Ary rehefa
ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra
taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy,
dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;
28 fa izy
nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina
tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
1 Ary raha mbola tany
Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia
nahita mpianatra sasany teo izy
2 ka nanao taminy
hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao
taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
3 Ary hoy Paoly: Ho
amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i
Jaona.
4 Fa hoy Paoly: Jaona
nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy
manaraka azy, dia Jesosy.
5 Ary
raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
6 Ary rehefa
nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary
niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
7 Ary tokony ho roa
ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
8 Ary Paoly niditra
tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo
volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
9 Fa raha nikiribiby
ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo
imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra
nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.
[* Gr. lalana]
10 Ary naharitra roa
taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina
tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]
11 Ary ny tànan'i
Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
12 ka dia ny mosara
sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny
aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
13 Ary nisy Jiosy
sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy
Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo
amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
14 Ary nisy fito
mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
15 Ary ny fanahy
ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa
mba iza kosa moa ianareo?
16 Ary ny lehilahy
izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy
azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka
no voaratra.
17 Ary fantatry ny
Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra
ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
18 Ary maro
izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
19 Ary maro ny
mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra;
ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
20 Fatratra toy izany
no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
21 Ary rehefa vita
izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia
sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia
tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
22 Ary ny
roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany
Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
23 [Ny tabataba
nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia
nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana* izany. [* Gr. lalana]
24 Fa nisy lehilahy
anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i
Diana* tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [* Gr. Artemisy]
25 ireny mbamin'ny
mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe:
Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
26 Ary hitanareo sy
renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona
olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy
Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
27 Ka dia tsy izao
raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana,
andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra
ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
28 Ary rehefa nandre
izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
29 Ary nanerana ny
tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy
Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao
an-trano filalaovana.
30 Ary raha
te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
31 Ary ny lehibe
sasany tany Asia*, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy
ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [* Gr. Asiarka]
32 Ary ny sasany
niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona
vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
33 Ary nisy nisarika
an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary
Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
34 Fa rehefa fantatry
ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe:
Lehibe Dianan'ny Efesiana!
35 Ary ny mpitahiry
ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no
olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy
ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera *? [* Gr. Zeosy]
36 Ary satria tsy azo
toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona
an-kamehana.
37 Fa nentinareo
etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny
andriamanitsika.
38 Koa raha
manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka
hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo
governora.
39 Fa raha mitady
zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny
lalàna.
40 Fa andrao
ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy
hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
41 Ary rehefa nilaza
izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
1 [Ny nankanesan'i
Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny
tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy,
dia lasa nankany Makedonia izy.
2 Ary rehefa nitety
izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany
Grisia.
3 Ary nony efa
nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy
Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i
Makedonia.
4 Ary niaraka taminy
hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo
avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo
avy any Asia.
5 Ireo dia efa
nialoha ka niandry anay tany Troasy.
6 Dia niondrana
an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo
tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana;
ary tany no nitoeranay hafitoana.
7 Ary tamin'ny andro
voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia
nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny
mandra-paha-mamatonalina izy.
8 Ary nisy jiro maro
teo an-trano ambony izay niangonanay.
9 Ary nisy zatovo
anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary
raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay
zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary
nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10 Ary Paoly nidina,
dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo,
fa mbola misy aina ihany izy.
11 Ary niakatra
Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela
ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.
12 Ary nitondra ilay
zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
13 Ary izahay nialoha
ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly,
satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety* izy. [* Na: handeha
tongotra]
14 Ary rehefa nihaona
taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
15 Ary rehefa
niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso;
ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka* tonga tany Mileto izahay
nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]
16 Fa Paoly efa
nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa
maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
17 [Ny anatra
nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto
Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana**
hankeo aminy. [* Gr. presbytera] [**Gr. eklesia]
18 Ary nony tonga teo
aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako
teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra
izany,
19 dia ny nanompoako
ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay
nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,
20 ka tsy mba nafeniko
izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao
amin'ny isan-trano;
21 ary nambarako
tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny
finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika]
22 Ary ankehitriny,
indro, tery* am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy
any, [* mifatotra]
23 afa-tsy izay
ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy
fahoriana hanjo ahy.
24 Nefa tsy
ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana
izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny
fahasoavan'Andriamanitra.
25 Ary, indro,
ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay
nalehako nitoriako ny fanjakana.
26 Koa manambara
aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.
27 Fa tsy nafeniko
anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
28 Tandremo ny
tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho
mpitandrina*, hiandrasanareo ny fiangonan**'Andriamanitra***, izay novidiny
tamin'ny ràny. [*Gr. episkopo] [** Gr. eklesia'] [*** Na: [ny fiangonan'ny
Tompo]
29 Fantatro fa rehefa
lasa aho dia hisy amboadia* masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny
ondry. [* Gr. lopa]
30 Ary avy aminareo
no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra
hanaraka azy.
31 Koa miambena, ary
tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro
aman'alina tamin'ny ranomaso.
32 Ary ankehitriny
izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny
fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra
nohamasinina.
33 Tsy mba naniry
volafotsy na volamena na lamban'olona aho.
34 Fa fantatrareo
ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay
nilainay.
35 Efa nasehoko
anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba
hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe:
Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
36 Ary rehefa niteny
izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37 Ary nitomany mafy
izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,
38 sady nalahelo
loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy
teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony
hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]
1 [Ary nahatongavan'i
Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany
Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka
nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao
nankany Patara;
2 ary nony nahita
sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
3 Ary nony nahatsinjo
an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia
niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo.
4 Ary nony nitady ny
mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia
voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
5 Ary rehefa tapitra
izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny
vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika
teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
6 ary rehefa nifanao
veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
7 Ary ny niafaran'ny
nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba
ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
8 Ary nony ampitso
dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo
evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9 Ary izany lehilahy
izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
10 Ary raha nitoetra
tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy
tany Jodia.
11 Ary rehefa tonga
tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra
aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no
hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka
hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
12 Ary raha vao renay
izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any
Jerosalema.
13 Fa Paoly namaly ka
nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona
aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho
voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
14 Ary nony tsy
nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no
hatao.
15 Ary rehefa afaka
izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16 Dia niaraka
taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any
amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay
nokasainay hitoerana.
17 Ary nony
tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
18 Ary nony
ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny
loholona* rehetra. ]*Gr. presbytera]
19 Ary rehefa
niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa
nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
20 Ary rehefa
nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i
Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary
fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
21 sady efa
novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay
any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na
hanaraka ny fanaon-drazana.
22 Ahoana ary
no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
23 Ary noho
izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay
nivoady;
24 raiso ireo
ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba
hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay
zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
25 Fa ny
amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy
azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny
fijangajangana.
26 Dia
noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany
niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny
fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny
isan-dahy.
27 [Ny
nisamborana an'i Paoly, sy ny teny nalahany tamin'izany] Ary rehefa ho tapitra
ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany
Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
28 ka dia
niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona
rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity
fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa* teo an-kianjan'ny tempoly izy ka
nandoto ity fitoerana masina. [* Gr. Grika]
29 (fa efa
hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa
nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).
30 Dia
nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny
olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly;
ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
31 Ary raha
nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo
tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
32 ary niaraka
tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo
aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia
nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
33 Ary ny
mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny
gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
34 Ary ny
sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa
zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana,
dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
35 Ary rehefa
tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny
fifanosehan'ny olona;
36 fa ny olona maro
nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
37 Ary rehefa nentiny
tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao
va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
38 Moa tsy ianao va
ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy
mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
39 Fa hoy Paoly:
Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely
laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.
40 Ary Paoly, rehefa
navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny
olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo
izy ka nanao hoe:
Chapitre 22. 1 Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny
hanala tsiny ny tenako.
2 Ary nony ren'ny
olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy
Paoly:
3 Izaho lehilahy
Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe
ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy
tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo
rehetra ankehitriny.
4 Nanenjika izay
nanaiky izany fampianarana* izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia
namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; [* Gr.
lalana]
5 ary ny mpisoronabe
sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho
amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany
Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
6 Ary raha nandeha
aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy
mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
7 dia lavo tamin'ny
tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no
manenjika Ahy?
8 Ary izaho
namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy
any Nazareta, Izay enjehinao.
9 Ary izay
niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny
tamiko izy.
10 Ary hoy
izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana
ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
11 Ary raha tsy
nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo
niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
12 Ary ny
lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara
laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
13 dia nanatona
ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary
tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
14 Ary hoy izy:
Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy
hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
15 fa ho
vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
16 Ary
ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary
aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
17 Ary rehefa
tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia
azon-tsindrimandry
18 ka nahita
Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa
tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
19 Dia hoy
izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao
an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
20 ary raha
nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka
nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
21 Ary hoy Izy
tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny
jentilisa.
22 Ary ny olona
nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe:
Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
23 Ary raha
niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,
24 dia
nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina
amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy
izany.
25 Ary raha
namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay
hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola
nohelohina?
26 Ary ny
kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe:
Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
27 Dia nankeo
aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia
hoy izy: Eny.
28 Ary ny
mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy
Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
29 Dia nandao
azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa,
rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
30
[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso,
satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo,
dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona
rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
1 Ary Paoly dia
nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo
an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany.
2 Ary Ananiasy
mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
3 Ary hoy Paoly
taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao
va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna
aho?
4 Ary izay nitsangana
teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
5 Ary hoy Paoly: Tsy
fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy
ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
6 Ary rehefa fantatr'i
Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny
Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo;
ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7 Ary rehefa nilaza
izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona
maro.
8 Fa ny Sadoseo manao
hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny
Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
9 Ary nisy antsoantso
maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe
Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io
lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
10 Ary rehefa
nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao
hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila
mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any
anati-rova.
11 Ary ny Tompo
nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny
nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
12 [Ny namindrana
an'i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho azon'izay efa nianiana hahafaty azy] Ary
nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana
na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
13 Ary tsy omby
efa-polo no niray tetika nanao izany.
14 Ary izy nankany
amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay
fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
15 Koa ankehitriny
dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy
hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay
nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky
izy.
16 Ary nony ren'ny
zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza
tamin'i Paoly.
17 Ary Paoly niantso
ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy
arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
18 Koa dia nandray
azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe:
Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo
ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
19 Ary ny mpifehy
arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia
nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
20 Dia hoy ilay
zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any
amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
21 Koa aza manaiky
azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly,
ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy;
ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
22 Ary ny mpifehy
arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa
nilaza izany tamiko ianao.
23 Ary niantso
kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato
lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria
anio alina amin'ny ora fahatelo;
24 ary itondray biby
koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa
mpanapaka.
25 Ary izy nanoratra
taratasy nisy izao teny izao:
26 Klaodio Lysia
miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
27 Ity lehilahy ity
dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy,
dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
28 Ary satria
ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny
Synedriona izy;
29 dia hitako fa ady
hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay
tokony hahafaty na hamatorana azy.
30 Ary rehefa voalaza
tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka
faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza
atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma]
31 Dia nalain'ny
miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any
Antipatria.
32 Ary nony ampitso
dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any
anati-rova.
33 Rehefa tonga tany
Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i
Paoly ho eo anatrehany koa.
34 Ary rehefa
novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary
rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
35 dia
hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia
nasainy nambenana tao an-dapan'i* Heroda izy. [* Gr. pretoria]
1 [Ny nitsarana an'i
Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary
rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona
sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka
ny niampangany an'i Paoly.
2 Ary rehefa
nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
3 Hianao no ahazoanay
fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa
raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa
tsara indrindra ô.
4 Fa mba tsy
hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny
faharetana izahay.
5 Fa io lehilahy io
dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo
eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
6 Izy io koa nitady
handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy*; [* Ampio hoe: ka tianay hotsaraina
araka ny lalànay]
7 [Fa tonga Lysia,
mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy
nankaty aminao ny mpiampanga azy]
8 ary rehefa manadina
azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
9 Ary ny Jiosy koa
dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
10 Ary rehefa
notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa
ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny
hanala tsiny ny tenako;
11 fa azonao
fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no
niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12 Ary tsy nisy
nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba
ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
13 ary tsy hainy
hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14 Fa izao no ekeko aminao,
fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako
an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny
lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna]
15 ary manantena
amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny
marina sy ny meloka.
16 Ary amin'izany dia
mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na
amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
17 Ary nony afaka
taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
18 Ary tamin'izay dia
hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na
tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
19 - tokony hiseho
eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
20 Na aoka ireto
olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny
Synedriona aho,
21 afa-tsy izao teny
iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny
amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22 Ary satria
fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana* izany, dia
nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy
arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [* Gr. lalàna]
23 Ary izy nandidy ny
kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara
olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
24 Ary rehefa afaka
andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia
nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
25 Ary raha nitory ny
amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia
raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia
hampaka anao indray aho.
26 Sady
nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka
niresaka taminy.
27 Ary rehefa afaka
roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo
sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
1 [Ny hevitra
nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i
Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany
Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
2 Ary ny lohan'ny
mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay
niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
3 ka nangataka azy
hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny
amoron-dalana izy hamonoany azy.
4 Ary Festosy namaly
fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
5 Koa izay
manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga
an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
6 Ary rehefa nitoetra
teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany
Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy
halaina Paoly.
7 Ary nony tonga izy,
dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka
zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany
azy;
8 fa Paoly
nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny
lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
9 Nefa Festosy
ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va
hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra
izany?
10 Fa hoy Paoly: Eto
amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy
nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany
marina.
11 Koa raha mpanao
ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa
raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo
manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
12 Ary rehefa
niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny
handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany
ianao.
13 [Ny nandaharan'i
Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika] Ary rehefa afaka andro
vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i
Festosy.
14 Ary rehefa
nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i
Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
15 koa tamin'izaho
tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka
izay hanamelohana azy.
16 Fa namaly azy kosa
aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny
ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny
amin'izay niampangan'ireo azy izy.
17 Ary raha tonga
tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka
teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
18 Rehefa nitsangana
ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy
nampoiziko izy tsy akory,
19 fa nanana ady
hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty,
nefa nolazain'i Paoly ho velona.
20 Ary satria variana
ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na
tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra
izany, na tsia,
21 Ary rehefa
nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana
mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
22 Dia hoy Agripa
tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia
handre azy ihany ianao.
23 Ary nony
ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny
fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy
arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i
Festosy.
24 Ary hoy
Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io
lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na
teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
25 Nefa nony
hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany
no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
26 Ny amin'io
lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia
nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa
mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
27 Fa ataoko fa
tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana
azy.
1 Ary hoy
Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra
ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
2 Ny amin'ny
zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra
aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3 indrindra fa
efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa
trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
4 Fantatry ny
Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny
fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
5 eny, fantany
hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny
antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
6 Ary
ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny
razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
7 dia ilay
fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao
fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana
izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
8 Nahoana no
ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
9 Ary izaho efa
nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra
ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,
10 sady nataoko tany
Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina,
rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina
ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
11 Ary nampijaly azy
matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy*; ary
satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy
hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. [* Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
12 Ary tamin'izany,
raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny
lohan'ny mpisorona,
13 koa nony ilay
nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa,
indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy
mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
14 Ary rehefa lavo
tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny
teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra
aminao ny hanipaka ny fanindronana.
15 Dia hoy izaho: Iza
moa Hianao, Tompoko? Ary
hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
16 Fa
mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny
hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy*
sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)]
17 hamonjy anao
amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
18 hampahiratra
ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i
Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay
nohamasinina noho ny finoana Ahy.
19 Ary
amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra
aho;
20 fa nambarako
voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia
rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra
izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
21 Ary izany no
nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
22 Ary noho ny
fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka
manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona
afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
23 fa Kristy
tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory
fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
24 Ary raha
nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very
saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
25 Fa hoy
Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny
fahamarinana sy ny fahononana.
26 Fa fantatry
ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto
anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria
tsy natao tao amin'ny takona izany.
27 Ry Agripa
mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
28 Fa hoy Agripa
tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
29 Ary hoy Paoly:
Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy
ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy
amin'ireto gadra ireto ihany.
30 Ary nitsangana ny
mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;
31 ary rehefa niala
teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy
akory izany lehilahy izany.
32 Ary hoy Agripa
tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny
handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.
1 [Ny nitondrana an'i
Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy
hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany
dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
2 Ary rehefa
nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i
Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy
any Tesalonika.
3 Ary nony ampitso
dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa
navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
4 Ary nony niala teo
izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria
nanohitra ny rivotra.
5 Ary rehefa namaky
ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
6 Ary tao no
nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana
teo aminy izahay.
7 Ary rehefa nandeha
niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria
nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
8 ary nony sahirana
nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe
Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
9 Ary rehefa lany ny
andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny
Andro Fifadiana*, dia nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany]
10 ka nanao taminy
hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy
fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika
koa aza.
11 Kanefa ny kapiteny
nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
12 Ary satria ny
fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny
maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny
ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana
sy mianavaratra-andrefana*. [*Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
13 Ary raha nitsoka
malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia
niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
14 Ary tsy ela rehefa
afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe
Eorakylona.
15 Ary raha
nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny
izy.
16 Ary raha nandeha
faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda* nihazo ny ilany takon-drivotra
izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [* Na: (Klaoda)]
17 ary rehefa
nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao
hihatra any amin'ilay fasika mandrevo*, dia nampidina ny lay, ka navelany
handeha ho azy ny sambo. [* Gr. Syrtisy]
18 Ary raha nasian'ny
rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
19 ary nony
ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
20 fa rehefa tsy hita
ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay
namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
21 Ary rehefa tsy
nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry
tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba
tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
22 Ary ankehitriny
mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany
no ho very.
23 Fa nisy
anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako
halina
24 ka nanao hoe: Aza
matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao;
ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
25 Koa matokia, ry
tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany
tamiko izany.
26 Nefa tsy maintsy
fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
27 Ary tamin'ny alina
fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony
namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
28 dia nanaka-drano
izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia
nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
29 Dia natahotra
izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra
teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
30 Fa raha nitady
handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo
amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
31 dia hoy Paoly
tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia
tsy azo vonjena ianareo.
32 Dia notapahin'ny
miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33 Ary raha mbola tsy
nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina
ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady
nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
34 Koa mananatra
anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy
ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
35 Ary rehefa nilaza
izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny
olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
36 Dia nahazo toky
izy rehetra ka nihinana koa.
37 Ary izahay rehetra
teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
38 Ary rehefa voky
izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina* mba hanamaivana ny sambo.
[*Na: ny vary tritika]
39 Ary rehefa nazava
ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara
morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40 Ary rehefa
nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary
novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho
azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
41 Ary raha tonga
tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny
sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo
kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
42 Ary ny miaramila
nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43 Fa ny kapiteny
ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay
nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,
44 ary ny sisa dia
samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy
amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
1 Ary rehefa voavonjy
izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy.
2 Ary tsy kely ny soa
nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay
rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
3 Dia namory kitay
hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana
nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany.
4 Ary raha hitan'ny
tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono
olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy
avelan'ny todin'aina ho velona.
5 Fa nakifiny ho eo
amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
6 Ary ny olona kosa
nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy
ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy
ka nanao hoe: andriamanitra io.
7 Ary teo akaikin'io
dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano
anay tsara hateloana.
8 Ary nararin'ny tazo
sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady
nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
9 Ary rehefa vita
izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
10 Ary
voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia
novatsiany tsara.
11 Ary rehefa afaka
telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany
ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana*. [* Gr.
Dioskory; dia Kastora sy Poloksa]
12 Ary rehefa nitody
tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
13 Ary nony niala teo
izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia
nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly
izahay;
14 tao no nahitanay
ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy
izany no nandrosoanay nankany Roma.
15 Ary nony nahare ny
dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio
sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra
izy ka nahazo toky.
16 [Ny toetr'i Paoly
tany Roma, sy izay nataony tany] Ary rehefa tonga tany Roma izahay*, Paoly dia
navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy.
[* Ampio hoe: ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny
mpiambina; fa]
17 Ary rehefa afaka
hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy;
ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra
avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny
firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana;
18 ary rehefa
nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko
izay tokony hahafaty ahy.
19 Fa raha
notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara,
nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
20 Ary izany zavatra
izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny
fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity.
21 Ary hoy izy ireo
taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy
mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
22 fa
tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray
fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
23 Ary rehefa nanao
fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy
nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka
hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no
nitaomany azy hino an'i Jesosy.
24 Ary ny sasany nino
izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.
25 Ary raha tsy niray
saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay
nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo
26 manao hoe:
Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare
mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany
ianareo, fa tsy hahita;
27 Fa efa adala ny
fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny
masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony,
dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
28 Koa aoka ho
fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any
amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
29 * [*
Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra
fatratra]
30 Ary Paoly nitoetra
roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra
nankeo aminy,
31 dia
nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo
tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.