[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Zefania
Accès direct aux
chapitres de Sophonie : 1, 2,
3
1 Ny tenin'i Jehovah, izay
tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i
Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
2 [Ny hamaliana ny firenena
rehetra noho ny ratsy nataony, indrindra fa ny Joda] Hakifako tokoa ny zavatra
rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
3 Eny, hakifako ny olona sy
ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any
an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy,
Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4 Ary hahinjitro ny tanako
hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo
amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny
andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
5 Sy izay mivavaka any
an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana
ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama*, [*Na: ny mpanjakany]
6 Ary izay nihemotra niala
tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
7 Mangina eo
anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa
niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8 Ary raha mby
amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny
lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena
hafa.
9 Ary amin'izany
andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo
mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.
10 Ary amin'izany
andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any
am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary
fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.
11 Midradradradrà,
ianareo mponina ao Maktesy*; Fa ringana avokoa ny mpandranto** rehetra, Eny,
lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. [*Maktesy = Laona] [**Na:
vahoakan'i Kanana]
12 Ary amin'izany
andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay
efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa
Jehovah no tsy hanao ratsy.
13 Ka dia ho tonga
babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra
ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14 Efa antomotra ny
andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay!
feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
15 Andro fahatezerana
izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy
fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
16 Andro
fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny
tilikambo avo eny amin'ny zorony.
17 Ary hampahory ny
olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny
ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
18 Na ny volafotsiny
na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i
Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny
fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana
tampoka* tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [*Na: mahatsiravina]
1 [Anatra ho
fampibebahana ny olona, dieny mbola tsy mihatra ny loza]Miangona, eny, mivoria
ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra*, [*Na: tsy manina]
2 Dieny tsy mbola
mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga
aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo
ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
3 Mitadiava an'i
Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny
fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina
ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
4 Fa hafoy Gaza, Ary
ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
5 Lozan'ny
mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny
tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo
aminao,
6 Ary ny any
amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan*'ny
mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman'osy, [*Na: trano-bongon']
7 Ary ho
tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny
tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no
hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.
8 Efa reko ny
fandatsan'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny
oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-taniny.
9 Koa raha
velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho
tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora,
Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny
oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.
10 Izany no ho
valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy
nirehareha taminy izy.
11
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra
ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra
eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.
12 Hianareo Etiopiana
koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo*. [*Heb. izy]
13 Ary haninjitra ny
tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i
Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
14 Ary hisy andiany
handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina
hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely,
Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
15 Izany no tanàna
niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy
misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra
mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.
1 Lozan'ny tanàna
miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
2 Tsy nihaino ny feo
izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
3 Liona mierona ao
aminy ireo lehibeny; Amboadia* hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela** ho
tra-maraina. [*Lopa] [**Na: tsy mamela taolana]
4 Vavana sady
mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny
lalàna izy.
5 Jehovah no marina
ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany
ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba
mahalala henatra.
6 Efa nahafongana
firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy
hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
7 Hoy Izaho:
Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao*, Araka
izay rehetra voatendriko hamelezana anao**; Kanefa nifoha maraina koa izy ka
nanao Izay ratsy rehetra.[*Heb. fonenany] [*Heb. azy]
8 Koa miandrasa Ahy
ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao
no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny
fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho
levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
9 [Ny amin'ny
hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany
dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i
Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina*. [*Heb. soroka iray]
10 Avy any
an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny
zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy*. [*Na: hitondran'ny mpivavaka
amiko ... ny fanatitra ho ahy]
11 Amin'izany andro
izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao
tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy
hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.
12 Nefa hamelako
olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,
13 Ny sisa amin'ny
Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo
am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
14 Mihobia, ry Ziona
zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny
fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
15 Jehovah efa
nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah,
Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
16 Amin'izany andro izany
dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana,
ry Ziona.
17 Jehovah
Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny
fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana
Izy. [*Heb. hangina]
18 Hangoniko izay
manina* ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa
izy**. [*Na: efa lavitra] [**Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao
(Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]
19 Indro, hasiako
amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary
hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa
nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra
izay efa nitondrany henatra]
20 Amin'izany andro
izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako
anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra
amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho
hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.