[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Mika
Accès direct aux
chapitres de Michée : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7
1 Ny tenin'i Jehovah izay
tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia,
mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.
2 [Ny loza hanjo an'i Samaria
sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo,
ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho
vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
3 Fa, indro, Jehovah mivoaka
avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.
4 Miempo ao ambaniny ny
tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy
tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.
5 Noho ny fahadisoan'i Jakoba
sy ny fahotan'ny taranak'Isiraely no isian'izany rehetra izany. Iza no nahadiso an'i Jakoba? Tsy Samaria
va? Ary iza no fitoerana avon'i Joda? Tsy Jerosalema va?
6 Koa Samaria dia
hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako
ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
7 Hotorotoroina ny
sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady
hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny,
Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.
8 Koa izany no
hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho;
Hikaonkaona* toy ny amboadia** aho Ary hikiakiaka*** toy ny ostritsa.[*Heb.
hisaona][**Na: jakala][***Heb. hitomany]
9 Fa tsy azo
sitranina ny ferin'i Samaria*; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny
vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]
10 Aza ambaranareo
any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina* vovoka ao Beti-le-afra**
aho.[*Na: mihosinkosena... ianao][**Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]
11 Mandehana
mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira*; Tsy mivoaka ny mponina ao
Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira:
= tsara tarehy]
12 Fa malahelo* ny
soa ny mponina ao Marota*, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao
am-bavahadin'i Jerosalema.[*Heb. manaintaina][**Marota = fangidiana]
13 Fehezo amin'ny
soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i
Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.
14 Koa izany no
hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny
mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba*.[Akziba = ranotrambo]
15 Mbola hitondrako
olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa*; Ho tonga hatrany Adolama aza ny
voninahitr'Isiraely.[Maresa = lova]
16 Miheteza sy
mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny
voltora*, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
1 [Ny heloky ny
Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray]
Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony
maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
2 Ary mitsiriritra
saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory
olona mbamin'ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin'ny lovany.
3 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay
tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo,
Satria andro mampahory izany.
4 Amin'izany andro
izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy
hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa
isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala
amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!
5 Koa tsy hisy aminao
hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.
6 Aza miteniteny*
ianareo, hoy ny fiteniteniny*; Aoka tsy hiteniteny* ny amin'ireto izy, Tsy hita
lany** ny fanalam-baraka ataony![*Heb. mampitete][**Na: raha tsy miteniteny
amin'ireto izy, dia tsy ho afaka]
7 He! izany teny
izany! Ry taranak*'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va
no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? [Na: he!ianao
izay atao hoe taranak'i]
8 Vao omaly no omaly
no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny
kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
9 Ny vehivavy eo
amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo
hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.
10 Mitsangàna, ka
mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana
eto, eny, fandringanana mafy.
11 Raha misy manaraka
ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny* aminao ny amin'ny divay
sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin**'ity firenena ity.[*Heb.
hampitete][**Heb. mpampiteten']
12 Hamory anareo
rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa,
Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala* izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny
tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.[Na: any Bozra]
13 Ny mpanabanga
miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia
mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika
azy.
*
1 [Ny nahadiso ny
lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy
izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny
taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2 Dia ianareo izay
mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony
amin'ny taolany,
3 Eny, ianareo izay
homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny
taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao
anatin'ny fahandroan-kena.
4 Amin'izany dia
hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy
amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.
5 Izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay
manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo
am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
6 Koa izany no
hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy
hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho
maizina aminy ny andro,
7 Dia ho menatra ny
mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy
rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.
8 Fa izaho kosa dia
feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba
hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']
9 Masìna ianareo,
mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny
taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy
mamadika ny hitsiny rehetra,
10 Dia izay manangana
an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.
11 Ny mpifehiny
mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary
ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany
ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
12 Koa dia hasaina
toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga
korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana
mifono ala.
1 [Ny hampodian'i
Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga
any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo
an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny
firenena hitanjozotra hankany.
2 Eny, maro ny
jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i
Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny
amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no
hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
3 Ary hitsara ny
adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny
lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka;
Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
4 Fa samy hipetraka
eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa
ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
5 Fa ny firenena rehetra
samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny
anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
6 Amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina
Mbamin'izay nampahoriko;
7 Ary ny mandringa no
hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah
hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
8 Ary ianao, ry
tilikambon'ny andiany*. Tendrombohitr'i Ziona** zanakavavy, Aminao no ho tonga
izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan***' i Jerosalema
zanakavavy.[*Na: tilikambon'i Edera][**Na: Ofelan'i Ziona][***Na: hanjakana
aminy]
9 Koa nahoana no
mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana
avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy
raha miteraka?
10 Ry Ziona
zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny
dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga
hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah
anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
11 Ary ankehitriny
dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka*
Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]
12 Kanjo tsy
fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy
toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
13 Mitsangàna, ka
miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao
hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao* ho an'i
Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb.
hataoko herema]
14 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao
fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely
izy.
Chapitre 5
1 [Ny
hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema
Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao
no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny
fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
2 Koa dia
hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka;
Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2* ny Zanak'Isiraely.[Na:
ho any]
3 Ary
hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny
voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao
dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy.
4 Ary Izy no ho
fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny
tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy
isika.
5 Ary handany
ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary
Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato
amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]
6 Ary izay sisa
amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i
Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena
mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.
7 Ary izay sisa
amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny
liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny
andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira,
ka tsy misy mahavonjy.
8 Aoka
haingaina amin'ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao
rehetra.
9 Ary
amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny
soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
10 Hofoanako ny
tanàna amin'ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
11 Hofoanako
tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony
ianao.
12 Hofoanako
tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary
tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tananao intsony ianao.
13 Hongotako
tsy ho eo aminao ny Aserahanao*; Ary horavako koa ny tanànanao*.
[Anaran'andriamani-tsy-izy, na ny sariny][Na: haringako koa ny fahavalonao]
14 Ary ny
fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
*
1 [Teny
fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah:
Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana
ny feonao.
2 Mihainoa ny
adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny
tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no
ifandaharany.
3 Ry oloko, inona no
nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
4 Fa nentiko niakatra
avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano
nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
5 Ry oloko, mba
tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama,
zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala,
Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
6 Inona no ho entiko
manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny
avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va
aho?
7 Ho sitrak'i Jehovah
va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny
lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny
fahotan'ny fanahiko?
8 Ry olombelona, efa
naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao
ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny
fanetren-tena
9 Manaitra ny tanàna
ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry*; Henoinareo ny tsorakazo
sy Izay nanendry azy.[Heb. ny fahendrena; na: ary fahendrena no kendren'ny
anaranao]
10 Mbola misy rakitry
ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana* tsy ampy
izay voaozona? [Heb. efaha]
11 Mety madio va aho,
raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
12 Fa feno loza ny
mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo
am-bavany.
13 Izaho kosa dia
hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
14 Hianao hihinana,
nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina
ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny
sabatra.
15 Hiantso hamafy,
nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary
hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
16 Fa
fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo
Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any
ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
1 [Ny faharatsian'ny
Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo
aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny
fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay
irin'ny fanahiko,
2 Lany tsy misy
amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny
olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny
amin'ny harato izy rehetra.
3 Vonona hanao ratsy
ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza
ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
4 Na dia ny tsara
indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy
aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana
anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao*.[Heb. izy]
5 Aza matoky namana
ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny
vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.
6 Fa ny zanakalahy
manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny
vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no
fahavalony.
7 Fa izaho kosa dia
hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
Andriamanitro no hihaino ahy.
8 Aza mifaly ahy, ry
fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao
amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
9 Ny fahatezeran'i
Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny
teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho
faly aho mahita ny fahamarinany.
10 Dia hahita izany
ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay
Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho
fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
11 He ny andro
hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.32[Na:
ho lavitra ny didy]
12 Amin'izany andro
izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny
tanànan'i Egypta*, Eny, hatrany Egypta* ka hatramin'ny Ony**, Ary hatramin'ny
ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka
hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]
13 Nefa ho lao ny
tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14 Ny tehinao no ento
miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala
ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny
tamin'ny andro taloha ela.
15 Toy ny tamin'ny
andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16 Hahita izany ny
jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga
marenina ny sofiny.
17 Hilelaka ny vovoka
toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny
biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny
amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
18 Iza no
Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny
sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia
famindram-po.
19 Hamindra fo
amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any
amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
20 Hanefa
fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay
nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.