[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Jona
Accès direct aux
chapitres de Jonas : 1, 2, 3, 4
1 [Ny nanirahan'Andriamanitra
an'i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany] Ary
tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Mitsangàna, mankanesa any
Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa
tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
3 Nefa Jona nitsangana
handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany
Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana
taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
4 Fa Jehovah nahatonga
rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka
dia efa nila ho vaky ny sambo.
5 Dia raiki-tahotra ny
matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty
ranomasina ny zavatra* tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa
nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]
6 Dia nankao aminy ny
kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana
eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika
Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
7 Ary dia samy nanao tamin'ny
namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao
loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
8 Dia hoy ireo taminy: Masìna
ianao, lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao
amintsika? Inona no raharaha
fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza
ianao?
9 Dia hoy izy
tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako,
dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
10 Dia raiki-tahotra
indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany
fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy
izany.
11 Dia hoy ireo
taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola
nihananonja ihany ny ranomasina.
12 Ary hoy izy
tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny
ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery
izao aminareo.
13 Nefa namaky onja
fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany,
satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
14 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho
faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà
marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
15 Dia nobetain'izy
ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny
fisafoaky ny ranomasina.
16 Dia natahotra an'i
Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah sady nivoady.
1 [Ny namonjena an'i
Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe
hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy
hateloan'alina.
2 Dia nivavaka
tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
3 ka nanao hoe:
Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao
anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb.
Shoela]
4 Fa efa natsipinao
tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho;
Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
5 Dia hoy izaho:
Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina
ihany.
6 Ny rano nanarona
ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any
an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
7 Tafalatsaka tany
amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy
mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah
Andriamanitro ô.
8 Raha reraka tato
anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny
fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
9 Izay mivavaka
amin'ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana
mandainga][**Heb. ny famindram-pony]
10 Fa izaho, dia feo
midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako
dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.
11 Ary Jehovah
nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
1 [Ny nitorian'i Jona
teny tao Ninive] Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
2 Mitsangàna, ka
mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko
aminao.
3 Dia nitsangana Jona
ka nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo
anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana.
4 Ary Jona
niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka
efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra]
5 Dia nino
an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy
lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely.
6 Ary nony efa ren'ny
mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy,
ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady
nipetraka tamin'ny lavenona.
7 Ary nasaina
nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka
hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny
ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory
ireo.
8 Fa aoka samy
hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy
amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana
eny an-tanany avy izy rehetra.
9 Fa angamba hiverina
ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba
tsy ho lany ritra isika?
10 Ary rehefa
hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny,
dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony
izany.
1 [Ny nimonomononan'i
Jona, sy ny nananaran'Andriamanitra azy] Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany,
ka nirehitra ny fahatezerany.
2 Dia nivavaka
tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany
va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy
izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra
mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny
loza.
3 Koa mifona aminao
aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho
velona.
4 Fa hoy Jehovah: Moa
mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?
5 Dia nivoaka ny
tanàna Jona* ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho
azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay
hiafaran'ny tanàna.[Na: ary Jona efa nivoaka ny tanàna]
6 Ary Jehovah Andriamanitra
nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho
alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra
ny tanantanamanga.
7 Kanjo nony ampitso
maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga
iny, dia nalazo io.
8 Ary nony niposaka
ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana,
ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho
faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
9 Fa hoy
Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny
amin'ny tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia
mandra-pahafatiko aza.
10 Dia hoy Jehovah:
Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia
ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa;
11 ka moa Izaho tsy
mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna lehibe va. izay misy olona tsy omby roa
alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be
biby fiompy koa?