[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Obadia
1 [Ny fahitan'i
Obadia ny amin'ny handravana an'i Edoma mbamin'ny jentilisa sasany noho ny
ratsy nataony tamin'ny Isiraely, ary ny hampiorenana ny fanjakan'i Jehovah any
Ziona] Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma:
Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any
amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
2 Indro,
hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba
indrindra ianao.
3 Ny
avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny
harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no
hampivarina ahy ho eny an-tany?
4 Na dia
miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny
kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
5 Raha, tahìny
misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!)
Moa tsy izay hahafa-po azy
ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao,
Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
6 Endrey ny
fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
7 Ny olona
rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany;
Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny
haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
8 Moa tsy
amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma,
Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?
9 Ary ho
raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana
ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao.
10 Noho ny
fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho
fongotra mandrakizay.
11 Tamin'ilay
andro namitsahanao* teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny
fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany
loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.[Heb.
nijanonanao]
12 Aza
finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy
misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro
andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
13 Aza miditra
amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny
fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny
fananany amin'ny andro ahitany loza
14 Aza
mamitsaka* eo amin'ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza
manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana.[Heb. mijanona]
15 Fa efa
antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba
hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16 Fa toy ny
nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny
firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy
ary izy.
17 Fa ao
an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny
taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.
18 Ny taranak'i
Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho
vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny
taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
19 Ny any
amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany
lemaka amoron-tsiraka* no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima
sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela]
20 Ary ny babo
amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata,
Ary ny babo* tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any
amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin'ny Kananita hatrany
Zerefata, sy ny babo, etc..]
21 Ary hisy
mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i
Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1