[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Amosa
Accčs direct aux
chapitres d’Amos : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9
1 Ny tenin'i Amosa, izay
isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny
andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i
Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny
horohorontany.
2 [Ny loza hanjo ny firenena
enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy:
Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana
ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
3 Izao no lazain'i Jehovah:
Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy,
satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
4 Fa haterako afo ny
tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
5 Hotorotoroiko koa
ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina* ny lohasahan'i Avena, ary
Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho
lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
6 Izao no lazain'i
Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy,
satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy
hahemotro]
7 Fa haterako afo ny
mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
8 Ary hofoanako
Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia
haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina,
hoy Jehovah Tompo
9 Izao no lazain'i
Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako* izy,
satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny
fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
10 Fa haterako afo ny
mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
11 Izao no lazain'i
Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako*
izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny
fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany
notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
12 Fa haterako afo ao
Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany
13 Izao no lazain'i
Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy
havelako* izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny
fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
14 Fa hampirehitra
afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy
akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;
15 Dia ho lasan-ko
babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
1 Izao no lazain'i
Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako*
izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy
hahemotro]
2 Fa hataoko afo ao
Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny
tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;
3 Ary hofoanako tsy
hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao
aminy, hoy Jehovah.
4 Izao no lazain'i
Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy,
satria nataony tsinontsinona ny lalān'i Jehovah, ary ny didiny tsy
notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy
hahemotro]
5 Fa haterako afo ao
Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
6 Izao no lazain'i
Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako*
izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
[Heb. tsy hahemotro]
7 Ary mihanahana
mitsiriritra ny vovo-tany eo* an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny
mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba
handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
8 Amin'ny lamba azony
tamin'ny tsatōka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro
divay novidina tamin'ny sazy* ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb.
divain'y voasazy]
9 Nefa Izaho no
nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo
sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny
fatany tao ambany.
10 Ary Izaho no
nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo
efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
11 Ary ny
zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita.
Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
12 Kanjo
nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza
maminany.
13 Indro, Izaho no
hitambesatra aminareo* toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho
dia itambesaranareo]
14 Koa tsy ho
afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny
lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
15 Izay mitana
tsipėka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay
mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
16 Ary na dia izay
sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy
Jehovah.
*
1 [Ny hamaliana ny
Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny
aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra
avy tany amin'ny tany Egypta io:
2 Hianareo ihany no
fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia
hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3 Ho tafara-dalana va
ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4 Mierona any an'ala
va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora,
raha tsy mahazo zavatra?
5 Voan'ny fandrika
etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny
fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6 Tsofina va ao
an-tanāna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanāna va,
raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7 Tsy manao na inona
na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany
mpanompony.
8 Ny liona no
mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy
haminany?
9 Ambarao ao
an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe:
Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao
aminy sy ny fampahoriana* ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
10 Fa tsy mahalala
hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba
ao an-tranobeny.
11 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka
aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
12 Izao no lazain'i
Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny
sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny
Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny
lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
13 Henoinareo, ka
ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny
maro:
14 Amin'ny andro
hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao
Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.
15 Hamely ny trano
ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho
fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
1 [Ny hanjo ny
Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo
vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo
izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny
vadinareo* hoe: Mitondrā hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na
vadiny]
2 Jehovah Tompo efa
nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany
anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
3 Ary avy eo amin'ny
banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any
Harmona* ianareo**, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana
(?)]
4 Mankanesa any
Betela, ka manotā, ary any Gilgala, ka manotā fatratra; Ento isa-maraina ny
fanatitrareo alatsa-drā ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
5 Mandoroa zavatra
misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao
izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
6 Fa Izaho dia efa
nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanānanareo rehetra, sy ny
tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko
ihany ianareo, hoy Jehovah.
7 Ary Izaho koa efa
nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho
fararano, ka tamin'ny tanāna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanāna
iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny
saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8 Dia nivembena ny
tanāna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanāna iray, kanjo tsy
afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
9 Efa nasiako
tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny
tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo
dia nohanin'ny valala*; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
[Heb. mpikiky]
10 Efa naterako
areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny
zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo
am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany
ianareo, hoy Jehovah.
11 Efa nisy noravako
teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa
tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko
ihany ianareo, hoy Jehovah.
12 Koa izao no
hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomāna hihaona
amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
13 Fa indro Ilay
mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny
olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny
fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
*
1 [Ny handravana ny
fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia
hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;
2 Lavo Isiraely
virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy
mangana azy.
3 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Izay tanāna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary
izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
5 Fa aza mitady an'i
Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo
tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
6 Mitadiava an'i
Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny
taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
7 Dia ianareo izay
mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo
amin'ny tany.
8 Ilay nanao
an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana
ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao
an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
9 Dia Ilay
mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanāna
mimanda ny fandravana.
10 Halany eo
am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny
marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
11 Koa noho ny
fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao
trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly
tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy
aminy.
12 Fa fantatro
fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray
kolikoly* ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
13 Koa izay
manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
14 Ny tsara no
tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah,
Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
15 Ankahalao ny
ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba
Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb.
am-bavahady]
16 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia
hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy!
Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana
dia hantsoiny hanao.
17 Ary any
amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao
Aho, hoy Jehovah.
18 Lozan'izay
maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo
inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
19 Tahaka ny olona
mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka
mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.
20 Moa tsy aizina va
ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory
va izany?
21 Halako, eny,
laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny
fivorianareo masina.
22 Na dia ateranareo
fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny
zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
23 Atsaharo ny
finaonaonan'ny hiranareo*, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny
lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
24 Ary aoka ny
fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy
mety ritra.
25 Moa efa nanatitra
fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drā ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona
va ianareo, ry taranak'i Isiraely?
26 Tsia, fa ny
nitondra* ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany
no nataonareo**, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo
[*Na: Dia ho entinareo][**Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo,
sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]
27 Ka dia ho entiko
ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no
anarany.
*
1 Lozan'ireo miadana
ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo
malaza eo amin'ny firenena malaza indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.
2 Mankanesa any Kalne
ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any
Gatan'ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny
tanin'ireo va ny taninareo?
3 Hianareo izay
mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza
fandozana,
4 Dia ireo izay
mandrimandry ao amin'ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin'ny
fandriandriany ary homana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ny ondry sy ny
zanak'omby avy ao am-pahitra,
5 Dia ireo izay
mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon'i
Davida,
6 Dia ireo izay misotro
divay amin'ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy
onena ny fahasimban'i Josefa.
7 Koa amin'izao dia
ho voalohany amin'izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay
foana.
8 Jehovah Tompo dia
efa nianiana tamin'ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro:
Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i Jakoba, ary halako ny tranobeny;
Koa dia hatolotro ny tanāna mbamin'izay rehetra ao anatiny.
9 Ary raha hisy
folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10 Ary ny
havan'izay maty, na izay handevina* azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty
hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va
ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy
tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah. [Heb. handoro]
11 Fa, indro, Jehovah
no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano
madinika.
12 Mihazakazaka eny
amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa
navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho
zava-mahafaty?
13 Dia ianareo izay
mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay
tandroka ho anay?
14 Fa, indro,
hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah,
Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka
hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.
*
1 [Ny fahitana ny
amin'ny valala, sy ny afo, ary ny Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko:
Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy;
ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
2 Ary nony efa laniny
avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao
aho mamelā heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
3 Nanenenan'i Jehovah
izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
4 Izao no nasehon'i
Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny
afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
5 Dia hoy izaho:
Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no
fahajanona? Fa kely izy.
6 Nanenenan'i Jehovah
izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
7 Izao no nasehony
ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady
nisy pilao teny an-tānany.
8 Dia hoy Jehovah
tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo:
Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy*
intsony;[Heb. handalo azy]
9 Dia ho foana ny
fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho
ka hamely sabatra ny taranak'i Jeroboama.
10 [Ny natao tamin'i
Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i
Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe:
Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy
zakan'ny tany ny teniny rehetra,
11 satria hoy Amosa:
Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny
Isiraely.
12 Ary hoy Amazia
tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda
ianao, ka mihināna hanina any, ary maminania any;
13 fa aza maminany
eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
14 Dia namaly Amosa
ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa
mpiandry ondry sy mpioty* aviavy** ihany aho,[*Na: mpandraotra][**sykomora]
15 saingy nalain'i
Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania
amin'ny Isiraely oloko.
16 Ka mba henoy ny
tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary
aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;
17 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanāna, ary ny zanakao-lahy sy
ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina;
Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala
amin'ny taniny tokoa.
*
1 [Ny fahitana
nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny
Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno
voankazo masaka fahavaratra.
2 Ary hoy Izy:
Inona no hitanao, ry Amosa? Dia
hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko:
Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony Aho.
[Heb. handalo azy]
3 Ho tonga naonaona
ny hira ao an-dapa* amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty,
Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
4 Mihanoa izao,
ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra
amin'ny tany
5 Ka manao hoe:
Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata,
hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny
sekely, ary hanaovana mizana mandainga
6 Mba hovidintsika
volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny
loha-kororoky ny vary?
7 Jehovah nianiana
tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny
asany na dia iray akory aza!
8 Tsy hihorohoro noho
izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra
hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
9 Ary amin izany
andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary
hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
10 Hampodiko ho
fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo
rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny valahana rehetra, sady hokakasako ny
loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny
farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
11 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy
fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i
Jehovah; [Heb. mosary]
12 Ary hivembena
hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany
amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny
tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
13 Amin'izany andro
izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
14 Dia ireo izay
mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao,
ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy
hiarina intsony.
*
1 [Ny fahitana ny
amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny
tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan*'ny alitara aho,
ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy
hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny
sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka
akory. [Na: ambonin']
2 Na dia mibosesika
ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary
na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.
[Heb. Sheola]
3 Ary na dia miery
any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary
na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny
masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4 Ary na dia lasan-ko
babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka
hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy
ny soa.
5 Ary Jehovah,
Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina
rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary
hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
6 Ary manao ny
tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny
ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny
amin'ny tany, Jehovah no anarany.
7 Moa tsy toy ny
taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora,
Ary ny Syriana avy tany Kira?
8 Indro, ny
mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia
hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny
taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
9 Fa, indro,
Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely,
tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka
amin'ny tany na dia iray akory aza.
10 Sabatra no
hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza
tsy hanakaiky na hahatratra anay.
11 Amin'izany
andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera,
ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko
tahaka ny taloha izy,
12 Mba hananany
izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny
anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
13 Indro, avy
ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny
mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra
ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
14 Ary
hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanāna efa rava
izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy;
Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
15 Eny,
hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko
azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.