[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Ezekiela
Accčs direct aux
chapitres d’Ézéchiel : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48
1 [Ny nahitan'i Ezekiela ny
voninahitr'i Jehovah] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra
tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara
aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
2 Tamin'ny andro fahadimy
tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka
izany)
3 dia tonga tamin'i Ezekiela
mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo
amoron'ny ony Kebara; ary ny tānan'i Jehovah dia taminy teo.
4 Ary hitako fa, indro, nisy
tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo
mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny
afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
5 Ary teo aminy koa nisy toa
endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
6 Ary samy nanana
tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7 Ary mahitsy ny
tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary
mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.
8 Ary nisy
tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny
tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9 Nifanendry ny elany;
tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy
rehetra.
10 Ary ny toetry ny
tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana
ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny
tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
11 Ary ny tarehiny sy
ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny
namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
12 Dia samy nizotra
tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany
dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
13 Ary tahaka ny
vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo;
nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo,
sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
14 Ary ny
zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
15 Ary hitako ny
zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo
anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.
16 Ny tarehin'ny
kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy
efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
17 Raha nandeha izy,
dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18 Ary ny boriboriny
manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19 Ary raha nandeha
ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy
nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.
20 Na aiza na aiza no
tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy
haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny
fanahin'ny zava-manan'aina.
21 Raha nandeha
ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa
ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo
anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
22 Ary teo ambonin'ny
lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny
krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.
23 Ary nivelatra
mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy
rehetra, izay nanaronany ny tenany.
24 Ary raha nandeha
izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be,
dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
25 Ary nisy feo avy
teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia
namihina ny elany.
26 Ary teo ambonin'ny
eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana
mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza
fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.
27 Ary nahita toy ny
volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy;
ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina
dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
28 Toy ny
tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny
namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah.
Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny
anankiray niteny.
1 [Ny niantsoana an'i
Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangāna, fa
hiteny aminao Aho.
2 Ary nisy fanahy
tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay
niteny tamiko.[Na: nody ny aiko]
3 Ary hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo
jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa
nanota tamiko avokoa mandraka androany.
4 Ary ho any amin'ny
zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
5 Ary na hihaino izy
na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany
teo aminy.
6 Ary ianao, ry
zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky
ny amiana* sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no
ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny
tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra]
7 Ary holazainao
aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
8 Fa ianao kosa, ry
zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka
maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
9 Ary hitako fa,
indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny
aminy.
10 Dia novelariny teo
anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana
sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.
1 Ary hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia
mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.
2 Dia nosokafako ny
vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
3 Ary hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity
ny tsinainao. Dia
nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
4 [Ny
nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy
Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao
aminy ny teniko.
5 Fa tsy ho any
amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho
any amin'ny taranak'Isiraely ihany;
6 tsy ho
amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho
azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao
izy.
7 Fa ny
taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa
ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
8 Indro, efa
nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny
handriny.
9 Ataoko toy ny
diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy
na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
10 Ary hoy Izy
tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho
mamin'ny fonao*, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]
11 Dia
mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
12 Ary nisy
fanahy* nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe:
Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]
13 Ary reko koa
ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny
fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
14 Ary nisy
fanahy* nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra** tamin'ny
fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tānan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[*Na:
rivotra][**Heb. mangidy]
15 Dia tonga
tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony
Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay
torana iny aho.
16 Ary nony
afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Ry
zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia
hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
18 Raha hoy
Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao,
na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny
ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny
tananao ny rāny.
19 Fa raha
mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany
sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho
voavonjinao ny fanahinao.
20 Ary koa,
raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka
fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao
azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony
tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny rāny.
21 Fa raha
mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona
tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
22 [Faminaniana
ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tānan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy
Izy tamiko: Mitsangāna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no
hitenenako aminao.
23 Dia
nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny
voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony
Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
24 Ary nisy
fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao
hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.
25 Fa ianao, ry
zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo
mivoaka ho ao aminy ianao.
26 Ary
hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho
mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
27 Fa raha
miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy
mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
1 Ary ianao, ry
zanak'olona, makā kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata
sarin-tanāna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
2 ary ataovy
fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany
manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana
manodidina azy.
3 Ary makā
lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanāna, dia banjino tsara io,
ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny
taranak'Isiraely izany.
4 Ary ataovy
ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny
taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no
hitondranao ny helony.
5 Fa Izaho dia
manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby
telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.
6 Ary rehefa
tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka
hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no
nataoko solon'ny herintaona ho anao.
7 Dia banjino
tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany
hamely azy.
8 Ary, indro,
hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny
fahiranonao.
9 Ary mangalā
vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta
ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny
andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no
hihinananao azy. [Heb. nangidy]
10 Ary
an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio
elanelany ny fihinanao azy.
11 Ary rano
afātra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao
azy.
12 Ary hatao toy
ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay
hanendasanao azy eo imasony.
13 Ary hoy
Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny
firenena izay handroahako azy.
14 Dia hoy
izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony
aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay
fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny
vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15 Dia hoy Izy tamiko:
Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay
hanendasanao ny mofonao.
16 Ary hoy koa
Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo,
tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afātra
no hosotroiny amin'ny fahatahorana.
17 Ka dia ho
mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny
helony.
1 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia makā sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava,
ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makā mizana, ka zarao ny volo.
2 Ny
ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanāna, rehefa tapitra ny andron'ny
fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny
ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho
enti-manenjika azy Aho.
3 Ary analao
vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.
4 Ary ireny
indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa
hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.
5 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa,
ka voahodidin'ireny tany ireny izy.
6 Ary nanao
ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho
ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny
fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena
manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady
tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8 dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao
fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.
9 Ary noho ny
fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy
hataoko tahaka izany intsony.
10 Koa ny ray
dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary
hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho
amin'ny rivotra rehetra;
11 eny, raha
velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina
tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa
dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12 Ny
ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary
eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny
ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho
entiko manenjika azy Aho.
13 Ary ho
tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka
hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy
ny fahatezerako.
14 Ary hataoko
lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay
rehetra mandalo.
15 Ka dia hisy
latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa
manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny
fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16 raha alefako
ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipėka ratsy izay halefako
handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny
mofonareo, izay tohan'aina.
17 Dia haterako
mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo
aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drā, ary hataoko mihatra aminao
ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
1 [Ny amin'ny
handravana ny fomban'ny sampy sy ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny
hamelezana azy,
3 ka ataovy
hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny
lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely
anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
4 Ary hokoroina
ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro; ary
hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]
5 Ary ny
fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia
haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
6 Any amin'ny
fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanāna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho
rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo,
ary hokapaina ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny
asanareo.[Na: tsangam-batonareo]
7 Ary hisy faty
hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8 Nefa hamelako hisy
sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa,
Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.
9 Ary izay afaka
aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo,
rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony,
izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny
ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
10 Ka dia ho fantany
fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany
aminy Aho.
11 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao,
ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny
taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny
areti-mandringana!
12 Ny lavitra ho
fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy
izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
13 Dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny
alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny
amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny
ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany
hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;
14 Hahinjitro aminy
ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana
mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny amin'ny
handringanana ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely:
Injao ny farany! Eny,
mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
3 Ankehitriny
dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia
hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao
rehetra.
4 Ary tsy
hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny
lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah.
5 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa
azy*![Heb. loza iray]
6 Injao ny
farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby
akaiky iny.
7 Mby akaiky ny
anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny
andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .
8 Ary vetivety
foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny
fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny
fahavetavetanao.
9 Ary tsy
hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny
lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa
Izaho Jehovah no mamely.
10 Indro ny andro,
indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny
avonavona!
11 Ny fanaovana
an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa
intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny*, na ny zava-mendrika eo
aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy mireondreona]
12 Mby akaiky ny
fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny
mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
13 Fa ny mpivarotra
tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana
ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy
amin'ny helony.
14 Efa nitsoka ny
trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny
ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
15 Ny sabatra no eny
ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any
an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanāna kosa dia ho levon'ny
mosary sy ny areti-mandringana.
16 Ary na dia misy
afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala
an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17 Hiraviravy ny
tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
18 Hisikina lamba
fisaonana* koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.[Heb. lamba malailay]
19 Ny volafotsiny dia
harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny
volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny
Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga
fahatafintohinana mahameloka azy.
20 Fa ny firāvany
tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary
fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho
zava-maharikoriko azy.
21 Ary hatolotro ho
babo eny an-tānan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy
amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
22 Dia hiamboho azy
koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto
azy.
23 Manefa gadra, fa
efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drā ny tany, ary feno fampahoriana ny
tanāna.
24 Ka dia hitondra
izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia
hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
25 Ho avy ny
fandringanana*; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.[Na: fampangovitana]
26 Mifanontona ny
fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny
mpaminany izy, fa tsy misy lalāna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena
amin'ny anti-panahy.
27 Hitomany ny
mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny
vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana
nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Fahitana ny
amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro
fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao
an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka
tamiko ny tānan'i Jehovah Tompo.
2 Ary hitako fa, indro,
nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny
valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny
volon'ny metaly mamirapiratra.
3 Ary nisy
nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy*
nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any
Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny
kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro,
dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]
4 Ary, indro, teo ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo
amin'ny lohasaha.
5 Dia hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia
natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny
vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny
fidirana.
6 Dia hoy koa Izy
tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana
lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny
fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
7 Dia nentiny ho eo
amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny
ampiantany.
8 Dia hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro,
nisy varavarana.
9 Ary hoy Izy tamiko:
Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
10 Dia niditra aho ka
nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby
hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely,
voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
11 Ary nisy olona
fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo
anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy
nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tānany avy, ary ny
setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
12 Ary hoy Izy
tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely
amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary*? Fa hoy izy:
Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]
13 Ary hoy koa Izy
tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
14 Dia nentiny ho eo
anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary,
indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.
15 Dia hoy Izy
tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe
noho ireto koa ianao.
16 Dia nentiny ho eo
amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo
am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana
sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny
tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka
manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
17 Dia hoy Izy
tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely
loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny
fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy
nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.
18 Ary Izaho kosa dia
hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho;
ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
1 [Ny amin'ireo
lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo
anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanāna, ka
samia mitondra ny fiadiany eny an-tānany avy ho enti-mandringana.
2 Ary, indreo, nisy
lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika
ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy
izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy
fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka
nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
3 Ary ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima,
izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay
olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo
am-balahany.
4 Ary hoy Jehovah
taminy: Mandehana mamaky ny tanāna, dia Jerosalema, ka asio marika* ny
handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao
eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
5 Ary reko Izy nanao
tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanāna, ka
mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6 Fa na lahy antitra,
na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa
izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny
fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny
trano ireo.
7 Ary hoy Izy taminy:
Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao
an-tanāna.
8 Ary raha
mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina
hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely
amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
9 Dia hoy Izy
tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno
ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanāna, satria
hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
10 Ary Izaho
kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho
eo an-dohany ny nataony*.[Heb. lalany]
11 Ary, indro,
ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo
am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao
ahy.
1 [Fahitana ny
amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy]
Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny
kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana
no fijery azy; ary Jehovah* niseho teo amboniny. [Heb. Izy]
2 Ary niteny
tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny
kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny
kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanāna izany. Dia niditra teo
imasoko izy.
3 Ary ny
kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy;
ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
4 Dia niakatra
niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny
tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno
ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.
5 Ary ny
fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy
ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
6 Ary rehefa
nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalā afo avy eo
analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana
teo anilan'ny kodia.
7 Ary ny
kerobima anankiray naninjitra ny tānany avy teo anelanelan'ny kerobima,
tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny
amin'ny tānan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany
ralehilahy, dia nivoaka.
8 Ary nisy
nitarehin-tānan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
9 Ary hitako
fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo
anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato
krysolita.
10 Ary izy
efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
11 Raha nandeha
izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha,
fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy
raha nandeha.
12 Ary feno
maso manodidina ny tenany* rehetra sy ny lamosiny sy ny tānany sy ny elany
mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]
13 Ny amin'ny
kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia*![Na: Mikodiadiava!]
14 Ary samy
nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima,
ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona,
ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
15 Ary niakatra
ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara
ihany.
16 Ary raha
nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha
nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy
nisaraka taminy koa ny kodia.
17 Raha
nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga
koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.
18 Dia niala
avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka
nijanona teo ambonin'ny kerobima.
19 Ary
nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo
imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo
anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
20 Izany dia
ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny
ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
21 Samy nanana
tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy
nitarehin-tānan'olona teo ambanin'ny elany.
22 Ary ny
endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara
ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
1 [Filazana ny
amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy*
nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny
tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona
dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo
Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na:
rivotra]
2 Dia hoy Izy
tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy
eto amin'ity tanāna ity,
3 dia izay
manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanāna ity no vilany, ary
isika no hena;
4 ka dia
maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.
5 Ary tonga tao
amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra
ao an-tsainareo.
6 Hianareo efa
nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanāna ity, ary ny lalambeny efa
nofenoinareo faty.
7 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena,
ary ity tanāna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
8 Natahotra ny
sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah
Tompo.
9 Ary havoakako
avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tānan'ny hafa firenena, ary hanao
fitsarana aminareo Aho.
10 Ho lavon'ny
sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka
dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
11 Ity tanāna ity tsy
ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny
sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo
12 ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalāko ianareo na
nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina
anareo ihany no nataonareo.
13 Ary raha mbola
naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina
tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany
sisa amin'ny Isiraely?
14 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
15 Ry zanak'olona, ny
rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao*, dia ny taranak'Isiraely
rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah;
izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]
16 Koa lazao hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny
jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho
azy vetivety* Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]
17 Koa lazao hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary
hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny
Isiraely ianareo.
18 Ary ho tonga ao
izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19 Dia homeko fo iray
izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo
vato, ka homeko fo nofo izy,
20 mba handehanany
araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia
ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21 Fa ny amin'izay
manana fo manina ny zava-dratsiny* sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo
an-dohany ihany ny nataony**, hoy Jehovah Tompo.[*Heb. manaraka ny fon'ny
zava-dratsiny][Heb. lalana]
22 Dia nasandratry ny
kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny
Isiraely no teo amboniny.
23 Ary ny
voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanāna ka nijanona teo
an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanāna.
24 Dia nisy fanahy*
nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra
ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana
izay efa hitako.[Na: rivotra]
25 Ary nolazaiko
tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.
* *
1 [Ny
nasain'Andriamanitra nataon'i Ezekiela hahalalan'ny Isiraely fa samy ho
lasan-ko babo, na ny mpanjaka, na ny vahoaka] Ary tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy
mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra
izy.
3 Koa ianao, ry
zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka
miaingā antoandro eo imasony; ary mialā eo imasony eo amin'izay itoeranao ho
any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4 Dia havoakanao
antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny
fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny
handeha ho any amin'ny fahababoana.
5 Boroboahy eo
imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
6 Ataovy
an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia
maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko
ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.
7 Dia nanao
araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy
py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia
noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny
andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo
imasony.
8 Ary nony
maraina dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Ry zanak'olona,
moa ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va:
Inona izao ataonao izao?
10 Ambarao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho
amin'ny mpanjakan'i Jerosalema sy ny taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.
11 Lazao hoe:
Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao
amin'ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
12 Ary ny
mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina
dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy;
hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan'ny masony ny tany.
13 Ary ny
fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho
entiko any Babylona any amin'ny tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany,
nefa ho faty any ihany.
14 Ary izay
rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko
ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
15 Ary dia ho
fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko
any amin'ny tany samy hafa izy.
16 Nefa
hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy
ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny
jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
17 Tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry
zanak'olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy
amin'ahiahy ny ranonao.
19 Ary lazao
amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao
Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny,
ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany,
ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao
aminy.
20 Dia ho rava ny
tanāna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
22 Ry zanak'olona,
ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe:
Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
23 Koa lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy
hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny
andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.
24 Fa tsy hisy
fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.
25 Fa Izaho no
Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tō tokoa; tsy hajanona ela
intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny
teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
26 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
27 Ry zanak'olona,
indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany,
ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
28 Koa lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko;
fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny amin'ireo
mpaminany sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao
amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
3 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny
zavatra tsy hitany.
4 Tahaka ny
amboahaolo any an-tanāna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
5 Tsy niakatra
ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely
mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.
6 Mahita
zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy
nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatōvan'ny teny
7 Moa tsy
fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy
ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
8 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo
lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
9 Ary ny tanako
no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho
isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny
taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
10 Noho ny nampiviliany
ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona;
ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny
feta tsy madity,
11 koa lazao
amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy
ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa
ianareo, ry tafiodrivotra.
12 Indro, raha
mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay
nandaloranareo azy?
13 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako
Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy
amin'ny fahavinirako hahafongana azy.
14 Dia harodako ny
ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra
hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka
haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
15 Dia hotanterahiko
amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny
fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay
mpandalotra azy,
16 dia ny
mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita
fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah
Tompo.
17 Koa ianao, ry
zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana
araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
18 ka ataovy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono
ho ao amin'ny famavanin'ny tanana* rehetra, ary manao fisaronana antonona
amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia
hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]
19 Ary manamavo Ahy
ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tānan-ila sy ny sombi-mofo,
mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay
tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny
lainganareo.
20 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny
fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny
sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
21 Hotriariko koa ny
fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho
azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah.
22 Satria lainga no
entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady
entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny
mba hamelomana azy,
23 dia tsy hahita
anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka
amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Anatra ho an'ny
mpanompo sampy, sy filazana ny hanjo azy] Dia nisy loholon'ny Isiraely tonga
tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
2 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
3 Ry zanak'olona,
ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny
fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety
hanontanian'ireto va Aho?
4 Koa mitenena aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny olona rehetra amin'ny
taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny
fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho
Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
5 mba hisamborako ny
taranak'Isiraely amin'ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra
noho ny sampiny.
6 Koa ataovy amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa
ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.
7 Fa na iza na iza
amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely,
no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny
fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany
hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;
8 ary hanandrina
izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy
ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
9 Ary raha misy
voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany
mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo
amin'ny Isiraely oloko izy.
10 Ary hitondra ny
heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay
manontany aminy koa,
11 mba tsy hialan'ny
taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny
fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah
Tompo.
*
12 Ary tonga tamiko
indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
13 Ry zanak'olona,
raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny
tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako
avokoa ny olona sy ny biby,
14 na dia ao aza
ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho
voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
15 Raha mampandeha
biby masiaka eo amin'ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao
ny tany ka tsy azon'olona aleha noho ny biby,
16 na dia ao aza ireo
telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny
zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany
kosa ho lao.
17 Ary raha mitondra
sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny
tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
18 na dia ao aza ireo
telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny
zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
19 Ary raha mandefa
ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny
fahatezerako, dia amin'ny fandatsahan-drā mba haharingana ny olona sy ny biby
ao aminy,
20 na dia ao aza Noa
sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy
ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho
ny fahamarinany.
21 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako
efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny
areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
22 Kanefa, indro,
hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny
zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy
ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko
mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
23 Eny, hampionona
anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa
tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Fanoharana
mampiseho ny toetr'i Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
inona no ihoaran'ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny
sakeli-boaloboka izay isan'ny hazo any an'ala?
3 Moa mba
fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?
4 Indro,
hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny
tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?
5 Indro, fony
izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa
levon'ny afo sy may izy?
6 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay
natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
7 Ary
hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa
indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny
tavako.
8 Ary hataoko
lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny
nivadihan'i Jerosalema, sy ny nahafoizany an'i Jehovah, ary ny hamaliany azy
amin'izany] Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany,
3 ka ataovy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no
nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
4 Ary ny
amin'ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro
nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na
voahodidina lamban-jaza akory.
5 Tsy nisy maso
niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza,
mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho
zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.
6 Ary raha
nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rānao, dia hoy Izaho
taminao, raha mbola tamin'ny rānao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho
taminao, raha mbola tamin'ny rānao ianao: Ho velona anie ianao.
7 Efa nataoko
alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe
ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa
mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
8 Ary raha
nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny
fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao;
eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia
efa Ahy ianao.
9 Dia
nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin'ny rānao, dia
nohosorako diloilo.
10 Notafiako
lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy*, ary nampisikiniko
rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.[Hoditra voasoka ho menamena. na
hodi-biby tsy fantatra]
11 Noravahako
firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
12 Ary nasiako
kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13 ka dia
niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily
ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo
no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady
nambinina ho miendrik'andriana
14 Ary dia
niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa
tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
15 kanjo natoky
ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao* sady nanaram-po
nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany[Heb, anarana]
16 Ary
nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao
sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho
na hisy akory.
17 Ary nalainao
koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia
nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
18 nalainao koa
ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny
ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
19 Ary ny
haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny
tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra
ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
20 Ary nentinao
ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho
fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao
izany?
21 Ary
novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho
an'ireo.
22 Ary tamin'ny
fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro
fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina
teo amin'ny rānao.
23 Ary rehefa
vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah
Tompo),
24 dia nanao trano
fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny
an-kalalahana rehetra teny.
25 Ary teny
an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary
novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra
ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26 Hianao efa
nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary
nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
27 Ary, indro,
nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho
amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina,
izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28 Ary nijangajanga
tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny,
nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
29 Ary mbola
nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto*.
Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
[Heb tany Kanana: izaho xxvv 4]
30 Akory ny
fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo,
dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!
31 Tamin'ny
nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny
nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny
vehivavy janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy.
32 Ny vadin'olona
mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon'ny vadiny!
33 Sy vehivavy janga
rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady
manome azy fanambatambazana hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba
hijangajangany aminao.
34 Ary hafa noho ny
amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy
nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy
mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
35 Koa mihainoa ny
tenin'i Jehovah. ry kala janga:
36 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe* sy ny nampisehoana ny fitanjahanao
tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay
fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo. [Heb.
nanidinanao varahina]
37 dia, indro, hovoriko
ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra
mbamin'ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina
ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny
fitanjahanao rehetra izy;
38 ary hotsaraiko
ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drā, ka halatsako
ny rānao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
39 Dia hatolotro ho
eny an-tānan'ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny
fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao
soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40 Dia hitondra
vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady
hotetitetehiny amin'ny sabany ianao.
41 Ary hodorany
amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny
famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
42 Toy izany no
hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka
tsy ho tezitra intsony.
43 Noho ny tsy
nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo
rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao* ihany no hatsingeriko ho eo
an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao
rehetra va ianao**?[*Heb. lalanao][**Na: Fa raha tsy izany, dia Izao indray no
hanao ratsy miohatra noho ny fahavetavetanao rehetra]
44 Indro, ny mpanao
ohabolana rehetra dia hamely anao amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka
an-dreniny ihany ny zananivavy.
45 Hianao dia
zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia
rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no
reninareo, ary Amorita no rainareo.
46 Samaria no
zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny
zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
47 Nefa tsy araka ny
alehan'ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no
nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra
noho ireo indray ianao tamin'ny nalehanao rehetra.
48 Raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba
nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
49 Indro, izao no
helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary
fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zananivavy, ary tsy mba nitantana
ny malahelo sy ny mahantra izy.
50 Niavonavona izy ka
nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra
azy.
51 Ary tsy ampy
antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny
fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina
indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
52 Hianao koa dia
aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny
fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho
toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrā ny henatrao noho
ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
53 Ary hampodiko avy
amin'ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny
zananivavy mbamin'izay olonao voababo,
54 mba hitondranao ny
henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao
azy*.[Na: tamin'ny nampiononanao azy]
55 Ary ny
rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary
Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny
zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa.
56 Nefa tsy mbola mba
notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro
niavonavonanao,
57 fony tsy mbola
niseho ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria
sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay
namingavinga anao manodidina.
58 Ny faharatsianao
sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
59 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay
namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
60 Nefa hotsarovako
ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena
mandrakizay aminao Aho.
61 Dia hotsarovanao
ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny
zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba
isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.
62 Izaho hanorina ny
fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,
63 mba
hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny
henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah
Tompo.
*
1 [Ny amin'ny
nanetrena ny taranak'i Dasida, sy ny mbola hanandratana azy indray] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manaova fampanonona, ary milazā fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
3 ka ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady
lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao
Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
4 ny tendron'ny
tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana*; eny, tao
an-tanānan'ny mpandranto no namboleny azy.[Heb. Kanana; izahao xxvi. 29]
5 Nangalany koa ny
voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo
amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.
6 Dia naniry iny ka
tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny
fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7 Ary nisy voromahery
lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany
voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny
rantsany avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba
holemany.
8 Voavoly tao amin'ny
saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka
tsara indrindra.
9 Ataovinao hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny
voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia
ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny
fakany intsony*.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra
azy amin'ny fakany aza]
10 Koa, indro, na dia
voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny
rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany
izy.
11 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12 Lazao amin'ny
taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao
aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny
mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13 Ary naka ny
anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka
nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,
14 mba hietry ny
fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15 Fa niodina taminy
izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy
ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika
ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
16 Raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady
nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny,
any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.
17 Ary amin'ny
hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro,
dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy
vahoaka betsaka aza.
18 Fa efa nanamavo ny
fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tānany
izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny
ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20 Ary ny fandrika
haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any
Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21 Ary ny miaramilany
rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho
amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny
izany.
22 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera
avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka
hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
23 Ao amin'ny
tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy
ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao
aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24 Ary ho fantatry ny
hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka
nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina;
Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.
*
1 [Ny
famalian'Andriamanitra ny olona araka ny asany avy] Ary tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Nahoana no manao
izao ohabolana izao ao amin'ny tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana
voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo?
3 Rana velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin'ny
Isiraely intsony.
4 Indro, Ahy ny
fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany;
samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
5 Fa raha marina ny
olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6 fa tsy mihinana eny
an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny
taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay
mararin'ny fadim-bolana,
7 na mampahory olona,
fa mamerina ny natao tsatōka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny
noana ary manafy lamba ny matanjaka,
8 tsy mampanāna vola,
na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana
marina amin'ny miady,
9 ary mandeha araka
ny lalāko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka
ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
10 Fa raha miteraka
zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drā izy, ka manao na dia iray ihany
amin'ireo zavatra ireo aza iny
11 (nefa tsy nanao
ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na
mandoto ny vadin'ny namany,
12 na mampahory ny
malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatōka, na
manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
13 na mampanana vola,
na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo
fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny rāny dia ho aminy
ihany.
14 Ary, indro, raha
iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra
nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
15 ka tsy mihinana
eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny
taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
16 na mampahory
olona, na maka tsatōka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary
manafy lamba ny mitanjaka,
17 miaro ny tānany
tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny
fitsipiko sy mandeha araka ny lalāko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy;
ho velona tokoa izy.
18 Ny amin'ny rainy,
noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany
izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
19 Nefa, hoy ianareo:
Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao
izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatō azy, dia ho
velona tokoa izy.
20 Ny fanahy izay
manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray
tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany
ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
21 Fa raha ny ratsy
fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko
rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho
faty.
22 Ny fahadisoany
rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny
fahamarinana izay nataony.
23 Moa sitrako akory
va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny
alehany mba ho velona izy ?
24 Fa raha ny marina
no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana
rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra
izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny
fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
25 Nefa hoy ianareo:
Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny
fitondrako* va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb.
lalana]
26 Raha ny marina
miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho
ny heloka nataony ihany izy.
27 Ary raha ny ratsy
fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia
hovelominy ny fanahiny.
28 Raha mahita izy ka
miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy
ho faty.
29 Nefa hoy ny
taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny
fitondrako* va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb.
lalana]
30 Koa samy
hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah
Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga
fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
31 Esory ho afaka
aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy
fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
32 Fa tsy sitrako ny
fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.
Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.
*
1 Ary manaova hira
fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
2 ka ataovy hoe:
Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka* tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza
ny zanany tao amin'ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy.
Namitsaka]
3 Ary nahalehibe ny
zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza
sady nihinana olona.
4 Nahare ny lazany ny
firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia
nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
5 Ary nony hitan'ny
liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka
notezainy ho tonga liona tanora.
6 Ary nivoivoy teny
amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady
nihinana olona.
7 Ary nisavika ny
mpitondratenan'ireny izy* sady nandrava ny tanānany, ka lao ny tany mbamin'izay
rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]
8 Ary ny jentilisa
manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy
namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
9 Ary nataony
tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny
mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re
eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
10 Ny reninao dia
tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao*:
Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano be,[Na: Fony tamin'ny rānao ianao;
izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]
11 Ka nisy rantsany
mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka
nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny
hamaroan'ny rantsany.
12 Nefa nongotana tamin'ny
fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana
no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo
ireny.
13 Ary
ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.
14 Ary afo no
mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy
rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira
fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
*
1 [Ny toetry ny
Isiraely hatramin'ny ela, sy ny zavatra hanjo azy, ary ny mbola
hampodian'Andriamanitra azy]Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana
fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba
hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
2 Dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
3 Ry
zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona
koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4 Tsy
hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny
fahavetavetan'ny razany izy.
5 Ary ataovy
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny
Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay
hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka
nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
6 tamin'izany
andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny
tany Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy
tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
7 dia hoy Izaho
taminy: Samia manary ny fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto
tena amin'ny sampin'i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Nefa niodina
tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony
na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako,
ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
9 Kanefa niasa
noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa
izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny
nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
10 Koa dia
nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
11 Dia nomeko
azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona
manaraka izany.
12 Ary nomeko azy koa
ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah
no manamasina azy.
13 Kanjo niodina
tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko
izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary
nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra
ny fahatezerako hahalany ringana azy.
14 Kanefa niasa noho
ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay
nahita ay nitondrako azy nivoaka.
15 Ary Izaho dia
nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny
tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany
rehetra,
16 satria efa
nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny
Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
17 Nefa niantra azy
ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
18 Fa hoy Izaho
tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo,
na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;
19 fa Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny
fitsipiko, ka araho izany.
20 Ary manamasina sy
Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
21 Kanjo niodina
tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka
ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako
izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy
any an-efitra ny fahatezerato.
22 Nefa nampihemotra
ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany
eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
23 Dia
nanangan-tanana taminy tany an'efitra, indray Aho, hampiely azy any amin'ny
jentilisa sy hampihahaka azy any amin'ny tany samy hafa,
24 satria tsy
nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny
masony nanaraka ny sampin'ny razany.
25 Ary nomeko didy
tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
26 Dia nandoto azy
tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra
hamaky ny afo*, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no
Jehovah.[Na: dia tamin'ny nanokanany ny voalohan-teraka rehetra; izahao Eks.
xiii. 12]
27 Koa mitenena
amin'ny taranak'Isiraely, ry zanak'olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Tamin'izao no mbola nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny
nivadihany tamiko:
28 Nony nitondra azy
ho any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny
havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no
namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny
mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany
ny fanatitra aidiny.
29 Ka dia hoy Izaho
taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo
no natao anarany mandraka androany.
30 Koa ataovy amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny
fanaon*'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany
va,[Heb. lalana]
31 ary mandoto tena
amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny
fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va
hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah
Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
32 Ary tsy ho
tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa
izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao
fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.
33 Raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana
aidina no hanjakako aminareo.
34 Ary amin'ny tanana
mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako
anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny
tany izay nampielezana anareo.
35 Dia ho entiko ho
any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika
aminareo.
36 Tahaka ny
nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany
koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
37 Ary hampandaloviko
eo ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena.
38 Ary havahako hiala
aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany
ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy;
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
39 Ary ny aminareo,
ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka
manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo
ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny
sampinareo.
40 Fa ao an-tendrombohitro
masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no
hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no
hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra
aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
41 Hankasitrahako toy
ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any
amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa
nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho
amin'ny hataoko aminareo.
42 Ary ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho,
dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
43 Ary hotsaroanareo
any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary
haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
44 Dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy
araka ny lalān-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely,
hoy Jehovah Tompo.
1 [Fanoharana ny
amin'ny ala may sy ny sabatra voatsoaka] Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny
hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
3 Ary lazao amin'ny
ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy
ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho
main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
4 Ka dia ho hitan'ny
nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
5 Dia hoy
izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va
no ataony?
6 Dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
7 Ry
zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana
masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.
8 Ary ataovy
amin'ny tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely
anao, ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny
meloka eo aminao.
9 Ary noho ny
handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny
sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany
avaratra,
10 Ka dia ho
fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny
tranony; Tsy hiditra intsony izy.
11 Ary ianao,
ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria
amin'ny fangidiana eo imasony.
12 Ary raha izy
manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny
efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra,
ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika
rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
13 Dia tonga
tamiko ay tenin'i Jehovah nanao hoe:
14 Ry
zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao!
sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.
15 Voaranitra
hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny
tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
16 Ary nomena
hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba
hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.
17 Mitomania sy
midradradradrā, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny
lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy,
koa misafoa sirana ianao;
18 Fa vita ny
fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza
no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.
19 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na
telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny
sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana* no manemitra azy.[Heb. lehibe]
20 Nahebihebiko teny
amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga
fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra*
hamono.[Na: voatsoaka]
21 Miomana, ka
mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay
voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
22 Hiteha-tanana koa
Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
23 Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
24 Hianao, ry
zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i
Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny
famantaran-dalana*, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanāna no anaovinao
azy.[Heb: voatsoaka]
25 Manaova
lalana hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao
Jerosalema mimanda.
26 Fa ny
mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny
lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipėka izy ary
manontany amin'ny sampy* sy mizaha amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]
27 Mby eo
an-tānany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka
lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny
akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady,
hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
28 Nefa tahaka
ny sikidy lainga izany eo imason'ireny izay efa nianiana mafy*, nefa Jehovah**
no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.[*Na: izay efa nianianana
mafy][**Heb. Izy]
29 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny
nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay
rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana
ianareo.
30 Ary ianao,
ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra
andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty,
31 izao no
lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halāna ny satro-boninahitra, tsy
ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
32 Havadiko,
havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra
mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.
33 Ary ianao,
ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra!
Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
34 (Raha mahita
zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany* anao ao amin'ny
vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka
mahafaty.[Heb. Hametrahana]
35 Ampidiro
amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany
nahaterahanao, no hitsarako anao.
36 Ary haidiko
aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka
hatolotro eo an-tānan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,
37 Dia ho
kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rānao; Tsy hotsaroana ianao; Fa
Izaho Jehovah no niteny izany.
*
1 [Ny fahotan'i
Jerosalema sy ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, moa
tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drā va ianao ?
Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
3 ka ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Tanāna mpandatsa-drā ao ampovoany hahatonga ny
fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
4 Ny rā izay
nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary
efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no
nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
5 ka na ny akaiky
anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6 Indreo ny
lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny* avy mba
handatsa-drā.[Heb sandriny]
7 Ao aminao no
anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny
vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
8 Hamavoinao ny
zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.
9 Ao aminao misy
olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drā; ary ao aminao misy mihinana eny
an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
10 Ao aminao misy
mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
11 Misy manao
fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny
vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
12 Ao aminao misy mandray
kolikoly handatsa-drā; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny
mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
13 Koa, indro,
manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drā
tao aminao.
14 Hahatoha va ny
fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka* aminao? Izaho
Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]
15 Ary haeliko ho any
amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary
holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
16 Ary dia ho
hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao
fa Izaho no Jehovah.
17 Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:
18 Ry
zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy
rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa
tonga taim-bolafotsy izy.
19 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika,
dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
20 Toy ny
anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny
memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no
hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao
ianareo ka ho voarendrika;
21 eny,
nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho
voarendrika ao anatiny ianareo.
22 Toy ny
andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka
dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
23 Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Ry
zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro* sady
tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.[Na: tsy voadio]
25 Mikomy ny
mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona
izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao
aminy.
26 Ny mpisorona
dia mandika ny lalāko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy
ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary
mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27 Toy ny
amboa-dia* mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drā sy mahafaty
aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.[Na: lopa]
28 Ary ny
mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy
maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy
niteny tsinona.
29 Ny vahoaka
manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny
vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
30 Ary nitady
olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako
hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
31 koa dia
haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy;
ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony*, hoy Jehovah Tompo.[Heb
lalana]
*
1 [Fanoharana
ny amin'Ohola sy Oholiba hampiseho ny nijangajangan'i Samaria sy Jerosalema] Ary
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
3 ary
nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no
nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
4 Ny anaran'ny
zokiny dia Ohola*, ary ny rahavaviny dia Oholiba**; ary novadiko izy ka
niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary
Jerosalema no Oholiba.[*Ohola = lainy][**Oholiba = Ny laiko no ao aminy]
5 Ary raha mbola
vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny
Asyriana mifanolotra aminy,
6 izay mitafy
mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikāna izy rehetra sady
mpitaingin-tsoavaly.
7 Nijangajanga
tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria
sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany
tena.
8 Ary ny
fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola
tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny
fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9 Ary noho
izany dia natolotro ho eo an-tānan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tānan'ny
Asyriana izay nahamaimay azy.
10 Ireny no
nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary
ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny
vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.
11 Ary nony
hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy
indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny
rahavaviny,
12 Maimay
tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona
mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikāna izy rehetra.
13 Dia hitako
fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;
14 ary mbola
nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo
amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
15 samy nisy
fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany;
ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny
zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
16 Ary raha vao
hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy
tany Kaldea.
17 Ary tonga
tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka
nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia
niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
18 Ary rehefa
naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala
taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny
ihany.
19 Dia
nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany,
izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.
20 Fa izy dia
maimay tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny
avy aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly.
21 Nitady ny
fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny
nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.
22 Koa izao, ry
Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny
lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany
manodidina izy mba hamely anao,
23 dia ireny
zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy
andrian-dahy*, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikāna izy
rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly
avokoa izy rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]
24 Ary ho avy
izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely
anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina
hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny
fitsarany izy.
25 Ary ho
entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana
ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny
sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay
sisa aminao holevonin'ny afo.
26 Ary
hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
27 Ary
hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany
amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy;
hotsarovanao intsony Egypta.
28 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tānan'izay halanao ianao, dia eo
an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;
29 ary hamely
anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany
mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao,
dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
30 Havo aminao
izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny
nandotoanao tena tamin'ny sampiny.
31 Tamin'ny
nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny
kapoakany.
32 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay
lalina āty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33 Ho feno
fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny
kapoak'i Samaria rahavavinao.
34 Hosotroinao
sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao;
fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
35 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo
ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36 Jehovah
niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia
asehoy azy ny fahavetavetany,
37 fa efa
nijangajanga izy, sady misy rā eny an-tānany, eny, ny sampiny no
nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho
an'ireny mba ho levona.
38 Izao koa no
nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady
nandoto ny Sabatako koa.
39 Ary nony efa
novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny
fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
40 Ary koa,
naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao*; eny, nanirahanao ireo, ka,
indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy
niravahanao.[Heb. ianareo]
41 ary
nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo
anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42 Ary teo
aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny
ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary
nasian'ireo haba teny an-tānan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy
teny an-dohany.
43 Dia hoy
Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy
hijangajanga amin'io ihany va?
44 Eny, mbola
nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia
toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
45 Ary olona
marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drā,
satria mijangajanga izy, sady misy rā eny an-tānany.
46 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho
mpanjenjena* sy ho babo izy.[Na: ho fampangovitana]
47 Ary ireo
olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra;
hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny
tranony.
48 Toy izany no
hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy
rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
49 Ary
hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny
sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
* *
1 [Fahitana ny
amin'ny vilany fahandroana, ary ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny
hahafatesan'ny vadin'i Ezekiela] Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana
fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny
mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio
izao.
3 Ary milazā
fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio
rano ao anatiny;
4 ary arotsahy
ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny
sorony; fenoy taolana voafantina izy.
5 Alao ny ondry
voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana*,
dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angōny eo
ambaniny ny taolana]
6 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanāna mpandatsa-drā sy ny vilany izay misy
harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa
aza anaovana filokana.
7 Fa ny rāny
dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy
naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.
8 Mba
hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny rāny teo ambonin'ny
vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
9 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanāna mpandatsa-drā; Izaho koa hamory kitay
betsaka.
10 Atohofy
betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra
hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]
11 Dia foāny ny
vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka
ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
12 Efa
nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny;
aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.
13 Ny
fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio
ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako
fo aminao.
14 Izaho
Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na
hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy
Jehovah Tompo.
15 Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ry
zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny
masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
17 Misentoa
malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny
hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na
mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.
18 Ary nony
maraina dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary
nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
19 Ary hoy ny
olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay
amin'izao ataonao izao?
20 Dia hoy
izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21 Lazao
amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko
ny fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy
mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny
zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
22 Dia manaova
tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny
fahan-kanina aterin'olona;
23 ary aoka ho
eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza
misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka
hifampitoloko.
24 Ary Ezekiela
dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba
hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah
Tompo.
25 Ary ianao,
ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny
voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy
ny zananivavy,
26 eny,
amin'izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba
hampandre ny sofinao izany;
27 amin'izany
andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia
hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao;
ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Faminaniana
ny amin'ny firenena mifanila fonenana amin'ny Isiraely, dia ny Amonita, ny
Moabita, ny Edomita ary ny Filistina] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
3 ka ataovy aminy
hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny
nanaovanao hoe: Hiā! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary
noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
4 Dia indro kosa,
hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny
tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy
hisotro ny ronononao.
5 Ary Raba dia
hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny
ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao
ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
7 Dia, indro,
hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary
hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy
ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda
efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
9 Dia, indro,
hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanānany rehetra, izay
ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
10 Ho an'ny zanaky ny
atsinanana koa tahaka ny taranak'i Amona'ihany, eny, hatolotro ho fananan'ireny
izy, mba tsy hotsarovana ao amin'ny firenena intsony ny taranak'i Amona.
11 Ary hotanterahiko
ny fitsarana an'i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
12 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany
azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
13 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny
olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny
sabatra hatrany Dedana.
14 Ary ny tanan'ny
Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny
fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy
Jehovah Tompo.
15 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany
ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany
hatry ny fony ela,
16 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka
haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
17 Ary famaizana
mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa
Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
1 [Faminaniana ny
amin'ny handravana an'i Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana
tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao
hoe: zananivavy.
2 Ry zanak'olona,
noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hiā! sakoa izay! rava ilay
vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy
kosa ho foana,
3 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny
firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
4 Ary horavan'ireo ny
mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny
vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
5 Ho famelarana
harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo,
ka dia ho babon'ny-firenena izy.
6 Ary ny zana-bohiny*
eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no
Jehovah.[Heb. zananivavy]
7 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
8 Ny zana-bohitrao*
any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy
tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy]
9 Ary hametraka
lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny
fiadiany* ny tilikambonao.[Heb. sabany]
10 Ho feno ny
vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho
ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha
miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanāna izay
voabanga izy.
11 Ny
kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia
hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny
tany.
12 Hobaboiny ny
hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra;
ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.
13 Ary hatsahatro ny
feon'ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon'ny lokanganao.
14 Dia hataoko toy ny
vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony;
fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
15 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny
fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo
ampovoanao?
16 Dia hidina hiala
amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo
sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka
amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
17 Ary hanao hira
fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay
nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanāna malaza izay nahery teo
amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny
mponina rehetra eo aminy!
18 Ankehitriny dia
raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin'ny andro hianjeranao; Eny,
toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
19 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanāna lao tahaka ireo tanāna haolo ianao,
ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan'ny rano be ianao,
20 Dia hampidiniko
hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka
hamponeniko any ambanin'ny tany ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao
hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana
intsony; ary hasiako voninahitra eo amin'ny velona;
21 Dia hataoko
fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho
hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
1 [Ny harena
amam-boninahitra nananan'i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Hianao, ry
zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,
3 ka ataovy aminy
hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena
ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He,
ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
4 Ao amin'ny
ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
5 Hazo kypreso avy
any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy
hatao andrin-tsambonao.
6 Oka avy any Basana
no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima
no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
7 Rongony madinika
samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba
manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
8 Ny mponina any
Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka
ireo no mpitondra sambonao.
9 Ny zokiolon'i
Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo
rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao
hanakalo ny rantonao.
10 Ny avy any Persia
sy ny Lydiana* ary ny Libyana** dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona
ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[*Heb.
Loda][**Heb. Pota]
11 Ny terak'i Arvada
sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery
no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao
manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
12 Tarsisy no
mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy
sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
13 Javana sy Tobala
ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no
natakalony ny varotrao.
14 Ny terak'i Togarma
nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15 Ny terak'i Dedana
no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga
hivarotra tao aminao ka nitondra ivory* sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb.
vangy ivory]
16 Syria no
mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy
lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy
voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
17 Joda sy ny
tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita
sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
18 Damaskosy no
mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny
harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
19 Vedana koa sy
Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy* natakalo ny entanao; Kasia sy
veromanitra no natakalony ny varotrao**.[*Na: vy mamirapiratra][**Na: Vedana sy
Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra
no isian'ny varotrao]
20 Dedana no
mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
21 Arabia sy ireo
andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy
ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
22 Ny mpandranto avy
any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra
sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
23 Harana sy
Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto
nankany aminao.
24 Ireo no
mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty
manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy* misy fitafiana soa no
natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]
25 Ny sambon'i
Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny
ranomasina.
26 Nentin'ny
mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina
ny rivotra avy any atsinanana.
27 Ny harenao
sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny
mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay
tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao
amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.
28 Noho ny fidradradradran'ny
mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
29 Ary samy
midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra
sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanōna eny an-tanety;
30 Ary
manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy* sady manopy
vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
31 Ary mibory
loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao
amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
32 Ary raha
midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao
hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny
ranomasina ?
33 Raha nivoaka
avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao;
Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny
tany ianao.
34 Tamin'ny
andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia
niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
35 Talanjona
anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny
mpanjakany ka dia mivalomainty.
36 Misitrisitra
anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao
intsony mandrakizay
1 [Faminaniana
ny amin'ny mpanjakan'i Tyro;] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;
2 Ry
zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho;
eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto
ampovoan'ny ranomasina. Nefa
olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny
fon'Andriamanitra aza ny fonao,
3 Hay! hendry
noho Daniela ianao! Tsy misy
zava-miafina azo afenina anao izany!
4 Ny
fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao
volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao
5 Ny haben'ny
fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona
ny fonao noho ny harenao;
6 Koa, indro, izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny
fonao,
7 Dia, indro,
hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra
amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary
hataony matroka ny famirapiratanao
8 Havariny ho any
an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny
ranomasina.
9 Moa mbola hitompo
teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa
aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo
an-tānan'izay manatrabaka anao
10 Tahaka ny
fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny
izany, hoy Jehovah Tompo.
11 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12 Ry zanak'olona,
manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy
tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]
13 Tany Edena,
sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny
karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira,
ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny
sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na:
vehivavy]
14 Hianao dia
kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra
masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15 Tsy nanan-tsiny
ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita
heloka tao aminao.
16 Noho ny
habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao;
Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao,
Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
17 Niavonavona ny
fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny
famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho
fitalanjonan'ireo mpanjaka,
18 Noho ny haben'ny
helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao
masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko
tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
19 Ny firenena
rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary
tsy ho ao intsony mandrakizay.
*
20 [Faminaniana ny
amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
21 Ry zanak'olona,
manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,
22 ka ataovy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary
hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha
manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.
23 Fa hahatonga
areti-mandringana hamely azy Aho ary rā ho eny an-dalambeny; Dia
hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny
manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
24 Ary tsy hisy roy
mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy
amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa
Izaho no Jehovah Tompo.
25 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny
taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko
aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.
26 Dia handry fahizay
any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy
amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao
tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
*
1 [Ny hamaliana an'i
Farao sy ny vahoakany ary ny taniny] Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo
tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy
mbamin'i Egypta rehetra.
3 Mitenena, ka ataovy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao,
mpanjakan'i Egypta, ilay dragona* makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia
ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny
tenako.[Na: mamba]
4 Ary hasiako farango
ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny
Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano
rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
5 Ary hariako any
an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao;
hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko
hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
6 dia ho fantatry ny
mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho
an'ny taranak'Isiraely izy.
7 (Nony mandray anao
amin'ny tānany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra;
Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny
valahan'izy rehetra.)
8 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka
hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9 Ary ny tany Egypta
ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho
no nanao azy,
10 Dia, indro,
avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny,
sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny
sisin'i Etiopia.
11 Tsy
hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy
honenana efa-polo taona izy.
12 Ary hataoko
tany rava dia rava* ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao** efa-polo taona ny
tanānany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako
any amin'ny tany samy hafa.[**Heb. rava ao amin'ny tany rava][**Heb. lao
amin'ny tanāna lao]
13 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any
amin'ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
14 Ary haveriko
avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany
nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
15 Eny, ho
ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa
intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
16 Dia tsy ho
tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny
andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
17 [Ny babo
azon'i Nebokadnezara tany Egypta ho karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany
tany Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny
taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry
zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1
Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola
avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro
izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
19 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona,
ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony
sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.
20 Ho valin'ny
fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony
ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
21 Amin'izany
andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary
hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny andro
hitsarana an'i Egypta] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Midradradradrā ianareo! Indrisy
ny andro!
3 Fa efa antomotra ny
andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana
hamaliana ny jentilisa izany.
4 Ary hisy sabatra
tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra
any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
5 Etiopia sy Libya*
sy Lydia** sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny
tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.[*Heb. Pota][**Heb.
Loda]
6 Izao no lazain'i
Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny
heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah
Tompo.
7 Ho rava dia ho
rava* izy, ary ny tanānany ho lao dia ho lao**.[*Heb. rava ao amin'ny tany
rava][**Heb. lao ao amin'ny tanāna lao]
8 Ka dia ho fantatra
fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay
rehetra manampy azy.
9 Amin'izany andro
izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny
Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny
andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
10 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny tānan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko
mahafoana ny horakorak*'i Egypta.[Na. mandevona ny hareny]
11 Izy sy ny
vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho
entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka
ho feno faty ny tany.
12 Hahatankina an'i
Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tānan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny
fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho
Jehovah no niteny izany.
13 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao
Memfisa*; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;[Heb. Nofa]
14 Handrava an'i
Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i
No;
15 Hampidina ny
fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny
vahoaka be any No.
16 Hampirehitra afo
any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary
Memifisa* dia hasian'ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]
17 Ny zatovon'i Avena
sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
18 Any Tapanesa dia
ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny
fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny
zananivavy.
19 Toy izany no
hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no
Jehovah.
20 [Ny hahafoanan'i
Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana
voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
21 Ry zanak'olona, ny
sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy
noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy
hahatan-tsabatra.
22 Koa izany no
nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta,
Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro;
Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tānany Aho.
23 Dia haeliko
ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany
samy hafa.
24 Fa
hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny
an-tānany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo
anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.
25 Eny,
hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny
sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny
an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany
Egypta.
26 Dia haeliko
ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany
samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny nanetrena
an'i Asyria atao fananarana an'i Egypta] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny
volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro
be hoe: Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ?
3 Indro, Asyria
dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady
mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony.
4 Ny rano no
nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no
nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony
hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
5 Koa dia
nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany
sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
6 Teo amin'ny
sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany
no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny
firenena malaza rehetra.
7 Ka dia tsara
tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny
rano maro ny fakany.
8 Tsy
nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny
sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana;
Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny
sahan'Andriamanitra.
9 Nohatsaraiko
tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany
Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
10 Koa izany no
nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy* ka nanandratra ny
lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny
hahavony,[Heb. ianao]
11 Dia
hatolotro eo an-tānan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io;
Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
12 Ary izay
fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy;
Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny
sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny
rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy
avy.
13 Mipetraka eo
amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny
bibi-dia rehetra,
14 Mba tsy hisy
hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na
hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky
amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy
rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any
amin'izay midina any an-davaka.
15 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny
fiainan-tsi-hita* dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny
aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro;
Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany
an-tsaha.[Heb. sheola]
16 Tamin'ny
fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho
any amin'ny fiainan-tsi-hita* izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny
hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia
izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,[Heb.
sheola]
17 Ireo koa dia
niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ho any amin'izay
voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo
ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.[Heb. sheola]
18 Tahaka
an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana
izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao;
Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra.
Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
1 [Fitomaniana
noho ny nanjo an'i Farao sy ny vahoakany] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny
volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta,
ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny
firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona* ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka
teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto
ny ony.[Na. mamba]
3 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra
ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
4 Dia hatsipiko
eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny
voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
5 Haeliko eny
an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao* ny lohasaha.[Heb.
hahavonao]
6 Hataoko
safotry ny rānao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny
ony.
7 Ary raha
hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana
ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
8 Eny, ireny
fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho
ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
9 Hataoko
mitebiteby koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro
ny naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao
10 Eny, hataoko
talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany,
raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy
amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
11 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
12 Ny sabatry ny
mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny
vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny
vahoakany maro be rehetra.
13 Haringako koa ny
biby fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy
intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.
14 Dia hahenako* ny
ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na. hampandriko
hadio]
15 Raha hataoko lao
ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo;
Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
16 Izany no hira
fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany;
Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany
izany, hoy Jehovah Tompo.
17 Ary tamin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona,
isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny
firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
19 Mihoatra noho ny
an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara* amin'izay tsy
voafora.[Heb. mandria]
20 Any amin'ny
voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra;
Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
21 Izy sy ny nanampy
azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny
fiainan-tsi-hita* manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo
voatrabaky ny sabatra.[Heb. Sheola]
22 Ao koa Asyria
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy
rehetra, samy lavon'ny sabatra;
23 Efa natao any
am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny
fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga
tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
24 Ao koa Elama
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy
rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany,
dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy
mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
25 Teo amin'ny
voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra;
Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny
sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary
samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny
voa-trabaka no nametrahany azy.
26 Ao koa
Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany;
Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny
fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.
27 Ary tsy
hiara-miampatra* amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia
ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita** ka mitondra ny fiadiany, sady
voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony,
satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[*Heb.
mandry][**Heb. Sheola]
28 Eny, ianao dia
haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra* amin'ny voatrabaky ny
sabatra.[Heb. mandry]
29 Ao koa Edoma
mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny
voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra* amin'ny tsy
voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
30 Ao koa ireo andrianan'ny
avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka
menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra* tsy
voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay
midina any an-davaka.[Heb. mandry]
31 Ireny dia ho
hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny
sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
32 Fa efa
nahatonga ny fahatahorana azy* tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia
halevina** ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia
Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[*Na. Ahy][**Heb.
hampandrina]
* *
1 [Fananterana
ny nanendrena an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha
mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy
anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
3 ary
hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara
hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra]
4 nefa tsy mety
taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy,
dia ho eo an-dohany ihany ny rāny.
5 Nandre ny
feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra*; ho ao aminy ihany ny rāny;
fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
6 Fa raha
hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara
izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao
aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny rāny dia hadiniko amin'ny
tānan'ilay mpitily.
7 Koa ianao, ry
zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha
mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8 Raha hoy
Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa
tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony
ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rāny dia hadiniko amin'ny tananao.
9 Fa raha
mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy
no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa
voavonjinao ny ainao.
10 Ary ianao,
ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto
aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia
nahoana no mbola velona izahay?
11 Lazao aminy
hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny
ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialā, mialā amin'ny lalan-dratsinareo, fa
nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
12 Ary ianao, ry
zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy
hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy
fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary
ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
13 Raha lazaiko
amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao*, nefa izy mitoky amin'ny
fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay
nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]
14 Ary koa, raha hoy
Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao*, nefa miala amin'ny
fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]
15 ka mamerina ny
natao tsatōka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy
mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16 Ny fahotana
rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy
mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
17 Kanefa, hoy ny
zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo; nefa ny fitondran*'ny
tenany no tsy marina.[Heb. lalan']
18 Raha ny marina
miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.
19 Ary raha ny ratsy
fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho
velona amin'izany izy.
20 Kanefa, hoy
ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy
hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan']
*
21 [Ny nisokafan'ny
vavan'i Ezekiela taorian'ny nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola
hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy
tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny
namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao
amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanāna.
22 Dia efa tonga
tamiko ny tānan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay
nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay
nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka
tsy moana intsony aho.
*
23 Dia tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Ry zanak'olona, ny
monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny
ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena
antsika ny tany ho lovantsika
25 Koa lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rā sady miandrandra ny
sampinareo ianareo ary mandatsa-drā, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
26 Mitoky amin'ny
sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny
namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
27 Izao no holazainao
aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho
lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanāna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko
ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato* sy amin'ny lava-tany dia
ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]
28 Fa hataoko rava sy
lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry
ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
29 Dia ho fantany fa
Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana
nataony.
30 Ary ianao, ry
zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo
am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika,
ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.
31 Dia mankao aminao
tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare
ny teninao, nefa tsy mety mankatō azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany*,
nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no
lazainy; na: kalokalo no ataon'ny vavany]
32 Koa, indro, ianao
dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra*, izay tsara feo sady mahay
mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatō azy.[Na: kalokalo]
33 Ary nony tanteraka
izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany
tokoa tao aminy.
1 [Ny amin'ny
mpiandry ondry ratsy fanahy, sy ny mbola hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena
mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely
izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
3 Ny taviny dia
haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba
andrasanareo.
4 Tsy manatanjaka ny
malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny
noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
5 Dia miely izy,
satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia
rehetra.
6 Mirenireny eny
an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny,
any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy
azy.
7 Koa mihainoa ny
tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
8 Raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny
ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy
nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy
namahana ny ondriko,
9 dia mihainoa ny
tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
10 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny
amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy
hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny
ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy
handinidinika azy.
12 Toy ny
fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny
izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy
avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy
maizim-pito.
13 Ary ho entiko
mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy
hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry
ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana
rehetra eran'ny tany.
14 Eny amin'ny tany
tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny
Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary
eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra* no hihinanany, dia any an-tendrombohitry
ny Isiraely.[Heb. matavy]
15 Izaho no hiandry
ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
16 Ny very hotadiaviko,
ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny
matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
17 Ary ny aminareo,
ry ondriko, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry
aman'osy, dia ny ady ataon'ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
18 Moa ataonareo ho
zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny
tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia
nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
19 Ary ny amin'ny
ondriko, moa izay voahosihosin'ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay
voaloton'ny tongotrareo va no hosotroiny?
20 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny
ondry matavy amin'ny ondry mahia.
21 Satria ny
tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny
tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany;
22 dia hovonieko ny
ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny
ondry namany.
23 Ary hanangana
Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no
hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
24 Ary Izaho Jehovah
no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho
Jehovah no niteny izany.
25 Ary hanao
fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany
intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia
any anaty ala aza.
26 Ary izy sy ny
manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana
amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27 Ary hamoa ny hazo
any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka
dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko
amin'ny tānan'izay nampanompo azy izy.
28 Ary tsy ho
babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary
tsy hisy hanaitaitra azy.
29 Ary hampaniry voly
ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na
hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;
30 ka dia ho fantany
fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no
oloko, hoy Jehovah Tompo.
31 Ary ny aminareo
ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy
Jehovah Tompo.
1 [Ny handravana an'i
Edoma noho ny nandrafiany ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,
3 dia ataovy aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry
tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao
ianao.
4 Ny tanānanao
hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no
Jehovah.
5 Noho ny
fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin*'ny
sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka
mahafaty,[Heb. ho eo an-tānan']
6 Dia izao no
lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rā ianao, ary rā no
hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rā, dia rā kosa no hanenjika anao.
7 Hataoko foana sy
lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny
miverina,
8 Ary hofenoiko ny
olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao
Ary amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny
sabatra.
9 Hataoko rava
mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanānanao; Ka dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah.
10 Ary noho ny
nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy
avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah
11 Dia izao no
lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny
fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao
aminy ny tenako amin'ny hitsarako anao.
12 Ka dia ho
fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny
amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho
fivelomanay.
13 Ary nanao teny
miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko
izany.
14 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,
15 Toy ny nifalianao
ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa
no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka
dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny hitahian'i
Jehovah ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny
tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely,
mihainoa ny tenin'i Jehovah:
2 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hiā! efa lasanay ny
havoana fahagola!
3 Dia maminania, ka
lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny
nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny
jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy
fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,
4 Dia mihainoa ny
tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha
ary amin'ny korontam-bato sy ny tanāna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho
an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
5 Eny, izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny
fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma
rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy
tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
6 Koa maminania ny
amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny
lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro,
tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny
nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
7 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena
manodidina anareo no hitondra henatra.
8 Fa ianareo kosa, ry
tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely
oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.
9 Fa, indro, hitodika
ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10 Ary hahamaro ny
olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana
ny tanāna, ka haorina indray ny efa rava;
11 Dia hampitombo
olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako
mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny
tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
12 Eny, hampivoivoy
olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo* izy ka
hahalasa anareo* ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo**.[*Heb.
anao][**Heb. ianao]
13 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany
olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
14 Dia tsy handany
olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
15 Ary hataoko tsy
mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny
fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy
Jehovah Tompo.
16 [Ny
fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny fahamasinany] Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Ry zanak'olona, ny
taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny
fanaony* sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny
fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony* eo anatrehako.[Heb. lalany]
18 Ka dia naidiko ho
aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rā nalatsany teo amin'ny tany sy noho
ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
19 Ary naeliko ho any
amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny
fanaony* sy ny asany no nitsarako azy.[Heb. lalany]
20 Ary nony tonga
tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina
tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny
tanin'i Jehovah izy.
21 Dia namindrako fo
ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay
nalehany.
22 Koa atsovy amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no
anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay
nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.
23 Ary hohamasiniko
ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho
fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony
Aho amin'ny ataoko aminareo.
24 Fa halaiko avy any
amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho
entiko ho any amin'ny taninareo.
25 Dia hofafazako
rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy
ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26 Ary homeko fo
vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko
amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27 Ary ny Fanahiko no
hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalāko sy
hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28 Ary honina any
amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho
ho Andriamanitrareo.
29 Ary hovonjeko ho
afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra
ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
30 ary hataoko
vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny
jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.
31 Dia hotsarovanareo
ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny
tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
32 Tsy noho ny
aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa
menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.
33 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo
rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa
rava.
34 Ary hasaina ny
tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy.
35 Fa holazainy hoe:
Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanāna efa foana sy
lao dia misy mponina sady asiana manda;
36 ka dia ho fantatry
ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa
rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka
izany.
37 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao
ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
38 Toy ny ondry
aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany
no hahafenoan'ny tanānany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka
dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Fanoharana ny
amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray
hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tānan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i
Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.
2 Ary nitondra ahy
nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny
lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
3 Ary hoy Jebovah
tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary
hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
4 Dia hoy indray Izy
tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry
taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!
5 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho
velona;
6 ary hasiako ozatra
ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako
fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
7 Dia naminany aho
araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo,
ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny
taolana namany avy.
8 Ary hitako fa,
indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola
nisy fofonaina tao aminy.
9 Dia hoy Izy tamiko:
Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny
fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra
efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
10 Dia naminany araka
izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia
nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
11 Dia hoy Izy
tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra;
indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra
izahay.
12 Koa maminania, ka
ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no
hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho
entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely;
13 ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka
mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo.
14 Ary hataoko ao
anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny
taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady
nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
15 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia mangalā tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy
ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalā tapa-kazo anankiray koa, ka asio
soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny
taranak'Isiraely namany rehetra.
17 Ary
ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao
izy.
18 Ary raha
miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao
amin'izany va ianao?
19 dia ataovy
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i
Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary
hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany
izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
20 Ary ny
tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
21 Dia lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely
avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny
manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:
22 ary hataoko
ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely,
ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa
intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
23 Ary tsy
handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany
intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy,
ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
24 Ary Davida
Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka
ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalāko sy hankatō izany.
25 Ary honina
any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa
nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny
mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
26 Ary hanao
fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary
hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy
mandrakizay.
27 Ary ny
tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
28 Ka dia ho
fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny
isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
*
1 [Ny
handresena an'i Goga sy Magoga mbamin'ny firenena maro izay ho entiny hiady
amin'ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry
zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay
mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
3 ka ataovy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga,
mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
4 Ary hitarika
anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny
tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka
izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary
samy mitan-tsabatra;
5 miaraka aminy
ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana*, samy mitondra ampinga lehibe sy
fiarovan-doha avokoa,[Heb. Pota]
6 Gomera koa
mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany
avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7 Miomana, ka
mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao,
ary aoka ianao no ho mpitarika* azy.[Na: mpitandrina]
8 Rehefa afaka
andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any
amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina
avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao
hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry
fahizay izy rehetra.
9 Eny, hiakatra
ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny
rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena
maro izay miaraka aminao.
10 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao
an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
11 ka hanao
hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanāna tsy mimanda; hankamin'izay
mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanāna tsy
misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
12 mba hamabo
sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina
ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin'ny jentilisa
sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.
13 Sheba sy
Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra
dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto
olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy
fananana ary hahazo babo betsaka?
14 Koa
maminania, ry zanak'olona, ka ataovy amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Moa amin'izany andro hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia
tsy ho fantatrao va izany?
15 Ary ho tonga
avy any amin'ny fonenanao avy any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny
firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be
sy miaramila betsaka;
16 ary hiakatra
hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao;
any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba
hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny
ataoko aminao, ry Goga.
17 Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko
hatramin'ny fahiny, dia ny mpaminanin'ny Isiraely, izay naminany ela
tamin'izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
18 Ary
amin'izany andro izany, dia ny andro hihavian'i Goga hamely ny tanin'ny
Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
19 Fa amin'ny
fahasaro-piaroko sy ny afon'ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin'izany andro
izany dia hisy horohoro mafy any amin'ny tanin'ny Isiraely,
20 ka
hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina
sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka
amin'ny tany ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny
tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
21 Dia hiantso
sabatra Aho hamely azy eny amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo:
ary hifamely sabatra amin'ny namany avy izy rehetra.
22 Ary hamaly
azy* amin'ny areti-mandringana sy ny rā sy ny ranon'orana manafotra ary ny
havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny
miaramilany mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.[Heb. hifandahatra
aminy]
23 Ka dia
hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny
firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
1 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy
Meseka ary Tobala.
2 Hitarika sy
hitondra anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho
any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
3 Ary hasiako
ny tsipėkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao
an-kavanana ny zana-tsipėkanao.
4 Any
an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra
mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy
hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
5 Eny an-tsaha
no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
6 Ary haterako
afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho
fantany fa Izaho no Jehovah.
7 Ary ny
anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako
holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no
Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.
8 Indro, tonga izany
ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
9 Ary hivoaka ny
mponina ao amin'ny tanānan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana,
dia ny ampinga lehibe, ny tsipėka sy ny zana-tsipėka, ny langilangy sy ny
lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
10 fa tsy haka kitay
hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka
hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah
Tompo.
11 Ary amin'izany
andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny
lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana* ny mpandalo izany;
ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany
hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]
12 Ary fito
volana mipaka no handevenan'ny taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.
13 Eny, ny
tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro
hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
14 Ary izy
hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety
koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka
fito volana, dia vao hikatsaka izy;
15 ary raha
mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika
eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo
maro ben'i Goga.
16 Ary hisy
tanāna koa hatao hoe Hamona*. Toy izany no hanadiovany ny tany.[Hamona = Olona
maro be]
17 Ary ianao,
ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny
voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa
atỳ; miangōna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay
vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely,
hihinananareo nofo sy hisotroanareo rā.
18 Ny nofon'ny
lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no
hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy,
samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
19 Dia hihinana
matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rā mandra-pahaleonareo avy
amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
20 Ary ho voky
soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra
eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
21 Ary hasehoko any
amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana
hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
22 Ary ho fantatry ny
taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka
hatramin'ny ho avy rehetra.
23 Ary ho fantatry ny
jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika
tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo
an-tānan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24 Araka ny
fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
25 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany
Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro
noho ny amin'ny anarako masina Aho.
26 Dia mba
hahatsiaro* ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko
izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,[Heb.
hitondra]
27 rehefa ampodiko
avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony;
ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
28 dia ho fantany fa
Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny
firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko
any izy na dia iray akory aza.
29 Ary tsy hafeniko
aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko,
hoy Jehovah Tompo.
* *
1 [Ny fahitana naseho
tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby
roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia
tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo
taorian'ny namelezana ny tanāna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tānan'i
Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
2 Fahitana avy amin'Andriamanitra
no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo
an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanāna teo amin'ny ilany
atsimo.
3 Dia nentiny nankao
aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony
teny an-tānany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
4 Dia hoy ralehilahy
tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao,
ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao
izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra
hitanao.
5 Ary, indro, nisy
ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy
nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho
iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny
hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny
volotara koa.
6 Dia tonga teo
amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany
dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny
tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany*.[Na: ary eran'ny
volotara ny sakan'ny tokonana iray koa]
7 Ary ny trano
fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany;
ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo
anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
8 Dia norefesiny koa
ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.
9 Ary norefesiny ny
lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary
ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.
10 Ary ny trano
fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny;
mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny
roa.
11 Ary norefesiny koa
ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo
ambin'ny folo hakiho.
12 Ary nisy nifefy
teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary
ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho
koa ny tamin'ny lafiny iray.
13 Dia norefesiny koa
ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny
iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny
varavarana.
14 Ary ny tongo-bato
dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja
manodidina ny vavahady.
15 Ary hatreo
anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady
anatiny dia dimam-polo hakiho.
16 Ary nisy
varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana,
na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady*; ary toy izany koa amin'ny tohany;
ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato
rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia** avokoa.[*Na: sady manodidina azy ny
vavahady][**palma]
17 Dia nentiny ho any
amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato
teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny
lampivato.
18 Ary ny lampivato
dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady:
lampivato ambany io.
19 Dia norefesiny koa
ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja
anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo
avaratra.
20 An norefesiny koa
ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny
avaratra.
21 Ary ny trano
fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia
nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary
dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
22 Ary ny
varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia* taminy dia nitovy
ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho
fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]
23 Ary nisy
vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny
avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka
hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
24 Dia nentiny
nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny
tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
25 Ary nisy
varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo
varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby
roa-polo hakiho ny sakany.
26 Ary nisy
ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy
sarin'ny hazo rofia* iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny
iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]
27 Ary nisy vavahady
fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo
hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
28 Ary nentiny
niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia
norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
29 ary ny trano
fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany
koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina,
dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
30 Ary nisy tohany
manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
31 Ary ny tohany dia
nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny
tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
32 Dia nentiny
niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka
araka ireo ohatra ireo ihany koa.
33 Ary ny trano
fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany
koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina,
dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
34 Ary nanatrika ny
kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny
tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
35 Ary nentiny ho any
amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany
koa,
36 ary ny trano
fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy
manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny
sakany.
37 Ary nanatrika ny
kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny
tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]
38 Ary nisy efi-trano
misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny
fanatitra dorana.
39 Ary teo amin'ny
lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana
ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40 Ary teo anilany eo
ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy
latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny
vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
41 Nisy latabatra
efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo
amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
42 Ary nisy latabatra
efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy
sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny
hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hafa.
43 Ary nisy
fihantonana roa rantsana*, vodivoam-pelatanana ny halavany**, naorina
manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena
fanatitra.[*Na: nisy filirany][**Na: ny habeny]
44 Ary teo ivelan'ny
vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia
nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray
koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
45 Ary hoy izy
tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay
mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.
46 Ary ny efi-trano
manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny
anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny
taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
47 Dia norefesiny ny
kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro
sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.
48 Ary nentiny ho any
amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny
lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho
koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny
tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
49 Roa-polo hakiho ny
lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary
ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray
tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
1 Ary nentiny ho ao
amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny
sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny
iray; sakan'ny trano-lay izany.
2 Ary ny sakan'ny
varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho
avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo
hakiho.
3 Dia nandroso ho ao
anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana,
ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito
hakiho.
4 Dia norefesiny ny
lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny
ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.
5 Ary samy norefesiny
manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny
paosin-trano dia efatra hakiho.
6 Ary ireo
paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina
tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany,
fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.
7 Ary ny sakan'ireo
efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky
ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny
ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny
ambany.
8 Dia hitako fa nisy
tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia*
eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny
trano manodidina; ary ny fanorenan'ny paosin-trano dia]
9 Ny hatevin'ny
rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa
ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
10 Ary ny teo
anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
11 Ary ny
varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray
manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa
navela dia dimy hakiho manodidina.
12 Ary ny trano izay
teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo
hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny
manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
13 Dia nandrefy ny
trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny
rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14 Ary ny sakan'ny
trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15 Dia norefesiny ny
lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo
an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny
kianja
16 ary ny tokonana sy
ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy
telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary
hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny
varavarankely),
17 ary ny eo
ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany,
mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy
natao tamin'ny ohatra avokoa.
18 Ary nisy sarin'ny
kerobima sy ny hazo rofia* natao, ka ny sarin'ny hazo rofia* dia teo
anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,[palma]
19 ka ny
tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny
tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia* tamin'ny an-kilany iray;
ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.[palma]
20 Hatramin'ny tany
ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo
rofia*, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.[palma]
21 Efa-joro ny
tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy
tarehy tamin'izany koa.
22 Ny alitara dia
hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony
koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra
izay eo anatrehan'i Jehovah.
23 Ary ny ati-trano
lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.
24 Ary ireo
lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny
anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.
25 Ary nisy sarin'ny
kerobima sy ny hazo rofia* natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe
tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana** hazo teo
anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[*palma][**Na: tatao]
26 Ary nisy
varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia* teo an-daniny roa,
dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano
ary teo amin'ny tokonana*.[*palma][**Na: tatao]
1 Dia nentiny nivoaka
nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny
efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny
avaratra,
2 dia ho eo
anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany
dimam-polo hakiho.
3 Tandrifin'ny
roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny
kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo
ambony indrindra.
4 Ary teo anoloan'ny
efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana
iray* hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.[Na: (zato)]
5 Ary nohakelezina ny
efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho
ny ambany sy ny an-tenatenany.
6 Fa nifanongoa telo
ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy
noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
7 Ary nisy ampiantany
teo ivelany, tandrifin'ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo
anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
8 Fa ny lavan'ireo
efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny
teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
9 Ary teo
ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra
amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.
10 Ary nisy efi-trano
koa teo amin'ny sakan'ny ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana,
tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano.
11 Ary nisy lalana
teo anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny efi-trano teo amin'ny avaratra ny
tarehiny, sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny
fivoahana avy ao aminy mbamin'ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
12 ary tahaka ny
varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin'ny
fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan'ny ampiantany mifanolotra
aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
13 Dia hoy izy
tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja
voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i
Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina
indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny
fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
14 Raha miditra ao ny
mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany
izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao
fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao
manatona ny olona.
15 Ary nony vita ny
nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady
izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
16 Norefesiny
tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny
volotara manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.
17 Norefesiny koa ny
lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara
fandrefesana.
18 Norefesiny koa ny
lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara
fandrefesana.
19 Nitodika nankany
amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny
volotara fandrefesana.
20 Norefesiny avokoa
ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny
lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy
masina.
1 [Ny nidiran'ny
voninahitr'i Jehovah ho ao amin'ny tempoly, sy ny teny nampitondrainy tamin'izany]
Ary nentiny ho any amin'ny vava*;) hady aho, dia ilay vavahady manatrika ny
atsinanana.
2 Ary, indro, tamy ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia
tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny
voninahiny.
3 Ary ny tarehin'ny
zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny
tanāna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara
ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4 Ary ny voninahitr'i
Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5 Dia nisy fanahy*
nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro,
feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.[Na: rivotra]
6 Dia reko fa nisy
niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
7 Dia hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako,
izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny
taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny
sampin*'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb.
fatin']
8 tamin'ny
nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny
tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny,
dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia
nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.
9 Fa amin'izao kosa
dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin*' ny mpanjakany, ka
dia honina ao aminy mandrakizay Aho.[Heb. fatin']
10 Hianao, ry
zanak'olona, asehoy amin'ny taranak'Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny
amin'ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
11 Ary raha menatra
ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano
mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy
ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny
lalāna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny
rehetra ary ny lalāny rehetra ka hanatanterahany izany.
12 Izao no lalāna
amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo
an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.
13 [Ny amin'ny
alitaran'ny fanatitra odorana sy ny fanokanana azy] Ary izao no mariky ny
alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra
vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray
hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no
fiorenan'ny alitara.
14 Ary hatramin'ny
fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary
ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny
avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
15 Ary ny
fanambonin'ny alitara* dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana** dia
hisy tandroka efatra.[*Heb. Harela = tendrombohitr'Andriamanitra][**Heb. Ariela
= fatan'Andriamanitra, na lion'Andriamanitra, ka tokony ho anaran'ny momba ny
fanambonin'ny alitara ireo]
16 Roa ambin'ny folo
hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary
efa-joro sokera izy,
17 Ary ny rindriny
dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa
ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny
hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia
manatrika ny atsinanana.
18 Ary hoy izy
tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny
alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy
hanopazana rā aminy:
19 Ny Levita
mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho
Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah
Tompo.
20 Dia hangalanao ny
rāny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny
rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao* azy sy
hanaovanao fanavotana ho azy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka
ota azy; Lev. viii. 15]
21 Halainao koa ny
vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana
voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.
22 Ary amin'ny andro
faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary
hodioviny* ny alitara tahaka ny nanadiovany* azy tamin'ny vantotr'ombilahy.[Ny
dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
23 Ary rehefa vita ny
anadiovanao* azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy
tsy misy kilema ianao.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy;
Lev. viii. 15]
24 Ary haterinao eo
anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia
hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
25 Hafitoana no
hanateranao osilahy isan'andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy
sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
26 Hafitoana no
hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany* azy.[Heb.
hamenoana ny tānany]
27 Ary rehefa tapitra
izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny
mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo;
ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
1 [Lalāna ny amin'ny
mpanjaka sy ny mpisorona] Dia nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny
vavahady ivelany amin'ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana;
ka, indro, nirindrina io.
2 Dia hoy Jehovah
tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona;
fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no
hirindrinany.
3 Kanefa kosa ny
mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria
mpanjaka izy; amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany,
ary amin'ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
4 Dia nentiny
nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa,
indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka
nihohoka aho.
5 Ary hoy Jehovah
tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka
hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalāna
rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy
ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.
6 Ary lazao amin'ireo
maditra, dia ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay
ny fahavetavetanareo, ry taranak'Isiraely!
7 dia ny
nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina
mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny
rā, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
8 ary tsy nitandrina
ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho
mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
9 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny
zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.
10 Ary na dia ny
Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily
niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11 Ary ho mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny
amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly* sy ho mpanao fanompoam-pivavahana
ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho
azy.[Heb. trano]
12 Satria nanao
fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga
fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako
tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13 ary tsy hanatona
Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia
izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny
fahavetavetana nataony izy.
14 Ary hotendreko ho
mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra
sy ny zavatra rehetra atao ao.
15 Fa ny Levita
mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny
fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no
hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako
hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rā, hoy Jehovah Tompo.
16 Eny, izy no
hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao
fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17 Ary raha miditra
any amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy
hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny
kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18 Satroka rongony no
ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy
hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19 Ary raha mivoaka
ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay
fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano
masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny
fitafiany ireny.
20 Tsy hanaratra ny
lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
21 Ny divay dia tsy
hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.
22 Ary tsy hanambady
vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny
taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny mpisorona efa maty no hovadiny.
23 Ary hampianatra ny
oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny
tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio.
24 Ary raha misy
mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany
azy; ary ny lalāko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana
rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
25 Ary tsy hiditra
am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na
zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia
mahazo miditra am-paty ihany izy.
26 Ary rehefa voadio
aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27 Ary amin'ny andro
hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny
noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
28 Ary hisy lova ho
azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy,
fa Izaho no anjarany.
29 Ny fanatitra
hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary
ny zavatra rehetra izay voatokana* eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.[Heb.
herema]
30 Ary ny santatry ny
voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra
izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny
santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba
hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
31 Ny zavatra maty ho
azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny
mpisorona.
1 [Ny amin'ny tany
homena ho an'ny tempoly sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanjaka, ary ny
amin'ny zavatra haloa ho an'ny mpanjaka hanaovany fanatitra] Ary rehefa
zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho
fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy
arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny
fari-taniny rehetra manodidina izany.
2 Ary io dia hanalana
efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny
sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
3 Eny, araka izany
fandrefesana izany no handrefesanao* dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary
iray alina ny sakany; ary ho ao amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina
indrindra.[Na: Ary amin'izany voarefy izany dia mbola hisy horefesinao koa,
dia]
4 Ho anjara masina
amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao
amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i
Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana
masina.
5 Ary tany dimy arivo
amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano
roa-polo.
6 Ary homenareo koa
ny zara-tany ho an'ny tanāna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa
alina ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny
taranak'Isiraely rehetra izany.
7 Ary ny mpanjaka dia
homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany
ho an'ny tanāna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny
mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanāna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka
miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny
sakany*, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na
amin'ny atsinanana.[Heb. lavany]
8 Ho taniny izany,
dia anjara ho azy ao amin'ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro* dia tsy
hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an'ny taranak'Isiraely
isam-pireneny.[Heb. mpanjakako]
9 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny
fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo
ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
10 Mizana marina sy
efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11 Hitovy fatra ny
efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha
koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
12 Ny sekely dia
roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no
ho manenareo.
13 Izao no zavatra
haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary tritika; ary
haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary hordea;
14 ary ny didy ny amin'ny
diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora; fa ny
homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
15 Ary ondry iray
isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao
fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana
fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
16 Ny vahoaka rehetra
no handoa izany ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely.
17 Fa ny mpanjaka
kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra
aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia
amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no
hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra
dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny
taranak'Isiraeb.
18 [Ny amin'ny andro
firavoravoana sy ny fanatitra isan'andro] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha
mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy
tsy misy kilema ianao ka hanadio* ny fitoerana masina.[Heb. hanafaka ota]
19 Ary hangalan'ny
mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano
sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny
vavahadin'ny kianja anatiny.
20 Ary toy izany koa
no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy
nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.
21 Amin'ny andro
fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska;
andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22 Ary amin'izany
andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra
noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
23 Ary amin'ny andro
firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny
hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy
misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
24 Ary hanatitra ny
fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha
isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha.
25 Amin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana,
dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na
ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
1 [Ny amin'ny
mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny
ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra
naterin'ny vahoaka] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja
anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana
fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no
hivoha izy.
2 Dia hiditra avy any
ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka
hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny
fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo
amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha
tsy efa hariva ny andro.
3 Ary ny vahoaka koa
hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny
andro voaloham-bolana.
4 Ary ny fanatitra
dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia
zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
5 Ary ny fanatitra
hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina
fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo iray hina
isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
6 ary amin'ny andro
voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina
ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
7 Ary hanatitra
fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha
isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny
diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
8 Ary raha miditra ny
mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary
amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
9 Fa raha ny vahoaka
kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay
miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady
atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny
vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa
amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
10 Ary ny mpanjaka
dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
11 Ary amin'ny andro
firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina
isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny
zanak'ondry, dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia eran'ny hina
isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]
12 Ary raha ny
mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra
sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny
atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka
izay ātaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny
vavahady.
13 Ary zanak'ondry
anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra
dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
14 Ary hanatitra
fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy
diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho
an'i Jehovah izany: lalāna tsy miova mandrakizay izany.
15 Ary toy izany no
anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho
fanatitra mandrakariva.
16 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny
mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
17 Fa raha manome
zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia
ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho
amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.
18 Ary tsy haka
amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova
avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny
zara-taniny.
19 Dia nentiny
niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano
masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo
amin'ny faran'ny andrefana.
20 Dia hoy izy
tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny
fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany
azy mivoaka lō any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
21 Dia nentiny
nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra
amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja
hafa koa.
22 Teny amin'ny
zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny
lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
23 Ary nisy rafitra
teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy
fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.
24 Dia hoy izy
tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao
fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drā aterin'ny olona.
1 [Ny amin'ny onin'ny
ranon'aina] Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary,
indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa
manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny
ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
2 Dia nentiny nivoaka
tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina
tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny
lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny
ilany ankavanana.
3 Ary nony nandeha
niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tānany, ka nandrefy arivo
hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
4 Ary nandrefy arivo
hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary
nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5 Ary nandrefy arivo
hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano,
dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
6 Dia hoy izy tamiko:
Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny
amoron'ny ony izy.
7 Ary nony
niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny
roa.
8 Dia hoy izy
tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina
any amin'ny tani-hay* ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo
an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.[Heb. Arabā]
9 Ary ny
zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka* dia ho
velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho
sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa]
10 Ary hisy
mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho
famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny
hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
11 Fa ny honahona sy
ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
12 Ary eny amoron'ny
ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny
raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria
mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany,
ary ho fanafody ny raviny.
*
13 [Ny ho faritry ny
Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary ny ho toetry ny Tanānan'Andriamanitra]
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova
araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14 Ary samy handova
avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny
razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15 Ary izao no
faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny
lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
16 dia Hamata,
Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny
fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
17 Ary ny fari-taniny
dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny
avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18 Ary ny lafiny
atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny
Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina
atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
19 Ary ny lafiny
atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny
lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
20 Ny lafiny
andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany
akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
21 Hozarainareo ho
anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely.
22 Ary amin'ny
filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay
miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely;
hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.
23 Ary amin'izay
firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah
Tompo.
1 Ary izao no
anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny
lalana mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i
Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy
andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
2 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa
ho an'i Asera.
3 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray
koa ho an'i Naftaly.
4 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Manase,
5 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Efraima.
6 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an? i Robena.
7 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Joda.
8 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no
hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany,
ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany
andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
9 Ny tany izay
hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray
alina ny sakany.
10 Ary ho an'ny
mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny
lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany
atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana
masin'i Jehovah no ho eo afovoany.
11 Ho an'ny mpisorona
izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny
nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka
ny nivilian'ny Levita,
12 eny, ho azy izany
ho tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra,
mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita.
13 Ary ny Levita koa
dia hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby
roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa
alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
14 Ary tsy ho azony
hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany;
fa masina ho an'i Jehovah izany.
15 Ary ny dimy arivo,
ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia
tsy masina, fa ho an'ny tanāna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny
tanāna no ho ao afovoany.
16 Ary izao no ohany:
Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby
efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny
andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
17 Ary ny amin'ny
tany fiandrasana momba ny tanāna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby
roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary
ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
18 Ary ny lavany sisa
mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray
alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny
vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanāna.
19 Ary izay mpiasa ao
an-tanāna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.
20 Ny tany voatokana
rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina
voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanāna.
21 Ary ho an'ny
mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany
momba ny tanāna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara
voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo
amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo
anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy
ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany.
22 Ary hatramin'ny
zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanāna, sy ao ampovoan'ny an'ny
mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka
izany.
23 Ary ny amin'ny
firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia
hisy anjara iray ho an'i Benjamina.
24 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia
iray koa ho an'i Simeona.
25 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'Isakara.
26 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Zebolona.
27 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Gada.
28 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny
ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina
Lehibe.
29 Izany no tany
hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no
ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
*
30 Ary izao no ohatry
ny tanāna amin'ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
31 Ary ny anaran'ny
vavahady dia ho toy ny anaran'ny firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra,
dia vavahadin'i Robena ny iray vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny
iray.
32 Ary amin'ny
atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i
Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny iray, ary vavahadin'i Dana ny iray.
33 Ary amin'ny atsimo
diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i
Simeona ny iray, vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray.
34 Ary amin'ny
andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny
iray, vavahadin'i Asera ny iray, vavahadin'i Naftaly ny iray.
35 Valo arivo amby
iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanāna hatramin'izay andro izay dia
Jehovah no ao.