[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Fitomaniana
Accès direct aux
chapitres des Lamentations de Jérémie : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Alahelo noho ny nanjo ny
:Joda sy Jerosalema] Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona!
Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy
tamin'ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
2 Mitomany dia mitomany izy
nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy
misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga
fahavalony.
3 Lasan-ko babo* ny Joda noho
ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy,
nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo
an-ketena.[Na: Lasa nivahiny]
4 Ireo lalana mankany Ziona
dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao* ny
vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa
azon'ny fahoriana mangidy.[Na: Rava]
5 Ny rafiny no mpanapaka*, ny
fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny
fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,[Heb.
loha]
6 Ary ny voninahitr'i Ziona
zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny
diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
7 Tsaroan'i Jerosalema
amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany
hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy,
dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany*.[Heb. fitsaharany]
8 Efa nanota dia nanota
Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja
azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny
tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
9 Ny lotony dia teo amin'ny
moron-tongotr'akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy
misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
10 Ny fahavalo naninjitra ny
tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra
amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
11 Misento ny olony rehetra,
mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy;
Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
*
12 Moa tsy
mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy
fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah
ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13 Avy tany amin'ny
avo no nandatsahany afo ho amin'ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika
harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy
nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
14 Ny ziogan'ny
fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny
ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
15 Nataon'ny Tompo
tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy,
handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina
toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka.
16 Izany zavatra
izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra
ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa
mahery ny fahavalo.
17 Ziona mananty
tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin'i Jakoba mba ho
tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo
afovoan'ireo.
*
18 Marina Jehovah, fa
efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny
fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko.
19 Nantsoiko ireo tia
ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana,
Tamin'ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy.
20 Izahao, Jehovah ô,
fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa
naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao
an-trano dia toa misy fahafatesana kosa.
21 Reny fa misento
aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka
faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao,
ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.
22 Aoka ho tonga eo
anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay
nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka
ny foko.
1 [Fitomaniana noho
ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda] Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo
rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny
reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro
fahatezerany!
2 Nolevonin*'ny Tompo
ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny
fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny
fanjakana sy ny mpanapaka,[Heb. Natelin']
3 Nokapainy tamin'ny
fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny
fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo
miredareda izay nandevona manodidina.
4 Nanenjana ny
tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny
rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany
dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.
5 Ny Tompo dia tonga
toy ny fahavalo ka nandevona* ny Isiraely. Eny, nolevoniny** ny lapany rehetra,
sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i
Joda zanakavavy.[*Heb. nitelina][**Heb. nateliny]
6 Ary noravany
an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano
fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata,
ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
7 Ny alitarany
narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny
fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i
Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.
8 Jehovah ninia
handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy
namonkina ny tanany tsy handrava*; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny
manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb. hitelina]
9 Ny vavahadiny dia
tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny
mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny
mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.
10 Mipetraka amin'ny
tany ny loholon'i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany,
misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny
lohany ho amin'ny tany.
*
11 Pahina ny masoko
azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny
fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono
izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
12 Raha ana toy ny
voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo
am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
13 Inona no hataoko
vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy?
Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy
virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
14 Ny mpaminaninao
nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro
anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana* ho anao
izy.[Na: fandroahana]
15 Miteha-tanana anao
izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i
Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena
fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?
16 Misanasana vava
aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe:
Efa nolevoninay*! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady
hitanay.[Heb. natelinay]
17 Jehovah efa nanao
izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro
fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy
sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
*
18 Ny fonao*
mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso
andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny
anakandriamasonao.[Heb. fony]
19 Mitsangàna,
miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka
ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho
an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe
rehetra eny.
20 Jehovah ô, jereo
ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny
ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny
fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?
21 Miampatrampatra
eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia
lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao,
fa tsy niantranao.
22 Nantsoinao ny
fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy
nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko
sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
*
1 [Ny amin'ny
fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay
lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.
2 Izaho no notarihiny
sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
3 Izaho ihany no
asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
4 [BETA] Nataony
antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5 Manorina izay
hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6 Ampitoeriny ao
amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
7 [GIMELA] Nofefeny
manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
8 Ary na dia
mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
9 Vato voapaika no
narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
10 [DALETA] Tonga bera
manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;
11 Namily ny
alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12 Nanenjana ny
tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13 [HE]
Nampitsatoka ny zana-tsipìkany* tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny
tranon-jana-tsipìka]
14 Tonga
fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Novokisany
zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16 [VAO] Ary
notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny
lavenona aho.
17 Ary
noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18 Dia hoy
izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
19 [ZAINA]
Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano
mangidy.
20 Tsaroan'ny
fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21 Izany no ho
eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22 [HETA] Ny
famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny
fiantrany.
23 Vaovao isa-maraina
izany; lehibe ny fahamarinanao.
24 Jehovah no
anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25 [TETA] Tsara
Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
26 Tsara ny miandry
ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.
27 Tsara amin'ny
olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
28 [JODA] Aoka
hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29 Aoka hanohoka ny
vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30 Aoka hanolotra ny
takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31 [KAFA] Fa
tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32 Eny fa na
dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny
famindram-pony.
33 Fa tsy
sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.
34 [LAMEDA] Ny
fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny
tongotra,
35 Ny familiana
ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
36 Ny
famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky* ny Tompo.[Heb. jeren']
37 [MEMA] Iza
moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
38 Tsy avy
amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39 Koa ahoana no
imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny
fahotany avy*? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny
fahotany?]
40 [NONA] Aoka isika
handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
41 Aoka hasandratsika
amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42 Izahay efa nanota
sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
43 [SAMEKA] Nisarona
fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy
niantranao.
44 Nisarona rahona
Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45 Nataonao tahaka ny
fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.
46 [PE] Ny
fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47 Mahavoa anay ny
tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48 Rano mandriaka no
mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.
49 [AINA] Ny masoko
mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
50
Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
51 Ny masoko
mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako
rehetra.
52 [TSADE] Izay
fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika
voron-kely.
53 Nanjera ahy
tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54 Mandifotra
ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty* aho ity![Heb. Voajinja]
55 [KOFA]
Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
56 Ny feoko dia
efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana
kely aho.
57 Nanakaiky
Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
58 [RESY] Tompo
ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko
Hianao.
59 Jehovah ô,
hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60 Hitanao ny
famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
61 [SINA]
Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62 Dia ny
molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro
hamelezana ahy.
63 Jereo ny
fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
64 [TAO]
Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.
65 Eny,
hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
66 Henjehinao
amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i
Jehovah.
*
1 [Fietren-tena
noho ny fitsarana ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa
matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato
nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
2 Indrisy! ny
zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa
atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!
3 Na dia ny
amboadia* aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy
kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]
4 Ny lelan'ny
zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika
mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
5 Izay nihinana
zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka
eny amin'ny zezika*.[Heb. Naziritany]
6 Fa ny heloky
ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray
mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
*
7 Ny lehibeny*
dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny
voahangy** ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.[*Heb. Naziritany][**Na:
perila]
8 Fa izao kosa
dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny
hodiny miraikitra amin'ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
9 Tsara ny
matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka
noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny saha.
10 Ny tanan'ny
vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny
tamin'ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
*
11 Tanterahin'i
Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy
nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
12 Ny
mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo
fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin'ny vavahadin'i
Jerosalema.
13 Noho ny
fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny
marina tao aminy, no nahatongavan'izao.
14 Niraparapa
toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy
nikasika ny akanjony.
15 Ny olona
niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika
anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny
jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
16 Ny
fahatezeran*'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy;
Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]
17 Mbola pahina
ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay
nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
18 Mitsongo-dia
anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny
fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
19 Ny
mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka
miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra
izy.
20 Ny
fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay
nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no hahavelona anay any amin'ny firenena.
*
21 Mifalia sy
miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza,
ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
22 Tsy misy
intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao;
Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny
fahotanao.
1 [Fitarainana
amin'Andriamanitra sy fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô,
tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2 Ny lovanay
dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.
3 Efa kamboty
izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
4 Na dia ny
loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay
dia vidinay vao azo.
5
Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy
manam-pitsaharana.
6 Nanolo-tanana
tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7 Nanota ny
razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
8 Andevo no
manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.
9 Noho ny
sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo
hanina.
10 Mahamay toy
ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.
11 Nosavihina
ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
12 Nahantona
tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
13 Ny zatovo
nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
14 Ny loholona
tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
15 Ny
hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
16 Efa afaka ny
satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
17 Ary noho
izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
18 Noho ny
amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.
*
19 Jehovah ô,
ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra
hatramin'ny taranaka fara mandimby.
20 Ahoana no dia
anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?
21 Jehovah ô,
ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny
andronay.
22 Moa dia nandà anay
tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?