[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Mpanjaka
Accès direct aux
chapitres de 2 Rois : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25
1 [Ny nahararian'i Ahazia, sy
ny nilazan'i Elia fa ho faty izy] Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa
maty Ahaba.
2 Ary Ahazia nianjera avy teo
amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia
naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i
Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko
ity, na tsia.
3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah
niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny
mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa
ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha
hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?
4 Koa noho
izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty
tokoa. Ary dia lasa Elia.
5 Dia niverina
tany amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina
ianareo?
6 Ary hoy ireo
taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana
miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely
va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?
Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa
ho faty tokoa.
7 Ary hoy izy
taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany
teny izany taminareo?
8 Ary ireo
namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra
tamin'ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
9 Ary ny
mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny
hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo
an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry
lehilahin'Andriamanitra ô, mid́na ianao, antsoin'ny mpanjaka.
10 Fa Elia
namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra
tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny
dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona
azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
11 Dia naniraka
mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny
mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô,
mid́na faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.
12 Fa namaly
Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy
afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo
fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka
nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
13 Ary dia
naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny
izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i
Elia ka nifona taminy nanao hoe: Maśna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô,
aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo
ireto.
14 Indro, efa
nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy
dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo
imasonao ny aiko ankehitriny.
15 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza
matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny
mpanjaka.
16 Ary hoy izy
tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany
amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy
Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay
niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
17 Ka dia maty
izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka
izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i
Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.
18 Ary ny
asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
*
1 [Ny
nampakarana an'i Elia ho any an-danitra, sy ny fahagagana voalohany nataon'i
Elisa] Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny
tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
2 Ary hoy Elia
tamin'i Elisa: Maśna ianao, mijaṇna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany
Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao,
tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
3 Ary nivoaka
nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy
hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any
ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina
ianareo.
4 Ary hoy Elia
taminy: Maśna ianao, ry Elisa, mijaṇna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho
any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny
ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
5 Ary ireo
zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe:
Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny
lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
6 Ary hoy Elia
taminy: Maśna ianao, mijaṇna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana.
Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao
anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
7 Ary nisy
dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny
lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.
8 Ary Elia
nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny
rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy.
9 Ary nony efa
tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao,
dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Maśna ianao, aoka ny
anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy.
10 Fa hoy izy:
Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho
anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11 Ary raha
mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly
afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any
an-danitra.
12 Ary raha
nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny
Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary
noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
13 Ary nalainy
ny kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana
teo amoron'i Jordana.
14 Dia
noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny
rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka
ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
15 [Ny
niverenan'i Elisa nankany Jeriko sy Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha
nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia
nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena
azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
16 Dia hoy ireo
taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; maśna
ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i
Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha
anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
17 Ary raha
nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka
dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
18 Ary tonga
tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy:
Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
19 Ary hoy ny
mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Maśna ianao, indro, tsara
toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano,
ary ny tany tsy mampahavanon'anaka*.[Na: tsy mahavanom-boly]
20 Dia hoy izy:
Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy
izany.
21 Ary nivoaka
nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara* ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na
tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]
22 Ka dia
tsara* ny rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.[Heb. sitrana]
23 Ary dia
niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy,
dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy
hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
24 Ary nitodika
izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy
beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy
madinika ireo.
25 Dia niala
teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any
Samaria.
1 [Ny
nikambanan'i Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Josafata, mpanjakan'ny Joda,
hiady tamin'ny Moabita] Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny
Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata,
mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.
2 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na
tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy
izy;
3 nefa izy
nikikitra tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny
Isiraely, fa tsy niala tamin'izany.
4 Ary Mesa,
mpanjakan'i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an'ny mpanjakan'ny
Isiraely izy, dia zanak'ondry iray hetsy sy ny volon'ondrilahy iray hetsy*.[Na:
ny volon-janak'ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy]
5 Fa rehefa
maty Ahaba, dia niodina tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny mpanjakan'i Moaba.
6 Ary Jorama
mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin'izany andro izany ka nandamina ny
Isiraely rehetra.
7 Ary nandeha
izy, dia naniraka tany amin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny
mpanjakan'i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady
aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny
oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
8 Ary hoy izy:
Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr'i
Edoma.
9 Dia nandeha
ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda ary ny mpanjakan'i Edoma; ary
nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an'ny miaramila sy
ny biby fiompy izay nentiny.
10 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto
mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
11 Ary hoy
Josafata: Tsy misy mpaminanin'i Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah?
Ary nisy anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao
hoe: Ato ihany Elisa, zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia.
12 Ary hoy
Josafata: Ao amin'izy io tokoa ny tenin'i Jehovah. Dia nidina nankany amin'i
Elisa ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
13 Ary hoy
Elisa tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao?
Mandehana any amin'ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa
hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto
mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
14 Dia hoy
Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany,
raha tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika
anao na hijery anao akory aho.
15 Nefa
itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia
nanindry an'i Elisa ny tànan'i Jehovah.
16 Ary hoy
Elisa: Izao no lazain'i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
17 Fa hoy
Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io
lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby
fiompinareo.
18 Ary ho
zavatra kely ihany eo imason'i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo
an-tananareo koa Izy.
19 Ary handrava
ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo
tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa
rehetra ho fanimbana azy.
20 Ary nony
maraina, tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy
rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21 Ary rehefa
ren'ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia
nivory izy hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana* no ho miakatra, ka dia
niandry teo amin'ny sisin-taniny.[Heb. nahasikina]
22 Ary nony
nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra
tamin'ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23 Dia hoy izy:
Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra;
koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!
24 Kanjo nony
efa tonga teo an-tobin'ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny
Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany
amin'ny tanin'ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
25 Dia nandrava
ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy,
ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra
mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia
io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
26 Ary rehefa
hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy
nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa
tsy afaka izy.
27 Ary nalainy
ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra
dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia
niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.
1 [Ny
nampitomboan'i Elisa ny diloilon'ilay vehivavy maty vady] Ary nisy vehivavy
anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny
vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny
mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2 Dia hoy Elisa
taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao
an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao
an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
3 Ary hoy izy:
Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy
zavatra, nefa aza atao vitsy.
4 Ary rehefa
tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao,
ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5 Dia niala teo
aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy
mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6 Ary nony feno
ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy
kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7 Dia avy
ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy:
Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa
dia hivelomanao sy ny zanakao.
8 [Ny amin'ilay
vehivavy Sonemita sy ny zanany] Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany
Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary
isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9 Ary hoy
ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady
lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10 Maśna
ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika
fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto
amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11 Ary tamin'ny
indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony
ary nandry tao.
12 Ary hoy izy
tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy,
dia nitsangana teo anatrehany izy.
13 Ary hoy
Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay
tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao?
Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia
namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
14 Ary hoy
Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa
tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15 Ary hoy
Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo
am-baravarana.
16 Dia hoy izy:
Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy
ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza
mandainga amin'ny ankizivavinao.
17 Koa nefa
nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy
tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.
18 Ary nony efa
lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray
andro,
19 Ary hoy izy
tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo
anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20 Dia
notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy
mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
21 Ary
ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay
lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22 Ary niantso
ny vadiny izy ka nanao hoe: Maśna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty
amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny
lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23 Fa hoy ny
lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na
Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
24 Ary
ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony:
Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao
azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
25 Dia lasa
ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra
Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia
hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
26 maśna
ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao:
Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny:
Tsara ihany.
27 Ary rehefa
tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia
nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny
lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary
Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
28 Dia hoy
ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza
mamitaka ahy?
29 Ary hoy izy
tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha
mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza
mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
30 Ary hoy ny
renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia
tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka
nanaraka azy.
31 Ary Gehazy
nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy
feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe:
Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
32 Ary rehefa
tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo
am-pandriany.
33 Ary niditra
izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i
Jehovah.
34 Ary niakatra
izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny
vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia
nafana ny tenan'ny zazalahy.
35 Dia
niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina
impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
36 Ary Elisa
niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary
rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37 Dia niditra
ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia
nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38 [Ny
nanatsaran'i Elisa ilay hanina saiky nahafaty, sy ny nampitomboany ny mofo
roa-polo hahavoky ny olona zato lahy] Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary
nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo
anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany
lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
39 Ary ny
anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo
maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga
izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy
nisy nahafantatra.
40 Ka dia
noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina
hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty* ao am-bilany. Ary tsy azony
nohanina.[Heb. fahafatesana]
41 Fa hoy
Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary
amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao
am-bilany.
42 Ary nisy
lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho
an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary
maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43 Fa hoy kosa
ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy
indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah:
Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
44 Dia narosony
teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny
tenin'i Jehovah.
1 [Ny
nanasitranana an'i Namàna, sy ny nampijaliana an'i Gehazy noho ny ratsy
nataony] Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona
lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i
Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2 Ary ny
Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy
tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.
3 Ary hoy io
tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny
tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.
4 Ary niditra
Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy
izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
5 Dia hoy ny
mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy
volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
6 Ary izy
nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha
tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha
an'i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany
izy.
7 Ary nony efa
novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy
ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no
anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa
maśna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
8 Ary rehefa
ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny
mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe:
Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho
fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.
9 Ary dia nandeha
Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny
tranon'i Elisa.
10 Ary Elisa
naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia
hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
11 Fa tezitra
Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko
mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady
hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.
12 Tsy tsara
noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy
mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa
an-katezerana.
13 Dia nanatona
ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no
nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka
va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
14 Dia nidina
izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra:
ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
15 Ary niverina
nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy,
dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa
tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany
koa maśna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.
16 Fa hoy izy:
Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy
aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
17 Ary hoy
Namana: Maśna ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho
mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra
hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.
18 Nefa ny
amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao:
raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny
tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho,
Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.
19 Ary hoy izy
taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa
lavidavitra*.[Heb. kiba iray anaram-pandrefesana tokony ho maily iray]
20 Fa hoy
Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela
fotsiny ity Namàna Syriana* ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra
nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka
handray zavatra aminy.[Heb. Aramiana]
21 Ka dia lasa
Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka
azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara
ihany va?
22 Ary hoy izy:
Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy
zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any
amin'ny tany havoan'i Efraima; koa maśna ianao, omeo talenta volafotsy sy
fitafiana indroa miova izy.
23 Ary hoy
Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta
volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka
nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
24 Fa nony
tonga tao amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany
tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
25 Fa Gehazy
kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy
taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny
mpanomponao.
26 Fa hoy kosa
Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala
tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na
fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy,
na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
27 Koa ny
habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala
teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
1 [Ny
nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo
zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay
itoeranay eto aminao.
2 Maśna ianao,
aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho
anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
3 Fa hoy ny
anankiray: Maśna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao.
Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
4 Ka dia
niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5 Fa nony
nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia
nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]
6 Ary hoy ny
lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay
nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay
lela-famaky.
7 Ary hoy izy:
Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
8 [Ny nataon'i
Elisa hamonjena ny Isiraely tamin'izy niadian'ny Syriana] Ary ny mpanjakan'i
Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no
hitobiako.
9 Ary ilay
lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao
hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.
10 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny
lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy
indray mandeha, na indroa aza.
11 Dia sosotra
indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny
mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika
momba ny mpanjakan'ny Isiraely?
12 Ary hoy ny
mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao
amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny
lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.
13 Ary hoy ny
mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary
nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
14 Ary dia
nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo
ary nanodidina ny tanàna.
15 Ary rehefa
nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia,
indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay
zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
16 Ary hoy
Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
17 Ary Elisa
nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany.
Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro,
ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
18 Dia nidina
nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona
aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena
ireo araka ny tenin'i Elisa.
19 Ary hoy
Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy
ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia
nentiny nankany Samaria ireo.
20 Ary rehefa
tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny
mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy;
ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
21 Ary nony
nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô,
hasiako va izy? Hasiako va izy?
22 Fa izy
namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy
ny tsiṕkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary
handehanany any amin'ny tompony.
23 Dia nanao
fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia
nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany
amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.
24 [Ny nataon'i
Elisa tamin'ny nisian'ny mosary mafy tany Samaria] Ary rehefa afaka izany,
Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka
nanao fahirano an'i Samaria.
25 Dia nisy
mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo
mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny
taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
26 Ary raha
nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy
vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
27 Ary hoy ny
mpanjaka: Raha tsy vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny
famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka?
28 Ary hoy koa
ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity
vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa
hohanintsika rahampitso.
29 Ka dia
nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy:
Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
30 Ary nony
nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary
nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba
fisaonana* no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]
31 Dia hoy izy:
Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy
hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.
32 Fa Elisa
nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka
naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny
iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky
ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia
arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va
ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?
33 Ary raha
mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe:
Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i
Jehovah?
1 Fa hoy kosa
Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah:
Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny
famarana*, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana
ao am-bavahadin'i Samaria.[Heb. sea]
2 Fa namaly ny
lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka
tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra
aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny
masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
3 Ary nisy boka
efa-dahy teo anoloan'ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika
foana eto mandra-pahafatintsika?
4 Raha hoy
isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao
isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika
hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho
velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
5 Dia niainga
izy rehefa takariva hankany amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny
an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
6 Fa Jehovah
efa nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny
soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa
ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny
Egyptiana hiady amintsika.
7 Dia niainga
izy ka riatra nandositra tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny
tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra
hamonjy ny ainy izy.
8 Ary rehefa
tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay
anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary
fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao
amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
9 Dia
nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro
filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto
mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao
an-tranon'ny mpanjaka.
10 Dia avy izy
ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany
an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory
aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
11 Ary niantso
ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny
mpanjaka.
12 Ary ny
mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka
hambarako aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa
mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka
nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary
dia hidirantsika ny tanàna.
13 Ary ny
mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy
amin'izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay
mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany
ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
14 Dia nalainy
ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny
Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
15 Dia nandeha
nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno
fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny
fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.
16 Dia nivoaka
ny olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny
famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny
famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
17 Ary ilay
mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny
hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka
izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany
aminy ny mpanjaka.
18 Koa dia
tanteraka ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe:
Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho
vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny
vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana;
19 ka izany
mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na
dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra
izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba
hihinananao.
20 Ary dia toy
izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
1 [Ny amin'ny
nahazoan'ilay vehivavy Sonemita ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny
tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka
mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao
hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka
haharitra fito taona amin'ny tany.
2 Dia niainga
ravehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy
sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.
3 Ary nony
afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy;
ary lasa nitaraina tamin'ny mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.
4 Ary ny
mpanjaka niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra, hoe: Maśna
ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon'i Elisa.
5 Ary raha
mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy
dia, indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny
mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko
ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.
6 Ary nony
nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka
ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny
vokatry ny taniny rehetra hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka
ankehitriny.
7 [Ny nilazan'i
Elisa tamin'i Hazaela ny handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary
Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary
nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.
8 Dia hoy ny
mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana,
mitsenà ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy
ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
9 Dia lasa
Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any
Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo
anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka
ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao
aretiko izao?
10 Ary hoy
Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao.
Kanefa* Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao;
fa)]
11 Ary
nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny
lehilahin'Andriamanitra.
12 Ary hoy
Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria
fantatro izay ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy
hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika
hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
13 Fa hoy
Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany
zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa,
indro, ianao ho mpanjakan'i Syria.
14 Dia niala
tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana
no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona
tokoa ianao.
15 Ary nony
ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary
nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka
nandimby azy.
*
16 [Ny
nanjakan'i Jehorama sy Ahazia tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy
nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i
Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata
tany Joda.
17 Roa amby
telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany
Jerosalema.
18 Ary nandeha
tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i
Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah izy.
19 Nefa Jehovah
tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay
nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an*'ny taranany.[Na: izy sy]
20 Tamin'ny
androny no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
21 ka dia
nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary
nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny
kalesy; ary ny olona nandositra nody*.[Heb. ho any an-dainy]
22 Ary Edoma
mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina
tamin'izany andro izany.
23 Ary ny
tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?
24 Ary Jehorama
lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-tanànan'i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
25 Ary tamin'ny
taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely,
no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,
26 Roa amby
roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny
Isiraely.
27 Ary nandeha
tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.
28 Ary niaraka
tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria,
tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
29 Dia niverina
Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny
nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i
Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i
Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
1 [Ny
nanosorana an'i Jeho ho mpanjaka, sy ny namonoan'i Jeho an'i Jorama sy Ahazia
ary Jezebela] Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny
mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara
feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
2 ary rehefa
mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary mid́ra, ka
manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
3 ary raiso ny
tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny
varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
4 Ary nandeha
ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany*, nankany Ramota-gileada.[Na: ilay
zatovo mpaminany]
5 Ary nony mby
tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry
komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto
moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
6 Ary
nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo;
ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa
nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
7 Ary hamely ny
tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny
mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
8 Eny, ho
fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra
amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
9 Ary ny
taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy
tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
10 Ary Jezebela
hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia
namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
11 Ary Jeho
nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha
tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy
taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
12 Fa hoy ireo:
Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy
tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely
Aho.
13 Dia samy nandray
faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny
ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
14 Ary Jeho,
zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny
Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela,
mpanjakan'i Syria, azy;
15 Nefa Jorama
mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny
nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria),
ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto
an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
16 Dia niakatra
teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary
Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
17 Ary ny
mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa
indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona
betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy,
ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
18 Dia nandeha
ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no
tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa
mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny
aminy, nefa tsy niverina.
19 Dia naniraka
mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao
hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao
izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
20 Ary ny
mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny
fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra
hoatra ny olona adala izy.
21 Ary hoy
Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama,
mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo
amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo
amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
22 Ary Jorama,
nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly
hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela
reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
23 Ary Jorama
nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry
Ahazia.
24 Ary
nohenjanin'i Jeho mafy ny tsiṕka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy
ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsiṕka niboroaka tamin'ny
fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
25 Ary hoy Jeho
tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota
Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka
an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza
izao hoe:
26 Efa hitako
tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly
anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io
tany io araka ny tenin'i Jehovah.
27 Ary nony
hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana
mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe:
Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana
ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido
Ahazia ka maty teo.
28 Ary ny
mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy
tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.
29 Ary tamin'ny
taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao
nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
30 Dia tonga
tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty*
ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely
izy.[Heb. antimony]
31 Ary nony
niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry,
mpamono tompo?
32 Ary
niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba
ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
33 Ary hoy Izy:
Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny
rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
34 Dia niditra
tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao
ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
35 Koa dia lasa
ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny
tongony ary ny felatanany ihany.
36 Ary niverina
ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia
ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no
hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,
37 Ary ny
fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy
hahazo milaza hoe Jezebela ity.
1 [Ny
namongorana ny taranak'i Ahaba sy ny rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i
Bala, sy ny nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo
lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any
Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza
ny zanak'i Ahaba nanao hoe:
2 Ary raha
tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny
tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny
fiadiana),
3 dia izahao
izay tsara sy mendrika indrindra amin'ny zanakalahin'ny tomponareo, ary
apetraho amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an'ny
mpianakavin'ny tomponareo.
4 Dia
raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy
nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
5 Ary ny
lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo
mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay
rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay
sitraky ny fonao ihany no ataovy.
6 Dia nanoratra
taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankaṭ ny
teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa
atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy
zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
7 Ary nony efa
tonga tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka
namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny
tany amin'i Jeho tany Jezirela.
8 Ary tonga ny
iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny
mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady
mandra-pahamarain'ny andro.
9 Ary nony
maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:
Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza
kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
10 Aoka ho
fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny
amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia
mpanompony.
11 Ka dia
novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny
olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy
hisy miangana na dia iray akory aza.
12 Dia niainga
izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian*'ny mpiandry ondry
tany an-dalana Jeho,[Na: Bet-ekda]
13 dia nifanena
amin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange
ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin'i Ahazia izahay ary mid́na mba
hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.
14 Ary hoy
Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka
famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy
nasiany miangana na dia iray akory aza.
15 Ary rehefa
niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona
azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny
foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy
Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i
Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
16 Ary hoy
Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia
nentina teo amin'ny kalesy izy.
17 Ary rehefa
tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba
tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i
Elia.
18 Ary Jeho
namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely
ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
19 Koa
ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny
mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia
iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na
iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho
fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
20 Ary hoy
Jeho: Manendre* fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry* andro
izy.[*Heb. Manamasina][Heb. nanamasina]
21 Ary Jeho
naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala
rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia
niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
22 Dia hoy Jeho
tamin'ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra.
Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
23 Ary Jeho sy
Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny
mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah
eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
24 Ary nony
niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa
dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy
afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy
handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
25 Ary rehefa
vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny
mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely
azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia
nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
26 Ary namoaka
ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.
27 Ary nandrava
ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana
mandraka androany izany.
28 Toy izany no
nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.
29 Nefa Jeho
tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny
Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30 Ary hoy
Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay
mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay
rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny
taranakao hatramin'ny zafindohalika.
31 Nefa Jeho
tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay
nampanotany ny Isiraely izy.
32 Tamin'izany
andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela
namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra
33 hatrany
Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny
Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka
Arnona, dia Gileada sy Basana.
34 Ary ny
tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
35 Ary Jeho
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza
zanany no nanjaka nandimby azy.
36 Ary ny andro
izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo
taona.
*
1 [Ny
nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby
azy] Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana
izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.
2 Fa Joseba.
zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy,
zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny
mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i
Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
3 Ary niery
enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka
tamin'ny tany.
4 Ary tamin'ny
taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo* sy ny
mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy
nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny
mpanjaka.[Heb. Kariana]
5 Ary izy
nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny
Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka;
6 ary ny
ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady
ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.
7 Ary ny roa
toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina
ny tranon'i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.
8 Ary hanemitra
manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza
mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra
izy.
9 Ary ny
kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy
nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny
Sabata ary nankany amin'i Joiada mpisorona.
10 Ary ny
kapiteny nomen'ilay mpisorona ny lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao
an-tranon'i Jehovah.
11 Ary ny
mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka
hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia,
hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
12 Dia nentin'i
Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra
izy, dia notolorany ny Vavolombelona*; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy,
ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka![Dia ny
Didy Folo]
13 Ary nony
ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny
vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.
14 Ary hitany
fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao,
ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny
vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany
Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
15 Fa Joiada
mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe:
Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny
sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah
izy.
16 Ary ny olona
nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho
any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
17 Ary Joiada
nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i
Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
18 Ary ny
vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny
endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala,
novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina
ny tranon'i Jehovah.
19 Ary nalainy
ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary
nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny
mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza
fiandrianan'ny mpanjaka izy.
20 Dia nifaly
ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny
sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
*
1 [Ny
nanjakan'i Joasy tamin'ny Joda, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito
taona Joasy fony izy vao nanjaka:
2 Ary tamin'ny
taona fahafito nanjakan'i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
3 Ary Joasy
nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay
nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy.
4 Nefa kosa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao
fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ny fitoerana avo ihany.
5 Ary hoy Joasy
tamin'ny mpisorona: Ny vola amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao
an-tranon'i Jehovah, dia ny volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo
tamin'ny tomban'olona ary ny vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo
ho ao an-tranon'i Jehovah,
6 aoka
horaisin'ny mpisorona amin'ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba
amin'ny trano, na amin'inona na amin'inona no hitany misy simba.
7 Kanjo
hatramin'ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan'i Joasy mpanjaka dia tsy
mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin'ny trano.
8 Ka dia
niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka
nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano?
Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa
omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano ny vola.
9 Ary ny
mpisorona nanaiky tsy handray vola amin'ny olona intsony sady tsy hanamboatra
ny simba amin'ny trano.
10 Fa Joiada
mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo
anilan'ny alitara tamin'ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin'ny tranon'i
Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra
izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah.
11 Ary rehefa
hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny
mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady
nisainy.
12 Ary ny vola
voalanja dia natolotr'ireo ho eo an-tanan'ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny
amin'ny tranon'i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin'ny mpandrafitra sy
ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon'i Jehovah
13 sy ho
amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika
hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra
hanamboarana azy.
14 Nefa tsy
nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay
fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin'ny tranon'i
Jehovah tamin'ny volafotsy nampidirina tao;
15 fa nomeny ny
mpiasa izany ka nentin'ireo nanamboatra ny tranon'i Jehovah.
16 Ary tsy
nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky
ireo.
17 Fa ny vola
natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao
an-tranon'i Jehovah, fa an'ny mpisorona kosa izany.
18 Ary
tamin'izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka
nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an'i Jerosalema koa izy.
19 Ary Joasy,
mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny
Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra
nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny
tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho
any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany
Jerosalema Hazaela.
20 Ary ny
tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
21 Ary
nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano
Milo*, ao am-pidinana mankany Sila.[Heb. fiarovana]
22 Fa Jozakara,
zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia
nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no
nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny
nanjakan'i Joahaza sy Joasy zanany tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i
Elisa] Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia,
mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely
tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.
2 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i
Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.
3 Ary ny
fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo
an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i
Hazaela, mandrakariva izy.
4 Ary Joahaza
nifona tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny
fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.
5 Ary Jehovah
nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana
izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.
6 Kanefa tsy
niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely,
izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha* aza dia mbola tao
Samaria ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
7 Fa tsy nisy
sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo
sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria
efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
8 Ary ny
tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
9 Ary Joahaza
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy
zanany no nanjaka nandimby azy.
*
10 Tamin'ny
taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao
nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka
enina ambin'ny folo taona izy.
11 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay
nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha
tamin'izany ihany izy.
12 Ary ny
tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i
Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
13 Ary Joasy
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza
fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny
Isiraely.
*
14 Ary Elisa
dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely,
nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka
nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny
mpitaingin-tsoavaliny!
15 Ary hoy
Elisa taminy: Makà tsiṕka sy zana-tsiṕka. Ary dia naka tsiṕka sy
zana-tsiṕka izy.
16 Ary hoy izy
tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsiṕka. Dia nohenjaniny; ary Elisa
nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.
17 Ary hoy izy:
Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka
dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsiṕkan'ny famonjen'i Jehovah, dia
zana-tsiṕkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka
ianao mandra-pandringanao azy.
18 Ary hoy koa
izy: Raiso ny zana-tsiṕka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny
Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
19 Ary ilay
lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka
indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa
izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
20 Ary dia maty
Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny
fitsingerenan'ny taona.
21 Ary nisy
nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao
am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny
fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
*
22 Ary Hazaela,
mpanjakan'i Syria, nampahory ny Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i
Joahaza.
23 Fa Jehovah
namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy
ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
24 Ary maty
Hazaela, mpanjakan'i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Ary Joasy,
zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny
tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny
ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny
Isiraely.
*
1 [Ny
nanjakan'i Amazia tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy,
zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i
Joasy, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby
roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany
tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa
tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
4 Kanefa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady
nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary nony
tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony
izay namono ny mpanjaka rainy.
6 Fa ny
zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra
ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy
hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny
ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
7 Izy no
nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i
Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka
androany.
8 Tamin'izany
Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho,
mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
9 Fa Joasy
mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao
hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany
Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia
namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
10 Efa namely
an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary
izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika
ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
11 Fa tsy
nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy
Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12 Dia resy teo
anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
13 Ary Amazia,
mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy,
mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka
nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka
hatramin'ny vavahady an-jorony.
14 Ary nalainy
avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao
an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona
natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
15 Ary ny
tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny
Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely
va izany?
16 Ary Joasy
lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17 Ary ny andro
niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i
Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
18 Ary ny
tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
19 Ary ny olona
niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona
nampanaraka namono azy tany.
20 Ary
nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny
razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
21 Ary ny
vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo
taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
22 Izy no
hanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry
any amin'ny razany ny mpanjaka.
*
23 [Ny
nanjakan'i Jeroboama II tamin'ny Isiraely sy ny nampodiany ny voninahitry ny
fanjakana ho tahaka ny teo] Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i
Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i
Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo
taona izy.
24 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay
nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25 Izy no
nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka
hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay*, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany
tany Gata-hefera.[Heb. Arabà]
26 Fa efa
hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy
sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27 Fa tsy mba
nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny
Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28 Ary ny
tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny
nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely,
tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
29 Ary
Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny
Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny
nanjakan'i Azaria tamin'ny Joda, ary ny nanjakan'i Zakaria sy Saloma sy
Menahema sy Pekahia ary Peka tamin'ny Isiraely] Tamin'ny taona fahafito amby
roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria,
zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda.
2 Enina ambin'ny
folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany
tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
4 kanefa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady
nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary Jehovah
namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano
nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy
nitsara ny vahoaka.
6 Ary ny
tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
7 Ary Azaria
dia lasa nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao
an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
8 Tamin'ny
taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no
nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka
enim-bolana tao Samaria izy.
9 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala
tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
10 Ary Saloma,
zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka
nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11 Ary ny
tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
12 Izany no
ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny
zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia
tanteraka izany.
13 Ary Saloma,
zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo
nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria
izy.
14 Fa Menahema,
zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i
Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15 Ary ny
tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
16 Tamin'izany
Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao
hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary
izay bevohoka rehetra tao notatahany.
17 Tamin'ny
taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao
nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona
tao Samaria izy.
18 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala
tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
19 Ary Pola,
mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola
talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
20 Ary
nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely,
dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria.
Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
21 Ary ny
tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
22 Ary Menahema
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby
azy.
23 Tamin'ny
taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i
Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona
izy.
24 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama,
zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
25 Ary Peka,
zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i
Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo
amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy
izy, dia nanjaka nandimby azy.
26 Ary ny
tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
27 Tamin'ny
taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao
nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka
roa-polo taona izy.
28 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama,
zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
29 Tamin'ny
andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i
Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy
Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho
babo tany Asyria izy.
30 Ary Hosea,
zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka
nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i
Ozia.
31 Ary ny
tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
*
32 [Ny
nanjakan'i Jotama tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka,
zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia,
mpanjakan'ny Joda.
33 Dimy amby
roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i
Zadoka.
34 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy
no nataony.
35 Kanefa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady
nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no
nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
36 Ary ny
tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
37 Tamin'izany
andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy
Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.
38 Ary Jotama
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
1 [Ny
nanjakan'i Ahaza tamin'ny Joda] Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo
nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, no vao nanjakan'i Ahaza, zanak'i Jotama,
mpanjakan'ny Joda.
2 Roa-polo
taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany
tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny
tahaka ny nataon'i Davida rainy izy;
3 fa nandeha
tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia
nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah
tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
4 Ary namono
zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny
fitoerana avo sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
5 Ary
tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy
Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza
izy, nefa tsy naharesy azy.
6 Tamin'izany
andro izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny
fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota
ka monina ao mandraka androany.
7 Ary Ahaza
naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe:
Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i
Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
8 Ary nalain'i
Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao
amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny
mpanjakan'i Asyria.
9 Dia nanaiky
ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka
azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
10 Ary nandeha
Ahaza mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any
Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny
mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria
mpisorona.
11 Ary Oria
mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza
mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i
Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
12 Ary nony
tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona
ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
13 Ary nandoro
ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra
aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara.
14 Ary ny
alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo
anoloan'ny trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka
nataony teo avaratry ny alitarany.
15 Ary Ahaza
mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no
andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny
fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny
fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho
an'ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina
dia mbola hataoko fanontanian-javatra
16 Ary Oria
mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka.
17 Ary
nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny
tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe* dia nampidininy niala tamin'ireo omby
varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina]
18 Ary ny
Fialofana tamin'ny Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana
ivelany izay an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny
tahony ny mpanjakan'i Asyria.
19 Ary ny
tantaran'i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
20 Ary Ahaza
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny
nanjakan'i Hosea, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely, ary ny fototry ny
nahatonga izany] Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza,
mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely
tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny
mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.
3 Niakatra
hanafika azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa
hetra* ho azy Hosea.[Heb. fanomezana]
4 Ary ny
mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i
So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i
Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i
Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
5 Dia niakatra
ny mpanjakan'i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka
nanao fahirano azy telo taona.
6 Ary tamin'ny
taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i
Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy
teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny
Mediana.
7 Ary ny
nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah
Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka
tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa
izy
8 ka nandeha
araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny
Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
9 Ary ny
Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah
Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia
hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
10 Ary
nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo
rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy;
11 ary nandoro
ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny
jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy
ka nampahatezitra an'i Jehovah.
12 Fa nanompo
sampy, izay nandraran'i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13 Nefa ny
mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny
Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko
sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay
nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
14 Kanefa tsy
nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i
Jehovah Andriamaniny.
15 Ary nolaviny
ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin'ny razany mbamin'ny
teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy,
ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa
nandraran'i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
16 Ary nahafoy
ny didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho
an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka
teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
17 Ary
nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao
fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka
nampahatezitra Azy.
18 Koa dia
tezitra indrindra tamin'ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony
izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
19 Ary ny Joda
koa aza tsy mba nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka
izay rehetra nataon'ny Isiraely koa.
20 Dia narian'i
Jehovah ny taranak'Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo
an-tànan'ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21 Fa nendahany
niala tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i
Jeroboama, zanak'i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka
an'i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
22 Ary ny
Zanak'Isiraely nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon'i Jeroboama, fa tsy
niala tamin'izany izy
23
Mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay
nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala
tamin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
24 [Ny
nametrahana olona hafa firenena tao amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny
fivavahan'ireny] Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy
Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i
Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra
teny amin'ny tanànany.
25 Ary raha vao
nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha
ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.
26 Dia hoy ny
olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao
eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny
Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary,
indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry
ny tany.
27 Ary ny
mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona
izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia
aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
28 Dia tonga ny
mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka
nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
29 Kanefa ny
isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny
trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny
isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
30 Koa ny olona
avy any Babylona dia nanao an'i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao
an'i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;
31 ary ny Avita
nanao an'i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo
ho an'i Adrameleka Anameleka, andriamanitr'i Sefarvaima.
32 Dia
natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no
notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra
tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33 Jehovah dia
natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny
fanaon'ny firenena izay efa nangalana azy avy.
34 Mandraka
androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i
Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny
didy izay nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35 Sady
nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na
miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho
azy;
36 Fa Jehovah,
Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe
sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo
anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao
fanatitra;
37 Ary ny didy
sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka
hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38 Ary ny
fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay
andriamani-kafa ianareo;
39 Fa Jehovah
Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny
tanan'ny fahavalonareo rehetra.
40 Nefa tsy
nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
41 Ka dia
natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny
sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny
fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.
*
1 [Ny
niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely] Ary
tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely,
no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby
roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany
Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
3 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
4 Izy no
nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny
Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny
Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro
izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana*.[Nehostana = Ilay varahina]
5 Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay
rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
6 Fa nifikitra
tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
7 Ary Jehovah
nomba azy, ka dia nambinina* tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina
tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy.[Na: hita ho hendry]
8 Izy no namely
ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny
tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
9 Ary tamin'ny
taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i
Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera
mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10 Ary nony tapitra
ny telo taona, dia afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i
Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no
nahafahana an'i Samaria.
11 Ary ny
mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy
tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny
Mediana,
12 Satria tsy
nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay
rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato
izany izy.
13 [Ny
niadian'i Sankeriba tamin'i Hezekia] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo
nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely
ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
14 Ary Hezekia,
mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao
hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny
mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy
telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
15 Ary Hezekia
nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao
amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka.
16 Tamin'izany
andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny
tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia,
mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
17 Ary ny
mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny
miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia
mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy,
dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe
mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
18 Ary nony efa
niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay
lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy
ny raharaham-panjakana.
19 Dia hoy
Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny
mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianao?
20 Hoy ianao
(nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao,
no miodina amiko ianao?
21 Fa, indro,
ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona
iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i
Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
22 Ary raha hoy
ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana
avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy
Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23 Koa aoka
hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo
ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
24 Hataonao
ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay
kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly.
25 Koa moa haitraitro va izao
niakarako izao? Tsia,
fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely
ity tany ity, ka ravao izy.
26 Dia hoy
Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Maśna ianao, teny
Syriana* no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny
Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.[Heb. Aramiana]
27 Fa hoy
Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny
tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny
ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy
fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]
28 Dia nijoro
teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny
tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria:
29 Izao no
lazain'ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy
anareo amin'ny tanako izy tsy akory.
30 Ary aza mety
hampahatokin'i Hezetia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no
hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy
akory ity tanàna ity.
31 Aza mihaino
an'i Hezekia; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko
hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny
aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy
ianareo,
32
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia
tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy
oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza
mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin'ny anaovany hoe:
Jehovah no hamonjy antsika.
33 Moa nisy
nahavonjy ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny
firenena?
34 Aiza moa
ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr'i
Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo
andriamaniny?
35 Iza moa
amin'ny andriamanitra rehetra amin'ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny
tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
36 Nefa nangina
ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny
mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
37 Ary
Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary
Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i
Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
1 [Ny amin'ny
namonjena an'i Jerosalema, sy ny nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba,
mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia
nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao
an-tranon'i Jehovah,
2 Ary izy
naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny
lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany,
zanak'i Amoza.
3 Ary hoy ireo
taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary
fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy
hery hiterahana azy.
4 Angamba ho
ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny
mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany
izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao
hamonjy izay mbola sisa.
5 Dia nankany
amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6 Ary hoy Isaia
taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra
ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria
iretsy Ahy.
7 Fa, indro,
Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any
amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Dia niverina
Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano
tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Ary nony
ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy
hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao
hoe:
10 Izao no
holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny
Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11 Indro, ianao
efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny
nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12 Moa
nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana
sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara?
13 Aiza ny
mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna
Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Dia
noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia
niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i
Jehovah.
15 Ary Hezekia
nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no
Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra
sy ny tany.
16 Atongilano
ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere,
ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika
an'Andriamanitra velona.
17 Jehovah ô,
marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy
ny taniny
18 ary efa
nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa
asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
19 Koa
ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay
amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao
dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
20 Ary Isaia,
zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
21 Koa izao no
teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy
mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao
mandositra Jerosalema zanakavavy.
22 Fa iza no
nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy
nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
23 Ny irakao no
nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny
tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny
kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any
amin'ny alany midokadoka.
24 Izaho no
nihady ka nisotro rano vao niseho*, ary ny faladiako no handritako ny ony
mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta**. [*Na: ranon'ny firenena hafa][Heb.
Mazora]
25 Tsy mbola
renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny
andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka
dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
26 Ary efa tsy
nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny
ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny
tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
27 Fa samy
fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny
fahatezeranao amiko.
28 Satria efa
tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako
ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary
hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
29 Ary izao no
ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa
mihintsana ianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny
kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka
mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
30 Ary izay
sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra
hamoa.
31 Fa hisy sisa
hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny
fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
32 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity
tanàna ity izy, na handefa zana-tsiṕka ho ato, na hitondra ampinga eo
anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
33 Ny lalana
izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity
izy, hoy Jehovah.
34 Fa hiaro ity
tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
35 Ary tamin'ny
alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo
alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha
olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
36 Dia niainga
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
37 Ary raha
niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy
Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny
tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby
azy.
1 [Ny
nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana,
mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia
narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka
nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty
ianao, fa tsy ho velona.
2 Dia nitodika
nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
3 Jehovah ô,
enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana
sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany
mafy dia mafy izy.
4 Ary raha tsy
mbola tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah
nanao hoe: [Na: kianja]
5 Miverena, ka
lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny
ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho
ao an-tranon'i Jehovah ianao.
6 Ary hampiako
dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity
amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny
amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
7 Ary hoy
Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia
sitrana izy.
8 Ary hoy
Hezekia tamin'i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka
hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso?
9 Dia hoy
Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah
hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny* folo va ny aloka, sa hiverina
hàdiny folo? [Heb. ambaratonga]
10 Ary Hezekia
namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka
ny aloka hiverina hàdiny folo.
11 Ary Isaia
mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo
Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
12 Tamin'izany
andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i
Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13 Ary Hezekia
nandray* azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia
volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano
fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany:
tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao
amin'ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]
14 Dia nankany
amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no
nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy
Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15 Dia hoy izy:
Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra
ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato
amin'ny firaketako rehetra.
16 Ary hoy
Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
17 Indro, avy
ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay
rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa
hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
18 Ary na dia
ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka* any amin'ny lapan'ny
mpanjakan'i Babylona ireo.[Heb. ionoka]
19 Dia hoy
Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy:
Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
20 Ary ny
tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy
ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
21 Ary Hezekia
lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
*
1 [Ny
nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao
nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Hefziba.
2 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay
noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3 Fa namboariny
indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho
an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny
Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka
nanompo ireny,
4 sady nanao
alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah
hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
5 Fa nanao
alitara teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra
eny amin'ny lanitra izy.
6 Ary ny zanany
nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho
tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 Ary ny
sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah
tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto
Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny
anarako mandrakizay.
8 Ary tsy
hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny
razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy
araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
9 Nefa tsy
nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny
jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
10 Ary Jehovah
nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
11 Satria
Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy
mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny
Joda tamin'ny sampiny,
12 dia izao
kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza
amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia
hangintsingintsina ny sofiny roa.
13 Ary
hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i
Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady
mamaoka no manohoka azy koa.
14 Ary hafoiko
ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho
babon'ny fahavalony rehetra izy,
15 satria efa
nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro
nivoahan'ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
16 Ary na dia
ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i
Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny
nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
17 Ary ny
tantaran'i Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony,
tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
18 Ary Manase
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo
ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
*
19 Roa amby
roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany
Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any
Jotba.
20 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
21 Fa nandeha
tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay
notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
22 Ary nahafoy
an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i
Jehovah.
23 Ary ny
mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
24 Ary ny
vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i
Josia zanany hisolo azy.
25 Ary ny
tantaran'i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
26 Ary nalevina
tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
1 [Ny
niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny
nahirana ny Bokin'ny Lalàna] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika
amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia
Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.
2 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra
nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho
amin'ny ankavia.
3 Ary tamin'ny
taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i
Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i
Jehovah ka nanao hoe:
4 Miakara any
amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i
Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
5 ary aoka
hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i
Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah
hanamboarany ny simba amin'ny trano,
6 dia ho an'ny
mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato
voapaika hanamboarana ny trano.
7 Kanefa tsy
nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
8 Dia hoy
Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao
an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
9 Ary Safana
mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny
mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy
teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
10 Ary Safana
mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona
ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
11 Ary rehefa
ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny
fitafiany izy.
12 Ary ny
mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora,
zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
13 Mandehana
ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda
rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i
Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny
tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
14 Dia nandeha
Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i
Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry
ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema
ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
15 Ary hoy
ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao
amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
16 Izao no
lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny
mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny
Joda.
17 Satria
nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka
nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity
tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
18 Fa ny
amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa
anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao,
19 satria nino
anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay
nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana
azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany
teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
20 Koa, indro,
hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny
fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity
tanàna ity. Dia nitondra
valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
1 [Ny fahazotoan'i
Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana
amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary
nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema
rehetra.
2 Dia niakatra ho ao
an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny
Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany
ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny
rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
3 Ary ny mpanjaka
nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i
Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny
didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankaṭ ny tenin'ny
fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra
koa dia mba nanaiky ny fanekena.
4 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry
varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho
an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka
nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary
nentiny ho any Betela ny vovony.
5 Ary natsahany koa
ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda
handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny
Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra
koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny
Zodiaka* ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba
xxxviii. 32]
6 Ary ny Aseraha
navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny
lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary
ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
7 Ary noravany ny
tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny
tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
8 Ary nampaka ny
mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana
avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany
Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo
anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha
miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
9 Fa ny mpisorona
tamin'ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah
any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny
rahalahiny ihany izy.
10 Ary nolotoiny koa
Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha
ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka intsony.
11 Ary ny soavaly
izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo
amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i
Natana-meleka tandapa*, izay tao Parvara**, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny
masoandro nodorany tamin'ny afo.[*Heb. ionoka][**Tokony ho anaran-trano
madinika sasany teo an-kianjan'ny tempoly]
12 Ary ireo alitara
teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo
mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa
tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia
nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
13 Ary nolotoin'ny
mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny
ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona,
mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i
Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i
Amona.
14 Dia notorotoroiny
ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny
taolan'olona ny nitoerany.
15 Ary ny alitara
izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata,
ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka
notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
16 Ary nitodika Josia
ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao
am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny
tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra*.[Izahao 1 Mpanjaka
xiii. 2]
17 Dia hoy izy:
Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy:
Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao
zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
18 Ary hoy izy: Aoka
itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay
mpaminany avy tany Samaria.
19 Ary ny trano
rehetra tamin'ny fitoerana avo, izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay
nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan'i
Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
20 Ary ny
mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny
teo ambonin'ny alitara, sady nandoro taolan'olona teo koa izy, dia niverina
nankany Jerosalema.
21 Ary ny
mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah
Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity.
22 Fa tsy nisy
Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny
Isiraely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny
mpanjakan'ny Joda;
23 fa tamin'ny
taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany
Paska izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema.
24 Ary ny nanao
azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary
ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema
dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao
amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
25 Ary tsy nisy
mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony
rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy
rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
26 Nefa Jehovah
tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana
nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i
Manase Azy.
27 Dia hoy
Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny
Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay
nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
28 Ary ny
tantaran'i Josia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
29 Tamin'ny
andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany
amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia
nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
30 Ary ny
fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido
ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka
Joahaza, zanak'i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
31 [Ny
nanjakan'i Joahaza sy Joiakima ary Joiakina] Telo amby roa-polo taona Joahaza
fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
32 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
33 Ary
nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany
any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta
volamena iray ny fanjakana.
34 Ary
Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia
rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any
Egypta ka maty tany.
35 Ary ny
volafotsy sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany
avokoa ny olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy
nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
*
36 Dimy amby
roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo
taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i
Pedaia, avy any Romaha.
37 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.
1 Tamin'ny
andro nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona,
ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2 Ary Jehovah
nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny
miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia
nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i
Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3 Dia araka ny
tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy
ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
4 sy noho ny rà
marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy
netezan'i Jehovah hamela ny helony.
5 Ary ny
tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
6 Ary Joiakima
lasa nodimandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7 Ary ny
mpanjakan'i Egypta tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny
mpanjakan'i Babylona izay rehetra an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny
lohasahan-driak'i Egypta ka hatramin'ny ony Eofrata.
*
8 Valo ambin'ny
folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any
Jerosalema.
9 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10 Tamin'izany
andro izany no niakaran'ny mpanompon'i Nebokadnezara. mpanjakan'i Babylona,
hamely an'i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11 Dia tonga
koa Nebokadnezera, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao
fahirano azy ny mpanompony.
12 Ary
Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia
izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany*;[Heb.
ionoka] ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo
nanjakany.
13 Ary
navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy
tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i
Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay
nolazain'i Jehovah.
14 Ary nentiny
ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery
rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny
mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15 Ary nitondra
an'i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny
vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa* sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny
ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.[Heb. ionoka]
16 Ary ny
lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy
arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona
ho babo tany Babylona avokoa.
17 Ary Matania,
rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i
Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
18 [Ny
nanjakan'i Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny toetry ny olona
sisa sy Joiakina] Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary
iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny
dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
19 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.
20 Fa ny
fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda
ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny
mpanjakan'i Babylona.
1 Ary tamin'ny
andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i
Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany
rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo
manodidina azy izy.
2 Ary nataony
fahirano ny tanàna hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia
mpanjaka.
3 Ary tamin'ny
andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa
tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
4 Ary nisy
voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana
nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny
mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha
tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay*.[Heb. Arabà]
5 Ary ny
miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny
tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
6 Ary
voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona
tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
7 Ary ny
zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia
kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany
Babylona.
8 Ary tamin'ny
andro fahafito tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo
nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona dia tonga tany Jerosalema
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
9 ka nandoro ny
tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany
Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
10 Ary ny manda
manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay
nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
11 Ary izay
olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i
Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Neborazadana, lehiben'ny
mpiambina, ho babo avokoa.
12 Nefa ny olona
malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa
tany.
13 Ary ireo andry
varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano
varahina lehibe* izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka
nentiny ho any Babylona ny varahina.[Heb. ny ranomasina]
14 Ary nentiny koa ny
vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny
fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
15 Ary nentiny koa ny
fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia
samy nentiny avokoa
16 ary ny andry roa
sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i
Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra
izany dia tsy hita lanja.
17 Valo ambin'ny folo
hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny
hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny
kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
18 Ary ny lehiben'ny
mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona
manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
19 ary tao an-tanàna
no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy
tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny
mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny
olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
20 dia nosamborin'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i
Babylona tao Ribla.
21 Dia novonoin'ny
mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no
nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
22 Fa ny amin'ny
olona izay sisa tany amin'ny tanin'ny Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, dia Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho
mpanapaka azy.
23 Ary nony ren'ny
komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no
notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany
amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i
Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay
Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
24 Ary Gedalia
nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny
amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny
mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
25 Ary tamin'ny
volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny
fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia,
dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26 Ary niainga ny
olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany
Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
*
27 Ary tamin'ny andro
fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona
fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda,
tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia
nasandrany* hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb.
nasandratra ny lohany]
28 Dia nitenenany soa
izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo
mpanjaka namany tao Babylona.
29 Ka dia novan'i
Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo
anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
30 Ary ny hanina
nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany
isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.