[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1 Mpanjaka
Accès direct aux
chapitres de 1 Rois : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22
1 [Ny niodinan'i Adonia, sy
ny nanosorana an'i Solomona ho mpanjaka] Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona
sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2 Ka dia hoy ny mpanompony
taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka
hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo
amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3 Ary dia nitady zazavavy
tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga
Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.
4 Ary tsara tarehy dia tsara
tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny
mpanjaka tsy nahalala azy.
*
5 Ary Adonia, zanakalahin'i
Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana
kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany
izy.
6 Ary ny rainy tsy mbola
niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy
izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny
nanarakaraka an'i Absaloma.
7 Ary efa niresaka tamin'i
Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i
Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
8 Fa Zadoka mpisorona sy
Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy
mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.
9 Ary Adonia namono ondry
aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i
En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny
lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;
10 fa Natana
mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba
nasainy.
11 Ary Natana
niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka
Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany?
12 Koa etsy
homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.
13 Mandehana
mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko
mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy
no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza
fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
14 Ary raha
mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka
anao ka hanamarina ny teninao.
15 Ary Batseba
dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny
mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16 Dia
niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka:
Inona no ilainao?
17 Dia hoy izy
taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko
mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary
izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
18 Kanjo izao
dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19 Ary efa
namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa
ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny
miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20 Ary ianao,
ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao
izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21 Fa rehefa
lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona
zanako no atao meloka.
22 Ary raha
mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana
mpaminany.
23 Ary nisy
nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo
anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
24 Ary hoy
Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no
hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
25 Fa he! izy
nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka
ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy
Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao
hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
26 Fa izaho
mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona
mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27 Moa avy
tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba
nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao
mpanjaka tompoko handimby anao?
28 Ary namaly
Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra
nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
29 Ary ny
mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny
fahoriana rehetra,
30 dia tahaka
ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako
taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no
hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko
anio.
31 Ary Batseba
niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe:
Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
32 Ary hoy
Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana
mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka
izy telo lahy.
33 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno
ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.
34 Ary aoka
Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny
Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona
mpanjaka!
35 Dia miakara
manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza
fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho
mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36 Ary Benaja,
zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie
Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37 Toy ny
nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary
hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka
tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.
38 Dia nidina
Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny
miaramila mpiambina andriana*, dia nampitaingina an'i Solomona ny
ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.[Heb.
Keretita sy Peletita]
39 Ary Zadoka
mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i
Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela
velona anie Solomona mpanjaka!
40 Dia niakatra
nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka
dia nihorohoro* ny tany noho ny feony.[Heb. nitresaka]
41 Ary Adonia
sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra
nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re
izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42 Fa raha
mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy
Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no
entinao.
43 Fa Jonatana
niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida
mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44 Ary ny
mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia,
zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka
nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.
45 Ary Zadoka
mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary
niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany
no hotakotaka renareo.
46 Ary koa,
Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.
47 Ary dia
tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika
hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona,
ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza
fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48 ka niteny
hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka
eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.
49 Dia
raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha
amin'izay nalehany avy izy rehetra.
50 Ary Adonia
koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51 Ary nambara
tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro
izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka
hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
52 Fa hoy
Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia
singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa
ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
53 Dia naniraka
Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka
niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy:
Modia any an-tranonao.
*
1 [Ny hafatra
nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny
andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
2 Izaho efa
handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa
ho lehilahy.
3 Ary tandremo
izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany
hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony,
araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa
izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4 mba
hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao
hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny
fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy
ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
5 Ary ianao koa
mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony
tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera,
zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany
rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny
ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6 Koa manaova
araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita*
amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.[Heb: Sheola]
7 Fa ny zanak'i
Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo
amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko,
fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho.
8 Ary indro fa
ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny
nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina
hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy
hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
9 Koa aza
ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony
hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho
any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
10 Ary Davida
dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida.
11 Ary ny andro
nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no
nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo
taona.
12 [Ny nataon'i
Solomona hampiorina tsara ny fanjakany] Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
*
13 Ary Adonia,
zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy
ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14 Ary hoy koa
izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15 Dia hoy izy:
Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy
hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy
tamin'i Jehovah.
16 Koa
ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho.
Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
17 Dia hoy izy:
Maśna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba
homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18 Ary hoy
Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka.
19 Ary Batseba
nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny
mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia
nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza
fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny
ankavanany izy.
20 Ary hoy izy:
Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary
hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21 Dia hoy izy:
Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao.
22 Fa Solomona
mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i
Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy
no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.
23 Ary Solomona
mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie
izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny
nanaovany izany teny izany.
24 Koa
ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo
amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby* araka
izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy]
25 Ary Solomona
mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
26 Ary Abiatara
mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any
an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty
amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i
Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay
rehetra nampahoriana azy.
27 Ary Solomona
dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny
tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.
28 Ary ren'i
Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina
nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah
izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29 Ary nambara
tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny
trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i
Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30 Ary Benaia
tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no
lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho
faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no
lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba
hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i
Joaba.
32 Dia hatsingerin'i
Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay
marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i
Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny
miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33 Eny, ny
ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny
taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary
amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i
Jehovah.
34 Dia niakatra
Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny
fonenany tany an-efitra izy.
35 Ary Benaia,
zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila;
ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.
36 Ary ny
mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato
Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza
akory.
37 Fa amin'izay
andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina
fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
38 Ary hoy
Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain'ny
mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany
Jerosalema.
39 Ary nony
afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any
amin'i Akisy, zanak'i Maka mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey
hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40 Dia
nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy
hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41 Ary nambara
tamin'i Solomona ny nialan'i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany
indray.
42 Ary ny
mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao
tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao
marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory
dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43 Koa nahoana
ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay
nandidiako anao?
44 Ary hoy koa
ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i
Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny
lohanao ny haratsianao.
45 Fa hotahina
kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo
anatrehan'i Jehovah mandrakizay.
46 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho
faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.
*
1 [Ny
nanambadian'i Solomona ny zanakavavin'i Farao, ary ny nisehoan'Andriamanitra
taminy tao Gibeona, sy ny nangatahany fahendrena] Ary Solomona tonga vinanton'i
Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra
azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i
Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.
2 Kanefa ny
olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa
tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.
3 Ary Solomona
tia an'i Jehovah ka nizotra araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola
namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny
fitoerana avo ihany.
4 Ary ny
mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay
fitoerana avo malaza*; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo
amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe]
5 Tao Gibeona
no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy
Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
6 Dia hoy
Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko
mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny
fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao
fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo
amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao.
7 Ary
ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao
handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro
akory izay fivoaka sy fiditra.
8 Ary izaho mpanomponao
koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina
ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9 Koa omeo ahy
mpanomponao saina malady* ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa
sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo
mihaino]
10 Ary sitraky
ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany;
11 ka dia hoy
Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho
ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no
nangatahinao,
12 dia, indro,
efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady
mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao
ny ato aorianao.
13 Ary na izay
tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy
hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy]
14 Ary raha
handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny
nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao.
15 Ary dia
nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema
izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra
fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny
mpanompony rehetra izy.
16 [Ny
nisehoan'ny fahendren'i Solomona tamin'ny nitsarany azy roa vavy ny amin'ilay
zaza maty] Ary tamin'izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin'ny mpanjaka
ka nitsangana teo anatrehany.
17 Ary hoy ilay
vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity
miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy.
18 Ary nony efa
velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany
no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
19 Ary maty
tamin'ny alina ny zanak'izavavy ity, fa voatsindriny.
20 Dia nifoha
mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho
ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo
an-tratrako.
21 Ary nony
nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa
nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
22 Ary hoy kosa
ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy
indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
23 Ary hoy ny
mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao;
ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no
zanako.
24 Koa itondray
sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny
mpanjaka.
25 Ary hoy ny
mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho
an'ny anankiray kosa ny antsasany.
26 Fa niteny
tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony
noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy
ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy
ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
27 Dia namaly
ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa
io mihitsy no reniny.
28 Ary raha
ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra
ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho
entiny mitsara.
1 [Ny amin'ny
mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny] Ary
nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
2 Ary izao no
lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona*; [Na: zanak'i Zadoka
mpisorona]
3 Elihorefa sy
Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny
raharaha-mpanjakana;
4 ary Benaia,
zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
5 ary Azaria,
zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no
mpanolotsaina*, sakaizan'ny mpanjaka, [Heb. mpisorona]
6 ary Ahisara
no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao
fanompoana.
7 Ary Solomona
nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra
rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy
amin'ny herintaona izy.
8 Ary izao no
anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima;
9 Beni-dakera
tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
10 Beni-haseda
tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
11
Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i
Solomona, no vadiny);
12 Bana,
zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i
Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia
hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.
13 Beni-gabera
tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra*, zanak'i Manase, izay any
Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo
lehibe nisy manda sy hidy varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41]
14 Ahinadaba,
zanak'Ido, tany Mahanaima;
15 Ahimaza tany
Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;
16 Bana,
zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;
17 Josafata,
zanak'i Paroa, tany Isakara;
18 Simey,
zanak'i Ela, tany Benjamina;
19 Gabera,
zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita,
sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany
izany.
20 Ary ny Joda
sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady
mihinana sy misotro ary mifaly.
*
1 Ary Solomona
nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony* sy ny tanin'ny Filistina ka
hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona
tamin'ny andro rehetra niainany.[Eofrata]
2 Ary ny
fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa
enim-polo kora,
3 sy omby
mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny
diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
4 Fa nanapaka
ny tany rehetra atỳ* an-dafin'ny Ony** hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy,
dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara
fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.[*Na: any][**Eofrata]
5 Ary ny Joda
sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny
ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany
Beri-sheba.
6 Ary Solomona
nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary
soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
7 Ary ireo
olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka
sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra
samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na
inona na inona.
8 Ny vary
hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia
nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny
anjarany avy.
9 Ary
Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra
ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
10 Ary ny
fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra
sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
11 Fa hendry
noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana
sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny
firenena rehetra manodidina.
12 Nanao
ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
13 Ary nilaza
ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay
maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy
ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
14 Ary dia nisy
tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona,
dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny
fahendreny.
15 [Ny
namorian'i Solomona izay ho enti-manao ny tempoly] Ary Hirama, mpanjakan'i
Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no
voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida
hatrizay ela izay.
16 Ary Solomona
naniraka tany amin'i Hirama hanao hoe:
17 Fantatrao fa
Davida raiko tsy nahavita trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny
ady nanodidina azy, ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.
18 Fa
ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny
manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
19 Ary, indro,
izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay
nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo
amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.
20 Roa dia mba
asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata
amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay
hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa
hazo tahaka ny Sidoniana.
21 Ary rehefa
ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe:
Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho
Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
22 Ary Hirama
naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ
amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny
hazo kypreso.
23 Ny vahoakako
hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko
ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary
any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao
izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.
24 Ary Hirama
dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra
nilainy.
25 Ary Solomona
kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary
diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i
Hirama isan-taona isan-taona.
26 Ary Jehovah
nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana
Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.
27 Ary Solomona
mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo
alina no nalainy.
28 Ary nirahiny
nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray
volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary
Adonirama no nifehy azy rehetra.
29 Ary Solomona
nanana mpitondra entana fito alina sy tambato* valo alina teny
an-tendrombohitra, [Na: mpikapa hazo]
30 afa-tsy ny
lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia
telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
31 Ary ny
mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao
fanorenan'ny trano.
32 Ary ny mpiasan'i
Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra
ny hazo sy ny vato hatao trano.
*
1 [Ny nanaovana
ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa
izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia
nanorina ny tranon'i Jehovah izy.
2 Ary ny trano
nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary
roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
3 Ary ny
lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny
lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo
anoloan'ny trano ihany.
4 Ary ny
varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
5 Ary tamin'ny
lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny
ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
6 ny efi-trano
ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny
sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny
trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka
amin'ny rindrina.
7 Ary tamin'ny
nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no
nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana,
re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
8 Ny varavarana
mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano;
ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary
avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.
9 Toy izany no
nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka
sedera no nataony tafon'ny trano.
10 Ary ny
paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo
sedera no nikambanany tamin'ny trano.
11 Ary ny
tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe:
12 Ny amin'ity
trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko
ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny
teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;
13 ary hitoetra
ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
14 Ary nataon'i
Solomona ny trano, ka dia vitany.
15 Ary ny
rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka
hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no
nataony gorodon'ny trano.
16 Ary ny
roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera
hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra
anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.
17 Ary ny
lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.
18 Ary ny
sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo
mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
19 Nanisy
efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i
Jehovah.
20 Ary teo anoloan'ny
efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany,
roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia
nopetahany hazo sedera ny alitara.
21 Ary
nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady
nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany
takela-bolamena koa ny alitara.
22 Izao
ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara
momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
23 Ary tao
anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho
avy no hahavony.
24 Ary samy
dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny
tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray.
25 Ary ny
kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy
tarehy:
26 Folo hakiho
ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
27 Ary ny
kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra,
ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo
afovoan'ny trano.
28 Ary
nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
29 Ary ny
rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary
voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.[palma]
30 Ary
nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na
ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
31 Ary ny
varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva
kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma]
32 Ny
lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima
sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny
kerobima: sy ny hazo rofia.[palma]
33 Dia toy
izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany
tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
34 Ary ny
lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
35 Ary
nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra
ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
36 Ary nanao ny
kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray
andalana izy.
37 Tamin'ny
volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i
Jehovah.
38 Ary tamin'ny
volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no
nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia
fito taona no nanaovany azy.
*
1 [Ny
nanaovan'i Solomona ny lapany] Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i
Solomona ny lapany, dia vita.
2 Fa nanao ilay
trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany,
ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana
mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
3 Ary ireo
efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy
ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
4 Ary ny
rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
5 Ary ny
varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely
nifanandrify intelo.
6 Ary dia
nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary
telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary
nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
7 Ary nataony
koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny
lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra*.[Na:
na ny gorodony, na ny rihana]
8 Ary ny
tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny
lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano
tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay
efa nampakariny ho vady.
9 Izany rehetra
izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy
ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany
koa hatramin'ny kianja lehibe.
10 Ary vato
tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
11 Ary teo
ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
12 ary manodidina
ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray
andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny
lavarangana fidirana amin'ny trano.
13 [Ny
nanaovan'i Solomona ny fanaka momba ny tempoly] Ary Solomona mpanjaka naniraka
haka an'i Hirama avy tany Tyro.
14 Zanaky ny
vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy
Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy
hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka
Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
15 Dia nanao ny
andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa
ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy*.[Heb. ny faharoa]
16 Ary nanao
kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho
avy ny hahavony,
17 ary harato
sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito
amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.
18 Ary nanao ny
andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny
kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny
kapitaly iray.
19 Ary ny
kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia
tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
20 ary ny
kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony
izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana
nanodidina ny kapitaly avy.
21 Ary ny andry
dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry
ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina*; ary ny andry ankavia
natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza**. [*Jakina = Hampiorina
izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
22 Ary nisy
natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany
ny asa tamin'ny andry.
23 Ary nanao ny
tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny
vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
[Heb. ranomasina]
24 Ary
tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe* manodidina nisy sarim-boantango
manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe*, ary
naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny
tavin-drano. [Heb. ranomasina]
25 Ary ny
tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo
nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny
atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe* dia teo
ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina]
26 Ary ny
hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka,
dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
27 Ary nanao ny
fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray,
ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
28 Ary toy izao
ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany
ireo dia teo anatin'ny sisiny;
29 ary tamin'ny
kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima;
ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy
omby nisy fesitona mihantona.
30 Ary
isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia
varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy
ny sorony* anidina manandrify ny fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra
dia tonga sorony]
31 Ary ny
vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray
hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory
tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany
teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
32 Ary ny kodia
efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia
nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny
hahavon'ny kodia.
33 Ary ny
fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny
manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina
avokoa.
34 Ary nisy
sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady
nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.
35 Ary teo
an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny
hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny
kobany dia natao an-idina iray aminy.
36 Fa ny
koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona
ary hazo rofia*, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
[palma]
37 Tahaka izany
no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary
nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
38 Ary nanao
tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata
avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no
tamin'ny fitoerany folo.
39 Ary nametraka
ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo
ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe* nataony teo ankavanan'ny trano,
dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]
40 Ary Hirama
nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i
Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny
tranon'i Jehovah:
41 dia ny andry
roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy
ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo
an-tampon'ny andry avy,
42 ary ny
sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa
andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay
teny an-tampon'ny andry avy,
43 ary ny
fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany
44 ary ny
tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb.
ranomasina]
45 ary ny
vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo
fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny
tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
46 Teo amin'ny
tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga
teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
47 Ary tsy
nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana
izay lanjan'ny varahina.
48 Ary Solomona
nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena
sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,
49 ary ny
fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny
efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro
ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
50 ary ny vilia
sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro
dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra
anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny
efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
51 Toy izany no
nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary
nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny
volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny
tranon'i Jehovah.
*
1 [Ny
nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny
loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra
ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida.
2 Dia nivory ho
any amin'i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny
andro firavoravoana tamin'ny volana Etanima (volana fahafito izany).
3 Ary tonga ny
loholon'ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
4 ary dia
nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka
masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo
zavatra ireo.
5 Ary Solomona
mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo
anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy
sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
6 Ary ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany
tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo
ambanin'ny elatry ny kerobima,
7 fa nivelatra
teo ambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy
ny baony.
8 Ary lava ny
bao, ka hita ny lohany, raha amin'ny fitoerana masina eo anoloan'ny efitra
anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
9 Ary tsy nisy
na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i
Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta.
10 Ary nony
nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon'i
Jehovah ny rahona;
11 ka dia tsy
nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny
voninahitr'i Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.
12 Dia hoy
Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
13 Efa nanao
trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
14 Ary ny
mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra
(nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
15 ka nanao
hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny
tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay
hoe:
16 Hatramin'ny
andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy
tanàna nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny
anarako; fa nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
17 Ary efa mby
tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
18 Nefa hoy
Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho
an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
19 Kanefa kosa
tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny
trano ho an'ny anarako.
20 Ary Jehovah
efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida
raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa
nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, aho.
21 Ary nasiako
fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony
tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
22 Ary Solomona
nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia
ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
23 ary nanao
hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka
Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny
fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo
anatrehanao amin'ny fony rehetra,
24 sady efa
nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa
nolazain'ny vavanao izany dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio
izao.
25 Koa
tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely
ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao
hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny
alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
26 Koa ankehitriny
ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho ṭ anie ny teninao,
izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao.
27
Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny
lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
28 Koa atreho
ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba
hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto
anatrehanao anio,
29 mba
hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana
nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny
mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
30 Ary henoy ny
fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity
fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa
ka mamelà heloka.
31 Raha misy
olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny
alitaranao amin'ity trano ity izy,
32 dia mihainoa
any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny
ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny
marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
33 Raha resy eo
anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina
aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity
trano ity izy,
34 dia mihainoa
any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio
amin'ny tany nomenao ny razany izy.
35 Raha
mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ka
mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala
amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
36 dia mihainoa
any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely
olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha
ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
37 Raha misy
mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na
maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao
amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
38 izay vavaka
rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay
samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity
trano ity izy
39 dia mihainoa
any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny
olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao
irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra),
40 mba
hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao
ny razanay.
41 Ary henoy
koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany
lavitra noho ny amin'ny anaranao izy
42 (fa ho reny
ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha
avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
43 dia mihainoa
any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny
vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao
hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa
ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
44 Raha mivoaka
hiady amin'ny fahavalon'ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka
mivavaka amin'i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay
nataoko ho an'ny anaranao izy,
45 dia henoy
any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
46 Raha manota
aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary
manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any
amin'ny tanin'ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
47 ary
mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona
aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota
izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
48 ka dia
miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny
fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay
nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho
an'ny anaranao,
49 dia henoy
any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
50 eny, mamelà
ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony
taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin'izay mamabo azy izy, dia ny
hamindran'ireo fo aminy;
51 fa olonao sy
lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy
fandrendreham-by,
52 mba
hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao sy ny fifonan'ny Isiraely
olonao hihaino azy amin'izay rehetra iantsoany Anao.
53 Fa Hianao,
Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho
lovanao, araka izay nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao
ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
54 Ary rehefa
vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon'i Solomona tamin'i Jehovah: any,
dia nitsangana niala teo amin'ny alitaran'i Jehovah izay efa nandohalehan'ny
lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin'ny lanitra izy.
55 Ary
nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny
feo mahery hoe:
56 Isaorana
anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay
rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa
rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony.
57 Jehovah
Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy
handao na hahafoy antsika Izy,
58 mba
hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin'ny lalany rehetra sy
hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny
razantsika.
59 Ary aoka
izany teny nifonako teto anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah
Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny
Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan'andro,
60 mba ho
fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa
tsy misy afa-tsy Izy.
61 Ary aoka ho
marina amin'i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin'ny
didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin'izao anio izao.
62 Ary ny
mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo
anatrehan'i Jehovah.
63 Ary Solomona
namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby
roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany
no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah.
64 Ary
androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo
anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra
hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara
varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.
65 Ary
tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia
fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i
Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro.
66 Ary nony
tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia
lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa
rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
*
1 [Ny valin'ny
vavaka nataon'i Solomona] Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i
Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
2 dia niseho
tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3 Ary hoy
Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo
anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny
anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4 Ary raha
ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny
fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao
ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
5 dia
hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao,
araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny
seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
6 Fa raha miala
amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko
sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa
sy miankohoka eo anatrehany,
7 dia
hofongorako tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay
nohamasiniko ho an'ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny
Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin'ny firenena rehetra;
8 ary na dia
avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady
hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao
ity tany sy ity trano ity?
9 Ary hisy
hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny
razany nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ary nikikitra
tamin'andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no
nampidiran'i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
10 [Ny amin'ny
mpiasan'i Solomona sy ny zavatra nentiny nanao ny tempoly] Ary nony afaka ny
roa-polo taona nanaovan'i Solomona ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny
lapan'ny mpanjaka
11 (Hirama,
mpanjakan'i Tyro, nanome an'i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary
volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen'i Solomona tanàna roa-polo tany
amin'ny tany Galilia kosa Hirama.
12 Ary Hirama
niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen'i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
13 Dia hoy izy:
Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao
hoe tany Kobola mandraka androany.
14 Ary Hirama
nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an'ny mpanjaka.
15 Ary izao no
toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny
nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo* sy ny màndan'i
Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera [Heb. fiarovana]
16 (fa Farao,
mpanjakan'i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy
tamin'ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny
tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona),
17 ary,
Solomona nanamboatra an'i Gazera sy Beti-horona ambany
18 sy Baleta sy
Tadmora any an-efitra, amin'ny tany Samata,
19 ary ny
tanàna fitehirizana rehetra izay nananan'i Solomona sy ny tanàna fitoeran'ny
kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian'i Solomona
haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany
rehetra.
20 Ary ny olona
sisa rehetra tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny
Jebosita, izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely,
21 dia ny
taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely
naringana* avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.[Heb.
natao herema]
22 Fa ny
Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no
miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny
sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
23 Izao no
isan'ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan'i Solomona:
dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.
24 Ary rehefa
niakatra avy any an-Tanànan'i Davida ny zanakavavin'i Farao hankany amin'ny
tranony izay nataon'i Solomona ho azy, dia nanao an'i Milo* koa izy.[Heb.
fiarovana]
25 Ary intelo
isan-taona no nanateran'i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo
ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo
manitra teo ambonin'ny alitara teo anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no
nahavitany ny trano.
26 Ary Solomona
mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan'i Elota, ao amoron'ny
Ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma.
27 Ary Hirama
nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina,
hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.
28 Ary nankany
Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany
amin'i Solomona mpanjaka izany.
*
1 [My
namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba,
rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha
toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,
2 ka tonga tany
Jerosalema izy mbamin'ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra
zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i
Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony.
3 Ary
voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra
niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
4 Ary rehefa
hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano
izay nataony
5 sy ny
fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny
mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga
izay niakarany ho ao* an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. [Na:
ny fanatitra odorany izay nateriny tao]
6 Ka hoy izy
tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny
teninao sy ny fahendrenao.
7 kanefa tsy
nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo
hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny
fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
8 Sambatra lahy
ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao
mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
9 Isaorana anie
Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza
fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny
Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy
fahamarinana.
10 Ary izy
nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato
soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka
ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba ho an'i Solomona mpanjaka.
11 Ary ny
sambon'i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga
be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
12 Ary ny hazo
almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny
lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy
hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
13 Ary Solomona
mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na
inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona
mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny
mpanompony.
*
14 [Ny varotra
nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena
izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby
enim-polo amby enin-jato,
15 afa-tsy izay
azony tamin'ny mpandranto.sy ny tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny
mpanjakan'ny firenena samy hafa rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany.
16 Ary Solomona
mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka,
ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
17 Ary nanao
ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka
takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny
mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
18 Ary ny
mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany
takela-bolamena tsara indrindra.
19 Nisy
ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza
fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo
an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny
fitehenan-tanana.
20 Ary nisy
sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina.
Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
21 Ary ny
fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny
trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo;
fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
22 Fa ny
mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny
ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i
Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo]
23 Ary Solomona
mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
24 Ary ny tany
rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay
nataon'Andriamanitra tao am-pony.
25 Ary izy
rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy
fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary
ampondra.
26 Ary Solomona
nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo
izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao
amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
27 Ary
nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema,
ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka
amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela]
28 Ary avy any
Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny
mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
29 Ary ny
vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy
enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no
nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
*
1 [Ny
nivilian'i Solomona namporafy maro, sy ny nanompoany sampy, ary ny
namalian'Andriamanitra azy] Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa
firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy
Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
2 dia vehivavy
avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy
hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo
hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny
fitiavan'i Solomona.
3 Ary dia
nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily
ny fony ireo vadiny ireo.
4 Fa nony efa
antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny
fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
5 Fa Solomona
nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma,
fahavetavetan'ny Amonita.
6 Ary Solomona
nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana
Azy tahaka an'i Davida rainy.
7 Ary
tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i
Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka,
fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
8 Ary toy izany
koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo
manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny.
9 Ary Jehovah
tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
10 sady efa
nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy
nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy.
11 Ka dia hoy
Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy
notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho
afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
12 Kanefa kosa
tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby
amin'ny zanakao vao hendahako aminy.
13 Nefa tsy dia
hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny
zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
14 Ary Jehovah
nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny
mpanjakan'i Edoma.
15 Fa rehefa
nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra
handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
16 (fa
enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma
mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
17 dia
nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka
nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.
18 Ary niainga
niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana
homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay
nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
19 Ary Hadada
nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa,
vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
20 Ary ny
rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay
notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny
zanakalahin'i Farao tao an-dapa.
21 Ary rehefa
ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady
maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho
hody any amin'ny tanin-drazako.
22 Fa hoy Farao
taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody
any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory
ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
23 Ary
Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona,
zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
24 Dia namory
olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny
olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka
tao.
25 Ary izy koa
dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny
ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany
Syria.
26 Ary
Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona
(Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy
tamin'ny mpanjaka.
27 Ary izao no
fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i
Milo* ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy; [Heb. fiarovana]
28 ary
Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita
raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany
rehetra.
29 Ary
tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita
azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary
izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
30 Dia
noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa
ambin'ny folo.
31 Ary hoy izy
tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho
afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
32 (nefa ny
firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko
sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely),
33 satria efa
nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny
Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny
taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko
sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.
34 Nefa tsy
hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka
ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay
nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
35 fa hesoriko
eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo
ihany.
36 Fa firenena
iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo
anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana
ny anarako.
37 Ary ianao no
halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny
Isiraely.
38 Ary raha
mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao
izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay
nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao*,
tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao
trano maharitra ho anao]
39 Ary
hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
40 Ary Solomona
nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany
Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany
mandra-pahafatin'i Solomona.
41 Ary ny
tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Solomona va izany?
42 Ary ny andro
nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo
taona.
43 Ary Solomona
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy
izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny
niodinan'ny firenena folo, sy ny niandohan'ny fanjahan'Isiraely] Ary Rehoboama
nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2 Koa raha
nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany
tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;
3 ka dia
naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely
rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4 Rainao dia
nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny
fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia
hanompo anao izahay.
5 Fa hoy kosa
izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ
amiko indray. Dia lasa ny olona.
6 Ary Rehoboama
mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i
Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly
ny vahoaka?
7 Dia hoy ireo
taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao
teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8 Nefa
nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra
tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany
izy
9 ka nanao
taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay
efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
10 Ary ireo
tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka
izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa
mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko
dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
11 koa raha
nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny
zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana
kosa no hamaizako anareo.
12 Ary
Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro
fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray
amin'ny andro fahatelo.
13 Ary ny
mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo
zoki-olona azy izy
14 ka niteny
taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga
mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia
no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
15 Koa dia tsy
nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany
hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,
zanak'i Nebata.
16 Ary nony
hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny
mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy
manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry
Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho
any an-dainy avy ny Isiraely.
17 Fa ny
Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama
.
18 Ary dia
naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa
ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo
amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19 Ka dia
niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
20 Ary rehefa
ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka
azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra;
dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
21 Ary nony
tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra
mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy
voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho
an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
22 Kanjo tonga
tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe
23 Mitenena
amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda
sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:
24 Izao no
lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa
samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia
nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i
Jehovah.
*
25 [Ny
nanaovan'i Jeroboama ireo sarin'ombilahy kely volamena tao Betela sy Dana] Ary
Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka
nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.
26 Ary
Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin'ny taranak'i
Davida ihany;
27 fa raha
miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any
Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia
amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any
amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.
28 Dia
nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny
olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô"
indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta.
29 Ary ny
anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
30 Ary izany
zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo
anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany Dana.
31 Ary nanao
trano teny amin'ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona,
izay tsy isan'ny taranak'i Levy.
32 Ary
Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka
nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao
Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony
izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay
notendreny.
33 Ary
nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny
andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny
araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely
izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo
manitra.
1 [Ny
nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny
nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy] Ary, indro, nisy
lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i
Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra
Jeroboama.
2 Ary ilay
lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao
hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza
hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka
hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro
ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.
3 Ary naneho fahagagana
androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro,
hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
4 Ary nony
ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny
alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka
nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty* iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka
tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina]
5 Dia nitresaka
koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana
Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
6 Ary ny
mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i
Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray
ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia
azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
7 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any
an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
8 Fa hoy ilay
lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky
ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro
rano atỳ aho;
9 fa izao no
tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina
amin'izay lalana efa nalehanao.
10 Dia nandeha
tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.
11 Fa nisy
mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy
izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary
nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny
mpanjaka.
12 Ary hoy
rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana
nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
13 Ary hoy izy
tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny
boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
14 Ary dia
nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo
ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay
lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
15 Dia hoy izy
taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
16 Fa hoy kosa
izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy
hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
17 satria tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza
miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18 Fa hoy kosa
izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza
tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any
an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
19 Dia niverina
niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20 Ary raha
mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay
mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah;
21 ary izy
niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny
didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
22 fa niverina
nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao
hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao
ny fatinao.
23 Ary rehefa
avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay
mpaminany naveriny.
24 Ary nony
nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary
ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary
ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty.
25 Ary, indreo
nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona
nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany
an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra.
26 Ary nony
nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay
lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny
liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa
nolazainy taminy.
27 Ary izy
niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany
lasely izy.
28 Ary nony nandeha
izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy
ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty
na namiravira ny boriky.
29 Ary
nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny
tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany
antitra mba hisaona sy handevina azy.
30 Ary ny
fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy,
ry rahalahiko!
31 Ary rehefa
voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba
aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy
eo anilan'ny taolany ny taolako;
32 fa tsy
maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza
ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny
fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
33 Rehefa afaka
izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola
naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza
na iza tia izany dia natokany*, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo.
[Heb. nofenoiny ny tànany]
34 Ary dia
tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy
tsy ho eo ambonin'ny tany.
1 [Ny
nanjakan'i Jeroboama tamin'ny Isiraely] Tamin'izany andro izany dia narary
Abia, zanak'i Jeroboama.
2 Ary hoy
Jeroboama tamin'ny vadiny: Maśna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy
ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro,
ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
3 Koa mitondrà
mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa
izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
4 Dia nanao
araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao
an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny
fahantrany.
5 Ary Jehovah
efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny
amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha
miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
6 Ary nony
ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy,
dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa?
Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
7 Koa
mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka
nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
8 ary nendahako
ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao
tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy
nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay
marina eo imasoko ihany;
9 fa nanao
ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao
andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa
narianao teo ivohonao:
10 koa noho
izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana
izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka
amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy
ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
11 Koa izay
tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any
an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
12 Koa
mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna
ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
13 Ary ny
Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia
izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana
fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
14 Ary Jehovah
hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama
amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
15 Fa Jehovah
hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra
ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any
an-dafin'ny Ony*, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah.
[Eofrata]
16 Ary Izy
hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany
ny Isiraely.
17 Dia niainga
ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo
amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
18 dia
nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah
izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony.
19 Ary ny
tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
20 Ary ny andro
nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any
amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
*
21 [Ny
nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka
tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka,
ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i
Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny
anaran-dreniny dia Nama Amonita.
22 Ary ny Joda
nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana
izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany.
23 Fa izy koa
nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha* teny
an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso
rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
24 Ary nisy
olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary
nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah
teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
25 Ary tamin'ny
taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i
Egypta, hamely an'i Jerosalema;
26 dia
nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka
lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona
27 Ary
Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo
an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny
mpanjaka
28 Ary na
oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny
mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
29 Ary ny
tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
30 Ary niady
mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
31 Ary
Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany
tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia
zanany no nanjaka nandimby azy.
1 [Ny
nanjakan'i Abia sy Asa tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo
nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
2 Telo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i
Absaloma.
3 Ary nandeha
tamin'ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary
ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida
rainy.
4 Nefa noho ny
amin'i Davida dia nomen'i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany
izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an'i Jerosalema
Izy,
5 satria Davida
nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay
nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria
Hetita ihany.
6 Ary niady
Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.
7 Ary ny
tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama
8 Ary Abia lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary
Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
9 Ary tamin'ny
taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao
nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.
10 Ary iraika
amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia
Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
11 Ary Asa
nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.
12 Fa nesoriny
tamin'ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady
nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
13 Ary na dia
Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho
an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka
Kidrona.
14 Fa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa
tamin'ny andro rehetra niainany.
15 Ary
nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy
mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
16 Ary niady
Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
17 Ary Basa,
mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba
tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
18 Ary Asa naka
ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i
Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny
mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i
Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka
nanao hoe:
19 Aoka hisy
fanekena amiko sy aminao toy ny tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro,
mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny
fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.
20 Ary
Beni-hadada nihaino an'i Asa mpanjaka ka naniraka komandin'ny miaramilany
hamely ny tanànan'ny Isiraely, ary namely an'Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary
Kinerota rehetra mbamin'ny tanin'ny Naftaly rehetra izy.
21 Ary rehefa
ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy sady
nitoetra tao Tirza.
22 Ary Asa
mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia
nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i
Asa mpanjaka nanamboatra an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23 Ary ny
tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony
ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary
tamin'ny tongony izy.
24 Ary lasa
nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i
Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
*
25 [Ny nanjahan'i
Nadaba sy Basa sy Elaha sy Zimry ary Omry tamin'ny Isiraely] Ary Nadaba,
zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa
nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
26 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy
tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
27 Ary Basa,
zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao
Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano
an'i Gibetona fahizay).
28 Ary Basa
nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia
nanjaka nisolo azy.
29 Ary rehefa
nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany
niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa
ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,
30 noho ny
fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony
nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
31 Ary ny
tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
32 Ary niady
Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
33 Tamin'ny
taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa,
zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby
roa-polo taona izy.
34 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy
tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
1 Ary tonga
tamin'i Jeho, zanak'i Hanany, ny tenin'i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
2 Satria
nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
nefa kosa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny
Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany,
3 dia, indro,
hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny
taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata.
4 Koa izay
tamingan'i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty
any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina.
5 Ary ny
tantaran'i Basa sisa mbamin'izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
6 Ary Basa lasa
nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no
nanjaka nandimby azy.
7 Ary Jeho
mpaminany zanak'i Hanany, dia nampitondraina ny tenin'i Jehovah ny amin'i Basa
sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy
tamin'ny asan'ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin'i Jeroboama, ary
satria namono ireo izy.
8 Tamin'ny
taona fahenina amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao
nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa, tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa
taona izy.
9 Ary Zimry
mpanompony, komandin'ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho
mamo tao Tirza, tao an-tranon'i Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
10 Dia niditra
Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo
nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
11 Ary nony vao
nanjaka Zimry ka nipetraka tamin'ny seza fiandrianany, dia namono ny
mpianakavin'i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy
iray akory aza. na tamin'ny havany, na tamin'ny sakaizany.
12 Toy izany no
nandringanan'i Zimry ny mpianakavin'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Jehovah
izay nampilazainy an'i Jehovah mpaminany ny amin'i Basa,
13 noho ny
fahotany rehetra sy ny fahotan'i Elaha zanany koa, izay nataony sady
nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
14 Ary ny
tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
15 Tamin'ny
taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i
Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay
an'ny Filistina.
16 Ary ny olona
izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka
koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny
miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan'ny Isiraely.
17 Dia niakatra
avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao
fahirano an'i Tirza.
18 Ary nony
hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo
amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty
19 noho ny
fahotana izay nataony tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah,
tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay
nataony sady nampanotany ny Isiraely.
20 Ary ny
tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
21 Ary
tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an
i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.
22 Fa ny olona
izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata;
ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
23 Tamin'ny
taona fahiraika amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao
nanjakan'i Omry; ary nanjaka roa ambin'ny folo taona tamin'ny Isiraely izy; tao
Tirza no nanjakany enin-taona.
24 Ary novidiny
talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo
an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera,
tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.
25 Fa Omry
nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay
rehetra teo alohany izy;
26 fa nandeha
tamin'ny lalana rehetra nalehan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tamin'ny
fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
27 Ary ny
tantaran'i Omry sisa mbamin'izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
28 Ary Omry
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba
zanany no nanjaka nandimby azy.
29 [Ny
niantombohan'ny nanjahan'i Ahaba tamin'ny Isiraely] Ary Ahaba, zanak'i Omry,
vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i
Asa, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby
roa-polo Taona izy.
30 Ary Ahaba,
zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra
teo alohany.
31 Fa nataony
ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana,
izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
32 Ary nanao
alitara ho an'i Bala tao amin'ny tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy.
33 Ary Ahaba
nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
34 Tamin'ny
andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Ab́rama
lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba
faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay
nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
*
1 [Ny
niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany
Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory
amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
2 Ary ny tenin'i
Jehovah tonga taminy nanao hoe:
3 Mialà eto
ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any
atsinanan'i Jordana.
4 Koa ny
renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
5 Dia lasa izy
ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny
renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.
6 Ary ny goaika
nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny
rano tamin'ny renirano no nisotroany.
7 Ary nony ela,
dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.
8 Ary ny
tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
9 Miaingà ka
mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy
vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
10 Dia niainga
izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia,
indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy
Elia ka nanao hoe: Maśna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba
hosotroiko.
11 Ary nony
lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Maśna ianao, itondray
mofo kely koa eny an-tananao aho.
12 Fa hoy
ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray
akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely
foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra
hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
13 Fa hoy Elia
taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao
izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary
rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
14 Fa izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny
barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro
handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany.
15 Dia nandeha
ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny
ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
16 Nefa tsy
lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara,
araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.
17 Ary nony
afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny
aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
18 Dia hoy
ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry
lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny
fahotako ka hahafaty ny zanako ?
19 Ary hoy Elia
taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka
nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry
azy teo am-pandriany.
20 Dia
nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa
nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka
nahafaty ny zanany?
21 Dia
niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah
Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity.
22 Ary Jehovah
nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona
izy.
23 Ary Elia
nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty
trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..
24 Ary hoy
ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa
lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny
vavanao.
*
1 [Ny
nihaonan'i Elia tamin'i Ahaba. sy ny nandreseny ny mpaminanin'i Bala] Ary nony
afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona
fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana
amin'ny tany Aho.
2 Dia niainga
Elia hiseho amin'i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
3 Ary Ahaba
niantso an'i Obadia, izay lehiben'ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an'i
Jehovah tokoa,
4 ka nony
naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany
zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy
mofo sy rano ireo).
5 Ary hoy Ahaba
tamin'i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin'ny loharano rehetra sy
hatrany amin'ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana
ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby
fiompintsika.
6 Dia nizara
lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha
tamin'ny lalana iray.
7 Ary raha tany
an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia
niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
8 Ary izy
namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy
Elia.
9 Fa hoy
Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan'i Ahaba
hamonoany ahy?
10 Raha velona
koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy
nanirahan'ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia
nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
11 Ary
ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
12 Nefa raha
vao miala aminao aho, dia ho entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy
fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany
ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i
Jehovah hatry ny fony mbola kely.
13 Moa tsy
nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny
mpaminanin'i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka
dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
14 Nefa ankehitriny
hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy
Ahaba.
15 Fa hoy Elia:
Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia
hiseho aminy tokoa aho anio.
16 Dia lasa
Obadia nitsena an'i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an'i
Elia.
17 Ary nony
hitan'i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay
mampidi-doza amin'ny Isiraely!
18 Fa Elia
namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin'ny Isiraely, fa ianao sy ny
mpianakavin'ny rainao ihany tamin'ny nandavanareo ny didin'i Jehovah sy ny
nanarahanao ireo Bala.
19 Ary
ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any
an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato sy
ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin'ny latabatr'i
Jezebela.
20 Dia naniraka
tany amin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any
an-tendrombohitra Karmela.
21 Ary dia
nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina
ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia
manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
22 Dia hoy Elia
tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i
Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.
23 Koa aoka
ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray
ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy
hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny
kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
24 Ary miantsoa
ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i
Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho
Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
25 Ary hoy Elia
tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia
manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny
andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
26 Dia naka ny
vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i
Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry
Bala ô. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary
nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy.
27 Ary nony
nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy
ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy
nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
28 Dia niantso
mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny
lefona mandra-pahaloa-drà tamin'ny tenany.
29 Ary na dia
efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny
fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
30 Ary hoy Elia
tamin'ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary
Elia namboatra ny alitaran'i Jehovah izay efa rava
31 ka naka vato
roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay
tenin'i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
32 ary izany
vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely
manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy* voan-javatra indroan'ny famarana**.
[*Na: mahalany][**Heb. sea]
33 Ary nandahatra
ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo
ambonin'ny kitay hazo,
34 dia nanao
hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny
kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy
koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
35 Ary ny rano
nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
36 Ary nony
tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe:
Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio
fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary
araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
37 Mihainoa ahy
mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah
no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
38 Dia latsaka
ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato
ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely.
39 Ary raha
nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no
Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
40 Ary hoy Elia
taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia
iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny
ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
41 Ary hoy Elia
tamin'i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana
be.
42 Dia niakatra
hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon'i Karmela, dia
niankohoka tamin'ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan'ny lohaliny
43 Ary hoy izy
tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka
nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa
impito.
44 Ary nony
fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy
eny amin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe:
Amboary ny kalesinao, ka mid́na, fandrao voasakan'ny ranonorana ianao.
45 Ary vetivety
dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary
Ahaba niakatra tamin'ny kalesy ka nankany Jezirela.
46 Ary ny
tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo
alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
*
1 [Ny
nandosiran'i Elia nankany an-efitra, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao
Horeba, ary ny nanendrena an'i Elisa handimby azy] Dia nolazain'i Ahaba tamin'i
Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra
tamin'ny sabatra.
2 Ary Jezebela
naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie
izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray
amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
3 Ary raha
nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany
Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
4 Fa izy kosa
nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo
ambanin'ny anjavidy* anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka
izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako
aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
5 Ary raha
nandry natory teo ambanin'ny anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely
nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry
mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
6 Dia nijery
izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy
rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
7 Ary avy
fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe:
Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
8 Dia nifoha
izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany
hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba,
tendrombohitr'Andriamanitra.
9 Ary niditra
tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i
Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
10 Dia hoy izy:
Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny
maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny
mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no
sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
11 Ary hoy
Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i
Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky
ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah
tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa
Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;
12 ary
manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary
manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
13 Ary raha
ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka
nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao
inona atỳ ianao ry Elia ?
14 Dia hoy izy:
Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny
maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany,
ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany
no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
15 Fa hoy
Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i
Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
16 Ary
Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i
Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
17 Ary izay
afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra
ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.
18 Nefa hamela
fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy
nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
19 Ary niala
teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby
roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary
Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
20 Dia nandao
ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Maśna ianao,
avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy
taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
21 Dia niverina
niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary
nandrahoiny* tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia
nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na:
natonony]
*
1 [Ny
nandresen'i Ahaba indroa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada,
mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby
telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka
nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.
2 Ary nandefa
iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy
3 hanao aminy
hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy;
ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
4 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô:
anao aho sy izay rehetra ananako.
5 Dia niverina
indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ
aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao
aman-janakao dia omeo ahy;
6 koa raha maniraka
ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny
tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny
avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
7 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe:
Maśna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa
naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko
sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
8 Ary hoy ny
loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
9 Ka dia hoy
Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay
rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa
izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny
niverina tany amin'i Beni-hadada indray;
10 ary izy
naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany,
eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i
Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy.
11 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao
misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
12 Ary rehefa
ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano
rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara
ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
13 Ary, indro,
nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro,
hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
14 Ary hoy
Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny
komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ?
Hianao ihany, hoy izy.
15 Ary
nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby
telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny
olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
16 Ary nivoaka
izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano
rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
17 Ary ny
zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary
Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any
Samaria.
18 Ary hoy izy:
Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
19 Dia nivoaka
avy tao an-tanàna ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny
miaramila izay nanaraka azy.
20 Ary samy
nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka
nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra
an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
21 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka
nahafatesany be dia be ny Syriana.
22 Ary ilay
mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza
tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra
indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.
23 Ary hoy ny
mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny
Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika
hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!
24 Koa izao
zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka
asio mpanapaka hisolo azy;
25 ary ianao
kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary
soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny
an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo
izy, ka dia nataony izany.
26 Ary nony
niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany
Afeka hiady amin'ny Isiraely.
27 Ary ny
Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady
aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa
toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
28 Ary nanatona
ilay lehilahin'Andriamanitra ka nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana
ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo
an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no
Jehovah.
29 Dia nitoby
mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra
ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy
tamin'ny Syriana indray andro.
30 Fa ny sisa
dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona
sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra
nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny*. [Na:
nitsofotsofoka amin'ny efi-trano]
31 Fa hoy ny
mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny
taranak'Isiraely. Koa maśna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana* ny
valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny
Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. [Heb. lamba malailay]
32 Dia
nosikinany lamba fisaonana* ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia
nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i
Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola
velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba malailay]
33 Ary
nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany*, dia namonjy nanantitra ny teniny
izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy.
Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny
kalesiny.[Heb. nanao sikidy]
34 Ary hoy
Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia
hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko
tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia
nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
35 Ary nisy
lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny
tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Maśna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy
ilay lehilahy.
36 Dia hoy izy
taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala
amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy,
dia hitan'ny liona ka novonoiny.
37 Ary nahita
lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Maśna ianao, asio aho. Ary ilay
lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
38 Dia lasa
ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha
tamin'ny handriny tsy hahafantarany azy.
39 Ary nony
nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho
mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily
ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa
raha tah́ny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta
volafotsy iray ianao.
40 Kanjo nony
nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny
tenanao no nilaza izany.
41 Ary nesoriny
haingana ilay fehi-loha tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny
Isiraely fa isan'ny mpaminany izy.
42 Dia hoy izy
taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny
lehilahy izay nasaiko hovonoina* tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny
olonao no hisolo ny olony.[Heb. nataoko herema]
43 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia
tonga tany Samaria.
*
1 [Ny namonoana
an'i Nabota. sy ny nahazoan'i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo
an'i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana
tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
2 Ary Ahaba
niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena
anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho
izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
3 Fa hoy Nabota
tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any
tanin-drazako.
4 Ary Ahaba
nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota
Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo
am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
5 Ary Jezebela
vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy
izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
6 Dia hoy izy
taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo
ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa,
raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny
tanim-boaloboko.
7 Ary hoy
Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao?
Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny
tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.
8 Ary Jezebela
dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahaba, ka notombohiny tamin'ny
fanombohan-kasen'andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin'ny
loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin'i
Nabota.
9 Ary izao no
nosoratany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho
eo anatrehan'ny olona Nabota.
10 Dia anangano
roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny
ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy
vato ho faty.
11 Ary ny olona
tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka
izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy
izay nampitondrainy tany aminy.
12 Dia niantso
andro fifadian-kanina izy ka nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.
13 Ary niditra
ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i
Nabota teo anatrehan'ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra
sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna
Nabota, dia notorahany vato ka maty.
14 Dia naniraka
tany amin'i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
15 Ary rehefa
ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba:
Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy
foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
16 Ary rehefa
ren'i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny
tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
17 Ary ny
tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:
18 Miaingà, ka
mid́na hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao
amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho
azy.
19 Koa mitenena
aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao
koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany
izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny
rànao tokoa.
20 Ary hoy
Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe:
Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.
21 Indro,
hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny
lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny
Isiraely.
22 Ary ny
taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny
taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny
nampanotanao ny Isiraely.
23 Ary ny
amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela
eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.
24 Izay
tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany
maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.
25 Fa tsy nisy
tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria
nampirisihin'i Jezebela vadiny izy.
26 Ary izy
nanao vetaveta loatra tamin'ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra
nataon'ny Amorita. izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
27 Ary rehefa
ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba
fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba
fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
28 Ary ny
tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:
29 Hitanao va
ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako
izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny
zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.
*
1 [Ny
nikambanan'i Ahaba sy Josafata hiady amin'ny Syriana, sy ny nakany hevitra
tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba] Ary nandry fahizay ny Syriana
sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
2 Ary nony
tamin'ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely.
3 Ary hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika
Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny
mpanjakan'i Syria?
4 Ary hoy koa
izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia
hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany
aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
5 Ary hoy
Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Maśna ianao, anontanio aloha ny
tenin'i Jehovah.
6 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka
nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona
ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry
mpanjaka.
7 Ary hoy kosa
Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
8 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia
Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy
halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy
Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
9 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao
faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
10 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo
amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i
Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra
naminany teo matrehany.
11 Ary Zedekia,
zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah:
ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
12 Ary ny
mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia
hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
13 Ary ilay
iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny
avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; maśna ianao, aoka re
ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
14 Ary hoy
Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain'i Jehovah amiko ihany no
hambarako.
15 Dia nankany
amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika
an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe:
Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry
mpanjaka.
16 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona
amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
17 Dia hoy Mikaia
Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry
tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy
hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
18 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba
mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
19 Ary hoy
Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny
seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo
andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
20 Ary hoy
Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any?
Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
21 Dia nandroso
ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona
azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
22 Dia hoy izy:
Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra.
Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao;
mivoaha ary, ka ataovy izany.
23 Koa, indro,
Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra
ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
24 Fa Zedekia,
zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza
no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
25 Dia hoy
Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano
anatiny* hierenao.[Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]
26 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona,
komandin'ny tanàna, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27 ka lazao
hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano
mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
28 Fa hoy
Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i
Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry
firenena rehetra.
29 Dia niakatra
nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
30 Ary hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any
anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody
olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
31 Fa ny
mpanjakan'i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin'ny kalesy,
nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely ihany.
32 Ary nony
nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no
mpanjakan'ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso
Josafata.
33 Ary rehefa
hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina
niala taminy ireo.
34 Ary nisy
lehilahy anankiray nandefa zana-tsiṕka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny
Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy
tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho,
fa voa.
35 Ary nihamafy
ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo
amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny
andro; ary ny rà nandeha avy teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.
36 Ary nony efa
hilentika ny masoandro, dia niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao
hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin'ny taniny avy!
37 Dia maty ny
mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
38 Ary nony
nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny
ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.
39 Ary ny
tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay
nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
40 Ary Ahaba
lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
41 [Ny
nanjakan'i Josafata tamin'ny Joda, sy Ahazia tamin'ny Isiraely] Ary Josafata,
zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i
Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
42 Dimy amby
telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
43 Ary nandeha
tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany,
fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;
44 kanefa kosa
ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao
fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo
ihany.
45 Ary Josafata
nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
46 Ary ny
tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
47 Ary ny sisa
amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola
tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
48 Ary tsy nisy
mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
49 Ary Josafata
nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo
sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
50 Dia hoy
Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny
vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
51 Ary Josafata
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
52 Ahazia,
zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona
fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa
taona tamin'ny Isiraely izy.
53 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny
reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny
Isiraely;
54 ary nanompo
an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.