[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1 Samoela
Accès direct aux
chapitres de 1 Samuel : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31
1 [Ny nahaterahan'i Samoela,
sy ny nanolorana azy ho an'i Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray
tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany
zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.
2 Ary namporafy
izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary
Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
3 Ary
ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono
zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy
mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
4 Ary tamin'ny
andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy
Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
5 Fa Hana kosa
nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.
6 Ary ny rafiny
dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy
momba.
7 Ary izany no
fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary
izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety
nihinan-kanina.
8 Fa Elkana
vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy
mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra
aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9 Ary rehefa
nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona
nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
10 Ary Hana dia
nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia
nitomany.
11 Ary nivoady
izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny
alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny
ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy
amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12 Ary raha
mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny
vavany.
13 Fa niteny
anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory;
ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.
14 Dia hoy Ely
taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15 Dia namaly
Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro
divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah
aho.
16 Aza mba atao
ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny
alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17 Dia namaly
Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely
anao anie izay nangatahinao taminy.
18 Ary hoy izy:
Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy,
ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19 Ary nifoha
maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka
tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary
Jehovah nahatsiaro azy.
20 Ary tamin'ny
fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany
nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela =
Nohenoin'Andriamanitra (?)]
21 Ary
ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba
hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
22 Fa Hana kosa
tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza,
fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao
mandrakizay izy.
23 Ary hoy
Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy;
ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny
zanany mandra-panotiny azy.
24 Ary nony efa
maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny
vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny
ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa
telo taona)][**Na: siny hoditra]
25 Dia
novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.
26 Ary hoy
Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy
nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.
27 Ny hahazoako
ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko
taminy.
28 Koa atolotro
ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho
an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.
*
1 [Fisaorana
nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah,
Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko;
fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
2 Tsy misy
masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy
tahaka an'Andriamanitsika .
3 Aza dia
mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa
Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
4 Tapaka ny
tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
5 Mikarama mofo
ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa
ny maro anaka.
6 Jehovah no
mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ary
mampitsangana.[Heb. Sheola]
7 Jehovah no
mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
8 Izy no
manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra
hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka
hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary
izany no ametrahany izao tontolo izao.
9 Ny tongotry
ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy* any amin'ny
maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina]
10 Ho torotoro
izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy.
Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra
ny tandroky ny voahosony.
11 [Ny
nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i
Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany
an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i
Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.
*
12 Ary ny
zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.
13 Ary izao no
fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao
fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana
teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah,
na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]
14 dia
natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny
fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny
fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo
tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
15 Ary raha tsy
mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao
tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho
an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16 Ary raha
nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao
halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny
izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17 Ka dia
lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny
olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.
18 Fa Samoela
nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary
nisalotra efoda rongony fotsy izy.
19 Ary
nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona
izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra
tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
20 Ary Ely
nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity
vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody
izy mivady.
21 Ary Jehovah
namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy
roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.
22 Ary efa
antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy
tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo
amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
23 Dia hoy izy
taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona
rehetra izao ny ratsy ataonareo.
24 Tsia anaka,
fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.
25 Raha misy
olona manota amin'olona, dia ny mpitsara* no hitsara azy; fa raha misy manota
amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy
ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]
26 Ary Samoela
zaza nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.
27 Ary nisy
lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha
mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?
28 Eny,
nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra
fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra
efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra
ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo.
29 Nahoana no
hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho
Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao
voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra
amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?
30 Koa izany no
anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny
taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa
ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra
Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
31 Indro, avy
ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy
hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.
32 Ary hahita
ny manjo* ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka
tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo
eo amin']
33 Nefa tsy dia
hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao
sy hampalahelo ny fonao*; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao
herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho
eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]
34 Ary izao no
ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy
Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.
35 Ary Izaho
hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato
an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny
voahosotro mandrakizay izy.
36 Ary ho avy
izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola
kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona
aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
1 [Ny
niantsoana an'i Samoela ho mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao
fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro
izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
2 Ary
tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny
masony, ka tsy nahita izy),
3 sady tsy
mbola maty ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny
tempolin'i Jehovah, izay nisy ny fiaran'Andriamanitra,
4 dia niantso
an'i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
5 Dia
nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy
ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
6 Ary Jehovah
niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary
nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka;
andeha mandry ihany.
7 Ary Samoela tsy
mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy.
8 Ary Jehovah
niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely
ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no
niantso ny zaza.
9 Ary hoy Ely
tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia
valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela
nandry tao amin'ny fandriany.
10 Ary avy
Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela
ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11 Ary hoy
Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka
izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
12 Amin'izany
andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny
amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
13 Fa efa
nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay
fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany.
14 Koa izany no
nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony
mandrakizay.
15 Ary nandry
Samoela mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah
izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely.
16 Fa Ely
niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17 Ary hoy izy:
Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy;
hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy
afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
18 Dia
nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia
hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19 Ary nitombo
Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny
teniny.
20 Ary ny
Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa
mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela.
21 Dia niseho
tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny
teniny.
*
1 [Ny
niadian'ny Isiraely tamin'ny Filistina, sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah]
Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny
Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny
Filistina kosa nitoby tany Afeka.
2 Dia nilahatra
ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny
Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila
nilahatra tany an-tsaha.
3 Ary rehefa
tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely
antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any
Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto
amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
4 Dia naniraka
nankany Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay
mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra,
izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
5 Ary rehefa
tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny
Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
6 Ary rehefa
ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny
Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
7 Dia
raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary
hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
8 Mahita loza
isika! Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo?
Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany
an-efitra.
9 Mahereza, ary
aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo
tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
10 Ary niady ny
Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy
rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra
tamin'ny Isiraely no niampatrampatra.
11 Dia lasan-ko
babo ny fiaran'Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia
sy Finehasa.
12 Ary nisy
lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin'ny miaramila ka tonga
tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny
lohany.
13 Ary raha
tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo
amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony
tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna
rehetra.
14 Ary rehefa
ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao?
Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.
15 Ary efa valo
amby sivi-folo taona Ely tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita
izy.
16 Ary hoy ilay
lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no
nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany,
anaka?
17 Dia namaly
ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny
Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy
Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
18 Ary nony
nilaza ny amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny
sezany teo anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria
efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
19 Ary ny
vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny
fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny
vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
20 Ary rehefa
nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao
taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany
izy.
21 Dia nataony
hoe Ikaboda* ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely,
satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany
sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy misy voninahitra]
22 Ary hoy izy:
Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny
fiaran'Andriamanitra.
1 [Ny
namelezan'Andriamanitra ny Filistina noho ny namaboany ny fiara, sy ny
namerenan'ny Filistina azy] Dia nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka
nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
2 Ary nony efa
azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona
izy ka napetrany teo anilany.
3 Ary nony
ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka
niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona
izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray.
4 Ary nony
ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka
niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo
amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny
tenabeny ihany no sisa
5 izany no tsy
anitsahan'ny mpisoron'i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran'i
Dagona ao Asdoda mandraka androany).
6 Ary navesatra
tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay
ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.
7 Ary rehefa
hitan'ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto
amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy
amin'i Dagona andriamanitsika ny tànany.
8 Dia naniraka
olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka
nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy
ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia
nafindrany ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ary rehefa
voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro
azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka
nisy vay nipoipoitra taminy.
10 Ary dia
naterin'ny olona nankany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga
tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa
nafindran'ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny
Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
11 Dia naniraka
olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe:
Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any
amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika;
fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao
ny tànan'Andriamanitra.
12 Ary ny olona
izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia
niakatra ho any an-danitra.
1 Ary ny
fiaran'i Jehovah dia tany amin'ny tanin'ny Filistina fito volana.
2 Ary ny
Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no
hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any
amin'ny fitoerany.
3 Ary hoy ireo:
Raha aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy,
fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho
fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo.
4 Dia hoy ny
olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay
volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny
Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
5 Koa manaova
sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo
voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala
aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
6 Fa nahoana no
manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony?
Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona,
ka dia lasa?
7 Koa
ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy
mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny
zanany hiala aminy.
8 Ary alao ny
fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata
kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka
ampandehano izany.
9 Ary izahao,
ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy
izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy
izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay
hanjo antsika.
10 Dia
nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny
sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.
11 Dia
napetrany teo ambonin'ny sariety ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely ary ny
totozy volamena sy ny sarin'ny vay.
12 Ary ny
ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha
tamin'ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny
ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy
hatramin'ny fari-tanin'i Beti-semesy.
13 Ary ny
Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony
izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.
14 Ary ny
sariety tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary
nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny
ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
15 Ary ny
Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay
nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary
tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana
sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.
16 Ary raha
hitan'ireo andriana dimy tamin'ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona
androtrizay ihany izy.
17 Ary izao no
sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i
Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray,
an'i Ekrona iray;
18 ary ny
totozy volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay
an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka
hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any
an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
19 Ary Jehovah
namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia
olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i
Jehovah, ka be dia be no maty.
20 Ary hoy ny
mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah
Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala
amintsika?
21 Dia naniraka
olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny
Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any
aminareo izy.
1 Dia tonga teo
ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia
nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an'i
Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
*
2 [Ny
nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny
nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela
tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny
taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin'i
Jehovah]
3 Ary hoy
Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny
fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa
sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no
hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
4 Dia nanary
ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
5 Ary hoy
Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho
anareo aho.
6 Dia nivory
tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah,
sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i
Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
7 Ary rehefa
ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely
azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia
raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8 Dia hoy ny
Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah
Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
9 Dia naka
zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i
Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino
azy Jehovah.
10 Ary raha
mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady
amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina
tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny
Isiraely izy.
11 Ary ny
lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka
namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
12 Ary Samoela
naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany
nataony hoe Ebenezera*; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika
hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
13 Dia resy ny
Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny
tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
14 Ary ny
tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely
indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny
Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny
Amorita.
15 Ary Samoela
nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
16 Ary nandeha
isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny
Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.
17 Dia niverina
ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady
nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
1 [Ny
nangatahan'ny Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no
nataony mpitsara ny Isiraely.
2 Ary Joela no
anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany
Beri-sheba izy ireo.
3 Nefa ny
zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka
nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
4 Ary ny
loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela
5 ka nanao
taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao;
koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
6 Fa tsy
sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.
Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.
7 Ary hoy
Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra
lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
8 Araka ny asa
rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta
ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa,
dia toy izany koa no ataony aminao.
9 Ary
ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy
ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
10 Dia
nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny
rehetra nolazain'i Jehovah.
11 Ary hoy izy:
Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia
halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary
hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,
12 ary
hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy
hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
13 ary ny
zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy
mpanao mofo;
14 ary ny tsara
indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia
halainy ka homeny ho an'ny mpanompony;
15 ary ny
ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny
ho an'ny tandapany* sy ny tandonany.[Heb. ionoka]
16 Ary ny
ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny
borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
17 Ary halainy
koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga
mpanompony.
18 Ary
hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo
ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany.
19 Kanefa tsy
nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy
mpanjaka hanjaka aminay,
20 mba ho
tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy
hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
21 Ary ren'i
Samoela ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i
Jehovah kosa.
22 Ary hoy
Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy
Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny
tanànanareo avy ianareo rehetra.
*
1 [Ny
nanendrena an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny
Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata,
zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
2 Ary
nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka
tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho
ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
3 Ary very ny
borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà
zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
4 Dia nandeha
namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita
azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia
nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
5 Ary nony
tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy:
Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky
intsony.
6 Fa hoy ny
mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa,
ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa
andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony
halehantsika.
7 Dia hoy Saoly
tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho
an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy
misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no
atỳ amintsika?
8 Dia namaly
an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy
vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba
hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
9 (Fahiny teo
amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia
izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe
mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
10 Dia hoy
Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy
roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.
11 Ary raha
mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita
zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
12 Dia namaly
azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana
faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny
vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;
13 ary raha vao
miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra
hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka
mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa
afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa
amin'izao no hahitanareo azy.
14 Dia niakatra
tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka
niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
15 Ary Jehovah
efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao
hoe:
16 Rahampitso
toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy
amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy
ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria
efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
17 Ary nony
hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy*: Indro ny lehilahy voalazako
taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]
18 Ary Saoly
dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy
ahy ny tranon'ny mpahita.
19 Ary Samoela
dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny
fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia
halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
20 Ary aza
malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary
ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny
ankohonan-drainao va?
21 Dia namaly
Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny
firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny
mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy
izany ianao?
22 Ary Samoela
dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano,
dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona
telo-polo ireo.
23 Ary hoy
Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa
nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
24 Dia
nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena* mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo
anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto
anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao
hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia
niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe]
25 Ary izy roa
lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka
tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
26 Ary nifoha
maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo
an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia
nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy
Samoela.
27 Ary nony
nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly:
Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely
ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
Chapitre 10. 1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka
nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy
nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
2 Rehefa
misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny
fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza
aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky
intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy:
Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?
3 Dia handroso
hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena
amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny
anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny
anankiray mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra]
4 ary hiarahaba
anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.
5 Rehefa afaka
izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny
Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany
maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy
ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6 Ary hilatsaka
aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho
olom-baovao.
7 Ary rehefa
tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa
Andriamanitra no momba anao.
8 Ary ianao
hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba
hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao
mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
9 Ary raha vao
nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary
tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10 Ary rehefa
tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia
nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11 Ary nony
hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo
amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga
amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
12 Ary ny
anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny
fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
13 Ary rehefa
nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
14 Ary hoy ny
rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary
hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i
Samoela izahay.
15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i
Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.
16 Dia hoy
Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny
boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany
taminy.
17 Ary Samoela
namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah
18 ka nanao
tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo
tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay
nampahory anareo.
19 Nefa ianareo
kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny
zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia,
fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah
araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20 Dia
nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no
voafidy.
21 Dia
nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny
Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny
olona, dia tsy nahita azy.
22 Dia
nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na
tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy.
23 Dia
nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny
olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho
miakatra ny halavany.
24 Ary hoy
Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy
misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka
nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25 Ary Samoela
nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany
tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka
rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.
26 Fa Saoly
kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny
tànan'Andriamanitra ny fony.
27 Fa nisy kosa
olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy
antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa
Saoly dia tahaka ny marenina.
*
1 [Ny
nandresen'i Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy
Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina
rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao
izahay.
2 Fa hoy Nahasy
Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana
rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
3 Fa hoy ny
loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho
any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona
hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
4 Dia tonga
tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka;
dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
5 Ary, indro,
Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo
ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
6 Dia nilatsaka
tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i
Saoly, raha nandre izany teny izany.
7 Dia naka omby
roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny
fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka
hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia
nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray
ihany izy.
8 Ary nandamina
azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina
no isan'ny lehilahy amin'ny Joda.
9 Ary hoy izy
tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao
Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo.
Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly
ireo.
10 Ary hoy ny
mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo
aminay izay rehetra sitrakareo.
11 Ary nony
maraina, dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby
tamin'ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny
andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia
hatramin'ny roa aza.
12 Ary hoy ny
vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay?
Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
13 Fa hoy
Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah
famonjena teo amin'ny Isiraely.
14 Ary hoy
Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana
any.
15 Dia lasa ny
vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka
teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo
anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra
amin'ny Isiraely.
*
1 [Ny anatra
nataon'i Samoela tamin'ny Isiraely noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy
Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho
tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka
aminareo.
2 Ary
ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra
sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo
anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
3 Koa inty aho;
tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no
nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no
nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko?
fa honerako aminareo izany.
4 Ary hoy ireo:
Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny
an-tànan'olona na dia iray akory aza.
5 Dia hoy
Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny
voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia
hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
6 Ary hoy
Samoela tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra
ny razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
7 Koa
ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho
ny amin'ny asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
8 Rehefa tonga
tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia
naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy
tany Egypta ary namponina azy teto amin'ity tany ity.
9 Nefa raha
nanadino an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera,
komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy.
10 Dia
nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy
an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny
tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
11 Ary Jehovah
efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana* sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo
tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na:
(Baraka)]
12 Kanjo nony
hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo
tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah
Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
13 Koa
ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa
Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
14 Enga anie ka
hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny
didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny
mpanjaka izay manjaka aminareo.
15 Fa raha tsy
mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo
ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
16 Koa
mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto
imasonareo izao:
17 Moa tsy
taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga
kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy
nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
18 Ary Samoela
niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany
andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela
indrindra.
19 Dia hoy ny
vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho
an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho
fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
20 Ary hoy
Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany
tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy
amin'ny fonareo rehetra.
21 Eny, aza
mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa
zava-poana ireo.
22 Fa Jehovah
tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny
nanaovany anareo ho olony.
23 Ary ny
amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho
anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
24 Kanefa
matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra;
fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
25 Fa raha
mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
*
1 [Ny
niadian'ny Isiraely indray tamin'ny Filistina, sy ny nahadiso an'i Saoly, ary
ny nandavan'Andriamanitra azy] Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary
nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
2 Ary Saoly
nifantina telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo
aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy
nitoetra teo amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa
samy nampodiny ho any an-dainy avy.
3 Ary Jonatana
namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany.
Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka
handre ny Hebreo.
4 Dia ren'ny
Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia
halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any
Gilgala.
5 Ary ny
Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka
tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia
nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
6 Ary nony hitan'ny
lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia
nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy
tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy.
7 Ary ny Hebreo
sasany dia lasa nita an'i Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa
Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa
toran-kovitra be ihany.
8 Ary niandry
hafitoana izy araka ny fotoana nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga
tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an'i Saoly.
9 Ary hoy
Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia
nanatitra ny fanatitra dorana izy.
10 Ary rehefa
vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena
azy Saoly mba hiarahaba azy.
11 Dia hoy
Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny
olona, sady tsy tonga tamin'ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny
Filistina,
12 dia hoy
izaho: Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy
mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny
fanatitra dorana.
13 Ary hoy
Samoela tamin'i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah
Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny
Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny Isiraely ho mandrakizay.
14 Koa izao dia
tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony,
ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina
izay nandidian'i Jehovah anao ianao.
15 Dia niainga
Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina
ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
16 [Ny
nampahorian'ny Filistina ny Isiraely, sy ny nahasahian'i Jonatana namely azy]
Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny
vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
17 dia nivoaka
nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko
nizotra tamin'ny lalana mankany Ofra ho any amin'ny tany Solala;
18 ary ny iray
toko nizotra ho any amin'ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa
nizotra ho any amin'ny lalana mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha
Zeboima tandrifin'ny efitra.
19 Ary teny
amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao
manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
20 Ka dia samy
nidina ho any amin'ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny
fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
21 Nefa nanana
tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana
sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
22 Ary tamin'ny
andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka
rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany
ihany no nisy.
23 Ary ny avy
tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany.
Mikmasy.
*
1 Ary tamin'ny
indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny
fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ
an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
2 Ary Saoly
nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any
Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
3 ary teo koa
nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa,
zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa
Jonatana.
4 Ary teo
an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana
hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha:
ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
5 Ny iray
amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i
Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
6 Ary hoy
Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny
miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy
mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
7 Dia hoy kosa
ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa
ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
8 Ary hoy
Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9 Ary raha hoy
izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay
itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
10 Fa raha hoy
kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i
Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
11 Dia niseho
tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo,
misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
12 Ary ny
miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara
etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny
mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny
Isiraely izy.
13 Ary Jonatana
nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny
fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny
fiadiany namono teo aoriany.
14 Ary tokony
ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny
fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15 Koa nisy
hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo
amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka
dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
16 Ary ny
mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny
vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
17 [Ny
nanenjehan'i Saoly sy ny Isiraely ny Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny
olona, ary ny zavatra niseho avy tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo
aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona,
dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
18 Dia hoy
Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny
Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany*).[Na: Ento etỳ ny efoda.
(Fa nisalotra ny efoda teo anatrehan'ny Isiraely izy fahizany.)]
19 Ary raha
Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba
terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
20 Ary Saoly sy
ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy,
ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka
nifanaritaka be ihany.
21 Ary ny
Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any
an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo
amin'i Saoly sy Jonatana koa.
22 Ary ny lehilahy
rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha
nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
23 Ary Jehovah
namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny
ady.
24 Ary ory ny
lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana
ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro
mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray
akory aza.
25 Ary ny olona
rehetra amin'ny tany* dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny
tany.[Heb. ny tany rehetra]
26 Ary rehefa
tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy
olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana
izy.
27 Fa Jonatana
kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny
loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo
am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
28 Ary nisy
olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy
ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny
olona.
29 Dia hoy
Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he!
izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
30 Ka mainka fa
raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho
nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
31 Ary izy ireo
namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona,
ary reraka indrindra ny olona.
32 Dia
nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary
zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona
mbamin'ny ràny.
33 Ary nisy
nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana
zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato
lehibe etỳ amiko anio.
34 Ary hoy koa
izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny
ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia
hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny.
Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina
izany ka namono azy teo.
35 Ary Saoly
nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
36 Ary hoy
Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy
ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona:
Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona
an'Andriamanitra etoana.
37 Ary Saoly
nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho?
Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy
androtr'iny.
38 Ary hoy
Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay
nahatonga izao fahotana androany izao?
39 Fa raha
velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako
aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka
rehetra.
40 Dia hoy kosa
izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy
Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy
izay sitrakao.
41 Dia hoy
Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary
Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
42 Ary hoy
Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
43 Dia hoy
Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara
taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ
an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
44 Dia hoy
Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha
tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
45 Fa hoy ny
vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe
izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na
dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa
tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia
tsy maty izy.
46 Ary Saoly
niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa
nankany amin'ny taniny.
47 [Ny ady
nataon'i Saoly, sy ny filazana ny amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny
fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia
tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary
ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
48 Ary namory
miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny
tànan'izay namaboazy.
49 Ary izao no
zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny
zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy
Mikala.
50 Ary ny
anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny
komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
51 Ary Kisy no
rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.
52 Ary mafy ny
ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona
matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
*
1 [Ny tsy
nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny
Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela
tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely
olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.
2 Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny
Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany
Egypta.
3 Koa mandehana
ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano* izay rehetra mety ho azy,
ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika,
na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy
herema]
4 Ary Saoly
namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha
an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda.
5 Ary Saoly dia
tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
6 Ary hoy Saoly
tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita,
fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely
rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny
Kenita.
7 Ary Saoly
namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i
Egypta.
8 Ary azony
sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia
naringany* tamin'ny lelan-tsabatra.[Heb. nataony herema]
9 Fa Saoly sy
ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy
sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny
ho naringana* ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany*
ihany avokoa.[Heb. hatao herema]
10 Ary tonga
tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe:
11 Manenina Aho
noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy
ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia
tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina.
12 Ary nifoha maraina koa
Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa
tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina
ka nandroso nidina ho any Gilgala.
13 Ary Samoela tonga teo
amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa
nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.
14 Fa hoy Samoela: Inona
anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny
omby reko?
15 Ary hoy Saoly: Avy tany
amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy
sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao,
fa ny sisa dia naringanay* ihany avokoa.[Heb. nataonay herema]
16 Dia hoy Samoela tamin'i
Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina.
Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
17 Dia hoy Samoela: Na dia
noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va?
Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;
18 ary Jehovah naniraka anao
ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia
aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema]
19 Koa nahoana ianao no tsy
nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah?
20 Fa hoy Saoly tamin'i
Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay
nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady
nandringana ny Amalekita rehetra.
21 Nefa nangalan'ny olona
ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1
mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
22 Fa hoy Samoela: Sitrak'i
Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho
ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho
ny saboran'ondrilahy.
23 Fa ny miodina
dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy
terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka
kosa.
24 Ary hoy
Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny
teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
25 Koa
ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba
hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah.
26 Fa hoy
Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i
Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.
27 Ary nony
nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.
28 Dia hoy
Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny
fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
29 Ary koa, ny
Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
30 Fa hoy
Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo
anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re
hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrao.
31 Ary Samoela
dia niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i
Jehovah.
32 Dia hoy
Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo
aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.
33 Fa hoy
Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny
reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo
anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.
34 Ary Samoela
nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.
35 Ary Samoela
tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i
Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny
Isiraely.
*
1 [Ny
nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i
Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà
azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa
hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao
amin'ny zanany Aho.
2 Fa hoy
Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy
hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe:
Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.
3 Ary antsoy
Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay
hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
4 Ary Samoela
nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy
amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no
ihavianao?
5 Ary hoy izy:
Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny
tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy
Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.
6 Ary nony
tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah
tokoa ity eto anatrehany.
7 Fa hoy
Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa
efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa
ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
8 Ary Jese
niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy:
Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
9 Ary Jese dia
nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
10 Ary Jese nampandalo
fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese:
Tsy nofidin'i Jehovah ireto.
11 Ary hoy
Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy
izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese:
Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
12 Dia naniraka izy ka
nitondra azy hiditra. Ary
mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna,
hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava]
13 Ary Samoela
nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary
ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia
nitsangana Samoela ka nankany Rama.
14 Fa ny
Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany
amin'i Jehovah nampahatahotra azy.
15 Ary hoy ny
mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any
amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.
16 Aoka ny
tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady
olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any
amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho
tsara ihany ianao.
17 Ary hoy
Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento
etỳ amiko.
18 Dia namaly
ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i
Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika
izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
19 Ary Saoly
dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida
zanakao izay miandry ondry.
20 Ary Jese
naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy
zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.
21 Ary Davida
tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka
dia tonga mpitondra ny fiadiany.
22 Ary Saoly
naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo
anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.
23 Ary raha
nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i
Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra
Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
*
1 [Ny amin'i
Davida sy Goliata] Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory
tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao
Efesa-damima.
2 Ary Saoly sy
ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha
ary nilahatra hiady amin'ny Filistina.
3 Ary ny
Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa
teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
4 Ary nisy lehilahy
iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any
Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
5 Ary nisatroka
fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra*, ka ny lanjan'ny
akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany
tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
6 Ary nanao
fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo
an-damosiny.
7 Ary ny
haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony
dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha
teo alohany.
8 Ary nijanona
izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo
no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i
Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
9 Raha tàhiny
maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko
kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10 Ary hoy ilay
Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy
lehilahy iray aho hiady amiko.
11 Ary raha
ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia
nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
12 Ary Davida
dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana
zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny
andron'i Saoly;
13 ary ny
zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany
an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba,
lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
14 ary Davida
no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly;
15 fa Davida
kosa nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16 Ary ilay
Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17 Ary hoy Jese
tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo
ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny
rahalahinao.
18 Ary ento ho
an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara
ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny
aho.
19 Ary Saoly sy
izy telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny
lohasaha Elaha niady tamin'ny Filistina.
20 Dia nifoha
maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany
izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny
sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia
nanakora hiady tamin'izay.
21 Fa ny
Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22 Ary Davida
namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny
amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny
rahalahiny.
23 Ary raha
mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny
miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata,
Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida.
24 ary ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra
azy, fa natahotra indrindra izy.
25 Ary hoy ny
lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny
Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka
manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy
hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
26 Ary hoy Davida
tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy
mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io
Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
27 Ary ny olona
namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.
28 Ary Eliaba
zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny
fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa
no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy
ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29 Ary hoy
Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
30 Ary niala
teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona
namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31 Ary nony ren'ny
olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia
naniraka naka azy izy.
32 Ary hoy
Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny
mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.
33 Fa hoy Saoly
tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola
zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
34 Fa hoy
Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona
sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,
35 dia
nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary
nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka
matiko.
36 Ny liona sy
ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho
tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra
velona izy.
37 Ary hoy koa
Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no
hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida;
Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
38 Ary Saoly
nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina
tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina
nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
39 Ary Davida
namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola
nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho,
fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.
40 Dia nitondra
ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny
lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry,
izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay
Filistina izy.
41 Ary ilay
Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy
mitondra ny ampinga lehibe.
42 Ary nony
nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy,
fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]
43 Ary hoy ilay
Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina?
Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina
44 sady nanao
tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia
ny nofon'ialahy.
45 Fa hoy kosa
Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona
ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah,
Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
46 Anio no
hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny
lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny
Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa
ny Isiraely.
47 Ary ho
fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i
Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48 Ary nony
niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana
Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay
Filistina.
49 Ary
natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia
nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary
nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
50 Toy izany no
nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay
Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
51 Dia nihazakazaka
Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka
notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary
nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra
izy.
52 Ary ny lehilahy
amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny
Filistina hatrany akaikin'i Gay* sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa
tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary
hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]
53 Ary ny
Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny
koa.
54 Ary ny
lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny
fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
55 [Ny
nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita
an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera,
komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera:
Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56 Ary hoy ny
mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny.
57 Ary nony
niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny
teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.
58 Dia hoy
Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese
Betlehemita mpanomponao aho.
1 Ary rehefa
nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny
fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
2 Ary Saoly
nandray azy tamin'izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin'ny
tranon-drainy intsony.
3 Ary Davida sy
Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
4 Ary nesorin'i
Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny
akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5 Ary Davida
nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia
nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra
sy ny mpanompon'i Saoly koa.
6 Ary nony
tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia
nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy
nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary
ny kipantsona*.[Na: varahina telo zoro]
7 Ary ny
vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty
alinalina.
8 Dia tezitra
indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida
nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny
fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9 Ary Saoly
hatramin'izany andro izany dia nangarika an'i Davida.
10 Ary nony
ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka
tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga
tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny
an-tànan'i Saoly.
11 Dia
natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko
miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12 Ary Saoly
natahotra an'i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13 Koa dia
nesorin'i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika
ny olona nivoaka sy niditra izy.
14 Ary Davida
dia hita fa hendry tamin'izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15 Ary nony
hitan'i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
16 Fa ny
Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka
sy niditra izy.
17 Ary hoy
Saoly tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza
ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny
tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)
18 Fa hoy
Davida tamin'i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny
mpianakavin'ny raiko ao amin'ny Isiraely, no ho vinanton'ny mpanjaka aho?
19 Kanjo nony
tamin'ny andro tokony ho namoahana an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i
Davida, dia nomena ho vadin'i Adriela Meholatita izy.
20 Fa Mikala,
zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i
Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
21 (Fa hoy
Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina
azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao*.
[Na: Izy roa vavy izao dia samy maha-vinantoko anao avokoa]
22 Ary Saoly
nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe:
Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia
maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
23 Ary ny
mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa
ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa
izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
24 Ary ny
mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
25 Dia hoy
Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho
vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan*'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho
famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny
tanan'ny Filistina izany.[Heb. saron-tsosoka]
26 Ary rehefa
nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i
Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
27 dia niainga
Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary
Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany* ka nanisa azy teo anatrehan'ny
mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida
Mikala zananivavy.[Heb. saron-tsotsoka]
28 Ary Saoly
nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
29 Ary dia vao
mainka natahotra an'i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida
mandrakariva izy.
30 Ary ireo
andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no
hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny
anarany.
1 [Ny nifonan'i
Jonatana ho an'i Davida, sy ny nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny
nandosiran'i Davida nankany amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana
zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa
Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
2 Ary Jonatana
nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna
ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana
mangingina, ka miere;
3 ary izaho
hivoaka ka hitsangana eo anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka
aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
4 Ary Jonatana
nilaza soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka
tsy hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady
nahasoa anao indrindra ny nataony,
5 fa izy efa
nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita
famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana
no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
6 Ary Saoly
nihaino ny tenin'i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy
hatao maty izy.
7 Ary Jonatana
niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i
Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha
ihany indray izy.
8 Ary mbola
nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty
betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
9 Ary nisy
fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao
an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga
tamin'ny tànany.
10 Ary Saoly
nihendry hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra
amin'ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina
no voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
11 Ary Saoly
naniraka olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina;
fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio
alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
12 Ary Mikala
nampidina an'i Davida tamin'ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka
afaka.
13 Ary nalain'i
Mikala ny sampy*, dia napetrany teo amin'ny farafarany, ka nosaronany
makarakara volon'osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.[Heb. terafima]
14 Ary nony
naniraka haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
15 Ary Saoly
naniraka ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra
atỳ amiko amin'ny farafara izy hovonoiko.
16 Dia niditra
ny iraka, kanjo, indro, ny sampy* no teo am-parafara, ary voasaron'ilay
makarakara volon'osy ny lohany.[Heb. terafima]
17 Dia hoy
Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny
fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy
tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
18 Dia
nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia
nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka
nonina tany Naiota.
19 Ary nisy
nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
20 Ary Saoly
naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany
tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny
irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
21 Ary nony
nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa
dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany
ihany koa ireo.
22 Ary dia lasa
nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano
izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny
anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
23 Dia nankany
Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia
nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota
any Rama.
24 Ary
nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo
anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny.
Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?
1 [Ny faran'ny
nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida
nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i
Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo
anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
2 Ary hoy izy
taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky
ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany
zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
3 Ary Davida
mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita
fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany,
fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny
fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
4 Dia hoy
Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao
izany.
5 Ary hoy
Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony
hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any
an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.
6 Koa raha
hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba
hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy
mianakavy rehetra isan-taona any.
7 Ary raha
lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha
tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
8 Koa mamindrà
fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny
mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy,
fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
9 Fa hoy
Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy
ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
10 Dia hoy
Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay
teny sarotra havalin-drainao anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha
tahìny mamaly sarotra anao rainao]
11 Ary hoy
Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka
tany an-tsaha izy roa lahy.
12 Ary hoy
Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho
vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny
hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any
aminao aho sy manambara izany aminao,
13 dia hataon'i
Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha
kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka
halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny
tamin'ny raiko anie Jehovah.
14 Ary raha
mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy
hahafaty ahy?
15 Ary tsy
hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy
aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ
ambonin'ny tany.
16 Ary dia
nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny
fahavalon'i Davida.
17 Ary Jonatana
nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany
izy.
18 Ary hoy
Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo
ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
19 Koa rehefa
mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay
nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny*, ka mitoera ao anilan'ny
vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3]
20 Ary izaho
handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
21 Dia haniraka
ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha
lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka,
ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy
hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
22 Fa raha hoy
kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana
ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
23 Ary ny
amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona
amiko sy aminao mandrakizay.
24 Ary Davida
niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
25 teo amin'ny
fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana
teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo
anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida.
26 Nefa Saoly
tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy
zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
27 Ary nony
tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany
ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy
mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?
28 Ary Jonatana
namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
29 nanao hoe:
Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna,
ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo
imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no
tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.
30 Dia
nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao
zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny
zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon*'ny reninao.[Heb.
fitanjahan']
31 Fa raha
mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho
tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ
amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
32 Ary Jonatana
namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona
no nataony?
33 Ary Saoly
nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy
hovonoina Davida.
34 Dia
nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny
fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa
nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
35 Ary nony
maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony
tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
36 Ary hoy
Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony
nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
37 Ary nony efa
tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay
zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny
zana-tsipìka?
38 Ary Jonatana
niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny
zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.
39 Nefa ilay
zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no
nahalala ny anton'izany.
40 Dia nomen'i
Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho
any an-tanàna ireto.
41 Ary nony
lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka
tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy
nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.
42 Ary hoy
Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny
anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao
ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
*
1 Dia
nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
2 [Ny
nandosiran'i Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata] Ary Davida
tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka,
raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery
ianao, fa tsy misy manaraka anao?
3 Dia hoy
Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy
izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako
anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
4 Koa inona no
misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
5 Ary ny
mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo
masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
6 Ary Davida
namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy
niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia
masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia
hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
7 Ary ny
mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho,
izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro
nanesorana azy.
8 (Nefa nisy
anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo
anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly
izy.)
9 Ary hoy
Davida tamin'i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho
tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny
raharahan'ny mpanjaka.
10 Fa hoy ny
mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha
Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho
entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka
iny, fa omeo ahy.
11 Ary Davida
niainga nandositra tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'i Saoly, dia nankany
amin'i Akisy, mpanjakan'i Gata.
12 Ary hoy ny
mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va
no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida
nahafaty alinalina?
13 Ary dia
nalatsak'i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an'i Akisy,
mpanjakan'i Gata, indrindra izy.
14 Dia nody
adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa
nanoratsoratra teo amin'ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka
tamin'ny somony ny iviny.
15 Ary hoy
Akisy tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka
nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?
16 Izaho moa
mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba
hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?
*
1 [Ny
nirenirenen'i Davida tany Joda sy Moaba, ary ny namonoan'i Saoly ny mpisorona
maro] Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary
nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy
ireo.
2 Ary izay
mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra
dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho
efa-jato lahy ny tao aminy.
3 Ary Davida
niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe:
Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ
aminao ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko.
4 Ary dia
nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny
andro rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana.
5 Ary hoy Gada
mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà,
ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala
Hareta.
6 Ary ren'i
Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo
ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona
teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
7 dia hoy Saoly
tamin'ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa
ianareo rehetra koa mba homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba
hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
8 no dia miray
tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako
nanao fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo,
na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy
tahaka ny amin'izao anio izao?
9 Ary Doega
Edomita, mpifehy* ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i
Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.[Na: izay
nitsangana teo amin']
10 Ary
Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny
azy koa ny sabatr'i Goliata Filistina.
11 Ary ny
mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny
tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny
mpanjaka izy rehetra.
12 Ary hoy
Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho,
tompoko.
13 Ary hoy
Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny
zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho
azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao
anio izao?
14 Ary
Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba
mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao
sy malaza ao an-tranonao?
15 Ary vao izay
va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny
mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny
mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely
na be.
16 Fa hoy ny
mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao
rehetra.
17 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'ny mpiambina* izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny
mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany
ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny
mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.[Heb.
mpihazakazaka]
18 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita
nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay
nisalotra efoda rongony fotsy.
19 Dia nasiany
tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny
vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny
ondry aman'osy.
20 Ary ny
anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia
afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida.
21 Ary Abiatara
nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah.
22 Ary hoy
Davida tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka
hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra
tamin'ny tarana-drainao.
23 Tomoera
etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny
ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.
*
1 [Ny
namonjen'i Davida an'i Keila] Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny
Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.
2 Ary Davida
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary
hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
3 Ary hoy ny
olon'i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha
mankany Keila hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina?
4 Dia nanontany
tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna
hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
5 Dia lasa
Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny
ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao
Keila.
6 Ary raha
nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia
nitondra efoda teny an-tànany izy.
7 Ary nambara
tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa
nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany
amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.
8 Ary Saoly
namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i
Davida sy ny olony.
9 Ary fantatr'i
Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i
Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
10 Dia hoy
Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa
fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
11 Ka moa ny
mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va
Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô,
mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
12 Dia hoy
Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i
Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
13 Ary dia
niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary
nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra
niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
14 Ary Davida
nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny
tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa
Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
15 [Ny
nitoeran'i Davida tany an-efitr'i Zifa sy Maona, ary ny hevitra nataon'ny
Zifita hahazoan'i Saoly azy] Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny
ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.
16 Ary
Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka
nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.
17 Ary hoy izy
tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa
ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary
fantatr'i Saoly raiko koa izany.
18 Ary nanao
fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany
an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
19 Ary niakatra
nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao
amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay
atsimon'ny efitra, va Davida?
20 Koa
ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao,
fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.
21 Ary hoy
Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
22 Masìna
ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay
nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
23 Koa izahao
sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko
indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra
amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.
24 Dia niainga
nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny
efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay* atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà]
25 Ary nandeha
Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia
nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony
ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
26 Ary Saoly
nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny
ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa
Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
27 Dia nisy
iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina
efa manafika ny tany.
28 Dia niverina
Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina;
ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe:
Sela-hamalekota*.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]
*
1 [Ny tsy
netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly, na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida
niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.
2 Ary rehefa
niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe;
Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.
3 Ary Saoly
naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i
Davida sy ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia.
4 Ary tonga teo
amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba
hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
5 Ary hoy ny
olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro,
hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia
nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
6 Nefa nony efa
vita izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny
kapôtin'i Saoly,
7 ka hoy izy
tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra
izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy,
fa voahosotr'i Jehovah izy.
8 Dia
nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy
hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia
nandeha tamin'izay nalehany.
9 Ary rehefa
afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia
niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy
Saoly, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.
10 Ary hoy
Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida
mitady hanisy ratsy anao?
11 Indro,
hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao
an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko,
ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i
Jehovah izy.
12 Ary koa, ry
ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa
raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka
fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota
taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
13 Jehovah no
hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako
tsy mba haninona anao.
14 Araka ny
lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy,
nefa ny tanako tsy haninona anao.
15 Hitady
an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty;
parasy iray.
16 Aoka Jehovah
no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka
hanafaka ahy amin'ny tananao.
17 Ary nony
vita izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va
izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
18 ary hoy izy
tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho
kosa namaly ratsy anao.
19 Ary ianao
dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo
an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
20 Fa moa raha
misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa
hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
21 Ary, indro,
ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho
tafatoetra tsara eo an-tananao.
22 Koa mianiàna
amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby
ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.
23 Ary Davida
dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa
niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.
*
1 [Ny
nahafatesan'i Samoela, ary ny amin'i Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary
nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany
tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2 Ary nisy
lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka
nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3 Nabala no
anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara
tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny
taranak'i Kaleba izy.
4 Ary ren'i
Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
5 Dia naniraka
zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary
mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.
6 Ary izao no
holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho
amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.
7 Ary
ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao
aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro
rehetra nitoerany tao Karmela.
8 Anontanio ny
zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo
(fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny
tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
9 Ary rehefa
tonga ny zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida
araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
10 Fa Nabala
namaly ny mpanompon'i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i
Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin'ny tompony.
11 Koa halaiko
va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety
ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
12 Dia nihodina
ny zatovon'i Davida ka nankany amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy
indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
13 Ary hoy
Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy
ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona,
ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy
tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa
nipetraka teo amin'ny entana.
14 Ary
Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe:
Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika,
nefa nisafoaka tamin'ireny izy.
15 Fa ireo
lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona
izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony
tany an-tsaha izahay.
16 Izy no
mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao
aminy.
17 Koa dia
fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika
mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy
olona mahazo miteny aminy.
18 Dia nandeha
faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara* roa sy ondry
dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata** sy takela-boaloboka maina zato ary
ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[*Na: siny
hoditra][**Heb. sea]
19 Ary hoy izy
tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa
Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20 Ary
tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny
havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena
taminy.
21 Ary Davida
efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona;
fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
22 Mba
hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho
izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety
ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
23 Ary
Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary
niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
24 Dia
niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka
ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao,
ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
25 Masìna
ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa
araka ny anarany ihany no toeny; Nabala* no anarany, ary hadalana no ao aminy;
fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.[Nabala =
Adala]
26 Koa
ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny
fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary
tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy
ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
27 Ary izao
saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo
manaraka ny Tompoko.
28 Masìna
ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny
taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy
ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.
29 Nefa raha
misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny
fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny
fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
30 Ary
amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany
anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31 dia tsy ho
alahelo* na ho nenina* amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana
ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny
tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.[Heb. fahatafintohinana]
32 Ary hoy
Davida tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay
naniraka anao hihaona amiko androany.
33 Ary hotahiny
anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy
hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
34 Kanefa, raha
velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy
anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako
niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
35 Ka dia
noraisin'i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy:
Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny
feonao, ary nankasitrahako ianao.
36 Ary Abigaila
dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy
tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo
loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny
andro.
37 Ary nony
maraina, ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany
zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
38 Ary nony
afaka hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39 Ary nony ren'i
Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka
nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka
ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany
ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
40 Ary nony
tonga tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy:
Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41 Dia
nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny
ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.
42 Ary Abigaila
nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka
azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
43 Ary Davida
efa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy
roa vavy.
44 Fa Saoly efa
nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i
Laisy, avy any Galima.
1 [Ny
nilazan'ny Zifita tamin'i Saoly fanindroany izay hahazoany an'i Davida, sy ny
tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly
tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny
efitra va Davida?
2 Dia niainga
Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina
tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3 Ary nitoby
tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa
Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany
an-efitra Saoly.
4 Dia naniraka
mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
5 Dia niainga
Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay
nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly
nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6 Ary hoy
Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba;
Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay:
Izaho hidina hiaraka aminao.
7 Ary tonga tao
amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory
teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo
anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8 Ary hoy
Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao
izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka
amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
9 Fa hoy Davida
tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny
voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
10 Ary hoy koa
Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny
androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty
azy.
11 Sanatria
amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i
Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara
fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
12 Dia nalain'i
Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa
izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy
rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
13 Dia nita
nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra
lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta);
14 ary Davida
niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera?
Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
15 Ary hoy
Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao
amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa
nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
16 Tsy mety izany
nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy
miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa
ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
17 Ary
fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida
zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
18 Ary hoy koa
izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona
no ratsy amin'ny tanako?
19 Ary
ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny
mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray
fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo
anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara
amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa
andriamani-kafa.
20 Koa aza
avela ho latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny
Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny
an-tendrombohitra.
21 Ary hoy
Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao
intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho
ka diso indrindra.
22 Ary Davida
namaly hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray
mankety haka azy.
23 Ny lehilahy
izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny
fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny
voahosotr'i Jehovah aho.
24 Ary, indro,
fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny
aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.
25 Ary hoy
Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao
ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
*
1 [Ny
nitoeran'i Davida tany Ziklaga tany amin'ny Filistina] Ary Davida nanao
anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy
misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina,
dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho
afaka amin'ny tànany aho.
2 Ary niainga
Davida nandeha mbamin'ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i
Maoka, mpanjakan'i Gata.
3 Ary nitoetra
tao amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny
ankohonany avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy
Abigaila Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
4 Ary nambara
tamin'i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy
intsony izy.
5 Ary hoy
Davida tamin'i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena
fonenana ao amin'ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa
nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin'ny renivohitry ny fanjakana?
6 Dia nomen'i
Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an'ny mpanjakan'ny Joda ambaraka androany
Ziklaga.
7 Ary ny andro
nitoeran'i Davida tany amin'ny tanin'ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
8 Ary Davida sy
ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa
ireo nonina tamin'ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora,
hatramin'ny tany Egypta.
9 Ary Davida
namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo
ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina
nankany amin'i Akisy.
10 Ary hoy
Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany
atsimo izay an'i Joda sy izay an'ny Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.
11 Ary tsy nisy
novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy:
Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no
fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
12 Ary Akisy
nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra* ny tenany any amin'ny
Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.[Heb. nanamaimbo]
1 [Ny
nikambanan'i Davida tamin'ny Filistina, sy ny nivorian'ny Filistina hiady
tamin'ny Isiraely, ary ny nankanesan'i Saoly tany amin'ilay vehivavy nanao azy
ho tsindrian-javatra] Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny
miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao
tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2 Ary hoy
Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao
hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako
mandrakizay ianao.
3 (Ary efa maty
Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia
tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho
tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4 Ary ny
Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely
rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5 Ary Saoly,
raha nahita ny miaramilan'ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny
fony.
6 Ary Saoly dia
nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na
tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
7 Ary hoy Saoly
tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho
hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy
vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8 Dia nanova
tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy
nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna
ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro
ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
9 Ary hoy
ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny
manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka
nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10 Ary Saoly
nianiana tamin'i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy
hisy heloka hahazo anao amin'izao zavatra izao.
11 Dia hoy
ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no
ampiakaro ho etỳ amiko.
12 Ary
hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao
tamin'i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i
Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
14 Ary hoy izy
taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady
mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany
izy ka niankohoka.
15 Ary hoy
Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy
Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa
nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny
nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16 Ary hoy
Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka
tonga fahavalonao.
17 Fa Jehovah
efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny
tananao ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao.
18 Satria tsy
nihaino ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra
tamin'ny Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao
androany.
19 Ary hiaraka
hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary
rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny
Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
20 Dia lavo
niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra
noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy
nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21 Ary nankao
amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe:
Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho
ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22 Koa
ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka
aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka
anao, raha handeha amin'ny alehanao ianao.
23 Fa tsy nety
izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery
azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo
am-parafara.
24 Ary
ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka
namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy
misy masirasira.
25 Ary narosony
teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo,
ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.
*
1 [Ny
nanesorana an'i Davida tsy hiaraka tamin'ny miaramilan'ny Filistina] Ary ny
Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa
nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezirela.
2 Ary ireo
andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy
isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i
Akisy.
3 Ary hoy ireo
andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy
tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly,
mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako
izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
4 Dia tezitra
taminy ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho
any amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka
amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona
no hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
5 Tsy io moa no
Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty
arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"
6 Ary Akisy
niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao,
sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako
izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa
kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo ianao.
7 Koa miverena,
ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo
andrianan'ny Filistina.
8 Fa hoy Davida
tamin'i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao
hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako
mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko?
9 Ary Akisy
namaly an'i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny
anjelin'Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan'ny Filistina no nanao hoe: Tsy
hiara-miakatra amintsika hiady izy.
10 Koa mifohaza
maraina koa ianao mbamin'ny mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary
rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
11 Ary Davida
sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny
Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
*
1 [Ny
namalian'i Davida ny Amalekita noho ny nandravany an'i Ziklaga] Ary nony tonga
teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny
Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy
nandoro azy tamin'ny afo;
2 ary efa
namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy
novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
3 Ary Davida sy
ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary
ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
4 Ary Davida sy
ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany
intsony izy.
5 Ary voababo
koa izy roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay
novinadin'i Nabala Karmelita.
6 Ary ory
indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy
nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa
nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny.
7 Ary hoy
Davida tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento
etỳ amiko ny efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.
8 Ary Davida
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va
izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho
rarakao.
9 Dia lasa
Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano
Besora, ary teo no nijanonan'ny sasany.
10 Ary Davida
sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy
afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
11 Ary nahita
lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary
nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
12 Ary nomeny
ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa
nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy
tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13 Ary hoy
Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana,
mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary
afaka omaly.
14 Izahay efa
nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo
izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo.
15 Ary hoy
Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy
izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy
ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany
aho.
16 Ary nony
nentiny nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary
milanona noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina
sy ny tanin'ny Joda.
17 Ary Davida
namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy
olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
18 Dia rarak'i
Davida izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny
vadiny roa.
19 Ary tsy nisy
zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona
tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa.
20 Ary Davida
naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa
ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.
21 Ary Davida
tonga teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa
najanony teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida
sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia
nanontany izay toeny.
22 Dia niteny
ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka
nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy
ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no
aoka ho entiny, dia handeha izy.
23 Fa hoy
Davida: Aza manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa
niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely
antsika.
24 Koa iza no
hanaiky anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho
anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy.
25 Dia izany no
fanao hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely
izany ambaraka androany.
26 Ary raha
tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany
ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo
tamin'ny fahavalon'i Jehovah,
27 dia ho
an'izay ao Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao
Jatira
28 sy ho
an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa
29 sy ho
an'izay ao Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any
an-tanànan'ny Kenita
30 sy ho
an'izay ao Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Ataka
31 sy ho
an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i
Davida sy ny olony.
*
1 [Ny
nahafatesan'i Saoly sy ny zanany, ary ny nandevenana azy] Ary ny Filistina
niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy
amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2 Ary ny
Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina
Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.
3 Ary mafy ny
ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary
raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4 Ary hoy Saoly
tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho,
fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho
fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy.
Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5 Ary rehefa
hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany
koa izy ka niara-maty taminy.
6 Ka dia
niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny
fiadiany ary ny olony rehetra.
7 Ary nony
hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i
Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny
zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina
ka nonina tao.
8 Ary nony
ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita
an'i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa
izy.
9 Ary
notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny
tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao
amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny olona.
10 Dia
napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany
teo amin'ny màndan'i Beti-sana.
11 Ary nony
ren'ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12 dia niainga
ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i
Saoly sy ny fatin'ny zanany teo amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao
Jabesy izy ka nandoro azy tao.
13 Ary nentiny
ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia
nifady hanina hafitoana izy.