[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Mpitsara
Accès direct aux
chapitres des Juges : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21
1 [Ny niadian'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny Kananita taorian'ny nahafatesan'i Josoa] Ary rehefa
maty Josoa, dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no
hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita ho anay?
2 Dia hoy
Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3 Ary hoy Joda
tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny
lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha
hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4 Dia niakatra
Joda, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka
nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
5 Ary nahita
an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy
ny Perizita.
6 Nefa
nandositra Adoni-bezeka;ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia
nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7 Ary hoy
Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny
ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka
ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any
Jerosalema izy ka maty tany.
8 Ary namely
an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny
lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9 Ary rehefa
afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina
tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany
lemaka amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela]
10 Dia nandeha
Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i
Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11 Dia niala
tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i
Debira taloha).
12 Ary hoy
Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa
zanako-vavy ho vadiny.
13 Ary Otniela,
zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa
zananivavy ho vadiny.
14 Ary rehefa
voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy;
dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no
ilainao?
15 Ary hoy izy:
Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano
koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16 Ary ny
taranak'ilay Kenita, zaodahin*'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i
Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia** hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i
Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.[*Na: rafozan'][**palma]
17 Ary Joda
nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina
tany Zefata, ka nataony ringana* ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe
Horma**.[*Heb. herema][**Horma = Herema]
18 Dia afak'i
Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny
sisin-taniny.
19 Ary Jehovah
nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina
teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
20 Ary Hebrona
dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba
niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
21 Ary ny
taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa
ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany
mandraka androany.
22 Ary ny
taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23 Dia naniraka
hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);
24 ary nahita
lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe:
Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao
izahay.
25 Dia
natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany
handeha.
26 Ary nandeha
ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny
anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka
androany.
27 Ary Manase
tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny,
sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany
Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria
tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
28 Fa rehefa
nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy
nandroaka azy rehetra izy.
29 Ary Efraima
tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany
Gazera ny Kananita.
30 Zebolona tsy
nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo
aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
31 Asera tsy
nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na
ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;
32 fa nonina
teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33 Naftaly tsy
nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina
teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina
tany Beti-semesy sy Bet-anata.
34 Ary ny
Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela
azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,
35 fa tian'ny
Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy
Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina
fanompoana ireo.
36 Ary ny
fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay
harambato no ho mankany.
1 [Ny
nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe:
Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny
tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy
hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
2 koa aza manao
fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino
ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
3 Ary hoy Izaho
indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny
tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
4 Ary nony
niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah,
dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
5 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima*; ary namono zavatra teo izy
hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]
*
6 [Ny toetry ny
Isiraely tamin'ny andron'ny Mpitsara, ary ny anaran'ny firenena sisa mbola tsy
resiny] Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny
lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
7 Ary nanompo an'i
Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro
rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa
nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
8 Ary maty
Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny
androny.
9 Dia nalevina
tao anatin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny
tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
10 Ary izany
taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa,
izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no
nitsangana nandimby azy.
11 Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
12 ka nahafoy
an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny
firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i
Jehovah.
13 Eny, nahafoy
an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta.
14 Dia
nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo
an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny
fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
15 Na taiza na
taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay
efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory
indrindra izy.
16 Kanefa
Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
17 Fa na dia ny
mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka
andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala
tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa
tsy mba nanaraka izany.
18 Ary rehefa
nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka
namonjy ny olona tamin'ny tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra
niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho
ireo nampahory sy nampalahelo azy.
19 Kanjo nony
maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny
razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo
anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany
ditra izy.
20 Dia
nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria
nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino
ny feoko,
21 dia tsy
handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy
hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
22 mba hizahako
toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha
amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
23 Dia
navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy
voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.
1 Ary ny
firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra
tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
2 mba ho
fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady,
indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
3 dia ireo
andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny
Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i
Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata.
4 Ary nentina
hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah,
izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
*
5 Ary ny
Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny
Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
6 Ary naka ny
zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny
zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.
7 [Ny ratsy
nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny
tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo
ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
8 Dia nirehitra
tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i
Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i
Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima]
9 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny
Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i
Kaleba.
10 Ary ny
Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady;
ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo
an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.
11 Dia nandry
ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.
12 Fa nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery
an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy
eo imason'i Jehovah izy.
13 Dia
nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy
ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia*.[Palma]
14 Dia nanompo
an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.
15 Ary
nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia
Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia
nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny
Zanak'Isiraely.
16 Ary nanao
sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny
fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
17 Dia nitondra
ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe
Eglona.
18 Ary rehefa
vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
19 Fa nony
tonga teo amin'ny fihadiam-bato* izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka
nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa
izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia
niala teo aminy.[Na: sarin-javatra voasokitra]
20 Ary Ehoda
nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia
hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana
niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.
21 Ary
naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany
ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany;
22 ary difotra
mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy
nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny
izany.
23 Dia nivoaka
teo amin'ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy
azy tao.
24 Ary rehefa
nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa,
indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo
fihatsiahana izy aloha.
25 Dia niandry
mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka
dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra
tamin'ny rihana ny tompony
26 Fa Ehoda efa
nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato,
dia nandositra ho any Seirata.
27 Ary rehefa
tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia
nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no
nitarika azy.
28 Ary hoy izy
taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita
fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana
hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
29 Dia namono
ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona
vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray
akory aza.
30 Dia resin'ny
tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo
taona ny tany.
31 Ary
nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato
lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.
*
1 [Ny
nampahorian'i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen'i Debora mpaminanivavy azy]
Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty
Ehoda.
2 Ary Jehovah
nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany
Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny
miaramilany.
3 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary
nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
4 Ary Debora
mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro
izany.
5 Ary izy
nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian*'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy
Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny
Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma]
6 Ary Debora
naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka
nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà
iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
7 Dia ho entiko
ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina,
mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao
Aho.
8 Ary hoy
Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy
handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9 Ary hoy kosa
izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao
halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i
Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy
10 Ary
nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray
alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
11 Ary Hebera
Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba,
zaodahin*'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao
Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.[Na: rafozan']
12 Ary nisy
nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any
an-tendrombohitra Tabara.
13 Dia
nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka
rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny
ony Kisona.
14 Ary hoy
Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera
eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny
olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
15 Dia
nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka
sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy
Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
16 Ary Baraka
nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny
lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia
iray akory aza.
17 Ary Sisera
nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita;
fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
18 Dia nivoaka
Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara
atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy,
dia norakofany ny lamba firakotra.
19 Ary hoy
Sisera taminy: Maśna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho
izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary
dia norakofany indray izy.
20 Dia hoy izy
taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany
anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21 Dia naka
tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka
nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka
nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia
maty izy.
22 Ary nony,
indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao
taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary
rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny
tsima-day teo amin'ny fihirifany.
23 Dia
naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany
Jabina, mpanjakan'i Kanana.
24 Ary ny
tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana,
mandra-pandringany azy.
1 [Ny fihirana
nataon'i Debora noho ny nandresena an'i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak'i
Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe:
2 Noho ny
fitarihan*'ny lehibe tamin'ny Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena,
dia miderà an'i Jehovah.[Na: fitombadahin']
3 Mandrenesa
ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira
ho an'i Jehovah; hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
4 Jehovah ô,
fony nivoaka avy tany* Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma,
dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina
nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]
5 Ny tendrombohitra niempo
teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
*
6 Tamin'ny andron'i Samgara,
zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny
sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha.
7 Lao ny tany an-tsaha; eny,
lao* tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny,
mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny
nitsahatra]
8 Nifidy
andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady.
Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona
efatra alina tamin'ny Isiraely?
9 Ny foko
mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny
vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.
10 Hianareo
izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin'ny lamba
fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin'ny lalana, samia milaza.
11 Lavitra ny
feon'ny mpandefa zana-tsiṕka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny
asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany* Isily;
Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany
ny]
*
12 Mifohaza,
mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento
ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama.
13 Tamin'izany
dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa
hamely* ny olo-mahery.[Na: ho isan']
14 Ny avy
amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny
firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy
tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy*.[Na: mpanoratra]
15 Ary ny
andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa;
Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po
teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
16 Nahoana
ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any
amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
17 Gileada
nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo?
Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.
18 Zebolona dia
firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo
amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.
*
19 Tonga ireo
mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo
anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
20 Avy tany
an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera.
21 Ny ony
Kisona nipaoka azy, Izany ony ela* izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa
amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be ady]
22 Tamin'izany
dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky
ny maheriny.
23 Ozony
Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia oẓny ny mponina ao, Satria tsy
mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely* ny
mahery.[Na: isan']
*
24 Hotahina
mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina
mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
25 Rano no
nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no
nitondrany rononomandry.
26 Ny tànany
nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa,
dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy
izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
27 Teo amin'ny
tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny
tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny
fatiny.
28 Tao amin'ny
varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny,
niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao
tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?
29 Izay hendry
tamin'ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
30 Tsy efa mahita va izy? Tsy
mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy
hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny
nahazo babo.
*
31 Ho levona tahaka izany
anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny
masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
*
1 [Ny nampahorian'ny Midiana
ny Isiraely, sy ny niantsoan'Andriamanitra an'i Gideona ho mpamonjy azy] Ary
nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i
Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;
2 ary ny tanan'ny Midiana dia
nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny
Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny
fiarovana.
3 Ary rehefa namafy voa ny
Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka
niakatra hanafika azy.
4 Dia nitoby tandrifiny ireny
ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra
navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;
5 fa niakatra izy nitondra ny
omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony,
ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy
6 Ary dia nahantra indrindra
ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.
7 Ary raha nitaraina tamin'i
Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,
8 Jehovah dia naniraka
mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra
avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano
nahandevozana
9 ary namonjy anareo tamin'ny
tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka
ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;
10 ary hoy Izaho taminareo:
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita,
izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.
11 Dia tonga Ilay Anjelin'i
Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy
Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny
famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.
12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah
niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
13 Fa hoy Gideona taminy:
Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao
izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay
taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa
ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny
Midiana.
14 Dia nitodika nijery azy
Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely
amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
15 Fa hoy izy
taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny
mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely
indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.
16 Dia hoy
Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona
iray monja ianao.
17 Dia hoy izy
taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy
famantarana fa Hianao no miteny amiko.
18 Masina
Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra
hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry
mandra-piverinao.
19 Ary Gideona
lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba
iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony
tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta
ka natolony Azy.
20 Ary hoy Ilay
Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka
apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony
izany.
21 Ary
naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka
natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy
tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary
Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
22 Dia hitan'i
Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita
Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.
23 Fa hoy
Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy
akory.
24 Ary Gideona
nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma*; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany
mandraka androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]
25 Ary
tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia*
ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay
an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha** eo anilany;[*Na:
sy][**Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
26 dia manorena
alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka
amboary tsara izy*, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra
dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]
27 Ary Gideona
naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah
taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna
izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
28 Fa nony
nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i
Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa
naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
29 dia
nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha
nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao
izany zavatra izany.
30 Dia hoy ny
lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria
efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
31 Ary hoy Joasy
tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i
Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao
maty, raha mbola maraina* ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy
handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na:
mandra-pahamarain']
32 Ary
tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala*, fa hoy
izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala =
Aoka Bala no handahatra]
33 [Ny nandresen'i
Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny
atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
34 Ary
notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory
nanaraka azy ny Abiezrita.
35 Ary naniraka
olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary
naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia
niakatra nitsena azy koa ireo.
36 Ary hoy
Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka
izay efa nolazainao,
37 indro,
hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny
volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro
fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
38 Ary dia nisy
izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy
ranon'ando eran'ny lovia.
39 Ary hoy koa
Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa
hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray
mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina,
fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.
40 Dia
nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina,
fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.
1 Dia nifoha
maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby
teo akaikin'ny loharano Haroda*; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo
an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]
2 Ary hoy
Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny
Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny
tanako ihany no namonjy ahy.
3 Koa
ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no
matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i
Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no
sisa.
4 Fa hoy
Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny
rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe:
Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko
aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
5 Ary dia
nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay
rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny,
ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
6 Ary
telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa
ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
7 Ary hoy
Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko
anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra
samy hody any amin'ny fonenany avy.
8 Ary ny olona
nitondra vatsy* sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia
nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no
nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary
nitondra ny vatsin'ny olona ireo]
9 Ary
tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho
any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
10 Fa raha
matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora
zatovonao;
11 dia ho renao
izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao
hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any
an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
12 Ary ny
Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny
an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka
ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
13 Ary raha
tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao
hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny
tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika
azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
14 Dia namaly
ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona,
zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo
an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
15 Ary rehefa
ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina
ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa
natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.
16 Dia
nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho
eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.
17 Dia hoy izy
taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha
mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo
koa.
18 Raha mitsoka
ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina
ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!
19 Dia nankany
amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny
zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny
anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
20 Dia mba
nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny
fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba
hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!
21 Ary samy
nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia
nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
22 Dia nitsoka
ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra
ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka
hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.
23 Dia nivory
ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase
rehetra ka nanenjika ny Midiana.
24 Ary Gideona
naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina
hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana.
Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany
Beti-bara sy Jordana.
25 Ary
nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary
Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo
amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i
Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
1 Ary hoy ny
lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay
izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia
nanome tsiny azy mafy ireo.
2 Fa hoy
Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo?
Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i
Abiezera?
3 Teo
an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy
Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa
nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
4 Ary Gideona
nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka
aza, mbola nanenjika ihany.
5 Ary hoy izy
tamin'ny mponina tao Sokota: Maśna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka
ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny
Midiana.
6 Fa hoy ireo
andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i
Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
7 Dia hoy
Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia
handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo*.[Heb.
nofonareo]
8 Ary niakatra
avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona
tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina
tao Sokota ihany.
9 Dia niteny
tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara
aho, dia horavako ity tilikambo ity.
10 Ary Zebaha
sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy
arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny
zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy
lehilahy mpitan-tsabatra* avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
11 Ary Gideona
niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka
dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
12 Dia
nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny
mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny
avokoa ny toby rehetra.
13 Dia niverina
avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;
14 ary
nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia
nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka
fito amby fito-polo lahy izy.
15 Ary Gideona
dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona,
izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny
tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
16 Dia naka ny
loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny
no namaizany ny mponina tao Sokota.
17 Ary nandrava
ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
18 Dia hoy izy
tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany
Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana
avokoa izy rehetra.
19 Ary hoy izy:
Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba
hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
20 Ary hoy izy
tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo
tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
21 Ary hoy
Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny
olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona
ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
22 Dia hoy ny
lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao
ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.
23 Fa hoy
Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako;
Jehovah ihany no hanapaka anareo.
24 Ary hoy koa
Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka
samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana
kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
25 Dia hoy kosa
ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy
nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.
26 Ary ny
lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo,
afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba
volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny
amin'ny vozon'ny ramevany.
27 Dia nataon'i
Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely
rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika
tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.
28 Dia resy teo
anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia
nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
29 Dia nandeha
Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
30 Ary Gideona
nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
31 Ary ny
vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny
anarany nataony hoe Abimeleka.
32 Dia maty
Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny
fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy.
33 Ary rehefa
maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka
nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.
34 Ary ny
Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy
tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina,
35 sady tsy
nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra
nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.
*
1 [Ny ratsy
nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia
nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy
tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
2 Mba mitenena
ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo:
ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny
hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
3 Ary ny
anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka
nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka,
fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
4 Dia nomeny
sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary
nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy
ireo.
5 Dia nankany
an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i
Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa
velona. satria niery izy.
6 Dia nivory ny
mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo* ka nandeha nampanjaka
an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato** any
Sekema.[*Heb. fiarovana][**Na: rovan'ny miaramila]
7 Ary nisy
nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny
tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy
ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
8 Niainga,
hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva:
Manjaka aminay ianao.
9 Fa hoy ny
oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy
ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
10 Ary hoy ny
hazo tamin'ny aviavy*: Avia ianao ka manjakà aminay.[aviavimbazaha]
11 Dia hoy ny
aviavy* taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha
hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho? [aviavimbazaha]
12 Dia hoy ny
hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
13 Fa hoy ny
voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny
olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
14 Ary hoy ny
hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
15 Fa hoy ny
tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia
avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo
hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
16 Koa
ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i
Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka
novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy
17 (fa ny raiko
niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny
tanan'ny Midiana;
18 nefa ianareo
kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo
lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no
nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
19 koa raha
marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia
mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20 Fa raha tsy
izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny
mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo*; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy
amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.[Heb.
fiarovana]
21 Dia riatra
nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka
rahalahiny.
22 Ary rehefa
nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,
23
Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao
Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
24 mba
hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana* ny zanak'i Jerobala fito-polo
lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao
Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.[Heb. ran']
25 Ary
nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia
nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina
tamin'i Abimeleka izany.
26 Dia tonga
tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao
Sekema natoky azy.
27 Dia nivoaka
ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao
fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy
nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.
28 Ary hoy
Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika?
Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i
Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
29 Ary enga
anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia
hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
30 Ary rehefa
ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra
ny fahatezerany.
31 Dia naniraka
olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i
Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato
an-tanàna hiodina aminao izy.
32 Koa
ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any
an-tsaha.
33 Ary raha
maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka
miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny
vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan'ny tananao.
34 Dia niainga
alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko
tandrifin'i Sekema,
35 Dia nivoaka
Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia
niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
36 Ary rehefa
hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy
eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny
tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
37 Dia niteny
indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo
misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta
Meonenima*.[Heb. mpanandro]
38 Dia hoy
Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no
hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka
miadia aminy.
39 Dia nivoaka
teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
40 Dia
nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty
niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.
41 Ary
Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba
tsy honina any Sekema intsony.
42 Ary nony
ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i
Abimeleka izany,
43 Dia naka ny
vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery
izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy
izy ka namely azy.
44 Ary
Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo
anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka
rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45 Ary
Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna
ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
46 Ary nony
nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao
amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
47 Ary
nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny
olona rehetra.
48 Ary
Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona;
ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka
nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka
teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa
ianareo.
49 Koa samy
nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia
nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola
tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na
lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
50 Dia nandeha
Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
51 Fa nisy
tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy
ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo
an-tampon'ny tilikambo izy.
52 Ary
Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny
tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
53 Fa nisy
vehivavy anankiray, nanjera vato* fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky
ny karan-dohany.[Heb. vato ambony]
54 Dia
nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy
taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe:
Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
55 Ary rehefa
hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho
any amin'ny fonenany avy izy.
56 Izany no
namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny
rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
57 Ary ny ratsy
rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny
lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i
Jerobala.
*
1 [Ny
tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny
Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao
Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
2 Ary nitsara
ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
3 Ary
nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby
roa-polo taona.
4 Ary nanana
zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo
nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra*
mandraka androany ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]
5 Dia maty
Jaïra ka nalevina tany Kamona.
*
6 [Ny
nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ny
Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo
Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny
andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny
andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
7 Dia nirehitra
tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny
Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.
8 Ary nampahory
sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny
folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i
Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.
9 Ary nita an'i
Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny
taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
10 Dia
nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao
izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
11 Ary hoy
Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny
Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?
12 Ary
nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina
tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.
13 Nefa ianareo
nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo
intsony.
14 Mandehana,
ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy
anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.
15 Ary hoy ny
Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao;
kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
16 Dia nanary
ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry
ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.
17 [Ny
tantaran'i Jefta, sy ny nandreseny ny Amonita] Dia nivory ny taranak'i Amona ka
nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
18 Dia
nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha
voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra
any Gileada izy.
1 Ary Jefta
Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy
niteraka azy.
2 Ary ny
vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo
zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto
amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
3 Ary Jefta
nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana
nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.
4 Ary nony ela,
dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
5 Ary rehefa
nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka
an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.
6 Ary hoy izy
ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i
Amona.
7 Fa hoy Jefta
tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy
hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo
ankehitriny, nony azom-pahoriana?
8 Dia hoy ny loholon'i
Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba
handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho
lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
9 Dia hoy Jefta
tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny
taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho
lohany aminareo?
10 Dia hoy ny
loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha
tsy hataonay araka izany teninao izany.
11 Dia nandeha
Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho
lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo
anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
12 Dia naniraka
olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona
akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?
13 Dia hoy ny
mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely
ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra
avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
14 Ary Jefta
naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona
15 ka nanao
taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny
tanin'ny taranak'i Amona.
16 Fa fony
niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny
Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
17 Dia naniraka
olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba
handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma.
Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia
nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
18 Dia nandeha
nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga
teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo
anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
19 Ary ny
Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay
mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny
taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.
20 Fa Sihona
tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra
izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
21 Ary Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo
an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny
Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.
22 Dia nahazo
ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary
hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
23 Koa
ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo
anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
24 Moa tsy
hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany
rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
25 Moa tsara
noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny
Isiraely na niady taminy akory va izy?
26 Raha ny
Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany
Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona,
nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
27 Izaho tsy
nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
28 Nefa tsy
nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy
tany aminy.
29 Ary tonga
tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy
Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa
any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
30 Ary Jefta
nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny
taranak'i Amona,
31 dia ho an'i
Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina
soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra
dorana izany.
32 Dia nandeha
Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo
an-tànany ireo.
33 Dia namely
azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima,
dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny
Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
34 Ary Jefta
tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra
ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana
zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
35 Koa rehefa
nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry
zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga
nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko
afody intsony.
36 Fa hoy ny
zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia
ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny
taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
37 Dia hoy koa
izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha
hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana
hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
38 Dia hoy kosa
rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha
razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy
nanam-bady akory.
39 Ary rehefa
tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy
araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao
tamin'ny Isiraely
40 ny
fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza* ny zanakavavin'i
Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]
*
1 [Ny
hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny
lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra* ka nanao tamin'i Jefta hoe:
Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay
hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany
Zafona]
2 Fa hoy Jefta
taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary
niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.
3 Ary rehefa
hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka
nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako
izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
4 Ary Jefta dia
namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia
namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo
Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy
Manase.
5 Dia
novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony
niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy
ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
6 dia hoy izy
ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy
nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo
amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny
Efraimita tamin'izany andro izany.
7 Dia nitsara
ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny
tanana anankiray any Gileada.
8 [Ny
tantaran'Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara
ny Isiraely nandimby an'i Jefta.
9 Ary izy
nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany
ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary
nitsara ny Isiraely fito taona izy.
10 Dia maty
Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
11 Ary Elona
Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo
taona izy.
12 Dia maty
Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.
13 Ary Abdona,
zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
14 Ary nanana
zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo
izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
15 Dia maty
Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny
tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.
*
1 [Ny
nahaterahan'i Samsona] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo
taona izy.
2 Ary nisy
lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny
vadiny ka tsy niteraka.
3 Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba
ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4 Koa
mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana
akory izay zava-padina.
5 Fa, indro,
hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany;
fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no
hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
6 Dia nandeha
ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga
tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay
Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy
nambarany ahy ny anarany.
7 Fa hoy Izy
tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza
misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho
Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
8 Ary Manoa
nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay
indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny
hitondranay ny zaza izay ho teraka.
9 Ary
Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray
Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo
aminy.
10 Dia
nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro,
niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.
11 Dia
nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka
nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy
Izy: Eny, Izaho no Izy.
12 Dia hoy
Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary
inona no ho asany?
13 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy
dia aoka hotandremany avokoa.
14 Izay rehetra
avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na
toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia
aoka hotandremany avokoa.
15 Ary hoy
Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray
zanak'osy ho Anao.
16 Dia hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana
amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia
aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah
Izy.
17 Dia hoy
Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay
voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
18 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana
mahagaga izany.
19 Dia naka ny
zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny
vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola
nijery teo Manoa mivady.
20 Ary raha
niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo
anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery
izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.
21 Ary tsy
niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i
Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.
22 Ary hoy
Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.
23 Fa hoy ny
vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety
nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy,
ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre
antsika izany zavatra izany ankehitriny.
24 Ary niteraka
zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza,
ary Jehovah nitahy azy.
25 Dia
niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana*,
teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]
1 [Ny
nanambadian'i Samsona ny vehivavy Filistina anankiray, sy ny namaliany ny
Filistina] Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny
Filistina.
2 Ary niakatra
izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy
amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
3 Fa hoy ny
rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao,
na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina
tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa
izy no mahafinaritra ahy.
4 Fa tsy
fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay
hiadiany tamin'ny Filistina Izy*; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no
nanapaka ny Isiraely.[Na: izy]
5 Dia nidina
Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny
tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
6 Dia nilatsaka
tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny
hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany;
ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
7 Dia nidina
izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy.
8 Ary rehefa
afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny
fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao
amin'ilay fatin'ny liona.
9 Ary nalain'i
Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy;
ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy
mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany
ny tantely.
10 Dia nidina
ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa
izany no fanaon'ny zatovo.
11 Ary rehefa
nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao
aminy.
12 Ary hoy
Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko
ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka
telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
13 Fa raha tsy mahalaza
amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova
aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
14 Dia hoy
Samsona aminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao
amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao
anatin'ny hateloana.
15 Ary nony
tamin'ny andro fahafito*, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny
vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny
ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay
anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)]
16 Ary ny
vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy
tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa
tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy
ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
17 Dia nitomany
teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony
tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina
taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.
18 Ary nony
tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy
tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no
mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny
ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
19 Dia
nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy,
dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho
an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka
niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.
20 Ary ny
vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.
1 Ary nony
afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy
Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao
an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
2 fa hoy izy:
Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara
tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.
3 Dia hoy
Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4 Dia nandeha
Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy,
ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo
anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
5 Ary rehefa
nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny,
ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
6 Ary hoy ny
Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay
Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia
niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny
afo.
7 Ary hoy
Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa
aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
8 Dia namely
azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka
nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.
9 Ary niakatra
ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
10 Ary hoy ny
lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy
Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony
taminay.
11 Dia nandeha
ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato
mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka
antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy:
araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
12 Dia hoy kosa
izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny
Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy
ianareo.
13 Dia niteny
taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka
hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra
azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay
harambato.
14 Ary raha
tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah
nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny
mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
15 Ary nahita
valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no
namonoany arivo lahy.
16 Ary hoy
Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny,
antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
17 Ary rehefa
nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary
ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy*.[Ramata-hely =
Havoanan'ny valanorano]
18 Ary
nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao
no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary
ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
19 Dia
nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo
ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no
nanaovany ny anarany hoe En-hakore*, izay any Lehy mandraka androany.[En-hakore
= Loharanon'ilay niantso]
20 Dia nitsara
ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.
*
1 [Ny
nisamboran'ny Filistina an'i Samsona sy ny namalian'i Samsona azy] Ary Samsona
nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
2 Ary nolazaina
tamin'ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary
nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin'ny tanàna ka nangina mandritra ny
alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
3 Ary nandry
Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny
vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka
nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay
tandrifin'i Hebrona.
4 Ary rehefa
afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
5 Ary ireo
andrianan'ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe:
Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay
mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo
avy izahay rehetra.
6 Dia hoy
Delila tamin'i Samsona: Maśna ianao, lazao amiko izay itoeran'ny herinao
lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.
7 Dia hoy
Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy,
dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
8 Dia niakatra
nankany aminy ireo andrianan'ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy
mbola maina, dia namatotra azy tamin'ireny ravehivavy.
9 Ary nisy
lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy
tamin'i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady,
tahaka ny fahamaiton'ny taretra rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra
ny heriny.
10 Ary hoy
Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko;
ankehitriny, maśna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
11 Dia hoy kosa
izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany
ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
12 Dia naka
mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny
Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia
notosan'i Samsona ho afaka amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny
taretra.
13 Dia hoy
Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao
ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy
kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito
amin'ny lohako.
14 Ary
notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry
Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny
tenona.
15 Dia hoy
ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy
amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao
tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe.
16 Ary rehefa
nitorikisina taminy isan'andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy
nahafinaritra azy intsony ny miaina.
17 Ary dia
nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola
nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany
an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho
osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
18 Ary rehefa
hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy
nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha
izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny
Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
19 Ary
ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy
ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy
izy, satria niala taminy ny heriny.
20 Dia hoy
ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny
torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny
tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
21 Dia
nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina
nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao
an-trano famatorana izy.
22 Ary dia
naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.
23 Ary nivory
ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i
Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto
an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
24 Ary rehefa
nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry
ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny
tanintsika, izay nahabe maty antsika.
25 Ary rehefa
faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia
nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo
anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy.
26 Ary hoy
Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry
izay manohana ny trano, hiankinako aminy.
27 Ary feno
lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary
teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay
finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.
28 Ary Samsona
niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy
aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô,
hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.
29 Dia
notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny
anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia,
ka niankina teo izy.
30 Dia hoy
Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia
nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny
maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny
tamin'ny andro niainany.
31 Ary nidina
ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra
azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny
fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
*
1 [Ny
nanaovan'i Mika sarin-javatra hivavahana] Nisy lehilahy tany amin'ny tany
havoan'i Efraima, Mika no anarany.
2 Ary hoy izy
tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay
nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho
no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.
3 Ary rehefa
naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny:
Atokako* ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro
ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra
an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.[Na: Efa natokako]
4 Ary rehefa
naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka
nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra
an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.
5 Ary nanana
tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany
anankiray no natokany* ka tonga mpisorony.[Heb. nofenoiny ny tànany]
6 Tamin'izany
andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho
marina avy ny olona rehetra.
7 Ary nisy
zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady
nivahiny tao.
8 Ary
ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony
hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima
tao an-tranon'i Mika.
9 Ary hoy Mika
taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any
Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin'izay azoko hitoerana.
10 Dia hoy Mika
taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia
homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra
ilay Levita.
11 Ary nanaiky
hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.
12 Dia
natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao
an-tranon'i Mika.
13 Dia hoy
Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho
mpisoroko aho.
1 [Ny
nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro
izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany
kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany
andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely
izy.
2 Ary ny
taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia
lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny
toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga
tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
3 Rehefa mby
teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia
nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary
maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
4 Dia hoy kosa
izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka
efa mpisorony aho izao.
5 Dia hoy izy
ireo taminy: Maśna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na
hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia.
6 Dia hoy ilay
mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao
lalana alehanareo izao.
7 Dia nandeha
izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy
nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy
nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory* azy teo amin'ny tany na
amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha
tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]
8 Dia nandeha
ho any amin'ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny
taminy: Naninona moa ianareo?
9 Dia hoy izy:
Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay,
fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza
malain-kandeha hiditra handova ny tany.
10 Raha mandeha
ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany
malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany
tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany.
11 Dia nisy
niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy
efa voaomana tamin'ny fiadiany.
12 Ary niakatra
ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny
anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana*; indro, eo
andrefan'i Kiriata-jearima izany).
13 Dia niala
tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao
an-tranon'i Mika.
14 Ary niteny
izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny
hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary
sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.
15 Dia nivily
tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka
niarahaba azy.
16 Ary ny
enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i
Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.
17 Ary niakatra
izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny
sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra
an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny
fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
18 Dia niditra
tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny
terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona
ianareo?
19 Dia hoy ireo
taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay,
dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho
an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko
iray amin'ny Isiraely?
20 Dia faly ny
fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra
voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.
21 Dia nihodina
izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry
mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.
22 Ary rehefa
lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina
tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.
23 Dia niantso
ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona
ianao, no nanangona olona maro toy izao?
24 Ary hoy Izy:
Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa
ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe:
Haninona ianao?
25 Dia hoy ny taranak'i
Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy
olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny
ankohonanao ianao.
26 Dia nandeha
tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery
noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27 Ary izy ireo
naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany
Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy
tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
28 Ary tsy nisy
namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona
akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina
ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29 Ary ny
anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay
naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha.
30 Dia
natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana,
zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy*, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i
Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase]
31 Ary
nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny
andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.
*
1 [Ny ratsy
nataon'ny mponina tao Gibea, sy ny namalian'ny Isiraely rehetra azy] Ary
tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy
Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka
vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
2 Ary ny
vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany
an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
3 Ary niainga
ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary
nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao
an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly
izy nihaona taminy.
4 Ary nihazona
azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia
nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
5 Ary nony
tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy
ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely
ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
6 Dia nipetraka
izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy
tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny
fonao.
7 Ary raha
niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia
tafandriana tao indray izy.
8 Dia nifoha
maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny
rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona
aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
9 Ary raha
niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy
ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa
maśna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka
mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa
ianareo, ka handeha hody ianao.
10 Fa tsy nety
nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka
nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy
voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
11 Ary rehefa
mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo
tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka
handry ato.
12 Fa hoy ny
tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy
isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
13 Ary hoy izy
tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto,
dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
14 Dia nandroso
izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita,
izy, dia nilentika ny masoandro.
15 Ka dia
nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo
amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao
an-tranony.
16 Ary, indro,
nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy
any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny
mponina tao amin'izany tanana izany dia Benjamita.
17 Ary rehefa
nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy
ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
18 Dia hoy izy
taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany
havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa
mpankany* an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na:
mankany]
19 kanefa misy
mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny
ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra
ilainay intsony.
20 Dia hoy ilay
lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra
ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
21 Dia nitondra
azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo
ka nihinana sy nisotro.
22 Ary raha
mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy
fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny
tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay
niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
23 Dia nivoaka
nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko,
maśna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa
aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianareo.[Heb. fahadalana]
24 Indreto ny
zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko
mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity
lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
25 Fa tsy nety
nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka
navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy
mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny
masoandro, vao nalefany handeha izy.
26 Ary rehefa
ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny
tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo
mandra-pahazavan'ny andro.
27 Dia nifoha
maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha
tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo
am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana.
28 Ary hoy
ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia
nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy
nandeha ho any amin'ny fonenany.
29 Ary rehefa
tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny
vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny
folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.
30 Ary hoy ity
rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro
niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany;
hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
1 Dia nivoaka
ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba
ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany
Mizpa.
2 Ary ny
loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny
olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady
mahatan-tsabatra.
3 Ary ren'ny
taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny
Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
4 Dia namaly
ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay
an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
5 Dia
nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy
tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka
matiny.
6 Dia nalaiko
ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra
izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady
indrindra* teo amin'ny Isiraely ireo.[Heb. fahadalana]
7 Koa indreto
ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
8 Dia
nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy
hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika
akory.
9 Fa
ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka
hanaovantsika azy.
10 Ary haka folo
lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo,
ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga
any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony
teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.
11 Dia nivory
ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray
hamely ny tanàna.
12 Ary ny
firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra
hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
13 Koa
ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba
hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny
taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
14 Ary nivory
ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha
hiady amin'ny Zanak'Isiraely.
15 Dia
voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna
ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao
Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
16 Ary teo
amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany,
samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny
singam-bolo aza.
17 Ary ny
lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy
nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
18 Dia niainga
ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra
hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia
hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
19 Dia niainga
maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.
20 Ary nivoaka
ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy
amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.
21 Ary nivoaka
avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa
arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.
22 Fa nifanome
toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay
nilaharany tamin'ny andro voalohany.
23 Ary niakatra
ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny
andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny
taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)
24 Ary ny
Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i
Benjamina.
25 Dia nivoaka
avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka
naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra
tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
26 Dia niakatra
ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany
sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany
mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana
teo anatrehan'i Jehovah izy.
27 Dia
nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra
tamin'izany andro izany,
28 ary
Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany
andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i
Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso
dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
29 Ary
nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.
30 Dia niakatra
ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka
nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
31 Dia nivoaka
ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna
izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony
ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho
any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
32 Ary hoy ny
taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa
hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny
tanàna ho any an-dalambe.
33 Ary ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka
nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy
tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.
34 Ary tonga
tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary
efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
35 Ary Jehovah
namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny
taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby
roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
36 Ary hitan'ny
taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao
tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo
akaikin'i Gibea izy.
37 Ary ny
otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny
tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.
38 Ary ny
famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan'afo
lehibe hisavoana ao an-tanàna.
39 Ary nirona
tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka
namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa
hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
40 fa raha vao
niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny
taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky
ny tanàna).
41 Ary raha
niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria
hitany fa efa nidiran-doza izy.
42 Dia niamboho
teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any
an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny
tanàna koa dia novonoiny teo.
43 Nanemitra ny
Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana* tandrifin'i Gibea
atsinanany.[Na: teo Menoha]
44 Ary ny
Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa
ireo rehetra ireo.
45 Dia nivily
sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona;
ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny
an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma
izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
46 Ary ny
Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa
alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
47 Fa nisy
enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny
harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
48 Ary ny
lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka
namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka
hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
1 Ary ny
lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy
amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.
2 Dia nankany
Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny
andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
3 nanao hoe:
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao
ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
4 Ary nony
ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary
nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
5 Ary hoy ny
Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo
amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny
amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa
izy.
6 Ary ny
Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy
firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
7 Ahoana no
hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i
Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
8 Dia hoy izy:
Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany
Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza
nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.
9 Fa rehefa
voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny
tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10 Dia naniraka
lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe:
Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra
mbamin'ny zaza amim-behivavy.
11 Ary izao no
hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy
dia haringanareo*.[Heb. hataonareo herema]
12 Ary nahita
zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany
Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany
Kanana.
13 Ary ny
fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao
amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
14 Dia niverina
tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa
novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina
azy ihany ireo.
15 Ary ny olona
nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny
firenen'Isiraely.
16 Dia hoy ny
loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany
vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?
17 Ary hoy izy:
Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena
iray fongotra amin'ny Isiraely.
18 Nefa isika
tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny
Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny
Benjamita.
19 Dia hoy izy:
Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay
avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema,
ary atsimon'i Lebona.
20 Ary nandidy
ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny
tanim-boaloboka,
21 ka jereo, ka
raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao
amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any
Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
22 Ary raha
mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe:
Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa
tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
23 Dia nanao
izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy
izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary
namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
24 Dia samy
nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any
amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny
olona rehetra.
25 Tsy nisy
mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay
nataony ho marina avy izy rehetra.