[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Josoa
Accčs direct aux
chapitres de Josué : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny
olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy
Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy:
2 Efa maty Mosesy mpanompoko;
koa mitsangāna, mitā ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any
amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely.
3 Ny tany rehetra izay
hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i
Mosesy.
4 Hatramin'ny efitra sy iry
Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra
izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho
taninareo.
5 Tsy hisy olona hahajanona
eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no
hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
6 Mahereza sy
matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako
tamin'ny razany homena azy.
7 Koa mahereza
sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay
nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana,
na ho amin'ny ankavia, mba hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho
hita ho hendry]
8 Aoka tsy
hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalāna ity, fa saintsaino andro aman'alina,
hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia
hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry]
9 Tsy efa
nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa
momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
10 Ary Josoa
nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
11 Andeha
mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha
afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany
izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
12 Ary ny
Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa
hoe:
13 Tsarovy ny
teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah
Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany
izao.
14 Ny vadinareo
sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany
izay nomen'i Mosesy anareo etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy
mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo
hanampy azy,
15
mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba
holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina
ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan'i Jordana.
16 Dia namaly
an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay;
ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
17 Araka ny
nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba
anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.
18 Izay rehetra
mandā ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia
hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
*
1 [Ny
nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy] Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka
mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana,
izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao
an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
2 Ary nisy
nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely
tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
3 Dia naniraka
tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy
tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
4 Dia
nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko
ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
5 ary rehefa
maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy
fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
6 Kanjo efa
nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny
tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.
7 Ary ireo
olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitāna;
ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
8 Ary raha
mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano
ravehivavy
9 ka nanao
taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka
aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany
noho ny tahotra anareo.
10 Fa efa renay
ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny
nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny
Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
11 Koa nony efa
renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny
aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra
ambony sy etỳ amin'ny tany ambany.
12 Koa
ankehitriny, masėna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny
namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko
kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
13 fa
hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay
rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
14 Dia hoy izy
roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao
raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy
hanao izay marina aminao izahay.
15 Dia
nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo
amin'ny māndan'ny tanāna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.
16 Dia hoy izy
taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny
mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia
vao mandehana any amin'izay halehanareo.
17 Ary hoy izy
roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana
nampianianinao anay izany:
18 Indro,
rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely
izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny
anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao
an-tranonao;
19 ary izay
rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany
ihany ny rāny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao
ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny rāny, raha tāhiny misy olona maninona
azy akory;
20 fa raha
tāhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana
izay nampianianinao anay izahay.
21 Dia hoy
ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa
izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.
22 Dia nandeha
izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana
mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny
mpanenjika, nefa tsy nahita.
23 Dia niverina
izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany
amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra
taminy,
24 ka hoy izy
tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra;
ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.
*
1 [Ny nitan'ny
Zanak'Isiraely an'i Jordana, sy ny tsangam-bato nataony tao Gilgala, ary ny
tahotry ny Amorita sy ny Kananita tamin'izany] Dia nifoha maraina koa Josoa;
ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny
Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
2 Ary rehefa
afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
3 ka nandidy ny
olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary
ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialā amin'izay itoeranareo, ka manaraha
azy
4 (kanefa asio
elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy),
mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo
akory izao lalana izao.
5 Ary hoy Josoa
tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo
aminareo Jehovah.
6 Ary niteny
tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mitā eo
anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo
anoloan'ny olona.
7 Ary hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra,
hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8 Ary mandidia
ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra
amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanōna eo Jordana ihany.
9 Ary Josoa
nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i
Jehovah Andriamanitrareo.
10 Dia hoy
Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka
horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny
Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
11 Indro, ny
fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo
Jordana;
12 koa
ankehitriny mangalā lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho
anareo, dia iray avy isam-pirenena;
13 ary raha vao
mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano
Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny
antontan-javatra.
14 Ary raha
niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny
fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,
15 ka tonga teo
Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny
fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra
Jordana mandritra ny fararano),
16 dia nijanona
ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ
lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanāna Adama, izay eo anilan'i
Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny
tani-hay*, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko.
[*Heb. Arabā]
17 Ary ny
mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara
tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha
tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
1 Ary rehefa
tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa
hoe:
2 Mangalā
lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
3 ka mandidia
azy hoe: Makā vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay
nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo
amin'izay handrianareo anio alina.
4 Dia
nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny
Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
5 ary hoy izy
taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo
afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo
rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,
6 mba ho
famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy
manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?
7 dia
holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary
ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
8 Dia nanao
izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny
folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka
ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo
amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
9 Ary vato roa
ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny
tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany
ireny mandraka androany.
10 Fa ny
mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana
mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa
holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia
nita faingana ny olona.
11 Ary rehefa
tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo
mpisorona teo anoloan'ny olona.
12 Ary ny
taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia
samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay
efa nolazain'i Mosesy taminy.
13 Tokony ho
lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah
hanafika, ho eo amin'ny tani-hay* any Jeriko. [*Heb. Arabā]
14 Tamin'izany
andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra;
ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny
andro rehetra niainany.
15 Ary Jehovah
niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
16 Mandidia ny
mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona* hiakatra hiala eo Jordana.
[*Dia ny didy folo]
17 Dia nandidy
ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18 Ary rehefa
niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny
tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia
avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra
tahaka ny teo aloha ihany.
19 Ary ny olona
niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka
nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
20 Ary ireny
vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany
Gilgala.
21 Dia niteny
tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny
taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?
22 dia
hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana
ity.
23 Fa nataon'i
Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo
mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny
Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
24 mba ho
fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tānan'i Jehovah, ary
mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
*
1 Ary ny
mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka
rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny
nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely
mandra-pitany*, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny
Zanak'Isiraely. [*Na: (mandra-pitantsika)]
2 [Ny namorana
ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny
mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova
fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
3 Dia nanao
fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
4 Ary izao no
anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta,
dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa
nivoaka avy tany Egypta.
5 Ary voafora
ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny
an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola
voafora kosa.
6 Fa efa-polo
taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny
olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy
nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany
hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia
tany tondra-dronono sy tantely.
7 Ary ny zanany
no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora
ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
8 Ary rehefa
noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby
izy mandra-pahasitrany.
9 Dia hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka
aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala* mandraka
androany. [Gilgala = Fanakodiavana]
10 Ary ny
Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny
andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay* any
Jeriko.[Heb. Arabā]
11 Ary nony
ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany
indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
12 Ary
nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny
vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana
ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
13 [Ny
nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny
Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony
izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany
voatsoaka dia teny an-tānany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe:
Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
14 Dia hoy Izy:
Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ
ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no
holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ?
15 Dia hoy Ilay
Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny
kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.
*
1 Ary nihidy
mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy
niditra.
2 Ary hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny
mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.
3 Koa mandehana
manodidina ny tanāna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no
hanaovanao izany.
4 Ary asio
mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary
amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanāna, ary aoka ny mpisorona
hitsoka ny anjomara.
5 Ary raha
manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia
hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny māndan'ny
tanāna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.
6 Dia niantso
ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny
fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny
fiaran'i Jehovah.
7 Dia hoy izy
tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanāna, ary aoka ny olona efa
voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
8 Ary rehefa
niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara
fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah nanaraka azy.
9 Ary ny olona
efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny
anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny
am-pandehanana ny anjomara.
10 Ary ny
vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava
akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorā! dia vao
amin'izay ianareo no hanakora.
11 Ary
nanodidina ny tanāna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny
olona ka nitoetra tany.
12 Dia nifoha
maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.
13 Ary ny
mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny
fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona
efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia
nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
14 Dia
nanodidina ny tanāna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina
tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.
15 Ary tamin'ny
andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka
nanodidina ny tanāna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany
ihany no nanodidina ny tanāna impito izy.
16 Ary tamin'ny
nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa
tamin'ny vahoaka: Manakorā! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanāna.
17 Dia
hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona* ny tanāna sy izay rehetra ao; fa
Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano,
satria nanafina ny iratsika izy. [Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28]
18 Kanefa
mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra
ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny
tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
19 Fa ny
volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho
an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.
20 Dia nanakora
ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny
anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra
tao an-tanāna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanāna.
21 Ary
naringany* tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na
vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky. [Heb.
nataony herema]
22 Ary izy roa
lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny
tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary
izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
23 Dia nankao
ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny
sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny
mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny
Isiraely.
24 Ary ny
tanāna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny
volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny
tranon'i Jehovah.
25 Fa Rahaba
janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia
novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany
ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i
Jeriko izy.
26 Dia nilaza
fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo
anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanāna Jeriko ity
indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny
ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.
27 Ary Jehovah
nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.
*
1 [Ny fahotan'i
Akana sy ny namonoana azy] Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny
zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy
tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra
tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.
2 Ary Josoa
naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena,
atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia
niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.
3 Ary niverina
tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny
vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra
hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
4 Dia niakatra
nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo
anoloan'ny mponina tao Ay ireo.
5 Dia nahafaty
tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo
anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana;
dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
6 Dia
notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny
fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady
nasiany vovoka ny lohany.
7 Ary hoy
Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo
Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tānan'ny Amorita handringanana anay?
Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!
8 Indrisy,
Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny
fahavalony?
9 Ary ho ren'ny
Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka
hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny
anaranao lehibe?
10 Dia hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangāna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
11 Efa nanota
ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny
zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny
entany.
12 Koa tsy
mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny
fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy
holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
13 Mitsangana,
manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo
mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo
aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny
fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo
intsony.
14 Dia
hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena
izay tanan'i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah
dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah
dia hanatona indray isam-batan'olona.
15 Koa izay azo
mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra
mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady
indrindra* teo amin'ny Isiraely.[Heb. fahadalana]
16 Dia nifoha
maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny
firenen'i Joda no notanana.
17 Dia nitondra
ireo fokon'i Joda izy; ka ny fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny
fianakavian'i Zera indray isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana;
18 dia
nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i
Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana.
19 Dia hoy
Josoa tamin'i Akana: Anaka, masėna ianao, omeo voninahitra Jehovah
Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy*; ary lazao amiko ankehitriny izay
nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: miderā azy]
20 Ary Akana
namaly an'i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko:
21 Nahita
kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary
anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny
aho ka naka; ary, indreo, voāfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny,
ary ny volafotsy ao ambaniny.
22 Dia naniraka
olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voāfina tao
anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
23 Dia nalainy
avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely
rehetra, ary napetrany teo anatrehan'i Jehovah
24 Dia nalain'i
Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty
sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny
borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy;
dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
25 Ary hoy
Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa
Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny
tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
26 Dia nanao
antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia
nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany
tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora*.[Akora = fampidiran-doza]
*
1 [Ny
nahafahan'ny Isiraely an'i Ay sy Betela] Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza
matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika,
ka miaingā, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay
mbamin'ny vahoakany sy ny tanānany ary ny taniny.
2 Dia tahaka ny
nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy
mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho
babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanāna.
3 Dia niainga
Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo
alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.
4 Dia nandidy
azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanāna hamely azy,
ka aza manalavitra azy loatra, fa miomāna ianareo rehetra.
5 Ary izaho sy
ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanāna; ary rehefa
mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6 Dia hivoaka
hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanāna; fa izy hanao hoe:
Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo
anoloany izahay.
7 Ary dia
hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanāna; fa
atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
8 Ary rehefa
afakareo ny tanāna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no
hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
9 Dia
nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo
andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo
amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.
10 Dia nifoha
maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka
hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.
11 Ary ny
vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka
nanakaiky sy nanandrify ny tanāna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny
lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.
12 Dia naka
olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela
sy Ay, andrefan'ny tanāna.
13 Ary rehefa
voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanāna sy ny otrika
teo andrefan'ny tanāna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany
alina izany.
14 Ary rehefa
hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanāna ka
nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany* nifamotoanany
tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy
otrika hamely azy tao ankoatry ny tanāna. [Na: fotoana]
15 Ary Josoa sy
ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny
lalana mankany an-efitra.
16 Dia
nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanāna; ary nanenjika
an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanāna.
17 Ary tsy nisy
lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely;
ary nilaozany mbola nivoha ny tanāna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
18 Ary hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa
hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanāna ny lefona izay teny
an-tānany.
19 Dia niroatra
faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao
natondrony ny tānany; dia niditra tao an-tanāna izy ka nahafaka azy ary nandoro
azy faingana tamin'ny afo.
20 Ary niherika
ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanāna niakatra ho any
an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ;
fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny
mpanenjika kosa.
21 Fa rehefa
hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanāna, ka
niakatra ny setroky ny tanāna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
22 Ary ireo tao
an-tanāna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona,
fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa;
dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory
aza.
23 Ary ny
mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.
24 Ary rehefa namono
ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra
nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra
mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy
tamin'ny lelan-tsabatra.
25 Ary izay
rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo
amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
26 Ary Josoa
tsy nampihemotra ny tānany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana* ny
mponina rehetra tao Ay.[Heb. herema]
27 Nefa ny biby
fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanāna izany dia nalain'ny
Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.
28 Ary Ay dia
nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanānaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka
androany izy.
29 Ary ny
mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa
tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny
ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanāna ary notsindriany antontam-bato
avo mandraka androany.
*
30 [Ny
nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalāna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny
fitahiana sy ny fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary
tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
31 araka izay
nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny
voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalān'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra,
izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i
Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
32 Dia
nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalān'i Mosesy, izay efa nosoratany teo
anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
33 Ary ny
Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia
nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona,
izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na
Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany
nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy
mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
34 Ary rehefa
afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalāna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny
fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalāna.
35 Tsy nisy
teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo
anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny
ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
*
1 [Ny hafetsena
nataon'ny Gibeonita mba tsy handringanana azy] Ary rehefa nandre izany ny
mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany
havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tany amoron'ny
Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita,
ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, [Heb. Sefela]
2 dia niray
hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
3 Ary ny
mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4 dia nanao
hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka* ka nitondra lasaka tonta
nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka
nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra vatsy]
5 ary kapa
tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary
efa maina sy bobongolo* ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]
6 Dia nankany
amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny
Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba
manaova fanekena aminay ianareo.
7 Ary hoy ny
Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka
hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8 Fa hoy izy
tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary
avy aiza ?
9 Dia hoy izy
ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny
anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony
tany Egypta
10 ary izay
rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i
Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany
Astarta.
11 Dia niteny
taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe:
Mitondrā vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena
azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena
aminay.
12 Itony
mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny
andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy
bobongolo* izy; [Na: torotoro]
13 ary vaovao
ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra
izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny
naleha.
14 Ary
nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah
izy.
15 Ary Josoa
dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny
lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
16 Ary nony efa
afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy
ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
17 Dia niainga
ny Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tanānan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary
Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanānany.
18 Fa tsy
namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa
nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona
ny fiangonana rehetra.
19 Fa hoy ny
loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy
isika.
20 Fa izao no
hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana
mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
21 Ary hoy koa
ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy
mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny
loholona taminy.
22 Dia niantso
azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao
hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23 Koa
ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa
hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.
24 Dia namaly
an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa
Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany
rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary
natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
25 koa
ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy
marina hatao aminay dia ataovy.
26 Dia nanao
izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty
azy ireo.
27 Dia
natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka
rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo
amin'ny tany izay hofidiny.
1 [Ny
nandresen'ny Isiraely ny mpanjaka dimy lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo
rehetra.] Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i
Josoa Ay ka noravany* (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no
nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny
mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]
2 dia
raiki-tahotra indrindra izy, satria tanāna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray
amin'ny tanāna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy
rehetra teo.
3 Dia naniraka
olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i
Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary
Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:
4 Miakara
atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao
fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.
5 Dia niangona
ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny
mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i
Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i
Gibeona ka namely azy.
6 Ary ny
mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany
Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao;
miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona
hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany
havoana.
7 Dia niakatra
niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy
mahery rehetra.
8 Ary hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy,
ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
9 Ary tonga
tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
10 Ary Jehovah
nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy
ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona
izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
11 Ary nony
nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah
dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka
nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
12 Ary
tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah
ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely
hoe: Ry masoandro, mijanōna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana,
any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]
13 Dia nijanona
ny masoandro, ary nijanona* koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny
fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara** va izany? Dia
nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony
ho indray andro maninjitra. [*Heb. mangina][**Jasara = Ilay mahitsy]
14 Ary tsy nisy
andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah
ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.
15 Ary Josoa sy
ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16 Ary
nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.
17 Dia
nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny
mpanjaka dimy.
18 Ary hoy
Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo
anoloany hiambina azy;
19 fa ianareo
aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza
avela ho tafiditra any an-tanānany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah
Andriamanitrareo eo an-tananareo.
20 Ary rehefa
voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany,
ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanāna mimanda,
21 dia niverina
soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra;
ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy* tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb.
nandranitra ny lelany]
22 Dia hoy
Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo
hankatỳ amiko.
23 Dia
nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy
ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i
Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
24 Ary rehefa
navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady
izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto
ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
25 Ary hoy
Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao
no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
26 Ary rehefa
afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo
dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
27 Ary tamin'ny
nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka
nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny
vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
28 Ary Makeda
dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra
izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany* avokoa ka tsy
nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny
mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony
herema; izahao Lev. XXII. 28]
29 Ary Josoa sy
ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely
azy;
30 dia
natolotr'i Jehovah teo an-tānan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka
nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany
niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny
mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.
31 Dia niala
tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby
tandrifiny ka namely azy.
32 Dia
natolotr'i Jehovah teo an-tānan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro
faharoa izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao,
tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.
33 Dia niakatra
Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny
vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
34 Dia niala
tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia
nitoby tandrifiny ka namely azy;
35 dia afany
tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny
olona rehetra tao dia naringany* tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra
efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
36 Dia niakatra
niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary
namely azy;
37 dia afany
koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanānany
rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza,
tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany* avokoa izy sy ny
olona rehetra tao.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
38 Dia niverina
Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39 dia azony
koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanānany rehetra; ary nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra Izy, ka naringany* avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany
niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia
toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony
tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
40 Dia nasian'i
Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany
atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka* ary ny any ambodin'ny tendrombohitra;
tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny
didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]
41 Dia nasian'i
Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra
hatrany Gibeona.
42 Ary ireo
mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.
43 Dia niverina
Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
*
1 [Ny nandresena
ny mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany
Kanana rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany
amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i
Aksafa,
2 ary ireo
mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay*
atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka** ary tany
amin'ny havoan'i Dora andrefana, [*Heb. Arabā][**Heb. Sefela]
3 dia tamin'ny
Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy
ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany
am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
4 Dia nivoaka
izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika
eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro
indrindra.
5 Ary rehefa
nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka
nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
6 Dia hoy
Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia
hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny,
ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7 Dia nandeha
Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo
amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.
8 Ary Jehovah
nanolotra azy teo an-tānan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany
Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa
atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory
aza.
9 Ary Josoa dia
nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny
notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.
10 Ary
tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany
tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11 Ary nasiany
tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany* avokoa: tsy nisy
olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony
herema; izahao Lev. XXII. 28]
12 Ary ny
tanāna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i
Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany*, araka izay efa
nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev.
XXII. 28]
13 Fa ny tanāna
rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora
ihany, izay nodoran'i Josoa.
14 Ary ny
fananana rehetra tao amin'ireny tanāna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny
Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra
mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
15 Araka izay
efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i
Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
16 Dia lasan'i
Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo
rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny
tani-hay** na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [*Heb.
Sefela][**Heb. Arabā]
17 hatramin'ny
tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada
eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny
mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
18 Ela no
niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.
19 Tsy nisy
tanāna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay
nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
20 Fa avy
tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba
hanaovany azy ho zavatra voaozona*, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy
araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema]
21 Dia nandeha
tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany
havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i
Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan*'i Josoa
avokoa izy sy ny tanānany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
22 Tsy nisy
sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary
Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
23 Dia lasan'i
Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i
Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny
fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
*
1 [Ny anaran'ny
mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay
resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana
hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny
ilany atsinanan'ny tani-hay* [Heb. Arabā]
2 Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny
lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i
Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i
Amona, [Heb. Arabā]
3 ary ny ilany
atsinanan'ny tani-hay* hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny
ranomasina amin'ny tani-hay*, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany
Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabā]
4 Ary azony koa
ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany
Astarta sy Edrehy,
5 sy nanjaka
tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra
hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada,
fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
6 Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny
nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny
antsasaky ny firenen'i Manase.
7 Ary izao no
mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy
andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka
hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny
taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,
8 dia ny any
amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy amin'ny
tani-hay** sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any
amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny
Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[*Heb. Sefela][**Heb. Arabā]
9 Ny
mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;
10 ny
mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;
11 ny
mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;
12 ny
mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;
13 ny mpanjakan'i
Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;
14 ny
mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;
15 ny
mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;
16 ny
mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;
17 ny
mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;
18 ny
mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;
19 ny
mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;
20 ny
mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;
21 ny
mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;
22 ny
mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;
23 ny
mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy
hafa any Gilgala, iray;
24 ny
mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
*
1 [Ny
nandidian'Andriamanitra an'i Josoa hizara ny tany ary filazana ny anjara efa
nomena ny firenena roa sy sasany] Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso
fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso
fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
2 Izao no tany
sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
3 hatrany
Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo
avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia
ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny
Avita
4 any atsimo,
dia ny tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka
ka hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita,
5 ary ny
tanin'ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo
ambodin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin'i Hamata,
6 ary ny
mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany
Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao
amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
7 Ary
ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny
firenen'i Manase.
8 Ary niaraka
tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i
Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, azy,
9 dia hatrany
Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanāna izay eo
afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
10 ary ny
tanāna rehetra izay an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany
Hesbona, hatramin'ny faritanin'ny taranak'i Amona,
11 ary Gileada
sy ny tanin'ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary
Basana rehetra hatrany Saleka,
12 dia ny
fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy
(izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
13 Kanefa tsy
mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo
amin'ny Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
14 Ny firenen'i
Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
15 Ary nomen'i
Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony
16 Ary ny
fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary
ny tanāna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
17 dia Hesbona
sy ny tanānany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy
Beti-bala-meona
18 sy Jahaza sy
Kedemota sy Mefata
19 sy
Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
20 sy
Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota
21 ary ny
tanāna rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo
andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana
izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany.
22 Ary Balama,
mpanao fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny
sabatra niaraka tamin'izay novonoiny.
23 Ary ny
fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny
taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanāna sy ny zana-bohiny.
24 Ary nomen'i
Mosesy koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.
25 Ary ny faritaniny
dia Jazera sy ny tanāna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin'ny
taranak'i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin'i Raba,
26 ary hatrany
Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin'ny
faritanin'i Debira;
27 ary teo
amin'ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa
tamin'ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana
hatramin'ny amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
28 Izany no
lovan'ny taranak'i Gada araka ny fokony, dia ny tanāna sy ny zana-bohiny.
29 Ary nomen'i
Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny
firenena taranak'i Manase araka ny fokony:
30 Ny
fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i
Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanāna madinika rehetra an'i Jaira, izay any
Basana, dia tanāna enim-polo.
31 Ary ny
antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanāna amin'ny fanjakan'i Oga any
Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny
taranak'i Makira araka ny fokony.
32 Ireo no
voazaran'i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana
tandrifin'i Jeriko.
33 Ary ny
firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.
*
1 [Ny
nanombohan'i Josoa ny nizarany ny tany: ny anjaran'i Kaleba] Ary izao no
nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara
mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;
2 tamin'ny
filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy
ny amin'ny firenena sivy sy sasany.
3 Fa efa
nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny
taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
4 Fa firenena
roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo
amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanāna honenany sy ny tany
manodidina ny tanānany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.
5 Araka izay
efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara
ny tany izy.
6 Dia nankany
amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone,
Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i
Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7 Efa-polo
taona no andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala
tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka
izay tao am-poko.
8 Kanefa ireo
rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho
kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.
9 Dia nianiana
tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao
dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny
fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao.
10 Ary
ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny
dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany
teny izany tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra
ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
11 Nefa mbola
matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy:
tahaka ny tanjako tamin'izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na
hivoaka, na hiditra.Jos 14:
12 Ary
ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain'i Jehovah
tamin'izany andro izany; fa efa renao tamin'izany andro izany fa nitoetra teo
ny Anakita, sady nisy tanāna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia
haharoaka azy aho, araka izay nolazain'i Jehovah.
13 Dia
nitso-drano azy Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
14 Izany no
nahatongavan'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, mandraka
androany satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, izy.
15 Ary
tanānan'Arba* no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny
Anakita izany Arba* izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.[Na:
Kiriat-arba; izahao Jos. xv. 54]
1 [Ny
anjaran'ny firenen'i Joda] Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda
tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra
Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
2 Ary ny
fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny
helo-drano atsimo,
3 dia nandroso
hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra
any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara
ary niolaka hatrany Karka,
4 dia nandroso
hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny
ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
5 Ary ny
fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny
fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny
faran'i Jordana,
6 dia niakatra
hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra
hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
7 dia niakatra
ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i
Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka,
dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8 dia niakatra
teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita
(Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay
manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny
Lohasahan'ny Refaita,
9 dia nizotra
hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia
nahazo ny tanāna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala
(Kiriata-jearima izany),
10 dia niolaka
hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso
hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia
nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
11 dia nihatra
tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso
hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra
tany amin'ny ranomasina.
12 Ary ny
fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany
manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
13 Ary Kaleba,
zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i
Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanānan'i Arba*, rain'i Anāka (Hebrona izany).
[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. XV. 54]
14 Dia noroahin'i
Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary
Talmay.
15 Dia niakatra
avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i
Debira taloha).
16 Ary hoy
Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa
zanako-vavy ho vadiny.
17 Ary Otniela,
zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa
zananivavy ho vadiny.
18 Ary rehefa
voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy;
dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no
ilainao?
19 Ary hoy izy:
Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo
loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20 Izao no
lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony:
21 Ny tanāna
farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma
amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
22 sy Kina sy
Dimona sy Adada
23 sy Kadesy sy
Hazora sy Itnana
24 sy Zifa sy
Talema sy Bealota
25 sy
Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
26 sy Amama sy
Sema sy Molada
27 sy
Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
28 sy
Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
29 sy Bala sy
Ie sy Azema
30 sy Eltolada
sy Kesila sy Horma
31 sy Ziklaga
sy Madmana sy Sansana
32 sy Lebaota
sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanāna rehetra sy ny
zana-bohiny.
33 Ary teo
amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* dia Estaola sy Zora sy Asna [Heb. Sefela]
34 sy Zanoa sy En-ganima
sy Tapoa sy Enama
35 sy Jarmota
sy Adolama sy Soko sy Azeka
36 sy Saraima
sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanāna efatra ambin'ny folo sy ny
zana-bohiny;
37 ary Zenana
sy Hadasa sy Migdala-gada
38 sy Dilana sy
Mizpa ary Joktela
39 sy Lakisy sy
Bozkata sy Eglona
40 sy Kabona sy
Lamasa sy Kitlisa
41 sy Gederota
sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanāna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42 Libna sy
Atera sy Asana
43 sy Jifta sy
Asna ary Neziba
44 sy Keila sy
Akziba ary Maresa: tanāna Sivy sy ny zana-bohiny;
45 Ekrona sy ny
tanānany ary ny zana-bohiny;
46 hatrany
Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny
zana-bohitr'ireo,
47 Asdoda sy ny
tanānany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanānany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny
lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
48 Ary tany
amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
49 sy Dana sy
Ririata-sana (Debira izany)
50 sy Anaba sy
Estemo sy Anima
51 sy Gosena sy
Holona sy Gilo: tanāna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
52 Araba sy
Doma sy Esana
53 sy Janoma sy
Beti-tapoa sy Afeka
54 sy Honta sy
Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanāna sivy sy ny zana-bohiny;
55 Maona sy
Karmela sy Zifa sy Jota
56 sy Jezirela
sy Jokdeama sy Zanoa
57 sy Kaina sy Gibea
sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
58 sy Halola sy
Beti-zora sy Gedora
59 sy Marata sy
Bet-anota sy Eltekona: tanāna enina sy ny zana-bohiny;
60 sy
Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanāna roa sy ny zana-bohiny.
61 Tany
an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka
62 sy Nibsana
sy ilay Tanānantsira ary En-jedy: tanāna enina sy ny zana-bohiny.
63 Ary ny
amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i
Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany
izy ireny.
1 [Ny
zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa
tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny
ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko,
mamaky ny tany havoan'i Betela,
2 dia hatrany
Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany
Atarota,
3 dia nidina
niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i
Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
4 Dia azon'i
Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.
5 Ary ny
amin'ny fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny
atsinanana amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona
ambony.
6 Ary ny
fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka
niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
7 dia nidina
hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia
nihatra tany Jordana.
8 Ary hatrany
Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka
dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima
araka ny fokony,
9 mbamin'ny
tanāna natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i
Manase koa, dia ny tanāna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.
10 Ary tsy
nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima
ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
1 Ary nahazo
zara-tany tamin'ny filokana koa ny firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i
Josefa), dia Makira, lahimatoan'i Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika
ka nahazo an'i Gileada sy Basana.
2 Ary nisy koa
ho an'ny taranak'i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera
sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i
Manase, zanak'i Josefa, araka ny fokony.
3 Fa Zelofada,
zanak'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba
nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala
sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
4 Dia nanatona
teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy
ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo
amin'ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka
ny didin'i Jehovah.
5 Dia nahazo
anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i
Jordana,
6 satria ny
zanakavavin'i Manase niara-nahazo lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada
dia an'ny zanakalahin'i Manase sisa.
7 Ary ny
fari-tanin'i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema,
dia nandroso tamin'ny ankavanana* hatramin'ny mponina any En-tapoa. [Na:
hatrany Jamina]
8 Ary an'i
Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia
an'ny taranak'i Efraima.
9 Ary ny
fari-taniny dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana
teo amin'ny tanānan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase
dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
10 Ny atsimo
dia an'i Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no
fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo
atsinanana izy.
11 Ary Manase
nahazo anjara koa teo amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny
zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny
zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any
Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia
amin'ny havoana telo ireo.
12 Kanefa tsy
nahazo ireo tanāna ireo ny taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana
indrindra izany tany izany.
13 Fa rehefa
nihahery ny Zanak'Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy
nandroaka azy rehetra.
14 Dia niteny
tamin'i Josoa ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara
iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa
notahin'Jehovah toy izao mandraka ankehitriny ?
15 Dia hoy
Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka
miteveza honenanao any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra
aminao ny tany havoan'i Efraima.
16 Dia hoy ny
taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny
Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana
sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.
17 Dia hoy
Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao
ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa;
fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita
ianao, na dia* manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa]
*
1 [Ny
nananganana ny tabernakely tao Silo, sy nanoratana ny tany sisa tsy mbola
voazara]Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka
nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2 Ary nisy
firenena fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3 Dia hoy Josoa
tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra
handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
4 Mandoava telo
lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety
ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5 Ary hizafa
azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny
taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.
6 Ary
soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra,
dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
7 Fa tsy mba
manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany;
ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any
an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
8 Dia niainga
ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany
ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ
amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9 Dia lasa ireo
lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy,
ka nataony fito toko, araka ny tanāna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao
an-toby tao Silo izy.
10 Ary Josoa
dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no
nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11 [Ny nizarana
ny tany sisa andrefan'i Jordana: Ny anjaran'ny Benjamina, ny Simeona, ny
Zebolona, ny Isakara, ny Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an'i
Josoa] Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny
faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i
Josefa.
12 Ary ny
fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny
ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana,
ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
13 hatreo dia
nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia
nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona
ambany,
14 dia niolaka
tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo
anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala
(Kiriata-jearima izany), tanānan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.
15 Ary ny
lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia
nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16 dia nidina
hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i
Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny
lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany
En-rogela,
17 dia nizotra
avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny
fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18 dia nandroso
hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay* ka nidina hatrany amin'ny
tani-hay*.
19 dia nandroso
hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano
avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana;
izany no lafiny atsimo. [*Heb. Arabā]
20 Ary Jordana
no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny
fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21 Ary ny
tanānan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy
Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza
22 sy Bet-arabā
sy Zemaraima sy Betela
23 sy Avima sy
Para sy Ofra
24 sy
Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanāna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
25 sy Gibeona
sy Rama sy Berota
26 sy Mizpa sy
Kefira sy Moza
27 sy Rekema sy
Iripela sy Tarala
28 sy Zela sy
Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata*: tanāna efatra
ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny
fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]
1 Ary ny loka
faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary
ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.
2 Ary izao no
azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
3 sy
Hazara-soala sy Bala sy Azema
4 sy Eltolada
sy Betola sy Horma
5 sy Ziklaga sy
Beti-markabota sy Hazara-sosa
6 sy
Beti-lebaota ary Sarohena: tanāna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
7 sy Aina sy
Rimona sy Etera sy Asana: tanāna efatra sy ny zana-bohiny;
8 ary ny
zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanāna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama
amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny
fotony.
9 Avy tamin'ny
anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa
nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny
taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.
10 Ary ny loka
fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany
dia hatrany Sarida,
11 dia niakatra
niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny
lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,
12 dia nitodika
niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia
nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
13 dia nandroso
niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona,
izay mipaka an'i Nea,
14 dia niolaka
eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha
Jifta-ela.
15 Ary Katata
sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanāna roa ambin'ny folo sy ny
zana-bohiny.
16 Izany no
lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny
zana-bohiny.
17 Ary ny loka
fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony.
18 Ary ny
fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
19 sy Hafraima
sy Siona sy Anaharata
20 sy Rabita sy
Kisiona sy Abeza
21 sy Rameta sy
Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
22 Ary ny
fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra
tany Jordana: tanāna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
23 Izany no
lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny
zana-bohiny.
24 Ary ny loka
fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony.
25 Ary ny
fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26 sy Alameleka
sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27 dia nitodika
niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha
Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28 ary Ebrona
sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
29 dia nitodika
hatrany Rama sy Tyro, tanāna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra
tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba
30 ary Oma sy
Afeka ary Rehoba: tanāna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
31 Izany no
lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny
zana-bohiny.
32 Ary ny loka
fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony.
33 Ary ny
fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy
hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i
Jordana,
34 dia nitodika
niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra
an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo
atsinanana.
35 Ary ny
tanāna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
36 sy Adama sy
Rama sy Hazora
37 sy Kadesy sy
Edrehy sy En-hazora
38 sy Irona sy
Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanāna sivy ambin'ny folo sy
ny zana-bohiny.
39 Izany no
lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny
zana-bohiny.
40 Ary ny loka
fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony.
41 Ary ny
fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42 sy Salabima
sy Aialona sy Jitla
43 sy Elona sy
Timna sy Ekrona
44 sy Elteke sy
Gibetona sy Baleta
45 sy Jehoda sy
Bene-beraka sy Gat-rimona
46 sy
Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
47 Ary ny
fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny
taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy
tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema
nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
48 Izany no
lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny
zana-bohiny.
49 Dia vitany
ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny
Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.
50 Araka ny
tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanāna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any
amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanāna izy ka nitoetra tao.
51 Ireo no lova
izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i
Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia
vitany avokoa ny nizarany ny tany.
*
1 [Ny
nifidianana ny tanāna fandosirana ho an'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary
Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny tanāna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy
taminareo,
3
handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba
tsy ho azon'ny mpamaly rā
4 Ary raha misy
mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanāna ireo ka mijanona eo
anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona
amin'izany tanāna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanāna izy ka homeny toerana,
mba hitoetra ao aminy.
5 Ary raha
manenjika azy ny mpamaly rā, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo
an-tānany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo
aloha.
6 Dia hitoetra
ao amin'izany tanāna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana
hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia
hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanānany sy any an-tranony, dia any
amin'ny tanāna izay nialany fony izy nandositra.
7 Dia nanokana
an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any
amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany
havoan'i Joda.
8 Ary dia
nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i
Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any
Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana,
tandrifin'i Jeriko.
9 Ireo no
tanāna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy
handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny
mpamaly rā izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.
*
1 [Ny
tanānan'ny mpisorona sy ny Levita] Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita
dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely
2 ka niteny
taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy
mba homena tanāna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby
fiompinay.
3 Dia avy tamin'ny
lovany no nanomezan'ny Zanak'Isiraely ny Levita izao tanāna izao sy ny tany
manodidina azy avy araka ny didin'i Jehovah.
4 Dia nahazo
loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona
isan'ny Levita dia tanāna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny
firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina.
5 Ary ny loka
azon'ny taranak'i Kehata sisa dia tanāna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i
Efraima sy ny firenen'i Dana ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
6 Ary ny loka
azon'ny taranak'i Gersona dia tanāna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny
firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny
antsasaky ny firenen'i Manase any Basana.
7 Ary ny loka
azon'ny taranak'i Merary isam-pokony dia tanāna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny
firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
8 Dia nomen'ny
Zanak'Isiraely ny Levita tamin'ny filokana ireo tanāna ireo sy ny tany
manodidina azy avy, araka izay nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy.
9 Dia nomeny
avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto
tanāna hotononina ireto,
10 izay azon'ny
taranak'i Arona, isam-pokon'ny taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy
ny loka voalohany.
11 Dia nomeny
azy ny tanānan'i Arba*, rain'i Anāka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i
Joda, mbamin'ny tany manodidina azy. [Kiriat-arba; izahao XV. 54]
12 Fa ny saha
momba ny tanāna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
13 Dia nomeny
ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanāna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
14 ary Jatira
sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
15 ary Holona
sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
16 ary Aina sy
ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny
tany manodidina azy: tanāna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;
17 ary avy
tamin'ny firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy
ny tany manodidina azy
18 ary Anatota
sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanāna
efatra.
19 Ny tanāna
rehetra an'ny mpisorona, taranak'i Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany
manodidina azy avy.
20 Ary ny
amin'ny taranak'i Rehata, dia ny Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny
tanāna azony tamin'ny filokana dia avy tamin'ny firenen'i Efraima.
21 Dia nomeny
azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho
tanāna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina
azy
22 ary Kibzaima
sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanāna
efatra;
23 ary avy
tamin'ny firenen'i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny
tany manodidina azy.
24 ary Aialona
sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanāna
efatra;
25 ary avy
tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary
Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanāna roa.
26 Ny tanāna
rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina
azy avy.
27 Ary izao no
azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny
firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanāna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy,
dia tanāna roa;
28 ary avy
tamin'ny firenen'Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy
ny tany manodidina azy,
29 ary Jarmota
sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanāna
efatra;
30 ary avy
tamin'ny firenen'i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny
tany manodidina azy
31 ary Helkata
sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny rāny manodidina azy, dia tanāna
efatra;
32 ary avy
tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho
tanāna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany
manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanāna telo.
33 Ny tanāna
rehetra an'ny Gersonita isam-potony dia telo ambin'ny folo ary ny tany
manodidina azy avy.
34 Ary izao no
azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i
Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina
azy,
35 ary Dimna sy
ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanāna
efatra;
36 ary avy
tamin'ny firenen'i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny
tany manodidina azy,
37 ary Kedemota
sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanāna
efatra;
38 ary avy
tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho
tanāna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany
manodidina azy
39 ary Hesbona
sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanāna
efatra izy rehetra.
40 Ny tanāna
rehetra an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny
Levita, dia tanāna roa ambin'ny folo no loka azony.
41 Ny tanāna
rehetra an'ny Levita teo anatin'ny lovan'ny Zanak'Isiraely dia valo amby
efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
42 Ireo tanāna
ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanāna
rehetra ireo.
43 [Ny nahatanterahana
ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny
Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova
izany izy ireo ka nonina teo,
44 Dia nomen'i
Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany
tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona
teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tānany avokoa ny fahavalony rehetra.
45 Tsy nisy
latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah
tamin'ny taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
*
1 [Ny
nampodiana ny firenena roa sy sasany any an-dafy atsinanan'i Jordana, sy
nanorenany ilay alitara teo amoron'i Jordana, ary ny nataon'ny firenena sasany
tamin'izany. ] Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy
ny antsasaky ny firenen'i Manase,
2 ka hoy izy
taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i
Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako
anareo;
3 tsy
nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka
androany fa notandremanareo ny lalāna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo
notandremanareo.
4 Ary
ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny
rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa
any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana.
5 Kanefa
mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalāna izay nandidian'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy
handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy
hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny
fanahinareo rehetra.
6 Dia
nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
7 Ary ny
antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny
antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy
andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo,
dia notsofiny rano izy
8 ka nilazany
hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby
aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary
fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny
fahavalonareo.
9 Dia nody ny
taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny
Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany
Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy
nolazain'i Mosesy.
10 Ary raha
tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada
ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe
ny fijery izany alitara izany.
11 Ary ny
Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky
ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i
Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
12 Ary nony
ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
13 Dia naniraka
an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny
taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany
Gileada,
14 sy loholona
folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely
rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
15 Dia tonga
tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany
amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
16 Izao no
lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo
amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah
ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah
ankehitriny?
17 Zavatra kely
loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika
ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay
areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
18 no dia
mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina
amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely
rehetra, Izy rahampitso.
19 Kanefa raha
maloto ny taninareo, dia mitā ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny
tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i
Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i
Jehovah Andriamanitsika.
20 Tsy nandika
ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona*, ka nisy
fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io
lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.[Heb. herema; izahao
Lev. xxii. 28]
21 Dia namaly
ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao
tamin'ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely hoe:
22
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia
Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na
fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
23 raha izany
no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra
fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia
aoka Jehovah no hanadina;
24 fa tahotra
tokoa no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny
taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely?
25 fa Jordana
no nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada,
ka tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny
taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
26 Dia hoy
izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana
anefa, na fanatitra hafa alatsa-drā,
27 fa mba ho
vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny
fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy
fanatitra hafa alatsa-drā ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo
amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
28 Ary hoy
izahay: Raha tāhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia
hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay,
tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drā, fa mba ho
vavolombelona ho amintsika roa tonta.
29 Sanatria
aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i
Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na
fanatitra hafa alatsa-drā, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay
eo anoloan'ny tabernakeliny.
30 Ary rehefa
ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo
tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i
Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
31 Ary hoy
Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny
taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao
izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy
ny Zanak'Isiraely tamin'ny tānan'i Jehovah ianareo.
32 Ary
Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny
taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany
Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
33 Ary sitraky
ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy
nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny
taranak'i Robena sy Gada.
34 Dia
nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa
vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
*
1 [Fananarana
nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho
an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia
efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
2 dia
nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny
mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka
mandroso fahanterana,
3 ary ianareo
efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena
rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
4 Indreo, efa
voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo,
hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny
Ranomasina Lehibe andrefana.
5 Ary Jehovah
Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo
anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah
Andriamanitrareo taminareo.
6 Dia mahereza
tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny
lalān'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na
ho amin'ny ankavia,
7 mba tsy
hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny
andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza
manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
8 fa Jehovah
Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
9 Fa nandroaka
firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona
nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
10 Ny lehilahy
iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho
anareo, araka izay nolazainy taminareo.
11 Dia tandremo
tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.
12 Fa raha
mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary
mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
13 dia ho
fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony
Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho
fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo,
mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo ity.
14 Ary, indro,
efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo
ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia
zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy
latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
15 Ary tahaka
ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah
Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra
mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo ity.
16 Amin'izay
hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy
handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany,
dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana
ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.
*
1 [Ny teny
farany nataon'i Josoa tamin'ny olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa
tsy hiala amin'Andriamanitra] Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely
rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny
mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo
anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
2 Ary hoy Josoa
tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
Tany an-dafin'ny Ony* no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i
Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. [Eofrata]
3 Dia naka an'i
Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony* Aho ka nitondra azy nitety ny tany
Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany.
[Eofrata]
4 Ary Isaka koa
dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny
tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
5 Dia naniraka
an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy;
ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
6 Ary nony
nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny
ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena
ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
7 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady
nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay
nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
8 Ary nentiko
ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo;
dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba
handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9 Dia
nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny
Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona
anareo.
10 Fa tsy nety
nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo
tamin'ny tānany Aho.
11 Ary nita
an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao
Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita
sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12 Dia
nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo
anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na
tamin'ny tsipėkanao.
13 Ary nomeko
tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanāna izay tsy naorinareo ianareo ka dia
nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny
tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo.
14 Koa
ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny
fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany
an-dafin'ny Ony* sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata]
15 Nefa raha
tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo.
na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny
andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha
izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
16 Dia namaly
ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo
izay andriamani-kafa.
17 Fa Jehovah
Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny
famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana
rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18 Ary Jehovah
nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto
amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no
Andriamanitsika.
19 Ary hoy
Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa
Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny
fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20 Raha mahafoy
an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory
anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
21 Dia hoy ny
vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
22 Dia hoy
Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy
an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
23 Arionareo
ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
24 Dia hoy ny
vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no
hohenoinay
25 Ary dia
nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy
lalāna sy didy tany Sekema.
26 Dia
nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalān'Andriamanitra ireo teny ireo. ary
naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo
anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
27 Dia hoy
Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika;
fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho
vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
28 Dia
nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
29 [Ny
nahafatesan'i Josoa sy Eleazara, sy ny nandevenana ny taolan'i Josefa] Ary
rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i
Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
30 Dia nalevina
tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany
havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
31 Ary nanompo
an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny
andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny
asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
32 Ary ny
taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia
naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy* zato
tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany.
[Heb. kesita; izahao Gen. xxxiii. 19]
33 Dia maty koa
Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay
nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.