[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Deotoronomia
Accès direct aux
chapitres du Deutéronome : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34
1 [Teny nataon'i Mosesy ho
fampahatsiarovana ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely sy ny
nitondrany azy hatrany Horeba ka hatrany an-dafy atsinanan'i Jordana] IZAO no
teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany an-dafin'i Jordana,
tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay tandrifin'i Sofa, tanelanelan'i
Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
2 (lalana Iraika ambin'ny
folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny
tendrombohitra Seira no aleha.)
3 Ary tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona fahefa-polo
dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian'i
Jehovah azy holazainy aminy,
4 rehefa namono an'i Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, ilay
nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5 Tany
an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy
nanazava izao lalàna izao hoe:
6 Jehovah
Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny
itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
7 mihod́na
ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any
amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy
ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia
any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe,
dia ny ony Eofrata.
8 Indro, efa
natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i
Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny
taranany mandimby azy.
9 Ary niteny
taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny
hitondra anareo;
10 Jehovah
Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny
amin'ny lanitra ianareo izao.
11 (Jehovah,
Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka
hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
12 Hataoko
izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny
adinareo?
13 Mifidiana
izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka
hataoko ho lehibenareo izy.
14 Dia namaly
ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
15 Ary nalaiko
ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy
anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo
ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
16 Dia nandidy
ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny
rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo
aminy.
17 Aza mizaha
tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra
olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo
dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
18 Dia nandidy
anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
19 Ary nony
niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra
izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita,
araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea
isika.
20 Dia hoy
izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay
omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
21 indro, efa
natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao,
araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra
na mivadi-po ianao.
22 Dia nanatona
ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo
ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay
halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
23 Ary sitrako
ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy
isam-pirenena;
24 ary niainga
ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha
Eskola ka nisafo ny tany;
25 dia
nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza
tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho
antsika.
26 Kanefa tsy
nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
27 Dia
nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no
nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny
Amorita handringanana antsika.
28 Ho aiza no
hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany
hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy
mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
29 Dia hoy
izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
30 Jehovah
Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka
izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
31 ary tany
an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny
fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo
mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
32 Kanefa, na
dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah
Andriamanitrareo,
33 Izay nandeha
tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo
nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety
halehanareo.
34 Any nandre
ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
35 Tsy hisy
olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay
nianianako homena ny razanareo,
36 afa-tsy
Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny
tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.
37 Ary izaho
koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy
hiditra any;
38 fa Josoa,
zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no
ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany.
39 Ary ny
zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy
mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary
izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
40 Fa ianareo
kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany
amin'ny Ranomasina Mena.
41 Dia namaly
ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany
izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika
antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo
ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
42 Dia hoy
Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo
aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
43 Dia niteny
taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo,
dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
44 Dia nivoaka
hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka
nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo
tany Seira ka hatrany Horma.
45 Dia niverina
ianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo
Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.
46 Dia nitoetra
ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
1 Dia niverina
isika ka nandeha tany an-efitra tamin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina
Mena, araka izay nolazain'i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra
Seira ela ihany isika.
2 Dia niteny
tamiko Jehovah ka nanao hoe:
3 Aoka izay ny
nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra
ianareo.
4 Ary mandidia
ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin'ny taranak'i Esao
rahalahinareo, izay monina any Seira; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema
tsara ianareo,
5 ka aza mila
ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza,
satria nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira.
6 Vola no
hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy
hosotroinareo.
7 Fa Jehovah
Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tananao; fantany ny
nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah
Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
8 Ary raha
nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala
tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily
isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
9 Dia hoy
Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako
ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota.
10 Ny Emima
nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny
Anakita.
11 Ireo koa no
natao ho Refaita tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe
Emima.
12 Ary ny tany
Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana
azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao
amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.)
13 Ary miaingà
ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny
lohasahan-driaka Zareda isika.
14 Ary ny andro
nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin'ny nitantsika ny
lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany
ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy
intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah taminy.
15 Ary koa, ny
tànan'i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy
nisy intsony teo amin'ny toby.
16 Ary rehefa
lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17 dia niteny
tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18 Ankehitriny
efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19 dia ho tonga
ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy
hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny
taranak'i Lota izany.
20 Izany koa no
natao ho tanin'ny Refaita; fa ny Refaita no nitoetra tao tany aloha ka
nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
21 Firenena
lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i
Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
22 araka izay
nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny
Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy
mandraka androany;
23 ary ny
amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita,
izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
24 Mitsangàna,
miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo
an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny
handovanao azy, ka tafiho.
25 Anio no vao
hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra
anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao
izy.
26 Dia naniraka
olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i
Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
27 Aoka mba
handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho,
na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
28 vola no
hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko;
ary handalo fotsiny ihany aho
29 (araka izay
nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko)
mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitray anay.
30 Fa Sihona,
mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa
Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba
hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
31 Dia niteny
tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo
anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
32 Dia nivoaka
Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
33 Dia
nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny
zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34 Ary nahafaka
ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana ny mponina
rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika
niangana izy na dia iray akory aza.
35 Ny biby
fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho
babo.
36 Hatrany
Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay
ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy
rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
37 Kanefa ny
tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny
lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra
nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.
1 Dia niverina
isika ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika
tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny vahoakany rehetra.
2 Ary hoy
Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy
mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay
nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
3 Dia
natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan'i
Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy
niangana na dia iray akory aza.
4 Dia afatsika
ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy
nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay
fanjakan'i Oga tany Basana.
5 Ireo tanàna
rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy,
afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
6 Dia
naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin'i Sihona, mpanjakan'i
Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza
amim-behivavy.
7 Fa ny biby
fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho
antsika.
8 Ary
nalaintsika tamin'izany andro izany tamin'ny mpanjaka roan'ny Amorita ny tany
izay any an-dafin'i Jordana, hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny
tendrombohitra Hermona
9 Hermona
nataon'ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
10 dia ny
tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra
hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basana.
11 Fa Oga,
mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refalta; indro, farafara vy
ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny
halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.
12 Ary io tany
io dia azontsika tamin'izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny
lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna
eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
13 ry Gileada
sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny
firenen'i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe
tanin'ny Refaita izany.
14 Jaïra,
zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny
Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany (dia Basana) nataony hoe
Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
15 Ary Gileada
dia nomeko an'i Makira.
16 Ary ny
Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny
lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany
hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i
Amona,
17 ary ny
tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin'ny
ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia
ao atsinanany.
18 Ary nandidy
anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa
nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny
Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana
hiady.
19 Fa ny
vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby
ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
20
mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka
holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin'i
Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin'ny taniny avy, izay nomeko
anareo.
21 [Ny amin'ny
tsy hidiran'i Mosesy ao Kanana, sy ny nanendrena an'i Josoa handimby azy] Dia
nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa
nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy
ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay
halehanao.
22 Aza
matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
23 Dia
nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe:
24 Jehovah Tompo
ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao
mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany,
izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
25 Aoka mba
handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be
tendrombohitra tsara sy Libanona.
26 Fa tezitra
tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko:
Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany ianao.
27 Miakara eo
an-tampon'i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra
ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany
Jordana izany ianao;
28 fa mandidia
an'i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha
hita eo alohan'ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho
hitanao.
29 Ka dia
nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora isika.
*
1
[Famporisihan'i Mosesy ny Isiraely mba hazoto mitandrina ny lalàna] Ary
ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko
anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay
omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Aza
ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny
didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 Ny masonareo
efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona
rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy
ho eo aminao.
4 Fa ianareo
izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa
izao anio izao.
5 Indro, efa
nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah
Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo
holovana.
6 Koa tandremo
ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny
imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao
hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
7 Fa iza no
firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i
Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?
8 Ary iza no
firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao
lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
9 Kanefa kosa
mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra
izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro
rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
10 dia izay
hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ
amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra
Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany
koa.
11 Dia
nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny
tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona
ary aizim-pito.
12 Dia niteny
taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita
endrika akory ianareo.
13 Dia
nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy
Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
14 Ary izaho
nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy
fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
15 Dia tandremo
tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay
nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;
16 fandrao
manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay
endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 na
sarim-biby izay etỳ ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay
manidina eny amin'ny habakabaka,
18 na
sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao
amin'ny rano ambanin'ny tany.
19 Ary andrao
raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny
kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha
eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho
anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
20 Fa ianareo
no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by
(dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
21 Ary Jehovah
dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho,
na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
22 Fa izaho ho
faty amin'ity tany ity, fa tsy hita an'i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka
handova izany tany soa izany.
23 Mitandrema
ianareo, fandrao manadino ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony
taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny
zavatra izay efa nandraran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
24 Fa Jehovah
Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
25 Raha
miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo
ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny
zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao
ary mampahatezitra Azy,
26 dia miantso
ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho
fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana
holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
27 Ary Jehovah
hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay
sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.
28 Ary any no
hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy
mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
29 Kanefa any
ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy
amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
30 Raha
azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina
amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
31 fa
Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na
handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany
taminy.
32 Fa anontanio
ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra
olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra
manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re
tahaka izany.
33 Moa efa nisy
firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa
renao, ka velona ihany?
34 Moa efa
nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va
Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny
ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo
imasonao?
35 Hianao no
nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy
afa-tsy Izy.
36 Avy tany
an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny
tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao
afovoan'ny afo.
37 Ary satria
tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao
nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe,
38 handroahany
eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany
anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
39 Koa aoka ho
fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny
lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40 Dia tandremo
ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny
taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay
omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
*
41 [Ny
nanendrena tanàna telo handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary tamin'izay
Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan'i Jordana,
42 mba
handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia
ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:
43 dia Bazera
any an-efitra, amin'ny tany lemaka, an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny
Gadita; ary Golana any Basana an'ny Manasita.
*
44
[Fitarihan-teny nataon'i Mosesy ny amin'ny lalàna] Ary izao no lalàna izay
nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
45 Izao no
teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran'i Mosesy tamin'ny
Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
46 tany an-dafin'i
Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona,
ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny
Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
47 ka dia azony
ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa
tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan'i Jordana,
48 hatrany
Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin'ny
tendrombohitra Siona (Hermona izany),
49 dia ny
tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina
amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.
1 [Ny amin'ny
Didy Folo] Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry
Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo
anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankaṭ azy.
2 Jehovah
Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
3 tsy tamin'ny
razantsika no nanaovan'i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika
rehetra izay samy mbola velona eto anio.
4 Niteny
nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin'ny afo.
5 Izaho
nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy ianareo tamin'izany andro izany,
hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo
ianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra, ka hoy Izy:
6 Izaho no
Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
7 Aza manana
andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
8 Aza manao
sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny
lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano
ambanin'ny tany.
9 Aza
miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah
Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny
zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,
10 nefa kosa
mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
11 Aza manonona
foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy
manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
12 Mitandrema
ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao
anao.
13 Henemana no
hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14 Fa Sabatan'i
Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao
amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny
ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na
ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao
sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
15 Ary tsarovy
fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra
no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no
nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
16 Manajà ny
rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba
ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao ho anao.
17 Aza mamono
olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona
mandainga hanameloka ny namanao.
18 Ary aza
mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na
ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny
borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
19 Ireo teny
ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary
ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany
intsony; ary nosoratany tamin'ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
20 Ary rehefa
renareo ny feo avy tao amin'ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra,
dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
21 ka hoy
ianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny
fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa
hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany
izy.
22 Koa
ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io;
raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
23 Fa iza moa
tamin'ny nofo rehetra no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona niteny tao
afovoan'ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
24 Manaṭna
ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao
no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika aminao,
dia hohenoinay ka harahinay izany.
25 Ary Jehovah
nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny
tenin'ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
26 Enga anie ka
mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra
mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
27 Mandehana,
ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo.
28 Fa ianao
kosa dia mijaṇna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy
ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin'ny tany izay
omeko azy ho lovany.
29 Koa tandremo
mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza
mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
30 fa ny lalana
rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho
velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay
holovanareo.
*
1 [Ny amin'ny
fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika,
izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any
amin'ny tany izay alehanareo holovana,
2 mba
hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny
didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny
andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
3 Koa mihainoa,
ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba
hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
4 Mihainoa, ry
Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
5 Ary tiava
an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary
ny herinao rehetra.
6 Ary aoka ho
ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
7 Dia ampianaro
tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na
mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
8 ary fehezo ho
famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo
ambonin'ny handrinao,
9 ary soraty eo
amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
10 Ary rehefa
entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany
tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna
lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
11 sy trano
feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka
eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva,
izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
12 dia
mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
13 Matahora
an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no
hianiananao.
14 Aza manaraka
izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
15 fa
Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra
aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo
ambonin'ny tany ianao.
16 Aza maka
fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy
tao Masa.
17 Tandremo
tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny
lalàny, izay efa nandidiany anao.
18 Ary ataovy
izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba
hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena
azy,
19 ary mba
horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i
Jehovah.
20 Ary raha
manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa
ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah
Andriamanitsika anareo?
21 Dia
holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no
nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
22 Ary Jehovah
nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao
ary ny ankohonany teo imasontsika.
23 Ary nitondra
antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany
izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
24 Ary Jehovah
nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah
Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny
amin'izao anio izao.
25 Ary ho fahamarinantsika
ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
1 [Ny amin'ny
handringanana ny Kananita] Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka
tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no
voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy
ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay
lehibe sy mahery noho ianao.
2 ary rehefa
voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano
mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
3 ary aza
mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zananilahy,
ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy.
4 Fa hampiala
ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia
hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
5 Fa izao kosa
no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny
hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra
hodoranao amin'ny afo.
6 Fa firenena
masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah
Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra
ambonin'ny tany.
7 Tsy ny
hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah
taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra
aza;
8 fa ny
nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany
tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy
nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao,
mpanjakan'i Egypta.
9 Koa aoka ho
fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra
mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy
mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,
10 ary mamaly
miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny
amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
11 Koa tandremo
ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12 Ary raha
mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia
hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po,
izay nianianany tamin'ny razanao;
13 dia ho tia
anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao
sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny
diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao any
amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao.
14 Hotahina
ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na
ianareo na ny biby fiompinareo.
15 Ary
harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny
aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala
anao kosa ireny.
16 Ary aoka
holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka
aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho
fandrika aminao ireny.
17 Raha ianao
hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no
fahay mandroaka azy?
18 dia aza
matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao
tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
19 dia ny
fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny
fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i
Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
20 Ary ny
fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy
mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
21 Aza
matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra
lehibe sy mahatahotra.
22 Ary
horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny;
tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
23 Fa
hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be
ihany mandra-pahalany ritrany.
24 Dia hatolony
eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ
ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa
haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
25 Ny
sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza
mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao,
fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah
Andriamanitrao izany.
26 Ary aza
mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa
ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra
voaozona.
1
[Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny Isiraely sy ny nampanetreny
tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona izy ka manadino
an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo
harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany
izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
2 Ary tsarovy
ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra
izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary
hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
3 Dia
nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana
hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo
ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no
iveloman'ny olona.
4 Ny fitafianao
teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
5 Koa aoka ho
fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no
fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
6 Ary tandremo
ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy
hatahoranao Azy.
7 Fa Jehovah
Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano
sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
8 tany misy
vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany
misy hazo oliva sy tantely,
9 tany izay
hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo
ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no
hihadianao varahina.
10 Ary rehefa
nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany
soa izay nomeny anao,
11 dia
mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny
didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
12 fandrao,
rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
13 ary mihamaro
ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny
volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,
14 dia
hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra
anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana,
15 Izay
nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy
menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka
rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,
16 Izay nanome
anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba
hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
17 ary andrao
ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao
harena izao;
18 fa tsarovy
Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny
ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.
19 Fa raha
manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay
andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza
aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
20 tahaka ny
andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no
handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo
ianareo.
1 [Anatra ny
amin'ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita
an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay
lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda
manakatra ny lanitra,
2 dia firenena
lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao
ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka?
3 Koa aoka ho
fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka
ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia
handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah
taminao.
4 Ary rehefa
voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe:
Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny
haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.
5 Tsy ny
fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny
haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy
eo anoloanao hahaṭ ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka
ary Jakoba razanao.
6 Koa aoka ho
fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany
tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
7 Tsarovy ka
aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra:
eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny
nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany
ianareo.
8 Na dia tany
Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy
ka saiky nandringana anareo.
9 Raha niakatra
tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy
ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo
alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
10 dia nomen'i
Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo
aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao
an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.
11 Ary nony
tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato
fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
12 Dia hoy
Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao
ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala
tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina
ho azy.
13 Ary hoy koa
Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
14 Avelao Aho
handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia
hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
15 Dia nihodina
aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary
ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
16 Ary nijery
aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao
ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana
izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.
17 Dia
noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo
imasonareo.
18 Ary
niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay
teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo
rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah,
ka nampahatezeranareo Azy.
19 Fa natahotra
ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo
handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.
20 Ary Jehovah
dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i
Arona koa aho tamin'izany andro izany.
21 Ary
noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako
tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho
madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay
midina avy amin'ny tendrombohitra.
22 Ary tao
Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an'i Jehovah.
23 Ary raha
nampandehanin'i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe:
Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
24 Eny, niodina
tamin'i Jehovah ihany ianareo hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho
mankaty.
25 Ary
niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy
efa-polo alina izany, satria efa nolazain'i Jehovah fa handringana anareo Izy.
26 Dia nifona
tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao
sy ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy
tany Egypta tamin'ny tananao mahery.
27 Tsarovy ny
mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity
firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
28 fandrao izay
monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy
hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary
satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy
atỳ an-efitra.
29 Kanefa ireo
dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny
sandrinao nahinjitra.
1 Tamin'izany
andro izany no nilazan'Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao
tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary
manaova fiara hazo ho anao;
2 dia
hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka
nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny.
3 Dia nanao
fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo,
dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny
an-tanako.
4 Dia nasiany
soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i
Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro
nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny.
5 Dia nihodina
aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako
tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay
nandidian'i Jehovah ahy.
6 Ary ny
Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany
Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara
zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7 Ary nony
niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany
Jotbata, tany be ony.
8 Tamin'izany
andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana
aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.
9 Izany no tsy
ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka
izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy.
10 Ary izaho
nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo
ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety
nandringana anao.
11 Dia hoy
Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny
tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
12 [Anatra ny
amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa
ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary
ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao,
afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany
rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao
rehetra sy ny fanahinao rehetra,
13 hitandrina
ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
14 Indro, an'i
Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany
mbamin'izay rehetra eo aminy.
15 Kanefa ny
razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby
azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
16 Koa forao ny
fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
17 Fa Jehovah
Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo,
Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na
mandray kolikoly;
18 manome
rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy
hanina sy fitafiana.
19 Koa tiava
vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.
20 Jehovah
Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary
ny anarany no hianiananao.
21 Izy no
fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy
mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.
22 Olona
fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i
Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
1 Ary tiava an'i
Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia
ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
2 Ary aoka ho
fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na
nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny
tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
3 sy ny
famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, sy ny taniny rehetra,
4 sy izay
nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia
ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia
voaringan'i Jehovah mandraka androany,
5 ary izay
nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity
tany ity,
6 ary izay
nataony tamin'i Datana sy Ab́rama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny
Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny
ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy;
7 fa ny
masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah.
8 Koa tandremo
ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra
handova ny tany izay efa halehanareo holovana;
9 ary, mba ho
maro andro ianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo
homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
10 Fa ny tany
izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay
nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano
azy tahaka ny fambolen'anana.
11 Fa ny tany
izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady
mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra,
12 dia tany
izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao
mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny
fiafarany.
13 Ary raha
hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i
Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny
fanahinareo rehetra,
14 dia
halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana
sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny
diloilonao;
15 ary
hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao
ka ho voky.
16 Kanefa
mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo
andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
17 ary dia
hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka
tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana
ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
18 Koa alatsaho
ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho
famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo
ambonin'ny handrinareo;
19 ary
ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na
mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
20 ary soraty
eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy;
21 mba ho maro
ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i
Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny
tany.
22 Fa raha
hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka
manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny
lalany rehetra sy hifikitra aminy,
23 dia
horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo
haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.
24 Ny tany
rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny
efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina
andrefana no ho fari-taninareo.
25 Tsy hisy
olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho
azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka
izay nolazainy taminareo.
26 Indro, Izaho
mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
27 fitahiana,
raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo
anio;
28 ary ozona
kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily
hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka
andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
29 Ary rehefa
entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay
alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra
Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
30 Tsy any
an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny
tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo
anilan'ny hazo terebintan'i More?
31 Fa ianareo
efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;
32 koa tandremo
mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo
anio.
*
1 [Ny amin'ny
handravana izay zavatra momba ny fivavahana amin'ny sampy, ary ny amin'ny
hivavahana amin'Andriamanitra ao amin'izay tany fidiny] IZAO no didy sy
fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah,
Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo
ambonin'ny tany.
2 Horavanareo
mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay
horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana
ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
3 Dia
horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary
hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay
andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany
izany intsony ny anarany.
4 Aza manao toy
izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
5 Fa ny tany
izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny
anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
6 Ary any no
hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny
fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny
fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny
ombinareo sy ny ondry aman'osinareo;
7 ary any no
hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary
hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah
Andriamanitrao anao.
8 Aza manao
araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy
manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
9 Fa ianareo
tsy mbola tonga any amin'ny fitsaharana sy ny lova izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao.
10 Fa rehefa
tafita an'i Jordana ianareo ka monina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan'ady amin'ny
fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
11 dia eo
amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no
hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny
fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra
asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin'i Jehovah.
12 Dia hifaly
eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny
zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay
ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
13 Mitandrema
mba tsy haterinao eny amin'izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
14 fa eo
amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah ihany amin'ny firenenao anankiray no
hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
15 Kanefa
mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny
amin'ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao izay
omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany,
tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
16 Kanefa ny
ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.
17 Tsy azonao
hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy
ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, na ny
zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra
asandratry ny tananao.
18 Fa eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin'ny tany izay
hofidin'i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao
an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay
rehetra hanin'ny tananao.
19 Mitandrema
mba tsy ho foinao ny Levita amin'ny andro rehetra hiainanao amin'ny taninao.
20 Raha
hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao,
ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia
mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin'ny fanahinao ianao.
21 Raha lavitra
anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany,
dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Jehovah anao,
araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay
rehetra irin'ny fanahinao izany.
22 Kanefa
tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana
ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
23 Kanefa
tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo
mihinana ny aina amin'ny hena ianao.
24 Aza mihinana
azy ianao, fa aidino amin'ny tany toy ny rano izy;
25 eny, aza
mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha
manao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
26 Kanefa ny
zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin'ny tany izay
hofidin'i Jehovah.
27 Ary atero eo
amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany
sy ny ràny; ary ny ran'ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin'ny alitaran'i
Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
28 Tandremo, ka
henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny
taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo
imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
29 Rehefa
aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay
alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny,
30 dia
mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo
anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao
hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho
koa mba hanao toy izany.
31 Aza manao
toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay
halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny
zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.
1 Izay rehetra
andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza
anesoranao.
2 [Ny amin'ny
fampijaliana izay mivavaka amin'ny sampy na mitaona ny sasany hivavaka aminy]
Raha tah́ny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na
fahagagana aminao
3 sady manao
hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka
hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay
nolazainy taminao,
4 dia aza
mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo
Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah
Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
5 Manaraha an'i
Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no
hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy
hifikiranareo.
6 Fa izany
mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana
amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny
tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao
hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia
hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
7 Raha mitaona
anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny
zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka
manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny
razanao),
8 dia ny
andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny
lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra),
9 dia aza
manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na
amindranao fo, na afeninao;
10 fa vonoy ho
faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.
11 Ary torahy
vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah
Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
tamin'ny trano nahandevozana.
12 Ary ny
Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany
intsony eo aminao.
13 Raha mandre
teny ianao ny amin'ny tanànanao anankiray izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao
anao honenana, manao hoe:
14 Nisy olona
tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany
nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
15 dia diniho
sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra
izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,
16 dia asio ny
lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna
sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin'ny
lelan-tsabatra.
17 Ary ny
entana nobaboina rehetra eo dia ang̣ny eo afovoan'ny kianja, ka doroy amin'ny
afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao,
ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
18 Ary aoka tsy
hisy hiraikitra amin'ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba
hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy
hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin'ny razanao,
19 raha
hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra
izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah
Andriamanitrao.
1 [Ny amin'ny
hifadiana izay fanao vetaveta, na izay zavatra tsy fihinana] Zanak'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo
ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty.
2 Fa firenena
masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy
mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
3 Aza mihinana
izay fahavetavetana.
4 Izao no biby
izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
5 sy ny diera,
ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
6 izay biby
rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho
fihinanareo.
7 Nefa
amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo:
Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy
mivaky kitro; maloto aminareo izy;
8 ary ny kisoa
koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan
ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
9 Ary amin'izay
rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony
sy kirany no ho fihinanareo;
10 fa izay
rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo
izy.
11 Ny vorona
madio rehetra no ho fihinanareo.
12 Nefa izao
kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
13 ary ny
papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
14 ary ny
goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
15 ary ny
ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny
karazany avy,
16 ary ny
vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
17 ary ny sama
sy ny voltora madinika sy ny manarana
18 ary ny vano
sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19 Ary ny
zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho
fihinanareo.
20 Ny
zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21 Aza homana
izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba
hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i
Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
22 [Ny amin'ny
fandoavana ny fahafolon-karena] Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra
avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
23 dia aoka ho
eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny
hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny
ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry
aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
24 Fa raha
lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao,
satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao
hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao,
25 dia
hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao
hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao;
26 ary ny vola
dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay,
na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i
Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny
ankohonanao;
27 ary ny
Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo
aminao izy.
28 Ary
isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona
izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
29 ary dia aoka
ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny
vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana
izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao
rehetra izay ataonao.
1 [Ny amin'ny
taom-panafahana] Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
2 Ary izao no
ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny
namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria
efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.
3 Ny olona hafa
firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa
dia hafoinao;
4 kanefa tsy
dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
5 raha mihaino
tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna
rehetra izao, izay andidiako anao anio.
6 Fa Jehovah
Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny
firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro
ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
7 Raha misy
malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i
Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny
tananao, amin'ny rahalahinao malahelo;
8 fa sokafy
tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
9 Mitandrema
fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito,
dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka
tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka
dia ho fahotanao izany.
10 Omeo tokoa
izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany
no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay
rehetra ataon'ny tananao.
11 Fa ny tany
tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny
rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.
12 Raha hamidy
aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao
enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin'ny taona fahafito.
13 Ary raha
hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
14 fa hisy
hampitondrainao azy avy amin'ny ondry aman'osinao ary avy amin'ny famoloanao sy
ny famiazanao: araka izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no
hanomezanao azy.
15 Ary tsarovy
fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra
anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
16 Kanefa raha
hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao,
ka finaritra aminao izy,
17 dia halainao
ny haolo ka hotevehinao amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao
mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao.
18 Aza ataonao
ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama
no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao
amin'izay rehetra ataonao.
19 [Ny ho fanao
amin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy] Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky
ny ombinao sy ny ondry aman'osinao dia hohamasininao ho an'i Jehovah
Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny
voalohan-teraky ny ondry aman'osinao.
20 Eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy
isan-taona isan-taona eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah.
21 Fa raha misy
kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza
vonoinao hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ireny.
22 Ao
an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia
samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
23 Kanefa ny
ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.
1 [Ny amin'ny
andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely]
Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny
volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta
tamin'ny alina.
2 Ary vonoy ny
Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany
izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany.
3 Aza ny mofo
misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy
masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany
Egypta, mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay
nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.
4 Ary aoka tsy
hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka
tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny
harivan'ny andro voalohany.
5 Tsy hisy
azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao;
6 fa eo amin'ny
fitoerana izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no
hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay
nivoahanao avy tany Egypta.
7 Ary atsatsiho
amin'ny afo izy, ka hano eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao;
ary miverena nony maraina, ka modia any amin'ny lainao.
8 Henemana no
hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana
ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin'izany.
9 Herinandro
fito no hisainao ho anao: hatramin'ny andro iandohan'ny fijinjam-bary no
hanisanao azy.
10 Ary
mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah
Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i
Jehovah Andriamanitrao anao;
11 ary mifalia
eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao
an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo
aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany
ny anarany.
12 Ary tsarovy
fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
13 Tandremo
hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa
nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao.
14 Ary mifalia
amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny
ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty
ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
15 Hafitoana no
itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany
izay hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao
rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
16 Intelo
isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrao, eo amin'ny tany izay hofidiny, dia amin'ny andro firavoravoana
fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo
herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo. Ary
aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan'i Jehovah;
17 fa aoka samy
hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay
omeny anao.
18 [Ny amin'ny
fitsarana sy ny fifidianana mpanjaka] Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao
an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny
firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.
19 Aza manao
fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny
kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.
20 Ny marina
dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen'i
Jehovah Andriamanitrao anao.
21 Aza
manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny alitaran'i Jehovah
Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
22 Ary aza
manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
1 Aza vonoina
hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy,
na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny
manao izany.
2 Raha misy
hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na
lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka
mivadika ny fanekeny
3 ka lasa
mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin'ny masoandro, na
amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
4 ka voalaza
aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa
izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
5 dia avoahy ho
eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany,
ka torahy vato ho faty.
6 Amin'ny
tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny
tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
7 Ny tanan'ny
vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra;
ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8 Raha misy
teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty
aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao,
ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao.
9 ary mankanesa
amin'ireo Levita mpisorona sy amin'ny anankiray izay mpitsara amin'izany andro
izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
10 Ary araho ny
teny izay hambarany aminao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, ka
mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
11 Araka ny
lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no
hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay hambarany aminao, na ho amin'ny
ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
12 Fa ny olona
izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao
fanompoam-pivavahana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia
aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely
ny fanao ratsy.
13 Ary ny
vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
14 Rehefa tonga
any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy
sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny
firenena rehetra izay manodidina ahy,
15 dia izay
hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray
amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona
hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao ianao.
16 Kanefa aoka
tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba
hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany
lalana izany intsony.
17 Ary aoka tsy
hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na
volamena be ho azy izy.
18 Ary rehefa
mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny
boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona.
19 Ary ho ao
aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra
an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao
sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
20 mba tsy
hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny
lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro
amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany.
1 [Ny amin'ny
ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita] Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i
Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany.
2 Fa tsy
hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy
taminy.
3 Ary izao no
ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona, dia avy amin'izay mamono zavatra
hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an'ny mpisorona ny
sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
4 ary ny
voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny
voalohan'ny volon'ondrinao no homenao azy.
5 Fa izy sy ny
taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra
hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah.
6 Ary raha misy
Levita miala amin'ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin'ny Isiraely
rehetra, ka mandeha araka ny fanirian'ny fony ho any amin'ny tany izay
hofidin'i Jehovah,
7 ka manao
fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita
rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan'i Jehovah,
8 dia anjara
mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny
azony tamin-drainy.
9 [Ny amin'ny
mpaminany] REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao
anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena
ireo.
10 Aoka tsy
hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na
mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
11 na manao ho
masim-bava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao
hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
12 Fa
fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary
izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo
anoloanao.
13 Aoka ho
tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
14 Fa ireo
firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao
fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
15 Mpaminany
avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah
Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
16 araka izay
rehetra nangatahinao tamin'i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin'ny andro
nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro intsony aho,
ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
17 Dia hoy
Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
18 Mpaminany no
hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany
ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
19 Ary izay
rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no
hitsara azy.
20 Fa ny
mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na
izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty.
21 Ary raha hoy
ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i
Jehovah?
22 Raha miteny
amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka,
dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no
nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
1 [Ny amin'ny
tanàna handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy] Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao
ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao,
ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2 dia manokàna
tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao
anao holovana.
3 Amboary ny
lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao
holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.
4 Ary ny
mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany
tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
5 toy ny olona
izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky
hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary
mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray
amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
6 fandrao
hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka
hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy
tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
7 Koa izany no
andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
8 Ary raha
hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany
tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny
razanao
9 (raha
hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao
anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny
lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
10 mba tsy hisy
rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao
ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.
11 Fa raha misy
olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty
azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo,
12 ny loholona
amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny
mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13 Tsy hiantra
azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà
marina, mba hahita soa ianao.
14 [Ny amin'ny
tsi-famindrana fari-tany, sy ny amin'ny vavolombelona] Aza mamindra ny
fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay
azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
15 Raha vavolombelona
iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota
nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no
hanorenana mafy ny teny.
16 Raha misy
vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17 dia
hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny
mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;
18 ary raha
hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga
lainga ny namany,
19 dia araka
izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao
tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20 Ary ny olona
sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo
aminao intsony.
21 Dia tsy
hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso,
nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
1 [Ny amin'ny
miaramila sy ny tafika] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita
soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah
Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta,
no momba anao.
2 Ary rehefa
hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe:
3 Mihainoa, ry
Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny
fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra
azy;
4 fa Jehovah
Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo
mba hamonjy anareo.
5 Dia hiteny
amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano
vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy,
fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
6 Ary iza no
olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka
handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa
no hihinana ny vokatra.
7 Ary iza no
olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha
hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no
hampakatra ny vadiny.
8 Ary mbola
hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay
matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho
ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.
9 Ary rehefa
vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny
miaramila hitarika azy.
10 Raha mby
akaikin'izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
11 Ary raha
fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao
fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
12 Fa raha tsy
mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano
izy.
13 Ary rehefa
atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin'ny
lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
14 Fa ny babo
rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao
an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin'ny
fahavalonao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
15 Toy izany no
hataonao amin'ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy
tanànan'ireto firenena ireto.
16 Fa ny
tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho
lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
17 Fa aringano
tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny
Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
18 mba tsy
hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony
tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.
19 Raha
hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina
amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa
olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
20 Kanefa ny
hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda
hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
1 [Ny amin'ny
fanesoran-keloka, raha misy faty hita, nefa tsy fantatra izay nahafaty azy]
Raha tah́ny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty
azy,
2 dia hivoaka
ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka
hatramin'izay tanàna manodidina azy.
3 Ary ny
loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely
izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
4 Ary ilay
ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any
amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia
hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
5 Ary ireo
mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah
Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i
Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
6 ary ny
loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany
eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
7 dia
hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy
nahita izany ny masonay.
8 Jehovah ô,
mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny
Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
9 Ka dia
hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i
Jehovah ianao.
10 [Ny amin'ny
vehivavy babo hovadin'izay nahazo azy] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao
ianao, ary atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11 ary misy
vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina,
12 dia ento ho
ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,
13 ary asaovy
esoriny koa ny fitafiany tamin'ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao
an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa
afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho
vadinao izy.
14 Fa raha tsy
tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza
mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy
ianao.
15 [Ny amin'ny
lovan'ny lahimatoa] Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny
anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny
tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:
16 amin'ny
andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny
zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena
lahimatoany;
17 fa ny
lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa
amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana.
18 [Ny fanao
amin'ny zanaka maditra tsy zaka anarina] Raha misy olona manana zanakalahy
maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy, na ny feon'ny
reniny, ka tsy zakany anarina,
19 dia
hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny
tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,
20 dia hiteny
amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra
sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21 Dia
hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao
tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka
hatahotra.
22 [Ny amin'ny
fandevenana ny fatin'ny meloka izay efa nahantona tamin'ny hazo] Ary raha misy
olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin'ny
hazo.
23 dia tsy
havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao
androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa
aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
1 [Didy samy
hafa ny amin'ny fitiavana ny namana, sy ny tsi-fampifamadihana ny
fomban-javatra] Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza
atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy
izany.
2 Ary raha tsy
akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay
nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia
haverinao any aminy.
3 Ary toy izany
koa no hataonao amin'ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny
rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho
raharahanao izany.
4 Ary raha
hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza
atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
5 Aoka ny
vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny
fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay
rehetra manao izany.
6 Raha sendra
mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na
mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia
aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
7 Alefaso
mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka
ho maro andro.
8 Raha manao
trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera
eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà ho ao an-tranonao ianao.
9 Aza fafazana
voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho
sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10 Aza
mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
11 Aza mitafy
lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.
12 Asio
somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.
13 [Didy ny
amin'ny fanamasinana ny fanambadiana] Raha misy lehilahy mampaka-bady ary
mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 dia
haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho,
nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
15 dia
halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho
entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.
16 Dia hiteny
amin'ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin'io
lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
17 ary indro fa
efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy
ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia
hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.
18 Ary
halain'ny loholona amin'ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
19 Dia hosaziny
sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria
nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho
vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
20 Fa raha
marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho
virijina,
21 dia ho entiny
mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny
mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo
amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao
tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
22 Raha misy
lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa,
na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia
hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
23 Raha misy
zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona, ary misy lehilahy mahita azy eo
an-tanàna ka mandry aminy,
24 dia ho
entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka
hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna
ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia
hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
25 Fa raha any
an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary
misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy
ihany no hatao maty.
26 Fa
ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty
azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no
hevitr'izany zavatra izany.
27 Fa tany an-tsaha
no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin'olona, nefa tsy
nisy hamonjy azy.
28 Raha misy
lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin'olona, ka misavika
azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
29 dia hanome
sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry
taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony
hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
1 Tsy mahazo
maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy.
2 [Didy maro
samy hafa] Tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah izay torotoro vihina,
na izay voatapaka ny filahiany.
3 Ny zazasary
tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany
fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
4 Ny Amonita sy
ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny
taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i
Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny,
5 satria tsy
nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta
ianareo, ary satria nanamby an'i Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any
Mesopotamia, hanozona anao izy.
6 Kanefa
Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i Balama, fa nampody ny fanozonana
ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
7 Aza mitady
izay hiadanany na izay hahasoa azy amin'ny andronao rehetra mandrakizay.
8 Aza atao ho
fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba
vahiny tany amin'ny taniny ianao.
9 Ny
zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
10 Raha mivoaka
hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
11 Raha misy
olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka
eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
12 Fa rehefa
hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro,
dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy.
13 Ary aoka
hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;
14 ary mitondrà
fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia
mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
15 Fa Jehovah
Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny
fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra
maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
16 Aza
atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo
aminao.
17 Eo aminao no
hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza
mampahory azy.
18 Aoka tsy
hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho
fanompoan-tsampy.
19 Aza mitondra
ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah
Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah
Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
20 Aza
mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety
hampananaina.
21 Ny olona
hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy
hampanananao; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra
ataon'ny tananao eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
22 Raha mivoady
amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah
Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
23 Fa raha tsy
mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
24 Izay aloaky
ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i
Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao.
25 Raha mankany
amin'ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po
mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
26 Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty
salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.
Chapitre 24
1 [Didy samy
hafa ny amin'ny fisaoram-bady sy ny tsi-fanaovana izay hampahory ny sasany]
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony
ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy
fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka
hampiala azy ao an-tranony.
2 Ary rehefa
miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
3 Ary raha tsy
tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady
koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty
ilay nanambady azy taoriana:
4 ilay
nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony,
rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany; ary aza
mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
5 Raha misy
lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina
fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny
vadiny izay vao nampakariny.
6 Aza misy
olona maka ny fikosoham-bary ho tsaṭka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina
ho tsaṭka izany.
7 Raha misy
olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny Zanak'Isiraely rahalahiny ka
manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo
aminao ny fanao ratsy.
8 Mitandrema ny
amin'ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona
anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
9 Tsarovy izay
nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Miriama teny an-dalana tamin'ny
nandehananareo avy tany Egypta.
10 Raha
mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny
antoka aminy.
11 Mijaṇna eo
ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao
eo ala-trano.
12 Ary raha
malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
13 fa tsy
maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba
hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
14 Aza manao
fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao,
na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao.
15 Fa andro
anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny
masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i
Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
16 Ny ray tsy hatao
maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny
rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.
17 Aza manao
fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny
mpitondratena ho tsaṭka.
18 Fa tsarovy
fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho
afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
19 Raha mijinja
ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina
haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba
hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao.
20 Raha
manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa
aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
21 Raha mioty
ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny
vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
22 Ary tsarovy
fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao
izany zavatra izany.
1 [Ny amin'ny
kapoka hatao amin'izay meloka, sy ny fitondran-doloha ny vadin-drahalahy, ary
ny tsy hanaovana varo-dratsy] Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny
fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary
hohelohiny kosa izay meloka.
2 Ary raha
tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina
eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
3 Hatramin'ny
efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha
mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4 Aza
manakombona ny vavan'ny omby mively vary.
5 Raha misy
mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady
vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka
hanambady azy ka hitondra loloha azy.
6 Ary ny
lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba
tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely izy.
7 Ary raha tsy
sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo
amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny
rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra
loloha ahy.
8 Dia
hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy
ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
9 dia hanatona
azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny
tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no
hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10 Ary ny
anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay
nalan-kapa.
11 Raha misy
olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny
tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
12 dia
hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
13 Aoka tsy
hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
14 Aoka tsy
hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
15 Vato feno
lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba
ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
16 Fa
fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany
zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
17 [Ny amin'ny
handringanana ny Amalekita] Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny
an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,
18 dia ny
nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay
rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra
an'Andriamanitra izy.
19 Ary rehefa
omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra
manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho
lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny
lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
1 [Ny fisaorana
ho fanao raha manatitra ny fahafolon-karena, ary izay tokony hatao aminy] Ary
rehefa tonga ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao
ianao ka mandova azy ary monina ao,
2 dia analao ny
voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany, izay alainao avy amin'ny taninao, izay
omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any
amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
3 dia mankanesa
amin'ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'i
Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'i
Jehovah tamin'ny razantsika homeny antsika.
4 Dia
horaisin'ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan'ny
alitaran'i Jehovah Andriamanitrao.
5 Dia hiteny eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no
raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary
tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
6 Ary nanao
ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana
mafy.
7 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika
Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;
8 ary tanana
mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary
fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
9 dia nitondra
antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia
tany tondra-dronono sy tantely.
10 Ary
ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany
izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra,
ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
11 Ary mifalia
amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao
ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.
12 Rehefa
voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao amin'ny taona
fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny
vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao,
ka ho voky izy,
13 ary dia
lazao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny
zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary
ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny
didinao aho na nanadino azy.
14 Tsy nisy
nohaniko teo amin'ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin'ny fahalotoako, na
nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon'i Jehovah
Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15 Tsinjovy ao
amin'ny fonenanao masina any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany
izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin'ny razanay, dia tany
tondra-dronono sy tantely.
16 [Teny farany
hampahazoto ny Isiraely hatoky ny fahasoavan'i Jehovah sy mpanaraka Azy] Anio
no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo;
koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
17 Efa
nampiteny an'i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha
amin'ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary
hihaino ny feony.
18 Ary Jehovah
kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka
izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
19 sy
hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy
ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah
Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
*
1 [Ny amin'ny
hanaovana tsangam-bato hanoratana ny lalàna, sy ny hanaovana ny tso-drano sy ny
fanozonana ao an-tendrombohitra Gerizinia sy Ebala] Ary Mosesy sy ny loholon'ny
Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay
andidiako anao anio.
2 Ary amin'ny
andro izay hitànareo an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
3 dia soraty eo
aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny
tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy
tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
4 Ary rehefa
tafita an'i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato
ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
5 Ary manorena
alitara ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza
pehim-by izy.
6 Vato tsy
voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra
dorana eo amboniny ho an'i Jehovah Andriamanitrao.
7 Ary manatera
koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrao.
8 Ary soraty
amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara
ny soratra.
9 Dia niteny
tamin'ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe:
Manǵna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen'i Jehovah
Andriamanitrao ianao.
10 Koa henoy ny
feon'i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako
anao anio.
11 Dia nandidy
ny vahoaka tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
12 Ireto no
hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita
an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny
Josefa ary ny Benjamina.
13 Ary ireto
kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada
sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
14 Dia hiteny
ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:
15 Hozonina ny
olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay
fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka
mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe:
Amena.
16 Hozonina
izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao
hoe: Amena.
17 Hozonina
izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
18 Hozonina
izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
19 Hozonina
izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny
mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
20 Hozonina
izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary
ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
21 Hozonina
izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
22 Hozonina
izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny
zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
23 Hozonina izay
mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
24 Hozonina
izay mamely ny namany ao amin'ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe:
Amena.
25 Hozonina
izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe:
Amena.
26 Hozonina
izay tsy mankaṭ ny tenin'ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe:
Amena.
*
1 [Ny soa izay
ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy
kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina
hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah
Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;
2 ary ho tonga
aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah
Andriamanitrao ianao
3 Hotahina
ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
4 Hotahina ny
ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao,
dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
5 Hotahina ny
haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
6 Hotahina
ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
7 Hatolotr'i
Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka
lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany
hiala eo anoloanao.
8 Handidy ny
fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny
tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao
anao.
9 Hanandratra
anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha
mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.
10 Dia ho
hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina
aminao, dia hatahotra anao izy.
11 Ary hataon'i
Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny
ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay
nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.
12 Hovohan'i
Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana
amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary
hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
13 Dia hataon'i
Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy
ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao
anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
14 Ary aza
miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana,
na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
15 Fa raha tsy
mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka
ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao
sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao :
16 Hozonina
ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
17 Hozonina ny
haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
18 Hozonina ny
ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny
ateraky ny ondry aman'osinao.
19 Hozonina
ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
20
Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana
amin'izay rehetra ataon'ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao
faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy.
21
Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy
ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
22 Ary
areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy
andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah
anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
23 Ary ho
varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
24 Hataon'i
Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no
hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.
25 Hatolotr'i
Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao
hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho
mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
26 Ary ny
fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy
hanaitaitra azy.
27 Hamelin'i
Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay
tsy azom-panafody);
28 ary
hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny
fahaverezan-kevitra.
29 Dia
hitsapatsapa ianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny
fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay
halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy
hisy hamonjy.
30 Hifofo vady
ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao;
hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
31 Ny ombinao
hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina
an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho
an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
32 Ny
zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny
masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na
inona na inona ny tananao.
33 Ny vokatry
ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy
fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva
ianao.
34 Dia ho very
saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
35 Hamelin'i
Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny
tongotrao, hatramin'ny faladianao ka hatramin'ny tampon-dohanao.
36 Ho entin'i
Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny
mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao
andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
37 Dia ho
figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra
izay hitondran'i Jehovah anao.
38 Voan-javatra
betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao,
satria ho lanin'ny valala ireny.
39 Hanao
tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka
ianao, satria ho lanin'ny fositra ireny.
40 Hanana hazo
oliva amin'ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana
ny olivanao.
41 Hiteraka
zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
42 Ny hazonao
sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin'ny valala.
43 Ny vahiny eo
aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho
ambany dia ambany.
44 Izy
hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa
ianao ho rambony.
45 Dia ho tonga
aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao
mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
46 Ary ho famantarana
sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
47 satria tsy
nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po
ianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra.
48 Any amin'ny
fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na
inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao;
dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
49 Ho entin'i
Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny
tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho
fantatrao ny fiteniny,
50 firenena
masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
51 dia hohaniny
ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy
havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny
ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.
52 Dia hataony
fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo
sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao
any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao.
53 Ary eo
amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny
ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
54 Ny lehilahy
malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny
rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
55 ka tsy hisy
amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho
azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any
amin'ny tanànanao rehetra.
56 Ny vehivavy
malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany
noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny
andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy
57 noho ny
ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany
mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay
haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao.
58 Raha tsy
tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra
eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady
mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
59 dia hataon'i
Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady
maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
60 Dia haveriny
aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao
ireny.
61 Ary ny
faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny
bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao
mandra-paharinganao.
62 Ary olona
vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny
lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
63 Ary araka
izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa
no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo
tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana.
64 Dia haelin'i
Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any
no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny
razanao.
65 Ary any
amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa
any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary
fahakiviam-panahy.
66 Ar ny ainao
hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy
hanampo izay ho velona.
67 Nony maraina
ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia
hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy
noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
68 Ary ianao ho
entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko
taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy
ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.
69 [Filazana ny
faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika
izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay
fanekena nataony taminy tao Horeba.
*
1 Dia niantso
ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay
rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao
sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
2 dia ny
fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy
fahagagana lehibe ireny.
3 Nefa tsy
nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka
androany.
4 Dia nitondra
anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny
fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao.
5 Tsy mofo no
fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
6 Ary nony
tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy
Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
7 Ary
nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary
ny antsasaky ny firenen'i Manase.
8 Dia tandremo
ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra
ataonareo.
9 Hianareo
rehetra miseho eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny
lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary
ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely,
10 ny zanakareo
madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin'ny tobinareo mbamin'ny
mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
11 hidiranao
amin'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon'i Jehovah
Andriamanitrao aminao anio,
12 hanandratany
anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao
sy araka izay nianianany tamin'ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
13 Ary tsy
aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
14 fa amin'izay
eto amintsika anio eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto
amintsika anio koa;
15 fa
fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany Egypta sy izay nandehanantsika
namaky ny tanin'ny jentilisa;
16 ary efa
hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary
volamena, izay teo aminy;
17 fandrao hisy
lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo
mivily anio, ka miala amin'i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny
andriamanitr'ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka
zava-mangidy sady mahafaty;
18 ary raha
ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao
am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko,
handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta.
19 Ary Jehovah
dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny
fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana
rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo
ambanin'ny lanitra ny anarany.
20 Dia
hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely rehetra ho amin'ny loza izy, araka
ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna
ity.
21 Ary hiteny
ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy
ny vahiny avy amin'ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany
ity sy ny faharariana izay nampaharanan'i Jehovah azy
22 fa ho
solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na
hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana
an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany
sy ny fahatezerany
23 dia hiteny
ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin'ity tany
ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao fahatezerana lehibe izao?
24 Dia hiteny
ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry
ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny
tany Egypta.
25 Fa nandeha
izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia
andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
26 dia
nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'i Jehovah, ka nataony tonga taminy
avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin'ity boky ity;
27 ary
fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan'i Jehovah
azy tsy ho eo amin'ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin'ny tany hafa,
tahaka ny amin'izao anio izao.
28 An'i Jehovah
Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny
zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
1 Ary rehefa
tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana
izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny
firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
2 ka miverina amin'i
Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny
fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
3 dia
hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra
fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay
nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
4 Raha misy
aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i
Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
5 Dia
hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao
ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra
noho ny razanao.
6 Dia hoforan'i
Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona
ianao.
7 Ary hataon'i
Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika
anao ireny fanozonana rehetra ireny.
8 Dia hihaino
ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako
anao anio.
9 Ary hataon'i
Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia
amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby
fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka
hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
10 raha mihaino
ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny,
izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
11 Fa izao
lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy
lavitra.
12 Tsy any
an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho
antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13 Ary tsy any
an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny
ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
14 Fa eo
akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
15 Indro efa
nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny
loza,
16 tamin'ny
nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny
lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona
ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny
tany izay efa hidiranao holovana.
17 Fa raha
mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo
anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18 dia lazaiko
aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny
tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
19 Miantso ny
lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo
anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa
mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
20 dia ny ho
tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa
izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany
izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena
azy.
1 [Anatra
farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely sy Josoa, ary ny fanaperany ny lalàna]
Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra
2 ka nanao
taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy
miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io
ianao.
3 Jehovah
Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo
tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao,
araka izay efa nolazain'i Jehovah.
4 Ary Jehovah
hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita,
izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny.
5 Dia
hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra
izay nandidiako anareo.
6 Mahereza sy
matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no
miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
7 Ary Mosesy
niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe:
Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao
amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no
hampandova azy izany.
8 Ary Jehovah
no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy
anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
9 Dia
nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i
Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely
rehetra.
10 Dia nandidy
azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny
andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo,
11 ka avy
hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny
Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny
tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.
12 Vorio ny
vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao
an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao
sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
13 Ary ny
zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah
Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa
hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
*
14 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa
an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako
azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.
15 Ary Jehovah
niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona.
16 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary
hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any
amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny
fanekeko izay nataoko taminy.
17 Dia
hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary
hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no
hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy
itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
18 Ary Izaho
dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay
nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
19 Ary
ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny
Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho
vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
20 Fa rehefa
entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny
razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily
hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny
fanekeko.
21 Ary raha
manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao
fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny
fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any
amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.
22 Dia
nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny
Zanak'Isiraely.
23 Ary Jehovah
nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao
no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy
homena azy, ary homba anao Aho.
24 Ary rehefa
voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity,
25 dia nandidy
ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe:
26 Raiso ity
bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah
Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
27 Fa izaho
mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto
aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah ianareo, ka mainka fa
rehefa maty aho.
28 Vorio ho eto
amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba
holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho
vavolombelona aminy aho.
29 Fa fantatro
fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay
nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny
tananareo.
*
30 Dia
nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny
tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.
1 [Ny fihirana
nataon'i Mosesy] MIHAINOA, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany,
ny tenin'ny vavako!
2 Ho avy tahaka
ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy
tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin'ny anana.
3 Fa ny
anaran'i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan'Andriamanitsika.
4 Ny amin'ny
Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa.
Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
*
5 Efa
nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady
efa nivadika izy.
6 Moa Jehovah
hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no
Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
7 Tsarovy ny
andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa
hanambara aminao izy, Sy amin'ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
8 Fony nomen'ny
Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny
zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo firenena Araka ny isan'ny
Zanak'Isiraely.
9 Fa anjaran'i
Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
10 Nahita azy
tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia
nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
11 Toy ny
voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny
zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany
azy teo ambonin'ny elany,
12 Jehovah
irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
13 Nampandeha
azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha.
Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo
amin'ny vatolampy afovato
14 Sy
rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman'osy Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy
ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro
divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka ianao.
*
15 Nihanatavy
Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia
nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy
famonjena azy.
16
Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa Izy; Ary tamin'ny zava-betaveta no
nampahasosorany Azy;
17 Namono
zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia
andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny
razanareo.
18 Ny Vatolampy
Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary
anao.
19 Ary Jehovah
nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny
zananivavy.
20 Dia hoy Izy:
Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena
mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
21 Izy efa
nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy
tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy
olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay firenena adala.
22 Fa arehitra
ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany
indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra
ny fanambanin'ny tendrombohitra aza.
23 Havangongoko
aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
24 Hofezahin'ny
mosary izy sady holanin'ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary
nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny
poizin'ny biby mpikisaka amin'ny vovoka.
25 Eny ivelany
dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny
fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny
fotsy volo.
26 Fa efa
nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho
eo amin'ny zanak'olombelona,
27 Raha tsy ny
fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy
ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany
rehetra izany.
28 Fa firenena
tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
*
29 Enga anie ka
hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
30 Hataon'ny
irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon'ny roa lahy ahoana no
fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary
Jehovah no efa nanolotra azy?
31 Fa tsy mba
mitovy amin'ny Vatolampintsika ny vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika
aza no hitsara.
32 Ny
tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora;
Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
33 Ny divainy
dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.
*
34 Moa tsy
voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
35 Ahy ny
famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa
antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo
azy.
36 Fa Jehovah
hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany
ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
37 Ary hiteny
hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
38 Izay
nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka
ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
39 Fantaro
ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko.
Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy
misy mahafaka amin'ny tanako.
40 Fa manangana
ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
41 Raha manasa
ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia
hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
42 Hataoko
mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono
sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo.
43 Mihobia, ry
jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny
mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.
*
44 Dia nandeha
Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny
olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona.
45 Ary nony efa
tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
46 dia hoy izy
taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio,
izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny
rehetra amin'ity lalàna ity.
47 Fa tsy
zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no
hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa
tafita an'i Jordana ianareo.
48 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
49 Miakara
amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo
amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny
Zanak'Isiraely ho lovany.
50 Dia aoka ho
faty ao amin'ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin'ny
razanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora
sy ny nanangonana azy any amin'ny razany,
51 satria
nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo tao amin'ny ranon'i Meriba
any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin'ny
Zanak'Isiraely ianareo.
52 Fa
hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny
tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
*
1 [Ny tso-drano
nataon'i Mosesy tamin'ny firenen'Isiraely] Ary izao no tso-drano nataon'i
Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nadiva ho faty
izy.
2 Hoy izy:
Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra
avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby
alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn'afo ho an'ireo.
3 Eny, tia ireo
firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan'ny
tongotrao ireo Ka samy mandray amin'ny teninao.
4 Lalàna no
nandidian'i Mosesy antsika Ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.
5 Ary tonga
mpanjakan'i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben'ny vahoaka Sy ny
firenen'Isiraely rehetra.
*
6 Aoka ho
velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
*
7 Ary ny amin'i
JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny
olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny
mpandrafy azy.
*
8 Ary ny amin'i
LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin'ny olonao masina. Izay
nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba,
9 Izay nilaza
ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay
rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao
izy Ka nitana ny fanekenao.
10 Jakoba no
hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo
manitra eo anatrehanao'izy Sy fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaranao.
11 Jehovah ô,
tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan'ny tànany; Asio mafy ny
valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala
azy.
*
12 Ary ny
amin'i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan'i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia
halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
*
13 Ary ny
amin'i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ny taniny Amin'ny
zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny rano lalina mamitsaka any
ambany,
14 Ary amin'ny
zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
15 Ary amin'ny
zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny
havoana mandrakizay
16 Mbamin'ny
zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra
tao amin'ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo
an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
17 Ny
voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany
ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy
arivoarivon'i Manase.
*
18 Ary ny
amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary
ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
19 Firenena no
antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho
fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa
miafina ao amin'ny fasika.
*
20 Ary ny
amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada;
Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny
tampon-doha.
21 Nizaha izay
tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa
voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i
Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.
*
22 Ary ny
amin'DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
*
23 Ary ny
amin'i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny
fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
*
24 Ary ny
amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary
hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny
diloilo.
25 Ho vy sy
varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.
*
26 Ry Jesorona,
tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady
mandia ny rahona amin'ny voninahiny.
27 Ny
Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto
ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
28 Ary mandry
fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary
sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
29 Sambatra
ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah,
Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny
fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
*
1 [Ny
nahafatesan'i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia niakatra niala teo
Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga,
izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra
hatrany Dana
2 sy Naftaly
rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra
hatramin'ny ranomasina andrefana
3 ary ny tany
atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
4 Dia hoy
Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba
hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita
ho tonga eny ianao.
5 Ary Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah.
6 Ary naleviny
tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy
misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7 Efa roa-polo
amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
8 Ary ny
Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia
tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.
9 Ary Josoa,
zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana
izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah
an'i Mosesy.
10 Ary tsy nisy
mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay
fantatr'i Jehovah nifanatrika
11 tamin'ny
famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony
tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
12 ary tamin'ny
herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i
Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.