[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Accès direct aux livres
de la Parole : Genèse, Exode, Lévitique, Nombres, Deutéronome,
Josué, Juges, Ruth,
1 Samuel, 2 Samuel, 1 Rois, 2 Rois, 1 Chroniques,
2 Chroniques, Esdras, Néhémie, Esther, Job, Psaumes, Proverbes, Ecclésiaste,
Cantique des Cantiques, Ésaïe, Jérémie, Lamentations de Jérémie, Ézéchiel, Daniel, Osée,
Joël, Amos, Abdias,
Jonas, Michée, Nahum,
Habakuk, Sophonie, Aggée,
Zacharie, Malachie
Accès direct aux
chapitres de la Genèse : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50
1 [Ny namoronan'Andriamanitra
izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny
tany.
2 Ary ny tany
dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny
fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
3 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4 Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny
mazava sy ny maizina.
5 Ary
Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia
nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
6 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka
hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
7 Ary
Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny
habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
8 Ary
Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy
maraina, andro faharoa izany.
9 Ary
Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo
amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10 Ary
Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe
ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
11 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa
izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny
tany; dia nisy izany.
12 Ary ny tany
naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay
manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa
tsara izany.
13 Dia nisy
hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
14 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra
hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho
andro sy taona ireo.
15 Ary aoka ho
fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany;
dia nisy izany.
16 Ary
Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho
mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17 Ary
Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny
ambonin'ny tany,
18 sy ho
mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
19 Dia nisy
hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
20 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy
vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
21 Ary
Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina
mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny
karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22 Ary
Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny
rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
23 Dia nisy fa
hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
24 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny
karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy
araka ny karazany avy; dia nisy izany.
25 Ary
Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy,
samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka
amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara
izany.
26 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika,
araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny
ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby
rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
27 Ary
Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra
no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28 Ary
Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny
tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina
sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29 Ary
Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa
rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady
manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30 Ary ny
amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina
rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny
zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
31 Ary
hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.
Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
1 Dia vita ny
lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Ary tamin'ny
andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra
tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Ary
Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no
nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny
nanaovany azy.
*
4 [Ny saha tao
Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no
tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i
Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5 Ny hazo
madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy
mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany
Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
6 nefa nisy
zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra.
7 Ary vovo-tany
no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina
mahavelona ny vavorony; dia
8 Ary Jehovah
Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy
izay noforoniny.
9 Ary
nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay
maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy
ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10 Ary nisy ony
nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana
efatra:
11 Ny anaran'ny
voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay
misy ny volamena;
12 ary tsara ny
volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
13 Ary ny
anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 Ary ny anaran'ny
ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony
fahefatra dia Eofrata.
15 Ary Jehovah
Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena
hiasa sy hitandrina azy.
16 Ary Jehovah
Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny
saha dia azonao ihinanana ihany;
17 fa ny hazo
fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay
ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
18 Ary Jehovah
Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady
sahaza ho azy izy.
19 Ary tany no
namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina
rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy
avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia
izany no anarany.
20 Dia
nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina
mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
21 Ary Jehovah
Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny
taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
22 Ary ny
taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia
nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
23 Ary hoy
ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny
nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
24 Ary noho
izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;
dia ho nofo iray ihany ireo.
25 Ary
nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra
izy.
*
1 [Ny nanotan'i
Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy
noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy
tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny
hazo rehetra amin'ny saha?
2 Fa hoy
ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay
ihinanana ihany;
3 fa ny voan'ny
hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo
na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
4 Ary hoy ny
menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
5 fa
fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny
masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny
ratsy.
6 Ary
hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary
hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary
nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
7 Dia nahiratra
ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy
izy, ka nataony sikina ho azy.
8 Ary nandre
an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho
hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah
Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.
9 Ary Jehovah
Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
10 Dia hoy izy:
Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia
niery.
11 Ary hoy Izy:
Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay
nandrarako anao tsy hihinananao?
12 Dia hoy
ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo,
ka dia nihinana aho.
13 Ary hoy
Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy
ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
14 Ary hoy
Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny
biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no
handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
15 Dia
hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy
hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
16 Ary hoy koa
Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha
manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no
hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
17 Ary hoy koa
Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao
ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany
noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra
hiainanao.
18 Ary haniry
tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
19 Ny
fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny
tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny
vovoka indray ianao.
20 Ary
ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona
rehetra.
21 Ary Jehovah
Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo
azy.
22 Ary hoy
Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa
23 ka dia nesorin'i
Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
24 Eny,
noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima
sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny
hazon'aina.
*
1 [Ny amin'i
Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka
niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2 Ary niteraka
an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa
mpiasa tany.
3 Ary rehefa
afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i
Jehovah;
4 fa
nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah
nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;
5 fa Kaina
mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina,
sady nanjombona ny tarehiny.
6 Ary hoy
Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny
tarehinao?
7 Raha tsara
toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao,
dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany,
kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
8 Ary Kaina
niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia
nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
9 Ary hoy
Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina
ny rahalahiko va aho?
10 Ary hoy Izy:
Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny
tany.
11 Ary
ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina
ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
12 Raha miasa
ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy
mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
13 Dia hoy
Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
14 Indro, efa
noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho
ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita
ahy dia hamono ahy.
15 Ary hoy
Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito
eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy
izay rehetra hahita azy.
16 Ary Kaina
dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i
Edena.
17 [Ny
taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia
nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka
ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
18 Ary Enoka
niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka
an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.
19 Ary Lameka
nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray
20 Ary Ada
niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby
aman'ondry.
21 Ary ny
anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka
sodina rehetra.
22 Ary Zila
kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy;
ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.
23 Ary hoy
Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka,
mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho
ny faharatrako.
24 Raha valiana
fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono
an'i Lameka.
25 Ary Adama
nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany
nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray
koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.
26 Ary Seta koa
niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
*
1 [Ny taranak'i
Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama:
Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny
tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
2 lahy sy vavy
no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny
andro namoronany azy.
3 Ary rehefa
telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny
tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
4 Ary ny
andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
5 Ary ny andro
rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
6 Ary rehefa
dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
7 Ary ny andro
niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
8 Ary ny andro
rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty
izy;
9 Ary rehefa
sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
10 Ary ny andro
niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby
valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
11 Ary ny andro
rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
12 Ary rehefa
fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
13 Ary ny andro
niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby
valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 Ary ny andro
rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
15 Ary rehefa
dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i
Jareda izy.
16 Ary ny andro
niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby
valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17 Ary ny andro
rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia
maty izy.
18 Ary rehefa
roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1
Enoka izy.
19 Ary ny andro
niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato
taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 Ary ny andro
rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty
izy.
21 Ary rehefa
dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela
izy.
22 Ary
niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany
an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
23 Ary ny andro
rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
24 Ary
niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa
nentin'Andriamanitra.
25 Ary rehefa
fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka
an'i Lameka izy.
26 Ary ny andro
niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo
amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
27 Ary ny andro
rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia
maty izy.
28 Ary rehefa
roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka
zazalahy izy;
29 ary ny
anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny
asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.
30 Ary ny andro
niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby
diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
31 Ary ny andro
rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia
maty izy.
32 Ary rehefa
diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy
1 [Noa sy ny
Safo-drano] Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy
maro,
2 dia hitan'ny
zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady
ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
3 Ary hoy
Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny
faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4 Ny Nefilima
nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha
nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany;
ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5 Ary hitan'i
Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana
rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6 Ary Jehovah
nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7 Dia hoy
Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny
olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny
voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
8 Fa Noa kosa
nahita fitia teo imason'i Jehovah.
*
9 Ary izao no
tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona
niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
10 Ary Noa
niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy
11 Ary simba ny
tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
12 dia
hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy
efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
13 Dia hoy
Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako,
satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy
mbamin'ny tany Aho.
14 Koa manaova
sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny
sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
15 Ary toy izao
no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo
ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
16 Ary hasianao
fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy
hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao
efitra telo mifanongoa izy.
17 Ary, indro,
Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra
izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny
tany.
18 Nefa kosa
haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny
vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
19 Ary ny
zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany
ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy
ireo.
20 Ny vorona,
samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny
biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,
dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo
aminao hovelomina.
21 Ary analao
ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia
ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.
22 Dia nataon'i
Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny
ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao
olona miara-belona aminao izao.
2 Ny biby madio
rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny
biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3 ary ny
voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany
taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
4 Fa raha afaka
hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy
efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy
ho ambonin'ny tany.
5 Ary Noa nanao
araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.
6 Ary efa
enin-jato taona Noa, raha
7 Ary Noa sy ny
vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao
anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8 Ary ny biby
madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na
mikisaka amin'ny tany,
9 dia nisy
niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy,
araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
10 Ary rehefa
afaka hafitoana, dia
11 Tamin'ny
andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato
taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra
amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
12 Dia nisy
ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13 Androtrizay
indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary
Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy
niaraka taminy;
14 dia izy ireo
sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra,
samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka
amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny
karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15 Dia niditra tao
amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo
rehetra izay manam-pofonaina.
16 Ary izay
niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay
nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
17 Ary
naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia
18 Ary nahery
ny rano ka
19 Ary nahery
dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny
tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.
20 Dimy
ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21 Dia maty ny
nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby
fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany
ary ny olona rehetra.
22 Izay rehetra
nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina,
dia maty avokoa.
23 Ary
naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka
hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina;
dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy
tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
24 Ary nahery
tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
1 Ary
Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy
rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary
Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 Ary tampina
ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay
ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
3 Ary nihena
niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato
andro, dia efa nihena ny rano.
4 Dia nipetraka
teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito
ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito.
5 Ary ny rano
dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
6 Ary rehefa
afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay
efa nataony.
7 Dia namoaka
goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany
iny.
8 Dia namoaka
voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano
tambonin'ny tany, na tsia.
9 Fa tsy
hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa
tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra;
ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao
anatin'ny sambo-fiara.
10 Ary mbola
niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara
indray izy.
11 Dia niditra
teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva
maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano
tambonin'ny tany.
12 Ary mbola
niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina
teo aminy intsony iny.
13 [Ny
nivoahan'i Noa avy tao amin'ny sambo-fiara sy ny nanaovan'Andriamanitra
fanekena taminy] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny
taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary
nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny
tany.
14 Ary tamin'ny
andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15 Ary
Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:
16 Mivoaha
amin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy
miaraka aminao.
17 Ary ny
zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny
vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny
tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany
sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.
18 [Ny
nataon'izy telo mirahalahy, zanak'i Noa, sy ny teny naminanian-drainy azy] Dia
nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 Ny
zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny
vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy
nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.
20 Ary Noa dia
nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio
rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.
21 Dia nandre
ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany
intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy
hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho
tahaka izay nataoko.
22 Raha mbola
maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny
taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny
ririnina,ary ny andro sy ny alina.
1 Ary
Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha
ary mamenoa ny tany.
2 Ary ny
tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina
rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny
hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
3 Ny biby
mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko
anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4 Kanefa ny
nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
5 Fa ny ranareo
kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra
no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona
avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
6 Izay
mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny
endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7 Koa ny
aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy
mihabetsaha eny.
8 Ary
Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka
nanao hoe:
9 Indro, Izaho
efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
10 sy amin'ny
zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny
bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny
sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
11 Dia aoriko
ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo
rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
12 Ary hoy
Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho
aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka
fara mandimby:
13 Ny avako efa
napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny
tany.
14 Ary raha
mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
15 dia
hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina,
dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra
intsony.
16 Ary ho eo
amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena
mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra,
dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
17 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho
amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
18 Ary ny
zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy
19 Ireo telo
lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny
tany rehetra.
20 Ary vao
21 Ary nisotro
tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny
lainy.
22 Ary hitan'i
23 Ary nalain'i
Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia
mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy
nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.
24 Dia
nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny
zanany faralahy taminy.
25 Dia hoy izy:
Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy.
26 Ary hoy koa
izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27
Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema
izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
28 Ary ny andro
niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
29 Ary ny andro
rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
*
1 [Ny
taranak'izy telo lahy zanak'i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny
zanakalahin'i Noa, dia Sema sy
2 Ny zanakalahin'i
Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3 Ary ny
zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4 Ary ny
zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5 Avy
tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy
araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
6 Ary ny
zanakalahin'i
7 Ary ny
zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny
zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8 Ary Kosy
niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay
9 Izy dia
mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe:
Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.
10 Ary ny
niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany
Sinara.
11 Ary nivoaka
avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive
mbamin'i Rehobot-ira sy Kala
12 ary Resena
teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
13 Ary Mizraima
niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14 sy ny
Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15 Ary Kanana
niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
16 ary ny
Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
17 sy ny Hivita
sy ny Arkita sy ny Sinita
18 sy ny
Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny
firenen'ny Kananita.
19 Ary ny
fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany
20 Ireo no
zanak'i
21 Dia niteraka
koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22 Ny
zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23 Ary ny
zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24 Ary
Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
25 Ary Ebera
niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny
no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.
26 Ary Joktana
niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
27 sy Hadorama
sy Ozala sy Dikla
28 sy Obala sy
Abimaela sy
29 sy Ofira sy
Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
30 Ary ny
fonenan'ireo dia hatrany
31 Ireo no
zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka
ny fireneny.
32 Ireo no
mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy
tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
1 [Ny
nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra
ny fitenin'ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2 Ary raha
nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany
Sinara izy ka nonina teo.
3 Ary
niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny
biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
4 Ary hoy izy:
Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny
lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany
rehetra isika.
5 Dia nidina
Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
6 Ary hoy
Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity
vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona
izay saintsaininy hatao.
7 Aoka isika
hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
8 Dia tao no
nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra
tsy nanao ny tanàna intsony izy.
9 Koa izany no
nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny
tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany
rehetra.
*
10 [Ny
taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema:
Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny
safo-drano.
11 Ary ny andro
niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
12 Ary rehefa
dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela
izy.
13 Ary ny andro
niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 Ary rehefa
telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
15 Ary ny andro
niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
16 Ary rehefa
efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega
izy.
17 Ary ny andro
niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato
taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
18 Ary rehefa
telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
19 Ary ny andro
niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 Ary rehefa
roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
21 Ary ny andro
niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
22 Ary rehefa
telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
23 Ary ny andro
niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
24 Ary rehefa
sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
25 Ary ny andro
niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby
zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
26 Ary rehefa
fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary
Harana izy:
*
27 [Ny
taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak'i Tera:
Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
28 Ary maty
Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany,
dia tao Oran'ny Kaldeana.
29 Ary Abrama
sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary
ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy
rain'Iska.
30 Ary momba
Saray; tsy nanan-janaka izy.
31 Ary Tera
nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray
vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao
Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka
nonina tao.
32 Ary dimy
amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
1 [Ny
niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta]
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao
ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
2 dia hahatonga
anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho
fitahiana tokoa ianao;
3 ary hitahy
izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no
hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
4 Dia nandeha
Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka
taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5 Ary Abrama
nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy
rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga
izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka
6 Ary Abrama
dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny
Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7 Ary Jehovah
niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia
nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
8 Ary nifindra
niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny
lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina
alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
9 Ary nifindra
Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
10 Ary nisy
mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa
mafy ny mosary teo amin'ny tany.
11 Ary rehefa
nadiva ho
12 ka, raha
hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa
hovelominy.
13 Masìna
ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao
no hamelomany ahy.
14 Ary rehefa
15 Ary nahita
azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao
an-tranon'i Farao izy.
16 Ary Abrama
nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy
sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
17 Dia nasian'i
Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i
Abrama.
18 Ary Farao
dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana
no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19 Nahoana
ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny,
indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
20 Dia nomen'i
Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny
vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
1 [Ny
nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i
Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny
mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany
atsimo.
2 Ary Abrama
nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
3 Ary mbola
nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany
Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy
Ay,
4 dia teo
amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso
ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
5 Ary Lota koa,
izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 Ary tsy omby
azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo
niray monina izy.
7 Dia niady ny
mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny
Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8 Ary hoy
Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny
mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9 Moa tsy eo
anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha
hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia
hianavaratra kosa aho.
10 Ary Lota
nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany
akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i
Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny
tany Egypta.
11 Dia
nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra
niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12 Ary Abrama
nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany
amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 Ary ny
mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i
Jehovah.
14 Ary Jehovah
niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy
ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy
mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 fa ny tany
rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 Ary hataoko
maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany,
dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17 Miaingà
ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany;
fa homeko anao izy.
18 Ary Abrama
nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay
any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
*
1 [Ny namaboana
an'i Lota sy ny namonjen'i Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i
Abrama] Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka,
mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala.
mpanjakan'ny Goima,
2 dia nandeha
izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i
Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny
mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
3 Ary ireo
rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny
Ranomasin-tsira izany).
4 Fa efa
nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona
fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
5 Ary tamin'ny
taona fahefatra ambin'ny folo dia
6 ary ny Horita
tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan'ny efitra.
7 Dia niverina
indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany
rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8 Dia nivoaka
ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny
mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra
hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
9 dia
tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy
Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka
efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
10 Ary ny
lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma
sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany
an-tendrombohitra.
11 Ary izy ireo
namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa
nandeha.
12 Ary namabo
ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa
nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
13 Ary
14 Ary raha
nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo
ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany
Dana.
15 Dia
nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka
nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
16 Ary nampody
ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa
mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.
17 Dia nivoaka
ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny
mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo
mpanjaka nomba azy.
18 Ary
Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia
mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
19 Dia
nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie
Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
20 Ary isaorana
anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo
an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
21 Ary hoy ny
mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany
ho anao.
22 Fa hoy
Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah,
Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23 fa tsy
handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao
hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
24 afa-tsy izay
efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy
Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
1 [Ny
nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia
2 Ary hoy Abrama:
Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy
manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
3 Ary hoy koa
Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny
ato an-tranoko no handova ahy.
4 Ary, indro,
ny tenin'i Jehovah
5 Dia nitondra
azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao
ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny
taranakao.
6 Ary nino an'i
Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
7 Ary hoy Izy
taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana,
mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
8 Ary hoy Izy:
Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
9 Ary hoy Izy
taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy
ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
10 Dia nentiny
teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy
ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
11 Ary nidina
teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
12 Ary rehefa
hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina
mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
13 Ary hoy
Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany
izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato
taona izy.
14 Ary izany
firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany,
dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
15 Nefa ianao
kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao
vao hodi-mandry.
16 Fa raha mby
amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky
ny Amorita.
17 Ary rehefa
maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana
fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo
anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
18 Tamin'izany
andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao
efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony
lehibe, dia ny ony Eofrata,
19 dia ny
Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
20 ary ny
Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
21 ary ny
Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
1 [Ny
nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy
nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Ary hoy Saray
tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia
amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny
tenin'i Saray.
3 Ary rehefa
nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i
Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba
hovadiny.
4 Dia nivady
tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa
manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
5 Ary hoy Saray
tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao
ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny
tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
6 Ary hoy Abrama
tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay
sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
7 Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra,
dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora.
8 Ary hoy Izy:
Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy;
Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.
9 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay
ataony aminao.
10 Ary hoy koa
Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho
azo isaina izy noho ny hamaroany.
11 Ary hoy
indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12 Ary izy ho
lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny
olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra
izy.
13 Ary Hagara
nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay
mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
14 Izany no
nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i
Kadesy sy Bareda izany.
15 Ary Hagara
dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia
nataon'i Abrama hoe Isimaela.
16 Ary efa
enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
*
1 [Ny
nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho
famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary
rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka
nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka
aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2 Fa Izaho
hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 Dia
niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
4 Raha ny
amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
5 Ary ny
anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa
nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.
6 Dia hahamaro
ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy
mpanjaka hiseho avy aminao.
7 Ary haoriko
ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny
taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny
taranakao mandimby anao Aho.
8 Ary homeko
anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana
rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
9 Dia hoy
Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko
ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara
mandimby.
10 Ary izao no
fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay
hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11 Dia hoforana
ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
12 Ny zazalahy
teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny
taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola
tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
13 Tsy maintsy
hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao
amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
14 Ary ny
lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
15 Dia hoy
Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao
Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
16 Ary hitahy
azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga
firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
17 Dia
niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay
efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
18 Ary hoy
Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo
anatrehanao!
19 Ary hoy
Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany
dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay
ho an'ny taranany mandimby azy.
20 Ary ny
amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro
ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo
izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
21 Nefa ny
fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy
izao.
22 Ary rehefa
vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i
Abrahama.
23 Koa dia
nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra
novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay
indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
24 Ary efa sivy
amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
25 Ary efa telo
ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
26 Androtrizay
indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;
27 ary ny
lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola
tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
*
1 [Ny
nisehoan'ny anjely telo tamin'i Abrahama] Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama
teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy,
raha nafana ny andro;
2 dia nanopy ny
masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka
nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka
hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
3 ka nanao hoe:
Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny
mpanomponao.
4 Aoka
hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra
kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
5 dia haka mofo
kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany
ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo
lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
6 Dia nandeha
faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana,
makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7 Ary Abrahama
kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara
ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8 Ary Abrahama
naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony
teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia
nihinana izy telo lahy.
9 Ary hoy izy
telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao
an-day izy.
10 Ary hoy Izy:
Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana
zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay
teo ivohon'Ilay niteny.
11 Ary Abrahama
sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra
tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
12 Ary Saraha
dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho
rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
13 Ary hoy
Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka
tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
14 Fa moa misy
zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny
taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15 Dia nandà
Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy
Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
16 [Ny
nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma] Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala
teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17 Ary Jehovah
nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?
18 Fa Abrahama
ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena
rehetra ambonin'ny tany.
19 Fa efa
nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy
hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba
hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
20 Ary hoy
Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia
mavesatra indrindra;
21 hidina Aho
ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany,
izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
22 Dia nihodina
niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola
nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
23 Dia nanatona
Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?
24 Angamba misy
olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny
tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
25 Sanatria
Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina
hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara
ny tany rehetra?
26 Ary hoy
Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako
fo ny tanàna rehetra noho ireny.
27 Dia namaly
Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka
sy lavenona:
28 Angamba ho
latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny
dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
29 Dia, mbola
niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy
Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
30 Ary hoy izy:
Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo
no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31 ArY hoy izy:
Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao.
Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32 Ary hoy izy:
Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao
ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho
noho ny folo.
33 Dia lasa
nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama
niverina ho any amin'ny fonenany.
1 [Ny
nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia
nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo
am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy
izy ka niankohoka tamin'ny tany.
2 Dia hoy izy:
Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria
anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia
handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto
an-kianja ihany izahay anio alina.
3 Ary rehefa
noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao
an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira,
dia nihinana izy.
4 Ary raha tsy
mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma,
hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao
an-tanàna;
5 dia niantso
an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato
aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6 Dia nivoaka
teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7 ary hoy izy:
Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8 Indro,
manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka
re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa
ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka
eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
9 Ary hoy izy
ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity
10 Fa
naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho
ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
11 Dia
nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy
hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana
ireo.
12 Ary hoy izy
roa lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy
sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato
an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity;
13 fa horavanay
ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia
naniraka anay Jehovah handrava azy.
14 Dia nivoaka
Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao
hoe : Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity.
Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
15 Ary nony
maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe:
Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana
ianao noho ny heloky ny tanàna.
16 Ary nony
nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany
roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy
roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
17 Ary rehefa
nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy
ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
18 Ary hoy Lota
taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
19 indro, fa
efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny
famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy
afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho
faty aho;
20 indro, io
vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao
aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
21 Ary hoy izy
taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako
io vohitra nolazainao io.
22 Mandehana
faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho
mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
23 Ary ny
masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
24 Ary Jehovah nandatsaka
tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
25 ka nandrava
ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao
an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.
26 Fa ny
vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
27 Dia nifoha
maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i
Jehovah;
28 ary nitsinjo
an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro,
niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
29 Ary raha
noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i
Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana,
tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota.
30 [Ny
niandohan'ny firenen'i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka
nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra
hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Ary hoy ny vavimatoa
tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny
tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;
32 andeha
hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara
avy amin'ny raintsika.
33 Dia
nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka
nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay
nifohazany.
34 Ary nony
ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny
raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia
midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
35 Dia
nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay
zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay
nifohazany.
36 Dia samy
nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy.
37 Dia niteraka
zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita
mandraka androany.
38 Ary ny zandriny
koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no
rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.
*
1 [Ny
nivahinian'i Abrahama tao Gerara] Dia nifindra niala teo Abrahama nankany
amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny
tao Gerara izy.
2 Ary hoy ny
filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka,
mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
3 Fa
Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao
taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa
vadin'olona izy.
4 Fa Abimeleka
anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay
firenena marina?
5 Tsy
ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao
hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako
no nanaovako izany.
6 Ary hoy
Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny
fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy
hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
7 Ary
ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao,
dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa
ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
8 Dia nifoha
maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany
rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
9 Ary Abimeleka
dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay
izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe
tamiko sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao
tamiko.
10 Ary hoy koa
Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany
ianao?
11 Dia hoy
Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa
amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.
12 Nefa
anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba
zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
13 Ary raha
nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy
izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra
halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
14 Ary
Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i
Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
15 Ary hoy
Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
16 Ary hoy kosa
izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao;
indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia
efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
17 Ary Abrahama
dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy
ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
18 Fa Jehovah
efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny
amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
1 [Ny
nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy
an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha
araka ilay efa noteneniny.
2 Dia
nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy,
tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
3 Ary ny
anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i
Abrahama hoe Isaka.
4 Dia noforan'i
Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa
nandidian'Andriamanitra azy.
5 Ary efa zato
taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
6 Ary hoy
Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia
hiara-mihomehy amiko.
7 Ary hoy koa
izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza
Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
8 Ary rehefa
lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro
nanotazana an'Isaka.
9 Ary Saraha
nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i
Abrahama.
10 Dia hoy izy
tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io
andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
11 Fa ratsy teo
imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
12 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza
sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny
teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13 Nefa ny
zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14 Dia nifoha
maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny
an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia
nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i
Beri-sheba.
15 Ary rehefa
lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely
anankiray ny zaza.
16 Dia lasa izy
ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy
izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny
izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
17 Ary
ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay
Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo
anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo
amin'ny itoerany.
18 Mitsangana,
areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19 Dia
nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy;
ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 Ary
nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka
nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21 Ary nonina
tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta
izy.
22 [Ny fanekena
nataon'i Abrahama sy Abimeleka] Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy
Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe:
Omban'Andriamanitra ianao amin'izay rehetra ataonao;
23 koa
ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na
ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko
sy amin'ny tany izay ivahinianao.
24 Ary hoy
Abrahama: Hianiana ihany aho.
25 Ary Abrahama
nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny
mpanompon'i Abimeleka an-keriny
26 Dia hoy
Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko,
ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27 Ary Abrahama
naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy
roa lahy.
28 Ary Abrahama
nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
29 Ary hoy
Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao
ireo?
30 Ary hoy izy:
Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho
vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31 Izany no
nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
32 Dia nanao
fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny
miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
33 Dia namboly
hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i
Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
34 Ary Abrahama
nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
*
1 [Ny
nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra
izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry
Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2 Ary hoy Izy:
Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny
tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra
anankiray izay holazaiko aminao.
3 Ary nifoha
maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa
lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny
fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra
taminy,
4 Nony tamin'ny
andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ
lavitra erỳ.
5 Ary hoy
Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny
zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo
indray.
6 Dia nalain'i
Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany;
fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha
izy mianaka.
7 Ary Isaka
niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho,
anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao
fanatitra dorana?
8 Fa hoy
Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia
niara-nandeha izy mianaka.
9 Ary rehefa
tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina
ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany
izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
10 Ary Abrahama
naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11 Fa niantso
azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry
Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
12 Dia hoy Izy:
Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao;
fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny
zanakao, dia ny lahitokanao.
13 Ary Abrahama
niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny
kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra
azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
14 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no
anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i
Jehovah.
15 Dia niantso
an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
16 ka nanao
hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany
ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
17 dia hitahy
anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny
amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny
taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;
18 ary amin'ny
taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny
teniko ianao.
19 Ary Abrahama
dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany
Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
*
20 [Ny
taranak'i Nahora] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama
hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,
21 dia Oza
lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama,
22 ary Kaseda
sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
23 Ary Betoela
niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora,
rahalahin'i Abrahama.
24 Ary ny
vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama
sy Tahasy ary Meaka.
*
1 [Ny
nahafatesan'i Saraha sy ny nandevenana azy] Ary ny andro niainan'i Saraha dia
fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
2 Ary Saraha
dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga
Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
3 Ary Abrahama
nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny
taranak'i Heta ka nanao hoe:
4 Vahiny sy
mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba
handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
5 Dia namaly
an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
6 Mihainoa
anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra
amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny
fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
7 Dia
nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
8 dia niteny
taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba
tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona,
zanak'i Zohara,
9 mba homeny
ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay
vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany
fandevenana.
10 Ary Efrona
nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita
teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny
tanànany, ka nanao hoe:
11 Tsia,
tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo
anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy
ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao.
12 Ary
niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama,
13 dia niteny
tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba
hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia
haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
14 Ary Efrona
dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe:
15 Tompokolahy,
mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany
amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
16 Dia neken'i
Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo
anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
17 Ary ny
sahan'i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny
zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny
sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
18 tamini'i
Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra
teo ambavahadin'ny tanànany.
19 Ary rehefa
afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao
amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;
20 ka ny saha
mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i
Abrahama ho tany fandevenana.
*
1 [Ny
nampakan'i Abrahama vady ho an'Isaka avy tany amin'ny tanin'ny havany] Ary
Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy
an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra.
2 Ary hoy
Abrahama tamin'ilay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny
nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao;
3 fa
hampianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa
tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako
monina ianao;
4 fa any
amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka
zanako.
5 Ary hoy ilay
mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny
vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay
nialanao va aho?
6 Ary hoy
Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
7 Jehovah,
Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy
tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny
taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo
alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.
8 Ary raha tsy
hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao
ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
9 Ary
nataon'ilay mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana
taminy ny amin'izany zavatra izany izy.
10 Ary ilay
mpanompo naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay
zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka
nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i Nahora.
11 Ary
nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny
rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy
mpantsaka iny
12 Dia hoy izy:
Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa
Abrahama tompoko.
13 Indro,
mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao
an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
14 koa izay
zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy:
Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho
voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao
soa ny tompoko.
15 Ary raha tsy
mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela,
zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy
teny an-tsorony.
16 Ary ilay
zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy
nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia
niakatra.
17 Ary ilay
mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano
kely avy amin'ny sininao aho.
18 Ary hoy
razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo
an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
19 Ary rehefa
nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako
hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
20 Ary dia
naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia
nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka
ho an'ny ramevany rehetra izy.
21 Ary
ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa
nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia.
22 Ary rehefa
tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena
iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo,
hatao amin'ny tànany;
23 ary hoy izy:
Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao
an-tranon'ny rainao?
24 Ary hoy izy
taminy: Zanakavavin'i Betoela, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i
Nahora, aho.
25 Ary hoy koa
izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy
trano handrianareo koa.
26 Dia
niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah,
27 ary nanao
hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy
nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia
notantanan'i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.
28 Dia lasa
nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao
an-tranon'ny reniny.
29 Ary Rebeka
nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo
amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
30 Ary rehefa
hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny
tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia
nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva
teo am-pantsakana ralehilahy.
31 Ary hoy
Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany
ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.
32 Dia niditra
tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka
nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy
sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
33 Dia nandroso
hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy
efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
34 Dia hoy
ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho.
35 Ary Jehovah
efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome
azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy
andevovavy, ary rameva sy boriky.
36 Ary rehefa
antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy;
ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.
37 Ary efa
nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy
amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;
38 fa any
amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho
an'ny zanako.
39 Ary izaho
namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
40 Ary hoy izy
tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny
homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy
amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.
41 Dia ho afaka
amin'ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy
manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.
42 Ary tonga
androany teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i
Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
43 indro,
mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka
hilazako hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho,
44 ka hamaly
hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay
vehivavy voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko.
45 Ary raha tsy
mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy
teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy
izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
46 Dia
nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary
hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa
izy.
47 Dia
nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i
Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko
teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany.
48 Dia
niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i
Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana
marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany
49 Koa
ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao
amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny
ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
50 Dia namaly
Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra
izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
51 Indro,
Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny
tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah.
52 Ary rehefa
nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny
tany teo anatrehan'i Jehovah izy.
53 Ary ilay
mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka
nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
54 Dia vao izay
no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary
nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny
tompoko.
55 Ary hoy ny
anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy
ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha
izy.
56 Fa hoy
ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako;
alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.
57 Ary hoy izy
ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
58 Dia niantso
an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va
ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59 Dia namoaka
an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny
olony izy.
60 Dia
nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava
alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala
azy.
61 Ary niainga
Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka
tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
62 Ary Isaka
efa tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny
tany atsimo izy.
63 Ary Isaka
nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia
nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
64 Ary Rebeka
koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny
rameva izy.
65 Ary hoy izy
tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy
mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny
fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
66 Ary dia
nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
67 Ary Isaka
dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho
vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.
*
1 [Ny
nanambadian'i Abrahama an'i Ketora, sy ny taranany avy taminy; ary ny
nahafatesan'i Abrahama, sy ny nandevenan'ny zanany azy] Ary Abrahama
nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2 Dia niteraka
an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i
Abrahama izy.
3 Ary Joksana
niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy
Letosima ary Leomima.
4 Ary ny
zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo
rehetra ireo no zanak'i Ketora.
5 Dia
natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
6 Fa ny
zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany
avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany
hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.
7 Ary ny andro
niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
8 Dia niala
aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana;
dia voangona any amin'ny razany izy.
9 Ary
nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny
sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
10 dia ilay
saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i
Abrahama sy Saraha vadiny.
11 Ary rehefa
maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo
akaikin'i Bera-lahai-roy.
*
12 [Ny
taranak'Isimaela] Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay
naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
13 Izao no
anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany:
Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
14 sy Misma sy
Doma sy Masa
15 sy Hadada sy
Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
16 Izy ireo no
zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia
andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
17 Ary ny andro
niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka
maty, dia voangona any amin'ny razany .
18 Ary ny
taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny
lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
*
19 [Ny amin'i
Esao sy Jakoba] Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
20 Abrahama
niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka,
zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana
Syriana.
21 Ary Isaka
nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i
Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
22 Ary
nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re
aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
23 Ary hoy
Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka
hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny
zokiny hanompo ny zandriny.
24 Ary rehefa
tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25 Dia teraka
ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia
nataony hoe Esao ny anarany.
26 Ary rehefa
afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny
ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo
taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
27 Dia nitombo
ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa
lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
28 Ary Isaka
tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
29 Ary nahandro
hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
30 Dia hoy Esao
tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho
(izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
31 Fa hoy
Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32 Dia hoy kosa
Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
33 Ary hoy
Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny
tamin'i Jakoba ny fizokiany.
34 Ary Jakoba
nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary
niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
*
1 [Ny
nivahinian'Isaka tany Gerara] Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy
ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i
Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
2 Ary Jehovah
niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny
tany izay holazaiko aminao.
3 Mivahinia
eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny
taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay
nataoko tamin'i Abrahama rainao;
4 dia hahamaro
ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny
taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny
firenena rehetra ambonin'ny tany;
5 satria efa
nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny
didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
6 Ary Isaka dia
nitoetra tany Gerara.
7 Ary ny
lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko
izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny
lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
8 Ary rehefa
nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka,
mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka
vadiny.
9 Ary Abimeleka
dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana
no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho
anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
10 Ary hoy
Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao
ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
11 Dia nandidy
ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny
vadiny dia hatao maty tokoa.
12 Dia namafy
tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria
efa notahin'i Jehovah izy.
13 Ary
nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe
indrindra;
14 fa nanana
fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy
ny Filistina.
15 Ary ny
lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony
fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany
avokoa.
16 Ary hoy
Abimeleka tamin'Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho
izahay.
17 Ary lasa
niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
18 Dia
noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i
Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary
dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
19 Dia nihady
teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
20 Ary niady
tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny
rano; ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria
nifanditra taminy izy ireo.
21 Dia nihady
lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia
nataony hoe Sitna.
22 Dia nifindra
niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba
niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i
Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
23 [Ny
nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka]
Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
24 Ary Jehovah
niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i
Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny
taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
25 Ary nanorina
alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo
koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.
26 Ary
Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia
niala tao Gerara hankany amin'Isaka.
27 Fa hoy Isaka
taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka
nandroaka ahy niala teo aminareo?
28 Ary hoy izy
ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka
samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao
fanekena aminao,
29 fa tsy
hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy
nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa
nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i
Jehovah.
30 Dia nanao
fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
31 Dia nifoha
maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia
lasa nody soa aman-tsara izy.
32 Ary
tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny
amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano
izahay.
33 Dia nanao ny
anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba
mandraka androany.
34 [Ny
nampakaran'i Esao vehivavy Kananita ho vadiny] Ary rehefa efa-polo taona Esao,
dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata,
zanakavavin'i Elona Hetita, izy.
35 Dia nangidy
tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
*
1 [Ny fitaka
nataon'i Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary
pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao
taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2 Ary hoy izy:
Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3 koa
ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy
ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
4 ary anaovy
hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba
hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
5 Ary Rebeka
nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha
Esao nitady haza ho entiny.
6 Ary Rebeka
niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny
tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
7 Ihazao aho,
ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah,
dieny tsy mbola maty aho.
8 Koa
ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
9 Mankanesa
kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko
hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
10 ary dia ho
entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola
maty izy.
11 Fa hoy
Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa
izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12 ary angamba
hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona
amiko, fa tsy tso-drano.
13 Ary hoy ny
reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny
teniko, ka mandehana, itondray aho.
14 Dia nandeha
izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao
hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
15 Ary
nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa
notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
16 Ary ny hoditry
ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
17 dia natolony
teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18 Ary Jakoba
nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza
moa ianao, anaka?
19 Ary hoy
Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay
nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako,
mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
20 Ary hoy
Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany
ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21 Ary hoy
Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka,
hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22 Ary Jakoba
nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia
feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
23 Ary tsy
nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny
tànany; dia notsofiny rano izy.
24 Ary hoy izy:
Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25 Ary hoy kosa
Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba
hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana
izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
26 Ary hoy
Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
27 Dia nanatona
izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano
azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i
Jehovah.
28 Ary
hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary
vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29 Hanompo anao
anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho
tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky
ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie
izay manisy soa anao.
30 Ary rehefa
vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo
anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31 Ary izy koa
nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy:
Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny
fanahinao rano ahy.
32 Fa hoy Isaka
rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao
lahimatoa.
33 Ary
toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra
teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao,
ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34 Raha vao
ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy
hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
35 Ary hoy
rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36 Dia hoy
Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy
izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny
tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37 Dia namaly
Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny
rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no
namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
38 Ary hoy Esao
tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re
aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39 Dia namaly
Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny
fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;
40 Fa ny
sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby
amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny
vozonao.
*
41 [Ny nialan'i
Jakoba tao amin'ny rainy handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny
zanakavavin'Isimaela ho vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho
ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny
andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
42 Ary nisy
namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka
nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao
rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
43 Ary
ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia
any amin'i Labana anadahiko.
44 Ary mitoera
any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
45 eny,
mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay
nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy
anareo mirahalahy indray andro?
46 Ary hoy
Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha
maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny
zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
1 Ary Isaka
nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady
avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
2 Miainga ka
mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà
vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3 Ary
Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo
anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
4 ary homeny
anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba
handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5 Ary Isaka
nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i
Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
6 Ary nony
hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any
Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka
vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;
7 koa Jakoba
efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
8 ary hitan'i
Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
9 dia lasa Esao
nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i
Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay
nananany.
10 [Ny
nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany
Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
11 Ary tonga
teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa
maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony
ondana, dia nandry teo izy.
12 Ary nanonofy
izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra
ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo
aminy.
13 Ary, indro,
Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i
Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao
sy ny taranakao;
14 ary ny taranakao
ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana
ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana
ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
15 Ary, indro,
Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody
anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay
voalazako taminao.
16 Ary Jakoba
nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa
Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17 Dia
raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy
hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
18 Ary nifoha
maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho
tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
19 Ary ny
anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay
tanàna tany aloha.
20 Dia nivoady
Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana
alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21 ka ho
tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho
Andriamanitro,
22 ary ity vato
izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra
homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
*
1 [Ny
nanompoan'i Jakoba an'i Labana hahazoany an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny
nahaterahan'ny zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny
atsinanana.
2 Dia nijery
izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry
aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana
izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato
teo am-bavan'ny fantsakana.
3 Ary nangonina
teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala
amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia
naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny
fitoerany.
4 Ary hoy
Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy
any Harana izahay.
5 Ary hoy izy
taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy:
Fantatray ihany.
6 Ary hoy izy
taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy
Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
7 Ary hoy izy:
Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana
ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8 Dia hoy izy:
Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry
aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka
fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9 Raha mbola
niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy;
fa mpiandry ondry izy.
10 Ary rehefa
hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry
aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato
hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i
Labana anadahin-dreniny izy.
11 Ary Jakoba
nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
12 Dia
nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia
nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13 Ary rehefa
ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena
azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia
nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
14 Ary hoy Labana
taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray
volana Jakoba,
15 dia hoy
Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao
amiko izay ho karamanao.
16 Ary Labana
nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny
zandriny.
17 Ary Lea
nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
18 Ary Jakoba
tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely,
zanakao faravavy.
19 Ary hoy
Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto
amiko.
20 Dia nanompo
an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana
teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
21 Ary hoy
Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny
fetr'androko.
22 Ary
nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
23 Kanjo nony
hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba;
dia nanambady azy Jakoba.
24 Ary nomen'i
Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
25 Ary nony efa
maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao
nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no
nofitahinao aho?
26 Dia hoy
Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny
zokiny.
27 Tanteraho ny
herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny
fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
28 Dia nataon'i
Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa
Rahely zananivavy ho vadiny.
29 Ary nomen'i
Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
30 Dia
novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo
an'i Labana fito taona indray izy.
31 Ary rehefa
hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa
Rahely.
32 Dia
nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena;
fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny
vadiko aho.
33 Dia
nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah
fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny
anarany.
34 Dia
nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia
hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no
nanaovana ny anarany hoe Levy.
35 Dia
nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia
hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia
nitsaha-jaza izy.
1 Ary rehefa
hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny
izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho
faty aho.
2 Dia nirehitra
tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay
nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3 Ary hoy izy:
Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba
hahazoako zaza aminy.
4 Dia nomeny
azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
5 Dia
nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
6 Ary hoy
Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka
nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7 Dia
nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany
tamin'i Jakoba.
8 Ary hoy
Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery
aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
9 Ary rehefa hitan'i
Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho
vadin'i Jakoba koa.
10 Ary Zilpa,
ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
11 Ary hoy Lea:
Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
12 Ary Zilpa,
ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
13 Ary hoy Lea:
Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony
hoe Asera ny anarany.
14 Ary nivoaka
nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry
tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely
tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
15 Ary hoy izy
taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny
dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina
noho ny dodaiman'ny zanakao.
16 Ary nony
hariva, rehefa
17 Ary
Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy
fahadiminy tamin'i Jakoba.
18 Ary hoy Lea:
Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny
ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19 Dia
nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
20 Ary hoy Lea:
Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny
vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny
anarany.
21 Ary rehefa
afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22 Ary
Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
23 Ary nanan'anaka
izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24 Dia nataony
hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho
ahy koa.
25 [Ny fanekena
hafa koa izay nataon'i Labana sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa
Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy
ny taniko.
26 Omeo ahy ny
vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny
fanompoana izay nanompoako anao.
27 Ary hoy
Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto
amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah
ahy.
28 Ary hoy koa
izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
29 Ary hoy
Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao
tato amiko.
30 Fa kely ny
fanananao, fony tsy mbola
31 Ary hoy izy:
Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona
ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy
hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
32 Handeha
hitety ny ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada
rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo
amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
33 Ny
fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha
34 Ary hoy
Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
35 Dia navahany
tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara
sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry;
dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
36 Ary nasiany
lalankateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry
aman'osin'i Labana sisa.
37 Ary Jakoba dia
naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy
tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo
amin'ny tsorakazo.
38 Ary ireny
tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo
anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry
aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano
izy.
39 Dia
nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara
ary sada.
40 Ary ny
zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika
sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay
ondry aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
41 Ary na
oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i
Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny
tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo.
42 Fa raha
osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny
osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.
43 Dia nitombo
harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy
andevolahy ary rameva sy boriky.
1 [Ny nandosiran'i
Jakoba avy tany
2 Ary hitan'i
Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha
izy.
3 Ary hoy
Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny
havanao; ary homba anao Aho.
4 Ary Jakoba
naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry
aman'osiny
5 ka nanao
taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka
ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
6 Ary
fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
7 Fa ny
rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy
navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
8 Raha nilaza
hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy
rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia
niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.
9 Dia
nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
10 Ary rehefa
mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka
hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana
tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
11 Ary hoy Ilay
Anjelin'Andriamanitra tamiko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty
aho.
12 Ary hoy Izy:
Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra
izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra
nataon'i Labana taminao.
13 Izaho no
Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko;
miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany
nahaterahanao.
14 Dia namaly
Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao
an-tranon'ny rainay?
15 Tsy nataony
toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny
volanay rehetra.
16 Fa ny harena
rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay
izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
17 Dia niainga
Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
18 dia
nitondra ny ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana
rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany
19 Ary Labana
efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny
sampin-drainy.
20 Ary Jakoba
dia nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny
handosirany.
21 Ary
nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony,
ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
22 Ary tamin'ny
andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 Dia nitondra
ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy
teo an-tendrombohitra Gileada.
24 Fa
Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao
taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Ary Labana
dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo
an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo
an-tendrombohitr'i Gileada.
26 Ary hoy
Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao
ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
27 Nahoana no
nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko
ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka
sy ny lokanga,
28 sady tsy mba
navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao
adaladala ianao.
29 Manankery
hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko
halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na
ratsy.
30 Ary
ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao
indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
31 Dia namaly
Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba
halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32 Izay
hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao
izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa
nangalatra azy.
33 Ary Labana
niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny
roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao
an-dain-Rahely.
34 Fa efa
nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia
nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy
nahita.
35 Ary hoy
Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto
anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa
tsy nahita ny sampy.
36 Dia tezitra
Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana
hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Fa efa
nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao
hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany
antsika roa lahy,
38 Izao
roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao
tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao
aho.
39 Izay
voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo
an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina
alina.
40 Nony
antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary
nandositra ny masoko ny torimaso.
41 Izao
roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo
taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa
hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
42 Raha tsy
Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no
nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra
efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
43 Dia namaly
Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo
zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry
aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko
anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
44 Koa
ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho
vavolombelona amiko sy aminao izany.
45 Dia naka
vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
46 Ary hoy
Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony
antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
47 Ary ny
anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa
nanao azy hoe Galeda.
48 Ary hoy
Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no
nanaovany ny anarany hoe Galeda.
49 Ary nataony
hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy
mifankahita isika.
50 Raha tahìny
hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo
ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho
vavolombelona amintsika.
51 Ary hoy
indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity
tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
52 dia aoka ho
vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato
ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy
hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko
kosa hanisy ratsy.
53 Ny
andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny
rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa
no nianianan'i Jakoba.
54 Dia namono
zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba
hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny
alina,
*
1 Ary nifoha
maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano
azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.
2 Ary Jakoba
nizotra tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
3 Ary hoy
Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany
izany nataony hoe Mahanaima.
4 [Ny
nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i
Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.
5 Ary nanome
teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no
tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra
tany mandraka ankehitriny;
6 ary manana
omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka
hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
7 Dia niverina
tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao
izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
8 Dia natahotra
indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay
nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva;
9 fa hoy izy:
Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra
kosa ny antokony anankiray.
10 Ary hoy
Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia
Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny
havanao dia hanao soa aminao Aho;
11 tsy mendrika
ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny
fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na
inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa
ankehitriny efa
12 O vonjeo aho
amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho,
fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.
13 Fa Hianao
efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka
ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
14 Dia nitoetra
teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba
hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,
15 dia osivavy
roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
16 ary rameva
telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo,
borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
17 Dia natolony
teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny
mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.
18 Dia nanome
teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka
manontany anao hoe: An'iza ianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao?
19 dia lazaonao
hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy
Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
20 Ary nanome
teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny
isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha
hitanareo izy.
21 Ary lazao
hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny
hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany,
dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
22 Ary dia lasa
nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo
amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.
23 Dia
nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny
ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny
fitàna tao Jaboka izy.
24 Ary naka azy
ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
25 Dia Jakoba
irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy
ambara-pahazavaratsin'ny andro.
26 Ary rehefa
hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny
foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
27 Ary hoy Izy:
Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy
havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
28 Ary hoy Izy
taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
29 Ary hoy
indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa
nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.
30 Dia
nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy
Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
31 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa
nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
32 Dia niposaka
taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny
feny.
33 Izany no tsy
ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria
nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
1 Ary Jakoba
dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy.
Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy
roa.
2 Ary nataony
loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka,
ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
3 Ary Jakoba
nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany
mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.
4 Dia
nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy
nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
5 Ary Esao
nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto
miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny
mpanomponao noho ny fahasoavany.
6 Dia nanatona
ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
7 Dia nanatona
koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy
Rahely ka niankohoka.
8 Ary hoy Esao:
Inona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy:
Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy.
9 Ary dia hoy
Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
10 Ary hoy
Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao
aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny
tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
11 Trarantitra
ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy
Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny
zavatra.
12 Ary hoy
Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
13 Fa hoy
Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny
ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza
ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
14 Trarantitra
ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka
izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza,
mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.
15 Ary hoy
Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba
ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto
imason'itompokolahy aho.
16 Dia niverina
androtrizay Esao tamin'ny lalany ho any Seira.
*
17 Ary Jakoba
nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo
maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io
hoe Sokota.
18 Ary Jakoba
tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa
avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna.
19 Dia novidiny
vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny
lainy.
20 Ary nanorina
alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
1 [Ny nakan'i
Sekema an'i Dina sy ny namalian'i Simeona sy Levy izany] Dia nivoaka Dina,
zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy
tompon-tany.
2 Ary nahita
azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia
naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3 Ary ny fony
dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy,
ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4 Ary Sekema
dia niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5 Ary ren'i
Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola
niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba
mandra-pahatongany.
6 Dia nivoaka
Hamora, rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.
7 Ary ny
zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady
tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny
Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy
tokony hatao izany.
8 Ary Hamora
nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia
amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9 Ary aoka
hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa
ny zanakai-vavy,
10 Dia
hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia
manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.
11 Ary hoy
Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto
imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12 na dia
harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay
holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13 Ary ny
zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro
azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
14 ary hoy izy
taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy
voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15 Izao ihany
no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy
rehetra aminareo,
16 dia homenay
anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia
hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17 Fa raha tsy
hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka
handeha izahay.
18 Dia sitrak'i
Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
19 Ary tsy
nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny
zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao
an-tranon'ny rainy.
20 Ary Hamora
sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny
mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21 Ireo olona
ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka
hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy
dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika
azy kosa.
22 Nefa izao
monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina
amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto
amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23 Tsy ho
antsika va ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra?
Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24 Ary izay
rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy
Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka
tamin'ny vavahadin'ny tanànany.
25 Ary nony
tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy
nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i
Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26 Ary Hamora
sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i
Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.
27 Ary ny
zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny
anabaviny.
28 Ny ondry
aman'osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy
izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
29 ary ny
fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka
nofaohiny avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano.
30 Ary hoy
Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa
nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny
Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono
ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
31 Fa hoy kosa
izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
*
1 [Ny
nankanesan'i Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy indray]
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka
monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao,
fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
2 Dia hoy
Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo
andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
3 ary andeha
hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho
an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy
tamin'ny lalana izay nalehako.
4 Dia natolony
teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay
teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay
tao akaikin'i Sekema ireo.
5 Dia lasa
nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna
manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
6 Ary Jakoba
dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny
olona rehetra izay nomba azy.
7 Ary nanorina
alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no
nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8 Ary maty
Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny
hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
9 Ary
Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia
izy, ka nitahy azy.
10 Ary hoy
Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny
anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
11 Ary hoy
Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy
mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny
haterakao;
12 ary ny tany
izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby
anao koa no homeko ny tany.
13 Ary
Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.
14 Ary Jakoba
dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka
nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
15 Ary ny
anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe
Betela.
16 [Ny nialan'i
Jakoba tany Betela, sy ny nahafatesan-dRahely tany an-dalana, ary ny anaran'ny
zanakalahin'i Jakoba roa ambin'ny folo] Dia nifindra niala tany Betela izy; ary
nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza
Rahely sady sarotiny.
17 Ary nony
sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa
izato koa no zazalahy ho anao.
18 Ary rehefa
hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa
nanao azy hoe Benjamina.
19 Dia maty
Rahely ka nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
20 Ary Jakoba
nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny
fasan-dRahely mandraka androany.
21 Dia lasa
nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
22 Ary raha
nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i
Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
23 Ary ny
zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia
Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary
Zebolona;
24 ny
zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
25 ary ny
zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
26 ary ny
zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i
Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
27 Ary Jakoba
nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay
nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
28 Ary ny andro
niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.
29 Dia niala
aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady
ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
*
1 [Ny taranak'i
Esao] Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany):
2 Esao naka
vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy
Oholibama, zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita,
3 ary Basemata,
zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota.
4 Ary Ada
niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela;
5 ary Oholibama
niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany
tany amin'ny tany Kanana.
6 Dia nentin'i
Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao
an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny
fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa
nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.
7 Fa samy be
loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy
omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
8 Koa nonina
tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).
9 Ary izao no
taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:
10 Ny anaran'ny
zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela,
zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
11 Ary ny
zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
12 Ary Timna no
vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i
Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
13 Ary izao no
zanakalahin'i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i
Basemata, vadin'i Esao.
14 Ary izao no
zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao:
niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
15 Izao no
loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i
Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny
sy Kenaza loham-pireneny
16 sy Kora
loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no
loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i
Ada.
17 Ary izao no
zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera
loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena
avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i
Esao.
18 Ary izao no
zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama
loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama,
zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
19 Ireo no
zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
20 Ary izao no
zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy
Zibona sy Ana
21 sy Disona sy
Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i
Seïra, tany amin'ny tany Edoma.
22 Ary ny
zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.
23 Ary izao no
zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
24 Ary izao no
zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana
tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).
25 Ary izao no
zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.
26 Ary izao no
zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
27 Ary izao no
zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
28 Ary izao no
zanak'i Disana: Oza sy Arana.
29 Ary izao no
loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny
sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
30 sy Disona
loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no
loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
31 Ary izao no
mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka
nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:
32 Nanjaka tany
Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
33 Ary maty
Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra.
34 Ary maty
Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.
35 Ary maty
Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny
Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
36 Ary maty
Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
37 Ary maty
Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.
38 Ary maty
Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
39 Ary maty
Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no
anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i
Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
40 Ary izao no
anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka
ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy
Jeteta loham-pireneny
41 sy Oholibama
loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
42 sy Kenaza
loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
43 sy Magdiela
loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny
Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny
Edomita.
*
1 [Ny
nankahalan'ny rahalahin'i Josefa azy, sy ny nivarotany azy ho andevo] Ary
Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany
Kanana.
2 Ary izao no
tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry
ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy
ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
3 Ary
tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny
fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
4 Ary nony
hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy
avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
5 Ary nanonofy
Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy
izany.
6 Fa efa nilaza
taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
7 Indro, namehy
amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary,
indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo
anatrehan'ny amboarako.
8 Ary hoy ny
rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va
ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
9 Ary nanonofy
indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy
indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika
ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
10 Ary
nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny
rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa
ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany
eo anatrehanao?
11 Dia nialona
azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
12 Ary lasa ny
rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
13 Ary hoy
Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia
mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
14 Ary hoy ny
rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny
ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala
avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
15 Ary nisy
lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy
ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
16 Dia hoy kosa
izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay
iandrasany ondry.
17 Ary hoy
ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha
isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany
Dotana.
18 Ary
nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky
azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
19 Dia niresaka
hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
20 Koa
ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray
amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby
masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
21 Ary Robena
nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny
ainy isika.
22 Ary hoy koa
Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka
etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba
hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy
indray.
23 Ary rehefa
tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo
lava teny aminy;
24 dia
nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa
tsy nisy rano tao.
25 Ary
nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana
fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany
nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any
Egypta.
26 Ary hoy Joda
tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika
sy hanafina ny ràny isika?
27 Andeha
hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny
tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny
rahalahiny.
28 Ary raha
nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao
an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary
dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
29 Dia niverina
nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia
nandriatra ny fitafiany izy.
30 Dia niverina
nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no
halehako?
31 Ary
nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka
natsobony tamin'ny rà ny akanjo.
32 Dia
nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity
no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
33 Dia fantany,
ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira
tokoa Josefa.
34 Ary Jakoba
dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary
nisaona ny zanany andro maro.
35 Dia avy ny
zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety
nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any
amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
36 Ary ny
Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao
sady mpifehy ny mpiambina.
*
1 [Ny
fanambadian'i Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin'i
Tamara] Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny
rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2 Ary teo no
nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy
izy ka nanambady azy.
3 Dia
nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
4 Dia
nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
5 Dia
nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe
Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
6 Ary Joda naka
vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
7 Fa ratsy
fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
8 Ary hoy Joda
tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy
maso ny rahalahinao.
9 Ary fantatr'i
Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny
rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny
rahalahiny.
10 Ary ratsy
teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
11 Ary hoy Joda
tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao
mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny
rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
12 Ary rehefa
ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona
ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy
Hira Adolamita sakaizany.
13 Dia nisy
nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety
ny ondriny.
14 Ary
nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana
ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana
mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola
nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
15 Ary hitan'i
Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
16 Dia nivily
nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho
(fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no
homenao ahy, raha handry amiko ianao?
17 Dia hoy izy:
Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va
ianao mandra-pampanatitrao azy?
18 Ary hoy izy:
Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy
ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia
nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
19 Ary niainga
ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka
niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
20 Dia
nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay
fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
21 Dia
nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa
ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy
vehivavy janga teo.
22 Dia niverina
tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona
tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
23 Dia hoy
Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa
nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
24 Ary rehefa
afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa
nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny
fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
25 Ary rehefa navoaka
izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay
tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay
tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
26 Dia
nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko
ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
27 Ary tamin'ny
andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
28 Ary raha
niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny
mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho
voalohany.
29 Ary rehefa
nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona:
Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
30 Ary rehefa
afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny
tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
*
1 [Ny nanaovana
an'i Josefa tao an-trano-maizina] Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary
Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no
nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2 Ary Jehovah
nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay
Egyptiana tompony izy.
3 Ary hitan'ny
tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i
Jehovah avokoa teo aminy.
4 Ary Josefa
nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho
mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho
andraikiny.
5 Ary
hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay
rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i
Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao
an-trano, na ny tany an-tsaha.
6 Dia navelany
ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony
izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary
Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
7 Ary
taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao
hoe: Avia handry amiko.
8 Dia nandà izy
ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay
tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho
andraikitro avokoa.
9 Tsy misy
lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko
afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany,
ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra?
10 Ary na dia
niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy
handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
11 Ary tamin'ny
indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra
tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.
12 Dia
nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko;
fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka
teny ala-trano.
13 Ary rehefa
hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra
any ala-trano izy,
14 dia niantso
ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo
tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia
niantso tamin'ny feo mahery aho;
15 ary nony
reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny
akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
16 Dia
napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny
tompony tao an-trano.
17 Dia nilaza
taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy
Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
18 ary rehefa
nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka
lasa nandositra any ala-trano izy.
19 Ary rehefa
ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo
teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
20 Ary ny
tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay
fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina
izy.
21 Nefa Jehovah
nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny
mpitandrina ny trano-maizina.
22 Dia
natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra
rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no
antony.
23 Ny
mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby
an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i
Jehovah.
1 [Ny nilazan'i
Josefa ny nofin'izy roa lahy tandapan'i Farao] Ary taorian'izany ny mpitondra
kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny
mpanjakan'i Egypta tompony.
2 Ary tezitra
indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny
mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
3 Dia nataony
tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao
anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
4 Ary Josefa
notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo
izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
5 Ary nanonofy
izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny
mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny
nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
6 Ary Josefa
nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy
izy.
7 Dia
nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao
an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo
ankehitriny?
8 Ary hoy izy
roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy
Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy?
Masìna ianareo, lazao amiko izany.
9 Dia
nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy
taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
10 ary ilay
tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny,
ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
11 Ary teny
an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao
amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
12 Ary hoy
Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
13 Ato
anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay
nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka
ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
14 Fa mba
tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia
lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;
15 fa
nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy
mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
16 Ary rehefa
hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia
hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo
feno mofo fotsy aho;
17 ary teo
anatin'ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa
karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny
karaba izay nololohaviko izany.
18 Dia namaly
Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
19 Ato
anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka
hahantony amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.
20 Ary tamin'ny
andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana
ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny
mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
21 Ary ny
lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray,
ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;
22 fa ny lehiben'ny
mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa
lahy avy.
23 Kanjo tsy
mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
1 [Ny nilazan'i
Josefa ny nofin'i Farao, sy ny nanandratana azy ho mpanapaka any Egypta] Ary
rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo
amoron'i Neily izy.
2 Koa, indreo,
nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana
teny amin'ny bararata.
3 Ary indreo,
nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily
nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
4 Ary ireo
ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady
matavy. Dia nahatsiaro Farao.
5 Ary natory
indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho
tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
6 Ary, indreo
kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana,
niseho nanaraka ireny.
7 Ary ny
salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia
nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
8 Ary nony
maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra
tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny
ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
9 Dia niteny
tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny
fahadisoako:
10 Farao dia
tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny
tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
11 Ary nanonofy
izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay
avy izahay.
12 Ary tao
aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia
nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany
araka ny nofinay avy izahay.
13 Ary samy
tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao
amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
14 Dia naniraka
Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao andavaka izy; ary
nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
15 Ary hoy
Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho
nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
16 Ary Josefa
dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay
valiny hiadanan'i Farao.
17 Ary hoy
Farao tamin'i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron'i Neily aho;
18 koa, indreo,
nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary
nihinana teny amin'ny bararata ireny.
19 Ary, indreo,
nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy
tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny
tany Egypta rehetra.
20 Ary ireo
ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy
izay nialoha azy.
21 Ary rehefa
nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa
mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
22 Ary hitako
tamin'ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny
tahony iray, sady vokatra no tsara;
23 ary, indreo
kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any
atsinanana, niseho nanaraka ireny;
24 ary ny
salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary
nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
25 Ary hoy
Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa
hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao.
26 Ny ombivavy
fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito
taona; iray ihany ny nofy.
27 Ary ny
ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito
taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any
atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
28 Izany dia
ilay efa nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no
asehony amin'i Farao.
29 Indro, hisy
fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;
30 ary manaraka
izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be
rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
31 ary ny
fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy
izany; fa ho mafy indrindra izany.
32 Ary naverina
indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra
izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.
33 Koa
ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy
hanapaka ny tany Egypta.
34 Aoka hanao
izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny
ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.
35 Ary aoka izy
ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory
vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka
hitahiry izany izy
36 Ary aoka
izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena,
izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
37 Ary sitrak'i
Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
38 Dia hoy
Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny
Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
39 Ary hoy koa
Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany
rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
40 koa ianao no
hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko
rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
41 Ary hoy
indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta
rehetra aho.
42 Dia
nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa,
dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny
vozony;
43 dia
nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo
alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta
rehetra izy.
44 Ary hoy
Farao tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona
hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
45 Ary nataon'i
Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata,
zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha
nitety ny tany Egypta.
46 Ary efa
telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
Dia niala teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta
rehetra.
*
47 Ary ny tany
dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin'ny taon-jina fito.
48 Dia namory
ny hanina rehetra tamin'izany fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka
nitahiry izany tao amin'ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny
isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin'ny tanàna.
49 Ary Josefa
namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy
nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
50 Ary nisy
zazalahy roa naterak'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona,
tamin'i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
51 Ary ny
anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra
efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny
raiko.
52 Ary ny
anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa
nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako.
53 Ary tapitra
ny taon-jina fito teo amin'ny tany Egypta;
54 dia niandoha
kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary
tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy
hanina ihany.
55 Ary rehefa
mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao
ny olona; ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i
Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
56 Ary ny
mosary dia tany amin'ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano
fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.
57 Ary ny tany
rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny
mosary tany amin'ny tany rehetra.
*
1 [Ny
nandehanan'ny zanak'i Jakoba hividy vary tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i
Josefa]Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny
zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ?
2 Dia hoy koa
izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka
mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3 Dia lasa
nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4 Fa Benjamina,
rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny;
fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
5 Dia tonga ny
zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary
koa ny tany Kanana.
6 Ary Josefa no
mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary
tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
7 Ary hitan'i
Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka
niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any
amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
8 Ary fantatr'i
Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
9 Ary Josefa
nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo;
hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
10 Fa hoy izy
ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11 Zanaky ny
lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy
akory ny mpanomponao.
12 Ary hoy izy
taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
13 Fa hoy izy;
Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any
amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay
ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
14 Ary hoy
Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
15 dia izao àry
no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha
tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
16 Iraho ny
anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba
hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa
Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
17 Dia nataony
tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
18 Ary nony
tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona
ianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra:
19 Raha
olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no
hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra
vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;
20 ary ny
zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny
teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
21 Dia niresaka
hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita
ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba
nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
22 Dia namaly
azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza
manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny
izao.
23 Ary izy ireo
tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny
niresahany taminy.
24 Ary Josefa
dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy
ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo
imasony.
25 Ary Josefa
nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao
anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao
izany taminy izy.
26 Ary
natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
27 Ary raha
nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay
handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
28 Dia hoy izy
tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako
izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe:
Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?
29 Ary tonga
tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy
izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy :
30 Mafy ny teny
nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany
izahay.
31 Ary hoy
izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
32 roa ambin'ny
folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny
faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.
33 Dia hoy
ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina
ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka
mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;
34 ary ento
mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo
ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao
varotra eto amin'ny tany ianareo.
35 Ary raha
nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany
am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany
am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36 Ary hoy
Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa
tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany
rehetra izany,
37 Ary Robena
niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko
miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra
azy mody ho atỳ aminao indray.
38 Ary hoy
Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy
irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay
halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny
volo fotsiko.
*
1 [Ny
nandehanan'ny zanak'i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan'i Josefa toetra azy]
Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany.
2 AryY rehefa
laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana
indray, mividia hanina kely ho antsika.
3 Ary Joda
niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe:
Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4 Raha
hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy
hanina ho anao;
5 fa raha tsy
hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita
ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6 Ary hoy
Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara
tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
7 Ary hoy izy
ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy
ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa
va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory
va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
8 Ary hoy Joda
tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka
handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny
zanatsika madinika koa.
9 Izaho no
hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ
aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro
rehetra hiainako aho;
10 fa raha tsy
nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11 Ary hoy
Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny
vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia
ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely,
ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
12 ary mitondra
vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo
am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
13 Ary ny
rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any
amin-dralehilahy;
14 ary
Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo
anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina.
Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
15 Dia
nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo
koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina
tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.
16 Ary Josefa,
raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny
tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy
zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha
mitataovovonana ny andro.
17 Dia
nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao
an-tranon'i Josefa ireo.
18 Dia
raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka
hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no
nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy
ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
19 Dia nanatona
an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo
am-baravaran'ny trano nanao hoe:
20 Mba henoy
kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
21 ary rehefa
tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo
ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny
volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
22 Ary nitondra
vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny
volanay tao anatin'ny lasakanay.
23 Ary hoy izy:
Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny
rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia
efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
24 Ary
nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano,
dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
25 Dia
nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa
mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
26 Ary rehefa
tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba
hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo
anatrehany izy.
27 Ary Josefa
nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra
nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
28 Dia hoy izy:
Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy
ireo ka niankohoka.
29 Ary Josefa
nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny,
dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy
koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
30 Dia niala
faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay
hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
31 Ary rehefa
nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka
nanao hoe: Ento ny nahandro.
32 Dia narosony
mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana
koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy
mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
33 Dia
nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy
araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
34 Ary samy
nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny
anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra.
Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
1 [Ny
nampahafantaran'i Josefa ny rahalahiny fa izy no Josefa, sy ny nanirahany haka
ny rainy] Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe:
Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary
ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
2 ary ny
kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay
faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay
nolazain'i Josefa.
3 Ary raha vao
nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
4 Ary rehefa
tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny
mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa
tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
5 Tsy iny va no
fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
6 Dia
nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
7 Ary hoy izy
ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny
mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
8 Indro fa ny
vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ
aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy
na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
9 Izay
anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary
izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
10 Dia hoy izy:
Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa
ianareo tsy hanan-tsiny.
11 Ary samy
nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany
avy.
12 Dia nikaroka
fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny
faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay
kapoaka.
13 Ary samy
nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka
niverina ho any an-tanàna.
14 Ary Joda sy
ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka
tamin'ny tany teo anatrehany.
15 Ary hoy
Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay
lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
16 Ary hoy
Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay?
ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny
mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay
nahitana ny kapoaka tao aminy.
17 Nefa hoy
Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao
aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any
amin'ny rainareo.
18 Dia nanatona
azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao
handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra
amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.
19 Itompokolahy
nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
20 Ary hoy
izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy,
zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no
zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.
21 Ary ianao
nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
22 Ary hoy
izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha
misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
23 Ary hoy
ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo
faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
24 Ary rehefa
tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny
tenin'itompokolahy.
25 Dia hoy ny
rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
26 Ary hoy
izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy,
dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha
tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
27 Dia hoy ny
mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy
tamiko;
28 fa lasa
niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy
mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
29 ary raha
halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia
hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
30 Koa
ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka
aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza),
31 koa raha
hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo
fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.
32 Fa ny
mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho
entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra
hiainako aho.
33 Koa
ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho
andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny
rahalahiny.
34 Fa hataoko
ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao
hahita izay loza hanjo ny raiko aho.
1 Ary Josefa
tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo
aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko.
Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao
izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
2 Dia nitomany
mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
3 Ary hoy
Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary
tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4 Ary hoy
Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary
hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ
Egypta.
5 Ary
ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo
ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha
anareo atỳ.
6 Fa roa taona
izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa,
izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7 Ary
Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka
anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
8 Ary
amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary
Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho
mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9 Andeha
miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no
tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra
aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10 dia honina
eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny
zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
11 Dia hamelona
anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena
ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
12 Ary, indro,
hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no
miteny aminareo.
13 Dia
hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra
efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
14 Dia namihina
ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba
nitomany teo amin'ny vozony.
15 Ary dia
nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary
rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16 Ary re tao
an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao
sy ny mpanompony izany.
17 Ary hoy
Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny
entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana;
18 ary alao ny
rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko
anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany
ianareo.
19 Ary
ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany
Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa
atỳ.
20 Aza malahelo
ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
21 Ary
nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny
tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22 Ary izy
rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely
volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
23 Ary izao
kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy
tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy
ho entiny eny an-dalana.
24 Dia
nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy:
Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25 Dia niakatra
avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany
Kanana.
26 Dia nilaza
taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny
tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy
izy.
27 Dia
nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa
hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao
velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy
28 Ary hoy
Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita
azy, dieny tsy mbola maty aho.
1 [Ny
nifindran'Isiraely sy ny ankohonany ho any amin'ny tany Egypta] Ary niainga
Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono
zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
2 Ary
Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho
: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3 Dia hoy Izy:
Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any
Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4 Izaho
hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray
tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
5 Dia niainga
Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba
rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa
nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
6 Ary
nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany
amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba
azy:
7 ny zananilahy
sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny
nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8 Ary izao no
anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
9 Robena,
lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona
ary Karmy
10 Ary ny
zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly,
zanakalahin'ny vehivavy Kananita.
11 Ary ny
zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
12 Ary ny
zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy
Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i
Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13 Ary ny
zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
14 Ary ny
zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
15 lreo no
zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy;
ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16 Ary ny
zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda
ary Arely.
17 Ary ny
zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary
ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.
18 Ireo no
zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany
tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.
19 Ny
zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20 Ary ny
zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i
Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21 Ary ny
zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy
sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 Ireo no
zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny
isan'izy rehetra.
23 Ary ny
zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24 Ary ny
zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 Ireo no
zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no
naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
26 Ny isan'izay
rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony,
afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 Ary ny
zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny
terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28 Ary Joda
nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena;
dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
29 Ary Josefa
nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena
izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo
amin'ny vozony.
30 Ary hoy
Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny
tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
*
31 Ary hoy
Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i
Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany
amin'ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
32 Ary mpiandry
ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry
aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33 Ary raha
hiantso anareo Farao ka hanao hoe : Inona no raharaha fanaonareo?
34 dia izao no
havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny
fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba
hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny
Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
1 [Ny
nahazoan'Isiraely sy ny ankohonany fonenana tsara tao Gosena, ary ny nanjo ny
Egyptiana noho ny hamafin'ny mosary] Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza
taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny
mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka,
indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
2 Ary ny dimy
lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
3 Ary hoy Farao
tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy
tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay.
4 Ary hoy koa
izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy
misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any
amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao
amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.
5 Ary Farao dia
niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga
atỳ aminao;
6 ny tany
Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny
rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha
fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry
ny omby aman'ondriko.
7 Dia nentin'i
Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i
Farao.
8 Ary hoy Farao
tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
9 Dia hoy
Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady
vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako
tamin'ny andro nivahiniany.
10 Ary Jakoba,
rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
11 Dia
namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny
tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa,
araka izay efa nandidian'i Farao.
12 Dia
novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny
ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.
*
13 Ary tsy nisy
hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny
tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
14 Dia
nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany
amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i
Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
15 Ary rehefa
lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia
nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa
nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
16 Ary hoy kosa
Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
17 Dia nentiny
tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny
soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny
hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
18 Ary rehefa
tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona
faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany
ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na
inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
19 nahoana no
dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina
ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary
omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny
tany.
20 Dia
notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy
nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
21 Ary ny olona
dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta
rehetra.
22 Ny tanin'ny
mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny
mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy
nanakalozany ny taniny.
23 Dia hoy
Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho
an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
24 Ary rehefa
misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa
ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao
an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
25 Ary hoy izy:
Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy
izahay, dia ho mpanompon'i Farao.
26 Dia nataon'i
Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i
Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
*
27 Ary nonina
tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo
zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
28 Ary ny andro
niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny
andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
29 Ary rehefa
antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka
nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy
ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna
ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
30 Fa rehefa
lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta
ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
31 Ary hoy
Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo
an-dohan'ny farafara Isiraely.
*
1 [Ny tso-drano
nataon'i Jakoba tamin'i Manase sy Efraima, zanakalahin'i Josefa] Ary rehefa
afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia
nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
2 Ary nisy
nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ
aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
3 Ary hoy
Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any
amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
4 Indro, Izaho
hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia
homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
5 Ary
ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany
Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo:
eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
6 Fa ny zanakao
izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao
araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
7 Ary izaho,
raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny
tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao
Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema
izany).
8 Ary rehefa
hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
9 Ary hoy
Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary
hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
10 Ary efa
pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i
Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
11 Dia hoy
Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo,
indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
12 Ary Josefa
nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka
tamin'ny tany izy.
13 Dia
notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny
ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny
ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
14 Dia nahinjitr'Isiraely
ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no
zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany
natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
15 Dia
nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i
Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy
hatrizay niainako ka mandraka androany,
16 ny Anjely
Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary
aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary
hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
17 Ary rehefa
hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i
Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala
azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
18 ka hoy
Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka
apetraho eo amin'ny lohany ny tananao ankavanana.
19 Fa tsy nety
ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga
firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny
taranany ho firenena maro.
20 Dia
nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny
Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i
Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
21 Ary hoy
Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka
hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo.
22 Ary izaho
manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko
tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
*
1 [Ny
tso-dranon'Isiraely nanambarany izay ho toetry ny zanany mirahalahy avy] Ary
Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako
aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
2 Miangòna, ka
mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
*
3 Ry ROBENA,
lahimatoako ianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana,
manan-tombon-kery.
4
Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny
fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako
lahy, ka dia niakarany!
*
5 SIMEONA sy
LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
6 Aza mankeo
amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa
tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no
nanatraingoany omby.
7 Ho voaozona
anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany;
hampihahakahaka azy eny amin'i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
*
8 Ry JODA,
hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao;
hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
9 Zana-diona,
Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny
liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
10 Ny
tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny
tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
11 Mamatotra ny
borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny
eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary
ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.
12 Mangamanga
ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.
*
13 ZEBOLONA, ao
amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary
ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.
*
14 ISAKARA dia
boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;
15 Ary hitany
fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny
sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
*
16 DANA hitsara
ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.
17 Dana ho
menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay
manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18 Ny
famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
*
19 GADA, ny
manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
*
20 ASERA dia
avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
*
21 NAFTALY dia
dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
*
22 JOSEFA dia
sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany
mananika mihoatra ny fefy.
23 Nampahory
azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
24 Kanefa
mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny
tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny
Isiraely,
25 Avy amin'ny
Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy
anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny
lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
26 Ny
tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra
mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany,
dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
*
27 BENJAMINA
dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara
babo.
*
28 Ireo rehetra
ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy
taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no
nitsofany rano azy.
29 Dia
nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any
amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any
amin'ny sahan'i Efrona Hetita,
30 ao anatin'ny
zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany
Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho
tany fandevenana.
31 Tao no
nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka
sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,
32 ny saha sy
ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.
33 [Ny
nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary
rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia
navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any
amin'ny razany.
*
1 Ary Josefa
nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2 Ary nasain'i
Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia
nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
3 Ary
notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro
nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
4 Ary rehefa
tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i
Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo,
lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:
5 Ny raiko efa
nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay
nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa
ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia
hiverina atỳ indray.
6 Ary hoy
Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
7 Dia lasa
niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i
Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany
amin'ny tany Egypta,
8 ary ny
ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy
madinika sy ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny
tany Gosena.
9 Ary nisy
kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe
ny tobiny.
10 Ary rehefa
tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana
lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
11 Ary rehefa
hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy:
Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe
Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
12 Ary ny zanakalahin'i
Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
13 dia nitondra
azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha
Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i
Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14 Ary rehefa
voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny
mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15 Ary rehefa
hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao
fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra
nataontsika taminy.
16 Dia naniraka
nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola
maty,
17 ka nanao
hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao
sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny
fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha
niteny taminy izy ireo.
18 Koa nanatona
azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay
ho mpanomponao.
19 Ary hoy
Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
20 Hianareo no
nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao
tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21 Koa
ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo
madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22 Ary Josefa
sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia
folo amby zato taona.
23 Ary hitan'i
Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia
noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.
24 Ary hoy
Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa
ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany
tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
25 Ary Josefa
dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa
Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
26 Dia maty
Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka
napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.
Accès direct aux
chapitres de l’Exode : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40
1 [Ny nitomboan'ny
Zanak'Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran'ny
zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha
mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
2 Robena sy
Simeona sy Levy ary Joda;
3 Isakara sy
Zebolona ary Benjamina;
4 Dana sy
Naftaly, ary Gada sy Asera.
5 Ary ny
isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta
rahateo.
6 Ary maty
Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7 Ary ny
Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia
nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
*
8 Ary nisy
mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
9 Ary izy
niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy
mahery noho isika;
10 andeha
hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia
homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala
amin'ny tany.
11 Koa dia
nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao
tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12 Nefa araka
ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia
natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.
13 Dia
nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,
14 ka nataony
mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky
mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay
nampanompoany azy fatratra.
15 Ary ny
mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny
anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)
16 ka nanao
hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny
fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
17 Nefa
natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny
mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
18 Dia nampaka
ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao
izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
19 Fa hoy ny
mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy
Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola
20 Dia
nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny
olona.
21 Ary
tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia
nomen'Andriamanitra zanaka izy.
22 Dia nandidy
ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia
ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
*
1 [Ny namonjena
an'i Mosesy, sy ny nandraisan'ny zanakavavin'i Farao azy ho zanany] Ary nisy
lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny
zanakavavin'i Levy.
2 Dia
nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara
izy, dia nafeniny telo volana.
3 Ary rehefa
tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany
asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty
zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
4 Ary ny
anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
5 Ary nidina ny
zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana
teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i
Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
6 Ary nony
nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia
namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
7 Dia hoy kosa
ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny
vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
8 Ary hoy ny
zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny
zaza.
9 Ary hoy ny
zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa
ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
10 Ary rehefa
lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia
11 [Ny nataon'i
Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany
andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy
ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny
anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.
12 Dia
niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay
Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.
13 Ary nony
ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady;
dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14 Fa hoy izy:
Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy
koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra
Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!
15 Ary rehefa
ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy
nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka
teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
16 Ary ny
mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia
nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.
17 Ary avy kosa
ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy
azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.
18 Ary rehefa
19 Ary hoy izy
ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry
ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.
20 Ary hoy izy
tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany?
Alao izy mba hihinan-kanina.
21 Ary sitrak'i
Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho
vadin'i Mosesy.
22 Dia niteraka
zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny
atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.
*
23 [Ny
nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony]
Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny
Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany
amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
24 Ary
Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
25 Ary
Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
1 Ary Mosesy
niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia
nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba,
tendrombohitr'Andriamanitra.
2 Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray;
dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
3 Ary hoy
Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy
ahalevonan'ny roimemy.
4 Ary rehefa
hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy
Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5 Ary hoy Izy:
Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io
ijanonanao io.
6 Dia hoy koa
Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy
Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa
natahotra hijery an'Andriamanitra izy.
7 Ary hoy
Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny
fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
8 dia efa
nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra
hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any
amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny
Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9 Ary
ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ
amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.
10 Koa avia
ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko
hivoaka avy any Egypta.
11 Fa hoy
Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny
Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?
12 Ary hoy Izy:
Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka
anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo
an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.
13 Ary hoy
Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa
14 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO
MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO
IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
15 Ary hoy koa
Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely:
Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy
Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho
atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana
Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16 Mandehana,
dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah,
Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka
nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ
Egypta;
17 ary hoy
Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta
ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy
ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.
18 Dia hihaino
ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny
Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona
taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any
an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah
Andriamanitray.
19 Kanefa Izaho
mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia
amin'ny tanana mahery aza.
20 Dia
haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay
hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
21 Ary hataoko mahita
fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy
mba handeha maina;
22 fa ny
vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny
miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny
zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
1 Ary namaly
Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe:
Tsy niseho taminao Jehovah.
2 Ary hoy
Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
3 Ary hoy Izy:
Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka
4 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra
ny tànany izy ka nandray azy; dia
5 mba
hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia
Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
6 Ary hoy koa
Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao
an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka
fotsy tahaka ny oram-panala.
7 Ary hoy koa
Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany
indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa
8 Ary raha tsy
hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny
feon'ny famantarana aoriana izy.
9 Ary raha tsy
hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano
avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy
ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
10 Ary hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay
mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny
mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
11 Ary hoy
Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na
mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12 Koa
ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay
holazainao.
13 Fa hoy izy:
Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
14 Dia
nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va
Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa,
avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15 Dia hiteny
aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka
hanoro anareo izay hataonareo.
16 Ary izy
hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa
ho solon'Andriamanitra aminy.
17 Dia ho
entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18 Dia lasa
nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe:
Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any
Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i
Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
19 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny
olona rehetra izay nitady ny ainao.
20 Dia nalain'i
Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho
any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay
tehin'Andriamanitra.
21 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo
fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i
Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
22 Ary lazao
amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
23 koa efa
nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy
handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
24 Ary nony
tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka
nitady hamono azy.
25 Dia naka
fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo
anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
26 Dia niala
taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny
fora.
27 Ary hoy
Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa
nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia
nanoroka azy.
28 Ary
nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy
sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
29 Dia lasa
nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
30 Dia
nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.
31 Dia nino ny
olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo
ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
*
1 [Ny
nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao, sy ny nampitomboan'i Farao, ny
fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao
amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2 Fa hoy Farao:
Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay
Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
3 Ary hoy izy
roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao,
aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao
fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny
areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
4 Ary hoy ny
mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka
ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy.
5 Ary hoy koa
Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo
mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy.
6 Ary
tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy
azy ka nanao hoe:
7 Aza omenareo
mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no
aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8 Kanefa ny
isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa
aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay
handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.
9 Hamafio ny
fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga
foana izy.
10 Dia nivoaka
ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe:
Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11 fa mandehana
ianareo ka manangona mololo any amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny
fanompoanareo na dia kely akory aza.
12 Dia niely
eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo.
13 Ary ny
mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana
isan'andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
14 Ary ny
mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba
hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny
anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha
?
15 Dia nankao
amin'i Farao ny mpifehy ny Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no
manao toy izany amin'ny mpanomponao ianao?
16 Tsy omena
mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary,
indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17 Fa hoy
Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha
izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
18 Ary
ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena
anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
19 Ary hitan'ny
mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy
hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.
20 Ary izy ireo
dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany
amin'i Farao izy;
21 dia hoy izy
tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa
nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony
izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
22 Ary Mosesy
niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza
tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
23 Fa hatrizay
nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga
loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny
tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy
amin'ny taniny.
2 [Ny
namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
3 ary tamin'ny
anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary
Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
4 Ary naoriko
taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany
izay efa nivahiniany.
5 Ary koa,
Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny
Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
6 Koa lazao
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho
afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka
anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no
hamonjeko anareo.
7 Dia halaiko
ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka
amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo.
8 Ary Izaho
hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama
sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
9 Ary Mosesy
nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny
fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
10 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
11 Mankanesa ao
amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny
Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.
12 Ary Mosesy
niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy
nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
13 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny
Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny
Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.
14 [Ny firazanan'i
Mosesy sy Arona] Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena,
lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no
fokom-pirenen-dRobena.
15 Ary ny
zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly,
zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona.
16 Ary izao no
anaran'ny zanakalahin'i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary
Merary; ary ny andro niainan'i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
17 Ny
zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.
18 Ary ny
zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro
niainan'i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.
19 Ary ny
zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka
ny taranany.
20 Ary Amrama
naka an'i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy
taminy izy; ary ny andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato
taona.
21 Ary ny
zanakalahin'i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.
22 Ary ny
zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
23 Ary Arona
naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny;
dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
24 Ary ny
zanakalahin'i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny
Korana.
25 Ary
Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela,
dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita,
araka ny fokom-pireneny.
26 Ireo no
Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy
any amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
27 Ireo no
niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely
hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.
28 [Ny
nanirahan'Andriamanitra an'i Mosesy sy Arona hihaona amin'i Farao indray, sy ny
famantarana nataon'izy roa lahy teo anatrehany] Ary tamin'ny andro izay
nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo amin'ny tany Egypta,
29 dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.
30 Ary Mosesy
niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka
aiza no hihainoan'i Farao ahy!
*
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao;
ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
2 Hianao hilaza
izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao,
mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
3 Ary Izaho
hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay
hataoko eto amin'ny tany Egypta.
4 Fa tsy
hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe
no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
5 Dia ho
fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i
Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
6 Dia nataon'i
Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony.
7 Ary efa
valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha
niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.
8 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
9 Raha miteny
aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao
amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho
10 Ary Mosesy
sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia
natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny
tehiny, ka
11 Dia
nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo
Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.
12 Fa samy
nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka
13 Dia nihamafy
ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i
Jehovah.
14 [Ny loza
folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano
15 Mankanesa ao
aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo
amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana,
ho entinao eny an-tananao),
16 dia lazao
aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao
hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy
nihaino ianao mandraka ankehitriny.
17 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko
etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho
18 Dia ho faty
ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana
intsony ny hisotro ny rano ao.
19 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro
ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy
ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny
rehetra, mba ho
20 Ary nataon'i
Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina
izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony,
dia
21 koa maty ny
hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana
nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
22 Ary ny
ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia
nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa
nolazain'i Jehovah.
23 Dia niverina
Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
24 Dia nihady
rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony
nisotroana ny rano tao Neily.
25 Ary nisy
hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.
26 [Faharoa: ny
sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
27 Fa raha
mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny
sahona;
28 dia hisy
sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny
trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny
mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny
amin'ny vilia fanaova-mofonao.
29 Dia ho
aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny
tehinao eny ambonin'ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny
heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.
2 Ary
nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny
sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
3 Ary ny
ombiasy mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona
ho eny amin'ny tany Egypta.
4 Ary Farao dia
nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin'i Jehovah hampialany
ny sahona amiko sy amin'ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any
zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
5 Ary hoy
Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana
no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny
sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
6 Dia hoy izy:
Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao
fa tsy misy tahaka an'i Jehovah Andriamanitray.
7 Ary ny sahona
dia hiala aminao sy amin'ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho
ao Neily ihany no hisy azy.
8 Ary Mosesy sy
Arona niala teo amin'i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny
sahona izay efa nataony tamin'i Farao.
9 Dia nataon'i
Jehovah araka ny tenin'i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny
amin'ny tokotany ary tany an-tsaha.
10 Dia
nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
11 Fa nony
hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy
mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
12 [Fahatelo:
ny moka] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny
tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho
13 Dia nanao
toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny
ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa
tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.
14 Ary mba
nanao toy izany koa ny ombiasy tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo
tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy.
15 Dia hoy ny
ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i
Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i
Jehovah.
16 [Fahefatra:
ny lalitra] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna
eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
17 Fa raha tsy
mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny
mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny
Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
18 Fa havahako
amin'izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy
lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany.
19 Dia hasiako
fiavahana amin'ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian'izany famantarana
izany.
20 Ary nataon'i
Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao
amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba
ny tany noho ny lalitra.
21 Ary Farao
nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra
hatao fanatitra ho an'Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.
22 Fa hoy
Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin'ny Egyptiana no hovonoinay hatao
fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin'ny
Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va
izahay?
23 Handeha
lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.
24 Ary hoy
Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho
an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha
lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
25 Ary hoy
Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin'i Jehovah mba hialan'ny
lalitra amin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa
tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao
fanatitra ho an i'Jehovah.
26 Ary Mosesy
niala teo amin'i Farao ka nangataka tamin'i Jehovah
27 Ary Jehovah
dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao
sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory
aza.
28 Kanjo Farao
nanamafy ny fony indray tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.
1 [Fahadimy: ny
aretina tamin'ny biby] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i
Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
2 Fa raha mandà
ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
3 dia, indro,
ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy
amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka
hisy areti-mandringana mafy indrindra.
4 Ary Jehovah
dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty
izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
5 Dia nanendry
fotoan'andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany
zavatra izany eto amin'ny tany.
6 Ary nony
ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny
Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia
iray akory aza.
7 Dia naniraka
Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray
akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
8 [Fahenina: ny
vay] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao
ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny
lanitra eo imason'i Farao izany.
9 Dia
hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho
10 Dia naka
lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i
Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia
11 Ary ny
ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo
ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra.
12 Nefa Jehovah
dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay
efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
13 [Fahafito:
ny havandra] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia
mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
14 Fa
ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko
hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy
misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
15 Fa
ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao
amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao.
16 Kanefa izao
indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara
any amin'ny tany rehetra ny anarako.
17 Mbola
mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18 Indro,
rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola
nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka
ankehitriny.
19 Koa
ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra
anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any
an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
20 Ary izay
natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny
mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
21 fa izay tsy
nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny
tany an-tsaha ihany.
22 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy
havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny
biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.
23 Dia
nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy
kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany;
ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta.
24 Dia nisy
havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy
indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra
hatrizay naha-firenena azy.
25 Ary ny havandra
namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta
rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo
rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
26 Fa tao
amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy
havandra.
27 Dia naniraka
Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho
tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28 Mangataha
amin'i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy
hitoetra eto intsony ianareo.
29 Ary hoy
Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako
amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy
intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.
30 Kanefa
fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah
Andriamanitra ihany.
31 Ary efa
naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa
namony ny rongony.
32 Fa ny vary
tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
33 Ary Mosesy
niala teo amin'i Farao ka nankeo ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany
tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy
ranonorana nilatsaka tamin'ny tany intsony.
34 Ary nony
hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana,
dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny
mpanompony.
35 Dia nihamafy
ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa
nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.
1 [Fahavalo: ny
valala] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa
nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao
eo aminy;
2 ary mba
holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy
izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3 Ary Mosesy sy
Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo
anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4 Fa raha mandà
ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra
Aho rahampitso;
5 dia
handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny
sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra
izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6 dia hameno ny
tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra
ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay
andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina
izy ka niala teo amin'i Farao.
7 Ary hoy ny
mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny
lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy
mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
8 Dia nisy
nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy
taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no
handeha?
9 Ary hoy
Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy
sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha;
fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
10 Fa hoy Farao
taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny
zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
11 Tsy izany,
fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo.
Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
12 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny
valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny
zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
13 Dia
nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra
rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny
alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any
atsinanana.
14 Ary ny
valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany
Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany
tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
15 Fa nandrakotra
ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra
teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy
nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na
tamin'ny anana tany an-tsaha.
16 Ary Farao
dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i
Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17 Ary
ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka
mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray
loha izao monja.
18 Dia niala
teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
19 Ary Jehovah
nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala
ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny
valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20 Nefa Jehovah
nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21 [Fahasivy:
ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra
ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22 Dia
nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny
tany Egypta rehetra hateloana,
23 koa tsy mba
nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny
Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
24 Ary Farao
dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah;
fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny
zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25 Ary hoy
Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra
hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
26 ary ny omby
aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny
kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah
Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah
mandra-pahatonganay any.
27 Ary Jehovah
dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
28 Ary hoy
Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony
ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
29 Ary hoy
Mosesy:
1 [Filazana ny
hihavian'ny loza fahafolo] Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola
hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia
handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia
handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
2 Koa mitenena
amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy
firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.
3 Dia nataon'i
Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy
malaza indrindra teo amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao
sy teo imason'ny vahoaka.
4 Ary hoy
Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka
hankeo afovoan'i Egypta,
5 dia ho faty
ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay
mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny
izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy
rehetra.
6 Ary hisy
fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka
izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
7 Kanefa tsy
hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na
amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah
ny Egyptiana sy ny Isiraely.
8 Ary hidina ho
ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao
hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka
izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana
mirehitra Mosesy.
9 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana
izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
10 Ary Mosesy
sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah
nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny
izy.
*
1 [Ny Paska, sy
ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Ity volana
ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho
anareo izy.
3 Mitenena
ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny
andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy
rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny
isan-trano;
4 ary raha
vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy
izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona
rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
5 Zanak'ondry
tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny
ondry na amin'ny osy izy;
6 ary
hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana
ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7 Ary hanalany
ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny
trano izay hihinanany azy.
8 Dia hohaniny
amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy
mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
9 Aza hanina
manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany
sy ny tongony ary ny fadiny.
10 Ary aza
asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka
tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
11 Ary toy izao
no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho
eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo
faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
12 Fa handeha
hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra
amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny
andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
13 Ary ny rà
dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita
ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely
ny tany Egypta Aho.
14 Ary izany
andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro
firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no
hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
15 Hafitoana no
hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo
ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira
hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho
amin'ny Isiraely.
16 Ary amin'ny
andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito
koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro
izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
17 Ary
hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany
indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna
mandrakizay.
18 Amin'ny
andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no
hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby
roa-polo amin'ny volana.
19 Hafitoana no
tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy
masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na
tompon-tany.
20 Tsy hihinana
na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy
masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
21 Dia
nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy:
Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka
vonoy ny Paska.
22 Dia makà
hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà
izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana
roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo
ambara-pahamarain'ny andro.
23 Fa Jehovah
handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana
sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao
an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
24 Ary
hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny
taranakareo mandrakizay.
25 Ary rehefa
26 Ary raha
hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo
izao?
27 dia
holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny
tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy
ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
28 Ary dia
nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy sy Arona no nataony.
29 Ary nony
namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta,
hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany
ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay
voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
30 Ary nifoha
raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana
rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay
tsy nahafatesana.
31 Dia nampaka
an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto
amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i
Jehovah araka ny nolazainareo.
32 Ary ny ondry
aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka
mandehana; fa mba tsofy rano aho.
33 Dia
nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany,
satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
34 Dia
nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny
viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
35 Ary ny
Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy
firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
36 Ary nataon'i
Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay
nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
37 Dia niainga
tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana
tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
38 Ary nisy
olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy
omby, dia fananana be indrindra.
39 Dia nanendy
mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta
izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka
tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
40 Ary ny andro
nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
41 Ary rehefa
tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra
no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
42 Alina
notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny,
izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra
hatramin'ny taranany fara mandimby.
43 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa
firenena hihinana azy.
44 Ary ny
andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba
hihinana.
45 Ny vahiny sy
ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
46 Ao an-trano
iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy
hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
47 Ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
48 Ary raha
misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka
hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho
tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo
mihinana izany.
49 Lalàna iray
no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50 Dia
nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy sy Arona no nataony.
51 Ary
tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
*
1 [Ny
nanokanana ny lahimatoa ho an'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
2 Hamasino ho
Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny
Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3 Dia hoy
Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany
Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i
Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4 Izao andro
amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5 Ary raha
hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny
Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena
anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany
ianao amin'izao volana izao.
6 Hafitoana no
hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro
firavoravoana ho an'i Jehovah.
7 Ny mofo tsy
misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay
mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny
taninao rehetra.
8 Dia
hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah
tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9 Dia ho
famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny
handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no
nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
10 Dia tandremo
amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11 Ary raha
hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany
taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12 dia
hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny
biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra;
13 ary ny
voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy
ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo
amin'ny zanakao dia havotanao.
14 Ary raha
hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no
anton'izao? dia holazainao aminy hoe:
15 ary raha
nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny
lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka
hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny
lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia
soloako.
16 Ary ho
famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa
tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
*
17 [Ny lalana
nitondran'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena]
Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny
lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy
Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any
Egypta.
18 Fa
nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny
Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy
tany amin'ny tany Egypta.
19 Ary nentin'i
Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia
nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra,
dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20 Dia nifindra
niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.